Mitohy ny fahamehana ara-pahasalamana: tsy miova firy ireo fepetra ankapobeny rehetra

News - Mitohy ny fahamehana ara-pahasalamana: tsy miova firy ireo fepetra ankapobeny rehetra

News - Mitohy ny fahamehana ara-pahasalamana: tsy miova firy ireo fepetra ankapobeny rehetra

Tsy miova firy ireo fepetra
ankapobeny amin’izao hamehana ara-pahasalamana faha-14, ho amin’ny
15 andro manaraka izao raha mitaha amin’ny teo aloha. Nambaran’ny
Praiminisitra Ntsay Christian, omaly fa efa an-dalana amin’ny
fifehezana ny valanaretina isika ka nirosoana ny fanakatonana ny
CMC-19 etsy Mahamasina. Najanona ny asan’ny BIS noho ny fihenan’ny
fifindran’ny coronavirus. Na izany aza anefa, tsy maintsy hajaina
hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana. Anisan’izany ny tsy maintsy
hanaovana arotava. ”Mahavoasazy ny tsy fanaovana izany raha
mivoaka ny trano”, hoy izy. Manomboka amin’ny 12 ora alina ka
hatramin’ny 4 ora maraina ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina
ho an’ny faritra Analamanga sy ny any Diana.

Hisokatra ny zotra
Antananarivo – Antsiranana

Eo amin’ny fitaterana, hisokatra ny
asabotsy 26 septambra izao ny zotra Antananarivo – Antsiranana sy
Antananarivo – Sambava. Tsy maintsy arahina hatrany anefa ireo
fepetra, toy ny fampiasana ny “Manifold” sy ny ara-pahasalamana ary
tsy fanondrotana ny saran-dalana

Hisokatra ny 1 oktobra izao kosa ny
sidina Nosy Be mihazo ny any ivelany. Tahaka izany koa ny
hanokafana ny seranam-piaramanidina hifandraisana amin’ny aty
amin’ny ranomasimbe Indianina amin’ny 29 oktobra izao. Anisan’izany
ny any Antsiranana, Toamasina, Taolagnaro, Toliara.

Eo amin’ny fitaterana
an-dranomasina sy an-dranomamy kosa, misokatra koa izany saingy
mbola voarara ny fampidirana na fitondrana olona avy any
ivelany.

Momba ny kolontsaina sy ny
fialam-boly kosa, tsy mihoatra ny 200 ireo olona ao anatin’ny
toerana. Mikatona amin’ny 11 ora alina. Harahi-maso izy ireny ka
hakatona raha tsy voahaja ny fepetra rehetra.

Efaka misokatra koa ny fiangonana
manerana ny Nosy, saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra
ara-pahasalamana.

Hirosoana ny fifidianana
loholona

Eo amin’ny lafiny politika kosa,
nambaran’ny praiminisitra fa tapitra ny fe-potoam-piasan’ny
Antanimierandoholona ka tsy maintsy hirosoana ny fifidianana ny 11
desambra izao.”Manaja ny lalàna velona sy ny lalàmpanorenana
isika”, hoy izy. Notsindriny koa fa tsy mitanila ny
fampandrosoana. Tsy hisy ny faritra sy distrika ho hadino ary efa
nomena vola ireop governora sy ny faritra amin’ny fametrahana
fotodrafitrasa eny ifotony. Anisan’izany ny fanabeazana sy ny
fampianarana ary ny fahasalamana sy ny rano madio fisotro.

Synèse R.

 

Article tiré de Newsmada

L’article Mitohy ny fahamehana ara-pahasalamana: tsy miova firy ireo fepetra ankapobeny rehetra a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 21/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Ao Raha

FIATREHANA FAHAVARATRA :: Tsy ahiana intsony ny hisian’ny tondra-drano eny Soavina

Fanarenana maharitra. Afaka hanatanteraka ny famboleny tsy amin’ahiahy amin’izay ny mponina eny Soavina manomboka amin’ity taom-pahavaratra ity. Araka ny nambaran’ny avy ao amin’ny fiadidiana ny tanàna dia tsy ahiana intsony ny hisian’ny tondra-drano eny an-toerana mandritra ny fotoana fiakaran’ny rano mandritra ny fahavaratra. Noho ny fandrosoan’ ny asa fanarenana ny fefiloha izay tanterahina eny an-toerana no tsy hisian’izay intsony, araka ny fantatra. “Efa manodidina ny 45% n’ny asa fanarenana no efa vita ankehitriny. Na miakatra be aza ny rano, tsy ahiana intsony ny mety hahavakisan’ ny fefiloha”, hoy ny Ben’ ny tanànan’i Soavina, Rakotoarisoa Rigobert, omaly. Nanamafy ihany koa ity tompon’andraikitra ity fa any amin’ny taona vaovao vao mety ho vita hatramin’ny farany ny fanarenana ny foto drafitrasa. Vinavinaina ho any amin’ny volana febroary ny fahavitan’ izany araka ny fanazavana hatrany. Raha ny loharanom- baovao dia efa voaloa ara- dalàna ihany koa ny vola tambin’ny trano sy tany anjaran’ireo mponina tsy maintsy noravana, eny an-toerana. Tsiahivina fa manodidina ny arivo metatra toradroa ny fanarenana iny fefiloha iny izay matetika vaky rehefa tonga ny fotoanan’ny rivo-doza ka miakatra ny rano teo aloha. L’article FIATREHANA FAHAVARATRA :: Tsy ahiana intsony ny hisian’ny tondra-drano eny Soavina est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

