Kitra: nodimandry i Debon, tale teknika nasionaly (DTN)

News - Kitra: nodimandry i Debon, tale teknika nasionaly (DTN)

News - Kitra: nodimandry i Debon, tale teknika nasionaly (DTN)

Lalovan-draho-mainty ny tontolon’ny
baolina kitra malagasy. Nodimandry, omaly alakamisy teo amin’ny
faha-71 taony, i Debon Jean François, tale teknika nasionaly (DTN),
eo anivon’ny Federasiona malagasy ny baolina kitra (FMF) sady
solontenan’ny teknisianina eo anivon’ny Federasiona
iraisam-pirenena (Fifa), eto Madagasikara. Ny aretina nahazo azy
am-bolana vitsivitsy no nitarika ny fahafatesany. Olona tena niaina
tao anatin’ny baolina kitra Itompokolahy. Vao teo amin’ny faha-15
taony izy, efa voafantina tao anaty ekipa voafantin’Antsiranana;
avy eo, nilalao tao amin’ny ekipan’ny US Fonctionnaire et
Employé-n’io faritra avaratra io ka nitazonany ny toeran’ny
lohalaharana. Taorian’izay, nanatevina ny ekipan’ny MMM Toamasina,
nandrombaka ny tompondakan’i Madagasikara ny taona 1970. Nandresy
an’i Lesotho sy i Ghana teo amin’ny fifaninanana afrikanina.

Nanohy ny fianarany teto
Antananarivo ary nilalao tao amin’ny UAS Cheminots avy eo tao
amin’ny AC Sotema ka niarahany tamin-dry Ferdinand sy i Kiki ary i
Alban sy i Lanziz sy ny hafa.

Nitondra ny ekipan’ny St Pierroise
La Réunion ary efa nanazatra ny Barea U17 niatrika ny CJOI ka
nahazo ny medaly volamena ny taona 2001 sy ny 2003. Namela manano
tena sy kamboty efatra mianadahy Itompokolahy. Alevina amin’ity
zoma ity ny nofomangatsiakany. Mirary fampiononana feno ho an’ny
fianakaviany sy ny baolina kitra ny Gazety Taratra.

 

Tompondaka

Article tiré de Newsmada

L’article Kitra: nodimandry i Debon, tale teknika nasionaly (DTN) a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 11/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Minisiteran’ny Rano sy ny Instat: havaozina ny antontanisa mikasika ny rano…

Tontosa, omaly tetsy Ambohijatovo, ny sonia fifanaraham-piaraha-misa eo amin’ny minisiteran’ny Rano sy ny fahadiovana ary ny fidiovana niaraka amin’ny Instat. Tanjon’ny fiaraha-miasa ny hanavao ny antontanisa mahakasika ny tontolon’ny rano sy ny fidiovana ary ny fahadiovana eto Madagasikara.Mahasahana sehatra maro ny fanavaozana izany antontanisa izany. Voakasiky ny fanisana ny tahan’ny fahazoan’ny vahoaka malagasy rano madio fisotro, ny fomba fahazoan’ny tokantrano tsirairay rano ampiasaina ao an-trano, ny fampiasana lavapiringa madio sy ara-pahasalamana, ny fahavitrihana amin’ny fanasana tanana amin’ny rano sy ny savony…Efa misy ny antontanisa, saingy tsy mbola mivoaka amin’ny fomba ofisialy izany, raha ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Instat.Andrasana, araka izany, ny hanana antontanisa marina ahafahana manana ny mari-drefy enti-mamantatra ny ezaka vita sy manamafy ny ezaka tokony hohamafisina.“Mizotra amin’ny fanatrarana ny tanjona napetraky ny filoha Rajoelina Andry, ao anatin’ny vinan’ny fisandratana, ny tokony hananana mari-drefy marim-pototra ny minisitera amin’ny alalan’ity fiaraha-miasa ity”, hoy ny minisitra Rakotovelomanantsoa Voahary.Raha ny tanjona napetraka ho amin’ny taona 2023, tokony avokoa hisitraka rano madio fisotro ny 60%-n’ny mponina eto Madagasikara. Amin’ny alalan’ny fahafantarana indrindra ny antontanisa miainga eny ifotony hataon’ny Instat ny ahafantarana sy mandrefy izany aoriana.Marihina fa mifototra amin’ny hafatra lehibe efatra no voizin’ny minisiteran’ny Rano: ny fitazomana ny fahadiovan’ny rano manomboka eny am-pantsakana hatramin’ny fampiasana azy, ny fampiasan’ny tokantrano lavapiringa madio, ny fanasana tanana amin’ny savony ary koa ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana.Tatiana AL’article Minisiteran’ny Rano sy ny Instat: havaozina ny antontanisa mikasika ny rano… a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

I Sina sy i Madagasikara: 47 taona ny fifandraisana

Feno 47 taona ny fiaraha-miasa eo amin’i Sina sy i Madagsikara. Ho an’ny amin’ny lafiny fampianarana ambony manokana, efa napetraka manerana ny Nosy ireo ivontoerana « confucius » ahafahana mifanakalo eo amin’ny sosialy sy ny koltoraly. Anisan’ny mpamorona izany toeram-piofanana izany ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Pr Blanche Nirina Richard.Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, afakomaly teny amin’ny masoivohon’i Sina eny, Nanisana ny horonantsary fanadihadiana mirakitra ny vokatry ny fiaraha-miasa sinoa sy malagasy. Teo koa ny fampirantiana ireo sary maneho ny fivoaran’ny Sinoa sy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo firenena roa tonta. Maro ny fanampiana ataon’ny Sinoa amin’ny oniversite. Anisan’izany ny fanomezana vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra malagasy, ny fampitaovana sy ny fanorenana toeram-pianarana. Tsiahivina fa mankalaza ny faha-70 taony amin’ity taona ity ny Repoblika sinoa.Synèse R. L’article I Sina sy i Madagasikara: 47 taona ny fifandraisana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mila mailo: misy misandoka ho mpitsabo maso

Tokony ho mailo ny rehetra, indrindra any ambanivohitra, fa misy ny olona maso mitety vohitra mitonona ho mpitsabo mandray an-tanana marary ary manome fanafody. Tranga iray niseho tany amin’ny faritra ivelan’ny Renivohitra, nitarika fahasimban’ny mason’ny zaza vao 15 volana, izany. Noho ny fanafody (collyre) nomen’ny olona nisandoka ho mpitsabo maso ny nahatonga izany. Efa mandeha ny fanadihadian’ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fahasalamana amin’izao fotoana izao momba io tranga io. Ireo rehetra mitonona ho fikambanana misehatra amin’ny fahasalaman’ny maso, tsy maintsy manana fifanaraham-piaraha-miasa avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana.Tokony hanana mpitsabo manana fahaizana manokana amin’ny fitsaboana maso koa izy ireo, araka ny fanambaran’ny tomponandraikitra ny minisiteran’ny Fahasalamana. Mialoha ny hanatanerahana ny asa, mila mitondra ireo antontan-taratasy voalaza ireo eny amin’ny tomponandraiktiry ny fahasalamana ao an-toerana ilay fikambanana.Vonjy A.  L’article Mila mailo: misy misandoka ho mpitsabo maso a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tantsaha manerana ny faritra: miankina betsaka amin’ny herin-tsandry ny fambolena

