Kivy tanteraka ny Ceni: tsy hahazo alalana intsony ny mpanara-maso tsy manao tatitra

News - Kivy tanteraka ny Ceni: tsy hahazo alalana intsony ny mpanara-maso tsy manao tatitra
“Raha tsy miroso amin’ny fanaraha-dalàna isika, hisy ny fepetra horaisin’ny Ceni: ny tsy fanomezana intsony ny alalana sy fankatoavana an’ireo fikambanana na malagasy na iraisam-pirenena ny fanaraha-maso ny fifidianana, izay tsy nahatonga tatitra amin’ny fotoana ara-dalàna aty amin’ny Ceni momba ny fanaovany ny fanaraha-maso ny fifidianana.” hoy ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo. Tapitra ny 6 jona ny folo andro voalazan’ny lalàna, tsy maintsy anateran’ny mpanara-maso fifidianana nahazo fankatoavan’ny Ceni amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana depiote teo. Efatra amin’ireo fikambanana malagasy sy iraisam-pirenena miisa 39 nahazo fankatoavana sy alalana tamin’izany no mba nahatonga tatitra, ny herinandro teo. Noho izany, manao antso fanairana ireo mpanara-maso fifidianana ireo hanara-dalàna ny Ceni.
Ilaina ny fanaovana tatitra
Antony tena ilàna ny fanaovana ny tatitra ataon’ny fikambanana manara-maso ny fifidianana aty amin’ny Ceni ny fanarahan-dalàna. Voalazan’ny lalàna fa folo andro aorian’ny andro fandatsaham-bato ny tokony handefasan’ireo mpanara-maso nahazo alalana sy fankatoavana ny tatitra ny fanaraha-maso ny fifidianana nataony any amin’ny Ceni. Tsy maintsy manao tatitra ny Ceni isaky ny mahatontosa fifidianana ka hilazany ny tokony ho fanatsarana ny fifidianana manaraka. Noho izany, ilaina ny tatitr’ireo mpanara-maso, hahitana ny mety hotohizana sy hohatsaraina tamin’ny fifidianana. Hahitana ny tsy mety tokony hovaina sy hitadiavana hevitra tsy hiverenany intsony amin’ny ho avy.
R.Nd.
L’article Kivy tanteraka ny Ceni: tsy hahazo alalana intsony ny mpanara-maso tsy manao tatitra a été récupéré chez Newsmada.
Vakio ihany koa
News - News Mada
Rugby aty Afrika: federasiona 11 hahazo vola 276 490 euros
Mba hampirindra tsara ny fanombohan’ny taom-pilalaovana 2021, taranja rugby, nanapa-kevitra ny Rugby Afrique fa hanampy ireo federasiona 11 ka hanolotra vola ho azy ireo tsirairay avy.Ho fiomanana amin’ny fiverenana amin’ny fifaninanana sy ho fiatrehana ny taom-pilalaovana 2021, nanambara ny Rugby Afrique fa hanome vola mitentina 276 490 euros na 663 576 000 Ar, ho an’ireo federasiona mpikambana eo aminy. Hatreto, firenena 11 amin’ireo 39 ny hisitraka izany: Namibia, Kenya, Oganda, Tonizia, Zimbaboe, Alzeria, Zambia, Madagasikara, Côte d’Ivoire, Sénégal ary Ghana.Nisy ny masontsivana henjana nojerena ahafahana mizara ireo vola ireo ka anisan’ireny ny nampiasana ny fanampiana tamin’ny taon-dasa. Tokony ho natokana ho an’ny fampandrosoana sy ny fampiroboroboana ny fifaninanam-pirenena sy ny fanampiana ny ligy ary ny klioba ny 40 %. Ny 60 % kosa, nifototra tamin’ireo vokatra sy ny fandraisana anjara tamin’ny fihaonana natao ny 2018 sy ny 2019 ka anisan’ireny ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can), lahy sy vavy, ny rugby lalaovina olona fito sy ny “Barthès Trophy U20”.Tsaraina amin’ny zava-bitaHiankina amin’ny zava-bitan’ny ekipam-pirenena izany ny vola azo, izay eo anelanelan’ny 43 736 sy 5 027 euros. Hiara-kiasa amin’ny federasiona tsirairay avy ny Rugby Afrque ho amin’ny fankatoavana, mialoha ny hamoahana ny vola. Tsy maintsy mandinika ny lafy tsarany rehetra amin’ny fampiasana ny vola ireo federasiona 11 handray izany ka hifototra tsara amin’ny fampandrosoana haingana sy ny fanatsarana ny kalitaon’ny fifaninanana, hahazoana manana ekipam-pirenena tsara. Tsy hisy intsony koa ny olana momba ny vola ho an’ny federasiona, eo amin’ny fanomanana ny ekipany.