MOZEA: Hampiofanina momba ny RE-ORG ireo mpitahiry vakoka

News - MOZEA: Hampiofanina momba ny RE-ORG ireo mpitahiry vakoka
Haipaika manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny fiofanana RE-ORG (Réorganisation des réserves au sein des musées). Efa betsaka ireo mozea tamin’ny firenena maro no efa nampiasa azy ity ho fandaminana ireo vakoka sy ny fomba fitehirizana azy. Mpitahiry vakoka 26 avy amin’ny mozea 12, mpikambana ao amin’ny ICOM (Comité National Malgache pour le Conseil International des Musées) no hahazo fiofanana momba ny RE-ORG. Mpampiofana matihanina avy amin’ny ICCROM (Centre International d’Etudes pour la Conservation et la Restauration des biens culturels), manana traikefa momba an’i Madagasikara, Gaël de Guichen sy Baba Keita ary mpampiofana Malagasy miisa dimy avy amin’ny ICOM Madagasikara no hampiofana azy ireo ny 11 ka hatramin’ny 21 jona 2019, eny amin’ny Lapan’Andafiavaratra.
Miara-misalahy amin’ny fanatontosana ity fampiofanana ity ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina, ny biraom-paritry ny UNESCO Afrika Atsinanana, ny ICOM sary ny ICCROM. Tohiny ny tetikasa novatsian’ny fanjakana japoney tamin’ny 2015 ho fanarenana ireo vakoka sisa tsy may tao amin’ny Rova Antananarivo, nafindra tao amin’ny Lapan’Andafiavaratra ity fampiofanana ity araka ny fanazavan’ny manam-pahaizana manokana momba ny mozea sady filohan’ny ICOM Madagasikara, Rasoarifetra Bako. Ho fanatsarana ny fomba fitehirizana sy ny fanomezan-danja ireo vakoka tao amin’ny Lapan’i Manjakamiadana nafindra tao amin’ny Lapan’Andafiavaratra, fanamafisana ny fampiasana antontan-kevitra mirakitra ny vakoka, fanamafisana ny fahaiza-manao ny mpitahiry vakoka sy fandaminana ny mozea no tanjon’ny fiofanana. Manana vakoka 1400 ny Lapan’Andafiavaratra ka ny 20 % amin’ireo dia vakoka voavotra tamin’ny fahamaizan’ny Rovan’Antananarivo, ny taona 1995. Vinavinaina hisokatra ho an’ny daholobe ny mozea ao amin’ny Lapan’Andafiavaratra ny volana novambra 2019, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny kolontsaina, Razafiarison Francis.
Lynda A.
Cet article MOZEA: Hampiofanina momba ny RE-ORG ireo mpitahiry vakoka est apparu en premier sur déliremadagascar.
