Les photos du 15 Octobre 2020

News - Les photos du 15 Octobre 2020

News - Les photos du 15 Octobre 2020

Nankalazaina, omaly
tany Antsohihy, ny andron’ny 14 oktobra. Nomarihina tamin’ny
fametrahana fehezam-boninkazo eo amin’ny fasan’ny Filoham-pirenena
voalohany teto Madagasikara, Philbert Tsiranana sady rain’ny
Fahaleovantena izay notarihin’ny filoha Rajoelina Andry, tao
amin’ny kaominina Anahidrano, distrikan’Antsohihy, faritra Sofia.
Marika hita maso ho fankalazana ny faha-62 taona nijoroan’ny
Repoblika Malagasy sy ny faha-60 taona niverenan’ny
Fahaleovantenan’i Madagasikara. Hiasa manomboka izao ihany koa ny
“central hybride photovoltaïque-thermique”, ao Antsohihy, fokontany
Bekitrobaka Ambalabe Andrefana Antsohihy. Tsy nohadinoina ihany koa
ny mpianatra, notolorana “ kits scolaire” ho an’ny sekoly ao
amin’ny fari-piadidiam-pianarana Zap Anahidrano. Fitaovana feno,
ahitana aron’akanjo, kitapo, kahie, trousse ary gourde. Nahazo ny
anjarany ny eo anivon’ny polisim-pirenen, notokanana ny birao
vaovaon’ny talem-paritra. Olona miisa 2
138 no nisitraka ny Vatsy tsinjo avy amin’ny
fanjakana.

Article tiré de Newsmada

L’article Les photos du 15 Octobre 2020 a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 15/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fiaraha-miasa BNI-Cnaps : tsy ho vesatra ho an’ny fiarahamonina ny zokiolona

Miara-miasa izao ny Cnaps sy ny BNI Madagascar, ho fanavaozana sy ho fanamorana ny fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona. Tato anatin’ny roa taona izao, miezaka ny BNI manakaiky ny mponina sy mampihatra ny politika fi­sarihana ireo zokiolona misotro ronono avy amin’ny se­hatra tsy miankina sy ny fanjakana, ahafahan’izy ireo manohy mivantana na tsy mivantana ny fihariana amin’ny fampihodinana ny toekarena. Afaka mandraharaha ny zokiolona amin’izay sehatra manavanana azy, tsy ho vesatra ho an’ny fiarahamonina. Araka izany, misokatra ho an’ireo manana fifandraisana amin’ny Cnaps ny tambajotra ao amin’ny banky BNI Ma­da­gascar, manafaingana ny fikirakiran’izy ireo ny volany. Resen-dahatra ireo zokiolona avy amin’ny sehatra tsy miankina handray ny fisotroan-dronono any amin’ity banky ity, misy fandraisana manokana ho azy ireo, miaraka amin’izany ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana. Ahitana tolotra maro izao fiaraha-miasan’ny roa tonta izao, ho an’ireo zokiolona, manamora ny fiainan’izy ireo, toy ny fahazoana mampiasa Gab (Guichets automatiques de la banque) miisa 122, amin’ny fotoana rehetra. Misy, ohatra, ny « Crédit Mitsinjo » ahazoan’ireo misoratra ao amin’ny Cnaps mindram-bola hatramin’ny valo tapitrisa ariary, haverina ao anatin’ny enim-bolana hatramin’ny roa taona. Hamoraina ny fepetra rehetra ho an’izany findramam-bola izany, tsy takina antoka manokana. Mety ha­voaka ao anatin’ny 24 ora ny vola hindramina, raha mahafeno ny fepetra rehetra. Manome fanazavana ny tombontsoa rehetra ny BNI Madagascar amin’ny alalan’ny tambajotrany, manampy mi­van­tana ireo misotro ronono ao amin’ny Cnaps maniry ha­nokatra petra-bola. Safidin’ny maro anisa amin’ireo zokiolona ireo rahateo ny banky voalaza eto. Izao fiaraha-miombona antoka izao koa ny hanombohan’ny Cnaps ny fanavaozana ny fanampiana ara-tsosialy (digitalisation).R.MathieuL’article Fiaraha-miasa BNI-Cnaps : tsy ho vesatra ho an’ny fiarahamonina ny zokiolona a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rehefa avy nitety an’i Eoropa: hanolotra seho tokana eto ry Malagasy guitar masters

Sambany hiaka-tsehatra eto an-tanindrazana ny Malagasy guitar masters, hatramin’ny niandohan’ity taona ity. Ny alakamisy 25 jolay izao ny fotoana, etsy amin’ny Piment café etsy Behoririka, ao anatin’ny « cabaret », araka ny hetsika ahafantarana ity toerana ity. Azo lazaina ho miavaka amin’izay fampisehoana sy seho mozika, ny amin’io faran’ny herinandro io, ity.Tsy fahita matetika eto an-tanindrazana ny tarika, izay efa manana ny lazany any ivelany any sy mitety faritra maro. Araka ny fantatra, miisa 12 eo ho eo ny toerana notsidihin’izy ireo sy nanaovany fampisehoana, nandritra iny volana mey sy volana jona iny. Tsy nataon’izy ireo diso anjara ny mpankafy eto an-toerana, mandritra ny fandalovan’izy ireo eto.Raha tsiahivina, tarika ahitana mpikambana telo, samy havanana sy manana ny maha izy azy eo amin’ny fitendrena gitara, ny Malagasy guitar masters. Tsy iza izany fa i Teta, i Chrysanto Zama ary i Rija Randrianivosoa, izay nisolo an’i Joël Rabesolo. Ankoatra ny fitetezana firenena, efa namoaka rakikira, mitondra ny lohateny hoe « Volo hazo », ny tarika.Ny mampiavaka azy ireo, ny fahaizan’ny tsirairay mamoaka ny talentany sy mametraka ny « soniany », izay sady mifameno. Eo koa ny fahaizan’izy ireo mampifanaraka ny mozika malagasy amin’ny fironana ankehitriny. Fotoana iray ankafizana izany rehetra izany io amin’ny alakamisy io, izay inoana fa hahaliana ny maro. Landy R. L’article Rehefa avy nitety an’i Eoropa: hanolotra seho tokana eto ry Malagasy guitar masters a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fivorian’ny BAD: hiatrehana ny fanarenana ny toekarena aorian’ny Covid-19

