Maro ny kolontsaina very: mari-pandrefesan-javatra maro ny Coronavirus

News - Maro ny kolontsaina very: mari-pandrefesan-javatra maro ny Coronavirus

News - Maro ny kolontsaina very: mari-pandrefesan-javatra maro ny Coronavirus

 

Ankoatra ny maha valanaretina azy,
mari-pandrefesana zavatra maro ny Coronavirus. Nandrefesana ny
fahalalana, ny fahaizana, ny finoana, sns, ananan’ny tsirairay sy
misy eo amin’ny firenen-tsamihafa. Fa anisan’ny goavana
natsinkafon’ity valanaretina ity, ny nahenoina fa misy amin’ny
Malagasy no tsy manana tanin-drazana ka tsy afaka niala ny toerana
misy azy na mba te handositra ny covid-19 aza.

Raha adika tsotsotra, misy amin’ny
Malagasy no tsy manana ambanivohitra, toerana nipoirana, tany
navelan’ny razana, tranon-drazana, sns. Sanatria, mety tsy hanana
fasan-drazana ihany koa aza angamba ! Misy ny tratry ny tsy
fidiny no tsy nananany tanin-drazana fa ny an’ny hafa mba
ahoana ? Tao ireo nivarotra, misy ny zara fa manao
tsidi-pahitra ka tsy fantatr’olona any an-toerana intsony ny
fisiany, tsy vitsy koa ireo tsy miraharaha tsotra izao ny toerana
nipoiran’ny razany.

Efa ampy hamantarana ny zava-manjo
sy mihatra amin’ny Malagasy sy ny kolontsainy ireo. Tokony
hifanaraka amin’izay ihany koa ny vahaolana raha toa ka heverina fa
olana ny Malagasy tsy manana tanin-drazana. Sa ve efa mizotra
amin’ny lalan’ny « fandrosoana » izao ka tsy misy ilàna
izay kolontsaina ?

HaRy
Razafindrakoto

Article tiré de Newsmada

L’article Maro ny kolontsaina very: mari-pandrefesan-javatra maro ny Coronavirus a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 28/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Ao Raha

Tetibola 2019

Nankatoavin’ny HCC, tamin’ny sabotsy lasa teo ireo fanitsiana noentina tamin’ny Tetibolam-panjakana 2019. Mifanandrify amin’ny fandaharan’asam-pampandrosoan’ny fitondram-panjakana izany sady nampifanitsiana nanaraka ny tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika. Nampahatsiahivin’ ireo mpikambana eo anivon’ity andrimpanjakana ity fa tokony tsy hivaona amin’ireo tanjona ireo ny fampiharana azy. L’article Tetibola 2019 est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fanabeazana sy Bianco: hatao taranja any an-tsekoly ny ady amin’ny kolikoly

Notanterahina tetsy Antaninarenina ny atrikasa fankatoavana ny fametrahana ny amin’ny kolikoly ao anatin’ny fandaharam-pianarana. Tanjona ny hametraka ny ady amin’ny kolikoly ho taranja mihitsy hatao any an-tsekoly.Amin’io taom-pianarana vaovao 2019-2020 io, efa hisy ny kilasy sasantsasany amin’ny EPP sy ny CEG ary ny lycée hianatra izany taranja izany. Hatomboka tsikelikely io fampidirana ny ady amin’ny kolikoly ho taranja io fa hahenika ny kilasy rehetra kosa any aoriana.Tanjona iarahan’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) sy ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ny hanana taraka lavitry ny kolikoly. Fantatra fa zava-dehibe ao anatin’izany ny fanabeazana, ny fisorohana ary ny fampiharan-dalana.Mila atomboka any amin’ny fanabeazana ny ankizy, araka izany, ny ady amin’ny kolikoly haha olom-banona azy sy hibeazana ny fisainany dieny mbola kely ho lavitr’izany kolikoly izany. Ampiarahina amin’ny fanabeazana momba ny fanajana ny soatoavina, toy ny fihavanana, izany hahamora raisina ny fampitana ny hafatra.Mbola hisy ny drafitrasa mazava hapetraka amin’ny fampiharana ity taranja ity any an-tsekoly. Hisy ny fiofanana omena ny mpampianatra ary indrindra, ny karazana tahirin-kevitra ilain’ny mpampianatra hanamorana ny fampitana ny hafatra mitovy lenta amin’ireo mpianatra.Efa betsaka ny fakan-kevitra natao mahakasika ity ady amin’ny kolikoly any am-pianarana ampidirina anaty fandaharam-pianarana ity. Efa nisy ny fandravonana izany fakan-kevitra izany ka izao faranana amin’ny fankatoavana azy izao ho azo ampiharina amin’izay.Tatiana AL’article Fanabeazana sy Bianco: hatao taranja any an-tsekoly ny ady amin’ny kolikoly a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fimpima Analamanga Mi.Kolo: hirakitra tantara, hira, dihy ny « Vakomanitra »

Tantara tsangana mitondra ny lohateny « Izay mivadika aloha kely ila ». Io no holalaovin’ny mpikambana ao amin’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy sampana Analamanga Mi.Kolo (Miaro ny kolontsaina), anio manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny Cemdlac Analakely. Nofehezin’izy ireo ao anatin’ny anarana « Vakomanitra » ity seho ity noho ny fisian’ny tantara sy hira ary dihy ao anatiny. Tantara tsangana nosoratan-dRazafindrafidy Maholy Ramarolahy na Ny Rian’ala, narindran-dRatsimba Ny Aina Zo na i Zou Bloom ho azo lalaovina an-tsehatra.« Izay mivadika aloha kely ila », tantara miresaka sedram-pitiavan’olon-droa, fitiavana ny tenindrazana sy ny tanindrazana. Izany hoe, fiverenana amin’ny fitiavana voalohany, tsy nolaroina na safiotra.Marihina fa ity ny hetsika voalohany hataon’izy ireo (Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy sampana Analamanga Mi.Kolo) eto Antananarivo Renivohitra, raha toa ka faharoa taorian’ny tany Ambatomena Mananara izay nanatanterahan’izy ireo asa soa.HaRy  Razafindrakoto L’article Fimpima Analamanga Mi.Kolo: hirakitra tantara, hira, dihy ny « Vakomanitra » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hatramin’ny 24 avrily no ho mankaty: nahatratra 9943 ireo voasazy nampanaovina asa soa iombonana

