Lalèn’ny fandraharahana :: Orinasa roa amby roapolo nakatona noho ny tsy fandoavan-ketra

News - Lalèn’ny fandraharahana :: Orinasa roa amby roapolo nakatona noho ny tsy fandoavan-ketra

News - Lalèn’ny fandraharahana :: Orinasa roa amby roapolo nakatona noho ny tsy fandoavan-ketra

Marobe ireo orinasa nandraisana fepetra noho ny tsy fanarahan-dalàna. Roa amby roapolo no voatery nakatona satria tsy nahaloa hetra, araka ny tatitry ny foibempitantanana ny hetra (DGI), omaly. Hatrany Fianarantsoa, Andranomanelatra (Antsirabe) sy ny any Toamasina no lasibatra, fa tsy teto an-drenivohitra ihany. Fanakatonana vonjimaika ihany aloha no nampiharina mandra-pahavitan’ ny fanonerana ny hetra tsy voaloa.

Fifanarahana

“Roa amby roapolo ny isan’ ny orinasa nakatona, nanomboka tamin’ny taona 2019 ka hatramin’ ity taona 2020 ity. Fepetra momba ny fitantanan-draharaha no nampiharina. Tsy manao politika ny DGI fa rehefa tsy manara-dalàna dia tsy maintsy haverina amin’izany fanarahan-dalàna izany ny orinasa rehetra. Nomena dimy ambin’ny folo andro izy ireo hahafahany manaraka ny fitsipika amin’ny antontan-taratasy takiana”, hoy i Germain, tale jeneralin’ny hetra.

An-kilany, nisy ny fanaovantsoniam-piaraha-miasa teo amin’ ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, tamin’ny alalan’ ny (DGI) sy ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy (Cnaps) ary ny Sampan-draharaha misahana ny fifanarahana eo amin’ ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana, teny Antaninarenina, omaly. Tafapetraka ny kajimirindra vaovao na “E-Salariés” izay hanaovan’ireo tompon’andraikitry ny orinasa ny fanambaràna amin’ ny fandoavan-ketra.

“Manao filazan-karama sy filazan-ketra mitokana ny mpampiasa taloha, saingy indray mandeha no hanatontosana an’ireo rehefa mipetraka sy mandeha ity “E-Salariés” ity. Anisan’ny ezaka natao koa izao hetsika izao mba hanafoanana tsikelikely ny fikirakirana taratasy sady hidirana tsikelikely amin’ny fampiasana ny teknolojia vaovao”, hoy Ratsimbaharison Alain Désiré, talen’ny seraseran’ny Cnaps.

L’article Lalèn’ny fandraharahana :: Orinasa roa amby roapolo nakatona noho ny tsy fandoavan-ketra est apparu en premier sur AoRaha.

Lalèn’ny fandraharahana :: Orinasa roa amby roapolo nakatona noho ny tsy fandoavan-ketra

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Delire Madagascar

STARTIMES : Miandry ny mpanjifa ny « abonnement » maimaim-poana

Hiara-hankalaza ny fetin’ny noely amin’ny mpianakavy ny Startimes. Izay mividy “décodeur” Startimes dia mahazo “abonnement” roa volana be izao. Hita ao avokoa ireo “chaînes” rehetra. Mahazo “abonnement” 15 andro fanampiny maimaim-poana ireo manao “réabonnement” iray volana sy tapany amin’ny alalan’ny “application”. Azo atao ihany koa manao « réabonnement » isan’andro na isan-kerinandro. Nambaran’ny tale ara-barotry ny Startimes, Aina Ralai fa azo jifaina manomboka izao ary mifarana ny 31 janoary 2018 io tolotra io. Manana ny vina ny Startimes mba samy mahita sy manjifa ny televiziona nomerika ny eto Madagasikara. Ho fanomezana fahafaham-po ho an’ny mpianakavy, natao hifanaraka amin’ny sokajy ny tsirairay ao an-tokantrano ireo karazana “chaîne” ao amin’ny Startimes. Raha ho an’ny lehilahy, “chaînes” 12 natokana ho an’ny fanatanjahantena. Ho hita ao anatin’ny startimes manomboka amin’ny 4 desambra lalao baolina kitra iadiana ny tompondaka ao Italie (Copa Italia). Handray anjara amin’izany Ronaldo. Ankoatra ny “chaînes ” enina natokana ho an’ny ankizy, nanokana “chaîne” ST kids ny startimes ho famalifaliana ny ankizy mandritra ny vakansy ny noely. Tsy adino ireo vehivavy fa “chaînes” sivy be izao mandefa ny “série” (indien, sud-américain, brésilien). Azo arahina ao amin’ny startimes ihany koa ireo televiziona eto an-toerana toy ny TVM, Dream’in, VIVA,MBS, On Air, AZ TV. Amidy 20.000 Ariary ny “bouquet startimes smart” misy « chaînes » mihoatra ny 70. Mitentina 40.000 Ariary kosa ny “bouquet startimes plus” izay misy « chaînes » mihoatra ny 100. Nirina R. Horonan-tsary Cet article STARTIMES : Miandry ny mpanjifa ny « abonnement » maimaim-poana est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - Ao Raha

Atletisma :: Nohiraina indimy ny « Ry tanindrazanay malala ô »

Nanampy medaly volamena dimy indray ireo atleta malagasy, omaly, tao amin’ny kianjan’i Germain Commarmond, tany Bambous. Hatramin’ny omaly dia impolo nanakoako tao amin’ity kianja ity ny hiram-pirenena malagasy “Ry tanindrazanay malala ô!”ary isan’ireo nampiakatra ny laharan’ i Madagasikara tamin’ny filaharana voalohany vonjimaika ny fandrombahan’ireo atleta ny laharana voalohany. Saika ireo vehivavy avokoa anefa no nisongadina tamin’ity taranja ity, tao anatin’izay andro telo nanombohan’ny fifaninanana izay. Teo amin’ny sokajy 400m vehivavy dia i Ianjaly Raherinaivo Koloina no tonga voalohany, rehefa nahavita ny anjarany tao anatin’ ny fe-potoana 56’’94, nandritra ny hazakazaka famaranana. Lasan’i Mbolatiana Ramiandrisoa, izay nisongonany an’ i Marthe Ralisinirina, kosa ny medaly volamena teo amin’ny 3 000m Steeple. Vitan’i Mbolatiana tao anatin’ny fe-potoana 10’52’’04 ny fihodinana impito ny kianjan’i Bambous tamin’ ity fifaninanana ity. Mbola i Claudine Anjarasoa ihany koa, taorian’ny efa nahazoany ny laharana voalohany tamin’ny 100m, no niambozona ny medaly volamena teo amin’ny hazakazaka 200m vehivavy. I Todisoa Frank Honoré, izay mpiofana ao amin’ny ivon-toerana iraisam-pirenen’i Maorisy, kosa no nahazo ny medaly volamena teo amin’ny 400m lehilahy (47’’79). Hitohy, anio, ny fifaninanana ho an’ireo atleta malagasy ary 1 500m vehivay sy ny 400 m inefatra mifampitohy lahy sy vavy. Rahampitso kosa no hanaovana ny fifaninanana semi-marathon any Rodrigues, izay mbola hiandrandrantsika medaly volamena roa ihany koa. L’article Atletisma :: Nohiraina indimy ny « Ry tanindrazanay malala ô » est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Me Olalah : “Fero ireo ampidirina am-ponja”

