« Lalaon’ny Nosy » – Kitra: mila mandresy an’i Maorisy ny Barea, anio

News - « Lalaon’ny Nosy » – Kitra: mila mandresy an’i Maorisy ny Barea, anio
Anisan’ny andrasan’ny mpanaraka ny “Lalaon’ny Nosy”, amin’ity andiany faha-10, tanterahina aty Maorisy ity, ny vaovao mahakasika ny ekipam-pirenena malagasy, ny Barea, eo amin’ny taranja baolina kitra. Niakatra an-kianja voalohany, ny asabotsy lasa teo, tao amin’ny kianjan’ny Geoges V, Flic en Flac, Maorisy, izy ireo. Ny ekipan’ny Seychelles no nifanandrina tamin’i Madagasikara nandritra izany ary isa sahala, 0 no ho 0, ny nisarahan’ny roa tonta. Raha ny tokony ho izy ary araka ny nambaran’ny mpanazatra, tokony ho mora tamintsika ny nandavo an’i Seychelles, saingy tsy ampy ny fahamatorana teny ambony kianja.
Raha hiverenana ny lalao, nanam-bintana ny Malagasy ary nahazo penalty, saingy tsy maty. Nandaka ity penalty ity i Xavier, laharana faha-6.
Ho amin’ny anio, hifandona amin’ny ekipan’i Maorisy ny Barea, ao amin’ny kianjan’i Georges V hatrany. Ho mafy ny miandry ireto mpilalao malagasy ireto, saingy tsy maintsy mandresy raha te ho tafakatra amin’ny dingana manaraka. Ho raraka avy hatrany kosa izay resy eo satria efa samy nanao ady sahala 1 no ho 1 Maorisy sy 1 Seychelles, tamin’ny andro voalohany.
Mi.Raz
L’article « Lalaon’ny Nosy » – Kitra: mila mandresy an’i Maorisy ny Barea, anio a été récupéré chez Newsmada.
Vakio ihany koa
News - Ao Raha
Fanohanana ny fitondrana :: Hitambatra ho vondrona iray ireo kandidà tsy miankina sasany
Solombavambahoaka mahaleo tena manodidina ny telopolo no niaraka nivory tetsy amin’ny efitrano fisakafoanan’ny Antenimierampirenena, Tsimbazaza, omaly. Taorian’ny dinidinika no nanambaran’izy ireo ny fanohanany ny fitondrana ankehitriny amin’ny asa fampandrosoana hataony saingy hijanona amin’ny maha tsy miankina azy ireo hatrany. “Vonona hiara-hiasa amin’ny mpitondra izahay satria tanjona iray ihany no kendrena dia ny fampivoarana ny fiainan’ny Malagasy sy ny fampandrosoana an’i Madagasikara”, araka ny nolazain’ny mpikambana amin’ireto andiana solombavambahoaka ireto. Miankina amin’ireo depiote tsy miankina sasany kosa ny hisian’ny fitambarana ho vondrona iray na tsia. Misy solombavambahoaka miisa enina ambin’ny folo hafa tokoa mantsy no mbola tsy naneho hevitra hatramin’izao momba an’izay fironan’izy ireo etsy Tsimbazaza. Nicoh Richman L’article Fanohanana ny fitondrana :: Hitambatra ho vondrona iray ireo kandidà tsy miankina sasany est apparu en premier sur AoRaha.
News - Ao Raha
“Toky nomena” – Fifidianana depiote :: Nandiso fanantenana ny Komity mpanara-maso ireo kandidà
«Tsy nanaja an’ireo toky nomeny ireo kandidà ». Io no fehezanteny noentin’ilay komity iombonan’ireo mpisehatra nanara-maso ny fifidianana namehezana ny fomba fahitan’izy ireo ny fihetsika nasehon’ireo kandidà solombavambahoaka nandritra ny fifidianana notontosaina, tamin’ny 27 mey 2019. “Ny komity iombonana namolavola ny “Toky nomena” nosoniavin’ireo kandidà dia mampahafantatra fa maro ireo tsy fanajana ny andininy voasoratra tao anatin’izany”, hoy ny fanambaràna navoakan’izy ireo, omaly. Valo amby enimpolo isan-jato no kandidà nanao sonia an’ity toky nomena ity. Porofo maro avy amin’ny tatitra nataon’ireo mpanara-maso ny fifidianana teto an-toerana sy ireo avy any ivelany no nahatsapan’ny komity, izay ahitana ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni), ny fikambanana Fandio, ny Samifin, ny fikambanana “Justice et paix”… an’ireo tsy fanajana ny toky nomen’ireo kandidà solombavambahoaka. “Noho izany, aorian’ny fandalinana an’ireo loharanom-baovao ireo no hamoahana ny fehin-kevitra mikasika ny fizohiana ny “Tokony nomena”, hoy hatrany io komity mpanara-maso io. L’article “Toky nomena” – Fifidianana depiote :: Nandiso fanantenana ny Komity mpanara-maso ireo kandidà est apparu en premier sur AoRaha.
