Kitra – «ligue des champions d’europe»: norombahin’ny Liverpool fanineniny ny amboara

News - Kitra – «ligue des champions d’europe»: norombahin’ny Liverpool fanineniny ny amboara

News - Kitra – «ligue des champions d’europe»: norombahin’ny Liverpool fanineniny ny amboara

14 aty aoriana vao niverina teo amin’ny Liverpool indray ny ho tompondakan’i Eoropa “ligue des champions”, taranja baolina kitra. Tsy namelan-dry zalahy, raha tsy azony ny anarana maha tompondakan’i Eoropa, tamin’ity taorian’ny tsy fahombiazany, tamin’ny taon-dasa, ka nandresen’ny Real Madrid, azy ireo teo amin’ny famaranana.

Lavon’ny The Red Liverpool, tamin’ny isa mazava, 2 no ho 0 ny Spurs Tottenham. Baolina tafiditr’i M Salah, teo amin’ny minitra faharoa, tamin’ny alalan’ny “pénalty” sy ny an’i Origi, teo amin’ny minitra faha-87.

Fihaonana, notanterahina tao amin’ny kianja, Wanda Metropolitano tao Madrid, ny asabotsy 1 jona lasa teo. Adin’ny samy Anglisy ny lalao, izay ekipa diso mifankahalala tsara. Tamin’ny ankapobeny, nanindry ary nanantombo teo amin’ny fanafihana ny Spurs Tottenham, saingy tsy nety nahita ny masonaraton’ny Liverpool, mihitsy.

Nanao izay ho afany ihany koa i Lucas Mura, teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, fa tsy nisy inoninona. Anisan’ny nanimba ny toe-tsain-dry zalahy, ilay “pénalty”, tonga aloha be. Nidona tamin’ny tanan’i Sissoko, tao anaty faritra tsy azo ivalozana, mantsy ny baolina nodakan’i Mané.

Niezaka hatramin’ny farany ny Spurs, nitadiavana sahala fa voasakan’i Alisson, hatrany ny dakan-dry Son sy ry Kane. Anisan’ny herin’ny Liverpool, ny fahamafisan’ny fiarovantena, notarihin’i Joel Matip sy ry Virgil. Na izany aza, mpilalao nisongadina indrindra, ilay Senegaley, Sadio Mané.

Rehefa nanafika tsy nahomby ny Spurs, nitsimbadika ho baolina maty ho an’ny Liverpool izany, tamin’ny alalan’i Origi, teo amin’ny minitra faha-87. Tsiahivina fa efa nandrombaka izany izy ireo, ny taona 1977, 1978, 1981, 1984, 2005.

 

Tompondaka

Article tiré de Newsmada

L’article Kitra – «ligue des champions d’europe»: norombahin’ny Liverpool fanineniny ny amboara a été récupéré chez Newsmada.

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Ao Raha

Lozam-pifamoivoizana

Samy naratra voadonan’ny bajaj ireo ankizy mianadahy nandalo tao amin’ny Bazaribe Toamasina, omaly tolakandro. Voatery noentina notsaboina tany amin’ny hopitaly ilay zazavavikely izay voa mafy tokoa. L’article Lozam-pifamoivoizana est apparu en premier sur AoRaha.

News - Midi Madagasikara

Ifanadiana : Fiara voatafika, tovovavy kely 14 taona voatifitra

Tato anatin’ny iray volana dia nanao tohi-vankana ny fanafihana amin’ny andro atoandro be nanahary amin’ny lalanam-pirenena faha-7 sy ny faha-25. Afak’omaly, fiara iray avy ao Ranomafana Ifanadiana no nosakanan’ny dahalo teo anelanelan’ny Vohiparara sy Ambalakindresy, ka tovovavy kely iray 14 taona no voatifitra teo amin’ny handriny sy teo amin’ny masony havanana. Voavonjy ara-dalana ity zazavavy ity, ka manaraka fitsaboana izy amin’izao, ary tsy ahiana intsony ny ainy, raha ny nambaran’ny dokotera mandray an-tanana ny fitsaboana azy. Noho ny firongatry ny fanafihana fiara ataon’ireo dahalo mpanakan-dalana mitam-basy ao Ambalakindresy, dia mangataka ny hanaovana maika « opération fampandrian-tany » ny mponina sy ireo mpampiasa lalana, satria tamin’ity taona ity fotsiny raha ny tarehi-marika azo, dia efa am-polony ny fanafihana nitranga tamin’io toerana io. Eric ManitrisaL’article Ifanadiana : Fiara voatafika, tovovavy kely 14 taona voatifitra a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

« JIOI» – Filoha Rajoelina: “Horaisintsika ny andiany faha-11”