  “Aoka mba hoferana ny olona ampidirina am-ponja, satria ny fomba fiainana ao mihitsy, sanatrian’ny vava, no tsy olombelona intsony fa toy ny biby.”, hoy  ny mpahay lalàna, ny Me Razafinjatovo Willy. Tsy misy intsony ny iainana ao am-ponja, na amin’ny ny toerana ipetrahana na ny sakafo ho hanina aza. Izany no hoe famonjana tena atao izay ampangirifiry an’ilay olona. Notsiahiviny ny filazan’ny filohan’ny Repoblika raha nandalo tany, novambra 2019, fa be loatra ny olona ao am-ponja. Koa tokony hoferana ihany ny olona ampidirina ka hojerena iireo fa tsy mety. Tsy tokony hampidirina am-ponja ireo heloka madinika, ary tsy ampidirina am-ponja avokoa izay mandalo fitsarana.Mitohy ihany ny fampidirana am-ponjaTaoriana kelin’izany fitsidihan’ny filoha, nisy ny fampihenana isa ny voafonja. Nefa taty aoriana, mampiditra ihany ny fitsarana. Politikam-panjakana ataon’ny minisiteran’ny Fitsarana ny  mba ho vitsivitsy ireo ampidirina am-ponja. Arakaraka ny mpitsara sy ny fahitany izany antontan-taratasy eo an-tanany no anaovany izany famonjana izany.“Marina fa mahita ny olona fa efa tsy rariny intsony ny fampidirana olona am-ponja isan’andro: na kely na lehibe, na manahoana ny vesatra ao amin’ny antontan-taratasin’ady”, hoy izy. Misy ny valanaretina Covid-19, nefa afa-mifindra avokoa ny aretina ao amin’ny fonja rehefa misy ny fifampikasohana: raboka, aretin-koditra…R.Nd.L’article Me Olalah : “Fero ireo ampidirina am-ponja” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiovan’ny toetr’andro: tompon’andraikitry ny 75%-n’ny fahapotehan’ny ala ny fambolena

Miantraika any amin’ny tontolo iainana ny fambolena, vokatry ny fitomboan’ny mponina be loatra, miteraka ny fiovan’ny toetr’andro izany. Tsy mifandanja koa ny sakafon’ny tany mandroso miohatra ny any amin’ny tany mahantra.Namoaka tatitra ny Vondron’ny manampahaizana sy mpikaroka iraisam-pirenena mikasika ny fivoaran’ny toetr’andro (GIEC). Anisan’ny nisongadina tamin’ny fanadihadiana nataony ny fahafantarana fa ampiasaina sy ajarian’ny olombelona ny 72%-n’ny velaran-tany tsy misy ranomandry, izay tsy maharitra ny ankamaroany. Avy amin’ny olombelona ny 23%-n’ny etona karbonika na gaz à effet de serre (Gez), amin’ny alalan’ny fandripahana ny ala, ny fanovana ny ala ho amin’ny fambolena sy fiompiana indostrialy ny biby. Tsindry mivantana manimba ny haibolantany ny fihariana ataon’ny olombelona, izay mahatonga mivantana ihany koa ny fiovan’ny toetr’andro, manapotika ny zavamananaina, ary indrindra ny tsy fahampian-tsakafo. Tompon’andraikitry ny 75%-n’ny fahapotehan’ny ala maneran-tany ny fambolena sy ny sakafo.Very fotsiny ny 30%-n’ny sakafoAraka ny fanadihadian’ny GIEC ihany, mahatratra 810 tapitrisa ny olona tsy ampy sakafo maneran-tany. Etsy ankilany anefa, very fotsiny na tsy misy mihinana ny 25 hatramin’ny 30%-n’ny sakafo vokatra rehetra eto ambonin’ny tany. Endriky ny tsy fifandanjan’ny sakafo sy ny fihinanana azy izany eo amin’ny tany mandroso miohatra amin’ny tany mahantra.Araka ny tatitra navoakan’ny fikambanana iraisam-pirenena WWF, hita soritra eto Madagasikara, ity fanadihadiana nataon’ny GIEC ity. Anisan’ny hanamarinana izany ny firongatry ny fandripahana ny ala eto amintsika, havadiky mponina ho amin’ny fambolena.Mahatratra 25,7 tapitrisa ny Malagasy, ankehitriny, ary tombanana ho 55 tapitrisa afaka 30 taona, amin’ny 2050. Hitombo ny vava mihinana, ka hampiasaina araka ny tokony ho izy ny tany efa ambolena ary mila arindra tsara ny fanitarana ny tany vao hojariana. Tanjona, ny hisian’ny famokarana maharitra sady manaja sy miaro ny tontolo iainana.Mifandray ny toetr’andro, ny fambolena ary ny fiarovana ny zavamananainaHo an’ny WWF, mampiseho ny fifandraisana akaiky eo amin’ny toetr’andro, ny olombelona ary ny zavaboahary ity tatitry ny GIEC ity. Midika izany fa tsy afa-miala ary tsy maintsy ampidirina ao anatin’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fampiasana ny tany ny fiarovana maharitra ny zavamananaina sisa tavela, ny fanarenana ny zavaboahary potika, nefa mifandrindra amin’ny fiarovana ara-tsakafo ho an’ny zanak’olombelona.Manana ny lanjany lehibe ny vahaolana ho an’ny toetr’andro mifototra amin’ny zavaboahary. Singanina amin’izany, ny anjara toeran’ny ala honko amin’ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, asdy manampy ny fiarovana ny tontolo mananaina ho an’ny mponina eny ifotony avy. Mamerina ny fisian’ny loharano ny famerenana ny ala, manampy ny tany ho lonaka ary miverina tsikelikely amin’ny maha izy azy tany aloha ny zavaboahary sady maharitra.Nilaza ny lehiben’ny mpanolotsaina amin’ny fiovan’ny toetr’andro, sady tompon’andraikitry ny GIEC, Stephen Cornelius, fa “mitondra hafatra mafonja ho an’ny rehetra ity fanadihadiana ity, milaza fa miantraika any amin’ny fiovan’ny toetr’andro ny fomba ampiasaintsika ny tany, ka mila hovana haingana izany”.Njaka AndriantefiarinesyL’article Fiovan’ny toetr’andro: tompon’andraikitry ny 75%-n’ny fahapotehan’ny ala ny fambolena a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Izay iombonana sy mampiombona… 

