Mila miara-mandroso amin’izay…

News - Mila miara-mandroso amin’izay…
Tena misy marina ve ny
fiovana sy ny fanovana? Na tena atao, ezahina, irosoana…
Anisan’izany, ohatra, ny hoe tany sy fanjakana tan-dalàna, ny
fitondrana tsara tantana… Miara-mahita sy miaina ny zava-misy
amin’izao ny rehetra. Na ahoana na ahoana, tanàna tsy
ilaozan’adala?
Mbola misy ihany ny tsimatimanota
sy mirehareha ary sahy mihantsy ady vahoaka amin’ny tsy
fanarahan-dalàna, ny fanamparam-pahefana, ny fanaovana asa ratsy…
Any amin’ny faritra heverina ho lavitra fanjakana no tena
miseholany izany. Poa-maso manjaka tokana amin’ny tanin’ny
jamba?
Na misy ny tsikombakomba ratsy
amin’ny kolikoly sy ny fahazoana tambondahiny amin’izay atao; na
tsy afa-manoatra firy, ohatra, ny manampahefana any ifotony noho ny
antony samihafa. Mahitahita ireo olon-dratsy? Na matoky
olom-pantatra, na akaiky olona amin’ny fanjakana…
Tsy fantatra izay mety ho
fitarainan’ny vahoaka any ifotony amin’izany. Izy ireo indray aza
no voarahona, ampahoriana, tratran’ny valifaty… Anisan’ny mahabe
fitarainana amin’izany, ohatra, ny sehatry ny ady tany, ny tontolo
iainana inian’ny sasany potehina, ny raharaham-pitsarana…
Miandry ny fanjakana foibe ve izany
rehetra izany vao misy vahaolana mahomby, azo antoka, maharitra… ?
Mitaky fitsinjaram-pahefana tena izy eo amin’ny vola, ny fitaovana,
ny olona… Indraindray, ny olom-boafidy na ny olom-boatendry koa no
manao ny ataony, manaratsy endrika ny fitondrana.
Mila henoina ny feon’ny vahoaka,
fantarina ny hetahetany, atao izay mety ho fampandraisana anjara
azy amin’ny raharaham-pirenena miainga any ifotony araka izay
vitany… Raha tsy izany, mbola resaka sy fanamby ihany ny hoe tany
sy fanjakana tan-dalàna ary ny fitondrana tsara tantana.
Mila mipaka any ifotony ny hoe
fampandrosoana iaraha-manana, iaraha-manao, iaraha-misitraka. Izay
raha te ho lasa lavitra. Tsy maika tsy faingana, na ny sehatra sy
ny faritra vitsivitsy ihany no misitraka izay atao. Tsy efa tokony
hisy fiovana sy fanovana ve izany amin’izao?
Rafaly Nd.
L’article Mila miara-mandroso amin’izay… a été récupéré chez Newsmada.
Vakio ihany koa
News - News Mada
Kitra – «Chan 2020»: hidona amin’i Namibia ny Barea
Fantatra izao fa i Namibia no hidona amin’ny Barean’i Madagasikara, eo amin’ny fihodinana fahatelo, hiadiana ny toerana hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina «Chan 2020». Araka ny daty, hotanterahina eto Madagasikara ny lalao mandroso, ny 22 septambra ho avy izao, ary any Windhoek kosa ny fihaonana miverina, ny 12 oktobra 2019. Hiatrika ny dingana famaranana, hatao any Kameronina ny taona 2020, izay tafavoaka amin’ny roa tonta.Ankoatra izay, tafaverina omaly alatsinainy, eto an-tanindrazana, ny Barean’i Madagasikara ka nitsena azy teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato Rasoamaromaka Hery. Nentiny niara-nisakafo taminy ny Barea, ary notolorany 6 tapitrisa Ar ireo mpilalao ho fankasitrahana ny zava-bitany sy ny nahatafakatra azy ireo. Nomeny 1 tapitrisa Ar kosa ilay mpitsara malagasy nitantana ny lalao tany Lesotho. Nisaotra an’i Hery Be ny solontenan’ireo mpilalao noho izao fihetsika nataony izao. TorcelinL’article Kitra – «Chan 2020»: hidona amin’i Namibia ny Barea a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Ampasanimalo: fipoahana tanaty sakaosy, roa lahy naratra
