Kolontsaina sy asa tanana: mbola ady sarotra ny hamelona ny tsena

News - Kolontsaina sy asa tanana: mbola ady sarotra ny hamelona ny tsena

News - Kolontsaina sy asa tanana: mbola ady sarotra ny hamelona ny tsena

Iray amin’ireo sehatra
nitondra faisana noho ny fisian’ny valanaretina Covid-19 ny
kolontsaina sy ny asa tanana. Miainga any amin’ny mpanamboatra ka
hatrany amin’ny mpivarotra, mahita fa mbola ho mafy ny
ady…

Manomboka misokatra ny lalana
ahafahana mivezivezy eto Madagasikara. Toa milaza izany fa
hisokatra ihany koa ny sehatra sasany toy ny kolonttsaina sy ny asa
tanana. “Efa tsara ny fanapahan-kevitra, saingy tsy mora ny
hamelona sy hamerina indray ny lalam-barotra sy ny tsena”, hoy
Andrianaivo B, mpivarotra asa tanana mifandraika amin’ny
kolontsaina malagasy toy ny sokitra, ny karazana amponga vita
amin’ny hoditra, ny korintsana, ny jiafotsy, sns. Nambarany fa tsy
mbola ampy hanodinana ny tsena ny zava-misy ankehitriny satria
saika vahiny avy any ivelany avokoa ny mpanjifa “matanjaka” ny
entana amidin’izy ireo.

“Manondrana mankany amin’ny
faritany ihany izahay kanefa hatreto, tsy mbola tonga ny mpaka
entana satria mbola tsy misy mpizahatany tonga ihany koa any
amin-dry zareo”, hoy hatrany ity mpivarotra asa tanana ity. Ny
mpividy asa tanana malagasy avy eto an-dRenivohitra ihany izany no
antenaina hanjifa ny entana. “Mbola ady varotra goavana be vao
mahalafo korintsana iray ianao”, hoy izy.

Nohazavain’Andrianaivo Bertoh fa
mbola raharaha goavana ihany koa ny mahazo ireo mpivarotra fotsiny
asa tanana fa tsy mpanamboatra. “Lasa manao raharaha hafa toy ny
fiompiana sy ny fambolena any ambanivohitra ireo mpanao asa tanana
noho ny tsy fisian’ny tsena tao anatin’ny dimy volana mahery”, hoy
izy. Misy amin’ireo ny te hampifamadika ny rasa ka io fiompiana sy
fambolena io no tena ataony fameloman-tena fa vadin’asa kosa ny
fanaovana asa tanana. “Rehefa kelikely eo, raha toa ka miverina soa
aman-tsara ny tsena, hiteraka olana ho anay io tranga io satria
mety tsy hifanaraka amin’ny tinady ny tolotra, na eo amin’ny
kalitaony izany (mety ho zara fa vita) na eo amin’ny isany (mety ho
tsy ampy)”, hoy hatrany izy. Mbola olana manaraka tsy maintsy
hovahana ihany koa izany!

… Fa nanterin’ity mpivarotra asa
tanana ity ihany koa fa olana manokana ho an’Antananarivo ny tsy
fijanonan’ny mpizahatany fotoana maharitra eto. Zary
toeram-pandalovana fotsiny eto an-dRenivohitra, hany ka na eto aza
no hamboarina ny asa tanana, tsy maintsy alefa any amin’ny faritra
ihany izany, hojifain’ny mpizahatany. “Mila ataon’ny
tompon’andraikitra izay hahatonga ity Renivohitra ity hahatamana
mpizahatany. Manana toerana manan-tantara Antananarivo. Manana
zavaboahary mahaliana, saingy izany rehetra izany, tsy ampy
fampahafantarana, hany ka zara raha mandany andro iray eto ny
vahiny”, hoy izy.

HaRy
Razafindrakoto

Article tiré de Newsmada

L’article Kolontsaina sy asa tanana: mbola ady sarotra ny hamelona ny tsena a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Tantaram-pirenena: 28 taona ny “Raharaha 10 aogositra 1991”

 Mandeha ny fotoana. 28 taona izay ny “Raharaha 10 aogositra”, asabotsy toy izao. Efa zary hadino? Na odian-tsy hita sy tsy fantatra… Tsy misy hetsika manokana intsony ho fahatsiarovana izany. Toa tian’ny sasany hofafana aza? Nitondra ho amin’ny Repoblika III ny hetsi-bahoaka tamin’ny 91, nipoiran’iny hoe “Diaben’ny Fahafahana” iny.Io hetsika io no noheverina hamaranana ny fitakiana, nanomboka teny amin’ny kianja Coum, 67 ha, ny 1 mey 1991: ny fanovana ny lalàmpanorenana, ny fialan’ny filoha Ratsiraka… Ny hametrahany fialana rahateo ny hoe anton’ny “Diaben’ny Fahafahana”, nangatahin’ny solontenan’ny Hery Velona Rasalama fifampidinihana taminy.Nitarika izany, niainga teny amin’ny kianjan’ny 13 mey hamonjy ny lapam-panjakana Iavoloha, ny Pr Zafy Albert sy ny pasitera Andriamanjato Richard ary ny jeneraly Rakotoarisoa Jean. Na marobe aza ny vahoaka nandeha tamin’ny hetsika sy tamina tanam-polo, tsy araka izay niheverana azy ny niafaran’ny raharaha.Nisy ny famonoana vahoaka Tsy nisy izay fametraham-pialan’ny filoha Ratsiraka; eny, na ny hoe fifampidinihana taminy aza. Vao taty amin’ny 1,5 km alohan’ny sampanan-dalana ho any amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, ohatra: niraraka ny toraka pilotra nataon’ny Antandroy voakarama manokana. Vokatr’izany, nikoropaka sy niparitaka nandositra ny olona.Kinanjo, nisy ireo nipoahan’ny vanja nilevina teny an-tanimbary. Nanidina teny amin’ny habakabaka ny helikoptera tamin’izany, noheverin’ny maro fa nitsoahan’ny filoha Ratsiraka… niala. Kinanjo, tifitra sy fandatsahana grenady no nitranga. Fantatra fa anisan’ny nokendrena tamin’izany ny fiara miloko mainty nisy ny Pr Zafy Albert.Nisy koa fibaikoana miaramila hitifitra ny tongotry ny mpanao fihetsiketsehana: nisy naratra, nisy maty… Teo koa, ohatra, ny fanenjehana sy ny fitifirana olona, na efa nitodi-doha nody aza. Nisy filazana hoe teo ny fanasana ny arabe nihosin-dra, ny fisavana trano manodidina ny alin’iny; eny, na ny hoe fisian’ny lavaka nanaovana fandevenana faobe aza…Inona ny marina? Tsy azo kosehina eo amin’ny tantaram-pirenena ny “Raharaha 10 aogositra”: mila fikarohana, famoahana ny marina…R.Nd.L’article Tantaram-pirenena: 28 taona ny “Raharaha 10 aogositra 1991” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Atletan’ny JIOI nahazo medaly: horaisin’ny filoham-pirenena eny Iavoloha

