Lomano-MNS Valisoa: olona 6 hampianariny maimaim-poana

News - Lomano-MNS Valisoa: olona 6 hampianariny maimaim-poana

News - Lomano-MNS Valisoa: olona 6 hampianariny maimaim-poana

 

Raiki-tampisaka ao
amin-dRasoanjanahary Valisoaniaina ny fitiavana milomano ka tiany
hampitaina amin’ny mpiara-belona aminy. Araka izany, hanomboka
hisokatra amin’ny volana oktobra izao ny fampianarany ny taranja
lomano. Hisy ny fisarihana ataony ka olona enina hahazo ny
fampianarana maimaim-poana, fisarihana hatao ny faran’ny volana
izao. Raha ny fantatra, efa 30 taona izao ny niangalian’ity Maitre
Nageur Sauveteur (MNS) ity ny taranja lomano ary lehibe tao amin’ny
klioban’ny Cosbani izy. Nambaran’i Valisoa fa nankatoavin’ny
Ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ary ny Akademia
Nasionaly ny Spaoro, ny maha Maitre Nageur azy.

Marihina fa misokatra ho an’ny
rehetra ny fampianarana. Fitaovana manaraka ny fivoarana sy ny
fenitra iraisam-pirenena ny hampiasaina ary harahi-maso tsara
avokoa ireo rehetra mianatra lomano, raha ny fanazavana hatrany.
“Tiako ny lomano ary niainako nandritra ny taona maro fa tiako
lavitra ny mizara izany fahaizako izany amin’ny hafa”, hoy ny
Nambaran-dRasoanjanahary Valisoaniaina.

 

Mi.Raz

Article tiré de Newsmada

L’article Lomano-MNS Valisoa: olona 6 hampianariny maimaim-poana a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 25/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Rotary district 9220: governora vaovao i Rajasundaram Somasundaram  

 Miavaka ny fandraisan’i Madagasikara ny fivoriambe faha 23 ho an’ny Rotary district 9220. Homena lanja ao anatin’ny hetsika koa ny fampirantiana ny vokatry ny asa tanana eto an-toerana.    Hifarana, rahampitso, ny fivoriambe faha-23 ny district 9220 ho an’ny Rotary international, nandraisan’ny firenena fito (i Madagasikara, i Kaomoro, i Djibouti, i La Réunion, i Maorisy, i Mayotte ary i Seychelles) anjara teny amin’ny CCI Ivato nanomboka ny alarobia lasa teo. 800 ny rotarianina manatrika ny fihaonana eto Madagasikara ka vahiny avy amin’ny firenena mpikambana ao amin’ny district avokoa ny 200. Tanjon’ny fihaonana ny handinihna ny tondrozotra iarahan’ny rotarianina maneran-tany ho an’ny taona 2019-2020 izay hivoy ny hoe: “aleo mifandray hatrany” (soyons connectés), araka ny fanazavan’ny filohan’ny fivoriambe, Rasamimanana Tiana. Ankoatra ny fifankahalalana eo amin’ny samy mpikambana, fotoana koa hifaneraserana sy fifanakalozana ny hefarana eto Antananarivo. Nandefa solontena koa ny Rotary avy any Gabon, iraka avy amin’ny Rotary iraisam-pirenena. Ankoatra ny asa soa iombonan’ny club rehetra, manana fifandraisana momba ny asa koa izy ireo.Tao anatin’ny fivoriambe koa no hanatanterahana ny famindrana ny fitantanana amin’ny governora vaovaon’ny district 9220, i Rajasundaram Somasundaram, (Seychelles) avy amin’ny governora teo aloha, i Shelly Oukabay (Madagasikara). Herintaona ny faharetan’ny taom-piasana. Mifototra amin’ny sehatra enina ny asan’ny rotarianina: fahasalamana, fanabeazana, fahazoana rano madio, fifandraisan’ny mpiara-belona, fandriampahalemana… Mifototra amin’io sehatra io avokoa ny tetikasa tanterahin’ny firenena fito mpikambana. Tsy voatery miainga avy amin’ny fangatahan’ny mponina ny tetikasa fa rehefa mahatsapa ny mpikambana amin’ny rotary club iray fa ilaina izany, manao ny asa izy ireo sy ny mpiray ombon’antoka.“Ankoatra ny fivoriambe, nisy koa ny fiofanana ho an’ny governora vaovao sy ny mpitantana ny club rehetra handray ny fitarihana ho an’ny taona 2019-2020”, hoy ny governora teo aloha, i Shelly Oukabay. Manampy izay ny famelabelaran-kevitra samihafa manodidina ny lohahevitra maro. Hisy fanokanana ny tsangambato eny Ivato ary mamarana ny fivoriambe ny lanonana famindrana ny fitantanana eo amin’ny governora roa.Vonjy A. L’article Rotary district 9220: governora vaovao i Rajasundaram Somasundaram   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – «Chan 2020»: hidona amin’i Namibia ny Barea

Fantatra izao fa i Namibia no hidona amin’ny Barean’i Madagasikara, eo amin’ny fihodinana fahatelo, hiadiana ny toerana hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina «Chan 2020». Araka ny daty, hotanterahina eto Madagasikara ny lalao mandroso, ny 22 septambra ho avy izao, ary any Windhoek kosa ny fihaonana miverina, ny 12 oktobra 2019. Hiatrika ny dingana famaranana, hatao any Kameronina ny taona 2020, izay tafavoaka amin’ny roa tonta.Ankoatra izay, tafaverina omaly alatsinainy, eto an-tanindrazana, ny Barean’i Madagasikara ka nitsena azy teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato Rasoamaromaka Hery. Nentiny niara-nisakafo taminy ny Barea, ary notolorany 6 tapitrisa Ar ireo mpilalao ho fankasitrahana ny zava-bitany sy ny nahatafakatra azy ireo. Nomeny 1 tapitrisa Ar kosa ilay mpitsara malagasy nitantana ny lalao tany Lesotho. Nisaotra an’i Hery Be ny solontenan’ireo mpilalao noho izao fihetsika nataony izao. TorcelinL’article Kitra – «Chan 2020»: hidona amin’i Namibia ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA: Ny mpifidy indray no tsy tonga

