Lozam-pifamoivoizana :: Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô nidona tamin’ny taksibe

News - Lozam-pifamoivoizana :: Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô nidona tamin’ny taksibe

News - Lozam-pifamoivoizana :: Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô nidona tamin’ny taksibe

Namoy ny ainy teo no ho eo ny lehilahy iray, 33 taona, nitondra môtô “scooter” tra-doza teny Ambodivoanjo, afak’omaly alina tokony tamin’ny 7 ora sy sasany. Nifandona rehefa nifanehitra tamin’ny fiara taksibe zotra 180 ny môtô nentiny.  Tena mafy ny fifandonana teo amin’ ny roa tonta. “Vokatry ny fifandonana mafy dia mafy no nitarika tamin’ny fahafatesan’ilay mpitondra môtô rehefa nianjera taorian’ny loza”, araka ny voalazan’ireo polisy teny an-toerana.

“Nikasa ho any Pullman ilay taksibe amin’ny zotra 180 raha nandeha nihazo an’Analamahitsy kosa ny môtô marika Yamaha Jog Pro no nifandona teo Ambodivoanjo. Teo no ho eo ihany no nahitana fa tsy nisy aina intsony ilay lehilahy nitondra môtô. Nalefa any amin’ny tranom-patin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona ny razana”, hoy ny fanazavana avy amin’ny sampandraharaha misahana ny angombaovao sy ny fifandrasaina eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka.

Fahazoan-dalana

“Hita ho antony mahatonga ny loza ateraky ny môtô eto an-drenivohitra, indrindra ireo scooter, ny fanovàn’ny tompony ny tanjak’ilay môtô. Betsaka ireo mpitondra môtô mampiasa arabe kanefa tsy manana fahazoan-dalana mamily, hany ka tsy mahafehy ny lalànan’ny fifamoivoizana akory izy ireny. Manginy fotsiny ny tsy fisian’ny fitaratra ahafahana mijery any aoriana ho an’ny ankamaroan’ireo môtô mifamezivezy eto an-drenivohitra. Manampy trotraka ny tsy fisian’ ny laharana amin’ireny môtô ireny, hany ka na misetrasetra aza ny mpitondra azy dia mitsoaka izy ireo sady tsy fantatra hoe iza”, hoy hatrany ny avy amin’ny Polisim-pirenena.

Na eo aza ireo rehetra ireo, tsy mikely soroka amin’ny fifehezana ireo mpitondra môtô ny avy amin’ny Polisim-pirenena. “Manao hetsika matetika izahay miady amin’ny fandikan-dalàna sy ho fisorohana ny loza. Tokony hotanterahina ny famaritana ny laharana ny môtô rehetra mba hahafahana manara-maso azy toy ny fiarakodia. Tokony heverina ihany koa ny fakàna fahazoan-dalana mitondra môtô fa tsy izay mahay mitondra dia mampiasa ny arabe”, hoy kosa ireo polisy misahana ny lozampifamoivoizina.

L’article Lozam-pifamoivoizana :: Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô nidona tamin’ny taksibe est apparu en premier sur AoRaha.

Lozam-pifamoivoizana :: Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô nidona tamin’ny taksibe

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Ao Raha

Rongony 20 gony

Nifanenjika tamin’ny zandary tany Ankazobetsihay-Ampandriankilandy any Antsohihy ireo olona folo nilanja gony tsirairay, afak’omaly, tokony ho tamin’ny 4 ora hariva. Nisy tamin’ireo mpitandro filaminana no niambina ny lalana tsy maintsy lalovan’izy ireo. Nahatazana izany ireo olona dia nivily lalana ka navelan’izy ireo teo ireo gony, izay feno rongony. L’article Rongony 20 gony est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Ben’ny Tanàna Andriantsitohaina Naina: “Asa sy vokatra fa tsy mila adilahy politika ny vahoaka”

Hentitra ny ben’ny Tanàna Andriantsitohaina Naina, omaly, tamin’ny fotoana fananganan-tsaina natrehin’ireo mpiasan’ny CUA. “Tsy mila resaka sy adilahy politika intsony izao ny vahoaka. Mila asa sy vokatra isika ka aoka samy hifantoka tanteraka amin’ny asa sy andraikitra tandrify azy”, hoy izy tetsy amin’ny parvis Analakely.Matoky ny tsirairay ny tenany ary matoky koa fa tsy maintsy tratra ireo tanjona ho an’Antananarivo Tanànantsika. Mbola nentanina ny rehetra hanohy sy hanamafy ny ezaka rehetra mba hahatanteraka haingana ireo tetikasa rehetra.Fitokonana misy ambadika politikaNohitsiny koa anefa fa misy ireo mitsikera, ary tsy misy antony afa-tsy politika. “Henoko mihitsy aza fa misy olom-bitsy ato amin’ny kaominina, miketrika fitokonana nefa tsy manana antony mazava, fa mbola resaka politika hatrany”, hoy ihany izy. Midika izany fa efa manomboka misy vokatra ny asantsika amin’ny fanarenana sy ireo fanadihadiana samihafa mikasika ny fitantanana ka atahoran’ny mpanao politika, araka ny nambarany hatrany.Manantena vokatra ny vahoakaMomba ny tetibola kosa, nambarany fa nifantoka mafy tamin’ny tetikasa ny mpanatanteraka ka hisy ny fivorian’ny filankevitra monisipaly, ny faran’ny volana septambra izao. “Ahafahantsika mifanakalo hevitra sy mampifanaraka ny tetibola, araka ny fasahiranan’ny mponina izany. Mila mitady hevitra isika manasaraka ny hetra momba ny orinasa lehibe sy ny mponina marefo. Tsy isika no namorona ireo fepetra ireo fa adidintsika ny manatsara”, hoy ihany ny ben’ny Tanàna. Notsiahiviny hatrany fa manana programa ny mpitantana ary manana adidy sy andraikitra manoloana ny mponin’Antananarivo Renivohitra. “Miandry sy manantena vokatra avy amintsika izy ireo”, hoy ihany izy.Synèse R.L’article Ben’ny Tanàna Andriantsitohaina Naina: “Asa sy vokatra fa tsy mila adilahy politika ny vahoaka” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hetsika Rohy: “Tsy ekena ny tsimatimanota amin’ny fifidianana”