FJKM Tranovato Ambatonakanga: notokanana ny akany tsangambaton’ny faha-140 taona

«Tena mendrika ny voninahitr’Andriamanitra ity tsangambato ity». Izay ny nambaran’ny mpitandrina iray anisan’ireo nasaina. Vita ary tena nanaraka ny fenitra amin’ny fanaovan-trano tokoa ny akany tsangambaton’ny faha-140 taon’ny fiangonana Tranovato Ambatonakanga. Trano lehibe misy rihina roa, ahitana efitra maro (efitrano malalaka fanaovana fivoriana na atrikasa, fiofanana…, trano fidiovana manara-penitra, efitra fandraisam-bahiny miaraka amin’ny fanaka sy ny kojakoja samihafa mifandraika amin’izany,…). Ny alahady 4 aogositra 2019 teo ny nitokanana amin’ny fombam-piangonana ity akany ity. Alahady izay nifanojo indrindra tamin’ny fankalazana ny “Alahadin’ny taranaka”. Vory marobe, araka izany, ny mpianakavin’ny finoana, nahitana ireo kristianina maro sy zanaka am-pielezana ary ireo vahiny nasaina manokana.Niarahana amin’ny foibe FJKM sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny synodam-paritany Iarivo Avaradrano ny fotoana rehetra. Nitarika ny fanompoam-pivavahana Rabetokotany Miarilaza A, mpitandrika, prezidà synodaly SPIA. Nitondra ny tenin’Andriamanitra Rakotonindrainy Jaona, mpitandrina sady tonian’ny departemantan’ny fiangonana, foibe FJKM, niara-niasa  Razafiniarivo Fidison Maxim, mpitandrina FJKM Tranovato Ambatonakanga… “Ary ity vato izay naoriko ho tsangambato ity ho tranon’Andriamanitra… Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona” (Gen 28, 22a /II Kor 6, 16b). Ireo tenin’ny Soratra masina ireo no nanompanana ny fotoana. “Tsangambato natao holovain’ny taranaka mifandimby ity akany ity…”, hoy ny filohan’ny komitin’ny tsangambato, Atoa Rakotomavo Hugues.M.R. L’article FJKM Tranovato Ambatonakanga: notokanana ny akany tsangambaton’ny faha-140 taona a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Minisitra Andrianainarivelo Hajo : « Tsy hisy ny fanamboaran-dalana tandrametaka…”

Nidina ifotony nijery ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo  sy  ny manodidina ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy, omaly. “Anton’ny fijerena ety tahaka izao  ny fandrindrana ny asa miaraka amin’ny teknisiana mba tsy hisy ny tandrametaka fa asa tokony hamaha  tanteraka ny olana rehetra… Efa  mandeha ny fanamboaran-dalana rehetra amin’izao  fotoana  izao… Manodidina ny  35% ny asa vita ho an’ny toerana  sasany. Tombanana fa ho vita mialohan’ny faran’ny taona avokoa izy rehetra”, hoy  izy.  Niara-dia tamin’ny minisitra ireo teknisianina eo anivon’ny minisitera sy ireo orinasa misahana ny fanamboaran-dalana. Nambarany fa tsy maintsy atao ny fandrindrana  izany mba tsy hiteraka fikorontanana eo amin’ny asa.  Efa hiatrika ny fotoam-pahavaratra rahateo  isika ka tsy maintsy miomana dieny mialoha hialana amin’ny mety hiakaran’ny rano. Ankoatra izany, niaiky ny minisitra fa misy ihany ny fahasarotana amin’ny fanamboarana ny lalana Antanimena mihazo an’Ankorondrano.Azo ampiasaina amin’ny fahatongavan’ny papa François…Tsy maintsy hafindra ny andrin-jiron’ny Jirama na koa ny taribin’ny orinasam-pifandraisana na koa  ireo fotodrafitrasa hafa hokitihina. Eo koa ny fivarinan’ny rano sy  ny rano maloto. “Na izany aza,  hiezaka ny orinasa  mba ho azo ampiasaina amin’ny fandraisana ny papa  François izany. Hohatsaraina indray aorian’izany avy eo”, hoy ny minisitra Andrianainarivelo  Hajo.  Ho azon’ny fiara efatra, roa  mandroso sy miverina izany lalana  izany.Synèse R. Mirefy 47 km ny lalana amboarina eto Antananarivo  sy ny manodidina. Mitsinjara ho efatra izany, ahitana ny RN4 : Gara Soarano-Mahazo  sy Andravoahangy Ambony-Sabotsy Namehana. Ny RN4 kosa, Soarano  hatreny Imerinafovoany. Miainga eo Soarano mihazo an’i Mandriamena ho an’ny RN7 ary ny RN1 kosa, “Rond-point” Anosy mihazo ny tetezana Ampitatafika ary koa ny lalana Itaosy hatreny amin’ny tetezana Ampasika sy ny Cité Itaosy ary Avarabohitra. L’article Minisitra Andrianainarivelo Hajo : « Tsy hisy ny fanamboaran-dalana tandrametaka…” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Depiote Ratsimindriona Aida Hardy: « Maika  ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana »

 “Laharampahamehana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana… Tokony hijerena vahaolana haingana sy maharitra izany any amin’ny faritra Anosy. Ekena fa nanao ezaka ny fanjakana.  Misy ihany anefa ireo kaominina mbola mila hanaovana ezaka manokana. Mbola anjakan’ny asan-dahalo ny kaominina efatra amin’ireo sivy amby roapolo mandrafitra ny distrikan’i Taolagnaro. Voatery matory  an-tsaha ny vahoaka noho ny tahotra ireo dahalo”, hoy ny depiote  voafidy tao Taolagnaro, Ratsimindriona Aida Hardy. Efa nandefa fangatahana hametrahana  “poste avancé” ny tenany.Ankoatra izany, lasibatry ny  vaky fasana koa ny any an-toerana ka maherin’ny folo isanandro izany, hatramin’ny volana janoary no ho mankaty. “Karan-doha sisa avelan’ireo olon-dratsy. Ny razana lena aza avoakan’izy ireo ivelan’ny fasana”, hoy ihany ity depioten’ny IRD ity. Manampy ireo ny faharatsian-dalana. “Sakana amin’ny fampandrosoana izany satria tsy afaka mifamezivezy ny vokatra”, hoy izy. Na izany aza, nisaotra ny filoha Rajoelina ny depioten’i Taolangnaro nampanantena ny hanamboarana ny lalampirenena faha-13 sy faha-13A nandritra ny fampielezan-kevitra.Synèse R. L’article Depiote Ratsimindriona Aida Hardy: « Maika  ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Foano ny « halako bika, tsy tiako tarehy »

Na inona na inona fandaharanasan’ny mpitondra, tsy izay ihany no iankinan’ny fanovana sy fampandrosoana ity firenena ity. Maro ny zavatra tokony hahitsy, indrindra amin’ny fisainana sy ny fomba fijery, izay samy mibaiko ny fanapahan-kevitra manoloana tranga na olana samihafa.Iray amin’ireny ny halako bika, tsy tiako tarehy, izay mbola nitarika ny safidin’ny sasany tamin’ireny fifidianana nifanesy ireny. Tsy misy fijerena foto-kevitra, tsy misy fandinihana lalina ary tsy misy koa, noho ireo rehetra ireo, tanjona mazava. Mipetraka io olana io na eo amin’ny fanaovana politika na hatrany amin’ny fiarahamonina, sahanin’ny fokontany, amin’ny ankapobeny.Ho an’ny eny ifotony, tsy vitsy ny tsy mifankahazo noho ny olana madinika, izay mety ho voavahan’ny dinidinika ihany. Rehefa misy ny fivoriana na fanapahan-kevitra ilàna ny hevitry ny maro, apetraky ny sasany foana io « halako bika, tsy tiako tarehy » io. Tsy mba misy fihainoana sy fandalinana ny hevitry ny hafa fa ny fankahalana no mandeha aloha.Eo amin’ny tontolo politika, toy ny fahavalo na ny mihoatra izany mihitsy ny iheveran’ny andaniny ny ankilany, hany ka na hevitra mety hampahomby zavatra aza, raisina ho tsy manjary avy hatrany. Eo koa ny fanilikilihana izay tsy mpiray petsapetsa na mpiara-nanohana. Ny hevitra, anefa, tera-bary; ny hevitry ny maro, mahataka-davitra… Fahendren’ny razantsika avokoa ireo, izay samy manome lanja ny olona tsirairay, ao anaty fiarahamonina.Efa nisafidy ny lalana sy ny lalàn’ny demokrasia i Madagasikara, ka na inona na inona ambara, tokony halalaka ny fanehoan-kevitra ary tsy maintsy misy ny mpanohitra. Tsy fotoan’ny fijerena tavan’olona intsony izao. Asa, avy hatrany, no tian’ny fitondrana tanterahina ka tsy ireo “tsy maty voalavo an-kibo” no handeha hanao vato misakana tsy hanatrarana ny tanjona. Na izany aza, aleo halevina impito mandrifotr’olona ny “halako bika, tsy tiako tarehy” ka rehefa hita fa hevitra mahomby, mba hiaraha-manatontosa fa tsy hotoherina fahatany.Randria. L’article Foano ny « halako bika, tsy tiako tarehy » a été récupéré chez Newsmada.

News - Triatra

Fanaovana politika maloto : Tratra ny nafenin’i Dadafara

Izay manome betsaka sy manome tambiny ihany no tohanan’i dadafara , na Joseph Martin Andriamampionona, izay izy vao manohana kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa. Mazava tsara mantsy ny nambarany tamin’i Marc Ravalomanana nandritra ny fotoana vitsy nifampiresahan’ny roa tonta, “Ahoana ny fiaraha-miasantsika mianaka rehefa avy eo”. Raha adika tsotsotra ny tiany lazaina dia hoe, inona no toerana omenao ahy sy ny tambiny rehefa lany ianao. Saim-bola tsy mijery ny ho avin’i Madagasikara fa ny tenany ihany, izay no azo hamaritana ny politika manokan’i dadafara. Tsy vitan’ ny manontany fotsiny i Dadafara fa manery tsotr’izao, satria nambarany fa “maika hivory ny birao politikany ka hanapa-kevitra”. Tsy tahotra tsy henatra fa dia zatra ny fiainany eny Mandilaza feno loto sy fisainana hafahafa ary adivarotra, Hany ka na dia raharaham-pirenena aza, mbola entina anaty adivarotra ihany. Soa fa tsy nanaiky lembenan’ny mpanao politika tahaka an-dry Dadafara i Marc Ravalomanana, ka tsy maika ho lany amin’ny fanohanan’ny olona mpivarotra tanindrazana. Fantatr’i Marc Ravalomanana mantsy fa vina ara-tseza ity tadiavin’ i Joseph Martin ity, izay tsy anatin’ny fomba fanehoan’ny kandidà laharana faha-25 velively. Matoa kosa nilaza i Dadafara fa mifanaraka tsara amin’ny vinan’i Andry Rajoelina ny tetikasany, dia efa vita ny adivarotra, ary ho minisitra izany i Dadafara raha sanatria lany eo ilay tohanany. Noho izany dia tokony hanampo ny rehetra, fa hameno paosy ingahy Joseph Martin Andriamampionona, ary tsy hijery ny fahantran’ny Malagasy velively. Iza koa moa izany no mahalala fa tsy niray tsikombakomba tamin’ny dahalo i Dadafara, fony izy minisitry ny fiompiana. Manoloana ity fihetsika tia mivarobarotra ity, dia tokony hisokatra ny fanadihadiana tamin’ny raharaha halatr’omby, fony Dadafara minisitry ny Fiompiana sy ny fambolena. L’article Fanaovana politika maloto : Tratra ny nafenin’i Dadafara est apparu en premier sur .L’article Fanaovana politika maloto : Tratra ny nafenin’i Dadafara a été récupéré chez Triatra.

