Lozam-pifamoivoizana :: Mpandeha roa namoy ny ainy nadonan’ny fiara tamin’ny hazo

News - Lozam-pifamoivoizana :: Mpandeha roa namoy ny ainy nadonan’ny fiara tamin’ny hazo

News - Lozam-pifamoivoizana :: Mpandeha roa namoy ny ainy nadonan’ny fiara tamin’ny hazo

Tsy tana ny ain’ny mpamily sy ny mpandeha iray tamin’ny fiara marika “Mercedes Sprinter Fourgon” niharan-doza tany Vohitranivona-Brickaville amin’ny lalam-pirenena faharoa, afak’ omaly. Nitondra mpandeha folo io fiara io avy any Ambohimahasoa raha nikasa ho any Savalaina saingy nidona tamin’ny hazo letisia lehibe iray talohan’ny nivoahany ny lalana.

Ahiana ho vokatry ny torimaso fotsy nahazo ny mpamily no nahatonga ny loza, raha ny tombantomban’ireo zandary nidina ifotony nijery ny voina niseho. Naratra ny efatra tamin’ ireo mpandeha ary samy efa manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly any Brickaville. Nahitana fahapotehana lehibe tokoa ny fiara.

L’article Lozam-pifamoivoizana :: Mpandeha roa namoy ny ainy nadonan’ny fiara tamin’ny hazo est apparu en premier sur AoRaha.

Lozam-pifamoivoizana :: Mpandeha roa namoy ny ainy nadonan’ny fiara tamin’ny hazo

Nivoaka tamin'ny : 09/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Kitra – «Chan 2020»: hidona amin’i Namibia ny Barea

Fantatra izao fa i Namibia no hidona amin’ny Barean’i Madagasikara, eo amin’ny fihodinana fahatelo, hiadiana ny toerana hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina «Chan 2020». Araka ny daty, hotanterahina eto Madagasikara ny lalao mandroso, ny 22 septambra ho avy izao, ary any Windhoek kosa ny fihaonana miverina, ny 12 oktobra 2019. Hiatrika ny dingana famaranana, hatao any Kameronina ny taona 2020, izay tafavoaka amin’ny roa tonta.Ankoatra izay, tafaverina omaly alatsinainy, eto an-tanindrazana, ny Barean’i Madagasikara ka nitsena azy teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato Rasoamaromaka Hery. Nentiny niara-nisakafo taminy ny Barea, ary notolorany 6 tapitrisa Ar ireo mpilalao ho fankasitrahana ny zava-bitany sy ny nahatafakatra azy ireo. Nomeny 1 tapitrisa Ar kosa ilay mpitsara malagasy nitantana ny lalao tany Lesotho. Nisaotra an’i Hery Be ny solontenan’ireo mpilalao noho izao fihetsika nataony izao. TorcelinL’article Kitra – «Chan 2020»: hidona amin’i Namibia ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Imerintsiatosika: jiolahy 10 vosambotry ny zandary

Ravan’ny zandary avy ao Imerintsiatosika ny tambajotran-jiolahy ikoizana ahitana 10 lahy ao amin’ny kaominina Imerintsiatosika. Jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadina ireo tratra, ny asabotsy teo, taorian’ny hetsika nataon’ny zandary. Fantatra fa maro ireo fitarainana voaray mahakasika ny horohoro, vaky trano sy fanafihana mitam-piadina ataon’ireo jiolahy. Vokany, nanao hetsika manokana hampandrian-tany ny zandary. Tratra tamin’izany ireo entana halatra isan-karazany. « Sarona tao amin’ny trano fieren’izy ireo ny rongony telo kilao. Ireo fitaovana toy ny basy poleta vita gasy iray miaraka amin’ny bala miisa 9 miampy chargeur miisa roa », hoy ny fanazavan’ny zandarimariam-pirenena, loharanom-baovao. Nambarany fa hita tao an-toerana ihany koa ny « barre à pince » sy ny antsy lava fampiasan’ireo olon-dratsy. Nohamafisin’ny loharanom-baovao hatrany fa mpamatsy balan’ireo jiolahy mihitsy ny roa lahy amin’izy ireo. Henintsoa HaniL’article Imerintsiatosika: jiolahy 10 vosambotry ny zandary a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Anosibe : Jiolahy nitondra « kalach », nanafika « grossiste »

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray tetsy Anosibe, ny sabotsy lasa teo. Mpivarotra ambogandiny teny an-toerana indray mantsy no lasibatry ny andian-jiolahy. Vola an-tapitrisany maro no lasan’ireto farany. Mbola mazava tsara mihitsy ny andro, kanefa dia sahy nanatanteraka ny asa ratsiny ireto mpanafika ireto. Tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany tolakandro teo mantsy no nitranga ity fanafihana ity araka ny fampitam-baovao azo avy eny anivon’ny zandary. « Grossiste » amina  kojakoja ilaina andavanandro no nidiran’ireo efa-dahy an-keriny. Araka ny voalaza, dia nitondra basy mahery vaika, toy ny « kalach » ireto farany nanao amboletra tao amin’ilay mpivarotra. Mazava ho azy, teo anatrehan’ny basy narangarangan’ireo olon-dratsy, dia tsy sahy nanohitra na namaly ireo mpanafika, na ireo tompon-trano na ireo mpanjifa mbola tao amin’ilay tsena. Ireo nahita ihany koa avy hatrany dia samy nitsoaka namonjy ny ainy avokoa. Nigalabona tanteraka araka izany ireo olon-dratsy, nandrahona ny tompon’ny tsena hanome ny vola rehetra. Tafakatra any amin’ny dimampolo tapitrisa ariary any ho any araka izany ny vola azon’ireo tamin’io fivarotana io. Vao azon’io volabe io dia nitsoaka avy hatrany izy ireo. Taorian’io vao afaka niantso vonjy sy nampilaza ny mpitandro filaminana ilay voatafika. Ny zandary avy etsy amin’ny borigady Tana Ville no nandray an-tànana avy hatrany ny raharaha, ary nanao izay nikarohana ireo olon-dratsy. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia efa nisy lehilahy iray nosamborina teny an-toerana. Ahiana tanteraka ho mpiray petsapetsa na isan’ireo nandray anjara tamin’ity fanafihana mpivarotra ambongadiny ity mihitsy izy io, hoy hatrany ny vaovao. Efa nentina nofotorana teny Betongolo moa ity farany. Na izany aza mbola mitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy nanafika. m.LL’article Anosibe : Jiolahy nitondra « kalach », nanafika « grossiste » a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Misy hatrany ny azo atao amin’izao…

