Lozam-pifamoivoizana :: Lehilahy iray voahosin’ny kamiao teny Talatamaty

News - Lozam-pifamoivoizana :: Lehilahy iray voahosin’ny kamiao  teny Talatamaty

News - Lozam-pifamoivoizana :: Lehilahy iray voahosin’ny kamiao teny Talatamaty

Nandriaka ny ra teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra teo Andranotapahina, miakatra an’i Talatamaty, afak’omaly alina. Lehilahy iray, dimy amby telopolo taona, no namoy ny ainy tamin’izany. Ny zandary avy ao amin’ny Borigadin’ ny zandarimaria Talatamaty no nitondra sy nametraka ny razana eny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona. Teny am-panaovana fisafoana amin’ny alina toy ny mahazatra izy ireo no nahita ny loza.

«Potika tanteraka ny vatan’io lehilahy io. Naheno izahay fa voadonan’ny kamiao izy», hoy ny zandary eny an-toerana. Milaza ho efa manao ny fikaroham-baovao momba an’ilay fiarabe nanao loza ny mpanao famotorana. Teny amin’ny tranom-paty kosa vao nosavaina sy nojerena akaiky ny razana. Nahitana kara-panondro teny aminy. Fantatra tamin’ izany fa avy eny amin’ny kaominina Ambohimanambola ity namoy ny ainy ity.

Efa nisy ny fampilazana ataon’ny mpitandro filaminana an’ireo izay mety ho fianakaviany.

L’article Lozam-pifamoivoizana :: Lehilahy iray voahosin’ny kamiao teny Talatamaty est apparu en premier sur AoRaha.

Talatamaty

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Tsy fanarahan-dalàna: mpitsara folo no miakatra filankevi-pifehezana  

« Tiako ny maneho aminareo, raha ny mpitsara no resahina, nandritra ny dimy volana naha eo ahy: hisy ny filankevi-pifehezana… Maharitra telo andro izany eo anivon’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara (CSM). Eo amin’ny folo eo ho eo ny mpitsara handalo izany filankevi-pifehezana izany. »Io ny nambaran’ny minisitry Fitsarana, i Harimisa Noro Vololona, teny Anosy, omaly, ny amin’ny fampiakarana filankevi-pifehezana (Codis) eo anivon’ny CSM ny mpitsara miisa folo, manomboka anio, noho ny tsy fahampian’ny fanarahan-dalàna sy ny fitsipi-pitondran-tena.« Tsy maniry ny hanasaziana azy ireo aho. Nefa kosa raha tena tokony hosazina izy ireo, tokony handray andraikitra ny CSM. Satria araka ny teniko hatrany ary averiko hatrany: tsy misy olona eo ambonin’ny lalàna », hoy izy.Misy mpandraharaha fonja… hoesorina Ao anatin’izany koa ny mpirakidraharaha, efa mandeha ny filankevi-pifehezana amin’izao fotoana izao. Maro ireo antontan-taratasy nipetraka tao fa tsy nohetsehina. Efa mihetsika izany amin’izao fotoana izao. Filankevi-pifehezana roa miantoana no miasa amin’izao.Efa mandeha koa amin’izao fotoana izao filankevi-pifehezana amin’ny fitantanan-draharahan’ny fonja.Efa mampiomana ihany koa izy fa hisy tomponandraikitra maromaro eny anivon’ny fonja izay hoesorina tsy ho ela noho ny antony tsy fanajana lalàna sy noho ny antony tsy fehetezan-javatra nandritra izay fotoana izay. « Sao gaga isika hoe tsy mifarana akory ny taona dia hisy tomponandraikitry ny fonja maromaro hiala amin’ny toerany », hoy ihany izy.R. Nd. L’article Tsy fanarahan-dalàna: mpitsara folo no miakatra filankevi-pifehezana   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Jica – ONN: hanomboka ny marsa 2019 ny tetikasa Pasan

Ho avy eto Madagasikara, ny volana marsa 2019, ny manapahaizana japoney hisantatra ny tetikasa fanatsarana ny fiahiana amin’ny sakafo sy ny fanjarian-tsakafo (Pasan) miaraka amin’ny teknisianina malagasy. Haharitra dimy taona ny fiaraha-miasa ary mamatsy vola ny fanatanterahana ny fanjakana japoney amin’ny alalan’ny Jica. Hiasana ny kaominina 20 ho an’ny faritra telo mbola ahitana tsy fanjarian-tsakafo ambony. “Ho voakasika manokana ny sehatra hafa satria marolafy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo”, hoy ny mpandrindra nasionaly ny Ofisim-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo (ONN), Raveloharison Ambinintsoa, omaly teny Ankorondrano. Hanohana teknika ny tokantrano marefo amin’ny fiahiana amin’ny tsakafo ny minisiteran’ny Fambolena, hijery ifotony ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza kosa ny minisiteran’ny Fahasalamana. Efa nahazo ny fankatoavan’ny fanjakana japoney ny fiaraha-miasa ka nohamafisina tamin’ny fanaovan-tsonia teny Ankorondrano izany omaly. 175 000 ny reny sy zaza latsaky ny roa taona hisitraka ny asa raha 1 800 000 ireo mpahazo tombontsoa ankolaka amin’ny fisian’ny tetikasa. Mifanampy ny tetikasa Fafy tohanan’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Pasan iarahana amin’ny Jica. Vonjy L’article Jica – ONN: hanomboka ny marsa 2019 ny tetikasa Pasan a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

ALAOTRA MANGORO :: Hamerina ny tany ao Vohidiala amin’ny vahoaka i Andry Rajoelina