“Raha tsy nisy ny fanohanana toy izao, mety hanano sarotra ny fanombohana ny taom-pilalaovana, ho an’ny federasiona isanisany. Niaraha-nahita mantsy fa tena niaina vanim-potoana sarotra tsy mbola nisy toy ity ny rehetra tamin’ity taona 2020 ity, noho ilay areti-mandringana Covid-19”, hoy i Andrew Owor, filoha lefitry ny Rugby Afrique. Marihina fa tsy mitovy amin’ilay tahirim-bola iombonana ho famonjena, nitentina 117 000 euros, ho an’ireo federasiona 31 ity, izay namonjena ireo marefo tamin’ny alalan’ny fanomezana sakafo sy famatsiana fitaovana ara-pahasalamana. Tompondaka L’article Rugby aty Afrika: federasiona 11 hahazo vola 276 490 euros a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Tantaram-pirenena: 28 taona ny “Raharaha 10 aogositra 1991”
Mandeha ny fotoana. 28 taona izay ny “Raharaha 10 aogositra”, asabotsy toy izao. Efa zary hadino? Na odian-tsy hita sy tsy fantatra… Tsy misy hetsika manokana intsony ho fahatsiarovana izany. Toa tian’ny sasany hofafana aza? Nitondra ho amin’ny Repoblika III ny hetsi-bahoaka tamin’ny 91, nipoiran’iny hoe “Diaben’ny Fahafahana” iny.Io hetsika io no noheverina hamaranana ny fitakiana, nanomboka teny amin’ny kianja Coum, 67 ha, ny 1 mey 1991: ny fanovana ny lalàmpanorenana, ny fialan’ny filoha Ratsiraka… Ny hametrahany fialana rahateo ny hoe anton’ny “Diaben’ny Fahafahana”, nangatahin’ny solontenan’ny Hery Velona Rasalama fifampidinihana taminy.Nitarika izany, niainga teny amin’ny kianjan’ny 13 mey hamonjy ny lapam-panjakana Iavoloha, ny Pr Zafy Albert sy ny pasitera Andriamanjato Richard ary ny jeneraly Rakotoarisoa Jean. Na marobe aza ny vahoaka nandeha tamin’ny hetsika sy tamina tanam-polo, tsy araka izay niheverana azy ny niafaran’ny raharaha.Nisy ny famonoana vahoaka Tsy nisy izay fametraham-pialan’ny filoha Ratsiraka; eny, na ny hoe fifampidinihana taminy aza. Vao taty amin’ny 1,5 km alohan’ny sampanan-dalana ho any amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, ohatra: niraraka ny toraka pilotra nataon’ny Antandroy voakarama manokana. Vokatr’izany, nikoropaka sy niparitaka nandositra ny olona.Kinanjo, nisy ireo nipoahan’ny vanja nilevina teny an-tanimbary. Nanidina teny amin’ny habakabaka ny helikoptera tamin’izany, noheverin’ny maro fa nitsoahan’ny filoha Ratsiraka… niala. Kinanjo, tifitra sy fandatsahana grenady no nitranga. Fantatra fa anisan’ny nokendrena tamin’izany ny fiara miloko mainty nisy ny Pr Zafy Albert.Nisy koa fibaikoana miaramila hitifitra ny tongotry ny mpanao fihetsiketsehana: nisy naratra, nisy maty… Teo koa, ohatra, ny fanenjehana sy ny fitifirana olona, na efa nitodi-doha nody aza. Nisy filazana hoe teo ny fanasana ny arabe nihosin-dra, ny fisavana trano manodidina ny alin’iny; eny, na ny hoe fisian’ny lavaka nanaovana fandevenana faobe aza…Inona ny marina? Tsy azo kosehina eo amin’ny tantaram-pirenena ny “Raharaha 10 aogositra”: mila fikarohana, famoahana ny marina…R.Nd.L’article Tantaram-pirenena: 28 taona ny “Raharaha 10 aogositra 1991” a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Eran-tany
