Miara-dalana ny politika, ny toekarena, ny sosialy…  

News - Miara-dalana ny politika, ny toekarena, ny sosialy…  

News - Miara-dalana ny politika, ny toekarena, ny sosialy…  

 Olana
toekarena tsy misy vahaolana ny olana politika, raha ny fijerin’ny
mpandinika sasany. Olana sosialy tsy misy vahaolana kosa ny olana
toekarena? Koa raha te hamaha ny olana toekarena ny firenena iray,
mila mamaha ny olana sosialy aloha. Rehefa mivaha ny olana
toekarena, milamina ho azy ny politika?

Amin’izao fialana miandalana
amin’ny fihibohana noho ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 izao,
mila jerena maika sy akaiky hatrany ny lafiny sosialy? Ny
fiainam-bahoaka eny ifotony izany; eny, na zava-dehibe sy mahamaika
aza ny fanarenana ny toekarena. Mbola mafy sy sarotra ho an’ny maro
ny fiatrehana ny fiainana.

Ahoana, ohatra, ny hahazoany
miatrika sy manarina tsikelikely indray ny fiainany andavanandro
mandavantaona? Tsy ho enta-mavesatra ho an’ny fanjakana, indrindra
amin’ny  fanarenana ny toekarena sy ny fandaminana politika.
Tsy hisian’ny korontana sosialy izany, indrindra ahazoana miatrika
ny asa fampandrosoana.

Ekena, eo ny karazana fanampiana:
mila tohizina, mbola andraindrain’ny maro tsy maharin-tena irery
amin’izao. Saingy, tsy mahasehaka ny rehetra, tsy hahafa-po
rahoviana, tsy maharitra… Raha ny marina, ahoana ny hahazoan’ny
tsirairay mandray anjara amin’ny fanarenana toekarena? Na miainga
amin’ny tenany aza aloha.

Anisan’izany, ohatra, ny fitanana
sy ny fampitomboana ny asa efa misy, ny famoronana asa, ny
fanamorana ny fisamboram-bola hahazoana manangana orinasa sy
mamorona asa… Efa misy izany rehetra izany, saingy mila
ampitomboana, azo antoka, mahomby, mitera-bokatra kokoa…
aorian’izao krizy ara-pahasalamana izao.

Matoa mbola misy ny fitarainana
etsy sy eroa, misy tsy milamina ao. Rahoviana tsy hiteny ny olona…
tsy afa-po na oviana? Na izany aza, mila tsinjovina ny
fiainam-bahoaka tsy hisian’ny korontana sosialy. Mila mandeha na
miara-dalana amin’izany ny fanarenana toekarena sy ny fandaminana
politika? Mifameno fa tsy mifamono…

Rafaly Nd.

 

 

 

Article tiré de Newsmada

L’article Miara-dalana ny politika, ny toekarena, ny sosialy…   a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

AIEA – INSTN -Fadintseranana: miara-miasa ho fisorohana ny fampihorohoroana

Hamafisina ny fanaraha-maso eny amin’ny fadintseranana amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovam-pitiliana “radioactive”. Nanolotra fitaovana ny AIEA, mampiofana momba ny fampiasana azy ny INSTN. Tsy maintsy mila fitaovana mifanaraka ny vanim-potoana ankehitriny ny fanaraha-maso eny amin’ny fadintseranana. Ho fiarovana amin’ny fampidirana fitaovam-piadiana sy amin’ny asa fampihorohoroana, nanolotra fitaovana « détecteurs de rayonnement » sy « identificateurs » ho an’ny fadintseranana malagasy ny AIEA (Agence internationale de l’énergie atomique). Ny INSTN (Institut national des sciences et techniques nucléaires) no manome fiofanana ny mpiasan’ny fadintseranana amin’ny fomba hampiasana ireo fitaovana ireo.Fitaovana arifomba avo lenta ireo avy amin’ny AIEA ireo, hisorohana ny asa fampihorohoroana amin’ny alalan’ireo fitaovam-piadiana mahery vaika. Eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny hametrahana izany voalohany, amin’ny maha seranana iraisam-pirenena azy, ifamezivezen’ny olona maro. Matetika, tratra eny an-toerana ny zava-mahadomelina, ary izao andraisana fepetra izao koa ny fitiliana fitaovana misy « radioactif » mety hampidi-doza.Nambaran’ny ao amin’ny INSTN fa manampy betsaka amin’ny fiarovana mandritra ny fitsidihan’ny papa François eto Madagasikara ireo fitaovana ireo; anisan’ny fepetra tsy maintsy arahina koa izany amin’ny vanim-potoana lehibe.Mampidi-bola be …Noho izay fanaraha-maso izay ihany, eny amin’ny fadintseranana Ivato, mihatsara  ny vola miditra amin’ny fanjakana. 4,6 miliara ariary ny tamin’ny volana jona teo, ary tafakatra 4,9 miliara ariary amin’ity volana jolay ity. Ao anatin’ny fanaraha-maso mahomby ny fanafainganana ny famoahana entana, araka ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra. Notsiahivina amin’ny rehetra ny fanarahan-dalàna, indrindra raha mahakasika ny raharaham-barotra izay tsy maintsy anaovana fanambarana. R.MathieuL’article AIEA – INSTN -Fadintseranana: miara-miasa ho fisorohana ny fampihorohoroana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

