Kitra – Lalao firahalahiana: tsy mifanara-tsaina ny FMF sy i Nicolas Dupuis

News - Kitra – Lalao firahalahiana: tsy mifanara-tsaina ny FMF sy i Nicolas Dupuis

News - Kitra – Lalao firahalahiana: tsy mifanara-tsaina ny FMF sy i Nicolas Dupuis

Mifanenjana i Nicolas
Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar, sy ny federasiona
malagasin’ny baolina kitra (FMF) ny amin’izay ho ekipa hanaovana
lalao firahalahiana. Samy manana ny heviny ny roa
tonta.

Mananontanona ny mety ho
fahasimbana sy ny fahapotehana indray eo amin’ny baolina kitra
malagasy. Mitranga mantsy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny
federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy i Nicolas Dupuis,
mpanazatra ny Barea de Madagascar, ny amin’izay ekipa hanaovana
lalao firahalahiana, hanomanana ny fihaonana mandroso sy miverina
amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fiadian-toerana ho
an’ny “Can 2021”. Samy manana ny ekipa eritreretiny hiatrehana
izany mantsy ny andaniny sy ny ankilany. Miezaka sy misisika mafy
hanaovana lalao firahalahiana amin’ny klioba D1 ao Luxembourg
mantsy ingahy mpanazatra raha ny vaovao voaray. Mitsipaka
marindrano izany kosa ny komity mpitantana eo anivon’ny FMF, izay
efa nifampiraharaha tamin’ny Etalons-n’i Borkina Faso.
Nohamafisin’ny tomponandraikitra iray ao amin’ny federasiona
malagasin’ny baolina kitra fa izy ireo no niresaka mivantana
tamin’i Borkina Faso ary nanao ny fifanarahana rehetra fa tsy i
Nicolas Dupuis velively.

Efa nanaiky ry zareo Borkinabe ny
amin’io lalao io ary tsy mitaky na inona na inona fa ifampizarana
ny fikarakarana ny lalao. Hatao any Lisbonne, Portugal, izany, raha
raikitra satria tsy azo anatanterahana fihaonana ho an’ny
ekipam-pirenena ao Frantsa.

Niteraka resabe izany omaly ka
nahatonga an’i Nicolas Dupuis nanao fanambarana ao amin’ny
tambajotran-tserasera nilaza fa efa niresaka tamin’i Borkina Faso
ihany koa ny tenany ary efa nandefa taratasy any amin’ny FMF,
nampahafantatra izany, ka eo am-piandrasana ny valin-tenin’ity
rafitra miahy ny baolina kitra malagasy ity izy. Marihina fa eo
anelanelan’ny 9 – 14 oktobra, izay datin’ny Fifa, ny hanaovana io
lalao firahalahiana io.

 

Tompondaka

Article tiré de Newsmada

L’article Kitra – Lalao firahalahiana: tsy mifanara-tsaina ny FMF sy i Nicolas Dupuis a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fantina sy fintina

Hisintona eo amin’ny tontolo politika i Onitiana Realy. Tsy voafetra ny fotoana hiatoany nefa na izany aza, voalaza fa hiompana misimisy kokoa eo amin’ny sehatry ny sosialy sy ny serasera ny tenany manomboka izao, araka ny nambarany. Tsiahivina fa minisitry ny Mponina fony fitondrana Rajaonarimampianina ity mpanao gazety ity. Nitana ny talen’ny fampielezan-kevitry ny kandidàn’ny HVM tamin’ny fifidianana farany teo. Hangina kely eo amin’ny tontolo politika koa Ratsiraka Iarovana Roland. Nambarany tamin’ny mpanao gazety tao Toamasina, ny herinandro teo izany. “Handini-tena kely aloha aho”, hoy izy. Anisan’ireo kandidà 6 voalohany ny tenany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013. Nilatsaka be, nahazo 0, anefa izy tamin’ity indray mandeha ity. Voalazan’ireo mpikambana MTS fa mety hirotsaka hofidina eny ifotony indray ny tenany. L’article Fantina sy fintina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra vehivavy – «Cosafa cup»: nihintsana ny Barean’i Madagasikara

Tapitra hatreo ny lalan’ny Barean’i Madagasikara, sokajy vehivavy, eo amin’ny fiadiana ny «Cosafa cup 2019», taranja baolina kitra. Fihaonana, tanterahina atsy Afrika Atsimo. Resin’i Afrika Atsimo, mpampiantrano, tamin’ny isa mazava, 3 no ho 0, mantsy ny Malagasy, teo amin’ny lalao farany, omaly alatsinainy, tamin’ny fifanintsanana ho an’ny vondrona A.Manana isa 9 ny Afrikanina Tatsimo, nandresy intelo tao anatin’ny lalao nataony. Fandresena iray sy faharesena indroa misesy kosa ny azon’ny Barean’i Madagasikara, tsy manana afa-tsy isa telo ihany. Tsy ampy niakaran’ny Barea, amin’ny manasa-dalana, io vokatra azony io.Raha tsiahivina ny vokatra azon’ny Barea, tamin’ity “Cosafa cup 2019” ity, resin’i Malawi, tamin’ny isa 2 no ho 0, teo amin’ny lalao voalohany ary nandresy an’i Kaomoro, tamin’ny isa, 5 no ho 1, teo amin’ny fihaonana faharoa, ary izao resin’i Afrika Atsimo, tamin’ny isa 3 no ho 0 izao, indray. TompondakaL’article Kitra vehivavy – «Cosafa cup»: nihintsana ny Barean’i Madagasikara a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kolontsaina : hanao fihaonambe ny Trano Kolotoraly Malagasy

