Kitra: miofana ireo mpanofana mpitsara

News - Kitra: miofana ireo mpanofana mpitsara

News - Kitra: miofana ireo mpanofana mpitsara

 

 Taorian’ireo
mpitsara baolina kitra iraisam-piernena, niditra amin’ny anjara
fiofanany ihany koa ireo mpanofana mpitsara (instructeur).
Nanomboka ny zoma lasa teo izany ary nifarana omaly alatsinainy.
Noho ny mbola fisian’ny valanaretina Covid-19, fiofanana
ampitain-davitra ny natao. Mahatratra 34 mianadahy mianaka ireo
mpanofana mpitsara ireo ka nanana solontena tamin’izany avokoa ireo
ligim-paritra 22 mandrafitra ny federasiona malagasy ny baolina
kitra (FMF). Nitarika izany ireo manampahaizana avy amin’ny
federasiona iraisam-pirenena (Fifa), tantanin’ny talen’ny
fiofanana, i Atganase Nkutibo. Manampy azy i Celestin Ntanguira,
misahana ny lafiny teknika. Eo koa i Hanachi Boubacar, manofana ny
tanjaky ny vatana. Mpandrindra ankapobeny kosa Andrianantenaina
Pascal. Tamin’ny alalan’ny fijerena “video” misy ampahan-dalao no
nanaovana ny fampianarana ka nampandraisana anjara ny tsirairay.
Samy mitondra ny fomba fahitany sy ny fanazavany ny zavatra hitany
ireo mpiofana isanisany. Misy hatrany ny firesahana ireo lalàna
mifehy ny lalao sy ny pitsompitsony. Faranana amin’ny fanadinana
kely ny fiofanana.

Manoro sy manitsy ny fomba
fitantanan’ireo mpitsara any amin’ireo ligim-paritra misy azy avy
ireo mpiofana aorian’izao fandrantoana fahalalana izao ka afaka
manome naoty azy ireo. Tsiahivina fa efa tamin’ny taona 2014 no
nisian’ny fiofanana farany ho an’ny “instructeur” eto
Madagasikara.

 

Torcelin

Article tiré de Newsmada

L’article Kitra: miofana ireo mpanofana mpitsara a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Jly Ravalomanana Richard: “Zandary 120 mitondra tsimokaretina Covid-19”

Araka ny antontanisa nomen’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, miisa 120 ireo zandary mitondra ny tsimokaretina Covid-19. Ankoatra ireo ny any amin’ny sekolin’ny zandarimaria any Ambositra sy Moramanga.“Fanentanana ataoko ny hoe araho ny fepetra noraisina ary aza ny fahatahorana ny mpitandro filaminana no hanarahana ny fepetra fa ho anareo sy ny olona manodidina anao izany. Tsy misy miova ny fepetra fa rehefa miteny ny any amin’ny fanjakana foibe hoe tsy misy mahazo mivoaka ao amin’ny faritra iray, tsy misy mahazo mivoaka”, hoy ny fanazavan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zan­da­ri­mariam-pirenena (Seg), ny Jly Ravalomanana Richard, mo­mba ny fihanaky ny valanaretina Coronavirus. Noha­ma­fi­siny fa manatanteraka fotsiny ny zandarimariam-pirenena ary manentana ny olona tsirairay avy koa ity manamboninahitra ambony ity mba ho tonga saina amin’izay amin’izao fihanaky ny valanaretina izao. Azo resena tsara ny Coro­na­virus rehefa manaraka ny toromarika sy ny lamina napetraka ny vahoaka tsirairay avy, araka ny nambarany.Nifanome tanana ny fianakaviamben’ny zandarimaria… Nanome antontanisa ma­no­­kana ny Seg momba ireo zan­dary tratran’ny Covid-19. Ho an’ny zandarimariam-pirenena manokana, miisa 120 amin’ny ankapobeny ireo tratran’ny Coronavirus. “Ho an’ny sekolin’ny zandarimaria any Ambositra kosa, miisa 323 ireo mitondra ny tsimokaretina raha 144 no tratra ao amin’ny sekoly ambonin’ny zandarimariam-pirenena ao Mora­ma­n­ga. Efa an-dalam-pahasitranana avokoa ireo zandary ireo ary misaotra ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ny fanampiana rehetra”, hoy izy. Nifanome tanana, ara­ka izany, ny fianakaviamben’ny zandarimariam-pirenena tamin’ny famonjena ireo tratran’ny Covid-19 ary tsy misy atahorana intsony ireo zandary voan’ity aretina ity. Nisy teo am-panatanterahana ny asany ny nahazoany ny aretina, nisy kosa nandritra ny fankalazana ny fetin’ny 26 jona lasa teo. Misy ny tandrevaka kely satria nifandray tamin’ny fianakaviany ny sasany amin’izy ireo, raha ny filazany.J.CL’article Jly Ravalomanana Richard: “Zandary 120 mitondra tsimokaretina Covid-19” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Nanafika tany Maevatanana: voasambotra tetsy Tsimbazaza ilay nandroba mpandraharaha