Tsy ao anaty lisi-pifidianana kanefa efa nifidy tamin’ny fifidianana filohampirenena 2018. Nahitana tranga tahaka izany teny amin’ny biraom-pifidianana EPP Ambatofotsy Gara, kaominina Tsiafahy ny marainan’ny fifidianana solombavambahoaka, ny 27 mey 2019. Efatra ireo mpifidy no tsy tao anaty lisi-pifidianana. Niakatra ny isan’ny mpifidy dia nihoatra 700 ny isan’ny mpifidy tao amin’ny birao fandatsaham-bato iray ka rehefa mihoatra dia tsy maintsy hanaovana biraom-pifidianana hafa, araka ny lazain’ny lalàna. Izany no mety mahatonga ilay mpifidy tsy ao anatin’ny lisi-pifidianana tao amin’ilay birao nandehanany tamin’ny fifidianana filohampirenena. Azo antoka 100 isan-jato anefa fa any amin’ny birao fandatsaham-bato hafa ny anarany satria tsy nisy ny fanesorana anarana tao amin’ny lisi-pifidianana », hoy ny filohan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), Rakotomanana Hery nandritra ny fitsidihana ireo biraom-pifidianana teny amin’ny distrikan’Atsimondrano. Raha ny tranga teny amin’ny birao fandatsaham-bato teny amin’ny EPP Ambatofotsy Gara nefa dia latsaky latsaky ny 700 ny isan’ny mpifidy ao anaty lisitra (650). Nambaran’ny filohan’ny CENI fa nizotra araka ny tokony ho izy ny tapak’andro ny fifidianana solombavambahoaka. Ny lesoka tsy maintsy misy hoy izy fa ny fanatanterahana ny fifidianana am-pitoniana no tokony atao. Ny olana goavana dia tsy tonga indray ny mpifidy. Raha ny hita teny amin’ny biraom-pifidianana notsidihany dia nanodidina ny 7 ka hatramin’ny 10 % ny taham-pahavitrahan’ny mpifidy hatramin’ny 10 ora sy sasany maraina. Nisy tamin’ireo biraom-pifidianana no mpifidy 35 ka hatramin’ny 50 amin’ny 650 no mbola nanefa ny adidiny. Nanomboka teo amin’ny biraom-pifidianana LTP Alarobia nitohy teny amin’ny LTP Tefiso Mahasima Sud, EPP Tanjombato ary nifarana teny amin’ny EPP Ambatofotsy Gara ny fitsidihana nataony niaraka tamin’ireo mpanaramaso iraisampirenena momba fifidianana (PNUD,SADC, Union Africaine, Union Européenne, Norvège…). Lynda A. Horonan-tsary Cet article FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA: Ny mpifidy indray no tsy tonga est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - Ao Raha

Fanafihana tanàna :: Nandoro trano sady namono olona iray ny dahalo

Nandravarava ny dahalo nanafika tany Ambaribe, distrikan’Anjozorobe, afak’omaly alina. Nandroba omby izy ireo sady nandoro trano ary mbola nitifitra ka nahafaty lehilahy iray, enina amby roapolo taona. Am-polony ny omby lasan’ireo dahalo. Kila forehitra ny tranon-tsarety iray. Soa fa haingana ny fifehezana ny afo izay tsy niitatra teo amin’ny trano manodidina. Tamin’ny valo ora sy sasany alina tany ho any no nisehoan’ ny fanafihana. Dimy ambin’ny folo lahy ireo dahalo nirongo basy mahery vaika “Kalachnikov” sy MAS 36 ary basim-borona. Nirefodrefotra ny poa-basy nampihorohoroana ny olona teo an-tanàna. Tonga teny an-toerana ny zandary, minitra maromaro taorian’izay. Nahetsika avy hatrany ny vatan-dehilahy teo an-tanàna nanao ny fanarahan-dia niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana. Narahina ihany koa ny dian’ny omby. “Tsy mbola fantatra tamin’io alina io ny isan’ny omby lasan’ ny dahalo. Tafaverina kosa ny valo ambin’ny folo tamin’ireo biby, taorian’ny fanenjehana nataonay sy ny fokonolona. Maty nofirafirain’ireo olon-dratsy ny omby roa. Iraika ambin’ny folo ny omby mbola karohina, amin’izao fotoana izao (Ndrl: omaly)”, araka ny fanampim-baovao avy amin’ny zandary.Nanao fizahana teo amin’ny manodidina ny tanàna ny mponina sy ny zandary, ny maraina. Hita tao anaty bozaka ny vatana mangatsiakan’ny lehilahy iray, niaraka tamin’ny diam-bala teo amin’ ny lamosiny. “Mpivahiny tonga nikarama tao Ambaribe io lehilahy maty io sady niofana ho Zazamena na irony andrimasom-pokonolona irony. Nanampy ny fokonolona niambina izy, tamin’ iny alina iny ka tamin’izany no nahavoatifitra azy. Nahitana taim-bala ana basy MAS36 efatra sy basim-borona iray ihany koa teo amin’ny manodidina », hoy ihany ny zandary. L’article Fanafihana tanàna :: Nandoro trano sady namono olona iray ny dahalo est apparu en premier sur AoRaha.

