Mozika Pop Indie Pop: hamoaka ny «Ho Iray» i Lucas Ravoson

News - Mozika Pop Indie Pop: hamoaka ny «Ho Iray» i Lucas Ravoson

News - Mozika Pop Indie Pop: hamoaka ny «Ho Iray» i Lucas Ravoson

Hivoaka, anio, asabotsy 17 oktobra
2020 ny hira, ahitana rindrantsary «clip» mitondra ny lohateny «Ho
Iray» an’i Lucas Ravoson. Efa-taona niakarana an-tsehatra, mivoy ny
gadona Pop, Indie Pop ny tovolahy. Nahafantarana azy ny «cover» sy
ny fandikana, fihirana sanganasan’olon-kafa na ny «interprétation»
maro isan-karazany. «Anisan’ny hira navoakako , ny volana avrily
teo ny «Tia ho faly», aingam-panahy notakarina sy narindran’i
Lighthouse-Patrick Wat­son, izay nampiana ny tonon-kirako», araka
ny nambarany.
Tanora te hitondra anjara biriky amin’ny atao hoe «révolution
musicale» eto Madagasikara i Lucas
Ra­vo­son, raha ny filazany. «Satria hita tokoa fa maro ireo
mpanakanto efa miala amin’ny mahazatra, izany hoe, mametraka ny
maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny mozika… Mba te hitondra
zava-baovao ihany koa aho, noho ny ny talenta nomen’Andriamanitra,
tsy maintsy ampitomboina foana ka atao izay hampiasana azy amin’ny
tsara», hoy i Lucas Ravoson. Misokatra amin’ny fiaraha-miasa
rehetra ny tenany ary manana ny kaonty “facebook” Lucas Ravoson, ho
an’ireo te hifanerasera aminy.

Narilala

Article tiré de Newsmada

L’article Mozika Pop Indie Pop: hamoaka ny «Ho Iray» i Lucas Ravoson a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 17/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Kubota: tokony hisy fahazoan-dalana mitondra  

 « Aleo hitondrako azy », hoy ny tovolahy iray, rehefa handeha hamonjy fodiana ny mpianakavy avy nitokana tranovao, tany Andrangorona, Kaominin’Ambohidavana, disitrikan’Ambatondrazaka. Efa tao anaty vagaon’ilay kubota ny mpianakavy, tamin’io fa ilay efa zatra mitondra ity fitaovam-pitaterana entina môtera kosa mbola nisy nahavariana azy. Ny faran’ny volana septambra no niseho izao loza manaraka izao.Dia nandeha…Nihazo toerana kisilasila …Tsy voafehin’ilay mpamily mpiana-draharaha ilay kubota ka nivadibadika. Zaza roa no maty teo no ho eo. Olona fito hafa naratra mafy ary nampidirina hôpitaly ao Ambatondrazaka… Ireo no isan’ny lozabe nitranga satria tsy izay afaka mamily io fitaovana entina milina akory dia mahafehy ny fitondrana azy.Hatreto aloha, taratasy tsotra fanomezan-dalana (Attestation) no omena ny olona iray hahazoany alalana mitondra kubota, fa tsy mbola misy ny fahazoan-dalana “permis” toy ny fiarakodia sy ny moto. Asa moa izay andinin-dalàna mametra izany fa tsy nety nisy ny valiny mahafa-po rehefa natao ny fanadihadiana. Nisy nanontany koa ny hoe:”Mba ao anaty fehezan-dalan’ny fifamoivozana an’arabe koa ve ny bajaj sy ny tuc tuc, fiara kodiaran-telo mitovy amin’ny kubota?” Rarivo                                      L’article Kubota: tokony hisy fahazoan-dalana mitondra   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Isoanala – Betroka: trano fanamboarana basy sy basy telo saron’ny zandary

Ravan’ny zandary ny toerana fanamboarana basy ao kaominina ambanivohitr’Isoanala, distrikan’i Betroka, ny zoma lasa teo. Miray tsikombakomba amin’ireo dahalo ny mpanamboatra ireto fitaovam-piadiana ireto…Basy lava telo efa vita rafitra (iray efa vita sy basim-borona roa tsy misy taratasy) ary basy roa vao an-dalam-pandrafetana ary fanamboarana basy. Ireo ny fitaovana hitan’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Isoanala, distrikan’i Betroka, ny zoma lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, nahazo loharanom-baovao izy ireo fa misy olona atao hoe Rata mipetraka ao Ankoraoky, fokontany Lavalila, kaominina ambanivohitr’Isoanala, distrikan’i Betroka voalaza fa mpanamboatra sy mpivarotra basy ho an’ny dahalo. Nidina avy hatrany tany an-toerana ny zandary ka tratra tao avokoa ireo basy rehetra ireo. Nambaran’ny zandary fa tsy tao an-toerana ilay olona voalaza fa mpanamboatra basy fa ny rahalahiny no tratran’ny zandary tao an-trano.Basy Mas 36 iray koa azon’ny zandary tao Ambalamanakana distrikan’Ambositra, ny asabotsy vao mangiran-dratsy teo. Nahazo angom-baovao ny Kolonely kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana fa hoe misy olon-dratsy mpiray tsikombakomba amin’ny dahalo mitazona basy mahery vaika ao Ambalamanaka. Nihazo ilay toerana avy hatrany ny zandary notarihin’ny lefitry ny kaompanian’ny zandarimaria Ambositra ka hita tao tokoa ny basy Mas 36 ora. Nogiazana avy hatrany ilay basy ary noraisim-potsiny ilay olona voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fihazonana ity fitaovam-piadiana mahery vaika ity. Nohamafisin’ny zandary fa dimy izay ny basy mahery vaika tratra, tao anatin’ny telo herinandro teo.Jean ClaudeL’article Isoanala – Betroka: trano fanamboarana basy sy basy telo saron’ny zandary a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

