Miisa 31 ny tranga vaovao: tafakatra 251 ireo lavon’ny Covid-19

News - Miisa 31 ny tranga vaovao: tafakatra 251 ireo lavon’ny Covid-19
Miisa 31 ireo
nifindran’ny valanaretina teo anelanelan’ny 14 hatramin’ny 18
novambra teo. Nisy iray namoy ny ainy indray.
Anisan’ny misongadina amin’izany ny
any Matsiatra Ambony, ahitana tranga vaovao miisa 13 raha enina ny
eto Analamanga. Miisa telo ny any Atsinanana raha iray avy ny any
Vatovavy Fitovinany sy any Sava. Roa kosa ireo tranga vaovao any
raha dimy ny any Diana. Tany amin’io faritra io koa ny iray
lavon’ny Coronavirus. Tafakatra 251 izany izao ireo matin’ny
valanaretina eto amintsika, hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty.
Miisa 433 ireo mbola
manaraka fitsaboana
Na izany aza anefa, miisa 65 ireo
sitrana ka maro anisa amin’izany ny eto Analamanga, miisa 19, raha
17 ny any Alaotra Mangoro ary 10 kosa ny any Diana.
Tafakatra 16 657 izany izao
ireo nahafeno ny fepetra, sitrana sy efa nody amin’izao ho an’ireo
mitondra ny tsimokaretina miisa 17 341. Mbola misy 433 kosa
anefa ireo manaraka fitsaboana sy arahi-maso ny toe-pahasalamany.
Miisa 93 734 ny fitambaran’ny fitiliana vita. Tsiahivina fa miisa
87 ireo tranga vaovao, teo anelanelan’ny 8 sy 13 novambra ary iray
kosa lavo.
Synèse R.
L’article Miisa 31 ny tranga vaovao: tafakatra 251 ireo lavon’ny Covid-19 a été récupéré chez Newsmada.
Vakio ihany koa
News - News Mada
FAKAFAKA: mpanao asa « masina » ny mpanakanto !
Aleo, angamba, hampidirina ao anaty farango sosona tahaka izao ny teny hoe “masina” mba tsy handeha na hisidina lavitra be any ho any ny saintsika. Ety am-piandohana ihany koa anefa, mety ho tsaratsara kokoa anga ny filazana hoe “adidy” raha oharina amin’ny hoe “asa”. Sao mantsy isika ka hifantoka be any amin’ny karama raha vao lazaina hoe “asa”. Na tsy hitaky tambiny aza ny mpihira, ny mpanao hosodoko, ny mpanao sary sokitra, sns, vao mahare na mahita ny sanganasan’izy ireny fotsiny ny olona, dia efa mahazo sy maharay zavatra.Izany hoe, adidy goavana sy “masina” eo an-tsoroky ny mpanakanto, ny kanto iray ataony, raha vao avoakany ka tafapaka any amin’ny mpiara-monina. Tsy misy afa-bela amin’izany, rehefa mpanakanto. Ekena fa mety mbola ho sarotra ny mamaritra ny hoe, izay marina na inona marina no antsoina koa “mpanakanto” sy “kanto” eto Madagasikara, kanefa tsy tokony hatao hibahan-dalana ka sanatria tsy hahalalana ilay adidy “masina” omena ny mpiara-belona izany.Mety azo ampiraisina ao anaty sokajy iray ihany ny ray aman-dreny, ny mpanabe, ny mpampianatra, ny mpanakanto, sns, satria samy manefa adidy “masina”. Manomboka miverina tsikelikely amin’ny “asa” fanaony ny mpanakanto. Midika izany fa mitombo isa ihany koa ny fitaratra eo anivon’ny fiarahamonina…… Mety ho azo antenaina ve fa hitombo hanaraka izay ihany koa ny olon-kendry atsy ho atsy? Ho hita eo izay ambaran’ny ampitso!HaRy RazafindrakotoL’article FAKAFAKA: mpanao asa « masina » ny mpanakanto ! a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Mitsinjo: tsy hita izay fivoarana, mijaly ny mponina