Voalohany amin’ny tantaran’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (BAD) ny hanao fivoriambe amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra, ny 26 sy 27 aogositra ho avy izao. Izany no hatao, ho fanajana ny fepetra hiadiana amin’ny Covid-19, hiatrehana indrindra ny fanarenana ny toekarena aorian’ity valanaretina ity. Anatin’ny fandaharam-potoana ny fifidianana ny governoran’ny BAD, izay mafy ny asa miandry azy ho an’ny dimy taona manaraka.Misy fiantraikany ratsy betsaka amin’ny toekarena afrikanina ity valanaretina ity, nampidina ny vidin’ny akora sy ny vokatra maro ny fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana hatramin’ny nidiran’ny Covid-19, ny volana marsa 2020. Ohatra, nampikatso ny fifanakalozana ara-barotra ny fanakatonana ny sisin-tany. Na mandalo fotoan-tsarotra aza, manampy amin’ny fomba samihafa ny firenena maro, mpikambana ao aminy ny BAD, anisan’izany i Madagasikara. Ny 27 aogositra izao no hatao ny fifidianana. Saika ireo governoran’ny Banky foibe  na minisitry ny Toekarena amin’ny tany mpikambana 54, faritra afrika sy 27 avy amin’ny tany mpikambana faritra hafa no handray anjara. Tokana ny kandida, i Akinwumi Adesina, governora am-perinasa.R.MathieuL’article Fivorian’ny BAD: hiatrehana ny fanarenana ny toekarena aorian’ny Covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tagnamaro-MCC: hodiovina ny Oniversite

 Toy ny isaky ny asabotsy fahatelo amin’ny volana, hanatanteraka “tagnamaro” ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina  (MCC), androany. Nosafidiana amin’ity andiany ity ny eny Ambohitsaina, izay hita fa tsy ampy fikolokoloana. Araka ny fantatra, ho mafimafy ny asa satria hisy ny fandokoana ireo trano fianarana, hita ho efa mihavasoka. Eo koa ny fanadiovana sy ny fanalana ny lobolobo, izay manangona voalavo sy manaratsy endrika ity toeram-pampianarana ambony ity.Entanina handray anjara amin’izany voalohany ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny eny amin’ny Oniversite sy ireo mpianatra eny. Raha tsiahivina, tetikasa fifanampiana, entina hamohazana indray ny fitiavan-tanindrazana ao amin’ny Malagasy, ny “tagnamaro”. Asa mivaingana sy azo tsapain-tanana ho tombontsoa iombonana ny atao.Hetsika iray enti-manova ny toe-tsaina mba hahay handray andraikitra amin’ny fanarenana ny firenena sy mba hahay hanaja ny fananana iombonana ny “tagnamaro”. Entanina handray anjara amin’izany ny olom-pirenena rehetra, ny fikambanana, ny sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, ireo masoivoho vahiny eto amintsika, sns.Natomboka tamin’ny volana marsa ny “tagnamaro” ka, ankoatra ny eto an-dRenivohitra, manatanteraka izany koa ny any amin’ny faritra samihafa.Landy R.  L’article Tagnamaro-MCC: hodiovina ny Oniversite a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Tontolon’ny fampianarana :: Mikorontana ny resaka manodidina ny Teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana (PSE)

Taorian’ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ ireo ray aman-drenin’ ny mpianatra, dia ireo sekoly tsy miankina indray no mampiaka-peo. Nivoaka tamin’ny fahanginany ry zareo avy ao amin’ny Federasionan’ny sekoly tsy mian kina eto amintsika mano loa na ny firosoana any amin’ny fankatoavana ny antontan-kevitra farany amin’ilay Teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana na PSE. Voakiana mafy ny fisalobon-koman’ny fanjakana tamin’ny famaritana an’ireo hevi-dehibe tapaka sy nasiam-panitsiana ao anatin’izany PSE izany. Heverin’ireo lehiben’ ny sekoly tsy miankina fa misy ny fanilihan’ny fanjaka na azy nandritra ny fanovàna natao tamin’ny PSE. “Fampandalovana an’izay fanitsiana ihany no nataon’izy ireo taminay. Heverinay nefa fa mpiaramiombon’antoka amin’ny famolavolana sy ny fiheverana ny fanatsarana ny fampianarana izahay”, hoy Rakotonirina Jean Claude, filoha lefitry ny Federasionan’ ireo sekoly tsy miankina, teny Analakely, omaly. Takian’izy ireo ny tokon’ ny hisian’ny firindran’ny asa eo amin’izy ireo sy ny fanjakana ka handraisany anjara amin’ny fakan-kevitra samihafa. “ Tsy ny fanovàna no tsy ekenay fa tokony hiainga amin’ny fiarahana mamolavola ny fandraisanay anjara. Somary nisy fahatarany rahateo ny fahazoanay vaovao mikasika izany”, hoy ny fanampim-pazavan- dRakotonirina Jean Claude. Tetiandrom-pampianarana Manainga ny tompon’ andraikitra izy ireo mba hisian’ny fiaraha-miasa sy ny fisokafan’ny minisitera tompon’andraikitra amin’ireo mpisehatra samihafa amin’ ny fanatsarana ny tontolon’ ny fampianarana. Nasian’ireo talem-paritra folo mandrafitra ny Federesiona tsindry ny tokony hamerenana ny tetiandrom-pampianarana amin’ny teo aloha ka hiantomboka amin’ny volana septambra ny fampianarana ary hifarana ny volana jona amin’ny taona ho avy. Efa nifandimby naneho hevitra tamin’ity teboka ity tokoa, ny ampahany tamin’ izy ireo teo aloha saingy nohamafisin’izy rehetra izany, omaly. Voalazan’izy ireo rahateo fa manana lanjany amin’ny fampianarana eto amintsika ny sekoly tsy miankina. “Mangataka izahay mba ho amin’io no fototra hiaingana amin’ny fandrafetana ny tetiandrom-pampianarana. Mba hahafahan’ny mpianatra misitraka sy mankalaza ny Fetim-pirenena am-pilaminana tsy tandindonin’ny fanadinana no anton’izany”, hoy hatrany ny mpitondra tenin’izy ireo ity. Nanamafy kosa ny tompon’ andraikitra iray ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam- pirenena, ny fampianarana teknika ary ny fanofanana araka asa fa tsy nisy velively ny fanilihana an’ireo sekoly tsy miankina. “Anisan’ny mpandray anjara tao anatin’ny fanaovana tombana an’io Teti-pivoarana io izy ireo”, hoy ny fanazavany. Ny sekretera jeneralin’ny minisitera, Razafinjato Aurélie kosa indray no nanamafy fa: “ho tohin’ny dinika tombana ho an’ny PSE, dia efa noraisina ny soson-kevitry ny rehetra. Efa misy volavolan-kevitra niarahana nanao teny ary efa any amin’ny governemanta io soson-kevitra io saingy miandry fankatoavana ny famoahana azy ofisialy”, hoy izy. Marihina fa efa mirona ho amin’ny famerenana ny tetiandro teo aloha ny minisitera ankehitriny. L’article Tontolon’ny fampianarana :: Mikorontana ny resaka manodidina ny Teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana (PSE) est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Rugby à XV vehivavy: hiady ny tapakila hiatrehana ny «Mondial 2021» ny Makis