Araka ny loharanom-baovao, horaisin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina eny amin’ny lapan’Iavoloha, ny alatsinainy ho avy izao, ireo atleta avy niatrika ny lalaon’ny Nosy natao tany Maorisy. Mandritra izany no hanolorana ny mari-pankasitrahana sy ny valin-kasasarana ho an’ireo nitondra medaly niverina teto an-tanindrazana. Samy hafa avokoa ny tambiny omena azy ireo, ho an’ny nisalotra medaly volamena, volafotsy ary ny alimo. Tsiahivina, niisa 49 ny medaly volamena azon’ny Malagasy nandritra ny lalaon’ny Nosy farany teo, 47 ny volafotsy ary 30 ny alimo, izany hoe medaly 126 izany no nentin’ireo atleta nody. Mendrika fankasitrahana izany, araka ny nambaran’Andriamatoa Minisitra, ny talata lasa teo, nandritra ny fihaonany tamin’ny federasiona rehetra nandray anjara, teny amin’ny lapan’ny fantanhajantena Mahamasina.Lalao AfrikanaHifantoka amin’ny lalao afrikana hotanterahina any Maraoka indray izao ny sain’ireo atleta malagasy, fifaninana goavana hanomboka ny faha-19 jolay izao. Taranja 11 no handraisan’ny Malagasy anjara amin’izany, ny atletisma, ny fibatana fonjamby, ny basikety, ny escrime, ny Tolona, ny Judo, ny ady totohondry, ny tekwondo, ny tenisy ambony latabatra, ny tenisy ary ny karate. Hanomboka tsy ho ela ny fampivondronana hanomanana ity lalao afrikana ity. Mi.RazL’article Atletan’ny JIOI nahazo medaly: horaisin’ny filoham-pirenena eny Iavoloha a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

«Can 2019»: nijery ny kianjan’i Alexandrie ny Gineanina sy ny Nizerianina

Tsy niandry ela fa iray andro monja taorian’ny fahavitan’ny antsapaka nahalalana ireo ekipa iray vondrona, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019”, hatao any Egypta, izany hoe : ny asabotsy lasa teo, nijery avy hatrany ny kianja hilalaovany ao Alexandrie ireo tomponandraikitra sy ny teknisianina, avy amin’ny ekipan’i Ginea Konakry sy ny Nizerianina, iray vondrona amin’ny Barea de Madagascar.Nidina nijery ifotony mihitsy izy ireo ny amin’ny toetoetry ny bozaka hilalaovana sy ny firafitry ny toerana ary ny pitsopitsony rehetra. Midika izany fa mailo tanteraka izy ireo ka mitandrina mafy, amin’ity fifanintsanana isam-bondrona ity.Raha tsiahivina, kianja anisan’ny zokiny indrindra ao Egypta ny Stade d’Alexandrie. Natsangana ny taona 1929 izany fotodrafitrasa izany, ary efa nandray ny lalao fifanintsanana, tamin’ny “Can”, notanterahina tany an-toerana, ny taona 2006.Ny taona 2009 vao nasiam-panamboarana izany kianja ao Alexandrie izany, mahazaka mpijery mihoatra ny 80.000. Bozaka natoraly no hilalaovana ao fa tsy “synthétique” akory. Kianja hilalaovan’ny Ittihad Alexandrie sy ny Al Olympi ary ny Smouha Sporting Club. TompondakaL’article «Can 2019»: nijery ny kianjan’i Alexandrie ny Gineanina sy ny Nizerianina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Olan’ny AFT: hametraka fangatahana ny mpampianatra

Niato ny fampianarana teny frantsay eny amin’ny Alliance française Andavamamba, ny 30 jolay lasa, teo nandritra ny tontolo andro noho ny fitakiana nataon’ny mpampianatra momba ny fahataran’ny fandoavana ny karaman’izy ireo volana jolay. « Ho fanamafisana ny fangatahana maro efa nataon’izy ireo hatramin’izay hanatsarana ny fanatontosana ny asa ny fampiatoana ny fampianarana ny talata lasa teo », hoy ny fanazavan’ny solontenany. 60 ny mpampianatra nanasonia ny fangatahana voalaza. Taorian’ny hetsika, tsy nisy ny fifanatonana teo amin’ny roa tonta fa tonga dia tapaka avy hatrany ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny mpampianatra sy ny AFT, araka ny fanambarana navoakan’ny tomponandraikitry ny Alliance. Noheverina fa nanapaka ny fifanarahana ny mpampianatra rehefa nampiato ny asany ny talata teo. Mbola vonona ny handray ny mpampianatra maniry ny hanohy ny fiaraha-miasa aminy anefa ny AFT ka afaka mametraka fangatahana vaovao ireo mazoto hanaraka ny fepetra apetrak’izy ireo. Ambara fa tapaka tanteraka ny fifanarahana momba ny asa ho an’ny mpampianatra tsy nametraka fangatahana hatramin’ny anio hariva amin’ny 5 ora.Ny mpampianatra kosa, manizingizina fa marim-pototra ny fangatahana nataon’izy ireo ka mangataka ny hampiatoana ny fanapahana ny fifanarahana momba ny asa ary hiroso amin’ny dinidinika miaraka amin’ny mpitantana ny AFT.Vonjy   L’article Olan’ny AFT: hametraka fangatahana ny mpampianatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Indray mijery

