Morondava : Trois dahalo tués et quatre blessés par le tir des gendarmes

News - Morondava : Trois dahalo tués et quatre blessés par le tir des gendarmes

News - Morondava : Trois dahalo tués et quatre blessés par le tir des gendarmes

Trois dahalo ont été abattus, et quatre autre blessés lors d’un accrochage avec les forces de l’ordre à Morondava. Un vol de 42 bovidés a été survenu mardi vers 5 heures  de matin à Maroadabo, commune rurale d’Analaiva, district de Morondava. Cet acte a été commis par une vingtaine des malfaiteurs non identifiés, armés des fusils de chasse et des armes blanches. Après l’attaque suivie de vol par les bandits de grands chemins, ils se sont enfuis avec les bœufs volés et se dirigent vers le sud de la circonscription de la commune. Alertés à temps, huit éléments d’intervention du groupement de Menabe avec cinq militaires en détachement d’Analaiva et des membres de kalony se sont dépêchés au kizo Belafika, dans le fokontany Begodo commune rurale de Befasy pour engager l’interception de ces dahalo. Ce mardi après-midi, vers 14 heures, un accrochage de ses éléments de la force de l’ordre avec les malfaiteurs a eu lieu. Trois dahalo ont été neutralisés et quatre blessés par balles. Les forces de l’ordre et le kalony sont tous sains et saufs. Un fusil de chasse de calibre 16 a été retrouvé et les 41 bœufs volés ont été récupérés dont un mutilé. Selon la gendarmerie la recherche du renseignement concernant les malfaiteurs continus en ce moment et une enquête a été ouverte.

Yv Sam

L’article Morondava : Trois dahalo tués et quatre blessés par le tir des gendarmes est apparu en premier sur Midi Madagasikara.

Morondava : Trois dahalo tués et quatre blessés par le tir des gendarmes

L’article Morondava : Trois dahalo tués et quatre blessés par le tir des gendarmes a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Nivoaka tamin'ny : 10/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Arivonimamo: mpangarom-paosy saika nodoran’ny olona

Hatolotra ny fitsarana ao Arivonimamo, anio ireo jiolahy miisa dimy saika matin’ny fitsaram-bahoaka tao Arivonimamo, omaly. Araka ny fampitam-baovao voaray, nahazo antso avy amin’ny vahoaka ny polisy fa misy olona tratra nangarom-paosy ao an-tsenan’Arivonimamo. Efa saika nodoroan’ny vahoaka ilay jiolahy, soa ihany fa nalaky ny fahatongavan’ny polisy naka azy. Nandritra ny famotorana nataon’ny polisy no nanononany ireo jiolahy atidoha miray tsikombakomba aminy. Nosamborin’ny polisy ireo mpiray tsikombakomba aminy ka samy niaiky ny heloka vitany. Fantatra fa isan’ireo jiolahy nampitondra faisana ny mponina ao Arivonimamo ireo jiolahy tratra ireo.Jean ClaudeL’article Arivonimamo: mpangarom-paosy saika nodoran’ny olona a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fampiroboroboana ny kolontsaina siantifika: 57 000 ny mpianatra misitraka ny fandaharanasa Educmad

 Ho fampiroboroana ny fitiavan’ny mpianatra ny taranja siantifika no nametrahan’ny Accesmad ny fandaharanasa Educmad eto amintsika. Mampiasa ny teknolojia vaovao miaraka amin’ny fitaovana mifanaraka amin’izany ny fampianarana ireo taranja fototra siantifika: matematika, fizika sy simia ary ny science de la vie et de la terre. Sekoly 102 amin’ny faritra 14 eto Madagasikara ny mampihatra ny Educmad hatramin’izao. Mpianatra 57 000 ny misitraka ny fampianarana ny taranja siantifika miaraka amin’ny mpampianatra 2 689 voaofana, araka ny fanazavan’ny talen’ny Accesmad, Ralaiharivonison Olivier, teny Analakely, omaly. Nitombo 2 000 ny mpianatra vaovao afaka nikirakira ny Educmad noho ny fametrahana fotodrafitrasa sy fitaovana vaovao na eo aza ny valanarerina Coronavirus. Mampiavaka ity fomba fampianarana ity, ankoatra ny fikirakirana ny ordinatera, ny fivelaran’ny fikarohana siantifika andraisan’ny mpianatra anjara, eo koa ny torolalana hisokafana amin’ny tontolon’ny asa.Fampiasana ny herin’ny masoandro Vinanasa lehibe ho an’ny taom-piasana manaraka ny hampivelatra ny fampiasana ny herin’ny masoandro amin’ny asa rehetra atao ka vita eto an-toerana ny fitaovana afaka manome izany. “Hanana tombony betsaka ny sekoly tsy mbola manana herinaratra nefa maniry ny hampihara ny fandaharanasa”, hoy ny fanamarihany ihany. Ilaina koa ny fahaizan’ny mpikojakoja ny fitaovana ao aminy ka tsy ilana teknisianina, indrindra ho an’ireo sekoly any ambanivohitra lavitra. Hijery ny fomba ahafahana manatanteraka izany ny tomponandraikitry ny fikambanana Accesmad hampihenana ny vola mivoaka. Nivory nanao tomban’ezaka sy namaritra ny vina ho an’ny taom-pianarana vaovao ny talen’ireo sekoly miankina sy ny tsy miankina amin’ny fanjakana mampihatra ny Educmad eto amintsika, teny Analakely.Vonjy A.L’article Fampiroboroboana ny kolontsaina siantifika: 57 000 ny mpianatra misitraka ny fandaharanasa Educmad a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fifidianana loholona: efa maka bahana ny TGV

Miasa mangina ary efa maka bahana amin’ny fiaingana. Nambaran’ny mpitantana iray eo anivon’ny TGV/Mapar, omaly, fa efa miomana amin’ny hiatrehana ny fifidianana loholona izy ireo amin’izao fotoana izao. Efa napetraka ny mason-tsivana amin’ny ho kandidà harotsaka amin’izany, araka ny nambarany. “Tsy maintsy mba mpikambana eo anivon’ny TGV/Mapar sy tia tanindrazana ary olon’Andriamanitra. Tia manampy ny hafa ary vonona hiaro ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka malagasy…”, hoy izy. Nohitsiny fa hanana kandidà amin’ireo faritany enina izy ireo amin’izao fifidianana loholona izao. “Ho hita eo ihany ary hampahafantarina ny kandidà atolotray amin’ny fotoana mahamety azy…”, hoy ihany izy.Tsiahivina fa hanomboka, afaka 14 andro, ny 28 septambra ka hatramin’ny 12 oktobra izao, ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina eny anivon’ny Ovec.Synèse R. L’article Fifidianana loholona: efa maka bahana ny TGV a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