News - News Mada
Tetikasa Kazan – EPQ: hahazo 5 hatramin’ny 25 tapitrisa ariary ireo mpandresy
Nisokatra, ny faran’ny volana jolay lasa teo ary haharitra hatramin’ny 14 aogositra izao, ny fametrahana ny antontan-taratasin’ireo maniry hifaninana amin’ilay fifaninanana « Prix de bonnes pratiques en éducation physique de qualité (EPQ). Tetikasa, nomena ny anarana hoe « Fanoitra », karakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, tafiditra indrindra anatin’ny famolavolana ilay Vinan’asa Kazan an’ny Unesco. Araka ny loharanom-baovao, hisitraka famatsiam-bola 5 hatramin’ny 25 tapitrisa ariary ireo mpifaninana mendrika ary hahazo ny anarana ho mpandray anjara mendriky ny EPQ ho amin’ity taona 2019 ity.Mariiana fa hatao ny 16 sy 20 aogositra izao ny fisafidianana ny antontan-taratasin’ireo mpandray anjara ka hamoahana izay dimy mendrika indrindra. Ny 23 aogositra izao kosa ny hamoahana ireo anarana ireo amin’ny fomba ofisialy.Misy ny fepetra tsy maintsy arahina ao anatin’ity fifaninanana ity ary azo jerena ao amin’ny tranonkalan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena www.mjs.gov.mg izany. Eny amin’ny Akademia nasionaly ny fanatanjahantena na ny Complexe scolaire Ampefiloha, na eny amin’ny biraon’ny DRJS manerana ny Nosy, ny hahafahana manatitra ny antontan-taratasy hifaninana, afaka alefa amin’ny adiresy mailaka ihany koa anefa, araka ny fanazavana hatrany. Mi.RazL’article Tetikasa Kazan – EPQ: hahazo 5 hatramin’ny 25 tapitrisa ariary ireo mpandresy a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Antsirabe: voatafiky ny jiolahy ny tobin-tsolika iray, lasa ny vola tanaty coffre
Nisy nandroba, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo koa, ny tobin-tsolika iray ao Ambaniandrefana Antsirabe. Omaly kosa vao nahatsikaritra ny fahavakisan’ny trano ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fitantanana ny tobin-tsolika. Ireo mpiasa handeha hiasa vao maraina no nahatsikaritra ny fahavakisan’ny birao iray ao an-trano. Voazalan’ny fampitam-baovao avy any an-toerana fa avy any andamosin-trano no nidiran’ireo jiolahy ary nivantana tao amin’ny biraon’ny tompon’andraikitra misahana ny fitantanana ny tobin-tsolika izy ireo. Lasan’ireo mpangalatra tamin’izany ny vola tao anaty vatamafihidy (coffre fort). Vola azo nandritra ny faran’ny herinandro teo ireto napetraka tao anaty vatamafihidy ireo, kanjo izao lasan’ny jiolahy izao. Tsy misy banky miasa rahateo ka izay no antony nitahirizana azy tao anatin’io vata io, araka ny fanazavana hatrany. Tsy vitan’izay fa nesorin’ireo mpangalatra koa ny “camera de surveillance” tao amin’ny birao sy ny solosaina mitahiry ny rakitsary rehetra niaraka tamin’ny “disque dur”. Tsy mbola fantatra kosa hatreto ny tentimbidin’ny zavatra very sy ny vola voaroban’ireo jiolahy. Notanana nanaovana fanadihadiana kosa ireo mpitandro filaminana sy ireo mpiasa niasa tamin’io alahady alina io. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.J.CL’article Antsirabe: voatafiky ny jiolahy ny tobin-tsolika iray, lasa ny vola tanaty coffre a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Kitra – «Can 2021»: “Azo atao tsara ny mitazona ny laharana roa voalohany”, hoy i Dupuis
