Mpampindram-bola madinika: maro ny vola tsy tafaverina

News - Mpampindram-bola madinika: maro ny vola tsy tafaverina

News - Mpampindram-bola madinika: maro ny vola tsy tafaverina

Miangavy ny fanjakana hijery ny
olana sedrain’ireo mpampindram-bola madinika ny APIMF*. Mandalo
fotoan-tsarotra, ankehitriny, ireo mpampindram-bola madinika ireo,
toy ny sehatra hafa rehetra, noho ny valanaretina Covid-19. Ambany
ny famerenam-bola, maro ny vola nampindramina tsy tafaverina.
Notsiahivin’ny APIMF ny anjara toeran’izy ireo eo amin’ny
fihariana, mifampiraharaha amina olona 1 500 000. Maro
anisa indrindra ny mivelona amin’ny fambolena sy ny fiompiana any
ambanivohitra, mahatratra 75 %. Midika izany fa maro anisa ny miasa
tena ivelan’ny sehatra ara-dalàna. Maro koa ireo mpivarotra entana
ilaina andavanandro, saika hita amin’ny tanàn-dehibe.

Ankoatra ny renivola, misy ny
zanabola tsy voaloa. Nohararaotin’ny sasany ny fahazoana nampiato
ny famerenam-bola tao anatin’ny fihibohana. Ho an’ny Otiv Tana,
ohatra, nantsoina ireo mpanjifa, nohamarinina ny fangatahany
fanemoram-potoana. Rariny raha aloa ny zanabola mifandraika amin’ny
fotoana tsy nahafahana namerim-bola. Na izany aza, misy ireo afaka
namerina ara-dalàna.

Manaitra ny fanjakana ny APIMF fa
iankinan’ny fiveloman’ny maro ny asan’izy ireo. Afaka roa volana,
hisokatra ny taom-pambolena manaraka, ka mila vola hiatrehana
izany. Miankina amin’ny fanampiana ity fandraharahana ity ny
ahafahana manohana ny tontolo ambanivohitra, mampiditra azy ireny
anatin’ny ara-dalàna, mampihodina ny toekarena.

 

R.Mathieu

 

APIMF* : Association professionnelle des institutions de
microfinance

 

 

Article tiré de Newsmada

L’article Mpampindram-bola madinika: maro ny vola tsy tafaverina a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

« Tagnamaro »: fanatsarana ny fambolem-bary

Natomboka, ny sabotsy 27 jolay teo, teny amin’ny lemak’Ambohipanja, kaominina Ankadikely Ilafy, distrika Avaradrano, ny paikady manokana raisin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (Maep). Nampidirina ao anatin’ny fanaovana ny hetsika Tagnamaro ny politika hampitomboana ny vokatry ny fambolena, indrindra ny vary, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, amin’ny taona 2020, araka ny nofaritana ao anatin’ny IEM. Nanaovana tagnamaro ny fanadiovana ny lakandrano sy ny tatatra, mirefy 500 metatra, manondraka lemaka 100 ha eny Ambohipanja, notarihin’ny minisitra (Maep), Ranarivelo Lucien.Noraisin’ny Maep ity paikady ity hiomanana amin’ny fotoam-pambolem-bary 2019-2020, ka hatao manerana ny Nosy. Marihina fa mahatratra 1.200.000 ha ny lemaka voajary eto Madagasikara fantatra. Koa, tanjona amin’izao tetikasa izao, ny hanarenana velaran-tany 30.000 ha sy lemaka vaovao mirefy 10.000 ha. Mandritra ny roa volana ny hanatanterahan’ny Maep ity ezaka manokana ity amin’ny alalan’ny Tagnamaro. Njaka A. L’article « Tagnamaro »: fanatsarana ny fambolem-bary a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Taorian’ny nahafaty ilay ben’ny Tanàna: tsy tana ny ain’ilay CB-n’ny zandary voatifitry ny dahalo

Namoy ny ainy, omaly rehefa avy nialana nenina tao amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana (Homi), ny zandary prinsipaly kilasy ambony (GPHC) Solohery Narivelo, kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena (CB) ao Befandriana Avaratra…Natao daholo ny ezaka rehetra nanavotana ity zandary ity tamin’ny fitsaboana azy noho ny ratra nandritra ny fanafihan-jiolahy nitranga tao Befandriana Avaratra, ny alin’ny 29 jolay lasa teo kanefa tsy avotra intsony ny ainy. Tsiahivina fa nodimandry ny 1 aogositra ilay ben’ny Tanànan’i Belalona Befandriana Avaratra izay voatifitra niaraka taminy tamin’io asan-jiolahy io. Ny talata tolakandro teo no nigadona ao Befandriana Avaratra ny fatin’ny ben’ny Tanàna izay voatifitra niaraka tamin’ny CB-n’ny zandary. Ny alatsinainy 29 jolay alina no nitrangan’ny fanafihana teratany sinoa mpandraharaha ka tamin’izany no nahavoatifitra ilay ben’ny Tanàna tompon-trano nofain’ireto teratany sinoa ireto. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny vola mitentina 60 tapitrisa Ar. Nahazo antso ny zandary avy ao amin’ny borigady ka nidina haingana teny an-toerana. Ny CB-n’ny zandary no nitarika izany, niafara tamin’ny tifitra nahazo azy. Jiolahy iray lavo nandritra ny fanafihana raha efa nisy iray kosa tratra niaraka tamin’ireo ambim-bola anjarany. Nanamafy ny zandary fa mitohy ny fikarohana ny naman’ilay jiolahy tompon’antoka tamin’izao nahafaty ny CB sy ny ben’ny Tanàna izao.Jean ClaudeL’article Taorian’ny nahafaty ilay ben’ny Tanàna: tsy tana ny ain’ilay CB-n’ny zandary voatifitry ny dahalo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mahajanga: noraisina manetriketrika ny depiote Nina