Mbola maivana dia maivana ny fampiasana fitaovana mekanika ho an’ny fambolena eto Madagasikara. Taorian’ny niverenan’ny fahaleovantena, ny taona 1987, nanaovana antso avo ny hitodihana amin’izany manokana, saingy tsy misy fiovana hatramin’izao.Raha jerena, ohatra, ny fambolem-bary foto-tsakafon’ny Malagasy, mitazona 60 % amina velaran-tany volena, mbola fitaovana enti-tanana na fitaovana madinika ny fampiasan’ny maro. Na angadin’omby aza, tsy misy afa-tsy 33% manerana ny Nosy, izay mbola tsy mitovy ny fampiasana izany isaky ny faritra. Ny fampiasana fitaovana vaventy na milina vaventy, toy ny trakitera tsy mahatratra 1 % hatramin’izao.Fitaovana madinika ihany no miasa, angady sy ny namany, 97,3 %. Araka izany, mbola miankina betsaka amin’ny herin-tsandry ny fambolena eto Madagasikara, na any amin’ireo lazaina fa sompitry ny fambolem-bary (Alaotra, Marovoay, Mangoky). Vitsy ny eny am-pelatanan’ny tantsaha hatramin’ireo fitaovana famonoana bibikely, porofo mahabetsaka ny vokatra simba. Na amin’ny fotoana fiakaran’ny vokatra, mbola herin-tsandry ihany no miasa amin’ny ampahany be indrindra. Ny fikapohana akotry sy fitotoam-bary no azo lazaina misy, 80 % sy 60 %.  Mahavita 50 kg hatramin’ny 3 t isan’ora, raha ny vary ihany, ireny toerana ahitana fitaovana ireny.Betsaka ny tsy tanteraka ny anjaran’ny fanjakanaMisy ihany ireo fampisehoana isan-taona, toy ny tsenabe isan-karazany (FierMada, tsenabe isam-paritra …), teo ny tetikasa samihafa, ohatra, ny Papriz (Projet d’amélioration de la productivité rizicole), ny SRI (Système de riziculture intensive) ireo rehetra ireo, ilàna karazana fitaovana ho an’ny fambolem-bary ary manentana ny mpamboly hampiasa izany. Saingy, tsy zakan’ny fahefa-mividin’ny tantsaha ireny fitaovana ireny, indrindra amin’izao vanin’andro izao. Eo ireo atrikasa isan-karazany eto an-toerana sy aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika. Manampy betsaka ny Japoney amin’ny alalan’ny Ticad* sy Jica*. Tanjona amin’ireny ny hampitomboana ny voka-bary 6 t /ha, raha 2,3 t /ha ny salanisa, nefa tsy mety tratra izany eto Madagasikara.  Betsaka ny anjara andraikitry ny fanjakana tsy tanteraka. R.MathieuTicad : Conférence internationale de Tokyo sur le développement de l’AfriqueJica : Agence japonaise de coopération internationale L’article Tantsaha manerana ny faritra: miankina betsaka amin’ny herin-tsandry ny fambolena a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fampindramam-bolan’ny Cnaps: manaiky ny sendika, haverina tsikelikely ny vola

Naneho hevitra, omaly, ny sendikàn’ny mpiasa maromaro, ny CSTM, ny Sekrima, ny Tolon’ny Mpiasa, ny CSTM, mikasika ilay fampindramam-bola kasaina hataon’ny Cnaps ho an’ny mpiasan’ny tsy miankina. Nilaza Rakotondrazafy Jean de Dieu, avy amin’ny CSTM, fa tsy mitovy hevitra amin’ilay sendikà iray nangataka ny vola, nefa tsy averina, izy ireo satria hisy fiantraikany mafy ho an’ny Cnaps izany. Mety hiantraika any amin’ny fisotroan-dronono, ny vola ho an’ny bevohoka, sy ny fanampiana vola omen’ny Cnaps ny mpikambana izany.Ho an’ny CSTM, fampindramam-bola ny ataon’ny Cnaps ka haverina tsikelikely avy eo.Angatahin’ireto sendikà koa ny ampihenana ny tahan’ny zanabola mba ho 5% ka ny fanjakana no mameno ny ambiny ho an’ny Cnaps. Antony, tena sahirana ny mpiasa malagasy amin’izao krizy Covid-19 izao ka mety ho afaka enim-bolana na fito volana any vao mety ho tafarina.Misy ny ahiahy ka tokony hisy ny antokaNilaza ny sekretera jeneralin’ny Sekrima, i Boutoudi Rémi, fa maro ny mpiasa very asa, na zara raha miasa amin’ny ampahany, ao koa ny tsy nahaloa hofan-trano. Tokony hisy ny diniky fiarahamonina, handinihana manokana izany amin’izao fotoan-tsarotra izao. Angatahiny koa ny hampiakarana ny sandan’ny vola indramina ary halavaina ny fe-potoana hanonerana azy. Manamafy izany ny sendika Tolon’ny mpiasa (TM), tokony mba hampiakarina ny sandan’ny vola fa tsy ampy ilay 200 000 Ar.Nametraka ny ahiahiny ireto sendikà ireto,mikasika ny fanonerana ny vola ka ho very an-javony. Nilaza i Tsimanirimanana Henri Richard, mpikambana ao amin’ny CSTM, fa tokony hisy fifanarahana mazava sy antoka mba hiverenan’ny vola indramina. Mahafantatra ny mpiasa ao aminy ny orinasa tsirairay ka tsy tokony hisy ny hosoka.Njaka A.L’article Fampindramam-bolan’ny Cnaps: manaiky ny sendika, haverina tsikelikely ny vola a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fitantanana andrimpanjakana: misokatra ny hazakazaka ho etsy Ambohidahy

