Loza tetsy Tsaralalàna

News - Loza tetsy Tsaralalàna
Samy nahitana fahasimbana ny fiara roa nijanona nanoloana ny tobin-tsolika iray tetsy Tsaralalàna, omaly, rehefa nifandona. Tsy nisy ny aina nafoy sy ny olona naratra, araka ny fitantaran’ny olona teny an-toerana.
L’article Loza tetsy Tsaralalàna est apparu en premier sur AoRaha.
Vakio ihany koa
News - Midi Madagasikara
Nécrologie du 15 septembre 2020
Cliquez pour agrandir L’article Nécrologie du 15 septembre 2020 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Nécrologie du 15 septembre 2020 a été récupéré chez Midi Madagasikara.
News - Ao Raha
Zaza tsy hita
Nalain’ny jiolahy roa misaron-tava tao an-tranony, tany Ambodirano-Amparafaravola, ny zazavavikely iray, enin-taona, tamin’ny 25 jolay 2019. Tsy mbola hita izy hatramin’ny omaly. Nanararaotra ny tsy naha tao an-toerana ny rain’ilay zaza ireo jiolahy tamin’io fotoana io. L’article Zaza tsy hita est apparu en premier sur AoRaha.
News - News Mada
Tetikasa Hay Tao-Usaid: fiarovana ny ala honko
Hita eto Madagasikara ny 2%-n’ny ala honko maneran-tany. Ahitana zavamaniry sy biby na hazandrano tsy fahita raha tsy eto amintsika. Toeram-ponenan’ny tantely sy ny landy dia ny zavamaniry, ary torak’izany koa ny hazandrano sady hanatodizany, toy ny drakaka, ny makamba, ny trondro, sns.Tsy manana paikady mazava sy maharitra hitantanana ny ala honko anefa i Madagasikara. Izay no nahatonga ny atrikasa nasionaly atao any Toliara, ny 23 hatramin’ny, anio, 25 jolay.Mirongatra ny fandripahanaTanjona ny hitantanana maharitra ho lovain-jafy ny ala honko, ao anatin’ny Fandaharanasa iarahana amin’ny Amerikanina, Usaid Hay Tao, sy ny fanjakana malagasy. Nahatratra 200 ny mpandray anjara avy amin’ny faritra samihafa eto Madagasikara.Maro ny vokatsoa azo amin’ny ala honko eo amin’ny lafiny tontolo iainana, ny sosialy, ny fizahantany ary indrindra ny toekarena ankapobeny. Eo koa ireo mpanararaotra, mitrandraka tsy ara-dalàna sy mihoapampana, ka manafaingana ny fahapotehan’ity harena voajanahary ity, sady mampirongatra ny fihenan’ny ala eto Madagasikara.Fambolen- kazo 10 haDinihina mandritra ity atrikasa any Toliara ity ny hamoahana tondrozotra mazava hitantanana ny ala honko ary tonga dia hampiharina. Aorian’izay, hisy avy hatrany ny fambolena hazo honko amin’ny velaran-tany 10 ha, hatao any Ambondrolava, rahampitso 26 jolay, mifanandrify amin’ny Andro iraisam-pirenena fiarovana ny ala honko. Lohahevitra noraisina ny hoe “Hay tondra sy hay tanana hampaharitra ny ala honkontsika”. Maherin’ny 1.000 ny hanatanteraka izany fambolen-kazo izany.Njaka AndriantefiarinesyL’article Tetikasa Hay Tao-Usaid: fiarovana ny ala honko a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Filoha Rajoelina Andry : “Na iza na iza, sazina ireo tratra manao kolikoly”
“Zava-dehibe ny fametrahana ny tale jeneralin’ny Bianco. Milaza ampahibemaso eto aho ankehitriny: ho tena mahaleo tena ny Bianco. Ary io tsy misy fifantenana fa na iza na iza tratra amin’ny resaka kolikoly, tokony hosazin’ny lalàna avokoa”, hoy ny filoha Rajoelina Andry teny amin’ny Fitsarana tampony, Anosy, omaly, taorian’ny lanonam-pitsarana nandraisana ny fianianan’ny tale jeneraly vaovaon’ny Bianco. Maro loatra ary efa tafiditra amin’ny fiainan’ny vahoaka , indrindra ny tompon-draharaha rehetra, ny kolikoly: any amin’ny minisitera, fananan-tany, hopitaly, hatrany am-piangonana.Tsy misy intsony ny olona ambony na ambany…Nambarany fa vonona