Tany amin’ny Faritra Alaotra Mangoro no nanohizan’ny kandidà laharana faha-13 Rajoelina Andry ny fampielezan-keviny, omaly. Nanomboka tao amin’ny kianja maitson’Ambohijanahary, tao Didy, izany ary nipaka hatrany Ambatondrazaka, renivohitry ny Faritra. Nisongadina hatrany ny fanaovan’ny kandidà laharana faha-13 velirano amin’ireo vahoaka maro mihaona aminy. Ho an’ireo mponina ao Ambatondrazaka, dia nohama­fisiny fa « atao laharam-pahamehana ny fanamboaran-dalana sy ny fiahiana ny fandriampahalemana ». Efa tamin’ny fiafaran’ny tetezamita no voaomana sy teo am-pelan-tanany ny antontan-taratasy amin’ny fifanarahana mikasika ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-44 mampitohy an’i Moramanga sy Ambatondrazaka. « Vao tonga eo amin’ny fitondrana aho dia hatomboka ny asa », hoy i Andry Rajoelina. Tao Didy, distrikan’Ambatondrazaka kosa no namelabelarany ny fanatanterahana an’ireo tetikasa maro lafy ho fampiroboro­boana ny fambolena. Hisy, ohatra, ny fanamboarana ny toho-drano ao Ranomena, izay antoka hahafahan’ireo tantsaha manabe voho ny sehatry ny fambolena. «Maro ny filoha fa Andry Rajoelina ihany no manao velirano aminareo vahoaka. Izaho tsy hamadika anareo», hoy izy. Ankoatra izay, nanome toky an’ireo mponina ao Didy ny hanome fitaovana hanamboarana hôpitaly manara-penitra sy fametrahana hery vonjy taitra hifarimbonan’ireo mpitandro filaminana hiadiana amin’ny asan-dahalo ny kandidà laharana faha-13. Nanome toromarika an’ireo mponina ao Didy mba hanara-maso akaiky ny fizotran’ny latsa-bato sy ny fanisam-bato mandritra ny andron’ny fifidianana indrindra koa ny tenany. «Mila mailo isika rehetra rehefa mandeha ny fifidianana. Tsy avelantsika hisy hanodinkodina intsony ny safidintsika. Jereo tsara ny taratasy firaketana ny voka-pifidianana (PV) , mitovy ve ny isan’ny vato eo amin’ny tabilao sy ny eny amin’ny PV. Ny ampitson’ny fifidianana dia handefa hélicoptère aty aho haka ny vokatra», hoy hatrany izy. Hiaro ny vahoaka Tao amin’ny kaominin’i Manakambahiny Atsinanana, Faritra Alaotra Mangoro indray dia nasongadiny ny efa fahavononany hiatrika ny latsa-bato, amin’ny 19 desambra ho avy izao. Nambarany tamin’ireo mponina tao Manakambahiny fa “hiaro ny vahoaka malagasy no antony nirotsahany ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena”. “Nisy nangalatra, nisy nanao barofo ny taninareo tao Vohidiala. Haveriko aminareo io tany io rehefa lany aho. Izaho tsy hiady ho an’ny tombontsoako fa hiady hoan’ny vahoaka”, hoy izy. Nanome toromarika izy hoe: “Reseo lahatra ny fianakaviana sy izay misalasala. Ireo tsy mbola nahazo kara-pifidianana dia mankanesa any amin’ny fokontany maka karatra”. Isan’ireo nanotrona ny kandidà Rajoelina Andry tao Morarano Kraoma, ny dokotera Robinson Jean Louis sy ireo Ben’ny tanàna miisa telo ambin’ny folo avy amin’ny distrikan’ Amparafaravola. Teo am-pamaranana ny kabariny no nanambaran’i Andry Rajoelina fa manaja an’ireo zoky raiamandreny nitondra ny firenena teo aloha ny tenany. Notsindriany fa ireo zavatra tsy vitan’izy ireo teo aloha dia “aleo hataon’ny tanora” toa azy. L’article ALAOTRA MANGORO :: Hamerina ny tany ao Vohidiala amin’ny vahoaka i Andry Rajoelina est apparu en premier sur AoRaha.

News - Delire Madagascar

BEN’NY TANÀNA NY FARITRA ANALAMANGA: Manohana an’i Andry Rajoelina

Hifanome tànana amin’ny kandida Andry Rajoelina ireo ben’ny tanàna eto amin’ny faritra Analamanga. Nambaran’ny ben’ny tanàna ny kaominina Ambohidratrimo, Clovis Arthur Rajaonasolo fa manohana tsy misy fepetra ny laharana faha-13 ny 80 % ny mpikambana ao anatin’ny fikambanan’ny ben’ny tanàna eto amin’ny faritra Analamanga. Ny fahitana ny fiarahamiasa tamin’i Andry Rajoelina tamin’izy filohan’ny tetezamita no nahatonga ireo ben’ny tanàna nanapa-kevitra. “Efa niara-niasa akaiky tamin’ny kandida Andry Rajoelina ny ankamaroanay”, hoy ben’ny tanàna Clovis Arthur Rajaonasolo. Fiomanana Nitondra ny teny an’ireo ben’ny tanàna ihany koa i Clovis Arthur Rajaonasolo fa tsy ampy fanomanana ankamaroan’ny mpitarika. Hany ka misababaka fotsiny rehefa lany. Tsy misy akory ny fanomanan-tena manomboka any amin’ny fokontany ka hatrany amin’ny ambaratonga samy hafa. Anisany antony iray hafa hanohanan’ireo ben’ny tanàna ny laharana faha-13 ny fiomanana nataon’ity kandida ity ho lasa filoham-pirenena. Eo ihany koa ny fahaizany mihaino ny hafa. Voatery manohana an-dRakoto na an-dRabe foana ve izany vao afaka hampandroso ny tanàna? Lynda A. Cet article BEN’NY TANÀNA NY FARITRA ANALAMANGA: Manohana an’i Andry Rajoelina est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

COI: nahomby ny fiarovana ny tontolo iainana

 Tanjon’ny fandaharanasa miompana amin’ny tontolo iainana, tohanan’ny Vondrona eoropeanina amin’ny vola (UE), ary tanterahin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), ny hampihenana ny tsindry manimba ny tontolo mananaina, ny fitantanana ny harena voajanahary hitondra fampandrosoana hiadiana amin’ny fahantrana.Nanomboka ny taona 2014 ny Fandaharanasa hikajiana ny tontolo mananaina aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Voakasik’izany ny firenena ao anatin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), miisa efatra (Madagasikara, Maorisy, Kaomoro, Seychelles), miampy firenena roa aty Afrika (Kenya, Tanzania). Namatsy vola ny fandaharanasa ny Vondrona eoropeanina, ao anatin’ny Fed andiany faha-10, hifarana amin’ny janoary 2019.Nambaran’ny tompon’andraikitry ny fandaharanasa ho an’i Madagasikara, Rabenandrianina Rivosoa, fa miisa efatra ny vokatra andrasana. Voalohany, ny fanatsarana ny lafiny lalàna sy ny fepetra mikasika ny tontolo mananaina. Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana ny Dina, ifampifehezan’ny mponina eny ifotony.Nihena ny harena voajanaharyFaharoa, ny famindram-pitantanana amin’ny Vondrona olona ifotony (VOI). Azo raisina ohatra ny any amin’ny manodidina an’i Nosy Be. Nihena ny vokatry ny fambolena satria mitombo ny isan’ny mponina, nihena koa ny harena voajanahary satria nitombo ny fandripahana ny hazo toy ny any amin’ny ala honko, ohatra. Nihena koa ny tahiry entona karbôna (CO2 ) avy amin’ny tahirin’ala.Fahatelo, ny fampifandraisana ny mpisehatra samihafa amin’ny alalan’ny fananganana tambajotra. Singanina amin’izany, ny tambajotra ho an’ny fiarovana ny akorandriaka any anaty ranomasina izay mihafotsy satria maty ny zavamaniry sy ny bibikely vokatry ny fiakaran’ny maripana eto an-tany.Fanohanana ny velon-tenaFahefatra, ny fanohanana ny seha-pikarohana sy ny foibe misahana ny zavaboahary, toy ny parka Tsimbazaza, ny Fofifa, ny Sampampianarana siansa eny Ankatso, sns.Vokatra fanindiminy nanampiana ireo voalaza ireo ny fanohanana ny tetikasa mitondra fampandrosoana maharitra, manatsara ny fari-piainan’ny mponina. Nilaza Randriamampionona José, solontenan’ny fikambanana Sahy, miara-miasa amin’ny Sofia guide touristique (SGT) any amin’ny faritra Sofia, fa anisan’ny velon-tena vaovao nosokafana ho an’ny mponina any amin’ny distrika Analalava, ao anatin’ny kaominina Analalava sy Ambolombozo, ny fiompiana tantely, ny rary, ny fizahantany, ny fambolen-kazo any amin’ny ala honko, ny famerana ny fotoam-panjonoana, sns. Samy nahatsapa ny fiovana sy ny vokatra azo tsapain-tanana ny mponina any an-toerana.Njaka AndriantefiarinesyL’article COI: nahomby ny fiarovana ny tontolo iainana a été récupéré chez Newsmada.