News - Delire Madagascar

FAMINDRANA LAKILE TEO AMIN’NY OMACI: Nitondràna mpitandro filaminana

Nanaiky tsy fidiny ny tale jeneralin’ny OMACI (Ofisy Malagasy misahana ny sarimihetsika), Ramitandrinarivo Bon-Temps namindra andraikitra tamin’ny tale jeneralin’ny kolontsaina,  Razafiarison Francis Alexandre. Nanano-sarotra ny famindram-pahefana satria nilaza ny tale jeneralin’ny OMACI fa mbola tsy vonona ny antontan-taratasiny, ny hevitra anefa efa tapaka fa ny 7 mey 2019 no atao ny famindram-pahefana. Efa nivonona nitondra mpitandro filaminana ny avy amin’ny ministera tamin’io fotoana io. « Famindrana lakile no tena natao teo (…) Famindram-pahefana « par défaut » no natao na nanaiky izy na tsy nanaiky satria tsy maintsy ny baiko », hoy ny    tale misahana raharaham-pitsarana eo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina, Rakotondratafika Henintsoa eo anivon’ny minisitera. Nilaza kosa ny tale jeneralin’ny OMACI teo aloha fa tokony mbola hiandry ny fanapahan-kevitry ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana (HCC) izay vao hirosoana ny famindram-pahefana. « Gaga ihany koa aho fa efa rava ny OMACI kanefa mbola misy famindram-pahefana ihany », hoy izy nanazava ny antony tsy fahavononany. Araka ny fanazavan’ny tale misahana raharaham-pitsarana hatrany dia tapaka tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny 17 aprily 2019 ny didy hitsivolana manatsahatra ny lalàna mifehy ny politikan’ny sarimihetsika sy ny sary miaina izay nanangana ny OMACI. Noho izany, rava ity rafitra ity.  Tsy ny sarimihetsika malagasy akory no rava fa ny rafitra. Miverina eny anivon’ny minisitera fitantanana ny sarimihetsika ka ny tale jeneralin’ny kolontsaina no hisahana izany vonjimaika mandra-pahatonga ny lalàna vaovao, hoy izy. Nampatsiahy ihany koa izy fa efa tamin’ny 18 aprily 2019 no nandray ny naoty manome ny baiko hamindrana ny fahefana ny tale jeneralin’ny OMACI. Nandeha nitory ny raharaha teny amin’ny filankevi-panjakana ity tale jeneraly ity. Rehefa natao ny asa famotorana, nihainoana ny andaniny sy ny ankilany dia namoaka didy ny fitsarana tamin’ny zoma 3 mey 2019 teo fa ara-dalàna ny hanaovana ny famindram-pahefana. Tsy resaka lalàna mifehy ny fananganana ny antokon-draharaham-panjakana ihany no naha be resaka tamin’ity OMACI ity fa resa-bola ihany koa. Ny andaniny milaza fa misy tsy fahatomombanana ny fitantanana. Ny ankilany  nampahafantatra fa efa maro ireo famatsiam-bola azon’ity rafitra ity. Sao dia politika hafa mihitsy no tiana atao ? Lynda A. Cet article FAMINDRANA LAKILE TEO AMIN’NY OMACI: Nitondràna mpitandro filaminana est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

Depiote Anyah: « Velirano koa ny sakafo… »

Tsy afaka ny hitazam-potsiny.  “Velirano nataon’ny filoha Rajoelina ny hisakafoanan’ny vahoaka malagasy ara-dalàna”, hoy ny depiote voafidy etsy amin’ny boriborintany III,  Anyah, omaly. Namaly ny hetahetan’ireo tompon’andraikitra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny EPP miisa 13 eny an-toerana  ny  tenany ka nanatanteraka  ilay tetikasa “Tohan’aina” . Nihena ny taham-pahavitrihan’ireo mpianatra. Nilatsaka ambany koa ny taham-pahaizan’ireo ankizy. Hany mba nahazo  naoty tsara eo amin’ny kilasy fahafito ny12%-n’ny mpianatra amin’ireo EPP. Anisan’ny anton’izany ny tsy fanjariana ara-tsakafo mianjady amin’ireo ankizy mpianatra. Miantoka ny fahazotoan’ny saina sy ny  vatana izany. Araka  izany, tetikasa  natao hiantohana ny tohan’aina ho an’ireo ankizy indroa ao anatin’ny herinandro iray izao tanterahin’ny depiote Anyah  izao. Hitohy hatrany amin’ny andro hanatanterahana ny fanadinam-panjakana CEPE izany. “Tanjona apetraka ao anatin’ny tetikasa “tohan’aina” ity ny hampiakarana ny taham-pahavitrihan’ireo mpianatra hianatra, indrindra amin’izao fotoana ankatoky ny fotoam-panadinana izao. Hampiakatra koa ny tahan’ny mpianatra afa-panadinana. Hoezahina haparitaka ho an’ny kilasy rehetra ary hihitatra hatrany amin’ny CEG, ho an’ireo hanala ny fanadinana Bepc izany”,  hoy ihany ny  depiote.Synèse R. L’article Depiote Anyah: « Velirano koa ny sakafo… » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Feno ny fepetra…

Manomboka feno tanteraka  ny fepetra ahafahan’ny firenena  miroso. Efa tafapetraka avokoa ireo Andrimpanjakana rehetra. Anisan’izany ny Antenimierampirenena vao nijoro farany teo. Manana ny maro anisa aoriany ny fitondram-panjakana, ankoatra ny hijoroan’ny  governemanta, afaka andro vitsy. Efa eo an-tanan’ny fitondrana avokoa ny fitaovana sy ny olona ary ny hoenti-manana  miaraka amin’ny vina  nampanantenaina. Efa nankatoavin’ny fianakaviambe  iraisam-pirenena ary  nahazo tohana sy famatsiam-bola, izao fitondrana izao. Tsy tokony  hisy  intsony ny fialan-tsiny ao anatin’izany  rehetra izany. Na koa fanilihana andraikitra  tahaka ny nataon’ny  teo aloha, fony  izy teo amin’ny fitondrana. Atombohy amin’izay àry  ny asa vavany avy  hatrany, hiantraika any amin’ny ativilanin’ny sarambabem-bahoaka  sy  ny mponina. Esory amin’ny toerany ary aza andeferana ireo tsy mahavita  ny iraka  sy  ny andraikitra ankinina aminy. Aleo hiavaka ny  vary sy ny tsiparifary na koa ireo zatra ny lalan-dririnina. Tsy tokony  hisy toerana  ho an’ny misalasala intsony  izao.Farito ary ataovy mazava  tsara ny lalan-kombana iaraha-mjery sy manombana. Aiza ho aiza  izao isika amin’ny lamasinina haingam-pandeha ? Inona ny  mbola misakana na koa manahirana ?  Fotoana izao hanatanterahana  ireo nambara  sy notanisaina, araka ilay fiteny nambara fa asa izy ity fa tsy kabary. Ahoana  ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy filaminana manoloana  ireo fitaovana maro samihafa efa azon’ny mpitandro filaminana ?  Ahoana ihany ity delestazy miverimberina mahazo  laka isanandro  tato  ho  ato ity ? Miantraika mivantana amin’ny sosialim-bahoaka amin’ny ankapobeny mihitsy  :  fiakaran’ny vidim-piainana, ny lafiny fitsaboana  sy ny fanadiovana izany, indrindra  eny anivon’ny hopitaly. Ny olan’ny fananan-tany tsy ahitana mangirana hatramin’izao. Ny mbola fihanaky ny kolikoly sy ny fomba hampihenana  izany amin’ny sehatra samihafa eto amin’ny firenena.   Ampahany  ihany  ireo. Tsy vitan’ny  fisehosehoana  fotsiny na  resabe intsony  izao fa  mitaky andraikitra amin’ny rehetra.  Tokony  hanomboka izany ary ho fitaratra ny  mpitantana isan’ambaratongany… Roso toy tsa mipody koa…  Efa feno  tanteraka ny fepetra  ka  tsy tokony  hisy  intsony ny olana  na fialana bala ?Synèse R.       L’article Feno ny fepetra… a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ranesa Firiana: “Mila hamaivanina ny paikady amin’ny Fitsarana avo” 