19 ny mijanona amin’ny toerany, roa miverina, iray nosoloina… Tsy inona fa ny governemanta amin’izao fotoana izao, lazaina ihany hoe vaovao satria vao avy nametra-pialana. Mitoy ny asa fa tsy misy izay fiovana sy fanovana. Any amin’ny asa no ifampitsarana. Hanao ahoana?Tsaroana eto ny fangatahana na ny fitakiana nataon’ny avy amin’ny faritany iray, vao tsy ela akory izay. Mba tokony hisy avy any amin-dry zareo, hono, ny mpikamban’ny  governemanta. Ho raharaha be raha samy hanao izay avokoa ny faritany, ny faritra, ny distrika… ? Na hoe ady fiady aza…Nahoana tokoa moa? Satria mbola misy ny mahatsiaro na mitsara tena ho zanak’Ikalahafa? Na mihevitra fa natao na mety hampandroso manokana ny faritra niaviany avy ny tomponandraiki-panjakana ka mba mila izay avy amin’ny faritra niavian’ny tena ny tsirairay.  Azo iadian-kevitra koa izay?Tsy tena mbola mahafa-bela tanteraka tsinona ny hoe fifandanjana isam-paritra, na mety manome tombondahiny manokana ny faritra niaviany tokoa ny tomponandraiki-panjakana ambony? Na olom-boafidy io, na olom-boatendry. Rahoviana vao tena hiainana fa iray ny Malagasy sy i Madagasikara?Mbola eo hatrany ny tarazo ratsy navelan’ny mpanjanatany amin’ny hoe zarazarao hanjakana?Na iza na iza, na aiza na aiza, na rahoviana na rahoviana… tsy efa tokony hotsaroana amin’izay ve ny hampandrosoana an’i Madagasikara sy ny vahoaka rehetra ao aminy rehefa tomponandraika-panjakana?Mbola ny faritra niaviana no anisan’ny tsy mampiombona? Tsy lavina, misy tokoa ny hoe tratra aoriana amin’ny fandrosoan sy ny fampandrosoana. Toy izany koa ny tsy fitsinjarana mitovy na araka ny tokony ho izy ny harena, ny tsy fisitrahan’ny mponina ifotony ny harena avy amin’ny faritra niaviany…Inona ny vahaolana amin’izany amin’ny fampandrosoana isam-paritra? Fa tsy fahazoan-toerana isam-paritra hampisy hatrany elanelana amin’izay mahazo tombondahiny amin’izany.Mba vahaolana iombonana sy mampiombona amin’ny firenena iaraha-manana amin’izay no tadiavina sy atao amin’izao?Rafaly Nd.L’article Izay iombonana sy mampiombona…  a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Antenimierampirenena: misy fisokafana ny fifidianana filoham-baomiera

Notanterahina,  omaly  hariva ny fifidianana ireo filoham-baomiera eny anivon’ny Antenimieram-pirenena. Nialohavan’ny adivarotra samihafa eo amin’ny seza ifampizarana izany.“Miisa 32 ny vaomiera maharitra. Manan-jo hirotsa-kofidina amin’izany avokoa ny solombavambahoaka rehetra. Hampilamina sy hampandroso ny anay no raharaha. Tsy maintsy mandeha hatrany eo amin’ny lalan’ny fandaminana sy fifanarahana izahay.”Io ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, teny Tsimbazaza, omaly, momba ny fifidianana ireo filohan’ny voamiera miisa 32 eo anivon’ny Antenimierampirenena .Mifanatona sy mifanaraka ao amin’ny birao maharitra. Mba hampisy fisokafana izay. Tsy misy afa-kiteny hoe tsy misy ny fisokafana. Manana ny maro anisa ny vondrona IRD, sokafana amin’ireo tsy miankina fa manana mpikambana ao amin’ny birao maharitra izy: ny filoha lefitra.Mila mifanaraka amin’ny zava-misy ny ataoNa izany aza, mbola mampanontany tena ny sasany ny hoe: hijanona amin’izay 32 izay ihany ve ny isan’ny vaomiera eo anivon’ny Antenimierampirenena? Tsy 32 intsony fa 22 ny isan’ny minisitera amin’izao fotoana izao aloha, ary nampifanarahana amin’izay isan’ny minisitera izay ny isan’ny vaomiera. Mila mifanaraka amin’ny zava-misy ny atao? Miankina amin’ny fomba fiasa sy ny vokatra amin’izany ihany io…R.Nd. Lasan’ny  IRD avokoa ny ankamaroan’ireo vaomiera. Na  izany  aza,  nahitana kandidàn’ny tsy miankina sy ny Tim  ihany ny sasany. Anisan’ny kandidà  nirotsaka  ho  filohan’ny vaomiera hisahana  ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny Andrimpanjakana ny depiote IRD, Rakotondrasoa Fetra.  Ho amin’ny tetibola  sy ny vola, ny depiote Andriamiasasoa Doda  raha hisahana ny filaminam-bahoaka  ny depiote Nakany  Charly.  Ny Tim nanolotra  ny  depiote Bina hisahana ny fotodrafitrasa sy ny fampitaovana raha ho an’ny fampandrosoana eny  ambanivohitra kosa ny tsy miankina,  Randrianasolo Nicolas.L’article Antenimierampirenena: misy fisokafana ny fifidianana filoham-baomiera a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Orinasa Base Toliara: miandrandra fampandrosoana ny mponina