Namoaka ny antontanisa mirakitra ireo olona voasazy noho ny tsy fanarahana ny fepetra amin’ny hamehana ara-pahasalamana ny mpitandro filaminana. Efa mahatratra 9 000 mahery ireo niharan’izany…Hatramin’ny 24 avrily teo, nahatratra 9943 isa ireo olona voasazy nanao asa soa iombonana teto an-dRenivohitra. Olona izay tra-tehaky ny polisy tsy nanaraka ny lalànan’ny fitondrana arovava. Ny 13 ka hatramin’ny 26 jolay teo kosa, niisa 100 ireo tra-tehaka nandika ny lalànan’ny « couvre-feu » teto Antananarivo renivohitra sy tao avaradrano ary atsimondrano. Ka 23 ireo voasambotra nanaovana fanadihadiana.Voalaza ao amin’ny tatitra nataon’ny polisim-pirenena, omaly fa miisa 79 ireo fiara nampidirina ambalam-pamonjana. Nahatratra 50 ireo taratasim-piara nosintomina raha miisa 10 kosa ireo tompona fiara tsy mety nifampiraharaha tamin’ny polisy. 21 ireo fiara vaventy nogiazana ary nahatratra 22 ireo taratasim-piara voasintona. Tamin’ireo moto kosa, miisa 335 ireo voasintona taratasy ary 95 ireo tsy nanaiky an’ireo mpitandro filaminana. Tamin’ireo fiara fitanteram-bahoaka, miisa 42 ireo naiditra am-balam-pamonjana. 58 kosa ireo voasintona taratasy. Miisa sivy ireo tsy manaiky nifampiraharaha tamin’ny mpitandro filaminana. Nambarany koa fa miisa roa ireo toerana filanonana nakatona. Toeram-pandihizana miisa efatra koa nakatona, ary toeram-pilokana miisa dimy nidina. Nahatratra 197 ireo bara nakatona ary miisa 45 koa ny Karaoke, hoy hatrany ny tatitry ny polisy. Manampy izany ireo fiangoanana 35 isa nidina sy ireo ny toerana fandraisana lanonana miisa roa nakatona. Henintsoa HaniL’article Hatramin’ny 24 avrily no ho mankaty: nahatratra 9943 ireo voasazy nampanaovina asa soa iombonana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Raharaha 19 jolay 1948: notsaroana manokana ireo mahery fo Malagasy

Feno 71 taona katroka, omaly (19 jolay 1948 – 19 jolay 2019) ny nitifiran’ireo mpanjanatany ireo mahery fo nitaky ny fahaleovantenan’i Madagasikara teny Avaratra Ambohitsaina dia ny Lietna Randriamaromanana Albert, Rakotobe Samuël, Ratsizafy Samuël, Bekamisy ary Lezoma.Ho fahatsiarovana ny fitiavan-tanindrazana izay nasehon’izy ireo tamin’izany, tonga nametraka fehezam-boninkazo teny amin’ny toerana nitifirana azy ireo sy teny amin’ny Tobi-Miaramila Regimanta voalohan’ny Miaramila Analakely mitondra ny anaran’ny Lietnà Randrimamaromanana Albert ny solontem-pianakaviany sy ireo andiany niaraka taminy ary ny Praiminisitra Christian Ntsay, nisolo tena ny Filoha Rajoelina. Nandritra ny fandraisam-pitenanan’ny Fitaleanan’ny mpiady tia tanindrazana, ny Kly Rakotonirina Lala Jacquis no nanambarany fa tsy fanadino ny ezaka fitiavan-tanindrazana nasehon’izy ireo fa mendrika ny hotsaroana. Ny tantara no miantoka ny ho avy ka nilazany fohifohy ny tantaran’ny namonoana ireo mahery fo Malagasy ireo. Ny Malagasy manontolo no tokony hivondrona ao anatin’ny Vondrona Tia Tanindrazana izay iandraketan’ny sampandraharaha ny mpiady Tia Tanindrazana eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN).Ohatra ho an’ny taranaka…, hoy ny PM“Feno fitiavan-tanindrazana sy namela mamy ary lova tsara ho an’ny taranaka aty aoriana ny ohatra nasehon’ireo mahery fo ireo”, hoy ny Praiminisitra Christian Ntsay. Nohamafisiny hatrany fa ny vahoaka malagasy dia tokony hoentanin’izany afom-pitiavan-tanindrazana izany koa mba hamerenantsika sy hanamafisantsika hatrany ny fifampitokisana sy ny fifamenoana eo amin’ny mpitondra isan-tsokajiny ary ny vahoaka. “Fifampitokisana sy fifamenoana izany dia mba ho soatoavina hampitambatra ny hevitra hanatanterahana fampandrosoana ny firenena sy fanandratana ny fahamasinan’ny tanindrazana”, hoy izy.Nisaotra manokana ireo bekotro maro holatra kosa ny Sekretera jeneralin’ny MDN, ny Amiraly Ranaivosehono Antoine de Padoue. “Ohatra ho antsika taranaka aty aoriana ary tokony halain-tahaka izany fitiavan-tanindrazana nasehon’izy ireo tamin’izany vanim-potoana izany. Ny fahafoizana ny aina no fitiavana faratampony”, hoy izy.Jean ClaudeL’article Raharaha 19 jolay 1948: notsaroana manokana ireo mahery fo Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiaraha-miasa amin’i Frantsa: nahazo tohana avy amin’ny AFD ny fanatsarana ny fanabeazana

