Mondial Judo 2021: tsy nitsanga-menatra ireo solontena malagasy

News - Mondial Judo 2021: tsy nitsanga-menatra ireo solontena malagasy

News - Mondial Judo 2021: tsy nitsanga-menatra ireo solontena malagasy

Naneho ny maha izy azy
ary tsy nikely soroka hatramin’ny faran’ny lalao nataony avy 
ireo Judokas malagasy  telo mianadahy, niatrika ny fiadiana ny
tompondaka eran-tany any Budapest Hongrie, omaly.

Naneho ny maha matihanina azy
tanteraka ary nikiry hatramin’ny farany ry Fetra sy ny ekipany
nanoloana ny mpifanandrina aminy avy nandritra ny lalao fiadiana ny
tompondaka eran-tany tanterahina ao Hongrie, omaly. Samy nanao ny
ainy tsy ho zavatra tamin’ny fifandonana nataony izy ireo ka ho
an-dRasoanaivo Razafy Laura manokana, nifandrina tamin’ilay
teratany uzbekistan, Khojieka Farangiz ny tenany nandritra ny lalao
voalohany. Efa voatanany sahala hatramin’ny fahataperan’ny ora
farany io  mpifanandrina taminy io ka voatery niditra
tamin’ny  fanampim-potoana farany na ny « golden score»
ny lalao ary teo no nahalavo an’i Laura. Niraraka teo amin’ny
fihodinana voalohany koa i Nomenjanahary Damiella rehefa
nifampitana tamin’i Billiet Sandrine avy ao Cap-vert. Ireo judokas
malagasy roa ireo izay samy tao anaty sokajy latsaky ny 63 kg
avokoa. Ho an’ny eo amin’ny sokajy lehilahy kosa, niondrika
nanoloana ny mpifanadrina amin’ny teo amin’ny lalao fihodinana
faharoa Ratsimiziva Fetra sokajy latsaky ny 81 kg. Tapitra teo
avokoa,  noho izany, ny lalana ho telo azy mianadahy.

 

Mitohy ny ezaka ho an’ny
mpikatroka malagasy…

Na teo aza ny faharesena teo
amin’ireo telo mianadahy solontena malagasy tany Hongrie,
zava-dehibe eo amin’ny taranja judo ny zava-bitan’izy ireo .
«Mbola manana fotoana hivoarana misimisy kokoa ireo judokas
malagasy ireo noho izy ireo mbola anaty ny hatanorany
tanteraka », hoy ny filohan’ny Do judo, Rabeantoandro
Herimbola. Hita soritra araka izany fa ho lasa lavitra ny taranja
Judo malagasy, hoy hatrany izy.

 

Tsiferana
Randriatiana

Article tiré de Newsmada

L’article Mondial Judo 2021: tsy nitsanga-menatra ireo solontena malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 10/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

935 ireo tranga vaovao hatramin’ny asabotsy : nandavo olona 29 ny covid-19 tao anatin’ny herinandro

Miisa 29 ireo lavon’ny covid-19, nanomboka ny asabotsy 8 aogositra lasa teo ha­tramin’ny omaly. Nanamari­ka izany ny asabotsy sy ny ala­hady teo, nahitana olona miisa 13 indray lavo tao anatin’ny roa andro. Nidina ho telo sy iray ireo lavo taorian’izany ary niakatra ho efatra sy enina izany, ny 12 sy 13 aogositra teo. Izany hoe, ma­nodidina ny efatra eo ho eo isan’andro ny matin’ity valanaretin’ity, tao anatin’ny herinandro, eto amintsika.Nisy fidinany ny efatra andro farany Etsy an-daniny, miisa 935 ireo tranga vaovao, tao anatin’ny herinandro. Mbola lohalaharana amin’izany ny eto Analamanga. Na izany aza, nisy fidinana io fifindran’ny valanaretina io tato anatin’ny efatra andro farany. Latsaky ny 200 ireo tranga vaovao ta­min’izany. Miisa 115 ho an’ny 11 aogositra, 80 ny 12 aogositra, 125 ny 13 aogositra ary 121 ireo nifindran’ny valanaretina, omaly.Miisa 103 ireo marary mafy Nisy fiakarany be kosa an­efa ny «forme grave», tao anatin’ny herinandro. Tafa­ka­tra 103 izany ny alarobia teo raha miisa 98 izany ny talata. Nidina ho 85 sy 89 izany ho an’ny roa andro farany. Araka izany, tokony mbo­la hihatra avokoa sy hajaina ireo fepetra ara-pahasalamana manoloana ity va­la­na­re­ti­na ity eto amintsika.Synèse R.Antontanisa navoakan’ny CCO, omaly. Miisa 121 ireo mitondra ny tsimokaretina ka avy eto Analamanga ny 53, Vakinankaratra 9, Alaotra Mangoro 20, Matsiatra Ambony 3, Amoron’i Mania 8, Vatovavy Fitovinany 3, Boeny 11, Sofia 7, Diana 3, Anosy 4. Miisa 231 kosa ireo sitrana raha 89 ireo marary mafy. Niampy roa ireo maty ka tafakatra 164 izany izao ireo lavon’ny covid-19 eto amintsika. Miisa 50 969 ny fitiliana PCR vita raha 4 333 kosa ny fitiliana vita eo anivon’ny Genexpert. Miisa 13 643 ireo mitondra covid-19 eto Madagasikara hatramin’ny nisian’ny valanaretina raha 12 011 ny isan’ny olona sitrana. Mbola manaraka fitsaboana kosa ny 1468.L’article 935 ireo tranga vaovao hatramin’ny asabotsy : nandavo olona 29 ny covid-19 tao anatin’ny herinandro a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rugby: nandrombaka medaly volamena ny Makis

Mbola noporofoin’ny Makis de Madagascar fa mpanjakan’ny baolina lavalava, aty amin’ny ranomasimbe Indianina, izy ireo.Tsy nisy afa-bela nanoloana ny Makis de Madagascar ireo mpifanandrina taminy, nandritra ny fiadiana ny medaly volamena, teo amin’ny rugby lalaovina olona fito. Resin’ny Malagasy, teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 12 no ho 7, ny ekipa Reonioney. Fihaonana, notanterahina omaly alakamisy, tao amin’ny kianja Mapou.Efa nampoizina ny vokatra satria ekipa nifandona tamin’ny Makis, tany amin’ny fifanintsanana, ry zareo Reonioney. Tsy mbola afa-bela nanoloana an-dry Radadatoa sy ry Rija ary i Poon, fa resy tamin’ny isa 21 no ho 15 ry zareo, tamin’izany. Azo lazaina ho nanjakan’ny Makis de Madagascar tanteraka ity andiany voalohany nandraisan’ny rugby      anjara tamin’izao fifaninanana “Lalaon’ny Nosy” izao. Porofon’izany, tsy resy mihitsy izy ireo tamin’ny lalao dimy nataony. Isan’ny tena nahazo lesona tamin’ity ekipan-dry Jonah ity ry zareo Mahorais sy ny Reonioney, izay samy resiny indroa. Mazava ary voaporofo ny fanamby nataon’ny mpilalao sy ny filohan’ny Malagasy rugby, Rakotomalala Marcel, izay tsy maintsy mandrombaka medaly volamena mandritra ny “Lalaon’ny Nosy”. Nohamafisin’ity filoha ity ny fa lalana andalovana fotsiny ihany ity fifaninanana aty amin’ny ranomasimbe Indianina ity fa ny hahazo ny tapakila hiatrehana ny “circuit mondiaux” no tanjona, amin’ny alalan’ny fandrombahana tapakila hiakarana any amin’ny “Lalao Olympika” sy ny fiadiana ny tompondaka eran-tany. Mi.RazL’article Rugby: nandrombaka medaly volamena ny Makis a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Depiote Anyah: « Velirano koa ny sakafo… »

