Lomano-Afrika 2020: laharana faha-7 (800m NL) i Murielle

News - Lomano-Afrika 2020: laharana faha-7 (800m NL) i Murielle

News - Lomano-Afrika 2020: laharana faha-7 (800m NL) i Murielle

Vokatra tsara ho an’ny malagasy!
Tafiditra anatin’ny folo voalohany eto Afrika, teo amin’ny 800 m
NL, Rabarijaona Tiana Murielle, raha ny filaharana navoakan’ny Cana
(Confederation africaine de natation), ny faran’ny herinandro
teo.

Eo amin’ny laharana faha-7, izany
hoe, “top 10”, eo amin’ny 800 m NL, ity tovovavy malagasy
isan’ny sangany eo amin’ny taranja lomano ity. 09:30:29 ny
fe-potoana azony ka nahafahana nametraka azy ho eo amin’io laharana
io. Tsy mipetraka eto Madagasikara Rabarijaona Murielle, saingy
mitondra avo hatrany ny voninahi-pirenena. Raha tsiahivina, maro ny
fifaninanana iraisam-pirenena natrehiny tamin’ny taona 2019,
nahazoany “record national” maromaro. Isan’izany ny fiadiana ny
tompondaka eran-tany, teo amin’ny 400 m NL, ny nanamontsanany ny
zava-bita tsara indrindra nasionaly io. Nandray anjara tamin’ilay
fifaninanana natao tany Gwangju, Corée, ihany koa i Murielle ka
zava-bita tsara indrindra nasionaly roa ny montsany (50 m basse/200
m NL). Ankoatra izay, solontena malagasy nosafidin’ny Fina
(Fédération internationale de natation), hiatrika ilay fiofanana
tany Thailande, Rabarijaona Tiana Murielle.

Raha hiverenana io filaharana
afrikanina 2020, sokajy 800 m NL vehivavy, io, mitàna ny laharana
voalohany i Christin Mundell, teratany afrikanina tatsimo
(09:07:52), faharoa i Emile Krog (09:09:67), fahatelo i Kelly Ann
Brown (09:13:16), fahefatra i Souad Cherouati (09:15:78) ary
fahadimy kosa i Jordan Jenna Rolfe (09:19:38). Araka ny efa
notaterina teto ihany, isan’ny tafiditra anatin’ny “top 15”,
filaharana afrikanina, ihany koa ireo mpilomano malagasy sasany toa
an’ i Tendrinavalona Idealy sy Rasolonjatovo Heriniavo, raha ny
filaharana nivoaka telo volana lasa izay.

 

Mi.Raz

Article tiré de Newsmada

L’article Lomano-Afrika 2020: laharana faha-7 (800m NL) i Murielle a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 14/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fampandrosoana ifotony: mpandray anjara feno ireo manana fahasembanana

Manaitaitra ny tompon’andraikitra hampandray anjara ireo olona manana fahasembanana amin’ny sehatry ny fampandrosoana ny fikambanana Merci. Miantsehatra eny ifotony izy ireo amin’izany. Anjaran’ny kaominina Talatamaty, omaly no nananganan’ny ONG Merci ny Kolejin’ny olona manana fahasembanana. Nofidiana tamin’izany koa ny solonten’ireo vondron’olona ireo hiditra ao anatin’ny rafitra fikaonan-doha eny ifotony.Navondron’ny fikambanana Merci ireo olona manana fahasembanana ireo. Nasaina namoaka ny heviny mikasika ny fampandrosoana ifotony eny amin’ny fokontany sy ny kaominina, izy ireo. Ireo solontenany ao anatin’ny rafitra fikaonan-doha ifotony no hitondra ny hevitra ao anatin’ny drafitrasa fampandrosoana ny kaominina handraisan’ny daholobe anjara.Tsy tafiditra tao anatin’io rafitra io mihitsy ny olona  manana fahasembanana hatramin’izay  ka izao entanin’ny ONG  Merci izao.Efa niasa tamina kaominina  maromaro izy ireo  nanentana ireo olona manana fahasembanana sy manaitra ny tompon’andraikitra ifotony ny amin’ny tokony handraisan’ireo  vondron’olona ireo anjara amin’ny fampandrosoana. Tanjona ny hanokanan’ny kaominina tetibola manokana mihitsy ho an’ireo olona manana fahasembanana ireo hanamorana ny fivezivezen’izy ireo…Nilaza ny tale mpanatanteraky  ny ONG  Merci ,  Rakotoarisoa Holiniaina fa mpandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ireo olona manana fahasembanana ary manan-kevitra tsy azo tsinontsinoavina izy ireny.Tatiana AL’article Fampandrosoana ifotony: mpandray anjara feno ireo manana fahasembanana a été récupéré chez Newsmada.