Ao anatin’izao ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 izao, mitombo isa ny mpangataka etsy sy eroa. Tsy misy tsy sahirana amin’izao? Misy ny mitalaho mafy amin’izany, mibaiko, manery aza. Toy ny hoe manan-jo sy fahefana amin’izay ananan’ny hafa iny ny sasany. Izay may, adala? Tsy ifanomezan-tsiny fa lalina sy mafy ary sarotra ny fahasahiranana. Na izany aza, mampieritreritra ihany tokoa ny toe-javatra amin’ny lafiny iray. Misy aloha ny mahantra noho ny ataony toy ny hoe kamo, tsy te hisahirana… Na diso fandeha tamin’ny lalam-piainana: tsy mijery ny farany, za-dratsy miankina amin’ny hafa… Nefa ao koa ny tena mahantra tsy fidiny noho ny antony samihafa: olana amin’ny fianakaviana, asa atao, fiarahamonina… Manampy trotraka izany rehetra izany izao ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 izao. Tsapa sy tsy takona afenina ny fahamaizan’ny sasany hahazo… sitrany ahay. Na efa sarotra ny fahazoana kely noho izay efa iainana sy misy ny rehetra, hany ka tonga amin’ny hoe mitalaho, mibaiko, manery aza. Amin’izay lafiny izay, voka-javatra ny fahantrana fa tsy anton-javatra. Raha misy ny manankarena amin’ny fomba tsy mazava, be koa ny mahantra tsy amin’ny antony? Efa nisy sy niainana izany ela izay. Amin’izao ady amin’ny fihanaky ny valanaretina izao, vao mainka miharihary… Tsy miara-misitraka ny soa iombonana sy ny tombontsoa eo anivon’ny firenena, ohatra, ny rehetra. Misy hatrany ny zanak’Ikalahafa, lavitra fitondrana, hadino tanteraka… Tena misy ny very sy ny tsy fantatra? Toy ny tsy fahalalana mazava ny isan’ny mponina, ohatra, ny trano fonenana, ny asa misy… Ohatra ihany ny mpangataka fa mirongatra be izao ny karazana mahantra ao anatin’izao ady izao. Misy ny mivaro-pananana, manao ny tsy fanao, mikarama vary masaka ara-bakiteny… Tsy misy tsy mikaikaika amin’izao? Nefa misy hatrany ny azo atao… Inona? “Aza manontany izay mety hataon’ny firenena aminao fa manontania izay azonao atao ho an’ny firenena”, hoy ny filoha teo aloha an’i Etazonia izay, i John Fitzgerald Kennedy.Rafaly Nd.L’article Misy hatrany ny azo atao amin’izao… a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Herisetra mahery vaika :: Tanàna may sy vono olona noho ny valifaty

Tsy fanafihan-dahalo tsotra fa ahiana ho valifaty no antony nanafihana ny tanànan’i Beombalahy, kaominina Anjomaramaritina, distrikan’i Mandoto, tamin’ny alahady lasa teo. Olona efatra no maty raha fito no naratra, ankoatra ny fahamaizan’ny trano am-polony. Tsy latsaky ny telopolo sady miandahy miambavy ireo mpanafika, tamin’izany fotoana izany. Manao ny fanarahan-dia sy ny fanenjehana an’ireo olondratsy ny zandary any antoerana, saingy tsy mbola nahazoana tatitra amin’ny mety ho fivoaran’ny fikarohana. “ Mety ho mifandray tamin’ny fahafatesana dahalo mpangalatra omby avy tany amin’ ny faritra Tsiroanomandidy, herintaona lasa izay, ity fanafihana tany Beombalahy ity”, hoy Rakotorahalahy Modeste, solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tany Mandoto. Nandray an-tanana sy mikarakara an’ireo mponina niharam-boina izy, nandritra ny fidinany tany an-toerana nijery akaiky ny zava-misy. Tamin’ny 2 ora maraina, tamin’ny alahady, no tonga tao amin’ny tanànan’i Beombalahy ny andian’olona am-polony izay nanapoaka basy, nandroba sady nandoro trano. Maty voatifitra ny olona efatra: ny vadin’ny lehiben’ny fokontany, ny katekista ary lehilahy sy vehivavy iray. Naratra voatifitra ihany koa ny olona dimy. Olona roa hafa may noho ny firehetan’ny trano. Omby roa ihany kosa no nalain’ireo mpanafika. Maherin’ny efapolo ny zandary nalefa nanao ny fikarohana, hatramin’ny omaly. Dia an-tongotra an-kilaometatra maro any amin’ny toerana sy vohitra tsy tongan’ny fiara no ataon’izy ireo ary fantatra fa mizotra mankany amin’ny faritra Bongolava. L’article Herisetra mahery vaika :: Tanàna may sy vono olona noho ny valifaty est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Teza: « Hirosoana ny fanorenana ifotony »

Nitondra tolokevitra ho amin’ny fanatsarana ny fitantanana sy ny fanaovana politika  ary ny  demokrasia. “Tokony hiditra amin’ny fanorenana ifotony ny fitondram-panjakana ka havaozina avokoa ny lesoka rehetra tsy nety, indrindra fa ny lalàna mifehy ny fifidianana, ny lalàn’ny serasera, ny lalàna amin’ny ankapobeny mba hanatsarana azy”, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Teza, Rakotoamboa Jean-Louis. Nohitsiny fa anisan’ny tsy nety ny nandrafetana sy ny fanatanterahana azy fa samy nanao ny tiany hitondrana azy ny mpitondra nifandimby teto. “Ilaina, noho izany, ny fanorenana ifotony mba tsy hisian’ny olana hiverimberina eto amin’ny tany sy ny firenena intsony. Tokony hampanjakaina ihany koa ny tena demokrasia hipetrahan’ny tena tany tan-dalàna”, hoy ihany ity mpitarika antoko politika ity. Efa nivoy hatramin’ny ela  ny tokony hanaovana ny fanorenana ifotony ny eo  anivon’ny antoko  Teza, saingy  tsy nisy nihaino sy nanaraka. Vita  ihany  ireo fifidianana nifanesy teto amin’ny firenena.Synèse R.  L’article Teza: « Hirosoana ny fanorenana ifotony » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tambajotran’ireo mpamoron-dihy aty Afrika: voatendry ho tale ara-javakanto i Gaby Saranouffi