Anisan’ny manana lanja lehibe eo amin’ny fikajiana sy fikoloana ary fampitana ny maha Malagasy (tantara, fomba amam-panao, fanandroana, sikidy, fahaizana momba ny zavamaniry…) sy ireo kolontsaina iraisam-pirenena toy ny yoga ny Trano Kolotoraly Malagasy. Raha ny fantatra, araka ny vaovao nampitaina, hanatanteraka ny fivoriambeny amin’ny alahady 4 aogositra izao, ao amin’ny ELI Soarano (Toerana fampianarana teny anglisy) ity fikambanana ity.Na tsy mbola voalaza amin’ny antsipiriany aza ny lahadinika na ny fandaharam-potoana, azo inoana fa ho voaresaka ao anatin’izany fivoriambe izany ny fikatsahana izay hampandrosoana ny Trano Kolotoraly Malagasy sy ny adidy efa niantsorohany hatramin’izay.Raha tsiahivina, angady nananana sy vy nahitana ny Trano Kolotoraly Malagasy ny dokotera Rakotonirainy Joseph. Nahay zavatra maro izy ary nampianatra mpianatra maro ihany koa. Fa anisan’ny nampiavaka azy ny fitiavan-tanindrazana tao aminy.Nanangona : HaRy RazafindrakotoL’article Kolontsaina : hanao fihaonambe ny Trano Kolotoraly Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Boriborintany faha6: vita ny lalankely ao Antanjombe Avaratra

Tsy ho very maina ireo vato sy tara amin’ny fanamboaran-dalana sy sisin-dalana izay vatsian’ny Vondrona eoropeanina vola eto Antananarivo Renivohitra amin’izao fotoana izao.  Vato marobe no azo ary ampiasain’ny CUA hanamboarana lalankely. Tanjona ny hanalana fahasahiranana ny mponina.Raha ho an’ny boriborintany faha-6, vita tara ny lalankely mirefy 120 metatra eny amin’ny fokontany Antanjombe Avaratra manakaiky ny EPP ao an-toerana. Namboarina tamin’ny alalan’ireo “goudron” nalaina tamin’ny fanamboaran-dalàna teny an-toerana ny nahatontosana ny asa fanamboarana.Nanatontosa ny asa tamin’izany ireo ekipa teknika sy ny mpiara-miasa ao amin’ny boriborintany faha-6, tarihin’ny delegen’ny boriborintany, Andriamananjezika Fehizoro. Nanome fankasitrahana ny ben’ny Tanàna sy ny mpiara-miasa aminy ao amin’ny boriborintany faha-6. Nisaotra ny tompon’andraikitra nahavita ny asa ny solontenan’ny fokonolona ao amin’ny fokontany Antanjombe Avaratra satria afa-pahasahiranana izy ireo, indrindra ireo ankizy mpianatra rehefa tonga ny fahavaratra amin’ny nahavitan’izao fotodrafitrasa  izao .Tatiana AL’article Boriborintany faha6: vita ny lalankely ao Antanjombe Avaratra a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

TRANGA TENY AMBOHIMALAZA :: Karohina fatratra ilay lehilahy ahiana ho namono ny reniny

Nambaran’ny mpanao famotorana fa nandositra ny zanaka lahy sy ny sakaizany izay samy voasaringotra tamin’ ny fahafatesan’ny renim-pianakaviana iray, 59 taona, hita faty teny Ambohidray Ambohimalaza, ny talata lasa teo. Mbola ifampitadiavana izy ireo, hatramin’ny omaly hariva. Efa eo am-pikarakarana ny razana ny fianakaviana. Ho avy eny amin’ny biraon’ny Zandarimaria izy ireo, aorian’ny fandevenana. Fantatra fa hametraka fitoriana ireto mana-manjo. Nisy ireo trangan-javatra nampiahiahy tamin’ny fihetsik’iry tovolahy ka iantefan’ny fanenjehana azy amin’ilay fahafatesan’ny reniny, miampy ny tsy fahitana azy efa ho andro vitsivitsy izao. Ny zanak’io vehivavy maty io iray no nahita ny razana voatototra tany sy bozaka teny Ambohidray Ambohimalaza. Nahitana dian’antsy sy ratra maro hafa ny vatan’ilay renim-pianakaviana. L’article TRANGA TENY AMBOHIMALAZA :: Karohina fatratra ilay lehilahy ahiana ho namono ny reniny est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Mpanoratra, mpihira: hamoaka ny “Rotsin-kalo I” i Thina