Tsy ho ela ny fisokafan’ny hazakazaka ho an’ireo hifaninana ho etsy Ambohidahy. Hiaraka hisokatra amin’ny fotoam-pivorian’ny Antenimierandoholona etsy Anosikely, rahampitso 17 marsa, ny fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina ho an’ireo olona roa, hatolotra ho mpikamban’ny HCC. Nambaran’ny eo anivon’ny lapa maitso Anosikely fa tsy voatery ho mpikambana eo anivon’ity andrimpanjakana ity akory ny mpirotsaka hofidina amin’izany.Tsy mbola namaritra ny daty hisokafan’ny fametrahana ny antontan-taratasy tahaka izany kosa ny eo anivon’ny Antenimierampirenena. Manana solontena roa koa izy ireo, araka ny voalazan’ny lalàna, hatolotra ho mpikambana eo anivon’ny HCC.Solontena telo tendren’ny filohan’ny RepoblikaHanampy izany koa ny eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM). Manana anjara mpitsara roa ho amin’izany toerana izany izy ireo ary efa namoaka fanambarana fisokafan’ny firotsahan-kofidina amin’ny alalan’ny fampahafantarana ireo antontan-taratasy ilaina amin’izany.Ankoatra ireo, manana olona telo, tendreny ho mpikamban’ny HCC, ny filoham-pirenena ka mahafeno ho sivy ireo handrafitra izany andrimpanjakana etsy Ambohidahy izany.Raha tsy misy ny fiovana, tokony ho fantatra mialoha ny faran’ny volana marsa izao ireo mpikambana rehetra eo anivon’ny HCC.Synèse R.L’article Fitantanana andrimpanjakana: misokatra ny hazakazaka ho etsy Ambohidahy a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé

Covid-19: Situation du 13.08.2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Covid-19: Situation du 13.08.2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Selon les données statistiques du Centre de commandement opérationnel (CCO) Covid-19 de ce 13 Août 2020, les nouveaux cas des dernières 24h sont au nombre de 125, portant à 1 580 le nombre de cas actifs actuels dont 85 présentent des formes graves. Même si le nombre de nouveaux cas est en baisse, Analamanga reste toujours l’épicentre de cette épidémie avec 49 nouveaux cas, suivi d’Alaotra Mangoro avec 9 cas, Boeny avec 8 cas, Menabe avec 9 cas, Haute Matsiatra avec 7 cas, Sava avec 7 cas, Vatovavy Fitovinany avec 9 cas; Atsimo Andrefana avec 2 cas; Diana avec 2 cas, Sofia avec 2 cas et la région d’Itasy avec 1 cas. Parallèlement, elle a également déclaré 251 cas de guérisons. 6 nouveaux décès liés au coronavirus ont été également rapportés ce jour, 4 dans la région Analamanga, 1 dans la région de HauteMatsiatra et 1 dans la régionAnosy. Le pays compte 162 décès déclarés officiellement et un cumul 11 780 cas confirmés depuis le 19 mars, date d’entrée de la maladie dans la Grande Ile.L’article Covid-19: Situation du 13.08.2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - Ao Raha

Fifandraisan-davitra

Miezaka manatsara ny tolotra omena ny mpanjifa sy ny fomba fiasa anatiny ny eo anivon’ny Paositra malagasy. Nisy ny hetsika nataon’izy ireo nandritra ny telo andro, tany Mantasoa nikarakarana izany. Manodidina ny telo amby sivifolo ny mpandray anjara tao anatin’ny telo andro ary nifarana ny sabotsy lasa teo. L’article Fifandraisan-davitra est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Nahoana rehefa an’ny fanjakana … ?

Nahoana rehefa sehatra tantanan’ny orinasa tsy miankina mandeha tsara, ampy fitaovana, madio … nahoana rehefa tantanan’ny fanjakana mifanohitra amin’izay ? Raha tsy hiteny afa-tsy ny toeram-pitsaboana sy ny sekoly, hita miharihary fa rehefa an’ny fanjakana tsy mandeha, tsy ampy fitaovana, maloto, fa rehefa an’ny tsy miankina, mandeha tsara, ampy fitaovana, madio, voakarakara tsara ny marary.Mety hiteny angamba ny sasany fa any amin’ny tsy miankina andoavam-bola ny rehetra sady lafo. Marina izany, fa ny an’ny fanjakana koa andoavan’ny vahoaka vola na tsy mivantana aza, amin’ny alalan’ny hetra ; eo koa matetika ny famatsiana azo avy any ivelany na fanampiana, izay mbola trosa aloan’ny vahoaka. Saingy nahoana tsy mahita sitraka amin’izany ny vahoaka ?Amin’ny ankapobeny aza, ny sampana iantefan’ny fiainam-bahoaka mivantana, toy ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny lalana, ny angovo no kely ny tetibola atokana amin’izany, izay lanian’ny solombavambahoaka maro anisa ao amin’ny Antenimiera. M.CL’article Nahoana rehefa an’ny fanjakana … ? a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fadintseranana: hiova ny fanaovana lavanty

Hatomboka tsy ho ela ny fanaovana lavanty ireo entana tsy nandoavana haba ao amin’ny seranana. Tompon’antoka ny fadintseranana, mametraka fomba ho fanatanterahana izany amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera (en ligne). Araka ny andininy faha-237 amin’ny lalàna mifehy ny fadintseranana, « izay entana tsy alaina anatin’ny roa volana manomboka tamin’ny fotoana nanoratana izany ao amin’ny tahiry, amidy atao lavanty amin’ny rehetra ». Mivoatra izay fomba fanaovana lavanty izay, araka ny fivoaran’ny toetrandro.Fotoana tany aloha, antso avo ny fanaovana ny varotra; taty aoriana, novana tamina fonosana tolo-bidy, naterina eny amin’ny sampandraharahan’ny ladoany. Ireo fomba ireo, samy nandaniam-potoana sy nampiasam-batana.Ampiasana teknolojia vaovaoAnkehitriny, avadika amin’ny fampiasana teknolojia vaovao ny fampiharana izany, hita ao amin’ny tranonkalan’ny fadintseranana. Manaporofo ny mangarahara izao fanavaozana izao. Misokatra ho an’ny rehetra ny tolo-barotra, fanavaozana ny fitantanan-draharaha eo anivon’ny ladoany.Tafiditra tao amin’ny dinika nifanaovan’ny fadintseranana tamin’ireo mpiara-miombona antoka aminy (Tetikasa 27 ho fanavaozana ny ladoany malagasy, Taratra 23 oktobra 2020, p.8) io fanovana fomba fiasa io. Nampahafantarina ireo mpiara-miombona antoka ny fanavaozana eo anivon’ny ladoany nandritra io fivoriana io. Azo tamin’izany ny fahatokisan’ireo mpanohana, toy ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad), ny Banky iraisam-pirenena (BM), sns. Betsaka ny tetikasa iarahana amin’ireo ho an’ny mpandraharaha, ny fitiliana sy ny fanaraha-maso isan-karazany. R.MathieuL’article Fadintseranana: hiova ny fanaovana lavanty a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES
16/06/2021