Tsy afaka ny hitazam-potsiny.  “Velirano nataon’ny filoha Rajoelina ny hisakafoanan’ny vahoaka malagasy ara-dalàna”, hoy ny depiote voafidy etsy amin’ny boriborintany III,  Anyah, omaly. Namaly ny hetahetan’ireo tompon’andraikitra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny EPP miisa 13 eny an-toerana  ny  tenany ka nanatanteraka  ilay tetikasa “Tohan’aina” . Nihena ny taham-pahavitrihan’ireo mpianatra. Nilatsaka ambany koa ny taham-pahaizan’ireo ankizy. Hany mba nahazo  naoty tsara eo amin’ny kilasy fahafito ny12%-n’ny mpianatra amin’ireo EPP. Anisan’ny anton’izany ny tsy fanjariana ara-tsakafo mianjady amin’ireo ankizy mpianatra. Miantoka ny fahazotoan’ny saina sy ny  vatana izany. Araka  izany, tetikasa  natao hiantohana ny tohan’aina ho an’ireo ankizy indroa ao anatin’ny herinandro iray izao tanterahin’ny depiote Anyah  izao. Hitohy hatrany amin’ny andro hanatanterahana ny fanadinam-panjakana CEPE izany. “Tanjona apetraka ao anatin’ny tetikasa “tohan’aina” ity ny hampiakarana ny taham-pahavitrihan’ireo mpianatra hianatra, indrindra amin’izao fotoana ankatoky ny fotoam-panadinana izao. Hampiakatra koa ny tahan’ny mpianatra afa-panadinana. Hoezahina haparitaka ho an’ny kilasy rehetra ary hihitatra hatrany amin’ny CEG, ho an’ireo hanala ny fanadinana Bepc izany”,  hoy ihany ny  depiote.Synèse R. L’article Depiote Anyah: « Velirano koa ny sakafo… » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Misaona ny FJKM sy ny katolika: Pasitera roa sy mompera iray nodimandry omaly

Banga ny tontolon’ny fiangonana. Nodimandry, omaly noho ny valanaretina covid-19 ny mpitandrina, Andriamparany Tina Jaona. Tsy niandry ela fa nalevina avy hatrany eny Belanitra Ankadikely ny nofomangatsikany. Tafiditra amin’ny fanarahana ny fepetra efa mahazatra napetraky ny fanjakana manoloana ity coronavirus ity izany.Mpitandrina eo anivon’ny FJKM Antsinanantsena Sabotsy Namehana ny tenany. Ankoatra izany koa anefa, mpitandrina mpanentana ny fandaharana antsoina hoe “Andon’ny maraina sy Masina ao am-poko” ao amin’ny RDJ 96.6 FM.Fandaminana isam-piangonanaAnkoatra izany, nodimandry, omaly koa ny mompera Theophile, avy amin’ny fikambanan-drelijiozy « Carmes » ary miasa any Moramanga. Lavo tahaka izany koa ny pasitera Raharijaona Jeremia, mitondra ny FJKM Ziona Manjakandriana. Navelina, omaly avy hatrany any amin’ny fasan-drazany any Imerintsiatosika.Synèse R.L’article Misaona ny FJKM sy ny katolika: Pasitera roa sy mompera iray nodimandry omaly a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - News Mada

Tahotra amin’ny fivezivezena eny Ivandry : mitaky tsena ho an’ireo marary ao amin’ny LTP ny mponina

Mitohy ny ahiahin’ny mponina eny Ivandry. Mandehandeha eny amin’ny tsenakely fividianan’ny rehetra entana ny olona ao amin’ny LTP. Tokony hisy ny fepetra manokana ho an’ireo marary sy mpiasa ao amin’io toerana io. Nanao taratasy fangatahana amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny indray ireo mponina eny Ivandry, omaly. Tokony hisy tsena manokana ao amin’ny LTP ahitana ireo entana ilaina andavanandro. “Hato­kana mihitsy hiantsenan’ireo mpiasan’ny fahasalamana sy mpiasa mikarakara marary, ireo marary, mpanadio sy mpitandro filaminana ao amin’ny LTP Alarobia io tsena ao anatin’ny LTP io”, hoy izy ireo. Tsy tokony hivoaka na hiserasera amin’ny mponina eny Ivandry sy ny tsena fampiasan’ny mponina eny an-toerana ireo rehetra mihiboka ao amin’ny LTP rehetra ireo mba tsy hiparitahan’ny aretina, araka ny fangatahana ha­trany. Raha ny zava-misy amin’izao fotoana, mivoaka miantsena amin’ireo mpivarotra enta-madinika eny Ivandry ireo olona ao amin’ny LTP ka miteraka tahotra amin’ireo mponina izany satria heverina ny hiparitahan’ny aretina aterak’izany. Nanaovan’ny mponin’ Ivan­dry tsindrim-peo ihany koa ny tokony hijerena ny fantson-drano maloto ampiasain’ireo marary ao amin’ny LTP, izay tsy tokony hiparitaka ka mety hitera-doza ho an’ny manodidina.Fanadiovana isan-kerinandroTetsy an-daniny, mangataka ny hanaovana fanadiovana isan-kerinandro sy fandrarahana ranom-panafody matetika eny an-toerana ny mponina, mihorohoro tanteraka amin’ny fisian’ny marary mihaodihaody eny amin’ny LTP. Tokony harahi-maso isan’andro ihany koa ireo olona mifamezivezy ao anatin’ny fokontany, in­drindra ireo olona tsy mipetraka eny. Nitondra fanamarihana ny mponina eny Ivandry fa tsy misy resaka politika ny fangatahana ataon’izy ireo fa ho arofanina hisorohana ny fiparitahan’ny covid-19.Tatiana AL’article Tahotra amin’ny fivezivezena eny Ivandry : mitaky tsena ho an’ireo marary ao amin’ny LTP ny mponina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanadinana fitsapana teny amin’ny EPP: ny antsasa-manilan’ny mpianatra no nahazo 10/20

