Lu Pour vous : « Comme des sauvages » de Vincent Villeminot

News - Lu Pour vous : « Comme des sauvages » de Vincent Villeminot

News - Lu Pour vous : « Comme des sauvages » de Vincent Villeminot

Sorti le 10 septembre, « Comme des sauvages » de  Vincent Villeminot, est un roman d’aventure, de survie, fantastique, initiatique, écologique, philosophique, multiple et insaisissable. 

 « Comme des sauvages » est dense, riche. Il est aussi multiple donc difficile d’en résumer l’intrigue qui part un peu dans tous les sens mais dans le bon sens du terme. Pourtant, tout débute de façon assez banale. Les parents de Tom et Emma ont décidé de se séparer, sonnant la fin d’une époque. Le frère et la soeur qui ne sont pas particulièrement proches, partent alors ensemble dans le Parc naturel des Monts d’Ardèche pour quelques jours. Là-bas, au milieu des amis de Max, petit copain d’Emma, Tom s’évade en partant à la découverte de la nature sauvage environnante pendant qu’Emma tente de préserver son couple. Et puis Tom disparaît. A partir de là, l’intrigue bascule. Rien ne sera plus pareil pour Emma, ni pour le lecteur. Il ne faudra pas longtemps pour être happé par le mystère, l’atmosphère, les mots de l’auteur. Il sera déjà trop tard pour faire machine arrière, comme pour Tom, ignorant cet avertissement : « Celui qui pénètre dans cette partie de la forêt ne reviendra jamais en arrière. Jamais. » 

Ce roman, il commence d’une certaine façon, continue d’une autre, puis prend un autre tournant puis un nouveau virage pour nous emmener de plus en plus profondément dans ses méandres, au fond de la forêt, au cœur de la nature. Ce roman, il subjugue autant qu’il embrouille. Le découpage de l’histoire est étonnant lui aussi, et contribue à poser l’ambiance, mystérieuse et troublante. Des titres de chapitres, énigmatiques mais annonciateurs des événements à venir, jalonnent le texte. Ce livre, il nous mène sur des pistes plus ou moins praticables, plus ou moins nettes. Celle de plusieurs personnages que l’on va connaître brièvement, à qui il ne faudra pas forcément trop s’attacher pour ne pas être triste de les quitter. 

A travers les histoires de tous ces hommes et femmes, de ces enfants et de leurs comportements, de leurs rêves, de leurs utopies se dessine la nature humaine, ici bien souvent sauvage. Celle de bisons d’Amérique, créatures errantes dans ce récit qui ont un rôle capital, cristallisant les peurs, les envies, les désirs des protagonistes, comme le versant animal de chacun. Ces animaux sont parfois plus humains que les humains eux-mêmes. Celle de l’enfance, que certains et certaines veulent préserver alors qu’elle est éphémère, nous échappant un jour, irrémédiablement…. L’ombre de Peter Pan plane sur le récit, Vincent Villeminot y fait clairement référence. Par ailleurs, le thème s’insère parfaitement dans l’histoire, sert de base à l’ensemble. Une fois la dernière ligne lue, l’envie de refaire le voyage vient de suite.  Parcourir à nouveau ces pages qui, ne livrent pas tous leurs secrets, qui demandent d’y revenir de façon inexplicable mais très puissante.

Zo Toniaina

L’article Lu Pour vous : « Comme des sauvages » de Vincent Villeminot est apparu en premier sur Midi Madagasikara.

Lu Pour vous : « Comme des sauvages » de Vincent Villeminot

L’article Lu Pour vous : « Comme des sauvages » de Vincent Villeminot a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Andron’ny asa izao, fa efa lasa ny lasa…   

Mby aiza ny raharaham-pirenena amin’izao? Manohy ny asany ny governemanta hoe vaovao. Mifanindran-dalana amin’izany, tafajoro ny Antenimierampirenena vaovao. Tsy vitan’izay, voatendry ny tale jeneraly vaovao hitantana ny Bianco. Inona na ahoana koa?Omanina fatratra ny fandraisana ny fitsidihan’ny papa François amin’ny volana septambra. Aoriana kelin’izay, eo ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna, na mbola mampanontany tena aza ny hoe: ho voatana sa tsia ny andron’ny 28 oktobra?Mbola misy ve ny fisarahan-kevitra? Eny, na mbola tsy mazava be ihany aza, ohatra, ny amin’izay hoe ho lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimierampirenena.Tsy mazava ny lalàna sy izay ampiharana azy? Na mifanohitra an-toerana ny samy mpanohitra…Tsy efa mba niombona sy nampiombonin’ny ekipam-pirenena amin’ny baolina kitra, tamin’ny dingana lehibe vitany, ve ny samy Malagasy tsivakivolo? Na toy inona, ohatra, toerana misy ny tsirairay, na manao ahoana tsy fitovin-kevitra sy fijery…Izany rehetra izany, mila fijery sy ainga vaovao amin’izao? Be ny azo atao sy mety ho vita, ao ny tsy maintsy atrehina, misy ny maika… Efa natomboka, ohatra, ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana… Ahoana ny tohiny sy ny sehatra hafa?Miandrandra fiovana ny vahoaka ifotony, araka ny fanamby sy ny fampanantenana rahateo. Fihatsaram-piainana mivaingana amin’izay ahay. Tsy lavina, arakaraka ny ataon’ny tsirairay no mahasoa na maharatsy ny fiainan’ny tena. Eo koa ny fiaretana sy ny faharetana.Na izany aza, tsy efa mba hisy zavatra hita soritra ve amin’izao? Tsy inona fa ny finoana sy ny fanantenana fa tena mandeha sy atao tokoa ny raharaha: tsy misy intsony, sanatria, ny kitsapatsapa, ny endri-javatra ivelany, ny mbola fifandresen-dahatra indray…Andron’ny asa izao, firosoana amin’izay atao. Izay tena miasa sy be asa, tsy misy fotoana holanina amin-javatra hafa. Efa lasa ny lasa fa ny ankehitriny no atrehina hahitana ny hoavy… ho hafa sy ho tsaratsara kokoa. Mby aiza amin’ity raharaham-pirenena?Rafaly Nd.  L’article Andron’ny asa izao, fa efa lasa ny lasa…    a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fahitana razana :: Fatin-dehilahy tao anaty tatatra

Hatairana ny an’ireo mpandalo tamin’ny fahitana lehilahy iray, manodidina ny efapolo taona, nihohoka tao anaty tatatra, tany Ambalabe Andrefana, Antsohihy, omaly maraina. Tsy nisy aina intsony ilay lehilahy, ka voatery nosintonina vao tafala tao anaty tatatra. Nanao ny fizahana ny razana tany an-toerana ny mpitsabo. Niatrika izany ihany koa ny polisy. Izy ireo rahateo no naka ny razana tao anaty rano maloto sy hanao ny fanadihadiana. Nambaran’ny loharanombaovao fa tsy nahitana ratra na endrika vono ny vatan’ilay lehilahy namoy ny ainy. Tombanana ho nianjera tao anatin’io lakandrano io izy, ka tsy tafarina intsony sady sempotra. Mbola teny aminy ny fitafiany rehetra. Natolotra ny fianakaviana ny vatana mangatsiaka, taorian’ny fizahana sy ny angom-baovao rehetra nataon’ny mpanao fanadihadiana. L’article Fahitana razana :: Fatin-dehilahy tao anaty tatatra est apparu en premier sur AoRaha.