Nitohy, omaly, ny fihaonan’ny filoha Rajoelina amin’ireo tomponandraikitra any Frantsa. Anisan’izany ny momba ny famatsiam-bola iraisam-pirenena frantsay, ny famoronana asa sy ny fampianarana.Anisan’ny nihaonany ireo tompona orinasa miompana amin’ny fandraharahana momba ny angovo azo havaozina. Teo koa ny fihaonan’ny filoham-pirenena tamin’ny filohan’ny AFD, i   Rémy Rioux. Fantatra tamin’izany fa efa nanokana vola mitentina 10,4 miliara euros hamatsiana tetikasa sy asa fampandrosoana amin’ireo firenena antsoina hoe misandratra  “emergents” izy ireo. Anisan’ny misitraka izany famatsim-bola izany isika. Ohatra ny fanajarina ny lakandranon’Andriantany sy ireo milina mpitroka rano maloto eto Antananarivo. Eo koa ny famatsiam-bola mitentina 30 tapitrisa euros hanohanana ny fanatsarana ny lafin’ny fampianarana.Fametrahana orinasa misehatra amin’ny angovo nohavaozina Efa nambaran’ny filoha frantsay, i Emmanuel Macron, nandritra ny fihaonan’ny filoha Rajoleina Andry tao amin’ny lapan’i Elysée izany fanohanana ny fanatsarana ny fampianarana izany. Tafiditra ao anatin’ny vina IEM. Nihaona tamin’ny filoha koa ny tale jeneralin’ny orinasa Green Yellow, i Otmane Hajij, ao anatin’ny vondron’orinasa Casino. Misehatra amin’ny angovo maitso ary milaza ny hampitombo ny tetikasany amin’ny fametrahana orinasa momba ny angovo azo havaozina miisa telo izy ireo amin’ity taona 2019 ity. Anisan’izany ilay tetikasa “Ferme solaire photovoltaïque” ao Ambatolampy. Efa manampy amin’ny famokarana herinaratra eto amintsika ny fisian’io orinasa mpamokatra angovo avy amin’ny herin’ny masoandro miorina ao Ambatolampy io.Famoronana asa sy fanofanana arakasa  Ankoatra izany, nihaona tamin’ny filoha lefitry misahana ny toekarena sy ny asa eo anivon’ny Filankevi-paritry Île de France na Conseil regional d’Île-de-France”, i Jérôme Chartier, ny filoha. Anisan’ireo manampahaizana manokana momba ny famoronana asa sy ny sehatry ny fiofanana momba ny asa ny tenany. Vitany ny nametraka Ivontoerana fampiofanana momba ny asa isaky ny sekoly na fianarana tao anatin’ny 20 volana. Anisan’izany ireo tany miteny frantsay. Isan’ny nanome tanana tamin’ny fampitomboana ny tahan’ny fanofanana ny tsy anasa tao anatin’ilay drafitra antsoina hoe: “500 000 formations”, nandritra ny governemantan’i Hollande, izy io. Anisan’ny nanavao ny rafitry ny politika momba ny fanampiana mivantana ny orinasa koa i Jérôme Chartie. Efa ben’ny Tanànan’Antananarivo ary mahay tsara ny Region Île de France (Rif) koa ny filoha Rajoelina. Nisy ny tetikasa niarahan’ny CUA tamin’ny Rif tamin’izany fotoana izany ka hatramin’izao. Miompana amin’ny fampananana asa izany ary tena tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny filoha sy ny vina IEM. Efa tafiditra amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana.Synèse R.L’article Fiaraha-miasa amin’i Frantsa: nahazo tohana avy amin’ny AFD ny fanatsarana ny fanabeazana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Sambava: tratra ireo jiolahy nanapoizina tanàna

Saron’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Sambava tao Belaloana Ambodiampana, Sambava, ireo tambajotran-jiolahy nanapoizina tanàna amin’ny fanafody valium. Nambaran’ny zandary fa mody mitety tanàna ry zalahy ary mitondra karazana entana toy ny ranomanitra hamidy ary miaraka maromaro. Ny fomba fiasany, ny sasany mandresy lahatra ireo olona mitangorona, ny hafa kosa manararaotra mihodina any an-trano mandraraka fanafody mahery vaika ao anaty sakafo ahandroina na rano fisotro. Lasa ry zalahy ary miverina rehefa hariva satria amin’izay efa torana tsy mahatsiaro tena ny iray trano ka manararaotra mandroba ny vola sy ny lavanila ary ny firavaka sarobidy ao an-trano. Tokantranona raim-pianakaviana iray no tratra, saingy tsy mbola nisakafo na nisotro rano izy ka afaka nampandre ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona. Nandeha ny fikarohan’ny zandary ka tratra ny jiolahy ka nanondro ny namany roa. Hita tao an-tranon’izy ireo ny basy vita gasy sy ireo fitaovana hafa ary ny fanafody fampatoriana olona.J.CL’article Sambava: tratra ireo jiolahy nanapoizina tanàna a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

FONDATION H- FONDATION AXIAN: Mitady mpahay zava-kanto momba “fresques murales”

Zava-kanto sy fanabeazana. Mitady mpahay zava-kanto mandeha irery na vondrona maniry hanamboatra “fresques murales” ho an’ny ankizy 03 ka hatramin’ny 09 taona ny Fondation H sy ny Fondation Axian. Ao anatin’ny tanjon’ny fiarahamiasa eo amin’ny roa tonta ny fanolorana zava-kanto tsara kalitao ho an’ireo ankizy mba ho liana sahady  amin’izany izy ireo manomboka  eo amin’ny fidirany an-tsekoly  voalohany, ny fampitomboana ny fampahafantarana ireo mpahay zava-kanto Malagasy  eo anivon’ny sekoly  sy ny fiarahamonina.  Nisokatra tamin’ny 05 oktobra 2020 ny fandraisana ny antonta-taratasin’ny mpifaninana ary hifarana ny 23 oktobra 2020. Mombamomba ilay mpifaninana, dosie mirakitra ireo asa vita taloha, ny tetibidin’ny asa fanamboarana no dosie ilaina amin’izany. Hanamboatra “fresques murales” eny amin’ireo sekolim-panjakana ambaratonga fototra eny Ambodiafontsy, Antetezanafovoany I, Antanimena II, Soaniadanana Sabotsy Namehana, Ambohinaorina Sabotsy Namehana, ary eny amin’ny Centre  Akany Iarivo  Mivoy  Anosizato ireo mpahay zava-kanto voaray. Nirina R. Cet article FONDATION H- FONDATION AXIAN: Mitady mpahay zava-kanto momba “fresques murales” est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article FONDATION H- FONDATION AXIAN: Mitady mpahay zava-kanto momba “fresques murales” a été récupéré chez Délire Madagascar.