“Podium 26 jona”: eo amin’ny Tsangambaton-dRalaimongo

Hiova ny hetsika ara-kolontsaina fanamarihana ny fankalazana  ny niverenan’ny Fahaleovantena. Ho etsy amin’ny Tsangambaton-dRalaimongo ny  « Poduim » lehibe,  hiakaran’ireo mpanakanto maro, ahitana teratany vahiny koa. Efatra andro mialoha ny fankalazana ny 26 jona  ny hetsika rehetra ho hita eo amin’io toerana  io.Efa hiandry ireo mpijery afomanga avy eny amin’ny farihin’Anosy amin’ny 8ora sy  sasany alina io sehatra lehibe io ny harivan’ny 25 jona.Tsy hisy intsony izany  ny hetsika ara-kolontsaina fahita sy efa fanao isan-taona eny anivon’ny boriborintany enina eto an-dRenivohitra amin’ny alalan’ireo mpanakanto samihafa. Araka izany, niova endrika sy fomba fanao ny fitondrana amin’ity indray mandeha ity. Miara-misalahy amin’izany ny fanatanterahana ny hetsika  fankalazana  ny faha-59 taon’ny niverenan’ny Fahaleovantena  izany ny minisitera efatra sy ny fiadidiana ny Repoblika ary ny komity mpanomana.Synèse R.    L’article “Podium 26 jona”: eo amin’ny Tsangambaton-dRalaimongo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Bedoa Ihorombe: nitsoa-ponenana ny Mikea, 4 700 ha ny ala ripaka

Lasan’ny dahalo miisa dimy lahy ny omby roa, ny volana septambra 2018 teo, tany amin’ny tanàna iray, antsoina hoe Iaborao, fokontany Bedo, kaominina Basibasy, distrika Ihorombe, faritra Atsimo Andrefana. Nitarika ny sarety nitaterana ny rano niveloman’ny mponina ireo omby ireo, ary saika niankina aminy avokoa ny fiveloman’ny maro ao an-tanàna, toy ny olobe sy ny raiamandreny, indrindra ny mpianatra ao amin’ny sekoly iray, hany misy any an-toerana, satria any amin’ny 10 km vao mahita rano.Nilaza i Mbohovelo Raohy, antsoina hoe Tsivahora, tompon’andraikitr’ilay sekoly, fa nihorohoro tanteraka ny mponina, indrindra ny tena tompon-tany, ny foko Mikea, satria lasa disadisa fiarahamonina ity raharaha ity ka voatery nifindra monina niala tao an-tanànany.Hany mpampianatra manabe ny ankizy zanaky ny Mikea any Bedo Rtoa Razafindrakoto Emmanuelle, vadin’i Tsivahora, mitazona ny kilasy voalohany hatramin’ny taona fahatelo, hany misy any an-toerana. Notsoriny fa tsy mianatra intsony ny ankizy amin’izao fotoana izao, tsy manana sekoly intsony, satria voatery nifindra monina.Ripaka ny ala 4 700 haNambaran’i Tsivahora koa fa lasa mifandrafy amin’ny mponina sasany, izay mpihavy, ny ankamaroan’ireo Mikea. Ireo mpihavy ireo no tena manapotika ny ala, hamboleny (katsaka, voanjo, mangahazo, sns), hanaovany saribao, manapaka ny hazo hanaovany trano, sns. “Foto-pivelomanay anefa ny ala sy ny ao anatiny. Izahay, tsy mamboly, tsy mahay taratasy ny ankamaroan’ny mponina (maherin’ny 95%), tsy miaina amin’ny sivilizasiona ankehitriny fa miaina amin’ny remby tantely sy ny haza ary ny fiotazana voankazo sy mihady oviala. Izany no famantarana ny foko Mikea. Afaka miaina ankalalahana anefa izahay fa sarotra ho an’olon-kafa, na ny foko hafa ny hiaina toy izany. Fantatra fa manodidina ny 400 sisa ny mponina Mikea, tena miaina amin’ny fomba Mikea ary miaina ao anatin’ny ala Mikea.Araka ny voalazan’izy ireo, mihamitombo ny fahatongavan’ny mponia mpihavy any amin-dry zareo, mahatonga ny firongatry ny fandripahana ny ala. Manodidina ny 4 700 ha ny ala ripaka amin’izao fotoana izao, raha ny tarehimarika voarain’ireto foko Mikea ireto.Aoka tsy hodisoina ny tantaraNandalo tany an-toerana ny minisitry ny Tontolo iainana, i Alexandre Georget, andro vitsy lasa izay. Nisaotra ny fahatongavany tany i Tsivahora sy ny mponina Mikea satria sambany nisy tompon’andraiki-panjakana tonga tany an-toerana sy nahita maso ny tena zava-misy sy ny faharinganan’ny ala.Nitantara koa i Tsivahora fa anisan’ny fototr’izao disadisa fiarahamonina izao ny fahadisoam-panantenan’ny mponina Mikea, nataon’ilay mpanakanto iray. Nitondra mpanao gazety vahiny avy ao amin’ny France Télévision ity mpanakanto ity, ny taona 2009, nilaza fa hanao horonantsary mikasika ny fiainana sy ny tantaran’ny foko Mikea. Nanome toky azy ireo izy fa hanorina fotodrafitrasam-pampandrosoana toy ny sekoly, ny toeram-pitsaboana, ny famatsiana rano madio fisotro, ho tambin’ny fakana horonantsary. Nanaiky ny mponina Mikea, saingy tsy nisy vita izany toky izany. Niverina ity mpanakanto ity ny taona 2018 ary nilaza fa hamerina hanao horonantsary indray. Tsy nanaiky intsony ireo Mikea nilaza fa tsytanteraka ny toky nomena azy ireo. Efa nihamaro anefa ny mpihavy (tsy Mikea) any an-toerana ka ireo no nanaiky halaina horonantsary. “Tsy Mikea ireo mpihavy ireo koa aoka tsy hodisoina ny tantara”, hoy i Tsivahora.Njaka AndriantefiarinesyL’article Bedoa Ihorombe: nitsoa-ponenana ny Mikea, 4 700 ha ny ala ripaka a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé

Fanolorana Vata Fampangatsiahana sy « Kits de prévention » COVID-19 avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny UNICEF