 Notsenaina tamin’ny fomba manetriketrika ny fahatongavan’ny depiote sady filoha lefitry ny Antenimierampirenena, ho an’ny faritanin’i Mahajanga, Rahantanirina Lalao, ny faran’ny herinandro teo. Nisy ny filaharambe namakivaky ny tanàna tamin’ny alalan’ny diabe sy ny fiara tamin’izao fahatongavany any an-toerana izao. Nitsena azy tamin’izany ireo vahoaka  marobe ao Mahajanga, notarihin’ny eo anivon’ny distrika sy ny ben’ny Tanàna,  Andriantomanga Mokhtar Salim. Anisan’ny nanotrona sy nanatitra azy tany an-toerana koa ny depiote sady filoha lefitry ny Antenimierampirenena avy any Antsiranana, i Jocelyne Maxime, mbola horaisina manetriketrika koa any amin’ny tany niaviany. Samy avy amin’ny vovonana IRD avokoa izy mirahavavy ireo.Synèse R.  L’article Mahajanga: noraisina manetriketrika ny depiote Nina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fitrandrahana ny atialan’Ankarafantsika: mila paikady hentitra ny fifehezana ny mpifindra monina mamboly       

 Misy olona manafatra mpiavy  ivelan’ny faritra Boeny hamboly ao anatin’ny atialan’Ankarafantsika izay midadasika amin’ny velarana 136 513 ha. Efa misy fandraisana andraikitra nataon’ny fitondrana, nanomboka ny taona 2018. Nahatratra 23 ireo olona notanana am-ponja vonjimaika nanomboka ny fiandohan’ny taona teo.   Ny taona 2017 no nisy fanairana momba ny fahapotehan’ny ala ao anatin’ny valanjavaboary Ankarafantsika (RN4). Nijery ny zava-misy teny ifotony ny tompon’andraikitra ary nametraka lamina hiarovana ny valanjavaboary sy hifehezana ny mpiavy mitrandraka ny atiala. Voalaza fa olona avy amin’ny faritra hafa ivelan’ny faritra Boeny no manimba ny ala sy mamboly anatin’ny faritra arovana, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny faritra Boeny, Bazezy Vanombe Clavelah Roslan. Roa taona taty aoriana, tsapa fa tsy voafehy ny fifehezana ny fanimbana ala. Nandeha nizaha ifotony indray ny solontenam-panjakana ka nisongadina fa misy ny fatana fanaovana arina sy lasa faritra fambolena katsaka. Nanapa-kevitra niaraka amin’ny prefet eto Mahajanga izy ireo fa horavana avokoa ny tranokely ao anaty rebareba manodidina ny valanjavaboary. Nojerena  ihany koa ny lalana hidirana ao anatin’ny valanjavaboary ary nametrahana toerana fanaraha-maso miaraka amin’ny zandary hitsirihana ireo mpiavy manimba ny atiala. Efa vonona ny mpamatsy vola momba izay, araka ny fanazavany ihany, tamin’ny herinandro lasa teo, tao Mahajanga. Fantatra fa avy any Toliara ny ankamaroan’ny mpiavy mamboly sy manao arina fandrehitra. Nivondrona ao anatin’ny fikambanana iray ny mponina ao Anjijia mivelona manodidina ny vala ka nanentana ny mpiray fiaviana tsy hitrandraka ny atiala. Izy ireo rahateo no mpanelanelana ny mpitrandraka sy ny fitondram-panjakana.Nanamafy ny lehiben’ny faritra fa afaka mivezivezy malalaka ny olona ato anatin’ny faritra ka sarotra ny hanakana ny fiavian’ny mpitady velon-tena eto Madagasikara fa mila fehezina kosa ny fitrandrahan’izy ireo ny aty ala izay fandikan-dalàna faizin’ny lalàna mihatra eto amintsika. Misy ny fitsarana manokana mikarakara ny fanimbana ala.Tokony hisoratra anarana amin’ny fokontany Sarotra ny mitantana ireo olona mpifindra monina mitrandraka ny atiala ao Ankarafantsika satria tokony hisoratra amin’ny secteur sy fokontany avokoa ny mponina anamorana ny fanaraha-maso, hoy ny prefet ao Mahajanga, Ravelomahay Lahiniaina Fitiavana. Vahaolana mahomby indrindra ny hisoratan’izy ireo anarana amin’ny fokontany efa nisy fa tsy azo atao ny hametraka tanàna na fokontany vaovao ao anatin’ny faritry ny ala arovana.L’article Fitrandrahana ny atialan’Ankarafantsika: mila paikady hentitra ny fifehezana ny mpifindra monina mamboly        a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Afaka 50 taona: ho foana ny teny malagasy raha tsy iainana

Fampianarana amin’ny fiteny vahiny. Teny ifampiresahana any anivon’ny ankohonana, teny vahiny. Taratasim-panjakana, didy aman-dalana, amin’ny fiteny vahiny, sns. Ny endrika tahaka ireo no anisan’ny mahafoana tsikelikely ny teny malagasy. Raha ny fikarohana nataona mpampianatra mpikaroka iray: “… Ho foana ao anatin’ny 50 taona ny teny malagasy madiorano raha mbola mitohy ireo tranga ireo”.… Mahatratra 7 000 ny karazam-pitenenana (tenenin’ny tompon-tany) misy maneran-tany. Nanaitra ny rehetra ny nilazan’ny mpikaroka fa isaky ny tapa-bolana, teny iray amin’ireo no maty. « … Fa ny tena zava-doza, maty manaraka izany ihany koa ny kolontsaina hoentin’ireny teny ireny », hoy ny fanambaran’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny kolontsaina sy ny fanabeazana na ny Unesco.HaRy Razafindrakoto L’article Afaka 50 taona: ho foana ny teny malagasy raha tsy iainana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Vaovao tambatra

Miisa 2 tapitrisa ny taratasy fanamarinana fananan-tany hozaraina hatramin’ny taona 2022. Manohana ity fandaharanasa ity ny Banky iraisam-pirenena, nampitombo avo roa heny ny famatsiam-bola ho an’ny fambolena sy ny fiompiana, ary hiarovana ny fananan-tany (Casef).Hatao atsy ho atsy ny sonia ny fifanarahana famatsiam-bola hanamboarana ny lalana RN-5A, mampitohy an’Ambilobe sy i Vohemar. Tsiahivina fa efa natomboka ny taona 2018 ity asa ity ary nohavaozina ny taona 2019. Mamatsy vola azy ny governemanta sinoa amin’ny alalan’ny banky Exim Bank, mitentina 150 tapitrisa dolara. Tsy maintsy ampiasaina amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa (tohodrano, sekoly, lalana, fitaovam-pambolena sy fiompiana, sns) ny fanampiana avy any ivelany. Nanamarika mantsy ny filoha Rajoelina fa saika mifototra amin’ny andrimpanjakana, toy ny fampiofanana, ny fanomezana ordinatera sy fiara ho an’ny fitantanana ny fanampiana nefa tsy misy vokatra mivantana amin’ny fiainam-bahoaka. Notendrena ny lehiben’ny vaomieram-paritry ny tolotrasam-panjakana any amin’ny faritra miisa 16. Voatendry koa ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Antokon-draharaha misahana ny famatsian-drano any atsimo (AES), i Fiandraza. Lasa tale misahana ny mpiasa ao amin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny fizahantany koa Rtoa Rakotoarisoa Volanirina ary sekretera jeneraly Rakotovahiny Liva Jean Luc.L’article Vaovao tambatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fizahantany any Vatovavy Fitovinany: manohana 300 miliara ariary ny Fihariana