News - Santé - News Mada

Fiparitahan’ny valanaretina: 46 ny trangana pesta voamarina

46 ny trangana aretina peste efa voamarina, nanomboka ny 1 aogositra hatramin’ny faran’ny herinandro lasa teo amin’ny distrika 13. Nahatratra 14 ny isan’ny maty hatreto ka ny sivy noho ny pesta miseho amin’ny aretin-tratra ary dimy pesta atoditarimo, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamana, ny talata lasa teo. Tamin’ny tranga voamarina, 36 voan’ny pesta atoditarimo, 10 kosa tratran’ny aretina pesta miseho amin’ny tratra. Misy marary iray voan’ny pesta aretin-tratra velona soa aman-tsara, amin’izao fotoana izao rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Ny distrikan’i Tsiroanomandidy no nahitana tranga betsaka indrindra 12  ary ny enina maty avokoa fa ny iray mbola manaraka fitsaboana. Vonjy A.L’article Fiparitahan’ny valanaretina: 46 ny trangana pesta voamarina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Olan’ny AFT: hametraka fangatahana ny mpampianatra

Niato ny fampianarana teny frantsay eny amin’ny Alliance française Andavamamba, ny 30 jolay lasa, teo nandritra ny tontolo andro noho ny fitakiana nataon’ny mpampianatra momba ny fahataran’ny fandoavana ny karaman’izy ireo volana jolay. « Ho fanamafisana ny fangatahana maro efa nataon’izy ireo hatramin’izay hanatsarana ny fanatontosana ny asa ny fampiatoana ny fampianarana ny talata lasa teo », hoy ny fanazavan’ny solontenany. 60 ny mpampianatra nanasonia ny fangatahana voalaza. Taorian’ny hetsika, tsy nisy ny fifanatonana teo amin’ny roa tonta fa tonga dia tapaka avy hatrany ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny mpampianatra sy ny AFT, araka ny fanambarana navoakan’ny tomponandraikitry ny Alliance. Noheverina fa nanapaka ny fifanarahana ny mpampianatra rehefa nampiato ny asany ny talata teo. Mbola vonona ny handray ny mpampianatra maniry ny hanohy ny fiaraha-miasa aminy anefa ny AFT ka afaka mametraka fangatahana vaovao ireo mazoto hanaraka ny fepetra apetrak’izy ireo. Ambara fa tapaka tanteraka ny fifanarahana momba ny asa ho an’ny mpampianatra tsy nametraka fangatahana hatramin’ny anio hariva amin’ny 5 ora.Ny mpampianatra kosa, manizingizina fa marim-pototra ny fangatahana nataon’izy ireo ka mangataka ny hampiatoana ny fanapahana ny fifanarahana momba ny asa ary hiroso amin’ny dinidinika miaraka amin’ny mpitantana ny AFT.Vonjy   L’article Olan’ny AFT: hametraka fangatahana ny mpampianatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Basikety : nivoaka ny hopitaly Rabearivony Gilbert

Sitrana soa aman-tsara Rabearivony Gilbert, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe i Gamin, “doyen” ny mpitsara lalao eo anivon’ ny federasiona malagasy ny basikety. Raha ny nambaran’ny mpikambana anivon’ilay komisiona ny mpitsara, nikarakara azy, tsy vita ny fitsaboana an’i Gamin raha tsy teo ny fanampian’ireo malala-tanana. Isan’izany ny FMBB, ny ligy, ny CCA, ny CRA, ny CEBB, ny mpitsara, ny mpanazatra, ireo klioba, ireo mpilalao, ny olon-tsotra, ny mpiara-monina, ny havana ary ny mpanao gazety. Nizara roa ny fanampiana ka nisy ireo nanampy azy nivantana ary nisy ireo tonga teto anivon’ny komisiona. Ni­tentina 1 099 000Ar ny vola voaray ary nampiasaina tamin’ny fikarakarana sy ny fitsaboana azy. Azo lazaina ho efa salama tsara i Gamin ankehitriny, saingy mbola misy anefa fanaraha-maso sy ny fitsaboana arahiny mandritra ny 15 andro, raha ny fanazavana hatrany. Hampi­asaina amin’ny fanafody mbola ilaina sy ny tohana sakafo ho azy, mandritra io 15 andro io, ny ambin’ny vola amin’izany.Mi.RazL’article Basikety : nivoaka ny hopitaly Rabearivony Gilbert a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