Anatin’ny fanohizana ireo ezaka lehibe ataon’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka hanatsaràna ny kalitaon’ny tolotra fanaovam-baksiny eto Madagasikara ny fanànana fitaovana fitahirizana manarapenitra ireo vaksiny. Nanolotra fitaovana ho fanohanana ny sehatry ny fahasalaman’ny Reny sy ny Zaza ireo mpiaramiombonantoka akaiky amin’ny Ministera, amin’ny alalan’ny DPEV – Direction de Programme Elargi de la Vaccination, dia ny Banky Iraisampirenena izay nanolotra vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 130, ary ny Unicef izay nanolotra « kits de prévention » ho fisorohana amin’ny Covid-19, androany, tao an’efitranon’ny SALAMA teny Anosiala Ambohidratrimo. « Zavadehibe sy manandanja ireo fitaovana ireo amin’ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza manerana ny Nosy, mba ahafahana manao vaksiny ny zaza malagasy rehetra, isorohana amin’ireo karazan’,aretina » hoy Atoa Sekretera Jeneraly, solotenan’ny Ministrin’ny Fahasalamambahoaka, raha nandray ireo fitaovana tamin’ny fomba ofisialy. Ho tsinjaraina manerana ireo CSB sy hopitaly amin’ireo distrika 15 anatin’ny faritra 5 ( Analamanga, Itasy, Alaotra Mangoro, Bongolava, Vakinankaratra ) ireo vata fampangatsiahana, hanavaozana ireo fitaovana efa tranainy izay efa tsy manaraka ny fenitra intsony. Sary sy fanadihadiana : SCM/MSANP Lahateny feno an’Andriamatoa Sekretara Jeneraly : https://www.youtube.com/watch?v=zmc7k7GHDg4&t=7s L’article Fanolorana Vata Fampangatsiahana sy « Kits de prévention » COVID-19 avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny UNICEF a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - News Mada

Fiatrehana CEPE: notolorana fitaovam-pianarana ireo ankizy kamboty

Fikambanana tsara sitrapo tsy manaiky nitonona anarana eto Toamasina ny hany nitondra fanampiana ho an’ireo ankizy beazina etsy amin’ny ASPE (Association sauve-garde pour la protection de l’enfance) etsy Betainomby – Toamasina suburbain, ny alatsinainy maraina teo. Ankizy mpianatra 21 mianadahy hiatrika ny fanadinam-panjakana  CEPE, anio talata 15 septambra, ireto notolorana fitaovana ireto.Raha hiverenana, ankizy tsy misy mpiahy eny anivon’ny fiarahamonina ary alefan’ny fitsarana eny  amin’ny ivontoerana fitaizana ankizy mania ireo beazina ao amin’ny ASPE. Tsy nitazam-potsina azy ireo, araka izany, ilay fikambanana tsara sitrapo fa nitondra izay voatsirambin’ny tanany ahafahan’ireo ankizy ireo miatrika am-pitoniana CEPE. Marihina fa miisa 7 428 ny mpianatra voasoratra anarana hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE eto Toamasina anio, mitsinjara amin’ny efitranom-panadinana miisa 19. Mpianatra manana fahasembanana amin’ny fahitana ny roa amin’ireo, ny dimy kosa, manana fahasembanana amin’ny fihainoana sy ny fitenenana. 7 taona kosa ny zandriny indrindra raha 35 taona ny zokiny.SajoL’article Fiatrehana CEPE: notolorana fitaovam-pianarana ireo ankizy kamboty a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Betsiboka : Fiarovana amin’ny paska, zandary  150 hahetsika 

Efa manomana paik’ady hentina hisorohana ny tsifandriampahalemana, mialoha, mandritra ny fankalazana ny fetin’ny « paska » ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena eto Betsiboka. Ohatra amin’izany ny fiambenana amin’ny alina, mandritra ny dimy andro. Hametrahana andiana Zandary eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra ; izay ivezivezen’ny fiara. Nandraisana fepetra manokana ihany koa ny  fisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Ho hentitra ny Zandarimariam-pirenena amin’ny fampanajana ny fitsipika rehetra sy ny aro lozan’ny fifamoivoizana. « Zandary maherin’ny 150 no hahetsika ato anatin’ny Faritra Betsiboka, ary fiara tsy mataho-dalana telo sy miampy môtô enina no hampiasaina mandritra izany. Hiandreketan’ny Zandary hatramin’ny fanaraha-maso an’ireo toeram-pitsangantsanganana mahavory olona ny toeram-pilanonana, mandritra ny alahady sy ny alatsinainy paska, » araka nambaran’ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarmaria  eto Betsiboka, ny Lietinà-kolonely Ratovonandrasana Veloson Julien. Izay vao avy nandray ny asany amin’ny maha- lehiben’ny Zandary vaovao azy, hatramin’ny tapa-bolana lasa izay. RatantelyL’article Betsiboka : Fiarovana amin’ny paska, zandary  150 hahetsika  a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Digy Anosizato: ahiana ny fihotsahana

Nandray andraikitra avy hatrany ny boriboritany faha-4, manoloana ny zava-dozaataon’ireo mpanao biriky eny an-toerana. Mpanao biriky maromaro no hita sy tsikaritra mandavaka ny sisin’ny digy Anosizato, izay hita fa tena mihagoaka ka mety hitarika fahavakisana ato ho ato. Araka izany, natsahatra avy hatrany ny asan’izy ireo. Nomena taratasy fampiantsoana avy izy ireo ho tonga eny amin’ny boriboritany hijerena raha manana ny taratasy fazahoan-dalana feno nahafahany manao biriky eo amin’io toerana io.Raha sanatria ka misy fahavakisany ny arabe sy ny digy amin’iny faritra iny dia mety hiparitaka manerana an’Antananarivo Renivohitra ny ranon’Ikopa, ka ho lasa dibo-drano ny faritra iva manodidina.Raha ny tokony ho izy, eny amin’ny nosy kely afovoan-drano ireto mpanao biriky ireto no tokony hihady ny tany izay ilainy, fa tsy eny amin’ny sisin’ny arabe sy digy toy ny ataony ankehitriny.Ho avy ny fahavaratra, mampanahy ny mety ho fahavakisana raha mitohy ny asa fanamboarana biriky mikaoka ny sisin’ny digy. Tandindomin-doza ny tanàna rehetra manodidina vokatr’izany.Mila hamafisina aza ireo efa nohadian’ireo mpanao biriky ireo mba tsy hampiitatra ny fahavoazana mialohan’ny fahavaratra izao. Noraisina izao fepetra izao mba ho fisorohana ny loza mety hitranga, ary ho fitsinjovana hatrany ny soa iombonan’ny mponin’Antananarivo Renivohitra, hoy ny tompon’andraikitra.Tatiana AL’article Digy Anosizato: ahiana ny fihotsahana a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Histoire : La politique extérieure du temps de Philibert Tsiranana

