Minisitra Blanche Nirina Richard: “Hojerena ireo tsy tafita eny amin’ny oniversite”

News - Minisitra Blanche Nirina Richard: “Hojerena ireo tsy tafita eny amin’ny oniversite”

News - Minisitra Blanche Nirina Richard: “Hojerena ireo tsy tafita eny amin’ny oniversite”

Tontosa, omaly, ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitra teo aloha, i Rejo-Fienena Felicitée,  sy ny vaovao hisahana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, i Blanche Nirina Richard. Tahaka izany koa ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.

“50%-n’ireo tanora afaka bakalorea anefa, tsy tafita eny amin’ny oniversite. Tsy maintsy hojerena ny hoavin’izy ireo hitovian’ny tanora malagasy sy ny zana-bahoaka. Tsy maintsy misy ny fanaraha-maso sy ny fizohiana amin’ny asa rehetra atao… Omena hasina ireo mendrika eo amin’ny andraikitra”, hoy ny minisitra vaovao, i Blanche Nirina Richard, omaly tetsy Fiadanana tamin’ny lahateniny, raha vao nandray ny fitantanana. Nanteriny fa hapetraka ny toko telo: fiaraha-miasan’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpandraharaha ary ny mpianatra. Ilaina ny kalitaon’ny fampianarana ary hotanterahina ao anatin’ny fitoniana ny asa rehetra. “Hanampy sy hanohana eo amin’ny fampitaovana ny fanjakana hanatrarana ny fanamby”, hoy ihany izy. Notsiahivin’ny minisitra teo aloha kosa ny dingana vita. Anisan’izany ny ady atao amin’ny kolikoly sy ny hosoka eo amin’ny diplaoma. Ny fametrahana ny oniversite manakaiky vahoaka, ny nametrahana ny sehatra ifanakaozan-kevitra, ny famahana ny olan’ny vatsim-pianaranana…

Hamaky ady amin’ny kolikoly

Vita koa ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitra vonjimaika, i Rejo-Fienena Felicitée, sy ny ministra teo aloha ny Fanabeazam-pirenena, naverina amin’ny toerany, i Volahaingo Marie Thèrese. Nanteriny fa hanohy sy hanatsarana ary hanatratra ny tanjon’ny minisitera miainga amin’ny veliranon’ny filoha ny tenany. Anisan’ny laharam-pahamehana ny fanatontosana ny fanadinana, tsy misy hadisoana. Ny fanorenana trano sekoly EPP sy CEG ary lycée… “Ho lavitry ny kolikoly izany fanamboarana izany…”, hoy izy. Hapetraka ny vaomiera hifantina ireo fampidiranam-piasam-panjakana, tsy misy kolikoly… Hohafainganina ka haloa mialoha ny fotoam-pialan-tsasatra ny volan’ny mpampianatra Fram. “Miantso ny tsy miankina sy ny teknisianina ary ny mpamatsy vola hifandinika handrindrana ny PSE ho amin’ny fanatsarana ny fanabeazana”, hoy izy.

Synèse R. 

 

Article tiré de Newsmada

L’article Minisitra Blanche Nirina Richard: “Hojerena ireo tsy tafita eny amin’ny oniversite” a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 28/07/2019

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Minisiteran’ny Mponina: haorina ny village communautaire faharoa

Hitohy ny fijerena manokana ireo mponina tsy manan-kialofana ny matory eny an-dalambe, hoy ny talen’ny kabinetra vaovaon’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy, Andriantseheno Paul, omaly nandritra ny famindrana ny fitantanana teo aminy sy ny talen’ny kabinetra teo aloha, Rasoamaromaka Hery. Efa misy ny tetikasa handraisana an-tanana azy ireo, araka ny paikadin’ny minisitera. Nizara sakafo mafana sy lamba firakotra amin’ireotoerana vitsivitsy nisy ireo tsy manan-kialofana ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny Mponina. Ireo tunnel telo eto an-dRenivohitra : Ambanidia, Ambohidahy ary Behoririka no notolorana fanampiana. 250 ireo nomena sakafo mafana, 50 amin’ireo vehivavy mampinono sy mitondra vohoka ary nahazo botofotsy koa. Nanambara ny minisitry ny mponina Naharimamy Lucien Irmah fa tohin’ny fidinana efa natao tamin’ ny faran’ny herinandro lasa teo, no natao ny alin’ny alakamisy lasa teo. Tsy misy tahirim-bola manokana hanaovana ny hetsika fa fandraisana andraikitra mivantana ataon’ny mpiara-miasa eto anivon’ny minisitera. Eo am-pamolavolana ny fananganana village communautaire ny fitondram-panjakana. Mamantatra ireo olona tokony hahazo trano amin’izany village communautaire izany ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny Mponina. Efa manana toerana any Ankarefo ny minisiteran’ny Mponina amin’izao fotoana izao. Amin’ity taona ity,  vinavina ny hanangana toerana hafa any Vinaninkarena, kaominina ambanivohitra Antsirabe. Asiana toeram-pambolena sy fiompiana hiveloman’ny mpifindra monina ny tanàna vaovao.Vonjy A. L’article Minisiteran’ny Mponina: haorina ny village communautaire faharoa a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Anosibe : Jiolahy nitondra « kalach », nanafika « grossiste »

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray tetsy Anosibe, ny sabotsy lasa teo. Mpivarotra ambogandiny teny an-toerana indray mantsy no lasibatry ny andian-jiolahy. Vola an-tapitrisany maro no lasan’ireto farany. Mbola mazava tsara mihitsy ny andro, kanefa dia sahy nanatanteraka ny asa ratsiny ireto mpanafika ireto. Tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany tolakandro teo mantsy no nitranga ity fanafihana ity araka ny fampitam-baovao azo avy eny anivon’ny zandary. « Grossiste » amina  kojakoja ilaina andavanandro no nidiran’ireo efa-dahy an-keriny. Araka ny voalaza, dia nitondra basy mahery vaika, toy ny « kalach » ireto farany nanao amboletra tao amin’ilay mpivarotra. Mazava ho azy, teo anatrehan’ny basy narangarangan’ireo olon-dratsy, dia tsy sahy nanohitra na namaly ireo mpanafika, na ireo tompon-trano na ireo mpanjifa mbola tao amin’ilay tsena. Ireo nahita ihany koa avy hatrany dia samy nitsoaka namonjy ny ainy avokoa. Nigalabona tanteraka araka izany ireo olon-dratsy, nandrahona ny tompon’ny tsena hanome ny vola rehetra. Tafakatra any amin’ny dimampolo tapitrisa ariary any ho any araka izany ny vola azon’ireo tamin’io fivarotana io. Vao azon’io volabe io dia nitsoaka avy hatrany izy ireo. Taorian’io vao afaka niantso vonjy sy nampilaza ny mpitandro filaminana ilay voatafika. Ny zandary avy etsy amin’ny borigady Tana Ville no nandray an-tànana avy hatrany ny raharaha, ary nanao izay nikarohana ireo olon-dratsy. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia efa nisy lehilahy iray nosamborina teny an-toerana. Ahiana tanteraka ho mpiray petsapetsa na isan’ireo nandray anjara tamin’ity fanafihana mpivarotra ambongadiny ity mihitsy izy io, hoy hatrany ny vaovao. Efa nentina nofotorana teny Betongolo moa ity farany. Na izany aza mbola mitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy nanafika. m.LL’article Anosibe : Jiolahy nitondra « kalach », nanafika « grossiste » a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Sport - News Mada