News - Tourisme - News Mada

10 taona ny MNP: nitombo avo roa heny ny mpitsidika ireo valanjavaboahary

Nitondra fampandrosoana ho an’ny fokonolona monina mipetraka manodidina ny valanjavaboary 43 ny tetikasa maro natao tantsoroka miaraka amin’ny Madagascar National Parks tao anatin’ny 10 taona. 10 taona ny nitondran’ny Madagascar National Park (MNP) ny anarany izay Association nationale pour la gestion des aires protégées (Angap) teo aloha. Betsaka ny ezaka natao ho fanomezan-danja ny fampahafantarana ny harena misy eto amintsika ao anatin’ny valanjavaboahary 43 tantanan’ny MNP manerana ny Nosy. Na teo aza ny olana samihafa niseho, nitombo avo roa heny ny isan’ny mpitsidika ny vala satria nahatratra 190 812 ny taona 2017 raha 135 630 ny taona 2008. Nitondra fampandrosoana ho an’ny tanàna manodidina ny fisian’ny vala ary atao ao ny asa rehetra. Niroborobo ny asa fitarihan-dalana, nivoatra nanaraka ny toetrandro. Porofon’izany ny fanitarana ny trano fandraisam-bahiny ao Andasibe sy ao Ranomafana ary fitomboan’ny isan’ny mpitari-dalana ho 100%. Vokatry ny ezaka, nahazo fankasitrahana tamin’ny fanasokajiana ho site Ramsar sy « reserve biosphère » ny vala efatra. Fiaraha-mitantana Mampiavaka ny fiasan’ny MNP ny fiaraha-mitantana miaraka amin’ny Vondron’olona ifotony monina manodidina ny valanjavaboary. Tanjona ny hampandray anjara ny fokonolona amin’ny alalan’ny komity ifotony ho an’ny vala (CLP) sy ny komity manao tantsoroka ny valanjavaboary (Cosap). Nisy ny fametrahana fotodrafitsa mitondra voka-tsoa mivantana ho an’ny vahoaka toy ny tohodrano, ny sekoly, ny fampidirana rano madio fisotro, ny fametrahana tobim-pahasalamana… Nahatratra 80 ny vita tao anatin’ny 10 taona. Ankoatra ny fotodrafitrasa, 28 000 ny tokantrano nisitraka tetikasa madinika ka novatsin’ny MNP vola ny fanatanterahana. Tao ny fiompiana, ny fanaovana asa tanana, ny voly legioma sy anana. 361 ny fokontany nahazo tombontsoa mivantana vokatry ny tetikasa fanohanana ny fampandrosoana mifototra amin’ny sosialy sy ny tontolo iainana ho fanonerana ny vola teo aloha tsy niditra tamin’ireo mponina rehefa nijoro ny vala. Vola 3 miilara Ar nanamboarana lalana Ho fampandrosoana ny fampihodinana ny vala, nanokana vola mitentina 3 miliara Ar ny MNP nanamboarana ireo lalana sy tetezana ahafahan’ny mpitsidika mandeha amin’ny vala sivy. Amin’izao fotoana izao, 1 000 ny mpiasa mampihodina ny asa fikarakarana ny vala sy ny fiarovana ny harena ao anatiny. Vonjy A.

News - Midi Madagasikara

Ambatovy tangue

Comme un navire en perdition, « Ambatovy s.a » voit déjà une grande partie de son équipage le quitter ou se mettre déjà dans les canots de sauvetage. Parmi eux les Canadiens, d’abord, résignés de ne pas être surs d’arriver à bon port, ont pris la précaution de suivre « outboard », puis, suivis des Coréens tout aussi désemparés, eux, ont préféré carrément quitter le bâtiment. Plus sérieusement, ce bel investissement a coûté la bagatelle de 8 milliards d’US dollars au total (source Ambatovy), projet dont le montant n’a jamais été égalé à Madagascar et même en Afrique subsaharienne. Pourtant, Ambatovy est censé créer 9 000 emplois directs et théoriquement 45 000 indirects et induits. En outre, comme impôts, taxes, redevances et autres, le projet doit rapporter 100 milliards d’Ariary par an pour les dix premières années de production et enfin pour les infrastructures, 480 milliards d’ariary ont ou vont être alloués pour les 30 ans d’exploitation. A côté, il ne faut pas oublier la valeur ajoutée économique comme l’élévation de la culture industrielle de pointe (VS raffinerie) des ressources humaines et même la rationalisation de l’agroalimentaire pour les besoins journaliers du personnel. Alors pourquoi cette désillusion qui a provoqué l’abandon partiel ou total des deux gros investisseurs, le Canadien Sherrit International (40%) et le Coréen Kores Corporation (27,5%) ? D’une part, sur le marché international, les cours du cobalt et du nickel n’ont pas atteint ceux des prévisions attendues, de ce fait, l’entreprise a dû s’endetter pour honorer ses engagements, besoin de financement affectant sa trésorerie au point de devoir abandonner le leadership et le laisser finalement au Japonais Sumitomo Corporation qui devient majoritaire dans la structure du capital alors qu’au début, ce consortium ne détenait que 32,5 % du total des actions. Donc, le projet a failli déjà dans la maîtrise dynamique du marché. D’autre part, ne nous voilons pas la face, nous avons notre part de responsabilité. Et ce à tous les niveaux, la population a acquis depuis le début des années 90 cette mentalité et attitude de rentier. Zafy, en son temps, tambourinait « Madagascar est riche mais les Malgaches sont pauvres », comme s’il suffisait de ramasser les richesses ou d’attendre que les autres (IDE) suent pour nous. L’Etat, dans la même foulée, focalise l’opinion seulement sur le taux de redevance de 2% pour la mobiliser et entretenant ainsi un sentiment de frustration pour mieux la manipuler mais omet de parler des taxes, impôts et dividendes qu’il perçoit pour son budget et surtout de taire l’énormité de son train de vie. Enfin, nos dirigeants politiques – tous sans exception – sont depuis l’implantation d’Ambatovy des auteurs de harcèlements à son égard et ce pour des intérêts purement personnels. On est tous témoins des chantages à la délivrance des permis de recherche et/ou d’exploitation ou même de menaces de fermeture tout simplement. On se souvient de la tentative de demande de rançon de plusieurs millions de dollars où les dirigeants de la compagnie n’ont consenti que 25 millions mais réservés seulement à des dépenses sociales comme le marché de Moramanga et celui de Toamasina. Même les dirigeants dans les collectivités locales s’y mettent dans les menaces de déstabilisation d’Ambatovy en haranguant en permanence les chômeurs locaux avec des motifs « tribalistes ». « Business is business » mais à la longue, il y a de quoi démotiver les investisseurs. Voilà où nous en sommes et nous ne pouvons nous en prendre qu’à nous-mêmes car nous avons notre part de responsabilité si le navire sombre. M.Ranarivao L’article Ambatovy tangue est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Ambatovy tangue a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Governemanta haingam-pandeha ?