Nambaran’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar fa vondrona azoazo, ny misy an’i Madagasikara, eo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny toerana any amin’ny “Can 2021”, tanterahina any Kameronina. Raha tsiahivina, ao amin’ny sokajy K, miaraka amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire sy i Niger ary i Kenya no misy ny Barea de Madagascar. “Tokony ho tafiditra ao anatin’ireo roa voalohany, ny Barea de Madagascar. Raha ara-taratasy, ambony lavitra ny Barea, raha mitaha amin-dry zareo Kenyanina sy Niger. Ny Ivoarianina no mafy, saingy miankina amin’ny fanomanana ny zava-drehetra”, hoy izy.Marihina fa samy niatrika ny “Can 2019”, tany Egypta i Kenya sy i Côte d’Ivoire. Raha tsiahivina, tsy nivoaka vondrona ny Kenyanina, raha nihintsana teo amin’ny ampahavalon-dalana kosa ny Ivoarianina.Tafita hiatrika ny dingana famaranana, hatao any Kameronina, ireo ekipa 2 voalohany isam-bondrona, aorian’ny fifanintsanana, izay hatao lalao mandroso sy miverina. Tsiahivina fa tsy miatrika ny lalao savaranonando, intsony ny Barea de Madagascar. Mbola hanao izany kosa i Liberia sy Tchad, Sodan Atsimo sy Seychelles, Nosy Maorisy sy Sao Tomé sy Principe ary i Djibouti sy i Gambia. TompondakaL’article Kitra – «Can 2021»: “Azo atao tsara ny mitazona ny laharana roa voalohany”, hoy i Dupuis a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Arivonimamo: tratra ilay lehilahy mpivarotra biskoy sy sokolà lany daty
Saron’ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria (CSP) Arivonimamo, omaly tamin’ny 11 ora antoandro, ny lehilahy iray mpivarotra entana lany daty. Fantatra, araka ny fanazavan’ny polisy, fa mpivarotra biskoy sy sokolà, mandehaleha eny an-dalana eny ity lehilahy ity. Manoloana ny fahamaroan’ny ankizy marary vokatry ny fanapoizinana amin’ny sakafo noho ireny biskoy sy sokolà lany daty ireny, nanao fanadihadiana manokana ny polisy. Nahazo angom-baovao ny polisy, omaly maraina, momba ny fisiana lehilahy iray mivarotra entana lany daty mandehaleha eran’ny tanànan’Arivonimamo. Nokarohina avy hatrany ity mpivarotra ity ka voamarina fa mivarotra entana lany daty izy. Rehefa nosavaina ireo entana namidiny, tsy nahitana ny daty namokarana sy ahafahana mihinana farany ireo biskoy sy sokolà. Nandritra ny famotorana nataon’ny polisy azy ny nilazany fa efa lany daty avokoa ireo entana amidiny ireo ary eny Isotry ny fakany azy ireo amin’ny vidiny mora. Rehefa azony kosa izany, kosehiny amin’ny “dissolvant” ny daty eo amin’ny fonony mba ho mora hamidy ilay entana aorian’izay. Efa fantatra izany fa eny Isotry ny fakan’ireo mpivarotra ireo sakafo lany daty. Jerem-potsiny anefa izy ireny fa tsy misy fandraisana andraikitra matotra. Matoa anefa ireny miparitaka eny, misy ireo mpandraharaha goavana misehatra amin’ny fanafarana azy ireny. Mitovy amin’ny tsipoapoaka. Ailika any amin’ny hoe ireo sisa tsy lany tamin’ny taon-dasa no amidin’ireo mpivarotra.Jean ClaudeL’article Arivonimamo: tratra ilay lehilahy mpivarotra biskoy sy sokolà lany daty a été récupéré chez Newsmada.