Vaovao lehibe ho an’ny tontolon’ny dihy. Voatendry ho tale ara-javakanto ho an’ny tambajotra iarahan’ireo mpandihy sy mpamorona soradihy aty Afrika i Gaby Saranouffi. Hiara-hitantana aminy amin’izany ilay mpandihy togoley, i Nadège Amatogbe, mandritra ny telo volana ho avy (febroary, marsa ary avrily 2021). Teraka nandritra ny fihibohana nisy maneran-tany ity tambajotra ity, enim-bolana lasa izay. Tanjona ny hanambarana ny ankamaroan’ireo mpandihy sy mpamorona soradihy. Sehatra ifampizarana vaovao sy kanto izy ity, ary ho fifampahafantaran’ireo mpanakanto ihany koa, mba hisian’ny fifanakalozana bebe kokoa. Mazava loatra fa mba hisian’ny firaisankina sy ny fifanohanana eo amin’ny sehatry ny dihy aty Afrika koa ny tena tanjona. Araka ny nampitain’i Gaby Saranouffi, hitondra fijery vaovao ao anatin’ny fandaharam-potoana isaky ny hetsika hokarakarain’ny tambajotra izy roa mpitantana. Tafiditra ao anatin’izany ny fadaharam-potoana natokana ho an’ny vehivavy manokana, ao anatin’ny lohahevitra « Ny tenin’ny vehivavy ». Ireo mpandihy sy mpamoron-dihy vehivavy efa voky traikefa no hifanakalo amin’ireo tanora vao miditra anatin’ny tontolo, mandritra izany. Anisan’ireo handray anjara amin’izay fifanakalozana izay ilay mpandihy malagasy, i Judith Manantenasoa, miaraka amin-dry Germaine Acogny avy any Sénégal sy Flora Théfaine avy any Togo.Zo ny AinaL’article Tambajotran’ireo mpamoron-dihy aty Afrika: voatendry ho tale ara-javakanto i Gaby Saranouffi a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

“Lalao afrikanina” – Ady totohondry: tafakatra amin’ny ampahavalon-dalana i Tony

Andro voalohan’ny fifaninanana, taranja ady totohondry, ao anatin’ny andiany faha-12 amin’ny “Lalao afrikanina”, tanterahina any Maraoka, nahazo fandresena nanoloana ilay teratany zambianina, i Banda Ben, i Nomenjanahary Tony.Tsara fanomanana ny mpikatroka malagasy, miatrika ny “Lalao afrikanina” any Maraoka, taranja ady totohondry. Fahombiazana ny azon’ny solontena malagasy, sokajy latsaky ny 49 kg, i Nomenjanahary Tony Heriniaina, niditra an-tsehatra, omaly. Teratany zambianina, i Banda Ben, ny nifandona taminy nandritra izany. Tafakatra amin’ny dingana ampahavalon-dalana, araka izany, i Nomenjanahary Tony. Efa nambaran’ireto solontena malagasy ireto fa tsy natahorana loatra ny mpifanandrina, efa nanao fanazantena mafy rahateo ka nizotra tsara ny andro voalohany.Anjaran’Andrianarivelo Marco Jérôme indray ny hiakatra an-tsehatra, ho amin’ny anio, eo amin’ity taranja ady totohondry ity. I Marco izay eo amin’ny sokajin-danja latsaky ny 52 kg ary teratany zambianina ihany koa ni hifandona aminy. Nambarany fa efa vonona tsara izy ary hitady fandresena hatrany. “Nandeha araka ny tokony ho izy tsara ny fanomanana, tsy nisy ny tahotra ary vonona hiatrika ny fifaninanana ho amin’ny anio”, araka ny nambaran’i Marco Jérôme.Tsy nahomby ny taranja hafaAnkoatra ny taranja ady totohondry, nifaninana ihany koa, omaly, ny mpikatroka malagasy, ho an’ny taranja taekwondo sy tenisy ambony latabatra. Samy tsy nahita fahombiazana avokoa ireo solontena malagasy nandritra izany. Nihintsana teo amin’ny lalao fifanintsanana avokoa ireo mpikatroka ho an’ny taekwondo, nahitana an-dRakotoanony Sahondra (-49 kg), Ratovoarisoa Ialisoa (- 53 kg) ary Rakotobe Junko (-46 kg). Toraka izany koa ny taranja tenisy ambony latabatra, lavon’ny Nizerianina sy ny Kenyanina, tamin’ny seta 3 no ho 0, avokoa ireo solontena malagasy, teo amin’ny fifaninanana isam-bondrona lehilahy. Nifaninana nandritra ity lalao fifanintsanana, omaly, avokoa izy efatra mirahalahy: Rakotoarisoa Mamy Setra, Jonathan Brice Nativel, Razafindralambo Zo (Lino) ary i Lefitriniaina Rinauld. Mi.RazL’article “Lalao afrikanina” – Ady totohondry: tafakatra amin’ny ampahavalon-dalana i Tony a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ranesa Firiana: “Mametra-pialana na hatolotra indray ny praiminisitra” 

“Fomba fanao politika vaovao izay tokony hipetraka eto Madagasikara: rehefa vita ny fifidianana solombavambahoaka, manolotra anarana vaovao ho praiminisitra ireo manana ny maro anisa.”Io no fanazavan’ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, momba ny fametraham-pialana na tsia hataon’ny praiministra amin’ny fijoroan’ny Antenimierampirenena vaovao. Misy ny fametraham-pialan’ny praiminisitra am-perinasa. Avy eo, mety hatolotra indray izy ary hotendren’ny filohan’ny Repoblika. Na mety misy olon-kafa hatolotry ny vondrona politika manana ny maro anisa vaovao eo anivon’ny Antenimierampirenena.“Fomba amam-panao demokratika tokony hianarantsika eto Madagasikara izay. Satria efa foto-pisainana vaovao napetraky ny lalàmpanorenana izay ary ianarantsika”, hoy izy. Ny fomba famakiana ny lalàna amin’izao fotoana izao: tokony hisy izay mety ho fikitihana ny governemanta, na ny famerenana ny fanendrena ny praiminisitra, na ny mety ho fametraham-pialan’ny praiminisitra.Ny praiminisitra ihany no manolotra ny mpikamban’ny governemanta Na mivondrona ao anatina vondrona parlemantera iray aza ireo solombavambahoaka tsy miankina, tsy manan-jo hanolotra olona ho mpikambana ao amin’ny governemanta. Ao anatin’ny fomba fiaraha-miasa sy fifanajana, misy ihany anarana halefan-dry zareo mba ho soso-kevitra hotendrena ho mpikamban’ny governemanta.Na ny maro anisa manolotra ny anaran’izay ho praiminisitra aza, tsy manan-jo hanolotra anarana izay hatao ho mpikamban’ny governemanta. Ny praiminisitra irery ihany no manana izay zo izay, araka ny lalàna sy ny lalàmpanorenana. Ny filohan’ny Repoblika no manapa-kevitra izay hotendreny na tsia amin’izany.Mba hisian’ny firindrana eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny hoe fahamarinan-toerana: matetika avy amin’ny vondrona antoko manana ny maro anisa ao anatin’ny Antenimierampirenena ny maro anisa mpikambana ao amin’ny governemanta.R.Nd.L’article Ranesa Firiana: “Mametra-pialana na hatolotra indray ny praiminisitra”  a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fahasalamana: hatsangana ny vovonana iraisan’ny sehatra tsy miankina