Voasambotry ny polisy teny Tsimbazaza, ny 12 jolay 2019 lasa teo, ny jiolahy raindahiny tompon’antoka tamin’ny fanafihana mpitam-piadiana tany Maevatanàna ny volana oktobra 2018 lasa teo…Mpivady mpandraharaha ireto nisy nandroba tao an-tranony any Maevatanàna ireto izay nahaverezana vola 30 tapitrisa Ar, araka ny fanazavan’ny polisy. Tsy niandry ela ny polisy any an-toerana fa nanao ny fikarohana avy hatrany ka tratra ny maraina tamin’io fotoana io ihany ny iray amin’ireo jiolahy nanafika azy mivady ireto. Nitohy ny fanadihadiana ka andro vitsivitsy taorian’izay, tratra ihany koa ny efatra amin’ireo jiolahy, nahatrarana basy miisa efatra. Tsy nijanona hatreto anefa ny fanenjehana ireo jiolahy fa nitohy ny famotorana ary fantatra fa mbola misy jiolahy iray atidoha nikotrika ity fanafihana ity tafatsoaka niakatra aty an-dRenivohitra. Nokarohin’ny polisy ity jiolahy ity ka tratra teny Tsimbazaza tamin’ny zoma lasa teo. Tsy nanampo na inona na inona ity jiolahy ity satria efa voahodidin’ny polisy nanao fanamiana sivily ny trano nisamborana azy. Noraisim-potsiny tao an-tranony izy. Nilaza izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy fa ankoatra ny fanafihana mitam-piadiana, isan’ireo jiolahy mpanakan-dalana eny amin’ny RN 4 ary voarohirohy amina raharaha fakana an-keriny niseho tany Maevatanàna ihany koa izy. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy.Jean ClaudeL’article Nanafika tany Maevatanana: voasambotra tetsy Tsimbazaza ilay nandroba mpandraharaha a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Antso mitohy

Mbola nitohy, omaly, teny amin’ny Bianco Ambohibao ny fakana am-bavany an’i Mbola Rajaonah. Voalaza fa io omaly io no farany tamin’ny fakàna am-bavany azy eny amin’ny Bianco, araka ny fanazavan’ny mpisolovava. Olana tamin’ny fampidirana entana tany amin’ny Fadintseranana no maha voarohirohy azy. L’article Antso mitohy est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Kitra vehivavy – «Cosafa cup»: nihintsana ny Barean’i Madagasikara

Tapitra hatreo ny lalan’ny Barean’i Madagasikara, sokajy vehivavy, eo amin’ny fiadiana ny «Cosafa cup 2019», taranja baolina kitra. Fihaonana, tanterahina atsy Afrika Atsimo. Resin’i Afrika Atsimo, mpampiantrano, tamin’ny isa mazava, 3 no ho 0, mantsy ny Malagasy, teo amin’ny lalao farany, omaly alatsinainy, tamin’ny fifanintsanana ho an’ny vondrona A.Manana isa 9 ny Afrikanina Tatsimo, nandresy intelo tao anatin’ny lalao nataony. Fandresena iray sy faharesena indroa misesy kosa ny azon’ny Barean’i Madagasikara, tsy manana afa-tsy isa telo ihany. Tsy ampy niakaran’ny Barea, amin’ny manasa-dalana, io vokatra azony io.Raha tsiahivina ny vokatra azon’ny Barea, tamin’ity “Cosafa cup 2019” ity, resin’i Malawi, tamin’ny isa 2 no ho 0, teo amin’ny lalao voalohany ary nandresy an’i Kaomoro, tamin’ny isa, 5 no ho 1, teo amin’ny fihaonana faharoa, ary izao resin’i Afrika Atsimo, tamin’ny isa 3 no ho 0 izao, indray. TompondakaL’article Kitra vehivavy – «Cosafa cup»: nihintsana ny Barean’i Madagasikara a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mpanohana ny Barea: 471 mianadahy mianaka hihazo any Egypta, anio alina

Araka ny fantatra, omaly, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, hanainga, anio alina ilay fiaramanidina A380 hitondra azy 471 mianadahy mianakana, hanatrika ny lalao hatrehin’ny Barea, ny alahady izao, any Ejypta.Nambaran-dRakotomanga Rinah, tale misahana ny serasera eo anivon’ny prezidansa, tamin’ny mpanao gazety, omaly fa 471 no isan’ny olona, handeha ho any Egypta, hanohana ny Barea de Madagascar, amin’ny lalao ampahavalon-dalana, hiadiana ny “Can 2019”, ny alahady ho avy izao.Fiaramanidina manokana A380, hofaina amin’ny kaompania Air Madagascar, no hitondra azy ireo, miaraka amin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Efa feno tanteraka ny toerana, amin’izany ka Malagasy avokoa izy ireo, ary ny ankamaroany sambany vao hitaingina fiaramanidina.Nomarihin-dRazafimaharo Besoa, tale jeneralin’ny Air Madagascar fa hiala eto Madagascar io fiaramanidina io, anio asabotsy amin’ny 12 ora alina ary ho tonga any Egypta ny alahady maraina amin’ny 6 ora. Hiainga any indray rehefa vita ny baolina, ny alahady amin’ny 12 ora alina ary higadona eto an-tanindrazana, ny alatsinainy amin’ny 7 ora sy sasany, maraina.Nambaran’i Rinah, fa tsy mahazo mitondra valizy ny mpandeha fa kitapo tsotra. Efa samy nanao fanekena amin’ny fiverenana avokoa ireo mpandeha rehetra. Noho ny pitsompitsony ara-teknika, nofoanana ilay fiaramanidina faharoa, saika hofaina, na maro aza ireo olona te handeha.Ankoatra ireo mpijery nandoa vola, olona 50 hafa nahazo fanasana manokana, toy ireo ankizy eny amin’ny père Pedro sy ny Zazakanto ary ireo mpilalao kalaza fahiny, sy vadin’ny mpilalao iray. Hitondra mpitsoka mozika, ihany koa ny fitondram-panjakana, amin’ity dia ho any Egypta, ity. Tsy maintsy miverina mody avokoa ireo mpijery rehetra, rehefa vita ny lalao. Mbola hisy kosa ny sidina manokana, raha tafita amin’ny ampahefa-dalana, ny Barea, amin’io vidiny 2.200.000 Ar, io.TompondakaL’article Mpanohana ny Barea: 471 mianadahy mianaka hihazo any Egypta, anio alina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Stephanie: « Clip » mialohan’ny fandehanana any ivelany

