MATP – Tsenambaro-panjakana: voavaha ny ahiahin’ny sehatra tsy miankina

News - MATP – Tsenambaro-panjakana: voavaha ny ahiahin’ny sehatra tsy miankina

News - MATP – Tsenambaro-panjakana: voavaha ny ahiahin’ny sehatra tsy miankina

Fifanatrehana mivantana teny
amin’ny CCI Ivato, notarihin’ny avy amin’ny minisiteran’ny
Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (MATP). Naneho ireo
fangatahany sy ireo ahiahiny ary koa sosokevitra momba ny
tsenan’asa avy amin’ny fanjakana ny avy amin’ny sehatra tsy
miankina. Anisan’izany ny fanaovana sivana ireo orinasa na
mpandraharaha afaka mifaninana hahazo ireny tsenan’asa ireny. Eo
koa ny fametrahan’ny fanjakana ny tentim-bidin’ny asa, ny tsy
fisian’ny mangarahara amin’ny fanomezana ny asa sy ny
fanatanterahana izany, ny tena tetibola niasa tao…

Mangaraharaha amin’ny
fitantanana

Namelabelatra sy namaly izany ny
avy amin’ny sampan-draharahan’ny fitantanana ny tsenan’asa avy
amin’ny fanjakana (ARMP) ka nanazava ireo fepetra efa noraisina
momba ny fanatsarana ny fitantanana. Eo koa ny fanehoana ny
mangarahara eo amin’ny fanomezana sy fanatanterahana ireo asa avy
amin’ny fanjakana ataon’ny orinasa sy ny mpandraharaha tsy
miankina. Natao  izao fihaonana izao hanazavan’ny avy amin’ny
fanjakana ny politika momba ny fampiroboroboana ny tanàn-dehibe.
Fifampizarana sy fifanankalozan-kevitra amin’ny fomba handraisan’ny
sehatra tsy miankina anjara amin’ny fanatanterahana izany
politikam-panjakana izany. Naseho tamin’ireto avy amin’ny tsy
miankina ireto koa ny filana rehetra hanatanterahana izany politika
izany, hahitan’izy ireo ny mety ho anjara birikiny.

Fampiroboroboana ny
tanàn-dehibe

Mbola hisy ny fihaonana amin’ireo
mpiara-miombon’antoka sy ny mpamatsy vola hampisehoana amin’izy
ireo ny filantsika hanatanterahana ny fampiroboroboana ny
tanàn-dehibe voafaritra ao anatin’ny politika nasionaly ny
fampandrosoana ny tanàn-dehibe (PNDU), vina hotanterahina ao
anatin’ny folo taona.

Nialoha izany, nampahafantatra ny
asany tsirairay avy ireo sampan-draharaha rehetra eo anivon’ny
MATP.  Samy amelabelatra ny vina sy ny tetikasa hotanterahina
avy izy ireo.

Synèse R.  

Article tiré de Newsmada

L’article MATP – Tsenambaro-panjakana: voavaha ny ahiahin’ny sehatra tsy miankina a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Ambatondrazaka: kibota nivadika, olona sivy naratra mafy, ankizy roa maty

Ankizy roa indray maty tsy tra-drano raha olona 15 hafa naratra mafy. Io no vokatry ny lozam-piarakodia nitranga tao Ambatondrazaka, omaly, tamin’ny 1ora sy 20 mn tolakandro. Kibota iray no nivadika tany anaty hantsana 40 metatra niaraka tamin’ireo olona miisa 15 nentiny tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Andragorona distrikan’Ambatondrazaka. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary any an-toerana, lasa fitaovam-pitaterana olona ny kibota ary tsy vao izao fa efa hatry ny ela mihitsy no mitatitra olona izy ireny. Tsy nahafehy ny familiana ny mpitondra kibota, izao nivadibadika tany anaty hantsana izao. Olona sivy tamin’ireo mpandeha no tena naratra mafy ka nentina haingana namonjy ny CSB 2 Ambohidava. Fitaovana natao hampiasaina amin’ny asa famokarana ny kibota kanefa mivadika ho fitaovam-pitaterana izany ka loza mahatsiravina toy izany no iafarany. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary momba ity loza namoizana ain’olona ity.J.CL’article Ambatondrazaka: kibota nivadika, olona sivy naratra mafy, ankizy roa maty a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Koweït: jiolahy iray tratra namboly rongony

Tra-tehaky ny zandarimaria avy ao amin’ny borigadin’i Sambava, ny asabotsy 27 jolay 2019 teo ny jiolahy iray raindahiny amin’ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina. Monina ao Koweït fokontany Soavinandriana, kaominina ambonivohitr’i Sambava ity jiolahy izay voalaza fa mpamboly sy mpifoka ary mpivarotra rongony any amin’iny faritra iny, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary any an-toerana. Nandritra ny fisavana ny tranony dia nahitana rongony dimy fonosana sy rongony maniry sahabo ho zato fototra tany amin’ny saha famboleny izany. Nohamafisin’ny zandary fa jiolahy efa notadiavina hatry ny ela noho ny raharaha maro izy ity. Hatolotra ny fampanoavana izy aorian’ny famotoran’ny zandary.Jean ClaudeL’article Koweït: jiolahy iray tratra namboly rongony a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Taratry ny kanto