PAPA FRANSOA TETO MADAGASIKARA: Mifanohitra amin’ny fihavanana ny fanavakavahana

Mafonja sy mampieritreritra ny hafatra nentin’ny Ray Masina Fransoa nandritra ny fihaonany tamin’ireo mpitondra fanjakana sy ny fiarahamonim-pirenena ary ny diplomaty nandritra ny “ceremony   building” teny Iavoloha, ny sabotsy 7 septambra 2019. Nampatsiahy izy fa fitaovana fototra hampiroboroboana ny maha olom-pirenena sy ny tetikasa ho an’ny maha olona ny politika. Mazava ho azy hoy ity filoham-panjakana ao “Vatican” ity fa ny asa sy ny andraikitra ara-politika dia lokan’ady maharitra ho an’ireo manana iraka, hiasa sy hiaro ny mpiray tanindrazana aminy, singanina manokana ireo marefo, hanamora  ny fepetra  entina mankany amin’ny fampandrosoana mendrika sy mahitsy izay mampandray anjara ireo mpisehatra rehetra eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena. Nambarany ihany koa fa ilaina ny fanekena fa miantoka ny fampandrosoana ny fanampiana  avy any ivelany ary mampisokatra an’i Madagasikara amin’ny firenena manodidina azy. Mety hitarika any amin’ny fironana any amin’ny “kolontsaina iraisana” izay hanimba ny harem-bakoka ny firenena tsirairay anefa izany fisokafana izany, hoy izy. Ankoatra izany, “raha manaja ny fomba fiainan’ny razambe, sy mihevitra ny zavatra ilain’ny olom-pirenena isika dia tsy ny fanampian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ihany no hampandroso ny firenena; ny vahoaka ihany no handray an-tanana ny momba azy, lasa izy ihany no mamolavola ny vintany. Mamporisika antsika hiady mafy amin’ny endrika kolikoly rehetra, mampitombo ny fahasamihafana ara-piarahamonina, mampitombo fahantrana  lalina i Papa Fransoa. “Tsy afaka miresaka fampandrosoana tena izy isika raha tsy mikaroka ny fomba hiarovana ny zava-boahary fa eo ihany koa ny fitadiavana vahaolana mahomby izay mihevitra ny fifampiankianan’ny zava-boahary sy ny rafi-piarahamonina satria tsy misy afa-tsy  roa ny krizy: tontolo iainana sy ny sosialy”. Resy lahatra ny lehiben’ny eglizy katolika fa manan-karena  zava-maniry sy biby i Madagasikara. Tandidomin-doza vokatry ny fandripahana ala ho an’ny tombontsoa an’olombitsy, fanondranana antsokosoko anefa izany. Noho izany, zava-dehibe ny famoronan’asa sy sahan’asa mampidi-bola ho an’ireo mivelona amin’ny zava-boahary mba hiarovana ireo sisa tavela, araka ny soso-kevitrany. Nohamafisiny fa zava-dehibe ny fihainoana ny fiarahamonim-pirenena, ny fanohanana ny asan’izy ireo mba hisian’ny rindran-damina eto amin’ny firenena. Vonona hatrany  hifanankalo hevitra amin’ireo Kristianina avy amin’ireo antokom-pivavahana isan-karazany sy ny mpiantsehatra rehetra eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena ny eglizy katolika. Amin’ny alalan’ny firahalahiana tena izy, izay manome lanja ny fihavanana no hanatanterahana izany mba hanamorana ny fampandrosoana ny maha olona mba tsy hisy olona na dia iray aza voahilikilika. Lynda A. Cet article PAPA FRANSOA TETO MADAGASIKARA: Mifanohitra amin’ny fihavanana ny fanavakavahana est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

Kitra any ivelany: Barea roa lahy hifaninana amin’ny D1

Miampy hatrany ireo mpilalaon’ny Barea de Madagascar, miatrika ny fifaninanana D1 any amin’ny firenena ilalaovany avy. Anisan’ireny Raveloson Rayan, milalao ao amin’ny Estac Troyes, Frantsa. Ny fandresena tamin’ny isa mazava 2 no ho 0 nanoloana ny Dunkerque, ny asabotsy lasa teo, no nandrombahany ny tompondakan’ny “Ligue 2” ka nahazoany ny tapakila hiakarana amin’ny “Ligue 1”. Enin-taona aty aoriana vao tafaverina amin’izany indray ny Estac Troyes.Ankoatra an’i Rayan, tafakatra ao amin’ny D1 ihany koa i Loic Lapoussin, milalao ao amin’ny Royale Union St-Gilloise, nandrombaka ny tompondakan’i Belzika, D1B. Tsiahivina fa efa mifaninana ao anatin’ny “Ligue 1” Frantsa i Jeremy Morel sy i Thomas Fontaine, milalao ao amin’ny FC Lorient.Ankoatra izay, nandrombaka ny tompondakan’i Bolgaria fanimpitony indray Andrianantenaina Abel Anicet, kapitenin’ny Barea de Madagascar, raha fanimpolony ho an’ny Razgrad Ludogorets, ekipa ilalaovany.Marihina fa anisan’ireo ekipa hiady ny toerana hiatrehana ny “Ligue des champions” ho an’ny taom-pilalaovana 2021-2022 indray izany i Abel Anicet. TompondakaL’article Kitra any ivelany: Barea roa lahy hifaninana amin’ny D1 a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fahasalamana: hatsangana ny vovonana iraisan’ny sehatra tsy miankina

Nisongadina omaly tetsy Anosy tao anatin’ny hetsika iarahan’ireo sehatra tsy miankina amin’ny fitsaboana fa hisy ny fananganana vovonana iraisana ho azy  ireo. Tanjona ny hampitovitoviana ny tolotra ara-pitsaboana eo amin’ireo sehatra tsy miankina sy ny an’ny fanjakana omena ireo marary.Manatona ny tobim-pahasalamana miahy tena ny 30%-n’ny Malagasy, indrindra ny an-tanàn-dehibe. Antony ny fahatsaran’ny tolotra omen’ireny sehatra tsy miankina ireny mihoatra ny omen’ny mpiasan’ny fahasalamana miankina amin’ny fanjakana.Aleon’ny marary mandoa vola dia tsara karakara sy  tsara fandraisana toy izay hiaritra ny filaharambe sy ny avonavona ary ny kitakitan’ny mpiasan’ny fahasalamana eny amin’ny tobim-pahasalamana ho an’ny daholobe.Nilaza anefa ny fanjakana fa tsy tokony hiankina amin’ny vola aloa ny kalitaon’ny fitsaboana eto amintsika. Hametraka indrindra ny fomba fiasa, hampitovitoviana ny tolotra eo amin’ireo sehatra tsy miankina sy ny an’ny fanjakana hitsinjovana ny marary ny minisiteran’ny fahasalamana. Hipetraka izany hatramin’ny faran’ny taona. Samy hahazo tombony, araka izany na ireo mpiantsehatra  eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana avy amin’ny tsy miankina na ireo avy amin’ny fanjakana fa tsy hifamono. Hojerena ny fiahiana manokana ireo tena  tsy manana, ny antonony ary indrindra ireo manao fiantohana ara-pahasalamana.Tatiana AL’article Fahasalamana: hatsangana ny vovonana iraisan’ny sehatra tsy miankina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Coliseum Antsonjombe: nampiray fo ireo “Kintan’i Gasikara”

