Martin R. – Paibato: “Nopoizinin’ny vahiny ny asa tanana”

News - Martin R. – Paibato: “Nopoizinin’ny vahiny ny asa tanana”

News - Martin R. – Paibato: “Nopoizinin’ny vahiny ny asa tanana”

Sokitra, paibato, paikafo,
hosodoko… Mbola tena vitsy dia vitsy ny mivelona amin’ny
fantanterahana asa tanana tahaka ireny, raha eto Madagasikara.
Antony iray mahatonga izany ny tsy fananan’ny Malagasy ilay
kolontsaina manome lanja azy io. “Matetika izahay mahare hoe: “io
ve dia vidiako amin’izany?”, hoy i Martin R. mpanao paibato, eny
Andriambato Antananarivo Atsimondrano. Nambarany fa “ny fanabeazana
mihitsy no niteraka io tranga io. Tadidiko tsara, tsy nahay kajy
aho tany amin’ny kilasy faha-5. Hoy ilay mpampianatra anay: “alefa
manao teknika ianao raha izao no mitohy” ”.

Raha ny fanazavan’ity
raim-pianakaviana ity hatrany: “toa midika avy hatrany fa ny olona
tsy afaka loatra any amin’ny fianarana no alefa manao teknika. Tsy
ilana fampiasana saina ve izany ny teknika”? Nanao randra-mitarika
io toe-tsaina io ka raha vao asa tanana, tahaka ny zava-maivana eo
anoloan’ny Malagasy, raha ny fanazavany.

Vokatr’io poizina nalentiky ny
vahiny ao an-tsain’ny Malagasy io, ilay maha zavakanto ilay vokatra
mihitsy no takona ka tsy tazan’ny Malagasy, raha ny nambarany
hatrany. “Tena sarotra ny mampitaha na mampifandanja ny
aingam-panahy sy ny vola. Saingy, ny an’ny Malagasy, raha vao asa
tanana, tsy tokony hosandaina be loatra”, hoy i Martin Paibato.

Tolo-kevitra natolony ny hisian’ny
fanabeazana ny fiarahamonina hanome lanja sy hasina ny asa tanana.
“Aza hadinoina fa avy amin’Andriamanitra ny talenta. Izy io anefa
no milina lehibe ahavitana ny asa tanana. Raha tsy omena ny hasina
sahaza azy ny talenta, mitovy amin’ny tsy manome lanja Ilay
namorona sy nanome azy izany”!

Nanangona: HaRy
Razafindrakoto

Article tiré de Newsmada

L’article Martin R. – Paibato: “Nopoizinin’ny vahiny ny asa tanana” a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 24/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Santé

COVID-19: Statistiques du 25 Septembre 2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Statistiques du 25 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.D’après le bilan quotidien sur la situation de pandémie de Covid-19 à Madagascar rapporté ce vendredi 25 septembre, 30 personnes ont été diagnostiquées positives au coronavirus sur les 277 échantillons analysés. Ainsi, la Grande Île compte 16221 cas de contaminations depuis le mois de mars. La répartition de ces nouveaux cas se présente comme suit: 10 cas à Analamanga, 7 cas à Alaotra Mangoro, 4 cas à Matsiatra Ambony, 7 cas à Diana, 1 cas à Atsimo Andrefana et 1 cas à Menabe. Actuellement, 14867 d’entre eux sont déjà guéris, ce qui porte à 1124 le nombre des patients encore en traitement. Toutefois, ce qui est rassurant est qu’il ne reste plus que 11 formes graves sur ces cas actifs. Par ailleurs, 34 guérisons ont été annoncées et un nouveau victime. Désormais, le pays compte 228 décès liés au coronavirus. L’article COVID-19: Statistiques du 25 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - News Mada

« JIOI» – Filoha Rajoelina: “Horaisintsika ny andiany faha-11”

Natolotra sy nanaovana vela-kevitra teo anatrehan’ny CIJ (Comité internationale des jeux), ny asabotsy lasa teo, ny tetikasa mahakasika ny firotsahan’i Madagasikara ho kandidà amin’ny fandraisana ny « Lalaon’ny Nosy 2023 ». Araka ny nambaran’andriamatoa filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ny firenena malagasy mihitsy no tokony hahazo io andiany faha- 11 io raha ny tokony ho izy. Rariny, hoy hatrany izy, raha mandray izany isika satria manana ny kianja lehibe indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indianina isika. Etsy andaniny, marobe ireo fotofrafitrasa fanatanjahantena. Nohamafisin’andriamatoa minisitra, i Tinoka Roberto, ihany koa, fa nanokanan’ny fitondram-panjakana tetibola manokana mihitsy ny fanatanjahantena sy ny fananganana fotodrafitrasa ka ho mora ho an’i Madagasikara ny handray ny “Lalaon’ny Nosy 2023” satria ezahina hovitaina mialoha io fotoana io avokoa ireo tetikasa rehetra. Mitentina 150 tapitrisa dolara ny tetibola amin’izany, araka ny fanazavana hatrany.Tsahivina fa telo firenena nametraka ny antonta-taratasy amin’ny maha kandidà azy, amin’ny fandraisana ny andiany faha-11 amin’ny “Lalaon’ny Nosy”, hotanterahina ny taona 2023, ahitana an’i Maldives, i Kaomoro ary i Madagasikara. Mbola ady goavana, araka izany, ny miandry antsika na efa manana tombony mihoatra amin’ireo firenena roa ireo aza isika. Ho fantatra ny asabotsy 27 jolay izao izay handray izany ary hambara amin’ny fomba ofisialy mandritra ny lanonana famaranana ny alahady 28 jolay izao, ao amin’ny kianjan’i Anjalay, Maorisy. Mi.Raz L’article « JIOI» – Filoha Rajoelina: “Horaisintsika ny andiany faha-11” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ambatonapoaka – Arivonimamo: fiara 4×4 nivadibadika, olona telo, indray maty