News - Triatra

Andavamamba : Olona iray maty voatsatok’antsy

Isan’ny fokontany be mpanendaka iny faritra Andavamamba sy ny manodidina iny, hatreny Antetezana afovoany isan’andro. Araka ny angom-baovao teny an-toerana izao dia mirongo zava-maranitra, sady mamono olona mihitsy ny mpanendaka eny an- toerana. Tsy mifidy ihany koa ny fanaovana ny asa ratsy, fa na andro na alina dia maro ny fitarainana vorain’ny eo anivon’ireo fokontany ireo. Toa ity niseho teny Andavamamba, omaly, izay lehilahy iray no voatsindron’antsy rehefa avy nendahina. Tsy tana intsony ny ain’ity lehilahy iray, handeha hamonjy fodiana sendra nandalo teny an-toerana, vokatry ny tsindron’antsy nataon’ny mpanendaka azy. Olona nandalo maraina ihany koa no nahita ny vata-mangatsiakan’ity farany, izay efa nihosin-drà ny fitafiany noho ny tsindron’antsy nahazo azy teo amin’ny kibony. Raha ny tomban’ny olona moa dia efa ny diva haraina no nitrangan’ny fanendahana azy ity, ary nisy fifanoherana teo aminy sy ireo olon-dratsy, ka izao niafara tamin’ny famonoana nahafaty azy izao, raha ny angom-baovao hatrany. Tsy fantatra araka izany ihany koa ny entana lasan’ireo mpanendaka teny amin’ity olona iray ity. Nilaza kosa fa tsy nisy nahare ny fomba nanaovana izao herisetra izao, ny mponina teny amin’ny manodidina. Ny hany nambaran’ny tompon’andraikitra eny an-toerana dia efa azo lazaina ho faritra mena eny an-toerana rehefa maraimbe sy amin’ny hariva. Efa betsaka mantsy hoy izy ny olona maty voatsindron’antsy noho ny afitsok’ireo mpanendaka, izay matetika lasibatra ny teratany vahiny. Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana Eny amin’ny faritra Antetezana Afoavoany voalohany ihany koa dia lasa toerana filalaovan’ny mpanendaka mihitsy, izay efa hatramin’izay ka hatramin’izao. Io no nambaran’ireo olona monina eny an-toerana, mahatsikaritra ny fanendahana miaro herisetra mihatra amin’ireo mpandalo. Ao anaty fitohanan’ny fiara, sy vao maraina ary rehefa hariva mipaika ny amin’ny 5 ora dia efa mafampana eny an-toerana. Tsy latsaky ny dimy izy ireo no miaraka raha ny fanambaran’ny mponina, ary any anaty elakelan-trano maro no isitrihan’ireo andiana tovolahy mirongo zava-maranitra rehefa avy manendaka ny olona sendra azy. Raha ny fitantaran’ny olona hatrany, olona vahiny no tena kendren’izy ireo, izay matetika olona tsy mponina eny an-toerana ireo manendaka eny. Nanamafy izany, ny sefo fokontany antsoina Ramiandrisoa Bernard, izay miadidy ity faritra ity. Ny atidoha amin’ity asa ratsy ity matetika avy eny an-toerana ihany fa kosa mitondra ny namany izy ireo, izay avy any Andranomanalina, Anatihazo, sy Ambodinisotry izy ireo. Efa arahin’izy ireo avy lavitra ireo olona ireo, ary rehefa tafiditra ny elakelan-trano no raikitra ny fanendahana tambabe arahina fampihorohoroana, amin’ny alalan’ny antsy. Mikaikaika ny olona amin’ny zava-misy amin’izao fotoana, ary miantso ny manam-pahefana hijery akaiky ny zava-misy. Misy ihany mantsy hoy izy ireo ny fisafoana ataon’ny polisy avy eo amin’ny boriborintany fahefatra, aorian’ny tatitra alefan’ny fokontany, saingy matetika efa tsy tratra intsony ireo mpanendaka. Mbola tsy nahitana vahaolana kosa hatreto, ity resaka fanendahana isam-pokontany ity raha ny eto an-drenivohitra, na dia manao ny asa fisamborana tsy mitsahatra aza ny polisy. Valérie R. L’article Andavamamba : Olona iray maty voatsatok’antsy est apparu en premier sur .L’article Andavamamba : Olona iray maty voatsatok’antsy a été récupéré chez Triatra.

News - News Mada

Basikety: nanao pao-droa ny ekipa malagasy

Fahombiazana tanteraka! Norombahin’ny Malagasy avokoa ny fandresena, ho an’ny lehilahy sy vehivavy, teo amin’ny taranja basikety, tamin’ity andiany faha-10 ny lalaon’ny Nosy ity. Nihofahofa ny sainam-pirenena malagasy, tao amin’ny kianja mitafon’i Phoenix, Maorisy, ny asabotsy lasa teo. Tsy sarotra ho an’ny ekipa malagasy ny nandavo ireo mpifanandrina taminy, nanomboka hatrany amin’ny andro voalohan’ny fifanintsanana, hatramin’ny lalao famaranana, omaly. Teo amin’ny sokajy lehilahy, isa mavesatra 89 no ho 45 no nandavoan’ny ekipam-pirenena malagasy an-dry zareo Mayotte. Efa nanana herijika, ireto mpilalao malagasy ireto vao nanomboka ny lalao ary efa hita taratra ny elanelana isa teo amin’ny roa tonta. Isa 53 no ho 25 no nisarahana teo am-pialan-tsasatra.Teo amin’ny sokajy vehivavy, azo lazaina ho nivoaka sempotra ihany ny Malagasy satria hety dia hety hatrany ny elanelana isa teny amin’ny solaitrabe, efa nisy fotoana aza nodinganin’ny Renioney isika tao anatin’ny ampahefa-potoana faharoa, raha toa ka sahala ny isa teo am-piafaran’ny ampahefa-potoana voalohany (21 – 21). Niady, araka izany, ity lalao ity saingy ny Malagasy no tompon-teny farany ka nisalotra ny medaly volamena, ho an’ny sokajy vehivavy, tamin’ny lalaon’ny Nosy 2019 teto Maorisy ity. Isa 93 no ho 77 no nisarahan’ny roa tonta, teo am-pamaranana.Araka ny fanazavan’ny filohan’ny federasiona malagasy ny taranja basikety, tsy tanjona akory izao nahazoana medaly volamena izao fa dingana fotsiny ihany. Mbola lavitra ny lalana ho an’ny ekipam-pirenena malagasy, indrindra amin’ny fanomanana lalao iraisam-pirenena maro, isan’izany ny fifaninanana Afrobasket. Mi.RazL’article Basikety: nanao pao-droa ny ekipa malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Foano ny « halako bika, tsy tiako tarehy »