Vita ny fitsapana ! Ho fantatra hatramin’ny faran’ity herinandro ity ny ho praiminisitra sy ny mpikambana vaovao ao anatin’ny governemanta. Voafidy ny solombavambahoaka, ny mpikambana isan-tsokajiny ao anatin’ny antenimierampirenena. Araka ny Lalampanorenana, mandroso anarana ny depiote avy amin’ny maro an’isa, mazava ho azy fa ny IRD ary manendry izay safidiny ny filoham-pirenena. Governemanta faharoa ity hitsangana ity.Nilaza rahateo ny filoha Rajoelina, tamin’ny andiany voalohany, fa hotombanana ny zava-bitan’ny minisitra tsirairay nandritra izay enim-bolana niasany izay. Manampy izany anefa, misy amin’ireo minisitra vitsivitsy, voafidy ho solombavambahoaka. Na izany aza, tombanana amin’ny ankapobeny ny vokatra sy ny zava- bitan’ny minisitera tsirairay, ary azo antoka fa tsy misy ny indrafo na ny kinamanamana satria aim-pirenena no resahina.Azo adika izany, fa vita hatreo ny andrana sy ny fitsapana, satria araka ny fanambin’ny filoha, “olon’ny asa” izy, fa mihazakazaka toy ny fiaran-dalamby haingam-pandeha (TGV), araka ny efa nahafantarana azy hatramin’izay. Voamarina izany amin’ireo asa vitany tao anatin’izay enim-bolana voalohany izay, ary tokony haharaka izay hafainganam-pandehany izay koa ny mpiara-miasa aminy, indrindra ny governemanta mpanatanteraka.Laharaham-pahamehana ho an’ny Malagasy 25 tapitrisa ny fijerena ny andavanandrony. Azo tarafina izany amin’ny fiforonan’ny asa, fototry ny fivelomana, ny vidin-javatra takatry ny maro an’isa, ny fandriampahalemana. Zava-dehibe koa ny fitoniana politika hahazoan’ny mpandraharaha eto an-toerana sy ny vahiny, vao hosarihina, antoka ahafahan’izy ireo mampiasa vola maharitra, ka ho azo tsapain-tanana ny fampandrosoana.Maro ny governemanta nitsangana hatramin’izay, miaraka amin’ny fanamby tsara lahatra, toy ny hoe “governemantan’ny asa”, “governemanta hiady”, …. , saingy “ny voa no hitsarana ny hazo”, hoy ny voalazan’ny Soratra Masina.Njaka Andriantefiarinesy  L’article Governemanta haingam-pandeha ? a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Vokatra ny legioma: 5 000 Ar ny kesiky ny voatabia

 Fotoana fiakaran’ny vokatra legioma izao fiafaran’ny ririnina izao. Mora ny vidiny, araka izany, mahafaly ny mpanjifa, saingy tsy ahazoan’ny tantsaha mpamokatra tombony loatra.Vokatra avokoa ny ankamaroan’ny legioma rehetra izay any Vakinankaratra sy any Itasy ny toerana tena mamboly azy ireny. Anisan’izany ny voatabia, ny petit pois, ny karaoty, ny ovy, ny voatavo, sns.Manodidina ny 5 000 Ar ny vidin’ny voatabia iray kesika, milanja 10 kilao eo ho eo, ivarotan’ny tantsaha mpamboly any an-tsenan’Ampary, distrika Soavinandriana Itasy. Nambaran’izy ireo fa voatery tsy maintsy amidy mora satria miara-miakatra avokoa ny vokatry ny mpamboly. Mila vola anefa satria maro ny ilana azy, toy ny hividianana kojakoja samihafa ao an-trano, ny hanonerana ny vola nindramina, ny fampidirana mpianatra, ny famadihana, sy ny hafa.Tsy mihetsika ny vidin’ny ovyMitobaka koa ny petit pois ao amin’ny tsenan’Andravoahangy. Amidy 300 Ar hatramin’ny 400 Ar ny kapoaka. Nilaza ny mpivarotra fa avy any Talata Volonondry ny toerana anisany tena be mpamboly azy. Voly avotra ny petit pois, maniry mandritra ny telo na efa-bolana, ambolena aorian’ny vary (vakiambiaty), niakatra ny volana mey na jona. Tsy mihetsika manodidina ny 800 Ar hatramin’ny 1 200 Ar kosa ny kilaon’ny ovy, na fotoana fahavokarany koa aza izao. Nilaza ihany ireo mpivarotra legioma etsy Andravoahangy fa ny tsaramaso indray no vokatra manaraka hiakatra, afaka iray volana eo ho eo.Raha manaraka ny fenitry ny tolotra sy ny tinady ny eto Antananarivo, tsy toy izany kosa ny any amin’ny faritra. Nambaran-dRajaonson, mpanangom-bokatra sady mpamatsy any Toamasina, fa misy fihenany kely ihany ny vidiny handraisana ny legioma any amin’ny tantsaha fa ny saran-dalan’ny fiara mpitatitra no tena mamaritra ny vidiny hivarotana azy any amin’ny faritra.Njaka AndriantefiarinesyL’article Vokatra ny legioma: 5 000 Ar ny kesiky ny voatabia a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Fakàna an-keriny : Marary i Nassir Sivjee

Raha iny votsotra afak’omaly alina iny ilay teratany karàna tompon’ny « Makiplast », hatramin’izao kosa, dia tsy mbola nandrenesam-baovao ny mahakasika an’i Nassir Sivjee. Teratany karàna hafa,  nisy naka an-keriny, ny alarobia hariva lasa teo, tetsy amin’ny trano fonenany tetsy Androhibe. Tsiahivina anefa fa tsy dia salama ara-batana loatra ity tale jeneralin’ny orinasa Conforama ity. « Efa ho roa taona izao no taizan’aretina izy ary mila mihinana fanafody isan’andro mba hitazomana ny ainy », raha ny fanazavàna azo. Etsy andanin’izay anefa, io fanafody tokony hohanina io dia tsy misy eto an-toerana akory fa mbola mila hafarana any ivelany ihany koa. Araka izany, manahy mafy ny fianakaviany sy ny manodidina azy satria « ny aretina mahazo azy io koa dia tsy mahazaka « stress » na tebiteby fa mety vao mainka hahafohy ny andro iainany avokoa izany ». Manantena araka izany ny fianakaviana fa dia tsy haharitra ela izao fanagejana azy izao, ary mba hanana fo miantra ireo olona mety hitazona azy any. Nangonin’i m.LL’article Fakàna an-keriny : Marary i Nassir Sivjee a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Lalana RN-44: tena ratsy ny tapany avaratra

