Kolontsaina sy serasera: zava-bita roa notokanana ao Toamasina sy ao Fenoarivo Atsinanana

News - Kolontsaina sy serasera: zava-bita roa notokanana ao Toamasina sy ao Fenoarivo Atsinanana

News - Kolontsaina sy serasera: zava-bita roa notokanana ao Toamasina sy ao Fenoarivo Atsinanana

Anisan’ny singa lehibe
mandrafitra sy mampijoro firenena iray ny kolontsaina ao
aminy. Miezaka ny manarina ny simba,
mampahatsiahy ny tantara ary manasongadina izany ny minisiteran’ny
Kolontsaina sy ny serasera.
Nanamarika ny faran’ny herinandro teo tao Toamasina sy tao
Fenoarivo Atsinanana ny fampisongadinana sy ny fanandratana
avo ny lentan’ny kanto sy ny kolontsaina malagasy.
Notokanan’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina ny zava-bita
roa sosona. Ho an’ i Toamasina, notokanana ny mozea Vavitiana,
fantatry ny maro amin’ny hoe “Maison Nathan” teo aloha. Miorina
etsy amin’ny Place Bien-Aimé, Ampasimazava, rehefa nasiana
fanarenana taorian’ny fahasimbany. Trano vato lehibe efa niorina
hatramin’ny fanjanahantany (taona 1928) ity trano ity ary
nampiasaina amin’ny fametrahana andevo mialoha ny handefasana azy
ireny hamidy na atakalo.

Trano ahitana efitrano lehibe
ahafahan’ireo mpanankato manao fampisehoana. Ahitana fitaovana toy
ny solosaina ahafahan’ny mpanao gazety mikaro-baovao. Nambaran’ny
minisitry Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy
Andriatongarivo Lalatiana, rahateo, nandritra
ny lahateniny, fa anatin’ny herinandro voalohany, azon’ny rehetra
tsidihina ny mozea Vavitiana fa aorian’izay, hisy fandraisana
anjara hahafahana mampihodina ny mozea.

Fanoitra ho an’ny
fampandrosoana
Ny kanto sy ny kolontsaina no fanoitra ho an’ny fampandrosoana
isam-paritra ary mipaka amin’ny firenena iray manotolo. Izay kosa
ny nivoitra tetsy anoloan’ny Araben’ny Fahaleovantena, ao Fenoarivo
Atsinanana, raha nitokana ny tsangambaton-dRabemanantsoa Bertrand
(Dédé Fénerive) sy i Jean Fredy ny minisitra Rakotondrazafy
Andriatongarivo Lalatiana, ny asabotsy 24 oktobra maraina.

Mpanankaton’ny taona 60 izy roa
lahy ireto ary anisan’ny nampisongadina ny kaiamba, raha samy
nivoaka avy ao amin’ny tarika Miarema. Nambaran-dramatoa minisitra
fa « ny kanto
sy ny kolontsaina dia ilain’ny fiainan’ny olombelona. Mivoy sy
manandratra ny faritra iray sy ny firenena ary ny maha olona ihany
koa. Manome fiantraikany anivon’ny rafi-piaraha-monina,
ankaharezana ny malahelo. Ilain’ny manam-pahasoavana sy hanaovana
fety. Ampiasaina amin’ny finoana». Anisan’ny andrarezin’ny kanto sy
ny kolontsaina rahateo i Dédé Fénerive sy i Jean Fredy.
I Dédé Fénerive, teraka ny 19 mey 1961 ary lavo ny 1 jolay 2017. I
Jean Fredy, teraka ny 4 martsa 1962 ary lavo ny 16 mey 2001. Ny
zanak’izy roa lahy ireo, efa misolo toerana ny
rainy avokoa.

Sajo

Article tiré de Newsmada

L’article Kolontsaina sy serasera: zava-bita roa notokanana ao Toamasina sy ao Fenoarivo Atsinanana a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 26/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Kitra – «Can 2019»: mpilalaon’ny Barea telo nahazo karatra mavo

  Mbola ao anatin’ny fanomanantena fatratra hiatrehana ny fihaonana faharoa, hikatrohana amin’i Burundi, ny Barea de Madagascar, amin’izao fotoana izao. Hatreto, ao anatin’ny fametrahana ny taktika ny mpanazatra.  Kihon-dalana lehibe ho an’ny Barean’i Madagasikara ny fihaonana hifandonany amin’i Burundi, hatao ny alakamisy ho avy izao. Hiankina amin’ny vokatra eo mantsy ny ho tohin’ny lalany. Mila fitandremana goavana ny mpanazatra amin’ny fandaharana ireo mpilalao hiakatra eny ambony kianja.Anisan’ny mametraka olana mantsy ny fahazoan’ireo mpilalao telo mirahalahy karatra mavo. Anisan’izany i Amada sy i Marco ary i Metanire. Azo ampiakarina kianja ihany ry zalahy, saingy tsy ho afaka hilalao amin’ny fifandonana amin’i Nizeria raha mbola mahazo karatra mavo fanindroany, izay mbola fihaonana goavana sy hanan-danja ihany koa. Etsy ankilany, mpilalao iray ihany ny nahazo karatra mavo ho an’i Burundi. Hatreto, mbola ao anatin’ny fijerena ny paikady hiatrehana ny lalao amin’i Burundi, amin’izao fotoana izao, ny mpanazatra sy ny ekipany.Raha ny fahitan’ireo teknisianina, somary mavesatra ireo vodilaharana malagasy ka tsy tokony hanao fiarovantena milahatra. Tsy misy tokony hovaina kosa ny irakiraka satria nahafehy tsara ny baolina ary afaka nandrindra ny fanafihana. Mila asiam-panamboarana ihany koa ny lohalaharana satria tsy ampy mpamono baolina.Ankoatra izay, manaraka fanazaran-tena mitokana i Jeremy Morel, izay voadona teo amin’ny tongony. Lalao roa ihany ny anio  Mandra-piandry izany, tsy misy afa-tsy fihaonana roa ihany ny hotanterahina amin’ity talata ity: ny lalao ao amin’ny vondrona F, izay hiakatra kianja ao Ismailia. Anisan’izany ny fifandonana eo amin’ny Liona tsy voafolak’i Kameronina sy i Ginea Bisao. Tsy afaka hilalao, amin’ity, i Faï Collins, vodilaharana kameroney.Noho ny karatra mavo roa azony nandritra ny fifanintsanana ny anton’izany. Any amin’ny fihaonana faharoa, hikatrohany amin’i Kintana maintin’i Ghana, hatao ny 29 jona ho avy izao, vao afaka hiakatra kianja i Faï Collins.Ny Ganeanina izay hifandona amin’ny Les Ecureuils-n’i Benin. Manana olana ihany koa ny Beninoà amin’ity satria tsy afaka hilalao ihany koa i Stéphane Sessegnon. Na efa 35 taona aza i Sessegnon, ilain’ny Les Ecureuils ny traikefan’io mpilalao io. TompondakaL’article Kitra – «Can 2019»: mpilalaon’ny Barea telo nahazo karatra mavo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanadiovana sy fanatsarana ny tanàna: manomana ny fivahinian’ny papa François ny CUA sy ny prefektiora