Mpanakanto manana ny laza iraisam-pirenena ! Raha ny fandaharam-potoan’i Stéphanie, hanatanteraka fitetezana an’i Eoropa izy, amin’ny volana desambra izao. Mialohan’io diany io, hanatontosa rindrantsary (clip) maromaro ity mpihira manana ny maha izy azy ity. Amin’ito herinandro ito, hivoaka ny « Raosy jamba », izay manana ny gadona afro-dance. Hira mitantara ny kilalao malagasy fahiny. Afaka 20 andro indray, hivoaka ny rindrantsary manaraka nampitondraina ny lohateny « Mitsapepy », karazan-kira na gadona afrotrad izy ity. Hira mitantara ny fahasahiranana misy eto Madagasikara, amin’izao fotoana, ny « Mitsapepy ». Raha adika malalaka, very hevitra tsy mahita izay atao ny hevitry ny mitsapepy. Azo adika ihany koa amin’ny hoe tsy mahatombina.Fantatra fa natao tetsy amin’ny lalamby Ankorondrano ity rindrantsary ity. Nialana ilay nahazatra hatramin’izay, rehefa manao « clip » tahaka ny toerana na trano tsara tarehy satria ny zava-misy eo amin’io toerana io (lalamby Ankorondrano) mihitsy no manome aina ilay rindrantsary, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. « Mitsapepy », mitantara ny fiainan’ireo olona miady mafy amin’ny fiainana.Nanangona : HaRy Razafindrakoto L’article Stephanie: « Clip » mialohan’ny fandehanana any ivelany a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Mozika Rock

Fiverenana an-tsehatra. Ho an’ireo mpankafy Rock, tamin’ny taona 90, dia mahafantatra tsara ny tarika Martz. Rehefa nangingina nandritra ny fotoana elaela ny tarika dia hiverina an- tsehatra indray. Nisafidy ny etsy amin’ny Is’Art Galerie Ampasanimalo izy ireo, amin’ny 26 jolay ho avy izao. Hanolotra ilay mozika mavesatra ny Martz amin’ io fotoana io. L’article Mozika Rock est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Fahasahiranan’i sehatra tsy miankina :: Olona dimy arivo very asa tampoka eto an-drenivohitra

Miantraika mivantana sady mafy amin’ireo orinasa amin’ny sehatra tsy miankina ny fepetran’ny fihibohana eto Analamanga. Mitombo hatrany ny tarehimarika amin’ny fahaverezana asa, satria nanomboka afak’omaly, ohatra, dia orinasa telo eto an-drenivohitra no nisafidy nanakatom-baravarana. Fantatra fa manodidina ny dimy arivo ny isan’ny mpiasa naato ao amin’ireo orinasa ireo. Miezaka manohy ny asa arak’izay tratrany aloha ny ankamaroan’ireo orinasa tsy miakina, hatreto, araka ny tatitry ny Sendika kristianina Malagasy (Sekrima). « Tsikaritra, tamin’iny herinandro lasa iny, ny fanohizan’ny orinasa tsy miankina, amin’ny ankapobeny, ny asa isan’andro hatramin’ny 12 ora antoandro. Ifanarahan’ny mpiasa sy ny mpampiasa ny fandaminana. Orinasa roa no tonga tety aminay nanambara ny fikatonany. Tamin’ny alalan’ny peta-drindrina indray no namoahan’ny orinasa iray eny Ivato ny fiatoany hatramin’ny volana aogositra », hoy i Botoudi Rémi, sekretera jeneralin’ny Sekrima. Mananontanona tanteraka ny fiakaran’ny tahan’ny tsy an’asa raha hiitatra ny fampiharana an’ireo fepetra miantraika amin’ny asa aman-draharaha, ao anatin’izao ady amin’ny valanaretina Covid-19 izao. Etsy an-daniny dia mitaky hatrany ny fisian’ny paikady matotra isaky ny orinasa amin’ny fiarovana an’ireo mpiasa amin’ny valanaretina ry zareo ao amin’ny Sekrima. L’article Fahasahiranan’i sehatra tsy miankina :: Olona dimy arivo very asa tampoka eto an-drenivohitra est apparu en premier sur AoRaha.

News - Santé - News Mada

Ady amin’ny Covidy-19 : tsy voahaja ny fepetra eto Analamanga

Mifamoivoy be ny olona, indrindra eny an-tsena; tsy voahaja ny elanelana iray metatra; be ny olona mijorojoro etsy sy ireo: mitady karama? Santionan’ny tsy fanajana ny fepetra eto Antananarivo Renivohitra, amin’ny ady amin’ny fihanaky ny tsimokaretina Coronavirus ireo. Maro ko­sa ny manao arovava. Na­hitana izany, ny teny Andra­voahangy, Isotry, 67 ha, Ano­sibe…Misy ny mangalatra mivarotra. Mbola misy koa ny mpividy ? Any anaty tanàna in­dray, mbola be ny mpivarotra misokatra: enta-madinika, hani-masaka. Ny fitangorongoronana amin’ny karatra… Misy aza ny mampiady akoho. Ahoana no haharesena ny valanaretina Covid-19 amin’izany?Henjana sy hentitra ny mpitandro filaminana amin’ny fampanajana sy fampiharana fepetra amin’ny fahamehana ara-pahasalamana. Saingy izay ny zava-misy. Hahagaga, ohatra, raha mahatratra anjatony ny tranga vaovao amin’ny fi­tondrana tsimokaretina Coro­navirus? Na eo aza ny ezaky ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny mpitandro filaminana, mila ezaky ny tsirairay.Mitaky fahatongavan-tsaina ny fanajana ny fepetra. Na eo aza ny fihenjanana sy ny fanerena, mila fandresen-dahatra ny fiatrehana izany. Ani­san’ny fototra sy fositra amin’ny tsy fanarahan-dalàna koa ny fitadiavana. Sahirana ny maro. Na izany aza, ao anatin’ny fahamehana izao: ny fahasalamana aloha no zava-dehibe, maika, tsy maintsy atrehina.R. Nd.L’article Ady amin’ny Covidy-19 : tsy voahaja ny fepetra eto Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Jly Rakotonirina Théophile: « Raha miombona isika dia mandresy ny Tafika »