Jaojoby, Bakomanga, Haga, Tsiliva, Samoëla, Simonda, Simon Randria, Pros’Hely, Rossy, sns. Anisan’ireo “Kintan’i Gasikara nanafana ny fampisehoana goavana, izay notontosaina omaly, tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe ireo. Fampisehoana izay nampiray fo ny rehetra, na ny teny an-tsehatra na ireo izay nanatrika sy nijery, satria tafiditra anatin’ny hetsika fanomanana ny fitsidihan’ny papa François eto Madagasikara izany. Tonga manokana namonjy ny fotoana ny Mgr Razanakolona Odon, evekan’Antananarivo sy ny Mgr Paolo Rocco Gualtieri, Nonce Apostolique monina sy miasa eto Madagasikara. Nitondra ny hafatry ny papa ho an’ny vahoaka malagasy ito farany, mialoha ny hahatongavany eto. Ankoatra ny “Dia ilay fitia” nataon’i Haga sy i Rossy, anisan’ny nampiray fo sy fanahy koa ny hira faneva, izay niarahan’ireo mpanakanto maro. Namerina ny hira katolika mihetsika vitsivitsy ihany koa ny tarika Rossy, izay fotoana anisan’ny nafana indrindra tamin’iny fotoana iny. Mbola hisy ny hetsika hafa, tafiditra hatrany anatin’ny fanomanana ny fotoan-dehibe hahatongavan’ny Ray Masina eto Madagasikara.Zo ny AinaL’article Coliseum Antsonjombe: nampiray fo ireo “Kintan’i Gasikara” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

CFM: « Lavitra ezaka ny  fampihavanana… »

“Tokony hatao  ao anatin’ny fo sy saina ny fampihavanana. Mbola lavitra  ezaka anefa izany na  efa  manomboka aza isika”, hoy ny filoha lefitry ny  CFM,  Ramamimampionona Gerard,  omaly  tetsy  Ampefiloha. Notsiahiviny  fa  efa nisy ny aingavao tamin’ny alalan’ny Barea.  Teo  koa ny fiombonana   teny anivon’ny  Antenimierampirenena  ka lany 100% ny filohan’io  Andriampanjakana  io. “Iriana  ho amin’ny  sehatra  maro izany. Ohatra  ny eo amin’ny lafiny  politika,  ny toekarena.  Ny lafiny sosialy, miverina  indray  ny  herisetra…”, hoy  ihany izy. Niaiky koa ny tenany  fa mahazo laka indray ny fahazarana ny amin’ny fitakiana ny tokony hisian’ny minisitra avy atsy amin’ny  faritra izao  na izao. Ilana fandinihana lalina sy  lavitra ezaka izany satria  lasa fahazarana. Nampitoviana amin’ny mpanazatra ny Barea izany ka nilazany fa efa misy  ny  tompon’andraikitra mifantina sy mifidy, arakaraka ny  fahaizany sy ny fahalalany. “Tokony hojerena  ny fomba fanaovana  politika ary tokony  hatoky ny  mpanazatra isika amin’ny fifantenana ny  ho ao anatin’ny governemanta”, hoy ny  CFM. Tsiahivina fa hanao tatitry ny asany izy  ireo, ny zoma izao  etsy amin’”ny foiben-toerany, Ampefiloha.Synèse  R. L’article CFM: « Lavitra ezaka ny  fampihavanana… » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fandaminana entin’ny CUA: misy nafindra na nofoanana ireo toeram-piantsonan’ny « taxi-be »

Nisy ny famindrana toeram-piantsonan’ny taxi sa­san­tsaany ho fandrindrana ny fifamoivoizana eto an-dReni­vo­hitra, notapahin’ny kaominina Antananarivo Re­nivo­hitra. Ho an’ny taxi-be zotra H, avy any amin’ny St Antoine Ambodivona hianavaratra, foana ny fiantsonana eo Ambo­ditsiry sy Analama­hitsy Tanàna manoloana ny tsena. Foana ho an’ny zotra H avy any Sabotsy ny fiantsonana manoloana ny tranombarotra Supermaki Analama­hitsy Tanàna sy eo Ambodi­tsiry. Foana ihany koa ny fiantsonana manoloana ny tsena Analamahitsy Tanàna ary mi­findra eo anoloan’ny Ifas Ana­la­mahitsy izany. Marihi­na fa natokana ho an’ny zotra an-dRenivohitra irery ihany eo. Tsy misy kosa ny fiovana ny fiantsonana ho an’ireo fiara avy any Nanisa­na fa mi­janona ho eo anoloan’ny Per­cepteur ihany. Ny kaoperativa Cotral 017 sy 129, ny Fimpa 164, ny Fim­pama 182, ny Ko­fianta 180, Alpha196 ihany no mampiasa ny fiantsonana eo Ambanidia ampitan’ny Poste. Ny kaoperativa Minex 127, ny Miray 128, ny Mio­ri­na 154, ny CTE 153, ny Ko­fimi 184, ny Fifia­ma135, eo amin’ny tsena no mian­tsona farany ary PMU Anko­raho­tra avy hatrany rehefa avy eo. Toy izany koa ny kaoperativa Volavita 015, ny Tre­ma116, ny Ezaka 117, ny Ko­matra 122, ny Toky 139, ny Somaphar 187, ny Onja 192, ny Mirindra 194 izay miantsona eo Amba­to­roka ICM ary PMU Ankora­hotra avy hatrany avy eo. Marihina fa natao hampidinana sy handraisana mpandeha fotsiny ihany ireo toerana ireo fa tsy natao hiandrasana olona.Tatiana AL’article Fandaminana entin’ny CUA: misy nafindra na nofoanana ireo toeram-piantsonan’ny « taxi-be » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Famoronana asa : fanjairana akanjon-dehilahy

Sehatrasa tena vitsy mpila ny fanjairana akanjon-dehilahy. Tanàn-dehibe Ambatondrazaka, nefa sarotra ny mahita olona manjaitra pataloha. Any amin’ny 12 km, vohitra tsy ao anatin’ny kaominina renivohitra akory vao mahita lehilahy manaiky manao izany asa izany !  “Ny fitobahan’ny lamba tonta na friperies no mahatonga izao”, hoy ny mpanajary akanjo efa nampiasaina ( retaillage). Mora lavitra no ho ny mividy ravin-damba sy manarama mpanjaitra tokoa ny vidin’ny  akanjo tonta. Ary feno misavovona, ity karazam-pitafiana tokoa ny efitrano fiasan’ity rangahy mpanao retaillage. Fa velon-taraina koa ireo mivarotra akanjo vaovao “zaitra an-tsena”. Manahirana ny tantsaha tambanivohitra   izany hiakanjo fitafiana efa nipetaka tamina hoditr’olona hafa izany. Ka dia izy ireny no tena mpanjifa mavitrika ny “zaitra an-tsena”. Saingy ankehitriny…efa mirona any amin’ny fripy koa izy ireny : maro isafidianana  sy be haingony ireo avy any Sina ka mahasarika.Vokany : saika tsy misy mihodina intsony ireo orinasa mpanenona lamba, namelona tokantrano maro.. Ireo foibe manofana ho mpanjaitra koa moa,  toa ny akanjom-behivavy  fentina mianjaika ny betsaka .Fanamby lehiben’ny mpitondra, hisian’ny fandrosoana, ny famoronana asa. Angamba rehefa  mihatsara ny fahefa-mividin’ny Malagasy, hiverina  hividy ravin-damba sy hampanjaitra indray izy… Dia ho afaka hitrena, toy ny Barea,  indray ny  Sotema, ny Cotona… RarivoL’article Famoronana asa : fanjairana akanjon-dehilahy a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

A vendre Mégane Scénic
15/06/2021

A vendre RENAULT MEGANE SCENICVitre Electrique, Verrouillage Centralisé, direction assistée, AIRBAGS, Très Bonne Etat, SANS DEVOIR, Année de mise en circulation 2001, bôite de vitesse manuel, diesel, faible consommation, puissant, 5 places, 5 portes, radio d'origine, intérieur très bonne état. Prix: 11 200 000 ar à debattreContact: 033 37 574 65Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Mégane Scénic".