“Slalom 2018”: manana tombony Rakotomiarana Tsiory

Hotontosaina, ny 8 sy ny 9 desambra izao eny amin’ny TMF Ivato, ny dingana faha-7 sady farany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara 2018, “Slalom”. Fifaninanana karakarain’ny klioba ACCT. Milaza ny fahavononany avokoa ireo mpandray anjara rehetra ary samy hiady ny ho lohany. Manana tombony Rakotomiarana Tsiory miohatra amin’ireo mpanamory hafa, raha jerena ny isa efa eo am-pelatanany. Manana isa 129 izy amin’izao, taorian’ny dingana enina nifaninanana. Nahazoany fandresena avokoa ny dingana dimy amin’ny enina  raha atao ny jety todika. Nanamarika isa ambony hatrany i Tsiory nandritra ireo dingana ireo. Nisantatra ny fandresena rahateo izy tamin’ny “Slalom” voalohany, nokarakarain’ny TMF Rally, nahazoany isa 25. Toy izany koa ny tamin’ny “Slalom” MSA sy FMMSAM ka nahazoany io isa ambony 25 io. Azo lazaina ho mazava, araka izany, ny lalany amin’ny fisalorana ny anarana maha tompondaka amin’ity taona ity. Laharana faharoa manaraka an’i Tsiory Rasoamaromaka Mika, manana isa 83. Na ambony aza io isany io, ho sarotsarotra ny hanenjika an’i Tsiory noho ny elanelan’isa mifanalavitra. Mbola ny zana-dRasoamaromaka, i Faniry, ihany koa ny eo amin’ny laharana fahatelo, amin’ny filaharana ankapobeny vonjimaika ary manana ny isa 74. Na efa tazana aza ny fahombiazana ho an’i Tsiory, mbola samy miandrandra fandresena avokoa ireo mpanamory mpandray anjara, amin’ity dingana faha-7 farany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara 2018, “Slalom”, ity.   Mi.Raz   Filaharana ankapobeny, taorian’ny dingana faha-6, “Slalom 2018” 1-Rakotomiarana Tsiory: 129 2-Rasoamaromaka Mika: 83 3-Rasoamaromaka Faniry: 74 4-Rajemison Aro Kiady: 43 5-Rabekoto Adriani: 42 6-Rahamefy Teddy: 27 7-Raharinosy Stenio: 15 8-Rabesaotra Mickael: 10 9-Ramiarijaona Tsitohaina: 8 10-Louvel Mickael: 7L’article “Slalom 2018”: manana tombony Rakotomiarana Tsiory a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kandidà tokana, Lapan’i Tsimbazaza: lany ho filohan’ny Antenimiera Razanamahasoa Christine

Lany tsy nisy mpifaninana. Samy nanohana ny kandidà tokana, ny depiote Razanamahasoa Christine, avokoa ireo depiote eo anivon’ny vondrona parlemantera na koa ny antoko politika  niatrika ny fifidianana ny ho filohan’ny Antenimierampirenena, omaly hariva teny Tsimbazaza. Anisan’izany ny avy amin’ny IRD, ireo depiote eo anivon’ny tsy miankina (GRP) ary koa ny avy amin’ny Malagasy miara-miainga. Manampy izany ny avy amin’ny antoko hafa, toy ny RPSD Vaovao.Nametraka fepetra ny kandidàn’ny Tim Na izany aza, nametraka fepetra ny depiote avy amin’ny Tim na nanohana ny firotsahan-dRazanamahasoa Christine aza. “Ho antoko mpanohitra izahay. Fanoherana manaraka lalàna fa tsy bontolo ho amin’ny fametrahana ny demokrasia sy ho maodely”, hoy ny mpitondra teny, ny depiote Razafimanantsoa. Nanteriny fa kandidà tokana ihany ny nirotsaka nefa na izany aza, tokony haverina ny hasin’ny Antenimiera. Ka mazava ny fepetra. Hanohana anao izahay raha vonona ny hanaja ny demokrasia sy hihaino ny hevitry ny rehetra. Hanome lanja ny hevitry ny mpanohitra”, hoy ihany izy.“Alefa Barea” ho an’ny depiote  Tsy niandry ela fa namaly izany ny filohan’ny Antenimierampirenena vaovao, Razanamahasoa Christine, ka nampahatsiahy ny tranga niseho teto amin’ny firenena. “Alefa  Barea” ho an’ny firaisankinantsika satria vita ny fifidianana filoham-pirenena sy ny depiote ka tafaray eto isika… Hiantoka ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana izao fijoroan’ny Antenimiera izao ary hatanjaka. Nimatimatesantsika izany ary tsy hitsingevaheva ka havitrika amin’ny fampandrosoana ny firenena…”, hoy izy. Nampanantena ny tenany fa handala ny fifanakalozan-kevitra sy ny hevitra tsy mitovy ary hiantoka ny fanatanterahana ny programa  ao anaty fanajana lalàna…Fiketrehana tombontsoa ho an’ny depiote  Na mpanohitra na tsy miankina, tokony hisitraka izany fampandrosoana izany, araka ny  nambarany. Aza matahotra na mihemotra mampahatsiahy ny mpanatanteraka ny tsy mety… Ara-dalàna izany ary araka ny lalàmpanorenana. Efa natsidiky ny filohan’ny Antenimiera vaovao sahady fa hojerena akaiky koa ny fampanantenana natao tamin’ny vahoaka sy ny tokony ho tombontsoan’ireo solombavambahoaka. “Hiadiantsika amin’ny mpanatanteraka  ny fandaharanasantsika. Vonona hiaraka hiady amin’izany isika… Omeo anay ny fitaovana ahafahanay manatanteraka ny asanay. Tsy hisy diso anjara amin’izany isika… Tsy hijery loko foko sy fiaviana na politika fa depiote an’ny Malagasy rehetra”, hoy izy.Tsiahiviana fa filoha fahatelo nitantana ny Antenimierampirenena Razanamahasoa Christine, amin’izao Repoblika fahefatra izao.Synèse  R. L’article Kandidà tokana, Lapan’i Tsimbazaza: lany ho filohan’ny Antenimiera Razanamahasoa Christine a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fampandrosoana ny eny ifotony: nojeren’ny minisitera ny tetikasa ho an’ireo Mikea