Vakio ihany koa
News - News Mada
Fitaovana eny anivon’ny hopitaly: efa miverina amin’ny laoniny toeram-pandidian’ny HJRA
Efa miverina mandray fandidiana ny toeram-pandidiana ao amin’ny HJRA taorian’ny olana teknika niseho ny fiandohan’ny herinandro teo momba ny « générateur d’oxygène ». « Fepetra noraisin’ny tompon’andraikitra ny fandaminana amin’ny fandraisana marary hiatrika fandidiana fa nitohy ihany ny asa, araka ny hamehana miseho », hoy ny talen’ny hopitaly, ny profesora Rakoto Alson Olivat, omaly. Tsy nalefa nody ny marary fa nisy fandrindrana asa ary efa miverina amin’ny laoniny izany ankehitriny.Anisan’ny nampiasaina betsaka tamin’ny fandraisana ny mararin’ny tsimokaretina Covid-19 ny « oxygène » teny anivon’ny hopitaly ka mety hisy tsy fahatomombanana eo amin’ny milina famokarana. Tsy tokony hanana ahiahy ny marary fa ny andro voalohany ihany no narindra ny fandraisana.VonjyL’article Fitaovana eny anivon’ny hopitaly: efa miverina amin’ny laoniny toeram-pandidian’ny HJRA a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Escrime: efa manomboka manoman-tena ny ekipa nasionaly
Efa saika tazana midina an-kianja manao fanazaran-tena avokoa, amin’izao, ireo atleta sy ekipa nasionaly, toy ny volley ball sy ny escrime. Ho an’ny taranja Escrime, efa tazana manoman-tena eny amin’ny kianja Mitafon’Ankorondrano ireo atleta mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Raha ny fanazavana, nandray fanapahan-kevitra ny hamerina tsikelikely ny fanazaran-tena ny federasiona, taorian’ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena amin’ny fahafahana manao fanazaran-tena hamerenana tsikelikely ny lentan’ireo atleta. Eo ihany koa ny fanomanana ny fifaninanana iraisam-pirenena, izay hatrehina amin’ny taom-pilalaovana manaraka. Raha ny fandaharam-potoana, isan’andro, amin’ny 11 ora antoandro hatramin’ny 2 ora sy sasany no manao fanazaran-tena, ireo atleta ireo, eny amin’ny kianja Mitafon’Ankorondrano.Mifanindry an-dalana amin’izany, mitohy ary mizotra araka ny tokony ho izy ihany koa ny fiofanana ho an’ny mpanazatra “niveau 1”, eny Ankorondrano. Miditra amin’ny andro fahadimy, anio, izany ary hifarana amin’ny faha-21 septambra ho avy izao. Mi.Raz L’article Escrime: efa manomboka manoman-tena ny ekipa nasionaly a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Sopromer –Trondro: latsaka ihany ny varotra na tsy tapaka aza ny tsena
35 taona izao ny nisian’ny Sopromer, mivarotra hazan-dranomasina. Noho izay toerana misy azy izay, eo amin’ny sehatry ny sakafo, tsy dia nisy fiantraikany loatra amin’ity orinasa ity ny fihibohana, satria nahazo alalana hatrany izy ireo. “Na izany aza, latsaka ihany ny varotra noho ny fahasahiranan’ny maro anisa, nefa tsy jerena loatra izay fa saika hitovian’ny rehetra”, hoy ny talen’ny fandraharahana ao amin’ny Sopromer, Rtoa Ramino Michelle.Misokatra ny toeram-panjifana rehetra, araka ny fe-potoana noferan’ny fanjakana, hatramin’ny 12 ora teo aloha, izao hatramin’ny 1 ora. Ny orinasa kosa miasa manomboka amin’ny 6 ora maraina hatramin’ny hariva. Manohy ny asany hatrany ny Refrigépêche any Toamasina sy Mahajanga, an’ny Sopromer ihany, mijanona rehefa mikatona ny fotoam-panjonoana. “Tsy manangom-bokatra izahay any amin’ny mpanjono hafa fa izay azon’ny sambonay ihany. Avy amin’ny jono