Voatendry ho mpandrindra ny tetikasa ao amin’ny BNGRC, Andriamatoa Faly Aritiana Fabien. Voatendry ho tale misahana ny “Patrimoine et de l’administration ao amin’ny BNGRC kosa ny Général de Brigade Ramanantsoa Gabriel.Ankizy 157 tamin’ireo fokontany tao anatin’ny boriborintany VI no nahazo kopia maimaimpoana. Niarahana tamin’ny fikambanana Koloina ny hetsika.Maro ireo mponina sahirana ao an-toerana no nitaraina amin’ny tsy fananany ho enti-manana amin’ny fikarakarana ny kopian-janany, indrindra amin’ny fotoana hampidirana ny ankizy any an-dakilasy ka nanaovana ny hetsika.Teny amin’ny kaominina Ivato no nanaovana ny ezaka kopia faobe, tamin’ity herinandro ity, Manodidina ny 200 ireo ankizy sy olon-dehibe hisitraka izany avy amin’ireo fokontany 11 ao an-toerana. Dingana voalohany izao natao izao izay nanaovana ny fizahana ataon’ny dokotera avy amin’ny CSB Ivato. Efa fanao isan-taona ny ezaka kopia faobe izay hanentanana ireo olona tsy mbola manana izany.Hifarana anio ny andron’ny vaksiny faobe iarovana ny kilonga vao teraka ka hatramin’ny 5 taona amin’ny aretina lefakozatra. Ankizy 2 tapitrisa sy sasany amin’ny distrika 55 ao anatin’ny faritra 10 no hahazo ny vaksiny hanamafisana ny hery fiarovana sy hitsinjovana ny zaza malagasy. Mamindra amin’ny zaza 200 ny ankizy tsy vita vaksiny satria mbola ambony ny tahan’ny fangerena ankalamanjana mampiparitaka haingana ny valanaretina. Entanina ny reny sy ny mpikarakara zaza rehetra handray ny mpanao vaksiny satria hitety trano, sekoly ary ho tonga hatreny an-tsena izy ireny hanatrarana ny tanjona napetraka.  L’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mozika mafana: manasongadina ny hafatra entin’ny hira i Zair

Tia mamaky boky Ravoajanahary Nancy, noho ny fahatsapany fa io ny fitaovana mahomby indrindra raha te hanovo fahalalana sy fahendrena. Mankafy mihira koa anefa izy, hatramin’ny fahazazany.Nanomboka tamin’ity taona ity, tapa-kevitra ny tovovavy fa hampivady ireo fitiavana roa ireo ka hanome lanja manokana ny hafatra raiketin’ny hira, araka ny fanazavany.Nisafidy ny anarana Zair izy, amin’ny maha mpanakanto azy, ary nanomboka namoaka vokatra, izay efa mandeha any amin’ny onjampeo sy ny fahitalavitra any, amin’izao fotoana izao. Vokatry ny fiarahany miasa akaiky tamin’ny Davalt Rwickords, nandrindra ankapobeny, sy i Caeli, mpamoron-kira, ny hirany voalohany.Efa ela ny naniry ho lasa mpihira i Nancy, saingy ankehitriny vao tanteraka izany. Efa niatrika fifaninanan-kira samihafa ny tovovavy ary ambarany fa nahazoany traikefa maro izy ireny, nentiny nanomana zava-baovao sy miavaka amin’izay efa ataon’ny hafa. Araka ny voalazany, efa manana hira maro vonona i Zair ary hezahiny havoaka tsikelikely izany.Anisan’ny mampiavaka ity tovovavy ity koa ny fanehoana hatrany ny maha Malagasy, indrindra amin’ny fomba fiakanjo, izay toy ny tsy voahaja intsony ho an’ny ankamaroan’ny mpiangaly mozika mafana, izay matetika zara raha mitafy. “Amiko, fanabeazana sy fitaizana ny mozika”, hoy izy. Mifantoka amin’ny fampahafantarana io vazony vaovao io i Zair, amin’izao fotoana izao.Landy R. L’article Mozika mafana: manasongadina ny hafatra entin’ny hira i Zair a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Lozam-pifamoivoizana tao Toliara: tsy nanaiky LP ho an’ilay karana nahafaty olona ny vahoaka

 Namono nahafaty olona iray ny fiara nentin’ity teratany karana ity, ny 26 jiona lasa teo ka maty tsy tra-drano tamin’izany i Mampiono Miller izay nitondra mato. Mbola manaraka fitsaboana amin’izao fotoana izao ny namany niaraka taminy tamin’io fotoana io, araka ny fanazavana voaray. Akory anefa ny hatairan’ny fianakaviany raha nandray ny fiantsoana azy ireo, ny zoma lasa teo fa naroso omaly ny fitsarana ilay teratany karana mizaka ny zom-pirenena malagasy sy frantsay. Nangataka ny fanemorana ny raharaha ny mpisolovava ny fianakavian’ny maty kanefa tsy nahazo fa nahemotra ny harivan’io andro io ihany ity raharaha ity. Fantatra fa efa naiditra am-ponja vonjimaika ity Karana ity, roa andro taorian’ny nisehoan’ny loza. Niezaka ihany ity Karana ity nanao fampiraharahana fa tsy nanaiky ny fianakaviana satria efa eo am-pelatananan’ny Fitsarana ny raharaha. Anisan’ny mampiahiahy ny fianakaviany ny tsy faneken’ny mpitsara io fanemorana io. Manoloana izany, nitondra sora-baventy ny fokonolona nanatrika ity raharaha ity noho ny fahenoana fa misy fangatahan’ity Karana ity famotsorana vonjimaika alohan’ny hiantombohan’ny fitsarana. Nanambara ny teo anivon’ny Fitsarana fa ny 22 aogositra 2019 ho avy izao ny didim-pitsarana momba izao raharaha izao. Nilaza ny fianakaviana tamin’ny alalan’ny fanambarana nataon’izy ireo fa miandry am-pahatoniana ny valin’ny fitsarana ary mametraka izany eo ambany fahendren’ny fitsarana hampihatra ny lalàna, araka ny tokony ho izy satria ny olona namono olona dia tokony handray ny sazy sahaza ho azy. Tsiahivina fa efa nisy fiara 4×4 nahafaty olona toy izao teny Ankazomanga, ny herinandro teo fa tonga dia nidoboka am-ponja avy hatrany ilay mpamily nahavanon-doza.CMSL’article Lozam-pifamoivoizana tao Toliara: tsy nanaiky LP ho an’ilay karana nahafaty olona ny vahoaka a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Holafitry ny mpitsabo: tsy mazoto  miasa any ambanivohitra ireo dokotera