Vaky tampoka teny am-pandehanana ny kodiarana ankavanan’ny fiara 4×4  iray nitondra olona dimy saika hihazo an’i Soavinandriana Itaosy, ny asabotsy maraina teo. Teo am-pidirana ny tsenan’omby ao Ambatonapoaka no nitranga ny loza. Olona roa maty tsy tra-drano raha namoy ny ainy teny amin’ny hopitaly ny iray…Fiara marika Hyundai Sorento nitondra olona dimy (vehivavy roa sy lehilahy telo) no nivadibadika teo am-pidirana ny tsenan’omby ao Ambatonapoaka kaominina Arivonimamo, distrikan’i Miarinarivo Itasy, ny asabotsy 27 jolay tamin’ny 8 ora sy 30 mn. Vokany, olona roa maty tsy tra-drano raha teny amin’ny hopitaly kosa vao namoy ny ainy ny iray. Naratra mafy kosa ireo olona roa hafa. Araka ny fampitam-baovao nampitain’ny zandary, vehivavy no nitondra ilay fiara 4×4, kanjo vaky tampoka ny kodiarana tany amin’ny ilàny ankavanana ka nivilivily avy hatrany ny fiara, tsy voafehin’ilay renim-pianakaviana nitondra azy ny fiara ary nivadibadika avy hatrany. Mafy ny fivadibadihana satria nifatratra tany an-tanimbary mihitsy ilay fiara vao tafajanona. Maty teo no ho eo ny olona roa izay nosokirina tao ambanin’ilay fiara, araka ny fanazavana voaray hatrany. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny zandary, ka nandefa ireo naratra nihazo ny hopitalin’Arivonimamo. Namoy ny ainy nony tonga tany kosa ny mpamily (ilay renim-pianakaviana teo ambony familiana). Nambaran’ny teo anivon’ny zandarimaria fa nikasa hihazo an’i Soavinandriana Itasy ireo niharam-boina, kanjo izao tra-doza tampoka izao.Olona telo hafa koa maty tany Beranomaso…Fa olona telo hafa koa matin’ny lozam-piarakodia tao Beranomaso Ankilizato, distrikan’i Morondava (RN 35), ny asabotsy teo. Nivadibadika noho ny olana ara-teknika ity fiara ity ka izao nitarika fahafatesana olona telo. Fantatra fa nitondra mpilalao handeha hihazo an’Ankilizato ity taksiborosy ity kanjo izao niharam-boina izao koa. Nalefa notsaboina any amin’ny hopitalin’i Morondava ireo naratra ka ny telo amin’ireo no afaka nody taorian’ny fitsaboana raha mbola arahi-maso akaiky kosa ny ambiny. Potipotika tsy nisy namantarana azy intsony koa ilay taksiborosy.Jean ClaudeL’article Ambatonapoaka – Arivonimamo: fiara 4×4 nivadibadika, olona telo, indray maty a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Voka-kanto vaovao “Ny namako”: eo am-panomanana ny rakitsary DVD i Josehasina

Vao tsy ela akory izay no nivoahan’ilay hira “ Any ianao”, izay fampiaraham-peon’i Josehasina sy i Harimanitra. Roso hatrany ny dia…Eo am-panomanana ny rakitsary  DVD nampitondrainy ny lohateny hoe « Ny namako » i Josehasina avy ao amin’ny tarika Hasina, ankehitriny .  Avy amin’ilay hiran’i Josehasina hoe “Tena namana”, niarahana tamin-ndry Lucien Randrianina, Mbola Talenta ary i Micka no nitsirian’ny hevitra namoronana ny lohateny. Rakitsary DVD, ahitana hira 10 eo ho eo izy ity, ka fampiaraham-peon’olon-droa na “duo” amin’ireo namana mpanakanto hafa no nanatanterahana azy.Anisan’ny ho hita ao, ohatra, ny fampiaraham-peon’i Josehasina sy i Tonton Pà, amin’ilay hira “ Ry neny” sy ny “Anilanao”, izay iarahany amin’i Tahiana. Ao koa ny hira ara-pilazantsara “Tsy mendrika” iarahan’i Jose sy Fy, ny “Tsara ny Tompo”, iarahany amin’i Rija Hary Njaka sy Rojo Ny Avo. Ao koa ny fampiaraham-peon’i Josehasina sy i Parson Jacques ary i Josehasina sy i Feno.  “Mariky ny fivelarana amin’ny mpanakanto hafa sy ny fifankatiavana eo amin’ny tontolon’ny mozika no antony lehibe hamoahako ny “ Ny namako”, ary indrindra ny fanambarana ireny fampiaraham-peo efa nisy ireny”, hoy i Josehasina, nanazava ny antony nanaovana ny rakitsary.Feno 20 taona ny tarika HasinaAnisan’ny mpanakanto nanamarika ny fahazazan’ny tanora amin’izao ny tarika Hasina, na any anaty lanonana, na fahoriana, na eny ambony tamboho, sns, tsy maintsy ao am-bavan’ny olona hatrany ny hira “Fonjan’i neny” sy ny “Kamboty velon-dray” sns… Feno 20 taona katroka, ankehitriny no nijoroan’ny tarika sy nizarany ny kanto, saingy foana ny hetsika fankalazana, tsy nisy ny fanamarihana izany noho ny antony iaraha-mahalala mianjady amin’ny firenena vokatry ny coronavirus. Mampanantena kosa anefa izy ireo fa tsy maintsy hisy ny fanamarihana amin’ny herintaona raha sitrapon’Andriamanitra.“Mila mikendry ny tononkira mitondra fitaizana sy fananarana mahakasika ny fiainan’ny olona amin’ny ankapobeny, mifanaraka amin’ny feonkira. Tadidio fa olon’ny fo ny Malagasy ka mila zavatra kanto mandona ny fon’ny olona. Aza maka tahaka be fahatany ny ataon’ny hafa fa manana ny maha izy anao, farany, aza maika hamoaka hira be dia be fotsiny fa diniho tsara aloha, mba ho hira mipetraka sy hotetezin’ny vanimpotoana ary tsy ho lefy laza” hoy ny hafatra avy amin’i Josehasina, ho an’ny tanora vao misandratra eo amin’ny tontolon’ny mozika.NarilalaL’article Voka-kanto vaovao “Ny namako”: eo am-panomanana ny rakitsary DVD i Josehasina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Isoanala – Betroka: trano fanamboarana basy sy basy telo saron’ny zandary