“Rotsin-kalo I”. Boky mirakitra ny asa soratr’i Thina Andriafaly izy io. Anaran’ny hetsika izay hotontosaina ny 28 jolay ho avy izao, etsy amin’ny espce Dera Tsiadana ihany koa. Hasehon’i Thina Andriafaly amin’izany ny maha mpanoratra azy, fa eo koa ny maha mpihira sy mpiantsa tononkalo azy. Mirakitra sanganasa navadika ho tononkira ihany koa mantsy ny “Rotsin-kalo I”, izay haseho voalohany amin’io fotoana io. “Efa an-taony maro no nanomanako ity boky ity. Efa ela toa izany koa ny niketrahana ireo hira hozaraina amin’io”, hoy ny nambaran’ity mpanoratra izay filoha lefitry ny Havatsa-Upem ity. Hisy mpanakanto mpitendry maromaro hanaraka azy mba hahafeno ny seho amin’io fotoana io. Raha tsiahiviny fohy, nanomboka nanoratra ny taona 1974 i Thina Andriafaly. Ny fandikana ny horonantsary tamin’ny fahitalavitra amin’ny teny malagasy, sy ny fanoratana poezia miady rima no nataony tamin’izany. Nanaraka avy eo ny tononkalo, ny tantara foronina, ny sombin-tantara, ny tononkira, sns. Niditra ho mpikambana tao amin’ny Omda, ny taona 1985, avy eo nanaraka ny Havatsa Upem, ny taona 1997 ary lasa mpikambana ny taona 2001. Nitana ny toeran’ny mpanolotsaina tao amin’ny fikambanana kosa izy, ny taona 2008, ary lasa fioha lefitra, ny taona 2014, hatramin’izao. Namoaka ny boky amboaran-tononkalo “Fitia voarafy I”, ny taona 2017 narahin’ny boky tantara foronina “Mpifamofo mandra-maty”. Zo ny Aina L’article Mpanoratra, mpihira: hamoaka ny “Rotsin-kalo I” i Thina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mitsinjo: tsy hita izay fivoarana, mijaly ny mponina

Sakana iray lehibe amin’ny fampandrosoana ny faharatsian-dalana Mahajanga mankany Mitsinjo., mirefy 71 km. Mialoha izany, tsy maintsy miampita baka avy eo Mahajanga mankany Katsepy izay mandray fiara. Nisy tany aloha, lalana avy Marovoay mankany Mitsinjo, saingy mihodina be sady tsy azo aleha intsony izany efa 10 taona mahery. Sahirana ny mponina, lafo amin’ny rehetra ny saran-dalana : miampita amin’ny baka 5000 Ar, avy eo Katsepy indray, raha misy fiara tsy mataho-dalana, 10 000 Ar amin’ny main-tany ary tafakatra 30 000 Ar amin’ny fahavaratra, andro iray vao tonga raha ho tonga.Mampalaza ny faritra Boeny io distrika iray io noho ny fisian’ny orinasa Sirama tantanin’ny Sinoa. Hery iray lehibe ao amin’ny distrikan’i Mitsinjo ny fisian’io orinasa io. Tsy lavitra avy eo koa ny distrikan’i Soalala nahazoana famatsiam-bola 100 tapitrisa dolara tao anatin’ny fitondrana tetezamita. Vita sonia tamin’ny orinasa Wisco izany, an’ny Sinoa ihany, ny taona 2010. Tetikasa nokasaina ny fitrandrahana vy. Tsy hita hatramin’izao ny fiantraikan’ireo any amin’iny faritra iny. Toy ny any amin’ny kaominina ambanivohitra maro hafa, betsaka ny vokatra tsy tafavoaka, sahirana izay manana ny marary.Koa nitondra teny ny depiote any Mitsinjo, Randriamisa Nicolas David, mba hisy tamberina ny tatitra ataony. Ankoatra maha mpanao lalàna azy ireo , mitondra ny feon’ny vahoaka koa izy ireo , ka avy amin’izany ihany ny azo hamaritana lalàna vaovao, hatolotra ny fahefana mpanatantanteraka. R.MathieuL’article Mitsinjo: tsy hita izay fivoarana, mijaly ny mponina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Vary: nisondrotra 300 Ar/kg ny makalioka, nihena 120 Ar/kg ny vary gasy