News - News Mada

Fahafatesan’ilay CB-n’ny zandary: hanao hazalambo koa ireo dahalo ny senatera Lylison

“Raisonareo tanteraka ny andraikitrareo zandary fa tsy avelantsika ho fatifaty foana ny namantsika. Hidina any (any Befandriana Avaratra io) ny tenako hanampy anareo amin’ny traikefa ananako momba ny ady amin’ny asan-dahalo. Ho anareo dahalo, mialà tao ianareo fa ho avy izahay ary tsy maintsy azonay ianareo na ho aiza na ho aiza”, hoy ny senatera Lylison de René, omaly teny Betongolo, nandritra ny lanonana fanaovam-belona ara-miaramila ny CB-n’i Befandriana Avaratra. Nahitsy ary niantso ireo mpitandro filaminana namany hamongotra hatramin’ny fakany ny asan-dahalo izy. Nilaza izy fa tsy mangalatra foana ny dahalo raha tsy misy ny patron’aomby mpandray ireny omby halatra ireny. Tambajotra goavana mihitsy izy ireo ary efa samy manana ny lalany ny omby. “Tsy mora ny famongorana io asan-dahalo io satria misy vola amina miliara mihodina ao ambadik’io halatra omby io. Isaorana etoana ny fitondram-panjakana fa efa ao anatin’ny vinan’ny filoha Rajoelina ny famongorana ny asan-dahalo. Azo antoka fa hiakatra ny toekarentsika raha foana io asan-dahalo io”, hoy izy. Nanamafy koa ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Léon Richard, fa manao ny ataony tokoa ny asan-dahalo ary misy ny asan-dahalo. Nisy ireo zandary namoy ny ainy kanefa tsy maintsy miroso hatrany isika ato amin’ny Foloalindahy. Rehefa manao asany anefa ny mpitandro filaminana, miakatra indray ireo dahalo ambony latabatra mandemy saim-bahoaka sy mpitandro filaminana.Jean ClaudeL’article Fahafatesan’ilay CB-n’ny zandary: hanao hazalambo koa ireo dahalo ny senatera Lylison a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Sokatra sy varika

Hamoaka naoty handrara ny famonoana an’ireo sokatra sy varika ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra. Toy izany koa ny fitrandrahana ala nefa tsy arahina fanoloana an’izay tapaka, izany hoe amin’ny alalan’ny fambolen-kazo. Ireo no nivohitra nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny karazan-java-manan’aina teny Ambatobe omaly L’article Sokatra sy varika est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

Star-Fondation Coca-cola: fanampiana “Coke Hiray vatsy”
23/11/2020

Orinasa tompon’andraikitra sady mitsinjo ny maha olona ny Star, miaraka amin’ny fikambanana sosialy Fondation Coca-cola. Anisan’izany ny fitsinjovana ny vahoaka tena sahirana, vokatry ny Covid-19. Natao, ny zoma 20 novambra teo teny Anosizato, ny fizarana fanampiana “Coke Hiray vatsy” ho an’ny fianakaviana sahirana ao amin’ny boriborintany fahefatra, niarahana amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).Nahazo ity fanampiana santatra ity ny eny Ankazotoho, Anosimahavelona, Anosibe Andrefana I, Anosibe, Angarangarana, i Mandrangobato I, i Mandrangobato II, Anosizato Andrefana II ary i Madera Namontana. Miisa 1 150 ny vatsy nozaraina, nahitana vary, tavoahangy menaka 1l, savony lava 1, ronono mandry 1 boaty, siramamy 1 kg, voamaina 3 kg ary Coca-cola 150 sl.Tohin’ny fitsinjovana sosialy sy maha olana (RSE) efa natao hatramin’ny fiandohan’ny taona 2020 ity hetsika ity. Anisan’izany ny fanampiana fitaovana ny minisiteran’ny Fahasalamana niatrehana ny Covid-19. Teo koa ny fizarana rano fisotro ho an’ny vahoaka tratry ny mosary any atsimo.Njaka A.L’article Star-Fondation Coca-cola: fanampiana “Coke Hiray vatsy” a été récupéré chez Newsmada.

Fizarana vaovao momba ny herisetra: ilaina fitandremana ny teny sy ny sary ampiasaina
18/11/2020

Nifarana omaly ny fiofanana natokana ho an’ny mpanao gazety 20 teto an-dRenivohitra momba ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy, ny miralenta ary ny fiarovana ny ankizy amin’ny fanararaotana mamoafady.Nikarakara ny fiofanana nandritra ny roa andro teny Antaninarenina ny fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety sy ny Unicef. Efa ela no nanomana ity fiofanana ity ny Unicef izay mifandraika koa amin’ny hetsika 16 andro (25 novambra-10 desambra) hivoizana ny hafatra mifandraika amin’ny ady ho fanafoanana ny herisetra atao amin’ny vehivavy, hoy ny tomponandraikitry ny miralenta ao amin’ny Unicef, Rossella Albertini, omaly. Nohamafisiny fa tena ilaina ny mpanao gazety hivoy ny hafatra sy hanabe ny vahoaka indrindra ao anatin’izao fotoana mampirongatra ny fanolanana eto Madagasikara izao.Manana andraikitra hampahafantatra ny zava-misy ny haino aman-jery nefa mila mitandrina amin’ny teny sy ny sary ampiasaina tsy hiteraka fanilikilihina ho an’ilay olona niharan’ny herisetra (fanolanana) na koa ny fianakaviany akaiky. Tsy voatery hifantoka amin’ilay olona niharan’ny fanolanana hatrany ny fototry ny vaovao omena ny mpamaky sy ny mpihaino fa zava-dehibe ny fizarana ny fisian’ny lalàna mifehy ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy sy ny fisian’ny foibe Vonjy sy ny sampana BFP afaka mandray an-tanana. Manampy ny foibe koa ny laharana maitso maimaimpoana 813 sy 417 ahazoan’ny daholobe mitoroka ny trangana herisetra.Vonjy A.L’article Fizarana vaovao momba ny herisetra: ilaina fitandremana ny teny sy ny sary ampiasaina a été récupéré chez Newsmada.