A VENDRE : CHEVROLET SPARK (DAEWOO MATIZ 4), FAIBLE KILOMETRAGE, ANNEE 2012, TRES BONNE OCCASION DE COREE, IMMATRICULATION ETRANGERE, ARRIVEE RECEMMENT A MADAGASCAR (4 semaines), boite de vitesses AUTOMATIQUE, moteur ESSENCE 3 S- TEC II 16V, TOUTES OPTIONS :-Direction assistée-Freinage ABS-Rétroviseurs électriques  - Intérieur cuir, confort et propre-Tableau de bord multifonctions-AIRBAGS-4 Vitres électriques-Sièges chauffantes-Verrouillage centralisée avec commande à distance-Climatisation bien frais-Radio d’origine CHEVROLET avec BLUETOOTH/USB/MP3/CD-4 Jantes alu d’origine-Barre de toit VOITURE TRES CONFORTABLE, TRES SILENCIEUSE ET ULTRA- ECONOMIQUEETAT IMPECCABLE PETITE CITADINE, AGREABLE A CONDUIRE, IDEALE POUR FEMME PRIX : 21M8AR (109.000.000 FMG) LEGEREMENT DISCUTABLE CONTACT DIRECT : 0338741679 / 0346464584(Aleo mba tonga dia miantso fa tsy mi- connecte matetika , MERCI!)Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES".

Emploi et services Travail sur internet
18/06/2021

 Completer des sondages et gagner de l'argent.Des sondages seront à votre disposition journalièrement.ceci ne prend que quelque minute.Ceci est pour vousWallet payeerhttps://tapinbox.com/?rf=160801   Regarder des publicites et gagner de l'argenthttps://clicknox.com/?ref=373978Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail sur internet".

Emploi et services Asa en ligne
14/06/2021

Asa en ligne mety ho an'ny rehetra,  afaka atao na tsisy investissemenr aza satria omwna bonus 10$ ianao hampiakatra nybalsnce_nao, nefa raha te hahazo vokatrhttps://fastscash.online/?ref=25212 raha te hahazo vokatra haingana dia afaka manao investissemebt 0,5$minimum. Manaova inscription eto https://fastscash.online/?ref=25212  fa omena fanazavana ianao. Ny sakana ho anao dia ny tsy fanombohana azy. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Asa en ligne".

Emploi et services PDF à propos de ADWORD
14/06/2021

Vous vous demandez peut-être comment les grandes entreprises utilise la technologie pour promouvoir ses produits.Ne vous inquiétez voici-ci quelques notion qui pourrait vous aider.Dans ce pdf de Content Marketing 101https://bit.ly/3cqJQLY AdWords Annihilationhttps://bit.ly/3zavLMDCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services PDF à propos de ADWORD".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
18/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo
16/06/2021

Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury 4x4 turbo année 2005 diesel  boite automatique, 7 places 163000 kms, première main. Véhicule  très résistant, couleur verte,  phares xenon antibrouillards, radio CD, climatisation, fermeture centralisée, verrouillage à distance. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo".

A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090
20/06/2021

Antminer Bitmain S19J Pro, SHA-256 with Hashrate, 100.00TH/sAntminer Bitmain S19J, SHA-256 with Hashrate, 90.00TH/sAntminer Bitmain S19 Pro, SHA-256 with Hashrate, 110.00TH/sAntminer Bitmain S19, SHA-256, with Hashrate, 95,00TH/sAntminer Bitmain T17+ SHA-256, with Hashrate, 58.00TH/sAntminer Bitmain T17, SHA-256, with Hashrate, 40TH/sGeForce RTX 3080 / 3070/3090 GTX 2080 Ti, 1080 Ti, 1070 Ti, 2080, 1080, 1070, 1060 Ti, 1060, 2080 Ti, RTX 2070 , RX 5700 XT. NVIDIA GeForce RTX 3060 Ti NVIDIA GeForce RTX 3080  NVIDIA GeForce RTX 3090All Sealed In Original Box With Warranty Full Accessories With Discount.REQUIRED FOR YOUR ORDER AS QUICK AS POSSIBLE .... Urgent Response Whatsapp : +17076412645 E-mail : ms7088344@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090".

Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)
18/06/2021

Nous recrutons pour un structure d’externalisation, unASSISTANT COMMERCIAL SENIORMissions :- Assurer les premières démarches commerciales (mail / téléphone) via base des données existante- Assurer l’Onboarding des professionnels sur la plateforme- Assistance clientèle sur les démarches d’inscription sur la plateforme- Assurer le suivi des procédures d’achat et de livraisons- Assurer le SAV : Gestion du service client (Mail / téléphone / chat)Profil:- Titulaire d’un bac +3 minimum en commerce, marketing, communication- Expériences probantes dans le domaine de la relation client- Bonne maîtrise du Français (lu, écrit, parlé)- Bonne maîtrise du pack office- Autonome, rigoureux (se) et professionnel (le) Envoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence ASSISTANTCOMS-0621(+261) 034 10 826 36 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)".

Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT
14/06/2021

Voici des sites qui permettent de gagner de l'argent gratuitementhttps://mining-forever.com/?ref=rajaonarshttps://duplinow.com?aff=70888https://banana-cash.com?aff=15898https://topmining.host/?ref=1190Vous n'avez pas de compte payeer ?https://payeer.com/?session=16887921Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT".

Emploi et services faucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay
15/06/2021

site légitime qui paye très bienfaucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay.Pas de retrait minimum, claim tous les 5min.Ci-joint le lien:https://ezbit.co.in/ref/13850Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services faucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay".

A vendre Vend CF Moto 150NK
18/06/2021

🚦CF Moto 150nk 🏍 - 6 vitesses - Kilométrage 15xxx km - 2 modes de conduites : Sportive 🚀/ Economique⛽️ - Peinture carbone personnalisée  - Rétroviseur kit Rizoma - Anti crache et cache réservoir installé  - Immatriculé WWTMoto très bien entretenue, rien à prévoir, très faible consommation.Prix: 8.000.000Ar légèrement à débattre Contact: 0327850398 📞 ToamasinaCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Vend CF Moto 150NK".

Emploi et services Développeur Laravel
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans l'externalisation,Développeur LaravelEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVLARAVEL-0621(+261) 034 10 826 36 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Laravel".