makamba ataonay ihany ny trondro amidinay”, hoy ihany Rtoa Ramino Michelle.Omaly ihany koa ny Sopromer , nanolotra trondro 3 t ho an’ireo mponina tsy manan-kialofana napetraky ny kaominina Antananarivo renivohitra eny Ankerana sy Anosizato. Tsinjaraina mandritra ny valo herinandro eo ho eo ireo trondro ireo hanome hery ho an’ireo mponina mahantra. R.MathieuL’article Sopromer –Trondro: latsaka ihany ny varotra na tsy tapaka aza ny tsena a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Mozika mafana: manasongadina ny hafatra entin’ny hira i Zair
Tia mamaky boky Ravoajanahary Nancy, noho ny fahatsapany fa io ny fitaovana mahomby indrindra raha te hanovo fahalalana sy fahendrena. Mankafy mihira koa anefa izy, hatramin’ny fahazazany.Nanomboka tamin’ity taona ity, tapa-kevitra ny tovovavy fa hampivady ireo fitiavana roa ireo ka hanome lanja manokana ny hafatra raiketin’ny hira, araka ny fanazavany.Nisafidy ny anarana Zair izy, amin’ny maha mpanakanto azy, ary nanomboka namoaka vokatra, izay efa mandeha any amin’ny onjampeo sy ny fahitalavitra any, amin’izao fotoana izao. Vokatry ny fiarahany miasa akaiky tamin’ny Davalt Rwickords, nandrindra ankapobeny, sy i Caeli, mpamoron-kira, ny hirany voalohany.Efa ela ny naniry ho lasa mpihira i Nancy, saingy ankehitriny vao tanteraka izany. Efa niatrika fifaninanan-kira samihafa ny tovovavy ary ambarany fa nahazoany traikefa maro izy ireny, nentiny nanomana zava-baovao sy miavaka amin’izay efa ataon’ny hafa. Araka ny voalazany, efa manana hira maro vonona i Zair ary hezahiny havoaka tsikelikely izany.Anisan’ny mampiavaka ity tovovavy ity koa ny fanehoana hatrany ny maha Malagasy, indrindra amin’ny fomba fiakanjo, izay toy ny tsy voahaja intsony ho an’ny ankamaroan’ny mpiangaly mozika mafana, izay matetika zara raha mitafy. “Amiko, fanabeazana sy fitaizana ny mozika”, hoy izy. Mifantoka amin’ny fampahafantarana io vazony vaovao io i Zair, amin’izao fotoana izao.Landy R. L’article Mozika mafana: manasongadina ny hafatra entin’ny hira i Zair a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Zahavoary ao Ankarafantsika: mahavarina ilay lavakabe ao Ankarokaroka
Toerana iray tena mahasarika mpizahatany mitsidika ny valanjavaboary ao Ankarafantsika ny lavaka na antsoina koa hoe « Canyon » ao Ankarokaroka. Misy toerana avo ety ambony ahafahana mitazana ny hakanton’ny lavaka midadasika be izay vokatry ny asan’ny rivotra sy ny ranon’orana ka nanome endrika miavaka. Anisan’ny valanjavaboary 43 tantanin’ny Madagascar National Parks ny ao Ankarafantsika, mivelatra amin’ny faritra 136 513 ha.Valo ny karazana fitsidihana azo atao ao anatin’ny valanjavaboary ka anisany ny fijerena akaiky ny lavaka. 24 km ny lalana azo diavin-tongotra ao anatiny. Raha hidina hijery ny lavaka any ambany, 20 minitra eo ho eo ny faharetany mamakivaky ny ala. Namboarina manokana ny lalana handray ny mpitsidika mandeha an-tongotra tsy hitera-doza ho azy ireo.Tsy maintsy ialohavan’ny mpitari-dalana ny fitsidihana satria be efitrefitra ny lavaka. Nahavariana ny nahita ny cheminés des fées sy demoiselles coiffées voatefin’ny rivotra ka lasa kindrindriana rehefa tazanin’ny maso. Tsy azon’ny mpitsidika kitihina satria malemy ireny cheminés ireny ka mandrava ny hakanton’ny voary.Ankoatra ny Malagasy, maro ny mitsidika ny lavaka