“Anisan’ny sakana manimba ny fahamarinana eo amin’ny fifidianana, indrindra ny demokrasia, izao tsimatimanota eo amin’ny fifidianana miseho izao. Hita taratra ny fahakivian’ny olom-pirenena mpifidy satria mihamihena ny fandraisany anjara amin’ny fifidianana, izay tokony hitondra amin’ny fanorenana ny firenena.”Io ny fanambaran’ny hetsika Rohy teny Antaninarenina, omaly, momba ny fisian’ny tsimatimanota amin’ny fifidianana. Mbola hotohizina hatrany ve izao tsimatimanota izao eo amin’ny lafin’ny fifidianana? “Tsy azo jerem-potsiny”, hoy ny hetsika Rohy.Fanontaniany amin’ny fanambarany ny hoe: “Mikolokolo ny tsy rariny sy ny tsimatimanota eo amin’ny lafin’ny fifanolanana mikasika ny fifidianana ve ny HCC? Ohatra entina amin’izany ny valim-pitsaran’ny fitoriana napetraky ny Ivontoerana fanarahamaso Safidy”Mila faritana ny porofo takin’ny HCCNiisa 656 ireo fitoriana noraisin’ny HCC ary nokarakarainy. Niisa 356 tamin’ireo (54,76%) no nambarany fa azo raisina fa tsy mitombina, noho ny tsy fisiana na tsy fahampian’ny porofo. Ireo fitoriana enina nataon’ny Ivontoerana Safidy noho ny fampiasana tsy ara-drariny ny tombontsoan’ny tanjaky ny vahoaka, notapahin’ny HCC fa azo raisina fa tsy mitombina.“Maninona ny HCC nionona amin’ny tsy famaritana mazava ny porofo tokony hoentina amin’ny fitoriana? Moa tsy tsapany ny tsy fahafaham-po miendrika alahelo nasehon’ny mpifidy sy ny kandidà tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika?”, hoy ny fanambarana.Nankasitrahana ny torolalana momba ny fifanolanana tamin’ny fifidianana solombavambahoaka naelin’ny HCC, izay niendrika fampianarana sy fanazavana ny tokony ho fizotran’ireo fitoriana. Maninona ny porofo mivaingana tokony hoentina tsy nofaritana hazava bebe kokoa, nefa efa tsapa ny alahelo sy ny fahakivian’ny mpifidy sy ny kandidà (fihodinana voalohany sy faharoa) manoloana ny fitoriana napetrak’izy ireo?“Noho ny lalàna , masi-mandidy tokoa ny HCC. Izany fahefana masi-mandidy eo amin’ny fanapahana iandraiketany izany ve tsy tokony ampisehoany fanetren-tena sy hitsim-po?“, hoy ihana ny hetsika Rohy.Mampalahelo ihany ny fitakiana porofo tsy azo ivalozana, nefa tsy voafaritry ny lalàna mazava izany ary koa tsy nezahin’ny tomponandraikitra velively ny hamaritra azy.R.Nd.L’article Hetsika Rohy: “Tsy ekena ny tsimatimanota amin’ny fifidianana” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Sekoly fianarana mozika: tafajoro ny « conservatoire » eken’izao tontolo izao

Voamarika ao amin’ny tantaran’ny mozika eto Madagasikara ny datin’ny 18 novambra teo. Nosokafana tamim-pomba ofisialy, tamin’io asabotsy io, ny “conservatoire national de Madagascar”, sekoly ara-panjakana, mampianatra mozika. Tsy mitsanga-menatra i Madagasikara raha ireo tanora manan-talenta amin’ny mozika, amin’ny sokajy samihafa no resahina. Ny indrokely hatramin’izay, vitsy dia vitsy ireo nandalo sekoly ambony, manome diplaoma ara-panjakana, hany ka sahirana raha mba te hanohy fianarana mozika any ivelany. Ankehitriny, voavaha izany olana izany. Tafajoro ny “conservatoire national de Madagascar” (CNM), etsy Anosy ary tantanin’i Luc Olivier Ratovo Andriamary, manampahaizana manokana amin’ny mozika, nivoaka avy amin’ny “conservatoire” any Frantsa. Sambany ny misy izany eto amintsika. Miankina amin’ny fanjakana ny sekoly ary ara-panjakana sy eken’izao tontolo izao ny diplaoma hatolony ireo mpianatra rehefa afaka amin’ny fanadinana hatrehiny. Maharitra telo taona ny fianarana ao amin’ity “conservatoire” ity. Izany hoe, natao indrindra ho an’ireo misafidy ny mozika ho fototry ny asa hataony any aoriana any. Anisan’izany ireo maniry ny hampianatra mozika, na koa ireo te hanohy fianarana any amin’ny “conservatoire” any ivelany. Na izany aza, misy hatrany ny “cursus continu”, izany hoe karazana fiofanana ao anatina fotoana fohy (telo volana, enim-bolana) ao amin’ny sekoly. Zava-dehibe ho antsika Malagasy ary anisan’ny antoky ny fiarovana ny maha Malagasy antsika ny fijoroan’ity “conservatoire national” ity. Ny antony, mitahiry ireo vakoka mozika na ireo hira taloha, tsy tontan’ny ela, ihany koa izy, araka ny fanazavan’ny taleny, Luc Olivier Ratovo Andriamary. “Manangona ireny vakoka ireny ny “conservatoire” ary manoratra azy ireny ho solfezy mba tsy ahafahan’ny olona sasany manovaova azy. Eo koa ny mba hitahirizana azy ho an’ireo taranaka mifandimby”, hoy hatrany ny fanazavany. Azon’ny olon-drehetra atao ny mitsidika ireo tahiry ireo. Marihina fa efa nanomboka ny 10 novambra teo ny taom-pianarana ho an’ireo mpianatra, andiany voalohany, ao amin’ny “conservatoire”. “Tsy lafo fa sahaza ny rehetra ny saram-pianarana noho ny sekoly miankina amin’ny fanjakana”, hoy ny taleny. Landy R.