Sakana iray lehibe amin’ny fampandrosoana ny faharatsian-dalana Mahajanga mankany Mitsinjo., mirefy 71 km. Mialoha izany, tsy maintsy miampita baka avy eo Mahajanga mankany Katsepy izay mandray fiara. Nisy tany aloha, lalana avy Marovoay mankany Mitsinjo, saingy mihodina be sady tsy azo aleha intsony izany efa 10 taona mahery. Sahirana ny mponina, lafo amin’ny rehetra ny saran-dalana : miampita amin’ny baka 5000 Ar, avy eo Katsepy indray, raha misy fiara tsy mataho-dalana, 10 000 Ar amin’ny main-tany ary tafakatra 30 000 Ar amin’ny fahavaratra, andro iray vao tonga raha ho tonga.Mampalaza ny faritra Boeny io distrika iray io noho ny fisian’ny orinasa Sirama tantanin’ny Sinoa. Hery iray lehibe ao amin’ny distrikan’i Mitsinjo ny fisian’io orinasa io. Tsy lavitra avy eo koa ny distrikan’i Soalala nahazoana famatsiam-bola 100 tapitrisa dolara tao anatin’ny fitondrana tetezamita. Vita sonia tamin’ny orinasa Wisco izany, an’ny Sinoa ihany, ny taona 2010. Tetikasa nokasaina ny fitrandrahana vy. Tsy hita hatramin’izao ny fiantraikan’ireo any amin’iny faritra iny. Toy ny any amin’ny kaominina ambanivohitra maro hafa, betsaka ny vokatra tsy tafavoaka, sahirana izay manana ny marary.Koa nitondra teny ny depiote any Mitsinjo, Randriamisa Nicolas David, mba hisy tamberina ny tatitra ataony. Ankoatra maha mpanao lalàna azy ireo , mitondra ny feon’ny vahoaka koa izy ireo , ka avy amin’izany ihany ny azo hamaritana lalàna vaovao, hatolotra ny fahefana mpanatantanteraka. R.MathieuL’article Mitsinjo: tsy hita izay fivoarana, mijaly ny mponina a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
MTEFPLS-Cnaps: nidina tany Betroka ny Task Force
Tsy manaja ny zon’ny mpiasa ny ankamaroan’ny mpampiasa any amin’ny distrikan’i Betroka. Tonga tany an-toerana ny vaomiera manokana, ny Task Force, ifarimbonan’ny minisiteran’ny Asam-panjakana, ny fampananana asa, ny fiahiana sosialy (MTEFPLS), sy ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (Cnaps), ny herinandro lasa teo, notarihin-dRatsimandresy Dama Rorick, lehiben’ny tendro Cnaps Betroka. Nentanina ny tompon’orinasa sy ny mpampiasa, hampanarahan-dalàna azy ireo amin’ny fanomezana ny zon’ny mpiasa, ny fandoavana ny latsakemboka any amin’ny Cnaps, sns, ato anatin’ny telo volana, araka ny toromariky ny filankevitry ny minisitra, ny 3 mey teo.Ankoatra ny fitetezana orinasa, nisy koa ny fiofanana mikasika ny fiahaina sosialy nomen’ny Sampandraharaha misahana ny fahasalamana sy ny sosialy (SASS) ao amin’ny Cnaps, notarihin’ny talen’ny masoivoho, Ramahavita Gabriel. Nambarany fa maro ny mpiasa miala maina rehefa tonga ny faha-60 taony, tokony hisotroany ronono, nefa zo fototra izany sy ny fahazoana fitsaboana any amin’ny sampandraharaham-pitsaboana ho an’ny orinasa (SMIE). Nandray anjara tamin’izany ny mpitantana orinasa tsy miankina, ny sekoly, ny fiangonana, ny rafi-panjakana mampiasa mpiasa tsy raikitra ECD (faritra, kaominina, …). Nampahafantarina koa ny tolotra omen’ny Cnaps.Nanentana mikasika ny fahasalamana sy ny aroloza any am-piasana koa i Solotiana Lydyana Rosnie, avy ao amin’ny SST Cnaps.Njaka A.L’article MTEFPLS-Cnaps: nidina tany Betroka ny Task Force a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Hosodoko: hisy ny mozea Raparivo R.R