News - Delire Madagascar
AXIAN UNIVERSITY : Une structure diversifiée pour révéler les talents africains
Une des premières universités d’entreprise à Madagascar et en Afrique. Dans son ambition de créer un espace d’échanges de connaissances et de compétences pour ses collaborateurs, Axian lance son université d’entreprise : Axian University. Ce nouvel établissement regroupera les différentes structures de learning et de développement pour challenger et mettre en œuvre les stratégies business du Groupe Axian et révéler les talents africains. A travers des formations en soft et hard skills Axian University permet la formation continue des collaborateurs afin de leur permettre de répondre aux défis actuels et futurs de leurs marchés. Constitué de trois pôles principaux, Axian Training Center, Axian Diploma et Axian Executive Education, l’université permet le développement des compétences techniques et humaines dans divers pôles tels que commercial, financier, digital ou encore technique. Elle fédère autour de l’identité Axian et propose des formations d’envergures internationales dédiées à ses cadres. Basée sur la montée en compétences des actuels et futurs collaborateurs du groupe Axian mais également des jeunes diplômés et futurs talents panafricains, Axian University devient une des premières universités d’entreprise à Madagascar et en Afrique. « Plus que former nos talents présents et futurs, nous les aidons à grandir et à atteindre leur plein potentiel ». Le lancement d’Axian University vient confirmer l’engagement du Groupe en matière d’impact positif. En proposant des formations innovantes mais également en adressant ses offres à un public diversifié, en offrant la mobilité interne au sein des différentes entités du Groupe, Axian University permet la montée en compétences et le développement des talents dans tous les pays où le Groupe est implanté. « L’impact positif et le développement durable démarrent à l’intérieur de nos différentes entreprises et nos talents émergeant sont acteurs de la transformation économique des pays où nous sommes implantés. Cette université vient remplir la fonction de lieu de partage de connaissances et de tremplin pour les jeunes dans le milieu professionnel», affirme Hassanein Hiridjee, CEO du groupe Axian. Recueillis par Lynda A. Cet article AXIAN UNIVERSITY : Une structure diversifiée pour révéler les talents africains est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article AXIAN UNIVERSITY : Une structure diversifiée pour révéler les talents africains a été récupéré chez Délire Madagascar.
News - News Mada
Anor tany Diana sy tany Sava: fampanarahan-dalàna ny fitrandrahana volamena
Ny volana jolay teo, nijery manodidina ny fitrandrahana volamena any amin’ny faritra Diana sy ny faritra Sava ny Anor (Agence nationale de l’or). Tanjona ny fampanarahan-dalàna ireo mpitrandraka sy torolalana samihafa ho azy ireo. Na misy masoivohon’ny Anor aza ao Ambilobe, zava-dehibe ny fidinan’ny foibe tany an-toerana nahitana ireo zava-misy maro ka nitondrana fanazavana ireo mpitrandraka volamena ny fampanarahan-dalàna. Nofantarina tamin’izany ny isan’izy ireo, ny teknika fampiasa sy ny lafiny sosialy mifandraika amin’izany asa izany. Nangonin’ny Anor ireo olana any an-toerana, ho fototra hiaingana amin’izay torolalana.Amin’ny ankapobeny, vita ny iraka tamin’ny naharaisana fanirian’ny maro, mampahavitrika azy ireo manohy ny asany. Resy lahatra ireo mpitrandraka sy mpandraharaha ny amin’ny fandrindrana io lalam-pihariana io any amin’ny faritra misy azy ireo. Tonga izy ireo niara-nivory tamin’ny Anor sy ny tompon’andraikitra any an-toerana. Nampitaina ny lalàna amin’ny fitrandrahana volamena, ny andraikitra mifanandrify amin’izany, ary ny tombontsoa azo amin’ny fanarahana izany.Karatra sy fandoavan-ketraOmena karatra ny mpitrandraka manara-dalàna any amin’ny kaominina Ambatoben’Anjavy, distrikan’Ambilobe izay matetika voaresaka; manaraka izany, omena ny ben’ny Tanàna ny momba azy ireo. Ny any amin’ny kaominina