Fanarenana ny Rovan’Antananarivo: Nanome hazo voamboana (palissandre) mahatratra 300 m2 ho fandraisana anjara amin’ny asa tontosaina eny an-toerana (Rovan’Antananarivo) ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra. Nomarihin’ny tompon’andraikitra fa tsy hazo vao notapahina akory ireo fa nalaina tamin’ireo tahirin-kazo sarobidy voaangona hatramin’izay.Nanangona : HaRy RazafindrakotoL’article Taratry ny kanto a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Voina tany Antsohihy :: Lehilahy maty sempotra tao anaty fiara mpitatitra solika

Vatana mangatsiakana lehilahy iray, valo amby roapolo taona, no nalaina tao anatin’ny daba lehiben’ny fiara fitondrana solika, tao Ambalakida, any an-tampon-tanànan’Antsohihy, omaly maraina. Tsy nisy nahita ny voina nahazo azy. Fantatra, taorian’ny fizahana rehetra, fa noho ny fahasemporana nahazo azy tao anatin’io fiara io no nitarika ny fahafatesany. Mpanampy ny mpamily mitondra ny fiara fitaomana solika ilay niharamboina. Io mpamily io no nampandre ny mpitandro filaminana, rehefa nahatsikaritra zavatra hafahafa teo amin’ny fiarany. Nijanona teo an-tsisin’ arabe milahatra niaraka tamin’ny fiara hafa mpitondra solika ilay kamiao. Ny mpamily mpanampy no niandry sy natory tao anaty fiara, tamin’ny alin’ny alatsinainy. Tombanana ho tamin’ny 11 ora alina no nisehoan’ny loza ka nahafaty an’ilay mpamily mpanampy. « Tonga teo amin’ny kamiao ny mpamily, tamin’ny 5 ora maraina. Gaga izy nahita zavatra hafahafa teo amin’ny fiara. Nisokatra ny hidin’ny fidirana ao amin’ny daba lehibe fitoeran-tsolika. Tazany tao ilay namany efa tsy nihetsika intsony », hoy ny zandary nanao ny angom-baovao. Nisy niendaka ny hoditra teo amin’ny vatany noho izy efa nilona naharitra tao anatin’ ny daba fitoeran-tsolika. Tsy nahitana ratra hafa na endrika vono kosa ny vatany. Tamin’ny fitsirihana ihany no nahafantarana fa tsy nisy fandrobana na zavatra hafa mifandraika amin’izany tao amin’ny kamiao. L’article Voina tany Antsohihy :: Lehilahy maty sempotra tao anaty fiara mpitatitra solika est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Minisitra vaovao, Angelica Bavy Michelle: “Hiezaka ny hanakaiky vahoaka izahay…”

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, tetsy Ambohijatovo ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Mponina teo aloha, Raharimamy Lucien Irmah sy ny minisitra vaovao, Angelica Bavy Michelle. Hanohy ny asa tsara efa natomboka ary hanakaiky ny vahoaka no kendren’ny minisitra vaovao. Miandrandra vokatra aminy rahateo ny filoham-pirenena matoa nametraka azy amin’izao toerana izao. Fanamby ny hanatsara sy hitondra fahombiazana ho an’ny minisitera sy ho an’ny vahoaka. Maro ny asa miandry amin’ny sehatra isan-karazany, toy ny ho an’ny olona manana fahasembanana, ireo vehivavy marefo, ireo fianakaviana sahirana, indrindra ny fanarenana tsy maintsy atao, aorian’izao hamehana ara-pahasalamana miantraika amin’ny fiainan’ny mponina manerana ny Nosy izao.  Tetsy an-daniny, nankasitraka ny mpiara-miasa aminy ny minisitra teo aloha satria nanao soroka miara-milanja tamin’ny fanatanterahana ireo andraikitra teo anivon’ny vahoaka.Tsiahivina fa filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena, avy any amin’ny faritanin’i Toamasina ity minisitra vaovao ity. Depiote voafidy tao Fenoarivo Atsinanana, faritra Analanjirofo ny tenany.Tatiana AL’article Minisitra vaovao, Angelica Bavy Michelle: “Hiezaka ny hanakaiky vahoaka izahay…” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Teny an’anona teny

   L’article Teny an’anona teny a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Boky 102.500 no nantonta: raikitra ny « Tsenakelin’ny boky »

Boky kely sahaza ny zaza sy ny ankizy 3 taona no ho miakatra, mirakitra angano malagasy, voasoratra amin’ny teny malagasy. Nahatratra 102.500 ny isan’ny natonta tamin’ireo. Ho fanamarihana io vanim-potoana lehibe io, hanatanteraka hetsika « Tsenakelin’ny boky » eo anoloan’ny fivarotam-boky Md Paoly Analakely ny edision Boky Namako sy ireo mpiara-miasa aminy, ny 2 aogositra sy ny 3 aogositra izao. Roa andro ahitana varotra fampirantiana boky, fifaninanana fahaiza-mamaky lahatsoratra, fifaninanana mihira, fanentanana samihafa toy ny fanaovana sary sy fitantarana angano, sns. Ho tazana eny an-toerana amin’ireo andro ireo ny editora, ny trano fivarotam-boky, ny mpanoratra, ny mpanao sary ravaka anaty boky, sns. Anisan’izany ireo mpisehatra eo amin’ny boky, toy ny edisiona TPFLM sy ny edisiona Ambozontany, ny fivarotam-boky Md Paoly, sns.Boky kely mirakitra angano lovantsofina malagasy 10 cm x 10cm ny halehiben’ny boky iray. Nanomboka tamin’ny taona 2012, nahatafavoaka lohateny 19 ny Boky Namako ka ny iray boky mirakitra hiran’ankizy izay miaraka amina « cd » mirakitra ny feon’ireo hira ireo. Mora raisin’ny ankizy. Azony hoentina mandehandeha. Voasoratra amin’ny teny malagasy ny angano ao anatiny. « Ireo rehetra ireo no anisany hampitiavana indray ny zaza sy ny ankizy Malagasy amin’ny vaky boky. Anisan’ny laharampahamehana ho anay rahateo ny fampahafantarana indray ny kolontsaina malagasy sy ny fitandroana ny teny malagasy », hoy ny tompon’andraikitra voalohany avy ao amin’ny Madagasikara Namako. Nomarihin’izy ireo fa tsy nampitsiry fotsiny ny fitiavan’ny zaza sy ny ankizy malagasy ny fitiavana mamaky boky ihany akory no imasoan’ny Madagasikara Namako fa eo ampamolavolana izay ho tohiny ho an’ny adolantsento indray ry zareo. HaRy RazafindrakotoL’article Boky 102.500 no nantonta: raikitra ny « Tsenakelin’ny boky » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tetibola 2019: ho potiky ny hetra midangana ny orinasa