Nitsapa ny fari-pahaizan’ny mpianatra ao aminy koa ny EPP ho famaranana ny telo volana voalohany. Nidina ny fari-pahaizan’ny mpianatra, araka ny vokatra azo.  Namarana ny telo volana voalohany tamin’ny fanadinana fitsapana ny EPP eto an-dRenivohitra sy ny manodidina ary hozaraina amin’ny ray aman-dreny amin’ny alalan’ny “porte ouverte”, ny faran’ny herinandro, ny vokatra azon’ny mpianatra. Ho an’ny EPP Antanandrano, Cisco Avaradrano, 60% tamin’ny mpianatra ho an’ny kilasy rehetra no nahazo salanisa 10/20 rehefa natao ny fanadinana. Ny kilasy 10 ème no tena nahitana lesoka betsaka, araka ny nambaran’ny talen’ny EPP, Rajoarihery Victor, omaly. Tsapa fa nilatsaka ny fari-pahaizan’ny mpianatra ary nisy voka-dratsiny ny fanapahana ela ny fampianarana noho ny fihibohana vokatry ny valanaretina Coronavirus. Momba ny fampihodinana ny asam-pampianarana amin’ny ankapobeny, miandry ny ampahany faharoa amin’ny caisse école avy amin’ny fanjakana ny mpitantana. Ho fanampiana ireo mpampianatra Fram “non sub” dimy am-perinasa, nanao tsipaipaika ho azy ireo ny mpampianatra sivy efa mpiasam-panjakana ao amin’ny EPP Antanandrano ahafahan’izy ireo miatrika ny fety. “Tsy maintsy mifanampy fa tsy afaka hijery fotsiny ireo mpiara-miasa izahay. Mazoto manohy ny asany rahateo izy ireo”, hoy ny tale. Ny kaominina Ankadikely Ilafy koa, nizara tohana ho an’ny mpampianatra 86 mitsinjara amin’ny Zap telo. Nahazo ny anjarany koa ireo mpiandry ny sekoly.Betsaka ireo mpianatra tsy tonga, omalyHo an’ny EPP sasany, namarana ny fandaharam-pianarana tsy vita ny taom-pianarana 2019-2020 nandritra ny telo volana voalohany ny isan-dakilasy ka fanadinana fitsapana namaranana izay ny natao nialoha ny fidirana tamin’ny fialan-tsasatry ny Noely. “50% ny isan’ny mpianatra, nahazo salanisa 10/20 izay azo ambara fa ratsy”, hoy ny talen-tsekoly. Mbola mavesatra ny fanarenana miandry ny mpanabe. Efa niditra amin’ny fandaharam-pianarana vaovao ny kilasy rehetra ary hotohizana amin’ity fiandohan’ny telo volana faharoa ity. Niditra omaly ny EPP rehetra fa mbola betsaka anefa ireo ankizy tsy tonga nanatrika ny fampianarana, araka ny fanazavany ihany. Mandra-piandry ny fanampiana avy amin’ny fanjakana momba ny karaman’ny mpampianatra Fram “non sub” enina miasa ao amin’ny EPP, ny sekoly no miezaka mikaroka vola hanampiana azy ireo aloha.Vonjy A.L’article Fanadinana fitsapana teny amin’ny EPP: ny antsasa-manilan’ny mpianatra no nahazo 10/20 a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

TAOMBAOVAO MALAGASY : Nahazo fanasana ny CFM

Nomarihina tamin’ny fomba manetriketrika ny «  Taombaovao Malagasy 2021 Fidiovam-Pirenena (13-14 martsa) » teo ambany fiahian’ny Andriana RANJEVA Raymond, Andriambenimerina, mpitarika ny Antenimieran’ny Andriana Merina AAM, ny Printsy Rina TELESPHORE, Atoa RANDRIANJATOVO Henri, Filohan’ny Trano Kolotoraly Malagasy, ary ny Fikambanana Taranaka Ambohidrabiby, tarihin’ny Filohany ny Andriana ANDRIAMBOLOLO-NIVO Rabetrano. Nahazo fanasana ofisialy hanatrika io fankalazana io ny CFM. Nirahina hamaly izany fanasana izany Atoa isany MAKA Alphonse, Filohan’ny CFM, sy RAZAKA Oliva Mpanolotsaina faritra Analamanga. Tontosa ny sabotsy 13 martsa ny fomba amam-panao malagasy dia ny « AFO TSY MATY » sy ny « ANDRO TSY MATY ». Tontosa nandritra izany ny Dobodobok’aponga sy feon’anjomara ; fandrehetana ny AFO TSY MATY ; hiragasy sy lalao isan-karazany ; harendrina ; safo rano (fandroana) ; loabary an-dasy ; ary tsinjaka mandoaka ny alina. Omby volavita. Ny Alahady tamin’ny 10 ora no nifamotoana teo amin’ny kianjan’ny Rovan’Ambohidrabiby ny solontenan’ny vahoaka malagasy sy ny irak’Andriana rehetra avy amin’ny lafivalon’ny nosy. Tazana teny koa ny solontena Silamo. Natomboka tamin’ny « Sorona omby » sy « Fafy rano », tarihina sy tanterahan’Antehiroka izany. Ny Mpitandrina FJKM Ambohidrabiby no nanao tonom-bavaka. Taorian’izany vao niroso tamin’ny kabary sy lahateny samihafa nelanelanin’ny seho ara-javakanto nampitolagaga ny rehetra nanatrika. Fihavanana. Niangaviana am-panajana handray anjara fitenenana ny CFM, ka niroso tamin’izany ny solontena miralahalahy notarihin’ny Filohan’ny CFM. Kabary fohy nefa mafonja no nalahatry ny Filoha MAKA Alphonse, koa rehefa vita ny fifanatsafana noho ny taombaovao malagasy sy ny fisaorana ny mpanasa dia ireto teboka treo manaraka ireto no notsindriany : Fanomezana hasina ny soatoavina sy kolontsaina malagasy izay hafa noho ny an’ny rehetra erantany (endémique), tsy hatakalo tsy hamidy vola. Fitandroana ny firaisankinam-pirenena, izay mihamarefo ary misy miezaka manakorontana avy any ivelany sy eto an-toerana. Fandrosoana tolokevitra avy amin’ny CFM hanaovana ny Fihavanana malagasy ho isan’ny harentsaina tsy azo tsapain-tanana UNESCO, ho fanampin’ny haitao zafimaniry. Nankasitraka. Naneho imaso ny fifaliany ny rehetra ary nampita ny fankasitrahany io teboka fahatelo farany io tamin’ny Mpanolotsaina Analamanga ny Profesora RANJEVA Raymond, Filohan’ny Akademia Malagasy, sy ny Profesora ANDRIAMBOLOLO-NIVO Rabetrano,  Filohan’ny Fikambanana Taranaka Ambohidrabiby. Nanindry tamin’ny kabary nataony koa ny Andriana merina fa ny toetsaina no maha Andriana, ka ny teny faneva nofidiany ho amin’izany dia ny hoe « DIAKONA » ny Andriana, izany hoe « Mpanompo ». Ka manompo vahoaka fa tsy manavakavaka na iza na iza ny Antenimieran’ny Andriana Merina. Nitohy tamin’ny « Tatao » (vary amin-dronono tondrahan-tantely), sy fanateran-kasina (rakitra manodidina) ary « Zara-hasina » (fizarana salohim-bary) ny lanonana. Nisy fiaraha-miala hetaheta sy hiragasy teny anelanelam-potoana ary nofaranana tamin’ny fizarana nofon-kena mitam-pihavanana izany. Razaka Oliva Cet article TAOMBAOVAO MALAGASY : Nahazo fanasana ny CFM est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article TAOMBAOVAO MALAGASY : Nahazo fanasana ny CFM a été récupéré chez Délire Madagascar.