   Mifantoka amin’ny fitaterana sy ny fizahantany ny minisiteran’ny Fitaterana hanomezana aina indray ireo sehatra roa mifamatotra ireo. Maro ny olona mivelona mivantana amin’izany ka mila arenina hainganaTsy afa-misaraka ny fitaterana sy ny fizahantany. Roa volana izao, nifantoka tanteraka amin’ireo sehatra roa mifamatotra ireo ny minisiteran’ny Fitaterana hanomezana aina indray ireo fiharian-karena fototra niharam-pahavoazana toy ny sehatra hafa rehetra tratran’ny krizy ara-pahasalamana. Sarotra arenina izany ankehitriny noho ny fahavoazana isan-tokony mifandray amin’ny fitaterana sy ny fizahantany.Fototry ny toekerem-pirenena ireo, iveloman’ny olona antapitrisany mivantana, ka nametraka paikady vaovao ny minisitera mpiahy ho mpanelanelana sy ho fanarenana izany, any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany. Ho fiatrehana izany ny tetikasa Fihariana sy ny banky Indostrian’i Madagasikara, mifampiraharaha manamora ny fampindramam-bola ho an’ireo sehatra roa roa ireo: fitaterana sy fizahantany. 300 miliara ariary ny hatokana ho amin’izany ary haverina mandritra roa taona, miaraka amin’ny zanabola 8 % isan-taona ho an’ny mpitari-dalana sy ny mpitatitra ahafahan’izy ireo mamelona indray ny sehatra tandrify azy.Maika miaraka amin’izany tetikasa ny fanajariana ny manodidina izany, ny fitandroana ny tontolo iainana. Fandriamapahalemana, fanamboarana fotodrafitrasa manodidina, toy ny lalamby, ny seranam-piaramanidina, tsy ambanin-javatra koa ny fanadiovana ny lakandron’i Pangalana. Manana harena voajanahary mampiavaka samihafa ny manamorona ny lakandrano Pangalana sy ny lalamby FCE ireo rehetra ireo. R.MathieuL’article Fizahantany any Vatovavy Fitovinany: manohana 300 miliara ariary ny Fihariana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mpanan-karena mahantra!

Fomba fiteny toa efa mahazatra ny Malagasy, saingy mifono zava-dalina rehefa dinihina akaiky satria ny andavanandrom-piainana mihitsy no voalaza ao anatin’izany. Harena goavana be ny velaran’i Madagasikara raha oharina amin’ny mponina ao aminy. Firy amin’ny Malagasy anefa ny manan-tany? Sarotra, faran’izay sarotra ny mangataka tanim-panjakana. Vola sy fotoana lany, manginy fotsiny. Fambolena sy fiompiana, ireo ny harena eo amin’ny Malagasy.Tsy nisaraka tamin’ny tany izy fa nosarahina tamin’ny tany… Nidiran’ny mpanjakazaka an-tanin’olona ny taniny. Aty aoriana, nanjakan’ny dahalo ny fananany. Niala tsy fidiny teo amin’ny tany nohajariny izy. Hatreto anefa, ampahany kely dia kely amin’izany tany izany ihany no voaverina eo aminy.Raha tena tiana marina ny hampandroso an’i Madagasikara sy ny Malagasy, mila jerena manokana ny momba io tranga io. Maninona ny Malagasy no mifanaritaka sy miady mifamono noho ny raharahan-tany? Misy antony ao! Fa maninona ny Malagasy tsirairay no tsy manana tany kanefa i Madagasikara, malalaka be? Misy antony ao!… Mila hanaovana ezaka manokana ny hananan’ny Malagasy tany. Mitaky fanamorana izany. Fikarakarana ny taratasy, ny sarany aloa, ny fepetra arahina, sns, hamboarina avokoa ny lalàna mifandraika amin’ireo. Tsy zava-baovao ny fanomezana tany ho an’ny olona tsirairay fa efa nisy fony fahampanjaka satria « tsy manam-pahavalo afa-tsy ny mosary aho », hoy Andrianampoinimerina.Raha omena ny Malagasy ny tany. Omena azy ny fitaovana hoenti-mamboly. Omena azy ny masomboly. Omena azy ny tsena hivarotana ny vokatra, sns. Anjaran’ny fanjakana ny mandrindra ny fanatanterahana ireo amin’ny ankapobeny. Ho Nosy sambatra tokoa i Madagasikara atsy ho atsy!HaRy RazafindrakotoL’article Mpanan-karena mahantra! a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Firongatry ny valanaretina : olona enina indray matin’ ny Covid-19, miisa 360 ireo tranga vaovao