  Cnaps: « Tagnamaro » andiany faharoa

 Tontosa teny amin’ny foiben’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (Cnaps) eny Ampefiloha ny hetsika « Tagnamaro » andiany faharoa, fanao isaky ny asabotsy fahatelon’ny volana jolay teo. Fotoana nanatanterahana ny politikan’ny fanjakana foibe, sady nanamafisana ny firaisankinan’ny mpiasa rehetra. Resy lahatra ary miombon-kevitra amin’ny hanatanterahana ny « Tagnamaro » ny Cnaps, amin’ny fandraisana andraikitra an-tsitrapo amin’ny maha olom-pirenena, hanehoana ny herimpo hitondra fiovana tsara amin’ny tontolo manodidina.Nodiovina ny tao anatiny, ny ivelany ary ny manodidina ny toeram-piasana.Nilaza ny talen’ny fitantanana ny maha olona ao amin’ny Cnaps, Raobijaona Bruno, fa “porofo fa manaraka ny toromariky ny fanjakana ny Tahirim-pirenena ary efa fanindroany ity fiaraha-mientana ity”.Njaka A.L’article   Cnaps: « Tagnamaro » andiany faharoa a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Sasa-poana

Satry re ianareo mpikambana ao amin’ny governemanta, eny hatramin’ny ianareo mpikambana ao anatin’ny fahefana mpanatanteraka ao, mba hanome ohatra anay Malagasy amin’ny alalan’ilay oha-pitenenana hoe : « miala sasatra vao mandia loha tahaka ny siny ». Irianay ho anarany fotsiny ity fialantsasatra herinandro nampahafantarin’ny fampitam-baovaon’ny Fiadidiana ny repoblika, omaly tolakandro, ka ny asa no ifotorana hatrany. Ary tena asa, tena miasa, fa tsy sarintsariny. Mody miala sasatra fa hay (nofinofy ririnina ihany) mitady an’izay hanatsarana tokoa an’izato fiainam-bahoaka hono! Toa tsy ahoan’ireto valalabemandry mantsy na hiala sasatra mandritra ny herintaona aza ianareo. Rehefa tonga vahiny ihany tsinona no misy ezaka mandalo sady tazantazan’ny vahoaka. Mahazo tombony manokana ireo faritra sy mponina ifamoivoizan’ireny vahiny manankaja ireny, ka sanatria tsy ilazana habobo fa vao haingana ny kivazivazim-pampanarahan-dalàna nampiharina nandritra ny fanasana an’ingahy Paul Kagamé, Filohan’i Rwanda tamin’ny fanamarihana ny Fetim-pirenen’i Madagasikara. Miavosa indray ny fako. Miha mahazo vahana foana ny baranahiny amin’ny fitaterana. Mbola tompon’ny arabe ireo posy sy sarety. Mirongatra hatrany ny tsy fandriampahalemana. Mitady tsy ho tana ny fidangan’ny vidim-piainana. Mampiroaroa saina tahaka ny tsy misy mpiahy ny lafiny fanabeazana… Tsy mbola nisy fialan-tsasatra anefa tao anatin’ny enim-bolana voalohany niasan-dry zareo mpitondra vaovao izay. Nihevitra ny hiala an’Ankatso isika, saingy miatrika an’Ambohidempona indray. Moa, efa zary mandeha ho azy ny fahaiza-manilika, ary tsy misy mahay miala sasatra mihitsy rehefa amin’ny fanararaorana fanaovana taingim-bozona tamin’izay asa natomboky ny teo aloha, nefa tsy mahalala menatra tokoa raha hiampanga an’ireo nodimbiasina rehefa kianina amin’ny raharaha tsy mandeha. Asa raha ho toy ny katsaka ahantona maharitra, mba tsy ho sasa-poana indray andro, nefa tsy fantatra hoe rahoviana ity vanim-potoana haniriany! L’article Sasa-poana est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Olan’ny AFT: hametraka fangatahana ny mpampianatra

Niato ny fampianarana teny frantsay eny amin’ny Alliance française Andavamamba, ny 30 jolay lasa, teo nandritra ny tontolo andro noho ny fitakiana nataon’ny mpampianatra momba ny fahataran’ny fandoavana ny karaman’izy ireo volana jolay. « Ho fanamafisana ny fangatahana maro efa nataon’izy ireo hatramin’izay hanatsarana ny fanatontosana ny asa ny fampiatoana ny fampianarana ny talata lasa teo », hoy ny fanazavan’ny solontenany. 60 ny mpampianatra nanasonia ny fangatahana voalaza. Taorian’ny hetsika, tsy nisy ny fifanatonana teo amin’ny roa tonta fa tonga dia tapaka avy hatrany ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny mpampianatra sy ny AFT, araka ny fanambarana navoakan’ny tomponandraikitry ny Alliance. Noheverina fa nanapaka ny fifanarahana ny mpampianatra rehefa nampiato ny asany ny talata teo. Mbola vonona ny handray ny mpampianatra maniry ny hanohy ny fiaraha-miasa aminy anefa ny AFT ka afaka mametraka fangatahana vaovao ireo mazoto hanaraka ny fepetra apetrak’izy ireo. Ambara fa tapaka tanteraka ny fifanarahana momba ny asa ho an’ny mpampianatra tsy nametraka fangatahana hatramin’ny anio hariva amin’ny 5 ora.Ny mpampianatra kosa, manizingizina fa marim-pototra ny fangatahana nataon’izy ireo ka mangataka ny hampiatoana ny fanapahana ny fifanarahana momba ny asa ary hiroso amin’ny dinidinika miaraka amin’ny mpitantana ny AFT.Vonjy   L’article Olan’ny AFT: hametraka fangatahana ny mpampianatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mananara Avaratra, Soanierana Ivongo,… : Vita ny tetezana, hamboarina ny lalana RN 5