Natolotra sy nanaovana vela-kevitra teo anatrehan’ny CIJ (Comité internationale des jeux), ny asabotsy lasa teo, ny tetikasa mahakasika ny firotsahan’i Madagasikara ho kandidà amin’ny fandraisana ny « Lalaon’ny Nosy 2023 ». Araka ny nambaran’andriamatoa filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ny firenena malagasy mihitsy no tokony hahazo io andiany faha- 11 io raha ny tokony ho izy. Rariny, hoy hatrany izy, raha mandray izany isika satria manana ny kianja lehibe indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indianina isika. Etsy andaniny, marobe ireo fotofrafitrasa fanatanjahantena. Nohamafisin’andriamatoa minisitra, i Tinoka Roberto, ihany koa, fa nanokanan’ny fitondram-panjakana tetibola manokana mihitsy ny fanatanjahantena sy ny fananganana fotodrafitrasa ka ho mora ho an’i Madagasikara ny handray ny “Lalaon’ny Nosy 2023” satria ezahina hovitaina mialoha io fotoana io avokoa ireo tetikasa rehetra. Mitentina 150 tapitrisa dolara ny tetibola amin’izany, araka ny fanazavana hatrany.Tsahivina fa telo firenena nametraka ny antonta-taratasy amin’ny maha kandidà azy, amin’ny fandraisana ny andiany faha-11 amin’ny “Lalaon’ny Nosy”, hotanterahina ny taona 2023, ahitana an’i Maldives, i Kaomoro ary i Madagasikara. Mbola ady goavana, araka izany, ny miandry antsika na efa manana tombony mihoatra amin’ireo firenena roa ireo aza isika. Ho fantatra ny asabotsy 27 jolay izao izay handray izany ary hambara amin’ny fomba ofisialy mandritra ny lanonana famaranana ny alahady 28 jolay izao, ao amin’ny kianjan’i Anjalay, Maorisy. Mi.Raz L’article « JIOI» – Filoha Rajoelina: “Horaisintsika ny andiany faha-11” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Atletisma: medaly volamena roa sy volafotsy efatra ny azon’ny Malagasy, omaly

Niditra an-tsehatra, nanomboka omaly, tao amin’ny kianjan’ny Germain Commarmond Bambou, eto Maorisy, ny taranja atletisma, ao anatin’ny andiany faha-10 amin’ny “Lalaon’ny Nosy”. Azo lazaina ho tsara ihany ny vokatra ho an’ny Malagasy satria nahazo medaly volamena miisa roa sy volafotsy miisa efatra ny efa eo am-pelatanan’ireo atleta nifaninana.Norombahan’i Molenjanahary Njarasoa Claudine (12.02) ny fandresena teo amin’ny famaranana, 100 metatra vehivavy. Mbola isika Malagasy ihany koa no nitana ny laharana faharoa, teo amin’ity sokajy ity, tamin’ny alalan’i Embony Elodie Vanessa (12.22). Teo amin’ny sokajy lehilahy kosa nahazo ny medaly volamena , i Mampitroatsy (30.37.88), teo amin’ny 10 000 metatra ary Andriamparany Fenosoa ny teo amin’ny faharoa (31.08.28). Ankoatra izay, medaly volafotsy avokoa ny norombahin’ny atleta malagasy, teo amin’ny famaranana, 1 500 metatra sy 110 metatra misy fefy, sokajy lehilahy hatrany. Niaro ny voninahi-pirenena nandritra ireo fifaninanana roa ireo Randrianantenaina Soazara Lahivokatse (3.56.63) sy i Mananjara Be Ibrhim (14.78). Mi.Raz    Vokatra omaly Famaranana 100 m vehivavy: 1-Molenjanahary Njarasoa Claudine: 12.022-Embony Elodie Vanessa: 12.22Famaranana 10 000 m lehilahy: 1-Mampitroatsy: 30.37.882-Andriamparany Fenosoa: 31.08.28Famaranana 1 500 m lehilahy: 1-Dookun Mohammed (Mau): 3.56.632-Randrianantenaina Soazara Lahivokatse: 3.56.89Famaranana 110 m “haies” lehilahy: 1-Lararaudeuse Jeremie (Mau): 14.632-Mananjara Be Ibrahim: 14.78 L’article Atletisma: medaly volamena roa sy volafotsy efatra ny azon’ny Malagasy, omaly a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Mihatakataka fa olon-dehibe ?

Tao anatin’ny taona vitsy izao no efa nahabe resaka teto amin’ny firenena ny raharaha famoahana fahazoan-dalana mamily fiara, amin’ny alalan’ny karatra biometrika hosoka, izay nivoaka tetsy amin’ny Ivon-toerana fanomezan-daharan’ny fiarakodia sady famoahana fahazoan-dalana mamily ary ny taratasin’ny fiara (Cim) Ambohidahy. Nisy ireo tompon’andraikitra voalohany voatonontonona mivantana tamin’ny famitahana ankitsirano ny vahoaka malagasy saingy hatramin’izao, toa vitavita ho azy ny raharaha. Hatreto, tsy misy ny fisokafan’ny famotorana lalina mahakasika io tranga io. Tsy misy akory na dia ny fakàna am-bavany an’io olona voatondro molotra io aza. Niharihary tahaka ny vay an-kandrina anefa ny famoretana ny vahoaka amin’ny tsy maintsy hanarahana izay baiko nomeny, kanjo fitaka bevava sy kolikoly nentina nambotriana ny mpiray tanindrazana fotsiny no betsaka. Ankehitriny, afaka mihatakataka izy fa olon-dehibe, angamba!? Amin’izao fotoana, mbola voasaringotra amin’io raharaha kolikoly teo anivon’ny Cim, io ihany koa ny mpiasa miisa enina ambin’ny folo miaraka amin’ny lehibeny. Ity farany izay efa nohenoina teny anivon’ny Fitsarana niaraka tamin’ny miaramila iray sy ny vadiny ary voalaza fa mbola araha-maso hatramin’izao. Midika izany, fa isan’ny sampandraharaha tsy dia nadio loatra ary tena nanjakan’ny kolikoly ity ivon-toerana misahana ny fanomezan-daharana ny fiara eny Ambohidahy ity. Mila diovina, araka izany, io sampandraharaha io, mialoha ny tena hamoahana indray ny karatra vaovao, izay efa nampanantenain’ny minisiteran’ny Atitaty fa hivoaka afaka andro vitsivitsy. Mila ovaina ihany koa ny fomba fiasa hisorohana ny kolikoly, satria izany indrindra no isan’ny manome vahana ny halatra fiara eto amintsika. Misy hatrany mantsy ireo mpanadio izany ao anatiny ao. Inona moa fa tsy mitovy amin’ny famotsiana omby halatra ihany koa e! L’article Mihatakataka fa olon-dehibe ? est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Concert classique de midi: hiatrika ny andiany faha-103 ny Quatuor Majesty

Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-103 ny « Concert classique de midi » karakarain’ny Madagascar Mozarteum. Hiaka-tsehatra, anio etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM), ny Quatuor Majesty. Tarika ivondronan’ireo andrarezina amin’ny fandidiana « violon » sy « violoncelle », ahitana an’i Joachim Rakotoniaina (violon solo), i Samuthiah Andrianarivelo (violon faharoa), i Benja Andriambololona (Alto) ary i Atolotro Ho Fiderana Ny Finoana (violoncelle).Raha ny ao anaty fandaharam-potoana, holalaovin’izy ireo eny an-tsehatra ny “Intermezzo sinfonico du Cavallerie rusticana”, sanganasan’i Pietro Mascagni (quatuor), ny « Quartet n°35 an’i J. Haydn op.64 n°5” sy ny « Divertimento in F KV138 an’i Mozart.Marihina fa i Joachim Rakotoniaina no hitarika sy handrindra ity seho tanterahin’ny Quatuor Majesty, anio manomboka amin’ny 1 ora, ity.HaRy RazafindrakotoL’article Concert classique de midi: hiatrika ny andiany faha-103 ny Quatuor Majesty a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra: nanolotra «maillot», ho an’i Julio i Carolus

Tafahaona tamin’Andriamahitsinoro Andrea Carolus, mpilalaon’ny Barea ihany, ny alarobia lasa teo, i Julio. Ilay tovolahikely, nametaka ny anaran’i Carolus, teo amin’ny fanamiany. Raha tsiahivina, efa tany Égypte, no hitan’i Carolus, tamin’ny tambajotran-tserasera ilay sary, ary nampihetsi-po azy, izany.Nampitady an’i Julio, izy nony tafaverina teto Madagasikara ka izao nifanena izao, izy mirahalahy mianaka. Manana vina hanampy an’i Julio ho lasa lavitra amin’ny baolina kitra i Carolus fa mbola hiresaka tsara amin’ny reniny aloha. Faly, i Julio sy ny reniny, nihaona tamin’i Carolus. Raha ny fitantaran’i Julio dia tsy tia mpilalao afa-tsy i Carolus izy ary tsy manaiky mihitsy raha tsy mijery baolina rehefa manao ny Barea de Madagascar. Avy any Antsirabe, i Julio ary kilasy taona fahatelo na (10 ème), izy amin’izao.Nanolotra fanamiana misy ny laharana sy ny anarany ho an’i Julio, i Carolus, izay nampirisika azy, hianatra tsara sy hilofo mafy amin’ny filalaovana baolina. Nisaotra sy nankahery an’i Carolus, ihany koa tetsy ankilan’izany, ny renin’i Julio. TompondakaL’article Kitra: nanolotra «maillot», ho an’i Julio i Carolus a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fitahirizana ny vakoka: hiofana ireo tompon’andraikitra miisa 26

Manomboka ny 11 jona izao ary mandritra ny tapa-bolana, hiatrika fiofanana ireo tompon’andraikitra miisa 26, miasa amin’ny tranom-bakoka 12 manerana ny Nosy. Eny amin’ny lapan’Andafiavaratra no hanatanterahana izany. Hizara ny fahalalany ny manampahaizana manokana avy amin’ny foibem-pikarohana iraisam-pirenena momba ny fitahirizana sy ny fikolokoloana ny vakoka ara-kolontsaina (ICCROM).Anton’ny fiofanana ny fahavitsian’ny olona manampahaizana amin’ny fitahirizana vakoka eto amintsika. Hiompana amin’ny fomba fiasa iraisam-pirenena, antsoina hoe « RE-ORG », na famerenana ny fandaminana ny tahiry ao amin’ny mozea ny fiofanana. Hampianarina azy ireo koa ny teknika momba ny fampirantiana ireo vakoka.“Rehefa vita ny fiofanana eto, hisy ny fampiharana ny vokatr’izany, any amin’ny mozea misy azy ireo avy. Mialoha ny volana novambra io fampiharana io, satria hiverina hisokatra ho an’ny rehetra, amin’io ny tranom-bakoka ety Andafiavaratra”, hoy ny fanazavan-dRazafiarison Francis, tale jeneralin’ny minisiteran’ny Kolontsaina.Landy R. L’article Fitahirizana ny vakoka: hiofana ireo tompon’andraikitra miisa 26 a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fandosirana loza :: Karohina ny mpitondra kamiao nahafaty lehilahy