Fanamby goavana no miandry ny Makis vehivavy, amin’ity. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny rugby lalaovina olona 15 mantsy izy ireo. Fihaonana, hiadian-toerana, ho an’ny “Mondial 2021”.Hotanterahina atsy Johannesbourg, Afrika Atsimo, ny 7 –  18 aogositra ho avy izao, ny dingana famaranana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny rugby lalaovina olona 15, sokajy vehivavy. Hanana ny lanjany, izany fihaonana izany satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2021”, tanterahina any Nouvelle-Zelande.Firenena efatra no hiady izany amin’ity dia i Afrika Atsimo, mpampiantrano, Oganda, Kenya ary ny Makis de Madagascar. Mifandimby mihaona ny rehetra ka izay ekipa be isa indrindra no ho tompondaka ary hisolotena an’i Afrika, any amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany.Raha ny fandaharam-potoana, hidona amin’ny Makis voalohany, ry zareo Kenianina. Lalao hotontosaina, ny 10 aogositra. Fihaonana faharoa, hikatrohana amin’i Afrika atsimo, ny 13 aogositra ary amin-dry zareo, Ogandà ny 16 aogositra. Manana herijika tsara handrombahana ny toerana voalohany, ny Makis, araka ny nambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Na izany aza, nomarihiny fa ry zareo Kenianina no heverina fa ho mafy ary tsy maintsy dinganina.Raha toa kosa ka ny laharana faharoa, no misy ny Makis dia hiatrika ny “repechage”, amin’ireo kaontinanta  dimy hafa. Hatreto, mbola mpilalao 36 no manaraka fanazarantena miaraka. Ny faran’ity volana jolay ity kosa vao hivoaka ny anaran’ireo 26 handrafitra ny Makis, ho atsy Afrika Atsimo. Tompondaka L’article Rugby à XV vehivavy: hiady ny tapakila hiatrehana ny «Mondial 2021» ny Makis a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanadihadiana : tsy ampy mangarahara ny tetibolam-panjakana

Nanaovana fanadihadiana ny fangaraharan’ny tetibolam-panjakana eto Mada­gasikara sy ireo manana andraikitra amin’ny fanaraha-maso. Fanontaniana 145 ny naroson’ny manampahaizana mahaleo tena momba ny toekarena, fanadihadiana manodidina ny fangaraharan’ny tetibolam-panjakana 2019.Nanaovana tombana izay fangaraharan’ny tetibolam-panjakana izay eto Madaga­sikara (EBO)* ka namoahana valin’ny fanadihadiana ny tetikasa na ny fandaharanasa sy ny vanim-potoana mifandraika amin’izany hatramin’ny 31 desambra 2018 momba ny fangaraharan’ny tetibolam-panjakana 2019. Miara-miasa manatanteraka ny fanadihadiana ny manampahaizana mahaleo tena ivelan’ny fanjakana miaraka amin’ny so­lontenan’ny mi­nisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola. Mangarahara, anisan’ny fepetra takin’ny mpi­ara-miombona antoka mpamatsy vola ho fanta-bahoaka. Mifantoka amina teboka telo ny valin’ny fanadihadiana nanomezana isa an’i Ma­da­gasikara: ny fahitan’ny va­hoaka ny mangarahara mom­ba ny tetibola ampiasana (40/100), ny fahafahan’ny vahoaka mandray anjara amin’ny famolavolana ny tetibola (6/100) ary ny rafitra mpanara-maso (35/100). Nomari­hin’ny fiarahamonim-pirenena MSis Tatao fa mitombo ny isa azon’i Madagasikara raha oharina ny tamin’ny 2017, 34/100. Na izany aza, mbola ambany be ireo isa ireo, izay 61/100 ny salanisa ambany indrindra. Raha i Madaga­sikara manokana, voasokajy ho misy mangarahara, saingy ambany indrindra.Tsy mandray anjara mivantana ny solombavambahoakaNomarihin’ny IBP* fa tsy manome vaovao ampy mom­ba ny tetibola ny ankamaroan’ny fitondram-panjakana aty Afrika. Na misy fivoriana momba ny tetibolam-panjakana eo anivon’ny Anteni­miera, tsy mampandray anjara mivantana ny solombavambahoaka ny eto Madaga­si­kara, tsy ahafahana miara-midinika ny amin’izay sehatra tokony ho laharam-pahamahena hanokanana tetibola matanjaka. Zava-dehibe ny fahafantarana ny tetibola raha mifandraika marina amin’ny politika nambaran’ny fanjakana, ohatra, tetibola ho an’ny faritra na ny kaominina lavitra. Ilaina ny fangaraharana ny fitantanana amin’izao krizy ateraky ny Covid-19 izao, izay misy akony lehibe eo amin’ny toekarena ny fahaiza-mitantana.R.MathieuEBO* : Enquête sur le budget ouvert IBP* : International budget partnershipL’article Fanadihadiana : tsy ampy mangarahara ny tetibolam-panjakana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