Miakatra tsikelikely ny vidim-bary avy eto an-toerana, ankoatra ny vary gasy. Nidina kosa anefa ny any Sambava anisan’ny lafo indrindra hatramin’izay, nahatratra 2 800 Ar/kg tany aloha.Tsy nihetsika firy ny vidim-bary amin’ny ankapobeny eto amin’ny Nosy tamin’ny herinandro farany ny volana jona sy ny fiandohan’ity volana jolay ity. Na izany aza, nisy elanelany be ny fiovaovan’ny vidin’ny vary avy eto an-toerana? araka ny tatitra navoakan’ny Masoivohon’ny vary (ODR) farany teo. Manodidina ny 1 610 Ar/kg ny salambidin’ny vary gasy manerana ny Nosy, nahitana fihenana 119 Ar isaky ny kilao. Mahatratra 1 810 Ar/kg kosa ny makalioka, nahitana fisondrotana 313 Ar/kg. Nisondrotra 41 Ar/kg koa ny tsipala ka lasa 1 632 A//kg.Etsy ankilany, tsy nihetsika fa manodidina ny 1 600 Ar/kg ny vary hafarana avy any ivelany.Nihena -300 Ar ny any SambavaRaha raisina isaky ny tanàn-dehibe, anisan’ny tsy nihetsika ny salambidin’ny vary any Toamasina I, any Mahajanga I, any Tsiroanomandidy. Nahitana fihenany 300 Ar koa ny any Sambava, ny fiandohan’ny jolay teo, anisan’ny lafo indrindra hatramin’izay, lasa 2 500 Ar/kg raha 2 800 Ar ny faran’ny herinandron’ny volana jona.Raha raisina amin’ny taha indray tamin’ny fiandohan’ity volana jolay ity, nisondrotra 11% ny any Betioky Atsimo, + 4% ny salambidiny eto Antananarivo, +2% ny any Antsirabe, +1% ny any Antsohihy.Njaka AndriantefiarinesyL’article Vary: nisondrotra 300 Ar/kg ny makalioka, nihena 120 Ar/kg ny vary gasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Raharaha 19 jolay 1948: notsaroana manokana ireo mahery fo Malagasy

Feno 71 taona katroka, omaly (19 jolay 1948 – 19 jolay 2019) ny nitifiran’ireo mpanjanatany ireo mahery fo nitaky ny fahaleovantenan’i Madagasikara teny Avaratra Ambohitsaina dia ny Lietna Randriamaromanana Albert, Rakotobe Samuël, Ratsizafy Samuël, Bekamisy ary Lezoma.Ho fahatsiarovana ny fitiavan-tanindrazana izay nasehon’izy ireo tamin’izany, tonga nametraka fehezam-boninkazo teny amin’ny toerana nitifirana azy ireo sy teny amin’ny Tobi-Miaramila Regimanta voalohan’ny Miaramila Analakely mitondra ny anaran’ny Lietnà Randrimamaromanana Albert ny solontem-pianakaviany sy ireo andiany niaraka taminy ary ny Praiminisitra Christian Ntsay, nisolo tena ny Filoha Rajoelina. Nandritra ny fandraisam-pitenanan’ny Fitaleanan’ny mpiady tia tanindrazana, ny Kly Rakotonirina Lala Jacquis no nanambarany fa tsy fanadino ny ezaka fitiavan-tanindrazana nasehon’izy ireo fa mendrika ny hotsaroana. Ny tantara no miantoka ny ho avy ka nilazany fohifohy ny tantaran’ny namonoana ireo mahery fo Malagasy ireo. Ny Malagasy manontolo no tokony hivondrona ao anatin’ny Vondrona Tia Tanindrazana izay iandraketan’ny sampandraharaha ny mpiady Tia Tanindrazana eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN).Ohatra ho an’ny taranaka…, hoy ny PM“Feno fitiavan-tanindrazana sy namela mamy ary lova tsara ho an’ny taranaka aty aoriana ny ohatra nasehon’ireo mahery fo ireo”, hoy ny Praiminisitra Christian Ntsay. Nohamafisiny hatrany fa ny vahoaka malagasy dia tokony hoentanin’izany afom-pitiavan-tanindrazana izany koa mba hamerenantsika sy hanamafisantsika hatrany ny fifampitokisana sy ny fifamenoana eo amin’ny mpitondra isan-tsokajiny ary ny vahoaka. “Fifampitokisana sy fifamenoana izany dia mba ho soatoavina hampitambatra ny hevitra hanatanterahana fampandrosoana ny firenena sy fanandratana ny fahamasinan’ny tanindrazana”, hoy izy.Nisaotra manokana ireo bekotro maro holatra kosa ny Sekretera jeneralin’ny MDN, ny Amiraly Ranaivosehono Antoine de Padoue. “Ohatra ho antsika taranaka aty aoriana ary tokony halain-tahaka izany fitiavan-tanindrazana nasehon’izy ireo tamin’izany vanim-potoana izany. Ny fahafoizana ny aina no fitiavana faratampony”, hoy izy.Jean ClaudeL’article Raharaha 19 jolay 1948: notsaroana manokana ireo mahery fo Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

LALAM-PIOFANANA “AUDIOVISUEL ET CINÉMATOGRAPHIE” : E-media irery ihany no nahazo fankatoavana