News - Triatra

«Kilaoty tery !»

Tsy misy afaka ny handà fa tena miteniteny mihitsy ny vola tamin’ity fifidianana ity. Mitana ny laharana voalohany amin’izany i Andry Rajoelina, raha araka ny vola lany kosa aloha no hitsarana ireo kandidà miisa 36 dia i Andry Rajoelina no lany “1er tour”, saingy tsy izay moa ny zava-misy ka atao ahoana! Matoa miteniteny tahaka izany ny vola dia misy izany ny mpanome sy ny mpandray. Mazava ho azy fa taim-piraka fotsiny ireny nozarazaraina tamin’ireo sahirana ara-pivelomana nividianana ny vatony sy ny safidiny nandritra ny fihodinana voalohany ireny, ary tsy ho ireny mpitarika posy sy sarety nozaraina “tee-shirt” ireny mihitsy no hianjeran’ny miliara be, fa tsy maintsy izay deba sy tompon’ny fanapahana manodidina izao fifidianana izao. Mazava ho azy fa sarotra ny hampirina izany miliara be izany ao ambany ondana, na koa hametraka izany any amin’ny banky fa tsy maintsy alefa any ivelany any, any amin’ireny nosy paradisa fiskaly ireny, na koa hividianana trano be any am-pita. Saingy izao no tsarovy: “vola very an!” Jereo fotsiny ireo trano be azon’i Mamy Ravatomanga nandritra ny Tetezamita mitentina hatrany amin’ny 100 miliara. Hitan’ny manampahefana any ivelany foana ireny na hampiasa solon’anarana tahaka ny inona aza. Ary aoka ho fantatr’ireo nandray vola nandritra ity fifidianana ity fa ny figiazana ny kaonty no mandeha mialohan’ny figiazana fananana, tahaka ny mahazo an’i Mamy Ravatomanga araka ny fanadihadiana nataon’ny manam-pahefana tao Nanterre sy ny PNF. Miantefa tanteraka any amin’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny manana andraikitra goavana amin’izao fifidianana izao ny fitenenana: “mamy ny vola, ary tsy mangidy na oviana mihitsy, saingy aoka ho ambony noho izany rehetra izany ny tombontsoam-pirenena, ary ho vola very fotsiny daholo izany amin’ny andro iray tsy ampoizina, satria tsy maintsy ho hita sy fantatra foana ny toerana nanitrihana azy!”. Efa mazava fa tsy azo hiadian-kevitra intsony ny famotsiam-bola maloto, ny kolikoly ary ny fanodinkodinam-bolam-panjakana iampangan’ny Fitsarana Frantsay an’i Mamy Ravatomanga, koa asakasak’izay mbola sahy hiditra anaty “kilaoty tery” ihany! Masoivoho L’article «Kilaoty tery !» est apparu en premier sur .L’article «Kilaoty tery !» a été récupéré chez Triatra.

News - Ao Raha

Halatra môtô

Tratra tao an-tranon’ olona iray teny Soavimasoandro ny môtô iray nisy nangalatra teny Ivandry, ny herinandro lasa teo. Misy « GPS » na marika manokana ahafahana manaraka azy ilay kodiarandroa ka io no nanamora ny fikarohana. Lehilahy roa no voarohirohy tamin’ity halatra ity. L’article Halatra môtô est apparu en premier sur AoRaha.

News - Politique

Fifidianana ho filoham-pirenena Madagasikara : Ravalomanana sy Rajoelina no hanao ny dingana faharoa

Namoaka ny vokam-pifidianana vonjimaika ny CENI androany. Vokatra izay manamafy ny fironana izay hita tamin'ny fivoahan'ny vokatra ampahany voalohany. Ny CENI (Commission électorale nationale indépendante) dia namoaka ny vokatra vonjimaika tamin'ny fifidianana filoham-pirenena izay natao tamin'ny 7 novambra 2018 androany 17 novambra 2018. Tsy dia nisy fiovana firy izy io satria ireo kandidà roa "favoris" ihany no hanao ny dingana faharoa, tsy iza izany fa ny laharana faha 13 Andry Nirina Rajoelina (39.19%) sy ny laharana 25 Marc Ravalomanana (35,29%). Io vokatra io dia tsipahan'ny ekipan'ny Andry Rajoelina. Mitaky izy ireo ny hampitahana ny "procès-verbaux", satria hoy ihany izy ireo hoe, ny kandidà-ny dia voafidy tamin'ny dingana voalohany. Ireo parlemantera izay manohana ny laharana faha 13 dia efa nitondra sahady ny porofo maro ny tsy ara-dalàna tamin'ireo vokatra navoakan'ny CENI ka nahatonga ny isan'ny vaton'ny kandidà laharana faha 13 tsy nihoatra mihitsy ny 40%. Ny mpisolovavan'io farany dia efa nametraka fangatahana teo amin'ny HCC, ny votoantin'io fangatahana io dia ny hampitsaharana ny famoahana vokatra avy amin'ny CENI. Ny anton'io fangatahana io dia miampanga an'ireo tsy ara-dalana ireo ny ekipan'i Andry Rajoelina ary nampisehoany izany miaraka amin'ny kajikajy sy ny PV ho porofo. Anjaran'i HCC no manapaka Ny CENI dia nandà foana ny fiampangana azy izay milaza fa ny ampahan'ny ekipany dia nanao kolikoly mba hanomezana tombony kandidà sasany ka noho izany dia nisy ny fanovana ny vokatra. Ny filohan'ny CENI dia nanamafy androany ny amin'ny fangaraharan'ny dingana rehetra sy ny amin'ny tsy findaniana na amin'ny atsy na amin'ny aroa ny ekipany. Na izany na tsy izany, ny tohin'ny fifidianana natao tamin'ny 7 novambra lasa teo dia eo am-pelatanan'ny HCC. Io farany dia tokony hanapaka ny fisian'ny dingana faharoa na tsia araka ny vokatra izay navoakan'ny CENI na ny fampitoviana ny PV. Noho izany dia mety misy ny fandresen'ny ankolafy iray amin'ny dingana voalohany raha araka ny filazan'ny ekipan'ny Rajoelina sy Ravalomanana. Marihana ihany koa fa ny kandidà laharana faha 12, ny filoha farany teo Hery Rajaonarimampianina, dia tsy nahazo afa tsy 8.84%. Ny taham-pahavitriana tamin'iny dingana voalohany iny dia 54.23%. Vaovao nalaina tamin'ny