Nisongadina omaly tetsy Anosy tao anatin’ny hetsika iarahan’ireo sehatra tsy miankina amin’ny fitsaboana fa hisy ny fananganana vovonana iraisana ho azy  ireo. Tanjona ny hampitovitoviana ny tolotra ara-pitsaboana eo amin’ireo sehatra tsy miankina sy ny an’ny fanjakana omena ireo marary.Manatona ny tobim-pahasalamana miahy tena ny 30%-n’ny Malagasy, indrindra ny an-tanàn-dehibe. Antony ny fahatsaran’ny tolotra omen’ireny sehatra tsy miankina ireny mihoatra ny omen’ny mpiasan’ny fahasalamana miankina amin’ny fanjakana.Aleon’ny marary mandoa vola dia tsara karakara sy  tsara fandraisana toy izay hiaritra ny filaharambe sy ny avonavona ary ny kitakitan’ny mpiasan’ny fahasalamana eny amin’ny tobim-pahasalamana ho an’ny daholobe.Nilaza anefa ny fanjakana fa tsy tokony hiankina amin’ny vola aloa ny kalitaon’ny fitsaboana eto amintsika. Hametraka indrindra ny fomba fiasa, hampitovitoviana ny tolotra eo amin’ireo sehatra tsy miankina sy ny an’ny fanjakana hitsinjovana ny marary ny minisiteran’ny fahasalamana. Hipetraka izany hatramin’ny faran’ny taona. Samy hahazo tombony, araka izany na ireo mpiantsehatra  eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana avy amin’ny tsy miankina na ireo avy amin’ny fanjakana fa tsy hifamono. Hojerena ny fiahiana manokana ireo tena  tsy manana, ny antonony ary indrindra ireo manao fiantohana ara-pahasalamana.Tatiana AL’article Fahasalamana: hatsangana ny vovonana iraisan’ny sehatra tsy miankina a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) francophones. Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 160 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC. MISSION En tant que Téléconseiller(ère) francophone, vos missions seront : PROFIL VOS AVANTAGES Si tout cela vous parle, vous êtes le candidat qu’il nous faut ! Merci de postuler en ligne sur notre site www.eufonie.fr/jobs. Vous pouvez également adresser votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ; Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones".

Emploi et services faucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay
15/06/2021

site légitime qui paye très bienfaucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay.Pas de retrait minimum, claim tous les 5min.Ci-joint le lien:https://ezbit.co.in/ref/13850Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services faucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay".

Emploi et services Développeur Codeigniter
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le BTP,Développeur CodeigniterEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVCODEIGNITER-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Codeigniter".

Emploi et services Gagner de l'argent en ligne
19/06/2021

Nous vous proposons une opportunité intéressante pour gagner de l'argent en ligne. Votre rôle consiste à remplir des micro-tâches comme répondre à des sondages, essayer certaines applications, répondre à des quiz etc. Cliquez sur ce lien :https://paidera.com/?r=2057784Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Gagner de l'argent en ligne".

A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo
16/06/2021

Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury 4x4 turbo année 2005 diesel  boite automatique, 7 places 163000 kms, première main. Véhicule  très résistant, couleur verte,  phares xenon antibrouillards, radio CD, climatisation, fermeture centralisée, verrouillage à distance. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo".

A louer TANY AHOFA
15/06/2021

Tany ahofa malalaka tsara azo anaovana garage na anaovana stockage mifefy tsara amoron-dalana faritra sabotsy namehana tel 0324712472Tany ahofa malalaka tsara azo anaovana garage na anaovana stockage mifefy tsara amoron-dalana faritra sabotsy namehana tel 0324712472Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer TANY AHOFA".

Emploi et services Travail sur internet
18/06/2021

 Completer des sondages et gagner de l'argent.Des sondages seront à votre disposition journalièrement.ceci ne prend que quelque minute.Ceci est pour vousWallet payeerhttps://tapinbox.com/?rf=160801   Regarder des publicites et gagner de l'argenthttps://clicknox.com/?ref=373978Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail sur internet".

A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090
20/06/2021

Antminer Bitmain S19J Pro, SHA-256 with Hashrate, 100.00TH/sAntminer Bitmain S19J, SHA-256 with Hashrate, 90.00TH/sAntminer Bitmain S19 Pro, SHA-256 with Hashrate, 110.00TH/sAntminer Bitmain S19, SHA-256, with Hashrate, 95,00TH/sAntminer Bitmain T17+ SHA-256, with Hashrate, 58.00TH/sAntminer Bitmain T17, SHA-256, with Hashrate, 40TH/sGeForce RTX 3080 / 3070/3090 GTX 2080 Ti, 1080 Ti, 1070 Ti, 2080, 1080, 1070, 1060 Ti, 1060, 2080 Ti, RTX 2070 , RX 5700 XT. NVIDIA GeForce RTX 3060 Ti NVIDIA GeForce RTX 3080  NVIDIA GeForce RTX 3090All Sealed In Original Box With Warranty Full Accessories With Discount.REQUIRED FOR YOUR ORDER AS QUICK AS POSSIBLE .... Urgent Response Whatsapp : +17076412645 E-mail : ms7088344@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090".

Emploi et services Travaille en ligne
18/06/2021

Quelle est l'essence de l'œuvre ? Nous proposons aux utilisateurs de visionner des vidéos promotionnelles prépayées de divers annonceurs mondiaux et d'obtenir de l'argent pour cela. Parmi nos annonceurs figurent les plus grands producteurs d'appareils électroménagers, les principaux détaillants et les meilleurs blogueurs vidéo. Notre système accepte uniquement les vidéos à haut rendement et de haute qualité sélectionnées et testées par nos experts. Combien puis-je gagner ? À l'heure actuelle, le coût d'une minute de vidéo promotionnelle est de 50 centimes. C'est simple : pour 1 heure de travail, vous pouvez gagner 30,00 dollars. Si vous travaillez au moins 3 heures par jour, votre revenu quotidien sera de 90,00 $, et dans un mois, il sera de 2700 dollars. Selon les résultats des enquêtes menées, le site txovideo.xyz est actuellement le système leader parmi les autres systèmes de visionnage de vidéos payantes. Vous pouvez le constater par vous-même - voir  les paiements en ligne Comment puis-je retirer de l'argent? À la demande de l'utilisateur, l'argent est retiré du système dans un délai d'une heure pendant les heures de travail ou dans un délai de 3 à 4 heures en dehors des heures de travail (y compris les jours fériés et les week-ends). Nous proposons un choix de plusieurs systèmes de paiement, à l'aide desquels vous pouvez retirer l'argent gagné. Pour le moment, le retrait est possible sur les cartes bancaires de toutes les banques étrangères, les comptes bancaires, les portefeuilles Bitcoin et PayPal (via le système de paiement Western Union)Plus d'informations et inscrivez vous à partir de ce lien  https://txovideo.xyz/969907918013662Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travaille en ligne".

Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement
15/06/2021

Bonjour,  il y a plusieurs manières de se faire de  l'argent en ligne chez soi et gagner de petits revenus en cette année 2021. Si cela vous intéresse suivez ces liens et inscrivez vous :Voulez vous gagner de l'argent en ligne sans fournir trop d'effort ? Si oui je vous propose de visiter ce site qui vous permet de gagner un revenu mensuel acceptable.https://rupee4click.com/48ks0efa nazaoko avec preuve de paiementinscrit et vous gagnerai Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement".

A louer APPARTEMENT T2 ou T4 de standing sécurisée
17/06/2021

Dans une résidence neuve, fraîchement construite. Appartements Type 2 au Type 4 (avec suite parentale) À louer Vide ou Meublé Bénéficiant d’une Vue exceptionnelle sur la Campagne Avec Grand Balcon/ Terrasse/ Ascenseur/ Parking/ Groupe ÉlectrogèneCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer APPARTEMENT T2 ou T4 de standing sécurisée".

Emploi et services Un Contrôleur de gestion
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans la relation clientèle et BPO à Madagascar, recherche activement un (01) contrôleur de gestion :   Vous aurez pour mission :Votre Profil :Vos avantages :Merci d’adresser votre candidature composée de votre CV et d’une lettre de motivation à l’adresse recrutement@eufonie.frSeules les candidatures présélectionnées feront l’objet d’un entretienCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Un Contrôleur de gestion".

Notsongaina

Oniversiten’i Maninday Toliara: raikitra ny savahao isam-baravarana, mpianatra iray maty voatifitra
18/06/2021

Raha efa nantenaina hilamindamina ny raharaha Oniversite Toliara, taorian’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny teo anivon’ny filohan’ny Oniversiten’i Toliara amin’ny fampiatoana vonjimaika ny fampianarana mandra-pivaha ny olana, tsy izany anefa ny zava-nitranga tany an-toerana omaly.Mbola nitohy ny hetsika nataon’ny mpianatra tao amin’ny faritry ny oniversite ary vao mainka izany niitatra tamina fanimban-javatra. Tranona mpampianatra iray hafa indray no nodoran’ireo mpanao fihetsiketsehana. Nanomboka tamin’ny 8 ora maraina ireo mpianatra no efa niantsoantso sy nifampitaona isam-baravarana. Nisy ny fitsofana kiririoka toy ny fanaon’izy ireo hatrany, narahina horakoraka. Vao naheno izany ny teo anivon’ny OMC dia nanatanteraka fivoriana haingana ka tapaka taorian’izay fa hisy ny fikarohana ireo mpianatra mpitarika ity fihetsiketsehana ity. Tokony ho tamin’ny 11 ora, niditra tany amin’ny faritra misy ny trano fonenana ireo mpitandro filaminana nandondom-baravarana sady namoaka ireo mpianatra rehetra tany an-trano. Nisy tamin’ireo mpianatra anefa no nanohitra ireo mpitandro filaminana nanao fisavana ka teo no nahavoatifitra ny iray amin’izy ireo. Vao mainka niteraka hatezerana ho an’ireo mpianatra ny fihetsika nataon’ny mpitandro filaminana tamin’ny nahafaty ny naman’izy ireo ity. “Mampalahelo ihany ny mahita izao toe-javatra izao satria fitakiana tsotra no natao kanefa aina nafoy ka tsy hanaiky izao izahay”, hoy ny solontenan’ireo mpianatra. Manoloana izany, mihorohoro tanteraka ireo mpampianatry ny Oniversite ka efa niala tamin’ny trano fonenany ao Maninday avokoa. Raharaha tsy ahitam-bahaolana efa hatry ny ela ity olan’ny mpianatra eny amin’ny oniversite manerana ny Nosy ity. Karazana famonoana afo hatrany anefa no ataon’ny tompon’andraikitra fa tsy misy vahaolana matotra, toy ny hita atao amin’ireo mpampianatra aty amin’ny CEG, ny tambin-karama nitsara fanadinana BEPC tamin’ny taona 2019 hatramin’izao tsy mbola azo nefa ho avy indray ity ny fanadinana manaraka, hany ka lasa mifanilika andraikitra ny tompon’andraikitra isany. Izay voa aza tezitra!CMS/J.CL’article Oniversiten’i Maninday Toliara: raikitra ny savahao isam-baravarana, mpianatra iray maty voatifitra a été récupéré chez Newsmada.

Misy miandry kendry tohina fotsiny…
19/06/2021

Efa milamindamina ratsy ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 amin’izao? Mihena hatrany ny tranga vaovao, ny marary, ny ao anatin’ny fahasarotana, ny mamoy aina… Na izany aza, mila malina sy miaro tena hatrany. Amin’izany, mila mitandrina amin’izay mety hitranga. Nahoana? Misy tsinona ny miandry kendry tohina fotsiny amin’izay mitranga sy atao rehetra. Tsy kely lalana ny ratsy. Tsy ilaozan’izay mety mandilatra ny atao. Aleo mailo sy malina hatrany! Tsy izany ve, ohatra, ny mety ho nahatonga ny savorovoro narahina doro trano tany amin’ny oniversite any Toliara? Nilaza ny eo anivon’ny fitandroana filaminana fa misy ambadika ny raharaha: tsy mpianatra ny namoy ny ainy tao anatin’ny korontana. Andrasana ny fanadihadiana lalina. Politika izay hoe ambadika izay? Misy hatrany ny miandry kendry tohina fotsiny amin’izay mety hanaratsiana endrika ny mpitondra, hamendrofendroana sy hanakorontanana vahoaka… Tsy mifankaiza amin’izany koa, ohatra, ny zava-mitranga tany amin’ny oniversite Fianarantsoa? Fitakiana vatsim-pianarana, lasa mivadika fanakorontanana. Hafa noho izany aza ny zava-mitranga any amin’ny faritra Sofia? Ifandroritana ny hoe fandriampahalemana. Inona ny marina? Misy ny manely vaovao tsy marina, mamendrofendro, manakorontana aza. Tadiavina na tetehin’ny sasany havadika politika ny raharaha? Tsy mifankahazo ny olom-boatendry sy olom-boafidy sasany. Ohatra ihany ireo, santionany. Na inona mitranga sy atao amin’izao, misy miandry kendry tohina amin’izay azo hanakorontanana… havadika ho politika. Efa tsy hitan’ny sasany izay afitsoka amin’ny politika mahadotra? Na tsy maharitra ny fanaperan’ny fitondrana ny fe-potoam-piasany, na tsy mahazaka ny hafa manao zavatra… Izany rehetra izany, tarazo ratsy amin’ny fomba fanaovana politika? Fiheverana ny fanoherana ho fitsikerana fahatany, fankahalana, hanaratsiana, fanakorontanana… Raha tiana hiova sy hovaina izay ataon’ny hafa hoe tsy araka ny fiheveran’ny tena, tsy ny tena ve aloha no mila miova?Rafaly Nd.L’article Misy miandry kendry tohina fotsiny… a été récupéré chez Newsmada.