Hatry ny ela ny niandrasan’ny mponina sy ny mpampiasa ny hanarenana ny lalam-pirenena RN 5. Hihazakazaka ny fandrosoana raha tanteraka tokoa izany.Nijery ifotony ny fanamboarana ny lalam-pirenena fahadimy (RN 5) any Fenoarivo Atsinanana, omaly, ny filoha Rajoelina Andry. Nambarany fa hamboarina ny lalana Foulpointe sy i Fenoarivo Atsinanana (43 km), ny mampitohy an’i Ma­na­nara Avaratra sy i Ma­roantsetra, ny Soanierana Ivo­ngo hatrany Ivohibe. Tsia­hi­vina fa efa mandeha ny asa fanamboarana ny miainga eo Toamasina hatreo Foulpointe. Raha jerena ny zava-bita, miisa 18 ny tetezana sy «dalot» iray vita tanteraka. Manohana vola ny fanjakana malagasy ny asa ny Vondrona eoropeanina (UE), mitentina 13 tapitrisa euros. Mian­drai­kitra ny fanatanterahana ny asa tany Mananara Avaratra ny antokon-draharaha Agence routière, natao tamin’ny alalan’ny asa tana-maro. Nahafaly ny vahoaka izany satria nanome asa ho azy ireo.Manana otrikarena matanjaka Zava-dehibe ho an’ny mponina tokoa ny hanamboarana haingana ity lalam-pirenena RN 5 ity. Efa vita godirao, saingy ratsy ny Fenoarivo Atsinanana hatrany Soani­erana Ivongo. Tena andrasana ny fanaovana godirao ny eo Soanierana Ivongo hatrany Mananara Avaratra (120 km), sy indrindra, ny Mananara Avaratra hatrany Maroantsetra (108 km). Raha vita ireo, ho haingana ny fampandrosoana satria manana otrikarena ma­tanjaka iny faritra iny, raha tsy hilaza afa-tsy ny lavanila sy ny jirofo.Njaka AndriantefiarinesyL’article Mananara Avaratra, Soanierana Ivongo,… : Vita ny tetezana, hamboarina ny lalana RN 5 a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Masoivoho amerikanina: hiresaka ny tanora sy ny fiarahamonina ny « E-talk »

« Ny fiarahamonina manoloana ny fitarihan’ny tanora ». Io ny lohahevitry ny « E-talk », hotanterahin’ny masoivoho amerikanina eto amintsika, ny 16 jolay izao, eny Andranomena. Fiteny matetika ny hoe ny tanora ny hoavin’ny firenena. Araka izany, anisan’ny andrin’ny fampandrosoana ny tanora.Hita ho mihamaro ny hetsika hanentanana ny tanora amin’ny fitarihana amin’ny sehatra misy azy, toy ny amin’ny lafiny fihariana sy ny raharaha sosialy eny anivon’ny fiarahamonina. Haneho ny heviny sy hijoro vavolombelona amin’izany fitarihana tanora izany i Najaina Kanto Tovohasimbavaka.Mpisehatra amin’ny fampandrosoana ny tanora manodidina ny 5 taona sy mpilatsaka an-tsitrapo, Mpanazava eto Madagasikara, ny tovovavy. Miasa ao amin’ny fandaharanasan’ny mpilatsaka an-tsitrapon’ny Firenena mikambana izy sady mpikambana tao amin’ny fikambanana fampandrosoana ny tanora, antsoina hoe Youth First, nandritra ny 3 taona. Tanora mpitarika nisitraka ny fandaharanasa Mandela Washington Fellowship ihany koa izy, tamin’ny taon-dasa. Entanina manokana hanatrika izao famelabelaran-kevitra izao ny tanora.Landy R. L’article Masoivoho amerikanina: hiresaka ny tanora sy ny fiarahamonina ny « E-talk » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fotoam-piotazana letisia: 33 ireo orinasa lehibe mpanondrana any ivelany

Fotoam-piotazana letisia: 33 ireo orinasa lehibe mpanondrana any ivelany | NewsMada // window._wpemojiSettings = {"baseUrl":"https://s.w.org/images/core/emoji/2.2.1/72x72/","ext":".png","svgUrl":"https://s.w.org/images/core/emoji/2.2.1/svg/","svgExt":".svg","source":{"concatemoji":"http://www.newsmada.com/wp-includes/js/wp-emoji-release.min.js?ver=4.7.11"}}; !function(a,b,c){function d(a){var b,c,d,e,f=String.fromCharCode;if(!k||!k.fillText)return!1;switch(k.clearRect(0,0,j.width,j.height),k.textBaseline="top",k.font="600 32px Arial",a){case"flag":return k.fillText(f(55356,56826,55356,56819),0,0),!(j.toDataURL().length

News - News Mada

Atletisma – Fiadanantsoa Sidonie: fahombiazana avy hatrany ny fandraisana anjara voalohany

Sambany ho an’i Fiadanantsoa Sidonie ny fandraisana anjara amin’ny “Lalaon’ ny Nosy”, saingy izao nahazoany vokatra tsara izao sahady. Atleta vao misandratra manana hoavy mamiratra izy, araka izany, raha izao fivoarany izao. Tsahivina fa efa nifaninana tamin’ny “CJSOI” teo amin’ny sokajy « cadette”, ny taona 2016, i Sidonie ary nahazo medaly volamena. Isan’ireo atleta niatrika fiofanana tany Sina izy ka izao nioty vokatra tsara izao, tamin’ity andiany faha-10 ny “Lalaon’ny Nosy” ity. Efatra taona izay no nidiran’i Sidonie ao anatin’ny taranja atletisma. L’article Atletisma – Fiadanantsoa Sidonie: fahombiazana avy hatrany ny fandraisana anjara voalohany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Alefa… ry Malagasy !