Na inona na inona fandaharanasan’ny mpitondra, tsy izay ihany no iankinan’ny fanovana sy fampandrosoana ity firenena ity. Maro ny zavatra tokony hahitsy, indrindra amin’ny fisainana sy ny fomba fijery, izay samy mibaiko ny fanapahan-kevitra manoloana tranga na olana samihafa.Iray amin’ireny ny halako bika, tsy tiako tarehy, izay mbola nitarika ny safidin’ny sasany tamin’ireny fifidianana nifanesy ireny. Tsy misy fijerena foto-kevitra, tsy misy fandinihana lalina ary tsy misy koa, noho ireo rehetra ireo, tanjona mazava. Mipetraka io olana io na eo amin’ny fanaovana politika na hatrany amin’ny fiarahamonina, sahanin’ny fokontany, amin’ny ankapobeny.Ho an’ny eny ifotony, tsy vitsy ny tsy mifankahazo noho ny olana madinika, izay mety ho voavahan’ny dinidinika ihany. Rehefa misy ny fivoriana na fanapahan-kevitra ilàna ny hevitry ny maro, apetraky ny sasany foana io « halako bika, tsy tiako tarehy » io. Tsy mba misy fihainoana sy fandalinana ny hevitry ny hafa fa ny fankahalana no mandeha aloha.Eo amin’ny tontolo politika, toy ny fahavalo na ny mihoatra izany mihitsy ny iheveran’ny andaniny ny ankilany, hany ka na hevitra mety hampahomby zavatra aza, raisina ho tsy manjary avy hatrany. Eo koa ny fanilikilihana izay tsy mpiray petsapetsa na mpiara-nanohana. Ny hevitra, anefa, tera-bary; ny hevitry ny maro, mahataka-davitra… Fahendren’ny razantsika avokoa ireo, izay samy manome lanja ny olona tsirairay, ao anaty fiarahamonina.Efa nisafidy ny lalana sy ny lalàn’ny demokrasia i Madagasikara, ka na inona na inona ambara, tokony halalaka ny fanehoan-kevitra ary tsy maintsy misy ny mpanohitra. Tsy fotoan’ny fijerena tavan’olona intsony izao. Asa, avy hatrany, no tian’ny fitondrana tanterahina ka tsy ireo “tsy maty voalavo an-kibo” no handeha hanao vato misakana tsy hanatrarana ny tanjona. Na izany aza, aleo halevina impito mandrifotr’olona ny “halako bika, tsy tiako tarehy” ka rehefa hita fa hevitra mahomby, mba hiaraha-manatontosa fa tsy hotoherina fahatany.Randria. L’article Foano ny « halako bika, tsy tiako tarehy » a été récupéré chez Newsmada.

News - Sport - News Mada

Volley : Be herim-po sy herin-tsaina Ranaivoson Mamy

Vehivavy mametraka tanjona hatrany ary manana he­rim-po sy herin-tsaina Ranai­vo­son Mamy Harisoa, filoha lefitry ny federasiona malagasy ny volley ball. Hofantarina ny momba azy. Manambady aman-janaka izy, mpilalao volley toa azy, ao amin’ny ASI Volley ball, ny zanany vavitokana. Diakona ao amin’ny FJKM Ambohitantely izy mi­vady ary matoky sy mi­aina amin’ny fitiavan’Andria­manitra izy ireo sady mikarakara ny rantsana fanatanjahantena eo anivon’ny fiangonana. Hita taratra amin’ny asa aman’andraikiny ny fikiri­zany. Mpilalao mendrika tamin’ny “CCCHOI 1989” Eo amin’ity taranja ity, manana ny maha izy azy tokoa Ranaivoson Mamy Harisoa. Maro ny fahatsiarovana tsara ho azy fa tena tsy hadinony ny nahavoafidy azy ho mpilalao mendrika indrindra, tamin’ny CCCHOI (Coupe des clubs champions de l’océan Indien), tamin’ny 1989. Teo ihany koa ny nahazoan’ny ekipam-pirenena malagasy vehivavy ny medaly volamena nandritra ny “Lalaon’ny Nosy”, tamin’ny taona 1990, izay medaly volamena azon’ny ekipa vehivavy malagasy farany, hatreto, ho an’ny “JIOI”. Tao amin’ny klioban’ny AS Star Volley ball ny nilalaovan-dRanaivoson Mamy Harisoa, klioba tompondaka an’Analamanga in-12 sy tompondaka nasionaly in-11 ary nahazo ny amboara intelo nisesy (1992, 1993, 1994) ny CCCHOI. Manana ny diplaoma maha mpanazatra niveau I sy ny « Chevalier de l’ordre de mérite sportif » (2012) izy. Mankafy basikety ihany koa i Mamy Harisoa ary tia mamaky boky sy gazety, mitendry gitara, mitsangantsangana miaraka amin’ny fianakaviany. Sakafo tiany ny nahandro malagasy. Tanjony ho an’ny volley ny hamerina ny lazan’ny volley malagasy maneran-tany mihitsy. Manentana sy mankahery ireo mpanao fanatanjahantena Ranaivoson Mamy Harisoa hikendry hatrany ny dingana avo sy tsara indrindra.Mi.RazL’article Volley : Be herim-po sy herin-tsaina Ranaivoson Mamy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Herintaona nivarotana héroïne sy cocaïne teny 67ha: nizerianina roa lahy sy vehivavy malagasy iray tratran’ny polisy