Nidina ifotony nijery ny ala sy ny tanàna itoeran’ireo Mikea tao amin’ny kaomina Basibasy fokontany Bedo sy Vorehe ny solontenan’ny ministeran’ny Fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy (MAHTP) tamin’ity herinandro ity. Notarihin’ny tale jeneralin’ny fananan-tany Ratolorantsoa Petera sy ny tale jeneralin’ny tahirim-pirenena ho an’ny fananan-tany (FNF). Nofidina manokana ity faritry ny Mikea ity mba hijerena ifotony ny zava-misy any an-toerana sy ny fandaminana ny fiaraha-monina ao amin’izy ireo. Nisy ny dinidinika sy fifankalozana natao tamin’ireo vondron’olona Mikea  ahafahana  mamolavola tetikasa ho azy  ireo.  “Tsy afaka tanterahina eo ambony latabatra fotsiny fa mila fandinihana ifotony ny asa hatao.  Jerena ny singa rehetra sy ny tena tranga misy mba hahafahana mampifandray ny zavatra ho volavolaina amin’ny tena zava-misy.  Fomba fiasa napetraky ny eo anivon’ny MAHTP  izany”, hoy ny tompon’andraikitra.Fampandrosoana ny tanan-dehibe… Tafiditra ao anatin’ny sehatry ny atrikasam-pirenena handinihana ny fametrahana ny fiarovana ny zon’ny fananan-tanin’ny fokonolona rahateo izao fidinana ifotony izao. Anisan’ny vokatra andrasana amin’izany atrikasa izany ny famoahana ny famaritana iraisana ny atao hoe vondron’olona  mba hampidirana azy ao anatin’ny volavolan-dalàna momba ny zon’ny fananan-tany iraisana.Ankoatra izany, vita sonia, omaly  ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny MAHTP sy ny Ivontoeram-pirenena misahana  ny antontanisa (Instat). Natao izany ahafahana mandrindra ny antontanisa sy  ny antontam-baovao ho an’ny tanan-dehibe. “Ahafahana mijery ny fampandrosoana tokony hatao izany”, hoy ny tale jeneralin’ny MAHTP, Rabe H., omaly tetsy Anosy.Synèse R. L’article Fampandrosoana ny eny ifotony: nojeren’ny minisitera ny tetikasa ho an’ireo Mikea a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Iza no diso ?

Hifangaro indray ny fanasoketana ny fahalainan’ireo mpifidy nandritra ny latsa-bato, omaly sy ireo lesoka tamin’ny fanomanana ny fifidianana ho solombavambahoaka am-bolana maro ary ny fanitsakitsahana ny lalàna tamin’ny fampielezan-kevitra naharitra telo herinandro. Tsy fahombiazana no azo amehezana an’iny fifidianana nivalona omaly iny. Mby an-tsaina sahady ny ho endrikendrika sy ny toetoetry ny Antenimierampirenena atsy ho atsy. Fa ny mampanahy indrindra, dia mbola hantsoina haneho ny safidy amin’izay ho ben’ny tanàna hitondra ny kaominina indray Ramalagasy aoriana kely ao. Rehefa avy nahazo dera tamin’ny mpanara-maso ny fifidianana filoham-pirenena dia tsy azo ihodivirana ny fifanolanana aterak’iny fifidianana solombavambahoaka iny. Tsy tokony hahagaga satria nifototra tamin’ny fanajàna ny voka-pifidianana natao tamin’ny taona 2018 no mba nanindraindran’izao tontolo izao antsika. Milamina ny fifidianana ho an’ny vahiny rehefa tsy nohobiana ny mpandresy ary tsy nakoraina ny resy. Nikipiana maso ny tsy fahatomombanana rehetra. Miverina indray izy izao, saingy variana tamin’ny ady maloton’ireo mpifanandrina politika ka nihoaran’ny zava-nitranga tanteraka, na ilay Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) na ilay Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana (Hcc). Moa, toa nanapaka ny kofehin-tsoavaly ny tsy fitsabahan’ny iraisam-pirenena loatra tamin’ity raharaham-pifidianana tontosa omaly ity. Tsy voatazona izay azo tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany. Vao mainka ho sarotra tokoa ny fikatsahana ny lafatra amin’ireo fifidianana manaraka mbola hifandimby raha ny lesoka mihoapampana tamin’izao fifidianana ho solombavambahoaka izao. Ka ireo mpifidy nidongy ny tsy handray anjara tamin’ny fifidianana ve no diso, sa ireo mpikarakara izay tsy nahafehy ny zava-misy, sa ny Fitsarana toa mihazohazo amin’ny fampanajàna ny lalàna, sa ireo kandidà gaboraraka sa ny vahiny mpibedy izay namela antsika ho irery ? L’article Iza no diso ? est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Formaprod: tohanana ny tanora tantsaha mpandraharaha

Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (Maep) sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Voarakitry ny fifanarahana ny fampiroboroboana ny fandraharahana any ambanivohitra ho an’ny tanora amin’ny alalan’ny Tranoben’ny Tanora sy ny Sehatra ho an’ny Tanora. Tanterahina amin’ny alalan’ny Fandaharanasa fampiofanana arakasa sy ny fanatsarana ny vokatry ny fambolena (Formaprod) ity fiaraha-miasa ity. Efa nanomboka ny taona 2018 ny fiaraha-miombon’antoky ny minisitera roa tonta. Naharitra herintaona sy tapany ny fiara-miasa andiany voalohany ary nahafa-po ny vokatra ary misy koa ny hohatsaraina. Miisa 29 ny mpampiofana sy mpandrindra tanora eny amin’ny Tranoben’ny Tanora nahazo fiofanana. Taorian’izay, miisa 850 ny tanora notohanan’izy ireo, notoroina lalana, ary nisy 374 ny tanora eny ambanivohitra  nomena fiofanana.Araka ireo, hotohizana hatramin’ny taona 2021 ity fiaraha-miasan’ny Maep sy ny MJS ity. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpanoro lalana miisa 30 any amin’ny Tranoben’ny Tanora, miampy mpanolotsaina miisa 22 amin’ny fanofanana arakasa ao anatin’ny Formaprod. Hanofana tanora mpandraharaha ambanivohitra miisa 2.700 indray izy ireo avy eo, hamatsy fitaovam-pamokarana sy akora (zezika, fanafody, …), hanombohany ny fihariany sy ny tetikasany avy. Harahina koa ny fanombohan’izy ireo, sady tohanana ara-kevitra sy ara-teknika.Njaka A. Mitentina 97,5 tapitrisa Ar ny tetibola ampiasaina amin’ity fiaraha-miombon’antoka ity, maharitra 30 volana ary tanterahina any amin’ny faritra miisa 11: Atsinanana, Analanjirofo, Analamanga, Menabe, Melaky, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Vatovavy Fitovinany, Sofia. L’article Formaprod: tohanana ny tanora tantsaha mpandraharaha a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Lalana «rocade» – RN 2, RN 3: 35 % izao ny fandrosoan’ny asa, vita ny dingana voalohany