amin’izany ady amin’ny kolikoly izany ny rehetra, hiara-kifanome tanana, hiara-kiroso. Ao anatin’ny tanjona iray ampandrosoana ny firenena ny ady amin’ny kolikoly, ary tafiditra ao anatin’ny velirano.Tsy handroso ny firenena raha mbola manjaka izany. Izao vao hita fa maro ny olona sahy mitory mpitandro filaminana. Tsy misy intsony ny olona ambony na ambany amin’ny ady amin’ny kolikoly, fa mitovy ny rehetra.Tsy ekena intsony ny fangalarana volam-panjakanaBe loatra ny mangala-bolam-panjakana. “Ny ady amin’ny kolikoly ataontsika voalohany: ny fiadiana amin’ny gaboraraka , ny tolotr’asa tsy misy asa atao akory”, hoy izy.Misy asa be dia be hoe atao, lazaina fa misy tranompokonolona, sekoly, tetezana… Nefa tsy misy akory. Tsy ekena ny fangalarana amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Eo koa ny ady amin’ny fananan-tany: Marobe ny olona manana tany, lasa amin’ny tsy rariny. Voan’ny tsindrihazolena ny olona tsy mahay taratasy momba ny tany.R.Nd. Vita fianianana ny tale jeneralin’ny Bianco “Mianiana aho fa hanatanteraka antsakany sy andavany araka ny lalàna ny andraikitro, hitandro lalandava ny fahamarinana, tsy hijery tavan’olona, hitana sy tsy amboraka na oviana na oviana ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana.” Anisan’ny fianianan’ny tale jeneraly vaovaon’ny Bianco, Andrianirina Laza Eric Donat.Nisy ny famindram-pahefana tamin’ny tale jeneraly teo aloha, Andriamifidy Jean-Louis, taorian’izany. Anisan’ny laharam-pahamehan’ny tale jeneraly vaovao ny fahaiza-manao, ny fahalalana, ny fahendrena, ary ny fanajana ny rafitra misy amin’ny ady amin’ny kolikoly. L’article Filoha Rajoelina Andry : “Na iza na iza, sazina ireo tratra manao kolikoly” a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Praiminisitra Ntsay Christian: “Hafaingano ny fitsarana ireo voafonja”
Hentitra ny Praministra Ntsay Christian noho ny fahitana fa mitarazoka loatra. Anisan’ny nivoitra tamin’ny lahateniny, omaly ny momba ireo voafonja, mbola voatazona ela loatra any am-ponja.“Tokony hafainganina ny fitsarana ireo voafonja. Efa misy ihany ny ezaka ho amin’izany”, hoy izy, tetsy Anosy. Nomarihina tamin’izany ny faha-60 taona ny mpandraharahana ny fonja ka nanehoany izany toromarika izany. Na izany aza, nambarany fa efa nisy ny dingana vitan’ny minisiteran’ny Fitsarana toy ny eo amin’ny lafiny sakafo ho an’ireo voafonja. Nanteriny koa fa azo ametrahana fitokisana ireo voafonja rehefa miverina eny anivon’ny fiaraha-monina satria tsy toerana famaizana ny fonja. “Natao hisaintsainana hiverenana eny anivon’ny mpiara-belona ny toeram-pamonjana”, hoy ihany izy.Mitaky fampitaovana ny mpandraharaha ny fonjaFitakiana sy fangatahana maromaro. “Tsy fotodrafitrasa ihany fa eo koa ny fampitaovana. Tena sarotra ny asa, indrindra eo amin’ny fiara ho an’ny voanfonja. Efa simba ny ankamaroany ka tokony hojerena ny fampitaovana…”, hoy kosa ny minisitry ny Fitsarana Randrianasolo Jacques tamin’ny lahateniny. Eo ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny amin’ny tokony hanomezana ny mpandraharaha ny fonja fitaovam-piadiana, toy ny basy. Na izany aza, nanafatrafatra ny minisitra. “Aoka hampiasaina amin’ny tokony ho izy avokoa izany fitaovana izany fa tsy sanatria hampanofaina ny jiolahy. Aoka isika handala ny fahendrena sy ny fahamatorana”, hoy ihany izy.Tsiahivina fa maherin’ny 27 000 ireo voafonja manerana ny Nosy mitsinjara amin’ireo fonja 41. Nisy ny fanehoana ny asa sy ny fitaovan’ny mpandraharaha ny fonja tamin’izany.Synèse R. L’article Praiminisitra Ntsay Christian: “Hafaingano ny fitsarana ireo voafonja” a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Fiara nivadika nibahan-dalana: maro ireo naratra mafy
Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray ny lalam-pirenena fahefatra, omaly hariva tokony ho tamin’ny 04 ora. Tra-doza teo Ambatomahamanina ny fiara Sprinter iray avy any Antsiranana saika hihazo an’i Bekily. Nitondra fianakaviana handevina ny fiara kanjo nisy olana ny hisatra. Vokany, nivadika ny fiara ka naratra tamin’izany ny mpandeha miisa 18 tamin’ireo 25 tao anatiny. « Nisy tamin’ireo mpandeha no voa mafy vokatry ny loza. Ramatoa iray voalaza fa tapa-tanana tanteraka tamin’izany. », hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana, misahana ny famotorana. Araka ny fanadihadiana, nisy koa ireo ankizy naratra, saingy tsy ahina ny ainy. Lehilahy iray 37 taona kosa namoy ny ainy vantany vao taonga teny amin’ny hopitalin’Ankazobe.Nitohana tanteraka ny fifamoivoizana teny an-toerana tao anatin’ny ora roa. Ireo naratra efa nalefa vonjimaika eny amin’ny hopitaly. Voatazona atao fanadihadiana ao amin’ny zandary ao Ankazobe ny mpamily ny fiara. Henintsoa HaniL’article Fiara nivadika nibahan-dalana: maro ireo naratra mafy a été récupéré chez Newsmada.
Jeux - News - Sport - News Mada
« Orange E-Sport Experience»: mpilalao 3, hisolo tena an’i Madagasikara any Dakar
Hotanterahina manomboka rahampitso 5 desambra, ny famaranana amin’ilay fifaninanana kontinantaly “E-Sport”, any Dakar. Fifaninanana izay handraisan’ny malagasy anjara. Nanainga ny alahady teo ireo solontenan’i Madagasikara hiatrika ity lalao ity. Mpilalao miisa 50 avy amin’ny firenena 11 manerana an’i Afrika no andrasana ho tonga handray anjara amin’ny ity lalao famaranana ity. Anisan’izany ny mpilalao avy eto Madagasikara. Fifaninanana afrikana, fanao isan-taona, hanondrotana avo ny “jeu vidéo” ity lalao ity. Tovolahy 3 no hitondra avo ny anaran’i Madagasikara any Dakar, mandritra izao fifaninanana “Jeu vidéo” izao. Ratsimiliavahoaka Ranto Manoro (Big Tom 2138), sokajy “Street Fighter”, Rakotoarison Mamitiana Michel (Gogo), sokajy “Asphalt” ary Ralainaivo Mamitiana Herilanto (Rayan), sokajy “PES 2019”. Ireo no voasafidy hiatrika ny “Orange E-Sport Experience” rehefa nahazo fandresena tamina lalao maro teto an-toerana, teo amin’ity taranja ity ary efa manana haavo teknika amin’ny fanaovana “jeu vidéo”. Izy ireo izay tohanan’ny Orange, mpiara miombona antoka amin’ny fikambanana “E-Sport” eto Madagasikara. Mirary ny Orange mba ho fifaninanana fakan-tahaka ity lalao afrikana amin’ny “jeu vidéo” ity ary mba hahafahana mitily ireo mpilalao afrikana vao misandratra ihany koa. “Dakar Digitak Show” Hifanindry an-dalana amin’ny lalao famaranana ny hetsika “Digital show” izay hampisehoana amin’ny fomba miavaka ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra amin’ny lafiny nomerika, toy ny “éditeurs de contenus” sy ny “développeurs” ary ny mpikirakira ara-teknika amin’ity sehatra ity. Izao hetsika izao dia haseho amin’ny alalan’ny hetsika ara-barotra, hampirantiana ny mahakasika ny tonton’ny nomerika sy ny “jeu vidéo”. Tanjona ny hampandrosoana sy hananganana sehatra miavaka amin’ny B2B ary hanomezana vahana ireo mpilalao manana ny maha izy azy. Eo ihany koa ny fampivondronana ny mpiantsehatra amin’ny lafiny “digital” manerana ny kontinanta afrikana sy manerana izao tontolo izao. Mi.RazL’article « Orange E-Sport Experience»: mpilalao 3, hisolo tena an’i Madagasikara any Dakar a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