Tsy handalo fotsiny noho ny vahiny. Mitohy ny fanadiovana sy ny fandaminana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra tarihin’ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Tafiditra ao anatin’izany koa ny fanomanana amin’ny fahatongavan’ny papa François eto amintsika. Hiara-kiisalahy amin’ny fanatanterahana izany ny CUA sy ny prefektioran’ny polisy. Hojerena ny lafiny fahadiovanan’ny tanàna, ny fandriampahalemana, ny fifamoivoizana ary ny fanatsarana amin’ny ankapobeny ny tanàna … Nisy ny fivoriana niarahan’ny kaominina, tamin’ny alalan’ny  sekretera jeneraly, Randriamasinoro Tahiry Ny Rina, sy ny prefet, ny Jly Ravelonarivo Angelot, ny herinandro teo teny Tsimbazaza. Nampiharina avy hatrany, nanomboka tamin’ity herinandro ity, izany fandaminana izany ary tsy amin’io fotoana hahatongavan’ny papa François io ihany fa hitohy izany.Synèse R.  L’article Fanadiovana sy fanatsarana ny tanàna: manomana ny fivahinian’ny papa François ny CUA sy ny prefektiora a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mikorontana ny toetry ny andro: hidina ny maripana, manomboka rahampitso

Manomboka rahampitso ka hatramin’ny asabotsy, hikorontana ny toetry ny andro eto amintsika noho ny fisian’ny rivotra sy andro ratsy ao atsimon’ny lakandranon’i Mozambika. Noho izany, hiseho aty amin’ny tapany atsimo ny vokatr’ireo fikorontanana ireo ary hiitatra manerana ny Nosy mihitsy. Ho rakotra rahona ny lanitra ary ho avy ny orana amin’ny faritra maromaro, ho betsaka izany orana izany ho an’ny atsimo atsinanana ary hahazo vahana hatraty amin’ny tapany avaratra. Mbola manjaka koa ny alizay mitondra hatsiaka ka hidina ny maripana farany ambony eto amin’ny afovoan-tany. Eo anelanelan’ny 13 sy 15 °C ny maripana, manomboka rahampitso ka hatramin’ny asabotsy. Mila mitandrina noho izany ny rehetra, indrindra ireo marefo fa mety hahazo vahana ny aretina toy ny gripa sy ny kohoka vokatr’izay fidinan’ny maripana izay, hoy ny filazana manokana nalefan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly.Vonjy L’article Mikorontana ny toetry ny andro: hidina ny maripana, manomboka rahampitso a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ho fanohanana ny zavakanto: “Tosik’Art”, fifaninanana izay tetikasa mahaliana…

Tsy tetikasa mahaliana fotsiny… Izay tetikasa maharesy lahatra, hampidi-bola ary hampiroborobo ny toekarena, kanefa mikasika ny sehatry ny zavakanto sy ny kolontsaina. Ireny no hifaninana anatin’ny “Tosik’Art”. “Fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny kolontsaina”. Fehezanteny niverimberina nandritra ny lanonana fampahafantarana ny fifaninanana “Tosik’Art”, omaly, tetsy amin’ny Garan’i Soarano io. Ho fanamarinana izany rahateo ny antom-pisian’ity fifaninanana nasionaly ity, izay hampirisihina ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina, hanolotra tetikasa mahaliana, maharesy lahatra ka azo tanterahina, hampidi-bola ary hampandroso. “Mbola vitsy anisa ireo mpandraharaha izay misehatra eo amin’ny famoronana ara-javakanto sy ny kolontsaina. Misy ny sakana maromaro mahatonga izany, fa hampirisihina izay vonona kosa ny “Tosik’Art. Hitiliana, hanampiana ary hanosehana azy ireo ity fifaninanana ity”, hoy ny nambaran-dRatovinirina Faly, tale misahana ny zavakanto sy ny fampiroboroboana ny kanto eo anivon’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera. Nanamafy ny tanjona, nizara ny lalan-tsaina, nampahafantatra ny fizotry ny fifaninanana sy ny ho vokatr’izany ireo nifandimby fitenenena, nahitana an-dRakotondrabe Niry,t ale jeneralin’ny Ofisim-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina, Ben J izay mpanakanto sady anisan’ireo tompon-kevitra ary Razafiarison Francis, tale jeneralin’ny kolontsaina eo anivon’ny minisitera. “Misy lafiny roa ny kolontsaina, ka ny voalohany ilay hita sy re matetika ary mahazatra antsika. Ny faharoa kosa dia ilay mahakasika ny fihariana sy ny toekarena, mamorona asa ary mamelona olona sy fianakaviana maro. Tsy azo atao tsinontsinona io faharoa io, saingy mila miditra amin’ny sehatra matihanina mba ho tsapa tokoa ny maha fanoitry ny fampandrosoana azy… “Tosik’art”, hanoloran-tanana ny tetikasa maharesy lahatra, mahakasika ny zavakanto rehetra…”, hoy kosa ny nambaran’Andriantongarivo Rakotondrazafy Lalatiana, minisitry ny kolontsaina sy ny serasera. Araka izany, misokatra manomboka ny alatsinainy 5 aogositra izao ny fisoratana anarana, ho an’ireo mpisehatra manana tetikasa hifaninanana. Ho an’ireo teratany malagasy mihoatra ny 21 taona ny fifaninanana, ka afaka misoratra anarana any amin’ny foibem-paritry ny kolontsaina sy ny serasera izay handray anjara. Azo sintonina ao amin’ny tranonkala sy ny pejy “facebook” an’ny minisitera ihany koa ny taratasy fisoratana anarana sy ny andinindininy. Zo ny Aina RandriatsiresyL’article Ho fanohanana ny zavakanto: “Tosik’Art”, fifaninanana izay tetikasa mahaliana… a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsy fahitan-tory telo andro misesy : ilaina ny manatona mpitsabo        

Anisan’ireo filana fiziolojika ilain’ny olombelona toy ny sakafo, ny rano, ny masoandro, ny rivotra madio,… ny torimaso.Voajanahary ka tsy tokony akoy hihinana fanafody vao hahita tory ny rehetra. “Miantoka ny fahatomombanan’ny tontolo andro ny ampitso ny torimaso anio alina, mora mifantoka kokoa ny olona rehefa ampy tsara ny torimasony”, hoy psychiatre ao amin’ny CHU-SSP Analakely, ny dokotera Raobelle Evah. Na tsy ampy na diso be loatra ny faharetan’ny torimaso, miteraka fikorontanan’ny fiasan’ny olona iray. Endrika isehoan’izany ny fikorontanan’ny fifantohana, tsy tomombana ny fitadidiana, marary an-doha, mora kizintina, mora tezitra, mahatsiaro reraka raha vao maraina, marary lamosina matetika, fanina, mangovitra, midobodoka be ny fo… Nomarihiny fa raha ho an’ny olona mifanintona, anisany mihitsy antony mampiverina ny fanintona ny tsy fahitan-tory. Ara-pahasalamana ny torimaso rehefa feno ny fepetra efatra: 15 minitra aorian’ny hitadiavana torimaso dia efa tokony tafatory ilay olona. Ampy adiny fito na adiny valo ny faharetan’ny torimaso ho an’ny olon-dehibe. Tsy mihoatra ny roa ny fifohazana mandritra ny alina ary mahatsiaro tena ho afa-bizana sy mavitrika ilay olona rehefa mifoha ny ampitso maraina. Raha mihoatra ny telo andro misesy ny tsy fahitan-tory, tsara indrindra ny manatona mpitsabo hijerena ny antony mahatonga ny fikorontanana’ny torimaso amin’ny olona iray.Tsy tokony handray avy hatrany fanafody fampatorianaOlana mateti-pitranga amin’ny olombelona ny fikorontanan’ny torimaso. Maro ny antony manakorontana ny torimaso toy ny fisian’ny aretina na ny fanaintainana amin’ny vatana, ny fidorohana na ny fisotroana zava-mahadomelina sy ny fiankinan-doha amin’izy ireny. “Matetika, ny adin-tsaina sy ny fahaketrahana saina ny tena antony”, hoy ity mpitsabo ity. Noho izany, tsy tokony hamaivanina ny fikajiana ny torimaso satria antoka iray lehibe amin’ny fikolokoloana ny fahasalaman’ny saina sy ny vatana. Tsy tokony hotadiavina ny torimaso fa tonga ho azy nefa manano sarotra ny fahatongavan’ny tebiteby misy ao anatin’ny olona. “Tsy tokony handray avy hatrany fanafody fampatoriana koa anefa noho izy mety hiteraka fiankinan-doha”, hoy ny fanazavany ihany. Betsaka ny fomba afaka hanampy hananana torimaso tomombana ka anisany ny tsy fanovaovana ny ora fatoriana sy ny ora fifohazana. Eo ny fihinanana sakafo maivana amin’ny hariva ary ny efitrano fatoriana milamina sy tsy misy hazavana be. Tokony ho 22° C ny maripana ao amin’ny efitrano fatoriana. Manampy betsaka koa ny fieritreretana zavatra telo nahafinaritra nandritra ny tontolo andro hampanalavitra ny tebitebin-tsaina ka hanamora ny fatoriana.Nangonin’ i Vonjy A.L’article Tsy fahitan-tory telo andro misesy : ilaina ny manatona mpitsabo         a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fahasalamana: aretina fahefatra mandripaka ny tazomoka