Tsy hita soritra ao anaty tetibolam-panjakana 2019 mihitsy ny fitsinjovana sy fanohanana ny orinasa eto an-toerana. Vao mainka hanondrotra ny hetran’ireo mpamokatra paraky sy ny vokatra avy aminy indray ny fanjakana.Dinihina eny amin’ny antenimieran-doholona, ankehitriny, ny Tetibolam-panjakana 2019. Rehefa tena zohina, azo adika fa tadiavin’ny fanjakana potehina ny indostria misehatra amin’ny vokatra paraky eto an-toerana, ary homeny lanja ny fanafarana entana avy any ivelany. Tsikaritra izany amin’ny fampiakarana ny haba manokana (droit d’accises) amin’ny sigara vokarin’ny orinasa eto an-toerana. Efa nankatoavin’ny antenimieram-pirenena koa io fanovana io.Hizaka ny voka-dratsin’ity fisondrotan’ny haba manokana ity ny orinasa indostrialy eto an-toerana. Tsy maintsy hahenany ny fampiasam-bola tokony hivelarany sy hampandroso ny fihariany. Maro ny asa ho very (mivantana sy an-tselika) amin’ireo 20.000 efa misy. Hihena ny isan’ireo mpaninjara sy mpivarotra, manodidina ny 30.000. Hihena ny velaran-tany hambolena paraky, tombanana 1.700 ha amin’izao fotoana izao.Hifanohitra amin’izay noheverinaTsy tsapan’ny fanjakana koa fa hihena manaraka ireo voalaza ireo ny hetra aterany satria hiakatra ny vidin’ny sigara sy ny vokatra avy amin’ny paraky ary hihena ny mpanjifa. Nihevitra ny hampitombo ny vola miditra aminy ny fanjakana , nefa hifanohitra amin’izany no hitranga. Fanapahan-kevitra tsy ampiheverana, raha tsy hoe misy hevitra ambadika na tombontsoa manokana tian’ny fanjakana hatao. Vokatry ny fampidirana politika ny fandraharahana izany.RandriaL’article Tetibola 2019: ho potiky ny hetra midangana ny orinasa a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Andron’ny Mpanazava: nahazo vahana ny fanatanjahantena

Notanterahina teny amin’ny lycée Ampefiloha, ny faran’ny herinandro teo ny Andron’ny mpanazava eto Madagasikara. Hetsika ara-panatanjahantena sy kilalaon-tsaina ary fanomezan-dra tao amin’ny Hjra niampy fanomezan-tanana teny anivon’ny HJRB no nanamarihana izany. Satria ny fibeazana ny zatovovavy sy ny ankizivavy mivelatra amin’ny saina sy ny vatana ary ny fanahy, nampiarahana ireo teny Ampefiloha. Nisy ny lalao nandraisan’ny ekipa ary niompana amin’ny lohahevitra mifandraika amin’ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy (ODD) toy ny fanjarian-tsakafo, ady amin’ny herisetra, fahaiza-mitarika, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana Mpanazava eto Madagasikara, Rakotomalala Helinoro. Ankoatra ny fampahafantarana ireo tanjona ireo, ampirisihina koa ny tanora handray anjara amin’ny fiarahamonina amin’ny tandrify azy. Beazina ny zatovovavy ho tanora vanona sy vonona ary ho vavolombelon’i Jesoa kristy amin’ny zavatra ataony rehetra. Ampianarina koa izy ireo ho tompon’andraikitra ary hijoro amin’ny maha izy azy eny anivon’ny fiarahamonina.50 000 ny mpikambana ao anatin’ny Mpanazava eto Madagasikara manome lanja ny fibeazana ho olona tompon’andraikitra ary mitondra vahaolana.Vonjy A. L’article Andron’ny Mpanazava: nahazo vahana ny fanatanjahantena a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Maevatanana: tsy mpikambana CNaPS ny 87%-n’ny mpiasa