Ravan’ny zandary ny toerana fanamboarana basy ao kaominina ambanivohitr’Isoanala, distrikan’i Betroka, ny zoma lasa teo. Miray tsikombakomba amin’ireo dahalo ny mpanamboatra ireto fitaovam-piadiana ireto…Basy lava telo efa vita rafitra (iray efa vita sy basim-borona roa tsy misy taratasy) ary basy roa vao an-dalam-pandrafetana ary fanamboarana basy. Ireo ny fitaovana hitan’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Isoanala, distrikan’i Betroka, ny zoma lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, nahazo loharanom-baovao izy ireo fa misy olona atao hoe Rata mipetraka ao Ankoraoky, fokontany Lavalila, kaominina ambanivohitr’Isoanala, distrikan’i Betroka voalaza fa mpanamboatra sy mpivarotra basy ho an’ny dahalo. Nidina avy hatrany tany an-toerana ny zandary ka tratra tao avokoa ireo basy rehetra ireo. Nambaran’ny zandary fa tsy tao an-toerana ilay olona voalaza fa mpanamboatra basy fa ny rahalahiny no tratran’ny zandary tao an-trano.Basy Mas 36 iray koa azon’ny zandary tao Ambalamanakana distrikan’Ambositra, ny asabotsy vao mangiran-dratsy teo. Nahazo angom-baovao ny Kolonely kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana fa hoe misy olon-dratsy mpiray tsikombakomba amin’ny dahalo mitazona basy mahery vaika ao Ambalamanaka. Nihazo ilay toerana avy hatrany ny zandary notarihin’ny lefitry ny kaompanian’ny zandarimaria Ambositra ka hita tao tokoa ny basy Mas 36 ora. Nogiazana avy hatrany ilay basy ary noraisim-potsiny ilay olona voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fihazonana ity fitaovam-piadiana mahery vaika ity. Nohamafisin’ny zandary fa dimy izay ny basy mahery vaika tratra, tao anatin’ny telo herinandro teo.Jean ClaudeL’article Isoanala – Betroka: trano fanamboarana basy sy basy telo saron’ny zandary a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kanto sy fialamboly: hisokatra ny Sapitô metisy an-kantsa

Hitombo iray indray ny sehatra ahafahan’ny ankizy sy ny tanora ary koa ny lehibe miala voly sy mankafy zavakanto samihafa. Hanomboka ny asabotsy 14 septambra izao ny hetsika samihafa, eny amin’ny Sapitô metisy an-kantsa eny Imaintsoanala Ambohimangakely. Miavaka amin’ireo toerana ho an’ny zavakanto sy ny kolontsaina ary ny fialamboly hafa ity toerana ity satria ao no ahitana ilay tranoheva lehibe sady tokana eto amintsika, natokana hanaovana « cirque ». Volana vitsy lasa izay ny nahatongavany eto, vokatry ny fifanomezan-tanana sy ny fanampiana samihafa. Ny fikambanana Kantsa, ahitana mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina samihafa, no tompon-kevitra amin’ity tetikasa goavana ity.Araka izany, anisan’ny ho hita eny amin’ny Sapitô metisy an-kantsa ny « cirque ». Maro koa anefa ireo karazam-pialamboly eny, toy ny « accrobranche » sy ny « tyrolienne ». Toerana ho an’ny zavakanto ihany koa ny eny, hany ka tsy ho diso anjara ny fampisehoana samihafa. Ankoatra ireo, mampisongadina ny Sapitô metsy an-kantsa ny toerana misy azy, anaty tontolo voajanahary sy madio. Ho fanomezan-danja ny fanajana ny tontolo iainana izany.Amin’io andro fanokafana ny hetsika samihafa io, hisy ny fiara hitatitra manokana, mandroso sy miverina, hiainga ao amin’ny Is’art galerie etsy Ampasanimalo, ho fanamorana ny fahatongavana eny an-toerana.Landy R. L’article Kanto sy fialamboly: hisokatra ny Sapitô metisy an-kantsa a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Raharahan’ Ambodihazinina: mbola misy olona 40 hafa hosamborina