News - News Mada

Seranan’i Toamasina: hopotehina sy hatao lavanty ny entana tsy alain’ny tompony

Feno ny toerana! Nanao fitsirihana tampoka ny faritry ny ladoany ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, omaly talata maraina, ny tompon’andraikitry ny ladoany, notarihin’ny tale jeneraly (DG) ny fadin-tseranana, i Zafivanona Lainkana Ernest, notronin’ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, Rtoa Delmotte Stéphanie. Tsikaritra fa maro loatra ireo entana mitoby tahirizina ao. Nambaran’ny tale jeneraly fa ilaina ny fanalalahana ny faritra sy ny toerana fametrahana entana ao amin’ny ladoany manerana an’i Madagasikara ka anisan’izany ny ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Misy ny entana lany fetr’andro nefa tsy nalain’ny tompony. Ao koa ny nogejain’ny fanjakana toy ny karazan-kazo, sy ny hafa.Hisy komity iraisana handinikaKoa tsy maintsy raisina ny fepetra, hanaovana lavanty ny entana na koa hanapotehana na handorana ary handevenana ireo entana sasany, toy ny sakafo fihinana, ohatra, satria tsy azo antoka intsony ny hitahirizana azy mihoatra ny roa volana, nefa tsy tafavoakan’ny tompony. Singanina amin’izany ny entana ao anaty kaontenera miisa 500 ao amin’ny orinasa MICTSL. Eo koa ireo fiara tsy tokony hiditra eto Madagasikara, manana familiana ankavanana, ny fiara mpitatitra entana mihoatra ny 15 taona, ny fiarakely mihoatra ny 10 taona. Tsy maintsy hatao lavanty izy ireny na hopotehina, arakaraka ny fanapahan-kevitry ny komity manokana iraisan’ny minisitera sy ny rafi-panjakana voakasika samihafa.Nohamafisin’ny tale jeneralin’ny ladoany fa ankoatra ireo fiara sy karazan-kazo, misy koa ny entana hafa, toy ny lafarinina, ny fanafody, ny siramamy, ny vary, ny kilalao, ny akanjo na lamba efa niasa (friperie), sns. Misy amin’ireo entana ireo ny efa tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina hatramin’ny taona 2009, saingy tsy navoakan’ny tompony.SajoL’article Seranan’i Toamasina: hopotehina sy hatao lavanty ny entana tsy alain’ny tompony a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Firaisamonina sivily : “Inona ny mbola itanana ny hamehana ara-pahasalamana?”

“Miroso mankany amin’ny famahana tanteraka ny fihibohana ny fepetra raisin’ny governemanta ankehitriny. Raha jerena ny zava-misy toekarena sy sosialy, ireo famerana samihafa takin’ny hamehana ara-pahasalamana, ny fameran’ny fitondrana eo amin’ny lafiny politika sy momba ireo fahafahan’ny olom-pirenena: manontany izahay ny antony mbola itazonana ny hamehana ara-pahasalamana.“Io ny fanambaran’ny firaisamonina sivily maromaro, ny faran’ny herinandro teo: “Enim-bolana aty aoriana, aiza ho aiza ankehitriny ny fametrahana ny mangarahara amin’ny fiatrehana ny Covid-19?” Anisan’ny manao sonia izany, ohatra, ny CCOC, ny Hetsika Rohy, ny MSIS Tatao, ny ONG Ravintsara, ny TI-MG…Mitaky rafitra amin’ny sehatra marolafy…Takin’izy ireo, ohatra, ny tokony hisian’ny rafitra voalaza ao amin’ny Drafitra amin’ny sehatra marolafy amin’ny fahamehana. Antoky ny fandraisana andraikitr’ireo mpisehatra amin’ny ady amin’ny Covid-19 sy ny fanarenana ny toekarena izany. Eo ny komity fakan-kevitra, ny rafitra iombonana iadiana amin’ny kolikoly, indrindra ny komity mpitondra. Mbola tsy natsangana ireo nefa anisan’ireo andrin’ny ady amin’ny Covid-19.Eo koa ny fampidirana sy ny fanomezana fahefana ireo sehatra samihafa hanampy amin’ny fametrahana ny ady amin’ny Covid-19. Efa naneho ny fahavononany hiditra ho mpikambana amin’io komity io ny sehatra tsy miankina sy ny firaisamonina sivily hahazoana mitondra fanatsarana sy tolo-kevitra amin’ny fomba araka ny lalàna.R.Nd.L’article Firaisamonina sivily : “Inona ny mbola itanana ny hamehana ara-pahasalamana?” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kaominina Sarobaratra, Miarinarivo: nametrahan’ny sehatra tsy miankina famatsiana angovo

Mbola olana goavana ny famatsiana herinaratra any ambanivohitra. Mijery ny famahana izany akaiky ny avy amin’ny sehatra tsy miankina maro, mampisy ny famatsiana herinaratra ao amin’ny kaominina Sarobaratra, distrikan’i Miarinarivo, faritra Itasy.   Tompon-kevitra tamin‘ny famolavolana ny tetikasa ny Patmad (1), tarihin’i Dama ao amin’ny tarika Mahaleo ; ny CEAS (2) ; ny Aider (3); ary ny orinasa WeLight Madagascar miandraikitra ny fitantanana ny famatsiana. Efa misy traikefa vitan’izy ireo momba izany famatsiana herinaratra izany, hita any Andevoranto (Atsinanana), Sandrakatsy (Analanjirofo), Betsiaka (Diana), Bemaneviky (Diana), ary izao vita any Sarobaratra izao, sy izay mbola hatao any amin’ny kaominina ambanivohitra hafa.Natomboka ny taona 2017 ny asa fanamboarana tohodrano mamokatra herinaratra ao Andriamamovoka, fokontany Fialofa, sy ny andrin-jiro, nataon’ny orinasa Sagemcom. Teknisianina malagasy avy amin’ny fikambanan’ny injeniera ho an’ny fampandrosoana ny angovo any ambanivohitra (Aider) nisahana ny asa manontolo hatramin’ny fametrahana milina (turbines). “Manana teknisianina ampy sy mahay ny Malagasy, betsaka ihany koa ny fikarohana vitan’ny tanora avy amin’ny Polytechniques, nefa tsy voatrandraka”, hoy i Dama. Koa izao porofoin’ny Patmad sy ny Aider izao izany fahaiza-manao izany.“Tokony hohararaotin’ny fitondram-panjakana ny fiaraha-miasa amina sehatra tsy miankina toy izao, raha misy tokoa ny finiavana hampitombo ny famatsiana angovo eto Madagasikara. Tsy azo antenaina hahavita izany raha ny Jirama”, hoy ny teknisianina iray. Matoky azy ireo tanteraka ny mpamatsy vola : COI, sampana angovo ; FGC (4) ; ary ny Repic (5) ; niampy ny  vola nampiasan’ny WeLight Madagascar. Ireo rehetra ireo amin’ny ankapobeny 393.000 euros (1,572 miliara Ar) nahavitana io tetikasa io.Mahita sy mahatsapa ny fijalian’ny mponina any ambanivohitra izy ireo, izay tsy misy afa-tsy 5 % monja ny mahazo famatsiana herinaratra amin’izao taonjato izao. Ny rano anefa misy, miampy ny rivotra sy ny masoandro, tsara ho trandrahina hahazoana angovo azo avaozina. R.Mathieu  Patmad (1) : Partenariat technique à MadagascarCEAS (2) : Centre écologique Albert Schweitzer SuisseAider (3) : Association des ingénieurs pour le développement des énergies renouvelablesFGC (4) : Fédération Genevoise de coopérationRepic (5): Renewable energy promotion in international cooperation L’article Kaominina Sarobaratra, Miarinarivo: nametrahan’ny sehatra tsy miankina famatsiana angovo a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
15/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

A louer TANY AHOFA
15/06/2021

Tany ahofa malalaka tsara azo anaovana garage na anaovana stockage mifefy tsara amoron-dalana faritra sabotsy namehana tel 0324712472Tany ahofa malalaka tsara azo anaovana garage na anaovana stockage mifefy tsara amoron-dalana faritra sabotsy namehana tel 0324712472Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer TANY AHOFA".

A vendre A vendre Fauteuil dentaire complet en bonne état
14/06/2021

Un fauteuil dentaire complet en parfait état  constitué d’un fauteuil inclinable, d’un bras articulés, d’un compresseur, d'un ensemble d’ instrumentation dentaire, d’une soufflette à air/eau, d’un crachoir, d’un système d’aspiration, d’un scialytique, et d’un siège à roulettes pour le praticien, stérilisateur pour les outils à main, ...Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A vendre Fauteuil dentaire complet en bonne état".

Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT
14/06/2021

Voici des sites qui permettent de gagner de l'argent gratuitementhttps://mining-forever.com/?ref=rajaonarshttps://duplinow.com?aff=70888https://banana-cash.com?aff=15898https://topmining.host/?ref=1190Vous n'avez pas de compte payeer ?https://payeer.com/?session=16887921Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT".

A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090
20/06/2021

Antminer Bitmain S19J Pro, SHA-256 with Hashrate, 100.00TH/sAntminer Bitmain S19J, SHA-256 with Hashrate, 90.00TH/sAntminer Bitmain S19 Pro, SHA-256 with Hashrate, 110.00TH/sAntminer Bitmain S19, SHA-256, with Hashrate, 95,00TH/sAntminer Bitmain T17+ SHA-256, with Hashrate, 58.00TH/sAntminer Bitmain T17, SHA-256, with Hashrate, 40TH/sGeForce RTX 3080 / 3070/3090 GTX 2080 Ti, 1080 Ti, 1070 Ti, 2080, 1080, 1070, 1060 Ti, 1060, 2080 Ti, RTX 2070 , RX 5700 XT. NVIDIA GeForce RTX 3060 Ti NVIDIA GeForce RTX 3080  NVIDIA GeForce RTX 3090All Sealed In Original Box With Warranty Full Accessories With Discount.REQUIRED FOR YOUR ORDER AS QUICK AS POSSIBLE .... Urgent Response Whatsapp : +17076412645 E-mail : ms7088344@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090".

Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) francophones. Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 160 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC. MISSION En tant que Téléconseiller(ère) francophone, vos missions seront : PROFIL VOS AVANTAGES Si tout cela vous parle, vous êtes le candidat qu’il nous faut ! Merci de postuler en ligne sur notre site www.eufonie.fr/jobs. Vous pouvez également adresser votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ; Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones".

Emploi et services faucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay
15/06/2021

site légitime qui paye très bienfaucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay.Pas de retrait minimum, claim tous les 5min.Ci-joint le lien:https://ezbit.co.in/ref/13850Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services faucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay".

A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo
16/06/2021

Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury 4x4 turbo année 2005 diesel  boite automatique, 7 places 163000 kms, première main. Véhicule  très résistant, couleur verte,  phares xenon antibrouillards, radio CD, climatisation, fermeture centralisée, verrouillage à distance. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo".

Emploi et services Développeur Laravel
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans l'externalisation,Développeur LaravelEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVLARAVEL-0621(+261) 034 10 826 36 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Laravel".

Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement
15/06/2021

Bonjour,  il y a plusieurs manières de se faire de  l'argent en ligne chez soi et gagner de petits revenus en cette année 2021. Si cela vous intéresse suivez ces liens et inscrivez vous :Voulez vous gagner de l'argent en ligne sans fournir trop d'effort ? Si oui je vous propose de visiter ce site qui vous permet de gagner un revenu mensuel acceptable.https://rupee4click.com/48ks0efa nazaoko avec preuve de paiementinscrit et vous gagnerai Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement".

A louer Location voiture
15/06/2021

Location 4×4 - Toyota New Prado >>7 places, voiture confortable et économique,  >>Voiture classe, adéquats pour les évènements familiaux ou affaires, >courses en ville, en périphérie, ou en province - Chauffeur expérimenté pour les circuits touristiques - Le tarif varie en fonction de la destination et du trajetContact: 034 84 747 64Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Location voiture".

Emploi et services Un Contrôleur de gestion
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans la relation clientèle et BPO à Madagascar, recherche activement un (01) contrôleur de gestion :   Vous aurez pour mission :Votre Profil :Vos avantages :Merci d’adresser votre candidature composée de votre CV et d’une lettre de motivation à l’adresse recrutement@eufonie.frSeules les candidatures présélectionnées feront l’objet d’un entretienCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Un Contrôleur de gestion".

Notsongaina

Covid-19: 64 ny tranga vaovao tao anatin’ny 48 ora
14/06/2021

Ho an’ny faran’ny herinandro, nahatratra 756 ny isan’ny fitiliana vita ka nahitana tranga vaovao 64, nisy olona valo lavon’ny valanaretina tao anatin’ny 48 ora. 49 kosa ireo sitrana soa aman-tsara, araka ny antontanisa nivoaka ofisialy. 97 ireo tranga misy fahasarotany hatramin’ny 12 jona teo. Ho an’ny tranga vaovao 39 voatily ny 12 jona, 17 tamin’ireo teto Analamanga avokoa. Mitohy ny fanentanana ny vahoaka mihoatra ny 18 taona noho miakatra hanatona ny toeram-panaovana baksiny akaiky azy. Hatreto aloha, malaina ny ankamaroan’ny mponina handray ny fatra voalohany, indrindra ireo mpiasan’ny fahasalamana nantenaina hisitraka voalohany izany. Fito ny toerana fanaovam-baksiny ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra.Araka izany, tsy mbola resy tanteraka ny aretina ka mila mitandrina hatrany ny rehetra ary entanina hanaraka an-tsakany sy an-davany ireo fepetra ara-pahasalamana tafiditra ao anatin’ny fepetra fiarovana ny fiparitahan’ny valanaretina. L’article Covid-19: 64 ny tranga vaovao tao anatin’ny 48 ora a été récupéré chez Newsmada.

Hiova ny tantara: hifantohana ny fampandrosoana ny faritra Anosy sy Androy
14/06/2021

Nifarana ny 12 jona 2021 ny Fikaonandoha lehibe ifotony ho fampandrosoana ny faritra atsimon’i Madagasikara. Maro ny lohahevitra sy ny lafin-javatra nodinihina sady notapahina fa hotanterahina.Tapaka nandritra ny fikaonandoha ho an’ny fampandrosoana ny tapany atsimon’i  Madagasikara, ny paikady mifanaraka amin’ireo sehatrasa tsirairay hoentina hamahana ny olana amin’ny lafiny sosialy sy toekarena any amin’ireo distrika rehetra ao anatin’ny faritra Anosy sy Androy.Vahaolana ho an’ny tsy fisian’ny rano any atsimo ny fitarihan-drano lehibe amin’ny alalan’ny fantsombe. Hoentina hanondraka ny veralan-tany hamokarana, ary misy koa ho an’ny rano fisotro. Hampiroborobo ny fambolena sy ny fiompiana izany hanatrarana ny tanjona fahavitan-tena ara-tsakafo araka ny veliranon’ny filoha Rajoelina. Eo koa ny fananganana toeram-pitsaboana hanatsarana ny lafiny fahasalamana.Atomboka amin’ny tetibolam-panjakanaAnisan’ny nisongadina tamin’ity fikaonandoha ity koa ny fanarenana ireo lalam-pirenena, ny RN 13, ny RN 10 ary ny RNT 12 A. Eo koa ny fampiasana ny angovo azo havaozina, ny fandriampahalemana, ny fananganana indostria hanodina ny vokatra any an-toerana, sns.Nambaran’ny filoham-pirenena, fa hatolotra ireo mpiara-miombona antoka sy ny mpamatsy vola ireo paikady novolavolaina. Atomboka avy hatrany kosa ny tetikasa azo tanterahina avy amin’ny tetibolam-panjakana, satria tsy afaka miandry ny fampandrosoana ny faritra atsimo. “Napetraka ny fanamby ary isika rehetra no hiaraka hanova ny tantaran’ny faritra atsimo sy Madagasikara manontolo”, hoy ihany izy.Njaka AndriantefiarinesyL’article Hiova ny tantara: hifantohana ny fampandrosoana ny faritra Anosy sy Androy a été récupéré chez Newsmada.