Sambany teto Madagasikara no nisy nahazo diplaoma momba ny “audiovisuel et cinématographie”. Mizara roa ny e-media ka voalohany amin’izany ny fampianarana ambony hahazoana ny diplaoma licence sy ny master ary fampiofanana arak’asa ny faharoa. Efa nahazo fankatoavana avy amin’ny fanjakana ireo lalam-piofanana ao amin’ny oniversite. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny 30 novambra 2018 ireo andiany voalohany nahazo ny diplaoma licence. Nisalotra ny anarana “e-mpyrian” ireto andiany ireto. Notontosaina tamin’io fotoana io ihany koa ny fizarana ny mari-pahaizana (certificat de fin de formation et diplôme de technicien supérieur) an’ireo nahavita ny fiofanana arak’asa momba ny sary, ny feo ary ny “web”. “E-taratra” ny anaran’ity andiany faha-enina ity. Raha ny tarehimarika voaray, 294 ny fitambaran’ireo mpianatra nozaraina mari-pahaizana ireo. Nambaran’ny filoha tale jeneralin’ny E-media, Rojo Andrianasolo fa ny e-media irery no mbola nahazo fankatoavana avy amin’ny fanjakana ny lalam-piofanana momba ny “audiovisuel et cinématographie”. Ireto avy ny lalam-piofanana hahazoana diplaoma licence ao amin’ny oniversite E-media: “communication audiovisuelle et numérique”, « marketing publicité et journalisme », « informatique et électronique embarquées ». Ankoatra ny “audiovisuel et cinématographie” dia efa misokatra amin’ny fomba ofisialy ihany koa ny fiofanana hahazoana ny diplaoma master. Lynda A. Cet article LALAM-PIOFANANA “AUDIOVISUEL ET CINÉMATOGRAPHIE” : E-media irery ihany no nahazo fankatoavana est apparu en premier sur déliremadagascar.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 27-09-2020
Source : CCO COVID19 - 27/09/2020

Notsongaina

Mpiasan’ny minisitera: am-perinasa ny «guichet unique»
24/09/2020

Nanomboka tamin’ity herinandro ity, efa am-perinasa ny « guichet unique interministeriel» ho an’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Miasa eo anivon’ny sampandraharaha miasahana ny fitantanana ny mpiasa, etsy Mahamasina izy io.Fomba entina hikarakarana haingana ny antontan-taratasin’ny mpiasa izany. Ho an’ireo mpiasa alefa hisotro ronono, efa miisa 1.400 ireo antontan-taratasy momba izany. Ireo hafindra toerana kosa mahatratra 1.300. Ho an’ireo efa misotro ronono, miisa 250. Mahatratra hatrany amin’ny 3.500 kosa ny antontan-taratasy karakaraina momba ny fanamboarana ny sokajin’asa ho an’ny mpiasa. Manodidina ny 300 kosa ny momba ny fiakarana grady, fikarakarana momba ny tambiny arakasa…Ho an’ny fanavaozana ny fifanarahana arakasa kosa dia mahatratra hatrany amin’ny 2.500.Kendrena ho vita haingana ny fikarakarana ireo antontan-taratasy izay nikatso nandritra hamehana ara-pahasalamana lavareny teo. Kendrena mba tsy hisy fiantraikany betsaka amin’ny mpiasa amin’ireo sokajin’asa misy azy avy iny valanaretina nampitarazoka zavatra maro iny.Tatiana AL’article Mpiasan’ny minisitera: am-perinasa ny «guichet unique» a été récupéré chez Newsmada.

Ekipam-pirenena Robotika: nitsidika  ny ozinin’ny Eau Vive Andranovelona
24/09/2020

Mitohy ny lalana, ary miakatra hatrany ny laharan’ny ekipam-pirenena malagasy Robotika. Efa maro ireo fanamby notakina amin’izy ireo, ary tontosany soa aman-tsara avokoa nandritra izay fotoana lavalava nisian’ny fifaninanana “First Global Challenge 2020” izay. Hiatrika ny fanamby faha-25 sady farany ireto tanora manampahaizana ireto, ka naka aingam-panahy tamin’ny fitsidihana ozinina. Nandray azy ireo ny ekipan’ny Star, tany amin’ny ozinin’ny Eau Vive any Andranovelona, omaly. Nijery mivantana ireo milina miasa ao amin’ny ozinina, hananan’izy ireo hevitra amin’ny fanamby farany hatrehiny. “Mahafaly ny ekipan’ny Star ary reharehan’ny rehetra ny dingana vitan’ny ekipam-pirenena Robotika. Efa ao anatin’ny dimy voalohany maneran-tany, ary tohanantsika hatrany mba samy hanakatra ny kintana izy ireo”, hoy ny nambaran-dRandriambolamanana Seheno, tompon’andraikitra voalohan’ny serasera ao amin’ny Star. “Misaotra manokana ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera izahay, izay nandray an-tanana anay nandritra ny fifaninanana ary nanohana hatrany. Misaotra ny Star koa noho ny fandraisan’izy ireo teto amin’ny ozinina fa misy azo entina miatrika ny dingana farany izany”, hoy ny nambaran’ny mpikambana iray ao amin’ny ekipa. Tsiahivina fa fifaninanana iraisam-pirenena mahakasika ny Robotika ny “First Global Challenge”. Ho an’ireo tanora mpianatra, 14 hatramin’ny 18 taona, izany ka manana fitiavana manokana amin’ny fikarohana. Tsy mena-mitaha amin’ireo ekipan’ny firenen-kafa ny ekipa malagasy hatramin’izay. Mbola mahavelombolo ihany koa ity ekipa amin’izao ity.Zo ny AinaL’article Ekipam-pirenena Robotika: nitsidika  ny ozinin’ny Eau Vive Andranovelona a été récupéré chez Newsmada.