Hatramin’izao, tsy mbola misy tomponandraiki-panjakana ambony tsaraina noho ny fandikan-dalàna nataony. “Mila hamaivanina ny paikady amin’ny Fitsarana avo”, hoy ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana. “Ny tokony hatao amin’izao, mila hamaivanina ny paikady fampihatra manoloana ny Fitsarana avo. Tsy tokony hatahotra handalo rantsam-pitsarana ny tomponandraiki-panjakana, raha madio tamin’ny asany sy ny fomba fiasany tamin’ny fitantanana ny firenena izy.” Io no fanehoan-kevitry ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, momba ny fahasarotan’ny fitsarana tomponandraikitra ambony amin’ny Fitsarana avo (HCJ). Raha ny lalàna amin’izao, toy hoe hasarotina ny fanenjehana olona iray eo anivon’ny HCJ mba tsy hahazoana manenjika na manasazy azy noho ny heloka vitany.Nefa milaza ny lalàmpanorenana fa eo ambany lalàna avokoa ny tsirairay, raha misy fahadisoana ataony. Na mpitondra izy, na olom-pirenena tsotra: tokony hisy sazy mifanaraka amin’izay fahadisoany. Maro ireo tomponandraiki-panjakana teo aloha no fantatra fa nanao hadisoana, nefa lasa tsy azo enjehina na miandry ny fijoroan’ny Antenimierampirenena ny fahazoana manenjika azy ireo.Misy ny soso-kevitra azo atolotraMba hanamora sy hahazoana mitsara ireo tomponandraiki-panjakana teo aloha na amin’izao fotoana izao, misy andininy tokony hohavaozina amin’ny lalàna momba ny HCJ. Tokony hokitihina, ohatra, ny hoe: ny Antenimiera no manao ny fanenjehana. Eo amin’ny fisaraham-pahefana, tsy tokony ho ny mpanao lalàna no manao ny fanenjehana fa ny mpitsara.Toy izany ny momba ny fanadihadiana: inona ny fepetra hanaovana famotorana, iza no tokony hanenjika amin’izay fotoana izay? Na ny fitoriana koa aza, mila jerena. Tokony hanan-jo hanenjika ireo olona manao fahadisoana ny olom-pirenena.Nefa na manao fampahafantarana aza ny olom-pirenena: tsy maintsy mandalo any amin’ny rantsa-mangaika samihafa ny fankatoavana izay hoe tokony hoenjehina ny mpitondra teo aloha na ny amin’izao fotoana izao. Nefa lasa tsy azo atao izay, satria tsy mametraka an’izay ny lalàna.Mila fanatsarana ny lalànaTolo-kevitra iray hanatsara ny lalàna momba ny HCJ, raha mbola eo amin’ny fitantanana ilay tomponandraiki-panjakana ambony, mba tsy hanahirana ny fampandehanan-draharaham-panjakana: azo ekena ny hoe ny HCJ no manenjika sy mitsara azy. Raha tsy eo amin’ny andraikiny intsony izy fa nahavita ny asany amin’ny maha minisitra, na praiminisitra, na filohan’ny Repoblika, filohan’andrimpanjakana: tokony hiverina avy hatrany any amin’ny fitsarana tsotra ny fanadihadiana sy ny fanenjehana rehetra momba azy.Amin’izao fotoana izao, misy tomponandraiki-panjakana teo aloha tafiditra tao anatin’ny raharaha fanodinkodinam-bolam-panjakana: voaenjika ny olona nampiasaina, fa izy tsy voaenjika. Misy mizana tsindrin’ila izany. Mety misy fanatsarana azo atao mety ho tsotsotra ny lalàna momba ny HCJ, nefa mametraka ny tsirairay ho eo ambany lalàna.R.Nd.L’article Ranesa Firiana: “Mila hamaivanina ny paikady amin’ny Fitsarana avo”  a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fahatrarana mpanendaka

Manodidina ny 17 hatra­min’ ny 26 taona ireto tovolahy efatra voasambotry ny polisy teny Tanjombato, tamin’ity herinandro ity, ireto. Voatondro ho mpanendaka mpandalo sy mpandroba mpitondra môtô mandalo eny amin’iny faritra iny izy ireo. Efa nisazy tany am-ponja ny iray amin’izy efa-dahy. L’article Fahatrarana mpanendaka est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Nifampizaran’i  Maorisy, Seychelles ary La Réunion ny medaly

Mbola hanjakan’ireo Nosy rahavavy, Maorisy, La Réunion ary Seychelles, ny fandrombahana ny medaly, eo amin’ny taranja lomano. Anisan’ny mendrika ary nahavita nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra ho an’ny lalaon’ny Nosy, ny teratany maorisiana, Bradley Vincent. Vitany tao anatin’ny 22 sec 57 ny halavirana 50 m NL, ho an’ny sokajy lehilahy. Ilay teratany seychelloise, Felicity Passon kosa no nahazo ny medaly,teo amin’ny 50 m NL, vehivavy, tamin’ny fe-potoana 26 sec 21. Tsy hita taratra ny mpilomano malagasy hatreto Nanombohana ny fifaninanana, omaly maraina, ny teo amin’ny taranja lomano. Solontena malagasy miisa 10 mianadahy no mifaninana ao anatin’ity taranja ity ary ny 7 mianadahy tamin’izy ireo no niditra an-tsehatra, voalohany, tamin’ny lalao famaranana, nahitana an-dRamiakatrarivo Ando, Rakotomavo Herinirina John, Rakotovelo Nomentsoa, Andrianirina Malalasoa, Rakotomamonjy Tiavina, Rakotomavo Hajanirina ary Rabejaona Holy Antsa. Niady mafy avokoa ireto solontenantsika ireto, saingy tsy mbola hita taratra, hatreto, raha ny voka-dalao, omaly.Anisan’ny tsara indrindra ny vokatra azon-Rakotovelo Nomentsoa, tamin’ireo Malagasy nandray anjara ireo, izay nipetrahany teo amin’ny laharana faha-4, teo amin’ny fifaninanana 50 m brasse vehivavy, 37 sec 75 no fe-potoana nahavitany izany. Mi.Raz L’article Nifampizaran’i  Maorisy, Seychelles ary La Réunion ny medaly a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-10-2020
Source : CCO COVID19 - 30/10/2020