Notsongaina

Taolagnaro: nitondra fanazavana ny rain’ilay ankizy voadonan’ny fiara
17/06/2021

Manoloana ilay fanelezana tsaho niparitaka amin’ny tambajotran-tserasera “facebook”, nitondra fanazavana ny rain’ilay zaza matin’ny lozam-pifamoivoizana nifandona tamina fiaram-panjakana iray tao Taolagnaro. Raha ny loharanom-baovao voaray, tamin’io fotoana nitrangan’ny loza io tany Taolagnaro, nanatrika ny atrikasa niarahana amin’ny filoha Rajoelina ny minisitry ny Fiarovam-pirenena fa tsy tao anatin’ilay fiara voalaza fa nandona ilay zaza. Nanamafy izany rahateo koa ny rain’ilay zaza fa fanakorontanana sy tsaho naely fotsiny ity niparitaka amin’ny “facebook” ity. Voadonan’ny “retroviseur”-n’ny fiara ilay zaza rehefa nandeha bisikileta izay nandeha mafy araka ny filazan’ny anabaviny niaraka aminy. Nentina nandeha hopitaly ilay zaza niharam-boina ary nijoro vavolombelona nanatrika izany ny anabaviny. Nisy ny delegasiona niaraka amin’ny zandary nanao ny fomba rehetra toy ny famonoana omby ary nanatrika ny fandevenana fa tsy araka ny filazana tsaho niparitaka any anaty “facebook”.J.CL’article Taolagnaro: nitondra fanazavana ny rain’ilay ankizy voadonan’ny fiara a été récupéré chez Newsmada.

Ady hafa amin’ny tantana sy ny tantara     
18/06/2021

Mbola misy ady hafa tsy maintsy atrehina amin’izao, araka ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika. Tsy inona fa ny amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny kere… Mby an-tsaina avy hatrany amin’izany ny any atsimo. Nefa aorian’ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19, saika manerana an’i Madagasikara na maneran-tany aza no miatrika izay. Mafy ny dona sy ny fiantraikan’ny valanaretina eo amin’ny toekarena sy ny fihariana, eo amin’ny fiainam-bahoaka ankapobeny…Mazava koa ny nambarany fa matoa mbola misy ihany ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny maty mosary, tsy nahomby ny fanampiana sy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka avy any ivelany nandritra ny 30 taona mahery. Nahoana? Tsy tena famahana izay olana ifotony, ohatra, no nimasoana na natao fa zavatra hafa, izay ry zareo sy mpitondra nifandimby niray petsapetsa na tsikombakomba taminy no mahalala izany. Na misy antony hafa tsy voadinika. Mampieritreritra…Hafa ny amin’izao amin’ny hoe fiovana sy fanovana? Na eo aza izay mety ho fanampiana sy fiaraha-miasa tsy azo ialana amin’ireo mpiara-miombon’antoka, tompony mahazaka amin’izay ataony ny Malagasy: fanapahan-kevitra, tetikasa, enti-manana… Miainga any ifotony izay atao. Ady fiady izany amin’izao hoe fahatsiarovana ny fiverenan’ny fahaleovantena izao. Tena isiana sy iainana amin’izay? Ady hafa… Mila fahasahiana, fijoroana, firosoana, fitozoana…Miara-dalana ho azy amin’izay tsy fahombiazan’ny fanampiana sy fiaraha-miasa amin’ny any ivelany izay ny tarazo ratsy entina sy avelan’ny fahantrana lalina sy maharitra? Tsy tongatonga ho azy fa misy antony na nanao azy. Manankarena i Madagasikara, nefa ny vahoaka mahantra fadiranovana tsy misitraka inona amin’izany akory. Firy tao-maty izay? Mila ovaina amin’izay ny tantana sy ny tantara. Mba tsy ho fombafomba sy fahazarana fotsiny ny fankalazana ny Fahaleovantena.Fahaleovantena amin’ny fanapahan-kevitra, amin’izay atao, amin’ny fomba fiasa… Tsy andavana na anilihana ny fanampiana sy ny fiaraha-miasa amin’ny hafa izany fa ijoroana sy irosoana amin’izay maha tena ny tena?Rafaly Nd.            L’article Ady hafa amin’ny tantana sy ny tantara      a été récupéré chez Newsmada.

FETIN’ NY RAY SY ASARAMANITRA : VAO NAHATONGA ENTANA NY BAOLAI
18/06/2021

Ao anatin’ ny fankalazana fety marobe ny eto amintsika amin’ ity volana ity, ny Alahady 20 Jona 2021 ho avy izao ohatrany  fetin’ ny ray, eo ihany koa ny fetim-pirenena. Tsy diso anjara amin’ izany fankalazana ny fety samihafa izany ny Tranombarotra« Baolai ». « Ny marika « Hisense » izay mpanohana ofisialy ny« Euro 2020 » dia efa hita ato aminay, etsy Analakely,Soarano ary ao Bazar Be – Toamasina » hoy ny tompon’andraikitra. Ho an’ ny fetin’ ny ray dia maro ny zavatra azo atao fanomezana ao amin’ izy ireo. Toy ny : Smart tv sy télé led, misy manomboka 22 hatramin ‘ ny 85  » –  laser tv 100  » ( misy antoka herintaona daholo), Gsm, cuisinière à gaz et électrique, synthétiseur, machine à laver, réfrigérateur, table de mixage, four micro – onde, amplificateur… « Ho fiarahana mankalaza ampifaliana ny fetin’ ny asaramanitra malagasy, dia vao naha tonga entana lohalaharana amin’ ny kalitao izahay » hoy hatrany ny tompon’ andraikitra. Ny ankoantran’ izay dia azo fantarina ao amin’ ny « site web »sy pejy fb : baolai ary ao amin’ ny 034 56 288 21 (amin’ ny ora fiasana). Dia ho fety feno fifaliana tokoa ity volana Jona2021 ity miaraka amin’ ny entana tsara kalitao hita ao amin’ ny tranombarotra « Baolai ». Cet article FETIN’ NY RAY SY ASARAMANITRA : VAO NAHATONGA ENTANA NY BAOLAI est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article FETIN’ NY RAY SY ASARAMANITRA : VAO NAHATONGA ENTANA NY BAOLAI a été récupéré chez Délire Madagascar.