Efa nilaza ny filoha Rajoelina, nandritra ny fitsidihany taty an-toerana, volana vitsy lasa izay, fa tsy maintsy harenina araka ny tokony ho izy ny lalam-pirenena Moramanga –Ambatondrazaka (RN – 44). Nohamafisiny izany nandritra ny fitsidihany ny foara “Fier Mada” atao eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka.Efa manomboka ny fanajariana ny tapany atsimo, toy ny any Amboasary, ankehitriny. Hita efa misy mandrefirefy koa any amin’ny tetezan’i Ranofotsy. Tsy misy fanazavana amin’ny antsipiriany anefa ireo rehetra ireo, toy ny famatsiam-bola sy ny tentimbidin’ny asa hanaovana azy, ny faharetany, izany hoe, ny fiantombohany sy ny hifaranan’ny asa.Tsy nisy fikojakojana matotraTsy mazava koa raha aravona toy ny fahita hatramin’izay fotsiny ny lalan-tany, na tena hatao godirao manara-penitra.Ny zava-misy, azo ihafiana ny ampahany atsimon’ny RN-44, avy any Moramanga hatreo Amboasary, satria misy rarivato, fa tena ratsy ny tapany avaratra satria tsy nisy fikojakojana matotra. Tsy fantatra raha nampiasaina ny Tahirimbola hijojakojana ny lalana (Fer) na tsia. Mandritra ny fotoam-pahavatra, mitaky 50 000 Ar isaky ny fiara ny mpanosika.Rarivo sy Njaka A.L’article Lalana RN-44: tena ratsy ny tapany avaratra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rwanda – Madagasikara: hivelatra ny fiaraha-miasan’ny roa tonta  

 Hivelatra amin’ny sehatry ny haitao sy ny fambolena ary ny fiahiana ny fandriampahalemana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Nisongadina izay tamin’ny fihaonana sy ny fifampidinihana teo amin’ny filoha roandey, i Paul Kagme, tamin’ny filoha malagasy, Rajoelina Andry, teny amin’ny lapan’Iavoloha, afakomaly, tamin’ny fanatrehan’iry voalohany ny fetin’ny fiverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara.Naneho fahavononana hiara-miasa sy hifanakaiky bebe kokoa eo amin’ny roa tonta izay fiaraha-miombona antoka izay, araka ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry. Manamafy ny fifandraisan’ny firenena roa tonta ny fitsidihana nataony teto Madagasikara, raha ny nambaran’ny filohan’i Rwanda, i Paul Kagame.Hanaraka  ny ohatra nataon’i Rwanda amin’ny lalan’ny fampandrosoana i Madagasikara, ary efa nanaporofo ny fahavononany amin’ny asa amin’izany ny fanajakna hatramin’ny fiandohan’ity taona ity.Fakan-tahaka aty Afrika i RwandaVoatsiahy fa fakan-tahaka aty Afrika ny paikadin’ny filoha Paul Kagame eo amin’ny fampivoarana ny toekarena izay nisongadina tato anatin’ny 25 taona farany. Azo heverina ny hampamirapiratra ny firenena sy ny vahoaka ao aminy, rehefa misy ny finoana sy ny vina apetraky ny mpitarika. Misy fepetra arahina sy fiasana mafy ary ny fanarahana fitsipi-pifehezana izany.Nisongadina tamin’ny fifanakalozan-kevitry ny filoha roa tonta ny fitovian’ny fomba fijery amin’ny fampihenana ny fahantrana sy ny fahavononana hikatsaka ny tombontsoam-bahoaka. Eo koa ny fananana fitiavan-tanindrazana sy ny fampivoarana firaisankinam-pirenena. Zava-dehibe ihany koa ny fananana vina mitovy hampamirapiratra an’i Afrika.Fantatra fa hisy ny fanasan’ny filoha Paul Kagame ny filoha Rajoelina Andry. Hanamafisana bebe kokoa ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta izany. Naneho ny hafaliany tamin’ny fandraisana nahafa-po natao taminy ny filoha Paul Kagame, nisaotra azy noho ny nanekeny ny fanasana kosa ny filoha malagasy.Nandao an’i Madagasikara, omaly maraina, ny filoha roandey mivady, niaraka tamin’ny delegasiona notarihiny. R. Nd.L’article Rwanda – Madagasikara: hivelatra ny fiaraha-miasan’ny roa tonta   a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Miandry vahiny

Indrisy fa tsy hitety ny lalambe rehetra eto an-drenivohitra ny Papa Fransoa mandritra ny fitsidihany eto amintsika, raha afaka andro vitsivitsy. Soa kosa fa tsy izay efa nolalovan’ny Filoha Roandey, Paul Kagame, no hizoran’ilay fiara « Papamobile ». Mihetsiketsika mafy mantsy ny fitondram-panjakana foibe sy ny ekipan’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo amin’izao fiomanana amin’ny fahatongavan’ny Papa izao. Asa raha hadio toy ny ahoana ireo dabam-pako feno fako sy loto samihafa ary mantsina tsy misy toy izany, izay mameno ny faritra maro eto Iarivo eto. Aleo tsy hotanisaina intsony ireo korontana hafa maha te hitsoaka monina hiala an’ity renivohitr’i Madagasikara. Mba hafatra mafonja kosa no alefa, toy ny hoe tsy maninona izany fa aleo iafiana ny fomba fanao izay tsy manatsara na manamboatra raha tsy tonga vahiny. Saingy azo atao kosa ny mikolokolo an’ireo zava-bita aorian’izay, satria mila alentika ao an-tsain-dramalagasy voretra sy tsy mikajy fa isika no hitoetra ela eto, ny vahiny mandalo. Toy izany koa ny fanasaziana an’ireo rehetra zatra ny gaboraraka. Araraotina ny firariana amin’ny fanasana vahiny mandavan’ny taona, dia ireo vahiny maha matin-kenamaso antsika, ka manery antsika hanadio, handamina, handrindra rehefa ankatoka sy mandritra ny fahatongavan’izy ireo eto an-tanàna ! L’article Miandry vahiny est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