Tany Maevatanana sy Antanimbary ny vaomiera manokana Task force, ahitana ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS) sy ny solontenan’ny minisiteran’ny Asa, ny asam-panjakana, ny asa sosialy (MEFPTLS), ny herinandro lasa teo. Fotoana nanentanana sady nampiofanana ny mpampiasa amin’ny orinasa tsy miankina hanara-dalàna, hampiditra ny mpiasa ho mpikambana ao anatin’ny CNaPS. Efa fanaon’ny sampandraharahan’ny fahasalamana sy ny sosialy (SASS) ao amin’ny Tahirim-pirenena rahateo ny fanofanana mikasika ny fiahiana sosialy. Niisa 10 ireo mpampiasa tsy nanara-dalàna tamin’ireo 25 notsidihina tany amin’ny manodidina an’i Maevatanana. Tany Antanimbary, tsy nanara-dalana, tsy nampiditra ny mpiasa amin’ny CNaPS ny 12 tamin’ireo 15 notsidihina. Tao an-tampon-tanànan’i Maevatanana, tsy mpikambana CNaPS ny efatra tamin’ireo orinasa dimy notsidihina. Raha aravona, tsy mpikambana CNaPS avokoa ny 87%-n’ny mpiasa amin’ireo orinasa 30 notetezina tany Maevatanana sy Antanimbary.Fanajana ny zon’ny mpiasaNiara-nanatanteraka ity hetsika ity ny talem-paritry ny Asa Betsiboka sy ny mpiara-miasa aminy maromaro, ny tompon’andraikitry ny CNaPS foibe sy ny tendro any Maevatanana. Nilaza ny talem-paritry ny Asa, Andriampaniraka Dinaniaina, fa “fiaraha-mientana amin’ny fanajana ny zon’ny mpiasa izao natao izao”. Nambaran’ny talen’ny Fitantanana ny mahaolona CNaPS, Raobijaona Bruno, fa “nanamafy ny fanaraha-maso ny mpampiasa sy ny mpiasa izao fidinana nifotony izao”. Anisan’ny afa-po tamin’ny fiofanana kosa ny Dr. Rabarisolo Lovaniaina, anisan’ireo mpiofana.Njaka A.L’article Maevatanana: tsy mpikambana CNaPS ny 87%-n’ny mpiasa a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 31-10-2020
Source : CCO COVID19 - 31/10/2020

Notsongaina

Amnesty International: « Tokony hafainganina ny fitsarana ireo voafonja… »
27/10/2020

 Nampahatsiahy sady nitaky. “Tokony hafainganina ny fitsarana ireo voafonja”, hoy ny eo anivon’ny Amnesty, araka ny fanambarana nataon’izy ireo ny faran’ny herinandro teo. Nivoitra tamin’izany fa tena mitarazoka ny fanatanterahana ny fampanantenan’ny filoha Rajoelina Andry momba ireo voafonja. Notsiahivin’ny Amnesty International ny fitsidihan’ny filoham-pirenena teny amin’ny fonjan’Antanimora, herintaona tahaka izao, ny 31 okotobra 2019.Hentitra ny tenany tamin’izany manoloana ireo fepetra samihafa tokony hapetraka, ho fitsinjovana ny zon’ny voafonja sy ireo voatana vonjimaika am-ponja.Natsidiny tamin’izany ny amin’ny hanamboarana toeram-pamonjana vaovao. Efa an-dalana ny asa fanorenana eny Imeritsiatosika. Manampy izany ny namotsorana voafonja maromaro tamin’izany.Miisa 88 ireo gadra nandositra…Tsiahivina fa miisa 82 ireo fonja manerana ny Nosy ary manodidina ny 10 000 ireo voafonja zakan’ireo toeram-pamonjana ireo. Avo telo heny, maherin’ny 27 000, anefa ireo tanana vonjimaika am-ponja sy voampanga ka manefa ny saziny, amin’izao fotoana izao. Voatazona vonjimaika ny 54% amin’izy ireo noho ny fandikan-dalàna madinidinika. Anisan’ny antony mahatonga ny fandosiran’ireo gadra miisa 88 izany tamin’ity taona ity. Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny 22 tamin’izany, tany Farafangana.Synèse R. L’article Amnesty International: « Tokony hafainganina ny fitsarana ireo voafonja… » a été récupéré chez Newsmada.

Betafo: nahitana rongony 1 118 fototra
26/10/2020

Tra-tehaky ny zandary avy ao Betafo, ny asabotsy teo tao Tsarazafy, fokontany Ambohimalaza, kaominina Mahaiza, ao Betafo, ny sahan-drongony iray hekitara. Angom-baovao voaray avy tamin’ny olona tsara sitrapo ny nahitana ity toerana ity.Nahitana fototra rongony 1 118 isa nataona roa lahy mpianaka izany. « Midadasika ny toerana ary mody ampiarahina amin’ny voly anana ireo zava-mahadomelina teo an-toerana », hoy ny fanazavan’ny Zandarimariam-pirenena, loharanom-baovao. Vokany, nandraisana avy hatrany fepetra ireo mpamboly sy ireo voly nataony. Nongontana avokoa ireo fototra rongony ka nentina tao Betafo nanaovana famotorana sy nodorana. Ireo mpianaka tompon’antoka amin’ny fambolena kosa, notanana sy natao fanadihadiana. Fantatra fa mpamatsy rongony ireo olon-dratsy izy mianaka ireo. Hatolotra ny fitsarana ny raharaha aorian’ny famotorana. Nanentana ny mponina ny zandary fa voarara ary mahavoasazy ny fambolena toy ireny. Henintsoa Hani L’article Betafo: nahitana rongony 1 118 fototra a été récupéré chez Newsmada.