Efa voafehin’ny CUA-SMA ny olan’ny fako
15/06/2021

Efa voafehy tanteraka ny olan’ny fako eto an-dRenivohitra. Efa tsy misy intsony ny fako miparitaka eny amin’ny fitobian’ny fako. Anisan’izany ny fitobian’ny fako etsy Analamahitsy eo ampitan’ny Galana. Feno fako manenika ny arabe rehefa tolakandro nefa efa tafiditra ao anatin’ny daba daholo ny fako aterin’ny olona izao. “Nisy ny fanomezana  dabam-pako avy amin’ny Pnud na ho an’ny SAM, ary mbola hisy maro koa ho avy. Miisa 180 ny dabam-pako vy miparitaka taloha ary nisy ny tsy naharaka. Nisy ny fiovana tamin’ny fomba fiasan’ny SAM mba hifanaraka tsara amin’ny «CMH » mametraka ny ora amin’ny 4 ora ka hatramin’ny 8 ora alina ny fanariana ny fako”, hoy ny tale jeneraly,  Andrianaivo Jaona. Narindra manaraka izany koa ny fomba fiasa sy ny tsy havery ny fotoana be loatra. Fanentanana ny isan-tokantranoMivoaka ny tolakandro ny kamiao maka fako ary mifarana amin’ny 6 ora maraina mba tsy hanelingelina fifamoivizana. Manampy izany ny fiaraha-miasa eo amin’ny CUA sy ny Vigie amin’ny fametrahana ny “Camera” amin’ny fanaraha-maso ny fifamoivoizana, mifanandrify amin’ny akaiky dabam-pako ary natao ny hahatafidiran’ny dabam-pako ao amin’ny ilay sary hahafahana mahita ny eo anivon’ny dabam-pako. Manentana ny mponina hanaja ny fotodrafitrasa hatrany ny kaominina amin’ny hanariana anaty daba ny fako eny anivon’ny tokantrano.Synèse R.L’article Efa voafehin’ny CUA-SMA ny olan’ny fako a été récupéré chez Newsmada.

Volan’ny teny malagasy: namoaka boky « An-tsokosoko » i Ando Harinjaka
16/06/2021

Tsy mandalo fotsiny amin’ny Mpanoratra sy Poeta ny Iray volan’ny teny malagasy, fa misy hatrany ny hetsika hanamarihana izany. Namoaka ny boky « An-tsokosoko » i Ando Harinjaka. Boky faharoa navoakan’ny tovolahy izy ity, raha ny « Hadalan’ny fo » ny boky voalohany navoakany, ny taona 2015.  « Amboaran-tononkalo miisa 30 pejy eo izy ity, I Zara Ainga nanao ny teny fanolorana ary i Bade RaAnRaMa nanao ny fampahafantarana ahy. Miresaka lafim-piainana maro, indrindra ireo lohahevitra tsy dia be mpiresaka eo anivon’ny fiarahamonina, ireo zavatra atao an-tsokosoko, ireo zavatra tsy sahin’ny rehetra lazaina anaty tononkalo, izay anisan’ny antony namoahana azy an-tsokosoko. Ezahina ny hanapariahana azy ho an’ny rehetra mpankafy ny literatiora malagasy », raha ny filazany. Marihina fa i Ando Harinjaka, poeta sady mpanoratra ao amin’ny Vondron’ny Korirakanton’ny Haisoratra, mpilalao teatra  sy zavakanto hafa ao amin’ny Bee Z’art.Mbola maro ireo tanora tsy mankafy mamaky boky Na eo aza ny hamehana ara-pahasalamana sy ny mbola tsy fahafahana mamory olona maro dia noezahina ihany ny hampihodina ny literatiora .Tsapa koa fa sarotra ho an’ny olona ny hanjifa boky amin’izao hasarotry ny fiainana izao ka dia noezahina ny hamoaka boky mirary takatry ny rehetra, indrindra ireo tanora. Natao ihany koa izao boky izao ho fandraisana anjara amin’ity Iray volan’ny teny malagasy ity. Mbola maro ireo tanora tsy mankafy mamaky boky amin’ny teny malagasy ka izay no namoahana boky miventy lohahevitra mahaliana, sady hisarihana azy ho tia ny teny malagasy, araka ny nambaran’ i Ando harinjaka. Manana ny tambajotran-tserasera facebook “Ando harinjaka” ny tenany ho an’ireo te hifanerasera aminy.NarilalaL’article Volan’ny teny malagasy: namoaka boky « An-tsokosoko » i Ando Harinjaka a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – “Cosafa cup 2021”: iray vondrona amin’i Zambia ny Barea
18/06/2021

Hotanterahina ny 7 ka hatramin’ny 18 jolay ho avy izao ny andiany faha-20 amin’ny “Cosafa cup”, sokajy “senior” lehilahy. Fifaninanana natokana ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika. Hampiantrano izany ry zareo Afrikanina tatsimo ka ao amin’ny kianja Nelson Mandela Bay, ny hanaovana ireo fifaninanana. Iray vondrona amin’i Zambia tompondaka. Ekipa tsy zovina amin’ny Malagasy ry zareo Zambianina, satria efa nikatroka tamin’ny Barea, ny taona 2018. Resin-dry zareo teo amin’ny manasa-dalana, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 ny Malagasy, tamin’io ary nitana ny laharana fahefatra ny Barea. Tsiahivina fa tsy nandray anjara ny Barea de Madagascar, ny taona 2019. Niato moa ity Cosafa cup ity, tamin’ny taon-dasa, noho ny fisian’ilay valanaretina coronavirus, ary izao miverina izao indray. Ankoatra izay, mbola hiaraka amin’ny Malagasy ihany koa ry zareo Kaomorianina, izay hiatrika ny Can 2022.Tompondaka  Sokajy “A” Afrika Atsimo Lesotho Soazilandy Botsoana Sokajy “B” Zambia Malawi MadagasikaraKaomoro Sokajy “C” Senegal Zimbaboe Mozambika NamibiaL’article Kitra – “Cosafa cup 2021”: iray vondrona amin’i Zambia ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Fakana an-keriny tao Anjozorobe: votsotra ilay renim-pianakaviana nalaina an-keriny
16/06/2021

Navotsotry ny dahalo, omaly maraina, ilay renim-pianakaviana 46 taona nalain’ny dahalo an-keriny ny herinandro teo, tao Betatao, Anjozorobe. Hita teny akaikin’i Soalazaina izy ary tsy misy ahina ny fahasalamany. “Mbola mitohy kosa ny fanarahan-dia ireo dahalo”, hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana. Tsy nohamarininy kosa anefa raha nisy fangatahana onitra ho famotsorana ilay renim-pianakaviana io.Tsiahivina fa nitrangana fanafihan-dahalo niharo fakana an-keriny ny tao Betatao, herinandro vitsy lasa izay. Lasan’ireo dahalo tamin’izany ny renim-pianakaviana iray teo an-toerana. Saika efa niaina am-pilaminana ny mponina ao amin’ny distrikan’Anjozorobe taorian’ireo fisamborana sesilany ireo ekipan’i Del Kely kanjo niverina tampoka ny tsy fandriampahalemana tao an-toerana. “Vokany, mihorohoro tanteraka ny mponina, indrindra moa fa any amin’ny tapany avaratra andrefan’ny distrika”, hoy ny loharanom-baovao iray. Henintsoa Hani L’article Fakana an-keriny tao Anjozorobe: votsotra ilay renim-pianakaviana nalaina an-keriny a été récupéré chez Newsmada.