FIKAMBANANA TSIORINTSOA: Manao ny asa tsy vitan’ny fanjakana

“Matoa betsaka ny fikambanana mpanao asa soa dia misy lesoka avy any amin’ny fitondram-panjakana”, hoy ny fikambanana Tsiorintsoa Atsimondrano. Manao ny asa tsy vitan’ny fanjakana ity fikambanana mpanao asa soa ity. Nambaran’ny filohan’ny fikambanana, Nofy Lalaina Haingoarijaona fa efa be ny asa vita raha tsy hilaza afa-tsy ny fampidirana an-tsekoly ireo zaza nitsaoka an-daharana. Ao anaty ny vinan’ny fikambanana rahateo ny fampiroboroboana ny fanabeazana raha ho an’ny distrikan’Atsimondrano manokana. Tsy adino ihany koa ny fanampiana ny tantsaha. Nilaza ny filoha lefitry ny fikambanana, Michel Joseph fa ny asa sosialy irery ihany no hampandroso an’i Madagasikara ao anatin’ny fotoana fohy. Loha-laharana amin’izany ny fahasalamam-bahoaka. Manarak’izay ny fanomezana asa ho fidiram-bola. Efa nanome asa ho ana fianakaviana maromaro ny fikambanana Tsiorintsoa Atsimondrano toy ny fanaovana asa tana-maro. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana, mbola ny ezaky ny mpikambana no hanaovana ny asa soa. 8000 ny isan’ny mpikambana amin’izao fotoana izao. Manohana kandida “Mila tamberina ny vahoaka ary mila olona afaka hihetsika hitondra fampandrosoana”, araka ny fanambaran’ny fikambanana. Rehefa namaky ny vinan’ny kandidà laharana faha-25, Marc Ravalomanana ny fikambanana dia resy lahatra fa hanohana azy tsy misy fepetra amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny 19 desambra 2018. Ao anaty ny vinan’ny kandidà ny sosialim-bahoaka ka izany no nahatonga ny fikambanana tapa-kevitra. Mifanojo amin’ny vinan’ny fikambanana izany dia fanantanterahana ny zavatra tadiavin’ny vahoaka. “Izay zavatra tenenin’ny vavanay dia tsy maintsy tanterahinay”, hoy ny filohan’ny fikambanana Nofy Lalaina Haingoarijaona. Mandritra ny fampielezan-kevitra amin’ity fifidianana fihodinana faharoa ity dia hampahafantatra ny olona ny kandida laharana faha-25 sady hanao asa sosialy ny fikambanana Tsiorintsoa Atsimondrano. Lynda A. Cet article FIKAMBANANA TSIORINTSOA: Manao ny asa tsy vitan’ny fanjakana est apparu en premier sur déliremadagascar.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-10-2020
Source : CCO COVID19 - 30/10/2020

Notsongaina

Alaotra Mangoro: nahazo talem-paritry ny filaminana vaovao
28/10/2020

   Notanterahina afakomaly maraina ny famindram-pahefana teo amin’ny talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Alaotra Mangoro teo amin’ny commissaire divisionnaire de police Rabenilaosana sy ny talem-paritra vaovao ny commissaire principale de police Rakotoarijaona Faly. Nanatrika izao lanonana izao ny tompon’andraiki-panjakana ambony any an-toerana. Fa tontosa omaly koa ny famindram-pahefana teo amin’ny talen’ny police ekonomika ny commissaire principale de police Ratsimba Bricce Andrianina tale teo aloha izay voatendry ho talen’ny fisahanan-draharaha sy ny fitantanam-bola ary ny fampitaovana sy ny tale vaovao, ny contrôleur générale de police Razafindravonona Georges Evariste.Jean ClaudeL’article Alaotra Mangoro: nahazo talem-paritry ny filaminana vaovao a été récupéré chez Newsmada.

DGSR-Gcam: tokony horaisina ara-teknika ny fiara vaovao vao amidy
29/10/2020

 Nihaona mivantana ny tompon’andraikitry ny foibe fitsarana fiarakodia sy ireo mpandraharaha mpanafatra sy mpivarotra fiara vaovao, omaly. Tonga nanatrika izany ireo solontenan’ny vondron’ireo mpandraharaha mpanafatra sy mpivarotra fiara vaovao (Gcam). Tanjon’ny fihaonana ny fampanarahan-dalàna ny sehatra fanafarana fiara sy fampidirana fiara vaovao eto Madagasikara. Eo koa ny fanamboarana sy ny fikirakirana ny ara-taratasy rehetra hahatomombana ny fivezivezena.Nasiana tsindrim-peo manokana ny mikasika ny tokony hanaovana fandraisana ara-teknika ireny fiara vaovao ireny mialoha ny hamarotana azy. Teo koa ny lalàna mikasika ny laharana WWT, izay voafaritra mazava fa ireo fiara vaovao navoakan’ny orinasa nanamboatra azy ihany no tokony hitondra izany.Anisan’ny nampitaraina mafy ny foibe fitsarana fiara teo aloha ny gaboraraka teo amin’io laharana WWT io satria misy fiara tena efa ratsy kanefa mbola mitondra izany ihany fa tsy milamina ny taratasiny.Hodinihina amin’ny fivoriana manaraka indray ny mikasika ny fanitsiana ireo andinin-dalàna efa misy hatramin’izay mba hifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny. Iarahana amin’ny sampan-draharaham-panjakana voakasik’izany ny fihaonana amin’io fotoana io.Tatiana AL’article DGSR-Gcam: tokony horaisina ara-teknika ny fiara vaovao vao amidy a été récupéré chez Newsmada.