Natolotra ny fampanoavana, omaly, ireo teratany nizerianina roa lahy voarohirohy tamina raharaha fivarotana héroïne sy cocaïne eny 67 ha sy ny manodidina. Efa ho herintaona ny nanaovan’izy ireo ity asa ity…Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina (Stup) Anosy, teny Itaosy, afakomaly hariva tamin’ny 4 ora, noho ny fitazonana sy ny fivarotana zava-mahadomelina mahery vaika ny teratany afrikanina roa lahy (nizerianina) sy vehivavy malagasy iray. Raha ny fampitam-baovao nampitain’ny eo anivon’ny Polisim-pirenena, loharanom-baovao avy amina mpanome loharanom-baovao, ny nahafantarana fa misy teratany afrikanina mivarotra zava-mahadomelina eny Itaosy. Rehefa naharay izany ny polisin’ny Stup, nidina avy hatrany teny an-toerana ka tratra tao an-trano fonenany ireto teratany nizerianina ireto niaraka amin’ny vehivavy malagasy iray mpiray tsikombakomba amin’izy ireo. Niroso tamin’ny fisavana ny tranony ireo polisy ka hita tao ny fonosana heroïne 75 grama, cocaïne 2 grama ary amphetamine 0,5grama miaraka amin’ny fitaovana fandanjana miisa roa sy poti-drongony. Nentina teny amin’ny sampandraharaha misahana ny ady amin’ny fifohana sy ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina izy ireo mba hanaovana fanadihadiana.20 000Ar ny grama-n’ny cocaïne… Taorian’ny fanadihadiana natao azy ireo no nahafantarana fa mpamatsy zava-mahadomelina mahery vaika ireo mpifoka sy mpitsindrona izany eny 67 ha izy ireo ka amidin’izy ireo 20 000Ar ny grama-n’ny cocaïne raha 50 000Ar kosa ny grama-n’ny amphetamine. Nohamafisin’ ny polisy fa nandritra ny herintaona eo ho eo ny efa nanavaon’izy ireo ity asa fivarotana zava-mahadomelina ity, saingy izao kosa izy ireo vao tratra. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotoran’ny polisy. Tsy vao izao ny nahitana teratany afrikanina mpanao tra­fikana zava-mahadomelina mahery vaika toy itony tratra teto Madagasikara. Eny amin’iny faritra 67 ha iny no toerana ifamezivezen’izy ireo manao ny fivarotana izany. Fantatra nandritra ny fanadihadiana natao fa lalan’ireo mpanao trafikana héroïne sy cocaïne i Madagasikara ary isan’ireo lohalaharana amin’izany trafika izany ny teratany afrikanina. Aiza ny fanaraha-maso ireny teratany afrikanina mi­famezivezy eto amintsika ireny? Isan’ireo malaza amin’ny fi­tondrana zava-mahadomelina mahery vaika toy izao ny teratany malagasy miala eto Ma­dagasikara ka any Maorisy vao tratra.Jean ClaudeL’article Herintaona nivarotana héroïne sy cocaïne teny 67ha: nizerianina roa lahy sy vehivavy malagasy iray tratran’ny polisy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Filoha Rajoelina Andry : “Na iza na iza, sazina ireo tratra manao kolikoly”

“Zava-dehibe ny fametrahana ny tale jeneralin’ny Bianco. Milaza ampahibemaso eto aho ankehitriny: ho tena mahaleo tena ny Bianco. Ary io tsy misy fifantenana fa na iza na iza tratra amin’ny resaka kolikoly, tokony hosazin’ny lalàna avokoa”, hoy  ny filoha Rajoelina Andry teny amin’ny Fitsarana tampony, Anosy, omaly, taorian’ny lanonam-pitsarana nandraisana ny fianianan’ny tale jeneraly vaovaon’ny Bianco. Maro loatra ary efa tafiditra amin’ny fiainan’ny vahoaka , indrindra ny tompon-draharaha rehetra, ny kolikoly: any amin’ny minisitera, fananan-tany, hopitaly, hatrany am-piangonana.Tsy misy intsony ny olona ambony na ambany…Nambarany fa vonona amin’izany ady amin’ny kolikoly izany ny rehetra, hiara-kifanome tanana, hiara-kiroso. Ao anatin’ny tanjona iray ampandrosoana ny firenena ny ady amin’ny kolikoly, ary tafiditra ao anatin’ny velirano.Tsy handroso ny firenena raha mbola manjaka izany. Izao vao hita fa maro ny olona sahy mitory mpitandro filaminana. Tsy misy intsony ny olona ambony na ambany amin’ny ady amin’ny kolikoly, fa mitovy ny rehetra.Tsy ekena intsony ny fangalarana volam-panjakanaBe loatra ny mangala-bolam-panjakana. “Ny ady amin’ny kolikoly ataontsika voalohany: ny fiadiana amin’ny gaboraraka , ny tolotr’asa tsy misy asa atao akory”, hoy izy.Misy asa be dia be hoe atao, lazaina fa misy tranompokonolona, sekoly, tetezana… Nefa tsy misy akory. Tsy ekena ny fangalarana amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Eo koa  ny ady amin’ny fananan-tany: Marobe ny olona manana tany, lasa amin’ny tsy rariny. Voan’ny tsindrihazolena ny olona tsy mahay taratasy momba ny tany.R.Nd. Vita fianianana ny tale jeneralin’ny Bianco “Mianiana aho fa hanatanteraka antsakany sy andavany araka ny lalàna ny andraikitro, hitandro lalandava ny fahamarinana, tsy hijery tavan’olona, hitana sy tsy amboraka na oviana na oviana ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana.” Anisan’ny fianianan’ny tale jeneraly vaovaon’ny Bianco, Andrianirina Laza Eric Donat.Nisy ny famindram-pahefana tamin’ny tale jeneraly teo aloha, Andriamifidy Jean-Louis, taorian’izany. Anisan’ny laharam-pahamehan’ny tale jeneraly vaovao ny fahaiza-manao, ny fahalalana, ny fahendrena, ary ny fanajana ny rafitra misy amin’ny ady amin’ny kolikoly. L’article Filoha Rajoelina Andry : “Na iza na iza, sazina ireo tratra manao kolikoly” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Firenena sinoa: tonga hiara-hiasa amin’ ny Komity olympika malagasy ny MJS

Nigadona, omaly teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ireo delegasiona miisa valo avy amin’ny minisitera sinoan an’ny fanatanjahantena, notarihin’andriamatoa Wang Ping, filohan’ny delegasiona. Nitsena azy ireo Rakotozafy Rosa sy ny maitre Gao.Handinika izay hampandrosoana ny fanatanjahantena malagasy ireto delegasiona ireto raha ny fanazavan’ny maitre Ramaherison José, fantatra amin’ny anarana hoe “Mtre Gao”, filohan’ny federasiona malagasy ny kung fu wushu. Hihaona mivantana amin’andriamatoa minisitra izy ireo ho amin’ny anio, hanapaka izay azo hiaraha-miasa mandritra ny efatra andro hijanonany eto Madagasikara. Hifampiresaka amin’ny Komity olympika malagasy ihany koa ireto delegasiona sinoa ireto, raha ny fanazavana hatrany. Marihina fa  avy eo anivon’ny minisitera sy ny orinasam-panjakana sinoa, ahitana ihany koa ny avy eo anivon’ny China Sport ireto delegasiona manan-kaja ireto. Ny orinasa “China Sport” izay nanampy betsaka an’i Madagasikara tamin’ny fandefasana ireo atleta niofana tany Sina, ny taon-dasa. Voninahitra lehibe ho an’i Madagasikara sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena izao fahatongavan’ireto iraka manokana sinoa ireto, raha ny nambaran-dramatoa tale Jeneralin’ny fanatanjahantena, Rakotozafy Rosa, omaly, teny Ivato. Nisaotra ihany koa an-dRamaherison José ity farany satria anisan’ny angady nananana izao fiaraha-miasa izao ity filohan’ny federasiona ny kung fu wushu ity.Azo antenaina ny hisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena sinoa sy ny malagasy ary irariana ny fitohizan’izany amin’ny ho avy, raha ny nambaran’ny filohan’ny delegasiona Sinoa, i Wang Ping (Deputy Director). Mi.RazL’article Firenena sinoa: tonga hiara-hiasa amin’ ny Komity olympika malagasy ny MJS a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Amin’ny alina no mamboly sy manao arina: olona 23 notanana am-ponja vonjimaika