Fangatahan’ny mpitantana ambony: toherin’ny Seces ny endrika fisandohana laharana
29/10/2020

   Ho afaka hampianatra eny amin’ny oniversitem-panjakana izany ny mpitantana ambony raha mangataka ny hanana sata manokana mitovy lenta amin’ny mpampianatra mpikaroka. Toherinay izany, hoy ny mpampianatra mpikaroka.    Misy volavolan-dalàna napetraky ny mpiasam-panjakana ambony manana ny mari-pahaizana Masters na mitovy lenta amin’izay ka nanohy fianarana teny anivon’ny sekoly ambony misahana ny fampianarana ny fitantanana ny raharaham-panjakana mangataka sata manokana. Nodinihina tao anatin’ny filankevitry ny governemanta, omaly, ity volavolan-dalàna ity. Ny ampahany betsaka voasoratra ao amin’ny sata manokana dia mirona amin’ny fitoviana lenta amin’ny mpampianatra mpikaroka (maitre de conférence sy maître de recherches amin’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsianasa ) ka hisitraka ireo tombontsoa rehetra mifandraika amin’izay, araka ny fanazavana azo omaly. Manoloana izany, nanao fanambarana ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka (Seces) foibe, izay nosoniavin’ny filohany, Randriamialinoro Faliarivony. Voalaza ao fa toherin’ny Seces ny endrika fisandohana laharana sy ny fikasana hanao « décret » hafa hampiharana ny satan’ny mpampianatra mpikaroka  sy ny mpikaroka mpampianatra amin’ny sokajin’olona hafa. Manana ny sata ankapobeny mifehy azy ny asam-panjakana ka mandika izany lalàna manan-kery izany ny fanekena sata manokana hifehy ireo mpitantana ambony ireo, hoy ny mpampianatra mpikaroka iray. Zavatra hafa toy ny bonus na tombontsoa mifandraika amin’ny fianarana noratovina no hisitrahany fa tsy sata manokana. Mahatsapa ny mpikambana ao amin’ny Seces fa fanimbazimbana ny hasin’ny mpampianatra mpikaroka ny fanomezana ny santany ho an’ny antokon-draharaha hafa na inona na inona ambaratonga misy azy ireo.Raha eken’ny fitondrana ity volavolan-dalàna naroson’ny mpitantana ambony ity dia ahina hiteraka safotofoto sy korontana amin’ny asam-panjakana ka tsy azo ekena.Vonjy A.L’article Fangatahan’ny mpitantana ambony: toherin’ny Seces ny endrika fisandohana laharana a été récupéré chez Newsmada.

Sakana amin’ny fampandrosoana: mihemotra avoka ny karazana fitaterana
26/10/2020

Fototra iray lehibe iankinan’ny toekarena ny fitaterana, misy karazany maro: fitaterana an-tanety, an-dranomasina, ana habakabaka, an-dalamby. Ny fitaterana no hitsarana ny fandrosoan’ny toekarena ao amin’ny tany iray.Eto Madagasikara, mihemotra avokoa ny karazana fitaterana ary foana tanteraka ny sasany toy ny fiarandalamby, ny sambo mpitatitra olona sy entana. Ny fitaterana anefa, manamora ny fivezivezen’ny olona, ny fifanakalozana varotra, ny raharaha amin’ny ankapobeny eo anivon’ny fanjakana. Ny fitaterana an-tanety sisa miantoka hatramin’ny 90 % ny toekarena, hita amin’ny tanàn-dehibe sy any ambanivohitra.Mitombo hatrany ny filàna amin’izay sehatra izay nefa sakana lehibe ny faharatsian-dalana. Maro ny faritra tsy misy lalana mampifandray ireo kaominina ao aminy. Olana iray lehibe hafa ny tsy fandriampahalemana noho ny asan-dahalo. Manasongadina ireo, ohatra, ny faritra Melaky. Lafo ny fitaterana, sakana amin’ny fampandrosoana noho izany rehetra izany. Ny sarany izay no anisan’ny mandrafitra ny fihariana.Raha mora ny fitaterana, mora ny fivezivezen’ny olona, manamora ny fifandraisana eo amin’ny mpamboly sy ny mpanangom-bokatra. Miainga avy amin’izany ny famatsiam-bokatra ho an’ny tanàn-dehibe, raha vokatry ny fambolena; hafa ny famatsiana ireo entana ilaina andavanandro any ambanivohitra, tsy maintsy mbola miankina amin’ny fitaterana. Miankina amin’ny toetry ny lalana ny famaritana ny ampahany be indrindra momba ny vidin’ireo entana ireo. Tsy mampandeha ny fitaterana     Voafaritry ny lalàna maro ny fitaterana, saingy noho ny fihemorana eo amin’ny fihariana, hita mipaka any amin’ity sehatra ity ny tsy fanarahan-dalàna. Vao tamin’ny herinandro lasa, ohatra, betsaka ireo fiara mpitatittra mandeha tsy ara-dalàna tojo ireo mpanara-maso amin’ny lalam-pirenena RN6 mankany Antsiranana. Fiara tsy vita fisafoana ara-teknika, tsy misy fiantohana. Betsaka ireo fepetra efa noraisin, nefa vao mainka misongadina ny fahavoazana tsy mampandeha ny fitaterana: ratsy ny lalana, potika ny lalamby, rava ny seranam-piaramanidina, simba ny seranan-tsambo. Ny fihemoran’ireo seha-pitaterana rehetra ireo, mampiseho fihemoran’ny toekarena. R.MathieuL’article Sakana amin’ny fampandrosoana: mihemotra avoka ny karazana fitaterana a été récupéré chez Newsmada.