News - News Mada

Fifidianana depiote: ambany dia ambany ny taham-pahavitrihana

Vita ny latsa-bato amin’ny fifidianana solombavambahoaka. Efa nampoizina? Ambany be ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy…     Nangatsiaka maraina ny faritra maro, omaly? Nangatsiaka koa ny fahavitrihan’ny mpifidy nandatsa-bato tamin’ny fifidianana solombavambahoaka… tontolo andro. Tamin’ny ankapobeny, ambany be ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy. Zara raha nahatratra 10% ka hatramin’ny 20 %, ohatra, izany ny maraina. Alohan’ny nikatonan’ny birao fandatsaham-bato, zara raha nahatratra 30% ny taham-pahavitrihana. Latsaka no ho izany…Tatitry ny fanaraha-maso :  23% ny taham-pahaivitrihana Tsy amin’ny tanàn-dehibe, heverina ho maharaka ny vaovao sy fiainana politika ihany izay taham-pahavitrihana ambany be izay fa saika nanerana an’i Madagasikara. Efa nampoizina? Ny mpanara-maso ny fifidianana toy ny KMF/Cnoe, ohatra, nilaza fa ahina ny taham-pahavitrihana noho ny tsy rariny sy ny tsy fanarahan-dalàna hitan’ny mpifidy tamin’ny fampielezan-kevitra. Fizarana fanomezana sy asa soa, ohatra, no nafitsoky ny kandidà sasany fa tsy fanazavana izay ho tolo-dalàna harosony, raha voafidy izy. Teo  koa ny tatitra nataon’ny Ivon-toerana Safidy amin’ny  fanaraha-maso nataony.  ”23.7% ny fandraisan’anjara hatramin’ny 12 ora atoandro”, hoy izy ireo.Niteraka ny fahalainan’ny mpifidy koa ny andro tsy fiasana somary lava: aleon’ny sasany  maka rivotra?Nisy ny tsy rariny sy ny tsy ara-dalàna…Eo koa ny mbola fisian’ny fitanilana sy ny fiandanian’ny solontenam-panjakana na ny mpiasam-panjakana sasany any ifotony amina kandidà. Teo koa ny fametahana petadrindrina na baranahiny tanteraka. Nefa tsy hitan’ny olom-pirenena loatra izay tena fandraisana andraikitra; eny, na teo aza, ohatra, ny fampitandremana sy ny fanazavana lalàna.Tamin’ny fotoana farany, anisan’ny nampidina ho ambany be ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy koa ny olana amin’ny fisian’ny mpifidy manana kara-pifidianana nefa tsy ao anaty lisi-pifidianana; eny, na nandatsa-bato aza izy tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika, ny taon-dasa. Sahirana nitady ny anarany na ny birao handatsahany vato izy ireo tamin’izany.Nampisaritaka ny mpifidy sasany ny amin’ny hoe tsy manana kara-pifidianana nefa mahazo mifidy rehefa ao anatin’ny lisitra ny anarany ary mitondra karatra na pasipaoro na fahazoana mitondra fiara anamarinana ny momba azy izy. Tsy mahazo mifidy kosa izay manana kara-pifidianana ary ao anaty lisitra nefa tsy mitondra karatra ahazoana manamarina ny momba azy.Ratsy toerana izay voafidy eo..Tena mahasolo tena ny vahoaka ve izay hoe solombavambahoaka voafidy eo amin’izany taham-pahavitrihana 20% izany; eny, na atao hoe 30 % na 40% aza: tsy ampy ny antsasa-manilan’ny mpifidy akory. Hanao ahoana ny fahamarinan-toerana politika eny anivon’ny Antenimierampirenena amin’izany? Amin’izay, ny avy amin’ny tsy miankina no betsaka amin’ireo kandidà 517 raha 345 ny natolotry ny antoko politika. Tsy azo fehezina ary tsy misy mifehy amin’izay hironany ny tsy miankina, raha maro anisa. Hanao ahaona? Ho hita eo…  Efa naneho ny heviny iny ny vahoaka…. tompon’ny teny farany.  Tsiahivina fa  hiovoaka mialoha ny 15 jona izao ny voka-pifidianana vonjimaika eo anivon’ny Ceni.R.Nd.L’article Fifidianana depiote: ambany dia ambany ny taham-pahavitrihana a été récupéré chez Newsmada.

News - Politique - News Mada

Famatsiam-bolan’ny propagandy: nankasitraka ny mangaraharan’ny kandidà ny komitin’ny Dina

Noderaina manokana na tsy izy rehetra aza. Nitondra ny fahitany sy ny fanaraha-maso nialoha sy nandritra ary ny aty aorian’ny fifidianana ny komitin’ny Dina nampanasoniavina ireo kandidà. Nisy noderaina manokana ireo mpilatsaka hofidina. « Mankasitraka tanteraka ny kandida isany: Rabary Andrianiaina Paul, Radilofe Mamy Richard , Rasolofondraosolo Zafimahaleo na i Dama, Beriziky Jean Omer, i Zafivao Jean Louis sy i Tabera Randriamanantsoa izahay satria nampiseho mangarahara tsara izy ireo momba ny famatsiam-bolan’ny fampielezan-kevitra », hoy ny fanambaran’ny komitin’ny Dina nampanao sonia ireo kandidà tamin’izao fifidianana filoham-pirenena izao. Nanterin’ny fanambarana fa voalohany izany mangarahara momba ny famatsiam-bolan’ny kandidà teto amintsika izany. « Mendrika atao ohatra izy ireo ka haharitra io fomba fanao tsara io.  Fantatsika fa tombontsoa lehibe ho an’ny firenena izany », hoy ihany izy ireo. Nankasitrahan’ny komity manokana koa ny fanetren-tena sy ny fiandaniana amin’ny filaminana asehon’ny kandidà Rabary Paul, nanaiky ny vato azony raha vao nanomboka ny fanisam-bato. “Nanentana ireo kandidà mpifaninana aminy izy hanaiky ny voka-pifidianana ary tsy ho tompon’andraikitra hiteraka korontana, hampitondra faisana indray ny firenentsika”, hoy ihany izy ireo. Niaiky koa anefa ity komitin’ny Dina ity fa niseho ny tsy fahatomombanana maro araka ny hita, ny zava-nitranga voatatitra, ny fahasorenana, ny fitarainana teo amin’ny mpandray anjara tamin’ny fifidianan sasany. “Tratrantsika ny fanamby amin’ny ankapobeny ary tao anatin’ny fitoniana azo ekena izany”, hoy izy ireo. Miantso ny kandidà hanaja ireo mpifidy Ankoatra izany, miantso ny rehetra ho tony eo am-piandrasana valim-pifidianana fihodinana voalohany izy ireo. Mba hosorohina amin’ny fomba rehetra ny fihantsiana sy ny fanoherana, mety hiteraka krizy vaovao. Miantso ireo kandidà 36 mba hanaja ny vahoaka malagasy sy ny mpifidy ny komitin’ny Dina. “Tokony hitsahatra avy hatrany ireo fanodikondinana saim-bahoaka momba ireo mety ho tsy fahalavorariana tamin’ny fikarakarana fifidianana. Nanana fahafahana nametraka delege isaky ny biraom-pifidianana ireo kandidà ka tokony hanana PV.  Tokony ho tsapan’ny kandidà fa tsy mihodina eo amin’ny tenan’izy ireo ihany ny fifidianana fa lokan’ady goavana ho an’ny Malagasy manontolo. Aoka izy ireo hanatsahatra izay mety ho fikasana hanao sorona ny vahoaka noho ny fitiavan-tena sy ny tanjona politikany avy”, hoy izy ireo. Tsy hampidi-kizo indray ny firenena Nentanin’izy ireo ireo mpisehatra rehetra amin’ny fanajana ny lalàna sy ny fanaovana fitoriana araka ny voalazan’ny lalàna. “Aoka isika rehetra ao amin’ny andraikitra misy antsika avy, ho olom-pirenena hivoy filaminana sy demokrasia fa tsy ho tompon’andraikitra hampiditra ny firenena ao anaty ny kizo indray ka tsy ho tafarina intsony isika”, hoy izy ireo. Tsiahivina fa anisan’ny ao anatin’ny komitin’ny Dina ny CFM, ireo fiarahamonim-pirenena, ny Ceni, ny CNIDH, ny Samifin, ny Bianco, ny HCDDED, Justice et Paix… Randria 