4 500 ny isan’ny mpitsabo voasoratra ao anatin’ny Holafitry ny mpitsabo eto Madagasikara miparitaka manerana ny Nosy, 4 000 ireo miasa eto Analamanga. Misy anefa ny  olana  sedrain’izy ireo. « Ampy ny isan’ny mpitsabo fa ny fitsinjarana azy hisandrahaka amin’ny faritra rehetra no manahirana, indrindra ho an’ny any ambanivohitra saro-dalana », hoy ny filohan’ny holafitry ny mpitsabo, Andrianasolo Eric, omaly teny Anosy. Mbola maro rahateo ny toerana tsy mandry fahalemana ka tsy mazoto miasa any ny mpitsabo, vokatr’izay.Misandoka  ho  mpitsaboTsy vitsy noho izany ny olona misandoka ho mpitsabo amin’ny faritra lavitry ny tanàn-dehibe. Isan-taona, manodidina ny telo ireo tratra miaraka amin’ny porofo fa misandoka ho mpitsabo nefa tsy manana ny diplaoma sy ny fanamarinana momba ny asam-pitsaboana. Tokony hiezaka hanara-maso sy hitory ireny ny solontenan’ny holafitra isam-paritra hiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka. Tsy tafiditra ao kosa ny mpitsabo nentim-paharazana izay manana lalàna mifehy azy manokana.Natokana ho an’ny Andron’ny mpitsabo eto Analamanga, ny omaly teny Anosy ka nizarana fitaovana « Application amin’ny Android » ho an’ny mpitsabo. Mivoatra hatrany ny fitsaboana ka zava-baovao (tao anatin’ny 10 taona farany) momba ny certificat médical, fanafody ary ny fomba fitsaboana no naparitaka amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao ahafahan’ny mpitsabo manatsara ny asany.Hanangana vaomiera  manokana Nanamarika ny tompon’andraikitra ny minisiteran’ny Fahasalamana, nandritra ny hetsika teny Anosy fa hanangana cellule de crise hitantanana ny asa rehetra, ny fanaraha-maso ny fisorohana ny tsy hidiran’ny aretina Ebola eto Madagasikara. Miara-miasa amin’ny tompon’andraikitry ny fanaraha-maso ny sisin-tany sy ny seranana izy ireo. Nambaran’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikamban momba ny fahasalamana fa hamehana ara-pahasalamana ny ady amin’ny aretina Ebola ka tokony handray fepetra ny firenena rehetra.Vonjy A.      L’article Holafitry ny mpitsabo: tsy mazoto  miasa any ambanivohitra ireo dokotera a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Lomano-Filaharana Afrika: mbola “top 10” i Murielle

 Misondrotra avo hatrany ny voninahi-pirenena malagasy, amin’ny alalan’ny taranja lomano. Taorian’ny nahazoany ny laharana faha-7, teto Afrika, ho an’ny 100 m NL, vehivavy, mbola tafiditra “top 10” indray Rabarijaona Tiana Marielle, ho an’ny 400 m NL. Ny fifaninanana “56th Malaysia International Age Group Swimming Championships” ka nahavitany ny hazakazaka tamin’ny fe-potoana 04’35”45 ny nahafahana nametraka ho eo amin’ny laharana faha-10 eto Afrika. Filaharana navoakan’ny Cana (Confederation africaine de natation), omaly, ho an’ny taona 2020. Tsiahivina fa maro ny fifaninanana iraisam-pirenena natrehiny tamin’ny taona 2019, nahazoany “record national” maromaro. Isan’izany ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, teo amin’ny 400 m NL, ny namontsanany ny zava-bita tsara indrindra nasionaly io. Nandray anjara tamin’ilay fifaninanana natao tany Gwangju, Corée, ihany koa i Murielle ka zava-bita tsara indrindra nasionaly roa ny montsany (50 m basse/200 m NL).Raha hiverenana ity filaharana nivoaka ity teo amin’ny 400 m NL, azon’i Dune Coetzee ny laharana voalohany (04’19’’19). Mi.Raz L’article Lomano-Filaharana Afrika: mbola “top 10” i Murielle a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

ONG MEDAIR: Fomba tsotra nefa manavotra aina ny fanomezan-drà

Nanombohan’ny ONG Medair ny hetsika « réveillons l’humani-terrien en nous » ny fanomezan-drà. Ny tontolo andron’ny 11 jona 2019 teny amin’ny trano fitehirizan-drà HJRA Anosy no nanatanterahin’ny ekipan’ny ONG sy ireo mpiara-miasa aminy ary ireo mpanohana ny hetsika « réveillons l’humani-terrien en nous » izany. Manentana ny olom-pirenena hanome rà maimaim-poana ny ONG. « Azo atao amin’ny alalan’ny fomba tsotra, tsy mandany vola nefa mamonjy aina ny fanomezan-drà, hoy ny talem-pirenen’ny ONG Medair eto Madagasikara. Ao anatin’ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny Medair ity hetsika ity fanomezan-drà ity, araka fanazavan’ny tomponandraikitry ny serasera, Rakotomavo Chrystelle. Ankoatra fanatanterahana hetsika maro samihafa mandritra ireo andro manerantany momba ny fanampiana ny maha olona dia manana vina hanamboatra foto-drafitr’asa toy trano fonenana ho an’ireo traboina any Avaratry ny Nosy noho ny loza voajanahary sy fanamboarana tobin-drano any Atsimo ny Medair. Ny fanentanana ny daholobe ny tranga momba maha olona eto Madagasikara, ny famohazana ny fahatongavan-tsaina fa manana anjara andraikitra ny tsirairay amin’ny fanampiana ny maha olona, ny fanatevenana ny kitapom-bola hanatanterahana ny asa no tanjon’ny ONG mandritra ny taona 2019. Tsara ho fantatra fa ONG iraisampirenena miasa amin’ireo firenena misy ady, marefo amin’ny loza voajanahary sy ny valan’aretina ary miezaka mampihena ny fahorian’ireo traboina ny Medair. Nirina R. ONG MEDAIR DON DE SANG Cet article ONG MEDAIR: Fomba tsotra nefa manavotra aina ny fanomezan-drà est apparu en premier sur déliremadagascar.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Takalo dinika amorom-patana: omena lanja ny fomba amam-panao…
17/09/2020

 Mitohy hatrany fanandratana ny hasin’ny kolontsaina malagasy tanterahin’ny Foiben’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany. Ny alahady 20 septambra izao, amin’ny 4 ora tolakandro ka hatramin’ny 6 ora hariva (ora eto Madagasikara) no hiditra amin’ny andiany faharoa ny lohahevitra “ Ireo fombafomba amam-panao amin’ny kabary am-panambadiana sy ny tandindona fonosiny”. Anisan’ny hampiavaka ity Takalo dinika amorom-patana ity, ny handraisan’ireo faritany Fimpima ivelan’Antananarivo anjara. Hanan-karena ny dinika satria samy manana ny mampiavaka azy izy ireo raha eo amin’ny fomba amam-panao amin’ny kabary am-panambadiana. Hisoron’afo amin’izany i Romule Thomas, mpikajy ny fomban-drazana faritany Fimpima Antsiranana, i Totoroy François, talen’ny serasera sampana Fimpima Mbarakaly faritany Toamasina, i Vincent Merland, mpandalina ny fomban-drazana faritany Fimpima Toliara ary Rtoa Rakotondriaka Avotra, filohan-tsampana Fimpima Soavinandriana faritany Antananarivo.Ankoatra ny tambajotran-tserasera “Zoom” sy “facebook”, hampiasaina ihany koa ny “You Tube” amin’ny fanatanterahina ny Takalo dinika amorom-patana. Na izany aza, mila misoratra anarana mialoha ireo izay handray anjara mba hahafahana mandamina sy mandrindra ny takalo, raha ny fanazavan’ny mpikarakara.HaRy RazafindrakotoL’article Takalo dinika amorom-patana: omena lanja ny fomba amam-panao… a été récupéré chez Newsmada.