Nampahafantarina, omaly, ny dingana vita momba ny fanamboaran-dalana « rocade Atsinanana sy Avaratra Atsinanana » mampifandray ny RN2, RN3, sy ny afovoan-tanàna. « Lavitrezaka ny famolavolana io tetikasa io, 10 taona any ho any, vao hanomboka ny asa fanatanterahana azy. Koa ela loatra raha hiandrasana 10 taona avokoa ny tetikasa ho an’ny fampandrosoana, ka tokony hojerena izay hanafainganana azy », hoy ny minisitry ny Asa vaventy, fanajariana ny tany sy trano fonenanana, Andrianainarivelo Hajo.Iaraha-mahita sy miaina ny eto an-dRenivohitra noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana, mampikatso ny toekarena, hatrany amin’ny fahasalamana, misy fiantraikany. Izay nampiteraka izao tetikasa izao mampifandray ireo lalam-pirenena ireo, misy zotra efatra (roa ankilany avy). 35 % ankehitriny ny fandrosoan’ny asa, heverina ho vita amin’ny fiandohan’ny taona 2021, raha natomboka tamin’ny mey 2018.Matoa tonga amin’izao dingana izao anefa, isaorana lehibe ny fokonolona voakasika tamin’izany, nanaiky ny hanaovana ny asa, nefa mbola tsy naharay onitra tamin’izay fananany  noravana, trano na tany … Mikasika indrindra momba izay onitra izay ny fihaonan’ireo tompon’andraikitra avy amin’ny fanjakana sy ny fokonolona voakasika amin’ity tetikasa ity. Anjaran’ny fanjakana rahateo ny miantoka ny onitra, nanokanana tetibola 20 miliara Ar. Efa navoaka ny 55 % amin’izany vola izany, ka ny ampahany be indrindra nomena ireo rava trano, very asa fivelomana.Mbola betsaka ny tsy nahazo onitraAnjatony maro ireo antontan-taratasy mandalo ao amin’ny sampandraharaha misahana ny fananan-tany sy fanasintahana. Mbola betsaka ny tsy nahazo onitra. Nisy fotoana, 2017 -2018, natsahatra izay fandoavana onitra izay, niverenana nanaovana fanadihadiana izay vola tena  onerana. Tsy ilaozan’ny kolikoly sy fanaovana taratasy hosoka io fangatahana onitra io ; ao ny manitatra ny velaran-taniny ; ary misy aza tsy manana fa mamorona, iraisana tsikombakomba amina tompon’andraikitra sasany. Nandritra io fotoana io koa, nandraisana ny fitarainan’ireo mponina eny an-toerana momba ireo olana mbola tsy voavaha : rano tsy tafavoaka, lalan’ny mpandeha tongotra tapaka, faritra, sns. R.MathieuHalavan’ny lalana : 8,250 kmZotra : 4 ( 2 ankilany avy)Tetezana : 2Fiandrasana taxibe : 20Fotodrafitrasa ho an’ny fokonolona : 33Tetibidin’ny asa : 60 tapitrisa eurosMpamatsy vola : AFD, UE, BEI, Fanjakana malagasy L’article Lalana «rocade» – RN 2, RN 3: 35 % izao ny fandrosoan’ny asa, vita ny dingana voalohany a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

MPISOLOVAVA AN’I MBOLA RAJAONAH: Tsy voahaja ny tsiambaratelo ny fanadihadiana

 “Mampanontany tena ny tsy fanarahan-dalàna momba ny raharaha Mbola Joseph Rajaonah”, hoy ny mpisolovavany, Eric Rafidison. Fifandrifian-javatra ve fa rehefa nandeha ny siosio-dresaka fa hisy ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena dia nipoitra ity raharaha ity? Misy ambadika politika ve izany? Raha marina izany dia iza ireo ratsa-mangaika mampiasa ny Bianco ho amin’ny tombontsoa manokana ? Raha marina izany dia aiza ho aiza ny tsy fitongilanan’ny  fitantanan-draharaham-panjakana? Ireo no fanontaniana napetraky ny mpisolavavan’i Mbola Rajaonah nandritra ny vala-dresaka ho amin’ny mpanao gazety ny 7 desambra 2018. Nohazavain’ity mpisolovava ity fa vao nanomboka ny raharaha Mbola Rajaonah dia efa nisy tsy fanarahan-dalàna. Mbola tsy  tonga teny am-pelantanan’ny tompon-draharaha akory ny taratasim-panjakana mandrara ny olona arovany tsy hivoaka ny sisin-tany, efa niparitaka tao amin’ny tambazotran-tserasera “facebook” ny taratasy mirakitra izany.  Ankoatra izany, taratasy avy any amin’ny  BIANCO no nahafahan’ny ministeran’ny  atitany namoaka io fanapahan-kevitra io ny 13 novambra 2018. Ny 17 septambra 2018 no nivoaka ny taratasy avy any amin’ny Bianco. “Mampanontany tena ihany koa izany satria avy eny Ambohibao mankeny Anosy, iray  volana aty aoriana vao namoaka ny IST ny ministera”. Nahazo rariny teny amin’ny  fitsarana ny ady hifanaovana amin’ny fanjakana olona narovan’i Eric Rafidison ka natsahatra  io fanapahan-kevitry ny ministera io. Tsy nijanona teo ny raharaha fa misy fampiantsoana ataon’ny Bianco saika isan’andro. Manginy fotsiny ny fisavàna ny trano sy ny “coffre fort”-n’ny voapanga. Ohatra nahitàna tsy fanarahan-dalàna ihany koa ny famotorana natao an’i Mbola Rajaonah teny amin’ny Bianco ny 19 novambra raha ny fitantaran’ny mpisolovava azy. Nanazava ity farany fa  tsy azo ataon’ny  “police judiciaire” ny manao famotorana ny voapanga  fa tsy maintsy mpitsara. Tsy izany no nitranga tamin’io fotoana io fa “ny mpanao famotorana tao amin’ny Bianco no nanadihady ny olona narovako”. Mbola mitohy ny raharaha ka ny 12 desambra 2018 indray ny fiantsoana manaraka an’i Mbola Rajaonah eny  Ambohibao. Nirina R. Cet article MPISOLOVAVA AN’I MBOLA RAJAONAH: Tsy voahaja ny tsiambaratelo ny fanadihadiana est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