Malaza androany

Notsongaina

Filohan’ny Tim: « Hiasa ho an’ny vahoaka… »

Nanefa ny adidiny teny amin’ny lycée Faravohitra ny filoha teo aloha, Ravalomanana, omaly. Nambarany fa zon’ny olom-pirenena ny mifidy. « Andraikitra lehibe koa anefa izany ho fandraisana fanapahan-kevitra amin’ny fiainam-pirenena. Tompon’ny fahefana ny vahoaka koa manainga ny rehetra ho tonga mavitrika hanatanteraka izany. Enga anie ka hiverina ny hasin’ny Antenimierampirenena. Ireo depiote ho lany eo, mba hiasa araka ny tokony ho izy ho an’ny vahoaka soloiny tena fa tsy ho an’ny tombontsoan’ny tenany manokana na ho an’ny tombontsoan’olom-bitsy », hoy izy.Synèse R.  L’article Filohan’ny Tim: « Hiasa ho an’ny vahoaka… » a été récupéré chez Newsmada.

Kandidà Serge Zafimahova, N°3, Antananarivo II: Ny isam-batan’olona no miresaka aminy

Nivalona ny herinandro voalohany amin’ny fampielezan-kevitra. Ny fihaonana sy ny dinika mivantana amin’ireo mponina, sy ny isam-batan’olona hatrany no tena iompanan’ny dian’ny kandidà Serge Zafimahova, any amin’ireo fokontany ao amin’ny boriboritanin’Antananarivo II. Ahoana marina moa ity 320 tapitrisa ariary ity ? Ahoana sy ho amin’ny inona no tokony ho fipetraky ny fampiasana azy ? Mitovy ny feo, niala tany Androndrakely, nandalo an’i Mahazoarivo sy Ambohidraserika, nipaka tany Ampasanimalo, na koa niainga teny Manjakamiadana sy Andohamandry ka hatrany Ankatso sy Ambolokandrina. Ireo no fanontanian’olona, nitondràn’ny kandidà valiny mazava, manoaloana ny manjavozavo nisy hatrizay. Ny fototra hiaingana dia ny fitsinjarampahefana tena izy, hisian’ny Sefompokontany sy Delegen’ny boriboritany voafidim-bahoaka, mahalala ny hetaheta any ifotony, ka ny Komitin’ireo Sefompokontany no hamaritra sy hitantana ny fampiasana ny 320 tapitrisa. Tonga nizara ny ahiahiny sy ny fanontaniana momba ny ho aviny ihany koa ny tanora, ary dia nanazava ny endrika vaovao hametrahana ny fanompoam-pirenena ny kandidà Serge Zafimahova : ho sokajiana roa, araka ny mari-pahaizan’ny tanora ; hisy ny fiofanana ara-miaramila, ary ho arahin’na fianarana asa ho an’ireo izay manohy antsitrapo, ka ny asa miteraka harena no hahazo tosika, toy ny fahazoana tany, fitaovana, na koa fampindamam-bola. Mahaliana ny mponina, indrindra moa fa ny renim-pianakavana, ny momba ilay tahirimbola ifampitsinjovana, hajoron’ny mpiara-monina. Fanohanana tsotra, miompana amin’ny sehatra fihariana, toy ny fambolena, fiompiana, varotra, zaitra, hotely gasy, sns. Ny mpikambana no mametraka ny fitsipika, hofanina ny mpitantana, ary samy handrotsaka vola amin’ny fotoana hifanomezana ny mpiara-miombona. Maro ny vehivavy mananontena sahirana rahefa misedra olana ara-pahasalamana na momba ny fianaran-janany, ka, amin’izay, dia ho azony atao ny mindram-bola ao amin’ny tahiry iombonana. Any an’elakelantrano, any amin’ny tontolo iainan’ny mponina mandava-taona, no mafana ny resaky ry zareo sy ny kanddà Serge Zafimahova : fandriampahalemana, varotra, fambolena, fianarana, ary koa ady amin’ny kolikoly, aretina mikiky ny fiaraha-monina, sy hisatra ho an’ny fampandrosoana. “Mila depiote hitanay tena miasa izahay, fa tsy rehefa fotoam-pifidianana vao tonga handambolambo anay”, hoy ny mponina. Nanangona: Nirina R. Cet article Kandidà Serge Zafimahova, N°3, Antananarivo II: Ny isam-batan’olona no miresaka aminy est apparu en premier sur déliremadagascar.

Fiarovana ny morontsiraka: 715 ny tranga sy trafika hita ny taona 2018

Ny taona 2013 nitsiry ny hevitra momba ny fiarovana ny fari-dranomasina iombonan’ny firenena mpikambana ao amin’ny Coi sy ny firenena afrikanina sasany, noho ny firongatry ny tsy ara-dalàna ataon’ireo sambo vahiny. 750 tapitrisa dolara isan-taona ny fatiantoka, tsy eto Madagasikara ihany fa iraisana amin’ny firenen-kafa. Eto Madagasikara manokana, misy ny CFIM  (Centre de fusion d’informations maritimes) sy ny CRFIM (Centre régionale de fusion d’informations maritimes) mitily ny morontsiraka rehetra.Ny taona 2018, nahitana tranga an-dranomasina 715 taty amin’ny fari-dranomasina misy antsika, ka ny 315 amin’ireo, loza an-dranomasina avokoa. “Mila manao ezaka mafy izany isika hisorohana izay loza izay”, hoy ny Capitaine de vaisseau, Randrianantenaina Jean Edouard, tale jeneralin’ny CFIM sy ny CRFIM.  Ankoatra ny loza mateti-pitranga, olana iray lehibe koa ny fisian’ny trafika isan-karazany,  nahitana 182, ka ny 100 amin’ireo trafikana zava-mahadomelina. Iarahana miasa amin’ireo firenena manamorona ny ranomasimbe Indianina andrefana ny fanenjehana ireo mpanao trafika zava-mahadomelina ireo.“Koa tsy maintsy arindra ny fiarovana ny fari-dranomasina aty Madagasikara”, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian. Ilàna tetibola ho an’ny sambo mpiambina ny morontsiraka, tsy maintsy mila fiaraha-miasa ihany koa. “Tsy ny fadintseranana ihany no tompon’andraikitra , fa mila polisy, mila zandary miara-miasa aminy, toy izany koa ny Foibe manara-maso ny jono, mila ireo mpitandro filaminana ireo”, hoy ihany ny Praiminisitra. Ny 18 hatramin’ny 20 jona izao, hatao eto amintsika ny fivoriana iraisan’ny minisitera miaro ny fari-dranomasina avy amina firenena 30, tohanan’ny Coi sy ny Vondrona eoropeanina. R.MathieuL’article Fiarovana ny morontsiraka: 715 ny tranga sy trafika hita ny taona 2018 a été récupéré chez Newsmada.