CFM: « Lavitra ezaka ny fampihavanana… »
“Tokony hatao ao anatin’ny fo sy saina ny fampihavanana. Mbola lavitra ezaka anefa izany na efa manomboka aza isika”, hoy ny filoha lefitry ny CFM, Ramamimampionona Gerard, omaly tetsy Ampefiloha. Notsiahiviny fa efa nisy ny aingavao tamin’ny alalan’ny Barea. Teo koa ny fiombonana teny anivon’ny Antenimierampirenena ka lany 100% ny filohan’io Andriampanjakana io. “Iriana ho amin’ny sehatra maro izany. Ohatra ny eo amin’ny lafiny politika, ny toekarena. Ny lafiny sosialy, miverina indray ny herisetra…”, hoy ihany izy. Niaiky koa ny tenany fa mahazo laka indray ny fahazarana ny amin’ny fitakiana ny tokony hisian’ny minisitra avy atsy amin’ny faritra izao na izao. Ilana fandinihana lalina sy lavitra ezaka izany satria lasa fahazarana. Nampitoviana amin’ny mpanazatra ny Barea izany ka nilazany fa efa misy ny tompon’andraikitra mifantina sy mifidy, arakaraka ny fahaizany sy ny fahalalany. “Tokony hojerena ny fomba fanaovana politika ary tokony hatoky ny mpanazatra isika amin’ny fifantenana ny ho ao anatin’ny governemanta”, hoy ny CFM. Tsiahivina fa hanao tatitry ny asany izy ireo, ny zoma izao etsy amin’”ny foiben-toerany, Ampefiloha.Synèse R. L’article CFM: « Lavitra ezaka ny fampihavanana… » a été récupéré chez Newsmada.
News - Midi Madagasikara
Andranobevava : Un militaire arrêté pour tentative de vol à la tire dans un autobus
Les passagers d’un autobus de la ligne 109, reliant le quartier des 67 ha à Ambohitrarahaba étaient en effervescence, jeudi soir vers 20 heures. Cela a été provoqué par une altercation, qui s’est produite à l’intérieur de ce véhicule, opposant un couple et un homme. Sur le trajet, les trois individus ont échangé des coups de poings. Heureusement, le chauffeur a eu le réflexe d’arrêter le bus devant des policiers postés sur le bord de la rue à Andranobevava. Alertés, ces éléments de forces de l’ordre sont alors intervenus pour calmer la situation. Arrêtées, les deux parties en conflit ont été amenées au commissariat du 8e Arrondissement à Analamahitsy pour enquête. La police a pris cette décision après avoir été informée de l’origine de cette bagarre, qui était une tentative de vol à la tire. L’homme en question aurait tenté de subtiliser le collier en argent sur le cou du mari, à entendre les témoignages de certains passagers de l’autobus. Ayant remarqué ses agissements, l’épouse a tout de suite réagi en assénant un coup de poing au voleur. Contrarié, celui-ci a alors riposté en frappant la femme et le mari est ainsi intervenu. Les deux hommes se sont farouchement battus. Résultats, ils sont tous les deux blessés. Arrivé au commissariat, le suspect a rejeté l’accusation portée contre lui malgré la présence de quelques passagers qui ont témoigné contre lui. Il a déclaré qu’il était un militaire en permission. Ayant vérifié son statut, la police a remis cette affaire à la brigade de la gendarmerie de Betongolo. Ainsi, l’enquête continue auprès de cette unité. T.M. L’article Andranobevava : Un militaire arrêté pour tentative de vol à la tire dans un autobus est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Andranobevava : Un militaire arrêté pour tentative de vol à la tire dans un autobus a été récupéré chez Midi Madagasikara.