Nampihena betsaka ny fampiasam-bola maneran-tany tamin’ity taona ity ny fisian’ny aretina Covid-19. Nihena -30 % izany hatramin’ny 40 %, araka ny fanamarinana navoakan’ny sampana ao amin’ny Firenena mikambana misahana ny varotra sy ny fampandrosoana, Cnuced (Conférence des Nations unies pour le commerce et le développement). Raha ny nambaran’ny Cnuced aza, latsaka – 49 % mihitsy tamin’ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona ity izany raha ampitahana tamin’ny taon-dasa. Voakasika daholo izay mety sehatra tokony nampiasam-bola.Nifanaraka i Japana sy Angletera hanatevina ny fifanakalozana ara-barotra aorian’izao Coronavirus izao. Mihevitra ny hampitombo izany fifanakalozana izany ho 50 % ny firenena roa tonta. Hifanakalozana amin’izany ny sehatry ny teknolojia vaovao, ny kojakojana fiarakodia, hatramin’ny fromazy. Mitovitovy amin’izany koa ny fifanarahana eo amin’i Japana sy ny Vondrona eoropeanina, fifanakalozana mitentina 16,8 miliara dolara. Mijery sy mamaritra lavitra i Japana, manao fifanarahana manokana amin’i Angleteera noho ny fisintahan’ity firenena ity amina Vondrona eoropeanina (Brexit).Loza mitatao amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona ny fiovan’ny toetr’andro, ka hivadika tsikelikely miova amin’ny fampiasana solika ny kandida Joe Biden, any Etazonia. Nanambara ny finiavany amin’izany ny kandida filoha amerikanina, izay toherin’ny mpifaninana aminy, Donald Trump, filoha ankehitriny. Mihevitra hanapotika ny indostria momba ny solika ny kandida Joe Biden. Tsy laviny ny fanovàna miandalana amin’ny indostria momba ny solika , izay mbola iankinan’ny toekarena betsaka ankehitriny. Koa miteraka fatiantoka ho an’ny firenena maro ny fiovana miala amin’ny solika.L’article Eran-tany a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Tetikasa Fandroso: 20,5 tapitrisa euros hampandrosoana ny tantsaha
Natao sonia, ny 9 jolay teo, ny fifanarahana eo amin’ny Vondrona eoropeanina (UE) sy ny Tahirimbola hampandrosoana ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (FDA) ao anatin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (Maep), hanatanterahana ny Tetikasa Fandroso. Mitentina 20 526 315 euros ny famatsiam-bola ka avy amin’ny UE ny 19 500 000 euros, ary avy amin’ny fanjakana malagasy ny 1 026 315 euros. Hoentina hanohanana ny fampandrosoana ny Vondrona tantsaha mpamokatra ny Tetikasa Fandroso, hanamorana ny fahazoan’izy ireo ny tolotra amin’ny famokarana, sy hanavaozana rahateo ny fomba famokarana. Voakasik’izany ny faritra 22 eto amintsika, ary haharitra 36 volana ny tetikasa.Nilaza ny masoivohon’ny UE eto Madagasikara, i Giovani Di Girolamo, fa antenaina hitondra fampandrosoana lehibe eny ambanivohitra ity tetikasa ity. Hanampy betsaka ny tantsaha mpamokatra ihany koa, indrindra ny tokantrano marefo, manoloana ny krizy ateraky ny Covid-19.Zanaka tetikasa miisa 4 000Ho an’ny minisitra Maep, Ranarivelo Lucien, ilaina tokoa ny fanohanan’ny Vondrona iraisam-pirenena amin’izao krizy ara-pahasalamana izao. Nandray ny fepetra rehetra