MANDA S.A: Azo jifaina mandritra ny FEPA ny vokatra vaovao

News - MANDA S.A:  Azo jifaina mandritra ny FEPA ny vokatra vaovao

News - MANDA S.A: Azo jifaina mandritra ny FEPA ny vokatra vaovao

Anisany mpanohana ny FEPA ny orinasa Manda SA sy ny restaurant Manda Sea Food. Ho hita mandritra ny efatr’andro ireo  hazandranomasina manta, voakirakira araky fenitra iraisampirenena  nahafantarana ny orinasa hatramin’izay. Tsy adino ihany koa ireo nahandro isan-karazany vita avy amin’ny hazandranomasina. Mivoatra hatrany sakafo karakarain’ny restaurant Manda Sea Food ka azo jifaina mandritra ny FEPA 2019 ireo vokatra vaovao, araka ny fanazavan’ny filoha tale jeneralin’ny orinasa, Raherimanana Bakoly.

Sehatra lehibe manome aina ny toekarena malagasy ny jono. Tosika ho an’ireo mpandraharaha amin’ity sehatra ity ny tsenaben’ny fiompiana sy ny jono ary  ny fambolena (FEPA). Lohahevitry ny FEPA andiany faha-11 rahateo ny hoe: “Fototry ny fampandrosoana maharitra ny fiompiana, jono ary  fambolena”.  Nanomboka androany 30 mey 2019 ary tsy hifarana raha tsy ny alahady 2 jona 2019 ny FEPA 2019. Eny amin’ny kianjan’i Makis Andohatapenaka no hanatanterahana izany.

Lynda A.

 

Cet article MANDA S.A: Azo jifaina mandritra ny FEPA ny vokatra vaovao est apparu en premier sur déliremadagascar.

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Ao Raha

TSENABEN’NY NOELY :: Vatan-dehilahy dimy ambin’ny folo karamain’ny mpivarotra hitsikilo mpanendaka

Afaka hiantsena am-pilaminana ireo olona tonga hamonjy ny tsenaben’ny Noely sy ny faran’ny taona, etsy Mahamasina. Efa nandray fanapahan-kevitra manokana ny mpivarotra sy eo anivon’ny Boriborintany fahefatra ny amin’ny fitandroana ny filaminana satria malaza ratsy amin’ ny fisian’ny mpanendaka eny an-toerana, indrindra rehefa ankatoky ny fety toy izao. « Misy vatan-dehilahy dimy ambin’ny folo natao hanara-maso ireo mpiantsena mba hitsikilo ireo mpanendaka sy mpanao harom-paosy. Natao ho fitandroana ny filaminan’ ny mpiantsena izany », hoy Randriamonjy Lantoniaina, lefitry ny ben’ny tanàna eo anivon’ ny Boriborintany fahefatra, omaly. Mivezivezy amin’ny toerana rehetra ireto olona ireto. Tsy miandriandry izy ireo raha mahatsikaritra izay tsy fanarahan-dalàna izay fa afaka manatona ary mitondra ireo olon-dratsy eny anivon’ny mpitandro filaminana. Ny vola aloan’ny mpivarotra isan’andro no voalaza fa hakana ny karaman’izy ireo. Vitsy olona Araka ny fanazavana hatrany, efa tamin’ny 7 desambra lasa teo no nanomboka ny tsenaben’ ny Noely, eny Mahamasina. Amin’ny 31desambra izany vao hifarana . Manodidina ny enina ambin’ny folo sy roanjato ireo mpivarotra nanoratra anarana handray anjara amin’izany. Na izany aza, mbola ahitana toerana banga vitsivitsy ao anatin’ny tsena. Tsy mbola tonga maro ihany koa ireo mpividy hatramin’ny omaly. “Nohalavaina ny fe-potoana ivarotan’ireo mpivarotra satria mihena ny isan’ireo mpividy noho ny fisian’ny fampielezan-kevitra. Mbola maro ireo mpivarotra no tsy tonga satria tsy mahalala fa efa nanomboka ny tsenabe”, hoy hatrany Randriamonjy Lantoniaina. Nanazava ihany koa ity tompon’andraikitra ity fa handray anjara amin’ny tsenaben’ny Noely ireo mpivarotra amoron-dalana eo Anosy. “Efa nanome alalana ny tompon’ andraikitra ny mba hahafahanay mivarotra ety. Saingy hatao am-pilaminana izany ary tsy natao hanelingelina ny fivezivezen’ny mpandeha”, hoy ny delegen’ny tsena iray eo Anosy. Tsy hivarotra amin’ny tany ireo mpivarotra fa hanaovana trano vy kelikely, hoy hatrany ny avy ao amin’ ny boriborintany. Tsy ny eny Mahamasina ihany fa ahitana tsena toy izany ihany koa ny eny Andravoahangy sy Analakely. L’article TSENABEN’NY NOELY :: Vatan-dehilahy dimy ambin’ny folo karamain’ny mpivarotra hitsikilo mpanendaka est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

«  Etablissement Agréé par l’Etat… »: aoka tsy hatao bambaray… Mila jerena manokana ny zavakanto malagasy