News - Ao Raha

Vola sandoka

Sarona, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, ny vola sandoka mitentina dimy alina ariary teny amin’ity lehilahy iray. Tamin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa saika nakan’io lehilahy io mpivarotena sy hanofana trano ireo vola sandoka ireo no izao tratra izao. Natolotra ny Fampanoavana izy ka naiditra am-ponja vonjimaika avy eo. L’article Vola sandoka est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

”Permis biométrique” hosoka: rava ny tambajotra mpanao kolikoly, arahi-maso akaiky ny lehiben’ny Cim

Tsy vao izao! Efa hatry ny ela ny nahahenoam-baovao ny kolikoly ao amin’ny foibe mpanome laharana fiarakodia (Cim) Ambohidahy, amin’ny fikarakarana fahazoan-dalana mitondra fiarakodia, indrindra ny fahazoana ny ”permis biometrique”. Nisy ireo voarohirohy nosamborina, ny taona 2017, saingy tsy mbola foana izany satria nitohy.Araka ny fanadihadiana natao, nisy nampandre ny Bianco fa misy manamboninahitra iray ao amin’ny toby Capsat Soanierana, sy ny vadiny, ahina ho manao ”permis” hosoka, fitondrana fiara ho an’ny miramila any an-tranony eny Itaosy, ka hovaina ho ”permis biométrique” eny amin’ny foibe Cim Ambohidahy. Fantatra taorian’ny famotorana ny mety hisian’ny tambajotra amin’izany, ary anisany ny ao amin’ny foibe Cim Ambohidahy. Voalaza fa anisan’ny manao kolikoly koa izy ireo amin’ny famindrana ny fitompoana fiarakodia sy ny fahazoana ”permis”.Voarohirohy ny olona 18 Araka ny voalaza etsy ambony, maro ny fitarainana azon’ny Bianco mikasika ny kolikoly ao amin’ny Cim Ambohidahy. Anisan’izany ny nataon’ny fikambanana fiarahamonim-pirenena Rohy, ny taona 2017, nahatrarana olona roa tompon’andraikitra tao, ka nampidirina vonjimaika am-ponja. Misy koa ny raharaha hafa amin’ny kolikoly, ny fanaovana taratasy hosoka, maha voarohirohy olona miisa 18, ka anisan’izany ny lehiben’ny Cim, ilay manambonihaitra ao amn’ny Capsat sy ny vadiny, ary olon-kafa miisa 15.Taorian’ny fiatrehana ny fampanoavana, ny 13 avrily teo, naiditra vonjimaika am-ponja ny olona telo, mpanera. Arahi-maso ara-pitsarana kosa ny lehiben’ny Cim Ambohidahy sy ny mpitambola ao amin’ity foibe ity.RandriaL’article ”Permis biométrique” hosoka: rava ny tambajotra mpanao kolikoly, arahi-maso akaiky ny lehiben’ny Cim a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fihariana: misy ny vahaolana hoan’ ny fambolena

“Azo atao tsara ny mamerina ireo avy any ambanivohitra mibosesika an-tanan-dehibe. Anisan’ny olana sy mahakivy azy ireo ny hakelin’ny vokatra miakatra. Nanao fikarohana sy vahaolana amin’izany izahay ka anisan’izany ny zezika”, hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Zezika Malagasy (Zezima),  Ramangalahy Eric. Nanteriny fa mampitombo betsaka ny vokatra vokarina ny fampiasana izany ary efa maro ireo tantsaha resy lahatra ka mampiasa izany amin’izao fotoana izao. “Mamelona indray ny nofon-tany izy io ary miady amin’ny nofon-tany efa vizaky ny zezika simika. Tsy mifidy voly ary natoraly tanteraka”, hoy ihany izy. Efa nandalo fitiliana sy andrana samihafa ary efa nankatoavin’ny minisiteran’ny Fambolena.Nampitombo ny vokatra miakatra… Tsy vitan’izany fa efa voatsirika ny akora nanamboarana azy, toy ny zezim-pahitra sy ny fako ary ireo singa mandrafitra izany. “Nahazoana tombony betsaka ny voka-bary sy ny legioma nampiasana azy io nefa kely fotsiny ny fatra ampiasana amin’izany. Mampitombo ny vokatra rahateo ny fampiasana azy ary afaka mifangaro amin’ny zezika hafa koa”, hoy ihany izy. Nanomboka ny taona 2006 ny nihodinan’ny orinasa.  Manome asa ho an’ny olona miisa 35 izy ireo  ary Malagasy avokoa. Mamokatra 25 t isan-kerinandro eo izy ireo ary efa misy ny vokatra raisin’ny minisiteran’ny Fambolena manokana. Natao anaty fonosana 25 kg izany mba ho mora ny mitondra azy ary mba ho zakan’ny fahefa-mividin’ny mpamboly sy ny tantsaha.Synèse R. L’article Fihariana: misy ny vahaolana hoan’ ny fambolena a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Filohan’ny FJKM: “Ilaina ny kristianina mahatoky”

Noraisin’ny oniversiten’i Toliara ny zaikabe fahefatry ny APU, taorian’ny tany Toamasina ka tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny filohan’ny FFPM, ny pasitora Irako Andriamahazosoa Ammi. Marihina fa filoha nasionalin’ny FJKM sady filohan’ny FFKM ity raiamandreny ity, amin’izao fotoana izao. « Kristianina mahatoky, mahazo antoka ny famonjena ». Io andinin-tsoratra masina, nalaina tao amin’ny Apokalyspy toko faharoa andininy fa folo tapany b io, ny fanevan’ity zaikabe ity.Nifototra amin’ny lohahevitra telo ny fampianarana nataony: mijoro ho mahatoky, mijoro hatramin’ny fahafatesana, mijoro ho mpandesy. Tonga nandray anjara tamin’izao zaikabe izao ny avy amin’ny sampana APU valo manerana ny Nosy. Eny Maninday no nanatanterahana ny fotoana rehetra ka mandritra ny hateloana ny handraisana fampianarana maro, ankoatra ny antsam-piderana isaky ny alina. Hofaranana amin’ny fitsangantsangana any Ifaty kosa ny zaikabe, amin’ny andro fahefatra.CMS L’article Filohan’ny FJKM: “Ilaina ny kristianina mahatoky” a été récupéré chez Newsmada.