Andim-pamantaran’ andro telo, ny alatsinany 10 desambra teo no nanaovana famotorana teo anivon’ny mpitsara zokiolona, nanao ny fanadihadiana lalina ireo 19 mianandahy mianaka voarohirohy tamin’ny fitsarambahoaka, nahafatesana polisy inspektera telo lahy, tao amin’ny tananan’ Ambodihazinina fokontany Mahatsara, kaominina ambanivohitra Ambatoharanana disitrikan’ i Fenoarivo atsinanana, ny 24 oktobra lasa teo.Nilatsaka ny fanapahan-kevitry ny mpitsara fa mbola misy olona hatramin’ny 40 hosamborina amin’ ity raharaha ity. Ny famotorana sy ny fanadihadina lalina rahateo mbola tsy mifarana ka tsy maintsy ho tazonina sy aiditra am-ponja vonjimaika avokoaireo olona 18 raha nivadika ho vavolombelona kosa ny vehivavy iray.Andaniny, amin’ izay mbola fisian’ny olona 40 isa hosamborina izay, re eo anivon’ny polisy hatrany fa kasain’ izy ireo tanterahina amin’ny andro fety ny fidinana tampoka hanaovana ny fisamborana. Teo anivon’ireto farany ihany no nahalalana fa tsy nitranga iny raharaha iny raha tsy nisy polisy nifampiantso tamin’ilay raim-pianakaviana izay nalehan’ ireo inspektera telo lahy ireo. Antso izay nilaza fa “ireny lasa any ireny ny polisy namanay”.  Ilain’ny rehetra ny hisian’ny fanadihadina ihany koa momba izay polisy namoaka vaovao izay.Sajo sy Yves S.L’article Raharahan’ Ambodihazinina: mbola misy olona 40 hafa hosamborina a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé

Covid-19: FAMATSIANA FITAOVANA SY FANAFODY

Araka ireo hitantsika amin’ny sary eo ambany ireo dia Faritra sy Distrika maro eto anivon’ny Nosy no novatsian’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka fitaovana sy fanafody, hitsaboana marary ary ho ampiasain’ireo mpiasan’ny fahasalamana izay manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fikarakarana ireo olona izay manana olana ara-pahasalamana ireo. Mikaon-doha andro aman’alina ireo mpitantana sy teknisianina eto anivon’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy any amin’ny faritra mikaroka izay fomba handrindrana ny famatsiana sy fitsinjarana ireny fitaovana sy fanafody ireny. Izany dia miankina amin’ny filàna vokatry ny zava-misy ao anatin’ny faritra iray. Tanjontsika miaraka ny handresy ity valanaretina ity, manentana hatrany antsika vahoaka ary, hanaraka an-tsakany sy an-davany ireo toromarika sy fepetra noraisin’ny Fitondram-panjakana hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina. Malagasy mifanohana, mandresy ny coronavirus #Arovy_ny_tenanao #Arovy_koa_ny_hafa #Zarazarao Sary AT/SG L’article Covid-19: FAMATSIANA FITAOVANA SY FANAFODY a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - News Mada

Filohan’ny Tim: « Hiasa ho an’ny vahoaka… »

Nanefa ny adidiny teny amin’ny lycée Faravohitra ny filoha teo aloha, Ravalomanana, omaly. Nambarany fa zon’ny olom-pirenena ny mifidy. « Andraikitra lehibe koa anefa izany ho fandraisana fanapahan-kevitra amin’ny fiainam-pirenena. Tompon’ny fahefana ny vahoaka koa manainga ny rehetra ho tonga mavitrika hanatanteraka izany. Enga anie ka hiverina ny hasin’ny Antenimierampirenena. Ireo depiote ho lany eo, mba hiasa araka ny tokony ho izy ho an’ny vahoaka soloiny tena fa tsy ho an’ny tombontsoan’ny tenany manokana na ho an’ny tombontsoan’olom-bitsy », hoy izy.Synèse R.  L’article Filohan’ny Tim: « Hiasa ho an’ny vahoaka… » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanahiana valanaretina: mitobaka ny fako  noho  ny fahatapahan-dalana

Mitoby ny fako eny amin’ny boriborintany fahenina. Antony nambaran’ny avy ao amin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo ny fahatapahan’ny lalana ka tsy hahafahan’ny kamiao mpaka fako miditra.Anisan’ny tena lasibatra amin’ny fitobian’ny fako ny eny Ambatolampy Antehiroka. Efa amam-bolana no tsy nisy kamiao naka fako teny an-toerana. Miparitaka mibahan-dalana ary mamofona ratsy eran’ny tanàna ny fakobe. Ampahan-dalana kely sisa no azon’ny fiara alefa.Mihafihafy ny mpandeha an-tongotra. Tsy vitan’izany fa lasa manangon-drano amin’ny arabe izany fako izany satria manototra ny lakandrano tokony handehanan’ny rano maloto.Hamahana ny olan’ny fifamoivoizana ao amin’ny boriborintany VI, eo Ambodivonkely. Nandray an-tanana ny fanamboarana ny ampahan-dalana eo an-toerana ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ao anatin’ny tetikasa lalankely. Ezahana hatao rarivato izany, araka ny fanazavan’ny lefitry ny delegen’ny Boriborintany faha-6, Randrianantoandro Sitraka. Misy ny fitaovana vaovao ampiasaina vao novidian’ny boriborintany anaovana izao lalana izao, ny ekipa teknika avy amin’ny boriborintany fahenina no manatanteraka ny asa. Mamaha amin’ny ampahany ny fitohanan’ny fifamoivozana eny Ambohimanarina sy ny manodidina ny fahavitan’ity ampahan-dalana ity, izay ahafahan’ny fiara manao hintsin-dalana, hoy ny fanazavana nomen’ny solontenan’ny mponina Ambodivonkely Ambohimanarina.Tatiana AL’article Fanahiana valanaretina: mitobaka ny fako  noho  ny fahatapahan-dalana a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-10-2020
Source : CCO COVID19 - 30/10/2020