Nambaran’ny avy ao amin’ny zandarimaria eny Ambohidratrimo fa tsy mbola hita ny mpamily iray nitondra ny kamiao nitera-doza ka nahafaty lehilahy iray teny Ambodifasina Ambatolampy Tsimahafotsy distrikan’Ambohidratrimo, tamin’ny talata lasa teo. Efa manao fikarohana sy ny angom-baovao hamantarana ny mombamomba azy ny mpitandro ny filaminana. Olona mipetraka eny Ambodifasina ihany itsy namoy ny ainy tamin’io lozam-pifamoivoizana io. Lehilahy, manodidina ny efapolo taona, ity maty tsy tra-drano voahosin’ny kamiao. Fantatra fa irony fiarabe mpitaona tany irony no nanao loza. Nanohy ny lalany nitondra ny fiara nandositra ny mpamily. Telo andro aty aoriana, milaza ny mbola eo am-pitadiavana an’io mpamily io ny zandary. Fanindroany tamin’ny mpamily nitera-doza ka nitsoaka ity tranga teny Ambodifasina ity. Raha ny vaovao farany azo hatramin’ny omaly dia mbola tadiavina ny mpamily taksibe iray nandona olona sy nahafaty olona telo, nahitana mpianaka, teny amin’ny lalana By Pass efa ho andro maromaro izao. L’article Fandosirana loza :: Karohina ny mpitondra kamiao nahafaty lehilahy est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fifidianana Toamasina: kandidà 9 amin’ireo 12, nanasonia ny dina

Tontosa, ny alakamisy teo, tetsy amin’ny efitrano  malalaky ny lapan’ny faritra Atsinanana ny fifanaovan-tsonia momba  ny  ” Toky nomena” na ny Dina  nokarakarain’ny Komitin’ny fampihavanam-pirenena  (CFM) sy ny Ceni foibe ho an’ ireo kandida hilatsaka hofidina depiote  rehetra eto  Toamasina. 12 mianandahy ireo kandidà ka nanasonia izany ny 9 raha tsy tonga  fa nandefa solontena ny roa  : ny kandidà Botozaza Pierrot sy Naharimamy Lucien Irmah.  Nitsipaka izany kosa ny  iray, ny kandidà Rakotomalala Henri na i “Riri be”, tsy hanao sonia.  Anisan’ny nampiahiahy ny sasany kosa  ny fomba fanaon’ny HCC  manoloana ny fitoriana azo raisina nefa tsy manisy lanjany akory izany. Na koa noho ny tsy fahampian’ny porofo. Nanazava ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo  Thierry fa tsy tahaka  ny fifidianana nolalovantsika hatramin ‘izay ity indray mitoraka ity. “Tsy tokony handeferana ny halatra anatin’ny fifidianana fa maha voasazy roa ka hatramin’ny dimy taonaan-tranomaizina sy fandoavana lamandy ary tsy fahazahoana milatsaka hofidina. Manampy izany, tsy afa-mifidy mandritra ny 15 taona”, hoy izy.Sajo L’article Fifidianana Toamasina: kandidà 9 amin’ireo 12, nanasonia ny dina a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Notsongaina

Rugby à XV vehivavy: hiady ny tapakila hiatrehana ny «Mondial 2021» ny Makis

Fanamby goavana no miandry ny Makis vehivavy, amin’ity. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny rugby lalaovina olona 15 mantsy izy ireo. Fihaonana, hiadian-toerana, ho an’ny “Mondial 2021”.Hotanterahina atsy Johannesbourg, Afrika Atsimo, ny 7 –  18 aogositra ho avy izao, ny dingana famaranana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny rugby lalaovina olona 15, sokajy vehivavy. Hanana ny lanjany, izany fihaonana izany satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2021”, tanterahina any Nouvelle-Zelande.Firenena efatra no hiady izany amin’ity dia i Afrika Atsimo, mpampiantrano, Oganda, Kenya ary ny Makis de Madagascar. Mifandimby mihaona ny rehetra ka izay ekipa be isa indrindra no ho tompondaka ary hisolotena an’i Afrika, any amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany.Raha ny fandaharam-potoana, hidona amin’ny Makis voalohany, ry zareo Kenianina. Lalao hotontosaina, ny 10 aogositra. Fihaonana faharoa, hikatrohana amin’i Afrika atsimo, ny 13 aogositra ary amin-dry zareo, Ogandà ny 16 aogositra. Manana herijika tsara handrombahana ny toerana voalohany, ny Makis, araka ny nambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Na izany aza, nomarihiny fa ry zareo Kenianina no heverina fa ho mafy ary tsy maintsy dinganina.Raha toa kosa ka ny laharana faharoa, no misy ny Makis dia hiatrika ny “repechage”, amin’ireo kaontinanta  dimy hafa. Hatreto, mbola mpilalao 36 no manaraka fanazarantena miaraka. Ny faran’ity volana jolay ity kosa vao hivoaka ny anaran’ireo 26 handrafitra ny Makis, ho atsy Afrika Atsimo. Tompondaka L’article Rugby à XV vehivavy: hiady ny tapakila hiatrehana ny «Mondial 2021» ny Makis a été récupéré chez Newsmada.