Pilo kely #4538 aroson’i Mamy Be
27/10/2020

L’article Pilo kely #4538 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

Sarimihetsika-Out linemovies: hivoaka rahampitso ny “Tsiafajavona 2 lire”
26/10/2020

Ho fanomezana fahafaham-po ny mpankafy, hivoaka, rahampitso talata 27 oktobra, manerana ny Nosy, ny DVD « Tsiafajavona 2 lire », fizarana farany. Sarimihetsika malagasy novokarin’ny Out linemovies, tao aorian’ny “Tsiafajavona 1”, izy ity. Tantara natao ho an’ny rehetra. Mifono anatra sy lesona ary ny trangam-piarahamonina amin’ny endriny samihafa. Ao anatin’izany ny mampitebiteby sy ny mahatsikaiky isan-karazany.Maro ireo mpilalao sangany eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy hamelona ny “Tsiafajavona 2 lire”. Sarimihetsika tsy ho latsa-danja amin’ireo efa nivoaka hatramin’izay ihany koa raha ny fanomanana sy ny fanatontosana azy. Manamafy izany rahateo ny fandraisana anjaran’ireo mpilalao efa za-draharaha tsara amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy, raha ny filazan’ny Out linemovies.“Raha fintinina ny tantara, niezaka nandamina ny olana eo aminy i Tanjona sy Razily ary i Menja. Kanefa, etsy ankilany, tsy nanaiky hatramin’ny farany i Velo fa nitady izay fomba rehetra hanapotehana ny fianakavian’i Tanjona sy i Navela, ary nitady hevitra hiarahana amin’i Zily”, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra.NarilalaL’article Sarimihetsika-Out linemovies: hivoaka rahampitso ny “Tsiafajavona 2 lire” a été récupéré chez Newsmada.

Antananarivo sy ny manodidina: niraradraraka ny havandra
28/10/2020

 Tora-bato avy any an-danitra ny firaraky ny havandra teto Antananarivo sy ny manodidina omaly tolakandro. Narahin’orana nikija izany avy eo niaraka tamin’ny kotro-baratra sy tselatra namaky lanitra. Niraradraraka ny havandra naharitra 10 minitra teo teto an-dRenivohitra ary nitoraka hatrany atsimon’Antananarivo hatrany Bongatsara sy Ambatofotsy iny. Nanimba ny fambolena izany ary mampitomany ny tantsaha mihitsy. Orana maivamaiva kosa no nandrafitra ny toetr’andro ho an’ny faritra andrefan’Antananarivo iny, omaly. Nialohavana rifotra nifofo anefa izany ka nampitora-jofo ny vovoka sy nandrava ireo tafo sy takela-by teny amoron-dalana.Naharitra hatramin’ny alina ny oram-baratra ary nahafaly ny tantsaha tamin’iny faritra andrefan’Iarivo iny ny firaraky ny orana nanondraka indray ny voly. Anisan’ny nisitraka izany ireo mpamboly voninkazo izay tena miandry fatratra ihany koa ny filatsaky ny orana hampahazo aina azy ireny.Tatiana AL’article Antananarivo sy ny manodidina: niraradraraka ny havandra a été récupéré chez Newsmada.

Baolina kitra – Can 2021 :: Miandry ny Filoha ny fidiran’ i Côte d’Ivoire eto amintsika
27/10/2020

Miankina tanteraka amin’ny fanapahan-kevitry ny Filohan’ny Repoblika malagasy sy ny valanaretina Covid-19, amin’ny fanokafana ny lanitr’i Madagasikara, ny mety hahatanteraka ny lalaon’ny Barean’i Madagasikara sy ny Elefanta Ivoariana eto amintsika, amin’ny 17 novambra ho avy izao. Mikaroka ny fomba rehetra hialana amin’izany ny Federasiona ivoariana (FIF), raha mino sy manantena ny hahatontosa ny lalao any Barikadimy kosa ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra. Niangavy tamin’ny Kaonfederasiona afrikanina (CAF) ny hanaovana an’io lalao io any amin’ny firenen-kafa, noho ny fikatonan’ny sisin-tany malagasy. Mbola tsy namaly izany hetahetan’izy ireo izany anefa ny CAF. Etsy an-kilany, mangataka fahazoan-dalana manokana, homena ny delegasiona ivoariana hahafahan’izy ireo miditra eto hanatontosana ny fihaonana eo amin’ny roa tonta, any any amin’ny Filohampirenena ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). “Tsy hikatona foana akory ny sisin-tany malagasy. Ny azo antoka dia hatao eto amintsika ny lalao miverina hifandonan’i Barea sy i Côte d’Ivoire”, hoy Andrianony Victorien, filoha vonjimaikan’ny FMF. L’article Baolina kitra – Can 2021 :: Miandry ny Filoha ny fidiran’ i Côte d’Ivoire eto amintsika est apparu en premier sur AoRaha.