Prosperer: manohana ny tetikasa Salohin’Analamanga
24/09/2020

Tetikasa iray manohana ny tontolo any ambanivohira amina sehatra asa maro ny Prosperer (Programme de soutien aux pôles de micro-entreprises rurrales et aux aux économies régionales). Tanjona amin’izany ny hampitombo ny fidiram-bolan’ny tantsaha mahantra any ambanivohitra hifantoka bebe kokoa amin’ny fambolena sy ny fanaovana asa tanana. Faritra dimy no tena ahitana izany sy distrika 19, ahitana fihariana karazany maro fa ny asa tanana no miaraha-miombona antoka, hampifandraisana ny fahaiza-manao, ny fitaovana iaraha-miasa ho fampandrosoana ny kaominnina sy ny distrika.Eto amin’ny faritra Analamanga, ohatra, anisan’ny mahazo tohana avy amin’ny Prosperer ny mpanao asa tanana Salohin’Analamanga, ivondronan’ny mpanao asa tanana anjatony miasa amin’ny karazam-pihariana enina hanomezan-danja ireo karazana asa tanana ireo sy hanehoana ny fahaiza-manaon’ny avy eto amin’ny faritra.Mahazo tohana avy amin’ny fandaharanasa Prosperer Analamanga ny tetikasa fanampaiana ny tantahasa mifandray amin’ny sehaty ny fizahantany ny fihariana madinika, hanomezana vahana ny mpanao asa tanana, hanana fidiram-bola amin’ny asa ataony, hampisondrotra hatrany ny seha-pihariana antom-piveloman’izy ireo. Na eo aza ny valanaretina Covid-19, tsy mahasakana ny asa fihariana ataon’ireo mpanao asa tanana ny tetikasa tohanan’ny Prosperer. Faritra dimy ny tena misy azy anatin’ny distrika 19, samy manana ny mampiavaka azy. R.MathieuL’article Prosperer: manohana ny tetikasa Salohin’Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

Fahadiovan’ny trano fonenana: mila manana gabone avokoa ny tokantrano rehetra
21/09/2020

Voarakitra ao anatin’ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana navoakan’ny kaominina Antananarivo renivohitra, araka ny sokajy voalohany miresaka ny fahadiovan’ny toeram-ponenana sy ny toeram-bahoaka ary ny kianjam-bahoaka fa mila hajaina ny fepetra rehetra.Araka ny andininy fahavalo ao anatin’ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana, tsy maintsy nahazoana alalana ara-dalàna avokoa ny fanorenana rehetra anatin’ny fari-piadidian’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ny andininy fahasivy milaza ny maha tompon’andraikitra feno ny tompon-trano amin’ny fahadiovan’ny trano fonenana sy ireo miankina aminy ary ny lalana manoloana azy.Tsy maintsy lokoina sy diovina ny trano  indray mandeha isaky ny dimy taona farafahakeliny. Atao mifanaraka amin’izay voalazan’ny fitsipika mifehy ny tanàn-dehibe  izany, indrindra ho an’ireo manamorona ny “Avenue” sy ny arabe mikodana, ny manodidina ny lalana ary ny lalankely ampiasain’ny mponina.Ny tsy fanarahana ireo fepetra voalaza ireo dia mahatonga ny fandoavana ny sazy vonodina laharana fahefatra, izay mitentina 1.000.000 Ar. . Miampy fanerena fampiharana didy anatin’ny fito andro izany ho an’ireo manamorona ny araben’ny fahaleovantena.Ny andininy fahafolo kosa, milaza fa tsy maintsy manana toeram-pivoahana avokoa ireo trano fonenana rehetra eto Antananarivo Renivohitra. Ireo trano fivoahana ivelan’ny trano dia tsy maintsy miala 3m amin’ny arabe na ny faritry ny tanàna. Tsy maintsy arahina ny fikojana sy ny fanatsarana hatrany ireny toeram-pivoahana ireny tsy hanelingelina ny manodidina.Voarara ankitsirano ny fampiasana gabone lavaka mandra-pahafenony tanteraka. Mila maka alalana manokana iray volana mialoha any amin’ny CUA ireo hanala ny maloto anatin’ireny gabone lavaka ireny .Tsy maintsy atao amin’ny andro alina ny fanatanterahana izany raha olon-tsotra no hanao azy. Misy kosa ireo orinasa efa matihanina mampiasa fitaovana arifomba ka tsy manelingelina ny manodidina ny fanatanterahany ny asany.Milaza ny andininy faha-12 ao anatin’ity fitsipi-dalàna ara-pahasalamana ity fa handraisana fepetra avy hatrany ny tompon-trano raha toa ka handraisana fitarainana marim-pototra ny trano fivoahana amin’ny fahadiovany na ny fofona avoakany. Mety hiafara amin’ny tsy fahafahana mipetraka amin’ny trano intsony izany raha tsy misy ny fandraisana ndraikitry ny tompon-trano….Tatiana AL’article Fahadiovan’ny trano fonenana: mila manana gabone avokoa ny tokantrano rehetra a été récupéré chez Newsmada.