CC Esca: afa-po ireo nankafy ny kalon’i Naly Rakotofiringa

Mipetraka ho fahatsiarovana tsy hay hofafana ny fampisehoana, omaly tolakandro tetsy amin’ny CC Esca Antanimena, ho an’ireo marobe tonga nankafy izany. Nahafa-po ny hetsika, ary tsy fahita firy fa sady namelombelona ny lasa no nanome voninahitra manokana ny hakanton’ny hira fahiny.Nomen-danja manokana, nandritra ny ora telo, ireo sanganasan’i Naly Rakotofiringa, mpamoron-kira, havanana tamin’ny fitendrena piano, fanta-daza, tany amin’ny taona 50 tany. “Mba tsiditsidiho”, “Mariazy”, “Toera-manirery”, “Ny vady”, santionany amin’ireo hira nahafantarana azy ary naverina nanakoako tetsy amin’ny CC Esca. Ifandovan’ny taranaka mifandimby ny fankafizana ny hiran’i Naly Rakotofiringa. Porofon’izany ny fahamaroan’ny tanora tonga teny an-toerana. Hain’ireo mpanakanto tanora  ny  mamelona indray ireny kalon’ny fahiny ireny.Nanaporofo izany ry Gothlieb, Nanie, Luk, Lily ary i Mirana (Ry Kala Vazo), nampian’i Salomon sy i Lilie ary i Zozo. Mbola voatazon’izy ireo ny mahakalon’ny fahiny ny hira.Landy R.  L’article CC Esca: afa-po ireo nankafy ny kalon’i Naly Rakotofiringa a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Ankorovahiny: raim-pianakaviana voatifitry ny dahalo
23/09/2020

Voasambotry ny zandary ny dahalo, ny faran’ny herinandro teo, ny iray tompon’antoka amin’ny fanafihana raim-pianakaviana iray mpivarotra lamba tonta niaraka amin’ireo zanany roa lahy. Voalazan’ny tatitra nampitain’ny zandary fa teny an-dalana hody ao amin’ny fokontany Ambiky Berevo, Bebaboka, niara-nivarotra amin’ireo zanany, izy no niharan’ny fanafihan-dahalo. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Mangabe ny nitrangan’ny fanafihana, ny 17 septambra tolakandro. Voatifitr’ireo malaso teo amin’ny tratrany, ny tanany ary ny feny ilay raim-pianakaviana. Nandritra izany, afaka niantso fokonolona ao Saropitsaha ireo zanany roa lahy. Nentina haingana namonjy hopitaly ilay raim-pianakaviana, saingy namoy ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy. Nitohy ny fikarohana ireo dahalo nanafika ka tratran’ny zandary tao Bebaboka, ny asabotsy hariva teo, ny olona iray ahina ho nandray anjara tamin’ity fanafihana ity. Nahitana basy niaraka amin’ny bala 10 tany aminy nandritra ny fisavan’ny zandary.J.CL’article Ankorovahiny: raim-pianakaviana voatifitry ny dahalo a été récupéré chez Newsmada.

Savorovoro teny Ambohimangakely :: Nanapoahana baomba ny fanaparitahana mpivarotra amoron-dalana
21/09/2020

Niteraka korontana ny fanesorana an’ireo mpivarotra amoron-dalana, teny amin’ny kaominina Ambohimangakely, afak’ omaly. Voatery niditra an-tsehatra nanampy ny Polisy kaominaly ireo Polisim-pirenena misahana ny distrikan’Avaradrano. Nipoaka ny baomba mandatsa-dranomaso tamin’ny fandravana an’ireo andiana mpivarotra nanakana ny lalam-pirenena faharoa tamin’ny alalan’ny fandorana kodiarana. Nahitana marimaritra iraisana ihany anefa ity toe-javatra ity, taorian’izay ary soa fa tsy dia naninona ny vehivavy iray nitondra vohoka izay torana noho ny baomba mandatsa-dranomaso. Nanomboka tamin’ny 7 ora maraina ny hetsika nanesorana an’ireo mpivarotra amorondalana teny Ambohimangakely, tamin’ny sabotsy. Nasain’ny mpitandro filaminana hiditra tao anatin’ny tsena nomen’ny kaominina ireo mpivarotra. Ny fandraofana ny entam-barotra no tena nampitroatra an’iretsy farany. Nilamina ny toe-draharaha rehefa nisy ny fihaonana teo amin’ny Ben’ny tanàna, Radafy Thierry sy ny solontenan’ireo mpivarotra, tamin’ny sabotsy hariva. Mitazona ny fepetra tsy fahafahana mivarotra amoron-dalana ny kaominina satria tsy mihemotra amin’ny ezaka fanadiovana sy fampandrosoana ary fampanarahan-dalàna ny tanàna ry zareo mpitantana. Nanaiky ny hiditra ao anatin’ny tsena vaovao ihany ireo mpivarotra, saingy tsy hampadoa haban-tsena azy ireo hatramin’ny faran’ny volana oktobra ny kaominina mba hitsinjovana an’ireo fianakaviana amin’izao fidiran’ny mpianatra izao. L’article Savorovoro teny Ambohimangakely :: Nanapoahana baomba ny fanaparitahana mpivarotra amoron-dalana est apparu en premier sur AoRaha.