CFM – Krizy 2002-2013: “Tsy mbola misy didim-panjakana ny fanomezana onitra”       

                 Valin-kafatra. Nitondra fanazavana momba ny onitra ho an’ireo niharam-boina noho ny krizy ny eo anivon’ny CFM. Tsy mitombina koa ny resaka nataon’ireo gadra politika, ny herinandro teo. “Diso ny filazana fa anjaran’ny fanjakana malagasy ny 30 % amin’ny fanonerana sy fanarenana ary an’ny mpiara-miombon’antoka ny 70%. Tsy misy milaza an’izany na any amin’ny tondrozotra na any amin’ny lalàna” hoy ny filohan’ny CFM, i Maka Alphonse, teny Ampefiloha. Tsy manao ny nahimpony amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra amin’ny  hanomezana na tsia fanonerana fanarenana ry zareo fa tsy maintsy manaraka ny voalazan’ny lalàna. Hisy didim-panjakana ny fanonerana na ny fanomezana onitra hamaritra ny fomba arahina. Hatramin’izao, tsy mbola misy izany didim-panjakana izany. “Mahatsapa izahay  ary nanapa-kevitra fa misy andraikitra tokony hataonay”, hoy izy. Namolavolana mialoha ny volavolana didim-panjakana, natolotra ny governemanta tamin’ny aogositra 2019 izany.Feran’ny lalàna mifehy ny tetibola ny fanonerana Anisan’izany ny   fananganana “Fond nationale de solidarité” (FNS) sy ny “Caisse nationale de réparation et d’indemnisation” (CNRI). Eo koa ny momba ny foto-kevi-dehibe amin’ny fanomezana fanonerana sy fanarenana.Voalaza amin’izany mialoha ny volavolana didim-pitsarana izany fa mandray anjara amin’ny tahirim-pirenen’ny firaisankina ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka. Feran’ny lalàna mifehy ny fitantanam-bola ny an’ny fanjakana amin’izany. Hatramin’izao, tsy mbola misy sora-bola ny amin’ny fanonerana sy fanarenana. Tsy anjaran’ny CFM ny manao tetibola na ny lalàna mifehy ny tetibola. Tsy misy ny fanonerana azo atao, raha tsy misy ny didy fampiharana izany.R.Nd. L’article CFM – Krizy 2002-2013: “Tsy mbola misy didim-panjakana ny fanomezana onitra”        a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fitaterana ny akora fasimainty: hanamboatra fiantsonan’ny sambo ny Base Toliara

Natao, omaly tany Andaboly Toliara, ny fomban-drazana, nangatahana fitahiana, hananganana ny fiantsonan’ny sambo, ampiasain’ny orinasa Base Toliara. Fotodrafitrasa ilaina hitaterana, hamoahana ny akora fasimainty, trandrahin’ny orinasa ity haorina ity.Tsy maintsy natao izao fomba izao, namonoana omby efatra, satria nisy ampahany amin’ireo fokonolona tsy nanaiky nananganana izany fiantsonan’ny sambo izany, sady tsy nanaiky ny hiasan’ny orinasa Base Toliara ihany koa. Resy lahatra izy ireo taty aoriana, rehefa nisy ny fifanazavana sy ny fifampiresahana ary ny fombafomba ho fampihavanana koa ity natao ity. Niaiky izy ireo fa tena hitondra fampandrosoana any an-toerana sy hiteraka tombontsoa maro ho an’ny mponina ny fisian’ity orinasa ity.Tsy manelingelina ny mpanjonoNanatrika ny fotoana avokoa ny manam-pahefana any Toliara I sy ny manodidina, ny fikambanan’ny mponina any ifotony, ny fikambanan’ny mpanjono, sns. Nilaza ny tale jeneralin’ny Base Toliara, Ramahefarivo Jean Bruno, fa tena mihaino ny hetahetan’ny vahoaka izy ireo, vonona ny hifampiresaka, ary tsy mitady korontana na disadisa.Nomarihiny fa tsy hanelingelina ny asan’ny mpanjono ny fisian’ity fotodrafitrasa ity. Natao avo, 4m ny haavony, ary mielanelana 24 metatra ny tsatoka. Tsy seranan-tsambo ity haorina ity fa fotodrafitrasa manokana hitaterana ny akora fasimainty mankany anaty sambo. Misy trano fitahirizana ny akora fasimainty, sy karazana tetezana hitaterana ny akora eny afovoan-dranomasina hampidirana azy ao anaty sambo.Njaka AndriantefiarinesyL’article Fitaterana ny akora fasimainty: hanamboatra fiantsonan’ny sambo ny Base Toliara a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fibatana fonjamby – Andriantsitohaina Eric