Vakinankaratra: mitombo isan-taona ny fahapotehan’ny ala
22/09/2020

Hatramin’ny nisian’ny krizy noho ny  coronavirus, tsy latsaky ny 20 000 ny fanapahana hazo tsy ara-dalàna ho an’ny faritra Vakinankaratra, araka ny vaovao nampitain’ny minisiteran’ny Tontontolo iainana.Ny tsy fahampian’ny tolotra eo amin’ny h    azo fahandroana sakafo no fototry ny olana ka tsy mifidy ireo mikapa hazo hanaovana saribao sy kitay. “Hafantoka amin’ny voly hazo fanaovana kitay ny ampahany betsaka amin’ny fambolen-kazo manaraka”, hoy ny minisitra Baomiavotse Raharinirina. Tena mbola tsy afaka amin’izany ny tokantrano maro. Fambolen-kazo tsy lavitry ny tanàna ny vahaolana amin’izany, araka ny nambarany.Mahatratra 60 tapitrisa isan-taona ny zanakazo volena, efa natomboka tamin’ny taom-pambolena 2019-2020. Ny fari-piainana eto Madagasikara  niainga avy amin’ny fanadihadiana nataon’ny Usaid izany, tany amin’ny taona 2004, hoy Razakarimanana Ndranto, ao amin’ny Alliance Voahary Gasy. « Avy amin’izany fanadihadiana izany ny tokony hambolen-kazo 1500 fototra isaky ny hekitara amina velarana 40 000 ha isan-taona manerana ny Nosy, hanampiana ny tolotra hazo fanaovana kitay sy saribao », hoy izy. R.MathieuL’article Vakinankaratra: mitombo isan-taona ny fahapotehan’ny ala a été récupéré chez Newsmada.

Entim-paharazana sy entim-pahazarana       
22/09/2020

         Sarotra ny miala amin’ny mahazatra? Toetra nanahary faharoa ny fahazarana. Fialana sy fanamarinan-tena ataon’ny tsy te hiova na hanova zavatra mandrakariva ireo fomba fiteny ireo. Tsy eto amintsika ihany, fa saika maneran-tany. Raha vao manao fanovana ny fitondram-panjakana, ohatra, saika misy hatrany ny mitsikera avy hatrany, manatsatso, mamendrofendro; eny, manohitra aza.Toetra maha olombelona ny fifikirana amin’izay mahazatra zary fomba amam-panao? Mandeha ho azy, tsy manahirana… Efa raiki-tampisaka sarotra ovaina tsinona, ary misy aza ny mitompo teny fantatra sy miziriziry fa tsy azo ovaina. Hafahafa ny tena raha tsy manao sy manohy azy. Eo ny mahatonga ny fitenenana hoe efa entim-paharazana aza amin’izay entim-pahazarana fotsiny amin’ny ataony.Manao ahoana anefa izao tontolo izao raha nifikitra hatrany amin’izay hoe nentim-paharazana sy nentim-pahazarana izay hatramin’izay? Saika nitondra faisana hatrany izay nilaza hevi-baovao sy nitondra zava-baovao: haratsiana, esoina, enjehina… Saingy rehefa manao sy manohy ny ataony izy ireny, tsy ilaozan’izay mandinika, manaraka, manandrana, resy lahatra, maka tahaka… Lalan-javatra izay?Manomboka eo amin’ny tena ny fiovana raha te hanova? Tsy moramora sy tsy vetivety izany, fa mila fijoroana, fahasahiana, firosoana, faharetana… Inona no iresahana izany amin’izao? Mampandini-tena. Tena te handroso tokoa ve isika? Mila miova sy manova. Manomboka eo amin’ny tena io amin’ny fisaina, fiaina, fiasa… Izany miaraka no mahatonga sy mahahaingana ary mampivaingana ny fandrosoana.Na izany aza, tsy moramora tokoa ny hoe manova sy ny miova amin’izao. Mila fanazavana izay (h)atao, fandresen-dahatra, fijerena lavitra… Eny, mety ho miandalana aza, saingy tsy maintsy atomboka hialana amin’ny hoe nentim-paharazana sy nentim-pahazarana. “Tsy misy zavatra ratsy ao anatin’ny fanovana, raha mandeha amin’ny lalana tsara”, hoy ny filohan’i Etazonia teo aloha izay, i Winston Churchill.Rafaly Nd. L’article Entim-paharazana sy entim-pahazarana        a été récupéré chez Newsmada.