Tavela any ambadibadika any aloha ny fahantrana, ny adilahy politika, sns, fa ny fiadiana ny amboaran’i Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra (Can 2019) no maresaka eto amin’ny tanàna. Tsy mbola nisy mihitsy ny Can nalaza toy ity, teto amintsika, satria sambany ny Malagasy no nandray anjara tamin’izany. Vao mainka koa nampivaivay ny fanarahana akaiky ity fifaninanana goavana ity ny fandresena nisesisesy azon’ny ekipam-pirenena.Tsy ankiato ny “Alefa Barea” any anaty “facebook” any, hatramin’ny niandohan’ny fiadiana ny amboara. Ankehitriny aza, araka ny fantatra, lasa nalaza any ampitan-dranomasina any mihitsy io “alefa” io. Misy ny mihevitra fa “teny manan-kery” izany ka mampahomby ny ady. Na inona na inona tokoa moa fahaizan’ireo mpilalao malagasy, raha tsy misy ny fankaherezana toy izany, toa mandringa ihany.Azo tsapain-tanana ary heverina fa iaraha-manaiky ny fientanam-po, indrindra ny alahady alina teo, rehefa nandresy ny ekipam-pirenena nizerianina, ny Barea. Samy mahatsapa fa mpiray ra, mpiray tanindrazana, mpiray firenena no nandresy ka rehareha. Iray fo tanteraka ny Malagasy, hita ny firaisankina, ary angamba, na ireo nisy romoromo sy lonilony teo aloha aza, lasa nihavana noho ny fandresen’ny ekipa iraisana sy nampiray. Heverina fa tsy hijanona hatreo ny fivitranan’ny fihavanana… Sanatria!Nandresy foana, hatreto (inoana fa hitohy izany) ny ekipantsika. Voninahitra iaraha-miloloha izany. Antenaina fa tsy ny eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena ihany no hanehoan’ny Malagasy rehetra izany fa amin’ny sehatra rehetra hisongadinan’ny mpiray tanindrazana. Tsy ho mpisintona ny tafiakatra na ho mpamingana ny nahavita dingana fa ho mpanohana hatrany isika. Tsy hijanona amin’ny “Alefa Barea” fa hitohy amin’ny “Alefa fa samy Malagasy”!Nambaran’ny mpampahalala vaovao, any ivelany any, fa tsy nampoizina ny zava-bitan’ny ekipa malagasy, tamin’ity Can ity. Irariana ny hahazoany ny amboaran’i Afrika. Raha sanatria tsy izany koa anefa, antenaina fa tsy ho “sakaizan’ny mpandresy” isika ka hanakiana sy hanome tsiny. Sa tsy izany? “Alefa … ry Malagasy!”.Landy R. L’article Alefa… ry Malagasy ! a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé

COVID-19: Statistique du 15 Septembre 2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Statistique du 15 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Le principal fait à retenir du bilan sur l’évolution de la pandémie de covid-19 à Madagascar rapporté ce mardi 15 septembre par le CCO est le faible nombre des contaminations enregistrées au cours des dernières 24 heures. En effet, 34 nouveaux cas positifs au coronavirus ont été identifiés sur 552 échantillons analysés. Ainsi, le taux de positivité est de 6,15%. Ces nouveaux malades ont été localisés dans 8 régions: 6 cas à Analamanga, 2 cas à Itasy, 11 cas à Alaotra Mangoro, 1 cas à Matsiatra Ambony, 2 cas à Vatovavy Fitovinany, 1 cas à Sofia, 3 cas à Sava et 8 cas à Diana. Par ailleurs, 41 patients ont été déclarés complètement guéris et ne pourront plus transmettre la maladie. Rappelons que 14452 personnes ont toutes recouvré la santé sur les 15803 infectées depuis mars dernier; c’est pourquoi seules 1135 personnes sont en cours de traitement dont 29 développant une forme grave. Un nouveau décès supplémentaire lié au coronavirus survenu à Alaotra Mangoro a également été communiqué. Officiellement, le nombre des victimes de cette pandémie s’élève L’article COVID-19: Statistique du 15 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Escrime: mpanazatra 14 mianadahy nahazo mari-pankasitrahana
22/09/2020

Nifarana, omaly, tetsy amin’ny kianja mitafo Ankorondrano ny fiofanana ho mpanazatra “niveau 1”, taranja Escrime. Notolorana mari-pankasitrana izy 14 mianadahy, nandritra ny lanonam-pamaranana. Raha ny fanazavana, nisy ny fanadinana nampanaovina ireo mpiofana ka afaka avokoa izy 14 mianadahy. Tanjona tamin’ity fiofanana ity, raha ny nambaran’ny mpampiofana, Ramanandraivonona Elinjara Luc, ny fampahafantarana bebekokoa ny taranja Escrime. Eo ihany koa ny mba hahafahan’ny mpiofana manampy ny “Coach” any amin’ny toerana misy azy avy. Marihina, afaka mandray ekipa sy klioba amin’izay, manomboka izao ireto nahavita fiofanana ireto.  Tetsy an-kilany, nanome toky fa hampihatra ny fahalalana noraisina ireo mpiofana ary tsy handraraka ilo mby an-doha nampitaina rehetra. Tonga nanatrika ny lanonam-pamaranana ny Komity Olympika Malagasy sy ny Federasiona Malagasy ny Escrime, nahitana ny filoha lefitra sy ny mpikambana hafa. Mi.RazL’article Escrime: mpanazatra 14 mianadahy nahazo mari-pankasitrahana a été récupéré chez Newsmada.