Ilaina ny manara-drafitra. Ilaina ny mivelatra eo amin’ny sehatra lehibe kokoa hatrany. Raha eo amin’ny fampianarana ankapobeny sy teknika, azo lazaina fa efa mipetraka ihany izay rafitra izay. Ho an’ny fampianarana kolontsaina sy zavakanto kosa mbola tena marisarisa sy tsy mbola misongadina loatra ny fananana mazava io rafitra io…Na mbola somary vitsy aza, manomboka miorina tsikelikely eto an-drenivohitra ireo sekoly fianarana zavakanto ambara fa nahazo fankatoavana tamin’ny fanjakana na ny fisiany na ny diplaoma omeny (Etablissement agréé par l’Etat – Diplômes reconnus par la Fonction Publique). Saika sekoly ambaratonga ambony ny ankamaroan’izy ireny. Endrika iray mana-porofo fa mihamivelatra lehibe kokoa hatrany ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto eto Madagasikara. Matoa azo ny fankatoavana tahaka io, manaraka ny fenitra takina ho amin’izany ilay toerana fampianarana (fotodrafitrasa, mpampianatra, fandaharam-pianarana, sns). Faharoa, manana rafitra mazava afaka mankato izany ihany koa ny fanjakana.Tsy tokony hatao bambaray anefa ny zava-misy sy iainan’ny kolontsaina rehetra fa misy tokony  hodinihina akaiky kokoa ny amin’izy ireny. Manana ny zavakanto sy ny kolontsaina mampiavaka azy ny Malagasy. Efa misy ny mampianatra azy ireny. Anisan’izany ny kabary,  ny valiha, ny fanorona, ny fahaiza-mihira (firafitry ny hira sy feo malagasy), ny katro, ny raokandro,  ny fanandroana, ny sikidy, ny fomba amam-panao, sns. Mila rafitra manokana izy ireny mba hahazo fankatoavana amin’ny fanjakana ny fisian’ilay toerana fampianarana sy ny diplaoma omeny. Tsy tokony hatsofotsofoka any anatina toeram-pampianarana mozika lazaina fa « agréé par l’Etat » fotsiny, ohatra, ny fianarana valiha na sodina ka lazaina fa manana diplaoma ankatoavin’ny fanjakana izay mpianatra avoakan’ireny sekoly ireny.Omeo lanja sy hasina ny MalagasyMila rafitra hafa mihitsy hoenti-mankato azy ireny. Tsy sarotra ny manao izany. Rafitra izay hampitodika, na ny Malagasy na ny vahiny any amin’ireny kolontsaina sy zavakanto ireny ka hampisongadina indray ny lanja aman-kasin’ny Malagasy sy i Madagasikara. Tsy olona zara fa mahay mitsoka vava tavoahangy akory no hanome diplaoma ankatoavin’ny fanjakana ho an’ny mpitsoka sodina. Tsy ny mpampianatra valiha tsy mahay akory ireo karazana « velombaliha » no hanome mari-pahaizana ankatoavin’ny fanjakana ny mpianatra nianatra tao aminy satria lazaina fa « agréé par l’Etat » ilay toeram-pampianarana iasany.Omeo lanja sy hasina ny Malagasy. Mila ankatoavin’ny fanjakana ny fahaizan’ny Malagasy ny zavakantony. An’ny Malagasy ny fanorona, ny katro, ny valiha, ny sokela, ny kabary, ny beko, sns, mila ankatoavin’ny fanjakana ireny ary hampahafantariny maneran-tany ny fisiany.… Tsy azo hadinoina fa ilay firoboroboana tafahoatra teo amin’itony antsoina hoe « Etablissemnent agréé par l’Etat » itony no anisan’ny nampihen-danja ny diplaoma sy ny fari-pahaizan’ny mpianatra raha eo amin’ny fianarana ankapobeny. Aleo misoroka toy izay mitsabo mba tsy hianaka any amin’ny fampianarana zavakanto sy kolontsaina malagasy ny tranga tahaka io.Ilaina ny manara-drafitra. Apetrao io rafitra io. Tsy vitan’ny olon-tokana ny fametrahana izany. Ny tsy azo lavina anefa, an’ny Malagasy ireny zavakanto ireny, noho izany,  ny Malagasy no tokony hisikim-ponitra amin’ny fanasoavana ny azy !HaRy Razafindrakoto L’article «  Etablissement Agréé par l’Etat… »: aoka tsy hatao bambaray… Mila jerena manokana ny zavakanto malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tapitra ny fe-potoana: maherin’ny 200 ireo fitoriana tonga eny amin’ny HCC

Ahina hisavovovona ny ao Ambohidahy ao. Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa maherin’ny 200, hatramin’ny omaly, ireo fitoriana sy fitarainana voarain’ny HCC.Misongadina amin’izany ny fitoriana  momba ny fandikan-dalàna nandritra ny fampielezan-kevitra.  Eo koa  ny fihoaram-pefy na  olana sy tsy  fahatomombanana tamin’ny andron’ny fifidianana sy ny fandatsaham-bato, ny 27 mey  teo. “Miisa 190 eo ho eo ireo…  Na izany aza, mbola vitsivitsy, ampolony ny fitoriana voarain’ny HCC momba ny voka-pifidianana”, hoy ny loharanom-baovao. Voalaza fa  tsy mbola ofisialy avokoa  ireo satria omaly tamin’ny misasak’alina ny fe-potoana farany, araka ny lalàna, fe-potoana farany fandraisana izany.Lasa any Luanda ny filohan’ny HCCNanatrika ny Kongresy fahadimy nataon’ny Conférence des juridictions constitutionnelles (CJCA), tany Luanda, Angola, ny 10-12 jona lasa teo, ny delegasion’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), notarihin’ny filohany, Rakotoarisoa Jean-Eric.Anisan’ny nanatrika izany, ohatra, ny mpanolotsaina momba ny lalàmpanorenana sy ny fitsarana ambony afrikanina miisa 41. Teo koa ny mpikamban’ny Fitsarana momba ny lalàmpanorenan’i Brezila sy i Rosia ary i Torkia, izay mpikambana mpanara-maso, ny solontenan’ny Vondrona afrikanina (UA), ny Filankevitra eran-tany amin’ny Fitsarana ny lalàmpanorenana…Mpiantoka ny lalàmpanorenana…Nahatratra 124 ireo mpandray anjara, araka ny fanambaran’ny HCC  navoakany ao amin’ny “Sit-web”-ny, afakomaly. Lohahevitra tamin’izany ny hoe “Ny fitsarana momba ny lalàmpanorenana amin’ny maha mpiantoka ny lalàmpanorenana azy, ny zo fototra ary ny fahafahana fototra”, araka ny fangatahan’ny mpikarakara, ny filohan’ny HCC eto Madagasikara izay nitarika ny fivoriambe fahefatra.Talohan’ny kongresy, nitarika ny fivorian’ny birao mpanatanteraka teo aloha eo anivon’ny CJCA ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Jean-Eric, amin’ny maha filoha lefitra aty amin’ny Ranomasimbe Indianina azy.R Nd. sy Synèse R. L’article Tapitra ny fe-potoana: maherin’ny 200 ireo fitoriana tonga eny amin’ny HCC a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kizo iray ao Analavory: vehivavy ny mpitahiry ny fitaovam-piadian’ireo dahalo

Dahalo valo mianadahy indray voasambotry ny zandary avy ao ami’ny poste avancé (PA) Analavory distrikan’i Miarinarivo, ny alarobia 17 jolay 2019 lasa teo ka vehivavy (mpitahiry  ny fitaovam-piadiana ampiasain’ireo dahalo, miaraka amin’ny odigasy) ny iray amin’izy ireo.Araka ny fampitam-baovao nampitain’ny zandary avy any an-toerana, fokontany roa (Kianjasoa sy Ankaranana) ao amin’ny kaominina Analavory no lasibatr’ireto dahalo miisa valo ka lasan’izy ireo tamin’izany ny omby miisa 30. Tsiahivina fa ny 8 jolay 2019 lasa teo, nahazo antso ny zandary miasa ao amin’ny Poste avancé Analavory fa misy dahalo manafika ao amin’ny fokontany Kianjasoa, kaominina Analavory ka omby miisa 10 no lasan’ireo malaso. Namonjy teny an-toerana avy hatrany ny zandary niaraka tamin’ny fokonolona ka tratra teo amin’ny kizo fiafenany ireo dahalo ka raikitra ny fifandonana. nitsoaka ireo malaso, navelany teo ny omby miisa enina fa ny efatra kosa efa novonoin’izy ireo. Ny 10 jolay lasa teo indray, naharay antso indray ny zandary fa misy dahalo manafika ao amin’ny fokontany Ankaranana Ambodimanga, misy dahalo manafika io tanàna. Lasan’ireo malaso tamin’izany ny omby miisa 20. Nametraka ny paikady rehetra ny zandary ka niroso tamin’ny fanarahan-dia. Natao ny sakana teo amin’ny kizo izay holalovan’izy ireo ary nampandrenesina koa ny zandary avy ao amin’ny poste avancé Ambalanirana.Olona telo nidoboka am-ponja noho ny FIB hosoka…Rehefa nahatazana ny zandary sy ny fokonolona teo amin’ny kizo niafenany ireo dahalo dia raikitra ny fifandonana. vokany, tsy nahatohitra ny zandary ireo malaso ka navelan’izy ireo ny omby miisa 20 ary dahalo iray tratra niaraka tamin’ny basim-borona calibre 12 vita gasy.Nandritra ny famotorana nataon’ny zandary tamin’ity dahalo ity no nahafahana nisambotra ireo namany fito ka vehivavy ny iray izay nambaran’ny zandary fa mitahiry ny fitaovam-piadiana sy mpitazona odigasy. Nohamafisin’ny zandary fa mipetraka eny amin’iny faritra iny ihany izy ireo. Nahitana basim-borona roa hafa kao niaraka tamin’ny bala miisa enina, lefona, odigasy maromaro tao anaty kizo, ankoatra ireo niambozonan’ireo malaso. Mandritra ny hetsika ataon’ny zandary any an-toerana momba ny fijerena ny taratasin’omby (FIB) eny an-tsenan’omby ao amin’ny distrikan’i Miarinarivo, notarihin’ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovana Itasy, ny Kly Ralaikoa Armandin dia maro ireo taratasin’omby (FIB) hosoka ary olona telo no efa naiditra am-ponja ao Miarinarivo. Manentana hatrany ny zandary amin’ny fifanomezan-tanana amin’ny vahoaka mba hahafahana misoroka mialoha ny asan-dahalo toy izao.Jean ClaudeL’article Kizo iray ao Analavory: vehivavy ny mpitahiry ny fitaovam-piadian’ireo dahalo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Distrikan’Ikongo: tsy misy mpividy ny vokatra ravintsara