Tsy mitsahatra mirongatra ny valanaretina. Namono olo­na enina indray ny oronavirus, omaly araka ny tatitry ny CCO. Tetsy Befelatanana ny efatra raha iray avy ny teny amin’ny HJRA sy ny eny Fenoarivo. Ambony io antontanisa io raha telo ihany izany isan’andro tato ho ato. Ani­san’ny ambony indrindra kosa ny isan’ireo lavon’ny Corona­virus ny 16 jolay lasa teo.Miisa 76 ireo lavon’ny Covid-19Nahatratra 10 ireo namoy ny ainy ary nahatratra 484 ireo nifindran’ny valanaretina. Ta­fakatra 76 izany izao ireo matin’ny Coronavirus hatramin’izao. Etsy andaniny, miisa 360 ireo tranga vaovao ka avy eto Analamanga ny 321 amin’izany. Ahitana 14 Mahajanga, faritra Boeny, raha 11 any Fianarantsoa, Matsiatra Am­bony. Miisa dimy ny any Itasy ary telo ny any Atsimo Andrefana. Miisa telo ireo nifindran’ny valanaretina any Sofia, mitsinjara ho iray avy ny any Mandritsara sy any Antsohihy ary any Port Bergé. Roa ny tany Toamasina, Atsi­nanana ary iray tsy voafaritra.Maro anisa amin’ireo marary mafy, eto Analamanga avokoaAnkoatra izany, miisa 87 ireo marary mafy «forme grave» ka maro anisa amin’ireo, 79, avy eto Analamanga avokoa. Mitsinjara ho 41 ny etsy Befelatanana raha 18 eny amin’ny HJRA. Miisa fito ireo marary mafy eny amin’ny Homi Soavinandriana ary enina ny eny Anosiala. Ahitana «forme grave» iray eny Anosy Avaratra miampy ireo roa eny Fenoarivo ary efatra etsy Andohatapenaka. Na izany aza, miisa 362 ireo sitrana ka tafakatra 5 522 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana. 8 741 ireo nifindran’ny valanaretina Co­ronavirus hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty. Mbola manaraka fitsaboana sy arahi-maso ny 3 143 ary miisa 36 773 ireo fitiliana vita.Synèse R.L’article Firongatry ny valanaretina : olona enina indray matin’ ny Covid-19, miisa 360 ireo tranga vaovao a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Lounge Feeling: hanafana ny sehatra ry Benny…

Sehatra iray manome lanja sy tombony manokana ny mozika malagasy ny Lounge Feeling eny Ambohimangakely. Izay, rahateo, no mampiavaka azy amin’ireo toeram-pilanonana hafa eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Ho fanohizana izany, hampiaka-tsehatra mpanakanto efatra, mpiray donak’afo hatry ny ela ary samy tsy zovina amin’ny maro intsony, ity toerana ity, anio hariva.Tsy iza izy ireo fa i Benny sy i Bebey ary i Sammy sy i Nini, hitondra ny revy Lôlô sy ny tariny, amin’io fotoana io. Mampanakaiky kokoa ny mpankafy amin’ny mpanakanto tiany ny Lounge Feeling. Noho izany, tsy hijanona ho an’izy efatra mirahalahy irery ny sehatra fa hisy ny ampaham-potoana ahafahan’ny mpanotrona miara-mihira amin’izy ireo, araka ny fanazavan’i Soatina, tompon’andraikitra amin’ny fikarakarana ny hetsika.Raha tsiahivina, nisantatra ny seho tao amin’ity toerana ity, tamin’ny fotoana nanokafana azy, ny Mivazo sy Mananara, tarika vao misandratra eo amin’ny tontolon’ny mozika malagasy, saingy tsy vahiny amin’ny sofin’ny maro intsony ary nitondra fahafaham-po ireo nanatrika ny fampisehoana.Nandimby azy ireo ry Levelo, izay efa manana ny maha izy azy hatry ny taona ela, saingy mbola tsy mety lefy laza sy ankafizin’ny taranaka mifandimby.Landy R. L’article Lounge Feeling: hanafana ny sehatra ry Benny… a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Mitaky vahaolana momba ny tranon’ny mpianatra ny Seces
22/09/2020

Naneho hevitra eo anatrehan’ny fatiantoka lehibe mianjady amin’ny mpianatra sy ny oniversiten’Antananarivo amin’ny ankapobeny tamin’ny loza nitranga tao Ankatso II, oniversiten’Antananarivo, ny faran’ny herinandro lasa teo, ka nahamay ny Bloc Amicale fonenan’ny mpianatra eny amin’ny oniversite ny Seces sampana Antananarivo. Manantena izy ireo fa hisy fandraisana andraikitra ahazoana toky fa tsy hiverina eo anivon’ireo Anjerimanontolo miankina amin’ny fanjakana sy ireo foibem-pikarohana nasionaly intsony ny loza toy ireny. Mampahatsiahy sy manaitra ny fitondram-panjakana ny mpikambana ao amin’ny Seces amin’ny maha zava-dehibe ny fametrahana ny mpianatra amin’ny trano fonenana manara-penitra, hahafahan’izy ireo miaina sy mianatra ao anatin’ny filaminan-tsaina tanteraka.May ny trano vondro ipetrahan’ny mpianatraNohamafisin’ny birao fa vahaolana maika, azo tsapain-tanana sy mahomby ary maharitra hamahana ny olana no ilaina momba ny tranon’ny mpianatra. Zava-misy mahamenatra sy vato misakana amin’ny fahatrarana ny kalitao no sady tsy mendrika ny fampianarana ambony ny fotodrafitrasa misy amin’izao fotoana izao. Mankahery ireo mpianatra niharam-boina ny mpampianatra mpikaroka satria tsy mora ny mamoy ny trano fonenana sy ireo entana ary fitaovana entina manatanteraka ny fianarana.Vao tsy ela akory no may ny trano vondro ipetrahan’ny mpianatra miisa 62 any Maninday.VonjyL’article Mitaky vahaolana momba ny tranon’ny mpianatra ny Seces a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – “UEFA Club Football Awards 2020”: hifampitady i Neymar sy i Mbappé ary i Lewandowski
23/09/2020

Hotanterahina, ny alakamisy 1 oktobra ho avy izao, ny «UEFA Club Football Awards 2020», na ny fanolorana ny amboara ho an’ireo mpilalao mendrika, niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «Ligue des champions 2020». Anisan’ny andrasan’ny rehetra izay ho lohalaharana handrombaka izany, amin’ity. Hiady ny ho lohany i Neymar sy i Mbappé, avy amin’ny Paris St Germain, ary i Lewandowski, ao amin’ny Bayern de Munich, tombanan’ny maro fa manana herijika hahazo izany noho izy nahazo ny ho tompondakan’i Eoropa. Somary nahagaga ny rehetra kosa ny tsy naha tao anaty lisitra an’i Gnabry, mpilalaon’ny Bayern Munchen. Ankoatra izay, hifaninana eo amin’ny mpiandry tsatoby tsara indrindra ihany koa i Manuel Neuer, Bayern de Munich, sy i Keylor Navas, PSG ary i Jan Oblak, Atletico de Madrid. Mbola hangotraka ihany koa ny an’ny vodilaharana satria adin’ny samy Bayern ny fifanandrinan’i David Alaba sy i Alphonso Davies ary i Joshua Kimmich. Hifampitana kosa eo amin’ny irakiraka i Thiago Alcántara, Bayern Munchen, sy i Kevin De Bruyne, Manchester City, ary i Thomas Muller, Bayern de Munich.Ho an’ireo niatrika ny “Ligue Europa” indray, hiady izay ho mendrika i Éver Banega, mpilalaon’ny FC Séville, saingy efa nifindra ao amin’ny Al-Shabab, ary i Bruno Fernandes, Manchester United, sy i Romelu Lukaku, Inter de Milan. Sambany kosa no hisy fisafidianana izay ho mpanazatra mendrika, amin’ity. Mahatratra 32 ireo mpanazatra hifidy ka tsy mahazo mandatsa-bato ho an’ny mpilalaony ireo mpanazatrany. Ankoatra izay, 55 ireo mpanao gazety haneho ny safidiny. Tompondaka L’article Kitra – “UEFA Club Football Awards 2020”: hifampitady i Neymar sy i Mbappé ary i Lewandowski a été récupéré chez Newsmada.