Fifampitifirana :: Olona efatra maty tany Ankavandra

Naharitra ora maro ny fifampitifrana teo amin’ny dahalo sy ny fokonolona niaraka tamin’ny zandary marobe, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, tany Andrafia-Ankaboka any Ankavandra. Telo tamin’ireo fokonolona no voalaza fa namoy ny ainy teo no ho eo. Tsy afaka hanohy ny halatr’omby intsony ihany koa ny iray tamin’ireo dahalo am-polony maro. Tafaverina amin’ny tompony ireo omby miisa efatra amby telopolo amby zato, norobain’ny dahalo. Notafihin’ny dahalo am-polony maro nitondra basy, tany Beambiaty-Antsahalava, any Tsiroanomandidy, tamin’ny faran’ny herinandro. Toerana iray fitobian’ny omby io toerana io ka lasan’ireo dahalo avokoa ny omby miisa roa amby efapolo amby zato tao anatiny. Nisy ny fanenjehana nataon’ireo fokonolona teo amin’ny manodidina ka nifanojo ireo dahalo sy ireo mpanenjika tany Andrafia-Ankaboka, any Ankavandra, ora maro taty aoriana. Na teo aza ireo olona telo namoy ny ainy avy amin’ ireo fokonolona dia nanohitra hatrany ireo zandary manodidina roa amby valopolo isa nampian’ireo Tafika avy amin’ny Bia. Fito tamin’ireo omby no voalaza fa maty teny an-dalana. L’article Fifampitifirana :: Olona efatra maty tany Ankavandra est apparu en premier sur AoRaha.

Cnaps-FLM Toamasina: hiakatra ho 6.000 Ar  ny volan-jaza

Natao tany Toamasina, tamin’ity herinandro ity, ny fampiofanana nomen’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS) ho an’ny mpiasa ao amin’ny fiangonana Loterana Malagasy (FLM) ao amin’ny synodam-paritany Toamasina. Maherin’ny 40 izy ireo, nahitana pastora, katekista, mpiasam-piangonana, sns, notarihin’ny prezida synodaly, ny pastora Toto Rija Chrysostome Joseph. Nilaza ny talen’ny vola ao amin’ny CNaPS, Rakotoarison Hiaja, fa mila fantatry ny mpiasam-piangonana ny zo sy ny adidiny amin’ny fiahiana sosialy.Anisan’ny nampahafantarina tany Toamasina ny hampiakarana ho 6.000 Ar ny volan-jaza, manomboka amin’ny volana aogositra ho avy izao, raha 5.000 Ar amin’izao fotoana izao.Tafiditra ao anatin’ny fampiharana ny asa mendrika ity fiofanana ity. Marihina fa efa mandray vatsy ny fianakavimben’ny FLM tato anatin’ny roa taona.tena nahaliana ny mpiofana ny fisotroan-dronono sy ny fanampiana amin’ny loza vokatry ny asa. Nomena azy ireo ny antontan-taratasy hofenoina toy ny fangatahana fanampiana, ny fanambarana filazan-karama, sns.Njaka A.L’article Cnaps-FLM Toamasina: hiakatra ho 6.000 Ar  ny volan-jaza a été récupéré chez Newsmada.

Hamely mafy ny hatsiaka: 1°C Vakinankaratra, 4° C eto Analamanga

Misy anticyclone (tsioka atsimo) matanjaka mitondra rivotra mando ary mandrafitra ny toetry ny andro, mandritra ny faran’ny herinandro sy amin’ny fiandohan’ny herinandro vaovao.Hidina hatramin’ny 1°C any Vakinankaratra ary 4°C ho an’ny faritra Analamanga ny maripana farany ambany, manomboka rahampitso hatramin’ny alarobia ho avy izao, araka ny fanazavan’ny teknisianina, Randrianarison Rivo, eny Ampandrianomby, omaly. Hilatsaka 6 ka hatramin’ny 8°C amin’ny tokony ho izy, ao anatin’ny volana jolay tahaka izao ny maripana saika manerana ny Nosy. 14 ka hatramin’ny 16°C ny maripana ambony indrindra ho an’ny afovoan-tany. Ny taona 2013 no niseho farany ny fidinan’ny maripana tahaka izao satria hatrany amin’ny 2°C ny tany Vakinankaratra. Ny alakamisy ho avy izao vao hiakatra tsikelikely ny maripana ambany indrindra. Mila miomana amin’ny fepetra mifandraika amin’izany ny rehetra, indrindra ireo marefo ara-pahasalamana sy manana aretina mitaiza.Hahazo orana ny tapany atsimon’ny Nosy, rahampitso sy ny alatsinainy, nikisaka aty amintsika ilay front avy any Afrika Atsimo mitondra  hamandoana be. Ankoatra ny orana, mafimafy ny fitsokan’ny rivotra (55-65km isan’ora) saika amin’ny morontsiraka rehetra ka hampahery ny onjan-dranomasina. 3,5 ka hatramin’ny 6 metatra. Hanomboka anio hariva ary hitohy hatramin’ny talata ho avy izao izany tranga izany ka tokony ho mailo noho izany ny mpampiasa ranomasina rehetra, indrindra ireo sambo madinika. Tsy tokony hiandriaka intsony, araka ny toromariky ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly.Vonjy      L’article Hamely mafy ny hatsiaka: 1°C Vakinankaratra, 4° C eto Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