Nandiso fanantenana ny mpamboly any amin’ny distrikan’Ikongo, faritra Vatovavy Fitovinany, ny fampirisihana azy ireo hamboly ravintsara hanaovana lohamenaka (huile essentielle). Maro ny tantsaha any Ikongo nirotsaka amin’izany, namboly ravintsara amina velaran-tany midadasika, saingy tsy misy mpandray ny vokatra amin’izao fotoana izao noho ny faharatsian-dalana. Naharitra ny fotoana nifantohan’izy ireo amin’izany karazam-boly izany, tombanana ho amina taonina ny vokatra any an-toerana, nefa izao tsy misy mpividy izao. Kivy tanteraka ireo tantsaha.Betsaka anefa ny mitady lohamenaka ravintsara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, mahatratra 200 euros ny 1 kg. Malalaka ny tsena any Eoropa, mila tolotra  hatramin’ny 600 t, saingy zara raha misy ampahany kely amin’izany ny avy eto Madagasikara. Misy ny tambajotra miasa amin’io seha-pihariana io nametraka laharam-pahamehana ny fanaraha-maso sy ny fitrandrahana izany any amin’ny faritra misy azy avy. Ny any Ikongo io mikatso tanteraka io.Mila tohana ireo mpambolySeha-pihariana iray mora ampiasam-bola ny fambolena ravintsara, efa azo alaina izany, iray taona aorian’ny nambolena azy, mitombo avo roa heny hatrany izany isaky ny roa taona, ary maharitra taona maro ny fahavelomany. Manodidina ny 500 hatramin’ny 700 Ar ny kilaon’ny raviny any amin’ny mpamboly. Mila tohana ireo mpamboly ireo manomboka amin’ny fanofanana hatramin’ny fandraisana ny vokatra. Vokatra tsara kalitao ny lohamenaka ravintsara avy eto Madagasikara nefa tsy maharaka ny tinady eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Na eo aza ny ezaka ataon’ny mpamboly sy ny mpandraharaha, tsy hita manampy tosika ny fanjakana miantoka ny fanamboaran-dalana, mampikatso vokatra maro. Sakana iray lehibe ho an’ny fampandrosoana ny asa mandeha ila toy ny any Ikongo io.     R.MathieuL’article Distrikan’Ikongo: tsy misy mpividy ny vokatra ravintsara a été récupéré chez Newsmada.

News - Triatra

«La Cité d’Espérance » : Akamasoa tantaraina amin’ny saripika

Niainga avy amin’ilay boky « La cité d’espérance de Père Pedro», ary vao navoakan’ny trano mpanota boky Rocher vao haingana. Manomboka anio, ary haharitra hatramin’ny 22 desambra izao ny fampirantiana saripika hitantarana ny zava-misy iainana eny amin’ny akamasoa, tanàna natsangan’i Père Pedro hitsinjovana ireo fianakaviana sahirana. Saripika sangan’asan’i Rijasolo, ary ahitana ny asa soratr’ilay mpanoratra frantsay Pierre Lunel, nanoratra io boky io. Hita taratra ao anatin’ireo saripika ireo ny fiainan’ireo mponina ao amin’ny Akamasoa. Tanàna izay nahitana taratra ny fandraisana amin’ny maha olona, ny fametrahana ny firahalahiana, ary ny fifanampiana eo amin’ny samy mpiara-monina. Sady mpaka sary no mpanao fanadihadiana i Rijasolo. Anisan’ireo mpiara-miasa amin’ireo gazety vahiny toa ny Le monde, Jeune afrique, Libération… izy. Mpaka sary an-gazety ao amin’ny AFP, na ny Agence Française de Presse ihany koa. Rijasolo ihany koa no tompomarika tamin’ilay rakitsary « Madagascar, nocturnes » navoakan’ny No Coment, ary sangan’asany ihany koa no mandraka ilay boky « Akamasoa, rêves d’enfants » an’i Père Pedro. Anisan’ny manavanana ilay mpanoratra Pierre Lunel kosa ny fitantarana ny mombamomba ireo olona nitondra ny anjara birikiny, teo amin’ny sehatra ara-panahy sy ny olombelona. Ankoatra ny « La cité d’espérance de Père Pedro », dia asa sorany ihany koa ny « L’insurgé de Dieu » nataony ho an’i Abbé Pierre. Toa izany koa ny « Sœur Emmanuelle, secrets d’une vie » sy ny « Je m’appellera François », izay mitantara ny momba ny Papa François. Nandritra ny lanonana fanokafana ny fampirantiana omaly no nampahafantarana ihany koa io boky io. Hisy kosa ny fihaonana amin’ny mpanoratra Pierre Lunel, rahampitso amin’ny 10 sy sasany maraina, ka hitantarany ny fomba fanorany rehefa mitantara olona toa an-dry Père Pedro. Izy telo mianaka: Rijasolo, Pierre Lunel ary Père Pedro kosa ny 11 desambra izao no hitondra famelabelarana momba ny « Akamasoa ». Miarantsoa L’article «La Cité d’Espérance » : Akamasoa tantaraina amin’ny saripika est apparu en premier sur .L’article «La Cité d’Espérance » : Akamasoa tantaraina amin’ny saripika a été récupéré chez Triatra.