Notsongaina

Ady amin’ny Covid-19: fitaovana 237.463 dolara avy amin’o Korea
23/10/2020

Mitohy ady amin’ny valanaretina covid-19 na dia efa nambara tamin’ny fomba ofisialy aza fa efa tsy ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana intsony i Madagasikara. Mitohy ihany koa ny fanampiana ataon’ireo firenen-kafa hamongorana tanteraka ity aretina ity.Omaly, nanolotra fitaovana mitentina 237.463 dolara ho an’ny fanjakana malagasy ny firenena koreanina. Natolotra ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy, Michelle Bavy Angelica tetsy Ambohijatovo izany. Ahitana karazan’akanjo ho an’ny ankizy sy olon-dehibe ao anatin’izany fanampiana izany.Hisitraka izao tolotra izao ny olona tena sahirana vokatry ny krizy nateraky ny valanaretina covid-19. Betsaka ireo ankohonana lasa farahidiny nahavita nivaro-pananana mihintsy noho ny fahantrana ka izy ireo no hisitraka izany akanjo izany.Iandraiketan’ny minisiteran’ny Mponina manontolo ny fizarana izany manerana ny Nosy sy ny fifantenana ireo olona tena sahirana hotsimbinina manokana amin’izany.Tatiana AL’article Ady amin’ny Covid-19: fitaovana 237.463 dolara avy amin’o Korea a été récupéré chez Newsmada.

Haintrano teny Manarintsoa Atsinanana: maherin’ny 700 ireo traboina, olona roa naratra
26/10/2020

Nahatratra 740 isa ireo traboina vokatry ny haintrano goavana tetsy Manarintsoa Atsinanana, ny asabotsy atoandro teo. Hatreto, olona miisa roa ihany koa naratra vokatr’izany, raha ny voalazan’ny minisiteran’ny Mponina. Voalaza fa fianakaviana 145 ireo may trano. Ao anatin’izany ireo hazo marobe hotohoton’ny afo sy ireo trano biriky may ihany koa. Taorian’ny loza, tonga nijery ireo traboina ny minisiteran’ny Mponina. Nanolotra fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana ny minisitera sy ny BNGRC. Niaraka aminy ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny Croix Rouge, ny lehiben’ny distrika ary ny solombavambahoaka. Tao anatin’izany ny lamba firakotra, ny fanampin-tsakafo sy ny kojakoja fampiasa andavanandro.Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa niainga tamina trano hazo iray teny an-toerana ny afo ny asabotsy teo tokony ho tamin’ny 12 ora. Niitatra tamin’ireo trano teny amin’ny manodidina anefa ny fahamaizana vokatry ny fitsoky ny rivotra. « Nandritra io fahamaizana io, nahatratra 65 ireo trano hazo may, nisy koa ireo trano biriky simba vokatr’izany », hoy ny fanazavan’ny lietnà kolonely Razafimanahaka Tiana, lehiben’ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalàna. Fantatra fa manodidina ny dimy eo ireo trano biriky may raha roa kosa ny simba tanteraka.Sarotra ny famonoana ny afoNanano sarotra ny famonoana ny afo. « Mifanakaiky avokoa ireo trano, eo koa ny fahateren’ny lalana sy ny fahalaviran’ny “bouche d’incendie” », hoy hatrany ny lehiben’ny mpamonjy voina. Nambarany fa naharitra ora roa ny famehezana ny afo, levona tanteraka kosa izany tokony ho tamin’ny 5 ora latsaka fahefany hariva.« Efa niredareda be ny afo ary natao faran’izay haingana ny famoahana ny entana rehetra tao an-trano. Maro amin’ireo entanay ny simba, nisy ny natsipy teny am-baravarakely. Misy koa ireo natsipy tao amin’ny lakandranon’Andriantany », hoy ny fanazavan’i Jaona, isan’ireo traboina. Nambarany fa sarotra koa ny fidirana tamin’ireo trano may ka kilan’ny afo avokoa ny ankamaroan’ireo entany. « Ny akanjo ety an-koditro sisa hany ananako », hoy hatrany ny fitarainan’ilay raim-pianakaviana.Niara-niisalahy ny mponina eny an-toerana namono ny afo, nisy ireo nitatitra ny ranon’Andriantany ho famonoana izany. Ireo mpamonjy voina kosa, niezaka namono ny lelafo sy nifehy izany. Henintsoa HaniL’article Haintrano teny Manarintsoa Atsinanana: maherin’ny 700 ireo traboina, olona roa naratra a été récupéré chez Newsmada.

Kolontsaina sy fialamboly: hanatanteraka “Samdi full” ny Tiagasy
27/10/2020

 Asabotsy faran’ny volana… Maro ny seho isan-karazany amin’io faran’ny herinandro io. Anisan’izany ny “Samdi Full,” hotanterahina etsy amin’ny Espace Fitiavana & Fialamboly Ambatomirahavavy RN1, ny asabotsy 31oktobra 2020 tontolo andro. Ho hita eny avokoa ny karazana fialamboly mifono kolontsaina hanalana ny sorisorin-tsaina nandritra izay volana izay, indrindra amin’izao fisokafan’ny hamehana ara-pahasalamana izao, raha ny filazan’ny tompon’andraikitra.Anisan’izany ny tontolon’ny filalaovana gitara, ny “karaoke live”, ny fanentanana sy ny fampandihizana tahaka ny “animation DJ”, sns. Eo ihany koa ny tontolon’ny fanatanjahantena toy ny basikety, ny tsipy kanetibe… Misy toeram-pilalaovana ho an’ny ankizy toy ny “château gonflable”, ny “trampoline”… Ny alina, hisy ny “soirée Halloween” sy ny “maquillage artistique” iarahana amin’ny Bis’art Design Studio.“Samdi full”, hetsika karakarain’ny Tiagasy, fikambanana ray aman-dreny sy tanora vitsivitsy misehatra amin’ny fifampitsimbinana sy ny soatoavina fifanampiana amin’ny samy Malagasy. Tanjon’izy ireo ny hanampy tsikelikely ireo ankizy sahirana amin’ny fampianarana, ny fitsaboana, ny tsy fanjarian-tsakafo, ny fitafy sns.NarilalaL’article Kolontsaina sy fialamboly: hanatanteraka “Samdi full” ny Tiagasy a été récupéré chez Newsmada.