“Inona no nataontsika miaramila ka mety nahaosa ny Tafika Malagasy?”. Io no lohahevitra  nifantohan’ny fivoariambe narahina atrikasa nataon’ny teo anivon’ny Tafika Malagasy nandritra ny roa andro. Nilaza ny lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika (Cemgam), ny Jly Rakotonirina Théophile fa raha miombona isika dia mandresy ny Tafika.Nifarana  omaly ity fivoriambe nanaovan’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Tafika Malagasy izay nandinihana manokana io lohahevitra io. Fivoriana nentina nanaovana tatitra mikasa ny asa sahanin’ny miaramila isan-tsokajiny sy isan’ambaratongany, nijerena ireo olana sedrain’izy ireo amin’ny fanaovana ny asa sy ny andraikiny ary nijerena vahoalana. Nivoaka tao anatin’ity atrikasa ity ny famerenana ny fandriampahalemana sy ny fampanajana ny tany tan-dalàna ary navoitra tamin’izany ireo lesoka hatramin’izay ka nahaosa ny Tafika Malagasy. Nilaza ny Cemgam fa navadika ho asa avokoa izay rehetra nivoaka tao anatin’izay roa andro izay. “Raha miombona isika dia mandresy ny Tafika. Ato amintsika ato ihany no misy olona mamotika ny ezaka tiantsika hatao”, araka ny nambarany hatrany, nandritra ny famaranana ity fivoriana ity. Notsipihiny fa isan’ny lesoka ny tsy fanarahan-dalana sy ny tsy fahampian’ny fiofanana ka maha ambany kalitao eo amin’ny sehatry ny asa. Nambarany fa mahatratra 403 ireo fandikan-dalàna nataon’ny Tafika.Jean ClaudeL’article Jly Rakotonirina Théophile: « Raha miombona isika dia mandresy ny Tafika » a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Tetikasa Atrika: tohana ho an’ny mpandraharaha madinika
24/09/2020

Natao, omaly tetsy Tsaralalana, trano fiasan’ny Madagascar Entreprise Développement (MED), ny fanolorana ny tohana ara-bola ho an’ireo mpandraharaha madinika 100 voafantina tamin’ny tetikasa “Atrika” nokarakarain’ny vondrona MED. 50 000 000 Ar izany tohana izany izay natao indrindra hanohanana ireo mpandraharaha madinika mpikambana ao amin’ny MED, noho ny fahavoazana vokatry ny valanaretina Covid-19. Efa nahazo fiofanana tao amin’ny MED izy ireo. 1 900 ireo nametraka antontan-taratasy tamin’ity tetikasa ity fa ireo 100 ireo no voafantina taorian’ny sivana natao ny 7 sy ny 8 septambra teo. Nisy ny masontsivana napetraka natao laharam-pahamehana tamin’ireo mpifaninana: vehivavy mpikambana ao amin’ny vondrona, olona manana fahasembanana ary mivelona amin’ny sehatrasa tena manakaiky vahoaka.Marihina fa ny IECD (Institut européen de coopération et de développement) no mpamatsy vola tamin’izao tetikasa “Atrika” izao. Miasa amina firenena 15 izy io ka anisany i Madagasikara izay sahanin’ny MED. Mpikambana efa anjatony, amin’izao fotoana izao, ny avondron’ny MED izay efa nanaraka fiofanana tao aminy amina sehatrasa fito, toy ny sehatry ny fiompiana sy ny fambolena, ny asa tanana, ny varotra, ny indostria, ny fizahantany…Andry F.L’article Tetikasa Atrika: tohana ho an’ny mpandraharaha madinika a été récupéré chez Newsmada.

Rugby à sept, vehivavy: hanoman-tena any ivelany ny Makis de Madagascar
19/09/2020

Niverina namonjy ny kianja ny mpilalaon’ny Makis de Madagascar, sokajy vehivavy, rehefa nihiboka dimy volana. Hanoman-tena,amin’ny lalao famerenana, hiadian-toerana amin’ny “Lalao olympika” (JO 2021), izy ireo. Nanomboka amin’ny fomba ofisialy, omaly zoma teny amin’ny kianja Makis Andohatape­naka, ny fampivondronana voalohany sady fanomanantenan’ny Makis de Madagascar vehivavy, taranja rugby lalaovina olona fito, ho an’ny lalao famerenana “repêchage”, hiadian-toerana amin’ny “Lalao olympika” (JO 2021), ny volana marsa 2021. Ankoatra ny fanazarantena eto an-toerana, hisy fanomanantena roa, hatao any ivelany. Ny iray, hotanterahina atsy Afrika, ny volana oktobra na novambra, izay tsy mbola voafaritra ny daty sy ny firenena hanaovana azy. Na izany aza, hisy “tournoi à quatre”, handraisan’i Madagasikara sy i Afrika Atsimo ary i Tonizia sy i Kenya anjara, amin’izany. Tsiahivina fa ankoatra ny Makis, manomana ny lalao famerenena ihany koa i Tonizia. Any Japon ny faharoa, ny volana desambra na janoary 2021. Fiaraha-miasa amin’ny masoivohon’i Japon sy ny Malagasy rugby izany, ary tohin’ilay andiany voalohany notanterahina ny volana jona 2019. Tafiditra ao anatin’izao fiomanantenan’ny Makis izao ihany koa ny fifanintsanana hiadian-toerana, amin’ny am­boara eran-tany 2023, hatao any Frantsa, eo amin’ny rugby ho an’olona 15. 20 mirahavavy ny miatrika ity fanazarantena voalohany ity, rehefa avy nandalo fitiliana ny Covid-19, ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Natomboka tamin’ny famerenana ny tanjaka, tamin’ny alalan’ny fanabokonana hozatra, izany, haharitra eo amin’ny herinandro eo ho eo. Ao­rian’izay vao hiditra amin’ny fandraisana baolina. Marihina fa efa samy nanao fanazarantena mitokana tany aminy avy ireo mpilalao rehetra, nandritra ny fotoan’ny fihibohana. Ho an’ny Makis de Ma­dagascar, lehilahy, hisy fiaraha-miasa amin’ny mpilalao frantsay iray nandrafitra ny XV de France ka tafiditra amin’izany ny fanomanana ny “Circuits mondiaux 2021”.TompondakaL’article Rugby à sept, vehivavy: hanoman-tena any ivelany ny Makis de Madagascar a été récupéré chez Newsmada.