News - News Mada

Andavamamba: saron’ny polisy i Tiana Biby

Mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny polisy “Opération tenue civile”. Tratran’ny polisin’ny Uir teny Andavamamba, ny asabotsy alina teo ny jiolahy raindahiny antsoina hoe i Tiana Biby niaraka tamin’ny namany. Nambaran’ny polisy fa isan’ireo jiolahy raindahiny amin’ny halatra sy fanaovana herisetra atahoran’ny olona mihitsy eny amin’ny faritra Andavamamba iny ry zalahy ireto. Jiolahy  iray antsoina hoe Heriniaina kosa mpanendaka ikoizana eny Analakely, Isotry ary 67 ha izay voasambotry ny polisin’ny Uir teny amin’ny Petite Vitesse. Ny angom-baovao marim-pototra no nahafahan’ireo polisin’ny Uir manao fanamiana sivily namantatra sy nisambotra ireo mpangalatra sy mpanendaka amin’iny faritra mena amin’ny fanendahana iny.Jean ClaudeL’article Andavamamba: saron’ny polisy i Tiana Biby a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Andavamamba: jiolahy iray tratran’ny Sag

Saron’ny polisin’ny Sag sy ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Isotry, afakomaly, ny jiolahy iray. Jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana ary efa nokarohin’ny polisy hatry ny ela ity jiolahy ity, araka ny fanazavan’ny polisy. Polisy nanao fisafoana amin’ny alina no nifanena tamin’ity jiolahy ity ka nirifatra nitsoaka izy raha vao nahatazana ireo polisy. Raikitra ny fifanenjehana ka tratra teny Andavamamba izy taorian’ny fifanenjehana. Nahitana antsy tany aminy nandritra ny fisavan’ny polisy. Nandritra ny famotorana nataon’ny polisy no nahafantarana fa jiolahy efa nifampitadiavana hatry ny ela izy ary maro ireo olona efa nitondra faisana taminy, indrindra ireo eny amin’ny faritra Anosivavaka sy Andavamamba.J.CL’article Andavamamba: jiolahy iray tratran’ny Sag a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Holafitry ny mpitsabo: tsy mazoto  miasa any ambanivohitra ireo dokotera

4 500 ny isan’ny mpitsabo voasoratra ao anatin’ny Holafitry ny mpitsabo eto Madagasikara miparitaka manerana ny Nosy, 4 000 ireo miasa eto Analamanga. Misy anefa ny  olana  sedrain’izy ireo. « Ampy ny isan’ny mpitsabo fa ny fitsinjarana azy hisandrahaka amin’ny faritra rehetra no manahirana, indrindra ho an’ny any ambanivohitra saro-dalana », hoy ny filohan’ny holafitry ny mpitsabo, Andrianasolo Eric, omaly teny Anosy. Mbola maro rahateo ny toerana tsy mandry fahalemana ka tsy mazoto miasa any ny mpitsabo, vokatr’izay.Misandoka  ho  mpitsaboTsy vitsy noho izany ny olona misandoka ho mpitsabo amin’ny faritra lavitry ny tanàn-dehibe. Isan-taona, manodidina ny telo ireo tratra miaraka amin’ny porofo fa misandoka ho mpitsabo nefa tsy manana ny diplaoma sy ny fanamarinana momba ny asam-pitsaboana. Tokony hiezaka hanara-maso sy hitory ireny ny solontenan’ny holafitra isam-paritra hiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka. Tsy tafiditra ao kosa ny mpitsabo nentim-paharazana izay manana lalàna mifehy azy manokana.Natokana ho an’ny Andron’ny mpitsabo eto Analamanga, ny omaly teny Anosy ka nizarana fitaovana « Application amin’ny Android » ho an’ny mpitsabo. Mivoatra hatrany ny fitsaboana ka zava-baovao (tao anatin’ny 10 taona farany) momba ny certificat médical, fanafody ary ny fomba fitsaboana no naparitaka amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao ahafahan’ny mpitsabo manatsara ny asany.Hanangana vaomiera  manokana Nanamarika ny tompon’andraikitra ny minisiteran’ny Fahasalamana, nandritra ny hetsika teny Anosy fa hanangana cellule de crise hitantanana ny asa rehetra, ny fanaraha-maso ny fisorohana ny tsy hidiran’ny aretina Ebola eto Madagasikara. Miara-miasa amin’ny tompon’andraikitry ny fanaraha-maso ny sisin-tany sy ny seranana izy ireo. Nambaran’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikamban momba ny fahasalamana fa hamehana ara-pahasalamana ny ady amin’ny aretina Ebola ka tokony handray fepetra ny firenena rehetra.Vonjy A.      L’article Holafitry ny mpitsabo: tsy mazoto  miasa any ambanivohitra ireo dokotera a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fifidianana depiote: ambany dia ambany ny taham-pahavitrihana

Vita ny latsa-bato amin’ny fifidianana solombavambahoaka. Efa nampoizina? Ambany be ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy…     Nangatsiaka maraina ny faritra maro, omaly? Nangatsiaka koa ny fahavitrihan’ny mpifidy nandatsa-bato tamin’ny fifidianana solombavambahoaka… tontolo andro. Tamin’ny ankapobeny, ambany be ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy. Zara raha nahatratra 10% ka hatramin’ny 20 %, ohatra, izany ny maraina. Alohan’ny nikatonan’ny birao fandatsaham-bato, zara raha nahatratra 30% ny taham-pahavitrihana. Latsaka no ho izany…Tatitry ny fanaraha-maso :  23% ny taham-pahaivitrihana Tsy amin’ny tanàn-dehibe, heverina ho maharaka ny vaovao sy fiainana politika ihany izay taham-pahavitrihana ambany be izay fa saika nanerana an’i Madagasikara. Efa nampoizina? Ny mpanara-maso ny fifidianana toy ny KMF/Cnoe, ohatra, nilaza fa ahina ny taham-pahavitrihana noho ny tsy rariny sy ny tsy fanarahan-dalàna hitan’ny mpifidy tamin’ny fampielezan-kevitra. Fizarana fanomezana sy asa soa, ohatra, no nafitsoky ny kandidà sasany fa tsy fanazavana izay ho tolo-dalàna harosony, raha voafidy izy. Teo  koa ny tatitra nataon’ny Ivon-toerana Safidy amin’ny  fanaraha-maso nataony.  ”23.7% ny fandraisan’anjara hatramin’ny 12 ora atoandro”, hoy izy ireo.Niteraka ny fahalainan’ny mpifidy koa ny andro tsy fiasana somary lava: aleon’ny sasany  maka rivotra?Nisy ny tsy rariny sy ny tsy ara-dalàna…Eo koa ny mbola fisian’ny fitanilana sy ny fiandanian’ny solontenam-panjakana na ny mpiasam-panjakana sasany any ifotony amina kandidà. Teo koa ny fametahana petadrindrina na baranahiny tanteraka. Nefa tsy hitan’ny olom-pirenena loatra izay tena fandraisana andraikitra; eny, na teo aza, ohatra, ny fampitandremana sy ny fanazavana lalàna.Tamin’ny fotoana farany, anisan’ny nampidina ho ambany be ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy koa ny olana amin’ny fisian’ny mpifidy manana kara-pifidianana nefa tsy ao anaty lisi-pifidianana; eny, na nandatsa-bato aza izy tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika, ny taon-dasa. Sahirana nitady ny anarany na ny birao handatsahany vato izy ireo tamin’izany.Nampisaritaka ny mpifidy sasany ny amin’ny hoe tsy manana kara-pifidianana nefa mahazo mifidy rehefa ao anatin’ny lisitra ny anarany ary mitondra karatra na pasipaoro na fahazoana mitondra fiara anamarinana ny momba azy izy. Tsy mahazo mifidy kosa izay manana kara-pifidianana ary ao anaty lisitra nefa tsy mitondra karatra ahazoana manamarina ny momba azy.Ratsy toerana izay voafidy eo..Tena mahasolo tena ny vahoaka ve izay hoe solombavambahoaka voafidy eo amin’izany taham-pahavitrihana 20% izany; eny, na atao hoe 30 % na 40% aza: tsy ampy ny antsasa-manilan’ny mpifidy akory. Hanao ahoana ny fahamarinan-toerana politika eny anivon’ny Antenimierampirenena amin’izany? Amin’izay, ny avy amin’ny tsy miankina no betsaka amin’ireo kandidà 517 raha 345 ny natolotry ny antoko politika. Tsy azo fehezina ary tsy misy mifehy amin’izay hironany ny tsy miankina, raha maro anisa. Hanao ahaona? Ho hita eo…  Efa naneho ny heviny iny ny vahoaka…. tompon’ny teny farany.  Tsiahivina fa  hiovoaka mialoha ny 15 jona izao ny voka-pifidianana vonjimaika eo anivon’ny Ceni.R.Nd.L’article Fifidianana depiote: ambany dia ambany ny taham-pahavitrihana a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Notsongaina