hanampiana ny lafiny sosialy sy ny famokarana i Madagasikara, toy ireo firenena afrikanina hafa, hoentina hampandrosoana ny toekarena.Manodidina ny 4 000 ny zanaka tetikasa hotohanan’ny Tetikasa Fandroso. Miisa 250 000 ny mpamokatra hahazo tombontsoa. Hisy ivontoerana Tahirimbola hampandrosoana ny fambolena sy ny fiompiana (FDA) vaovao hosokafana any amin’ny faritra enina (i Bongolava, i Betsiboka, i Boeny, i Diana, i Sava ary i Sofia).Marihina fa ao anatin’ny Fandaharanasa Rindra ny tetikasa Fandroso, hampiakarana ny vokatra sy ny fidirambolan’ny tantsaha misehatra amin’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono.Njaka AndriantefiarinesyL’article Tetikasa Fandroso: 20,5 tapitrisa euros hampandrosoana ny tantsaha a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
“Hiragasy makotrokotroka”: hitety tanàna sy vohitra ny andiany faha-9
Tropy 14 no hifampitana. Toerana 8 kosa no hotetezin’ny “Hiragasy makotrokotroka” amin’ity. Hakotrokotroka noho ny andiany teo aloha, raha ny fiaraha-misalahy amin’ny fanomanana no tarafina…Hiditra amin’ny andiany fahasivy ny “Hiragasy makotrokotroka”. Fifaninanana adin-kiragasy, hifanandrinan’ireo tropy kalaza eto Iarivo izy ity, izay fanao isaky ny vanim-potoan’ny fialan-tsasatra, fandalovan’ny mpizahatany ihany koa. Hotontosaina ny 4 aogositra hatramin’ny 6 oktobra izao ny “Hira gasy makotrokotroka”, raha ny fandaharam-potoana. Raha toa ka tamina toerana iray hatrany ireo andiany teo aloha, hitety tanàna sy vohitra kosa izany amin’ity andiany fahasivy ity. “Ho fanomezan-kasina ny kolontsaina eto Analamanga, ho fanomezan-danja ihany koa ireo vakoka sy toerana manan-tantara no antony hanaovana azy mitety vohitra”, hoy ny fanazavana nomen-dRakotondrabe Niry, tale jeneralin’ny ofisim-pirenena misahana ny kolontsaina sy ny zavakanto (Ofnac), nandritra ny fampahafantarana ny hetsika tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely. Hatao, ny alahady 4 aogositra tolakandro izao ny adin-kira gasy voalohany, eny amin’ny Rovan’Antananarivo. “Efa tamin’ny andro faha mpanjaka no nisy hira gasy farany teny amin’ny Rova, ka nosafidiana manokana ny toerana amin’ity”, hoy hatrany ny tale jeneralin’ny Ofnac. Hitohy amin’ireo vohitra sy tanàna toa anAmbatomanga, Sambaina, Talata Volonondry, Fidasiana Ambohimanga, Anosy, Ambohijatovo ary eo antokotanin’ny lapan’ny Tanàna eo Analakely izany. “Tsy avela ho fandalovan’ny mpizahatany fotsiny eto Antananarivo, fa mba hisarihana azy ireo hijanona hamantatra ny kolontsaina sy ireo vakoka ary toerana azo tsidihina ihany koa ny hetsika. Anisan’ny tanjona napetraka tany am-boalohany izay, miara-dalana amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina”, hoy kosa ny avy ao amin’ny Ofisim-paritra misahana ny fizahantany eto Antananarivo. “Nandritra izay andiany valo izay, niezaka izahay ny hampiakatra avo ny kolontsaina amin’ny ankapobeny, sy ny hira gasy manokana. Sambany amin’ity no nanohana sy niditra an-tsehatra anatin’ny fanatontosana mihitsy ny minisitera mpiahy, ka mahavelombolo ny mpisehatra rehetra izany”, hoy kosa ny nambaran’ny filohan’ny Haigasy, Randrianarivelo Faly. Zo ny AinaL’article “Hiragasy makotrokotroka”: hitety tanàna sy vohitra ny andiany faha-9 a été récupéré chez Newsmada.