“Lalaon’ny Nosy” intelo nisesy, nandrombaka medaly volamena hatrany ny atleta malagasy, ao anatin’ny taranja fibatana fonjamby, Andriantsitohaina Eric, sokajin- danja 56 kg. Nanomboka niditra eo amin’ity sehatra ity izy ny taona 2011, taona nandraisany anjara voalohany tamin’ny “Lalaon’ny Nosy” ary nahazoany avy hatrany medaly volamena telo. Tsy nitsahatra intsony izy nanomboka teo fa nivelatra, indrindra teo amin’ny sehatra afrikanina sy iraisam-pirenena. Efa nandray anjara ary nahazo medaly hatrany tamin’ ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika tany Maraoka ary tany Egypta. Tsy latsa-danja tamin’izany ny fifaninanana iraisam-pirenena, ny « Solidarity International Championships 2018 »,nahazoany medaly volafotsy iray sy alimo iray, ny « Tournoi international » natao teto Maorisy ka nahazoany laharana voalohany. Mbola maro ny fahombiazana azon’i Eric, ankoatra ireo, ka anisan’izany ny “Lalaon’ny Nosy 2015” sy ny tamin’ity taona 2019, samy nahazoany medaly volamena telo avy. Tsahivina nitondra ny sainam-pirenena malagasy Andriantsitohaina Eric,nandritra ny lanonam-panokafana ity andiany faha-10 amin’ny “Lalaon’ny Nosy” ity, ny zoma 19 jolay lasa teo. Vonona ny hanome ny tsara hatrany i Eric ho an’ny taranja fibatana fonjamby malagasy sy ho an’ny firenena malagasy. Nangonon’i Mi.Raz L’article Fibatana fonjamby – Andriantsitohaina Eric a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 31-10-2020
Source : CCO COVID19 - 31/10/2020

Notsongaina

Solo Andrianasolo: hiverina ny «Jeudi du jazz»
29/10/2020

 Seho efa fanao any ivelany ny « Jeudi du jazz ». I Solo Andrianasolo kosa no nitondra sy namelona azy teto an-tanindrazana, raha vao tonga izy. Fantatra, omaly fa hamerina ny hetsika « Jeudi du Jazz » indray ity mpanakanto ity, ny 5 novambra izao ka ao amin’ny Le 5ème Element , etsy Ankadivato no hanatanterahany izany. « Tena jazz standard zakan’ny sofina sy hakana tsirony ho an’ny mpihaino no hatao fa tsy ilay jazz ho an’ny mpitendry. Jazz manadio sofina », hoy izy. Hiaraka hitendry aminy amin’io i July Rakoto (piano électrique Fender Rhodes), i Martin Randriamampianina (contrebass) ary i Mihaja Rakotoarisoa (batterie).Efa nataon’i Solo Andrianasolo io fiarahana io tamin’ny taona 2003 niverenany nody teto  an-tanindrazana. Tao amin’ny Sweety Home Ambatoroka, nifindra tao amin’ny Restaurant Ny Avo Ambatoroka… Ankehitriny, ao amin’ny Le 5ème Element »Nanjary nanao « Jeudi du Jazz » ny ankamaroan’ny toerana fanaovana lanonana sy fisakafoana taty aoriana. « Fahafinaretana ho ahy ny fahitana an’izany », hoy i Solo Andrianasolo.HaRy RazafindrakotoL’article Solo Andrianasolo: hiverina ny «Jeudi du jazz» a été récupéré chez Newsmada.

RN 32 mihazo an’i Mandritsara: voasambotry ny zandary ireo jiolahy mpangalatra bizo
27/10/2020

 Noraisim-potsiny! Tratra ireo jiolahy roa mpangalatra bizo mipetaka amin’ny lalam-pirenena 32 mihazo an’i Mandritsara. Nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary ny alin’ny 10 oktobra misasakalina no nahasamborana ireto jiolahy ireto teny amin’ny RN 32 PK 145+200. Taorian’ny fanentanana nataon’ny zandary manamoroana iny lalam-pirenena iny no nanaitra ny andrimasom-pokonolona ao Antanankely, fokontany Andampihelo, ka nahafahana nisambotra ireto jiolahy ireto. Nandositra avy hatrany ry zalahy raha vantany vao nahatazana ireo fokonolona. Tavela kosa ny bizo miisa dimy niaraka amin’ny sarety saika hitondrana azy ireo. Tratra ny roa amin’ireo olon-dratsy taorian’ny fikarohana nataon’ny zandary avy ao amin’ny “poste fixe” Besakana sy ny polisy misahana ny fandikan-dalàna. Niaiky ny heloka vitany izy roa lahy taorian’ny famotorana nataon’ny zandary ka nanambaran’izy ireo tamin’izany ny namany roa mpiray tsikombakomba amin’izao asa ratsy izao. Nanamafy ny zandary fa efa maro ny fanentanana natao mikasika ny famongorana ity raharaha halatra bizo amin’ny lalam-pirenena any avaratra ity fa mbola misy ihany ireo minia mandika izany ka tsy maintsy ampiharina ny sazy ho an’ireo manapotika fotodrafitrasa sy fananana iombonana toy izao.Jean ClaudeL’article RN 32 mihazo an’i Mandritsara: voasambotry ny zandary ireo jiolahy mpangalatra bizo a été récupéré chez Newsmada.

Faritra Anosy sy Androy: nojeren’ny minisiteran’ny Indostria ny momba ny kere
27/10/2020

 Ny 23 sy ny 24 oktobra teo, nitarika atrikasa tany amin’ny faritra Anosy ny minisitry ny Indostria, ny varotra sy ny asa tanana (Mica), Rakotomalala Lantosoa. Atrikasa hiatrehana ny kere any atsimo, araka ny toromariky ny filohan’ny Repoblika, ny natao tamin’izany, niarahana amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny any an-toerana.Anisan’ny laharam-pahamehana ny famatsiana ireo zavatra ilaina andavanandro (PPN) any amin’ny faritra hamahana ny olana sy hanamorana ny fizarana izany any amin’ny faritra Anosy sy Androy, amin’ny vidiny rariny. Nandritra izany fotoana izany, nohararaotin’ny minisitra ny fandalovana amin’ny seranan-tsambon’i Ehoala, nandraisana kaontenera 150, izay tsy ho tapaka isaky ny telo volana. Ny 75 % amin’ireo PPN ireo tonga tao amin’ny seranan-tsambo. Nitarika fivoriana niaraka amin’ireo tompon’andraikitra any an-toerana ny minisitra. Hatao izay fomba rehetra hizarana izany ara-drariny ho an’ireo faritra roa ireo.Fepetra noraisina koa ny fiarovana ny mpanjifa, nizahana ireo entana any amin’ny mpamongady, ny fizahana natao tampoka. Hita ary nakatona tamin’izany ireo tranombarotra lehibe tsy manana antontan-taratasy, manamarina fa afaka mampisondrotra ny vidin-javatra. Nisy koa ny fihaonana amin’ireo mpanao asa tanana, nifanakalozan-kevitra hitadiavana lalam-barotra. Namaranana ny fitsidihan’ny minisitra Rakotomalala Lantosoa, nitsidika ny orinasa mpanodina vokatry ny fambolena, anisan’ny vahaolana amin’ny ady amin’ny faharatsian-tsakafo.R.MathieuL’article Faritra Anosy sy Androy: nojeren’ny minisiteran’ny Indostria ny momba ny kere a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Fivoahan’ny lisitry ny mpilalao : mihorohoro amin’ny Barea ny Elefantan’i Côte d’Ivoire
24/10/2020