Ranesa Firiana: “Mametra-pialana na hatolotra indray ny praiminisitra” 

“Fomba fanao politika vaovao izay tokony hipetraka eto Madagasikara: rehefa vita ny fifidianana solombavambahoaka, manolotra anarana vaovao ho praiminisitra ireo manana ny maro anisa.”Io no fanazavan’ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, momba ny fametraham-pialana na tsia hataon’ny praiministra amin’ny fijoroan’ny Antenimierampirenena vaovao. Misy ny fametraham-pialan’ny praiminisitra am-perinasa. Avy eo, mety hatolotra indray izy ary hotendren’ny filohan’ny Repoblika. Na mety misy olon-kafa hatolotry ny vondrona politika manana ny maro anisa vaovao eo anivon’ny Antenimierampirenena.“Fomba amam-panao demokratika tokony hianarantsika eto Madagasikara izay. Satria efa foto-pisainana vaovao napetraky ny lalàmpanorenana izay ary ianarantsika”, hoy izy. Ny fomba famakiana ny lalàna amin’izao fotoana izao: tokony hisy izay mety ho fikitihana ny governemanta, na ny famerenana ny fanendrena ny praiminisitra, na ny mety ho fametraham-pialan’ny praiminisitra.Ny praiminisitra ihany no manolotra ny mpikamban’ny governemanta Na mivondrona ao anatina vondrona parlemantera iray aza ireo solombavambahoaka tsy miankina, tsy manan-jo hanolotra olona ho mpikambana ao amin’ny governemanta. Ao anatin’ny fomba fiaraha-miasa sy fifanajana, misy ihany anarana halefan-dry zareo mba ho soso-kevitra hotendrena ho mpikamban’ny governemanta.Na ny maro anisa manolotra ny anaran’izay ho praiminisitra aza, tsy manan-jo hanolotra anarana izay hatao ho mpikamban’ny governemanta. Ny praiminisitra irery ihany no manana izay zo izay, araka ny lalàna sy ny lalàmpanorenana. Ny filohan’ny Repoblika no manapa-kevitra izay hotendreny na tsia amin’izany.Mba hisian’ny firindrana eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny hoe fahamarinan-toerana: matetika avy amin’ny vondrona antoko manana ny maro anisa ao anatin’ny Antenimierampirenena ny maro anisa mpikambana ao amin’ny governemanta.R.Nd.L’article Ranesa Firiana: “Mametra-pialana na hatolotra indray ny praiminisitra”  a été récupéré chez Newsmada.

Fijerena sarimihetsika sy fampisehoana: misokatra ny CanalOlympia Iarivo, raitra sy manara-penitra

Olan’ny sarimihetsika sy ny zavakanto malagasy ny tsy fahampian’ny sehatra hanehoana ny vokatra. Nitondra vahaolana amin’izany ny CanalOlympia, ka nanangana ny CanalOlympia Iarivo, eny Andohatapenaka.Notokanana omaly ny CanalOlympia Iarivo, toerana lehibe iray ahitana efitrano fijerena sarimihetsika sy toerana fanaovana fampisehoana. Tonga nanotrona izany lanonana izany ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina mivady sy ny minisitry ny Fifandraisana sy ny kolontsaina.Raitra sy manaraka ny teknolojia ny fitaovana hita ao amin’ny trano fijerena sarimihetsika, izay mahazaka mpijery miisa 300. Hita ao, ohatra, ny “écran scope” lehibe (14m) sy ny fanamafisam-peo mahafa-po. Tsy latsa-danja amin’izany ny ho an’ny fampisehoana ety ivelany, izay mahazaka mpijery anarivony.Misokatra avy hatrany ho an’ny rehetra ny CanalOlympia Iarivo. Miisa 19 isan-kerinandrano ny sarimihetsika alefa ao ka amin’izao folo andro voalohany izao, ireo horonantsary fanta-daza nivoaka farany, toy ny “Avengers End Game” sy ny “Captain Marvel” no hatolotra ny mpijery.Tsy ho tara amin’ireo horonantsary vao hivoaka ihany koa ny eto Antananarivo, satria miaraka amin’ny any amin’ny firenen-kafa ny fandefasana azy ireny ao amin’ny CanalOlympia Iarivo, mandritra ny “Week-end Premières”. Isaky ny asabotsy sy alahady maraina, hisy ny fandefasana horonantsary natokana ho an’ny tanora.Homen-danja ny zavakanto malagasy Toerana iray hampiroboroboana ny zavakanto malagasy ihany koa ny CanalOlympia Iarivo. Hanana ny anjarany ao ny horonantsary malagasy. Ankoatra izany, handahatra mpanakanto ny ministeran’ny Fifandraisana sy ny kolontsaina ka ho azon’izy ireo ampiasaina maimaimpoana ihany koa ity toerana ity. Ireo no anisan’ny votoatin’ny fifanaraham-piara-miasa eo amin’ity minisitera ity, ny CanalOlympia, izay natao Sonia, omaly, nandritra ny lanonam-panokafana.Toeram-pandefasana sarimihetsika sy fanaovana fampisehoana lehibe indrindra aty Afrika ny CanalOlympia. Toerana faha-13 misy azy ny eto Antananarivo.Landy R.  L’article Fijerena sarimihetsika sy fampisehoana: misokatra ny CanalOlympia Iarivo, raitra sy manara-penitra a été récupéré chez Newsmada.