“Hiran’ny omaly”: hiverenana ireo sanganasan’i Naly Rakotofiringa

Ny kanto, mitoetra ary ny mpanakanto, tsy mba maty! Voaporofo hatrany izany, isaky ny misy ny hetsika famerenana ireo sy “kalon’ny fahiny”. 40 taona eo ho eo mantsy ny nahalasanan’i Naly Rakotofiringa kanefa mbola mitoetra ary misy mamelona hatrany ireo sanganasany. Taorian’ireo andiam-pampisehoana “Ny omaly”, “Ny hiranay fahiny”, sns, hisy indray ny seho hanasongadinana ny sanganasan’i Naly Rakotofiringa, ny alahady 28 jolay izao manomboka amin’ny 3 ora tolakandro etsy amin’ny CCEsca Antanimena. Ireo nanao ny seho teo aloha ihany no hamelona izany. Anisan’ireny ry Zôzô sy ry Salomon izay zokiny indrindra mitarika ireo mpanakanto tanora. Eo koa ry Gothlieb, i Luk, ary i Lilie, izay efa mahafolaka tsara ny sanganasan’ity mpamorona ny “hiran’ny omaly” anisan’ny nalaza indrindra ity. Fantatra ihany koa fa hanampy azy ireo i Mirana. Ito farany izay nisongadina tamin’ny famerenana ireo kalon’ny fahiny, nialoha ny nananganany ny tarika R’Ikala Vazo. “Nisongadina tamin’ny teatra ary nanan-talenta manokana tamin’ny fitendrena piano i Naly Rakotofiringa. Nifameno izy sy i Jeanne Naly ka nampisongadina ny troupe Naly izay lasa Naly sy ny tariny taty aoriana”, hoy ny nambaran’i Salomon, anisan’ny nisongadina tamin’ny feo tao anatin’ny Naly sy ny tariny rahateo. Anisan’ny nampiavaka an’i Naly Rakotofiringa tokoa ny nitondrany fanovana eo amin’ny firafitry ny teatra sy ny hira teatraly. Taty aoriana, mbola izy ihany no nitondra voalohany ny “gala de chants”, nampisongadinana kokoa ny hira tamin’ny teatra. Tafita vetivety, avy eo nitety vanim-potoana maro izany, na voasokajy ho “kalon’ny fahiny” aza. Raha hira, manana maro i Naly Rakotofiringa ary tsy vita mandritra ny fampisehoana iray mihitsy izany. Ampahany ihany ny halahatr’ireto mpanakanto ireto kanefa azo antoka fa mbola hisy ny tohiny hiarahana amin’ny Gasy Events, mpikarakara. Zo ny Aina L’article “Hiran’ny omaly”: hiverenana ireo sanganasan’i Naly Rakotofiringa a été récupéré chez Newsmada.

Ravinala Airports: hofanina ny mpiasa

 Nambaran’ny tale jeneralin’ny orinasa Ravinala Airports, i Patrick Collard, fa saika efa tafapetraka avokoa ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana ho an’ny seranam-piaramanidina vaovao eny Ivato, hisahana ny zotra iraisam-pirenena. Ato anatin’ny enim-bolana, miditra amin’ny fampiofanana ireo olona hampiasa izany izy ireo. Manodidina ny 250 ny mpiasan’ny Ravinala Airports, ary mahatratra 500 hatramin’ny 1 000 ny rafitra samihafa manana andraikitra koa eny amin’ny seranam-piaramanidina, toy ny ao amin’ny ladoany, ny mpitandro filaminana, ny kaompania ana habakabaka, sns. Nomarihiny fa anisan’ny asa vaovao ho hita eny an-toerana ny fitantanana ny fiampitana avy eo amin’ny fiaramanidina mankany amin’ny toeram-pandraisana ny mpandeha (passerelle d’embarquement).Tsiahivina fa havadika hikarakarana ny zotra anatiny sy ny zotram-paritra na rezionaly ny toeram-pandraisana ny mpandeha iraisam-pirenena, misy ankehitriny, ary ho an’ny kaompania tsy miankina eto an-toerana ny zotra anatiny.Njaka A.L’article Ravinala Airports: hofanina ny mpiasa a été récupéré chez Newsmada.