be ao Ankarokaroka ny Frantsay sy ny Amerikanina, indrindra amin’izao fotoana izao. Noho ny tsy fandriampahalemana anefa, nihena 14% ny isan’ny mpitsidika. Nanomboka ny fiandohan’ny taona ka hatramin’ny volana jolay lasa teo, 3 117 ny isan’ny mpitsidika tonga nidina tao anatin’ny lavaka be.Ny taona 2018, nahatratra 11 426 ny olona voasarika ka ny 40%, Malagasy avokoa. Manana karazam-borona 130 ao Ankarafantsika ankoatra ny sifaka sy ny angonoka (tsy azon’ny mpitsidika jerena). Rehefa hiakatra indray hamonjy ny toeram-pitazanana ery ambony, misy faritra nokarakaraina ahazon’ny mpitsidika miala sasatra sy mijery ny zava-maniry samihafa.2 000 Ar ny saran’ny fitsidihana ny lavaka be Fikaohan’ny riaka sy ny rivotra tao anatin’ny taon-jato telo teo ho eo no nanome ny endriky ny lavaka amin’izao fotoana izao, tany fasihana no manodidina ny lavaka ka mila fitandremana, hoy ny mpitari-dalana Ratsinjovindraibe Tahiry Germain. 2 000 Ar ny saran’ny fidirana ho an’ny Malagasy raha 55 000 Ar ho an’ny vahiny. 65 000 Ar kosa ny saran’ny fitondrana mpitari-dalana (ho an’ny olona latsaky ny dimy) satria saro-pady ny toerana. 23 ny mpitari-dalana rehetra misahana ny zahavoary ao Ankarafantsika izay entina koa hamelomana sy hampihodinana ny valanjavaboary.Vonjy A. L’article Zahavoary ao Ankarafantsika: mahavarina ilay lavakabe ao Ankarokaroka a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Kitra – «Chan 2020»: nanome 10 tapitrisa Ar ho an’ny Barea i Hery Be
Ho fampirisihana sy fankaherezana ireo mpilalaon’ny Barean’i Madagasikara hiatrehana ny lalao fifanintsanana ny “Chan 2020”, taranja baolina kitra, hikatrohana amin’i Mozambika, ny alahady ho avy izao, nanolotra taratasim-bola 10 tapitrisa Ar ho azy ireo Rasoamaromaka Hery. Omaly tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny nanomezany izany. Nambarany fa miandry ny Barean’i Madagasikara ny vahoaka malagasy ary manantena vokatra tsara.Nomarihiny fa fifanampiana niarahany amin’ireo filohan’ny ligy sasany ny nahazoana nanampy ny Barea. Ny 5 tapitrisa Ar, hatolotra ho fanomanana ny lalao. Ny 5 tapitrisa Ar ambiny kosa, fanamby goavana ho an’ny lalao amin’ny alahady ka mila mamono baolina iray, na sahala na mandresy, ny Barean’i Madagasikara. Na izany aza, nomeny avy hatrany ho an’ireo mpilalao izany. “Efa eny an-tananareo ny vola ka aleo mba tsy hamerim-bola”, hoy izy. Samy nanolotra fisaorana, ho an’i Hery Be, i Ando, kapiteny, sy ny Me Francklin, mpanazatra, izay samy naneho fahavononana handresy amin’ny alahady ho avy izao. Tompondaka L’article Kitra – «Chan 2020»: nanome 10 tapitrisa Ar ho an’ny Barea i Hery Be a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Seranan’i Toamasina: hopotehina sy hatao lavanty ny entana tsy alain’ny tompony
Feno ny toerana! Nanao fitsirihana tampoka ny faritry ny ladoany ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, omaly talata maraina, ny tompon’andraikitry ny ladoany, notarihin’ny tale jeneraly (DG) ny fadin-tseranana, i Zafivanona Lainkana Ernest, notronin’ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, Rtoa Delmotte Stéphanie. Tsikaritra fa maro loatra ireo entana mitoby tahirizina ao. Nambaran’ny tale jeneraly fa ilaina ny fanalalahana ny faritra sy ny toerana fametrahana entana ao amin’ny ladoany manerana an’i