Violences à l’égard des filles et des femmes : 4 jours de réflexion au Centre Arrupe Madagascar
25/11/2020

Trouver des actions efficaces afin de lutter contre la violence faite aux filles et aux femmes, relève maintenant de l’urgence.   Face aux nombreux cas de violences à l’égard des filles et des femmes, particulièrement médiatisés ces derniers temps, il urge de réduire, voire d’éliminer ce fléau qui anéantit des vies entières, suite aux traumatismes physiques, psychologiques et sociales causés par ces violences. C’est ainsi que se tient, à partir de ce jour, et durant quatre jours (du 25 au 28 novembre 2020) au Centre Arrupe Madagascar sis dans l’enceinte de l’ECAR Faravohitra, un atelier de réflexion avec les premiers acteurs en contact avec les victimes, mais également les institutions spécialisées, afin d’identifier les origines et les causes des violences à l’égard des filles et des femmes. Ce, en partant des expériences de prise en charge des victimes et de leurs familles, des leçons tirées des mécanismes de prévention et de gestion des violences de ces acteurs.   Participants. Plusieurs entités, institutions expertes et société civile, figurent parmi les participants à cet atelier de réflexion : magistrats spécialisés, ministère de la Population, de la Protection sociale et de la Promotion de la Femme, ministère de la Justice, UNICEF, brigade Féminine de proximité, centre d’accueil et acteurs religieux, MenEngage Madagascar, Commissaire divisionnaire de police, doctorants et psychothérapeute. « L’objectif est de mettre à l’écrit des orientations nouvelles à soumettre aux décideurs politiques et sociaux, aux acteurs de développement et aux églises », souligne alors le Centre Arrupe Madagascar, hôte de ces journées de réflexion. Rappelons que Madagascar a déjà adopté la Stratégie Nationale de  la Lutte contre  la Violence Basée sur le Genre (VBG) avec  l’appui de l’UNFPA, et en parallèle l’UNICEF a soutenu la Stratégie Nationale de lutte contre les mariages des enfants pour l’année  2017-2024.   Débat de fond. Cet atelier de réflexion sera alors un espace où s’ouvrira un débat de fond avec toutes les forces vives de la nation. L’actuelle explosion du nombre de cas, rapportés dans les médias, met l’opinion publique face à une triste réalité, tandis que les statistiques du ministère de la Justice dénonce 1 cas de viol par jour en moyenne cette année, jusqu’au mois d’octobre, et 750 cas de viols répertoriés en 2019 avec 16 cas de décès. Ces dernières semaines, on assiste à une explosion du nombre de cas de violences, de viols sur mineures, voire sur des bébés, marquant les lacunes du système de protection des victimes de violences. Hanitra R. L’article Violences à l’égard des filles et des femmes : 4 jours de réflexion au Centre Arrupe Madagascar est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Violences à l’égard des filles et des femmes : 4 jours de réflexion au Centre Arrupe Madagascar a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fiatrehana fifidianana  : voarara ny fampielezan-kevitra ataon’ny mpiasam-panjakana   
24/11/2020

“Tsy azon’ny mpiasam-panjakana, sivily na miaramila, na ny mpiasan’ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, atao ny manao fampielezan-kevitra hampandaniana kandidà iray, na hampiely sary famantarana na kabary amina fampielezan-kevitra.”Io ny fanazavan’ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Rakotondrazaka Fano, momba ny fanaovana fampielezan-kevitra amin’izao fifidianana loholona izao, araka ny And. 57 amin’ny lalàna fehizoro mifehy ny fifidianana.Ao anatin’izao fotoan’ny fampielezan-kevitra izao, tsy azo atao koa, ohatra, ny fitokanana ofisialy rehetra sy ny filazana goavana ataon’ny fitondram-panjakana sy ireo vondrombahoaka itsinjaram-pahefana mety hanome tombondahiny antoko politika na kandidà.Tsy azo atao koa ny mampiasa fitaovam-panjakana toy ny fiara sy ny tranom-panjakana ary ny fahefam-panjakana anaovana fampielezan-kevitra hampandaniana kandidà iray.Manao fanaraha-maso ny Ceni“Rehefa misy ny fanairana aty amin’ny Ceni, mampamerina amin’ny laoniny izay heverina ho fihoaram-pefy ny ataon’ny Ceni voalohany indrindra”, hoy izy momba ny fanaraha-maso izay fanaovana fampielezan-kevitra izay.Ny amin’ny fametrahana ny peta-drindrina no hany fahefan’ny Ceni amin’izao. Raha amin’ny toerana tsy tokony hametahana azy izany, mampitandrina hampamerina amin’ny laoniny ny Ceni. Azony atao ny mampandoa vola ny kandidà mandika lalàna. Mba hahazoan’ny Ceni mampiasa izay vola izay amin’ny fanalana izay peta-drindrina izay.R.Nd.L’article Fiatrehana fifidianana  : voarara ny fampielezan-kevitra ataon’ny mpiasam-panjakana    a été récupéré chez Newsmada.

“Ambohimalaza Time Attack 1.0”: tompondaka izay manana fe-potoana ambany indrindra
25/11/2020

Mihazakazaka ny fisoratana anarana handray anjara amin’ny Ambohimalaza Time Attack 1.0. Fifaninanana natokana ho an’ireo moto matanjaka “grosses cylindrées”, hatao ny alahady 29 novambra, ho avy izao. Tsy ho ela dia ho feno tanteraka ny 50, fetrisa amin’ity fihaonana ity.Nambaran’ny mpikarakara fa ho tompondaka izay manana fe-potoana ambany indrindra. Amin’ny maha adim-pamantaranandro ity Ambohimalaza Time Attack 1.0 ity, fotoana no henjehin’ireo mpifaninana rehetra. Raha ny endriky ny hazakazaka, hisy aloha ny andrana mandritra ny adiny iray ka malalaka ny fanatontosan’ny mpifaninana rehetra izany. Rehefa tapitra ny fotoana, misy dingana roa, hakana ny fe-potoana na “essai chrono” ka mandeha tsirairay ireo mpandray anjara, izay mielanelana 1 mn ny fiaingan’ny tsirairay. Mandeha miakatra manomboka eo Ambohimalaza mihazo an’Imerinkasinina, izay misy halavirana, 4, 03 km izany.Handrombaka ny amboara ny mpifaninana manana fe-potoana kely indrindra. Tsiahivina fa mizara ho sokajy fito ireo mpifaninanana ka misy ireo hifaninana ao amin’ny Chopper, ny ao amin’ny Trail sy ny Maxiscooter, ny Super motard, ny Roadster, ny sportive ary ny Custom Vintage.Mpikarakara ity hetsika “Ambohimalaza Time Attack 1.0” ity ny X’Inov créateur d’impact sy ny Bira Moto Club ary ny Moto Club Mada, izay eo ambany fiahian’ny federasiona malagasy ny motocyclisme (FMaM), izy ity.Torcelin L’article “Ambohimalaza Time Attack 1.0”: tompondaka izay manana fe-potoana ambany indrindra a été récupéré chez Newsmada.