Tsy fanjarian-tsakafo: manentana ny fikambanana “Hina”
18/09/2020

Nanao hetsika maro, teto Toamasina, ny vondrom-pikambanana “Hina” (Hetsika iraisana natokana ho an’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo), notarihin’ny filohan’ny sampana Toamasina, Rtoa Zafitsara Maria. Natao tany amin’ny kaominina Fanandrana, ny alakamisy 17 septambra teo, ny fanentanana sy ny fampiofanana, nifantoka amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny fampinonoan-dreny sy ny fampanarahana. Teo koa ny fiarovan-tena amin’ny Covid-19.Nisy koa ny fampirantiana ny karazan-javamaniry fanao sakafo maroloko, ilaina tokoa amin’izao ady amin’ny Coronavirus izao. Nampirisihina ny mponina hamboly bebe kokoa. Nampahafantarina azy ireo ny fomba fitahirizana ny vokatra. Teo koa ny fomba fampinonoana ny ankizy hatramin’ny faharoa taony, tsy asiana fangarony hatramin’ny fahenim-bolana. “Tanjona ny hanana zaza tomady”, hoy ny mpandaha-teny.Nanaitra ny mpandaha-teny ny nahitana ny mponina tsy manao arotava intsony, mandrora eran’ny lalana, mifampikasoka akaiky, …. Nampahatsiavin’ny vondrom-pikambanana Hina, noho izany, ireo fepetra ara-pahasalamana manoloana ny Covid-19.Sajo sy Njaka A.L’article Tsy fanjarian-tsakafo: manentana ny fikambanana “Hina” a été récupéré chez Newsmada.

Fifindran’ny valanaretina: olona enina vao tonga avy any Eoropa mitondra ny Covid-19
23/09/2020

Mbola mampanahy ary mety ho tonga amin’ny tampody fohin’ny Coronavirus. Nambaran’ny eo anivon’ny CCO, omaly, fa misy olona enina vao tonga avy amin’ny sidina avy any Eoropa, mitondra ny tsimokaretina Covid-19.“Misy olona enina vao tonga avy any Eoropa mitondra ny tsimokaretina… Tsy maintsy atao fitiliana ireo mpandeha iray fiaramanidina vao tonga. Miaraka atoka-monina avokoa izy ireo avy eo ary efa tafiditra anatin’ny paikadin’ny fanjakana izany. Mitohy ny fanaraha-maso sy ny fitsaboana azy ireo, tahaka ny efa natao amin’ireo nitondra ny Coronavirus hatramin’izay ihany”, hoy ny mpitondra tenin’ny CCO, ny Pr Vololontiana Hanta, omaly. Midika izany fa tsy voahaja ny fepetra tany amin’ny firenena niaingana, ny amin’ny tsy maintsy hanaovana fitiliana 48 ora, mialoha ny hahatongavana eto Madagasikara.Miisa 25 ny tranga vaovao any DianaHampanahy koa ny hisokafan’ny sidina Nosy Be sy ny any ivelany, ny 1 oktobra izao, sy ny hanokafana ireo serana-piaramanidina vitsivitsy eto amintsika amin’ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina, ny 29 oktobra izao.Etsy andaniny, niakatra tampoka indray ny antontanisa navoakan’ny CCO, omaly. Miisa 63 ireo tranga vaovao amin’ny fitiliana natao miisa 598. Enina amin’izany ny avy eto Analamanga. Miisa 13 ny any Alaotra Mangoro raha telo ny any Vatovavy Fitovinany. Iray kosa ny any Boeny raha sivy ny any Diana ary miisa 25, anisan’ny maro indrindra, ireo nifindran’ny valanaretina any Sava.Mamahatra any avaratry ny Nosy ny Covid-19Mbola mamahatra any avaratry ny Nosy izany ny Coronavirus hatramin’izao. Niampy iray indray kosa ny maty ka tafakatra 226 izany izao ireo lavon’ny Covid-19 hatramin’izao. Tsy niova fa mbola miisa 20 ireo anaty fahasarotana amin’izao fotoana izao.Na izany aza anefa, miisa 61 ireo sitrana. Tafakatra 14 743 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo 16 136 mitondra ny tsimikaretina Covid-19. Miisa 1 165 ireo mbola tsaboina sy arahi-maso ny fahasalamany.Miisa 68 375 ireo fitiliana PCR vita raha miisa 7 221 ny fitiliana GenExpert.Synèse R.L’article Fifindran’ny valanaretina: olona enina vao tonga avy any Eoropa mitondra ny Covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Adihevitra… mampandroso      
21/09/2020