Fiahiana ireo ankizy “autistes”: maro ny tranga tsy manaja ny zo maha olona

Maro ny tranga izay tsy manaja ny zo mahaolombelona ny ankizy «autistes » sy ireo ray aman-dreniny. Nisongadina izany tamin’ny iraka nataon’ny Dr Pierre Sans, manampahaizana momba ny fahasalaman’ny saina, teto amintsika, ny 6 hatramin’ny 24 jolay teo, niaraka tamin’ny mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny Autisme Madagascar.Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Opération Blue » ity iraka, natao teto Analamanga sy tany Atsinanana ary Analanjirofo, ity. Votoatin’ny tetikasa ny hanao fitiliana maimaimpoana ny « autisme » eto amintsika, rehefa tsapa fa olana ny tsy fahafahan’ny ray aman-dreny manao izany, rehefa mahita fa manana olana amin’ny fahasalamana ara-tsaina ny zanany.Miisa 22 ny ankizy vita « diagnostics » teto Analamanga, 11 tany Toamasina ary 9 tany Fenoarivo Atsinanana. Nandritra ireo asa ireo, tsapan’ny Dr Pierre Sans sy ny ekipa niaraka taminy fa betsaka ny “diagnostics” tsy marina sy ny fanafody tsy mifanaraka amin’ny aretina manjo ilay zaza na koa mihoatra ny tokony ho izy. Tsy vitsy koa ny fitsirihana ara-pahasalamana na “examens médicaux” tsy mifanaraka sy mihoatra ny tokony ho izy, toy ny fanaovana “scanners” sy “EEG”.Tsy ireo ihany fa hitan’ity mpitsabo ity koa ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso ny fanafody homena ny zaza sy ny tsy fahampian’ny fanazavana homena ny ray aman-dreny. Manampy ireo ny fanomezan-tsiny ny ray aman-dreny ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana.  Nohamafisin’ny Dr Pierre Sans fa vao mainka sakana amin’ny fandraisana an-tanana ny zaza “autistes” ireo rehetra ireo.Manoloana ireo, nanolotra vahaolana ny Autisme Madagascar, hanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo zaza “autistes”. Anisan’izany ny fanaovana fanadihadiana manerana ny Nosy momba ireo tranga fanaovana tsinontsinona ireo olona sembana ara-tsaina na manana fikorontanana eo amin’ny fihetsika. Tokony harahina fepetra avy hatrany izy ireny.Landy R.  L’article Fiahiana ireo ankizy “autistes”: maro ny tranga tsy manaja ny zo maha olona a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

EISA : Renforcement des capacités des assistants des femmes parlementaires
25/11/2020

Eisa a procédé au renforcement des capacités des assistants des femmes parlementaires. Dans le cadre du projet «Africa Democracy Strengthening IV» ou ADS IV mis en œuvre par l’Institut Electoral pour une Démocratie Durable en Afrique (EISA) et financé par l’Agence Suédoise de Coopération au Développement International (Sida), EISA entend contribuer à l’amélioration de la participation des femmes dans les processus de prise de décision à Madagascar. Dans cet objectif, EISA apporte un appui spécifique aux femmes parlementaires depuis la mise en place de l’actuelle législature en juillet 2019. L’assistance apportée par EISA aux députés s’inscrit dans la volonté de l’organisation de contribuer à l’avènement d’un parlement plus sensible au genre, la promotion de réformes législatives qui prennent en compte l’égalité hommes-femmes et au renforcement de l’influence des femmes à travers une série de thématiques techniques visant à accroître leur participation effective aux travaux parlementaires. Ces objectifs sont conformes aux visions et priorités définies par le Plan Stratégique de l’Assemblée nationale (2020-2025). Ainsi, et en réponse à la requête du Caucus des femmes parlementaires, EISA prévoit organiser un séminaire de renforcement des capacités des assistants des femmes parlementaires en rédaction de proposition de lois ou d’amendements de lois, les 24 et 25 novembre 2020 à l’hôtel Carlton Antananarivo. Elaboration de lois. L’objectif global de l’atelier est de renforcer les compétences des assistants parlementaires dans le domaine de la logistique afin qu’ils puissent appuyer les femmes parlementaires dans leur pouvoir de légifération. De façon plus spécifique, l’atelier vise à expliquer les rôles et responsabilités des assistants parlementaires dans l’élaboration d’une loi, mettre à la disposition des assistants parlementaires les outils nécessaires en matière d’élaboration de lois notamment les règles qui président la conception, l’élaboration et l’évaluation des lois, renforcer les capacités des assistants parlementaires à rédiger des propositions de lois et améliorer les capacités des assistants parlementaires en matière d’interprétation et d’analyse de projets de lois. La méthodologie de la formation sera participative, interactive et basée sur des cas pratiques afin de favoriser les échanges et partages des expériences entre facilitateurs et participants. Recueillis par Dominique R. L’article EISA : Renforcement des capacités des assistants des femmes parlementaires est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article EISA : Renforcement des capacités des assistants des femmes parlementaires a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Izay tsy mandroso, mihemotra… 
24/11/2020

 Mitohy hatrany ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19; eny, na toa somary mangingina ratsy aza izany na tsy mampiraika intsony ny maro. Misy hatrany, ohatra, ny tranga vaovao amin’ny fitondrana tsimokaretina Coronavirus, ny mamoy ny ainy, ny marary ao anatin’ny fahasarotana. Misy ihany koa ny marary sitrana ary tsy mamindra intsony.Efa samy difotry ny fiatrehana ny fiainana andavanandro ny maro amin’izao. Eo, ohatra, ny fidangan’ny vidin’entana ilaina andavanandro, indrindra ny vary. Miara-dalana amin’izany ny fanahiana ny taom-pamokarana ny taona ho avy fa manahirana be ihany ny amin’ny fiavian’ny orana. Na ny fiatrehana ny maitsoahitra aza, sarotra sy mafy. Ho maitso ve ny ahitra raha tsy misy orana?Manampy trotraka izany rehetra izany, tsy maintsy atrehina ny tsy fahampian-tsakafo sy ny kere any atsimo. Himasoana sy hotanterahina amin’izay ny tena vahaolana mahomby, azo antoka, maharitra… Raharaha be koa ny amin’ny firongatry ny fanolanana sy ny fanaovana herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy, izay fahalovana mikiky ny aim-pirenena.Mbola tsy mahafa-bela koa ny tsy fandriampahalemana mampikaikaika ny vahoaka amin’ny  faritra sasany, indrindra any amin’izay heverina ho lavitra fanjakana. Toa tsy misy afa-tsy olana na fahasahiranana no mavesa-danja, mibahan-toerana, talaky maso… Izany no mampiaka-peo ny mpanohitra sasany fa tsy misy inona mandeha eto na tsy misy inona hoe miova?Tsy miala amin’ny olombelona ny fahasahiranana sy ny olana. Raha tsy izany, tsy fiainana. Izay efa mety na tsara, itadiavana sy iadiana ny tsaratsara kokoa hatrany. Lozan’izay tsy mahita sy tsy mijery afa-tsy ny lafiratsin-javatra? Mitsikera, manaratsy, manakivy, mankahala, manakorontana aza. Na hoe manolo-kevitra aza, mety mamitaka fa mitady sy miady izay ho azy.Inona ny hatao? Misy ny mitady ho kivy nefa fomban’ny tsy afaka amin’izay kendreny sy ataony ny manakivy. Irosoana izay efa nanapa-kevitra, nifanarahana, natomboka. Ho hita eo tokoa… Na voa na mahavoa? Izay tsy mandroso, mihemotra.Rafaly Nd.L’article Izay tsy mandroso, mihemotra…  a été récupéré chez Newsmada.