Miharesy lahatra hatrany ny mponina any Toliara sy ny any amin’ny toeram-pitrandrahana fasimainty any Ranobe sy ny manodidina, ny voka-tsoa entin’ny fisian’ny orinasa Base Toliara. Hitondra fampandrosoana ho an’ny mponina sy ny faritra, ary mba tsy hisy intsony ny filazana fa « fasan’ny tetikasa ny any Toliara ».Natao, ny alarobia 31 jolay teo, ny fombafomba, “titike”*, midika ho fampihavanana, sy fandravonana ny disadisa eo amin’ny mpomba sy ny manohitra ny fisian’ny tetikasa Base Toliara, hitrandraka fasimainty, any Ranobe Toliara, faritra Atsimo Andrefana. Fotoana ihany koa nangatahana tsodrano, hananganana ny fotodrafitrasa hiantsonan’ny sambo any Andaboly, morontsiraka, hitaterana ny fasimainty avy any an-tanety mankeny afovoan-dranomasina, mialoha ny hitondran’ny sambo ny akora mankany ivelany.Nanatrika ny fotoana ny manam-pahefana sy ny tompon’andraiki-panjakana samihafa, notarihin’ny prefen’ny faritra Atsimo Andrefana, ny mpitandro filaminana, niaraka amin’ny mpitantana ny orinasa Base Toliara. Teo koa ny ankolafin’ny mponina, ny fikambanana samihafa, toy ny fikambanan’ny zana-driaka ivondronan’ireo mpanjono (Fivetelo, Vezo Tealongo Besakoa, ny fikambanana Nosivato Miray Anketraka (ANMA), ny fikambanan’ny zatovo tsy an’asa any Toliara (ZTAT), sns.Maro ny zanak’i Toliara manana diplaomaAnisan’ny solotenan’ny olobe any an-toerana nandray fitenenana i Soafilira Cinah, nilaza fa  nanohitra ity tetikasa fitrandrahana fasimainty ity izy ireo tany am-boalohany satria tsy mazava ny fototry ny tetikasa. Saingy, resy lahatra ankehitriny, ary miandrandra haingana ny hanatanterahana azy mba hitondra fampandrosoana ny faritra Atsimo Andrefana sady hanome asa ny tanora ary tsy ho fasan’ny tetikasa intsony i Toliara. Maro rahateo ny zanak’i Toliara manana diplaoma maniry hiasa.Voakasik’ity tetikasa Base Toliara ity ny kaominina efatra ahitana fokontany 18. Nilaza ny filohan’ny filankevitra monisipaly ny kaominina Tsihanisia fa tsy misy intsony ny tsy fifankahazoana eo amin’ny mponina, koa vonona hiasa ny vahoaka sy ny tanora. Notsoriny fa efa maro ny fotodrafitrasa naorin’ny Base Toliara, toy ny famatsiana rano madio fisotro, ny fanamboaran-dalana amin’ny alalan’ny asa tana-maro, ny fananganana tohodrano sy lakandrano, ny famatsiana fitaovam-pamokarana, sns.Tsy mankarary ny fasimaintyNitsotra ny manamboninahitra zandarimaria, sady filohan’ny fikambanan’ny Vezo, fa nanohitra tokoa izy tany am-boalohany, saingy nihemotra izy taty aoriana. « Tsy ho izaho mihitsy no hanakana ny fampandrosoana aty an-toerana”, hoy izy.Tafaresaka tamin’ny filohan’ny faritra Anosy (misy ny tetikasa QMM) ihany koa ity manamboninahita ity, fony izy filohan’ny faritra Atsimo Andrefana, ary nilaza taminy fa tsy mankarary ny fasimainty. Nanamafy izany ny tale jeneralin’ny Base Toliara, Ramahefarivo Jean Bruno, fa “araka ny tatitry ny INSTN (Ivontoeram-pirenena mikasika ny teknolojia nokleary), ny taona 2013 sy 2018, tsy atahorana ho an’ny olombelona ny fasimainty.“Esory ny sakana”, hoy ny préfetNilaza ny préfet-n’ny faritra Atsimo Andrefana, i Vladmir Edmond, fa “aoka isika tsy hamita-tena ka raha sendra marary dia ailika any amin’ny Base Toliara ny nahatonga ny aretina. Manana bokin’andraikitra ity orinasa ity ary manara-maso ny fanjakana”. Etsy ankilany, nambarany fa nahaheno tatitra izy fa misy manao sakana any akaikin’ny toerana hananganana ilay fotodrafitrasa amoron-dranomasina. Hentitra ny nanomezany baiko, “esory haingana teo izany sakana izany, anaro ny zanatsika, aoka tsy ho tia ady na korontana satria samy Malagasy isika”.Njaka Andriantefiarinesy Fandaharam-potoan’ny Base Toliara2001 : Fahazoan-dalana hikaroka2012 : Fahazoan-dalana hitrandraka2015: Fahazoan-dalana ara-tontolo iainana2017: Nohavaozina ny fahazoan-dalana hitrandraka2019: Fanadihadiana ny fanorenana ny fiantsonan’ny sambo2020: Fanamboarana ny fotodrafitrasa2021: Fitrandrahana ny fasimaintyFaharetan’ny fitrandrahana: 40 taona amin’ny velaran-tany 7 000 ha. Tsy ao anatiny ny faritra arovana misy ny alan’ny Mikea. Hoy izy ireo…I Régis : Nanohitra izahay tany aloha satria nahaheno fa mankarary ny fasimainty. Nazava aminay anefa fa diso tanteraka izahay ary mahatsapa ankehitriny fa ilaina ny fampandrosoana entin’ny Base Toliara. Andrasanay ao anatin’ny fikambanan’ny zana-driaka (mpanjono) ny hamatsiana fitaovana toy ny lakana, ny fianarana ho an’ny ankizy, ny asa ho an’ny tanora tsotra sy ny manana diplaoma, ny fitaovam-pamokarana ho an’ny vehivavy, toy ny mpanao asa tanana avy amin’ny akorandriaka, sns.I Edmond: Fantatray ny fahasoavana entin’ny Base Toliara, ankehitriny. Anisan’ny nifampiraharahanay fokonolona aminy ny fananganana fotodrafitrasa ilain’ny vahoaka, toy ny famatsian-drano sy ny herinaratra, ny toeram-pitsaboana sy fianarana. Eo koa ny fangatahanay fitaovana hitahirizana hazandrano eto Ambohitrabo, ny fiofanana ho an’ny mponina, sns. L’article Orinasa Base Toliara: miandrandra fampandrosoana ny mponina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Covid19-Fiarovana ny mpiasa; 36,85 tapitrisa euro avy amin’ny BAD

 L’article Covid19-Fiarovana ny mpiasa; 36,85 tapitrisa euro avy amin’ny BAD a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Governemantan’ny Praiminisitra Ntsay Christian: iray ny minisitra vaovao, roa naverina amin’ny toerany