Agriculture : 120 000 dollars offerts par la BAD aux gagnants du concours AgriPitch
24/11/2020

La BAD encourage l’entreprenariat dans le secteur de l’agriculture. Le développement agricole pour l’autosuffisance alimentaire figure parmi les grands défis que la BAD (Banque africaine de développement) compte relever. C’est dans ce cadre que cette institution a organisé le concours pour les entrepreneurs agricoles. 120 000 dollars américains ! C’est ce qu’ont reçu les trois entrepreneurs du secteur de l’agriculture, récompensés par la BAD à l’issue du concours AgriPitch. Bien que les start-ups malgaches brillent parfois dans ce genre de concours, aucun entrepreneur de la Grande île n’a remporté le prix, pour cette fois. « La première lauréate, Kenyane, est fondatrice d’une entreprise de transformation du manioc. Les deux autres sont Nigérians, l’un cofondateur d’une start-up de transformation des aliments par les nouvelles technologies, l’autre propriétaire d’une entreprise d’approvisionnement alimentaire auprès de petits exploitants agricoles », a déclaré la BAD, organisatrice du concours. A noter qu’AgriPitch a permis à de nombreux jeunes entrepreneurs agricoles du continent de présenter leurs projets à un groupe d’experts et d’investisseurs, qui a sélectionné des lauréats classés dans trois catégories notamment la catégorie des Startups, des Startups matures et la catégorie des Entreprises dirigées par des femmes. « J’étais tellement contente à l’annonce de mon nom ! », a réagi Elizabeth Gikebe, fondatrice de « Mhogo Foods » au Kenya, qui a remporté le prix de 20 000 dollars américains dans la catégorie des entreprises dirigées par des femmes. Ravie de n’avoir pas baissé les bras, Elizabeth Gikebe avait déjà présenté « Mhogo Foods » aux éditions 2018 et 2019 d’AgriPitch. Son entreprise apporte de la valeur à la production de manioc en transformant les tubercules pour en faire de la farine, des en-cas au manioc (repas léger) et des aliments pour animaux sans gluten. « C’est avec beaucoup de persévérance qu’on arrive à obtenir ce qu’on recherche. C’est bien la preuve que tout arrive au temps qui lui est propre », a-t-elle déclaré. Mode virtuel. Pour faciliter la participation de tous, le concours a été organisé de façon virtuelle dans le contexte de la pandémie de Covid-19. Il a enregistré plus de 2 500 candidatures et 605 propositions en provenance de trente pays africains. Au total, 25 finalistes de douze pays ont été retenus. Les finalistes ont participé à un campus de deux semaines sur le développement des affaires, puis les neuf premiers ont obtenu une ultime chance de faire valoir leur projet devant un jury en ligne composé d’experts et d’investisseurs. « On éprouve toujours une grande satisfaction lorsqu’on est choisi parmi une telle panoplie d’entreprises », a confié Ikenna Nzewi, lauréat dans la catégorie « Start up », qui représentait Releaf , une société technologique de pré-transformation d’aliments. Créée par des diplômés nigéro-américains des universités du MIT, de Yale et Duke et implantée à Uyo, au Nigeria, Releaf envisage de réserver son prix de 20 000 dollars à des investissements futurs. Pour Femi Aiki, PDG de Foodlocker, lauréat du prix de 40 000 dollars dans la catégorie des Start-ups matures, ce financement de démarrage donne « un bon coup de vent dans les voiles » de son entreprise, soutient les petits agriculteurs en leur procurant des technologies pour produire des aliments comme les tomates et le poulet. « Avec ce prix, nous pourrons nous permettre d’acheter plus d’intrants. Nous disposons maintenant des fonds pour faire appel à davantage d’experts dans les chaînes de valeur qui peuvent soutenir les petits agriculteurs plus excentrés. Cet argent aidera l’entreprise à obtenir de bons résultats », a-t-il expliqué. Bref, pour la BAD, ce concours vise à encourager l’entreprenariat dans le secteur de l’agriculture, pour capitaliser les grandes opportunités qui se présentent en termes d’avantages comparatifs dont bénéficient de nombreux pays africains comme Madagascar. Antsa R. L’article Agriculture : 120 000 dollars offerts par la BAD aux gagnants du concours AgriPitch est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Agriculture : 120 000 dollars offerts par la BAD aux gagnants du concours AgriPitch a été récupéré chez Midi Madagasikara.

RFC andiany faha-15: hetsika vaovao ny « Cinemalagasy an-kalamanjana »
20/11/2020

Mitondra zava-baovao hatrany ny mpikarakara ! Tao anatin’ny taona maro nisiany, tany anaty efitrano no nanatontosana ny ankamaroan’ny fandaharam-potoana tontosaina mandritra ny « Rencontres du film court » na ny RFC. Amin’izao andiany faha-15 izao, niova sy nohatevenina izany. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Rozifilms sy ny orinasa Orange Madagascar ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, hisy ny « Cinemalagasy an-kalamanjana ». Niombom-peo ny telo tonta fa ilaina ny fampanatonana ny sarimihetsika ho eny anivon’ny fiarahamonina malagasy. Halefa any anivon’ny boriborintany eto Antananarivo Renivohitra ireo sarimihetsika sasany mandray anjara amin’ity EFC andiany faha-15 ity mba hahafahan’ny Malagasy miaina sy mahafantatra ny dingana efa vita sy ny mbola hatrehin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy. Goavana rahateo ny lohahevitra nofidin’ny tompon’andraikitra satria mifandraika amin’ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny fanabeazana maha olona. Afaka hampitana hafatra haingana sy mahomby ihany koa ny sarimihetsika ka mora raisin’ny olona ny zava-boalaza sy asehony. Ny 21 novambra ao amin’ny EPP Antanimena I sy ny 22 novambra izao, eny amin’ny EPP Manjakaray II B, samy amin’ny 5 ora sy sasany hariva no handefasana ny « Cinemalagasy an-kalamanjana ».Marihina fa, anio, ao amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM), etsy Analakely, manomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva no hanokafana ny fifaninanana sy ny fanentanana ao anatin’ny “Rencontres du films court” andiany faha-15.HaRy Razafindrakoto L’article RFC andiany faha-15: hetsika vaovao ny « Cinemalagasy an-kalamanjana » a été récupéré chez Newsmada.