Misy ny fiaraha-miasa teo amin’ny Madagascar National Parks sy ny mpitando filaminana ao Mahajanga amin’ny fitandroana ny filaminana ao anatin’ny atiala hisorohana ny fidirana an-tsokosoko sy ny fitrandrahana, nanomboka ny taona 2013, hoy ny kaomandin’ny rezimanta voalohany ao Mahajanga ao anatin’ny faritany miaramila fahefatra, kolonely Nasinto Herilala Jean Christian. Rehefa tsy voafehin’ny mpiasan’ny MNP intsony ny fidiran’ny mpifindra monina tao anatin’ny valanjavaboary sy ny fanimbana, nanome tohana ny miaramila sy ny zandary. Tsy mbola nisy ny fifandonana mivantana hatramin’izay fa akisaka toerana fotsiny ireo mipetraka amin’ny faritra voaaro miaraka amin’ny miaramila.Mamboly katsaka sy voamaina ireo mpifindra monina ao anaty ala ka ny hazo tapahana hanaovana ny tanimboly havadika ho arina fandrehitra. Amin’ny andro alina avokoa no hanaovana izany asa izany ka 30 ka hatramin’ny 50 olona no manatanteraka ny fambolena sy ny fiotazana ny vokatra hatramin’ny fanamboarana ny arina. Nisy ny zana-tanàna noravana niorina tao anatin’ny ala arovana sy fandravana ireo voly tratra rehetra miaraka amin’ny prefektiora sy ny MNP ary ny mpitandro filaminana. Fametrahana brigade forestierTamin’ity taona ity, nidina teny ifotony ny tompon’andraikitra, ny volana avrily lasa teo. Nandray fepetra izy ireo ka olona dimy no nosamborina ary natolotra ny fampanoavana. Tolo-kevitry ny mpitandro filaminana ny fametrahana ny brigade forestier mipetraka any anaty ala mihitsy manara-maso ny tsy fanarahan-dalàna. Manampy azy ny vondron’olona eny ifotony mitantana ny ala sy manohana amin’ny fanentanana ny mponina tsy hiditra ao anatin’ny ala arovana.  Voalazan’ny mpandrindram-paritry ny minisiteran’ny Tontolo iainana ao Boeny, Andrianjafy Ihandro fa nihahenjana ny fanenjehana ireo mpanimba ny atiala ao Ankarafantsika ka 23 ny olona notanana am-ponja vonjimaika ao Mahajanga, nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona ka hatramin’ity volana ity. Ireo olona dimy voalaza etsy ambony ny farany indrindra. Ny volana aogositra sy septambra no tena betsaka ny doro ala.27 ny mpiasan’ny MNP misahana ny velarana 136 513 ha  ka ny mpiasa iray mitantana 5 000 ha raha 500 ha ny fenitra.L’article Amin’ny alina no mamboly sy manao arina: olona 23 notanana am-ponja vonjimaika a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 27-09-2020
Source : CCO COVID19 - 27/09/2020

Notsongaina

Tambajotran-tserasera: niakatra ny vola kirakiraina
23/09/2020

Nampihodina vola 1 246,367 Ariary, niakatra ho 22,46 % ny vola kirakirain’ny tambajotran-tserasera rehetra eto Madagasikara, ny taona 2019, raha oharina ny taona 2018, araka ny tarehimarika navoakan’ny Artec (Autorité de régulation des technologies de communication). Ny sersera amin’ny antso sy ny sms no mitana ny loharaharana amin’izany, manome 528,378 Ariary, na nitombo ho 4,94% raha ampitahana ny tamin’ny 2018.Ny sampana Data kosa, nitombo 23,74% ny tamin’ny 2019, araka ny fanazavan’ny Artec. Noho ny fitombon’ny fampiasana “fibre optique” tamin’ny 2019 ny nahatonga izany. Nampiditra 270 miliara Ariary ny Data tamin’io fotoana io.Miroborobo, araka izany, ny tambanjotra ny fifandraisan-davitra. Ny foibe fiantsoana Towerco, ohatra, nampiditra 214 miliara Ariary, niakatra ho 228 % nandritra iny taon-dasa iny. Azo lazaina fa sehatra tsy nianjadian’ny Covid-19 ny fifandraisana. R.MathieuL’article Tambajotran-tserasera: niakatra ny vola kirakiraina a été récupéré chez Newsmada.

Tolokevitra amin’ny fifidianana : herintaona mialoha ny fiomanana amin’ny propagandy
24/09/2020

                “Miainga avy amin’ireo tolo-kevitry ny mpiara-miombona antoka, ny antoko politika sy ny kandidà tamin’ny fifidianana, ny mpanara-maso ny fifidianana… Naravon’ny Ceni izany ary hatolotra amin’ireo rafitra mahefa amin’ny fampanjariana ny lalàna” , hoy ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Rakotondrazaka Fano, teny Alarobia, omaly. Namory ireo mpiara-miombona antoka teknika sy vola (PTF) sy ny antoko politika ny eo anivon’ny Ceni ho fanatsarana ny fifidianana. Tolo-kevitry ny Ceni ny amin’ny fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra: hitarina ho herintaona mialoha ny volana hanatanterahana fifidianana ny fiomanana. Manomboka amin’izany ny fampielezan-kevitra. Malalaka ny fanomanana sy ny propagandy.Momba ny rotsa-bolan’ny kandidà amin’ny fanontana ny biletà kosa, tokony averina ny volan’ireo mahazo ny 5% amin’ny vato manan-kery  ary hamoraina ny famerenana azy. Hosokafana maharitra ny lisitry fifidianana: afa-misoratra anarana any amin’ny biraon’ny fokontany amin’ny fotoana rehetra ireo mahafeno fepetra fa tsy ferana.R.Nd.L’article Tolokevitra amin’ny fifidianana : herintaona mialoha ny fiomanana amin’ny propagandy a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-mientan’ny mpanohitra: hidongy tsy handray anjara amin’ny fifidianana  ny Tim
25/09/2020