Tsy  nanova ekipa firy ny filoha  Rajoelina  sy ny  Praiminisitra Ntsay Christian. Iray  ihany  ny minisitra vaovao, notendrena amin’ny  alalan’i Blache Nirina Richard. Hisahana ny fampianarana ambony  sy ny fikarohana  momba ny siansa ary ny fanavaozana ny tenany. Nisolo ny toeran’i  Rejo-Fienena Felicité tamin’ny fitantanana  io minisitera io. Tsy nahavita ny iraka nampanaovina azy sa mety misy antony manokana ny nanesorana azy ?Anisan’ny nahafantarana ity minisitra vaovao ity ny nitantanany ny fikarakarana ny  fihaonambem-pirenena, ny taona 2009. Natao hivoahana amin’ny krizy  teto amin’ny firenena  izany.Volahaingo Marie Therèse sy Naharimamy IrmahNaverina amin’ny toerany kosa  ireo minisitra mirahavavy teo aloha,  voafidy ho  depiote ary  efa nivory teny amin’ny  lapan’i Tsimbazaza. Anisan’izany i Volahaingo Marie Thèrese minisitry ny Fanabeazam-pirenena  sy ny fampianarana teknika sy ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary  ny vehivavy, Naharimamy Lucien Irmah. Miakatra avy  hatrany ny lisitra manaraka azy ireo avy any Bealanana sy Toamasina  I,  nahavoafidy azy  ireo. Ankoatra ireo, mbola voatana amin’ny toerany avokoa ireo mpikamban’ny governemanta notendrena, ny  volana janoary teo. “Napetraka niaraka  amin’ireo minisitra isan-tokony ny drafitra tsy maintsy narahin’izy  ireo ao anatin’n y herintaona mba hampifanaraka ny veliranon’ny filoha sy ny IEM  ary ny politika ankapoben’ny  fitondrana… Napetraka  ny fanamby sy ny tanjona mifandraika amin’izany niaraka amin’ireo minisitra.  Vita ny enim-bolana.  Mbola  hisy enim-bolana faharoa hijerena ny  fahavitan’izy ireo  ny andraikitra na tsia, araka ny efa nifanarahana”, hoy ny sekretera jeneraly lefitry ny fiadidiana  ny Repoblika, Andriamaholy Dina, namaky ny didim-panjakana teny Ambohitsorohitra,  omaly.Very anjavony ny anarana depiote natolotra… Midika io fa tsy mbola tafiditra  tamin’izao governemanta  izao ireo anarana fito hafa natolotry ny depioten’ny IRD raha nihaona tamin’ny Praiminisitra Ntsay  Christian teny Mahazoarivo izy ireo, afakomaly.  Tahaka izany koa  ny antsoantson’ireo avy any amin’ny  faritra, toy ny any Antsiranana  sy ny fikambanan’ny Zanaka Androy, nitaky ny tokony hametrahana  olona avy any amin’izy ireo izao governemanta izao.Synèse R.  L’article Governemantan’ny Praiminisitra Ntsay Christian: iray ny minisitra vaovao, roa naverina amin’ny toerany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

KMF/Cnoe : “Hamafisina ny fepetra…”

“Tsara kokoa raha avela halalaka ny fiharian’ny fiarahamonina. Nefa tsaratsara kokoa no ho izay, raha mihamafy ny fepetra any amin’ny fitandremana”, hoy ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fa­nabeazana olom-pirenena, Andriamalazaray Andoniaina. Atao izany raha ilaina ny manasazy ireo tsy manaraka fepetra, ary atao hentitra sy mafy mba hohajain’ny olona ny fepetra. Tsy midika izany hoe hohidina indray ny fepetra hapetraka. Misokatra ny lalana hahazoan’ny olona mivezivezy sy miasa. Ametrahana ny fepetra ny tsirairay..Ilaina ny fahaiza-miaina Mifantoka amin’ny hoe mila mahay miara-miaina ny olona amin’izao ady amin’ny fihanaky ny Covid-19 izao. Mila mahay mifampitsinjo koa amin’izany fiaraha-miaina izany, ary mila manamafy ny fifanajana eo anivon’ny fiarahamonina. Tsy mila hanafarana olona manana mari-pahaizana ambony be izany fanabeazana izany. “Isika samy isika na ao an-tokantrano na eny anivon’ny fokontany, afa-mifanabe, mifanampy, mifampahatsiahy raha misy olona manadino izay tokony hatao”, hoy izy. Heverina fa afa-mandeha haingana kokoa isika amin’ny fampandrosoana.R. Nd.L’article KMF/Cnoe : “Hamafisina ny fepetra…” a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 27-09-2020
Source : CCO COVID19 - 27/09/2020

Notsongaina

Covid-19: mandray marary ny hopitaly rehetra
22/09/2020

Taorian’ny fikatonan’ny CTC etsy Mahamasina sy ny foibem-pitiliana etsy Andohatapenaka, nilaza, mitohy ny fitsaboana ireo mararin’ny  covid-19 eny amin’ireo hopitaly lehibe rehetra.Nambaran’ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Rakotovao Hanitrala fa manatona avy hatrany ny hopitaly lehibe ireo marary miaina ny tranga fahasarotana, satria efa nahazo toromarika amin’ny fandraisana marary covid-19 izy ireny.Nanome toky ny minisitera  fa tsy misy atahorana ny fandraisana eny anivon’ny hopitaly satria efa midina be ny trangan’aretina, ankehitriny.Ho an’ireo misy tranga mampiahiahy, manatona avy hatrany ny tobim-pahasalamana ary manao ny fitiliana raha ilaina izany. Tsaboina eny anivon’ny tobim-pahasalamana tsotra kosa raha tsy mbola misy fahasarotana.Na ny eny amin’ny CSB aza, efa vitsivitsy ny olona tonga manao fizaham-pahasalamana satria efa tsy manafika be intsony ny aretina tao anatin’ny iray volana mahery izao.Na midina aza ny tahan’ny voan’ny coronavirus, mitohy hatrany ny fanajana fepetra rehetra ho fiarovan-tena sy fiarovana ny manodidina . Tatiana AL’article Covid-19: mandray marary ny hopitaly rehetra a été récupéré chez Newsmada.

Tambajotran-tserasera: niakatra ny vola kirakiraina
23/09/2020

Nampihodina vola 1 246,367 Ariary, niakatra ho 22,46 % ny vola kirakirain’ny tambajotran-tserasera rehetra eto Madagasikara, ny taona 2019, raha oharina ny taona 2018, araka ny tarehimarika navoakan’ny Artec (Autorité de régulation des technologies de communication). Ny sersera amin’ny antso sy ny sms no mitana ny loharaharana amin’izany, manome 528,378 Ariary, na nitombo ho 4,94% raha ampitahana ny tamin’ny 2018.Ny sampana Data kosa, nitombo 23,74% ny tamin’ny 2019, araka ny fanazavan’ny Artec. Noho ny fitombon’ny fampiasana “fibre optique” tamin’ny 2019 ny nahatonga izany. Nampiditra 270 miliara Ariary ny Data tamin’io fotoana io.Miroborobo, araka izany, ny tambanjotra ny fifandraisan-davitra. Ny foibe fiantsoana Towerco, ohatra, nampiditra 214 miliara Ariary, niakatra ho 228 % nandritra iny taon-dasa iny. Azo lazaina fa sehatra tsy nianjadian’ny Covid-19 ny fifandraisana. R.MathieuL’article Tambajotran-tserasera: niakatra ny vola kirakiraina a été récupéré chez Newsmada.