Distrika enina no tena mbola ahitana aretina tazomoka mandritra ny taona eto Madagasikara. Aretina fahefatra mamono ny tazomoka, indrindra ho an’ireo ankizy sy reny bevohoka. Misy ny fiofanana handrindrana ny fizarana lay amin’ny taona 2021.Anisan’ny valanaretina fahefatra mbola mandripaka eto amintsika ny aretina tazomoka raha ny filazan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tsy mbola tena voafehy izy ity na eo aza ny ezaka sy ny fanentanana hatao.Fampitomboana ny traikefa sy fanaovana tomban’aezaka ny fizarana lay misy odimoka maharitra amin’io taona 2021 io indrindra no anton’ny atrikasa.  Tanterahin’ireo mpiantsehatra ara-pahasalamana ao Antsirabe, maharitra 5 andro izany.Efa misy ny hetsika mahazatra fizarana lay misy odimoka amin’ireo faritra maro manerana ny Nosy, indrindra amin’ireo faritra mando sy mafana izay mampahazo aina ny aretina. Eo koa ny famendrahana fanafody mamono moka atao isan-tokantrano.Anisan’ny manatanteraka izany ny ao amin’ny faritra Ihorombe sy Atsimo Andrefana. Nanomboka ny 2 novambra teo ny hetsika ary mitohy isan’andro, hatramin’ny 2 desambra izao.Voakasik’izany ny distrikan’i Tolira II, Betioky, Sakaraha, Ihosy ary Iakora. Manodidina ny tokantrano 203.513 no hofendrahana ranom-panafody mamono moka sy bibikely amin’izany. Manaraka hatrany ny fanajana ny fepetraka amin’ny ady atao amin’ny covid19 hatrany ny famendrahana hatao.Raha ny fantatra, mamono olona manodidina ny 405.000 isan-taona ny aretina tazomoka maneran-tany . Ho an’ny taona 2018, nahatratra 228 tapitrisa ny tranga tazomoka amin’ireo firenena 100 mbola ahitana ity aretina ity.Eto Madagasikara, distrika enina no mbola tena ahitana tazomoka mandritra ny taona ary mbola ambony ny tahan’ny olona voan’ny aretina. Anisan’izany ny distrikan’i Bekily, Port-Bergé, Mahanoro, Farafangana, vangaindrano ary Antanambao Manampotsy.Misy ny fizarana mitohy ny lay amin’ireo distrika ireo hahafahan’ny tokantrano miaro tena amin’ny kaikitry ny moka.Tatiana AL’article Fahasalamana: aretina fahefatra mandripaka ny tazomoka a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ecole Royale du Maroc – ERSSM: nanome vatsim-pianarana ny Tafika Malagasy

  Mihamafy orina hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny tafika eo amin’ny firenena malagasy sy i Maraoka. Ao anatin’izay fiaraha-miasa izay, nanolotra vatsim-pianarana ho an’ny Tafika Malagasy ny firenena maraokanina ho fizarana ny traikefa sy ny fahaiza-manao. Ho amin’ity taona 2019 ity, vatsim-pianarana hiofanana mpianatra ho manamboninahitra eo anivon’ny sekoly Ecole Royale du Maroc sy ny vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra ho manamboninahitra mpitsabo eo anivon’ny Ecole Royale du service de Santé Militaire (ERSSM) ny atolony amin’izany. Omaly ny nanatanterahan’ireo mpifaninana hiatrika ny fiofanana mpianatra ho manamboninahitra eo anivon’ny sekoly Ecole Royale du Maroc izay nahitana mpiadina sivy mirahalahy avy ao amin’ny sekoly miaramilam-pirenena (Semipi) ao Fianarantsoa. Tsara ny manamarika fa efa notsongain’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny sekoly misy azy ireo izy sivy mirahalahy ireo ary mpianatra efa manomana ny fifaninanana hidirana mpianatra ho manamboninahitra na ny « classe préparatoire » izany. Ny taranja frantsay no nanadinana azy ireo tamin’izany ka nanaovana ny famakafakan-kevitra ka mbola hiatrika adina faharoa izay hotontosaina eny amin’ny masoivohon’i Maraoka izay afaka amin’izany. Ny herinandro ho avy izao kosa no hanatontosana ny fanadinana hifaninanana hidirana ho manamboninahitra mpitsabo eo anivon’ny ERSSM.Jean Claude  L’article Ecole Royale du Maroc – ERSSM: nanome vatsim-pianarana ny Tafika Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Orinasa Base Toliara: miandrandra fampandrosoana ny mponina