Niara-niasa nandritra ny 10 taona mahery: « Tsotra sy malemy fanahy Ramahafadrahona », hoy i Dadafara
22/09/2020

“Raha teo amin’ny tontolon’ny kolontsaina, iray amin’ireo olona akaiky an-dRamahafadrahona aho”, hoy Ramilson Dadafara, omaly. Raha ny nambarany, tao anatin’ny 10 taona eo ho eo no niarahan’izy ireo nanolotra ny fandaharana momba ny hiragasy tao amin’ny Radio Madagasikara (RNM). Ramahafadrahona rahateo no tompon’andraikitra sy nanatontosa io fandaharana io. “Tao anatin’izay fotoana naharitra izay, ireto toetra ireto no hitako sy tsapako tao amin-dRamahafadrahona. Olona be fitiavana, tia fihavanana, tsotra sy malemy fanahy ary mora mifandray aman’olona”, hoy hatrany i Dadafara. Nohamafisiny fa “ anisan’ny nahafinaritra ahy taminy dia ilay fandalana ny kolontsaina malagasy nentim-paharazana. Tena tiany io”.Nambaran’i Dadafara fa anisan’ny manome torohevitra olona maro Ramahafadrahona. Ataony am-pitiavana izany hany ka satry hihaino azy foana. Manana talenta amin’ny fitantarana ny zava-misy rahateo izy. “Iray amin’ireo tena nahaliana ahy tamin’ireo notantarainy, ohatra, ny fizotran’ireo seho nataony tany ivelany. Nambaran-dRamahafadrahona tamiko tamin’izany fa marobe tokoa ny vahiny no liana sy voasariky ny vakodrazana malagasy”, hoy hatrany i Dadafara Hiragasy.Raha ny fijoroana vavolombelona nataon’i Dadafara, marobe ireo nandray sy nanovo soa tamin-dRamahafadrahona teo amin’ny tontolon’ny kanto.HaRy RazafindrakotoL’article Niara-niasa nandritra ny 10 taona mahery: « Tsotra sy malemy fanahy Ramahafadrahona », hoy i Dadafara a été récupéré chez Newsmada.

Dihy – Tantely Rajaobelina: “ Ny fifampikasohana sy ny serasera no mampivoatra”
21/09/2020

Ny fijerena horonantsary miresaka dihy sy ny talenta ao anaty miampy fifampikasohana ary ny fanampian’ny namana no nampivoatra ny fahaizany, raha ny fanazavan-dRajaobelina Tantely Fitiavana Marcella. Nohamafisiny fa “fianarana foana ny fiainana ary hiezaka hatrany aho hampitombo ny talenta nomen’Andriamanitra, araka izay tratra, mba ho lasa matihanina tanteraka eo amin’ny tontolon’ny dihy… Na izany aza tsy hadinoina ny fifaneraserana fa tena anisan’ny manokatra lalana tokoa izy io”, hoy i Tantely, nanazava ny vinavinany sy taratry ny ho aviny eo amin’ny tontolon’ny dihy sy ny fampivelarana izany.Vao 15 taona monja, efa maro ny sehatra nandraisany anjara : tao amin’ny Kianja mitafon’ny Mahamasina, Lapany Tanànan’Antananarivo, indrindra ireo karazana “festival” natrehiny…Eo am-piketrehana ny seho amin’ny fahadimy taonan’ny fikambanana misy azy izy, ankehitriny. Miandry ny fepetra sy lamina apetraky ny fanjakana noho ny hamehana ara-pahasalamana sisa.Niditra anatin’ny fianarana dihy tao amin’ny Femal dancehall (Street I Dance, sns,. ka i Belly SID no nampianatra azy), izay anisan’ny nampivoatra an’i Tantely taminy dihy, indrindra moa fa ny gadona “Dancehall”. Fantatra fa mpikambana ao amin’ny tarika Rabefidihy i Tantely Rajaobelina, ankehitriny. Ny hizara sy hampita ho an’ireo zandry aty aoriana, ny dihy eto an-tanindrazana no tanjony ary maniry ny ho lasa lavitra eo amin’ny tontolon’ny dihy no mba nofinofiny…Misokatra amin’ny fiaraha-miasa rehetra ny tenany, indrindra ny eo amin’ny tontolon’ny kanto malagasy.Narilala L’article Dihy – Tantely Rajaobelina: “ Ny fifampikasohana sy ny serasera no mampivoatra” a été récupéré chez Newsmada.

Ady amin’ny covid-19: manomboka mivaha ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana
17/09/2020

Tsikaritra eny anivon’ny fiarahamonina fa mihagoragora ny fanarahana ny fepetra ara-pahasalamana. Tsy ny tahotra ny aretina intsony no anaovan’ny olona arotava fa tahotra ny mpitandro filaminana.Eny an-dalambe, efa misy mahasahy tsy manao arotava intsony. Vao mivadika any anelakela-trano dia efa esorina ny takom-bava. Tsy misy manao fiarovana izany amin’ireo toerana tsy fandehanan’ny mpitandro filaminana.Tsy voahaja intsony koa ny elanelana na amin’ny fisisihana taxi-be, amin’ny hariva, na eny an-tsena na eny an-dalana. Miverina amin’ny teo aloha ny fiainan’ny mponina etoAntananarivo ary vitsy ireo tena manaja ny fepetra ara-pahasalamana.Ho an’ireo taxi-be, tsy misy mampiasa « gel désinfectant » hozaraina amin’ny mpandeha intsony. Tsy ampiasaina, araka ny tokony ho izy, ny arotava ho an’ny mpamily sy ny mpanampy azy. « Mafana ny andro ka mahatsiaro ho voahelingelina izahay », hoy izy ireo. Ny mpandeha taxi-be betsaka ireo manala arotava rehefa tafapetraka mahazo toerana ao anaty fiara ary tsy misy mifampiteny.Any an-tsekoly, ho an’ireo efa niditra nianatra kosa, misy ireo manaja tsara ny fepetra fiarovana amin’ny fakana sy fanaterana mpianatra. Toraka izany ny biraom-panjakana sy ny orinasa izay mbola sarotiny amin’ny fanasana tanana mialoha ny hidirana ao an-toerana sy fanaovana arovava. Eo koa ny fiangonana izay fatra-panaja ny fepetra rehetra mba hahalavorary ny fahasalaman’ny kristianina.Tatiana AL’article Ady amin’ny covid-19: manomboka mivaha ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana a été récupéré chez Newsmada.