Clean Up Day Kopakelatra Mandray anjara indray amin’ny « World Clean Up Day » ny tetikasa Kopakelatra.
20/09/2020

Novaina ny fanamarihana tamin’ity taona ity, nafantoka manokana tamin’ny fanentanana ny mponin’Antananarivo amin’ny fanangonana ny tavoahangy plastika eny amin’ireo toeram-panangonana. Efa heritaona no nisian’ny toeram-panangonana tavoahangy plastika Kopakelatra manerana an’Antananarivo. Manantona ny vahoaka kokoa ireo baka fanangonana amin’ny alalan’ny « Caravane Clean Up Day Kopakelatra» ny andron’ny sabotsy 19 septambra amin’ny lalan’Ambohimanarina, 67 ha ary Ampefiloha. Ny tanjon’ny hetsika dia ny fanentanana ny olon-drehetra hanatitra ireo tavoahangy plastika efa niasa manodidina azy. Mahazo « bon d’achat » mitentina 100 000 ariary ireo izay mitondra tavoahangy betsaka indrindra amin’ireo toerana telo hijanonan’ny « Caravane ». Tratra ny tanjona tao aorian’ny hetsika satria dia 50 mahery ny isan’ireo nandray anjara ary 412 kilao kosa ireo tavoahangy plastika voaangona tamin’ireo toerana telo nandalovana. KOPAKELATRA. ‘Ndao hifandray tanana, hitandro ny fahadiovana. Miora Razafy Cet article Clean Up Day Kopakelatra Mandray anjara indray amin’ny « World Clean Up Day » ny tetikasa Kopakelatra. est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article Clean Up Day Kopakelatra Mandray anjara indray amin’ny « World Clean Up Day » ny tetikasa Kopakelatra. a été récupéré chez Délire Madagascar.

Fanadiovana ny Tanàna: miomana amin’ny fahavaratra ny CUA
25/09/2020

Efa nihomana mialoha ny fotoam-pahavaratra sy nandray an-tanana ny fanomanana ny fotoam-pahavaratra ny kaomina Antananarivo Renivohitra mba hanalefahana ny fiakaran’ny rano sy hahavitsy kokoa ireo traboina. Efa nivory niaraka ny CUA sy ny eo anivon’ny Sadc nijery ny ho toetry ny andro. Nivaly ny fitiliana ny toetrandro iraisam-pirenena sy ny aty Afrika ary i Madagasikara. Fantatra tamin’izany fa ho mafy kokoa ary ho betsaka ny rotsak’orana raha mitaha tamin’ny taon-dasa ka ilana fiomanana.Efa misy ny « Comité communale de gestion » natsangana ka filoha mitarika izany ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina. Miara miasa amin’ny Samva sy ny Apipa ary  ary ireo mpiara-miasa rehetra miandraikitra amin’ny fikirakirana ny tandindomin-doza sy ny loza izy amin’izany. Tafiditra ao koa ny eny anivon’ny fokontany, ahitana  ny « Equipe locale de secours » na ny komity loharano.  « Tokony ho samy mandray an-tanana amin’ny fiakaran’ny rano , amin’ny fandraisana andraikitra manandrify azy koa ny vahoaka. Tsy hanary fako amin’ny lakandrano sy hanorina trano ambonin’ny lakandrano ary hitandro ny fahadiovana rehetra », hoy ny eo anivon’ny CUA.Faritra iva sy ny tondra-dranoEfa nisy ny koa ny fanadihadiana natao teto Antananarivo momba ny fijerena ireo toerana « point noir » mahatonga ny fahatsentsenana. Tsy mahavita ny ady amin’izany raha ny tetibolan’ny CUA fa mila tosika amin’ny fanjakana foibe, indrindra  avy amin’ny eo anivon’ny BNGRC . Mangataka mba homena tombony ny eto Antananarivo, anisan’ny ahitana olana maro eo amin’ireo faritra iva misy ny fiakaran’ny rano.Etsy an-daniny, mitohy hatrany ny asa ataon’ny CUA amin’ny fanadiovana sy ny fametrahana ny lalàna ary ny fanarahana ny Fehezam-pitsipika monisipaly ho fikoloam-pahasalamana « CMH », miaraka amin’ny fampahalalana izany.Synèse R.L’article Fanadiovana ny Tanàna: miomana amin’ny fahavaratra ny CUA a été récupéré chez Newsmada.

Filoha lefitry ny Ceni, i Benaivo Andrianaly Narcisse: “Tsy misy ny sakana amin’ny fifidianana loholona…”
22/09/2020

Matoky tena tanteraka noho ny traikefa ? Notanterahina, omaly, ny fianianan’ny filoha lefitry ny Ceni vaovao, i Benaivo Andrianaly Narcisse, tetsy amin’ny fitsarana an-tampony Anosy. “Tsy misy ny sakana amin’ny fifidianana loholona na tsy ampy sy tsy feno aza ireo mpifidy vaventy”, hoy izy. Nidera tena rahateo ity filoha lefitry ny Ceni ity fa efa nisahana andraikitra maro momba ny fikarakarana sy fanomanana fifidianana, hatramin’ny lisi-pifidianana koa aza. Anisan’izany ny teo anivon’ny minisiteran’ny Atitany, tamin’ny fotoan’androny. “Mora kokoa ny mikarakara fifidianana loholona satria mpifidy vaventy izy ireo raha mitaha amin’ny fifidianana depiote”, hoy ihany izy. Nivoitra tamin’ny fianianana nataony ny hanatanterahany ny andraikitra hosahaniny eo anivon’ny Ceni… “Ao anaty fahaleovantena tanteraka sy fanajana ny lalàna ary ny lalàmpanorenana… Mianiana koa fa tsy hamboraka ny tsiambaratelo…”, hoy izy nanoloana ireo mpitsara.Tsiahivina fa nisolo ny toeran-dRakotonarivo Thierry eo anivon’ny Ceni, nametra-pialana noho ny resaka “doublons” tamin’ny lisi-pifidianana, ny volana marsa teo ny tenany.Synèse R.L’article Filoha lefitry ny Ceni, i Benaivo Andrianaly Narcisse: “Tsy misy ny sakana amin’ny fifidianana loholona…” a été récupéré chez Newsmada.

Famorehana… ifotony           
25/09/2020

Adihevitra politika tato ho ato ny amin’ny tokony hanafoanana ny andrimpanjakana itsy na iroa. Anisan’izany, ohatra, ny Antenimierandoholona: mandany volam-bahoaka, raha ny fijerin’ny sasany; tsy hita izay tena ilàna azy. Talohaloha tany, efa nandeha izay resaka izay: tsy tanteraka. Fampihenana ny isan’izy ireo no hirosoana amin’izao fifidianana loholona hatao amin’ny 11 desambra ho avy izao.Eo koa ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni). Ho an’ny sasany, ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Atitany ihany no mpikarakara fifidianana. Toy  ny any amin’ireo firenen-dehibe, nampirisika ny fananganana izany rafitra manokana izany. Nahoana? Azo tsabahina, omena vola, bakoina, arahi-maso… Politika? Tsy fahatokisana fanjakana amin’ny fifidianana no antony.Fitakiana efa mpiseho lany hatramin’ny ela koa ny tokony hanafoanana ny Fitsarana avo (HCJ) mitsara mpitondra ambony. Misy olona avahina eo anatrehan’ny lalàna iombonana: fitsarana manokana no mitsara azy… amin’ny fanasarotana ny fanenjehana. Any amin’ny firenen-dehibe, ho an’ny fatra-mpaka tahaka: fitsarana tsotra toy ny an’ny besinimaro na ny vahoaka no mitsara ny mpitondra na iza na iza.Misy miresaka koa izao ny amin’ny tokony hanafoanana ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM): tsy hita sy tsy mazava izay tena ataony sy vitany amin’ny fampihavanana, raha ny fijerin’ny sasany; fanomezan-toerana sy fandaniam-bola fotsiny, hono. Inona koa? Maro ireo karazan-drafitra mitovitovy ihany ary tsy hita be ihany izay tena ataony sy vitany, araka ny fijerin’ny sasany ihany.Maro no mety ho anton’izany rehetra izany. Tsy mahavita ny asany, ohatra, ny rafitra efa misy, hany ka amoronana hafa? Na noho ny tsy fifampitokisana eo amin’ny sehatra samihafa: fitsarana, fifidianana, fiahiana sosialy, fitandroana zon’olombelona… Tsy mila dinihina amin’izay ny hoe fanorenana ifotony? Tsy handehanana amin’ny famorehana ifotony amin’ny fandravana efa isaky ny mihetsika.Rafaly Nd.L’article Famorehana… ifotony            a été récupéré chez Newsmada.