Dès l’accession de Madagascar à l’indépendance, le premier président de la République  Malgache s’affirme comme l’un des plus fervents des artisans de la coopération avec l’ancienne puissance coloniale et entretenait une relation étroite avec des gouvernements souvent critiqués par ses homologues africains. Le 2 avril 1960, Tsiranana  signe à Paris avec le Premier Ministre Debré  les accords Franco-malgache de transfert des compétences. En octobre 1960, il effectue sa première visite officielle en France. Le château de Champs-sur-Marne, où le Général de Gaulle recevait ses homologues africains, a été réaménagé pour recevoir le numéro Un malgache. Résolument tourné vers le continent noir, Philibert Tsiranana, qui proclame en 1960 l’indépendance de la République de Madagascar,  avait fait un choix, arrimé la Grande Ile à l’Afrique en général et à l’Afrique francophone en particulier. Avec le général Charles de Gaulle, il a un lien passionnel. Ce à quoi  il s’emploie après l’accession de Madagascar à la souveraineté internationale. Tsiranana a gardé une relation très étroite avec la plupart des anciennes colonies françaises en Afrique.  Ainsi,  Madagascar et des Etats de l’ancienne Afrique Occidentale Française et de l’ex-Afrique Équatoriale Française  ont fondé l’OCAM (Organisation Commune Africaine et Malgache).  Philibert Tsiranana, Léopold Sédar Senghor et Félix Houphouët-Boigny, « formés à la vie politique sur les bancs des assemblées parlementaires françaises, ont une philosophie politique commune « . Théâtre de la Guerre froide, l’Afrique est scindée en deux, les pays communisants  influencés par l’Union Soviétique et ceux  partisans du libéralisme économique. Anti-communiste, Tsiranana bascule vers la politique occidentale. Il soutient la politique algérienne  de la France, et l’intervention des troupes françaises au Gabon pour rétablir Léon M’Ba au pouvoir. Philibert Tsiranana entretient une relation avec l’Afrique du Sud, attitude qu’il lui vaut de nombreuses critiques sur le continent noir. Il entretient également une excellente relation avec l’Israël, qui n’est pas non plus accepté  par les pays du Maghreb. De 1960 à 1972, Madagascar se range dans le rang des pays libéraux . Les relations avec les pays occidentaux ont été fructueuses. Néanmoins, la Grande Île a été vue de mauvais oeil par certains pays africains. L’Union Africain dont Kwame Nkrumah rêvait, n’était pas cette « Afrique libre » que pensait Philibert Tsiranana. Recueillis par Iss Heridiny L’article Histoire : La politique extérieure du temps de Philibert Tsiranana est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Histoire : La politique extérieure du temps de Philibert Tsiranana a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Midi Madagasikara

Foot-PSG : Mathyas Randriamamy en Ligue des champions ce soir

Vers la titularisation de Mathyas Randriamamy dans les Barea. La dernière nouvelle recrue des Barea, Mathyas Randriamamy jouera en Ligue des champions aux côtés de Neymar et Mbappé ce soir pour le compte de la deuxième journée de la Ligue des champions. Le PSG affrontera Istanbul Basaksehir. Incroyable mais vrai. Ça ne s’arrête plus pour l’international malgache, Mathyas Randriamamy. Il a fait l’objet d’un appel de Thomas Tuchel pour renforcer le Paris Saint-Germain ce soir, dans le cadre de la deuxième journée de la Ligue des champions. En effet, l’équipe fera un déplacement sur la pelouse d’Istanbul pour affronter le Basaksehir. En une semaine, le jeune homme de 17 ans n’a pas cessé de gravir les échelons dans le club de la capitale. Le fait qu’il soit intégré dans les Barea lui trace un chemin vers la cour des grands. A titre de rappel, il a donné un avant-goût ce samedi, lors de la première journée de la Ligue 1 où il est resté remplaçant et n’a fait que de l’échauffement d’avant match sur le terrain. Cette fois-ci, il est le troisième gardien emmené en cas de blessure de Keylor Navas ou Sergio Rico. On l’a aperçu s’entraîner avec ces deux gardiens du PSG en début de semaine. Une aubaine pour les inconditionnels du foot malgache, puisque après Abel Anicet, un autre malgache jouera en C1. Cela sera aussi une opportunité pour lui afin que Nicolas Dupuis puisse penser à sa titularisation pour la double confrontation contre les Ivoiriens, prévue dans trois semaines. Pour en revenir à la rencontre de ce soir, la liste des convoqués ne réserve pas de surprises pour le PSG, avec les superstars Kylian Mbappé et Neymar accompagnés en attaque par Pablo Sarabia, Moïse Kean et Angel Di Maria. Idrissa Gueye et Thilo Kehrer, de retour après sa blessure, sont aussi dans le groupe. « Par contre, Julian Draxler, sorti blessé samedi contre Dijon, ne reprendra l’entraînement qu’après la trêve internationale, soit au plus tôt en mi-novembre. Marco Verratti, Leandro Paredes et Mauro Icardi sont toujours blessés. L’Italien a repris la course lundi et son retour à l’entraînement collectif est programmé la semaine prochaine. Icardi reprendra l’entraînement cette semaine, Paredes en fin de semaine », a annoncé le club. Manjato Razafy L’article Foot-PSG : Mathyas Randriamamy en Ligue des champions ce soir est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Foot-PSG : Mathyas Randriamamy en Ligue des champions ce soir a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 31-10-2020
Source : CCO COVID19 - 31/10/2020