Kianja Barikadimy Toamasina: misy mitady hanakorontana ny lalaon’ny Barea
21/09/2020

Tsy mbola milamina ny ao amin’ny kianja Barikadimy, amin’izao iray volana mahery handraisana ny lalao miverina eo amin’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, izao. Niteraka gidragidra ny fanesorana ireo trano manamorona ny kianja.Nisavorovoro ny tao amin’ny kianja manara-penitra Barikadimy Toamasina I, ny alakamisy 17 sy ny zoma 18 septambra lasa teo. Anton’izany ny tsy maintsy nandravana ireo trano manamorona ny lalana miditra ao amin’ity fotodrafitrasa ara-panatanjahantena ho an’ny baolina kitra ity.Raha tsiahivina, anisan’ny fepetra takin’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa) ny tsy hisian’ny trano fonenana manakaiky ny kianja filalaovana. Tsy maintsy nirosoana izany hahazoana fankatoavana handraisana ny lalaon’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Efa hatramin’ny 10 febroary lasa teo no nandefa taratasy laharana 09-20/Cut/Toa, ho an’ireo mponina voakasika amin’izany ny kaominina an-drenivohitra Toamasina, handrava tsy misy hatakandro ny trano rehetra. Voalaza mantsy fa tsy ara-dalàna ny fananganana izany satria tsy nisy fahazoan-dalana.Atao lalana migodana misy soritra efatra ho an’ny fiara roa mandroso sy roa miverina mantsy izany, izay hita amin’ny ilany antsinanana sy atsimo ary andrefan’ny kianja Barikadimy, ankoatra ny toeram-piantsonan’ny fiara na “parking”. Manoloana izany, misy ireo mamadika azy ity ho resaka politika ka mitady ny hirika rehetra tsy hahavitan’ny fotodrafitrasa, mba tsy haneken’ny Fifa ny kianja Barikadimy ka tsy hahafahan’i Toamasina mampiantrano io lalao lehibe, efa andrasan’ny vahoakan’ny faritra Antsinanana fatratra io.Vokatr’izay, manao antso avo hiray hina ny mpitia baolina kitra eto Toamasina, satria antomotra ny fe-potoana hanaovan’ny solontenan’ny Fifa fitsirihana ny kianja Barikadimy, sao sanatria tsy hahazo fankatoavana ka ho votsotra ny fandraisana io fihaonan’ny Barea sy i Côte d’Ivoire, io. SajoL’article Kianja Barikadimy Toamasina: misy mitady hanakorontana ny lalaon’ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

«Hip Hop 4 Peace» : Anisan’ireo firenena 62 handray anjara i Madagasikara
19/09/2020

Ho fankalazana ny faha-75 taona niforonany sy ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana, manomana hetsika goavana antsoina hoe «Hip Hop 4 Peace» ny rantsan’ny Firenena mikambana, miara-miasa amin’ny UHHM (Universal Hip-Hop Museum).Amin’ny 21 septambra 2020, hisy seho goavana, «Hip Hop 4 Peace», hampitaina amin’ny fahitalavitry ny Firenena mikambana (United Nations Television) sy eny amin’ny tambajotran-tseraseran’ny UHHM sy ny youtube UHHM. Hetsika ahitana mpa­nankanto maneran-tany, miriaria ao amin’ny tonto­lon’ny Hip Hop. Anisany handray anjara amin’izany ny avy eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ireo firenena 62 mpikambana ao amin’ny GHH Global i Ma­da­gasikara. Tsy vao sambany ny mikarakara hetsika ny GHH Madagasikara, tarihin’ i Luis Herald, fa efa nikarakara hetsika sy famelabelaran-kevitra tao amin’ny Alliance française Andava­mam­ba, ny jona 2019. Amin’ity taona ity, mandray anjara amin’ny “Hip Hop4 Peace” i Madagasikara ary hisolo tena azy amin’izany ireo mpanakanto ao amin’ny tontolon’ny hip hop toa an-dry Doublenn, i MBL (Kar­naz), i Mymen Kaïd, i Ysa­ra­ya, i Adrien (mpandihy) ary i Clipse (artiste graffiti).Misehatra amin’ny maha olona “Manosika ireo tanora hiantsehatra sy handray an­draikitra eo amin’ny fiarahamonina amin’ny alalan’ny famoronana sy talenta, ao anatin’ny tontolo hip hop, ny GHH. Soatoavina efatra ny tena ifantohan’ireo hetsika sy asa rehetra ataony: ny Fan­­driampahalemana, ny Fi­tiavana, ny Firaisankina, ny Fialamboly. Ny fandaharanasany mahakasika sehatra maromaro toy ny fandravonana ady, fanampiana ireo mpifindra monina, ady amin’ny hanoanana ary ady amin’ny famarotana olona”, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra. 62 ireo firenena mikambana ao anatin’ ny GHH ka tarihin’ireo am­basadaorony avy izany. Fa­m­pivoarana ny tontolo ivelarana sy ny fiarahamonina no anisan’ny tanjona lehibe ezahin’ny GHH tratrarina. Marihina fa “ny Hip Hop dia tsy mozika fotsiny na hetsika kolontsaina ihany fa efa mivondrona ho fianakaviambe. Mitondra ny feontsika ho ren’izao tontolo izao, amin’ ny fitenintsika, ary manamarika ny fisiantsika ao anatin’izany fianakaviamben’ny hip hop maneran-tany iza­ny”, araka ny nambaran’i Luis Herald, mpitarika ny Generation Hip Hop Ma­da­gascar.Narilala sy HaRy RazafindrakotoL’article «Hip Hop 4 Peace» : Anisan’ireo firenena 62 handray anjara i Madagasikara a été récupéré chez Newsmada.

Fametrahana ny tany tan-dalàna: malahelo sy menatra amin’ny ataon’ny fitsarana ny KMF/Cnoe
24/09/2020