Gadon-kira vaovao – Romeo 3.0 : hivoaka amin’ ny herinandro ny «Jaolahy Be»
19/09/2020

Hiparitaka amin’iny herinandro ambony iny ny rindrantsary (clip) mitondra ny lohateny “Jaolahy be”. Vo­ka­tra vaovao an’i Romeo 3.0 izy ity. Anisan’ny ahitana izany ny ao amin’ny tambajotran-tserasera “facebook” sy ny “youtube”. Ezahina ny hanaparitahana ny vokatra amina haino aman-jery ho fa­nomezana fahafaham-po ny mpankafy mozika malagasy, araka ny nambarany. Miavaka, araka izany, koa ny sanganasa homena ny re­he­tra satria gadona J-Bal­vin & Wizkid, mbola vitsy mpanao eto Madagasikara izany nefa manana ny hanitra ho azy, araka ny fanazavany hatrany. Anisan’ny ny tena nahafantarana an’i Romeo 3.0 ny afrobet sy ny mozika tropikaly… Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoany amin’ izao ny fiketrehana ny rakitsary hahitana rindrantsary fo­lo eo ho eo ao anatiny, ra­ha ny nambarany hatrany. Ra­ha tsy misy ny fiovana, hanohy ny fiakarana an-tsehatra miaraka amina mpanakanto hafa toa an-dry Arth, i Lawout, i Ghotta, i Emci, i Jinn’s, i Jean Marc, i Mc Rami, i Jo Joly, i Allex sy ireo maro hafa i Romeo 3.0. Marihina fa eo am-pitadiavana ny mpikarakara na ny “manager” ho azy manokana ny tenany ary vonona ho amin’ny fiaraha-miasa rehetra.NarilalaL’article Gadon-kira vaovao – Romeo 3.0 : hivoaka amin’ ny herinandro ny «Jaolahy Be» a été récupéré chez Newsmada.

Vehivavy 22 nahazo fiofanana :mampivelatra ny fanaovan-gazety siantifika
19/09/2020

477 ny isan’ny mpanao gazety vehivavy eto Analamanga sy amin’ny faritra telo hafa mandrafitra ny fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety eto Madagasikara. Miezaka ny ho matihanina izy ireo ary misokatra amin’ny fikirakirana karazam-baovao toy ny vaovao siantifika.Manomboka mahasarika ny mpanao gazety, indrindra ny vehivavy, ny fanaovan-gazety siantifika izay mbola vaovao ihany satria hatramin’izay, misahana ny lohahevitra rehetra amin’ny ankapobeny ny mpanao gazety malagasy. “Ho fanampiana ny vehivavy mpanao gazety hirona kokoa amin’izay fanaovan-gazety siantifika izay, nisy fanofanana nomena azy ireo avy amin’ny tetikasa “Adidin­tsika” nokarakarain’ny Fikam­banan’ny vehivavy mpanao gazety eto Madagasikara nandritra ny roa andro teny Antanimena”, hoy ny filohan’ny fikambanana, Andrianaivo­nirina Anny. Amin’izao fotoana mbola iadiana amin’ny valanaretina Coronavirus izao, nizara traikefa momba ny fikirakirana vaovao siantifika ma­nodidina ny valanaretina ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana, ny dokotera Rakotoarivony Manitra. Voa­resaka ny fomba fitrandrahana loharanom-baovao sy ny fandanjalanjana ny azo zairaina amin’ny mpamaky sy ny mpijery ka hampitony ny olona ny fizarana hahalalany ny tokony hatao manoloana ny Covid-19.Hatrany ivelany …“Mila fitiavana sy faharetana ny famokarana lahatsoratra na fandaharana mivoy vaovao siantifika ary tsy maintsy omanina andro maromaro”, hoy Razafiarison Rivonala, mpanao gazety siantifika efa an-taony maro. Mbola vitsy ny mpanao gazety malagasy nisafidy ny hitrandraka izany nefa manokatra fivelarana amin’ny asa maha mpanao gazety hatrany ivelany. Mpanelanelana eo amin’ny mpikaroka siantifika sy ny vahoaka ny mpanao gazety hitondra ny vaovao misy fiantraikany amin’ny fiainany andavanandro. Sarotra ny asan’ny mpanao gazety amin’ny fotoan’ny hamehana tahaka izao nefa adidiny ny mitondra vaovao marina. 22 ny mpanao gazety vehivavy nanaraka ny fiofanana ary nizarana ny taratasy fanamarinana ny fahavitan’ny fizarana izy ireo, omaly. Nanotrona ny lanonana fizarana ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ary ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara. Nanohana ny tetikasa nahafahana nanofana ny Agence française de coopération médias (CFI) sy ny Agence française d’expertise technique ary ny AFD.Vonjy A.L’article Vehivavy 22 nahazo fiofanana :mampivelatra ny fanaovan-gazety siantifika a été récupéré chez Newsmada.