Hatairana ny an’ny olona teny Ampasanimalo sy ny manodidina, omaly maraina tamin’ny 10 ora. Tovolahy roa tratran’ny fipoahana tampoka tanatin’ny sakaosy nentin’izy ireo. Araka ny fanazavan’ireo nahita ny fitrangan’ny loza teny an-toerana, nandeha tamin’ny sisin-dalana izy roa lahy ireto; ny iray, nitondra sakaosy novimbinina tamin’ny tanana. Tsy fantatra anefa izay zava-nitranga fa nipoaka mafy be tampoka ny zavatra tao anatin’ilay sakaosy teny amin’ilay tovolahy iray ka nitarika faharatrana teo amin’izy roa lahy. Ny iray, nitondra sakaosy, potika ny tanany, naratra mafy ny feny sy ny vatany manontolo. Tratran’ilay fipoahana koa ka naratra mafy koa ilay tovolahy iray namany. Manoloana izany, nihorohoro tanteraka ny mponina teny Ampasanimalo raha nandre ity fipoahana ity. Tao ireo nihevitra fa baomba no tany amin’izy roa lahy. Fotoana fohy taorian’ity fipoahana ity, tonga teny an-toerana ny polisy nanao fanadihadiana ka tamin’izany no nahafantarana fa bateria sy kojakoja momba ny lafiny informatika fampiasa amin’ny telefaonina ireto nipoaka tao anaty sakaosy ireto. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny mpitandro filaminana ka aorian’izay ny hamantarana ny marina rehetra. Nalefa notsaboina eny amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana (Homi) ireo roa lahy naratra.J.CL’article Ampasanimalo: fipoahana tanaty sakaosy, roa lahy naratra a été récupéré chez Newsmada.
News - Ao Raha
Vatan-dehilahy roa arivo mahery
Vita, omaly, tany Ambohimahasoa ny fitsarana miaramila an’ireo lehilahy feno taona miisa dimanjato sy roa arivo. Avy any amin’ny distrikan’Ambositra sy Fianarantsoa voalohany izy ireo, ankoatra ny avy ao Ambohimahasoa. Nanolotra fitaovana vaovao hanaovana ny fanisana ireo zatovo ireo, toy ny solosaina sy ny kojakoja informatika hafa tany an-toerana ny jeneraly Rasolonirina Roger, talen’ny fanompoam-pirenena sy ny fiandry ao amin’ny Tafika malagasy. L’article Vatan-dehilahy roa arivo mahery est apparu en premier sur AoRaha.
News - News Mada
Le By Pass: hiray sehatra ny Jeneraly sy ny Tsiakoraka
Mpanakanto manana ny lazany hatrany… Ny tarika Jeneraly sy ny tarika Tsiakoraka indray no hanafana ny faran’ny herinandro, etsy amin’ny Le By Pass After Work, rahampitso zoma 4 desambra manomboka amin’ny 8 ora alina. “Namana”, “Ravintaratasy”, “Tamboho”… Ireo ny sombiny amin’ny hira anisan’ny nanamarika an-dry Tsiakoraka, raha “Dada malala”, “Izany vehivavy izany”, “Ny toaka”,… ny anisan’ny nahafantarana ny tarika Jeneraly teo amin’ny tontolon’ny mozika malagasy. “Grand cabaret” mihitsy izy ity”, raha ny filazan’ny mpikarakara. Nitaiza ny sofin’ny maro, na teny an-tsehatra izany ny tao anaty haino aman-jery, nandritra ny taona maro. Raha ny nambaran’ny tarika, tsy hanam-paharoa tokoa ity seho hotanterahina rahampitso zoma ity. Ao anatin’ny fampisehoana, hajaina hatrany ny fepetra ara-pahasalamana tsy hiparitahan’ny valanaretina Coronavirus.NarilalaL’article Le By Pass: hiray sehatra ny Jeneraly sy ny Tsiakoraka a été récupéré chez Newsmada.
News - Ao Raha
Pilo Kely aroson’i Mamy Be
L’article Pilo Kely aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.