Notsongaina

Fiaraha-miasa: hanome vatsim-pianarana ry zareo Bengalis
23/10/2020

Hiompana kokoa eo amin’ny fampianarana sy ny fanabeazana. Nihaona tamin’ny ambasadaoron’i Madagasikara atsy Maorisy, ny Jly Camille Vital, ny ambasadaoro ny Repoblika entim-bahoakan’i Bangladesh, tamin’ity herinandro ity. Notanterahina tany Nosy Maorisy izany fihaonana izany. Samy miasa sy monina ao an-toerana ny roa tonta.  Voaresaky ny andaniny sy ankilany ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Bangladesh. Anisan’izany ny hitondrana fampandrosoana amin’ny sehatra maromaro. Tafiditra ao anatin’izany ny lafiny fanomezana fiofanana ho an’ny mpampianatra. Eo koa fanoloran’izy ireo vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra ho mpitsabo eto amintsika. Manampy izany ny momba nyfiaraha-miasa eo amin’ny indostrian’ny fanenoman-damba, anisan’ny manavanana ny any Bangladesh ary mampivoatra ny toekaren’izy ireo.Tsiahivina fa any Azia ity firenena ity ary mifanolo-bodirindrina amin’i Birmania sy ny any Inde.Synèse R. L’article Fiaraha-miasa: hanome vatsim-pianarana ry zareo Bengalis a été récupéré chez Newsmada.

Hetsika ara-pahasalamana – CUA: hotilina diabeta sy tosidra ny mponin’Ambohimanarina
29/10/2020

Hitohy anio eny Ambohimanarina, boriborintany fahenina hatramin’ny 30 oktobra izao ny hetsika sy tolotra ho an’ny fahasalamanana maimaim-poana ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Nifarana, omaly ny teny amin’ny fokontany Soavimasoandro ary niarahana amin’ny sampana sosialy eo anivon’ny fiadidiana ny Tanàna.Fidinana ifotony eo amin’ny fahasalamanaTanjona ny fidinana ifotony, fanatonana ny mponina eo amin’ny sehatry ny fahasalamana. Nahitana trano heva maromaro teny an-toerana, nidinan’ny ekipan’ny CSB II sy  ny kaominina. Teo koa ny fanasana ireo mpisehatra maro mpiara-miombon’antoka misahana ny fahasalamana sy sosialy nandray anjara. Anisan’izany ny fijerena sy fitiliana diabeta sy ny fiakarana tosidra, ny fitiliana VIH/SIDA, ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny.Mihaino ireo vehivavy iharan’ny herisetra koa ny polisy Nampiavaka ity hetsika ity ny fandraisan’anjaran’ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena nanentana ny ankizy tsy ampy taona sy ireo vehivavy iharan’ny herisetra mba hanatona azy ireo. Manampy izany ny fampirantiana ireo fanafody vita amin’ny akora natoraly ary ny trano heva mampahafantatra ireo mponina ny torolalana sosialy.Niara-niasa amin’ny CUA tamin’izany ny AIMF, ny « Ville de Paris » ary ny  « ISSV ».Synèse R.L’article Hetsika ara-pahasalamana – CUA: hotilina diabeta sy tosidra ny mponin’Ambohimanarina a été récupéré chez Newsmada.

Kolontsaina sy fialamboly: hanatanteraka “Samdi full” ny Tiagasy
27/10/2020

 Asabotsy faran’ny volana… Maro ny seho isan-karazany amin’io faran’ny herinandro io. Anisan’izany ny “Samdi Full,” hotanterahina etsy amin’ny Espace Fitiavana & Fialamboly Ambatomirahavavy RN1, ny asabotsy 31oktobra 2020 tontolo andro. Ho hita eny avokoa ny karazana fialamboly mifono kolontsaina hanalana ny sorisorin-tsaina nandritra izay volana izay, indrindra amin’izao fisokafan’ny hamehana ara-pahasalamana izao, raha ny filazan’ny tompon’andraikitra.Anisan’izany ny tontolon’ny filalaovana gitara, ny “karaoke live”, ny fanentanana sy ny fampandihizana tahaka ny “animation DJ”, sns. Eo ihany koa ny tontolon’ny fanatanjahantena toy ny basikety, ny tsipy kanetibe… Misy toeram-pilalaovana ho an’ny ankizy toy ny “château gonflable”, ny “trampoline”… Ny alina, hisy ny “soirée Halloween” sy ny “maquillage artistique” iarahana amin’ny Bis’art Design Studio.“Samdi full”, hetsika karakarain’ny Tiagasy, fikambanana ray aman-dreny sy tanora vitsivitsy misehatra amin’ny fifampitsimbinana sy ny soatoavina fifanampiana amin’ny samy Malagasy. Tanjon’izy ireo ny hanampy tsikelikely ireo ankizy sahirana amin’ny fampianarana, ny fitsaboana, ny tsy fanjarian-tsakafo, ny fitafy sns.NarilalaL’article Kolontsaina sy fialamboly: hanatanteraka “Samdi full” ny Tiagasy a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-miasa: nanome vola iadiana amin’ny Covid-19 ny Frantsay
27/10/2020