Tetikasa Ambatovy: natolotra ny Malagasy ireo sisam-bakoka
23/10/2020

Natolotry ny orinasa Tetikasa Ambatovy ny mozea vaovao Vavitiana any Ampasimazava Toamasina ny sisam-bakoka maherin’ny 1 800, ny 22 oktobra teo. Hitany tany amin’ny toeram-pitrandrahana Ambatovy Moramanga ireo vakoka ireo, asa tanimanga tany an-toerana, toy ny vilany, ny sinibe tany, ny tavoara, ny lovia jobo, ny tavy tanimanga, sns, ary koa ny vakim-pitaratra. Araka ny daty tombana nomen’ny manampahaizana manokana momba ny arkeolojia avy ao amin’ny oniversite Antananarivo, teo anelanelan’ny taonjato faha-18 hatramin’ny faha-20 ny fotoana nisian’ireo vakoka ireo. Natolotra niraka amin’ireo koa ny boky firaiketana roa sy ny sarintany efatra mirakitra ireo asa fikarohana arkeolojika nataon’Ambatovy. Nandray izany ny tompon’andraikitra maro ao amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina.Tafiditra ao anatin’ny laminasan’Ambatovy ny fitandroana ny arkeolojia, ny rakitry ny ela, ity hetsika ity, araka ny toky nomeny voarakitra anaty bokin’andraikitra amin’ny fitandroana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana sosialy ao anatin’ny fandaharanasa manokana PGES sy ny PGEDS.Tsiahivina fa efa nandray anjara tamin’ny fametrahana ny Foibe fikajiana ny vako-pirenena (Centre d’interprétation du patrimoine) any Toamasina ny orinasa Ambatovy, ny taona 2014. Natao izany hiarovana sy hampirantiana ho an’ny daholobe ireo zavatra nilevina arkeolojika hita tany amin’ny faritra iasan’Ambatovy eo anelanelan’i Moramanga sy i Toamasina.Njaka A.L’article Tetikasa Ambatovy: natolotra ny Malagasy ireo sisam-bakoka a été récupéré chez Newsmada.

Fisolokiana avolenta – Kaominina Toamasina: 20 tapitrisa Ar ny efa azony, karohina i Jidiajia
23/10/2020

Zatra ny lalan-dririnina! Nandritra ny fitantanan’ny ben’ny Tanàna teo aloha ary notohizan’ny filohan’ny delegasiona manokana taorian’izay ny fahazaran-dratsin’ny mpiasa eo anivon’ny kaominina amin’ny fakana vola tsy hampidirina ao amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina fa any am-paosy avy hatrany. Tsy asian’ny tompon’andraikitra resaka anefa izany fa vao mainka aza arovany ny mpiasa manao izany, araka ny fampitam-baovao voaray avy any Toamasina. Vokany, leon’ny fakana vola mihoa-pampana ataon’i Jidiajia ny mpivarotra ao Bazarikely sy Ankirihiry ka nitondra ny fitoriana teo anoloan’ny mpitandro filaminana. Raha ny fanadihadiana natao teo anivon’ny kaominina, fakam-bola hatramin’ny andron’ny ben’ny Tanàna Ratsiraka Elysée ny raharaha ary mbola tohizan’ity lehibena sampanasa iray eo anivon’ny sampandraharaha fahadiovana sy tontolo iainana eo anivon’ny kaominina ity. Ireo mpivarotra lamba tonta, voankazo, akoho amam-borona, telefaonina finday ireto voasolokiny ireto izay lazainy fa esorina eo ianareo fa omena toerana ka mandoa vola. Vokany, misy manome 3 ka hatramin’ny 5 tapitrisa Ar ireo mpivarotra. Teo koa ireo nandoa 5 tapitrisa Ar. Nilaza ny talen’ny eo anivon’ny sampandraharaha fahadiovana sy tontolo iainana fa aleo ianareo mpivarotra mitory any amin’ny mpitandro filaminana hahafahana manao ny fikarohana ity mpisoloky ity.Sajo sy J.C L’article Fisolokiana avolenta – Kaominina Toamasina: 20 tapitrisa Ar ny efa azony, karohina i Jidiajia a été récupéré chez Newsmada.

Karate-Afrika “kata en ligne”: mbola hiatrika fampiofanana ireo voatsonga hifaninana
26/10/2020

Raha ny vinavinan’ny Union des fédérations africaines de karate-do”, hatao ny 13 hatramin’ny 30 novambra izao, ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika “kata en ligne”, sokajy latsaky 14 taona. Vita, omaly, ny fiofanana nomena ireo mpikatroka malagasy, nakana izay hisolo tena an’i Madagasikara, amin’ity fifaninanana ity. Fiofanana nandritra ny roa andro, nahitana ny talentan’ny karateka tsirairay, valo hatramin’ny 14 taona. Araka ny fantatra, miisa efatra isaky ny sokajy ny voatsonga ka mbola homena fiofanana manokana, mialoha ny hakana horonantsary azy ireo, hifaninanana amin’ny mpikatroka manerana an’i Afrika, amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra.Nambaran-dRazafindrakoto Miora, mpandrindra sady mpitsara, fa tafiditra anatin’ny tanjon’ny Ufak izao programa izao, ahafahana mampiseho ny talentan’ny mpikatroka, indrindra ny sokajin’ny ankizy. Hetsika maro ny hotontosaina ka isan’izany ity fiofanana ho an’ny ankizy ity sy ny fikarakaraka fifaninanana hampitain-davitra. Hisy ny fiofanana hampitain-davitra ho an’ny mpitsara, sahanin’ny komisionan’ny mpitsara sy ho an’ny mpanazatra, sahanin’ny komisiona teknika, raha ny fandaharam-potoana manaraka.Tsiahivina fa voatendry ho filohan’ny Union africaine de karate-do”, faritra Atsinanana, ny filohan’ny federasiona malagasy ny karate, Andrianaivomanana Solofonirina Barijaona, ny herinandro lasa teo. Mi.RazL’article Karate-Afrika “kata en ligne”: mbola hiatrika fampiofanana ireo voatsonga hifaninana a été récupéré chez Newsmada.