Emploi et services Asa en ligne
14/06/2021

Asa en ligne mety ho an'ny rehetra,  afaka atao na tsisy investissemenr aza satria omwna bonus 10$ ianao hampiakatra nybalsnce_nao, nefa raha te hahazo vokatrhttps://fastscash.online/?ref=25212 raha te hahazo vokatra haingana dia afaka manao investissemebt 0,5$minimum. Manaova inscription eto https://fastscash.online/?ref=25212  fa omena fanazavana ianao. Ny sakana ho anao dia ny tsy fanombohana azy. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Asa en ligne".

A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo
16/06/2021

Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury 4x4 turbo année 2005 diesel  boite automatique, 7 places 163000 kms, première main. Véhicule  très résistant, couleur verte,  phares xenon antibrouillards, radio CD, climatisation, fermeture centralisée, verrouillage à distance. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo".

Emploi et services Gagner de l'argent en ligne
19/06/2021

Nous vous proposons une opportunité intéressante pour gagner de l'argent en ligne. Votre rôle consiste à remplir des micro-tâches comme répondre à des sondages, essayer certaines applications, répondre à des quiz etc. Cliquez sur ce lien :https://paidera.com/?r=2057784Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Gagner de l'argent en ligne".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
15/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction
16/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement un Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction.Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 150 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC.MISSIONS:Le Business Unit Manager développe et assure le bon fonctionnement de ses activités :PROFILS :AVANTAGES :Veuillez adresser votre candidature à l’adresse recrutement@eufonie.fr à l'aide de votre CV et d’une lettre de motivation. Pour entrevoir nos offres d'emploi, merci de visiter www.eufonie.fr/jobs.Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
16/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services Développeur Phyton
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le domaine de l'externalisation,Développeur PhytonEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVPHYTON-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Phyton".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
18/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services Travail sur internet
18/06/2021

 Completer des sondages et gagner de l'argent.Des sondages seront à votre disposition journalièrement.ceci ne prend que quelque minute.Ceci est pour vousWallet payeerhttps://tapinbox.com/?rf=160801   Regarder des publicites et gagner de l'argenthttps://clicknox.com/?ref=373978Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail sur internet".

A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090
20/06/2021

Antminer Bitmain S19J Pro, SHA-256 with Hashrate, 100.00TH/sAntminer Bitmain S19J, SHA-256 with Hashrate, 90.00TH/sAntminer Bitmain S19 Pro, SHA-256 with Hashrate, 110.00TH/sAntminer Bitmain S19, SHA-256, with Hashrate, 95,00TH/sAntminer Bitmain T17+ SHA-256, with Hashrate, 58.00TH/sAntminer Bitmain T17, SHA-256, with Hashrate, 40TH/sGeForce RTX 3080 / 3070/3090 GTX 2080 Ti, 1080 Ti, 1070 Ti, 2080, 1080, 1070, 1060 Ti, 1060, 2080 Ti, RTX 2070 , RX 5700 XT. NVIDIA GeForce RTX 3060 Ti NVIDIA GeForce RTX 3080  NVIDIA GeForce RTX 3090All Sealed In Original Box With Warranty Full Accessories With Discount.REQUIRED FOR YOUR ORDER AS QUICK AS POSSIBLE .... Urgent Response Whatsapp : +17076412645 E-mail : ms7088344@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090".

Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)
18/06/2021

Nous recrutons pour un structure d’externalisation, unASSISTANT COMMERCIAL SENIORMissions :- Assurer les premières démarches commerciales (mail / téléphone) via base des données existante- Assurer l’Onboarding des professionnels sur la plateforme- Assistance clientèle sur les démarches d’inscription sur la plateforme- Assurer le suivi des procédures d’achat et de livraisons- Assurer le SAV : Gestion du service client (Mail / téléphone / chat)Profil:- Titulaire d’un bac +3 minimum en commerce, marketing, communication- Expériences probantes dans le domaine de la relation client- Bonne maîtrise du Français (lu, écrit, parlé)- Bonne maîtrise du pack office- Autonome, rigoureux (se) et professionnel (le) Envoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence ASSISTANTCOMS-0621(+261) 034 10 826 36 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)".

Notsongaina

Fête de la musique: hanatanteraka hetsika ny ANKIZ’Art
19/06/2021

Fararanon-danonana sy he­tsika ny volana jona… Hana­tan­teraka ny « Fête de la mu­sique » ny Ankiz’Art, rahampitso, alahady 20 jona, manomboka amin’ny 12 ora antoandro. Izany dia hotanterahina ao amin’ ny Ivontoerana fifampizarana Art-kolontsaina ambany tanàna ANKIZ’Art Anosibe andrefana II. Mpanakanto maro ny handrafitra izany hetsika izany, izay ahitana tarika maro toa an-dry Spesialista, Ravelo Jean Baptiste & Jeannot Kopikole Noely, Petit Percu (Tarika Ba­komanga), Reggean’Jah, Fidar, Profesia, MOM Clan BeAnosy, Aloka mainty, Safimar, Pinam, Tsotsotr’art, , Look’Iray, Jess-Mih, Soldat Clan. Ao koa ny Ankiz’Art Dihy sy ny mpanakanto toa an-dry Kehman ary ireo maro tsy ampoizina ho avy hanafana ny fotoana. “Fikam­banana niorina ny taona 2012 ny ANKIZ’Art, ary manana ny sata ara-dalana, izay mampivondrona tanora mpanakanto maro isan-karazany fa ny tanjona amin’ity hetsika ity aloha dia ny fankalazana ny “F?te de la musique”. Ireo mpanakanto rehetra ireo indray dia mpikambana ato avokoa, ankoatra ireo vahiny nasaina ”, hoy i Fidy, filoha mpitantana ny ANKIZ’ Art. Marihina fa hetsika tsy misy vidiram-pidirana izy ity fa natao hanomezana fahafinare­tana ho an’ny rehetra. Ao anatin’ ny fampisehoana dia mihatra ny fepetra ara-pahasalamana rehetra hisorohana ny fihanahan’ny valanaretina coronavirus. Ma­nana ny tambajotran-tserasera facebook, pejy “ANKIZ’Art- Pejy ofisialy izy ireo.NarilalaL’article Fête de la musique: hanatanteraka hetsika ny ANKIZ’Art a été récupéré chez Newsmada.