   Mitentina 1,5 tapitrisa euros na 6 miliara Ar ny fitambaran’ny vola avy amin’ny Frantsay, nanaovana sonia fifanarahana vola natrehin’ny masoivoho frantsay sy ny Agence française de développement sy ny vondrona ONG roa, soloin’ny Action Action contre la faim et humanité sy ny Inclusion, tena omaly.Entina hanampiana ny fanamafisana ny hetsika hamongorana ny valanaretina Covid-19 ny vola nomena.Tanjon’ity fanohanana ity ny hitondra firaisankina, fiaraha-miasa mivaingana ary eo no ho eo, ao anatin’ny fanomezan-toky sy ny fanohanan’i Frantsa ny vahoaka malagasy. Hanampy amin’ny fampihenana ny taham-pahafatesana noho ny valanaretina ireo fikambanana hiantsehatra amin’ny asa. Eo koa ny fanalefahana ny fiantraikan’ny valanaretina amin’ny sosialy.Manampy ny vondrona ONG roa hamaly amin’ny fomba haingana sy mifanaraka amin’ny filàna ankehitriny ny zavatra hatao. Iandraiketan’ny vondrona Action contre la faim, ny Action socio-sanitaire organisation secours, ny Care, ny Médecins du Monde ny asa miaraka amin’ny tetikasa Setriny amin’ny krizy ara-pahasalamana….Ny tetikasa “Miaro tena aho, ho fiarovako ny hafa” (Mitehafa) ataon’ny vondrona Humanité sy Inclusion, ny Douleurs sans frontières ary ny SOS Village d’Enfants kosa, hanampy amin’ny fandrindrana ny fihetsika manoloana ny valanaretina.Ho voakasiky ny asa ao anatin’ity tohana ity ireo olona maherin’ny 80 0000. Anisan’izany ny mpiasan’ny fahasalamana 1 034, ny mpiasa ny fampianarana 10 921, ny mpianatra sy ray aman-drenin’ny mpianatra, 66 400.Eo koa ny olona misitraka hetsika fanentanana, fanohanana haipisaina sy hetsipon’ny fiarahamonina sy ny fanohanana hahalala momba ny aretina amin’ny fanabeazana. Tsy hadinoina ireo marary 387 natoka-monina miisa 830 sy ny mpisehatra momba ny firaisa-monina hanenika ny faritra 11 laharam-pahamehana eto Madagasikara. Miparitaka amin’ny faritra Analamanga, Analanjirofo, Androy, Anosy, Atsimo-Andrefana, Atsinanana, i Boeny, i Bongolava, i Diana, Itasy ary i Vakinankaratra ny asa hatao.Tatiana AL’article Fiaraha-miasa: nanome vola iadiana amin’ny Covid-19 ny Frantsay a été récupéré chez Newsmada.

Toetry ny andro: maina sy mafana eto afovoan-tany
26/10/2020

Maina ny andro eto afovoan-tany amin’ny ankapobeny ary hiakatra ny maripana ambony (28°C) indrindra fa ny alarobia no ahitana fidinany (26°C) izany, araka ny fanazavan’ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Nanjaka ny orana ho an’ny tapany atsimo, ny faran’ny herinandro, nahazo izany avokoa ny atitany sy ny morontsiraka ary nirefy 30 mm ny rotsak’orana tany an-toerana. Nitohy, omaly, ny orana ho an’ny atitany any atsimo entin’ny atmosfera tsy marim-toerana. Eto Antananarivo kosa, alina no hotombanana hirotsaka ny orana. Manao volon’andro manjombona tanik’orana matetika fa tsy mahalatsaka satria tsy feno ny fepetra. Raha tazanina lavitra, rakotra setroka manjavona ny Renivohitra izay tsy misava mihitsy mandritra ny tontolo andro. Tsioka atsimo-atsinanana kosa ny hanjaka amin’ny ilany Atsinanana sy ny tapany avaratry ny Nosy.Vonjy L’article Toetry ny andro: maina sy mafana eto afovoan-tany a été récupéré chez Newsmada.

Amparihy: telo lahy nahatrarana taolam-paty roa gony
26/10/2020

Noraisim-potsiny! Saron’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Taolagnaro ireo telo lahy voarohirohy amina raharaha halatra taolam-paty, ny asabotsy tolakandro teo. Raha ny fampitam-baovao nampitain’ny polisy, nandritra ny fanatanterahana ny asa fisafoana nataon’izy ireo, ny nahatrarana ireto telo lahy ireto niaraka amin’ny gony roa mampiahiahy tao Amparihy Taolagnaro tamin’io fotoana io. Niroso avy hatrany tamin’ny fisavana azy ireo ny polisy raha vantany vao nahatazana ny gony nentin’izy ireo. Hita tao anatin’ireo gony miisa roa ireo ny taolam-paty lava miisa miisa 167. Nosamborina avy hatrany ireto telo lahy ary nentina nihazo ny biraon’ny polisy hanaovana fanadihadiana sy hahafantarana marina ny toerana niavian’ireto taolam-paty marobe ireto. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ny polisy momba ity raharaha halatra taolam-paty ity.Jean ClaudeL’article Amparihy: telo lahy nahatrarana taolam-paty roa gony a été récupéré chez Newsmada.

Kardinaly Tsarahazana  –  Hevitry ny papa Fransoa: “Vaovao diso sy famitahana avo lenta ny naely” 
27/10/2020

   Nitondra fanazavana ho an’ny vahoaka sy ny kristianina, indrindra ny katolika. “Hamafiso ny finoana ary aza mihinana amam-bolony manoloana ny vaovao tsy marina niniana naely momba ny fanambaran’ny papa Fransoa”, hoy ny kardinaly Tsarahazana Désiré.    Nanao fanambarana ofisialy sy filazana momba ny hevitry ny eglizy katolika ny filohan’ny fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara, ny kardinaly Tsarahazana Désiré, omaly. Namaly ny vaovao nivoaka tamin’ny haino aman-jery vahiny nanambara fa ankatoavin’ny Papa Fransoa ny fanambadiana sivily eo amin’ny olon-droa lahy samy lahy na vavy samy vavy ny tenany. “Tsy marina velively izany fanambarana izany ary tsy niova ny fampianaran’ny fiangonana katolika momba ny fanambadian’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy”, hoy izy. Navoitran’ny papa Fransoa fa tsy tokony hafangaro ny fianakaviana araka ny sitrapon’Andiamanitra avy amin’ny fanambadian’ny lahy sy ny vavy misokatra amin’ny fiterahana sy ny karazana firaisana hafa. Hita mazava tamin’ny taratasy ofisialy farany maneho ny fampianaran’ny eglizy momba io resaka io amin’ny fanentanana mitondra ny lohateny ny « Hafalian’ny fitiavana » ny 19 marsa 2016, navoakan’ny papa sady nosoniaviny.Tokony ho mailo sy ho tony…Sombin-dresaka nalaina avy amin’ny tafatafa niarahan’ny papa Fransoa tamin’ny mpanao gazety meksikanina, 18 volana lasa izay, niampy ampahan-dresaka tamin’ny mpampahalala vaovao hafa (tao anaty fiaramanidina) ny natambatra tao anaty fehezanteny ka nanova tanteraka ny hevitry ny Papa rehefa novoizina tamin’ny haino aman-jery any ivelany nandritra ny fetin’ny sarimihetsika tany Roma, ny 21 oktobra lasa teo. Nohamafisiny fa tsy marina hatrany izany rehefa mpilaza vaovao amin’ny firenena lehibe no manambara zavatra iray. Tokony ho mailo sy ho tony ny rehetra, indrindra ny mpino katolika ary izany indrindra ny nitondrany fanitsiana. “Famitahana avo lenta ny nitranga ka niteraka sahotaka sy fanehoan-kevitra maro isan-karazany”, hoy ihany izy.Maro ny olona niandry izany fanehoan-kevitra ofisialy avy amin’ny eglizy katolika izany.Vonjy A.L’article Kardinaly Tsarahazana  –  Hevitry ny papa Fransoa: “Vaovao diso sy famitahana avo lenta ny naely”  a été récupéré chez Newsmada.