Iray amin’ireo andrarezina nanamarika ny tantaran’ny hosodoko malagasy Raparivo R.R sy ny sanganasany. Volana maromaro lasa izay no nindaosin’ny fahafatesana izy. Araka ny tafa nifanaovana tamin’i Tiana Raparivo, zanany sady mpanao hosodoko ihany koa : « efa mikarakara ny tantarany sy ny mozea momba azy izahay ary heverina fa ho vonona afaka herintaona izany ». Ankoatra izay, « hisy hetsika atao koa amin’ny volana novambra hanamarihana ny herintaona nahafantesany, izay hiarahana amin’ny mpanao hosodoko namana », hoy hatrany i Tiana Raparivo.Marihina fa manatanteraka fampirantiana ao amin’ny AFT Andavamamba izy, hatramin’ny 27 jolay. « Tena zava-dehibe amin’ny hetsika tahaka izao ny fampahafantarana ny toerana misy ahy amin’izao tsy maha eo intsony ny raiko izao », hoy i Tiana Raparivo.HaRy RazafindrakotoL’article Hosodoko: hisy ny mozea Raparivo R.R a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
HITSY TORAKA: lalàna izao !
Afaka ny tebitebin’ny rehetra, indrindra fa ny mpankafy baolina kitra, taorian’ny fitsanganan’ilay komitin’ny fanamarinana, «comité de normalisation». Komity, hikarakara sy hanomana ny fifidianana ho filohan’ny federasiona (FMF). Olon’ny lalàna avokoa ny saika mandrafitra izany. Midika fa mila manaraka ny rafitra sy izay voalazan’ny lalàna izany ny rehetra fa tsy misy ambonin’izany akory. Mino ny rehetra fa hizotra amin’ny tokony ho izy amin’izay ity fifidianana ity, efa andrasan’ny besinimaro fatratra. Tsy hisy intsony ny himenomenona fa izay araka ny lalàna ihany no ho izy. Mety ho voahilika amin’izay ireo zatra manakorontana sy mitsivalam-pandry satria olon’ny lalàna sy mahafehy tsara ny mitantana izany. Samy mbola afaka misaintsaina amin’izay ho paikady indray izany ireo ho kandidà hifaninana amin’ity toeran’ny filohan’ny FMF ity. Malalaka ny fotoana ho an’ireo mbola vonona. Tsy terena ihany koa izay tsy tapa-kevitra. Azo antoka izany fa ho ao anatin’ny lalàna ny ho fizotran’ny fifidianana, amin’ity. TompondakaL’article HITSY TORAKA: lalàna izao ! a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
DRJS-Andron’ny tanora : hisy fifaninanana manao sary ho an’ny tanora
Ho fankalazana ny Andron’ ny tanora, nifampidinika tamin’ny minisiteran’ny Tanora sy fanatanjahantena, ny eo anivon’ny DRJS manerana ny Nosy. Tapaka, araka izany, hisy ny fifaninanana fanaovana sary ho an’ny Tanora, hotanterahina amin’ny faha-12 aogositra izao. Nanapa-kevitra ny tompon’andraikitra fa hatao amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra izany noho ny hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny firenena. Ho an’ny DRJS Itasy manokana, ny faha-13 ny volana aogositra ny farafandraisana ny sarin’ny mpandray anjara ka izay mahazo “j’aime” betsaka indrindra ao amin’ny tambajotran-tserasera fesiboky dia hahazo loka tsy ampoizina. Natokana indrindra ho an’ny tanora 15 hatramin’ny 30 taona ity fifaninanana ity, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Misy ny lohahevitra ka amin’izao fihanaky ny Covid19 izao, nosafidina ny hoe: “tanora mananjo, mandray andraikitra hiady amin’ny valanaretina Covid19”. Io no angalan’ ireo tanora ny aingam-panahy amin’ny fanaovana ilay sary.Mi.RazL’article DRJS-Andron’ny tanora : hisy fifaninanana manao sary ho an’ny tanora a été récupéré chez Newsmada.