News - Tourisme - News Mada

Asa tanana: misedra olana ny mpanao valiha

Olona roa ihany ny mitondra tsy tapaka ny « bambou » na ny volobe fanaovana valiha eto an-dRenivohitra. Na mbola tsy maro mpitady loatra aza ito zavamaneno malagasy ito, efa tsapan’ny ankamaroan’ny mpandrafitra valiha fa tsy maharaka ny filan-dry zareo ny tolotra avy any amin’ireo mpamatsy « bambou ». « Tsy tonga amin’ny fotoana mahamaro ny mpanjifa izy ireny, hany ka voatery mihantona maharitraritra ny famaliana ny filan’ny mpampiasa sy mpividy valiha », hoy ny mpandrafitra valiha iray. Anisan’ny olana iray mahatonga izany ny fakàna ireny “bamboo” na volobe ireny. Tany ambadiky ny 20 taona tany ho any, mbola tsy lasa lavitra ny toerana anirian’ny volobe. Ankehitriny, efa tafiditra anaty ala somary lavitry ny tanana vao mahita, raha ny fanazavan’ireo mpaka volobe. Ankoatra izay, manomboka sarotsarotra ihany koa ny mahita ireo volobe lava sy ranjanana. Somary mihena kokoa, raha oharina tany ambadiky ny 15 taona lasa, ny kalitaon’ny volobe fanaovana valiha. Nambaran’ireo mpanao asa tanana anefa fa « na izany aza ny olana mianjady amin’ny mpanao valiha, miezaka ny hitana ny hatsaran’ny valiha malagasy hatrany izahay satria anisan’ny zavakanto mampiavaka an’i Madagasikara sy ny Malagasy amin’ny hafa izy io sy ny zava-bita aminy ». Anisan’ny mampitombo tsikelikely ny fitadiavan’ny olona ny valiha kosa ny fiverenan’ny Malagasy tsikelikely amin’ny fitiavana ny kolontsainy. Raha ry zareo vahiny no mpividy valiha Malagasy, 5 taona lasa izay, manomboka mitady io zavamaneno io ihany koa ny Malagasy ankehitriny. HaRy RazafindrakotoL’article Asa tanana: misedra olana ny mpanao valiha a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

I Sina sy i Madagasikara: 47 taona ny fifandraisana

Feno 47 taona ny fiaraha-miasa eo amin’i Sina sy i Madagsikara. Ho an’ny amin’ny lafiny fampianarana ambony manokana, efa napetraka manerana ny Nosy ireo ivontoerana « confucius » ahafahana mifanakalo eo amin’ny sosialy sy ny koltoraly. Anisan’ny mpamorona izany toeram-piofanana izany ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Pr Blanche Nirina Richard.Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, afakomaly teny amin’ny masoivohon’i Sina eny, Nanisana ny horonantsary fanadihadiana mirakitra ny vokatry ny fiaraha-miasa sinoa sy malagasy. Teo koa ny fampirantiana ireo sary maneho ny fivoaran’ny Sinoa sy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo firenena roa tonta. Maro ny fanampiana ataon’ny Sinoa amin’ny oniversite. Anisan’izany ny fanomezana vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra malagasy, ny fampitaovana sy ny fanorenana toeram-pianarana. Tsiahivina fa mankalaza ny faha-70 taony amin’ity taona ity ny Repoblika sinoa.Synèse R. L’article I Sina sy i Madagasikara: 47 taona ny fifandraisana a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-09-2020
Source : CCO COVID19 - 30/09/2020

Notsongaina

Minisitra Andrianainarivelo Hajo: « Mila vina lavitra ny fitantanana tanan-dehibe »
25/09/2020

“Adidintsika ny fanatsarana ny fitantanana ny tanan-dehibe sy ny fanajariana ny tany. Apetraka ny vina, mijery lavitra kokoa, afaka 10 na 20 taona… Anisan’izany ny fanorenana tanàna vaovao sy ireny tetikasa Padeve, ahitana ny drafi-panajariana sy fanatsarana ireo tanàn-dehibe, tanterahin’ny fanjakana”, hoy ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (MATP), Andrianainarivelo Hajo, tetsy Anosy, omaly.Ezaka avy amin’ny mpitantanaNotanterahina tamin’izany ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny IST Ampasampito sy ny MATP ary koa ny Fikambanan’ireo matihanina eo amin’ny  tanàn-dehibe (Apum). Nanterin’ny minisitra tamin’izany anefa fa tsy maintsy misy ny ezaky ny mpitantana ny tanàna, hanaraka ny fivoaran’ny toetr’andro.Tsy resaka diplaoma fotsiny ihany…Tafiditra ao anatin’izany ny fifampiresahana, ny traikefa hanatsarana ny fitantanana ny tanan-dehibe. “Tokony ho hita amin’izany ny fiofanana sy ny fikarohana ary koa ny avy amin’ny minisitera… Tsy resaka diplaoma fotsiny fa ilaina ny mampihatra izany ho amin’ny fampandrosoana. Mifanaraka amin’ny vina koa ny fiofanana”, hoy ihany ny minisitra.Tafiditra amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny telo tonta izao fifanarahana izao.Tsy misy fampandrosoanaAnisan’izany ny fanofanana ho injeniera ho amin’ny taotrano ho an’ny tanàn-dehibe ireo tanora eo anivon’ny IST ary efa an-dalana hivoaka tsy ho ela ny andiany voalohany. Ampiarahana amin’izany koa ny teknolojia sy ny zava-misy eto an-toerana. “Tsy misy ny fampandrosoana  raha  tsy miainga amin’ny tsirairay izany”, hoy Andrianainarivelo Hajo.Tsiahivina fa efa niara-niasa an-taony maro ny eo anivon’ny MATP sy ny IST. Fanamafisana sy fanohizana izany izao, miaraka amin’ny APUM.Synèse R.L’article Minisitra Andrianainarivelo Hajo: « Mila vina lavitra ny fitantanana tanan-dehibe » a été récupéré chez Newsmada.