Fifohana rongony: andian-jatovo tsy ampy taona voasambotra
14/06/2021

Eo anelanelan’ny 13 ka hatramin’ny 16 taona avokoa ireo zatovolahy voasambotry ny polisy avy ao Itasy  noho ny antony fifohana rongony. Tra-tehaka tao amina toerana iray ao Arivonimamo ireo tovolahy ireo, ny asabotsy teo, hoy ny polisim-pirenena. Nisy, araka izany, ny vaovao nampahafantatra ny tranga ka niroso tamin’ny fiambenana ilay toerana voalaza avy hatrany ny polisy ao an-toerana. Tamin’izay indrindra, nisy andian-jatovo 7 lahy niditra tao amin’ilay trano fifohana rongony. Vokany, noraisim-potsiny ireo tanora mbola tsy ampy taona ary nentina nanaovana fanadihadiana. Fantatra tamin’izay fa 13 taona no zandriny indrindra, 16 taona ny 04 tamin’izy ireo ary 15 taona ireo 03 hafa.Ankoatra izay, olona roa hafa ihany koa no tra-tehaky ny polisy avy ao Tsiroamandidy, ny zoma teo noho ny fivarotana rongony. Fantatra taorian’ny loharanom-baovao voaray ny polisy ny fisiana lehilahy iray 26 taona sy vehivavy iray vao 19 taona mpivarotra zava-mahadomelina io tao amin’ny fokontany Atsimontsena. Araka izany, nanao vela-pandrika ny mpitandro filaminana ka tratra tao amin’ny tranon’ireo mpivady tamin’izany ny rongony miisa 19 fonosana. Voasambotra avy hatrany  ireo olon-dratsy ka nanokafana fanadihadiana. Henintsoa HaniL’article Fifohana rongony: andian-jatovo tsy ampy taona voasambotra a été récupéré chez Newsmada.

Musique urbaine : Wada & Yoongs, un G-Funk au menu
19/06/2021

Et oui, ce n’est pas parce qu’ils ont composé du coupé décalé qu’ils ont quitté définitivement le rap ! Wada et Yoongs ne restent pas figés sur un seul rythme, car pour eux, la musique n’a pas de couleur ni de frontière. Après Aye, Tsangory mivadika, Odie, les deux anciens membres de Jiolambups ont sorti un morceau en collaboration avec le rappeur Agrad. « Samva » est un titre auquel les deux jeunes hommes montrent qu’ils sont toujours des rappeurs. Wada Yoongs a choisi  ce genre musical qui commence à ressortir de la surface depuis ces derniers temps dans la Grande-Ile. En effet, « Gangsta funk est un courant du gangsta rap West Coast popularisé, et plébiscité durant la première moitié des années 1990. Le rappeur et producteur, Dr. Dre, membre du groupe fondateur du gangsta rap N.W.A, popularisera le style durant les années 90, en grande partie à l’origine du mouvement par son utilisation de samples de Funkadelic, Parliament, Ohio Players, George Clinton, Zapp et d’autres groupes de funk des années 1970 et 1980. Le trio Agrad, Wada & Yoongs figure dans le répertoire de certains rappeurs conservateurs. « Je pensais que ces deux-là ne rapperaient plus. Depuis trois ans, ils ont choisi un autre rythme. Je ne les écoutais plus, puis hier j’ai vu par hasard dans mon fil d’actualité leur nouvelle chanson, et cela m’a séduit ». Évidemment, ces deux jeunes hommes ne cessent d’ impressionner leurs convaincus. Iss Heridiny L’article Musique urbaine : Wada & Yoongs, un G-Funk au menu est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Musique urbaine : Wada & Yoongs, un G-Funk au menu a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Covid-19: 64 ny tranga vaovao tao anatin’ny 48 ora
14/06/2021

Ho an’ny faran’ny herinandro, nahatratra 756 ny isan’ny fitiliana vita ka nahitana tranga vaovao 64, nisy olona valo lavon’ny valanaretina tao anatin’ny 48 ora. 49 kosa ireo sitrana soa aman-tsara, araka ny antontanisa nivoaka ofisialy. 97 ireo tranga misy fahasarotany hatramin’ny 12 jona teo. Ho an’ny tranga vaovao 39 voatily ny 12 jona, 17 tamin’ireo teto Analamanga avokoa. Mitohy ny fanentanana ny vahoaka mihoatra ny 18 taona noho miakatra hanatona ny toeram-panaovana baksiny akaiky azy. Hatreto aloha, malaina ny ankamaroan’ny mponina handray ny fatra voalohany, indrindra ireo mpiasan’ny fahasalamana nantenaina hisitraka voalohany izany. Fito ny toerana fanaovam-baksiny ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra.Araka izany, tsy mbola resy tanteraka ny aretina ka mila mitandrina hatrany ny rehetra ary entanina hanaraka an-tsakany sy an-davany ireo fepetra ara-pahasalamana tafiditra ao anatin’ny fepetra fiarovana ny fiparitahan’ny valanaretina. L’article Covid-19: 64 ny tranga vaovao tao anatin’ny 48 ora a été récupéré chez Newsmada.