RFC – Fifaninanam-pirenena: nanomboka omaly ny fifaninanana
23/11/2020

Mahatratra sivy ireo sarimihetsika novokarina teratany malagasy niatrika sy hiatrika fitsarana ataon’ireo mpitia ity zavakanto sy kolontsaina iray ity. Tafiditra ao anatin’ny « Rencontres du film court”, notontosaina, omaly, tao amin’ny Institut français de Madagascar Analakely ny fizarana voalohany. Saika nitovitovy hatrany ny nambaran’ireo olona tonga teny an-toerana nijery sy nanatanteraka ny fitsarana na ny fanomezana ny isa. « Sarotra ny fanomezana ny naoty, satria samy nanao ezaka lehibe ny mpandray anjara hany ka mitovitovy nanaraka izany ny zava-bita… Samy tsara! ». Amin’ny alakamisy izao no hanatanterahana ny fitsarana tapany faharoa. Mbola hotsarain’ny mpijery televiziona ihany koa izy ireo ka ny 3 desambra ny ho fantatra ny sarimihetsika tsara naoty indrindra.Anio, hisy ny fihaonana eo amin’ireo mpamokatra sarimihetsika sy izay heverina fa afaka hifanohana amin-dry zareo amin’ny fanomezana aina vao hatrany ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy. Hanasana ireo mpandraharaha liana sy te hampiasa vola amin’ny sarimihetsika.HaRy RazafindrakotoL’article RFC – Fifaninanam-pirenena: nanomboka omaly ny fifaninanana a été récupéré chez Newsmada.

Kidnapping karana: afaka  noho ny fisalasalana ireo voampanga
25/11/2020

Nafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana tamin’ny vesatra niampangana azy, ireo andian-jiolahy voasaringotra tao anatin’ny raharaha fakana an-kerinysy ny fitazoamana basy tsy ara-dalana, ny taona 2018. Naharitra ora maro ny fihainoana ireo voampanga efa-dahy . Tsy tonga nanatrika izany kosa ny telo lahy tamin’izy fito ireo. Meloka anefa izy ireo noho ny vono sy fandratrana an-tsitrapo nataony. Vokany, voasazy an-tranomaizina telo volana avokoa izy ireo ary mbola namoahan’ny fitsarana didy fampisamborana ihany koa.Re nandritra ny fotoam-pitsarana ny raharaha fa voasazy an-tranomaizina herintaona teny Tsiafahy Ragodogodona, noho ny fampiasana ny karatra maha mpanao gazety. Efa voaefa anefa ilay sazy, hoy hatrany ny didy nivoaka. « Nolavin’ny fitsarana ihany koa ny fangatahana onitra nataon’ny CFOIM na ny vondron’ny frantsay teratany indianina eto Madagasikara », hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray.Henintsoa HaniL’article Kidnapping karana: afaka  noho ny fisalasalana ireo voampanga a été récupéré chez Newsmada.

Firarazana-Ankazobe: sprinter nivadibadika, iray maty, telo naratra mafy
23/11/2020

Nandriaka indray ny ra! Nitrangana lozam-piarakodia mahatsiravina teny amin’ny RN4 PK 126+100 tao Firarazana, fokontany Kiva, kaominina sy distrikan’Ankazobe, ny asabotsy tolakandro teo.Raha ny tatitra nampitain’ny Zandarimaria nanao fanadihadiana teny an-toerana, taksiborosy avy any Mahajanga nikasa hihazo an’Antananarivo ity nivadibadika nivoaka ny lalana ity. Vokany, maty teo no ho eo ny mpamily sady tompon’ny fiara raha mpandeha telo hafa naratra mafy ka nentina haingana notsaboina ao amin’ny hopitalin’Ankazobe. Voalazan’ireo mpandeha sasany tao anaty fiara fa nandeha mafy ity taksiborosy Sprinter ity ka ahina ho tratran’ny torimaso fotsy teo ambony familiana ny mpamily, hany ka tsy nahafehy lalana intsony fa nivadika tafahanika tamin’ny sisin-dalana ny fiara. Mafy ny dona nahazo ilay fiara taksiborosy ka simba ny vatan’ny fiara iray manontolo. Nanamafy ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena fa vao eo an-dalam-panorenana ny toerana fitoniana sy fakana aina ny fanjakana amin’izao fotoana izao ka eo Ramala no hametrahana izany. “Ilaina tokoa izany hialana sasatra raha sendra mahatsiaro reraka eny am-pamiliana sy toerana itobian’ireo zandary miaro mitomandavana ny fiara mifamezivezy amin’ny lalam-pirenena. Mialoha ny hitsanganan’izany anefa, manentana antsika hanaja ny lalàna mifehy ny fitaterana olona”, hoy ny zandary.J.CL’article Firarazana-Ankazobe: sprinter nivadibadika, iray maty, telo naratra mafy a été récupéré chez Newsmada.