Fihaonambe any Soisa: niray latabatra ny filoha Rajoelina  sy i Angela Merkel

Nihaona tamin’ny « Chancelière » Alemà, Angela Merkel tao Soisa, omaly ny filoha Rajoelina. Voaresaka tamin’izany ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Anisan’izany ny sehatry ny angovo, ny tontolo iainana ary ny fampianarana sy  ny fanabeazana. Manoloana izany, handefa delegasiona avy amin’ny minisitera maromaro ny filoham-pirenena  ho famaliana ny fanasan’ity mpitantana an’i Alemaina ity. Tsiahivina  fa maherin`ny 40 ireo filoham-pirenena mikaon-doha mandritra ny fanamarihana ny faha-100 taon’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba  ny asa (OIT) any  any Genève – Suisse.  Anisan’ny   mandray anjara amin`izany i Madagasikara amin’ny alalan’ny filoha Rajoelina.Anisan’ny miatrika  izany koa ireo fikambanana tsy miankina samihafa, sendikà isan-tsokajiny amin`ireo firenena 178 mpikambanana eo anivon`ny OIT. Tanjona amin`izao fampihaonana tompon’andraiki-panjakana sy mpampiasa izao ny handrafitra ny fenitra iraisam-pirenena sy hamolavola politika ary hanangana fandaharanasa mikendry ny fampivoarana ny asa mendrika ho an`ny rehetra. Tsiahivina fa anisan’ny fanamby napetraky ny OIT iarahana miasa amintsika  ny fampiroboroboana ny asa mendrika ho an`ny tanora sy ny ady amin`ny fampiasana ankizy.Synèse R.  L’article Fihaonambe any Soisa: niray latabatra ny filoha Rajoelina  sy i Angela Merkel a été récupéré chez Newsmada.

Mananara Avaratra: vaky ny fonja, gadra fito tafaporitsaka

Vaky ny asabotsy teo ny fonjaben’i Mananara Avaratra. Gadra miisa sivy indray tafatsoaka ka voasambotra taorian’ny tifitra nahazo azy ireo ny roa amin’ireo. Voalazan’ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana fa efa voaomana mialoha ihany izao fitsoahana fonja nataon’ireto gadra ao amin’ny fonjan’i Mananara Avaratra ity izao. Tao anaty fahatapahan-jiro lavareny no nanararaotan’ireo gadra nandositra ny fonja. Niandry ny delestazy ry zalahy ka nandritra izany ny nanatanterahan’izy ireo ny teti-dratsin’izy ireo. Nipaika ny tamin’ny 8 ora tamin’io asabotsy hariva io, maizina ny tanàna. Nirohotra nanosika ny vavahadibe ny gadra rehetra tao am-ponja. Tsy nanampo na inona na inona ireo mpiandry fa ny vavahady nipoaka mafy be no nahataitra azy ireo. Nanao tifi-danitra ireo mpiandry fonja hanakanana ireo voafonja efa tafavoaka ny fonja. Tsy nahasakana ireo voafonja anefa izany fa vao mainka nampirifitra azy ireo. Ankoatra ireo nivoaka teo amin’ny vavahady, nisy koa ireo nitsoaka niakatra avy eny ambony tafon-trano. Raikitra ny fifanjevoana tao am-ponja, nizara roa ireo mpiandry fonja, nisy ireo nanohana ireo gadra nikasa hivoaka teo amin’ny vavahady. Tao koa ireo niambina ireo gadra nivoaka avy eny an-tafon-trano. Miisa sivy, araka izany, ireo gadra tafatsoaka ny fonja. Nitifitra avy hatrany ny mpiandry fonja ka voatifitra ny roa raha tafatsoaka kosa ireo gadra fito. Efa mandeha ny fikarohana ao an-tampon-tanànan’i Mananara Avaratra ataon’ny mpitandro filaminana miaraka amin’ireo mpiandry fonja na eo aza ny fitsoahan’ireo gadra. Somary efa antitra ihany koa ity fonjaben’i Mananara Avaratra ity ka isan’ny nanamora ny fitsoahan’ireo gadra izany satria na ny rindrina aza, efa malemy. Tokony hojeren’ny tompon’andraikitra akaiky ihany ireny fonja efa antitra ireny hialana amin’ny fitsoahana gadra faobe toy izao.J.C L’article Mananara Avaratra: vaky ny fonja, gadra fito tafaporitsaka a été récupéré chez Newsmada.

Fizarana vola – fifidianana :: Lehiben’ny fokontany iray nosamborin’ny zandary sy polisy

Nanaovan’ny mpitandro filaminana tambabe ny fisamborana ny lehiben’ny fokontanin’ Ambalafary-Tsarahonenana any Befan­driana-Avaratra, tamin’ny marainan’ny 8 jona lasa teo. Voalaza fa nizara vola nandritra ny androm-pifi­dianana tamin’ny 27 mey lasa teo izy, ka nahazo baiko avy amin’ny manampahefana sivily any an-toerana ireo mpitandro filaminana hisambotra azy. Tsy nanaiky mora ny fisamborana an’ity sefo fokontany ity ny mpomba ny kandidà depiote iray izay mitarika amin’ny vokatra vonjimaika any an-toerana, ka nikasa ny hanao fihetsike­tsehana. Nisy ny fakàna am-bavany an’io lehiben’ny fokontany io. Navotsotra izy taorian’izay. “Mba hitandrovana ny filaminana no anton’ny famotsorana an’ilay lehiben’ny fokontany araka ny baiko avy amin’ny Fitsa­rana”, hoy ny loharanom-baovao avy amin’ireo mpitandro filamminana any an-toerana. L’article Fizarana vola – fifidianana :: Lehiben’ny fokontany iray nosamborin’ny zandary sy polisy est apparu en premier sur AoRaha.