Fanafody fandrindram-piterahana: 20%  ny vehivavy tsy afaka nisitraka izany
26/09/2020

   Nidina ho 32% ny tahan’ny fampiasana ny fanafody fandrindram-piterahana teo amin’ny vehivavy raha efa tafakatra 39% izany. Tsy tratra ny tanjona 50% ho an’ity taona 2020 ity noho ny valanaretina Coronavirus.                     Nisy fiantraikany tamin’ny fahazoan’ny vehivavy nanohy ny fanabeazany aizana ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 maneran-tany sy teto amintsika manokana. Natahotra ny hivezivezy teny amin’ny tobim-pahasalamana na koa tsy afaka nivoaka noho ny fepetra ara-pahasalamana izy ireo. Nihena 20% ny andriambavilanitra nahazo tolotra ara-pananahana ary nitombo ny vohoka tsy niriana ho an’ny salan-taona 15 -19 taona, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Marie Stopes Madagascar, Razafinirinasoa Lalaina, omaly nandritra ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fandrindram-piterahana. Anisan’ny fanafody be mpisafidy ny « implanon » asisika eo amin’ny sandry ka nandritra ny volana jolay sy aogositra. Niato ny fahatongavan’ny tahiry satria nikatona ny seranam-piaramanidina. 20 000 isam-bolana teo ho eo ny tsy afaka nisitraka izany, efa niverina ny famatsiana ankehitriny. Laharam-pahamehana ho an’ny MSI, manomboka izao, ny fampiroboroboana ny fandrindram-piterahana sy fisorohana ny vohoka tsy niriana eo amin’ny zatovovavy. Efa niakatra ho 22% ny tahan’ny tanora mampiasa fanafody fandrindram-piterahana amin’ny vehivavy tokony hahazo ny tolotra, amin’izao fotoana izao. Nanampy betsaka ny MSI ny fahalanian’ny lalàna vaovao manome alalana ny tanora hahazo vaovao sy tolotra momba ny fandrindram-piterahana, ny taona 2019.12 taona mitondra vohoka voalohany Amin’ny tanàn-dehibe, mahazo vaovao sy ny torohevitra momba ny fiarovana amin’ny vohoka aloha loatra sy tsy iriana ny zatovovavy, any ambanivohitra sarotra ny fampitana ny fanentanana ary 12 taona ny fotoana voalohany hirosoan’ny ankizy amin’ny firaisana ara-nofo. Izay no nahatonga ny fanamarihana atao any amin’ny faritra AtsimoAtsinanana, distrikan’i Farafangana.Nanao antso ho an’ny fanjakana ny MSI tsy hanadino ny fanenkena efa nataony hanao laharam-pahamehana ny fandrindrana ny fiterahana mba hirindra ny fiakaran’ny harinkarena sy ny isan’ny zaza teraka.Vonjy A.L’article Fanafody fandrindram-piterahana: 20%  ny vehivavy tsy afaka nisitraka izany a été récupéré chez Newsmada.

Fananan-jo…  maharaikitra adidy       
26/09/2020

 Hatramin’izay, saika mampiaka-peo hatrany ny hoe mpanohitra ny amin’ny fananan-jo hiteny, haneho hevitra, hamory vahoaka. Voalaza fa zo fototra izany, nefa mitaky adidy aman’andraikitra ihany koa. Tena mba atao sy vitan’izy ireo ve izay? Anisan’izany, ohatra, ny fitaizana ny mpikambana ao aminy, raha misy: be ny tsy manana mpikambana amin’ny antoko misy azy akory hatrany ifotony.Eo koa ny fandraisana anjara isaky ny fifidianana fa tsy mikisina manohana izay matanjaka hahazoan-toerana: rehefa tsy mahazo, miverina ho mpanohitra. Miara-dalana amin’izany ny fiomanana handray fahefam-panjakana amina foto-kevitra sy fandaharanasa ary paikady fanatanterahana mazava, ny fandresen-dahatra ny olom-pirenena amin’izany handatsa-bato ho an’ny tena amin’ny fifidianana manaraka…Atao sy vitan’izy ireo ve izany, raha tsy hilaza afa-tsy izay? Mampiaka-peo lava amin’ny hoe fananan-jo haneho hevitra sy hihetsika. Toy ny manana olona maro iny ao an-damosina raha sakantsakanana amin’ny fanakorontanana. Nony avela malalaka, zara raha mahajoro sy maharitra amin’izay lazainy sy ataony. Matoa nahomby ny hoe hetsiky ny vahoaka, mby amin’izay tsy zakany… hararaotin’ny sasany.Faly mamerina izay mahazatra hoe mahomby? Fanakorontanana, fandravana… rehefa tsy mahaovoka amin’ny hoe fiaraha-mitantana. Tsy misy antony anaovana fifidianana, raha tsy avela hamita ny fe-potoam-piasan’ny mpitondra. Raha tsy amin’izay tsy nifanarahana amin’ny tsy famitana izay nampanantenaina, sanatria, ka tsy zakan’ny vahoaka intsony: iandrasany ny farany, na ihetsehany avy hatrany.Izany rehetra izany no anisan’ny mankaloiloy ny maro amin’ny fomba fanaovana politika? Tsy mianga amin’izay tena hetaheta ifotony fa izay hahazoan-toerana fotsiny, anaovana ny fahasarihanam-bahoaka ho fitaovana politika enti-miady sy mitady. Mbola mandaitra sy mahomby ve izany, raha tsy mahavita izay adidy aman’andraikiny ny mpanohitra amin’ny hoe zo ananany isaky ny mihetsika?Rafaly Nd.  L’article Fananan-jo…  maharaikitra adidy        a été récupéré chez Newsmada.