Betsiaka indray, nifanojo tamin’ny fandalovan’ny Anor ny fametrahana ny “Birao mpanatanteraka Dina Betsiaka”. Nosoniavin’izay mpikambana vaovao ny « kahiem-patana », fankatoavana ny asa ataon’izy ireo, vahaolana iray amin’ny fampidirana ao anatin’ny ara-dalàna ireo lavaka efa voatrandraka teo aloha.Nohazavaina amin’ireo mpitrandraka koa ny fomba fandoavan-ketra amin’izay fitrandrahana volamena izay. Nofaritan’ny Anor ny fanarahana izany, ny mifanohitra amin’izany kosa, lasa sakana tsy ahafantarana ny fiavian’ny volamena sy ny lalam-barotra.Anor tany AntsirananaNiara-nidinika amin’ireo mpivarotra volamena ny fandalovan’ny Anor tany Antsiranana, nanentanana azy ireo ao anatin’ny ara-dalàna ihany momba izay fanangonana volamena izay. Resy lahatra ireo nantsoina nivory, niombon-kevitra amin’izany miaraka amin’ny tompon’andraikitra any an-toerana. Any Antsiranana ihany, nantsoina ireo mpianatra amin’ny oniversite ho fanitaran’ny Anor ny fifandraisana, ahafantaran’izy ireo bebe kokoa ny lalam-pihariana volamena sy izay mahakasika izany.Naneho ny fahavononany fiaraha-miasa amin’ny Anor, ny BCMM (Bureau du cadastre minier de Madagascar), ny Police des Mines ireo tompon’andraikitra any amin’ny faritra. Fehiny: ho lalam-pihariana manara-dalàna ny fitrandrahana sy ny varotra volamena. R.MathieuL’article Anor tany Diana sy tany Sava: fampanarahan-dalàna ny fitrandrahana volamena a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Manohy ny lalany: etsy amin’ny IFM indray i Mamina
Vao 6 taona monja, efa fantatra tany anivon’ny antoko mpihira ny feony ! Mamina, mpanakanto anisan’ny manana ny mampiavaka azy manokana. Iray amin’ireny ny feony izay mahatakatra hatrany amin’ny « octave » faha-5. Rahampitso manomboka amin’ny 7 ora hariva, hiaka-tsehatra ao amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely i Mamina sy ny gitarany.Raha tsiahivina, mbola vao tany amin’ny taona faha-10 tany an-tsekoly i Mamina no efa namolaka tsikelikely ity zavamaneno vahiny ity. Notrandrahiny manokana tamin’izany ny figadon’ny hira nentin-drazana malagasy na ny bagasy. Tsy ny teto anivon’ny riaka ihany fa ny tany amin’ny faritra ihany koa.Ankoatra ny feo kanto sy ny fahaiza-mifehy ny gitara, mampiavaka ity mpanakanto tanora ity ihany koa ny fanasongadinana hatrany ilay fananan-karena eo amin’ny kolontsaina malagasy. nanamarika izany ilay hirany voalohany nampitondrainy ny lohateny « Mila vonjy ny kanto gasy ». Ho an’i Mamina, mila apetraka amin’ny toerana sahaza azy ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy.HaRy RazafindrakotoL’article Manohy ny lalany: etsy amin’ny IFM indray i Mamina a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Fanatanjahantena: ampitomboina ny teti-bola iasana
Tsy atao faralahy intsony ny fanatanjahantena. Araka izany, ampitomboina ny teti-bola iasana, hahafahan’ireo federasiona miatrika am-pahatoniana ireo lalao iraisam-pirenena, araka ny nambaran’ny filoham-pirenena malagasy, tamin’ny lahateniny, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, omaly.Ankoatra izay, hatsangana tsy ho ela akademiam-pirenena ho an’ny atleta avo lenta na ny “Academie Nationale pour les athletes de haut niveau”. Toerana hiofanan’ireo atleta manan-talenta, hiatrika fifaninanana. Sady hianatra izy ireo no hanomana ny tenany ao anatin’ny fanatanjahantena. Omena vatsim-pianarana, araka izany, ny atleta hiofana ao. Hapetraka any Toliara ihany koa ny dobo filomanosana olympika ary any Toamasina ny lapan’ny fanatanjahantena. Hananganana “dojo”, manara-penitra ihany koa ny isaky ny Renivohi-paritany, rehetra manerana ny Nosy. Efa any amin’ny komity olympika ny “tatami”, ho amin’izany, toerana natokana ho an’ny taranja haiady izany.Farany, araka ny fangatahan’ireo filohan’ny Komity olympika malagasy, homena pasipaoro maitso ireo filohan’ny federasiona rehetra, hahafahany mivezivezy, manatrika ireo fifaninanana sy fivoriana iraisam-pirenena. TompondakaL’article Fanatanjahantena: ampitomboina ny teti-bola iasana a été récupéré chez Newsmada.