Mahazoarivo : Le PAM chez le Premier ministre
19/06/2021

Le Premier ministre Christian Ntsay a reçu, hier matin, la délégation du Programme Alimentaire Mondial (PAM) conduite par David Beasley, et qui a vu la présence du ministre de l’Eau, de l’Assainissement et de l’Hygiène. Le chef de délégation a fait savoir sa satisfaction concernant le partenariat avec les membres du gouvernement, notamment sur la lutte contre la Covid-19, les impacts des changements climatiques, mais surtout la descente dans le Sud du pays pour constater de visu la réalité. Il a également souligné que la priorité sera donnée, entre autres, à l’eau potable, à l’agriculture et à l’éducation. Recueillis par Dominique R L’article Mahazoarivo : Le PAM chez le Premier ministre est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Mahazoarivo : Le PAM chez le Premier ministre a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fahafatesan’i Nasandratra Valimbavaka – Ivato: “Olona efa tsy nahatsiaro tena no hita teo”, hoy ny Etamazaoron’ny Tafika
15/06/2021

Nanao fanambarana, nitondra fanamarihana ary mandiso izay lazain’izy ireo fa “vaovao tsy marina” niely tao anaty tambajotran-tserasera, mikasika ny fahafatesan’ilay tovolahikely antsoina hoe Nasandratra Valimbavaka, teny Ivato, ny eo anivon’ny Etamazaoron’ny Tafika.Manoloana ny vaovao miparitaka ao anatin’ny tambajotran-tserasera mahakasika ny raharaha Nasandratra Valimbaka, nitondra fanamarihana ny Etamajaoron’ny Tafika malagasy. Nilaza izy ireo fa tsy ny miaramila no namono an’io olona io. « Nanavotra izahay fa tsy namono », hoy ny fanazavana voaray. Nambarany fa tamin’ny alahadin’ny 06 jona tokony ho tamin’ny 05 ora sy sasany hariva, tratran’ny vahoaka izay nilalao baolina tao amin’ny kianjan’ny Bani ny mpangalatra bisikleta roa lahy, izay efa voadaroka. Nandray ny andraikiny ny miaramila, hoy ihany ny voalaza tao anatin’ilay fanambarana ka nanapa-kevitra ny hitondra azy roa lahy tany amin’ny « poste avancé » ny zandary. Tafatsoaka anefa ireo ankizilahy ireo noho izy tsy nisy nitazona, tsy nanenjika ihany koa ny miaramila. Tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany hariva anefa, nisy nampandre ireo miaramila fa misy olona lavo eo akaikin’ny EPP BASE, tsy misy kara-panondro ihany koa. Nijery izany ny miaramila ka olona tsy nahatsiaro teno no hita teo. Voamarina tamin’izany fa iray tamin’ireo ankizilahy niharan’ny fitsaram-bahoaka izany ka nentina teny amin’ny sampana vonjitaitra ny HJRA avy hatrany. « Ny dokotera nandray anay tao moa niteny fa tsy misy hevitra intsony ity olona ity. », hoy ny fanazavana. Ny ampitson’io, nampandrenesina ny tranga ny zandary saika nanaterina azy roa lahy. Nasaina nanatona ny HJRA ihany koa izay mitady olona tratran’ny fokonolona nangalatra. Tsy izany anefa no nanontanian’ireo fianakaviana nony tonga tany amin’ny zandary, fa hoe : “hitady olona very izahay”. Nilaza ihany koa ireo fianakaviana fa voarirarira.Fanampiana no nataon’ny miaramila…Disoin’ny miaramila tanteraka izany filazana izany. Nanazava ny Etamazaoron’ny Tafika fa niverina tany amin’ireo miaramila ireo fianakaviana ary natoro azy ireo ny dokotera nandray an’ilay ankizilahy 15 taona. Voamarina tamin’izay fa  Rambolamendrika Nasandratra Valimbavaka tokoa ilay maty. Nivoaka ra ny sofiny, natao ihany koa ny « autopsie » an’io tovolahy mpianatra ao amin’ny sekoly Fanovozantsoa FJKM Ivato Seranana, taona faha-9.Nanamafy ireo miaramila fa fanampiana ny mpiara-belona dia antom-pisian’ny miaramila. Nilaza izy ireo fa tafiditra ao anatin’ny asa hifarimbonana amin’ny vahoaka ny toe-javatra toy izao.Tsiahivina fa vao iray volana izay, nisy tovolahikely tratran’ireo miaramilan’ny Bani ambodiomy namaky trano teny an-toerana. Naterina teny amin’ny zandary izy tamin’izany ary nilaza fa misy olona maniraka sy manome vola azy ireo. Tsy fantatra, araka izany, raha namany ihany ireo ankizilahy niharan’ny fitsaram-bahoaka ireo. Handrasana ny tohin’ny fanadihadiana. Henintsoa HaniL’article Fahafatesan’i Nasandratra Valimbavaka – Ivato: “Olona efa tsy nahatsiaro tena no hita teo”, hoy ny Etamazaoron’ny Tafika a été récupéré chez Newsmada.

Fondation Axian – Kozama: nahazo akany fibeazana ny EPP dimy 
17/06/2021

EPP dimy ato amin’ny Dren Analamanga ao amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano ary Avaradrano ny nahazo akany vaovao fibeazana ary notokanana niaraka, omaly teny amin’ny EPP Antanimena II, ny fotodrafitrasa.« Mahazo vokatra tsara kokoa rehefa miditra amin’ny ambaratonga voalohany ny zaza nandalo amin’ny akany fibeazana ka nahatonga ny minisiteran’ny Fanabeazana hanangana akany fibeazana isaky ny EPP izany, manomboka izao », hoy ny tomponandraikitry ny fikambanana Kozama, mpiray ombon’antoka amin’ny nahavitana ny asa. EPP 10 ny efa nisitraka ny fahazoana akany fibeazana ato anatin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Mbola misitraka fiofanana koa ny talen-tsekoly sy ny mpanabe hiasa amin’ireny akany ireny miaraka amin’ny fampitaovana ka feno ny fanabeazana ho an’ny kilonga 2-5 taona.Nampidirana ankizy an-dakilasy miisa 20 000Tafiditra anatin’ny fandaharanasa sekoly Telma ny fananganana efitrano sekoly vaovao toy izao sy ny fanavaozana ireo efitrano efa misy. “101 ny sekoly voaorina tao anatin’ny dimy taona ary afaka niditra an-dakilasy ny ankizy 20 000”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Fondation Axian, i Salabert Isabelle, vina nahitana ny akany fibeazana dimy vaovao. 300 ny ankizy madinika azo raisina hamoha ny vavahadin-tsaina amin’ny akany dimy. “Ho an’ny EPP Antanimena II, 140 ny mpianatra ao amin’ny akany fibeazana ary maimaimpoana ny fampianarana satria ny zanaky ny fianakaviana sahirana no maro anisa”, hoy ny talen’ny EPP, Rasoanatoanina Elisa.Vonjy A.L’article Fondation Axian – Kozama: nahazo akany fibeazana ny EPP dimy  a été récupéré chez Newsmada.