Ny asako rahampitso, andiany faha-14: mpianatra 5010 hampahafantarina karazana asa

Hiditra amin’ny andiany faha-14 ny hetsika « Ny asako rahampitso » hiarahan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, fampianarana teknika sy momba ny asa ary ny Rotary Club Antananarivo Ainga, ny 3 ka hatramin’ny 7 jona ho avy izao. Hetsika fanao isan-taona izany ary maharitra ho an’ny tanora sy ny fanabeazana. Tanjon’ny Rotary International rahateo ny fanohanana ny fanabeazana. Natokana ho an’ny mpianatra kilasy 2nde eny amin’ny lycée tantanin’ny fanjakana “Ny asako rahampitso” izay hampahafantarana ny kazarana asa misy sy ny fianarana tokony horantovina hahatongavana amin’izany, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Rotary Ainga, Rakotoarisoa Ny Aina. Hahatakatra tsara kokoa ny tontolon’ny asa eto Madagasikara izy ireo ary hisafidy ny sokajy (A-C-D) mifanaraka amin’ny asa vinaviainy hatao rehefa any aoriana .Mpianatra 5010 avy amin’ny kilasy 97 no voakasiky ny andiany faha-14 eny anivon’ireo lycée valo eto Antananarivo, ankoatra ireo mpianatra avy amin’ny lycée any amin’ny faritra hafa eto Madagasikara, araka ny fanitarana ny asa nanomboka ny taona 2017.Toy ny mahazatra, misy ny fiaraha-miasa amin’ny mpiasam-panjakana sy tsy miankina hitondra ny traikefany hozarainy amin’ny mpianatra. Hiresaka ny asany sy ny dingana nolalovana teo amin’ny fianarana norantovina izy ireo.Hoezahina ny hisian’ny sokajin’asa maro (mpitandro filaminana, mpitantana orinasa tsy miankina, mpitsabo…) ahafahan’ny mpianatra manana fahalalana mivelatra.Vonjy A. L’article Ny asako rahampitso, andiany faha-14: mpianatra 5010 hampahafantarina karazana asa a été récupéré chez Newsmada.

Antsirabe : Maty voatifitry ny pôlisy le Baroda, jiolahy raindahiny

Jiolahy raindahiny antsoina hoe le Baroda  no lavon’ny balan’ny pôlisy teto Antsirabe, maty tsy tra-drano ity jiolahy ity, bala telo no niantefa teny amin’ny vatany. Efa volana maromaro no narahi-maso akaiky ity jiolahy maty voatifitra ity, raha ny fanazavana nomen’ny pôlisy. Tao Betafo izy no nipetraka rehefa avy namita ny saziny tany am-ponja. Raha ny fanazavana  mantsy dia mpamerin-kelokoa ity jiolahy ity ary efa niditra am-ponja matetika, ary efa avy eny Tsiafahy . Herinandro teo izao izy no narahi-maso akaiky, ka teo am-panomanana fanafihana izy izao lavo izao. Ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy dia nifanenjahan’ny pôlisy tao Andranovisy  le Baroda sy ny namany roa lahy. Nifanena  tamin’ny pôlisy nanao akanjo sivily le Baroda ary nikasa hanindrona Sabatra azy. Niaro tena ny pôlisy ka voatery nitifitra. Ireo namany roa lahy kosa tafaporitsaka. Nambaran’ny “commissaire central” Raholisoa Patrick  fa nanao vava le Baroda talohan’izao nahafaty azy izao, nilaza fa tsy maintsy hamono pôlisy iray. Fantatra fa vao avy nanendaka teo Andranomaimbo le Baroda sy ny namany, vao tsy ela akory izay, ary voarohirohy amina resaka famakian-trano nisesisy tao Antsenakely. Miisa efatra kosa ny didy mampaka azy.  Araka ny fanazavana hatrany dia naman’ilay jiolahy antsoina hoe le Gena, maty voatifitra koa, le Baroda. Le Gena dia vao roa volana izay no nahavoatifitra azy, tao Andranovisy ihany koa. Samy any am-ponja ny vadin’izy roa lahy ireo, fa mpiray tsikombakomba sy mpivarotra ny entana halatra azony. Andry N.L’article Antsirabe : Maty voatifitry ny pôlisy le Baroda, jiolahy raindahiny a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Kitra – «ligue des champions d’europe»: norombahin’ny Liverpool fanineniny ny amboara

14 aty aoriana vao niverina teo amin’ny Liverpool indray ny ho tompondakan’i Eoropa “ligue des champions”, taranja baolina kitra. Tsy namelan-dry zalahy, raha tsy azony ny anarana maha tompondakan’i Eoropa, tamin’ity taorian’ny tsy fahombiazany, tamin’ny taon-dasa, ka nandresen’ny Real Madrid, azy ireo teo amin’ny famaranana.Lavon’ny The Red Liverpool, tamin’ny isa mazava, 2 no ho 0 ny Spurs Tottenham. Baolina tafiditr’i M Salah, teo amin’ny minitra faharoa, tamin’ny alalan’ny “pénalty” sy ny an’i Origi, teo amin’ny minitra faha-87.Fihaonana, notanterahina tao amin’ny kianja, Wanda Metropolitano tao Madrid, ny asabotsy 1 jona lasa teo. Adin’ny samy Anglisy ny lalao, izay ekipa diso mifankahalala tsara. Tamin’ny ankapobeny, nanindry ary nanantombo teo amin’ny fanafihana ny Spurs Tottenham, saingy tsy nety nahita ny masonaraton’ny Liverpool, mihitsy.Nanao izay ho afany ihany koa i Lucas Mura, teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, fa tsy nisy inoninona. Anisan’ny nanimba ny toe-tsain-dry zalahy, ilay “pénalty”, tonga aloha be. Nidona tamin’ny tanan’i Sissoko, tao anaty faritra tsy azo ivalozana, mantsy ny baolina nodakan’i Mané.Niezaka hatramin’ny farany ny Spurs, nitadiavana sahala fa voasakan’i Alisson, hatrany ny dakan-dry Son sy ry Kane. Anisan’ny herin’ny Liverpool, ny fahamafisan’ny fiarovantena, notarihin’i Joel Matip sy ry Virgil. Na izany aza, mpilalao nisongadina indrindra, ilay Senegaley, Sadio Mané.Rehefa nanafika tsy nahomby ny Spurs, nitsimbadika ho baolina maty ho an’ny Liverpool izany, tamin’ny alalan’i Origi, teo amin’ny minitra faha-87. Tsiahivina fa efa nandrombaka izany izy ireo, ny taona 1977, 1978, 1981, 1984, 2005. TompondakaL’article Kitra – «ligue des champions d’europe»: norombahin’ny Liverpool fanineniny ny amboara a été récupéré chez Newsmada.

FIARAHAMIASA AMIN’NY “FOR TWELVE SCHOOL”: Polisim-pirenena 26 mahay mifehy ny teny sinoa

Tsy ho sahirana intsony ny polisim-pirenena rehefa misy raharaha momba ny sinoa. Polisy miisa 80 nahazo fampianarana teny sinoa maimaim-poana noho ny fiarahamiasan’ny sampandraharahan’ny fiofanana sy ny fikarohana (DFCR) ao amin’ny ministeran’ny filaminam-bahoaka sy ny sekoly « for twelve school ». Notontosaina omaly 21 mey 2019 ny famoahana ny andiany voalohany tamin’ireo mpiofana. Polisim-pirenena 26 no nozaraina diplaoma tamin’io fotoana io. Nandritra ny efa-taona izy ireo no nianatra ary efa mahay mamaky, miteny ary manoratra teny sinoa ary ambony ny fahaizan’izy ireo rehefa avy nandalo fanadinana teny amin’ny “Institut Confucius”, eny amin’ny oniversite Antananarivo, araka ny fanazavan’ny tale mpanorina ny sekoly “for twelve school”, Razafindrainibe Andrianirina. Nambarany fa nanomboka tamin’ny taona 2015 ny fiarah-amiasan’ny roa tonta ary nohavaozina indray izany tamin’ny alalan’ny fifanaovan-tsonia. Manome fiofanana ny mpitsara, ny zandary ihany koa ny sekoly “for twelve school”. Nambaran’ny tompon’ny sekoly fa nipetraka tany Allemagne ny tenany ary resy lahatra tamin’ny fahaizan’ireo  mponina tany maneho ny fitiavan-tanindrazana. Ka izany no nodiany teto Madagasikara mba  ahafahany manao tahaka izany. Ohatra iray hita maso ity fampianarana maimaim-poana ny teny sinoa ity. Lynda A. Cet article FIARAHAMIASA AMIN’NY “FOR TWELVE SCHOOL”: Polisim-pirenena 26 mahay mifehy ny teny sinoa est apparu en premier sur déliremadagascar.