Malnutrition : Les CRNM à multiplier
14/06/2021

Outre les grands projets agricoles et la mise en place d’infrastructures d’eau et d’électricité dans le Sud de Madagascar, les problèmes d’insécurité alimentaire et de malnutrition, dans leur dimension de proximité, ont également été abordés par le président de la République Andry Rajoelina, lors de son discours à la nation, hier soir. Ainsi, la mise en place de Centres de Récupération Nutritionnelle et Médicale (CRNM) dans les zones les plus touchées qui ne disposent pas encore de ce type de structure, a été annoncée par le chef de l’Etat. Il s’agit d’infrastructures destinées notamment aux enfants présentant des signes graves de malnutrition. Dans ces CRNM, les enfants malnutris sont pris en charge médicalement et sont suivis de près jusqu’à ce qu’ils récupèrent au niveau pondéral et sur le plan de la santé. Faut-il rappeler que des centres de récupération nutritionnelle sont déjà opérationnels dans certaines zones – dans le Sud ou dans d’autres parties de l’île – où la malnutrition est particulièrement inquiétante. Toutefois, ces structures gagneraient à être renforcées, d’où certainement cette décision de mettre en place les nouveaux CRNM. Hanitra R. L’article Malnutrition : Les CRNM à multiplier est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Malnutrition : Les CRNM à multiplier a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Revue thématique sectorielle du PSE : La politique enseignante et la riposte Covid au centre des débats
19/06/2021

Les secrétaires généraux des trois ministères concernés sont confiants quant à l’issue de cette conférence. La réforme du système éducatif sera de nouveau remise sur le tapis. Pas moins de 250 personnes œuvrant dans le secteur de l’éducation apporteront leurs remarques et leurs recommandations sur le sujet durant une conférence débat. Pendant deux jours, c’est-à-dire les 21 et 22 juin, tous les acteurs œuvrant dans le domaine de l’éducation se réuniront au Plazza Ampefiloha pour une conférence-débat en vue de la préparation de la revue thématique sectorielle du PSE (Plan sectoriel de l’éducation). C’est une initiative participative et inclusive des trois ministères responsables de l’éducation, dont le ministère de l’Education nationale (MEN), le ministère de l’Enseignement technique et de la formation professionnelle (METFP) et du ministère de l’Enseignement technique et professionnel (Mesupres). Les thèmes qui seront débattu s’articuleront autour de la politique enseignante et de la riposte Covid-19. Les secrétaires généraux de ces ministères concernés ont rencontré la presse, hier, pour faire le point sur le sujet. Le choix de ces thèmes n’est pas fortuit compte tenu du contexte sanitaire dans le pays. D’après le secrétaire général du METFP, Samuel Rakotondrainy, la Covid-19 a eu des impacts conséquents sur l’éducation. « Les écoles, les universités ainsi que les centres de formations professionnelles ont fermé leurs portes durant la pandémie. Il est donc essentiel de poser la question suivante : comment assurer la continuité de l’apprentissage de nos jeunes ? Le renforcement de la résilience du système éducatif face aux éventuelles catastrophes sera aussi mise en exergue », a-t-il souligné. Il a aussi indiqué dans la foulée que 250 participants dans toutes les 22 régions du pays seront attendus à cet évènement en présentiel et en visio-conférence. Concernant la politique enseignante, le milieu, la formation, la qualification ainsi que les conditions de travail des enseignants seront discutés par ces acteurs de l’éducation. L’objectif étant de dégager les recommandations et les remarques pour apporter des améliorations dans la réforme de l’éducation. Narindra Rakotobe L’article Revue thématique sectorielle du PSE : La politique enseignante et la riposte Covid au centre des débats est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Revue thématique sectorielle du PSE : La politique enseignante et la riposte Covid au centre des débats a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Lutte contre la désertification dans l’Androy : 50 Ha de terres cultivables sécurisés et 140 Ha de dunes fixés
17/06/2021

Une des réalisations des travaux de fixation des dunes dans l’Androy. Le monde célèbre, ce jour, la Journée mondiale de la lutte contre la désertification et la sécheresse. Des phénomènes qui concernent Madagascar, notamment la partie Sud du pays où le Tiomena sévit depuis le mois d’octobre 2020. « Favorisant l’ensablement, le phénomène détruit nos cultures, détruit nos champs et impacte même, de façon négative, les routes nationales ». Propos de Marie Zoéline, mère de famille vivant dans la région Androy qui témoigne des méfaits du phénomène Tiomena qui sévit dans l’Androy depuis le mois d’octobre dernier. Propos qui interpellent également sur l’urgence de mener des actions coordonnées et systémiques afin de protéger la population et accroître leur bien-être. Interrogé sur le pourquoi du comment du phénomène, le Dr Tsimanaoraty Mahatante Paubert, expert en changement climatique et maître de conférence auprès de l’université de Toliara explique que « le Tiomena résulte de la hausse de la température et de la dégradation du sol. Cette dernière est causée par la perte de la couverture végétale, elle-même provoquée par la culture sur brûlis et la coupe ». Le Dr Tsimanaoraty Paubert Mahatante de poursuivre avec les conséquences du phénomène. « Le Tiomena déforme le paysage de l’Androy, favorise l’ensablement des forêts et des routes, assèche la végétation et provoque la baisse des précipitations » déplore-t-il. Propos soutenus par Natasha van Rijn, représentante résidente du PNUD à Madagascar qui note que « le phénomène de Tiomena et spécifiquement la migration des dunes, constitue un fléau qui porte atteinte au développement notamment agricole dans la région Sud ». Progressive. Face à l’urgence de la situation, le PNUD, en partenariat avec le ministère de l’Économie et des Finances et le ministère de l’Environnement et du Développement durable, ainsi que le gouvernorat d’Androy ont initié des actions de fixation des dunes le long des côtes des régions Sud du pays. « Jusqu’ici 50 Ha de terres cultivables sont sécurisés et sont de nouveau exploitables grâce à la fixation de 140 Ha de dunes. Mais, il reste beaucoup à faire», fait savoir la représentante résidente du PNUD. Pour ce faire, les parties prenantes ont adopté « une approche progressive afin d’agir à la fois sur le problème d’ensablement et de désertification, et sur l’amélioration des revenus des ménages les plus vulnérables par ces travaux de fixation des dunes ». Une approche qui permettait à chaque travailleur de percevoir «4.700 Ar par journée de travail payés par tranche de 10 jours et une épargne de 3.575 Ar, toujours par journée de travail constituée dans le compte du bénéficiaire pour servir de fonds de démarrage pour une activité génératrice de revenus », précise Natasha van Rijn. Si des efforts sont menés par divers acteurs, le Tiomena continue de sévir dans l’Androy bien que les fréquences sont diminuées selon les populations locales. José Belalahy L’article Lutte contre la désertification dans l’Androy : 50 Ha de terres cultivables sécurisés et 140 Ha de dunes fixés est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Lutte contre la désertification dans l’Androy : 50 Ha de terres cultivables sécurisés et 140 Ha de dunes fixés a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Herimanana Razafimahefa : Descente à Nosy-Be
15/06/2021