Handeha ila ny fifidianana ? « Tsy handray anjara izahay. Tsy ara-dalàna ny firosoana amin’io fifidianana io. Aleo hitsara ny vahoaka na ara-dalàna na tsia izany fifidianana izany. Tena amboletra ny hanaovana izany », hoy ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc. Namory sy nanome toromarika ireo olom-boafidy ahitana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina, ny depiote, ny loholona tetsy Bel Air ny tenany tamin’izany. Nanteriny fa miara-dalana amin’ny vondron’ny parlemantera sy ny mpanohira, nifamory teny Andrainarivo izy ireo. « Voafehy ary tsy hiatrika na handray anjara amin’izany fifidianana izany ireo olom-boafidinay ireo », hoy ihany izy.Momba ny fanakatonana ny AAA kosa, nambarany fa tsy tompon’andraikitra amin’io orinasa io ny tenany. « Mazava ny voalazan’ny sori-dalana raha momba ny hetran’ny Tiko fa anjaran’ny fanjakana ny manonitra ireo orinasa niharam-boina tamin’ny krizy teto amin’ny firenena », hoy ihany izy.Tsiahivina fa anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fihaonamben’ireo antoko politika ivelan’ny fitondrana sy ireo parlemantera, ao anatin’ilay antsoina hoe “Groupe Panorama” ny avy amin’ny Tim. Mitovy ny tadin-dokanga ny amin’ny tsy fanekena ny hirosoana amin’ny fifidianana loholona.Synèse R.L’article Fiaraha-mientan’ny mpanohitra: hidongy tsy handray anjara amin’ny fifidianana  ny Tim a été récupéré chez Newsmada.

Minisitra Bavy Michelle Angelica: « Midina ifotony hahitana ny filan’ny vahoaka »
23/09/2020

Nidina ifotony tamin’ny faritra telo: i Vakinankaratra sy Amoron’i Mania ary i Matsiatra Ambony ny minisitry ny Mponina, i Bavy Michelle Angelica, ny herinandro teo. Narahina asa sy nitondrana fanampiana izany. “Fidinana ifotony, ahitana mivantana ny zava-misy sy ny tena ilain’ny mponina izao atao izao. Eo koa ny fitia mifamaly, mahatsara fihavanagna“, hoy hatrany izy tamin’izany. Anisan’ny notsidihiny ny fijerena ny Centre Tsarahonenana ao Ambositra, misy ireo manana fahasembanana saina, tantanan’ny mompera Max. Miisa 17 ireo tsy misy mpiahy raisin’ity ivontoerana ity. Nitondra fanampiana ho an’ireo jamba, manao asa tanana ho an’ny foibe koa ny minisitra. Notokanany koa ny ivontoerana ho an’ny fikambanam-behivavy ao Ambatofinandrahana. Ny fanokafana ny tetikasa “Asa avotra mirindra” ho an’ny distrikan’i Manandriana, ahitana fianakaviana miisa 6 000 misitraka izany amin’ireo kaominina miisa 10.Fikambanam-behivavy nahazo tohanaFanombohan’ny tetikasa ny fanamboarana lakandrano mirefy 1 800 m. Nanolotra bodofotsy sy lay misy ody moka ho an’ireo zokiolona ao an-toerana koa ny minisitra. Ho an’ny ao Isandra kosa, nisy ny asa “Avotra mirindra Voamamy” amin’ny fanajariana ny tany voavoly hazo, mangahazo, kafe, tanterahin’ny mponina. Nizarana Vatsy tsinjo ireo marefo ary nomena milina fanjairana ny fikambanam-behivavy any an-toerana. Notolorana lelavola 4 hetsy Ar ny fikambanam-behivavy ao Ambohimahasoa, ankoatra ny fianakaviana 6 000 mahery, samy tohana avy amin’ny Fid avokoa izany.Etsy andaniny, hisy ny Tosika famokarana ka hivatsiana 30 000 ka hatramin’ny 50 000 Ar ireo raiamandreny ampirisihana azy ireo hampiditra an-tsekoly ny zanany.Tany Vakinankaratra kosa, nitsidika ny fikambanam-behivavy “Mamafitia” ao anatin’ny kaominina miisa 18 ao Betafo ny minisitra. Notolorana fitaovana izy ireo, ankoatra ireo sembana miisa 50 ao Mandoto ary nisitraka fanampiana avy aminy.Synèse R.L’article Minisitra Bavy Michelle Angelica: « Midina ifotony hahitana ny filan’ny vahoaka » a été récupéré chez Newsmada.

Fepetra amin’ny CMH: voarara ny afo kitay amin’ny hani-masaka
22/09/2020

Voalazan’ny fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana (CMH)  ao amin’ny toko fahatelo ny momba ireo fepetra tsy maintsy arahina amin’ny varotra hani-masaka.Ny andininy faha38 dia milaza fa voarara ny fampiasana kitay amin’ny varotra hani-masaka. Ny mpivarotra tsirairay dia tsy maintsy mandray fepetra hahatonga ny fatana ampiasana etona fandrehitra na afon’arina tsy hanelingelina ny fivezivezen’ny mpandeha an-tongotra. Tokony hamboariny ny toerana mba hahazoany mampiasa fatana mandeha amin’ny etona fandrehitra na arina. Ny toerana nomena ireo mpivarotra hani-masaka dia tsy maintsy sasany sy dioviny alohan’ny hikatonany.Araka ny andininy faha-35 ao amin’ity toko fahatelo ity dia hentitra ny fandraràna ny fivarotana hani-masaka ivelan’ny toerana voatokana sy nohajariana manokana ho amin’izany ao anatin’ny tsena.Ny tsy fanajana io lamina io dia mitarika fandraofana avy hatrany sy fanapotehana ireo entana aorian’ny fitanana an-tsoratra ataon’ny mpanenjika ny fandikan-dalàna. Ny varotra hani-masaka sy sakafo fihinana dia tokony ho anaty vata fitaratra mihidy tsara, izay tsy tafiditry ny bibikely na ny vovoka.Tsy maintsy mampiasa fonon-tanana, na raha tsy misy dia fitaovana voatokana handraisana ireo sakafo amidy.Tokony hanana rano, na tahirin-drano fisotro avokoa ny fivarotana rehetra.Tsy maintsy manana taratasim-panjakana sy fitaovana madinika, izay tanisaina manaraka eto ka takina isaky ny misy ny fanamarinana ireo mpivarotra hani-masaka. Kara-panondrom-pirenena, patanty amin’ny anaran’ny mpivarotra, manan-kery mandritra ny taona diavina, fahazoan-dalana manamarina ny nahazoana ny toerana fivarotana, fankatoavan’ny sampan-draharahan’ny fahasalamam-bahoaka mahefa miantoka ny fahatomombanan’ny sakafo amidy, fanamarinam-pahasalamana manan-kery amin’ny taona diavina. Mila kahie fitananana an-tsoratra voamarika sy misy fitomboky ny kaominina, izay hitanana ireo tsikera avy amin’ny mpiandraikitra isan-tsokajiny misahana ny fanaraha-maso ny fahasalamam-bahoaka.Tatiana AL’article Fepetra amin’ny CMH: voarara ny afo kitay amin’ny hani-masaka a été récupéré chez Newsmada.

COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020
24/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Bilan epidemiologique du 24 Septembre 2020 Ce 24 Septembre 2020, Madagascar enregistre 24 nouveaux cas sur 284 tests effectués. 8 des ces nouveaux cas sont localisés dans la région Diana, 5 nouveaux cas dans la région d’Analamanga, 5 nouveaux cas dans la région Alaotra Mangoro, 2 nouveaux cas dans la région Menabe, 1 nouveau cas dans la région Itasy, 1 nouveau cas dans la région Haute Matsiatra et 1 nouveau cas dans la région Anosy. Par contre, 14 883 personnes sont totalement guéries du Covid-19 car ce jour, 45 personnes rétablies sont recensées par le CCO-COVID-19. De ce fait, 1129 patients suivent encore des traitements dont 15 presentent des formes graves. Par ailleurs, une personne a succombé au coronavirus, portant à 227 le nombre total des personnes décédées du Covid-19. Rappelons nous que depuis le debut de la pandémie, Madagascar enregistre 16 191 personnes contaminées.L’article COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Fametrahana ny tany tan-dalàna: malahelo sy menatra amin’ny ataon’ny fitsarana ny KMF/Cnoe
24/09/2020

Tsy nitsitsy fitenena ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, manoloana ny fametrahana ny tany tan-dalàna. Anisan’ny notsikerain’izy ireo ny fitsarana.“Foto-kevitra iray iainan’ny KMF/Cnoe ny fanajana lalàna. Ho anay, rehefa izay ny fanapahan-keviny: mampalahelo sady mahamenatra. Mampalahelo sy mahamenatra tsy hoe tsy nahavoa na resy izahay fa Repoblika sy fanjakana tan-dalàna no iainantsika nefa mahasahy milaza fa tsy mahefa ny raharaha ny mpitsara.”Io ny nambaran’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, notarihin’ny filoha nasionaliny, Andriamalazaray Andoniaina, teny Antanimena, afakomaly, manoloana ny tsy fahefan’ny Filankevi-panjakana mitsara ny fitoriany amin’ny hanafoanana ny didim-panjakana fihaikana mpifidy vaventy sy ny hanafoanana ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra.Ny fanambaran’ny Filankevi-panjakana fa tsy mahefa hitsara ny raharaha amin’izay io fitoriana izay no tsy nampoizina. Efa nisy ny ady toy izao tany amin’ny taona 2008. Angamba, mety ho diso fitadidy ireo mpitsara. Nisy didim-panjakana navoakan’ny Filankevi-panjakana tamin’izany. Amin’ny maha didy fakan-tahaka azy fotsiny, mahamenatra ny nambaran’ny fitsarana ho tsy mahefa ny raharaha. “Mahamenatra izany fa tsy maninona: izay ny rafitra sy ny lalàna, hajaina ny lalàna”, hoy izy.Tsy ny voka-pifidiana no zava-dehibeRehefa mifidy ny olona, tsy ny voka-pifidianana no zava-dehibe fa ny fahazoana maneho hevitra amin’ny latsa-bato. Izay famoahana ny safidy avy amin’ny tsirairay izay no manambara fa tany tan-dalàna sy fanajana ny demokrasia, manoloana ny filazana fa tsy hanova ny voka-pifidianana ny tsy fahafenoan’ny mpifidy vaventy amin’io fifidianana loholona io.Nilaza ny mbola hivory sy handinika tsara ny KMF/Cnoe na hanara-maso na tsia ny fifidianana. Tsy azo entina amin’ny hafanampo sy ny hataitairana ny raharaham-pirenena.R.Nd.L’article Fametrahana ny tany tan-dalàna: malahelo sy menatra amin’ny ataon’ny fitsarana ny KMF/Cnoe a été récupéré chez Newsmada.

Mpiasan’ny minisitera: am-perinasa ny «guichet unique»
24/09/2020

Nanomboka tamin’ity herinandro ity, efa am-perinasa ny « guichet unique interministeriel» ho an’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Miasa eo anivon’ny sampandraharaha miasahana ny fitantanana ny mpiasa, etsy Mahamasina izy io.Fomba entina hikarakarana haingana ny antontan-taratasin’ny mpiasa izany. Ho an’ireo mpiasa alefa hisotro ronono, efa miisa 1.400 ireo antontan-taratasy momba izany. Ireo hafindra toerana kosa mahatratra 1.300. Ho an’ireo efa misotro ronono, miisa 250. Mahatratra hatrany amin’ny 3.500 kosa ny antontan-taratasy karakaraina momba ny fanamboarana ny sokajin’asa ho an’ny mpiasa. Manodidina ny 300 kosa ny momba ny fiakarana grady, fikarakarana momba ny tambiny arakasa…Ho an’ny fanavaozana ny fifanarahana arakasa kosa dia mahatratra hatrany amin’ny 2.500.Kendrena ho vita haingana ny fikarakarana ireo antontan-taratasy izay nikatso nandritra hamehana ara-pahasalamana lavareny teo. Kendrena mba tsy hisy fiantraikany betsaka amin’ny mpiasa amin’ireo sokajin’asa misy azy avy iny valanaretina nampitarazoka zavatra maro iny.Tatiana AL’article Mpiasan’ny minisitera: am-perinasa ny «guichet unique» a été récupéré chez Newsmada.

Cisco Antananarivo Renivohitra: Anarivony ireo tsy tonga tamin’ny BEPC
22/09/2020