Ady tamin’ny covid-19 :: Lehilahy mizara ny fisedran’ izy mianakavy ny valanaretina
Efa saika namoy fo mihitsy Rasoambolanirina Anicet Lala, raim-pianakaviana 36 taona, voamarina fa nitondra ny tsimok’aretin’ ny Covid-19, nandritra ny roa herinandro, talohan’ny naha avotra ny ainy tamin’ny andro farany. Mijoro vavolombelona amin’ny firesahana ny fahombiazan’ny fitsaboana tao anatin’ny fisedrana an’ity valanaretina mahery vaika ity izy, ankehitriny, satria mizotra mankany amin’ny fiverenan’ny fahasalamany tanteraka ny lehilahy. « Mafy sady efa imbetsaka no hitako ho nivoha nidanadana ho ahy ny varavaram-pasana. Tsy matory aho ary miasa saina mafy teo am-pitondrana ny tsimok’aretin’ny Covid-19 », hoy ny fitantaran’ity raimpianakaviana ity. Tamin’ny 6 jolay 2020 izy no nanomboka sempotra. Nanatona dokotera tsy miankina ary nitsabo tena tao an-tranony, teny Itaosy. Efa natsindrona taminy avokoa ireo karazampanafody mitsabo ny tratra sy miaro amin’ny fahasemporana, saingy tsy nisy nandaitra. Nampidirana seraoma nandritra ny dimy andro i Anicet, tao anatin’izany fitsaboan-tena izany, ary mbola nampiana roa andro aza, avy eo. « Tsy niova ny toe-pahasalamako. Mbola sempotra ihany aho. Niteny tamiko ny mpitsabo hoe tsy misy azo atao intsony fa mandehàna eny amin’ny « Village voara » eny Andohatapenaka », hoy ilay raimpianakaviana. Antso fanairana Notilina ary nomena tambavy Covid-organics izy, taorian’izay. Teo vao nihatsara ny fahasalamany satria nanomboka afaka ny fahasemporana. « Nahasitrana ahy io tambavy io, na dia maro aza no nisakana ahy tsy hampiasa azy », hoy indray izy. Valo mianaka no antonkantranon’ i Anicet, eny Itaosy. Izy sy ny reniny ihany no natao fitiliana ka niabo avokoa ny valin’izany. Manomboka marary ireo olona enina hafa ao anatin’ny fianakaviany, amin’izao fotoana izao. « Fanafody fampidinana hafanana sy fampitomboana hery fiarovana ihany no maimaim-poana eny amin’ ny tobim-pahasalamana fototra (Csb2). Tsy misy eny na ny tambavy Covid-organics aza fa vidiana avokoa ireo fanafody ambiny rehetra tokony hampiasaina. Izahay izao dia misotro CVO daholo ary mamoaka vola ampaosy mividy an’izany », araka ny fanamarihan’i Anicet. Io antony farany no nanaovany antso avo amin’ ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny fomba mahomby hanampiana an’ireo mararin’ity valanaretina manoloana ny fandaniana ara-bola isampianakaviana. « Tiako ho tonga any amin’ny Filohan’ny Repoblika izao antsoko izao. Ahoana ny fitsaboana sy ny famonjena ny ain’ireo olona tsy manana na ariary aza ao an-tranony kanefa tsy maintsy mividy fanafody. Fahafatesana no miandry azy ka tokony mba hatao laharam-pahamehana ny momba an’ireo olona marefo ara-pivelomana kanefa mitondra ny tsimok’aretina », hoy ihany i Anicet. L’article Ady tamin’ny covid-19 :: Lehilahy mizara ny fisedran’ izy mianakavy ny valanaretina est apparu en premier sur AoRaha.
News - Ao Raha
Halatra andrin-jiro :: Misy mivarotra iray alina ariary ireo takelaka fahazoana herinaratra
Voasambotry ny Zandarimaria eny Fenoarivo ireo mpangalatra takelaka sy vatoaratra hahazoana herinaratra avy amin’ny masoandro eny Faliarivo-Ampitatafika, tamin’ny heinandro lasa teo. Efa-dahy ireo jiolahy ireo. Nilaza izy ireo tamin’ny famotorana fa misy olona maniraka izay mividy iray alina ariary ireo takelaka isan’olona. Fiaraha-miasan’ny Zandarimaria sy ny kaominina Ampitatafika ity nahitam-bokany ity. Taona vitsy aty aorian’ny nametrahana ireo andrin-jiro manazava iny lalam-pirenena voalohany manomboka eo Ampitatafika ka hatrany Fenoarivo iny dia betsaka ireo efa tsy mirehitra intsony vokatry ny halatra ataon’ireto andian-jiolahy ireto. Niditra an-tsehatra ny kaominina nampian’ireo zandary nanao hetsika nisafo amin’ny alina io toerana io. Voasambotra ny telo lahy niaraka tamin’ireo fitaovana ampiasain’izy ireo toy ny tandramokotra, sabatra, “pince” sy ny maro hafa. Nanoro ny namany izy ireo avy eo. Niampy iray ireo voasambotra tao anatin’ny iray alina monja. Manentana ny mpampiasa lalana ny ben’ny tanànan’Ampitatafika mba hiantso haingana ny Zandarimaria amin’ny laharana 119, izay antsoina maimaim-poana amin’ny finday rehetra raha vao mahatsikaritra trangana halatra amin’ireo andrin-jiro manazava ny lalam-pirenena ireo. L’article Halatra andrin-jiro :: Misy mivarotra iray alina ariary ireo takelaka fahazoana herinaratra est apparu en premier sur AoRaha.