Madagasikara ka anisan’izany ny ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Misy ny entana lany fetr’andro nefa tsy nalain’ny tompony. Ao koa ny nogejain’ny fanjakana toy ny karazan-kazo, sy ny hafa.Hisy komity iraisana handinikaKoa tsy maintsy raisina ny fepetra, hanaovana lavanty ny entana na koa hanapotehana na handorana ary handevenana ireo entana sasany, toy ny sakafo fihinana, ohatra, satria tsy azo antoka intsony ny hitahirizana azy mihoatra ny roa volana, nefa tsy tafavoakan’ny tompony. Singanina amin’izany ny entana ao anaty kaontenera miisa 500 ao amin’ny orinasa MICTSL. Eo koa ireo fiara tsy tokony hiditra eto Madagasikara, manana familiana ankavanana, ny fiara mpitatitra entana mihoatra ny 15 taona, ny fiarakely mihoatra ny 10 taona. Tsy maintsy hatao lavanty izy ireny na hopotehina, arakaraka ny fanapahan-kevitry ny komity manokana iraisan’ny minisitera sy ny rafi-panjakana voakasika samihafa.Nohamafisin’ny tale jeneralin’ny ladoany fa ankoatra ireo fiara sy karazan-kazo, misy koa ny entana hafa, toy ny lafarinina, ny fanafody, ny siramamy, ny vary, ny kilalao, ny akanjo na lamba efa niasa (friperie), sns. Misy amin’ireo entana ireo ny efa tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina hatramin’ny taona 2009, saingy tsy navoakan’ny tompony.SajoL’article Seranan’i Toamasina: hopotehina sy hatao lavanty ny entana tsy alain’ny tompony a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Ambolofoty: jiolahy telo efa nigadra tratra nanafika
Jiolahy telo ikoizana amin’ny famakiana trano tratran’ny polisy tao amin’ny fokontany Ambolofoty kaominina ambanivohitr’i Betsijake, distrikan’i Toliara II, ny alakamisy teo. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, fiaraha-miasa teo amin’ny fokonolona tao amin’ny fokontany no nahafahana nisambotra ireto andian-jiolahy mpamaky trano ireto. Voalaza fa nikasa hamaky trano tao amin’io fokontany io ry zalahy ireto kanjo nifanehatra tamin’ny polisy ka noraisim-potsiny. Tratra niaraka tamin’izy ireo ny basy vita gasy iray sy ny bala ary ny zava-maranitra fampiasan’izy ireo rehefa manao ny asa ratsiny. Nomarihin’ny polisy fa jiolahy efa nigadra avokoa ry zalahy ireto satria tratra tamina raharaha fanafihana mitam-basy tao Toliara, kanjo izao niveriny nanohy ny asa ratsiny izao indray taorian’ny fivoahana ny fonja. Hatolotra ny fampanoavana ireto jiolahy ireto aorian’ny famotorana ataon’ny polisy.CMSL’article Ambolofoty: jiolahy telo efa nigadra tratra nanafika a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Hanohizana ireo asa sosialiny: manolotra tantara an-kiran’i Josefa ny Iza
“Josefa”, tantara anaty Baiboly… 2019 taona aty aoriana, holalaovina anaty “comédie musicale” izany. Misy ny hafatra tiana hampitaina.Hiavaka ny hetsika hotanterahin’ny fikambanana Iza, etsy amin’ny Cemdlac Analakely, ny alahady tolakandro izao. Hahita fy ny maso sy ny sofina sady handray hafatra mafonja, indrindra, ny tanora. Hoentina an-tsehatra, amin’io fotoana io, ny tantara an-kira na “comédie musicale” mitondra ny lohateny hoe “Josefa”.Raha fintinina ny tantara ao amin’ny Baiboly, nandalo sedra maro i Josefa, saingy tsy kivy sy nametraka hatrany ny finoany an’Andriamanitra. Izay koa ny hafatra tian’ny fikambanana Iza hampitaina amin’ity tantara an-kira ity. “Rehefa mametraka