Nanomboka omaly ary hitohy anio ny fiatrehan’ny mpiadina 327 455 ny fanadinana BEPC. Tsy nisy olana saro-bahana fa nizotra tsara ny andro voalohany.  26 485 ny isan’ny mpiadina nanatrika ny fanadinana BEPC ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra raha 27 699 no nisoratra anarana. 1214 ireo tsy tonga, omaly, tamin’ny andro voalohany, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco, Ramananantony Lalaina, omaly. Nizotra tsy nisy olana saro-bahana ny fanombohana ny BEPC. Mpiadina iray avy any Ambatondrazaka no voatery niatrika ny fanadinana teto an-dRenivohitra ka rehefa voamarina fa voasoratra anaty ny lisitry ny mpiadina izy dia nomena ny taratasy fiantsoana ary nomena alalana hanaraka ny fanadinana. Nisy koa ireo diso foibem-panadinana, saingy tsy niteraka olana fa tonga teny amin’ny ivontoerana tokony niadinany ihany izy ireo.Nanamafy koa ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazana, Razafimahefa Herman fa na nisokatra aza ny lalana hivoaka ny faritra rehetra, azo noraisina hanatanteraka ny BEPC ihany ireo mpiadina taraiky tany amin’ny faritra ary nohamoraina ny fahazoany miatrika izany. Nitsidika ny CEG Ambatolampy Tsimahafotsy ny tompon’andraikitry ny minisiteraho fanombohana tamin’ny fomba ofisialy sy ny fanokafana ny laza adina, omaly maraina. Manana tombony ny teto Madagasikara afaka nanao ny fanadinana roa ara-panjakana raha mitaha ny tany ivelany, izay nanambara fa taona fotsy ny taom-pianarana 2019-2020, indrindra taty Afrika. 272 ny mpiadina teny amin’ny foibem-panadinana CEG Ambatolampy Tsimahafotsy, Cisco Ambohidratrimo.Nohajaina avokoa ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina Coronavirus.Hiatrika ny taranja matematika sy ny français (LV1) ny mpiadina, anio tontolo andro.356 ny tsy tonga tao ToamasinaHo an’i Toamasina manokana, nitombo tsy toy ny fahita isan-taona ny isan’ireo mpiadina tsy tonga niatrika ny fanadinana BEPC, ho an’ny omaly, izay mahatratra 356. Mitotaly 19 055 ireo mpiadina voasoratra anarana ao anatin’ny faritra Atsinanana, izay mitsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 56. 6 357 kosa ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina voalohany voazarazara amin’ny toeram-panadinana 14. Vonjy A. sy SajoL’article Cisco Antananarivo Renivohitra: Anarivony ireo tsy tonga tamin’ny BEPC a été récupéré chez Newsmada.

Prosperer: manohana ny tetikasa Salohin’Analamanga
24/09/2020

Tetikasa iray manohana ny tontolo any ambanivohira amina sehatra asa maro ny Prosperer (Programme de soutien aux pôles de micro-entreprises rurrales et aux aux économies régionales). Tanjona amin’izany ny hampitombo ny fidiram-bolan’ny tantsaha mahantra any ambanivohitra hifantoka bebe kokoa amin’ny fambolena sy ny fanaovana asa tanana. Faritra dimy no tena ahitana izany sy distrika 19, ahitana fihariana karazany maro fa ny asa tanana no miaraha-miombona antoka, hampifandraisana ny fahaiza-manao, ny fitaovana iaraha-miasa ho fampandrosoana ny kaominnina sy ny distrika.Eto amin’ny faritra Analamanga, ohatra, anisan’ny mahazo tohana avy amin’ny Prosperer ny mpanao asa tanana Salohin’Analamanga, ivondronan’ny mpanao asa tanana anjatony miasa amin’ny karazam-pihariana enina hanomezan-danja ireo karazana asa tanana ireo sy hanehoana ny fahaiza-manaon’ny avy eto amin’ny faritra.Mahazo tohana avy amin’ny fandaharanasa Prosperer Analamanga ny tetikasa fanampaiana ny tantahasa mifandray amin’ny sehaty ny fizahantany ny fihariana madinika, hanomezana vahana ny mpanao asa tanana, hanana fidiram-bola amin’ny asa ataony, hampisondrotra hatrany ny seha-pihariana antom-piveloman’izy ireo. Na eo aza ny valanaretina Covid-19, tsy mahasakana ny asa fihariana ataon’ireo mpanao asa tanana ny tetikasa tohanan’ny Prosperer. Faritra dimy ny tena misy azy anatin’ny distrika 19, samy manana ny mampiavaka azy. R.MathieuL’article Prosperer: manohana ny tetikasa Salohin’Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

Gadona Balvin & Wizkid: nivoaka ny «Jaolahy be» an’i Romeo 3.0
24/09/2020

Araka ny nampanantenain’i Mario, efa nivoaka niparitaka ao amin’ny tambajotran-tserasera « facebook » sy ny «youtube», ny alahady teo, ny hira vaovao an’i Romeo 3.0 «Jaolahy be», amin’ny gadona balvin & wizkid. Mbola tena vitsy mpanao eto Madagasikara kanefa manana ny hanitra ho azy izy io, araka ny nambarany. Anisan’ny tena nahafantarana an’i Romeo 3.0 ny afrobeat sy ny mozika tropikaly…Ankoatra izay, eo am-piketrehana rakitsary (album), ahitana rindrantsary (clip) folo eo ho eo, izy ka anisan’ny ho hita ao anatin’izany ny «Jaolahy be», araka ny nambarany hatrany. Raha tsy misy ny fiovana, hanohy ny fiakarana an-tsehatra miaraka amina mpanakanto hafa toa an-dry Arth, i Lawout, i Ghotta, i Emci, i Jinn’s, i Jean Marc, i Mc Rami, i Jo Joly, i Allex sy ireo maro hafa. « Mivelatra be ny mozika… Ary amin’ny maha mpanakanto, mila mitady zava-baovao hatrany hiavahan’ny tena amin’ny hafa. Izay no tena maha artista », araka ny nambaran’i Romeo 3.0.NarilalaL’article Gadona Balvin & Wizkid: nivoaka ny «Jaolahy be» an’i Romeo 3.0 a été récupéré chez Newsmada.

Fisolokiana avo lenta: karohin’ny BC Rakotoseheno Olivier
26/09/2020

Lasa mirongatra mihitsy ny mpisoloky tato ho ato! Vao haingana no nisy lehilahy iray namoahan’ny polisy didy fikarohana noho ny fisolokiana avolenta natao. Namoaka filazana didy fikarohana momba ity lehilahy iray hita amin’ny sary ity koa ny polisy misahana ny hekoka bevava sakelika faharoa (BC2) Anosy. Miangavy amin’ireo olona mahalala sy/na mahita ity lehilahy ity ny polisy mba hampandre azy ireo na hiantso ny laharana telefaonina finday 034.05.517.26. Toy izao ny mombamomba azy: Rakotoseheno Olivier, teraka tamin’ny 7 febroary 1972 tao Ambohidratrimo (48 taona), manana kara-panondro laharana 103 091 000 460 nomena ny 23 Septambra 1991 tao Ambohidratrimo. Toeram-ponenana nahitana azy farany tao Ankaraobato Antananarivo sy tao Morarano Amborovy Mahajanga. Antony hikarohana azy : Fanaovana asa ratsy, fisolokiana vola. Nanamafy ny polisim-pirenena fa manome toky fa tazonina ho tsiambaratelo ny mombamomba ny mpanome vaovao. Na izany aza, mampahafantatra ny rehetra izy ireo fa izay mampiantrano na mitahiry na manafina olon-dratsy, indrindra raha olona efa namoahana didy fikarohana toy izao dia naman’ny mpiray tsikombakomba aminy ka tsy maintsy hohenjehina araka ny lalàna.Jean ClaudeL’article Fisolokiana avo lenta: karohin’ny BC Rakotoseheno Olivier a été récupéré chez Newsmada.