News - News Mada
NR Consult – Hetra – Instat – Arenamada: omena fiofanana ho matihanina ireo vehivavy tantsaha
Nifanaraka nanao sonia, omaly, ny NR Consult, ny fikambanana Arenamada, ny sampandraharahan’ny hetra, ary ny Ivontoerana momba ny antonanisa (Instat). Tanjona ny hanampiana ireo vehivavy any ambanivohitra ho matihanina amin’ny asa fihariana ataon’izy ireo. Omena toerana eo amin’ny fandraharahana ny vehivavy any ambanivohitra. Entanina izy ireo miala amin’ny tsy ara-dalàna miditra amin’ny ara-dalàna, ho matihanina amin’ny sehatra misy azy. Manohana vola ny fikambanana Arenamada, araka ny tetikasa arosony, ny FMFP*. Fanofanana nomena ny fanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ny voly sy ny fanodinana legioma any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, i Matsiatra Ambony, ary i Vatovavy Fitovinany. Vehivavy 300 mpikambana sy tsy mpikambana ao amin’ny Arenamada no mahazo fanampiana amin’ny sehatra misy azy ireo. Ny NR Consult indray, mampianatra azy ireo ny lafiny fitantanana maha matihanina: ny renivola, ny fandaniana, ny tombombarotra, ny hetra tambatra, sns. “Tsara avokoa ho fantatry ny mpandraharaha ireo, mitantana orinasa madinika hampidirana azy anatin’ny ara-dalàna”, hoy Rakotozanany Nantsoina, tale jeneralin’ny NR Consult. “Entanina manokana izy ireo hanefa ny adidiny amin’ny fandoavan-ketra”. 5 000 ireo tantsaha nahazo fiofanana tamin’ny NR Consult hatramin’ny telo taona nisiany. Nampiditra hetra 5 miliara Ariary izy ireo ny taona 2020. Hetra miditra amin’ny fanjakanaNohamafisin’ny tale jeneralin’ny hetra, i Germain, ny fampidirana ireo olona ireo anatin’ny sehatra ara-dalàna, hampitombo ny hetra miditra amin’ny fanjakana. “Hanana karatra matihanina izy ireo hahafahana mampivelatra ny fihariana, toy ny fahazoana mindram-bola. Vita izany tamin’ny mpamboly lavanila any Sava. Tombontsoa ho an’ny kaominina ny hetra tambatra”, hoy ny talen’ny hetra, i Germain, sady nanamafy ny toeran’ny vehivavy eo amin’ny fandraharahana. Nanome toky ny Instat ny amin’ny fizarana karatra maha matihanina ho azy ireo. Antapitrisany ny vehivavy any ambanivohitra entanina amin’ny sehatrasa samihafa, ohatra, amin’ny famokarana lohamenaka, ny fambolena, ny asa tanana, sns. Ezahina amin’izao fiaraha-miasa izao ny hampahaleo tena azy ireo amin’ny fitantanana vola sy ny adidy amin’ny fandoavan-ketra. Miara-miombona antoka amin’ny tetikasa ny minisiteran’ny Indostria, ny varotra, sy ny asa tanana. Tsara tohizana any amin’ny faritra hafa izany, ahitana tantsaha maro manana ny talentany manokana.R.Mathieu FMFP*: Fond Malgache de Formation ProfessionnelleL’article NR Consult – Hetra – Instat – Arenamada: omena fiofanana ho matihanina ireo vehivavy tantsaha a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Kitra – Fifidianana ho filohan’ny FMF: hanomboka anio ny fampielezan-kevitra
Araka ny tetiandro napetraky ny “comité de normalisation”, eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra, hanomboka amin’ity alakamisy 8 aogositra ity, ny fampielezan-kevitra, hataon’ireo kandidà dimy mirahalahy mianaka, hirotsaka hofidina ho filohan’ny federasiona (FMF). Hanoloran’izy ireo ny fandaharanasany, enti-mampandroso ny baolina kitra, ary handreseny lahatra ireo filohana ligy miisa 22, mpandatsa-bato.Manana anjara fitenenana 5 mn avy ao amin’ny onjam-peo sy ny fahitalavi-pirenena, izy ireo izay tsy handoavana vola, Arakaraka ny filaharany ao anaty biletà tokana, izany fandraisam-pitenenana izany. Raha tsiahivina, laharana voalohany, Rabekoto Raoul