Ambatofinandrahana : Kidnapping et prise d’otage
20/11/2020

Enlevé dans la nuit du 10 au 11 novembre par des bandits armés, l’enfant d’un homme réputé du village de Malaindromisotra a été relâché cinq jours plus tard. Selon son père, l’enfant kidnappé est rentré à la maison sain et sauf. « Il a été libéré par ses ravisseurs en fin de journée dimanche dernier, dans un endroit situé au sud-est d’Ambatofinandrahana », a expliqué ce dernier. Les limiers de la gendarmerie ont aussitôt ouvert une enquête. Toujours dans le chapitre du banditisme, une autre attaque à main armée suivie d’un enlèvement a eu lieu à Andonabe-Mananjary dimanche dernier, vers 21 heures. Sept malfrats non identifiés et armés de fusils de chasse et de deux armes de fabrication locale ont investi, tour à tour, deux domiciles. Ils ont ouvert le feu durant l’acte. Heureusement, personne n’a été tué ni blessé durant cette double attaque, a rapporté la gendarmerie. Un téléphone portable, 180 cartes de recharge de crédits de 1 000 ariary et un somme de 300 000 ariary ont été emportés par les bandits. Ces derniers ont pris la fuite vers le fokontany d’Androrangavola-Andonabe et sont, depuis, introuvables. Ils ont pris comme otage un dénommé Mbelo qui leur servait aussi de guide. Mbelo a été libéré quelques kilomètres plus loin. Selon son témoignage, les bandits ont pris la direction d’Irondro en empruntant l’axe RN12. La gendarmerie a lancé une course poursuite pour tenter de mettre la main sur les bandits, en vain. Les chefs des forces de sécurité se sont réunis pour mettre en place une cellule d’opération et de sécurité (OPS). Ordre a été donné aux éléments d’intensifier la collecte des renseignements permettant d’identifier les auteurs de ces actes de banditisme en série. Yv Sam L’article Ambatofinandrahana : Kidnapping et prise d’otage est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Ambatofinandrahana : Kidnapping et prise d’otage a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Nilatsaka ny baiko ho an’ny mpitandro filaminana: hihamafy ady amin’ny asan-dahalo sy ny fiparitahan’ny basy
18/11/2020

Nanantanteraka fivoriana fahatelo tamin’ny alalan’ny « visio-conférence » ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena manerana ny Nosy, omaly. Nitarika izany ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria. Niditra nivantana ihany koa ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena. Voalaza tao anatin’izany ireo toromarika nomen’ny OMC, indrindra ireo fepetra horaisin’ny Zandarimariam-pirenena amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany; ny ady amin’ny halatr’omby sy ny asan-jiolahy, ny fiparitahan’ny basy mampirongatra asan-dahalo sy ireo mpimasy, ny firongatry ny zava-mahadomelina; ny fiarovana eny amin’ny lalam-pirenena, ny fitantanana ireo mpiasan’ny Zandarimaria; ny fankasitrahana sy ny fampirisihana ireo zandary nahazo vokatra tsara.Handray andraikitra mialoha ny fifidiananaEo koa ny fampitaovana ireo toby sy zandary eny an-tsehatra; ny fandriampahalemana sy ny filaminam-bahoaka mandritra ny fifidianana senatorialy; ny hetsika fambolen-kazo sy ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny ady amin’ny doro tanety; ny fanohizana ny ady amin’ny fianahan’ny Coronavirus; ny fanofanana asa ireo zandary ary ny fanamafisana fitrandraham-baovao ara-potoana. « Handray andraikitra izahay mialoha ny fifidianana. Atao ihany koa ny hampilamina ny tany sy ny fanjakana », hoy ny lahatenin’ny Jly Ravalomanana Richard. Nambarany fa misy ireo sokajin’olona hanao izay tsy hahatanteraka ny fifidianana. Na koa mikasa ny hanakorontanana izany. Manoloana izany, nilaza handray andraikitra feno ny Zandarimariam-pirenena hisorohana ny korontanana. Henintsoa HaniL’article Nilatsaka ny baiko ho an’ny mpitandro filaminana: hihamafy ady amin’ny asan-dahalo sy ny fiparitahan’ny basy a été récupéré chez Newsmada.

Basikety – “Afrobasket 2021”: hiala ao Nosy Be anio ny ekipa nasionaly
24/11/2020

Vonona ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny “Afrobasket”. Hanainga anio ny delegasiona hihazo an’i Kigali, Rwanda. Ao anatin’ny heriny tanteraka ireo mpilalao.Anio amin’ny 3 ora sy 35 mn no hiainga ao Nosy Be ny sidina hitondra ny delegasiona malagasy hihazo an’i Kigali, Rwanda, hiatrika ny dingana faharoa amin’ny fifanintsanan’ny “Afrobasket”. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, ao anatin’ny hery sy ny tanjaka tsara avokoa ireo mpilalao rehetra, efa niatrika fanazarantena avy hatrany ny alahady hariva raha vao tonga tany Nosy Be, sady nizatra ny toetr’andro. Nitohy omaly izany fanazarantena izany,  tamin’ny 7 ora hatramin’ny 9 ora maraina, sy tamin’ny 4 ora tolakandro hatramin’ny 6 ora hariva. Mialoha ny niaingana, mbola niatrika fanazarantena ny ekipam-pirenena tamin’ny 7 ka hatramin’ny 9 ora maraina ary tamin’ny 12 ora antoandro teo no nihazo ny seranam-piaramanidina ny delegasiona. Mahakasika an’i Rija, mpilalao mila ravinahitra any Frantsa indray, hanainga anio izy ka any Addis Abeba ny hihaona amin’ny delegasiona avy aty Madagasikara avy eo mamonjy an’i Kigali, Rwanda. Tsiahivina fa hanomboka ny 27 novambra izao ny fifaninanana ka ny ekipam-pirenen’i Tonizia ny hifanandrina voalohany amin’ny ekipan’i Tojo. Ny ampitson’io indray, hihaona amin’ny ekipam-pirenena Centrafricaine ary ny fifanandrinana amin-dry zareo RDC ny hamarana ny fifaninanana mandroso. Amin’ny volana febroary kosa ny hanatanterahana ny lalao miverina, izay tsiahivina hatrany fa mahazo ny tapakila hiatrehana ny dingan’ny famaranana amin’ny “Afrobasket 2021” ireo ekipa telo voalohany isaky ny vondrona, izay hatreto, manana ny herijika handehanana amin’izany ny ekipam-pirenena malagasy. Mi.RazL’article Basikety – “Afrobasket 2021”: hiala ao Nosy Be anio ny ekipa nasionaly a été récupéré chez Newsmada.