JIRAMA SY NY ORANGE MONEY: Manamora ny fiainana andavanandron’ny mpanjifa
20/09/2020

Fanatsarana ny fomba fandoavana faktiora. Nanavao ny fiarahamiasany indray ny Jirama sy ny Orange Money. Tontosa ny 18 septambra 2020 ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny Tale jeneralin’ny Jirama, Andriamanga Vonjy sy ny filohan’ny filankevim-pitantanan’ny Orange Money, Degland Michel.  Entina hanampiana ireo “antokon-draharaha ara-barotra” sy ireo toerana fandoavam-bola an’ny Jirama ity fiarahamiasa vaovao ity mba hanamorana ny fiainana andavanandron’ny mpanjifa ao amin’ny Jirama. Nanomboka tamin’ny taona 2014 dia nanampy ireo mpanjifa tamin’ny fomba tsotra sy haingana ary tsy andoavam-bola sy tsy mila mivezivezy ny fandoavana ny faktiora tamin’ny alalan’ny Orange Money. Fomba iray ialana amin’ny filaharana elabe ity tolotra ity. Raha toa ka tsy manana kaonty amin’ny Orange Money ireo mpanjifa dia azo atao ny manefa izany eny amin’ny “Cash Point Orange Money”. Ankoatr’izany, azo atao amin’ny alalan’ny Orange Money na eny amin’ny botika Orange ny fividianana fahana ho an’ireo manana kaontera “prépayé”. Vokatr’ity fiarahamiasa ity, afaka manaramaso ny faktiora nandoavam-bola ireo mpanjifa ary mamoaka izany amin’ny taratasy rehefa avy mitsidika ny tranokalan’ny Orange Money Madagascar. Nirina R. Cet article JIRAMA SY NY ORANGE MONEY: Manamora ny fiainana andavanandron’ny mpanjifa est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article JIRAMA SY NY ORANGE MONEY: Manamora ny fiainana andavanandron’ny mpanjifa a été récupéré chez Délire Madagascar.

Fanafoanana fifidianana loholona :: Nitombo telo ny fitoriana voarain’ny HCC
23/09/2020

Niampy iray indray ireo fitoriana roa mifototra amin’ny fanoherana ny fanatanterahana ny fifidianana loholona, amin’ny 11 desambra 2020. Tafapetraka teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana (HCC), afak’omaly, ny fitoriana fanintelony nataon’ny komity fanabeazana olom-pirenena mpanara-maso ny fifidianana (KMF/CNOE), izay mitaky ny fanafoanana ny didim-panjakana miantso ny mpifidy vaventy handatsa-bato amin’io fifidianana io. Loholona enina ambin’ ny folo no nanasonia ny fitoriana naterina etsy Ambohidahy, izay mitondra ny anaran’ny loholona Thierry Raveloson, tany am-boalohany. Nanaraka azy ireo ihany koa ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, talohan’ izao hetsiky ny KMF/Cnoe izao. Ny tsy fahafenoan’ireo mpifidy vaventy handray anjara amin’io fifidianana io no tohan-kevitra nandrafetan’ny telo tonta an’ireo fitoriany. Tsy mitombina amin’ireo antoko politika mpiara-dia amin’ny fitondrana kosa izany fomba fijerin’ireo mpanohitra izany. Valy bontana « Tsy ara-dalàna ny nahalany an’ireo loholona amperinasa, raha io fitakiana lavareny ataon’izy ireo io no dinihina », hoy ny depiote Lanto Rakotomanga, avy amin’ny antoko politika Tanora malaGasy Vonona (TGV), satria natao tao anatin’ny vanim-potoana tsy nahafeno tanteraka an’ireo sokajiana ho mpifidy vaventy ihany koa ny fifidianana azy ireo. Efa ho telo herinandro kosa izao no tonga teny amin’ny HCC ny fitoriana voalohany saingy tsy mbola nisy valiny avokoa ireo fitoriana ireo, hatramin’ny omaly. Nadia tojo fanakianana mafy avy tamin’ireo vondrona parlemantera mpanohitra aza ny HCC, dia tsy niraika tamin’izany mihitsy, hatreto. « Azy ireo izany », hoy hatrany i Jean Eric Rakotoarisoa, filohan’ity andrim-panjakana ity. L’article Fanafoanana fifidianana loholona :: Nitombo telo ny fitoriana voarain’ny HCC est apparu en premier sur AoRaha.

Matsiatra Ambony: malaza amin’ny fiompiana ombivavy beronono
24/09/2020

Matetika ny faritra Vakinankaratra ihany no fantatry ny maro momba ny famokarana ronono eto Madagasikara. Manana ny anjara toerany lehibe amin’izany sehatra izany koa ny faritra Matsiatra Ambony.Mandrafitra ny atao hoe Telozoron’ny ronono i Matsiatra Ambony, na faritra manana toe-tany sy toetr’andro mety tsara amin’ny fiompiana ombivavy beronono. Tafiditra indrindra anatin’ireo laharam-pahamehan’ny faritra ny lalam-pihariana ronono. Ho fampandrosoana izany lalam-pihariana izany, miara-miasa hanatrarana ny tanjona iraisana ny Foibem-paritry ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono ao Matsiatra Ambony sy ny Fandaharanasa Fanoitra:  ho fampitomboana ny vokatra ronono ao amin’ny faritra.Maro ireo dingana natao niarahan’ny roa tonta, toy ny fampiofanana ireo mpiompy mpandraharaha, miompana indrindra amin’ny teknikam-piompiana, ny fitantanana ara-pahasalamana, ny fambolena vilona, ny lafiny fananahana ary ny fandrafetana kaontim-pamokarana.Noho ny fahitana fa manomboka miharatsy ny karazan’omby mamokatra ronono any amin’ny faritra Matsiatra Ambony, napetraka ho tanjona ny famerenana indray ny fampanarahana entin-tanana izay naato teo aloha. Nisy àry, noho izany, ny fampiofanana teknisianina dimy mahakasika ny fampanarahana entin-tanana.Isan’ireo mpiompy nahazo fiofanana sy tohana amin’ity tetikasa fanatsarana taranak’omby ity Ramandimbisoa Richard na i Sacha, mponina ao Ambatolahy Lovasoa, fokontany Talata Iboaka, kaominina Alakamisy Ambohimaha. 15 taona izy nanaovana ny fiompiana ombivavy beronono.Tamin’ny taona 2005, ombivavy norvezianina iray ny nanombohany. Efa mananika ny 50 ny taranak’io ombivavy io hatramin’izao. Ny taona 2016 ny nahazoany fiofanana momba ny fanatsarana taranaka omby sy ny fambolena ahitra tamin’ny minisiteran’ny Fambolena, ny fiompiana ary ny jono tamin’ny alalan’ny Fandaharanasa Fanoitra.Mbola tsy ampy ny tolotraRaha omby tsara razana, mahatratra hatramin’ny 16 na 20 litatra isan’andro ny ronono azo aminy. Amin’ny ankapobeny, mahatratra 15 litatra ny ronono azo isan’andro avy amin’ny omby iray ao anatin’ny telo volana voalohany nahaterahany. Aorian’izay, midina ho 10 litatra isan’andro.Mbola malalaka tsara ny tsenan’ny ronono ao Matsiatra Ambony. Ny Rofama na Ronono Faritra Matsiatra Ambony no mandray ny vokatra rehetra. Eo amin’ny fanangonam-bokatra, ao Iboaka ny fanateran’ireo mpivarotra ronono, fiaraha-miasa amin’ny Rofama, mpanangom-bokatra.Kaoperativa misehatra amin’ny fihariana ronono eo anivon’ny Faritra Matsiatra Ambony ny Rofama ary miara-miasa amin’ny mpiompy miisa 317 ao anatin’ny distrika efatra ao amin’ny faritra: i Vohibato, i Lalangina, Isandra ary i Fianarantsoa renivohitra.Nisokatra ny taona 2011 ny toeram-pivarotana voalohany. Amin’izao fotoana izao kosa, efatra ireo toeram-pivarotana tantanin’ny Rofama.500 litatra isan’andro ny ronono miditra ao aminy tamin’iny taona 2019 iny, izany hoe, mamelona mpiompy maro.R.Mathieu L’article Matsiatra Ambony: malaza amin’ny fiompiana ombivavy beronono a été récupéré chez Newsmada.