Fisorohana ny valanaretina: nisintaka tany ambanivohitra ny ankizy
24/09/2020

“Noho ny faharefoan’ny ankizy raisina an-tanana ao amin’ny akany, nisintaka mihitsy tany ambanivohitra ny zaza sy ny mpikarakara nandritra ny fihibohana hisorohana ny fahazoan’izy ireo ny tsimokaretina”, hoy ny mpitantana ny akany fandraisana. Nikatona tanteraka ny akany eny Mahamasina. Antso amin’ny finday fizarana vaovao sy fandefasana vola amin’ny finday ny tantsoroka natao ireo ray aman-dreny rehetra tohanan’ny ONG.Nisy nanala fanadinana CEPE ny ankizy tohanana ary afaka soa aman-tsara avokoa fa roa kosa no niala an-daharana noho ny fahasahiranana tao anatin’ny fihibohana. “Zavatra mampalahelo izany nefa izahay koa, niala teto amin’ny akany ka sarotra ny faharaha-maso ny ankizy », hoy ny fanazavany ihany. Ankehitriny, efa miverina tsikelikely amin’ny fiainany ny akany sy ireo asa rehetra nataon’ny ONG ho tantsoroka amin’ny fianakaviana. Hatramin’ny taona 1988 niorenan’ny akany, 180 mahery ny ankizy nobeazina sy noraisina an-tanana tao. Nivoatra tsikelikely ny toeram-pandraisana izay niandoha tamin’ny zaza roa voan’ny aretina raboka ka nalain’ny mpanorina notsaboina tao an-tokantranony. Avy amin’ny fianakaviana sahirana monina eny amin’ny faritra iva: Andavamamba, Anatihazo, Itaosy, Ambatomaro … ireo ankizy beazina ao. Betsaka ny antso azo nandritra ny fihibohana fa noho ny antony ara-pahasalamana, tsy afa-nanoatra ny mpitantana. Vonjy    L’article Fisorohana ny valanaretina: nisintaka tany ambanivohitra ny ankizy a été récupéré chez Newsmada.

Covid-19: mandray marary ny hopitaly rehetra
22/09/2020

Taorian’ny fikatonan’ny CTC etsy Mahamasina sy ny foibem-pitiliana etsy Andohatapenaka, nilaza, mitohy ny fitsaboana ireo mararin’ny  covid-19 eny amin’ireo hopitaly lehibe rehetra.Nambaran’ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Rakotovao Hanitrala fa manatona avy hatrany ny hopitaly lehibe ireo marary miaina ny tranga fahasarotana, satria efa nahazo toromarika amin’ny fandraisana marary covid-19 izy ireny.Nanome toky ny minisitera  fa tsy misy atahorana ny fandraisana eny anivon’ny hopitaly satria efa midina be ny trangan’aretina, ankehitriny.Ho an’ireo misy tranga mampiahiahy, manatona avy hatrany ny tobim-pahasalamana ary manao ny fitiliana raha ilaina izany. Tsaboina eny anivon’ny tobim-pahasalamana tsotra kosa raha tsy mbola misy fahasarotana.Na ny eny amin’ny CSB aza, efa vitsivitsy ny olona tonga manao fizaham-pahasalamana satria efa tsy manafika be intsony ny aretina tao anatin’ny iray volana mahery izao.Na midina aza ny tahan’ny voan’ny coronavirus, mitohy hatrany ny fanajana fepetra rehetra ho fiarovan-tena sy fiarovana ny manodidina . Tatiana AL’article Covid-19: mandray marary ny hopitaly rehetra a été récupéré chez Newsmada.

Fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana – CUA: sazy 50 000 Ar ny fandrorana sy ny famaniana eny an-dalana…
18/09/2020