Firarazana-Ankazobe: sprinter nivadibadika, iray maty, telo naratra mafy
23/11/2020

Nandriaka indray ny ra! Nitrangana lozam-piarakodia mahatsiravina teny amin’ny RN4 PK 126+100 tao Firarazana, fokontany Kiva, kaominina sy distrikan’Ankazobe, ny asabotsy tolakandro teo.Raha ny tatitra nampitain’ny Zandarimaria nanao fanadihadiana teny an-toerana, taksiborosy avy any Mahajanga nikasa hihazo an’Antananarivo ity nivadibadika nivoaka ny lalana ity. Vokany, maty teo no ho eo ny mpamily sady tompon’ny fiara raha mpandeha telo hafa naratra mafy ka nentina haingana notsaboina ao amin’ny hopitalin’Ankazobe. Voalazan’ireo mpandeha sasany tao anaty fiara fa nandeha mafy ity taksiborosy Sprinter ity ka ahina ho tratran’ny torimaso fotsy teo ambony familiana ny mpamily, hany ka tsy nahafehy lalana intsony fa nivadika tafahanika tamin’ny sisin-dalana ny fiara. Mafy ny dona nahazo ilay fiara taksiborosy ka simba ny vatan’ny fiara iray manontolo. Nanamafy ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena fa vao eo an-dalam-panorenana ny toerana fitoniana sy fakana aina ny fanjakana amin’izao fotoana izao ka eo Ramala no hametrahana izany. “Ilaina tokoa izany hialana sasatra raha sendra mahatsiaro reraka eny am-pamiliana sy toerana itobian’ireo zandary miaro mitomandavana ny fiara mifamezivezy amin’ny lalam-pirenena. Mialoha ny hitsanganan’izany anefa, manentana antsika hanaja ny lalàna mifehy ny fitaterana olona”, hoy ny zandary.J.CL’article Firarazana-Ankazobe: sprinter nivadibadika, iray maty, telo naratra mafy a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-miasan’ny CUA sy ny Positive Planet: nahazo roa hetsy Ariary avy hanaovana tetikasa ireo sahirana
23/11/2020

Nanolotra mari-pankasitrahana ireo nahavita fiofanana miisa 96 tetsy amin’ny tranompokonolona Analakely ny ben’ny Tanàna an’Antananarivo, ny zoma teo. Niompana amin’ny sosialy, fampahafantarana ny “Centre ilaiko” na ny “Centre d’accès sociale” (CAS) amin’ny fanatonana ny foibe raha misy iharan’ny herisetra eny amin’ny fiarahamonina izany. Eo koa ny fihainoana sy ny fanohanana hevitra ary ireo olana amin’ny ankizy tsy miditra fianarana…Momba ny toekarena kosa, fanofanana ny fanandratana ny maha olona ary ny fijerena sy ny fisafidianana ny asa manavanana azy ireo. Hahazo tohana roa hetsy Ariary avy ireo nahavita fiofanana, amin’ny alalan’ny ONG Positive Planet. Nandray anjara tamin’izany fiofanana izany ny RF2 sy ireo notsongaina manokana nanatona ny CAS sy ny teny anivon’ny fokontany.Tsiahivina fa tafiditra amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny CUA sy ny ONG Positive Planet International ny fampiofanana tahaka izao. Ny fanampiana ny fitaovana amin’ny fanatanterahana ny asa, ny fanohanana ny fihariana, ny fanolorana vola, hanangana tetikasa madinika, manavanana ny tsirairay. Tafiditra amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ireo fianakaviana sahirana ary ny fanabeazana ara-bola.Nampahery ireo tsy manan-kialofana i NomceboAnkoatra izany, nitsidika ny Akany Iarivo Mivoy Anosizato, tantanan’ny CUA, ilay mpanakanto avy atsy Afrika Atsimo, i Nomcebo (Jerusalema), omaly. Nandray azy ny ben’ny Tanàna mivady, Andraintsitohaina Naina, sy ny Fondation Axian.Nampifalifaly ireo tsy manan-kialofana teny an-toerana ny mpanakanto tamin’ilay hira “Jerusalema”. Nandray anjara koa ny ben’ny Tanàna mivady. Nijery ny toeram-ponenan’ireo tsy manan-kialofana izy ary nampahatsiahy fa zanak’olona mahantra sy sahirana. “Niezaka tamin’ny fiainana. Tsy manaiky resy ary miady hatrany amin’ny fiainana fa hahita vokatra tsara. Aoka tsy hirona amin’ny zava-mahadomelina. Ilaina ny faharetana”, hoy izy.Fitsinjovana ireo sahirana noho ny Covid-19Etsy andaniny, nanome tolo-tanana ho an’ireo fianakaviana sahirana miisa 150 etsy amin’ny boriborintany fahefatra, Anosizato, ny Star sy ny Fondation Coca Cola. Tafiditra amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny CUA izany, ho fiahiana ireo sahirana eny anivon’ny fokontany. Nanatrika izany ny ben’ny Tanàna an’Antananarivo mivady, Andriantsitohaina Naina, sy ny Star, Rambolamanana Seheno. “Fitsinjovana ireo renim-pianakaviana sahirana sy noho ny fisian’ny Covid -19 izany”, hoy izy ireo. Ahitana menaka, ronono mandry, Coca cola, vary, savony ary katsaka sy siramany izao fanomezana izao.Synèse R.L’article Fiaraha-miasan’ny CUA sy ny Positive Planet: nahazo roa hetsy Ariary avy hanaovana tetikasa ireo sahirana a été récupéré chez Newsmada.