Teza: « Hirosoana ny fanorenana ifotony »

Nitondra tolokevitra ho amin’ny fanatsarana ny fitantanana sy ny fanaovana politika  ary ny  demokrasia. “Tokony hiditra amin’ny fanorenana ifotony ny fitondram-panjakana ka havaozina avokoa ny lesoka rehetra tsy nety, indrindra fa ny lalàna mifehy ny fifidianana, ny lalàn’ny serasera, ny lalàna amin’ny ankapobeny mba hanatsarana azy”, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Teza, Rakotoamboa Jean-Louis. Nohitsiny fa anisan’ny tsy nety ny nandrafetana sy ny fanatanterahana azy fa samy nanao ny tiany hitondrana azy ny mpitondra nifandimby teto. “Ilaina, noho izany, ny fanorenana ifotony mba tsy hisian’ny olana hiverimberina eto amin’ny tany sy ny firenena intsony. Tokony hampanjakaina ihany koa ny tena demokrasia hipetrahan’ny tena tany tan-dalàna”, hoy ihany ity mpitarika antoko politika ity. Efa nivoy hatramin’ny ela  ny tokony hanaovana ny fanorenana ifotony ny eo  anivon’ny antoko  Teza, saingy  tsy nisy nihaino sy nanaraka. Vita  ihany  ireo fifidianana nifanesy teto amin’ny firenena.Synèse R.  L’article Teza: « Hirosoana ny fanorenana ifotony » a été récupéré chez Newsmada.

Feno ny fepetra…

Manomboka feno tanteraka  ny fepetra ahafahan’ny firenena  miroso. Efa tafapetraka avokoa ireo Andrimpanjakana rehetra. Anisan’izany ny Antenimierampirenena vao nijoro farany teo. Manana ny maro anisa aoriany ny fitondram-panjakana, ankoatra ny hijoroan’ny  governemanta, afaka andro vitsy. Efa eo an-tanan’ny fitondrana avokoa ny fitaovana sy ny olona ary ny hoenti-manana  miaraka amin’ny vina  nampanantenaina. Efa nankatoavin’ny fianakaviambe  iraisam-pirenena ary  nahazo tohana sy famatsiam-bola, izao fitondrana izao. Tsy tokony  hisy  intsony ny fialan-tsiny ao anatin’izany  rehetra izany. Na koa fanilihana andraikitra  tahaka ny nataon’ny  teo aloha, fony  izy teo amin’ny fitondrana. Atombohy amin’izay àry  ny asa vavany avy  hatrany, hiantraika any amin’ny ativilanin’ny sarambabem-bahoaka  sy  ny mponina. Esory amin’ny toerany ary aza andeferana ireo tsy mahavita  ny iraka  sy  ny andraikitra ankinina aminy. Aleo hiavaka ny  vary sy ny tsiparifary na koa ireo zatra ny lalan-dririnina. Tsy tokony  hisy toerana  ho an’ny misalasala intsony  izao.Farito ary ataovy mazava  tsara ny lalan-kombana iaraha-mjery sy manombana. Aiza ho aiza  izao isika amin’ny lamasinina haingam-pandeha ? Inona ny  mbola misakana na koa manahirana ?  Fotoana izao hanatanterahana  ireo nambara  sy notanisaina, araka ilay fiteny nambara fa asa izy ity fa tsy kabary. Ahoana  ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy filaminana manoloana  ireo fitaovana maro samihafa efa azon’ny mpitandro filaminana ?  Ahoana ihany ity delestazy miverimberina mahazo  laka isanandro  tato  ho  ato ity ? Miantraika mivantana amin’ny sosialim-bahoaka amin’ny ankapobeny mihitsy  :  fiakaran’ny vidim-piainana, ny lafiny fitsaboana  sy ny fanadiovana izany, indrindra  eny anivon’ny hopitaly. Ny olan’ny fananan-tany tsy ahitana mangirana hatramin’izao. Ny mbola fihanaky ny kolikoly sy ny fomba hampihenana  izany amin’ny sehatra samihafa eto amin’ny firenena.   Ampahany  ihany  ireo. Tsy vitan’ny  fisehosehoana  fotsiny na  resabe intsony  izao fa  mitaky andraikitra amin’ny rehetra.  Tokony  hanomboka izany ary ho fitaratra ny  mpitantana isan’ambaratongany… Roso toy tsa mipody koa…  Efa feno  tanteraka ny fepetra  ka  tsy tokony  hisy  intsony ny olana  na fialana bala ?Synèse R.       L’article Feno ny fepetra… a été récupéré chez Newsmada.

Kitra: nanolotra «maillot», ho an’i Julio i Carolus

Tafahaona tamin’Andriamahitsinoro Andrea Carolus, mpilalaon’ny Barea ihany, ny alarobia lasa teo, i Julio. Ilay tovolahikely, nametaka ny anaran’i Carolus, teo amin’ny fanamiany. Raha tsiahivina, efa tany Égypte, no hitan’i Carolus, tamin’ny tambajotran-tserasera ilay sary, ary nampihetsi-po azy, izany.Nampitady an’i Julio, izy nony tafaverina teto Madagasikara ka izao nifanena izao, izy mirahalahy mianaka. Manana vina hanampy an’i Julio ho lasa lavitra amin’ny baolina kitra i Carolus fa mbola hiresaka tsara amin’ny reniny aloha. Faly, i Julio sy ny reniny, nihaona tamin’i Carolus. Raha ny fitantaran’i Julio dia tsy tia mpilalao afa-tsy i Carolus izy ary tsy manaiky mihitsy raha tsy mijery baolina rehefa manao ny Barea de Madagascar. Avy any Antsirabe, i Julio ary kilasy taona fahatelo na (10 ème), izy amin’izao.Nanolotra fanamiana misy ny laharana sy ny anarany ho an’i Julio, i Carolus, izay nampirisika azy, hianatra tsara sy hilofo mafy amin’ny filalaovana baolina. Nisaotra sy nankahery an’i Carolus, ihany koa tetsy ankilan’izany, ny renin’i Julio. TompondakaL’article Kitra: nanolotra «maillot», ho an’i Julio i Carolus a été récupéré chez Newsmada.