Nitohy ny grevin’ny mpianatry ny oniversite Maninday: mpanao fihetsiketsehana iray maty voatifitra, 17 voasambotra
17/06/2021

Nitohy, omaly, ary vao mainka nihanahery vaika ny hetsika fitakiana nataon’ny mpianatry ny Oniversiten’i Maninday, Toliara. Vokatry ny fifanjevoana, mpanao fihetsiketsehana iray namoy ny ainy, hoe maty voatifitra. Enina naratra, anisan’izany ny zandary roalahy…17 kosa nosamborin’ny mpitandro filaminana…Nihorohoro tanteraka, omaly, ny mponina ao Toliara nandritra ny tohin’ny hetsika nataon’ireo mpianatry ny oniversiten’i Maninday. Nitohy ny fihetsiketsehana nataon’ny mpianatra ary nihanahery vaika izany raha mitaha amin’ny afakomaly. Nanomboka maraina no efa nanao sakana toy ny fanaon’izy ireo ireto mpianatra mpanao fihetsiketsehana ireto. Efa nihatrana maraina koa anefa ny eo anivon’ny mpitandro filaminana hanakanana ny fanelingelenana ataon’izy ireo. Nosakanana tsy hahazo miditra ao an-drenivohitr’i Toliara ireo mpianatra. Teo koa ireo andiany hafa nanao sakana tamin’ny alalan’ny sakana sy ny doro kodiarana. Nisy ny fifandonana ary somary nahery vaika aza izany, araka ny fanazavana voaray avy amin’ny solontenan’ireo mpianatra. Nanomboka tamin’ny 9 ora maraina ny fifandonan’ny mpianatra sy ny mpitandro filaminana ka tsy nifarana izany raha tsy tamin’ny 3 ora tolakandro (omaly io). Ny mpianatra mitoraka, ny mpitandro filaminana kosa, nanapoaka grenady lakrimozena sady nanao tifi-danitra.Niala ny trano fonenany ireo mpampianatra…Vokany, mpanao fihetsiketsehana iray fantatra fa namoy ny ainy, hoe maty voatifitra nandritra ny savorovoro izy io. Tsy voamarina kosa anefa na anisan’ireo mpianatra nanao fihetsiketsehana izy io na olon-tsotra ihany, araka ny voalazan’ny tompon’andraikitry ny oniversiten’i Maninday. Efa nalefa ao amin’ny Hopitalibe Toliara ny razana, omaly maraina ihany. Ankilany, olona enina naratra mafy ka anisan’izany ny zandary roa lahy tratran’ny tora-bato. Niampy 17 hafa indray ireo mpianatra voasambotra ankoatra ireo 18 efa tazonina anaovana fanadihadiana eny amin’ny zandary. Vao mainka nampiakatra ny hatezeran’ireo mpianatra izany ka niitatra tonga teny amin’ny faritra misy ny tranona mpampianatra ao Ankilahila Maninday ny fihetsiketsehana. Kilan’ny afo ka potika tsy nisy noraisina intsony tamin’izany ny tranona mpampianatra iray. Vokatr’izany, niala avy hatrany teny amin’ny faritra misy ny trano fonenan’ireo mpampianatry ny oniversite ny ankamaroan’ireo mpampianatra noho ny tahotra. Miato ny fampianarana eny amin’ny oniversiten’i Maninday…Manoloana ity zava-misy niafara tamin’ny fahafatesan’olona ity, nanao fanambarana ny filohan’ny oniversiten’i Toliara taorian’ny dinika niarahana amin’ny “conseil scientifique” omaly ka nampiato ny fampianarana manomboka anio mandra-pilamin’ny toe-draharaha eny Maninday. Nanamafy ireo mpianatra fa mbola hitohy ny hetsika ary vao mainka aza ho mafy no ho izao na inona na inona fepetra horaisin’ny fanjakana eo satria efa leo tanteraka mihitsy. Nanidy toeram-pivarotana avokoa ireo tranombarotra ao Toliara, nandritra ny hetsika nataon’ny mpianatra. Andrasana indray ny tohin’ny hetsika anio. Olana saro-bahana tsy ahitam-bahaolana matetika ity olana eny anivon’ny oniverisite ity.CMS/Jean ClaudeL’article Nitohy ny grevin’ny mpianatry ny oniversite Maninday: mpanao fihetsiketsehana iray maty voatifitra, 17 voasambotra a été récupéré chez Newsmada.

Daozy 163 000 ihany no lany amin’ny 250 000 : nampisavorovo ny maro ny fanaovam-baksiny
18/06/2021

Nisavorovoro ny maro, omaly momba ny fanaovam-baksiny. Teo aloha ireo tratran’ny omeko tsy omeko. Fa eo koa ireo velon’ahiahy amin’ny tsy mampanan-kery izany fanefitra izany raha ho any amin’ireo firenena Eoropeanina. Vaky vava hatramin’ny minisitry ny Fahasalamana. Etsy an-daniny, ny antsasaky ny fatra nohafarana ihany no lany amin’ity fanefitry ny covid-19 ity.Niteraka fahasorenana ho an’ny olona efa tonga nilahatra vao maraina teny amin’ny vaccinodrome HJRA ny filazana fa tsy misy fanaovam-baksiny indray, omaly, noho ny baiko avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana. Nisy ireo efa teny an-toerana tamin’ny 5 ora sy sasany fa mbola maika hamonjy asa rehefa avy eo. Tamin’ny 8 ora sy sasany maraina vao nampahafantarina ireo mpilahatra fa tsy afaka handray azy ireo ny mpanao vaksiny ary tsy fantatra ny antony. Ho an’ny toeram-panaovam-baksiny sehatra Maitso Analamahitsy, nandeha nody maina fotsiny koa ireo efa nizarana laharana, ny alarobia lasa teo ary tokony hisitraka ny vaksiny, omaly. Tsy voaray intsony noho ny hamaroan’ny olona tonga nilahatra. Nanao peta-drindrina ny tomponandraikitra fa miato manomboka amin’ny 7 ora sy sasany maraina ny fanaovam-baksiny noho ny baiko avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika sy ny minisiteran’ny Fahasalamana. Voantso eny amin’ny  HJRA avokoa ny mpiasa tao. Noesorina ny tranolay fandraisana ary tsy nisy fanaovam-baksiny. Nanambara anefa ny minisitry ny Fahasalamana, fa naato ny vaksiny noho ny fandaminana sy ny fivorian’ny tomponandraikitra rehetra ary tokony niverina ny tapakandro hariva ny fanaovam-baksiny  manerana ny Nosy. Niverina nandray ny olona vonona hisitraka ny vaksiny covishield indray ny tetsy amin’ny HJRA, hany sisa niasa ny tapakandro hariva ho an’ny eto Antananarivo. Miandry fanazavana avy amin’ny OMSAnkoatra izany, nahagaga ny minisitry ny Fahasalamana, ny Pr Rakotovao Hanitrala Jean Louis ny fanambaran’ny masoivoho frantsay, afakomaly, nilaza fa tsy nahazo ny fankatoavan’ny tomponandraikitra ara-pahasalaman’ny Vondrona eoropeanina (UE) ny vaksiny covishield nampiasaina teto Madagasikara. “Gaga izahay satria niara-nitsena ny fahatongavan’ny vaksiny covishield teny Ivato ny solontenan’ny UE miasa eto amintsika. Ny solontenan’ny Firenena mikambana niaraka amin’ny solontenan’ny OMS ”, hoy izy. Nohamafisiny aza fa anisan’ny nahazoana ny vaksiny ny fandaharanasa iraisam-pirenena Covax nokarakarain’ny OMS ary nozaraina ho an’ny firenena afrikanina. “Misy ve izany vaksiny natokana ho an’i Afrika ary manana ny azy manokana koa ny Eoropeanina?”, hoy ny fanontaniany. Andrasana ny ho fanazavan’ny OMS manoloana io fanambarana io. Sahiran-tsaina ireo ho any ampitan-dranomasinaVelon’ahiahy koa ny maro manoloana ny fanambaran’ny masoivoho frantsay, ny amin’ny tena fahombiazan’ny vaksiny ho an’ireo efa nisitraka izany. Sahiran-tsaina ireo hivoaka any ivelany satria voalaza ho tsy manan-kery indray ilay karatra manamarina fa vita vaksiny covishield teto. Antony nandrisika nandray ny fatra voalohany izany.163 000 ny fatra vaksiny nampiasainaFatra 163 000 tamin’ny 250 000 ihany no lany sy nampiasaina.  Manome ny taha 65% izany. Efa mikarakara ny fahazoana ny fatra faharoa tokony ho roa volana aorian’ny fatra voalohany ny fanjakana izao. Mitohy koa ny fanadihadian’ny sampandraharaha “Pharmaco-vigilance” momba ny tranga tsy niriana miseho aorian’ny fandraisana ny vaksiny.Vonjy A.L’article Daozy 163 000 ihany no lany amin’ny 250 000 : nampisavorovo ny maro ny fanaovam-baksiny a été récupéré chez Newsmada.