          Mafanafana ny tontolo politika amin’izao? Tsy inona fa ny adihevitra ny amin’ny maha ara-dalàna na tsia ny fanatanterahana ny fifidianana loholona, amin’ny 11 desambra ho avy izao. Amin’izany, samy manana ny filazany, ohatra, na ny mpanao politika, na ny avy amin’ny firaisamonina sivily; eny, na ny samy mpahay lalàna aza.Mahavalalanina sy mahafanina ny olom-pirenena tsotra mpanara-maso ny raharaham-pirenena; tsy mpanara-maso fotsiny aza, fa mpandray anjara amin’izany: inona ny marina? Na ny ara-dalàna, ny tsy azo ialana, ny tokony hatao… Lalàna iray izao, ohatra, no hoe lazaina, nefa samy manana ny filazany be ihany itsy sy iroa.Arakaraka ny toerana misy ny tsirairay ny fanazavana? Na fanamaizinana sy fanakorontanana… Tsy mbola milamina tsinona ny adihevitra. Tafiditry ny politika na avadiky ny sasany ho izany ho azy ny raharaha ka tsy hita intsony izay marina hoe tena araka ny lalàna velona. Soa ihany, misy ny rafitra tompon’ny teny farany ny amin’izany.Na eo aza izany, ny tsy azo lavina sy tsy takona afenina: mibahan-toerana loatra ny politika amin’izay atao sy ny mitranga rehetra: paipaika sy kajikajy amin’izay misy ny tena. Arakaraka izay tadiavina sy arovana amin’izany no andikana ny lalàna? Hany ka na izay heverina ho tena marina izao aza, avadiky ny sasany ho politika hatrany.Rahoviana vao tena handeha ho azy amin’ny raharaham-pirenena ny tena fanajana sy fampiharana lalàna? Tokony handeha ho azy ho an’ny rehetra izay, hahasaro-piaro azy amin’izay mitranga sy atao rehetra: tsy vonjivonjena, tsy ifandroritana, tsy ifampiandrasana kendry tohina, tsy atao amin’izay mahametimety ny tena.Anisan’ny fototra sy fositra koa ny tsy fahazarana mijery lavitra amin’izay atao. Hany ka mampiady an-toerana zary fanakorontanana izay mety ho fanehoan-kevitra am-poto-moty, na adihevitra, na fanitsiana… Tena jerena amin-kitsim-po ve izay hahasoa ny firenena ho amin’ny fampandrosoana, na tsy mitovy aza ny fijery?Rafaly Nd.  L’article Adihevitra… mampandroso       a été récupéré chez Newsmada.

Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: “Ilaina ny fahasahiana ka tsy hihemotra isika…”
22/09/2020

Hentitra ary nahitsy ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina. “Efa nivoaka tamin’ny fomba ofisialy izao ny Fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana (CMH), anisan’ny tetikasa lehibe nataontsika ho an’Antananarivo… Mila fahasahiana ny zavatra toy izao ary tsy hihemotra isika satria efa nandrasan’ny mponina amintsika izany”, hoy izy, tamin’ny fananganan-tsaina niarahana amin’ny mpiasan’ny CUA, tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna, omaly.Nanteriny fa ahafahana mitondra fanovana eto an-dRenivohitra, amin’ny fifanajana, ny fanabeazana, ny maha olona, ny fahadiovana, ny filaminana sy ireo maro samihafa izany.Niaiky ny tenany fa mbola tsy tena azon’ny mponina ny tena votoatin’ny CMH sy ireo zavatra ao anatiny. Mila fotoana ny fampahafantarana ireo fitsipika maro ireomba hipaka tsara any amin’ny tsirairay sy hampiova ny fomba fisainantsika, araka ny nambarany.Mpanao politika manimbazimba ny ezaka fitaizana…Etsy an-daniny, naneho ny alahelony amin’ireo mpanao politika sasany ny ben’ny Tanàna. Nohitsiny fa manararaotra manakiana sy manimbazimba ny ezaka atao ho fitaizana sy fampianarana ny olom-pirenena mba ho mendrika. “Mila miroso hatrany isika manohy ny ezaka, mahafa-po ny vahoaka maro anisa sy mahasoa ny tanànantsika, ka hilamina sy hirindra tsara ny fiainana andavan’andro”, hoy ihany izy.Efa tsy mahagaga ny fanakianana anaty tambajotra sosialyAnkoatra izany, notsindriny fa mbola maro ireo tsy mahalala sy mampifangaro ny hetra sy ny atao hoe lamandy. “Tsara ho fantantsika fa tsy ny lamandy velively ny natao hampiakatra ny vola miditra ato amin’ny kaominina. Fa natao izany mba ho fanabeazana ny tsirairay. Ny fanakianana eny amin’ny tambajotra sosialy ireny efa tsy mahagaga. Zava-dehibe ny fanohanan’ny ankamaroan’ny  mponina  sy mankasitraka ny ezaka ataontsika”, hoy ihany Andriantsitohaina Naina.Matoky ireo mpiasan’ny CUA rehetra ny ben’ny Tanàna amin’ny fandraisana ny andraikitra tandrify azy.Synèse R. L’article Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: “Ilaina ny fahasahiana ka tsy hihemotra isika…” a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Filaharana Fifa: very toerana iray ny Barea de Madagascar
18/09/2020