Projet PAPRiz II : Plus de 115 000 paysans intéressés par la technique vulgarisée
19/11/2020

Le projet PAPRiz (Projet d’Amélioration de la Productivité Rizicole et de Gestion de Bassins-versants et Périmètres Irrigués), dans sa phase II, touche actuellement à son terme. Il s’agit notamment d’un projet de coopération technique entre le gouvernement Malgache et le gouvernement du Japon par l’intermédiaire de la JICA (Agence Japonaise de Coopération Internationale). Six nouvelles régions sont bénéficiaires des interventions de ce projet dans cette phase II, en plus des cinq régions qui ont été ciblées depuis son démarrage en 2009. A l’issue de la 5e réunion du comité conjoint de coordination du projet PAPRiz II, qui s’est tenue hier à l’hôtel Colbert, il a été évoqué que l’objectif a été atteint. Une production additionnelle de l’ordre de 550 000 tonnes par rapport à la production de 2015, est ainsi attendue. Bénéfice net de 2,5 millions Ar/ha. Rappelons que ce projet a pour but d’améliorer la productivité rizicole des paysans dans ses onze régions d’intervention en développant des paquets techniques de la culture du riz irrigué. Cette technique leur permettra d’augmenter leur rendement de productivité à au moins 5 tonnes /ha tout en réalisant un bénéfice net moyen de 2,5 millions Ar/ha. En tout, plus de 57 000 paysans formateurs ont été formés. Et après vulgarisation de la technique, plus de 115 000 paysans ont été intéressés. Pour le cas de la région Boeny, qui fait partie des six nouvelles régions d’intervention du projet PAPRiz dans sa phase II, « nous avons pu former 77 paysans formateurs durant les deux dernières campagnes de production rizicole. Ce sont des paysans volontaires qui sont aptes à vulgariser à leurs pairs les techniques culturales qu’ils ont acquises dans le cadre de leur formation. Les récoltes, surtout pour cette campagne de grande saison, s’annoncent ainsi bonnes. En effet, ces 77 paysans formateurs ont atteint voire même dépassé le rendement de 5 tonnes/ha et plus de 2 000 paysans ont reçu leurs formations », a raconté Randriamanjato Tovo Niaina Faniry, Coordonnateur régional du projet PAPRiz II-Boeny. Amélioration du niveau de vie. Et parlant du cas de la région Itasy qui a bénéficié des interventions du projet depuis la phase I, « une nette amélioration du niveau de vie des paysans ciblés, a été observée. Environ 20 000 paysans opérant dans 67 plaines ont adopté les techniques de PAPRiz. Nous leur avons appris à bien gérer les recettes issues de leurs récoltes afin qu’ils puissent réinvestir dans la préparation de la prochaine campagne culturale. Si le paysan cultive du riz sur un hectare, son coût de revient s’élève à environ 300 000 Ar. Et après calcul du rendement, son bénéfice se chiffre à peu près à 2 millions Ar. Certains paysans bénéficiaires ont pu constituer une épargne auprès des institutions de micro-finance, tandis que d’autres ont pu créer d’autres activités génératrices de revenu, dont le commerce. Il y en a également ceux qui ont pu construire une maison, ou acheter des zébus ou des charrettes ou des matériels et équipements agricoles. L’acquisition d’un véhicule de transport de marchandises n’est pas en reste. En revanche, les impacts du changement climatique et l’insécurité constituent un problème récurrent entravant le développement rural », a exprimé Razaiarimanga M. Vololomboahangy, coordinatrice régionale du projet PAPRiz –Itasy. Navalona R. L’article Projet PAPRiz II : Plus de 115 000 paysans intéressés par la technique vulgarisée est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Projet PAPRiz II : Plus de 115 000 paysans intéressés par la technique vulgarisée a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Miisa 31 ny tranga vaovao: tafakatra 251 ireo lavon’ny Covid-19
23/11/2020

Miisa 31 ireo nifindran’ny valanaretina teo anelanelan’ny 14 hatramin’ny 18 novambra teo. Nisy iray namoy ny ainy indray.Anisan’ny misongadina amin’izany ny any Matsiatra Ambony, ahitana tranga vaovao miisa 13 raha enina ny eto Analamanga. Miisa telo ny any Atsinanana raha iray avy ny any Vatovavy Fitovinany sy any Sava. Roa kosa ireo tranga vaovao any raha dimy ny any Diana. Tany amin’io faritra io koa ny iray lavon’ny Coronavirus. Tafakatra 251 izany izao ireo matin’ny valanaretina eto amintsika, hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty.Miisa 433 ireo mbola manaraka fitsaboanaNa izany aza anefa, miisa 65 ireo sitrana ka maro anisa amin’izany ny eto Analamanga, miisa 19, raha 17 ny any Alaotra Mangoro ary 10 kosa ny any Diana.Tafakatra 16 657 izany izao ireo nahafeno ny fepetra, sitrana sy efa nody amin’izao ho an’ireo mitondra ny tsimokaretina miisa 17 341. Mbola misy 433 kosa anefa ireo manaraka fitsaboana sy arahi-maso ny toe-pahasalamany. Miisa 93 734 ny fitambaran’ny fitiliana vita. Tsiahivina fa miisa 87 ireo tranga vaovao, teo anelanelan’ny 8 sy 13 novambra ary iray kosa lavo.Synèse R.L’article Miisa 31 ny tranga vaovao: tafakatra 251 ireo lavon’ny Covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

PMU bet261: miverina ny Quinté +
20/11/2020

Nampahafantarina, omaly, ny fiverenan’ny lalao Quinté 261, karakarain’ny PMU Bet. Mampiavaka azy ny lalao hazakazan-tsoavaly amin’ny fahitalavitra, natao ho an’ny Malagasy fa tsy miaraka amin’ny lalao iraisan’ny firenena 40, ahitana ny PMU Bet. Araka ny efa nahafantarana azy, ny fampilaharana ny soavaly dimy tonga voalohany no ahazoana loka amin’ny Quinté 261. Misy ny laharana dimy misesy marina, ao ny laharana dimy tsy milahatra ary ao ny efatra voalohany (bonus 4).Mitentina 10 tapitrisa Ar farafahakeliny ny loka azo ary vidina 3.000 Ar ny tapakila iray fandraisana anjara. Mitombo hatrany ny lokabe, raha tsy misy mahita ny laharana marina amin’ny fotoana fisarihana.Tsiahivina fa anisan’ny lalao karakarain’ny PMU Bet koa ny Quinté 261 sy ny Tiercé 261.Njaka A.L’article PMU bet261: miverina ny Quinté + a été récupéré chez Newsmada.

Haintrano tao amin’ny oniversiten’Antsiranana: mpianatra iray maty, olona roa hafa naratra
23/11/2020

Niredareda ny afo tao amin’ny oniversiten’Antsiranana, ny sasakalin’ny asabotsy hifoha alahady teo. May tamin’izany ny trano fonenan’ny mpianatra ao an-toerana. Vokany, rava avokoa ny fotodrafitrasa vitsivitsy. Tovolahy mpianatra iray ao amin’ny taona faharoa, maty vokatry ny loza. Mpianatra roa hafa koa naratra mafy. Araka ny fanadihadiana, « court-circuit » ny nahatonga ny loza sy nitarika ny fahavoazana. Ao koa ireo nanazava fa nitsonika ny taribin-jiro fitsilovana teny ambonina tilikambo. Antony nipoiran’ny afo izany. Nikoropaka ny rehetra raha vantany vao niseho ny loza, tsy tafavoaka tamin’izany kosa anefa ny tovolahy iray vao 22 taona, mpianatra ao amin’ny taona faharoa ny « faculté des sciences » ao an-toerana. Vokany, sempotra tsy tafavoaka ilay trano may izy ka may sy namoy ny ainy. Ireo naratra mafy kosa, nalefa vonjimaika ao amin’ny hopitaly ao Antsiranana.Naharitra manodidina ny 3 ora ny fahamaizana ka nandravarava ireo fotodrafitrasa sy ireo fitaovana ao amin’ny oniversite. Raha ny tatitra navoakan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, maherin’ny 60 ireo traboina. Henitsoa HaniL’article Haintrano tao amin’ny oniversiten’Antsiranana: mpianatra iray maty, olona roa hafa naratra a été récupéré chez Newsmada.