Miharesy lahatra hatrany ny mponina any Toliara sy ny any amin’ny toeram-pitrandrahana fasimainty any Ranobe sy ny manodidina, ny voka-tsoa entin’ny fisian’ny orinasa Base Toliara. Hitondra fampandrosoana ho an’ny mponina sy ny faritra, ary mba tsy hisy intsony ny filazana fa « fasan’ny tetikasa ny any Toliara ».Natao, ny alarobia 31 jolay teo, ny fombafomba, “titike”*, midika ho fampihavanana, sy fandravonana ny disadisa eo amin’ny mpomba sy ny manohitra ny fisian’ny tetikasa Base Toliara, hitrandraka fasimainty, any Ranobe Toliara, faritra Atsimo Andrefana. Fotoana ihany koa nangatahana tsodrano, hananganana ny fotodrafitrasa hiantsonan’ny sambo any Andaboly, morontsiraka, hitaterana ny fasimainty avy any an-tanety mankeny afovoan-dranomasina, mialoha ny hitondran’ny sambo ny akora mankany ivelany.Nanatrika ny fotoana ny manam-pahefana sy ny tompon’andraiki-panjakana samihafa, notarihin’ny prefen’ny faritra Atsimo Andrefana, ny mpitandro filaminana, niaraka amin’ny mpitantana ny orinasa Base Toliara. Teo koa ny ankolafin’ny mponina, ny fikambanana samihafa, toy ny fikambanan’ny zana-driaka ivondronan’ireo mpanjono (Fivetelo, Vezo Tealongo Besakoa, ny fikambanana Nosivato Miray Anketraka (ANMA), ny fikambanan’ny zatovo tsy an’asa any Toliara (ZTAT), sns.Maro ny zanak’i Toliara manana diplaomaAnisan’ny solotenan’ny olobe any an-toerana nandray fitenenana i Soafilira Cinah, nilaza fa  nanohitra ity tetikasa fitrandrahana fasimainty ity izy ireo tany am-boalohany satria tsy mazava ny fototry ny tetikasa. Saingy, resy lahatra ankehitriny, ary miandrandra haingana ny hanatanterahana azy mba hitondra fampandrosoana ny faritra Atsimo Andrefana sady hanome asa ny tanora ary tsy ho fasan’ny tetikasa intsony i Toliara. Maro rahateo ny zanak’i Toliara manana diplaoma maniry hiasa.Voakasik’ity tetikasa Base Toliara ity ny kaominina efatra ahitana fokontany 18. Nilaza ny filohan’ny filankevitra monisipaly ny kaominina Tsihanisia fa tsy misy intsony ny tsy fifankahazoana eo amin’ny mponina, koa vonona hiasa ny vahoaka sy ny tanora. Notsoriny fa efa maro ny fotodrafitrasa naorin’ny Base Toliara, toy ny famatsiana rano madio fisotro, ny fanamboaran-dalana amin’ny alalan’ny asa tana-maro, ny fananganana tohodrano sy lakandrano, ny famatsiana fitaovam-pamokarana, sns.Tsy mankarary ny fasimaintyNitsotra ny manamboninahitra zandarimaria, sady filohan’ny fikambanan’ny Vezo, fa nanohitra tokoa izy tany am-boalohany, saingy nihemotra izy taty aoriana. « Tsy ho izaho mihitsy no hanakana ny fampandrosoana aty an-toerana”, hoy izy.Tafaresaka tamin’ny filohan’ny faritra Anosy (misy ny tetikasa QMM) ihany koa ity manamboninahita ity, fony izy filohan’ny faritra Atsimo Andrefana, ary nilaza taminy fa tsy mankarary ny fasimainty. Nanamafy izany ny tale jeneralin’ny Base Toliara, Ramahefarivo Jean Bruno, fa “araka ny tatitry ny INSTN (Ivontoeram-pirenena mikasika ny teknolojia nokleary), ny taona 2013 sy 2018, tsy atahorana ho an’ny olombelona ny fasimainty.“Esory ny sakana”, hoy ny préfetNilaza ny préfet-n’ny faritra Atsimo Andrefana, i Vladmir Edmond, fa “aoka isika tsy hamita-tena ka raha sendra marary dia ailika any amin’ny Base Toliara ny nahatonga ny aretina. Manana bokin’andraikitra ity orinasa ity ary manara-maso ny fanjakana”. Etsy ankilany, nambarany fa nahaheno tatitra izy fa misy manao sakana any akaikin’ny toerana hananganana ilay fotodrafitrasa amoron-dranomasina. Hentitra ny nanomezany baiko, “esory haingana teo izany sakana izany, anaro ny zanatsika, aoka tsy ho tia ady na korontana satria samy Malagasy isika”.Njaka Andriantefiarinesy Fandaharam-potoan’ny Base Toliara2001 : Fahazoan-dalana hikaroka2012 : Fahazoan-dalana hitrandraka2015: Fahazoan-dalana ara-tontolo iainana2017: Nohavaozina ny fahazoan-dalana hitrandraka2019: Fanadihadiana ny fanorenana ny fiantsonan’ny sambo2020: Fanamboarana ny fotodrafitrasa2021: Fitrandrahana ny fasimaintyFaharetan’ny fitrandrahana: 40 taona amin’ny velaran-tany 7 000 ha. Tsy ao anatiny ny faritra arovana misy ny alan’ny Mikea. Hoy izy ireo…I Régis : Nanohitra izahay tany aloha satria nahaheno fa mankarary ny fasimainty. Nazava aminay anefa fa diso tanteraka izahay ary mahatsapa ankehitriny fa ilaina ny fampandrosoana entin’ny Base Toliara. Andrasanay ao anatin’ny fikambanan’ny zana-driaka (mpanjono) ny hamatsiana fitaovana toy ny lakana, ny fianarana ho an’ny ankizy, ny asa ho an’ny tanora tsotra sy ny manana diplaoma, ny fitaovam-pamokarana ho an’ny vehivavy, toy ny mpanao asa tanana avy amin’ny akorandriaka, sns.I Edmond: Fantatray ny fahasoavana entin’ny Base Toliara, ankehitriny. Anisan’ny nifampiraharahanay fokonolona aminy ny fananganana fotodrafitrasa ilain’ny vahoaka, toy ny famatsian-drano sy ny herinaratra, ny toeram-pitsaboana sy fianarana. Eo koa ny fangatahanay fitaovana hitahirizana hazandrano eto Ambohitrabo, ny fiofanana ho an’ny mponina, sns. L’article Orinasa Base Toliara: miandrandra fampandrosoana ny mponina a été récupéré chez Newsmada.

News - Triatra

« Parquet National Financier » : Fanambaran-ketran’i Mamy Ravatomanga?

Nandany an’arivony miliara i Mamy Ravatomanga, nandritra ny fampielezan-kevitra fihodinana voalohany ho famerenana an’i Andry Rajoelina eo amin’ny fitondrana, hiaro azy manodidina ny raharaham-pitsarana atsy Frantsa. Kolikoly, fanadiovana vola maloto, fanodinkodinam-bolam-panjakana, sns. Araka ny taratasy nataon’ny PNF (Parquet National Financier) tamin’ny 22 jona 2017 tany Parisy, nosoniavin’ny Mpampanoa Lalàna, Emmanuel Chirat, mitondra ny laharana 16 040 000 444 dia mangataka amin’ny manam-pahefana malagasy ny fanambaran-ketra rehetra amin’ny anaran’i Mamy Ravatomanga mivady ny lehiben’ny Fampanoavana any Frantsa, sy izay rehetra mikasika ny orinasa Ramy, Mialy, Aina ary Lovanirina, manodidina ny taona 2010-2016. Mangataka ny hakana am-bavany ny tale jeneralin’ny hetra ihany koa ny PNF, mba ahafantaran’izy ireo amin’ny antsipiriany izay resaka hetra momba ireto orinasan’i Mamy Ravatomanga ireto. Etsy andanin’izany, mangataka ny hakana am-bavany ireo mpanao fanadihadiana ao amin’ny Bianco, nandray an-tanana ny raharaha Mamy Ravatomanga ihany koa ny PNF (vavolombelona tsotra), na ireo izay olona heverina fa ilaina amin’izao raharaha Mamy Ravatomanga atsy Frantsa izao. Izany rehetra izany no angatahin’ny PNF, dia ny hivoahan’ny marina manodidina izao kolikoly, famotsiam-bola maloto, ary fanodinkodinam-bolam-panjakana iampangana azy izao. Mila an-dRajoelina Mila ny fiverenan’i Andry Rajoelina maika eo amin’ny fitondrana tokoa i Mamy Ravatomanga manoloana io fangatahana fiaraha-miasa nalefan’ny « parquet national financier » atsy Frantsa amin’ny manam-pahefana Malagasy io. Izay ihany no lalana heverin’i Mamy Ravatomanga fa ahafahany miaro tena, ka nahatonga ireny fandaniam-bola an’arivony miliara nandritra ny fihodinana voalohany ireny. Isan’ny olona tokony hatao fanadihadiana sy alaina am-bavany amin’izao raharaha izao i Andry Rajoelina. Ny taona 2011 no nividianan’i Mamy Ravatomanga ireo trano be mitentina 100 Miliara, kanefa tsy nahitana fanambarana teny anivon’ny sampan-draharahan’ny hetra frantsay araka ny voalazan’ny andininy faha-885 A- 2e amin’ny CGI, izay milaza fa tsy maintsy atao izany fanambarana izany rehefa mihoatra ny 1 300 000 Euros ny tombam-bidin’ny fananana. Izany hoe nandritra ny fitondrana Tetezamita notarihin’i Andry Rajoelina no nividianan’i Mamy Ravatomanga ireo trano be ireo, ka mahatonga ny PNF mangataka amin’ny fanjakana malagasy ny fanambarana ara-ketra teo anelanelan’ny taona 201-2016. Io fiarovana an’i Mamy Ravatomanga manoloana ny kolikoly sy famotsiam-bola, ary ny fanodinkodinam-bolam-panjakana hanenjehan’ny Fitsarana Frantsay azy, izay no mahamaika mafy an’i Andry Rajoelina hiverina eo amin’ny fitondrana, ka namoronana ireny IEM sy hanaovana ireny fizaram-bary eny amin’ny faritra iva ireny. Havoaka eto amin’ny gazety amin’ny alarobia ho avy izao indray kosa ny mikasika ny raharaha JIRAMA, izay efa eny am-pelatanan’ny Bianco, isan’ireo dosie tafiditra amin’ilay fanodinkodinam-bolam-panjakana iampangan’ny PNF an’i Mamy Ravatomanga. L’article « Parquet National Financier » : Fanambaran-ketran’i Mamy Ravatomanga? est apparu en premier sur .L’article « Parquet National Financier » : Fanambaran-ketran’i Mamy Ravatomanga? a été récupéré chez Triatra.