Namoaka ny filaharan’ireo ekipam-pirenena mandrafitra azy ny federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa), omaly alakamisy 17 septambra. Very toerana iray ny Barea de Madagascar, tamin’izany. Raha teo amin’ny laharana faha-91, roa volana lasa izay, lasa faha-92 ankehitriny. Manana isa 1 267 ny ekipam-pirenena malagasy, amin’izany. Na eo aza ity fihemorana kely ity, mbola tafiditra ao anatin’ny “Top 100” hatrany ny Barea de Madagascar. Tsy nihetsika kosa fa mbola mijanona eo amin’ny laharana faha-21 hatrany kosa ny Malagasy eo amin’ny filaharan’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf). Marihina fa mbola mitarika eto Afrika ny Lionan’i Teranga avy any Sénégal, tafiditra “Top 20 mondial”, arahin’i Tonizia ary fahatelo ry zareo Nizerianina. Faha-11 kosa ny Etalons’n’i Borkina Faso, hifandona amin’ny Barea de Madagascar eo amin’ny lalao firahalahiana hatao any Lisbonne, Portugal. Faha-12 ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, mpifanandrina mivantana amin’i Madagascar, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Can 2021”.Mbola ry zareo Belzika hatrany aloha ny voalohany eran-tany, manana isa 1 773. Faharoa ny Frantsay, nahazo isa 1 744 ary fahatelo i Brezila, manana isa 1 712. Fahefatra ny Anglisy arahin’i Portugal. Any amin’ny faha-14 ry zareo Alemà sy ny Mannschaft. Mbola i Saint Marin hatrany no mitana ny laharana farany.Marihina fa ny tsy fisian’ny lalao vokatry ny Covid-19 no tsy nampisy fiovana firy ny filaharana, tamin’ity. Tompondaka L’article Kitra – Filaharana Fifa: very toerana iray ny Barea de Madagascar a été récupéré chez Newsmada.

Raharaham-bahoaka :: Hanamora ny fikarakarana taratasim-panjakana ny Ivotoro
23/09/2020

Hisokatra amin’ny besinimaro, ato ho ato, ilay birao manokana hisahana ny fanomezana torolalana ho an’ireo olom-pirenena mikarakara taratasim-panjakana na Ivotoro. « Pitsopitsony kely madinidinika sisa dia ho am-perinasa tanteraka io birao io », hoy ny fanazavan’i Fetraniaina Mamimbahoaka, tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. Asa iandraiketan’ny birao ny fandraisana ny antson’ireo olona mila fanampiana amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana.  Mety ho laharana maitso io na laharana tsotra. « Hapetraka ny olona maromaro natokana hanao an’io asa io fotsiny eto amin’ny minisitera. Raha misy olona hanao pasipaoro, ohatra, dia hatoro azy ny taratasy rehetra ilaina amin’izany sy ny toerana ary ny birao tokony hidirany. Afaka mamerina miantso izy raha tojo olana », hoy ihany ny tale jeneraly mpisolo toerana. Azo anontaniana ao amin’ny Ivotoro avokoa ny fomba fikarakarana an’ireo karazana taratasim-panjakana, na fikarakarana tany io na fikasana hanangana haino aman-jery. Fantatra fa hiarahana miasa akaiky amin’ireo sampandraharaham-panjakana samihafa ny fametrahana ny birao mba tena hanamorana ny fivezivezen’ireo olompirenena manao taratasy, sady hiantohana amin’ny fanafoanana ny kolikoly. L’article Raharaham-bahoaka :: Hanamora ny fikarakarana taratasim-panjakana ny Ivotoro est apparu en premier sur AoRaha.

Lisi-pifidianana: mitaky ny marina momba ny “doublons” ny mpanohitra
24/09/2020

Hanenjana hatramin’ny farany. Tonga teny amin’ny foiben’ny Ceni, Alarobia, koa, omaly, ireo eo anivon’ny “Groupe Panorama”, ahitana ireo antoko ivelan’ny fitondrana sy ny parlemantera. “Hamafisinay hatrany ny fanapahan-kevitra noraisina teny Andrainarivo fa tsy ankatoavinay ny fomba fiasan’ny Ceni. Tsy hanatrika ny fivoriana tarihin’izy ireo izahay fa hanatitra taratasy omena ireo mpiara-miombona antoka teknika sy vola (PTF) maneho izany tsy fahamarinana izany”, hoy ny loholona Rakotovazaha Olivier.Nohitsiny fa takin’izy ireo ny fahamarinan’ny fifidianana, ny tsy fahatomombanan’ny lisi-pifidianana… “Tsy mankasitraka ny Ceni mbola hitantana fifidianana izahay. Takinay ny marina momba ny lisi-pifidianana “doublons””, hoy ihany izy ireo. Nandrangaranga sahady koa ny avy amin’ny antoko Tim fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana loholona.Synèse R. L’article Lisi-pifidianana: mitaky ny marina momba ny “doublons” ny mpanohitra a été récupéré chez Newsmada.

Covid-19: mandray marary ny hopitaly rehetra
22/09/2020

Taorian’ny fikatonan’ny CTC etsy Mahamasina sy ny foibem-pitiliana etsy Andohatapenaka, nilaza, mitohy ny fitsaboana ireo mararin’ny  covid-19 eny amin’ireo hopitaly lehibe rehetra.Nambaran’ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Rakotovao Hanitrala fa manatona avy hatrany ny hopitaly lehibe ireo marary miaina ny tranga fahasarotana, satria efa nahazo toromarika amin’ny fandraisana marary covid-19 izy ireny.Nanome toky ny minisitera  fa tsy misy atahorana ny fandraisana eny anivon’ny hopitaly satria efa midina be ny trangan’aretina, ankehitriny.Ho an’ireo misy tranga mampiahiahy, manatona avy hatrany ny tobim-pahasalamana ary manao ny fitiliana raha ilaina izany. Tsaboina eny anivon’ny tobim-pahasalamana tsotra kosa raha tsy mbola misy fahasarotana.Na ny eny amin’ny CSB aza, efa vitsivitsy ny olona tonga manao fizaham-pahasalamana satria efa tsy manafika be intsony ny aretina tao anatin’ny iray volana mahery izao.Na midina aza ny tahan’ny voan’ny coronavirus, mitohy hatrany ny fanajana fepetra rehetra ho fiarovan-tena sy fiarovana ny manodidina . Tatiana AL’article Covid-19: mandray marary ny hopitaly rehetra a été récupéré chez Newsmada.