Bakalorea :: Hivoaka raha afaka telo herinandro ny voka-panadinana
27/10/2020

Niroso tamin’ny fitsarana an’ireo taratasim-panadinana bakalôrea ny mpitsara, nanomboka omaly tolakandro. Tamin’ ny alakamisy lasa teo no nifarana ny adina an-tsoratra ho an’ny fanadinana bakalôrea ankapobeny raha mbola mitohy kosa ny adina ho an’ireo mpianatra miatrika ny sokajy teknika. Tombanana hivoaka, amin’ny tapaky ny volana novambra any ho any, ny voka-panadinana. “Efa manomboka ny fitsarana an’ireo taratasim-panadinana ho an’ny bakalôrea ankapobeny. Ho vita amin’ ny herinandron’ny 2 novambra ho avy izao ny fitsarana rehetra. Any amin’ny herinandron’ny 16 novambra any kosa no hivoaka ny voka-panadinana”, hoy ny nambaran’ny tompon’ andraikitry ny fanadinana. Tsy mbola manana ambara mikasika ny naotin’ireo mpiadina kosa ireo mpitsara noho izy ireo vao manomboka ny fitsarana. Nizotra am-pilaminana kosa, tamin’ny ankapobeny, ny andiany faharoa amin’ny bakalôrea teknika, omaly. Hifantoka amin’ireo taranja natokana ho azy ireo ny mpiadina, amin’ity herinandro ity. Nanao fidinana ifotony teny amin’ny lisea teknika Ampasampito sy teny Mahamasina ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Assoumacou Elia Béatrice, omaly. Mafy ny fanaraha-maso ny fizotran’ny fanadinana manerana ny Nosy. Omaly ihany dia efa nosantarina ny fitsarana ny taratasim-panadinan’ireo mpiadina. L’article Bakalorea :: Hivoaka raha afaka telo herinandro ny voka-panadinana est apparu en premier sur AoRaha.

Fizahantany anatiny: dia an-tongotra 182 km
23/10/2020

 Afa-tsy ny any Nosy Be, tsy misy ny mpizahatany vahiny tonga aty Madagasikara, satria tsy misokatra ny sidina ana habakabaka avy any ivelany mankaty Madagasikara. Manoloana izany, nametraka paikady vaovao sady miavaka ny fanjakana, hampiroboroboana ny fizahantany ato anatiny. Iarahan’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro (MTTM), sy ny Ofisim-paritry ny fizahantany Analamanga (Ortana) manatontosa ny hetsika  “Ultra Trek des collines sacrées”. Fifaninanana dia an-tongotra lavitra ezaka (randonnée), hitetezana ny tendrombohitra masina manan-tantara eto Analamanga, hatao ny 20, ny 21 ary ny 22 novambra ho avy izao. Mitotaly 182 km ity fifaninanana ity, ahitana dingana efatra. Nampahafantatra izany, omaly, ny tale jeneraly (DG), ny MTTM, Ratokoniaina Yves, sy ny tale mpanatanteraka (DE) ny Ortana, Razafinavalona Harimisa.Manan-daza iraisam-pirenenaTanjona ny hanomezana tolotra vaovao ny mpanjifa, hampahantarana bebe kokoa an’i Madagasikara sy ny ao anatiny, toy izao hatao eto Analamanga izao. Taorian’ny fanadihadiana mantsy, tsikaritra fa misy ireo tendrombohitra masina sady manan-tantara sy malaza ka tokony homen-danja. Tsy eto an-toerana ihany fa na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena aza, toa ny Rovan’Ambohimanga, vakoka iraisam-pirenena Unesco.Tsiahivina fa efa nahavita namaritra sori-dalana azo tsidihina mahatratra 700 km ny Ortana, tato anatin’ny 10 taona farany. Sori-dalana mitety kaominina maro ato anatin’ny faritra Analamanga. Efa nametrahana marika manokana amantarana an’Analamanga amin’ireo sori-dalana ireo, manaraka ny fenitra eoropeanina sy ny federasiona frantsay ho an’ny dia an-tongotra lavitra ezaka, hanamora ny fanarahan’ny mpifaninana azy.Njaka A.L’article Fizahantany anatiny: dia an-tongotra 182 km a été récupéré chez Newsmada.

Nanamafy ny nambaran’ny kardinaly ny Mgr Andriantsoavina
28/10/2020

 Hentitra ary nahitsy. « Tsy mankato ary tsy hankatoa na oviana na oviana ny fiarahan’ny olona mitovy fananahana ny eglizy katolika », hoy ny eveka mpanampy eto amin’ny arsidiosezin Antananarivo, ny Mgr Andriantsoavina Jean Pascal, omaly. Nohamafisiny ny nambaran’ny kardinaly, Tsarahazana Desiré, afakomaly momba izany.  Nanteriny fa hevi-diso no nandikan’ireo mpikirakira ny serasera avy any ivelany ny teny « espagnol « nanehoan’ny papa Fransoa ny fanehoan-keviny ka niteraka izao resabe izao. Namintinany izany ny tsy fankasitrahana tanteraka izany tranga mifanohitra, tsy araka an’Andriamanitra izany. « Ny katolika tsy mankato ny fiarahan’ny olona mitovy fananahana nefa kosa tsy manilika ny olona, miaina ao anatin’ny tranga fahasarotana tahaka izao », hoy izy. Mbola hanamafy izany koa ny arseveka, ny Mgr Razanakolona Odon eny Amboara, ny asabotsy izao, amin’ny fanamasinana pretra.Synèse R.L’article Nanamafy ny nambaran’ny kardinaly ny Mgr Andriantsoavina a été récupéré chez Newsmada.