Prosperer: manohana ny tetikasa Salohin’Analamanga
24/09/2020

Tetikasa iray manohana ny tontolo any ambanivohira amina sehatra asa maro ny Prosperer (Programme de soutien aux pôles de micro-entreprises rurrales et aux aux économies régionales). Tanjona amin’izany ny hampitombo ny fidiram-bolan’ny tantsaha mahantra any ambanivohitra hifantoka bebe kokoa amin’ny fambolena sy ny fanaovana asa tanana. Faritra dimy no tena ahitana izany sy distrika 19, ahitana fihariana karazany maro fa ny asa tanana no miaraha-miombona antoka, hampifandraisana ny fahaiza-manao, ny fitaovana iaraha-miasa ho fampandrosoana ny kaominnina sy ny distrika.Eto amin’ny faritra Analamanga, ohatra, anisan’ny mahazo tohana avy amin’ny Prosperer ny mpanao asa tanana Salohin’Analamanga, ivondronan’ny mpanao asa tanana anjatony miasa amin’ny karazam-pihariana enina hanomezan-danja ireo karazana asa tanana ireo sy hanehoana ny fahaiza-manaon’ny avy eto amin’ny faritra.Mahazo tohana avy amin’ny fandaharanasa Prosperer Analamanga ny tetikasa fanampaiana ny tantahasa mifandray amin’ny sehaty ny fizahantany ny fihariana madinika, hanomezana vahana ny mpanao asa tanana, hanana fidiram-bola amin’ny asa ataony, hampisondrotra hatrany ny seha-pihariana antom-piveloman’izy ireo. Na eo aza ny valanaretina Covid-19, tsy mahasakana ny asa fihariana ataon’ireo mpanao asa tanana ny tetikasa tohanan’ny Prosperer. Faritra dimy ny tena misy azy anatin’ny distrika 19, samy manana ny mampiavaka azy. R.MathieuL’article Prosperer: manohana ny tetikasa Salohin’Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

Niketrika vazo vaovao: manomana seho tokana ny tarika Gasta
23/09/2020

Tsy very maina ny fihibohana ho an’ny tarika Gasta, ahitana an’i Jimmy, i Tantely, i David ary i Haja. Tao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana no niketrehan’izy ireo ny vazo vaovao toy ny «Ialako nenina», ny «Tsofy rano», ny “Vavaka ho anao”. Raha tsiahivina, 20 taona ny efa nivoizan’ny Gasta ny gadona rap. Ampahany amin’ireo sanganasa tsy afaka am-bavan’ny maro ary nahafantarana ny tarika ny « Sipa avy aiza? » sy ny « Fo tetaka ».Nomarihan’i Jimmy fa omena vahana ny fanaingoana ny sanganasan’izy ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ireo zavamaneno maivana toy ny gitara sy ny fampiarahana izany amin’ny mpikosoka kapila DJ. 20 taona aty aoriana, tsikaritra ho tafapetraka ilay fahaiza-miaraka eo amin’ireo mpikambana mandrafitra ny tarika Gasta rehefa milalao mozika. “Nitombo an-dalana toy izany ihany koa ny fahamatorana”, hoy hatrany i Jimmy.Am-periny amin’ny famoahana ny rindrantsarin’ilay sanganasa « Ialako nenina » ry Gasta. Mampanantena seho tokana sy hiavaka ihany koa ry zalahy zanak’i Talatamaty ireto amin’ny lanonana famaranana ny taona 2020. Havondrona ao anatin’io seho io avokoa ny traikefa azo tao anatin’izay fotoana naharitraritra izay.“Mbola vonona hatrany hanjohy ny lalan-tsarotry ny mozika ny tarika Gasta ary nampanantena hanolotra ny kanto sy hampianjaika ny meva ao anatin’ny tontolon’ny rap”, hoy ny mpikambana rehetra.Nanangona: HaRy RazafindrakotoL’article Niketrika vazo vaovao: manomana seho tokana ny tarika Gasta a été récupéré chez Newsmada.

Fomba mahomby hanimbana ny teny malagasy: mila mitandrina amin’ny fampiasana ny “facebook”
18/09/2020

Toa zary lasa mahazatra ny Malagasy ny mahita ny teny malagasy diso fanoratra ao anatin’ny “facebook”. Vitsy dia vitsy ny manitsy ny diso fa mitazam-potsiny ny ankamaroany. Nahitsy be kosa ny fanehoan-kevitra nataon’i Arikaomsa Randria, omaly. “Ity FB ity no fomba mahomby indrindra hanimbana ny fomba fanoratra teny malagasy”, hoy izy. Ankoatra ireo fanafohezan-teny teraka noho ny hakamoana, mbola ao ihany koa ireo mpanao tandrametaka amina fanoratana ny teny malagasy amina fomba fiteny vahiny. Tahaka ny “olona” manjary “oul”, sns.Mila mitandrina fatratra amin’ny fampiasana ny teny malagasy ifaneraserana sy ifampitan-kevitra ao anaty “facebook” ny Malagasy. Maro loatra ny fahadisoana tazana amin’ny teny malagasy ao anatin’izany tambajotran-tserasera anisan’ny be mpampiasa indrindra eto ambany masoandro izany. Raha vao miparitaka sy mivelatra be tahaka izany anefa ny sehatra itenenana na anoratana, mila mitandrina ny tsirairay!Mety ho azo adika ho tsy fahafehezana ny tenindrazana ihany koa ny fitobahan’ireny fahadisoana amin’ny fomba fanoratra ny teny malagasy any anaty “facebook” ireny. Tranga mahamenatra manoloana ny “fandrosoana”. Ny toknolojia sy ny fampiasana azy, ilingiligiana kanefa ny tenin’ny tena alefa ao anatiny, diso avokoa ny ankamaroana. Mihaingo ambony tsikoko!HaRy RazafindrakotoL’article Fomba mahomby hanimbana ny teny malagasy: mila mitandrina amin’ny fampiasana ny “facebook” a été récupéré chez Newsmada.