News - Santé - News Mada

Tsy nisy tranga vaovao: 58 ireo sitrana tamin’ny coronavirus

Nanomboka alatsinainy teo ka hatramin’ny omaly, tsy nisy ny tranga vaovao tratran’ny coronavirus. Mbola mitohy hatrany anefa ny fitiliana, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny CCO eny Ivato ka miisa 17 ireo natao izany, omaly. Niampy enina indray izany izao ireo sitrana ka 58 ireo nalefa nody any an-tokantranony, hatreto. Miisa 63  kosa ireo mbola tsaboina sy arahi-maso eny amin’ny hopitaly amin’izao fotoana izao. Tsy niova fa mijanona ho 121 ireo tratran’ny coronavirus manerana ny Nosy.Manao fitiliana hatrany isan’andro  « Tsy ankiato ny fitiliana ary isan’andro, misy laboratoara iray hafa koa manao izany ka samy tsy nahitana tranga vaovao avokoa ireo. Anisan’ny tena tiliana amin’izany ireo ahina ho nifanerasera tamin’ny nahitana tsimokaretina », hoy ihany ny eo anivon’ny CCO. Mbola nanamafy hatrany ny tompon’andraikitra amin’izao fifaneraseran’ny olona izao amin’ny fampiasana ny arovava, raha tena tsy maintsy mandeha mivoaka ny trano. « Tena mifanaretsaka tokoa ny olona ka tsy tokony hiala eny ny arovava. Tsy ampidinina na esorina, indrindra ho an’ireo mikohaka… Entanina hatrany isika hampiasa izany na tsy misy tranga vaovao aza.  Misy ihany ireo manaraka toromarika kanefa tsy tokony ho variana ka higoragora amin’ny fepetra isika », hoy ny CCO.Fanaraha-maso ny fiparitahan’ny covid-19Notsiahivin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamana, tamin’ny alalan’ny sekretera jeneraly, ny Pr Solofomalala Gaetan Duval fa tsy midika ho tsy misy intsony ny fitiliana rehefa tsy misy ny tranga vaovao. « Miisa 39, 32, 35 ary 17 ireo notilina nanomboka ny alatsinainy teo hatramin’izao (omaly) », hoy izy. Miisa 2 313 kosa ireo efa nanaovana fitiliana ankoatra ny olona nampiasana ilay  fitiliana haingam-piasa (TDR).Synèse R.  L’article Tsy nisy tranga vaovao: 58 ireo sitrana tamin’ny coronavirus a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

Miverina ny trafika: andramena 87 tratra tany Amparafaravola
18/11/2020

Tsy foana! Hazo sarobidy maromaro ny tratran’ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny harena lovain-jafy (Dredd) Alaotra Mangoro, niaraka amin’ny Polisim-pirenena, tany amin’ny fokontany Antanambao, kaominina Ambohimandroso, distrika Amparafaravola, ny alatsinainy 16 novambra teo.Tratra ny olona roa, ny mpiambina sy ny sefo fokontany, hatao famotorana. Taorian’ny famotorana, fantatra fa olona roa no nitazona ireo hazo ary nitsoaka ka karohin’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao. Nogiazan’ny Dredd Alaotra Mangoro ireo hazo, nahitana bolabola andramena 87 isa, voamboana iray mirefy 2 metatra ary hazo tsotra telo mirefy 2 metatra.Manamafy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny harena lovain-jafy (MEDD) fa mazava ny hafatra napetraky ny filohan’ny Repoblika sy ny praiminisitra, amin’ny tsy handeferana mihitsy ireo mpanao trafika hazo sarobidy toy izao. Marihina fa voasokajy ho ady heloka ny fikitihana zavamaniry na biby avy any anaty faritra arovana. Voarara tanteraka ny fikapana, ny fitaterana, ny fivarotana ary ny fanondranana any ivelany hazo sarobidy. Hiharan’ny sazy henjana izay tratra mandika ireo.Njaka A.L’article Miverina ny trafika: andramena 87 tratra tany Amparafaravola a été récupéré chez Newsmada.

Prix Africa 35.35 : Makwa Joma parmi les 35 lauréats 
23/11/2020

La slameuse- danseuse Makwa Joma au sommet de son art. Makwa Joma a été sélectionnée parmi les 35 jeunes africains les plus talentueux pour bénéficier des prix Africa 35.35 qui célèbrent l’excellence et le mérite de la jeunesse africaine et de l’Afro-diaspora. L’information a été donnée jeudi 12 novembre dernier. La jeune femme malgache a eu le mérite d’être choisie parmi plus de 500 candidats africains en Afrique et dans la diaspiora âgés de 16 à 35 ans. Les 35 jeunes sélectionnés sont porteurs de projets et de réalisations exceptionnels dans leurs communautés. L’objectif de ce prix est de reconnaître les mérites des jeunes africains d’au plus de 35 ans toutes les années. Institués en 2016, les prix 35.35 sont à leur cinquantième édition consécutive. Ils sont organisés toutes les années pour célébrer les meilleures innovations des jeunes africains. Les prix 35.35 sont une initiative d’une organisation panafricaine de jeunes professionnels présents dans 30 pays africains. L’année 2020, la plupart des artistes sont pris dans une situation de vulnérabilité à cause de la crise sanitaire due au Covid-19. Malgré les suspensions des évènements culturels à Madagascar, Makwa Joma n’a pas pris ce moment comme une récréation, au contraire, elle le prend comme un défi. Comme tous les autres artistes, elle a traversé des moments difficiles mais avec son courage et ses créativités durant le confinement, à travers des appels à candidature en ligne. Les mois de Juin elle est la lauréate du concours de projet « demain sera mien » organisé par le Fond de Dotation HY, mois d’août elle est lauréate de l’appel à projet SOFOCO organisé par Africa Culture Fund avec son projet « ose à oser » avant d’être parmi les artistes le plus inspirants du continent noir dont elle a gagné le prix 35.35. Ambitieuse, la jeune femme envisage de réaliser un autre projet pour promouvoir la culture malgache. Iss Heridiny L’article Prix Africa 35.35 : Makwa Joma parmi les 35 lauréats  est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Prix Africa 35.35 : Makwa Joma parmi les 35 lauréats  a été récupéré chez Midi Madagasikara.