Fampandrosoana eny ifotony: mitaky ho faritra mizaka tena ny Mahafale

Tsy hiaraka amin’ny any Atsimo Andrefana. Nanao fanambarana mitaky amin’ny tompon’andraikitra mahefa hijerena manokana ny faritra “Plateau Mahafale”, ahitana ny distrikan’i Betioky sy Ampanihy, ny any an-toerana. Antony maro ny nahatonga azy ireo hanao izany fitakiana izany satria mahatsapa ny rehetra fa anisan’ny manana zanaka manampahaizana maro sy sokajin’olona maro tahaka ny ny profesora, ny jeneraly, ny mpitsara, ny mpiasam-panjakana ambony ary ny misahana andraikitra hafa amin’ny sampandraham-panjakana maro iny faritra iny. Manana ny maha izy azy koa iny « Plateau Mahafale » iny raha ny lafiny tantara sy ny kolontsaina. Anisan’izany ny Aloalo, iavahany  amin’ny rehetra sy ny fisian’ny fanjakana mahafale talohan’ny fanjanahantany. Manana ny harena an-kibon’ny tany toy volamena sy ny vatosoa isan-karazany “grenat”, “bradorite”, vato indostrialy, koa iny faritra iny raha eo amin’ny toekarena.Haratsian’ny lalana sy ny vidim-piainana Manampy izany ny fananany toerana manan-tantara azo tsidihina. Olana kosa anefa ny faharatsian’ny lalana RN 10. Mahatsapa koa ny rehetra fa anisan’ny mitarika ny fahantrana ny tsy fahavitan’io lalana io. “Misondrotra avokoa ny vidin’ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ka tsy maharaka ny fahefa-mividin’ny vahoaka”, hoy izy ireo. Lasa vato misakana ny fampandrosoana amin’ireo distrika roa ireo koa ny halehiben’ny faritra Atsimo Andrefana ka miteraka ny fitokana-monina. Voafarita ao anatin’ny reniranon’i Onilahy sy i Menarandra ary ny lakandranon’i Mozambika io faritra ilana fizankatena io raha ny sarintany. “Manainga ny filoham-pirenena hanome anay io farita « Plateau Mahafale » io izahay ho fampandrosoana iny faritra iny. Hiezaka ny handom-bararavana ny rehetra fa indrindra ireo zanak’iny faritra iny ao anaty fitondrana hanamora ny hahazoana io fizankantena io ho tombontsoan’ny rehetra.CMSL’article Fampandrosoana eny ifotony: mitaky ho faritra mizaka tena ny Mahafale a été récupéré chez Newsmada.

Fitsanganan’ny governemanta: ho tompon’ny teny farany amin’ireo ho minisitra ny filoha

Mety tsy hihoatra ny amin’ity herinandro vao manomboka ity. Tombanana fa tsy hiova firy ireo mpikambana handrafitra ny governemantan’ny Praiminisitra Ntsay Christian, taorian’ny nanendren’ny filoha Rajoelina azy indray amin’izany toerana izany. Ho tompon’ny teny farany amin’ny tolokevitry ny avy eny Mahazoarivo anefa ny eny Iavoloha. Efa nitakian’ny filoha tombana tsirairay arakaraka ny asa vitany ireo minisitra eo anivon’ny governemanta farany teo ireo, ho an’ny enim-bolana voalohany nandraisan’izy ireo andraikitra. Mbola hiverenana hotsaraina sy hanaovana tombana indray koa any amin’ny faran’ny taona ka antony mety tsy hampiova firy ny ho fanendrena izany. Na izany aza, anisan’ny voakiana mafy tato anatin’ny herinandro maromaro noho ny delestazy mahery vaika miverina indray ny minisiteran’ny Angovo, tompon’andraikitra voalohany amin’ny Jirama. Hanao ahoana ny hoaviny amin’izao governemanta faharoa amin’ny fitondrana Rajoelina izao?Hiverina ho minisitra ireo depiote roa Etsy andaniny, mety hiverina handray ny minisitera nosahaniny teo aloha ireo voafidy ho solombavambahoaka farany teo. Anisan’izany ny depiote Volahaingo Marie Therése, hisahana ny minisiteran’ny Fanabezam-pirenena. Hiverina hiandraikitra ny minisiteran’ny Mponina kosa ny depiote Naharimamy Lucien Irmah. Samy tsy manana andraikitra eny anivon’ny Antenimierampirenena izy mirahavavy ireo. Nisolo toerana ireto depiote ireto vonjimaika teo anivon’ny governemanta tao anatin’ny telo volana ny minisitry ny Fampianarana ambony, i Rejo-Fienena Felicité, sy ny minisitry ny Atitany, Razafimahefa Tianarivelo.Araka izany, mety tsy hisy fiovana tahaka ny namerenana ny Praiminisitra Ntsay Christian ireo ho mpikambana eo anivon’ny governemanta.Synèse R. L’article Fitsanganan’ny governemanta: ho tompon’ny teny farany amin’ireo ho minisitra ny filoha a été récupéré chez Newsmada.

Pilo Kely aroson’i Mamy Be

L’article Pilo Kely aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

Fametraham-pialana: hiantoka ny fampandehana-draharaha ny governemanta Ntsay C

Mety  tsy hihoatra ny faran’ny herinandro  izao. Tafapetraky ny Praiminisitra Ntsay Christian teny Iavoloha,  omaly ny  fametraham-pialany  sy ny governemanta tarihiny. Nankatoavin’ny filoha Rajoelina izany ary nisy avy  hatrany  ny didim-panjakana nivoaka ny amin’ny hiantohan’ity governemanta ity ny asa fampandehanan-draharaha andavanandro, mandra-pitsangan’ny governemanta vaovao na hamerenana azy ireo eo indray. Tombanana fa tsy ho ela izany fanendrena, miainga amin’ny maro anisa eny anivon’ny Antenimieram-pirenena  izany. “Tany tan-dalàna isika satria voalazan’ny  lalàmpanorenana araka  ny And  54 fa tendren’ny  filohan’ny Repobolika ny praiminisitra lehiben’ny governemanta rehefa mivoaka ny maro anisa  eny amin’ny Antenimieram-pirenena. Manaja  izany  isika  ary manome  hasina ny demokrasia”,  hoy ny Praiministra nametra-pialana, i Ntsay  Christian,  tetsy  Anosy, omaly. Tsy mbola fantatra hatreto na hiova na hiverina amin’ny toerany avokoa ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta.Mitaky ankolaka ny handrena depiote ho lasa minisitra Na izany aza, efa natsidiky ny filohan’ny  Antenimiera,  Razanamahasoa Christine teny Tsimbazaza tamin’ny lahateniny, afakomaly fa tokony ho hita taratra ao anatin’ny governemanta hijoro eo ny firafitry ny Antenimiera. Na tsy mivantana aza, mety ho fitakiana ankolaka ny hisian’ny depiote hotendrena minisitra izany kabary izany. Mbola banga toerana roa aloha hatreto ny minisitera rehefa voafidy depiote ireo minisitra vehivavy :  Volahaingo Marie Therese misahana ny Fanabeazana sy ny misahana ny Mponina, Naharimamy Irmah. Tsiahivina fa 13 volana  izao raha ny fitambarany  ny naha-lehiben’ny governemanta ny tenany, taorian’ny hetsika nataon’ireo depiote 73 teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, ny volana avrily 2018 ka  hatramin’izao fametraham-pialany izao.  Fito volana ny nitantanany  ny governemantan’ny marimaritra iraisana ary enim-bolana kosa ny nisahanany izany andraikitra izany, taorian’ny fianianan’ny filoha Rajoelina, ny volana janoary teo.Synèse R. L’article Fametraham-pialana: hiantoka ny fampandehana-draharaha ny governemanta Ntsay C a été récupéré chez Newsmada.