Notsongaina

Alaotra Mangoro: nahazo talem-paritry ny filaminana vaovao
28/10/2020

   Notanterahina afakomaly maraina ny famindram-pahefana teo amin’ny talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Alaotra Mangoro teo amin’ny commissaire divisionnaire de police Rabenilaosana sy ny talem-paritra vaovao ny commissaire principale de police Rakotoarijaona Faly. Nanatrika izao lanonana izao ny tompon’andraiki-panjakana ambony any an-toerana. Fa tontosa omaly koa ny famindram-pahefana teo amin’ny talen’ny police ekonomika ny commissaire principale de police Ratsimba Bricce Andrianina tale teo aloha izay voatendry ho talen’ny fisahanan-draharaha sy ny fitantanam-bola ary ny fampitaovana sy ny tale vaovao, ny contrôleur générale de police Razafindravonona Georges Evariste.Jean ClaudeL’article Alaotra Mangoro: nahazo talem-paritry ny filaminana vaovao a été récupéré chez Newsmada.

Nanampy ny Akany: enfants de joie ny Freedom
27/10/2020

  Nitsidika ny Akany Enfants de joie ao Andranomadio Toamasina ny filoha nasionalin’ny antoko Freedom, Andriatongarivo Lalatiana, ny faran’ny herinandro teo. Reny mpiahy ity akany ity rahateo ny tenany. Miisa 33 ireo zaza kamboty taizana ao, ary mpianatra 400 kosa ireo ampianarina ao amin’ny sekoly, miankina amin’ny akany ary mampianatra ireo zaza sahirana ihany koa.Nanolotra kojakojam-pianarana ho an’ireo mpianatra ireo, ahitana boky isan-karazany sy vata fahitalavitra iray ahafahan’ireo zaza mijery ireo fandaharana samihafa sy miala voly ny antoko.Sahirana ity foibe ity. Miankina amin’ireo malala-tanana ny fampihodinana azy. Mpilatsaka an-tsitrapo ny ankamaroan’ireo mpampianatra sy ny tompon’andraikitra ao. Nampanantena ny hifanome tanana araka ny vitany ny mpanorina ny Freedom hanarenana ny foibe, tena simba sy tsizarizary tanteraka.Nankasitraka ny fahafoizan-tena asehon’ny talen’ny akany sy ny vadiny ny filoha nasionalin’ny Freedom. Eo ny fanampiana ireo kamboty na narian’ny ray aman-dreniny, ireo zaza sahirana mianatra ao amin’ny sekoly koa. Manampy ireo, misy vehivavy telo narian’ny vadiny sy lehilahy manano tena koa mipetraka ao amin’ny akany nefa mamelon-janaka irery avokoa. Horaisin’ny Freedom an-tanana ny fanampiana azy ireo.Synèse R.L’article Nanampy ny Akany: enfants de joie ny Freedom a été récupéré chez Newsmada.

Lanonana goavana :: Hatao any Toamasina sy Foulpointe ny andiany fahafolo an’ny “Mitsaka”
27/10/2020

Vaovao mahafaly ho an’ireo mpankafy dihy. Hotanterahina ihany ilay lanonana goavana ho an’ny dihy any amin’ny faritra atsinanan’ny Nosy nampitondraina ny anarana hoe “Mitsaka”. Hizara roa mazava tsara ity andiany fahafolo ity ka hotanterahina any Toamasina ny andiany voalohany amin’ ny 4,5,6 desambra ho avy izao ary any Foulpointe kosa ny andiany faharoa amin’ny 18,19,20 desambra 2020. Saika ho hita mandritra an’io fotoana io avokoa ireo karazan-dihy misy sy ampianarina eto amintsika amin’ny maha sahoby goavana ho an’ny dihy azy. Fifandrimbonana no fototr’izy io ka nanasa ireo mpisehatra amin’ ny dihy rehetra manerana ny Nosy ny mpikarakara. “Ny antony anaovana ny “Mitsaka” amin’ity taona ity mantsy, ny finiavana hitazona ny afo tsy ho faty. Amin’ny taona 2021 kosa vao tena hotanterahina ilay fandaharanasa rehetra izay tokony ho natao tamin’ity taona ity”, hoy ny mpikarakara. Tsy hisy ihany koa moa ny fandraisana an-tanana an’ireo mpandray anjara fa miankina tanteraka amin’ny finiavana sy ny fitiavan’ny tsirairay ny fahatongavana amin’ity hetsika andiany fahafolo ity. L’article Lanonana goavana :: Hatao any Toamasina sy Foulpointe ny andiany fahafolo an’ny “Mitsaka” est apparu en premier sur AoRaha.

RN 32 mihazo an’i Mandritsara: voasambotry ny zandary ireo jiolahy mpangalatra bizo
27/10/2020

 Noraisim-potsiny! Tratra ireo jiolahy roa mpangalatra bizo mipetaka amin’ny lalam-pirenena 32 mihazo an’i Mandritsara. Nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary ny alin’ny 10 oktobra misasakalina no nahasamborana ireto jiolahy ireto teny amin’ny RN 32 PK 145+200. Taorian’ny fanentanana nataon’ny zandary manamoroana iny lalam-pirenena iny no nanaitra ny andrimasom-pokonolona ao Antanankely, fokontany Andampihelo, ka nahafahana nisambotra ireto jiolahy ireto. Nandositra avy hatrany ry zalahy raha vantany vao nahatazana ireo fokonolona. Tavela kosa ny bizo miisa dimy niaraka amin’ny sarety saika hitondrana azy ireo. Tratra ny roa amin’ireo olon-dratsy taorian’ny fikarohana nataon’ny zandary avy ao amin’ny “poste fixe” Besakana sy ny polisy misahana ny fandikan-dalàna. Niaiky ny heloka vitany izy roa lahy taorian’ny famotorana nataon’ny zandary ka nanambaran’izy ireo tamin’izany ny namany roa mpiray tsikombakomba amin’izao asa ratsy izao. Nanamafy ny zandary fa efa maro ny fanentanana natao mikasika ny famongorana ity raharaha halatra bizo amin’ny lalam-pirenena any avaratra ity fa mbola misy ihany ireo minia mandika izany ka tsy maintsy ampiharina ny sazy ho an’ireo manapotika fotodrafitrasa sy fananana iombonana toy izao.Jean ClaudeL’article RN 32 mihazo an’i Mandritsara: voasambotry ny zandary ireo jiolahy mpangalatra bizo a été récupéré chez Newsmada.