Alaotra Mangoro: nahazo talem-paritry ny filaminana vaovao
28/10/2020

   Notanterahina afakomaly maraina ny famindram-pahefana teo amin’ny talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Alaotra Mangoro teo amin’ny commissaire divisionnaire de police Rabenilaosana sy ny talem-paritra vaovao ny commissaire principale de police Rakotoarijaona Faly. Nanatrika izao lanonana izao ny tompon’andraiki-panjakana ambony any an-toerana. Fa tontosa omaly koa ny famindram-pahefana teo amin’ny talen’ny police ekonomika ny commissaire principale de police Ratsimba Bricce Andrianina tale teo aloha izay voatendry ho talen’ny fisahanan-draharaha sy ny fitantanam-bola ary ny fampitaovana sy ny tale vaovao, ny contrôleur générale de police Razafindravonona Georges Evariste.Jean ClaudeL’article Alaotra Mangoro: nahazo talem-paritry ny filaminana vaovao a été récupéré chez Newsmada.

Nihotsaka ny ampahan-drindrin’ny CEMDLAC: mpiasa enina naratra tototry ny tany, nisy no voa mafy
30/10/2020

   Nihotsaka, omaly, ny ampahan-drindrina amin’ny trano CEMDLac, na ny Galerie 6 teo aloha, an’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy serasera, etsy amin’ny Araben’ny Fahaleovantena Analakely. Mpiasa enina ny naratra tototry ny tany.Olona enina indray naratra ka tena voa mafy ny roa! Io ny vokatry ny fihotsahana tao amin’ny tranoben’ny minisitera ao amin’ny Arcade Analakely, CEMDLac teo aloha, omaly antoandro tamin’ny 11 ora sy 30 mn antoandro. Galerie 6 kosa ny nahafantaran’ny maro ity trano ity hatramin’izay. Tampoka ny fitrangan’ny loza teny an-toerana sady tsy nampoizin’ny rehetra, araka ny fanazavan’ireo nahita ny zava-nitranga teny an-toerana. Zavatra nidoboka mafy kosa ny henon’ireo olona teny amin’ny manodidina. Raha ny fampitam-baovao nampitain’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, nisy ampahan-trano fiasan’ny minisitera efa simba be nandritra ny taona maro no nirodana tamin’ny ampahany omaly ka niteraka faharatrana teo amin’ireo mpiasa niasa ao an-toerana. Efa natahorana ny firodanany ka noho izay indrindra ny antony nahatonga ny minisitera nanala ny mpiasa rehetra tao, roa volana lasa izay, ary nanarama orinasa hisahana maika ny fanaraha-maso ity trano ity satria ho avy ny fotoan’ny orana.Tsy nisy kosa ny aina nafoy na teo aza ireo naratra…Nasiana talantalan-kazo “échafaudage” hahafahana mandrodana azy tsikelikely ity trano ity. Tao anatin’izay asa fandrodanana izay indrindra no nisy nihotsaka ny tany amin’ny farany ambony ka nifatratra tamin’ireo mpiasa nanao ny asa fandrodranana. Vokany, mpiasa miisa enina indray naratra tototry ny tany, saingy tena voa mafy ny roa ka nentina haingana namonjy hopitaly, araka ny tatitra nampitain’ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina, ny Kly Razafimanahaka Tiana. Ny mpamonjy voin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra no nitondra ireo naratra namonjy hopitaly. Na teo aza anefa izany, tsy nisy kosa ny aina nafoy. Ankoatra ireo mpamonjy voina, tonga teny an-toerana nanamafy ny fitandroana ny filaminana ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Analakely (CSP1) niaraka amin’ny polisy monisipaly. Marobe rahateo ireo fitangoronana teny an-toerana nandritra izany.J.CL’article Nihotsaka ny ampahan-drindrin’ny CEMDLAC: mpiasa enina naratra tototry ny tany, nisy no voa mafy a été récupéré chez Newsmada.

Faritra maromaro arahi-maso: manahy ny mety ho firongatry ny covid-19 ny minisitera
30/10/2020

  Misy toerana maromaro mbola ahitana tranga Coronavirus eto amintsika amin’izao fotoana izao. Arahin’ny minisiteran’ny Fahasalamana akaiky ny fivoaran’ny valanaretina amin’ireo toerana amin’ny fampiharana ny fepetra momba ny ady amin’ny Covid -19. « Raha tsy mitandrina ny rehetra, mety hahina hirongatra izany ka hamafisina ny fandraisana andraikitra ho an’ny tomponandraikitra efa mahalala ny tandrify azy avy », hoy ny minisitry ny Fahasalamana, ny profesora Rakotovao Jean Louis, omaly teny Ambohidahy. Niantso manokana ny mpiasan’ny fahasalamana miasa eny amin’ny tobim-pahasalamana koa ny minisitra. Nanantitrantitra izy amin’ny tokony hahamailo hatrany ny mpitsabo sy ny mpiasa rehetra eny an-kianja. Nambarany fa hatsaraina ny fanaovana fitiliana ary tokony hitohy hatrany ny fandraisana an-tanana ireo rehetra voatily fa mitondra ny tsimokaretina ka manaraka fitsaboana. Niantefa amin’ny vahoaka iray manontolo ny antso farany, tokony handray andraikitra ny isam-batan’olona satria faly fa afaka niverina amin’ny fiainana andavanandro ka mety hanao gaboraraka ny fanajana ny fepetra rehetra hiarovana amin’ny tsimokaretina. Mbola mitoetra avokoa ny fepetra samihafa ary misy ny mpitandro filaminana manara-maso ny fampiharana izany. Raha tiana ny hampahomby ny ady ka hitondra amin’ny fandresena ny valanaretina, mitaky andraikitra avy amin’ny rehetra izany fa tsy miankina amin’ny minisitera irery fotsiny. Nidina ny tranga noho ny fanajana ny fepetra ka tokony hotohizana.Vonjy AL’article Faritra maromaro arahi-maso: manahy ny mety ho firongatry ny covid-19 ny minisitera a été récupéré chez Newsmada.