Ranesa Firiana: “Mametra-pialana na hatolotra indray ny praiminisitra” 

“Fomba fanao politika vaovao izay tokony hipetraka eto Madagasikara: rehefa vita ny fifidianana solombavambahoaka, manolotra anarana vaovao ho praiminisitra ireo manana ny maro anisa.”Io no fanazavan’ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, momba ny fametraham-pialana na tsia hataon’ny praiministra amin’ny fijoroan’ny Antenimierampirenena vaovao. Misy ny fametraham-pialan’ny praiminisitra am-perinasa. Avy eo, mety hatolotra indray izy ary hotendren’ny filohan’ny Repoblika. Na mety misy olon-kafa hatolotry ny vondrona politika manana ny maro anisa vaovao eo anivon’ny Antenimierampirenena.“Fomba amam-panao demokratika tokony hianarantsika eto Madagasikara izay. Satria efa foto-pisainana vaovao napetraky ny lalàmpanorenana izay ary ianarantsika”, hoy izy. Ny fomba famakiana ny lalàna amin’izao fotoana izao: tokony hisy izay mety ho fikitihana ny governemanta, na ny famerenana ny fanendrena ny praiminisitra, na ny mety ho fametraham-pialan’ny praiminisitra.Ny praiminisitra ihany no manolotra ny mpikamban’ny governemanta Na mivondrona ao anatina vondrona parlemantera iray aza ireo solombavambahoaka tsy miankina, tsy manan-jo hanolotra olona ho mpikambana ao amin’ny governemanta. Ao anatin’ny fomba fiaraha-miasa sy fifanajana, misy ihany anarana halefan-dry zareo mba ho soso-kevitra hotendrena ho mpikamban’ny governemanta.Na ny maro anisa manolotra ny anaran’izay ho praiminisitra aza, tsy manan-jo hanolotra anarana izay hatao ho mpikamban’ny governemanta. Ny praiminisitra irery ihany no manana izay zo izay, araka ny lalàna sy ny lalàmpanorenana. Ny filohan’ny Repoblika no manapa-kevitra izay hotendreny na tsia amin’izany.Mba hisian’ny firindrana eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny hoe fahamarinan-toerana: matetika avy amin’ny vondrona antoko manana ny maro anisa ao anatin’ny Antenimierampirenena ny maro anisa mpikambana ao amin’ny governemanta.R.Nd.L’article Ranesa Firiana: “Mametra-pialana na hatolotra indray ny praiminisitra”  a été récupéré chez Newsmada.

Fitakiana tsy mbola nivaly: manaitra ny minisitera mpiahy ny Seces Antananarivo

Telo volana aty aorian’ny fanapahan-kevitra, hiroso amin’ny fanatanterahana ny teboka fito momba ny fangatahan’ny mpampianatra mpikaroka sampana Antananarivo, mametra-panontaniana ny mpampianatra fa tsy misy ny dingana vita avy amin’ny fitondram-panjakana. Nivory izy ireo, omaly ary namoaka fanambarana amin’ny teboka efatra mazava. Manamafy fa tokony handefan’ny minisitera mpiahy ny Fampianarana ambony eny anivon’ny fiadidiana ny primatiora ny antontan-taratasy momba ny fangatahana « dérogation » manokana hitazona amin’ny asany ny mpampianatra mpikaroka izay mbola ilaina amin’ny sahanasa maro. Misy antontan-taratasy samihafa tokony hofenoin’ny mpampianatra mpikaroka sasany efa naterina teny amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony ho fanampiny. Mety ho tapaka karama anefa ireo tsy nahafeno ny antontan-taratasy notakiana vokatr’izay fitarazohana izay, hoy ny fanazavana.Misy ny porofo homena ny tompon’andraikitra Voalazan’ny fanambarana koa fa tokony hatolotra ny tompon’andraikitra ny porofo amin’ny fandaniana vola ka tsy nahafahan’ny minisitera mpiahy nanefa ny tambin’ny fikarohana « indemnité de recherche » ho an’ny mpampianatra mpikaroka efa misotro ronono fa mbola manohy ny asa fikarohana, taona 2016. Namonjena ireo mpianatra malagasy mamita fianarana tany Sina sy Frantsa ny vola tokony homena ireo mpampianatra mpikaroka efa misotro ronono ireo. Mitaky izay porofo izay ny Fiadidiana ny primatiora handraisana ny fepetra mifanaraka amin’izay. Ankoatra ireo, miandry ny fandoavana ny trosa rehetra momba ny saran’ny ora fanampiny tamin’ny asany ny mpampianatra vacataire sy ny mpampianatra hafa ho an’ny taom-pianarana 2016-2017 ary ny mbola misy aza tsy nahazo ny saran’ny ora fanampiny nandritra ny taom-pianarana  2015-2016 ireo mpampianatra ao amin’ny fakiolten’ny DEGS.Miantso  fandraisana andraikitra haingana Mangataka koa izy ireo mba haraha-maso ny antontan-taratasy momba ny fanasokajiana na ny « reclassement » ho an’ny mpampianatra mpikaroka 110. Mihisatra ny fikarakarana ny antontan-taratasy ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony nefa miankina amin’izay avokoa ny famahana ny fangatahana samihafa, hoy ny filohan’ny Seces Sampana Antananarivo, Raveloharison Sammy Grégoire, omaly. Fanairana fotsiny aloha izao fanambarana izao satria iankinan’ny fiainan’ny mpampianatra maro ka mila mandray andraikitra haingana ny minisitera mpiahy.Vonjy A.                 L’article Fitakiana tsy mbola nivaly: manaitra ny minisitera mpiahy ny Seces Antananarivo a été récupéré chez Newsmada.

Cnaps-FLM Toamasina: hiakatra ho 6.000 Ar  ny volan-jaza

Natao tany Toamasina, tamin’ity herinandro ity, ny fampiofanana nomen’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS) ho an’ny mpiasa ao amin’ny fiangonana Loterana Malagasy (FLM) ao amin’ny synodam-paritany Toamasina. Maherin’ny 40 izy ireo, nahitana pastora, katekista, mpiasam-piangonana, sns, notarihin’ny prezida synodaly, ny pastora Toto Rija Chrysostome Joseph. Nilaza ny talen’ny vola ao amin’ny CNaPS, Rakotoarison Hiaja, fa mila fantatry ny mpiasam-piangonana ny zo sy ny adidiny amin’ny fiahiana sosialy.Anisan’ny nampahafantarina tany Toamasina ny hampiakarana ho 6.000 Ar ny volan-jaza, manomboka amin’ny volana aogositra ho avy izao, raha 5.000 Ar amin’izao fotoana izao.Tafiditra ao anatin’ny fampiharana ny asa mendrika ity fiofanana ity. Marihina fa efa mandray vatsy ny fianakavimben’ny FLM tato anatin’ny roa taona.tena nahaliana ny mpiofana ny fisotroan-dronono sy ny fanampiana amin’ny loza vokatry ny asa. Nomena azy ireo ny antontan-taratasy hofenoina toy ny fangatahana fanampiana, ny fanambarana filazan-karama, sns.Njaka A.L’article Cnaps-FLM Toamasina: hiakatra ho 6.000 Ar  ny volan-jaza a été récupéré chez Newsmada.