HCDDED: “Misy lalàna ny fanaovan’ny depiote tatitra”
21/11/2020

“Misy lamina tsy maintsy arahina ny famoriam-bahoaka” hoy ny filohan’ny HCD­DED), i Navony Pierre Le­noble. Mahazo mamory olona any amin’ny faritra misy azy ny depiote. Voafidy amin’ny toerana iray izy, ary manao tatitra ny zava-bita. Depioten’i Madagasikara no anarany fa voafidy amin’ny toerana iray izy. Tsy ny depiote voafidy tany Toliara, ohatra, no hanao tatitra any Mahajanga. Rehefa mifidy lalàna, izy no manana izay fivelarana eo amin’ny firenena izay maha depioten’i Madagasikara azy. Misy koa ny fangatahana mialoha ho an’ny olona anaovana tatitra, izay angatahina any amin’ny prefet. Misy lalàna mifehy azy izay fanaovana tatitra izay fa atao avy hatrany.Andehanana haingana amin’ny fampandrosoana ny demokrasia“Fitsipika iray ahazoana mandeha haingana amin’ny fampandrosoana ny firenena ny demokrasia”, hoy izy mo­mba ny gazety boky lah.8, na­voakan’ny HCDDED, ahitana ny momba ny demokrasia. Mandalao zava-tsarotra ny firenena amin’izao fotoana izao, efa tarazo ela. Tsy inona fa ny kolikoly, izay toy ny olitra ngezabe. Samy voafatotra ao anatiny avokoa ny rehetra: ny olom-boafidy, ny olom-boatendry… Noho izany, iaraha-mamaha izany olana lehibe mihatra amin’ny firenena iza­ny. Tsy hoe ny mpitondra re­he­fa no lo sy tsy mahavo. Mi­sy manana finiavana tsara ao, fa be no ho ny vitsy ka mila ampian’ny rehetra.R. Nd.L’article HCDDED: “Misy lalàna ny fanaovan’ny depiote tatitra” a été récupéré chez Newsmada.

Kaominina Ifotaka sy Tsivory: nizara masomboly, moto pompe sy fitaovana ny fikambanana Fitia
25/11/2020

   Nanampy ny vehivavy hahaleo tena ara-tsakafo ao Ifotoaka hisorohana ny kere ka nanome fitaovana azy ireo ny vadin’ny filoha, Rajoelina Mialy. Nitondra ny anjara biriky hanohanana ny fianakaviana sahirana noho ny haintany sy ny kere ny fikambanana Fitia, nanomboka omaly. Kaominina roa Ifotaka sy Tsivory, distrika Amboasary Atsimo no niompanan’ny fanampiana niaraka amin’ny filohan’ny fikambanana, Rajoelina Mialy sy ny zanany lahimatoa Rajoelina Arena. Nanome fitaovam-pambolena sy masomboly maro karazana miraka amin’ny fitaovana fahazoan-drano (moto pompe) ho an’ny vehivavy izy hahazoan’ny isan-tokantrano sakafo. Aorian’ny enim-bolana hambolena ireo masomboly ireo, hioty ny vokatra ny olona 400 000 ka hisitraka sakafo mahavelona, hoy ny fanazavan’ny vadin’ny filoham-pirenena tamin’ireo mponina tao amin’ny kaominina Ifotaka. Vokatra mamaly ny toe-tany sy ny filan’ny vahoaka no natolotra hamongorana ny kere. Nahazo akanjo koa ny ankizy tamin’ny fandalovan’ny ekipa. Hatao maodely amin’ny ady ialana amin’ny kere ny ao Ifotaka satria efa mametraka paikady goavana ny fitondrana : fanomezana tany, fitarihana rano hambolena ary fanofanana ny tantsaha. Nanatsatoka fototra mangahazo niaraka Rajoelina Mialy sy ny zanany lahy.Ho an’ny Tsivory, nanomana sakafo masaka ho an’ny olon-dehibe 1000 sy koba hozaraina amin’ny ankizy 500 mahery mandritra ny 15 andro ny fikambanana Fitia. Nomena akanjo ihany koa ny kilonga madinika. Ny sakafo hohanina no tena olana ho an’ny mponina ao Tsivory nefa mahavokatra ihany ny tany, hoy ny ben’ny Tanàna. Ireo masera ao an-toerana no manome sakafo ny mponina indraindray.Nitsidika ireo zokiolona roa samy marary koa ny filohan’ny fikambanana Fitia ary nampanantena milina fanjairana ho an’i Miza Elisabeth renim-pianakaviana iray mpanjaitra ny vadin’ny filoha.Vonjy A.L’article Kaominina Ifotaka sy Tsivory: nizara masomboly, moto pompe sy fitaovana ny fikambanana Fitia a été récupéré chez Newsmada.

Haintrano tao amin’ny oniversiten’Antsiranana: mpianatra iray maty, olona roa hafa naratra
23/11/2020

Niredareda ny afo tao amin’ny oniversiten’Antsiranana, ny sasakalin’ny asabotsy hifoha alahady teo. May tamin’izany ny trano fonenan’ny mpianatra ao an-toerana. Vokany, rava avokoa ny fotodrafitrasa vitsivitsy. Tovolahy mpianatra iray ao amin’ny taona faharoa, maty vokatry ny loza. Mpianatra roa hafa koa naratra mafy. Araka ny fanadihadiana, « court-circuit » ny nahatonga ny loza sy nitarika ny fahavoazana. Ao koa ireo nanazava fa nitsonika ny taribin-jiro fitsilovana teny ambonina tilikambo. Antony nipoiran’ny afo izany. Nikoropaka ny rehetra raha vantany vao niseho ny loza, tsy tafavoaka tamin’izany kosa anefa ny tovolahy iray vao 22 taona, mpianatra ao amin’ny taona faharoa ny « faculté des sciences » ao an-toerana. Vokany, sempotra tsy tafavoaka ilay trano may izy ka may sy namoy ny ainy. Ireo naratra mafy kosa, nalefa vonjimaika ao amin’ny hopitaly ao Antsiranana.Naharitra manodidina ny 3 ora ny fahamaizana ka nandravarava ireo fotodrafitrasa sy ireo fitaovana ao amin’ny oniversite. Raha ny tatitra navoakan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, maherin’ny 60 ireo traboina. Henitsoa HaniL’article Haintrano tao amin’ny oniversiten’Antsiranana: mpianatra iray maty, olona roa hafa naratra a été récupéré chez Newsmada.