MCC sy Africa50: miara-miasa ho an’ny fotodrafitrasa aty Afrika
28/10/2020

  Nanao sonia fiaraha-miasa ny Millenium Challenge Corporation (MCC) sy Africa50, mikendry ny fampiasam-bola hisy fiantraikany malaky aty Afrika (Millenium impact for infrastructure accelerator na MIIA), azo refesina eo amin’ny lafiny sosialy sy toekarena. Ny fampiasam-bola avy amin’ny alalan’ny MIIA, mikasika indrindra ny tetikasa momba ny rano, ny fidiovana, ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny fitaterana, ny herinaratra, ny fifandraisan-davitra. « Ny MCC sy ny Africa 50, miaraka manaporofo mandray andraikitra manentana amin’ny fampiasam-bola ho an’ny tetikasa misy akony lehibe aty Afrika », hoy ny tale jeneralin’ny MCC,  i Sean Cairncross. « Fiaraha-miasa hahafahana mampahazo vahana ny toekarena aty Afrika ».« Faly kosa izahay miara-miasa amin’ny MCC, mamolavola sy mampihatra ny MIIA. Manamora ny asanay izany amin’izay tetikasa rehetra mila vola aty Afrika, hisy fiantraikany eo amin’ny fampandrosoana. Hatao hanampy amin’ny fotodrafitrasa, iray lehibe amin’ny asanay », hoy kosa ny tale jeneralin’ny Africa50, Alain Ebobisse. Misy amina miliara dolara maro hatramin’ny 2035, ny tinady eran-tany amin’ny fotodrafitrasa (3,7 billions de dollars). Ny 2/3 amin’izany tokony ho an’ny tany an-dalam-pandrosoana. Ny banky afrikanina momba ny fampandrosoana (BAD) manombana 130 hatramin’ny 170 miliara dolara isan-taona aty Afrika.Avy amin’ny fananan’ny roa tonta traikefa ny hanaovana ny MIIA aty Afrika, mitarika ireo mpampiasa vola sy mampisy tetikasa . Mahafantatra tsara momba an’i Afrika ny Africa50, manamarina izao fiaraha-miombon’antoka izao, mitovy araka ny efa fampiharana ny MIIA  any Azia, Amerika Atsimo, Eoropa Atsinanana. Famatsiam-bola avy amin’ny MCC ho an’ny tetikasa maro iadiana amin’ny fahantrana. Sampana iray mahaleotena ao amin’ny governemanta miasa maneran-tany , indrindra amin’ny tany mahantra vatsina vola ho an’ny sehatry toekarena.R.MathieuL’article MCC sy Africa50: miara-miasa ho an’ny fotodrafitrasa aty Afrika a été récupéré chez Newsmada.

Nanampy ny Akany: enfants de joie ny Freedom
27/10/2020

  Nitsidika ny Akany Enfants de joie ao Andranomadio Toamasina ny filoha nasionalin’ny antoko Freedom, Andriatongarivo Lalatiana, ny faran’ny herinandro teo. Reny mpiahy ity akany ity rahateo ny tenany. Miisa 33 ireo zaza kamboty taizana ao, ary mpianatra 400 kosa ireo ampianarina ao amin’ny sekoly, miankina amin’ny akany ary mampianatra ireo zaza sahirana ihany koa.Nanolotra kojakojam-pianarana ho an’ireo mpianatra ireo, ahitana boky isan-karazany sy vata fahitalavitra iray ahafahan’ireo zaza mijery ireo fandaharana samihafa sy miala voly ny antoko.Sahirana ity foibe ity. Miankina amin’ireo malala-tanana ny fampihodinana azy. Mpilatsaka an-tsitrapo ny ankamaroan’ireo mpampianatra sy ny tompon’andraikitra ao. Nampanantena ny hifanome tanana araka ny vitany ny mpanorina ny Freedom hanarenana ny foibe, tena simba sy tsizarizary tanteraka.Nankasitraka ny fahafoizan-tena asehon’ny talen’ny akany sy ny vadiny ny filoha nasionalin’ny Freedom. Eo ny fanampiana ireo kamboty na narian’ny ray aman-dreniny, ireo zaza sahirana mianatra ao amin’ny sekoly koa. Manampy ireo, misy vehivavy telo narian’ny vadiny sy lehilahy manano tena koa mipetraka ao amin’ny akany nefa mamelon-janaka irery avokoa. Horaisin’ny Freedom an-tanana ny fanampiana azy ireo.Synèse R.L’article Nanampy ny Akany: enfants de joie ny Freedom a été récupéré chez Newsmada.