Nivoaka ary nampahafantarina sy mbola hanentanana ny rehetra, omaly tetsy Analakely, ny “Fehezam-pitsipiky ny kaominina Antananarivo Renivohitra misahana ny fikoloam-pahasalamana” (CMH). Manomboka amin’ny 5 000 Ar hatramin’ny 5 tapitrisa Ar ny sazy ho an’ireo mandika sy mihoa-pefy amin’izany.Anisan’ny andoavana 50 000 Ar, ohatra, ireto manaraka ireto: ny fandrorana sy ny fandrehofana ary ny famaniana eny rehetra eny. Fanariana diky amin’ny toerana rehetra ivelan’ireo fotodrafitrasa natokana ho amin’izany.Tsy fahadiovan’ny trano fonenanaAnisan’ny andoavana sazy 50 000 Ar koa ny tsy fahadiovan’ny trano fonenana sy ny miankina aminy ary ny lalana manoloana azy. Ny fandefasana mafy loatra ny zavamaneno, ny fahitalavitra, ny fitaovana maneno ao an-tokantrano… Ny biby fiompy mirenireny sy ny fivarotana zava-pisotro misy alikaola ivelan’ny toerana voatokana na ankalamanjana koa, mbola andoavana 50 000 Ar.Andoavana 300 000 Ar kosa ny tsy fanajana ny ora fisokafana amin’ny 6 ora maraina sy ny fikatonana amin’ny 9 ora alina ho an’ireo mpivarotra zava-pisotro misy alikaola. Ny fivarotana amoron-dalana amin’ny lalam-bahoaka na koa ny varotra amin’ny toeram-pisakafoana mifindrafindra tsy nahazoana alalana. Andoavana 300 000 Ar koa ny fametahana petadrindrina sy sorabaventy sy kisarisary na soratra tsy nahazoana alalana. Eo koa ny fampiasana ny fantsakam-bahoaka amin’ny fanasana lamba na fiara. Ny tsy fandraisana fepetra ialana amin’ny fihandronan’ny rano eo an-tokotany, toy ny fanotofana izany… Ny fampiasana ny lalam-bahoaka ho amin’ny tombontsoa manokana.Dimy tapitrisa ariary… karaokeAnkoatra izany, andoavana 1 000 000 Ar ny fanapoahana sy ny fivarotana tsipoapaoka, afomanga tsy nahazoana alalana amin’ny CUA. Tahaka izany koa ny tsy fandraisana fepetra ho fisorohana tsy hiparitahan’ny feo amin’ny trano. Ny famindrana razana matin’ny pesta mialoha ny fito taona. Ny tsy fandokoana ny trano manamorona ny “avenue” sy ny arabe migodana.Etsy andaniny, andoavana hatrany amin’ny 5 tapitrisa Ar ny tsy fanatanterahana ny fandrodanana trano mety hitera-doza. Ny fampiasana ny lalam-bahoaka amin’ny fanorenana vonjimaika, mihoatra ny 48 ora. Anisan’ny andoavana hatrany amin’ny 5 tapitrisa Ar koa ny tsy fanajana ny fahadiovana sy ny tsy fiparitahan’ny feo ary ny ora fikatonan’ny karaoke. Manampy ireo ny famatsiana zava-pisotro misy alikaola ireo mpivarotra tsy ara-dalàna.Sazy 5 000 ArSazy 5 000 Ar kosa ny tsy fanariana ny fako amin’ny ora voatondro, amin’ny 4 ora hariva hatramin’ny 8 ora alina. Ny fanaovana ny asa fangatahana rehetra, arahina zaza tsy ampy taona. Fangatahana eny an-dalana ka manelingelina sy mampitahotra ny mpandalo. Fanaovana ny toeram-bahoaka ho fonenana na fatoriana… Eo koa ny fanahazan-damba eny amin’ny lalam-bahoaka.Ampahany ihany amin’ireo fandikan-dalàna andoavana sazy vola, tafiditra amin’ny CMH, ireo.Synèse R.L’article Fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana – CUA: sazy 50 000 Ar ny fandrorana sy ny famaniana eny an-dalana… a été récupéré chez Newsmada.

Prosperer: manohana ny tetikasa Salohin’Analamanga
24/09/2020

Tetikasa iray manohana ny tontolo any ambanivohira amina sehatra asa maro ny Prosperer (Programme de soutien aux pôles de micro-entreprises rurrales et aux aux économies régionales). Tanjona amin’izany ny hampitombo ny fidiram-bolan’ny tantsaha mahantra any ambanivohitra hifantoka bebe kokoa amin’ny fambolena sy ny fanaovana asa tanana. Faritra dimy no tena ahitana izany sy distrika 19, ahitana fihariana karazany maro fa ny asa tanana no miaraha-miombona antoka, hampifandraisana ny fahaiza-manao, ny fitaovana iaraha-miasa ho fampandrosoana ny kaominnina sy ny distrika.Eto amin’ny faritra Analamanga, ohatra, anisan’ny mahazo tohana avy amin’ny Prosperer ny mpanao asa tanana Salohin’Analamanga, ivondronan’ny mpanao asa tanana anjatony miasa amin’ny karazam-pihariana enina hanomezan-danja ireo karazana asa tanana ireo sy hanehoana ny fahaiza-manaon’ny avy eto amin’ny faritra.Mahazo tohana avy amin’ny fandaharanasa Prosperer Analamanga ny tetikasa fanampaiana ny tantahasa mifandray amin’ny sehaty ny fizahantany ny fihariana madinika, hanomezana vahana ny mpanao asa tanana, hanana fidiram-bola amin’ny asa ataony, hampisondrotra hatrany ny seha-pihariana antom-piveloman’izy ireo. Na eo aza ny valanaretina Covid-19, tsy mahasakana ny asa fihariana ataon’ireo mpanao asa tanana ny tetikasa tohanan’ny Prosperer. Faritra dimy ny tena misy azy anatin’ny distrika 19, samy manana ny mampiavaka azy. R.MathieuL’article Prosperer: manohana ny tetikasa Salohin’Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