Mpangataka an-dalambe: tsy tokony hanelingelina ny hafa
24/09/2020

 Ny fehezam-pitsipika momba ny fikoloam-pahasalamana navoaka’ny CUA ao amin’ny toko fahatelo sokajy voalohany dia milaza fa tsy tokony hanelingelina ny mpamily fiarakodia sy ny mpandeha an-tongotra ireo rehetra manao ny asa fangatahana izay mandehandeha eny an’araben’Antananarivo. Izy ireo dia tsy tokony harahina biby masiaka mba tsy hampidi-doza ny hafa. Tsy tokony hampideradera fitaovana isan-karazany ihany koa ho fampitahorana na hambaboana ireo olona angatahiny.Voarara ny fanimbana ireo fananan’olona sy ny mihanika amin’ny lafin-drindrina  sy amin’ny andrin-jiro, tamboho sy ireo andrim-by isan-karazany. Tsy azo atao koa ny familiana ireo fantson-drano isan-karazany sy ny fikitikitihana ireo fitaovana fanoroana lalam-bahoaka nafanazavana ny toro-lalana ho famantarana.Ao amin’ny sokajy faharelo dia miresaka momba ny tabataba amin’ny alina sy atoandro sy ireo sazy mifandraika amin’izany.Voarara ny tabataba amin’ny alina, torak’izany amin’ny atoandro rehefa tsy misy misy antony voamarina ho ara-drariny. Voarara ho tabataba amin’ny atoandro ireo kipantson’ny fiarakodia tsy misy antony ara-drariny torak’izany ny antsoantson’ny mpanampy ny fiara miantsoantso ny mpandeha indrindra ho an’ireo fiantsonana makaiky fianarana sy hopitaly.Ny lanonana rehetra na andro atoandro na alina na misy fahazoan-dalana aza, toy ny famadihana sy ny fora zaza dia tsy maintsy mitandro ny fahasalamana sy ny fitonian-tsaim-bahoaka.Anjaran’ny tompon-draharaha ny mandray ny fepetra mba hampihena ny fanelingelenana mety hiteraka izany eo amin’ny manodidina.Tatiana AL’article Mpangataka an-dalambe: tsy tokony hanelingelina ny hafa a été récupéré chez Newsmada.

Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: « Ilana fitsipika ny fitantanana ny tanànantsika »
28/09/2020

Nitondra fanazavana momba ny fitantanana an’Antananarivo Renivohitra ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, omaly. Noresahiny tamin’izany ny momba ny Fitsipi-pifehezana monisipaly momba ny fikoloana fahasalamana (CMH). Eo koa ny fitaterana sy ny tsena ary ireo fotodrafitrasa samihafa.« Tsy voasazy rehefa tsy diso… Raisina ny fepetra rehefa misy ny fanelingelenana ny fiarahamonina, indrindra raha miverimberina izany ary afaka mitaraina ireo iharan’izany », hoy izy namaly ireo resabe momba ny CMH. Na izany aza, nambarany fa tsy mbola hampiharina izany. Ialohavan’ny fanentanana sy ny fanabeazana sady mbola miandry ny fanorenana fotodrafitrasa izany, araka ny nambarany. « Diso ny filazana fa hakan’ny CUA vola ny CMH. Samy hafa ny lamandy sy ny hetra », hoy izy. Natsidiny sahady fa hisy WC miisa 50 haorina mialoha ny faran’ny taona. Efa misy ny vola 32 miliara Ar avy amin’ny mpiara-miombona antoka hahazoana dabam-pako miisa 5 000 eny anivon’ny fokontany, sarety 600 sy borety 1 000 ary kifafa 45 000. Hanamboatra CSB miisa efatra sy idivianana fanafody ny iray tapitrisa dolara.Hivoaka ny tolo-bidy fanorenana tsena etsy Anosy Ankoatra izany, nambarany efa hivoaka ny tolo-bidy ho amin’ny fanorenana tsena etsy Anosy sy ny Coum 67 ha ary koa ny fanarenana ny Zaimaika. Efa manomboka koa ny fanamboaran-dalana ary hivoaka amin’ny herinandro ny tolo-bidy ho amin’izany. « Hatsaraina ny fomba fiasa amin’ny herintaona fa hovitaina mialoha ny fahavaratra aloha ireo lalana ireo », hoy izy.Etsy andaniny, nohitsiny fa tsy maintsy hofoanana ny fifanarahana amin’ny Easy park noho ny fitongilanana nefa kosa handoavam-bola hatrany ny “parking”. Hatao amin’ny fomba hafa amin’ny alalan’ny fandoavam-bola amin’ny “borne” izany. Hiitatra amin’ny tsena izany fomba fakana vola izany rehefa voaisa ireo mpivarotra. Mialoha ny faran’ny taona, homena toerana ireo mpivarotra etsy Behoririka. Haverina amin’ny toerany kosa ireo mpivarotra ara-dalàna miisa 16 etsy amin’ny Esplanade. “Manahirana ny fanararaotana politika ataon’ny sasany sy ny famadihana izany ho amin’ny sain-dratsy”, hoy izy. Hanorina trano fonenan’ireo sahirana ny CUAAnkoatra izany, nampanantena ny ben’ny Tanàna fa hanamboarana trano fonenana ka ireo tena sahirana na ireo may trano. Tsy ho maimaimpoana anefa izany fa haverina tsikelikely amin’ny alalan’ny fanomezana asa azy ireo na ny Himo. “Tsy mijanona intsony isika rehefa manomboka ny asa”, hoy izy. Nanteriny indray koa fa hatsaraina sy ahitsy ny fomba fakana hetra amin’ny fanorenana trano ka anisan’ny hahazoana izany ireo fanorenana lehibe, toy ny an’ny orinasa na tranobe.Hatsaraina ny vola miditra amin’ny taxi-beNoresahina koa ny vahaolana amin’ny fitohananan’ny fifamoivoizana. Eo ny fanamboaran-dalana sy ny fanalana mpivarotra. Halamina koa ny zotra andehanan’ireo taxi-be. Ampidirina Cnaps ireo mpiasa ary hotadiavina ny fomba hampiakarana ny vola miditra amin’ireo mpitatitra. Ampiasaina ny “géolocalisation”, hanaraha-maso ireo fiara ary hampiana amin’ny fividianana fiara izy ireo hifampiraharaha amin’ny mpandraharaha momba izany. Hoferana koa ny fidiran’ireo taxi-be “suburbaine” eto fa natao ho an’ny “urbaine”. Maka sisiny ireo avy any ivelan’ny Renivohitra.Ampahany amin’ireo resaka nifanaovan’ny ben’ny Tanàna, tamin’ny mpanao gazety, momba ny fitantanana an’Antananarivo, ireo.Synèse R.                     L’article Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: « Ilana fitsipika ny fitantanana ny tanànantsika » a été récupéré chez Newsmada.