Fahafatesan’i Nasandratra Valimbavaka – Ivato: “Olona efa tsy nahatsiaro tena no hita teo”, hoy ny Etamazaoron’ny Tafika
15/06/2021

Nanao fanambarana, nitondra fanamarihana ary mandiso izay lazain’izy ireo fa “vaovao tsy marina” niely tao anaty tambajotran-tserasera, mikasika ny fahafatesan’ilay tovolahikely antsoina hoe Nasandratra Valimbavaka, teny Ivato, ny eo anivon’ny Etamazaoron’ny Tafika.Manoloana ny vaovao miparitaka ao anatin’ny tambajotran-tserasera mahakasika ny raharaha Nasandratra Valimbaka, nitondra fanamarihana ny Etamajaoron’ny Tafika malagasy. Nilaza izy ireo fa tsy ny miaramila no namono an’io olona io. « Nanavotra izahay fa tsy namono », hoy ny fanazavana voaray. Nambarany fa tamin’ny alahadin’ny 06 jona tokony ho tamin’ny 05 ora sy sasany hariva, tratran’ny vahoaka izay nilalao baolina tao amin’ny kianjan’ny Bani ny mpangalatra bisikleta roa lahy, izay efa voadaroka. Nandray ny andraikiny ny miaramila, hoy ihany ny voalaza tao anatin’ilay fanambarana ka nanapa-kevitra ny hitondra azy roa lahy tany amin’ny « poste avancé » ny zandary. Tafatsoaka anefa ireo ankizilahy ireo noho izy tsy nisy nitazona, tsy nanenjika ihany koa ny miaramila. Tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany hariva anefa, nisy nampandre ireo miaramila fa misy olona lavo eo akaikin’ny EPP BASE, tsy misy kara-panondro ihany koa. Nijery izany ny miaramila ka olona tsy nahatsiaro teno no hita teo. Voamarina tamin’izany fa iray tamin’ireo ankizilahy niharan’ny fitsaram-bahoaka izany ka nentina teny amin’ny sampana vonjitaitra ny HJRA avy hatrany. « Ny dokotera nandray anay tao moa niteny fa tsy misy hevitra intsony ity olona ity. », hoy ny fanazavana. Ny ampitson’io, nampandrenesina ny tranga ny zandary saika nanaterina azy roa lahy. Nasaina nanatona ny HJRA ihany koa izay mitady olona tratran’ny fokonolona nangalatra. Tsy izany anefa no nanontanian’ireo fianakaviana nony tonga tany amin’ny zandary, fa hoe : “hitady olona very izahay”. Nilaza ihany koa ireo fianakaviana fa voarirarira.Fanampiana no nataon’ny miaramila…Disoin’ny miaramila tanteraka izany filazana izany. Nanazava ny Etamazaoron’ny Tafika fa niverina tany amin’ireo miaramila ireo fianakaviana ary natoro azy ireo ny dokotera nandray an’ilay ankizilahy 15 taona. Voamarina tamin’izay fa  Rambolamendrika Nasandratra Valimbavaka tokoa ilay maty. Nivoaka ra ny sofiny, natao ihany koa ny « autopsie » an’io tovolahy mpianatra ao amin’ny sekoly Fanovozantsoa FJKM Ivato Seranana, taona faha-9.Nanamafy ireo miaramila fa fanampiana ny mpiara-belona dia antom-pisian’ny miaramila. Nilaza izy ireo fa tafiditra ao anatin’ny asa hifarimbonana amin’ny vahoaka ny toe-javatra toy izao.Tsiahivina fa vao iray volana izay, nisy tovolahikely tratran’ireo miaramilan’ny Bani ambodiomy namaky trano teny an-toerana. Naterina teny amin’ny zandary izy tamin’izany ary nilaza fa misy olona maniraka sy manome vola azy ireo. Tsy fantatra, araka izany, raha namany ihany ireo ankizilahy niharan’ny fitsaram-bahoaka ireo. Handrasana ny tohin’ny fanadihadiana. Henintsoa HaniL’article Fahafatesan’i Nasandratra Valimbavaka – Ivato: “Olona efa tsy nahatsiaro tena no hita teo”, hoy ny Etamazaoron’ny Tafika a été récupéré chez Newsmada.

Jly Sahivelo Delphin: voatendry ho lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika
19/06/2021

Tontosa omaly teny amin’ny Etamazaoron’ny Tafika eny Andohalo ny famindram-pitantanana ara-taratasy teo amin’ny lehiben’ny Etama­zao­ron’ny Tafika teo aloha, andeha hisotro ronono, ny Jly Rabenaivoarivelo Jean Claude sy ny lehiben’ny Etamazao­ron’ny Tafika vaovao, ny Jly Sahivelo Delphin. Voatendry nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny 18 jona 2021 teo ity manamboninahitra ambony hisahana ny fibaikoana eo anivon’ny Tafika Malagasy ity. Marihina fa nisahana ny fandrindrana ankapobeny ny tetikasa teo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny lehiben’ny Etamazao­ron’ ny Tafika vaovao.Jean ClaudeL’article Jly Sahivelo Delphin: voatendry ho lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika a été récupéré chez Newsmada.

Andohatapenaka: nirefodrefotra ny basy, jiolahy iray rotiky ny balan’ny polisy
14/06/2021

Hatairana vao maraina ny an’ireo olona mipetraka eny Andohatapenaka sy ny manodidina raha nandre ny firefodrefotry ny basy, ny asabotsy teo. Jiolahy mpanakan-dalana no nifanehatra tamin’ny polisy. Jiolahy iray lavon’ny bala raha azo sambo-belona kosa ny namany iray hafa…Polisy misahana ny ady amin’ireo jiolahy mitam-piadina mahery vaika (SAG) sy ny ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito (CSP7) 67ha ireto nifampitana tamin’ny jiolahy mpanakan-dalana teo Andohatapenaka ireto. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny polisin’ny Sag, tamin’io fotoana io, tokony ho tamin’ny 2 ora sy 30 mn maraina, nahazo angom-baovao ny polisy fa misy andian-jiolahy mitondra basy sy antsy lava manao sakan-dalana amin’ny sarety miisa telo ny lalana etsy Andohatapenaka. Taxi-be iray nitondra mpivarotra legioma vao maraina no tratran’ny sakana nataon’ireto jiolahy ireto. Niditra an-keriny tao anaty fiara izy ireo ka lasan-dry zalahy avokoa ny vola hatramin’ny firavaka tany amin’ireo mpandeha. Fotoana fohy taorian’izay, tonga teny an-toerana ny polisy nanao ny fanarahan-dia ireto olon-dratsy ireto, nanamafy rahateo ireo mpandeha voatafika fa mbola tsy lasa lavitra ry zalahy. Raikitra ny fanenjehana nataon’ny polisy ka tratra teo Ankasina ireto andian-jiolahy ireto. Raikitra ny fifampitifirana ka maty voatifitra ilay jiolahy nitondra basy. Azo sambo-belona kosa ny jiolahy iray hafa. Basy kilalao no nentin’ireo jiolahy nampihorohoro… Tao anatin’ny tebiteby no niainan’ireo mponina teny amin’ny manodidina ny toerana nisian’ny fifampitifirana. Tafaporitsaka nandritra ny fifanjevoana ny jiolahy roa hafa. Nandritra ny fizahana  no nahitana fa basy kilalao no nampiasain’ireto jiolahy ireto nandritra ity fandrobana ity, ankoatra ilay antsy lava hita tany amin’izy ireo. Nanamafy ny polisy fa mitohy ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, indrindra amin’izao ankatoky ny fety fankalazana ny tsingerin-taona nahazoana ny Fahaleovantena izao. Fantatra fa ao anatin’ireo tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana eto an-drenivohitra ry zalahy ireto, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy hatrany.Jean ClaudeL’article Andohatapenaka: nirefodrefotra ny basy, jiolahy iray rotiky ny balan’ny polisy a été récupéré chez Newsmada.