Entretien routier : Les marchés fictifs pointés du doigt par les entrepreneurs impayés
14/06/2021

Les 230 entrepreneurs ayant effectué l’entretien des routes dans tout Madagascar, n’ont pas encore été payés alors que les travaux ont été réalisés, il y a plus de neuf mois. En réponse à leurs revendications demandant la régularisation de leurs factures s’élevant à plus de 33 milliards Ar, le Premier ministre Christian Ntsay a soulevé qu’un audit sera effectué, lors de sa rencontre par visioconférence avec les députés mardi dernier. En effet, « des marchés fictifs ont été identifiés. Et la réception des travaux faits a été entachée par la corruption », selon ses explications. Ces entrepreneurs impayés sont indignés. « Ne nous mettez pas tous dans le même sac. Nous demandons à l’Etat de dévoiler au grand public ces marchés fictifs et ceux qui sont derrière ceux-là ou ceux qui ont fait de la corruption. En revanche, nous réclamons à tout prix la régularisation des entrepreneurs qui ont bien respecté le contrat », a évoqué Andry Rakotomandimby, un des représentants de ces entrepreneurs victimes.  Raison d’être. Et lui de rajouter que le ministère en charge de l’Aménagement du Territoire et des Travaux Publics a déjà effectué un audit en octobre dernier. Tous les dossiers concernant les 230 entrepreneurs ont été ensuite transmis aux autorités supérieures mais leurs paiements restent en stand-by. « On nous a informé qu’une centaine sur les 300 dossiers traités, ont rencontré des problèmes. Ce ministère a déjà complété les manquements le 18 mai dernier. Mais en attendant, pourquoi ne pas payer les dossiers qui sont en règle ? », s’interroge-t-il. Par ailleurs, Jackson Beriar, un autre représentant des entrepreneurs impayés, tient à souligner que des ingénieurs, des inspecteurs et des agents de ce ministère de tutelle au niveau central et régional, sont les seuls habilités à réceptionner les travaux faits. « Le contrat stipule également que l’on peut réclamer le paiement de nos factures même si les travaux n’ont pas encore été réceptionnés. A notre avis, ce département ministériel n’a pas sa raison d’être si l’Etat émet des doutes quant à la fiabilité de ses contrôles et inspections sur les travaux d’entretien routier exécutés par le secteur privé », a-t-il enchaîné. Ces entrepreneurs demandent au président de la République de veiller sur leur cas. « Nous nous sentons trahis. Les banques et les fournisseurs nous poursuivent en justice. Il n’y a pas que la population dans le Sud qui subit le kere car nous, des PME malgaches, sommes également à l’agonie », selon leurs dires.  Navalona R. L’article Entretien routier : Les marchés fictifs pointés du doigt par les entrepreneurs impayés est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Entretien routier : Les marchés fictifs pointés du doigt par les entrepreneurs impayés a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Hydrologie : La pénurie d’eau n’est pas à craindre pour Tana
18/06/2021

Ces responsables ont rassuré la population que la pénurie d’eau n’est pas à craindre pour la période d’étiage. Depuis quelques années, la Capitale et les communes périphériques subissent les conséquences de l’assèchement des rivières d’Ikopa et de Sisaony. Nous ne sommes pas encore en période d’étiage mais le niveau de ces rivières est pourtant au plus bas. Durant une rencontre avec la presse à Ambohijatovo, le directeur général du ministère de l’Eau, de l’hygiène et de l’assainissement (MEAH),Thierry Ratovoniaina, a tenu à rassurer que la situation est beaucoup moins critique par rapport à l’année dernière. « Des efforts sont déjà menés depuis l’année dernière pour l’identification des zones les plus critiques. Outre la construction des forages, il y avait également la mise en place de dix stations conteneurisées d’une capacité de 10m3 par heure chacune pour un renforcement additionnel de 2400m3 par jour », a-t-il rassuré. Selon toujours ce responsable, ces réalisations répondent aux besoins de la population et la situation de nombreuses zones qui ont été placées en alerte rouge l’année dernière a connu une nette amélioration. Par ailleurs, l’assèchement des rivières est loin d’être le fruit d’un hasard. La dégradation de l’environnement ainsi que le changement climatique y sont pour quelque chose. Dans ses perspectives, l’Autorité nationale de l’eau et de l’assainissement (ANDEA) prévoit ainsi de mettre en place des projets pérennes pour l’approvisionnement en eau potable pour la population. «Dans un premier temps, nous allons tout d’abord mettre en place un système de suivi en ressource en eau pour l’identification des failles mais également pour nous aider dans les prises de décisions. En parallèle, une enquête sera menée avec la Banque mondiale concernant les réservoirs d’eau. Des efforts seront également mobilisés pour la mise en place du système de stockage d’eau dans tout Madagascar pour qu’aucune localité ne soit oubliée» selon le directeur général de l’ANDEA, Antsatiana Ravaloera. Narindra Rakotobe L’article Hydrologie : La pénurie d’eau n’est pas à craindre pour Tana est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Hydrologie : La pénurie d’eau n’est pas à craindre pour Tana a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Politikam-pirenena momba ny kolontsaina: lany teo anivon’ny Antenimierampirenena
17/06/2021