Basikety-Lalao tsapa: nandresy ny ekipan’ny CosPN ny ekipa nasionaly
26/10/2020

Nanatanteraka lalao fitsapana ny ekipa nasionaly, taranja basikety, ny faran’ny herinandro teo, ho fanomanana ny lalao iraisam-pirenena hataon’izy ireo ny volana novambra izao. Ny ekipan’ny CosPN ny nifanandrina amin’izy ireo nandritra izany ka lavony tamin’ny isa 68 no ho 40. Raha io valin-dalao io, azo lazaina ho maivana amin’ny ekipa nasionaly ny nandavo ity ekipan’ny CosPN ity, “na izany aza, mbola misy hatrany ny lesoka mila harenina”, hoy ny mpanazatra. Mbola manana iray volana latsaka eo ny ekipa, mialoha ny hiaingana eto an-tanindrazana hiatrika ny lalao fifanintsanana amin’ny “Afrobasket 2021”, hatao any Kigali Rwanda. Raha ny vaovao voaray, ny 20 novambra izao ny tokony hiala eto an-toerana ny delegasiona malagasy. Miankina betsaka amin’ny fisokafana ny sidina eto amintsika anefa izany, raha ny nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasy ny basikety, Ramaroson Jean Michel.Tsiahivina fa efa tamin’ny fiandohan’ny volana oktobra ny fampivondronana ireo mpilalao mandrafitra ny ekipa nasionaly ary mbola mitohy hatramin’ny andro hialana eto an-toerana izy ireo. Mi.RazL’article Basikety-Lalao tsapa: nandresy ny ekipan’ny CosPN ny ekipa nasionaly a été récupéré chez Newsmada.

RN44 horakofana tara : manomboka ny ampahan’ny asa farany
26/10/2020

Feno tanteraka izao ireo orinasa mandray antoka ny handrakofana tara manontolo ny lalam-pirenena faha-44 avy Moramanga hatrao Ambatondrazaka. Am-perinasa, nanomboka ny 23 oktobra teo, ny orinasa sinoa China Road and Bridge Corporation (CRBC) voaray hanatontosa ny ampanhany farany, miala avy ao Amboasary (PK 60) ka hatreo Vohidiala (PK 133), tanàna nisehon’ny orinasa hanatanteraka ny asa, tamin’ny filohan’ny Repoblika. « Hisy tetezana lehibe iray vaovao hatao…65 miliara Ariary ny vidin’ny asa rehetra hatao », hoy ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, Andrianainarivelo Hajo, raha nandray ny filoham-pirenena, nanatrika ny fiantombohan’ny asa.Ho 8,40 metatra ny sakan’ny làlana amin’ny faritra mamakivaky tanàna, ary ho 8,60 kosa ny sisa. Ho ao amin’ny PK 87 no hisy toby foibe. « Somary vitsy ny toerana azo hakàna vato any amin’iny toerana iny: enina aloha ny efa hita hatreto… Tsy hovaina ny soritra (tracé) ankehitriny, mirefy 73 km, io », hoy ny teknisianina sinoa tafaresaka taminay.Orinasa za-draharaha ny CRBC.”Efa maro ny asa vitan’ny CRBC aty Afrika, hoy ny filoha Rajoelina Andry: « Ny hafatra: ny asa ataontsika eto, mba ho zavatra matanjaka, manaraka ny fenitra. Mba hipetraka holovain-jafy. »Naverimberiny izay raha nitokana ny seranam-piaramanidina nohatsaraina eny Feramanga Avaratra, ny sekoly manara-penitra ao Ambatondrazaka. Teo amin’ireo tetezana roa an-dalam-pahavitàna: ny « Tetezan’ny kafe » sy ny “Nanaingazipo”, taloha izay nomen’ny filoham-pirenena anarana hoe “Tetezan’ny Fihariana », manomboka izao.RarivoL’article RN44 horakofana tara : manomboka ny ampahan’ny asa farany a été récupéré chez Newsmada.

One Jah Mistik Fanahy: “Hiderana an’Andriamanitra ny mozika”
27/10/2020

 Rakotomanga Hasina (Sinayah) na i One Jah Mistik Fanahy, eo amin’ny tontolon’ny mozika. Niaina sy lehibe ao anaty mozika rap izay tena namolavola ny talenta ao anatiny izy. Niaraka amin’ireo zoky tamin’izany nanangana « clan », toy ny “Dix clan”. Nampivelatra ny kolontsaina rap ao anatiny ao izy io, raha ny filazany. Ny nahatonga azy hivoy manokana ilay gadona, «… satria ny tanora no tena kendrena amin’izao asa fitoriana izao. Tokony hifono hafatra, mitaiza sy manabe anefa ny mozika. Indrindra, tokony hiderana an’Andriamanitra ».Efa betsaka ny hira vita taloha, saingy tsy avoaka intsony ireny satria hiran’izao tontolo izao. Mieritreritra ny hamoaka “album” iray, mitondra ny lohateny hoe « Katolikos », ny tenany. Efa misy rindrantsary “clip” vita sy rakikira “Ho an’i Mama” miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera “facebook”, amin’izao. Marihina fa mpikambana amin’ny antoko mpihira ao amin’ny Feon’Anjomara vaovao, Ekar Kristy Mpanjaka Manjakaray, izy ary anisan’ny mpamoronkira ao. « Hanteriko fa nisafidy ny rap, ny roots, ny reggae amin’ny asa fiderana aho satria ny tanora no tena tiako hiantefan’ny antson’Andriamanitra », hoy i One Jah Mistik Fanahy.Narilala L’article One Jah Mistik Fanahy: “Hiderana an’Andriamanitra ny mozika” a été récupéré chez Newsmada.