Kaominin’ i Toamasina: nitaky karama ireo mpiasa antselika
24/09/2020

Raikitra ny fitsofana kiririoka nataon’ireo mpiasa antselika sasany ao amin’ny kaominina Toamasina, omaly. Nitaky karama sivy volana tsy voaray izy ireo. Notanisain’ireto mpiasa ireto fa mandrahona handroaka azy ireo mpanofa trano. Eo koa ny fampidirana ny mpianatra sy ny olana samihafa. Nambaran’ny ben’ny Tanànan’i Toamasina kosa fa tsy miankina amin’ny mpitantana ankehitriny ny antony mahatonga ny fahataran’ny karaman’ny mpiasa antselika. “Miisa 2 346 ireo mpiasa tamin’ny fidirany teo nanomboka ny janoary 2020 ary andoavana karama hatramin’ny 500 tapitrisa Ar ka mavesatra amin’ny kaominina izany”, hoy izy. Nanteriny fa hany fidiram-bolan’ny kaominina mba matanjaka ny tamberim-bidy amin’ny seranantsambo. Kely kosa izany amin’ny eny anivon’ny tsena sy ny hetra sasany. Maro loatra ny mpiasa nefa koa eo ireo mpiasa matoatoa, araka ny nambarany hatrany. Nanteriny fa mbola mandoa ny karama tsy voaloan’ny teo aloha ny mpitantana ankehitriny.Sajo sy Synèse R.L’article Kaominin’ i Toamasina: nitaky karama ireo mpiasa antselika a été récupéré chez Newsmada.

Tenisy – “Roland Garros”: hidona amin’ilay Sinoa, i Wang, i Tessah
24/09/2020

Mitohy anio ny fifaninanana, hiadiana ny “Roland Garros”, taranja tenisy, ho an’Andrianjafitrimo Tessah. Hiditra eo amin’ny fihodinana faharoa izy ka hidona amin’ily teratany sinoa, i Xinyu Wang, amin’izany. Ambony ny filaharan’ity mpifanandrina aminy ity satria faha-145 maneran-tany. Vao 18 taona monja ity Sinoa ity ary indroa nandray anjara tamin’ny “Crand chelem” dia ny “Australian open”, ny taona 2018, sy ny “Wimbledon”, ny taona 2019. Resy teo amin’ny fihodinana voalohany avokoa izy tamin’izany, ary sambany tamin’ity vao tafita amin’ny fihodinana faharoa.Ho mafimafy, araka izany, ny miandry an’i Tessah satria mpilalao efa manana traikefa ny hikatroka aminy. Heverina kosa fa tsy maintsy hanohitra hatramin’ny farany ny tovovavy amin’izany. Tsiahivina fa ilay Espaniola, i Nuria Parrizas Dias, no resin’i Tessah teo amin’ny fihodinana voalohany raha nahalavo ilay Amerikanina, i Robin Anderson, kosa ny an’i Xinyu Wang.Ankoatra izay, nifarana teo amin’ny fihodinana voalohany ny dian’i Irina Ramialison. Niondrika teo anatrehan’ilay Aostralianina, i Astra Sharma, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/4; 6/4), izy. Hikatroka amin’ilay Japonezy, i Yuki Naito, izay nandresy ilay Frantsay, i Amandine Hesse, i Sharma, eo amin’ny dingana manaraka. Tsiahivina fa fifanintsanana hidirana ao anaty tabilao lehibe izy ity, izay hifarana rahampitso zoma. Ny alatsinainy 28 septambra kosa vao tena hanomboka ny lalao. TorcelinL’article Tenisy – “Roland Garros”: hidona amin’ilay Sinoa, i Wang, i Tessah a été récupéré chez Newsmada.

Toby Makis Andohatapenaka: fitantanana amin’ny informatika ny mpandeha
25/09/2020

Natao sonia, omaly, teny amin’ny toby fiantsonana Makis Andohatapenaka, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny mpiara-miombon’antoka maromaro. Nanatanteraka izany ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny fizahantany, ny sampandraharaha iraisam-pirenena Pnud sy ny Ocha ary ny Vovonana mikasika ny maha olona iarahan’ny sehatra tsy miankina (PHSP). Nanolotra fitaovana informatika ny PHSP, ahitana ordinatera maromaro miampy ny kojakoja miaraka aminy, entina hitantanana sy hanarahana ny mikasika ny mpandeha, indrindra amin’izao tranga Covid-19 izao.Mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika ny Pnud-Ocha, ho endriky ny fanohanany ny sehatra tsy miankina. Nilaza ny solontenan’ny PHSP fa santatra hatao filamatra ny eny amin’ny toby Andohatapenaka, tanjona ny hanatanterahana toy izao manerana ny toby fiantsonan’ny fitaterana zotram-paritra sy nasionaly manerana ny Nosy. Ho an’ny minisiteran’ny Fitaterana, fivoarana lehibe mankany amin’ny fandrosoana ny fampiasana ny teknolojia vaovao amin’ny fitantanana ara-informatika ny mombamomba ny mpandeha.Njaka A.L’article Toby Makis Andohatapenaka: fitantanana amin’ny informatika ny mpandeha a été récupéré chez Newsmada.