Miisa 229 ireo matin’ny valanaretina: olona roa tonga eto avy any Maorisy mitondra Covid-19
28/09/2020

Tsy re tsaika. Niampy iray indray ireo lavon’ny valanaretina tao anatin’ny 48 ora. Avy any Menabe izy io ary nodimandry ny asabotsy teo. Tafakatra 229 izany izao ireo nindaosin’ny fahafatesana noho ny Coronavirus hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty.Etsy andaniny, miisa 36 ireo tranga, afakomaly, raha 28 kosa izany ny alahady. Izany hoe, miisa 64 ireo nifindran’ny valanaretina tao anatin’ny roa andro. Ny roa amin’ireo, olona vao tonga avy atsy Nosy Maorisy. Efa nisy enina hafa, ny herinandro teo, avy any Eoropa nitondra koa ny tsimokaretina.Valo ireo avy any ivelany mitondra ny CoronavirusMiisa valo izany ireo avy any ivelany nifindran’ny Covid-19. Miisa 165 kosa ireo tranga vaovao teo anelanelan’ny 21 hatramin’ny 25 septambra teo.Etsy andaniny, mbola mamahatra tanteraka any Diana ny Coronavirus. Miisa 24 ireo tranga vaovao ny asabotsy ary 15 kosa izany ny alahady.Niampy roa ireo anaty fahasarotana ka tafakatra 17 izany izao ireo « forme grave ». Tsy nisy koa ny sitrana, omaly, raha miisa 55 izany afakomaly. Tafakatra 14 992 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo mitondra ny tsimokaretina miisa 16 285. Mbola miisa 1 132 ireo tsaboina sy arahi-maso ny toe-pahasalamany.Synèse R. L’article Miisa 229 ireo matin’ny valanaretina: olona roa tonga eto avy any Maorisy mitondra Covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Fizahantany: hisy fihenam-bidy 10 – 50% ho an’ny Malagasy
26/09/2020

Na tsy mbola resy tanteraka aza ny tranga Covid-19, ampirisihina ny Malagasy sy ny monina eto amintsika hitsidika bebe kokoa ny toerana mahaliana amin’ny fizahantany eto Madagasikara. Hanamorana izany, maro ny mpandraharaha eo amin’ity sehatra ity, manome tolotra zakan’ny fahefa-mividin’ny Malagasy, manao fihenam-bidy goavana, manomboka any amin’ny 10% ary misy mihitsy maherin’ny 50%. Efa hita any anaty site web ireo karazana tolotra ireo, ao amin’ny adiresy “Bon plan à Madagascar”. Maimaim-poana avokoa ny fidirana ao.Ahitana izany ny karazana mpisehatra amin’ny fizahantany isan-tsokajiny, toy ny toerana fandraisam-bahiny, ny fisakafoana, ny mpampanofa fiara, ny orinasa mpikarakara dia ho an’ny mpizahatany (agence de voyage sy Tour operateurs,…), sns. Nampidina ny karama raisiny koa ny mpitari-dia.Nanentana ireo orinasa sy mpandraharaha ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny fizahantany mba hanao fihenam-bidy, hisarihana ny mpanjifa sy hanarenana ny fizahantany eto an-toerana. Misahana ny fitantanana sy ny fanatanterahana azy ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM). Tsotra ny fampiasana sy ny famakiana ny antontam-baovao ao anatin’ity “site web” “bon plan à Madagascar” ity.Njaka A.L’article Fizahantany: hisy fihenam-bidy 10 – 50% ho an’ny Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Tambajotran-tserasera: niakatra ny vola kirakiraina
23/09/2020

Nampihodina vola 1 246,367 Ariary, niakatra ho 22,46 % ny vola kirakirain’ny tambajotran-tserasera rehetra eto Madagasikara, ny taona 2019, raha oharina ny taona 2018, araka ny tarehimarika navoakan’ny Artec (Autorité de régulation des technologies de communication). Ny sersera amin’ny antso sy ny sms no mitana ny loharaharana amin’izany, manome 528,378 Ariary, na nitombo ho 4,94% raha ampitahana ny tamin’ny 2018.Ny sampana Data kosa, nitombo 23,74% ny tamin’ny 2019, araka ny fanazavan’ny Artec. Noho ny fitombon’ny fampiasana “fibre optique” tamin’ny 2019 ny nahatonga izany. Nampiditra 270 miliara Ariary ny Data tamin’io fotoana io.Miroborobo, araka izany, ny tambanjotra ny fifandraisan-davitra. Ny foibe fiantsoana Towerco, ohatra, nampiditra 214 miliara Ariary, niakatra ho 228 % nandritra iny taon-dasa iny. Azo lazaina fa sehatra tsy nianjadian’ny Covid-19 ny fifandraisana. R.MathieuL’article Tambajotran-tserasera: niakatra ny vola kirakiraina a été récupéré chez Newsmada.