Anosy: tratra ilay lehilahy nandona olona tamin’ny fiara
23/10/2020

Niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny Anosy, ny alahady 21 septambra lasa teo, ny raim-pianakaviana iray 51 taona. Nitondra moto izy ka nandalo teo Anosy no nisy fiara iray nandona mafy azy avy ao aoriana. Nianjera ilay niharam-boina ka naratra mafy teo amin’ny sorony. Nirifitra nandositra kosa ilay fiara nahavanon-doza tamin’io fotoana io. Tamin’ny fotoana nahatongavan’ny polisy teny an-toerana, nentina namonjy hopitaly ilay raim-pianakaviana naratra. Noho ny ratra nahazo anefa, tsy afaka niasa nandritra ny 45 andro izy araka ny baiko nomen’ny mpitsabo. Nitohy hatrany ny fanadihadiana nataon’ny polisy hikarohana ilay fiara nandositra ka tamin’ny alalan’ny potik’ilay fiara tavela teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza no nahafahan’ny polisy nitondra fanadihadiana hatrany amin’ny fahitana ny tompon’ilay fiara. Nosamborina ilay tovolahy nitondra ilay fiara sy nandona ilay mpitondra moto ary niaiky ny heloka vitany izy.Jean ClaudeL’article Anosy: tratra ilay lehilahy nandona olona tamin’ny fiara a été récupéré chez Newsmada.

Espoirs Sportifs de Tuléar: asa maro no efa vita sy mbola hatao
28/10/2020

 Mitohy hatrany ny fampandrosoana ataon’ny fikambanana Espoirs Sportifs de Tuléar, eo amin’ny lafin’ny ara-panatanjahantena ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Asa maro ny efa vita sy mbola hokasaina atao. Vaovao mahafaly voaray, omaly, vita soa aman-tsara ny kianja basikety Sanfil,  izay namboarin’ny fikambanana EST sy novatsiny vola. Naharitra 10 andro ny faharetan’ny fanamboarana,  nanomboka tamin’ny herinandro lasa iny. Mbola miankina amin’ny taratasy fahazoan-dalana kosa ny fanavaozana ny kianjan’Anketa, izay nitondran’ny filohan’ny fikambanana EST, i Vital Serge, fialan-tsiny ho an’ireo tanora any an-toerana, noho ny tsy mbola fahavitan’izany.Tafatsangana ny JeuestAnkoatra ny fanavaozana ny kianja, miroso hatrany koa ny fananganana klioba, taorian’ny RCEST (Rugby Club Espoirs Sportifs de Tuléar), tafatsangana tamin’ity herinandro ity koa ny Jeuest (Jeunes Étudiants Universitaires EST). Famaliana ny hetahetan’ireo mpianatra no nananganana ity klioba ity.Hetsika maro no mbola miandry ny fikambanana ary efa an-dalam-pikarohana ny hoenti-manana amin’izany ny mpitantana. Isan’izany ny fifaninanana « multi-sports » hatao amin’ny novambra sy desambra izao, eo ihany koa ilay « soirée » kasaina hotanterahina amin’ny faran’ny volana novambra. Hanampiana ireo kliobany amin’ny fifaninanam-pirenena ho avy ireo hetsika fitadiavam-bola ireo.Marihina, vonona hiara-kiasa amin’ny  rehetra ny fikambanana EST, amin’ny fampandrosoana ny tanora sy ny fanatanjahantena. Tsiahivina, efa tafakatra 30% ny mpikambana taorian’ny fanakambanana ny EST sy ny COSTM ka efa mahatratra 400 ireo atleta ao aminy.Mitohy ny fanatsarana ary tanjona ny hampiroborobo ny tanora, tsy ao Atsimo Andrefana ihany fa manerana an’i Madagasikara, hoy ny filohan’ny EST, i Vital Serge. Manentana kosa izy ny mba hanajana sy hitandremana ny fotodrafitrasa rehetra hatsangana.Mi.RazL’article Espoirs Sportifs de Tuléar: asa maro no efa vita sy mbola hatao a été récupéré chez Newsmada.