News - News Mada
JIOI 2019 – Fanokafana: niavaka ny filatroan’ny atleta malagasy tatsy Maorisy
Nosokafana, omaly, teto amin’ny kianja Anjalay, Nosy Maorisy, ny andiany faha-10 amin’ny lalaon’ny Nosy, ho an’ny ranomasimbe Indiana. Niavaka ny fampisehoana nataon’ny Malagasy nandritra ny filatroana teo amin’ny kianja.Nitondra ny sainam-pirenena malagasy tamin’izany filaharana izany Andriantsitohaina Eric, taranja fibatana fonjamby. Nisalotra ny fitafy malagasy tanteraka ireo atleta malagasy sy ireo delegasiona solontena an’i Madagasikara aty Maorisy, nandritra ny lanonam-panokafana. Anisan’ny nampiavaka antsika tamin’izany satria raha ny hita tamin’ireo delegasiona avy amin’ny Nosy rahavavy rehetra, samy nanao ilay akanjo iraisana avokoa izy ireo. Tsy nisalotra ny fitafy mampiavaka ny fireneny tsirairay. Nampisongadina ny fampisehoana ho an’ny Malagasy ihany koa ny fidiran’ireo ankizy manan-talenta, Zaza kanto, an-tsehatra, tamin’ity lanonam-panokafana ity.Ankoatra izany, manodidina ny 190 eo ny isan’ireto delegasiona malagasy nilatro ireto, ankoatra ireo vao hanainga anio, ka mitotaly 275 raha atambatra.Fahatongavan’ny filoha Rajoelina Heni-boninahitra ihany koa i Madagasikara satria natrehan’ny filoham-pirenena Rajoelina ity lanonana, omaly ity. Nigadona tao amin’ny kianjan’ny Anjalay izy sy ny vadiny, Rajoelina Mialy, tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Tonga nanatrika ity fanokafana ity ihany koa, ny filoham-pirenen’ny Nosy Comores sy ny Maorisianina mpampiantrano. Manampy izany ny eo anivon’ny delegasion’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, notarihin’ny minisitra Tinoka Roberto. Miezaka manao ny farahery amin’ny fikarakarana ny Malagasy aty an-toerana ny tenany miaraka amin’ny Komity olympika malagasy (Com), tarihin-dRandrianasoloniaiko Siteny. Raha atambatara, 2000 mahery ireo mpiangaly ny taranja miisa 15 mandray anjara amin’ity lalaon’ny Nosy 2019 ity, hahitana firenena miisa 9. Eo ny Nosy Maorisy mpampiantrano, i Madagasikara, ny Nosy La Reunion, i Maldives, i Kaomoro, i Seychelles ary i Mayotte.Nikorontana ny fandraisan’ny Nosy Maorisy Marihina fa nahitana fikorontanana ny teo amin’ny lafiny fandraisan’ny Nosy maorisiana ny delegasiona vahiny tonga teto an-toerana, nanomboka ny alakamisy, lasa teo . Nisy ny fahasahiranana teo amin’ny fanomezana ny fahazoan-dalana hiditra ny kianja, ny lafiny ara-pitaterana sy ny sakafo. Somary nanakorontana kely ihany koa ny lanonanam-panokafana, omaly, ny haratsian’ny andro, minitra vitsy tsy hanombohan’ny filatroan’ireo atleta no nijohy ny orana tao amin’ny kianja. Tsy nanakana ireo mpijery teny amin’ny toerana misy azy ireo anefa izany fa niaritra ny orambe ary nijanona teo hatramin’ny farany izy ireo. Nizotra tsara araka ny tokony ho izy ihany koa, ny filatroana sy fandraisam-pitenena isan-tsokajiny. Nangonin’i Miarintsoa Raz (Iraka manokana aty Maurice)L’article JIOI 2019 – Fanokafana: niavaka ny filatroan’ny atleta malagasy tatsy Maorisy a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Moramanga – Anosibe an’Ala: atao ao anatin’ny roa andro ny lalana 71 km
Manana ny maha izy azy ny distrikan’Anosibe an’Ala, saingy tsy tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehana ny fanamboaran-dalalana. Hatreto, potika tanteraka ny lalana ary tsy misy ny daty hamantarana ny hanarenana azy.Azo heverina fa tsy misy fiangarana eto amintsika. Na izany aza, anisan’ny mampikaikaika ny mponina ny haratsian’ny lalana mampitohy an’i Moramanga sy Anosibe an’Ala. Roa andro ny hanaovana ny lalana 71 km raha vita amin’izao vanim-potoana izao nefa tokony ho 1 ora sy 30 mn. Efa ampolo taona maro izany faharatsian’ny lalana mampitohy an’i Moramanga sy Anosibe an’Ala izany fa tsy misy miraharaha. Mijaly ny mponina, velon-taraina, ka mitondra ny feon’izy ireo ny solombavambahoaka any an-toerana, i Ndrianasy