Ho an’ny tany mahantra: manampy ny G20 amin’ny fanalefahana trosa
21/09/2020

Fanalefana trosa na fanafoanana izany avy amin’ny mpamatsy vola mahazatra ho an’ny tany mahantra. « Fanomezana farany » ahafahan’ny fanjakana mizaka trosa hafa any amin’ny sehatra tsy miankina. Nanomboka izany fanalefahana na fafoanana trosa izany ny mpikambana ao amin’ny G20*, ny volana avrily tamin’ity taona ity, rehefa tafiditra amin’ny tany afrikanina maro ny Covid-19.Iaraha-mahalala ny fitotongan’ny toekarena ankehitriny, ilàna famatsiam-bola ho an’ny firenena tsy ampy vola (PFR)*. Antony nahatonga ny G20 nandray fepetra ho fanalefahana ny trosa amin’izay firenena afrikanina mangataka izany. Miombon-kevitra, ohatra, ny fanjakana eoropeanina sy ny banky hanitatra izany any amina sehatra tsy miankina, hanamaivana ihany koa ny trosan’izy ireo.Misy ihany ireo mpampiasa vola niala an-daharana, na miasa ihany fa misafidy mampihena izay azo ahena, toy ny isan’ny mpiasa, ny sehatra trandrahina. Mifidy tombom-barotra kely fa mizotra ny raharaha, toy izay mampiasa volabe nefa mety hiteraka fatiantoka goavana. 6 000 miliara dolara ny fanitarana tetibola avy amin’ireo banky foibe ao amin’ny G20, nandraisana anjara amin’ny toeran’ireo sahirana noho ny fihanaky ny valanaretina, manampy amin’ny fiatrehana ny trosan’ny firenena sasany. R.MathieuG20*: Ahitana firenena 19 miampy ny Vondrona eoropeaninaPFR*: Pays à faible revenuL’article Ho an’ny tany mahantra: manampy ny G20 amin’ny fanalefahana trosa a été récupéré chez Newsmada.

R.N.S Kolontsaina – Loabary an-dasy: hodinihina ny fandikana ny teny malagasy…
21/09/2020

Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny “Andro iraisam-pirenena ho an’ny fandikan-teny 2020”. Hanatanteraka loabary an-dasy mivantana ao anaty “facebook” ny R.N. S Kolontsaina. Hetsika hotanterahina ny alahady 27 septambra izao, manomboka amin’ny 4 ora sy 30mn tolakandro (oran’i Madagasikara) ka hatramin’ny 6 ora hariva. Lohahevitra nosafidina amin’izany ny “Fandikana ny teny malagasy ho amin’ny teny vahiny”. Handray anjara amin’ny famoaboasana izany i Irène Rabenoro, mpikambana mahefa ao amin’ny Akademia malagasy, mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, i Johary Ravaloson, mpanoratra, mpanonta boky, mpandikateny; i Hajaina Andrianasolo, mpanoratra mpikambana mpiombona antoka ao amin’ny Akademia malagasy filohan’ny Havatsa-Upem ary i Hanitr’Ony Salomon, mpanoratra, poeta, filohan’ny Havatsa-Upem sampan Frantsa. I Salohy Rahaingoson kosa no handrindra ity loabary an-dasy ity. Hanasana ny rehetra kosa ny fandraisana anjara.… Anisan’ny fanoitra lehibe hoenti-mampivoatra ny fiainam-pirenena ny famelomana hatrany ny tenin-drazana. Na izany aza, tsy afa-miala amin’ny fifaneraserana eo anivon’izao tontolo izao ny Malagasy sy i Madagasikara. Antony iray mahalehibe sy mampanan-danja ny fandikan-teny ireo.HaRy RazafindrakotoL’article R.N.S Kolontsaina – Loabary an-dasy: hodinihina ny fandikana ny teny malagasy… a été récupéré chez Newsmada.

Nitombo 1992 ny isan’ny efitrano fanadinana: tsy mihoatra ny 50 ny mpiadina iray efitra amin’ny BEPC
21/09/2020

Tsy mahazo mihoatra ny 50 ny isan’ny mpiadina anatin’ny efitrano fanadinana iray ho an’ny BEPC, ary nampitomboina 12 noho izany ny foibem-panadinana ary 1992 ny efitrano handraisana ny fanadinana amin’ity taona ity, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fanabeazana, i Sahondrarimlala Marie Michelle. Efa notsinjaraina isaky ny faritra ny fitaovana arotava sy ny gel ho an’ny foibem-panadinana ho an’ny mpiadina sy ny mpiasa rehetra mampihodina ny fanadinana BEPC. Tokony ho afaka miatrika ny fanadinana avokoa ireo rehetra voasoratra anatin’ny lisitra ary ny taratasy fiantsoana tsy azon’ny talen-tsekoly giazana fa azo vahana ny olana aorian’ny fanadinana. Nitaraina anefa ny tompon’ny sekoly tsy miankina fa lasa manararaotra ny ray aman-dreny ka manery ny tale hanome ny taratasy fiantsoana ho an’ny zanany na tsy nahaloa ny saram-pianarana volana maro aza. Tsy mandalo eny amin’ny sekoly intsony izy ireo manefa ny trosa aorian’ny fivalian’ny fanadinana ka lasa mibaby vesatra ny tompon-tsekoly. Ny minisitera mpiahy koa tsy manome na tohana kely aza tao anatin’ny fihibohana ho an’ny mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina, hoy ny tale nasionalin’ny sekoly miahy tena Association des instituts laïques pour l’éducation (AILE), Rakotomalala Célin. Nohamafisiny fa lasa miady irery ny sekoly tsy miankina ary tsy vitsy no nampiato ny asany ka tsy handray mpianatra intsony.Hiatrika ny taranja Malagasy sy ny tenim-pirenena hafa ho an’ny mpiadina tsy manao malagasy ny tapany maraina, hitohy amin’ny SVT ny hariva. Mbola haharitra hefarana ny BEPC.Vonjy A.   L’article Nitombo 1992 ny isan’ny efitrano fanadinana: tsy mihoatra ny 50 ny mpiadina iray efitra amin’ny BEPC a été récupéré chez Newsmada.