Fanamboaran-dalana vaovao: 20 miliara ariary ny onitra ho an’izay esorina

Mitohy ny asa fanamboaran-dalana avy eny Andranobevava mivoaka any amin’ny By Bass (Rocade avaratra atsinanana sy atsinanana). Hanome endrika vaovao ny tanànan’Antananarivo ny fahavitan’io lalana io, sy hanamaivana ny fifamoivoizana. Hamafisina ny fepetra efa noraisina amin’ny fanalàna ny mponina manodidina, fepetra takin’ireo mpamatsy vola (AFD, Bei, UE)*hampandehanana ny asa, sady tombontsoa iombonana, araka ny fanazavan’ny talen’ny fanajariana ny tany, Rabearimanana.Anjaran’ny fanjakana ny miantoka ny onitra ho an’ireo rehetra tsy maintsy esorina. 20 miliara ariary ny atokana amin’izany, ho an’izay manan-tany, trano, tanimbary sy karazam-boly hafa, toeram-pivarotana, toeram-piasana, sns. Dingana maro ny atao, manomboka ao amin’ny  sampana fanajariana ny tany, mandalo ao amin’ny minisiteran’ny Vola, manefa ny onitra. Ilaina fanamarinana ny fananan-tany, trano, sy izay fitadiavam-bola hafa. Honerana hatramin’ny mpanofa trano. Tombanana amin’ny sandan’ny ankehitriny ny zavatra tsy maintsy ravana, koa arak’izay koa ny vola omen’ny fanjakana.Tokantrano miisa 1087 sy tany 507 no voakasik’izao fandravana izao. Jerena akaiky ny momba ny trano, tanimbary sy fambolena hafa, asa fitadiavam-bola voatery ravana. 50 % ny onitra efa noraisina tamin’ireo. « Tsy ataon’ny fanjakana ny manavesatra izany, indrindra ho an’ireo sahirana sy beantitra », hoy ny talen’ny fanajariana ny tany, Rabearimanana.Somary tratra aoriana ny fahazoana onitra momba ny tany sy ny tanimbary noho ny fahasimban’ny boky fanamarinana ao amin’ny fananan-tany, sy ny fahasarotana fanaovana taratasy fandovana. Tany 69 fotsiny izao amin’ireo 507 no voasolo vola. Vahaolana ny fananganana Fitsarana manokana momba ny tany. Hanirahana vadintany sy mpitandro filaminana izay manda tsy mety miala. R.Mathieu  *AFD : Agence française de développement Bei :  Banque européenne d’investissementUE : Union européenneL’article Fanamboaran-dalana vaovao: 20 miliara ariary ny onitra ho an’izay esorina a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-miasa amin’i Frantsa: nahazo tohana avy amin’ny AFD ny fanatsarana ny fanabeazana

Nitohy, omaly, ny fihaonan’ny filoha Rajoelina amin’ireo tomponandraikitra any Frantsa. Anisan’izany ny momba ny famatsiam-bola iraisam-pirenena frantsay, ny famoronana asa sy ny fampianarana.Anisan’ny nihaonany ireo tompona orinasa miompana amin’ny fandraharahana momba ny angovo azo havaozina. Teo koa ny fihaonan’ny filoham-pirenena tamin’ny filohan’ny AFD, i   Rémy Rioux. Fantatra tamin’izany fa efa nanokana vola mitentina 10,4 miliara euros hamatsiana tetikasa sy asa fampandrosoana amin’ireo firenena antsoina hoe misandratra  “emergents” izy ireo. Anisan’ny misitraka izany famatsim-bola izany isika. Ohatra ny fanajarina ny lakandranon’Andriantany sy ireo milina mpitroka rano maloto eto Antananarivo. Eo koa ny famatsiam-bola mitentina 30 tapitrisa euros hanohanana ny fanatsarana ny lafin’ny fampianarana.Fametrahana orinasa misehatra amin’ny angovo nohavaozina Efa nambaran’ny filoha frantsay, i Emmanuel Macron, nandritra ny fihaonan’ny filoha Rajoleina Andry tao amin’ny lapan’i Elysée izany fanohanana ny fanatsarana ny fampianarana izany. Tafiditra ao anatin’ny vina IEM. Nihaona tamin’ny filoha koa ny tale jeneralin’ny orinasa Green Yellow, i Otmane Hajij, ao anatin’ny vondron’orinasa Casino. Misehatra amin’ny angovo maitso ary milaza ny hampitombo ny tetikasany amin’ny fametrahana orinasa momba ny angovo azo havaozina miisa telo izy ireo amin’ity taona 2019 ity. Anisan’izany ilay tetikasa “Ferme solaire photovoltaïque” ao Ambatolampy. Efa manampy amin’ny famokarana herinaratra eto amintsika ny fisian’io orinasa mpamokatra angovo avy amin’ny herin’ny masoandro miorina ao Ambatolampy io.Famoronana asa sy fanofanana arakasa  Ankoatra izany, nihaona tamin’ny filoha lefitry misahana ny toekarena sy ny asa eo anivon’ny Filankevi-paritry Île de France na Conseil regional d’Île-de-France”, i Jérôme Chartier, ny filoha. Anisan’ireo manampahaizana manokana momba ny famoronana asa sy ny sehatry ny fiofanana momba ny asa ny tenany. Vitany ny nametraka Ivontoerana fampiofanana momba ny asa isaky ny sekoly na fianarana tao anatin’ny 20 volana. Anisan’izany ireo tany miteny frantsay. Isan’ny nanome tanana tamin’ny fampitomboana ny tahan’ny fanofanana ny tsy anasa tao anatin’ilay drafitra antsoina hoe: “500 000 formations”, nandritra ny governemantan’i Hollande, izy io. Anisan’ny nanavao ny rafitry ny politika momba ny fanampiana mivantana ny orinasa koa i Jérôme Chartie. Efa ben’ny Tanànan’Antananarivo ary mahay tsara ny Region Île de France (Rif) koa ny filoha Rajoelina. Nisy ny tetikasa niarahan’ny CUA tamin’ny Rif tamin’izany fotoana izany ka hatramin’izao. Miompana amin’ny fampananana asa izany ary tena tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny filoha sy ny vina IEM. Efa tafiditra amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana.Synèse R.L’article Fiaraha-miasa amin’i Frantsa: nahazo tohana avy amin’ny AFD ny fanatsarana ny fanabeazana a été récupéré chez Newsmada.