Mpanao gazety sy mpanakanto : napetraka ho zava-dehibe ny fifampitaizana
24/10/2020

Somary nihenjan-droa ny tady tato ho ato eo amin’ny mpanao gazety misahana ny kolontsaina sy ny mpanakanto na tsy hita niharihary be aza izany. Nisy ny dinika nifanaovan’ny solontenan’ny roa ton­ta, omaly tetsy amin’ny CGM Analakely, nandravonana ny lesoka. Nisongadina tao anatin’izany fa mila hampitomboina ny serasera eo amin’ny mpanao gazety misahana ny kolontsaina sy ny mpanakanto hifankahalala bebe kokoa eo amin’ny asa iandraiketan’ny tsirairay izy ireo. Hapetraka ho zava-dehibe ny fifampitaizana hisian’ny lamina sy ny fifandrohizan’asa eo amin’ny roa tonta. Nomarihin’ny solontenan’ny CGM Analakely fa mila mifampiresaka ihany koa ny samy mpanakanto sy ny samy mpanao gazety misahana ny kolontsaina satria endriky ny fifampitaizana sy ny fifampitan-kafatra ihany koa izany.Nanangona : HaRy RazafindrakotoL’article Mpanao gazety sy mpanakanto : napetraka ho zava-dehibe ny fifampitaizana a été récupéré chez Newsmada.

Axian sy ADP III: tsy miankina miara-miasa ho an’ny fampandrosoana
28/10/2020

  Iray amin’ireo Tahiry lehibe mampiasa vola aty Afrika ny DPI (DevelopmentPartners International), mitantana ny ADPIII (AfricanDevelopmentPartners III). Miara-miombon’antoka amin’izany ADPIII izany izao ny vondrona Axian eto Madagasikara.Indostria 23 amina firenena 29 aty Afrika no misy fandraisana anjaran’ny DPI. Miainga avy amin’izany ny traikefany sy amina fampiasam-bola ahitana fahombiazana. Maherin’ny 1,6 miliara dolara ny tantanana amin’izany amina indostria maro, afaka mahita tombony haingana. Manaraka ny tsara vitan’ny teo aloha ny ADPIII misy ny Axian, mifantoka amin’ireo orinasa tsy miankina mandroso amin’ny fitantanana.Ny fiaraha-miasa amin’ny Axian,  manambara ny finiavana fanatanterahana ny fanovana ny toekarena aty Afrika. Manoro fomba sy lalan-tokana aty amin’ny kaontinanta ny DPI. Fampiasam-bola iombonana manome lanja ny fiarahana amin’izay hatao rehetra, amina sehatra maro. Fiaraha-miombon’antoka, hahitana fiaraha-mitantana ny tahiry iombonana, hahafahana manavao sy mitaky fampivondronana fahaizana.Ny vola miasa aty Afrika avy amin’ny ADP III, tonga any amin’ny Axian hahazoana manao tetikasa amina sehatra sy toerana maro aty Afrika. Sady mpitantana tahirim-barotra ny DPI, no tompon’andraikitra amina fampiasam-bola araka ny namaritan’ny Firenena mikambana azy. Tanjona ny fampandrosoana maharitra, misy akony ara-toekarena amin’izay mpampiasa vola.150 taona eto MadagasikaraNy vondrona Axian, mpikambana ao amin’ny UN Global Compact ( Firenena mikambana), miasa mampifandray ny sehatra maro. “Ny renivola avy aty aminay, fomba iray entina mitrandraka ny sasany amin’ireo sehatra ireo. Mihevitra izahay fa ny fahombiazana sy maharitra hita amin’ny orinasa iray, tsy afa-misaraka amin’ny maha tompon’antoka azy amin’ny fitantanana”, hoy i Hassane Muhieddine, ao amin’ny Axian.Manaporofo izany, 150 taona eto Madagasikara izao ny vondrona Axian, hita amina sehatra dimy : fanaovan-trano, fifandraisan-davitra, raharaha ara-bola, angovo, sy fanavaozana. 5000 ny mpiara-miasa aty amin’ny Ranomasimbe Indianina sy Afrika. Miara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana ny toekarena.R.MathieuL’article Axian sy ADP III: tsy miankina miara-miasa ho an’ny fampandrosoana a été récupéré chez Newsmada.