Angovo: hosokafana ao Ikongo ny fanodinana toaka gasy
30/10/2020

  Hisokatra any amin’ny kaominina Ikongo ny orinasa manodina toaka gasy, afaka volana vitsivitsy. Toaka gasy avadika ho éthanol azo arehitra, ampiasana amin’ny fatana, na andrehetana jiro. Fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombona antoka avy any ivelany ny hanokafana ity orinasa ity ary hisitraka izany koa ny distrika hafa ao amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany. Manana akora fototra azo hamokarana angovo azo havaozina, toy ny fary, ny ao amin’ny distrika. Fary avadika ho toaka gasy, avy eo, ahodina ho angovo azo arehitra. Fananganana orinasa ho fanomezan-danja ny vita malagasy sy famoronana asa ny tanora.Toaka gasy sotroina ihany ny fantatry ny maro, hatramin’izay, fa misy koa toaka gasy azo avadika ho zavatra hafa, angovo azo trandrahina. Efa nankatoavin’ny Antenimierampirenena rahateo ny famokarana sy ny fivarotana toaka gasy, koa ampirisihin’ny governoran’ny faritra, Razafitsotra Lucien, ny tantsaha hamboly fary sy hamokatra toaka gasy na firy na firy, tsy misy intsony manenjika azy ireo. Efa nisy mpandraharaha iray nampiseho ny fanodinana toaka gasy ho lasa éthanol. Ireo tantsaha ireo ihany no hivarotra ny vokatra amin’ilay orinasa mpanodina azy. Loharanom-bola iray goavana izany ny voly fary.Misy ihany koa izao ny sasany amin’ireo mpandraharaha ireo, miara-miombona antoka amin’ny mpamboly, mamatsy vola ho an’ny fambolena fary. Tafiditra anatin’izany ny fanitarana tany hiasana, ny fanofanana mpamboly, satria eo ihany koa ny voly hafa tsy azo avela, ohatra, ny kafe, izay tena nahafantarana ny faritra tany aloha, mila fanarenana ankehitriny. Mifandraika amin’izay fambolena izay ny fanamboaran-dalana, mampifandray ireo kaominina. Hatao rarivato avokoa izay tratra ary iangaviana ny ben’ny Tanàna rehetra hanolotra ny asa tokony hatao ny 2021 amin’ny governoran’ny faritra. Mety hampiova ny fandaharanasa ihany anefa izany noho ny fizarana roa eo amin’ny faritra: i Vatovavy sy i Fitovinany.R.MathieuL’article Angovo: hosokafana ao Ikongo ny fanodinana toaka gasy a été récupéré chez Newsmada.

“Hanitr’i Eva”: poeta 5 vavy hamelona ny antsa
29/10/2020

 Andriambavilanitra 5, poetan’ny ankehitriny no hitondra ny “Hanitr’i Eva” etsy amin’ny sekoly Cendrillon Soavimasoandro, ny alahady 1 novambra, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. Hitondra ny fijeriny mahakasika an’i Eva izy ireo amin’io fotoana io. “ Tsy i Eva ilay namadika an’i Adama akory ny vehivavy…  Manana ny hanitra ho azy ihany koa i Eva, ary havoitranay ao anatin’ny sanganasa izany”, hoy i Tsiaro ny Fitia. Lohahevitra maro no holalaovina amin’io andro io. Fitiavana misandrahaka amin’ny alahelo, ny ranomaso, ny tsiky, ny fahafatesana. Hovelomin-dry Tsiaro, Miritsoka, Antso fy Tia, Natiora ary i Larissa Ramanitriniaina izany.  Eo koa ny fanentanana sy ny fandravahana ny seho amin’ny alalan’ny dihy, iarahana amin-dRabefitia.   Raha ny 26 marsa 2020 teo no saika hanaovana ny seho “Hanitr’i Eva”… Nihantona izany noho ny hamehana ara-pahasalamana sy ny fihibohana vokatry ny fidiran’ny valanaretina teto ary izao hotanterahina izao amin’izany.NarilalaL’article “Hanitr’i Eva”: poeta 5 vavy hamelona ny antsa a été récupéré chez Newsmada.

Antananarivo sy ny manodidina: niraradraraka ny havandra
28/10/2020

 Tora-bato avy any an-danitra ny firaraky ny havandra teto Antananarivo sy ny manodidina omaly tolakandro. Narahin’orana nikija izany avy eo niaraka tamin’ny kotro-baratra sy tselatra namaky lanitra. Niraradraraka ny havandra naharitra 10 minitra teo teto an-dRenivohitra ary nitoraka hatrany atsimon’Antananarivo hatrany Bongatsara sy Ambatofotsy iny. Nanimba ny fambolena izany ary mampitomany ny tantsaha mihitsy. Orana maivamaiva kosa no nandrafitra ny toetr’andro ho an’ny faritra andrefan’Antananarivo iny, omaly. Nialohavana rifotra nifofo anefa izany ka nampitora-jofo ny vovoka sy nandrava ireo tafo sy takela-by teny amoron-dalana.Naharitra hatramin’ny alina ny oram-baratra ary nahafaly ny tantsaha tamin’iny faritra andrefan’Iarivo iny ny firaraky ny orana nanondraka indray ny voly. Anisan’ny nisitraka izany ireo mpamboly voninkazo izay tena miandry fatratra ihany koa ny filatsaky ny orana hampahazo aina azy ireny.Tatiana AL’article Antananarivo sy ny manodidina: niraradraraka ny havandra a été récupéré chez Newsmada.