Fahadiovan’ny trano fonenana: mila manana gabone avokoa ny tokantrano rehetra
21/09/2020

Voarakitra ao anatin’ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana navoakan’ny kaominina Antananarivo renivohitra, araka ny sokajy voalohany miresaka ny fahadiovan’ny toeram-ponenana sy ny toeram-bahoaka ary ny kianjam-bahoaka fa mila hajaina ny fepetra rehetra.Araka ny andininy fahavalo ao anatin’ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana, tsy maintsy nahazoana alalana ara-dalàna avokoa ny fanorenana rehetra anatin’ny fari-piadidian’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ny andininy fahasivy milaza ny maha tompon’andraikitra feno ny tompon-trano amin’ny fahadiovan’ny trano fonenana sy ireo miankina aminy ary ny lalana manoloana azy.Tsy maintsy lokoina sy diovina ny trano  indray mandeha isaky ny dimy taona farafahakeliny. Atao mifanaraka amin’izay voalazan’ny fitsipika mifehy ny tanàn-dehibe  izany, indrindra ho an’ireo manamorona ny “Avenue” sy ny arabe mikodana, ny manodidina ny lalana ary ny lalankely ampiasain’ny mponina.Ny tsy fanarahana ireo fepetra voalaza ireo dia mahatonga ny fandoavana ny sazy vonodina laharana fahefatra, izay mitentina 1.000.000 Ar. . Miampy fanerena fampiharana didy anatin’ny fito andro izany ho an’ireo manamorona ny araben’ny fahaleovantena.Ny andininy fahafolo kosa, milaza fa tsy maintsy manana toeram-pivoahana avokoa ireo trano fonenana rehetra eto Antananarivo Renivohitra. Ireo trano fivoahana ivelan’ny trano dia tsy maintsy miala 3m amin’ny arabe na ny faritry ny tanàna. Tsy maintsy arahina ny fikojana sy ny fanatsarana hatrany ireny toeram-pivoahana ireny tsy hanelingelina ny manodidina.Voarara ankitsirano ny fampiasana gabone lavaka mandra-pahafenony tanteraka. Mila maka alalana manokana iray volana mialoha any amin’ny CUA ireo hanala ny maloto anatin’ireny gabone lavaka ireny .Tsy maintsy atao amin’ny andro alina ny fanatanterahana izany raha olon-tsotra no hanao azy. Misy kosa ireo orinasa efa matihanina mampiasa fitaovana arifomba ka tsy manelingelina ny manodidina ny fanatanterahany ny asany.Milaza ny andininy faha-12 ao anatin’ity fitsipi-dalàna ara-pahasalamana ity fa handraisana fepetra avy hatrany ny tompon-trano raha toa ka handraisana fitarainana marim-pototra ny trano fivoahana amin’ny fahadiovany na ny fofona avoakany. Mety hiafara amin’ny tsy fahafahana mipetraka amin’ny trano intsony izany raha tsy misy ny fandraisana ndraikitry ny tompon-trano….Tatiana AL’article Fahadiovan’ny trano fonenana: mila manana gabone avokoa ny tokantrano rehetra a été récupéré chez Newsmada.

“Z’art Manankasitsara”: hizara maimaimpoana ny talentany Rabefitia
18/09/2020

Ho tazana ao avokoa na ny teny, na ny soratra, na ny zaitra, na ny mozika… Hanatanteraka ny “Z’art 2020”, etsy amin’ny sekoly Cendrillon Soavimasoandro, ny asabotsy 19 septambra izao manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, i James Rabefitia. Hetsika fanao isan-taona izy ity ary andiany fahatelo ito nampitondraina ny lohateny hoe “Z’art Manankasitsara” ito. “Raha hadika tsotra io dia hoe hizara ho an’i Madagasikara”, raha ny nambaran’i James Rabefitia, mpikarakara ny hetsika “Z’art 2020”.Nozaraina efatra ny hetsika tontosaina ao anatiny ka samy hahazo ny anjarany avokoa ny rehetra. Raha ny fandaharam-potoana, ny tamin’ny asabotsy voalohany (asabotsy heriny teo), ho an’ny« Taninketsa », zaza telo taona hatramin’ny 13 taona. Ny faharoa, « Tsimoka », ho an’ny tanora 14 taona ka hatramin’ny 21 taona, hotanterahina ny asabotsy izao. Ny fahatelo, ho an’ny sokajy « Felana », ahitana ny 22 taona ka hatramin’ny 35 taona. Ny fahefatra kosa, sokajy “Vony”, natao ho an’ireo zokiolona sy ray aman-dreny.“Tsy hisy olona ho lany fotoana amin’ny fahavelomany fa tokony hahafantatra ny fisiany amin’ny maha olombelona azy izy. Izany hoe, hanitatra ireo talenta sy fikarohana efa ao anatiny”, araka ny nambaran’i James Rabefitia, raha nanazava ny tanjony amin’ny fizarana ny mahasoa ny mpiara-belona izao.Marihina fa hetsika natao ho an’ireo olona tsy manana fahafahana hianatra sy hanatevim-pahalalana noho ny tsy fahampian’ny eo am-pelatanana ny “Z’Art Manankasitsara”. Maimaimpoana tsy misy fandraisana anjara.Narilala sy HaRy Razafindrakoto L’article “Z’art Manankasitsara”: hizara maimaimpoana ny talentany Rabefitia a été récupéré chez Newsmada.