tanjona ny olona iray, tokony ho fantany fa tsy ho mora ny fanatrarana izany, saingy apetraka hatrany ny finoana sy ny fikirizana ka tsy maintsy vita io”, hoy ny fanazavan’ny Dr Velonjara Voary.Tsiahivina fa fikambanana miasa hananan’ny tanora Malagasy hoavy tsara kokoa ny Iza. Hanatrarana izany, vaindohan-draharahan’ny mpikambana ny fisorohana ny fidorohan’ny tanora zavamahadomelona sy ny fanampiana ireo efa miankin-doha mba hiala amin’izany fahazaran-dratsy izany.Mivondrona anaty kaompania mpiangaly karazan-javakanto ireo ankizy sy ny tanora ka manentana ny toa azy, amin’ny alalan’ny hetsika toy izao. Araka izany, tsy vaovao amin’ny Iza ny fikarakarana seho toy ity. Miisa 30 ireo ankizy sy tanora (4 hatramin’ny 32 taona) hamelona ny tantaran’i Josefa, misy fizarana roa ary haharitra ora roa sy sasany.Etsy ankilan’izay, hetsika entin’ny fikambanana mitady vola, izay tena ilainy amin’ny fanatanterahana ireo fanentanana samihafa sy ny fandraisana an-tanana ireo tanora midoroka zavamahadomelona izy ity. Ao anatin’ny vinan’ny Iza, ohatra, ny hamokatra horonantsary fohy fanentanana sy fanomanana fifaninanana zavakanto.Landy R. Naorin’ny Dr Velonjara Voary, ny taona 2015, ny fikambanana Iza. Resy lahatra tamin’ny vinan’ny fikambanana ny masoivoho amerikanina ka nisafidy azy ho anisan’ireo hisitraka ny vatsim-pianarana Mandela Washington Fellowship, tamin’ny taon-dasa. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Young African Leaders Initiative (YALI) ity famatsiana fianarana na fiofanana ity. Tanjon’ny tetikasa ny hanome tosika ireo tanora afrikanina mpitarika amin’ny sehatra samihafa hahomby amin’izany L’article Hanohizana ireo asa sosialiny: manolotra tantara an-kiran’i Josefa ny Iza a été récupéré chez Newsmada.
News - Triatra
Toamasina : Mandeha kamio ny mpamaky trano
Andro maromaro taty aoriana, tratra ireo andian-jiolahy mpamaky trano ao amin’ny fokontany Ampasimazava, kaomina Toamasina, ny alin’ny sabotsy lasa teo, izay nahalasibatra mpivarotra vary iray. Araka ny fantatra, olona miisa 5 no voasambotra, izay voampanga tamin’ny raharaha fanafihana io toeram-pivarotana io. Miisa 12 izy ireo no tratra ambodiomby, ary tsy afa-maina teo anatrehan’ny mpampanoa lalàna fa dia nampidirana am-ponja vonjimaika. Nanao ny fikaroham-baovao avy hatrany ny zandary taorian’ny naharaisana fitarainana, ka izao nahitam-bokany izao. Tsy vao sambany no nitrangana fanafihana mitam-piadiana sy vaky trano any amin’iny faritra iny, ka nanaovana fisavana avokoa ireo andian-dehilahy nampiahiahy teny amin’ny manodidina. Araka ny loharanom-baovao voarain’ny zandary tany an-toerana dia heno fa misy andian-jatovo, mitaingina kamio mihaodihaody tamin’io alina io. Nidina avy hatrany tao amin’io tanàna io ny zandary, ary tratra avokoa izy rehetra. Rehefa natao ny famotorana dia hita fa nampiahiahy ny fihetsik’ireto farany ka nosamborina avy hatrany, nantsoina ireo olona tompon’ny fivarotana niharan’ny fanafihana ahafahana namantatra azy ireo. Sarona nandritry ny fisavana avokoa ireo fitaovam-piadiana nentin’ireo mpamaky trano, toa ny antsy lava iray, niampy tornevisy lehibe. Valérie R. L’article Toamasina : Mandeha kamio ny mpamaky trano est apparu en premier sur .L’article Toamasina : Mandeha kamio ny mpamaky trano a été récupéré chez Triatra.