Le président du Sénat Herimanana Razafimahefa a rendu visite aux personnes âgées de l’Île de Nosy-Be. Le président du Sénat, Herimanana Razafimahefa, a procédé à une descente, avant-hier et hier à Nosy-Be. Dans la matinée du dimanche 13 juin, il a rencontré un groupe constitué de 110 personnes âgées, issues du village d’Ampangoriana de l’île Komba, à Nosy-Be. En outre, le président du Sénat a déjeuné avec eux et leur a offert du riz, de l’huile alimentaire et des vêtements chauds. Il n’a également pas manqué de doter le personnel médical de ladite localité, de gels désinfectants. L’après-midi, toujours à Ampangoriana, il a assisté à une campagne de vaccination dans le cadre du « Covishied 1ère vague». 70 personnes en ont été les bénéficiaires; la campagne durera jusqu’au 17 juin prochain, date de péremption du vaccin. Le lendemain, il a offert 10 brouettes et des désinfectants aux habitants d’Ampangoriana, qui ont immédiatement procédé au nettoyage du village. Le Président a mis, à cette occasion, la main à la pâte. Notons que lors de cette visite, le Numéro Un du Palais de verre a été assisté par la députée élue à Nosy-be, Marifidy Christine Razafindravony, du gouverneur de la région Diana, Daodo Arona Marisiky et du Préfet de l’Île aux parfums, Lucien Mananjara. Recueillis par Dominique R. L’article Herimanana Razafimahefa : Descente à Nosy-Be est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Herimanana Razafimahefa : Descente à Nosy-Be a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fankalazana ny fetim-pirenena: hatao etsy amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ny matso
16/06/2021

Hosantarina amin’ny fanamarihana ny niverenan’ny Fahaleovantena na tsy mbola hotokanana aza. Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, tamin’ny fitsidihany ny kianjan’ny Barea Mahamasina, omaly fa hotanterahina eo amin’io toerana io ihany ny matso hataon’ny Foloalindahy. Tafiditra amin’ny fanamarihana ny fetim-pirenena izany.Nijery ny firoson’ny asa fanamboarana ny kianja Barea ny filoha, omaly. Nambarany tamin’izany fa hatao eo ny matso ho an’ny 26 jona. “Tsy mbola fitokanana akory izany. Hatao amin’ny fotoana mahamety azy rehefa vita 100% ny asa”, hoy izy. Nanteriny fa mampiseho ny maha Malagasy ny ravaka rehetra: aloalo, ravinala, loko, ny sainam-pirenena mampiray. Ny Barea, mampiray ary hapetraka ho an’ny taranaka ity kianja ity. Hiteraka fidiram-bola ireo fotodrafitrasa rehetra. Ahitana hotely, efitrano fivoriana, toeram-pivarotana, kianja fanomanan-tena…  “Azo andraisana hetsika kolontsaina sy zavakanto koa…”, hoy izy.Midika izany fa tsy hisy ny “podium” lampihazo hanaovan’ny mpanakanto hetsika na koa ny afomanga, ny 25 jona.Hiova ny fankalazana ny faha-61 taona…Efa natsidiky ny filoham-pirenena ny alahady teo, niainga avy any Taolagnaro, fa hatao eny anivon’ny renivohi-paritany enina: i Mahajanga, Antsiranana, Antananarivo, i Fianarantsoa, i Toliara ary i Toamasina ny matso, hanamarihana ny fetim-pirenena. Anton’izany ny hamehana ara-pahasalamana. Nentaniny koa ny rehetra hanangan-tsaina, hanehoana ny hambompom-pirenena. “Mba hiredareda ny afon’ny fitiavan-tanindrazana eo amintsika handresena ny sedra sy ny ady sarotra rehetra”, hoy izy.Midika izany fa hiverina eny Mahamasina indray ny matso raha teny Analakely izany tamin’ny herintaona. Hiova amin’ny endriny hafa koa anefa satria eo amin’ny kianjan’ny Barea nohavaozina sy nohatsaraina izany amin’izao faha-61 taona niverenan’ny Fahaleovantena izao.Synèse R. L’article Fankalazana ny fetim-pirenena: hatao etsy amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ny matso a été récupéré chez Newsmada.

Rajoelina au « Kianja Barea » : Le stade de l’unité et de la fierté nationale
16/06/2021

Le numéro Un malgache au milieu des Barea, hier. Andry Rajoelina. Après l’inauguration des « kianja manara-penitra » de Mahitsy et d’Ambohidratrimo, le numéro Un du pays est redescendu sur le terrain, hier, en visitant le stade Barea à Mahamasina. 40 211 places. C’est la capacité d’accueil du Kianja. A raison de 16 035 en tribune et 24 176 places pour les gradins. Des sièges numérotés pour ce stade, aux normes FIFA, doté de 6 portails d’accès dont un portail d’entrée pour les VIP, les officiels et les équipes. Les sociétaires des Barea conduits par le coach Eric Rabesandratana en ont eu un avant-goût hier avec l’ancien candidat numéro 13 devenu depuis numéro 1 du pays. Le président Andry Rajoelina a exprimé son « satisfecit » lors de cette visite qui constituait une sorte d’avant-première. Clou de l’installation. En effet, l’inauguration de ce « zava-bita » aura lieu ultérieurement lorsque tout sera fonctionnel. Entre autres et non des moindres, les locaux VIP avec salon, salles de repos, loges et chambres d’hôtel. « Pour leur préparation d’avant-match, les joueurs des Barea logeront dans cet hôtel qui constitue le clou de l’installation », fait remarquer le président. En ajoutant qu’en plus du terrain principal en pelouse naturelle, il y aura un terrain d’entraînement en pelouse synthétique. Sans oublier les 4 projecteurs et les 2 écrans géants, mais aussi les aménagements extérieurs composés de 9 terrains annexes de basket-ball, 1 boulodrome de 8 terrains, 4 espaces verts et espaces publics, et 1 espace public. Gagnant-gagnant. Du point de vue économique, la construction du stade a généré la création de plusieurs centaines d’emplois locaux par mois durant la durée des travaux. Sans compter les achats sur place des matériaux pour les gros œuvres ainsi que les travaux de sous-traitance avec des partenaires locaux. En somme, c’est le cas de le dire, le stade Barea illustre la coopération gagnant-gagnant entre la Chine et Madagascar. Le président Andry Rajoelina d’ajouter que « d’autres retombées économiques sont attendues avec le centre commercial qui sera installé sous les gradins avec plusieurs boutiques d’habillement, d’électroménager, de téléphonie… et un food court avec une dizaine de restaurants ».  Leadership. Sur le plan politique et sportif, le stade est le symbole de l’unité et de la fierté nationales. A l’image des Barea, une sélection nationale qui réunit tout le pays. Le fait que le stade ait été financé sur fonds propres de la Grande Île, est un motif de fierté pour les Malgaches trop longtemps habitués à l’approche donateur-bénéficiaire. Pour le régime en place, ce « zava-bita » est un exemple de leadership politique et de gouvernance publique malgré la pandémie de Covid-19 qui a impacté le paysage politique, économique et social. Le retard occasionné par la crise sanitaire nous incite à travailler et à aller « dix fois plus vite », dixit le TGV. Au risque pour ceux qui n’arrivent pas à suivre son rythme, d’être laissés sur le quai ou de descendre au prochain arrêt. RO L’article Rajoelina au « Kianja Barea » : Le stade de l’unité et de la fierté nationale est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Rajoelina au « Kianja Barea » : Le stade de l’unité et de la fierté nationale a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Misy miandry kendry tohina fotsiny…
19/06/2021