Taorian’ny fivoahan’ny lisitry ny Barea de Madagascar, miahiahy mafy amin’ny fifandonana amin’ireo mpilalao malagasy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Voatery nanafatra matihanina betsaka avy any Eoropa izy koa ireo.Toa manana tsindry ma­vesatra izany ny Ivo­arianina mialoha ny hifandonany amin’ny Barea de Madagascar eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toe­rana ho an’ny “Can 2022”. Tsy mitsahatra ny manara-maso sy maka vaovao mahakasika ireo mpilalaon’ny Barea mantsy ny mpanazatra an-dry zareo Elefanta, amin’ izao fotoana izao. Mihorohoro fatratra, araka izany, ny Ivoarianina, taorian’ny namoahan’i Ni­colas Dupuis ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny Barea. Vokatr’izany, manatevina ny fiarovantenany ny Elefanta ka nanafatra ilay vodilaharana goavambe, i Willy Boly, milalao ao amin’ ny ekipan’ny Wolverhampton Wanderers Football Club ao Angletera. 29 taona, mirefy 1,95 m ary milanja 97 kg. Ankoatra izany, nantsoina hiverina hanatevina ny Ele­fanta ihany koa i Serge Aurier.Hatao ny 12 novambra ny lalao mandrosoSarotra ho an’ny Ivoa­rianina, hatreto, ny mamantatra ny tena fomba fila­laon’ny Malagasy. Ny hany ahalalan’izy ireo ny Barea ny hakingan’ireo mpilalao. “Tsy milalao amin’ny ekipa goavana sy malaza ry zalahy, afa-tsy i Morel ao amin’ ny FC Lorient, Frantsa, saingy tena tombony ho an’ny Barea ny firaisan-tsaina sy ny fa­haiza-miaraka”, hoy i Pa­trice Beaumelle, mpanazatra ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Fantatra fa hotanterahina ny 12 novambra ho avy izao ny lalao mandroso ao amin’ ny kianja Stade Olympique Alassane Ouattara, ao Abi­djan. Mitodi-doha miverina an-tanindrazana avy hatrany ny Barea, raha vantany vao vita io fihaonana mandroso io. Hatao ny 17 novambra ny lalao miverina, tanterahina any amin’ny kianja Stadium Barikadimy. Araka ny fepetra napetraky ny kaonfederasiona afrikanina (Caf), tsy mihoatra ny 5 000 ny mpi­jery io lalao io.TompondakaL’article Kitra – Fivoahan’ny lisitry ny mpilalao : mihorohoro amin’ny Barea ny Elefantan’i Côte d’Ivoire a été récupéré chez Newsmada.

Enina ireo lavo: 158 ny tranga vaovao
26/10/2020

Misoko mangina tsy re tsaika. Miisa enina ireo lavon’ny Covid-19, tao anatin’ny herinandro. Teo anelanelan’ny 17 hatramin’ny 23 oktobra izany. Manodidina ny iray isan’andro eo ho eo izany ireo matin’ity valanaretina ity eto amintsika ary mananika ny 244 izao ireo nodimandry hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty. Efa manakaiky ny 250 izany.Etsy andaniny, miisa 158 ireo tranga vaovao tao anatin’izany herinandro izao. Manodidina ny 26 isan’andro eo ho eo izany ny isan’ireo nifindran’ny valanaretina eto amintsika. Miisa 86 kosa anefa ireo sitrana. Tafakatra 16 301 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo 16 968 mitondra Covid-19 eto Madagasikara hatramin’ny nisian’ny valanaretina. Izany hoe, misy 423 izany ireo mbola manaraka fitsaboana.Synèse R.L’article Enina ireo lavo: 158 ny tranga vaovao a été récupéré chez Newsmada.

Eran-tany
24/10/2020

Nametraka laminasa mazava ny mpanjaka Mohamed VI any Maraoka, ho fanarenana ny toekarem-pirenena sy ho fiarovana ny sosialy noho ny Coronavirus. Manodidina ny 13 miliara dolara ny hiatrehana izany: antoka sahanin’ny fanjakana sy ny tahiry fampiasam-bola ho fampandrosoana fototra. Laharam-pahamehana ny fanarenana ny indostria, ny fanajariana ny sehatra tantanan’ny fanjakana, tahiry Mohamed VI ho fampiasam-bola. Ny fahitan’ny mpanjaka Mohamed VI any an-toerana ny fahasahiranan’ny mponina ny nahatonga azy nandray fepetra maro, indrindra ho fanarenana ny toekarena.Miara-tonga ny revolosiona indostrialy sy ny Corona­virus, manova zavatra betsaka eo amin’ny tontolon’ny asa, ny mpiasa sy ny mpampiasa. Manolo asa 85 tapitrisa mialoha ny 2025 ny fivoaran’ny teknolojia ankehitriny. Ampolo tapitrisa ny toeram-piasana voasolon’ny « robot ». Tsy araka ny niheverana azy fa ho haingana ny fandrosoan’ny fampiasana ireo fitaovana teknolojia samihafa noho ny fihanaky ny Covid-19, araka ny fanadihadiana isan-taona ataon’ny The Future of Jobs. Mivoatra haingana ankehitriny ny fampiasana milina any amin’ny toeram-piasana samihafa.Nihena 26,4 % ny fampiasam-bola ataon’ny vahiny any Tonozia nandritra ny sivy volana voalohany tamin’ ity taona ity, raha ampitahana ny tamin’ny 2019. Nihena avokoa ny seha-pamokarana rehetra any amin’ity firenena ity, avy amin’ny indostria vahiny sy ny tompon-tany. Anisan’ny tena misongadina ireo orinasa vahiny mpanodim-bokatra, ny sehatry ny fizahantany. Tojo fatiantoka avokoa ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME) ka eo am-pamolavolana ny laminasa hanarenana izany izao ny governemanta tonizianina.Tsara toerana ny toekarena amerikanina maneran-tany ny taona 2012-2016, nitondran’ny filoha Barack Obama; mifanohitra tanteraka amin’izany ny fahitan’ny filoha Donald Trump azy. Koa nambaran’ny filoha ankehitriny ny mampiavaka azy: ady ara-barotra amin’i Sina, ny fampidinana hetra amin’ny ankapobeny, ny fanovana fomba fiasa amin’ny fiarovana ny tontolo iainana… Talohan’ny Covid-19, efa nanomana politika entiny mandritra ny fampielezan-kevitra i Donald Trump koa nomaniny ny lafiny toekarena, nambarany fa « tsara indrindra hatramin’izay ».L’article Eran-tany a été récupéré chez Newsmada.