16 taona ny niandrasana azy… Efa tamin’ny taona 2005 tokoa mantsy no nisy fanovàna farany ny lalàna mikasika ny politikam-pirenena momba ny kolontsaina ka tsy mifanaraka amin’ny zava-misy intsony izany. Nandalo dingana maro ilay volavolan-dalàna mifehy ny Politikam-pirenena momba ny kolontsaina vao tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoan’ny Antenimierampirenena ny fandinihana azy, amin’izao fivoriana ara-potoana izao. Lany nandritra ny fivoriana itambarambe izay nampitain-davitra, omaly, ity lalàna ity. Antoka lehibe ho an’ny sehatry ny kolontsaina ity lalàna ity. Maro ny fanovana nentina, mifanaraka amin’ny fivoaran’ny fiarahamonina sy ny zava-misy manerana izao tontolo izao. Teboka maro koa ny fiarovana ny fototra, toy ny fanajana ny soatoavina nentim-paharazana, ka nametrahana ny fanekena ny maha marolafy ny kolontsaina malagasy. Eo koa ny fifanomezan-tanana ho an’ny soa iombonana amin’ny alalan’ny “Tagnamaro”, ny fampirisihana ny famoronana eo amin’ny sehatry ny kolontsaina, ny fiarovana ny kolontsaina sy ny harem-bakoka malagasy, ny politika momba ny teny malagasy, ny fanomezana tosika ny sarimihetsika sy sarimiaina, ny fametrahana ho matihanina ny mpanakanto isan-tsokajiny ka ahafahany misitraka tombontsoa maro amin’ny alalan’ny fametrahana ny satan’ny mpanakanto, sns. Tsy nametraka olana firy ireo solombavambahoaka nandray anjara tamin’ny fivoriana, na maro aza ireo teboka nanitikitika. Taorian’ny fanazavana nentin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Andriatongarivo Lalatiana, sy ny ekipa tarihiny, nolanin’ireo solombavambahoaka ilay volavolan-dalàna. Miandry ny eny amin’ny Antenimierandoholona indray amin’ny dingana manaraka.Zo ny AinaL’article Politikam-pirenena momba ny kolontsaina: lany teo anivon’ny Antenimierampirenena a été récupéré chez Newsmada.

Fitantanana sy fomba fiasa vaovao: Hanatsara ny antontanisa ny Instat sy ny CUA
19/06/2021

Ilaina ny fananana antontanisa, ahafahana miatrika ny fampandrosoana. Anisan’ iza­ny ny eo anivon’ny CUA. Voadinika tamin’ny fivoriambe momba ny fanamby sy ny fahafaha-manao amin’ny antontanisam-panjakana eny ifotony ny amin’ny tokony ho fandraisana andraikitra bebe kokoa. Ni­fanakalo hevitra tamin’izany tetsy Analakely ny avy amin’ny masoivohon’i Sosia, amin’ny alalalan’ilay antsoina hoe «Road to Bern» . Niarahana amin’ny ONU ny fandinihana sy ny fijerena ny fomba fiasa manoloana ny eo anivon’ny firenena sy ny faritra ary indrindra ho an’ny eto amin’ny kaominina Antananarivo Reni­vo­hitra. Manana ny antontan-ke­vitra sy ny antontanisa ny CUA. Tsy ampy anefa izany fa ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny Instat. Efa maha matihanina izy ireo. Tsy mbola misy ny fifanatonana sady tsy mbola mazava tsara ny fankatoavana ny antontanisa eo an-tananan’ny CUA. Nambaran’ny talen’ny fampiroboroboana ny haitao ara-nomerika eo anivon’ny kaominina, Ranaivo Mihaja fa efa niezaka namoaka ny antontanisa eo an-tanany izy ireo, efa herintaona izao. Anisan’izany ny fitantanana ny tsena, Taxi, Par­king… «Miezaka hatrany izahay mba hanana antontanisa mitombina sy marina. Efa misy ny fomba fiasa vaovao ary efa an-dalana ny hanatsarana hatrany ny asa», hoy izy.Synèse R.L’article Fitantanana sy fomba fiasa vaovao: Hanatsara ny antontanisa ny Instat sy ny CUA a été récupéré chez Newsmada.

Covid-19: teto Analamanga ny olona roa lavo
16/06/2021

Teto Analamanga avokoa ny olona roa lavon’ny valanaretina Covid-19 ny 14 jona lasa teo, araka ny antontanisa navoaka omaly. 517 ny isan’ny fitiliana vita ka 18 ny tranga vaovao tamin’izany. Teto Analamanga ny 16 ary tany Vatovavy Fitovinavy sy tany Amoron’i Mania, samy nisy tranga iray koa. Olona15 sitrana ary mbola manaraka fitsaboana ny marary anatin’ny tranga misy fahasarotana 77. Ny CTC Mahamasina sy eny amin’ny CTC Voara sisa misokatra ho an’ny fandraisana an-tanana ankoatra ny hopitaly lehibe mitsabo ireo manana tranga misy fahasarotana. L’article Covid-19: teto Analamanga ny olona roa lavo a été récupéré chez Newsmada.

Fankalazana ny fetim-pirenena: hatao etsy amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ny matso
16/06/2021

Hosantarina amin’ny fanamarihana ny niverenan’ny Fahaleovantena na tsy mbola hotokanana aza. Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, tamin’ny fitsidihany ny kianjan’ny Barea Mahamasina, omaly fa hotanterahina eo amin’io toerana io ihany ny matso hataon’ny Foloalindahy. Tafiditra amin’ny fanamarihana ny fetim-pirenena izany.Nijery ny firoson’ny asa fanamboarana ny kianja Barea ny filoha, omaly. Nambarany tamin’izany fa hatao eo ny matso ho an’ny 26 jona. “Tsy mbola fitokanana akory izany. Hatao amin’ny fotoana mahamety azy rehefa vita 100% ny asa”, hoy izy. Nanteriny fa mampiseho ny maha Malagasy ny ravaka rehetra: aloalo, ravinala, loko, ny sainam-pirenena mampiray. Ny Barea, mampiray ary hapetraka ho an’ny taranaka ity kianja ity. Hiteraka fidiram-bola ireo fotodrafitrasa rehetra. Ahitana hotely, efitrano fivoriana, toeram-pivarotana, kianja fanomanan-tena…  “Azo andraisana hetsika kolontsaina sy zavakanto koa…”, hoy izy.Midika izany fa tsy hisy ny “podium” lampihazo hanaovan’ny mpanakanto hetsika na koa ny afomanga, ny 25 jona.Hiova ny fankalazana ny faha-61 taona…Efa natsidiky ny filoham-pirenena ny alahady teo, niainga avy any Taolagnaro, fa hatao eny anivon’ny renivohi-paritany enina: i Mahajanga, Antsiranana, Antananarivo, i Fianarantsoa, i Toliara ary i Toamasina ny matso, hanamarihana ny fetim-pirenena. Anton’izany ny hamehana ara-pahasalamana. Nentaniny koa ny rehetra hanangan-tsaina, hanehoana ny hambompom-pirenena. “Mba hiredareda ny afon’ny fitiavan-tanindrazana eo amintsika handresena ny sedra sy ny ady sarotra rehetra”, hoy izy.Midika izany fa hiverina eny Mahamasina indray ny matso raha teny Analakely izany tamin’ny herintaona. Hiova amin’ny endriny hafa koa anefa satria eo amin’ny kianjan’ny Barea nohavaozina sy nohatsaraina izany amin’izao faha-61 taona niverenan’ny Fahaleovantena izao.Synèse R. L’article Fankalazana ny fetim-pirenena: hatao etsy amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ny matso a été récupéré chez Newsmada.