Adiny roa vao tafavoaka ireo razana: efa-dahy maty nianjera tao anaty… lavapiringa
17/09/2020

Nanao ny tratry ny heriny ihany ny fokonolona tamin’ny famonjena azy ireo, saingy tsy avotra ny an’izy efatra mirahalahy. Maty sempotra raha nilatsaka tao anaty lavapiringa nodioviny, somary lalindalina. Adiny roa taorian’ny nitrangan’ny loza vao tafakatra ireo razana.Tsy nampoizina ! Izany tokoa rehefa ho avy ny loza. Efa-dahy (mpiray tampo ny telo raha fianakaviana akaiky azy telo ny iray) indray maty tsy tra-drano nihotsahan’ny tany tao anaty lavapiringa, omaly, tao Ambatondrazaka. Nanadio lavapiringa « WC fosse septique » tao amin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy Ambohimiangaly Ambatondrazaka izy efa-dahy ireto. Efa tafakatra teny ambony izy ireo no nahatsikaritra ny iray fa nisy hadino tao anaty lavaka ny fitaovana nampiasain’izy ireo. Niverina naka izany tao anaty lavaka ny iray ka tamin’izany indrindra no nahalatsaka azy tampoka tao anaty lavaka. Nikoropaka ireo namany raha nahita ilay namany iray latsaka. Nanao ny ho afany ireo namany telo lahy nanavotra ilay tovolahy, saingy nisolifatra tampoka ihany koa rehefa niezaka nanavotra azy. Vokany, samy niara-latsaka tao anaty lavaka avokoa izy efa-dahy.Nanahirana ny fisokirana ny razana…Niezaka nifanome tanana tamin’ny fampiakarana ny razana ny mpitandro filaminana nampian’ny fokonolona tao an-tanànan, saingy nananosarotra anefa izany noho ny halalin’ny lavaka. Teo koa ny tsy fahampian’ny fitaovana teo am-pelatanana nentina nampiakarana ny razana. Tohatra no nampiasaina nentin’ireo mpanavotra nampiakatra ny razana avy ao anaty lavaka. Naharitra teo amin’ny adiny roa teo izany. Taorian’izay, efa natolotra ny fianakaviana ny razana.  Mandeha kosa ny famotorana ataon’ny mpitandro filaminana momba ity raharaha ity. Matetika misedra olana hatrany ny mpanadio ireny lavapiringa sy mpanamboatra sy/na mpanadio lava-drano ireny. Tsy misy afa-tsy ny fitandremana ihany satria tampoka ny fiavian’ny loza. Araka ny fandinihan’ny manam-pahaizana, raha vao mihoatra ny 10 metatra ny halalin’ny lavaka dia misy gazy manempotra sy mahafaty tampoka any ambanin’ny tany.J.CL’article Adiny roa vao tafavoaka ireo razana: efa-dahy maty nianjera tao anaty… lavapiringa a été récupéré chez Newsmada.

Imbiki Herilaza : “Tsy ny isa no zava-dehibe”
18/09/2020

“Raha haintsika ny manaja ary mampiasa ny lalàmpanorenana sy ny lalàna rehetra, tsy ny isa no zava-dehibe fa ny voka-tsoa entin’izay zavatra izay. Eo amin’izay takin’ny firenena izany, indrindra eo amin’ny andavanandrom-piainan’ny vahoaka malagasy.”Io ny nambaran’ny mpahay lalàna, Imbiki Herilaza, manoloana ny adihevitra ny amin’ny fifidianana loholona hatao ny 11 desambra, hampihenana ny isan’ny loholona hofidina.Amin’ny firenena toa an’i Madagasikara izay fitondrana “semi-parlemantaire”, miainga avy amin’izay maro anisa eo anivon’ny Antenimierampirenena ny praiminisitra: tsara raha mitovy foto-kevitra amin’ny filohan’ny Repoblika ny parlemanta. Tsy midika izay hoe tsy misy intsony ny asa fanaraha-maso ataon’ny mpanao lalàna amin’ny fahefana mpanatanteraka. Izay ny fifandanjan-kery eo amin’ny fahefana.Na mitovy firehan-kevitra politika aza, misy hatrany ny asa fanaraha-maso ny fahefana mpanatanteraka eo anivon’ny parlemanta. Tokony ho hain’ny parlemantera ny mandanjalanja an’izay, araka ny fanazavany.R.Nd.  L’article Imbiki Herilaza : “Tsy ny isa no zava-dehibe” a été récupéré chez Newsmada.

Statistique du 23 Septembre 2020
23/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Statistique du 23 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Depuis la première apparition de la pandémie de covid-19 à Madagascar six mois plutôt, 16167 contaminations ont été recensées dans tout le territoire, dont 14788 personnes ont déjà recouvré la santé. De ce fait, les patients en cours de traitement comptent actuellement 1151 parmi lesquels 20 développent une forme grave. La porte-parole du CCO, Pr VOLOLONTIANA Hanta a annoncé ce mercredi 23 septembre 31 nouveaux cas positifs au coronavirus et 45 guérisons au cours des dernières 24 heures. Par ailleurs, aucun nouveau décès n’a été communiqué. Ainsi, le nombre total des personnes ayant succombé à cette maladie reste 226.  L’article Statistique du 23 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.