COVID-19: Statistiques du 25 Septembre 2020
25/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Statistiques du 25 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.D’après le bilan quotidien sur la situation de pandémie de Covid-19 à Madagascar rapporté ce vendredi 25 septembre, 30 personnes ont été diagnostiquées positives au coronavirus sur les 277 échantillons analysés. Ainsi, la Grande Île compte 16221 cas de contaminations depuis le mois de mars. La répartition de ces nouveaux cas se présente comme suit: 10 cas à Analamanga, 7 cas à Alaotra Mangoro, 4 cas à Matsiatra Ambony, 7 cas à Diana, 1 cas à Atsimo Andrefana et 1 cas à Menabe. Actuellement, 14867 d’entre eux sont déjà guéris, ce qui porte à 1124 le nombre des patients encore en traitement. Toutefois, ce qui est rassurant est qu’il ne reste plus que 11 formes graves sur ces cas actifs. Par ailleurs, 34 guérisons ont été annoncées et un nouveau victime. Désormais, le pays compte 228 décès liés au coronavirus. L’article COVID-19: Statistiques du 25 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Famerenan-kasina an’Antananarivo: niofana mialoha ny hidinany eny an-kianja ireo hanentana ny CMH
23/09/2020

Efa maka bahana. Niofana momba ny fampahafatarana ny fihezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana (CMH) ireo tompon’andraikitra isan-tokony. Nisokatra, omaly etsy amin’ny lapan’ny Tanàna, Analakely, izany. Anisan’ny niatrika izany ny solontenan’ny Zandarimariam-pirenena, ny lehiben’ny kaomisaria avy amin’ireo boriborintany enina, ny eo anivon’ny Bianco sy ireo tale mpitantana ao amin’ny CUA.Fanentanana sy fisorohana ny kolikolyMiompana amin’ny fampahafantarana ny CMH sy ny fanentanana ary ny fisorohana ny kolikoly amin’ny fampiharana ilay fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana ny votoatin’ny fiofanana. Ahitana sokajy miisa 12 ireo mpiofana ka niditra an-tsehatra nanomboka, omaly, ny andiany voalohany, miisa 125, saingy nozarana roa izany noho ny hamehana ara-pahasalamana.Hitohy eny amin’ny BMH Isotry ny fampiofanana, ahitana mpandray anjara miisa 500 ka hozaraina andiany 50 isa avy. Anisan’ny handray anjara amin’izany ireo sefo fokontany rehetra, ny lehiben’ny tsena eo anivon’ny CUA, ny tompon’andraikitra ny fitaterana eto Antananarivo Renivohitra, ny mpiandraikitra eny anivon’ny CSB II. Manampy ireo ny “inspecteur d’hygiène” sy ny “inspecteur de voirie” miaraka amin’ireo polisy monisipaly sy ny polisim-pirenena.Fakan-kevitra sy adihevitra eny ifotonyNa izany aza anefa, nitondra fanazavana ny mpanolotsain’ny ben’ny Tanàna, Rasaony Pascal. “Mbola hisy fakan-kevitra ataon’ny CUA eny ifotony. Eo koa ny ady hevitra momba ny CMH eny anivon’ny birao ho an’ny boriboritany ka andraisan’ireo olom-pirenena anjara”, hoy izy.Tsiahivina fa efa nisy ny CMH ny taona 1960 ho an’ny kaominina manerana ny Nosy. Narafitra ho boky izany ny 27 aogositra 2013, ahitana andininy miisa 103. Nohatsaraina kosa ny andininy miisa 20 amin’ireo 103, ny volana mey 2020.Synèse R.L’article Famerenan-kasina an’Antananarivo: niofana mialoha ny hidinany eny an-kianja ireo hanentana ny CMH a été récupéré chez Newsmada.

Covid19-Fiarovana ny mpiasa; 36,85 tapitrisa euro avy amin’ny BAD
23/09/2020

 L’article Covid19-Fiarovana ny mpiasa; 36,85 tapitrisa euro avy amin’ny BAD a été récupéré chez Newsmada.

Fahadimy taonan’ny tarika: hanome tolotra miavaka ny Miantsa’s Kanto Orchestre
28/09/2020

Feno dimy taona, ankehitriny, ny Miantsa’s Kanto Orchestre, izay tarika noforonin-dRafidimanana Noelison Erick (mpihira  sady mpanentana ary tonian-danonana na « maître de cérémonie » ao anatin’ny tarika ihany). Niforona tamin’ny taona 2015 ny Miantsa’s Kanto Orchestre. Fanentanana mariazy sy  « cabaret » no tena ataon’ny tarika. Manafana  ireny « déjeuner dansant » ireny ihany koa. Amin’izao fahadimy taonany izao, manana tolotra miavaka ny  Miantsa’s Kanto Orchestre, toy ny fanentanana lanonana sy ny fanamafisam-peo « sonorisation », ny jiro sy hazavana, ny « Animation DJ » miaraka amin’ny fanentanana sy ny tonian-danonana,  indrindra ny « effet spéciaux » manontolo. Marihina fa fitaovana an-dry zareo daholo ireo.« Anisan’ny mampiavaka anay amin’ny hafa ny filalaovana ny karazan-kira na « répertoire » misy amin’ny faritra enina. Izany hoe, tsy mifidy gadon-kira holalaovina izahay ary arakaraka ny karazan’olona ao anaty fety no hitondranay ny zavatra atao.  Raha olona efa nahazo taona daholo, ohatra, ny ankamaroan’ny mpanatrika, fantatra avy hatrany ny hira sahaza ho azy ireny. Raha avy any Mahajanga, afaka milalao salegy sy baoejy, avy any Toliara, efa fantatra avy hatrany ny tokony ho mety aminy”, hoy ny solontenan’ny tarika.  Milalao karazan-kira sy gadona maro be ny tarika ka ao anatin’izany ny tropikaly,  ny gasigasy, ny « danse de salon »,  ny kalon’ny fahiny, ny hira vao nivoaka, sy ny hira tsiahy.  Miankina be dia be amin’ny filan’ny olona ao anaty lanonana no andrindrana azy, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra ao amin’ny tarika.NarilalaL’article Fahadimy taonan’ny tarika: hanome tolotra miavaka ny Miantsa’s Kanto Orchestre a été récupéré chez Newsmada.