Efa milamindamina ratsy ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 amin’izao? Mihena hatrany ny tranga vaovao, ny marary, ny ao anatin’ny fahasarotana, ny mamoy aina… Na izany aza, mila malina sy miaro tena hatrany. Amin’izany, mila mitandrina amin’izay mety hitranga. Nahoana? Misy tsinona ny miandry kendry tohina fotsiny amin’izay mitranga sy atao rehetra. Tsy kely lalana ny ratsy. Tsy ilaozan’izay mety mandilatra ny atao. Aleo mailo sy malina hatrany! Tsy izany ve, ohatra, ny mety ho nahatonga ny savorovoro narahina doro trano tany amin’ny oniversite any Toliara? Nilaza ny eo anivon’ny fitandroana filaminana fa misy ambadika ny raharaha: tsy mpianatra ny namoy ny ainy tao anatin’ny korontana. Andrasana ny fanadihadiana lalina. Politika izay hoe ambadika izay? Misy hatrany ny miandry kendry tohina fotsiny amin’izay mety hanaratsiana endrika ny mpitondra, hamendrofendroana sy hanakorontanana vahoaka… Tsy mifankaiza amin’izany koa, ohatra, ny zava-mitranga tany amin’ny oniversite Fianarantsoa? Fitakiana vatsim-pianarana, lasa mivadika fanakorontanana. Hafa noho izany aza ny zava-mitranga any amin’ny faritra Sofia? Ifandroritana ny hoe fandriampahalemana. Inona ny marina? Misy ny manely vaovao tsy marina, mamendrofendro, manakorontana aza. Tadiavina na tetehin’ny sasany havadika politika ny raharaha? Tsy mifankahazo ny olom-boatendry sy olom-boafidy sasany. Ohatra ihany ireo, santionany. Na inona mitranga sy atao amin’izao, misy miandry kendry tohina amin’izay azo hanakorontanana… havadika ho politika. Efa tsy hitan’ny sasany izay afitsoka amin’ny politika mahadotra? Na tsy maharitra ny fanaperan’ny fitondrana ny fe-potoam-piasany, na tsy mahazaka ny hafa manao zavatra… Izany rehetra izany, tarazo ratsy amin’ny fomba fanaovana politika? Fiheverana ny fanoherana ho fitsikerana fahatany, fankahalana, hanaratsiana, fanakorontanana… Raha tiana hiova sy hovaina izay ataon’ny hafa hoe tsy araka ny fiheveran’ny tena, tsy ny tena ve aloha no mila miova?Rafaly Nd.L’article Misy miandry kendry tohina fotsiny… a été récupéré chez Newsmada.

Fakana an-keriny tao Anjozorobe: votsotra ilay renim-pianakaviana nalaina an-keriny
16/06/2021

Navotsotry ny dahalo, omaly maraina, ilay renim-pianakaviana 46 taona nalain’ny dahalo an-keriny ny herinandro teo, tao Betatao, Anjozorobe. Hita teny akaikin’i Soalazaina izy ary tsy misy ahina ny fahasalamany. “Mbola mitohy kosa ny fanarahan-dia ireo dahalo”, hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana. Tsy nohamarininy kosa anefa raha nisy fangatahana onitra ho famotsorana ilay renim-pianakaviana io.Tsiahivina fa nitrangana fanafihan-dahalo niharo fakana an-keriny ny tao Betatao, herinandro vitsy lasa izay. Lasan’ireo dahalo tamin’izany ny renim-pianakaviana iray teo an-toerana. Saika efa niaina am-pilaminana ny mponina ao amin’ny distrikan’Anjozorobe taorian’ireo fisamborana sesilany ireo ekipan’i Del Kely kanjo niverina tampoka ny tsy fandriampahalemana tao an-toerana. “Vokany, mihorohoro tanteraka ny mponina, indrindra moa fa any amin’ny tapany avaratra andrefan’ny distrika”, hoy ny loharanom-baovao iray. Henintsoa Hani L’article Fakana an-keriny tao Anjozorobe: votsotra ilay renim-pianakaviana nalaina an-keriny a été récupéré chez Newsmada.

GYM – Axian: 17 tapitrisa euros hanitarana herinaratra vaovao
18/06/2021

Nifanaraka ny Jirama sy ny Green Yellow Madagascar (GYM) miaraka amin’ny vondrona Axian, hanitatra ny foibe famokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro any Ambatolampy, manana hery 20 hatramin’ny 40 Mw, sy batterie 5 Mwh. 17 tapitrisa euros ny tentim-bidin’ny tetikasa. Mpampindram-bola ny Société Générale, ny GuarantCo, African Guarantee Fund, ary ny BMOI sy ny BNI Madagascar, izay samy nilaza fa mbola hanohana ny tetikasa dingana faharoa.Nambaran’ny Green Yellow Madagascar fa manomboka ny volana jona izao ny tetikasa ary azo trandrahina amin’ny faran’ny taona. «Tafiditra ao anatin’ny tanjona nofaritanay ny fampitomboana fahazoana herinaratra, madio sy maharitra, ary zakan’ny Malagasy rehetra. Miasa ho an’izany isan’andro ny vondrona Axian amin’ny alalan’ny Axian Energy, izay mahavita ny asa ao anatin’ny fotoana fohy, fanamby lehibe napetraka na teo aza ny krizy ara-pahasalamana », hoy ny PDG vondrona Axian, i Hassanein Hiridjee.“Manamafy ny fisian’ny Green Yellow eto Madagasikara sy ranomasimbe Indianina izahay, voalohany amin’ny famokarana herinaratra azo havaozina. Ny fanitarana izany ao Ambatolampy no hahafahanay sy ny Axian hiroso lavidavitra amin’ny fiaraha-miasa sy famatsiam-bola ho an’izay mbola heverina hatao eto Madagasikara”, hoy kosa ny PDG GreenYellow, i Otmane Hajji.   R.MathieuL’article GYM – Axian: 17 tapitrisa euros hanitarana herinaratra vaovao a été récupéré chez Newsmada.