News - Midi Madagasikara
Antsahatsiroa : Un quartier témoin de l’histoire
Le vernissage de l’exposition « Antsahatsiroa, mémoire d’un quartier » a eu lieu vendredi, au musée de la photographie en présence de l’Ambassadeur de France et du maire de la commune urbaine d’Antananarivo. L’exposition est accessible gratuitement dans le préau du musée du 20 novembre au 20 février 2021. Un quartier-musée. Antsahatsiroa, littéralement vallée sans égal, est perchée sur la colline d’Antananarivo, en contrebas de l’enceinte royale. Sept siècles séparent notre ère de l’installation des premiers humains dans ce vieux quartier. Ce lieu, considéré sacré pendant l’époque vazimba et au temps du Royaume merina, cumule les fonctions politique, symbolique et cultuelle avant le XXe siècle. Antsahatsiroa est aussi le lieu de résidence de grands personnages qui ont pour la plupart tenu une place importante à la cour. Aujourd’hui, ce quartier est occupé par leurs descendants qui héritent d’un patrimoine immobilier. Dans une capitale où s’accélèrent les différents aménagements urbains avec le poids de la croissance démographique, Antsahatsiroa présente un intérêt particulier en tant que lieu à forte valeur historique. Le quartier est doté d’un caractère exceptionnel qui le rend singulier dans la ville d’Antananarivo. Sur la Haute Ville historique d’Antananarivo, Antsahatsiroa se classe comme un quartier-musée riche en monuments et édifices historiques. Antsahatsiroa Miatrika est une association des habitants et des riverains du quartier d’Antsahatsiroa. Elle regroupe une soixantaine de personnes presque toutes des descendants de personnages illustres de la cour qui ont habité ́ Antsahatsiroa. Tout autant attachés à leurs terres qu’à leurs ancêtres, les habitants d’Antsahatsiroa, en s’incarnant en association, expriment la volonté d’entretenir une vie commune harmonieuse. L’association a pour objectif d’embellir le quartier et d’améliorer le vécu quotidien de chacun, résidents comme usagers tout en promouvant l’aspect patrimonial du lieu. Sauvegarder le patrimoine architectural, paysager et culturel sont les maîtres-mots de cette association. Une initiative Le Projet FSPI – PISCCA ou Projet Innovant des sociétés civiles et coalition d’acteur est établi par l’Ambassade de France à Madagascar pour financer des projets d’acteurs locaux visant à lutter contre la pauvreté et à renforcer l’accès aux droits fondamentaux des populations vulnérables. L’association AMI, dans son Projet de revalorisation du quartier d’Antsahatsiroa a pu bénéficier de ce financement et en même temps elle a obtenu le soutien technique de Paris Région Expertise Madagascar. Recueillis par Iss Heridiny L’article Antsahatsiroa : Un quartier témoin de l’histoire est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Antsahatsiroa : Un quartier témoin de l’histoire a été récupéré chez Midi Madagasikara.