Nieren-doza ilay fivarotan-tsolika: trano 15 levon’ny afo avy amin’ny… taim-bankona
22/09/2020

Trano miisa 15 no indray kila hotohoton’ny afo, omaly tamin’ny 10 ora maraina tao Mangarano Toamasina, mifanila amin’ny tobin-tsolika iray. Taim-bankona niainga avy ao amin’ny toeram-piompiana akoho matavy no nitarika ny firehetana…Loza iray, loza roa…! Saika izany hatrany no hita tato ho ato izay, na lozam-pifamoivoizana io na haintrano goavana. Raha ity zava-nitranga tao Toamasina, omaly ity, niainga avy tamina afona taim-bankona ao amin’ny trano fiompiana akoho matavy no pitik’afo nampijoalajoala ny afo, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny mpamponjy voina ao Toamasina, ny Kly Charles Desiré. Nisoko mangina tao anaty taimbankona ny afo ka nahazo ny fitaovana tao an-trano ka nampiitatra ny afo. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ireo niharam-boina satria nalaky ny fiitaran’ny afo. Saika zava-doza ny fisian’ny tobin-tsolika iray teo akaikin’ireto trano nirehitra ireto. Samy nanao izay ho afany ny teo amin’ny manodidina nifanome tanana tamin’ny mpamonjy voina mba tsy hiitaran’ny afo. Voafehy ihany anefa ny izany ka tsy tonga tany amin’ny faritra misy ny tobin-tsolika. Ankoatra, ny fanafihan-jiolahy mitam-pidiana mahery vaika, isan’ny mampalaza ny faritra Atsinanana ny fisian’ny haintrano matetika any an-toerana. Ho an’i Toamasina manokana, tato anatin’ny volana septambra ity, indroa nisehoana haintrano goavana tany an-toerana. Miisa 18 tafo ireo trano nirehitra tao anatin’izay 21 andro izay, nahitana traboina miisa 123 raha antapitrisany maro kosa ny entana lasa lavenona.Sajo sy J.CL’article Nieren-doza ilay fivarotan-tsolika: trano 15 levon’ny afo avy amin’ny… taim-bankona a été récupéré chez Newsmada.

Namoaka mpampiofana  miisa 55 ny Don Bosco
21/09/2020

Mpampiofana miisa 55 no navoaka ny faran’ny herinandro teo tetsy Ampefiloha. “Hampivoatra kokoa ny sehatrasa eo amin’ny orinasa madinika sy salantsalany ny anton’ny hetsika mba ho matihanina kokoa na efa tompon’andraikitra aza ireto nivoaka ireto”, hoy ny eo anivon’ny birao teknika eo anivon’ny Don Bosco, ny mompera Ramaminirina Jeannot. Nanteriny fa natao ny fanofanana mba hahaizan’izy ireo mandray ireo mpiofana any amin’izy ireo avy ho amin’ny fampivoarana ny tontolon’ny asa. Eo ny fahaizana mampita sy mampianatra sy ny fanaraha-maso ireo tantaniny. “Miaraka amin’ny fanitsiana sy fanoroana mba hananana traikefa bebe kokoa. Anisan’izany ny fomba fanaovana tombana, ny fomba fanofanana”, hoy ihany izy. Misehatra eo amin’ny asa tanana, tahaka ny zaitra, ny taovolo, ny “soudure”, ny taon-kazo (OB) ny maro amin’ireto hampita ny fahaiza-mampiofana amin’ny hafa ireto.Nambaran’ny minisitry ny Fampianarana teknika, i Tsikeliankina Ernest, niatrika izao lanonana izao fa efa midina ifotony mijery ny filàna eny anivon’ny faritra ny departemanta tantaniny, miainga amin’ny vinan’ny filoham-pirenena. Anisan’izany ny hidiran’ireo tanora hatrany amin’ny iray tapitrisa eo amin’ny sehatry ny asa. Tafiditra ao anatin’izany ny fijerena ny mpiara miombona antoka ho amin’ny fanofanana.Synèse R.   L’article Namoaka mpampiofana  miisa 55 ny Don Bosco a été récupéré chez Newsmada.

Fizahantany any Vatovavy Fitovinany: manohana 300 miliara ariary ny Fihariana
23/09/2020

   Mifantoka amin’ny fitaterana sy ny fizahantany ny minisiteran’ny Fitaterana hanomezana aina indray ireo sehatra roa mifamatotra ireo. Maro ny olona mivelona mivantana amin’izany ka mila arenina hainganaTsy afa-misaraka ny fitaterana sy ny fizahantany. Roa volana izao, nifantoka tanteraka amin’ireo sehatra roa mifamatotra ireo ny minisiteran’ny Fitaterana hanomezana aina indray ireo fiharian-karena fototra niharam-pahavoazana toy ny sehatra hafa rehetra tratran’ny krizy ara-pahasalamana. Sarotra arenina izany ankehitriny noho ny fahavoazana isan-tokony mifandray amin’ny fitaterana sy ny fizahantany.Fototry ny toekerem-pirenena ireo, iveloman’ny olona antapitrisany mivantana, ka nametraka paikady vaovao ny minisitera mpiahy ho mpanelanelana sy ho fanarenana izany, any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany. Ho fiatrehana izany ny tetikasa Fihariana sy ny banky Indostrian’i Madagasikara, mifampiraharaha manamora ny fampindramam-bola ho an’ireo sehatra roa roa ireo: fitaterana sy fizahantany. 300 miliara ariary ny hatokana ho amin’izany ary haverina mandritra roa taona, miaraka amin’ny zanabola 8 % isan-taona ho an’ny mpitari-dalana sy ny mpitatitra ahafahan’izy ireo mamelona indray ny sehatra tandrify azy.Maika miaraka amin’izany tetikasa ny fanajariana ny manodidina izany, ny fitandroana ny tontolo iainana. Fandriamapahalemana, fanamboarana fotodrafitrasa manodidina, toy ny lalamby, ny seranam-piaramanidina, tsy ambanin-javatra koa ny fanadiovana ny lakandron’i Pangalana. Manana harena voajanahary mampiavaka samihafa ny manamorona ny lakandrano Pangalana sy ny lalamby FCE ireo rehetra ireo. R.MathieuL’article Fizahantany any Vatovavy Fitovinany: manohana 300 miliara ariary ny Fihariana a été récupéré chez Newsmada.