Roa lahy nalaina an-keriny: maty nisy namono ny iray
30/10/2020

  Mihorohoro saina tanateraka ny fianakavian’ireo mpirahalahy mpiandry omby nisy naka an-keriny, ny herinandro lasa teo tao amin’ny fokontany Amparihibe Ambatomanohina-Anjozorobe. Hatramin’izao, tsy mbola nandrenesam-baovao ny momba ilay zandriolona, raha hita faty teo amin’ny fokontanin’Amparihibe kosa ilay zokiny, ny alarobia antoandro teo rehefa avy novonoin’ireo jiolahy. Fantatra fa nitaky vola mitentina 5 tapitrisa Ar amin’ireo fianakaviana ireo olon-dratsy talohan’izay. Efa nisy anefa fifampiraharahana teo amin’ny roa tonta. Saingy, niharan’ny heristran’ireo mpaka an-keriny hatrany ilay tovolahy 16 taona ka maty.Mponina ao amin’ny fokontany Amparihibe ireo roa lahy mpiandry omby. Tsy hita nanomboka ny harivan’ny 25 oktobra lasa teo izy roa lahy ireo. Nanaovana ombay mitady avy hatrany raha vao tsy nandrenesam-baovao ireo mpiarahalahy 10 sy 16 taona. « Tsy nampahafantatra ny zava-nitranga ireo mpitandro filaminana ireo fianakaviany », hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Taorian’ny tranga, naharay antso avy amin’olona tsy fantatra ireo fianakaviana. Nitaky vola mitentina 5 tapitrisa Ar ilay mpiantso ho tambin’ny famotsorana azy roa lahy.Taorian’ny fanadihadiana ny raharaha, efa misy ny olona roa voasambotra, ahina ho ao ambadiky ny raharaha. Andrasana ny tohin’ny famotorana.Henintsoa HaniL’article Roa lahy nalaina an-keriny: maty nisy namono ny iray a été récupéré chez Newsmada.

Diplomatie : La restitution des œuvres africaines dérobées est freinée
28/10/2020

Les poteaux funéraires malgaches parmis les « objets d’art » malgaches dérobés. Aux dernières nouvelles, la restitution des objets d’arts africains dérobés par la France ne se fera pas de sitôt, malgré la promesse d’Emmanuel Macron faite en 2017. En cause, les collectionneurs et les musées qui pensent probablement que ces objets ne sont pas, à leur premier usage, des œuvres d’arts mais des butins de guerre. Des institutions comme le Quai Branly sont citées parmi les plus récalcitrantes à les remettre. De septembre 2018 à janvier 2019, ce lieu a abrité une exposition intitulée « Madagascar, art de la Grande Île ». Durant des mois, des objets d’arts malgaches, allant des sculptures funéraires, sûrement dérobées sur les tombeaux, des peintures et d’autres ont été fièrement installées. Cependant, il est fort probable que parmi ces centaines d’œuvres se trouvent des objets de larcins, de vols ou d’autres méthodes malhonnêtes de les obtenir. Si les pays africains ont réclamé leur restitution en 2018 et 2019, cette dernière a l’air de ne plus être d’actualité dans les projets des ministères ou départements culturels. Cependant, on parle ici de plus de dizaines de milliers de pièces à restituer. Des voix commencent à dénoncer la continuité du rapport de domination instauré jadis par les Français colons. Des Français qui, aujourd’hui, peinent à leur remettre leurs œuvres aux pays africains spoliés. Maminirina Rado L’article Diplomatie : La restitution des œuvres africaines dérobées est freinée est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Diplomatie : La restitution des œuvres africaines dérobées est freinée a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Asan-jiolahy miharo habibiana: raim-pianakavina iray maty, voaolana ny zanany vavy
26/10/2020

Ankoatra ny fandrobana nahazo ilay tokantrano iray eny Ambatotokana Tsarahasina, mbola niharan’ny fanolanana nataon’ireo jiolahy ihany koa ny zanaky ny tompon-trano. Ilay raim-pianakaviana, namoy ny ainy noho ny habibiana nihatra taminy. Ra niparitaka eran’ny trano, raim-pianakaviana namoy ny ainy, zanaka voazimbazimba sy fananana very. Ireo ny navelan’ireo jiolahy tao amina tokantrano iray eny Ambatotokana Tsarahasina, kaominina Ambohimangakely, ny alin’ny zoma hifoha asabotsy teo. Tokony ho tamin’ny 12 ora sy 15 minitra alina, niditra an-keriny tao amin’ireo tompon-trano ny jiolahy nirongo basy poleta sy « barre à pince », tsy nisaron-tava.« Ny alika nivovo no henoko ary nitsangana aho. Tampoka teo, hitako ny varavarana efa vaky ary ny lehilahy iray, efa nijoro teo akaikiko no nanaitra ahy », hoy ny fanazavan’ilay renim-pianakaviana. Niantso vonjy izy, saingy voadarok’ireo jiolahy avy hatrany ary mbola nitakiany vola ihany koa. « Lehilahy iray atao hoe Bota ny karohina amin’izao ary ahina ao ambadiky ny fanafihana », hoy hatrany ny zandary. Vao nivoaka ny fonjan’i Tsiafahy io jiolahy io. Isan’ireo voatonona matetika amin’ny fanafihana mitranga eny Atsimondrano ny anarany.Henintsoa Hani L’article Asan-jiolahy miharo habibiana: raim-pianakavina iray maty, voaolana ny zanany vavy a été récupéré chez Newsmada.