Luk, Goth, Mahery: hamoha ny “Tsiahy an’i Sefo”
17/09/2020

“Tsiaro an’i Sefo sy ny hiran’ny tamboho, vokatry ny fo”, hoy i Goth. Hanatanteraka cabaret etsy amin’ny  Plazza  Ampefiloha, ny zoma 25 septambra izao, amin’ny 7 ora sy sasany hariva,  nampitondraina ny “Tsiahy an’i Sefo” izy telo mirahalahy, ahitana an’i Luk, i Goth ary i Mahery. Hamohafoha ireo hira tsy dia tadidin’ny olona intsony ry zalahy, amin’io fotoana io, izany hoe tsy dia mandeha amin’ny onjampeo firy, ankehitriny. Ao koa ny hira milamindamina Johary, izay tena nanamarika azy ireo. Amin’ny maha hiran’ny tamboho azy moa dia hovazoina ao ireo hiran’ireo andrarezina amin’ny tontolon’ny mozika, toy ny an-dry Njila, Lolo, Barijaona, Mahaleo, Tsiakoraka sy ny maro hafa, araka ny nambaran’i Goth. Hetsika karakarain’ny Canal7event izy ity, ary hisy ny sakafo sy tsakitsaky maro isan-karazany amin’izany.  Manana ny maha izy azy eo amin’ny zavakanto malagasy izy telo lahy ireto noho ny tononkira tsara petraka sy ny feomanga ananan’ny tsirairay avy, anisan’izany ilay hira “ Mahazo malahelo”, izay niarahan’i Sefo sy i Luk.NarilalaL’article Luk, Goth, Mahery: hamoha ny “Tsiahy an’i Sefo” a été récupéré chez Newsmada.

Takalo dinika amorom-patana: omena lanja ny fomba amam-panao…
17/09/2020

 Mitohy hatrany fanandratana ny hasin’ny kolontsaina malagasy tanterahin’ny Foiben’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany. Ny alahady 20 septambra izao, amin’ny 4 ora tolakandro ka hatramin’ny 6 ora hariva (ora eto Madagasikara) no hiditra amin’ny andiany faharoa ny lohahevitra “ Ireo fombafomba amam-panao amin’ny kabary am-panambadiana sy ny tandindona fonosiny”. Anisan’ny hampiavaka ity Takalo dinika amorom-patana ity, ny handraisan’ireo faritany Fimpima ivelan’Antananarivo anjara. Hanan-karena ny dinika satria samy manana ny mampiavaka azy izy ireo raha eo amin’ny fomba amam-panao amin’ny kabary am-panambadiana. Hisoron’afo amin’izany i Romule Thomas, mpikajy ny fomban-drazana faritany Fimpima Antsiranana, i Totoroy François, talen’ny serasera sampana Fimpima Mbarakaly faritany Toamasina, i Vincent Merland, mpandalina ny fomban-drazana faritany Fimpima Toliara ary Rtoa Rakotondriaka Avotra, filohan-tsampana Fimpima Soavinandriana faritany Antananarivo.Ankoatra ny tambajotran-tserasera “Zoom” sy “facebook”, hampiasaina ihany koa ny “You Tube” amin’ny fanatanterahina ny Takalo dinika amorom-patana. Na izany aza, mila misoratra anarana mialoha ireo izay handray anjara mba hahafahana mandamina sy mandrindra ny takalo, raha ny fanazavan’ny mpikarakara.HaRy RazafindrakotoL’article Takalo dinika amorom-patana: omena lanja ny fomba amam-panao… a été récupéré chez Newsmada.

DGSR: hanomboka ny fisavana ireo laharana WW
17/09/2020

Hisy ny hetsika manokana ataon’ny foibe fitsarana fiarakodia (DGSR) miaraka amin’ny mpitandro filaminana, ny alatsinainy 21 septambra 2020 ho avy izao mahakasika ny fanaraha-maso ny fampanarahan-dalàna ireo mampiasa ny laharana “WW…” sy ny laharana vahiny. Manoloana izany indrindra, nitondra fanampim-panazavana ny teo anivon’ny DGSR. Ho an’ny fiaran’olon-tsotra dia hisy ny fisavana ny rosia nahavitana ny fandraisana ara-teknika teny amin’ny ivontoerana fandraisana ara-teknika eny Alasora, By-Pass ary eny amin’ny ivontoerana fitsarana fiarakodia ho an’ny any amin’ny renivohi-paritra. Ho an’ireo fiara vaovao novidina teny amin’ny orinasa mpanafatra sy mpivarotra fiara “concessionnaires”, hisy ny fisavana mandritra ny hetsika ny fitanana an-tsoratra nahavitana ny fandraisana ara-teknika. “Hamafisina fa ny fandraisana ara-teknika eny anivon’ny foibe fitsarana fiarakodia amin’ny alalan’ireo ivontoerana manerana ny Nosy no anisan’ny fepetra takina hahafahana mahazo laharana eny amin’ny mpamoaka izany, na ho an’ny fiara vaovao izany na ireo efa niasa”, hoy ny DGSR.Jean Claude L’article DGSR: hanomboka ny fisavana ireo laharana WW a été récupéré chez Newsmada.

Hiatrika ny “Miss Monde”: hiady ho an’ireo zaza kambana any Mananjary i Nellie
23/09/2020