«World clean up day »: nandray anjara ny tetikasa Kopakelatra
21/09/2020

Fampirisihina ny mponina amin’ny fandraisana anjara amin’ny ady amin’ny loto ny “World clean up day”. Andro iray natokana ho an’ny fahadiovana ka anisan’ny nandray anjara tamin’izany koa ny tetikasa Kopakelatra, an’ny Star, ny asabotsy teo. Nafantoka tamin’ny fanentanana ny mponin’Antananarivo amin’ny fanangonana ny tavoahangy plastika izany, tamin’ity taona ity. Raha toa ka amina toerana voatokana hatramin’izay no misy ireo toeram-panangonana tavoahangy, nanatona ireo mponina kosa ny tetikasa Kopakelatra, ny asabotsy teo. Nisy ny “caravane”, izay notontosaina tamin’ny lalana Ambohimanarina-67 Ha hatreny Ampefiloha. Nentanina hanatitra ireo tavoahangy plastika any aminy ireo mponina mba hangonina sy hopotehina. Natao endrika fifaninana izany ka zay mahangona tavoahangy maro indrindra no mahazo ny loka 100.000 Ar. Tratra ny tanjona amin’ny “Clean up day” ny hariva, satria nahatratra 400 kilao tany ho any ny tavoahangy voangona nanaditra ny “caravane”.Zo ny Aina L’article «World clean up day »: nandray anjara ny tetikasa Kopakelatra a été récupéré chez Newsmada.

Tetikasa Atrika: tohana ho an’ny mpandraharaha madinika
24/09/2020

Natao, omaly tetsy Tsaralalana, trano fiasan’ny Madagascar Entreprise Développement (MED), ny fanolorana ny tohana ara-bola ho an’ireo mpandraharaha madinika 100 voafantina tamin’ny tetikasa “Atrika” nokarakarain’ny vondrona MED. 50 000 000 Ar izany tohana izany izay natao indrindra hanohanana ireo mpandraharaha madinika mpikambana ao amin’ny MED, noho ny fahavoazana vokatry ny valanaretina Covid-19. Efa nahazo fiofanana tao amin’ny MED izy ireo. 1 900 ireo nametraka antontan-taratasy tamin’ity tetikasa ity fa ireo 100 ireo no voafantina taorian’ny sivana natao ny 7 sy ny 8 septambra teo. Nisy ny masontsivana napetraka natao laharam-pahamehana tamin’ireo mpifaninana: vehivavy mpikambana ao amin’ny vondrona, olona manana fahasembanana ary mivelona amin’ny sehatrasa tena manakaiky vahoaka.Marihina fa ny IECD (Institut européen de coopération et de développement) no mpamatsy vola tamin’izao tetikasa “Atrika” izao. Miasa amina firenena 15 izy io ka anisany i Madagasikara izay sahanin’ny MED. Mpikambana efa anjatony, amin’izao fotoana izao, ny avondron’ny MED izay efa nanaraka fiofanana tao aminy amina sehatrasa fito, toy ny sehatry ny fiompiana sy ny fambolena, ny asa tanana, ny varotra, ny indostria, ny fizahantany…Andry F.L’article Tetikasa Atrika: tohana ho an’ny mpandraharaha madinika a été récupéré chez Newsmada.

Indray mijery
23/09/2020

Ho an’ny Dren Bongolava, nahatratra 5 081 ireo niatrika fanadinana BEPC .Misy 14 ireo ivontoeram-panadinana ary ahitana efitrano 222. Mipetraka hatrany ny lamina ara-pahasalamana ka tsy mihoatra ny isaky ny efitranom-panadinana 25 ny mpiadina ary ahitana fanasana tanana avokoa ny foibem-panadinana rehetra. 11 taona ny zandriny indrindra ary 46 taona kosa ny zokiny indrindra amin’ireo mpiadina. Mila fahazoan-dalana avy amin’ny ben’ny Tanàna ny fivarotana hani-masaka anatin’ny fiara, aorian’ny fankatoavan’ny fitaleavana miandraikitra ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy maintsy manatanteraka ireo adidy voasoratra ao anaty bokin’andraikitra izay nahazo alalana. Io bokin’andraikitra io no mametra ireo sokajin-tsakafo na entam-barotra azon’ireo fiara mpivarotra hani-masaka amidy… L’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.

Tanandava – Toamasina: tratra ireo jiolahy nikasa hamoaka vary 44 taonina
22/09/2020

Tsy afa-bela! Jiolahy miisa enina sy mpiambina orinasa iray no sarona tao anaty vela-pandriky ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany Toamasina, afakomaly. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, nikasa hamoaka an-tsokosoko vary milanja 44 taonina avy ao amina toeram-pitahirizana entana iray ao Tanandava Toamasina ireto jiolahy ireto. Taorian’ny angom-baovao rehetra voarain’ny polisy, tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ry zalahy, namoaka vary fotsy amin’ny gony avy tao amin’ity trano fitahirizana entana ity ary nitatitra izany tao anaty kamiaobe roa. Nosamborina avy hatrany izy ireo ka nandritra ny famotorana nataon’ny polisy no nahafantarana fa mpiambina ity toerana ity ihany no niray tsikombakomba  tamin’ireto jiolahy ireto ka nampiditra azy ireo tao amin’ity toerana fitahirizana entana ity. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Nitohy, araka izany, ny fanadihadiana ireto jiolahy ireto raha efa naverina any amin’ny tompon’ny orinasa kosa ireo vary navoakan’izy ireo tao amin’ilay trano fitahirizana entana.Jean ClaudeL’article Tanandava – Toamasina: tratra ireo jiolahy nikasa hamoaka vary 44 taonina a été récupéré chez Newsmada.