Ady hafa amin’ny tantana sy ny tantara     
18/06/2021

Mbola misy ady hafa tsy maintsy atrehina amin’izao, araka ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika. Tsy inona fa ny amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny kere… Mby an-tsaina avy hatrany amin’izany ny any atsimo. Nefa aorian’ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19, saika manerana an’i Madagasikara na maneran-tany aza no miatrika izay. Mafy ny dona sy ny fiantraikan’ny valanaretina eo amin’ny toekarena sy ny fihariana, eo amin’ny fiainam-bahoaka ankapobeny…Mazava koa ny nambarany fa matoa mbola misy ihany ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny maty mosary, tsy nahomby ny fanampiana sy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka avy any ivelany nandritra ny 30 taona mahery. Nahoana? Tsy tena famahana izay olana ifotony, ohatra, no nimasoana na natao fa zavatra hafa, izay ry zareo sy mpitondra nifandimby niray petsapetsa na tsikombakomba taminy no mahalala izany. Na misy antony hafa tsy voadinika. Mampieritreritra…Hafa ny amin’izao amin’ny hoe fiovana sy fanovana? Na eo aza izay mety ho fanampiana sy fiaraha-miasa tsy azo ialana amin’ireo mpiara-miombon’antoka, tompony mahazaka amin’izay ataony ny Malagasy: fanapahan-kevitra, tetikasa, enti-manana… Miainga any ifotony izay atao. Ady fiady izany amin’izao hoe fahatsiarovana ny fiverenan’ny fahaleovantena izao. Tena isiana sy iainana amin’izay? Ady hafa… Mila fahasahiana, fijoroana, firosoana, fitozoana…Miara-dalana ho azy amin’izay tsy fahombiazan’ny fanampiana sy fiaraha-miasa amin’ny any ivelany izay ny tarazo ratsy entina sy avelan’ny fahantrana lalina sy maharitra? Tsy tongatonga ho azy fa misy antony na nanao azy. Manankarena i Madagasikara, nefa ny vahoaka mahantra fadiranovana tsy misitraka inona amin’izany akory. Firy tao-maty izay? Mila ovaina amin’izay ny tantana sy ny tantara. Mba tsy ho fombafomba sy fahazarana fotsiny ny fankalazana ny Fahaleovantena.Fahaleovantena amin’ny fanapahan-kevitra, amin’izay atao, amin’ny fomba fiasa… Tsy andavana na anilihana ny fanampiana sy ny fiaraha-miasa amin’ny hafa izany fa ijoroana sy irosoana amin’izay maha tena ny tena?Rafaly Nd.            L’article Ady hafa amin’ny tantana sy ny tantara      a été récupéré chez Newsmada.

Tetikasa fampandrosoana: natsangana ny filankevitra kaominalin’ny tanora
15/06/2021

Nanangana ny filankevitra kaominalin’ny tanora (CCJ) ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra natokana ho an’ny vondrona tanora (avy amin’ny ONG na klioba) vonona hiroso amin’ny fampandrosoana amin’ny endriny samihafa. Sehatra iray ahafahan’ny tanora mifanakalo traikefa sy hevitra ka hametraka tetikasa fampandrosoana iombonana ny CCJ. Azo ampiharana ny politikan’ny tanora misy eo an-toerana koa ao anatiny. Hiompana amin’ny lohahevitra maromaro ny asa fampandrosoana: ny fahasalamana, ireo endrika herisietra miseho amin’ny mahalahy na mahavavy, ny teknolojia sy fampandrosoana… Afaka miditra ho mpikambana amin’ny famenoana ny taratasy natokana ho amin’izany ireo tanora liana rehetra. https//forms.gle/SEK9MajeKHePMebr6 ny adiresy tsidihina.L’article Tetikasa fampandrosoana: natsangana ny filankevitra kaominalin’ny tanora a été récupéré chez Newsmada.

Mahazoarivo : Le PAM chez le Premier ministre
19/06/2021

Le Premier ministre Christian Ntsay a reçu, hier matin, la délégation du Programme Alimentaire Mondial (PAM) conduite par David Beasley, et qui a vu la présence du ministre de l’Eau, de l’Assainissement et de l’Hygiène. Le chef de délégation a fait savoir sa satisfaction concernant le partenariat avec les membres du gouvernement, notamment sur la lutte contre la Covid-19, les impacts des changements climatiques, mais surtout la descente dans le Sud du pays pour constater de visu la réalité. Il a également souligné que la priorité sera donnée, entre autres, à l’eau potable, à l’agriculture et à l’éducation. Recueillis par Dominique R L’article Mahazoarivo : Le PAM chez le Premier ministre est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Mahazoarivo : Le PAM chez le Premier ministre a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Me Willy Razafinjatovo : Critiques à l’encontre du régime
16/06/2021

Me Willy Razafinjatovo a été critique envers le chef de l’Etat. Me Willy Razafinjatovo, alias Olala, a tenu une conférence de presse, hier, à son domicile à Ankadifotsy. Sa rencontre avec la presse était principalement axée sur les récentes déclarations du président de la République. Il estime en effet, que les déclarations de ce dernier ne reflètent pas la réalité. Olala a ainsi cité, entre autres, que la RN13 part de Taolagnaro à Ihosy mais non pas de Taolagnaro à Ambovombe comme l’avait dit le président. La RN10 n’a pas non plus manqué à ses critiques en soulignant que les affirmations du président ne correspondaient pas à la réalité. A propos du pipeline, Olala de citer que le projet remonte au mandat de Hery Rajaonarimampianina. Il pense ainsi qu’« on ne fait que répéter ce qu’ont fait les autres. Il ne faudrait pas faire les choses à moitié ». En un mot, Me Willy Razafinjatovo a particulièrement critiqué le régime, et le président de la République en particulier. Recueillis par Dominique R. L’article Me Willy Razafinjatovo : Critiques à l’encontre du régime est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Me Willy Razafinjatovo : Critiques à l’encontre du régime a été récupéré chez Midi Madagasikara.