Bakalorea :: Hivoaka raha afaka telo herinandro ny voka-panadinana
27/10/2020

Niroso tamin’ny fitsarana an’ireo taratasim-panadinana bakalôrea ny mpitsara, nanomboka omaly tolakandro. Tamin’ ny alakamisy lasa teo no nifarana ny adina an-tsoratra ho an’ny fanadinana bakalôrea ankapobeny raha mbola mitohy kosa ny adina ho an’ireo mpianatra miatrika ny sokajy teknika. Tombanana hivoaka, amin’ny tapaky ny volana novambra any ho any, ny voka-panadinana. “Efa manomboka ny fitsarana an’ireo taratasim-panadinana ho an’ny bakalôrea ankapobeny. Ho vita amin’ ny herinandron’ny 2 novambra ho avy izao ny fitsarana rehetra. Any amin’ny herinandron’ny 16 novambra any kosa no hivoaka ny voka-panadinana”, hoy ny nambaran’ny tompon’ andraikitry ny fanadinana. Tsy mbola manana ambara mikasika ny naotin’ireo mpiadina kosa ireo mpitsara noho izy ireo vao manomboka ny fitsarana. Nizotra am-pilaminana kosa, tamin’ny ankapobeny, ny andiany faharoa amin’ny bakalôrea teknika, omaly. Hifantoka amin’ireo taranja natokana ho azy ireo ny mpiadina, amin’ity herinandro ity. Nanao fidinana ifotony teny amin’ny lisea teknika Ampasampito sy teny Mahamasina ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Assoumacou Elia Béatrice, omaly. Mafy ny fanaraha-maso ny fizotran’ny fanadinana manerana ny Nosy. Omaly ihany dia efa nosantarina ny fitsarana ny taratasim-panadinan’ireo mpiadina. L’article Bakalorea :: Hivoaka raha afaka telo herinandro ny voka-panadinana est apparu en premier sur AoRaha.

Maro ny kolontsaina very: mari-pandrefesan-javatra maro ny Coronavirus
28/10/2020

 Ankoatra ny maha valanaretina azy, mari-pandrefesana zavatra maro ny Coronavirus. Nandrefesana ny fahalalana, ny fahaizana, ny finoana, sns, ananan’ny tsirairay sy misy eo amin’ny firenen-tsamihafa. Fa anisan’ny goavana natsinkafon’ity valanaretina ity, ny nahenoina fa misy amin’ny Malagasy no tsy manana tanin-drazana ka tsy afaka niala ny toerana misy azy na mba te handositra ny covid-19 aza.Raha adika tsotsotra, misy amin’ny Malagasy no tsy manana ambanivohitra, toerana nipoirana, tany navelan’ny razana, tranon-drazana, sns. Sanatria, mety tsy hanana fasan-drazana ihany koa aza angamba ! Misy ny tratry ny tsy fidiny no tsy nananany tanin-drazana fa ny an’ny hafa mba ahoana ? Tao ireo nivarotra, misy ny zara fa manao tsidi-pahitra ka tsy fantatr’olona any an-toerana intsony ny fisiany, tsy vitsy koa ireo tsy miraharaha tsotra izao ny toerana nipoiran’ny razany.Efa ampy hamantarana ny zava-manjo sy mihatra amin’ny Malagasy sy ny kolontsainy ireo. Tokony hifanaraka amin’izay ihany koa ny vahaolana raha toa ka heverina fa olana ny Malagasy tsy manana tanin-drazana. Sa ve efa mizotra amin’ny lalan’ny « fandrosoana » izao ka tsy misy ilàna izay kolontsaina ?HaRy RazafindrakotoL’article Maro ny kolontsaina very: mari-pandrefesan-javatra maro ny Coronavirus a été récupéré chez Newsmada.

Fihanaky ny valanaretina maneran-tany: maherin’ny iray tapitrisa ireo matin’ny covid-19
28/10/2020

  Araka ny fanadihadiana nivoaka ny alatsinainy lasa teo, nahatratra 43 483 423 ny tranga Coronavirus voamarina amin’ny firenena 180 anatin’ny kaotinanta dimy. 1 159 300 ireo namoy ny ainy vokatry ny valanaretina. Firenena tena ahitana tranga maro sy olona maty betsaka ny any Etazonia, India, Brezila, Rosia ary Frantsa, araka ny fandalinana navoakan’ny teknisianina. Any Frantsa, ahafahana mandrefy ny fivoaran’ny valanaretina ny herinandro maromaro ho avy. Amin’izao fotoana izao, mitovy amin’ny zava-misy tamin’ny fotoana nirongatan’ny valanaretina voalohany tany an-toerana ny tranga ankehitiriny ka mampanahy ny mpitsabo sy ny mpitondra any an-toerana. Raha departemanta vitsivtisy no tena nahitana tranga maro niditra teny amin’ny hopitaly. Saika manerana ny firenena iray manontolo no misy ny tranga nandritra ny andro maromaro farany. Efa mihatra ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina any amin’ny faritra maro ary nahena ny ora ahafahan’ny toeram-pisakafoana misokatra ho an’ny toerana voatondro.Nangonin’i VonjyL’article Fihanaky ny valanaretina maneran-tany: maherin’ny iray tapitrisa ireo matin’ny covid-19 a été récupéré chez Newsmada.