Bernando Germain. “Fiara vaventy ihany mitondra entana sady mitatitra olona ny afaka amin’izany lalana izany, atao mandritra ny roa andro. Mampalahelo ny mahita ireo mpandeha ireo, sao sanatria misy loza”, hoy ny solombavambahoaka any an-toerana. Maro koa ny vokatra avy any Anosibe An’Ala tsy tafavoaka, toy ny akondro, ohatra.Tsy misy mihitsy ny fotodrafitrasam-pampandrosoanaBetsaka ny voka-dratsin’izay faharatsin-dalana izay: malaina ny mpiasam-panjakana ho any an-toerana ka sahirana ny mponina amin’ny lafiny fahasalamana, ny fampianarana, hatramin’ny fitandroana ny fiarovana ny distrika, sahirana ireo mpitandro filaminana. Andrasana ny ahitana ireny fitaovana tamin’ny 26 jona ireny ho tonga any an-toerana.Mijaly ihany koa ny distrika iray manontolo momba ny famatsiana herinaratra. Ambalahonko, ony iray lehibe any an-toerana, azo trandrahina tsara nefa avily aty Analamanga ny tombontsoa azo avy amin’io renirano lehibe io fa tsy mba misitraka izany ny any Mangoro. Koa mangataka amin’ny fitondrana mpanatanteraka ny vahoaka any Anosibe an’Ala hijerena azy ireo akaiky fa mijaly loatra, amina sehatra rehetra mihitsy, tsy misy mangirana ny fiainan’ny mponina. R.MathieuL’article Moramanga – Anosibe an’Ala: atao ao anatin’ny roa andro ny lalana 71 km a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Gaboraraky ny mpitondra moto: tao anatin’ny adiny efatra monja, 404 tratra nanara-dalàna
Gaboraraka ! Izay no azo ilazana ny afitsoky ny mpitondra moto eto an-drenivohitra. Tao anatin’ny adiny efatra monja nanaovan’ny Polisim-pirenena hetsika, tetsy amin’ny lalana “Boulevard de l’Europe”, omaly, 404 no fandikan-dalàna hita. Ny tsy fanaovana aro loha no betsaka indrindra.Raha ao anatin’ny iray andro? Ataovy ny kajy! Nandritra ny hetsika manokana nataon’ny polisy avy ao amin’ny borigady misahana ny lozam-pifamoivoizana momba ny fanentanana sy fampianarana ny olona ho amin’ny fanarahan-dalàna teny amin’ny “rond point Boulevard de l’Europe” 67 ha. Raha atambatra ny isa dia toy izao no hita, raha ny tatitra voaray hatrany. Miisa 306 ireo mpitaingina moto tsy manao aroloha raha 93 kosa ireo tsy manana “assurance” ary dimy no tsy manana taratasy fahazoan-dalana. Nentanina mihitsy, araka izany, ireo mpitondra moto ary nampianarina mba hanara-dalàna eo am-pitondrana ireny moto ireny. Tao anatin’ny ora efatra nanaovana ny fanentanana no nahazoana ireo antontan’isa ireo. “ Manamarika fa betsaka ireo mpitondra moto no tsy manara-dalàna ka isan’ny antony mampitombo ny lozam-pifamoivoizana eto an-drenivohitra izany”, araka ny fanazavan’ny polisy tompon’andraikitra ao amin’ny borigady misahana ny lozam-pifamoivoizana.Nasaina naka aroloha ireo olona tsy nanao…Tsy mitsahatra ny manentana ireo mpandeha moto hatrany ny polisy ho fiarovana ny ain’izy ireo fa tsy raisina ho fanasaziana akory ny fitondrana aroloha sy ny fananana taratasy mahakasika ny “assurance” sy ny taratasy fahazoan-dalàna hitondra moto ho an’ireo moto mila izany. Ny ainareo mpandeha moto no arovanay fa tsy an’ny polisy velively. Koa aza sarotiny amin’ny fitsinjovana ny ainareo ianareo mpandeha, araka ny fanazavan’ny polisy. Misy koa ireo mpitondra fiara nosavaina ka hita fa mbola misy ireo mpamily fiara tsy mitondra taratasy fahazoan-dalana ary koa ireo sarety izay mifamoivoy tsy manaraka ny ora tokony handehanan’izy ireny. Nandray fepetra avy hatrany ny polisy ho an’ireo mpitondra sy mpandeha moto tsy nitondra aroloha ka nogiazana teny an-toerana ny moto-n’izy ireo ary nasaina naka aroloha avokoa vao afaka nanohy ny diany. Torak’izany koa ireo mpamily fiara tsy nitondra taratasy fahazoan-dalana dia nasaina naka izany ary ireo mpitondra posy niandry ora afaka hivezivezeny ka najanona avy hatrany.Jean ClaudeL’article Gaboraraky ny mpitondra moto: tao anatin’ny adiny efatra monja, 404 tratra nanara-dalàna a été récupéré chez Newsmada.