Pilo kely #4538 aroson’i Mamy Be
27/10/2020

L’article Pilo kely #4538 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

Faritra Analanjirofo: ezahina hamboarina ny lalana hamoahana letisia 
27/10/2020

 Ho tonga tsy ho ela ny fotoam-piotazana letisia. Any amin’ny faritra Analanjirofo, miezaka manamboatra lalana mampifandray ireo kaominina ao anatin’ny distrika, ho famoaham-bokatra.Vato misakana amin’ny famoaham-bokatra any amin’ny faritra ny faharatsian-dalana ka izao fotoana izao, na tratra aoriana aza ny asa, hararaotina ezahina ny fanamboaran-dalana ahafahan’ireo kaominina mifandray, ny mpanangom-bokatra mivezivezy malalaka ao anatin’ny fotoana fohy, mandritra ny fanangonana letisia. Vokatra ezahina ho tafavoaka tsy ho simba, ho loharanom-bolan’ny mpamboly. Misy mitady isan-taona io vokatra io hatrany amin’ny tsena ivelany.Milaza ny mpitantana ny faritra Analanjirofo fa manampy betsaka amin’ny fanamboaran-dalana ny fitondrana foibe, manome fitaovana sy milina ahafahan’ny mpitantana ny faritra manatsara ny lalana mankany any amin’ny renivohitry ny distrika sy ny faritra, i Fenoarivo Atsinanana. Fanamboarana avy eny ifotony, toy ny mampifandray an’i Fenoarivo Atsinanana sy i Foulpointe, RN5.Ny kalitao sy ny lalam-barotraHatramin’ny taona maro, manahirana amin’ny famoaham-bokatra ny faharatsian-dalana. Tsy araka ny fepetra takina eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny kalitaon’ny vokatra maro, resin’ny vokatra hafa avy any amin’ny firenen-kafa. Koa hiatrehana ny fifaninanana eran-tany ny kalitaon’ny vokatra sy ny lalam-barotra, tsy ny letisia ihany fa eo koa ny jirofo sy ny lavanila, samy vokatra fanondrana.Ny taona 2017, ny 2018, ny 2019, nihena betsaka ny letisia any Analanjirofo, noho ny tsy fahampian’ny rotsak’orana, ny tsy fahazotoan’ny tantsaha mamokatra atao varotra noho ny faharatsian-dalana. Tsy hita ny mpanangom-bokatra na tonga ihany fa mividy mora.  Manodidina ny 15 000 na 17 000 t isan-taona ny letisia naondrana tany Eoropa, tany Afrika Atsimo tamin’ireo ireo fotoana ireo. Tsy fantatra ny amin’ity taona ity, indrindra eo ny fiantraikan’ny valanaretina Covid-19.R.MathieuL’article Faritra Analanjirofo: ezahina hamboarina ny lalana hamoahana letisia  a été récupéré chez Newsmada.

Heavy metal: 20 taona nilonana tao anaty mozika mavesatra ny tarika Rheg
28/10/2020

   Noforonin-dRakotonirina Reg ny  tarika Rheg, izay somary nisy hitovizana  satria mifangaro amin’ny anarany rahateo. Mifantoka amin ny gadona Heavy métal ny tarika. Anisan’ny zokibe eo amin’ny tontolon’ny mozika mavesatra ihany koa…Feno 20 taona akehitriny ny tarika Rheg … Tany amin’ny taona 2000 no nitsanganany ary tsy nijanona mihitsy nivoy ny gadona “Heavy metal” hatry ny anio. “Gadona mitaky tanjaka sy fahaiza-manao satria mivatravatra sy mahery setra, saingy, ny lafiny kanto ao aminy kosa mitaky lantom-peo sy fandrindrana tsara ny vazo”, hoy i Reg…  Na eo aza anefa izay gadona fototra izay, misokatra amin’ny lafiny hafa, “rock métal” ny tarika ka mivoy ny “blues”, ny “Rock&Roll” ary ny “slow rock” ihany koa.Fantatra fa fanafohizana ny “Rock Heavy Gasy” ny hoe Rheg. Handray anjara amin’ny “Saturday Rock” eny amin’ny Résidence Soalandy Alasora, ny asabotsy 31 oktobra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, izy ireo. Miisa 5 lahy ny mandrafitra ny tarika amin’ny ankapobeny. Ahitana an’i Jaykee (première solo), Titan (amponga maroanaka), Hubb (deuxiéme solo), Tsila (bassiste) ary i Rheg (hira). Misy mpikambana fanampiny manao hira manelanelana rehefa seho lehibe. I Vito sy i Lalah, seho acoustique ihany vao miakatra an-tsehatra.Maro ny bainga voavadika tao anatin’izay 20 taona niseharana teo amin’ny tontolon’ny mozika izay. Rakikira efatra sy ny rakitsary maro dia maro, izay nositrahin’ny mpankafy. Anisan’ny hira nahafantarana ny tarika ny “Raozy” tamin’ny taona 2000. Maro ny “clip” efa mivoaka toy ny “ Emmorheg”, ny “coronavirus”… Ankoatra izay, nahavita nanangana rafitra manokana hikarakara azy ny tarika, ny Otoprod by Reg, izay tranom-pamokarana fampisehoana, izay tsy mikarakara afa-tsy ny tarika Rheg ihany …” Miaina sy malalaka tanteraka ny mozika malagasy ankehitriny koa aleo samy hanala ny fony sy hanao izay mba fantany fa mety. Tsy adala akory izy ireny . Tsara ho marihina kosa fa ilaina ny sivana manoloana izay mety ho fihoaram-pefy. Ohatra, ny teny maloto anaty hira na fihetsika mamoafady” , hoy i Reg.Narilala L’article Heavy metal: 20 taona nilonana tao anaty mozika mavesatra ny tarika Rheg a été récupéré chez Newsmada.