Airtel – Varotra SIM: fifaninanana hanitarana ny fandraharahana
24/11/2020

Mbola fa vitsy ny mampiasa finday sy ny tambojatra miaraka aminy eto Madagasikara, na mitombo haingana ny olona manana azy. Olona telo amina 10 ny mampiasa finday, tambajotra rehetra, antony iray ampirisihan’ny Airtel Madagascar hanitarana ny fandraharahana. « Mifandray betsaka amin’izany fampiasana fifandraisan-davitra izany, indrindra fa mivoatra koa izao ny teknolojia mifandraika aminy, ny tontolon’ny asa sy ny fandraharahana miaraka aminy », hoy ny tale jeneralin’ny Airtel, i Eddy Kapuku.Fomba iray hanitarana ny fifandraisan-davitra eto an-toerana ny fanokafana fifaninanana eo amin’ny samy mpivarotra Sim Airtel. Koa ny loka voalohany hahazoana fiara, ho an’izay mahalafo be indrindra manerana ny Nosy. Eo koa ny loka maro samy hafa (moto, fahitalavitra, finday avo lenta …). Fiaraha-miasan’ny Airtel amin’ireo mpivarotra izao, manakaiky ny mpanjifa hatrany, sady hampandrosoana ny toekarena.« Adidinay ny mampahafantatra ny tsara vitanay, koa avy amin’izany ny fanentanana ny olona hivoatra sy handroso, amin’ny finiavana hampahomby sy hampitombo ny zava-bita anatin’ny orinasa na ny fandraharahana », hoy ny tale jeneraly. « Koa antsoinay izay rehetra maniry handray anjara amin’ny fanitarana ny serasera, hifandray amin’ny vahoaka malagasy », hoy ny tale jeneraly sy ny talen’ny varotra, Randrianarison Heritiana.Nampahafantarina ny 20 novambra 2020 teo ny fifaninanana ho an’ny mpivarotra Sim Airtel, ary hifarana ny 31 janoary 2021. Andiany taona faha -7 izao fifaninanana izao. R.MathieuL’article Airtel – Varotra SIM: fifaninanana hanitarana ny fandraharahana a été récupéré chez Newsmada.

Fifidianana loholona: namoaka ny didy 10 amin’ ny fampielezan-kevitra ny Ceni
21/11/2020

Tsy mandeha ho azy amin’izao. Nampahafantarin’ny eo anivon’ny Ceni fa mitovy amin’ny fifidianana rehetra ihany ity fifidianana loholona ity. Anisan’izany ny tokony hanajana ireo lalàna mifehy izany.“Voalohany, ny fanajana ny firaisam-pirenena sy ny toe-tsaina momba ny fihavanana malagasy. Eo koa ny tsy fiandanian’ny fitondram-panjakana sy ny tsy fitanilan’ny sampandraharaham-panjakana.” Io ny nampahatsiahivin’ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Ra­ko­tondrazaka Fano, taorian’ ny fivoriana niarahana tamin’ ireo mpanara-maso fifidianana teny Alarobia, omaly, mo­mba ireo fepetra folo tokony hohajaina amin’ny fanaovana fampielezan-kevitra amin’ izao fifidianana loholona hatao amin’ny 11 desambra izao.Tsy fitanilan’ny RNM/TVM Manaraka, ny tsy fitanilan’ ny sampandraharaham-panjakana momba ny haino aman-jery ary ny radio sy ny televiziom-panjakana. Eo koa ny tsy fiandanian’ny toeram-pi­va­vahana, izay tsy azo anaovana fampielezan-kevitra. Mila tandrovina hatrany ny rariny sy ny fitovian’ny herijikan’ny kandidà rehetra; ny fangaraharan’ny loharanom-pa­ma­tsiam-bolan’ny fampielezan-kevitra sy ny fampiasam-bola natokana ho amin’izany, izay tsy maintsy hanendren’ ny kandidà izay mpitambolan’ ny fampielezan-kevitra.Tsy fidirana amin’ny fiainana manokana Mila hajaina ny fanajana ny fahamarinan-tena sy ny vo­ni­nahitra ary ny fahamendrehan’ny kandidà sy ny mpifidy; ny fahamarinan’ny fiainan’ny te­na manokana sy ny ny zavatra manokana momba ny kandidà. Tsy fidiran’ny mpanao fa­mpielezan-kevitra amin’ny fiainana manokana izany; ny tsy fihantsiana amin’ny fankahalana sy ny fanavakavahana; farany, ny fitandroana ny filaminam-bahoaka.R. Nd.L’article Fifidianana loholona: namoaka ny didy 10 amin’ ny fampielezan-kevitra ny Ceni a été récupéré chez Newsmada.

“Tournoi Est”: hanomboka rahampitso ny fifaninanana
20/11/2020

Araka ny efa nampanantenain’ny fikambanana “Espoirs Sportifs de Tuléar”, hisy ny hetsika ara-panatanjahantena karakaraina mialoha ny faran’ny taona. Araka ny tapaka, hanomboka rahampitso 21 novambra io fifaninanana mitondra ny anarana hoe “Tournoi Est”. Sokajy maromaro, hahitana ny Vétéran lahy sy vavy, sokajy latsaky ny 18 taona, 16 taona, 14 taona lahy sy vavy ary ny “Open” lahy sy vavy. Taranja roa dia ny basikety sy ny Hand ball ny hifaninana mandritra izany ka hanasana ireo klioba rehetra maniry ny handray anjara. Araka ny efa notaterina teto hatrany, hetsika fitadiavam-bola hanampiana ny klioban’ny Est hiatrika fifaninanam-pirenena ny kendrena ka misy ny saram-pisoratana anarana. Iray hetsy ariary ny sarany ho an’ny sokajy Vétérans, raha toa ka 3 alina ariary kosa ho an’ny sokajy hafa. Etsy an-kilany anefa, misy kosa ny loka natokana ho an’ny mpandresy amin’ity “Tournoi Est” ity. Ankoatra izao fifaninanana izao, mbola maro ny hetsika karakarain’ny Est mialoha ny faran’ny taona, isan’izany ireo alim-pandihizana miisa roa hatao anio alina sy rahampitso alina ao Toliara. Mi.Raz L’article “Tournoi Est”: hanomboka rahampitso ny fifaninanana a été récupéré chez Newsmada.

RFC : 250 films diffusés en huit jours
19/11/2020

Les trophées pour les compétitions officielles des Rencontres du Film Court ont été présentées lors de la conférence de presse hier (crédits photo : Tiaray) RFC en est à sa 15e édition cette année. Du 20 au 28 novembre, les cinéphiles se donnent rendez-vous dans la capitale malgache.  Un événement d’ampleur international  qui a pour ambition de faire venir des publics de toute génération, et de toute origine  culturelle autour d’une activité  riche, fédératrice et de qualité. Action culturelle qui unit le continent noir, la RFC  est une manifestation proposée dans une démarche d’instruction, faite de relations humaines avec une volonté de faire se rencontrer les artistes professionnels et les passionnés de cinéma. RFC donne  la possibilité aux artistes et aux cinéphiles  de se rencontrer, et  d’assister à des spectacles variés et de qualité. Selon les organisateurs, « une trentaine de faiseurs de  films d’ici  et d’Afrique sont en lice pour les zébus d’or. Près de 250 films seront  répartis en 65 séances dans divers endroits de la ville mais dont l’essentiel se déroulera à l’IFM  Analakely et au Cinépax Tana Water Front ».  Parce que la RFC  affiche sa volonté de promouvoir le mélange des genres artistiques, « les RFC  ont accueilli 276 candidatures venues de 31 pays d’Afrique  pour cette édition et en ont sélectionné une vingtaine ».  Réunies autour d’une même ouverture d’esprit, la programmation artistique et toutes les activités proposées sont imaginées dans le but de donner à chacun un moyen de s’épanouir et de s’exprimer. Maminirina Rado L’article RFC : 250 films diffusés en huit jours est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article RFC : 250 films diffusés en huit jours a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Projet PAPRiz II : Plus de 115 000 paysans intéressés par la technique vulgarisée
19/11/2020