Tsy nitsitsy fitenena ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, manoloana ny fametrahana ny tany tan-dalàna. Anisan’ny notsikerain’izy ireo ny fitsarana.“Foto-kevitra iray iainan’ny KMF/Cnoe ny fanajana lalàna. Ho anay, rehefa izay ny fanapahan-keviny: mampalahelo sady mahamenatra. Mampalahelo sy mahamenatra tsy hoe tsy nahavoa na resy izahay fa Repoblika sy fanjakana tan-dalàna no iainantsika nefa mahasahy milaza fa tsy mahefa ny raharaha ny mpitsara.”Io ny nambaran’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, notarihin’ny filoha nasionaliny, Andriamalazaray Andoniaina, teny Antanimena, afakomaly, manoloana ny tsy fahefan’ny Filankevi-panjakana mitsara ny fitoriany amin’ny hanafoanana ny didim-panjakana fihaikana mpifidy vaventy sy ny hanafoanana ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra.Ny fanambaran’ny Filankevi-panjakana fa tsy mahefa hitsara ny raharaha amin’izay io fitoriana izay no tsy nampoizina. Efa nisy ny ady toy izao tany amin’ny taona 2008. Angamba, mety ho diso fitadidy ireo mpitsara. Nisy didim-panjakana navoakan’ny Filankevi-panjakana tamin’izany. Amin’ny maha didy fakan-tahaka azy fotsiny, mahamenatra ny nambaran’ny fitsarana ho tsy mahefa ny raharaha. “Mahamenatra izany fa tsy maninona: izay ny rafitra sy ny lalàna, hajaina ny lalàna”, hoy izy.Tsy ny voka-pifidiana no zava-dehibeRehefa mifidy ny olona, tsy ny voka-pifidianana no zava-dehibe fa ny fahazoana maneho hevitra amin’ny latsa-bato. Izay famoahana ny safidy avy amin’ny tsirairay izay no manambara fa tany tan-dalàna sy fanajana ny demokrasia, manoloana ny filazana fa tsy hanova ny voka-pifidianana ny tsy fahafenoan’ny mpifidy vaventy amin’io fifidianana loholona io.Nilaza ny mbola hivory sy handinika tsara ny KMF/Cnoe na hanara-maso na tsia ny fifidianana. Tsy azo entina amin’ny hafanampo sy ny hataitairana ny raharaham-pirenena.R.Nd.L’article Fametrahana ny tany tan-dalàna: malahelo sy menatra amin’ny ataon’ny fitsarana ny KMF/Cnoe a été récupéré chez Newsmada.

Vakinankaratra: mitombo isan-taona ny fahapotehan’ny ala
22/09/2020

Hatramin’ny nisian’ny krizy noho ny  coronavirus, tsy latsaky ny 20 000 ny fanapahana hazo tsy ara-dalàna ho an’ny faritra Vakinankaratra, araka ny vaovao nampitain’ny minisiteran’ny Tontontolo iainana.Ny tsy fahampian’ny tolotra eo amin’ny h    azo fahandroana sakafo no fototry ny olana ka tsy mifidy ireo mikapa hazo hanaovana saribao sy kitay. “Hafantoka amin’ny voly hazo fanaovana kitay ny ampahany betsaka amin’ny fambolen-kazo manaraka”, hoy ny minisitra Baomiavotse Raharinirina. Tena mbola tsy afaka amin’izany ny tokantrano maro. Fambolen-kazo tsy lavitry ny tanàna ny vahaolana amin’izany, araka ny nambarany.Mahatratra 60 tapitrisa isan-taona ny zanakazo volena, efa natomboka tamin’ny taom-pambolena 2019-2020. Ny fari-piainana eto Madagasikara  niainga avy amin’ny fanadihadiana nataon’ny Usaid izany, tany amin’ny taona 2004, hoy Razakarimanana Ndranto, ao amin’ny Alliance Voahary Gasy. « Avy amin’izany fanadihadiana izany ny tokony hambolen-kazo 1500 fototra isaky ny hekitara amina velarana 40 000 ha isan-taona manerana ny Nosy, hanampiana ny tolotra hazo fanaovana kitay sy saribao », hoy izy. R.MathieuL’article Vakinankaratra: mitombo isan-taona ny fahapotehan’ny ala a été récupéré chez Newsmada.

Toamasina: 84,95 % taham-pahafahana CEPE
21/09/2020

Nivoaka, omaly maraina ny voka-panadianana CEPE, natao ny 15 septambra lasa teo ho an’i Toamasina. Nisy ny fihaonan’ ireo mpampianatra nisahana ny fanadinana hatramin’ny fitsarana ka niara-nidinika ny naoty farany ambany. Tapaka fa ny salan’isa 09/20 miakatra no ekana fa mahazo ny mari-pahaizana CEPE. Vokany, nahatratra 84.95% ny taham-pahafahana, izay nisy fitomboany kely raha noharina tamin’ny taon-dasa 83,34%. Ho an’ny taona 2018- 2019, natao 9,75/20 ny naoty farany ambany noraisina ka tsy tokony hibitaka ihany ny fari-piadidiam-pampianarana manoloana ny vokatra tamin’ity taona ity.7 428 ny isan’ny mpiadina voasoratra anarana ka 52 ireo tsy tonga nanatrika ny fanadinana, ary nahatratra 6 012 ny mpiadina afaka. Raha noferana ho 9,50/20 ny salanisa ahafahana CEPE, 87,05% ny taham-pahafahana. Raha ny noraisina ho 10/20  kosa dia ambany ny taham-pahafana satria manome 76,64%.  Nitarika teo amin’ny naoty farany ambony ny mpiadina avy amin’ny sekoly tsy miankina katolika nahazo ny naoty 19, 80/20 ny voalohany. 19,75/20 ny faharoa ary 19,70/20 ny fahatelo, samy avy amin’ny sekoly finoana katolika avokoa izy ireo. Ireo 10 voalohany dia avy amin’ny sekoly tsy miankina katolika avokoa. BEPC-Tsy mahazo miditra ny ray aman-dreny…Ho an’ny fanadinana BEPC kosa, izay hanomboka anio, ho hentitra ny fanaraha-maso sy fanarahana ny fepetra ara-pahasalamana : fanaovana arotava sy orona, fanasan-tanana mialoha ny hiditra ny faritry ny toeram-panadinana. Tsy mahazo mitondra fitaovana elektronika toy ny finday ny mpiadina, araka ny nambaran’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianara Toamasina I, Ramarolahy Joseph, tetsy amin’ny CEG de reference, omaly. Nohamafisiny fa tsy azon’ny raiaman-dreny atao ny miditra ny faritry ny sekoly mandray fanadinanana. Ho an’ ireo mpiadina tsy afaka mamonjy fodiana ny antoandro kosa fa hanaterana sakafo, olona iray ihany no afaka miditra manatitra ny sakafo raha tsy hivoaka ny faritry ny sekoly ilay mpiadina. Ho fiarovana ny filaminana mandritra ny fiatrehan’ny mpiadina ny fanandinana BEPC, efa vonona ny mpitandnro filaminana handray ny andraikiny. Toerana telo ihany no ametrahana ny petadrindrina ho an’ny valin’ny CEPE: ao amin’ny biraon’ny Cisco sy ny Dren ary etsy amin’ny EPP Beryl Rose hisorohana ny fitangoranana  SajoL’article Toamasina: 84,95 % taham-pahafahana CEPE a été récupéré chez Newsmada.

Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: “Ilaina ny fahasahiana ka tsy hihemotra isika…”
22/09/2020

Hentitra ary nahitsy ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina. “Efa nivoaka tamin’ny fomba ofisialy izao ny Fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana (CMH), anisan’ny tetikasa lehibe nataontsika ho an’Antananarivo… Mila fahasahiana ny zavatra toy izao ary tsy hihemotra isika satria efa nandrasan’ny mponina amintsika izany”, hoy izy, tamin’ny fananganan-tsaina niarahana amin’ny mpiasan’ny CUA, tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna, omaly.Nanteriny fa ahafahana mitondra fanovana eto an-dRenivohitra, amin’ny fifanajana, ny fanabeazana, ny maha olona, ny fahadiovana, ny filaminana sy ireo maro samihafa izany.Niaiky ny tenany fa mbola tsy tena azon’ny mponina ny tena votoatin’ny CMH sy ireo zavatra ao anatiny. Mila fotoana ny fampahafantarana ireo fitsipika maro ireomba hipaka tsara any amin’ny tsirairay sy hampiova ny fomba fisainantsika, araka ny nambarany.Mpanao politika manimbazimba ny ezaka fitaizana…Etsy an-daniny, naneho ny alahelony amin’ireo mpanao politika sasany ny ben’ny Tanàna. Nohitsiny fa manararaotra manakiana sy manimbazimba ny ezaka atao ho fitaizana sy fampianarana ny olom-pirenena mba ho mendrika. “Mila miroso hatrany isika manohy ny ezaka, mahafa-po ny vahoaka maro anisa sy mahasoa ny tanànantsika, ka hilamina sy hirindra tsara ny fiainana andavan’andro”, hoy ihany izy.Efa tsy mahagaga ny fanakianana anaty tambajotra sosialyAnkoatra izany, notsindriny fa mbola maro ireo tsy mahalala sy mampifangaro ny hetra sy ny atao hoe lamandy. “Tsara ho fantantsika fa tsy ny lamandy velively ny natao hampiakatra ny vola miditra ato amin’ny kaominina. Fa natao izany mba ho fanabeazana ny tsirairay. Ny fanakianana eny amin’ny tambajotra sosialy ireny efa tsy mahagaga. Zava-dehibe ny fanohanan’ny ankamaroan’ny  mponina  sy mankasitraka ny ezaka ataontsika”, hoy ihany Andriantsitohaina Naina.Matoky ireo mpiasan’ny CUA rehetra ny ben’ny Tanàna amin’ny fandraisana ny andraikitra tandrify azy.Synèse R. L’article Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: “Ilaina ny fahasahiana ka tsy hihemotra isika…” a été récupéré chez Newsmada.

KOM-Fiofanana: hiditra an-tsehatra ny fibatana fonjamby
17/09/2020

Manao sesilany ny fanomezana fampiofanana avy amin’ny Komity olympika malagasy sy ny FMHMC (Fédération Malagasy d’Haltérophilie de Musculation et de Culturisme). Hiditra an-tsehatra, manomboka anio, amin’ny fiofanana ho mpanazatra “niveau 2”, ny eo amin’ny taranja fibatana fonjamby. Etsy amin’ny foiben’ny Malagasy Rugby Ankorondrano ny hanaovana izany, raha ny fanazavana, raha toa ka mbola tsy fantatra kosa ny isan’ireo hiofana.Ho an’ny taranja Escrime kosa, miditra amin’ny andro fahenina ny fiofanana etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Nohamafisin’ny mpampiofana fa tsy maintsy miatrika fanadinana ireo mpiofana ka izay afaka ihany no mahazo ny diplaoma, hozaraina amin’ny fiafaran’ny fampiofanana, amin’ny fiandohan’ny herinandro izao. Omaly, nanomboka niditra bebekokoa tamin’ny fampiharana ny mpiofana. Tsiahivina, 14 mianadahy ny hizarana traikefa ho mpanazatra “niveau 1” eo amin’ity taranja Escrime ity. Mi.Raz  L’article KOM-Fiofanana: hiditra an-tsehatra ny fibatana fonjamby a été récupéré chez Newsmada.

Sosona ozona: nanatsara ny habakabaka ny Covid-19
17/09/2020

Manimba, mampanify ny hatevin’ny sosona ôzôna eny amin’ny habakabaka ny fiharian’ny olombelona. Nisy fihatsarany ny fihibohana vokatry ny tranga Covid-19 satria nihena ny fiparitahan’ny entona karbona manimba ny sosona ôzôna.Miaro ny haibolan-tany amin’ny hafanana avy amin’ny masoandro ny sosona ozôna.Tandindomin-doza amin’izao fotoana izao ny haibolan-tany, indrindra tato anatin’ny taonjato roa farany, ity sosona ity, satria niroborobo ny famokarana indostria, mamoaka entona karbôna (CO2), ampian’ny fitrandrahana ny zavamaniry ka mampanify ny hateviny ary mampiakatra ny maripana eto an-tany.Nilaza ny teknisiana ao amin’ny Birao nasionaly ny Ozôna (BNO), i Nandrasana Mamy, fa miverina tsikelikely, mihatsara ny sosona ôzôna eto amintsika amin’izao vanim-potoana hisian’ny tranga Covid-19 izao. Antony, nihena ny famokarana indostrialy sy ny fifamoivoizana satria maro ny fiara tsy nivezivezy ka nihena koa ny fampiasana solika, mamoaka etona karbona. Nihena koa ny doro tanety nandritra izay fihibohana izay.Omaly 16 septambra ny Andro iraisam-pirenena hiarovana ny sosona ôzôna, napetraky ny firenena Mikambana. Lohahevitra noraisina ny hoe : “Ozôna ho an’ny fiainana”. Nampiavaka ity fotoana ity koa ny faha-35 taona ny nankalazana ny Andron’ny ozôna.Foanana ny fampiasana ny HCFCManampy izany, mitohy ny fanafoanana tsikelikely ny fampiasana ny fitaovana na kojakoja  ahitana ny etona HCFC (Hydrochlorofluorocarbures). Etona anisan’ny manimba ny sosona ozôna koa ity. Nanomboka ny taona 2010 ny ezaka nanafoanana ny fampiasana azy tsikelikely. Efa Manodidina ny 35% ny taha tsy ahitana azy amin’izao fotoana izao ka tanjona ho 65% amin’ny taona 2025. Nanolotra fitaovana “climatiseur” miisa 38 ny Sampana firenena Mikambana hampandrosoana ny indostria (Onudi), omaly, miaraka amin’ny kojakoja mandeha amin’ny etona R290. Mitsitsy angovo ireo fitaovana ireo, mihena hatrany amin’ny 20%. Haparitaka eto Analamanga sy Vakinankaratra izy ireo.Njaka AndriantefiarinesyL’article Sosona ozona: nanatsara ny habakabaka ny Covid-19 a été récupéré chez Newsmada.