Arizaka Romain, faharoa, i Mohamad Abdillah Abdou ary fahatelo, Andriamiasasoa Doda. Fahefatra, Rasoamaromaka Hery ary fahadimy, Rakotomamonjy Neypatraiky. Ankoatra izay, hisy ady hevitra mivantana “savaravina manokana”, hataon’ireo kandidà mpifaninana ireo, ny alahady 18 aogositra, ho avy izao, ao amin’ny RNM, izay hahafahan’ireo mpihaino miditra an-tariby, mametraka fanontaniana amin’izy ireo. Toy izany koa ny ao amin’ny fahitalavi-pirenena izay hisian’ny kianja manokana, ny alatsinainy 19 aogositra, ho avy izao. Marihina, fa hifarana ny 22 aogositra, izany fampielezan-kevitra, izany. TompondakaL’article Kitra – Fifidianana ho filohan’ny FMF: hanomboka anio ny fampielezan-kevitra a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Mirongatra ny asan-jiolahy: sinoa mpandraharaha iray notafihin’ny jiolahy, lasa ny 20 tapitrisa Ar
Na eo aza ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana, tsapa ho mirongatra andro aman’alina ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana ao Toamasina. Vao afakomaly, sinoa mpandraharaha iray indray no lasibatra sy voaroba volabe hatramin’ny 20 tapitrisa Ar.Io indray koa! Tohivakana ny fanafihan-jiolahy ao Toamasina ary saika isan’andro, indrindra mandritra ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina. Mipetraka ao Ankirihiry, parisela 11/52 ,laharan-trano faha-40, ity Sinoa niharan’ny fanafihana ity ary andian-jiolahy eo amin’ny 10 eo ho eo ny tompon’antoka tamin’izany tamin’io misasakalina io, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany ao Tanambao, ny kaomisera Rakotovao Christian. Dimy lahy amin’ireo jiolahy no niditra an-keriny tao an-tokantranon’ilay mpandraharaha sady nandrahona tamin’ny basy. Raha vantany vao tafiditra tao an-trano ry zalahy, ny telefaonina finday avolenta roa no nalain’izy ireo. Mbola nofatoran’izy ireo koa ny mpiambina. Ny sasany kosa, niandry teny ivelany sady nanara-maso ny manodidina.Nanao tifi-danitra intelo ireo jiolahy…Niezaka nikaroka zavatra sarobidy samihafa tao an-trano izy ireo ka nahita lelavola 20 tapitrisa Ar sy firavaka volamena, entana lafo vidy toy ny fahitalavitra, fitaovana elektronika, radio tao anatin’ny fiara tao amin’ny garazy. Nopotehiny kosa ireo tsy zakan’izy ireo. Nanao tifi-danitra intelo kosa ry zalahy rehefa nitsoaka. Afaka avy hatrany niantso polisy ihany anefa ilay niharam-boina taorian’izany ka tonga teny an-toerana ireo polisy. Hatreto, tsy mbola nisy voasambotra ireo jiolahy, saingy efa misy kosa ny loharanom-baovao voarain’ny polisy mahakasika ireto jiolahy ireto.Raim-pianakaviana avy naka fisotroan-dronona voatafika…Fa ny alatsinainy tolakandro teo ihany koa teo amin’ny araben’ny Fahaleovantena ao Toamasina, raim-pianakaviana iray avy naka vola fisotroan-dronono no nisy nandrahona tamin’ny basy ka naka an-keriny ny vola rehetra tany aminy. Jiolahy nanao taingin-droa tamin’ny moto ny nanafika azy. Nambaran’ny polisy fa mitovy tsy misy valaka amin’ilay fandrobana raim-pianakaviana iray tao Morafeno, tapa-bolana lasa, ity fanafihana ity. Mirongatra izaitsizy, araka izany, ny fanafihan-jiolahy ao Toamasina ary tsikaritra fa tena mitaintaina sy mandry an-driran’antsy hatrany ny mponina manoloana izany na eo aza ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny fanenjehana azy ireo. Misy ny efa tratra, saingy misy hatrany ireo mbola miriaria eny anivon’ny fiarahamonina eny.Sajo sy Jean ClaudeL’article Mirongatra ny asan-jiolahy: sinoa mpandraharaha iray notafihin’ny jiolahy, lasa ny 20 tapitrisa Ar a été récupéré chez Newsmada.