Filaharana Fifa: mijanona eo amin’ny faha-92 hatrany ny Barea
23/10/2020

Namoaka ny filaharan’ireo firenena mikambana ao aminy, omaly alakamisy, ny federasiona iraisam-pirenena ny baolina kitra (Fifa). Tsy mihetsika aloha, hatreto, ny Barea de Madagascar fa mbola mijanona hatrany eo amin’ny faha-92 maneran-tany. Miakatra toerana iray kosa anefa ny Malagasy raha eo amin’ny laharana eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanina satria lasa faha-20 raha faha-21, iray volana lasa izay. Mbola mitarika hatrany kosa ry zareo Senegaley, faha-21 maneran-tany, arahin’i Tonizia sy i Alzeria ary ry zareo Nizerianina. Eo alohan’ny Barea hatrany kosa ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, faha-12 aty Afrika.Mbola ry zareo Belzika hatrany aloha ny mitarika maneran-tany, manana isa 1 773 arahin’i Frantsa, eo amin’ny laharana faharoa, nahazo isa 1 744 ary fahatelo ny Brezilianina, manana isa 1 712. Fahefatra i Angletera ary fahadimy ry zareo Portiogey. Any amin’ny faha-14 kosa ry zareo Alemà, miaraka amin’ny isa 1 602.Mbola mitana ny laharana farany kosa ry zareo St Marin. Mialoha azy, eo amin’ny faha-209 i Anguilla ary faha-208 Iles Vierges Britaniques. TompondakaL’article Filaharana Fifa: mijanona eo amin’ny faha-92 hatrany ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Toetry ny andro: maina sy mafana eto afovoan-tany
26/10/2020

Maina ny andro eto afovoan-tany amin’ny ankapobeny ary hiakatra ny maripana ambony (28°C) indrindra fa ny alarobia no ahitana fidinany (26°C) izany, araka ny fanazavan’ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Nanjaka ny orana ho an’ny tapany atsimo, ny faran’ny herinandro, nahazo izany avokoa ny atitany sy ny morontsiraka ary nirefy 30 mm ny rotsak’orana tany an-toerana. Nitohy, omaly, ny orana ho an’ny atitany any atsimo entin’ny atmosfera tsy marim-toerana. Eto Antananarivo kosa, alina no hotombanana hirotsaka ny orana. Manao volon’andro manjombona tanik’orana matetika fa tsy mahalatsaka satria tsy feno ny fepetra. Raha tazanina lavitra, rakotra setroka manjavona ny Renivohitra izay tsy misava mihitsy mandritra ny tontolo andro. Tsioka atsimo-atsinanana kosa ny hanjaka amin’ny ilany Atsinanana sy ny tapany avaratry ny Nosy.Vonjy L’article Toetry ny andro: maina sy mafana eto afovoan-tany a été récupéré chez Newsmada.

Ady ho an’ny fanjarian-tsakafo: handrakotra ny faritra 22 ny Vovonana Hina 
29/10/2020

 Hiitatra amin’ny faritra 22 ny rantsan’ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena misehatra ho an’ny fanjarian-tsakafo (Hina), manomboka amin’ny volana novambra ka hametraka ny mpikambana ao amin’ny faritra Sofia sy Betsiboka ny mpitantana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Vovonan’ny Hetsika iraisana natokana iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo (Hina), Razafimandimby Andriamandranto, omaly, teny Ambolokandrina. Miatrika fivoriambe mandritra ny hateloana eto Antananarivo ny mpiandraikitra ny masoivohon’ny Hina amin’ny faritra 20 efa ahitana mpikambana. Hamaritra ny laminasa ho an’ny dimy taona ho avy ny mpivory 80 nisolotena ny faritra ary hanombana ny asa vita rehetra. Manana ny toerany ny Vovonana amin’ny vokatra azo teo amin’ny fampihenana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ho 42%, araka ny fanadihadiana MICS raha niainga tamin’ny taha 47,3%, ny taona 2012 (EDS). Mandray anjara hatrany amin’ny fandrafetana ny politika samihafa iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny mpikambana miainga eny ifotony ka mipaka amin’ny governemanta. Zava-dehibe koa ny sisin-kevitra hampiakarana ny vola hatokana ho an’ny fanjarian-tsakafo hampahomby ny asa, hoy ny filoha lefitry ny Hina, Faniry Hantarinivo.Ireo mpikambana rehetra isam-paritra no handrafitra ny asa ho an’ny dimy taona manaraka. Tsinjo sahady fa tsy maintsy hamafisina ny fanentanana sy ny fampianarana ny isan-tokantrano hanovaova ny sakafo amin’ny vokatra misy eo an-toerana. Nampisongadina ny Vovonana tao anatin’ny dimy taona vita ny fampianarana ny maha zava-dehibe ny 1000 andro eo amin’ny zaza, manomboka vao mitsaika ao am-bohoka ka hatramin’ny  faharoa taonany.Vonjy A.L’article Ady ho an’ny fanjarian-tsakafo: handrakotra ny faritra 22 ny Vovonana Hina  a été récupéré chez Newsmada.

Antanifotsy : Olona iray maty navadiky ny sarety
28/10/2020

Olona iray no maty niharan-doza nohon’ny fahasimban’ny sarety noentiny ihany ny 26 oktobra teo tokony tamin’ny 9 ora sy sasany maraina, tao amin’ny toerana antsoina hoe Andafiantsimo fokontany Andoharanofotsy, Ambohitompoina distrika Antanifotsy . Avy nanatitra entana tany Ambohitompoina ity lehilahy ity ka teny an-dalana hiverina ho any Analamanitra Ambohitompoina izay toerana fiaviany izy izao tra-doza izao. Nitsoaka tampoka ny kodiaran’ny sarety ilany ankavia ka nitarika ny fianjerany tampoka avy teny ambony ary mbola ilay kodiarana izay nitsoaka io ihany no nahavoatsindry ny lohany ankavanana ka nitarika ny fahafatesany. Tonga tany an-toerana ny zandary avy amin’ny Poste Avancé Ambohitompoina niaraka tamin’ny lehiben’ny CSB II, nanao ny fiazahana ny razana. Natolotra ny fianakaviany ny razana taorian’ny fiazahana nataon’ny mpitsabo ny tra-doza. Yv Sam L’article Antanifotsy : Olona iray maty navadiky ny sarety est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Antanifotsy : Olona iray maty navadiky ny sarety a été récupéré chez Midi Madagasikara.