FONDATION ORANGE : Nandrombaka ny « coup de cœur ô feminin 2019 » Rasoarimanga Vololona
29/10/2020

Nofy tanteraka. Nahazo famatsiam-bola mitentina 7.900.000 Ariary Rasoarimanga Vololona hanatanterahana ny tetikasany. Nanatrika ny lanonana fanolorana izany, ny alarobia 28 oktobra 2020, ny Ben’ny tanànan’Ambohidratrimo, ny DGA sy ny Secrétaire Général Orange Madagascar Benja Arson, ny filohan’ny Orange Solidarité Madagascar Josie Randriambeloma ary ny filohan’ny Soroptimist International Club Mandrosoa Bodo Ramangason. Nanomboka ny taona 2016, manome tohana ho an’ireo vehivavy mandray anjara amin’ny fandaharan’asa “ maison digitale” ny  « coup de cœur ô feminin” an’ny Fondation Orange. Mahazo tohana ara-bola sy ara-teknika hanatanterahana ny nofiny izay mendrika indrindra ka Rasoarimanga Vololona avy amin’ny “Maison Digitale pour les femmes” Ambohidehilahy ao amin’ny Soroptimist Club Mandrosoa no nandrombaka izany ho an’ny taona 2019. “Zanaka tantsaha, renim-pianakaviana manan-janaka efatra Rasoarimanga Vololona ary nanaraka fiofanana karazany maro tao amin’ny Maison Digitale pour les Femmes. Niofana momba informatika, ny fampiasana ny Excel, ny fitantanana tetikasa izy. Eo am-pandrafetana ny tetikasany ahazoana ny taratasy fanamarinana fahavitana fiofanana izy amin’izao fotoana izao. Nofiny ny hanitatra ny asa fiompiana akoho gasy ka ao anatin’ny tetikasany ny famokarana, ny fanakotrehana, ny fiompiana akoho ho atao sakafo ary amidy eto amin’ny tsena anatiny fa indrindra haondrana any amin’ireo nosy manodidina an’i Madagasikara. Mila fanampiana izy noho izany amin’ny fananganana tranon’akoho mahazaka zanak’akoho an-jatony, reny akoho 10, akoholahy roa ary vorontsiloza telo”. Marihina fa nanomboka tamin’ny taona 2015, “maison digitale” 30 no natsangana  teto amintsika mba hanamorana ny fampidirana ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny asa, ny fanampiana azy ireo hahay hifehy ny fitaovana nomerika sy ireo rindram-baiko fototra. Eo ihany koa fampianarana mamaky teny sy manoratra, ny fitantanana ny varotra, ny bureautique sy ny maro hafa. Nirina R. Cet article FONDATION ORANGE : Nandrombaka ny « coup de cœur ô feminin 2019 » Rasoarimanga Vololona est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article FONDATION ORANGE : Nandrombaka ny « coup de cœur ô feminin 2019 » Rasoarimanga Vololona a été récupéré chez Délire Madagascar.

Kitra – Fihaonana mandroso amin’ny Barea: nahemotry ny Ivoarianina amin’ny 14 novambra ny lalao
28/10/2020

Mamolaka sy mandemy ny mpifanandrina ? Niova indray ny daty hanatanterahana ny lalao mandroso eo amin’ny Barea sy ny Elefanta, araka ny tetiandro naroson’ny Federasiona Ivorianina (Fif).Nahemotra ho ny asabotsy 14 novambra indray izany raha tokony ho ny 12 novambra izao, araka ny voalaza teo aloha. Na izany aza, tsy miova ny kianja fa ao Abidjan, eo amin’ny Stade Alassane Ouattara, vao nohavaozina sy nohatsaraina. Tsy mbola fantatra kosa anefa ny daty ho an’ny lalao miverina hotanterahina eto amintsika na ho telo andro aorian’io, araka ny efa voafaritra ihany, izany hoe ny talata 17 novambra. Mbola andrasana rahateo ny fanapahan-kevitry ny fanjakana ny amin’ny fahafahan’ny Ivoarianina miditra eto na tsia, manoloana ny mbola tsy fisokafan’ny sisin-tanintsika.Mpitsara TonizianinaEtsy an-daniny,  navoakan’ny eo anivon’ny Caf  fa ilay Tonizianina, Haytem Guirat no hitsara ny fihaonan’ny Barea sy ny Elefanta Ivoarianina, amin’ny lalao mandroso amin’izao fifanintsanana hiakarana amin’ny “Can 2022” izao.  Tsy vahiny amin’ny ekipam-pirenena malagasy ity mpitsara ity. Efa nitantana ny fihaonana teo amin’ny Barea sy i Burundi tamin’ny Can 2019 tany Ejypta i Guirat  ka nandresentsika ny mpifanandrina tamin’ny isa 1 noho 0. Baolina tokana nampidirin’i Marco Ilaimaharitra io nitondrana ny fandresana io.Mafampana ny toe-draharaha politikaAnkoatra izany, nanome toky ny Fif fa hilamina ny lalaon’ny roa tonta na eo aza ny krizy politika any an-toerana amin’izao fotoana izao. Hotanterahina ny 31 oktobra izao ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany any an-toerana. Mafampana ny toe-draharaha satria tsipahin’ny mpanohitra ivoarianina ny mbola nilatsahan’ny filoha am-perinasa, Ouattara, hitantana fanintelony indray an’i Cote d Ivoire rehefa nanova ny lalàmpanorenana afahany mirotsaka ny tenany ny taona 2016. Mety hanova ny fihaonana raha mikorontana ny any an-toerana.Synèse R.L’article Kitra – Fihaonana mandroso amin’ny Barea: nahemotry ny Ivoarianina amin’ny 14 novambra ny lalao a été récupéré chez Newsmada.