Malnutrition : Les CRNM à multiplier
14/06/2021

Outre les grands projets agricoles et la mise en place d’infrastructures d’eau et d’électricité dans le Sud de Madagascar, les problèmes d’insécurité alimentaire et de malnutrition, dans leur dimension de proximité, ont également été abordés par le président de la République Andry Rajoelina, lors de son discours à la nation, hier soir. Ainsi, la mise en place de Centres de Récupération Nutritionnelle et Médicale (CRNM) dans les zones les plus touchées qui ne disposent pas encore de ce type de structure, a été annoncée par le chef de l’Etat. Il s’agit d’infrastructures destinées notamment aux enfants présentant des signes graves de malnutrition. Dans ces CRNM, les enfants malnutris sont pris en charge médicalement et sont suivis de près jusqu’à ce qu’ils récupèrent au niveau pondéral et sur le plan de la santé. Faut-il rappeler que des centres de récupération nutritionnelle sont déjà opérationnels dans certaines zones – dans le Sud ou dans d’autres parties de l’île – où la malnutrition est particulièrement inquiétante. Toutefois, ces structures gagneraient à être renforcées, d’où certainement cette décision de mettre en place les nouveaux CRNM. Hanitra R. L’article Malnutrition : Les CRNM à multiplier est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Malnutrition : Les CRNM à multiplier a été récupéré chez Midi Madagasikara.

VAKSINY COVID-19 : “Lalana iray ahafahantsika miala amin’izao valanaretina izao”
16/06/2021

Nitohy teny amin’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy (DREDD) Analamanga, ny 15 jona 2021 teny Nanisana,  ny fanentanana ny fanaovana vaksiny Covid-19 ataon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Rehefa avy nampahafantarina ny mpiasan’ny DREDD, ireo mponina eny amin’ny fokontany Nanisana maniry ny hanao vaksiny  ny mombamomba ny vaksiny  Covid-19 sy ny tombony azo avy amin’ny fanaovana izany dia niroso tamin’ny fanaovam-baksiny izy ireo. 60 olona teo no nataon’ny mpiasan’ny fahasalamam-bahoaka vaksiny tamin’io fotoana io. “ Izahay eto amin’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy Analamanga dia resy lahatra fa tokony atao ny  vaksiny. Maromaro tato aminay no narary ary tratran’io  forme grave io , ary nisy nandao fianakaviana. Narary taminay ilay izy dia  tiana ialàna izay zavatra izay dia nanentana ny mpiasa izahay. Miara-miasa  akaiky amin’ireo mponina ety ihany koa izahay,  anisan’izany ny ato amin’ny fokontany Nanisana, ny distrika Avaradrano”, hoy ny Tale-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy  Andrianandrasana Herizo.  Nambarany fa “ny  fahasalaman’ny olona dia mifandray amin’ny fahasalaman’ny tontolo iainana”. “Hiatrika ady amin’ny afo izahay, isika ato ato. Ilaina salama ny olona, miara-miatrika an’izany ady izany mba hitondra mankany amin’ny fandrosoana lovain-jafy”, hoy izy. Miverina amin’ny fiainana andavanandro Ho an’ny faritra Analamanga, misokatra ho an’ireo olona 18 taona mihoatra maniry ny hanao vaksiny Covid-19  ireo toerana natokana amin’izany toy ny  eny amin’ny  Stade Malacam, Kianja fanaovana basket  eny Anosisoa  Ambohimanarina,  ny “vaccinodrome” eo aorian’ny FJKM Salema vaovao 67ha… Mandray olona manomboka  amin’ny 8 maraina ka hatramin’ny 4 hariva ireo toerana ireo. Araka ny fanazavan’ny Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka eto Analamanga, Raharimamonjy  Laliarisoa fa afaka manatona ireo olona te hisitraka vaksiny: olona maromaro na orinasa, fiangonana,  ministera, ihany koa ny mpiasan’ny fahasalamana.  “Raha mihoatra ny 40 isa dia azonay atao ny manatona”, hoy izy. Manentana ny rehetra, indrindra ireo olona mihoatra ny 45 taona Ramatoa Raharimamonjy  Laliarisoa hanao vaksiny satria “raha nahatsikaritra isika dia  io sokajin-taona io no maro olona lavon’ny covid, maromaro amin’ireo forme grave”. Nohamafisiny fa  ny  “fanaovana vaksiny no lalana iray ahafahantsika miala amin’izao valanaretina izao, miala amin’ny fihibohana, miverina amin’ny fiainana andavanandro”.  Marihina fa anisany nanolon-tena amin’ny fanentanana ny mpiara-belona hanao vaksiny i Haingo Pararadis.  “Noho ny fahatsapana ny maha sarobidy ny aina dia resy lahatra fa ilaina ny fanaovana vaksiny ahafahana miatrika ny covid-19, tsy ahatongavana amin’ny forme grave. Amiko harena ny olona”, hoy ity mpilatsaka an-tsitrapo ity. Lynda A. Cet article VAKSINY COVID-19 : “Lalana iray ahafahantsika miala amin’izao valanaretina izao” est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article VAKSINY COVID-19 : “Lalana iray ahafahantsika miala amin’izao valanaretina izao” a été récupéré chez Délire Madagascar.

« Raharaha Nosy Sambatra » – Iles Glorieuses: manomana ny hamaly bontana an’i Frantsa ny fanjakana
16/06/2021

Anisan’ny niaka-tsehatra teo anivon’ny Antenimierampirenena nanao tatitra tamin’ny alalan’ny visioconference, omaly, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Tehindrazanarivelo Djacoba. “Efa mivonona amin’ny fomba hamaliana an’i Frantsa sy ny antontan-taratasy rehetra hanoherana ny azy ireo isika », hoy izy. Anton’izany ny didim-panjakana noraisin’ny fitondrana frantsay momba ny Nosy Sambatra « Iles Glorieuses », tafiditra ao anatin’ireo Nosy manodidina fa hatao tahiry ara-boajanahary faha-170 ho azy ireo. Hanohitra sy hitsipaka marindrano izany ny fanjakana raha miainga amin’io minisitra io.Notsiahiviny fa efa nampiantsoiny teny Anosy ny ambasadaoro frantsay ny volana mey tamin’ny taona 2020 ary nilazany fa tsy hanaiky velively ny hanaovana ho faritra frantsay ara-boajanahary ireo Nosy ireo ny Malagasy. “Tena midika ho tsy fanajana ny fifampiraharahana efa an-dalana eo amin’ny firenena roa tonta momba ireo Nosy manodidina izao ataon’i Frantsa izao”, hoy ihany izy. Anisan’izany ny Nosy Bedimaky (Juan de Nova), ny Nosy Ampela (Europa) ary ny Nosy Kely (Bassas da India).Fanohanan’ny Sadc an’i MadagasikaraEtsy andaniny, efa nanao fanambarana ny filankevitry ny minisitry eo anivon’ny Fiaraha-miasa ara-politika sy ny fiarovana ary ny filaminana (CMO) eo anivon’ny Sadc, ny volana jona 2020; fa manohana 100% ny fanjakana malagasy izy ireo amin’ny fitakiana ireo Nosy ireo. Takin’izy ireo ny hampiharana ny fehinkevitra navoakan’ny filankevitry ny minisitra teo anivon’ny Firaisambe afrikanina (OUA) ny 20 jolay 1979 sy ny fehinkevitra navoakan’ny fivoriamben’ny Firenena mikambana (ONU) ny 12 desambra 1979. Voalaza ao anatin’ny fehinkevitra tamin’izany fa tafiditra ao anatin’ny faritry ny Repoblikan’i Madagasikara ireo Nosy ireo.Harena voajanahary tsy hita noanoaTsiahivina fa namoaka didy ny fanjakana frantsay ny talata 8 jona teo ary nanamafy fa tafiditra ao anatin’ny tahiry ara-boanajahary “Réserves naturelles” an’i Frantsa ny Nosy Sambatra. Tsy vitan’izany fa mbola nohamafisina tao amin’ny gazetim-panjakana frantsay , ny  Journal officiel, izany didy izany ny alakamisy 10 jona.Anisan’ny mampiavaka ity Nosy Sambatra ity ny fananany karazan-javamaniry sy biby maherin’ny 2 500 ary tsy fahita manerana izao tontolo izao. Ahina sy atahorana ny 20% amin’izany.Synèse R.L’article « Raharaha Nosy Sambatra » – Iles Glorieuses: manomana ny hamaly bontana an’i Frantsa ny fanjakana a été récupéré chez Newsmada.