Vita ny fandidiana: salama tsara i Eric Fou Hehy

Omaly tolakandro no re mivantana tao amin’ny RDJ 96.6Mhz ny vaovao ! Tontosa soa aman-tsara ny fandidiana an’i Eric Fou Hehy tany Inde. Nanamafy izany rahateo izy raha nanontanian’ny olona avy aty Madagasikara mivantana tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera : « Eric ihany ity e ! Eric efa olom-baovao… Salama tsara ! ». Raha ny fanazavany, nosoloina ny voa ary  natao grefy ny aty. Ireo ny fandidiana natao taminy. Mbola mila fanaraha-maso akaiky ny fivoaran’ny toe-pahasalamany, raha ny fanazavan’ny mpitsabo azy, noho izany, mbola hijanona volana vitsivitsy any an-toerana i Eric Fou Hehy. Nanamafy izany rahateo izy. Nambaran’i Eric fa tsara ny fikarakarana rehetra. Nahafinaritra avokoa na ny fandraisana na ny « administration » na ny mpitsabo any an-toerana.Raha tsiahivina, ny volana jolay 2018 no niala teto an-tanindrazana nihazo an’i Inde i Eric Fou Hehy rehefa tojo tsy fahasalama (insuffisance rénale) ka nilaina fitsaboana ivelan’i Madagasikara.HaRy Razafindrakoto L’article Vita ny fandidiana: salama tsara i Eric Fou Hehy a été récupéré chez Newsmada.

Nanafika tany Maevatanana: voasambotra tetsy Tsimbazaza ilay nandroba mpandraharaha

Voasambotry ny polisy teny Tsimbazaza, ny 12 jolay 2019 lasa teo, ny jiolahy raindahiny tompon’antoka tamin’ny fanafihana mpitam-piadiana tany Maevatanàna ny volana oktobra 2018 lasa teo…Mpivady mpandraharaha ireto nisy nandroba tao an-tranony any Maevatanàna ireto izay nahaverezana vola 30 tapitrisa Ar, araka ny fanazavan’ny polisy. Tsy niandry ela ny polisy any an-toerana fa nanao ny fikarohana avy hatrany ka tratra ny maraina tamin’io fotoana io ihany ny iray amin’ireo jiolahy nanafika azy mivady ireto. Nitohy ny fanadihadiana ka andro vitsivitsy taorian’izay, tratra ihany koa ny efatra amin’ireo jiolahy, nahatrarana basy miisa efatra. Tsy nijanona hatreto anefa ny fanenjehana ireo jiolahy fa nitohy ny famotorana ary fantatra fa mbola misy jiolahy iray atidoha nikotrika ity fanafihana ity tafatsoaka niakatra aty an-dRenivohitra. Nokarohin’ny polisy ity jiolahy ity ka tratra teny Tsimbazaza tamin’ny zoma lasa teo. Tsy nanampo na inona na inona ity jiolahy ity satria efa voahodidin’ny polisy nanao fanamiana sivily ny trano nisamborana azy. Noraisim-potsiny tao an-tranony izy. Nilaza izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy fa ankoatra ny fanafihana mitam-piadiana, isan’ireo jiolahy mpanakan-dalana eny amin’ny RN 4 ary voarohirohy amina raharaha fakana an-keriny niseho tany Maevatanàna ihany koa izy. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy.Jean ClaudeL’article Nanafika tany Maevatanana: voasambotra tetsy Tsimbazaza ilay nandroba mpandraharaha a été récupéré chez Newsmada.

Asa sosialin’ny antoko: nanao didim-poitra faobe ny MMM

Nanamaivana ny fahasahiranana ray aman-dreny maro indray ny antoko Malagasy miara-miaina Malagasy miara-miainga, ny herinandro lasa teo. Zazalahy miisa 92 indray no vita didim-poitra maimaimpoana ao amin’ny kaominina Manandriana sy ny any Vilihazo, ary koa ny  etsy Ankadikely sy ny eny amin’ny kaominina Ambohimalaza. Nahazo ny anjara kilalaony avokoa ireo zazalahy ireo taorian’ny hetsika didim-poitra faobe nataon’ity antoko  ity. Asa sosialy efa fanaon’ny Malagasy miara-miainga isan-taona ny tahaka izao, ankoatra  ny hetsika fivarotana fitaovana sy kojakojam-pianarana amin’ny vidiny mirary mitety tsena efa fanaony. Eo koa ny fanohanana sy ny fanampiana ny tantsaha ary ny fanorenana na  ny fanampiana amin’ny  fotodrafitrasa, toy ny efitranon-tsekoly na ny fanamboaran-dalana sy ny tetezana. Manampy izany ny fanomezana boky ho an’ny trano famakiam-boky sy ny hetsika samihafa.Hitohy amin’ny kaominina hafa ny hetsika na ny asa sosialy ataon’ny antoko Malagasy miara-miainga.Synèse  R.   L’article Asa sosialin’ny antoko: nanao didim-poitra faobe ny MMM a été récupéré chez Newsmada.