Fanazavan’ny rafitra miady amin’ny kolikoly: mihatra avy hatrany ny lalàna fanagiazana ny vola tsy ara-dalàna

  “Tsy indray andro ny fihazonana ny fananana azo amin’ny kolikoly. Rehefa misaraka amin’ny fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ny olona, vao manomboka ny fanisana ny maha maty paikandro ny raharaha.”Io ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Samifin, i Lamina Boto Tsara Dia, tamin’ny fihaonan’ireo rafitra iadiana amin’ny kolikoly tamin’ny mpanao gazety teny Antaninarenina, afakomaly, momba ny lalàna fakana fananana sy fanagiazana tahirim-bola tsy ara-dalàna. Raha mbola eny an-tanan’ny tompony ny fananana sy vola tsy ara-dalàna, mihatra avy hatrany ny lalàna amin’ny fotoana mampanankery azy.Fandikan-dalàna mitohy ny fandikan-dalàna ara-toekarena na ara-bola, na kolikoly, na famotsiam-bola. Mihatra manomboka amin’ny fotoana anasoniavana azy hanankery io lalàna io, raha tafiditra ao anatin’izay ny raharaha iray.Misy mitantana ny fananana alaina “Raha io lalàna fototra io, misy ny olona izay mitana ny fananana izay heverina fa maloto no angatahina hitondra porofo fa tsy maloto io fananany io”, hoy kosa ny tale jeneralin’ny Bianco, Andriamifidy Jean-Louis. Anisan’ny sakana lehibe tsy nahazoana nampandany io lalàna io teo aloha ny fakana fananana tsy misy fanamelohana ara-pitsarana, tena nampisy tsy fitovian-kevitra na fomba fijery.Azo alaina vonjimaika ny fiara na ny trano ary giazana ny tahirim-bola amin’ny banky, mandra-pahavita ny fitsarana hatramin’ny farany, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Komity fitandroana ny fahitsiana (CSI), Rabenarivo Sahondra. Alain’ny fanjakana tanteraka izany rehefa hita fa  meloka ny tompony.Tsy maintsy misy “agence” hitantana ny fananana alaina. Raha misy hotely namboarina tamin’ny alalan’ny vola nahodinkodina na tsy ara-dalàna, ohatra: azon’ilay “agence” raisina izany ary ampandehaniny. Tsy roahina fa miasa ny mpiasa, atao anaty tahiry manokana ny tombom-barotra rehetra. Rehefa meloka ny tompony, vao tena lasan’ny fanjakana izany. Na averina miaraka amin’ny tombom-barotra any amin’ny tompony, raha tsy meloka izy. R. Nd. L’article Fanazavan’ny rafitra miady amin’ny kolikoly: mihatra avy hatrany ny lalàna fanagiazana ny vola tsy ara-dalàna a été récupéré chez Newsmada.

Moramanga – Anosibe an’Ala: atao ao anatin’ny roa andro ny lalana 71 km

Manana ny maha izy azy ny distrikan’Anosibe an’Ala, saingy tsy tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehana ny fanamboaran-dalalana. Hatreto, potika tanteraka ny lalana ary tsy misy ny daty hamantarana ny hanarenana azy.Azo heverina fa tsy misy fiangarana eto amintsika. Na izany aza, anisan’ny mampikaikaika ny mponina ny haratsian’ny lalana mampitohy an’i Moramanga sy Anosibe an’Ala. Roa andro ny hanaovana ny lalana 71 km raha vita amin’izao vanim-potoana izao nefa tokony ho 1 ora sy 30 mn.  Efa ampolo taona maro izany faharatsian’ny lalana mampitohy an’i Moramanga sy Anosibe an’Ala izany fa tsy misy miraharaha. Mijaly ny mponina, velon-taraina, ka mitondra ny feon’izy ireo ny solombavambahoaka any an-toerana, i Ndrianasy Bernando Germain. “Fiara vaventy ihany mitondra entana sady mitatitra olona ny afaka amin’izany lalana  izany, atao mandritra ny roa andro. Mampalahelo ny mahita ireo mpandeha ireo, sao sanatria misy loza”, hoy ny solombavambahoaka any an-toerana. Maro koa ny vokatra avy any Anosibe An’Ala tsy tafavoaka, toy ny akondro, ohatra.Tsy misy mihitsy ny fotodrafitrasam-pampandrosoanaBetsaka ny voka-dratsin’izay faharatsin-dalana izay: malaina ny mpiasam-panjakana ho any an-toerana ka sahirana ny mponina amin’ny lafiny fahasalamana, ny fampianarana, hatramin’ny fitandroana ny fiarovana ny distrika, sahirana ireo mpitandro filaminana. Andrasana ny ahitana ireny fitaovana tamin’ny 26 jona ireny ho tonga any an-toerana.Mijaly ihany koa ny distrika iray manontolo momba ny famatsiana herinaratra. Ambalahonko, ony iray lehibe any an-toerana, azo trandrahina tsara nefa avily aty Analamanga ny tombontsoa azo avy amin’io renirano lehibe io fa tsy mba misitraka izany ny any Mangoro. Koa mangataka amin’ny fitondrana mpanatanteraka ny vahoaka any Anosibe an’Ala hijerena azy ireo akaiky fa mijaly loatra, amina sehatra rehetra mihitsy, tsy misy mangirana ny fiainan’ny mponina. R.MathieuL’article Moramanga – Anosibe an’Ala: atao ao anatin’ny roa andro ny lalana 71 km a été récupéré chez Newsmada.

Afaka 50 taona: ho foana ny teny malagasy raha tsy iainana

Fampianarana amin’ny fiteny vahiny. Teny ifampiresahana any anivon’ny ankohonana, teny vahiny. Taratasim-panjakana, didy aman-dalana, amin’ny fiteny vahiny, sns. Ny endrika tahaka ireo no anisan’ny mahafoana tsikelikely ny teny malagasy. Raha ny fikarohana nataona mpampianatra mpikaroka iray: “… Ho foana ao anatin’ny 50 taona ny teny malagasy madiorano raha mbola mitohy ireo tranga ireo”.… Mahatratra 7 000 ny karazam-pitenenana (tenenin’ny tompon-tany) misy maneran-tany. Nanaitra ny rehetra ny nilazan’ny mpikaroka fa isaky ny tapa-bolana, teny iray amin’ireo no maty. « … Fa ny tena zava-doza, maty manaraka izany ihany koa ny kolontsaina hoentin’ireny teny ireny », hoy ny fanambaran’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny kolontsaina sy ny fanabeazana na ny Unesco.HaRy Razafindrakoto L’article Afaka 50 taona: ho foana ny teny malagasy raha tsy iainana a été récupéré chez Newsmada.