Ambositra – Imady Ala : Etat lamentable de la route
24/11/2020

La Gouverneur sur le terrain. Avec l’arrivée imminente de la saison des pluies, le mauvais état des routes risque de créer des surprises désagréables pour les usagers déjà affectés par l’effritement continu de leur pouvoir d’achat. Près de 80% des routes qui desservent la région Amoron’i Mania sont des routes secondaires et la majorité d’entre elles se trouve dans un état de dégradation avancée. Voulant constater de visu la situation sur le terrain, Aline Mamiarisoa, gouverneur de la région Amoron’i Mania, nouvellement nommée, a effectué, le weekend dernier, une descente sur place et foulé la route reliant Ambositra à Imady Ala, d’une distance de 12km. Un tronçon de route qui ne cesse de faire parler de lui, vu son état. Saisissant l’occasion de cette visite de madame le gouverneur, la population riveraine et les usagers n’ont pas manqué d’exprimer leur vif souhait : celui de voir enfin cette portion de route réhabilitée dans les plus brefs délais, afin de ne pas aggraver la situation. Et pourquoi pas une route en pavés. L’avenir le dira. En attendant une issue favorable à leur requête, les usagers de cette route n’ont d’autres choix que de prendre leur mal en patience. Anastase L’article Ambositra – Imady Ala : Etat lamentable de la route est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Ambositra – Imady Ala : Etat lamentable de la route a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fifampitifirana nivaivay tao Toamasina: jiolahy efatra lavo, rotiky ny balan’ny FIP sy ny USI
25/11/2020

Ireo mpitandro filaminana avy ao amin’ny FIP ao Toamasina, miampy ny polisin’ny USI avy aty Antananarivo mihitsy, omaly tolakandro, no indray nifarimbona tamin’ny “opération” nisamborana ity andian-jiolahy mahery vaika iray tao Toamasina ity. Efatra tamin’ireo jiolahy no lavon’ ny balan’ny polisy nandritra ny fifampitifirana.Toy ireny amin’ny horonantsarimihetsika ireny ! Nirefodrefotra tsy nifandrenesana indray ny poa-basy tao Toamasina, omaly tamin’ny 4 ora tolakandro. Jiolahy miisa efatra indray lavon’ny polisin’ny USI sy ny Fip nandritra ny fifandonana, tafaporitsaka kosa ireo namany telo mianadahy. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny polisy, tao amin’ny fokontany Beril Rose tao ambadiky ny trano fisakafoana lehibe iray no nifanehatra tamin’ny polisy ireo jiolahy ireo. Tsy vita teo anefa izany fa nihazo tao Tanambao faharoa Bazarikely sy 4 chemins Morarano sy Ambolomadinika indray ny fifanenjehana narahina fifampitifirana teo amin’ny jiolahy sy ny polisy. Vokany, lavon’ny balan’ny polisin’ny USI Antananarivo notarihin’ny kaomisera Rakotonjanahary Mick Antonio sy ny FIP Toamasina notarihin’ny kaomisera Rafaliarivo Jules.Jiolahy telo no efa fantatra fa hanafika…Andro vitsy mialoha izao no efa nahazo loharanom-baovao ny polisy fa misy andian-jiolahy miisa fito ahitana vehivavy iray mikasa hanao fanafihana eo amin’io toerana io. Niatrana teny an-toerana ireo polisy nanao fanamiana sivily niaraka tamin’ireo nanao fanamiana polisy. Voamarina tokoa ny fisian’ireo jiolahy nandeha Bajaj (vao avy nangalarina hanaovana ilay fanafihana), nikasa hanafika mpandraharaha jirofo. Nasaina nijanona ireo jiolahy nandeha Bajaj, saingy tifitra avy hatrany no nasetrin’izy ireo ka raikitra teo ny fifamaliana tifitra. Marihina fa nitrangana fanafihana mitam-piadiana roa tao anatin’ny herinandro. Voalohany tao Tanambao fahadimy, raim-pianakaviana iray nandeha moto nitondra vola 10 tapitrisa Ar norobain’ny jiolahy. Ny zoma sy asabotsy kosa tao Valpinson, raim-pianakaviana iray nandeha Bajaj no notafihin’ny jiolahy, lasan’izy ireo ny vola 12 tapitrisa Ar.Sajo sy Jean ClaudeL’article Fifampitifirana nivaivay tao Toamasina: jiolahy efatra lavo, rotiky ny balan’ny FIP sy ny USI a été récupéré chez Newsmada.

Coopération : Le PNUD confirme son engagement à soutenir Madagascar
25/11/2020

La représente résidente du PNUD Natasha Van Rijn a rencontré le ministre de l’Economie et des Finances, Richard Randriamandranto (Mefpnud) La représentante résidente du Programme des Nations Unies pour le Développement (PNUD), Natasha Van Rijn a  effectué, avant-hier, une visite officielle auprès  du ministre de l’Economie et des Finances, Richard Randriamandranto. Une occasion pour les deux personnalités  de faire un tour d’horizon sur les relations entre Madagascar et le PNUD.  On rappelle que récemment le ministère de l’Economie et des Finances et le PNUD ont organisé l’atelier de revue annuelle et de planification stratégique des projets et programmes soutenus par le PNUD à Madagascar. Le PNUD accompagne les efforts nationaux dans les domaines de la promotion de la croissance inclusive et la lutte contre la pauvreté ; du soutien à la gouvernance démocratique, la paix, la justice et la redevabilité ainsi que la protection de l’environnement et l’adaptation au changement. Lors de cet atelier qui a duré deux jours,  les participants ont procédé à la revue des résultats stratégiques obtenus  selon les appuis apportés aux différents ministères et partenaires nationaux de développement. Ils ont également identifié  les orientations pour la prochaine année et le nouveau cycle de programmation du PNUD et du gouvernement de Madagascar à partir de juillet 2021. Le PNUD reste engagé à soutenir les efforts de développement et de l’émergence du pays. R.Edmond. L’article Coopération : Le PNUD confirme son engagement à soutenir Madagascar est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Coopération : Le PNUD confirme son engagement à soutenir Madagascar a été récupéré chez Midi Madagasikara.