News - News Mada
Voafidy ho filoha amerikanina i Biden: nitory sady nitaky ny hamerenana ny fanisam-bato i Trump
Hiady hatramin’ny farany ny filoha am-perinasa sady kandidà, i Donald Trump. Mazava ny fandresen’ny kandidàn’ny antoko demokraty tamin’ny fifidianana filoham-panjakana amerikanina ka nahavoafidy an’i Joe Biden ho filohan’i Etazonia.Nahazo ny isam-bato hatramin’ny 290 i Joseph (Joe) Robinette Biden Jr ka voafidy ho filoha raha efa ampy handreseny ny vato 270. Filoha faha-46 hitantana an’i Etazonia, manomboka izao, eo amin’ny faha-77 taony, izy. Hany filoha amerikanina be taona indrindra niakatra teo amin’ny fitondrana. Nandreseny mazava ny tany amin’ny fanjakan’i Georgie, ahitana mpifidy vaventy miisa 16, ny any Pennsylvanie, miisa 20. Nitarika koa izy tany Nevada, ahitana mpifidy vaventy enina raha 11 kosa ireo any Arizona. Lany avy hatrany miaraka amin’i Joe Biden ho filoha lefitra koa i Kamala Harris. 56 taona ity vehivavy ity ary manana fiaviana indianina sy jamaikanina ny ray aman-dreniny. Sambany eo amin’ny tantaran’i Etazonia izany vehivavy voalohany tody amin’ny andraikitry ny filoha lefitra izany. Efa “procureur general” tao Californie, ny taona 2011 hatramin’ny 2017, izy io ary loholona tao amin’io fanjakana io koa, eo anivon’ny kongresy amerikanina, nanomboka ny taona 2017. Efa mandeha sahady ny tombana fa handimby toerana an’i Joe Biden ny tenany any aoriana any.Nitory eny amin’ny fitsarana i TrumpEtsy andaniny, tsipahin’ny filoha am-perinasa sady kandidàn’ny repoblikanina ny voka-pifidianana ary notakiny ny hamerenana fanisana vato amin’ireo fanjakana lehibe ireo. Nohitrikitrihiny fa nisehoana hosoka izany fifidianana izany. Efa nametraka fitoriana eny anivon’ny fitsarana ny tenany ny herinandro teo. Nohitsiny fa maherin’ny 70 tapitrisa ny vatony nangalaran’ny mpifanandrina na nanaovana hosoka. Tezitra sy diso fanantenana ireo mpomba an’i Trump manoloana izao voka-pifidianana izao. Na izany aza, tsy nisy ny fandrobana na ny korontana hatramin’ny omaly.Tombanan’ny mpanara-baovao fa tsy hampiova voka-pifidianana izany fitakiana izany. Efa mahazatra rahateo an-dry zareo Amerikanina ny valim-pifidianana mifanakaiky kely tahaka izao.Hanao ny fianianany ny 20 janoary izao ny filoha BidenHandray ny asany, ny 20 janoary ho avy izao, ny filoha Joe Biden ary hanao ny fianianany na ilay antsoina hoe «Inauguration Day». Handalo Tetezamita kely anefa ny fitantanana ka hamantatra ireo antontan-taratasy rehetra eo anivon’ny fitantanana an’i Etazonia ny tenany amin’izao fahalaniany izao. Efa tsy vahiny amin’izany anefa i Biden. Efa filoha lefitra amerikanina, fony fitondran’ny filoha, i Barack Obama, nanomboka ny 4 novambra 2008. Tsy hiova firy ny fifandraisan’i Etazonia amin’ireo firenen-tsamihafa amin’izao nahavoafidy an’i Biden izao. Ny Amerikanina sy i Etazonia miaraka amin’ny tombontsoany aloha no tsy maintsy arovany voalohany sy hindraindrainy. Miompana kokoa amin’ny lafiny sosialy, manakaiky ny sosialisma, ny fotokevitry ny hery ankavia tahaka ny demokraty ka tsy hifanalavitra amin’izany ny politikan’ny filoha vaovao.Synèse R. Fanamby tamin’ny zanany teo am-pialana ainaTanteraka ny fanamby: “Promise me Dad”. Tontosan’i Joe Biden ny teny nomeny an-janany, i Beau Biden, teo am-pialana aina rehefa tratran’ny homamiadana tany amin’ny lohany io zanany lahimatoa io, ny taona 2015. Noteren’i Beau Biden hanome teny sy fanamby ho azy ny rainy fa tsy maintsy ho lasa filohan’i Etazonia izy.Nandalo sedra sy alahelo ny fiainan’ity ho filoha amerikanina ity. Matin’ny lozam-piarakodia ny vadiny voalohany sy ny zanany vavikely. L’article Voafidy ho filoha amerikanina i Biden: nitory sady nitaky ny hamerenana ny fanisam-bato i Trump a été récupéré chez Newsmada.