Taolagnaro: nitondra fanazavana ny rain’ilay ankizy voadonan’ny fiara
17/06/2021

Manoloana ilay fanelezana tsaho niparitaka amin’ny tambajotran-tserasera “facebook”, nitondra fanazavana ny rain’ilay zaza matin’ny lozam-pifamoivoizana nifandona tamina fiaram-panjakana iray tao Taolagnaro. Raha ny loharanom-baovao voaray, tamin’io fotoana nitrangan’ny loza io tany Taolagnaro, nanatrika ny atrikasa niarahana amin’ny filoha Rajoelina ny minisitry ny Fiarovam-pirenena fa tsy tao anatin’ilay fiara voalaza fa nandona ilay zaza. Nanamafy izany rahateo koa ny rain’ilay zaza fa fanakorontanana sy tsaho naely fotsiny ity niparitaka amin’ny “facebook” ity. Voadonan’ny “retroviseur”-n’ny fiara ilay zaza rehefa nandeha bisikileta izay nandeha mafy araka ny filazan’ny anabaviny niaraka aminy. Nentina nandeha hopitaly ilay zaza niharam-boina ary nijoro vavolombelona nanatrika izany ny anabaviny. Nisy ny delegasiona niaraka amin’ny zandary nanao ny fomba rehetra toy ny famonoana omby ary nanatrika ny fandevenana fa tsy araka ny filazana tsaho niparitaka any anaty “facebook”.J.CL’article Taolagnaro: nitondra fanazavana ny rain’ilay ankizy voadonan’ny fiara a été récupéré chez Newsmada.

Fitakiana ireo Nosy : mangata-panazavana ny Otrikafo   
14/06/2021

               “Mbola misy ve ny fifampiraharahana eo amin’ny firenena malagasy sy ny firenena momba ireo Nosy manodidina? Raha mbola misy, aiza ho aiza izany ? Raha tsy misy intsony, nahoana no najanona?” hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Otrikafo, Rabevahiny Elia, momba ny fitakiana an’ireo Nosy malagasy manodidina. Tamin’ny 26 jona 2020 no nilazan’ny mpitondra fa tsy maintsy hiverenan’ireo Nosy ireo amin’i Madagasikara. Herintaona aty aoriana, tsy mbola miverina amintsika izy ireo. Tsy fantatra hoe aiza ho aiza isika amin’ny resaka amin’izao fotoana izao?“Heverina fa tokony hitondran’ny fanjakana malagasy sy ireo delegasiona nalefan’ny fitondram-panjakana frantsay fanazavana izany. Samy mangina ny roa tonta izao”, hoy izy.Mahatonga ny Otrikafo manomana ny amin’ny fanohizana ny fitakiana an’ireo Nosy malagasy ireo. Anton’ny fitakiana : ankalazaina isan-taona ny 26 jona lazaina fa  fiverenan’ny Fahaleovantena. Tsy mitsahatra mamerina hatrany ny antoko sy ny mpiara-dia aminy hoe: raha mbola misy ampahan-tanin’i Madagasikara eo ambany fifehezen’ny vahiny, sarotra ny mieritreritra fahaleovantena sy fiandrianam-pirenena. Mbola tolona ny Fahaleovantena, fa tsy mbola afa-mihambo ho tena mahaleo tena isika. Tsy amin’ny maha tany malagasy azy ihany ireo Nosy malagasy ireo fa misy harena ary toerana stratejika.R.Nd.  L’article Fitakiana ireo Nosy : mangata-panazavana ny Otrikafo    a été récupéré chez Newsmada.

Jirama: nampahafantarina ny fikambanan’ny mpanjifa ny tetikasa rehetra
17/06/2021

Maro ny tetikasan’ny Jirama amin’ny lafiny herinaratra sy ny rano. Tanjona ny hanatsarana ny tolotra ho an’ny mpanjifa, sady hanarenana rahateo ny toe-bolan’ny orinasa.Manana adidy lehibe amin’ny fampahafantarana ny tena zava-misy ny mpanjifa ny fikambanana miaro ny zony. Nihaona amin’ny tompon’andraikitry ny Jirama ireo fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa, miisa efatra (Fimpa, VOMZM, MCI, Scae-PC) ny 14 jona teo. Naharitra adiny efatra ny fihaonana, niresahana lafin-javatra maro, nanomezan’ny tale jeneraly, Andriamanga Vonjy, fanazavana avokoa. Anisan’izany ireo tetikasan’ny Jirama rehetra, toy ny fanarenana ny fantson-drano, ny « fampidiran-jiro mora », ny fanarenana sy ny fampitaovana ny tobim-pamokaran’ny Jirama manerana ny faritra, sns. Nohazavaina koa ny fanavaozana ny sandan-jiro vaovao, ny toe-bolan’ny orinasa. Nifarimbona namaly ny fanontaniana ny filohan’ny fikankevim-pitantanana (PCA) ny Jirama sy ny tale jeneraly (DG).Ho vita tsy ho ela ny Mandroseza IINosinganin’ny DG Andriamanga Vonjy manokana fa ho vita tsy ho ela ny foibe mpamokatra rano Mandroseza II. Afaka mitahiry rano 43 000 m3 isan’andro ity toby vaovao ity, ahitana fitaovana fanadiovan-drano. Eo koa ny fanavaozana ireo fantson-drano ampolony kilometatra, hamaha olana betsaka amin’ny famatsian-drano eto Antananarivo. « Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ity toby ity, ampiasana ny teknolojia avo lenta”, hoy ihany izy.Nanazava tamin’ny antsipiriany mikasika ny fanavaozana ny vidin-jiro ny PCA, Andriamanampisoa Solo. Ao anatin’ny ezaka hanarenana ny toe-bolan’ny Jirama izany. Nampahafantariny koa ny fanamby manaraka ho an’ny orinasa.Nisy ny fifanarahana niombonana natao sonia, teo amin’ny Jirama sy ireo fikambanan’ny mpanjifa, miisa efatra.Njaka AndriantefiarinesyL’article Jirama: nampahafantarina ny fikambanan’ny mpanjifa ny tetikasa rehetra a été récupéré chez Newsmada.