Asan-jiolahy miharo habibiana: raim-pianakavina iray maty, voaolana ny zanany vavy
26/10/2020

Ankoatra ny fandrobana nahazo ilay tokantrano iray eny Ambatotokana Tsarahasina, mbola niharan’ny fanolanana nataon’ireo jiolahy ihany koa ny zanaky ny tompon-trano. Ilay raim-pianakaviana, namoy ny ainy noho ny habibiana nihatra taminy. Ra niparitaka eran’ny trano, raim-pianakaviana namoy ny ainy, zanaka voazimbazimba sy fananana very. Ireo ny navelan’ireo jiolahy tao amina tokantrano iray eny Ambatotokana Tsarahasina, kaominina Ambohimangakely, ny alin’ny zoma hifoha asabotsy teo. Tokony ho tamin’ny 12 ora sy 15 minitra alina, niditra an-keriny tao amin’ireo tompon-trano ny jiolahy nirongo basy poleta sy « barre à pince », tsy nisaron-tava.« Ny alika nivovo no henoko ary nitsangana aho. Tampoka teo, hitako ny varavarana efa vaky ary ny lehilahy iray, efa nijoro teo akaikiko no nanaitra ahy », hoy ny fanazavan’ilay renim-pianakaviana. Niantso vonjy izy, saingy voadarok’ireo jiolahy avy hatrany ary mbola nitakiany vola ihany koa. « Lehilahy iray atao hoe Bota ny karohina amin’izao ary ahina ao ambadiky ny fanafihana », hoy hatrany ny zandary. Vao nivoaka ny fonjan’i Tsiafahy io jiolahy io. Isan’ireo voatonona matetika amin’ny fanafihana mitranga eny Atsimondrano ny anarany.Henintsoa Hani L’article Asan-jiolahy miharo habibiana: raim-pianakavina iray maty, voaolana ny zanany vavy a été récupéré chez Newsmada.

Mba mila mahay mankasitraka koa !
29/10/2020

Tena ilaina ny kiana ! Tsy manana mari-pandrefesana ny mety na tsy mety hataony ny mpitondra raha tsy misy ny mpanohitra. Tsy voatery resa-politika, fa na ny kiana hanatsaran-javatra avy amin’ny vahoaka aza, ilaina dia ilaina tokoa. Any amin’ny firenen-kafa, ampirisihina mihitsy izay manan-ko lazaina mba hiteny izany fa tsy kobonkobonina irery any. Izay mahita ny tsy mety, ny tsy rariny, ny tsy ara-dalàna indrindra indrindra, tokony hahasahy hijoro miteny sy manohana ny heviny. Antoky ny demokrasia rahateo ny fahafaha-miteny. Azo lazaina fa malalaka tsara ny fitenenana, ny fanakianana, ny fanehoan-kevitra mifanohitra amin’ny an’ny mpitondra eto Madagasikara. Mazava loatra fa tsy maintsy misy ny hiteny hoe tratran’ny teritery sy fanampenam-bava. Tsy tao anatin’ny ara-dalàna mantsy ireny. Raha fanehoan-kevitra an-kalamanjana misy famoriana vahoaka, mila fahazoan-dalana, mazava loatra. Raha fanehoan-kevitra amin’ny tambajotran-tserasera, tsy tokony hivaona mankany amin’ny fandrisihana amin’ny fankahalana, na sanatria mankany amin’ny fanakorontanana. Fa mba ilaina ihany koa ny fankasitrahana… Tsy voatery hanakiana izay hataon’ny mpitondra foana ny mpanohitra. Zony tanteraka, ary mariky ny fifanajana anatin’ny tsy fitovian-kevitra koa ny fankasitrahana. Raha toa moa tanteraka ny faniriana, izay nangatahin’ny mpanohitra, dia hangina fotsiny ve? Fahalalam-pomba kely sy bitika indrindra ny misaotra, na dia hitady izay hirika hahafaha-manakiana indray aza? Tsy ny lafiny politika politisianina ihany… Mavaivay mihitsy ny kiana, mafonja ny fangatahana ary malaky mampiaka-peo ny vahoaka, rehefa misy tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy any anaty fiarahamonina any, toy ny fotodrafitrasa tsy zarizary, ny fampanantenana tsy vita, ny velirano tsy tontosa, sns. Fa raha misy kosa ny tombontsoa iombonana, mahafa-pahasahiranana, mitondra fandrosoana amin’ny maha olona sy ara-toekarena, angamba tsy fahadisoana ny mankasitraka. Ny tena zava-dehibe tsara afantsika ao an-tsaina: tsy voatery mpomba vao mankasitraka ary tsy mpanohitra ihany vao manakiana. Raha mahay mandanjalanja izay, tsy misy ady saritaka na tsy mitovy fironan-kevitra aza ny anaty fiarahamonina iray. Eny, misy ary azo atao tsara izany.Zo ny Aina RandriatsiresyL’article Mba mila mahay mankasitraka koa ! a été récupéré chez Newsmada.

Andro iadiana amin’ny lefakozatra : tokony hotohizana ny fanaovam-baksiny faobe
24/10/2020

Efa afaka tamin’ny valanaretina lefakozatra i Ma­da­ga­sikara, araka ny fanamarinana nomen’ny Sampan­dra­ha­rahan’ny Firenena mikambana (OMS), ny taona 2018, noho ny ezaka nataon’ny fi­ton­drana sy ny mpiray om­bon’antoka tamin’ny fanaovam-baksiny faobe nandritra ny taona maro. “Mbola ahitana ny “poliomyélite sauvage” kosa any Pakistan sy eny Afghanistan ka tokony mbola hitandrina hatrany ny rehetra ka hanohy ny fanaovam-baksiny miaro ny ankizy”, hoy ny mpikambana ao amin’ny Ro­tary. Mitaky volabe ny fividianana vaksiny sy ny fanetsehana ny mpiasa manao vaksiny amin’ny toerana maro, indrindra any amin’ny faritra lavitra. Mpiray ombon’antoka lehibe manampy amin’ny vola ampiasaina amin’ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny lefakozatra ny fikambanana Rotary maneran-tany. Miara-mikarakara hetsika hanamarihana ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina lefakozatra, anio eny amin’ny Parvis Analakely, ny minisiteran’ny Fahasalamana sy ny Ro­tary mandritra ny tontolo andro. Fandraisana ny tolo-tanana amin’ireo rehetra na­saina sy ireo malala-tanana ton­ga eny an-toerana no ho­tontosaina. Misy koa fampahafantarana ny ezaka vita vo­katry ny fifarimbonan’ny so­jakin’olona sy ny sampandraharaha maro.Vonjy A.L’article Andro iadiana amin’ny lefakozatra : tokony hotohizana ny fanaovam-baksiny faobe a été récupéré chez Newsmada.