Le projet PAPRiz (Projet d’Amélioration de la Productivité Rizicole et de Gestion de Bassins-versants et Périmètres Irrigués), dans sa phase II, touche actuellement à son terme. Il s’agit notamment d’un projet de coopération technique entre le gouvernement Malgache et le gouvernement du Japon par l’intermédiaire de la JICA (Agence Japonaise de Coopération Internationale). Six nouvelles régions sont bénéficiaires des interventions de ce projet dans cette phase II, en plus des cinq régions qui ont été ciblées depuis son démarrage en 2009. A l’issue de la 5e réunion du comité conjoint de coordination du projet PAPRiz II, qui s’est tenue hier à l’hôtel Colbert, il a été évoqué que l’objectif a été atteint. Une production additionnelle de l’ordre de 550 000 tonnes par rapport à la production de 2015, est ainsi attendue. Bénéfice net de 2,5 millions Ar/ha. Rappelons que ce projet a pour but d’améliorer la productivité rizicole des paysans dans ses onze régions d’intervention en développant des paquets techniques de la culture du riz irrigué. Cette technique leur permettra d’augmenter leur rendement de productivité à au moins 5 tonnes /ha tout en réalisant un bénéfice net moyen de 2,5 millions Ar/ha. En tout, plus de 57 000 paysans formateurs ont été formés. Et après vulgarisation de la technique, plus de 115 000 paysans ont été intéressés. Pour le cas de la région Boeny, qui fait partie des six nouvelles régions d’intervention du projet PAPRiz dans sa phase II, « nous avons pu former 77 paysans formateurs durant les deux dernières campagnes de production rizicole. Ce sont des paysans volontaires qui sont aptes à vulgariser à leurs pairs les techniques culturales qu’ils ont acquises dans le cadre de leur formation. Les récoltes, surtout pour cette campagne de grande saison, s’annoncent ainsi bonnes. En effet, ces 77 paysans formateurs ont atteint voire même dépassé le rendement de 5 tonnes/ha et plus de 2 000 paysans ont reçu leurs formations », a raconté Randriamanjato Tovo Niaina Faniry, Coordonnateur régional du projet PAPRiz II-Boeny. Amélioration du niveau de vie. Et parlant du cas de la région Itasy qui a bénéficié des interventions du projet depuis la phase I, « une nette amélioration du niveau de vie des paysans ciblés, a été observée. Environ 20 000 paysans opérant dans 67 plaines ont adopté les techniques de PAPRiz. Nous leur avons appris à bien gérer les recettes issues de leurs récoltes afin qu’ils puissent réinvestir dans la préparation de la prochaine campagne culturale. Si le paysan cultive du riz sur un hectare, son coût de revient s’élève à environ 300 000 Ar. Et après calcul du rendement, son bénéfice se chiffre à peu près à 2 millions Ar. Certains paysans bénéficiaires ont pu constituer une épargne auprès des institutions de micro-finance, tandis que d’autres ont pu créer d’autres activités génératrices de revenu, dont le commerce. Il y en a également ceux qui ont pu construire une maison, ou acheter des zébus ou des charrettes ou des matériels et équipements agricoles. L’acquisition d’un véhicule de transport de marchandises n’est pas en reste. En revanche, les impacts du changement climatique et l’insécurité constituent un problème récurrent entravant le développement rural », a exprimé Razaiarimanga M. Vololomboahangy, coordinatrice régionale du projet PAPRiz –Itasy. Navalona R. L’article Projet PAPRiz II : Plus de 115 000 paysans intéressés par la technique vulgarisée est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Projet PAPRiz II : Plus de 115 000 paysans intéressés par la technique vulgarisée a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fitakiana tsy nahitam-baliny an-taona maro: raikitra ny fitokonan’ny «inspecteur de travail»
18/11/2020

Niotrika an-taony maro ka tsy afaka hangina intsony, manomboka izao. “Efa hatramin’ny taona 2004 noho mankaty ny fitakianay ny sata mifehy manokana anay nefa tsy nisy nametraka izany hatramin’izao. Tsy nisy valiny mahafa-po nefa zonay izany ary ara-dalàna satria efa voafaritry ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny asa. Efa  nankatoavina sy nosoniavin’i Madagasikara izany amin’ny hanomezana sata manokana anay», hoy ny mpitarika eo anivon’ny « inspecteur de travail », Ravelomahatratra Rojo, omaly, tetsy Antsahavola. Nanteriny fa efa nisy ny dingana natao. Anisan’izany ny nandefasana taratasy tany amin’ny minisiteran’ny Asa. Teo koa ny fifampiresahana mivantana, araka ny nambarany. « Tsy nahitana valiny izany. Ela loatra ny fiaretana ka mitaky fandraisana andraikitra avy amin’ny fanjakana izahay », hoy ihany izy.Fanaraha-maso ny tsy ara-dalàna eny amin’ny orinasaNotsiahiviny fa manana fahefana sy asa sahaniny manokana ny « inspecteur de travail ». Eo koa ny ilana ny fampitaovana sy ny olona amin’ny fanatanterahana ny asa, araka ny voafaritry ny fifanarahana iraisam-pirenena, araka ny nambarany. Anisan’ny asan’izy ireo ny fanaraha-maso ny fampiharana ny lalàna eny anivon’ny toeram-piasana. Ny gaboraraka sy ny tsy fanarahan-dalàna eny amin’ny orinasa… Midika izany fa hisedra olana ireo mety hanana fifanolanana any amin’ny toeram-piasana rehetra any. Vao avy nandalo krizin’ny Covid-19 rahateo ny firenena ary anisan’ny nisedra olana ny mpiasa sy ny orinasa. Ahina hiteraka korontana sosialy sy toekarena izany izao fitokonana izao.Synèse R.L’article Fitakiana tsy nahitam-baliny an-taona maro: raikitra ny fitokonan’ny «inspecteur de travail» a été récupéré chez Newsmada.

Capitaine de Vaisseau, GA Jacquy Honoré: « Ilaina ny fanamafisana ny fampiofanana eto an-toerana”
18/11/2020

“Tafiditra ao anatin’ny torolalana fanovan-drafitra avy amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy ny Etamazaoron’ny Tafika ny fisian’ny ivontoeram-piofanana an-dranomasina izay fomba iray ahafahana manatsara ny fahaiza-manao sy traikefa ananan’ny tantsambo miaramila hahatonga azy ireo ho matihanina tanteraka”, hoy ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika an-dranomasina, ny capitaine de vaisseau, ny GA Jacquy Honoré, nandritra ny fankalazana ny andron’ny mpitantan-draharaha arovan’ny masindahy Martin, ny fitantanan-draharaha eo anivon’ny Tafika malagasy, ny zoma teo tao Mahajanga. Nohamafisin’ity manamboninahitra ity fa fotoana izao hanamafisana ny fampiofanana vita eto an-toerana tsy hiankinana amin’ireo sekoly avy ivelany tahaka ny teo aloha. Efa misy 11 ireo tantsambo miaramila manaraka ny fiofanana ao ahazoana mari-pahaizana BAT Machine “Brevet d’aptitude technique” ary hisantarana amin’ny fomba ofisialy ity ivontoeram-piofanana ity ireo tovolahy voaantso hanohy asa miaramila ao amin’ny Tafika an-dranomasina miisa 200, ny faran’ny volana ho avy izao. Ankoatra ny Semipi, nahazo ny anjara fanomezana ho azy ny ivontoeram-piofanan’ny Tafika an-dranomasina ka ny lehiben’ny “direction central du commissariat des armées”, ny amiraly Assany Bemarivo Jeannot, ny nanolotra izany amin’ny tompon’andraikitry ny ivontoerana, ny lieutenant de vaisseau, i Anahy Zafinirandra Edson Claudino.Jean ClaudeL’article Capitaine de Vaisseau, GA Jacquy Honoré: « Ilaina ny fanamafisana ny fampiofanana eto an-toerana” a été récupéré chez Newsmada.