Minisitry ny Atitany sy ny governoran’Analamanga: “Faly manakiana amin’ny tsy misy dikany ny sasany…”
26/09/2020

Hentitra ny minisitry ny Atitany Razafimahefa Tianarivelo sy ny governoran’Analamnga, Rasoamaromaka Hery. “Aoka isika tsy ho faly hanakiana amin’ny tsy misy dikany… Mbola mandrebireby ny saim-bahoaka ny sasany ny amin’ny  tsy tokony hanaovana fifidianana loholona. Isika tsy mpanao bontolo izany.  Ny antsika politikam-pampandrosoana ihany”, hoy izy ireo. Namory ireo  olom-boafidy sy olom-boatendry tao Ankazobe izy ireo, afakomaly.  Nohitsin’ny governora fa tsy hanao toy ny fitondrana teo aloha ka handany vola amin’ny fampielezan-kevitra ny fitondrana amin’izao fotoana izao. “Ry zareo manao propagandy vao miasa. Maro ny zava-bita eo Ankazobe”, hoy izy.Nanterin’izy ireo fa tsy hisy ho faralahy intsony ny distrika rehetra manerana ny Nosy. Hisitraka izany ny ao an-toerana amin’ny kianja sy ny tsena manara-penitra, miteraka famoronana asa izany, araka ny nambaran’izy ireo.Synèse R.L’article Minisitry ny Atitany sy ny governoran’Analamanga: “Faly manakiana amin’ny tsy misy dikany ny sasany…” a été récupéré chez Newsmada.

Minisitra Bavy Michelle Angelica: « Midina ifotony hahitana ny filan’ny vahoaka »
23/09/2020

Nidina ifotony tamin’ny faritra telo: i Vakinankaratra sy Amoron’i Mania ary i Matsiatra Ambony ny minisitry ny Mponina, i Bavy Michelle Angelica, ny herinandro teo. Narahina asa sy nitondrana fanampiana izany. “Fidinana ifotony, ahitana mivantana ny zava-misy sy ny tena ilain’ny mponina izao atao izao. Eo koa ny fitia mifamaly, mahatsara fihavanagna“, hoy hatrany izy tamin’izany. Anisan’ny notsidihiny ny fijerena ny Centre Tsarahonenana ao Ambositra, misy ireo manana fahasembanana saina, tantanan’ny mompera Max. Miisa 17 ireo tsy misy mpiahy raisin’ity ivontoerana ity. Nitondra fanampiana ho an’ireo jamba, manao asa tanana ho an’ny foibe koa ny minisitra. Notokanany koa ny ivontoerana ho an’ny fikambanam-behivavy ao Ambatofinandrahana. Ny fanokafana ny tetikasa “Asa avotra mirindra” ho an’ny distrikan’i Manandriana, ahitana fianakaviana miisa 6 000 misitraka izany amin’ireo kaominina miisa 10.Fikambanam-behivavy nahazo tohanaFanombohan’ny tetikasa ny fanamboarana lakandrano mirefy 1 800 m. Nanolotra bodofotsy sy lay misy ody moka ho an’ireo zokiolona ao an-toerana koa ny minisitra. Ho an’ny ao Isandra kosa, nisy ny asa “Avotra mirindra Voamamy” amin’ny fanajariana ny tany voavoly hazo, mangahazo, kafe, tanterahin’ny mponina. Nizarana Vatsy tsinjo ireo marefo ary nomena milina fanjairana ny fikambanam-behivavy any an-toerana. Notolorana lelavola 4 hetsy Ar ny fikambanam-behivavy ao Ambohimahasoa, ankoatra ny fianakaviana 6 000 mahery, samy tohana avy amin’ny Fid avokoa izany.Etsy andaniny, hisy ny Tosika famokarana ka hivatsiana 30 000 ka hatramin’ny 50 000 Ar ireo raiamandreny ampirisihana azy ireo hampiditra an-tsekoly ny zanany.Tany Vakinankaratra kosa, nitsidika ny fikambanam-behivavy “Mamafitia” ao anatin’ny kaominina miisa 18 ao Betafo ny minisitra. Notolorana fitaovana izy ireo, ankoatra ireo sembana miisa 50 ao Mandoto ary nisitraka fanampiana avy aminy.Synèse R.L’article Minisitra Bavy Michelle Angelica: « Midina ifotony hahitana ny filan’ny vahoaka » a été récupéré chez Newsmada.

Mitohy ny fahamehana ara-pahasalamana: tsy miova firy ireo fepetra ankapobeny rehetra
21/09/2020

Tsy miova firy ireo fepetra ankapobeny amin’izao hamehana ara-pahasalamana faha-14, ho amin’ny 15 andro manaraka izao raha mitaha amin’ny teo aloha. Nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly fa efa an-dalana amin’ny fifehezana ny valanaretina isika ka nirosoana ny fanakatonana ny CMC-19 etsy Mahamasina. Najanona ny asan’ny BIS noho ny fihenan’ny fifindran’ny coronavirus. Na izany aza anefa, tsy maintsy hajaina hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana. Anisan’izany ny tsy maintsy hanaovana arotava. ”Mahavoasazy ny tsy fanaovana izany raha mivoaka ny trano”, hoy izy. Manomboka amin’ny 12 ora alina ka hatramin’ny 4 ora maraina ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina ho an’ny faritra Analamanga sy ny any Diana.Hisokatra ny zotra Antananarivo – AntsirananaEo amin’ny fitaterana, hisokatra ny asabotsy 26 septambra izao ny zotra Antananarivo – Antsiranana sy Antananarivo – Sambava. Tsy maintsy arahina hatrany anefa ireo fepetra, toy ny fampiasana ny “Manifold” sy ny ara-pahasalamana ary tsy fanondrotana ny saran-dalanaHisokatra ny 1 oktobra izao kosa ny sidina Nosy Be mihazo ny any ivelany. Tahaka izany koa ny hanokafana ny seranam-piaramanidina hifandraisana amin’ny aty amin’ny ranomasimbe Indianina amin’ny 29 oktobra izao. Anisan’izany ny any Antsiranana, Toamasina, Taolagnaro, Toliara.Eo amin’ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy kosa, misokatra koa izany saingy mbola voarara ny fampidirana na fitondrana olona avy any ivelany.Momba ny kolontsaina sy ny fialam-boly kosa, tsy mihoatra ny 200 ireo olona ao anatin’ny toerana. Mikatona amin’ny 11 ora alina. Harahi-maso izy ireny ka hakatona raha tsy voahaja ny fepetra rehetra.Efaka misokatra koa ny fiangonana manerana ny Nosy, saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra ara-pahasalamana.Hirosoana ny fifidianana loholonaEo amin’ny lafiny politika kosa, nambaran’ny praiminisitra fa tapitra ny fe-potoam-piasan’ny Antanimierandoholona ka tsy maintsy hirosoana ny fifidianana ny 11 desambra izao.”Manaja ny lalàna velona sy ny lalàmpanorenana isika”, hoy izy. Notsindriny koa fa tsy mitanila ny fampandrosoana. Tsy hisy ny faritra sy distrika ho hadino ary efa nomena vola ireop governora sy ny faritra amin’ny fametrahana fotodrafitrasa eny ifotony. Anisan’izany ny fanabeazana sy ny fampianarana ary ny fahasalamana sy ny rano madio fisotro.Synèse R. L’article Mitohy ny fahamehana ara-pahasalamana: tsy miova firy ireo fepetra ankapobeny rehetra a été récupéré chez Newsmada.