News - News Mada
Orinasa Base Toliara: miandrandra fampandrosoana ny mponina
Miharesy lahatra hatrany ny mponina any Toliara sy ny any amin’ny toeram-pitrandrahana fasimainty any Ranobe sy ny manodidina, ny voka-tsoa entin’ny fisian’ny orinasa Base Toliara. Hitondra fampandrosoana ho an’ny mponina sy ny faritra, ary mba tsy hisy intsony ny filazana fa « fasan’ny tetikasa ny any Toliara ».Natao, ny alarobia 31 jolay teo, ny fombafomba, “titike”*, midika ho fampihavanana, sy fandravonana ny disadisa eo amin’ny mpomba sy ny manohitra ny fisian’ny tetikasa Base Toliara, hitrandraka fasimainty, any Ranobe Toliara, faritra Atsimo Andrefana. Fotoana ihany koa nangatahana tsodrano, hananganana ny fotodrafitrasa hiantsonan’ny sambo any Andaboly, morontsiraka, hitaterana ny fasimainty avy any an-tanety mankeny afovoan-dranomasina, mialoha ny hitondran’ny sambo ny akora mankany ivelany.Nanatrika ny fotoana ny manam-pahefana sy ny tompon’andraiki-panjakana samihafa, notarihin’ny prefen’ny faritra Atsimo Andrefana, ny mpitandro filaminana, niaraka amin’ny mpitantana ny orinasa Base Toliara. Teo koa ny ankolafin’ny mponina, ny fikambanana samihafa, toy ny fikambanan’ny zana-driaka ivondronan’ireo mpanjono (Fivetelo, Vezo Tealongo Besakoa, ny fikambanana Nosivato Miray Anketraka (ANMA), ny fikambanan’ny zatovo tsy an’asa any Toliara (ZTAT), sns.Maro ny zanak’i Toliara manana diplaomaAnisan’ny solotenan’ny olobe any an-toerana nandray fitenenana i Soafilira Cinah, nilaza fa nanohitra ity tetikasa fitrandrahana fasimainty ity izy ireo tany am-boalohany satria tsy mazava ny fototry ny tetikasa. Saingy, resy lahatra ankehitriny, ary miandrandra haingana ny hanatanterahana azy mba hitondra fampandrosoana ny faritra Atsimo Andrefana sady hanome asa ny tanora ary tsy ho fasan’ny tetikasa intsony i Toliara. Maro rahateo ny zanak’i Toliara manana diplaoma maniry hiasa.Voakasik’ity tetikasa Base Toliara ity ny kaominina efatra ahitana fokontany 18. Nilaza ny filohan’ny filankevitra monisipaly ny kaominina Tsihanisia fa tsy misy intsony ny tsy fifankahazoana eo amin’ny mponina, koa vonona hiasa ny vahoaka sy ny tanora. Notsoriny fa efa maro ny fotodrafitrasa naorin’ny Base Toliara, toy ny famatsiana rano madio fisotro, ny fanamboaran-dalana amin’ny alalan’ny asa tana-maro, ny fananganana tohodrano sy lakandrano, ny famatsiana fitaovam-pamokarana, sns.Tsy mankarary ny fasimaintyNitsotra ny manamboninahitra zandarimaria, sady filohan’ny fikambanan’ny Vezo, fa nanohitra tokoa izy tany am-boalohany, saingy nihemotra izy taty aoriana. « Tsy ho izaho mihitsy no hanakana ny fampandrosoana aty an-toerana”, hoy izy.Tafaresaka tamin’ny filohan’ny faritra Anosy (misy ny tetikasa QMM) ihany koa ity manamboninahita ity, fony izy filohan’ny faritra Atsimo Andrefana, ary nilaza taminy fa tsy mankarary ny fasimainty. Nanamafy izany ny tale jeneralin’ny Base Toliara, Ramahefarivo Jean Bruno, fa “araka ny tatitry ny INSTN (Ivontoeram-pirenena mikasika ny teknolojia nokleary), ny taona 2013 sy 2018, tsy atahorana ho an’ny olombelona ny fasimainty.