Nitodika manokana amin’ny hoavin’ireo zaza kambana avy any Manajary, fehezin’ny fomba ho tsy azo taizana miaraka, ny “Miss Madagasikara”. Vonona hanome tanana azy amin’izany ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina.Tsy hatsaran-tarehy sy bika ihany… Anisan’ireo hitsarana ireo tovovavy mifaninana amin’ny “Miss Monde” ihany koa ny fahaizana manohana hevitra, amina tranga iray mety hampisy sakana amin’ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny. Hiatrika ny andiany faha-70 amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity i Anjaratiana Nellie, nisalotra ny anaram-boninahitra “Miss Madagasikara 2020”. Nisafidy ny hiady ho an’ny zon’ireo zaza kambana avy any Mananjary izy mandritra izany. “Hataoko amin’ny fo izay azoko atao momba ity ady ity. Tokony ho fantatr’izao tontolo izao ny zava-misy mahazo ireo zaza kambana any Mananjary, izay noho ny fomba amam-panao, tsy mahazo miara-monina. Fantatro fa sarotra izany, saingy te hitondra izay kely vitako amin’ny fanatsarana ny hoavin’ireo zaza ireo amin’ny fandraisako anjara amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity”, hoy ny nambaran’i Nellie, omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Nitsidika sy nihaona tamin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Andriatongarivo Lalatiana, mantsy ny “Miss Madagasikara”, omaly. “Mahafaly anay eto amin’ny minisitera ny miara-dalana amin’i Nellie sy manohana azy amin’izao dingana lehibe hatrehiny izao. Hitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara izy ka tena mila ny fanohanan’ny Malagasy rehetra”, hoy ny nambaran’ny minisitra. Raha tsiahivina, natao tamin’ny alalan’ny fampitan-davitra ny dingana fifanintsanana tamin’ny fifaninanana, nisafidianana ny Miss Madagasikara tamin’ity taona ity. Ny 17 jolay kosa ny dingana famarana, tetsy amin’ny Arena Ivandry, ka nivoaka ho tompon’ny anaram-boninahitra i Nellie. “Raha ny tokony ho izy, tontosaina ny volana desambra isan-taona ny fifaninanana “Miss Monde”. Noho ny toe-draharaha iraisam-pirenena misy anefa, mbola tsy nanapaka daty ofisialy ny komity. Na izany aza, efa mivonona amin’ny fikarakarana rehetra izahay mba tsy hitsanga-menatra ny solontenantsika”, hoy ny nambaran’i Ginah Vidot, filohan’ny komitim-pirenena mikarakara ny “Miss Madagasikara”, na ny CNMM.Zo ny AinaL’article Hiatrika ny “Miss Monde”: hiady ho an’ireo zaza kambana any Mananjary i Nellie a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – lalao firahalahiana: tsy maintsy manao fitiliana ireo mpilalaon’ny Barea
22/09/2020

Efa eo am-panomanana ny lalao firahalahiana, hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Etalon-n’i Borkina Faso, ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny federasiona roa tonta, amin’izao fotoana izao. Tsy mantsy manaraka fepetra ny delegasiona roa tonta.Hatreto, tsy misy ny fiovana fa hotanterahina ny asabotsy 10 oktobra 2020 ny lalao fanomanantenan’ny Barea de Madagascar, hikatrohana amin’ny Etalons-n’i Borkina Faso. Nohamafisin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) fa tsy mbola misy ny fiovana fa any amin’ny kianja Lisbonne Portugal, no hanatanterahana io lalaon’ny roa tonta io. Efa eo anatin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao.Anisan’ireny ny fandefasana ny taratasy fiantsoana ireo mpilalao handrafitra ny Barea de Madagascar sy ny fanomanana ny fampivondronana azy 23 mirahalahy, izay efa voalahatra fa atao any Frantsa, manomboka ny 5 oktobra, ho avy izao. Ankoatra izay, tsy maintsy manao fitiliana avokoa ireo mpilalao rehetra mialoha sy mandritra ary aorian’ny lalao. Tsy ny Barea de Madagascar irery no manao izany fa ry zareo Borkinabe, ihany koa.Ao anatin’ny fanajana ny hamehana ara-pahasalamana izany rehetra izany. Anisan’ireny ny tsy maintsy hanajana ny elanelana 1 m ao anatin’ny kianja sy ny fanaovana arovava ho an’ireo mpilalao fiandry, ny mpanazatra, ny dokotera ary ny fanasana tanana amin’ny fanafody voatokana amin’izany. Ankoatra izay, tsy azo jerena ny lalaon’ny roa tonta, amin’ity.Tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny fihaonana hikatrohana amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2022).Tsiahivina fa raha tsy misy ny fiovana, hatao any Abidjan, ny 9 novambra ho avy izao, ny lalao mandroso ary eto Madagasikara, any amin’ny kianja Barikadimy Toamasina, ny 17 novambra, ny fihaonana miverina. TompondakaL’article Kitra – lalao firahalahiana: tsy maintsy manao fitiliana ireo mpilalaon’ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Tsy tokony hanasan-damba ny paompin-drano iraisana
19/09/2020

Voarakitra ao anatin’ilay “Fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana – CUA”, sokajy faha- 4, ny mom­­ba ireo toeram-pantsakana sy fanasan-damba ho an’ny besinimaro. And. 23, tsy main­tsy mandray fepetra tsy hisian’ny fihandronan’ny rano eo amin’ny faritra manamorona ny fantsakana ireo mpampiasa sy tompon’andraikitry ny toeram-pantsakana. Ankoatra ny famatsiana rano madio fisotro, voarara ny fampiasana ny fantsakam-bahoaka ho amin’ny fanasan-damba, na ny fanasana fitaovan-dakozia, na ny fisasana, na ny fanasana fiarakodia. Voarara ihany koa ny fa­nariana diky na akora hafa mety handoto ny loharano mamatsy ny rehetra. And. 24, voarara ny manary fatim-biby ao anaty lavaka, ireo sisa avy amin’ny fivarotan-kena, ireo zezika avy amin’ny biby, na ny diky hafa, ary amin’ny ankapobeny ny sisam-biby mora lo ka mety handoto ny rano natao hosotroana. Mahatonga fanatanterahana sazy mifototra amin’ny famerenana amin’ny laoniny eo no ho eo ny fahadiovan’ny toerana, ny fotodrafitrasa sy ny manodidina azy, ny fahatrarana am-bodiomby ny fandikana, ankoatra ny fandoavana sazy vonodina mi­fandraika amin’izany.Tatiana A.L’article Tsy tokony hanasan-damba ny paompin-drano iraisana a été récupéré chez Newsmada.