News - Ao Raha
Fifaninanana adihevitra
Hiaraka hikarakara adihevitra mahakasika ny fifidianana solombavambahoaka ny Fikambanana hifidianana ny demokrasia maharitra eto Afrika (EISA), Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), ny tetikasa Sacem, ary ny Praogramanasan’ny Firenena Mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud). Ireo oniversite rehetra eto Madagasikara no kendrena mba handray anjara amin’ izany ka anio no misokatra ny fisoratana anarana, ary ao amin’ny tranonkalan’ny EISA no azo hakàna ny taratasy mila fenoina. Amin’ny 24 sy 25 mey ho avy izao kosa no hanatontosana ny fifaninanana. L’article Fifaninanana adihevitra est apparu en premier sur AoRaha.
News - News Mada
Tolotra maimaim-poana ho an’ny vahoaka: handalo faritra telo ny diabe ara-pahasalamana
Niainga omaly teto an-dRenivohitra ny « Diabe ara-pahasalamana » ho any amin’ny faritra Atsimo ny Nosy, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Fahasalamana.Tolotra ara-pahasalamana maro samihafa no hatao mandritra ny hetsika hiarahan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny eo anivon’ny Fiadidiana ny repoblika misahana ny raharaha sosialy sy ny politika. Faritra telo no hisitraka ny fandalovan’ireo fiarabe miaraka amin’ny fitaovana ara-pahasalamana ireo : Faritra Vakinankaratra, Vatovavy Fitovinany ary ny Matsiatra Ambony. Anio, handalo ao Betafo ny diabe ary horaisina an-tanana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, hojerena manokana koa ny momba ny olan’ny sofina sy ny maso. Hahazo torohevitra ireo niharan’ny herisetra, araka ny fanazavana. Maimaim-poana avokoa ny tolotra ho an’ny vahoaka. Hitohy any Ambalakey ny fandraisana, ny alatsinainy ary any Vohipeno ny alarobia ho avy izao. Tsy voalohany no nanao hetsika tahaka izao ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny Fahasalamana ho fampanatonana ny fahasalamana ho an’ny vahoaka. Ahitana fitaovana sy fanafody ny fiarabe mandray olona.Hampiana 30 ny dokotera sy paramédicaux Momba ny ady ho an’ny fanjarian-tsakafo kosa, mitohy ireo asa tanterahin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka any atsimo. Tao amin’ny kaominina Ebelo sy Ifotaka no nidina ifotony ny minisitra, profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis sy ny minisitry ny Rano sy ny fidiovana nijery ny vahaolana vonjimaika sy maharitra ho amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.Nambaran’ny minisitra fa hampiana 30 ny dokotera sy Paramédicaux alefa amin’ireo distrika dimy : Amboasary, Ambovombe, Tsihombe, Beloha, Ampanihy.Vonjy A.L’article Tolotra maimaim-poana ho an’ny vahoaka: handalo faritra telo ny diabe ara-pahasalamana a été récupéré chez Newsmada.