Hetsiky ny minisiteran’ny Tanora: nahazo tohana ireo mpanodina ny baobab ho « confiture »
26/10/2020

Nahazo tohana avy amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ireo tanora mpikambana ao amin’ny Centre des jeunes – Les Heritiers du Sud Ambovombe hanatsarana ny seha-pihariana ataon’izay ireo. Miasa manodina ny raketa mena, ny baobab sy ny kily ho « confiture » izy ireo. Manamboatra savony koa sady mandrary ho fampiroboroboana ny fizakantenan’ny tanora any amin’iny faritra iny. Tsy ampy fitaovana iasana izy ireo, tamin’ny fidinana ifotony nataon’ny tompon’andraikitra tany an-toerana. Manam-piniavana hivoatra sy hivelatra bebe kokoa anefa ireto tanora ireto ka antony nanomezan’ny minisiteran’ny Tanora tosika azy ireo. Mamaly tanteraka ny fandaharanasa “Pole-emploi jeune », mamolavola ireo taninketsan’ny tanora mpandraharaha rahateo izany.Tanora miisa 370 efa vononaTsiahivina fa nanolotra tetikasa ny ivontoerana mpanabe tanora “Fille de la charité” miompana amin’ny fanodinana vokatra taretra, tamin’ny fandalovan’ny filoha Rajoelina Andry sy ny minisitra Tinoka Roberto tany Tsihombe farany teo. Mety amin’ny toe-tany ao Androy ny vokatra taretra ary maro ny asa tanana azo avy amin’izany. Tafiditra indrindra ao anatin’ny programanasa “Pole-emploi jeune” izany. Hanome tosika ireo tanora miisa 370, efa vonona ny hamboly taretra amin’ny velaran-tany 35 ha ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Hapetraka ao an-toerana ihany koa ny “Unité de transformation” hanodinana izany vokatra taretra izany.Synèse R.L’article Hetsiky ny minisiteran’ny Tanora: nahazo tohana ireo mpanodina ny baobab ho « confiture » a été récupéré chez Newsmada.

Bayern de Munich : Remy Vita dans le grand bain
28/10/2020

Rémy Vita chez les pros du Bayern de Munich. La belle aventure se poursuit pour l’ancien de l’ESTAC, Remy Vita, que le Bayern vient de recruter. Une bonne affaire pour les Munichois, car ils n’ont pas eu à casser leur tirelire pour les services du jeune Malgache. On connaît maintenant la raison qui a poussé les Bavarois à recruter Remy Vita, car Flick n’avait pas hésité à faire appel à lui pour suppléer au prodige canadien, Davies, durant son absence. Il reste à espérer que cette titularisation finira par faire céder Nicolas Dupuis pour l’intégrer chez les Barea. Clément RABARY L’article Bayern de Munich : Remy Vita dans le grand bain est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Bayern de Munich : Remy Vita dans le grand bain a été récupéré chez Midi Madagasikara.

“Rugby Tsinjaka Be”: Hidona ny Makis de Madagascar sy ny RC Toulon
31/10/2020

 Tsy maintsy ahemotra amin’ny taona 2021 ny “Rugby Tsinjaka Be”. “Goavana ny hetsika ka tsy azo atao kitoatoa ny fanomanana”, hoy Rakotomanalina Jean Olivier (Veve), tomponandraikitry ny SPC Press Evenement, mpikarakara.  Gazety Taratra (*): Tapitra ny fihibohana, hanao ahoana ny “Rugby Tsinjaka Be”?Rakotomanalaina Jean Olivier (Veve) (-): Ara-bakiteny ny fahataperany fa ny fepetra ara-pahasalamana, mbola mitoetra. Noho izany, miantso ny mpanao fanatanjahantena rehetra hanaja ireo fenitra napetraky ny fitondrana. Ho an’ny “Rugby Tsinjaka Be”, tsy maintsy nahemotra satria tsy ho tratra ny fikarakarana ny hetsika, izay ho goavana noho ny fankalazana ny fahadimy taon’ny SPC Press Evenement, mpikarakara.*Raha hihemotra, hotanterahina amin’ny fotoana mahazatra ihany ve?– Ezahinay mpikarakara hotanterahina amin’ny taona 2021 ity andiany fahadimy ity, ary hotazonina amin’ny fotoana efa mahazatra ireo mpankafy ny “Rugby Tsinjaka Be” izany, ny volana septambra na ny oktobra.* Hisy fiavahana amin’ireo andiany efa vita ve ity hatao amin’ny taona ho avy ity?– Tena hiavaka tokoa satria handray anjara ny Makis de Madagascar ka hifandona amin’ny RC Toulon, Frantsa. Fiaraha-miasa amin’ny Malagasy rugby io, izay angatahina fankatoavana ary isaorana manokana satria nanampy hatrany ny “Rugby Tsinjaka Be”. Efa tontosa tamin’ity ny fifanarahana, saingy tsy raikitra ny lalao noho ny Covid-19.*Hanao ahoana àry ny ho fisehon’ny hetsika amin’izany?– Fampiarahana ny baolina lavalava sy ny rindran-kira ny “Rugby Tsinjaka Be”. Amin’ity, hisy andian-javatra maro, mety handeha irery ny hirahira, toy izany koa ny fanatanjahantena, nefa mety hiara-dalana toy ny mahazatra. Hatao ao anaty toerana iray ireo rehetra ireo. Ankoatra izay, hisy taranja hafa handray anjara. Ho goavambe ny amboara fa tsy hijanona amin’ny lelavola sy omby mifaha, toy ny mahazatra fotsiny.*: Inona ny hafatra ho an’ny mpankafy?-: Manome toky anareo ny SPC Press Evenement fa hetsika tsara sy miavaka tsy mbola fahita hatramin’izay ny hatolotra amin’ny 2021. Tsy avelantsika handalo fotsiny io fahadimy taona io fa tena hatao misongadina. Mankahery ny rehetra hitandrina hatrany ary hanaraka ny fepetra ara-pahasalamana fa tsy mbola resy tanteraka akory ny Covid-19 hahazoantsika mifety tsara amin’ny taona ho avy.Dinika nangonin’i TorcelinL’article “Rugby Tsinjaka Be”: Hidona ny Makis de Madagascar sy ny RC Toulon a été récupéré chez Newsmada.