“Esory ny sakana”, hoy ny préfetNilaza ny préfet-n’ny faritra Atsimo Andrefana, i Vladmir Edmond, fa “aoka isika tsy hamita-tena ka raha sendra marary dia ailika any amin’ny Base Toliara ny nahatonga ny aretina. Manana bokin’andraikitra ity orinasa ity ary manara-maso ny fanjakana”. Etsy ankilany, nambarany fa nahaheno tatitra izy fa misy manao sakana any akaikin’ny toerana hananganana ilay fotodrafitrasa amoron-dranomasina. Hentitra ny nanomezany baiko, “esory haingana teo izany sakana izany, anaro ny zanatsika, aoka tsy ho tia ady na korontana satria samy Malagasy isika”.Njaka Andriantefiarinesy Fandaharam-potoan’ny Base Toliara2001 : Fahazoan-dalana hikaroka2012 : Fahazoan-dalana hitrandraka2015: Fahazoan-dalana ara-tontolo iainana2017: Nohavaozina ny fahazoan-dalana hitrandraka2019: Fanadihadiana ny fanorenana ny fiantsonan’ny sambo2020: Fanamboarana ny fotodrafitrasa2021: Fitrandrahana ny fasimaintyFaharetan’ny fitrandrahana: 40 taona amin’ny velaran-tany 7 000 ha. Tsy ao anatiny ny faritra arovana misy ny alan’ny Mikea. Hoy izy ireo…I Régis : Nanohitra izahay tany aloha satria nahaheno fa mankarary ny fasimainty. Nazava aminay anefa fa diso tanteraka izahay ary mahatsapa ankehitriny fa ilaina ny fampandrosoana entin’ny Base Toliara. Andrasanay ao anatin’ny fikambanan’ny zana-driaka (mpanjono) ny hamatsiana fitaovana toy ny lakana, ny fianarana ho an’ny ankizy, ny asa ho an’ny tanora tsotra sy ny manana diplaoma, ny fitaovam-pamokarana ho an’ny vehivavy, toy ny mpanao asa tanana avy amin’ny akorandriaka, sns.I Edmond: Fantatray ny fahasoavana entin’ny Base Toliara, ankehitriny. Anisan’ny nifampiraharahanay fokonolona aminy ny fananganana fotodrafitrasa ilain’ny vahoaka, toy ny famatsian-drano sy ny herinaratra, ny toeram-pitsaboana sy fianarana. Eo koa ny fangatahanay fitaovana hitahirizana hazandrano eto Ambohitrabo, ny fiofanana ho an’ny mponina, sns. L’article Orinasa Base Toliara: miandrandra fampandrosoana ny mponina a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Antanifotsy : Nirehitra ny tranon’ny mpianatra kilasimandry
L’article Antanifotsy : Nirehitra ny tranon’ny mpianatra kilasimandry a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Miantso vonjy ny mponina: mihoa-pefy ny miaramila any Morombe
Tsy afaka ny hangina. Velon-taraina ary miantso vonjy amin’ny fanjakana, indrindra ireo tompon’andraikitra isan-tokony ny mponina any amin’ny distrikan’i Morombe manoloana ny fihetsiky ny miaramila mampandry tany any an-toerana. Nandefa taratasy misokatra ho an’ny minisitry ny Fiarovana sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandary ary ny faritra izy ireo. Misongadina ny fihoaram-pefy ataon’ny miaramila sasany fa alaina an-keriny ny ombin’ny olona sasany. Noraisin’izy ireo ohatra ny nitranga ny 25 sy ny 28 jolay teo tamin’ny fakana omby anjatony. Voalaza anefa fa anaty boky ara-dalàna avokoa ireo omby 1700 an’ilay atao hoe Jaonary, mitondra ny marika TSL avokoa. Anisan’ny mahagaga ny mponina amin’ity raharaha ity ny fanatanterahan’ny miaramila sy ny dinabe izany fa tsy ahitana ny zandary na ny polisy na koa ny eo anivon’ny distrika. Adikan’ny mponina ho fakana an-keriny izany. Notanisain’izy ireo koa fa efa maro ireo lasibatry ny fanamparam-pahefan’ireo mpampandry tany. Voatery mitsoaka mandositra ny mponina. Ampahany ihany ireo ka hanairan’ny vahoaka ny mpitondra mba hijery ny rariny sy ny fahamarinana ary koa ny mangarahara. Manahy izy ireo fa hanome endrika ratsy ny fitondrana izao raharaha izao.Synèse R. L’article Miantso vonjy ny mponina: mihoa-pefy ny miaramila any Morombe a été récupéré chez Newsmada.