Niketrika vazo vaovao: manomana seho tokana ny tarika Gasta
23/09/2020

Tsy very maina ny fihibohana ho an’ny tarika Gasta, ahitana an’i Jimmy, i Tantely, i David ary i Haja. Tao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana no niketrehan’izy ireo ny vazo vaovao toy ny «Ialako nenina», ny «Tsofy rano», ny “Vavaka ho anao”. Raha tsiahivina, 20 taona ny efa nivoizan’ny Gasta ny gadona rap. Ampahany amin’ireo sanganasa tsy afaka am-bavan’ny maro ary nahafantarana ny tarika ny « Sipa avy aiza? » sy ny « Fo tetaka ».Nomarihan’i Jimmy fa omena vahana ny fanaingoana ny sanganasan’izy ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ireo zavamaneno maivana toy ny gitara sy ny fampiarahana izany amin’ny mpikosoka kapila DJ. 20 taona aty aoriana, tsikaritra ho tafapetraka ilay fahaiza-miaraka eo amin’ireo mpikambana mandrafitra ny tarika Gasta rehefa milalao mozika. “Nitombo an-dalana toy izany ihany koa ny fahamatorana”, hoy hatrany i Jimmy.Am-periny amin’ny famoahana ny rindrantsarin’ilay sanganasa « Ialako nenina » ry Gasta. Mampanantena seho tokana sy hiavaka ihany koa ry zalahy zanak’i Talatamaty ireto amin’ny lanonana famaranana ny taona 2020. Havondrona ao anatin’io seho io avokoa ny traikefa azo tao anatin’izay fotoana naharitraritra izay.“Mbola vonona hatrany hanjohy ny lalan-tsarotry ny mozika ny tarika Gasta ary nampanantena hanolotra ny kanto sy hampianjaika ny meva ao anatin’ny tontolon’ny rap”, hoy ny mpikambana rehetra.Nanangona: HaRy RazafindrakotoL’article Niketrika vazo vaovao: manomana seho tokana ny tarika Gasta a été récupéré chez Newsmada.

Nitombo 1992 ny isan’ny efitrano fanadinana: tsy mihoatra ny 50 ny mpiadina iray efitra amin’ny BEPC
21/09/2020

Tsy mahazo mihoatra ny 50 ny isan’ny mpiadina anatin’ny efitrano fanadinana iray ho an’ny BEPC, ary nampitomboina 12 noho izany ny foibem-panadinana ary 1992 ny efitrano handraisana ny fanadinana amin’ity taona ity, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fanabeazana, i Sahondrarimlala Marie Michelle. Efa notsinjaraina isaky ny faritra ny fitaovana arotava sy ny gel ho an’ny foibem-panadinana ho an’ny mpiadina sy ny mpiasa rehetra mampihodina ny fanadinana BEPC. Tokony ho afaka miatrika ny fanadinana avokoa ireo rehetra voasoratra anatin’ny lisitra ary ny taratasy fiantsoana tsy azon’ny talen-tsekoly giazana fa azo vahana ny olana aorian’ny fanadinana. Nitaraina anefa ny tompon’ny sekoly tsy miankina fa lasa manararaotra ny ray aman-dreny ka manery ny tale hanome ny taratasy fiantsoana ho an’ny zanany na tsy nahaloa ny saram-pianarana volana maro aza. Tsy mandalo eny amin’ny sekoly intsony izy ireo manefa ny trosa aorian’ny fivalian’ny fanadinana ka lasa mibaby vesatra ny tompon-tsekoly. Ny minisitera mpiahy koa tsy manome na tohana kely aza tao anatin’ny fihibohana ho an’ny mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina, hoy ny tale nasionalin’ny sekoly miahy tena Association des instituts laïques pour l’éducation (AILE), Rakotomalala Célin. Nohamafisiny fa lasa miady irery ny sekoly tsy miankina ary tsy vitsy no nampiato ny asany ka tsy handray mpianatra intsony.Hiatrika ny taranja Malagasy sy ny tenim-pirenena hafa ho an’ny mpiadina tsy manao malagasy ny tapany maraina, hitohy amin’ny SVT ny hariva. Mbola haharitra hefarana ny BEPC.Vonjy A.   L’article Nitombo 1992 ny isan’ny efitrano fanadinana: tsy mihoatra ny 50 ny mpiadina iray efitra amin’ny BEPC a été récupéré chez Newsmada.

Ho an’ny tany mahantra: manampy ny G20 amin’ny fanalefahana trosa
21/09/2020

Fanalefana trosa na fanafoanana izany avy amin’ny mpamatsy vola mahazatra ho an’ny tany mahantra. « Fanomezana farany » ahafahan’ny fanjakana mizaka trosa hafa any amin’ny sehatra tsy miankina. Nanomboka izany fanalefahana na fafoanana trosa izany ny mpikambana ao amin’ny G20*, ny volana avrily tamin’ity taona ity, rehefa tafiditra amin’ny tany afrikanina maro ny Covid-19.Iaraha-mahalala ny fitotongan’ny toekarena ankehitriny, ilàna famatsiam-bola ho an’ny firenena tsy ampy vola (PFR)*. Antony nahatonga ny G20 nandray fepetra ho fanalefahana ny trosa amin’izay firenena afrikanina mangataka izany. Miombon-kevitra, ohatra, ny fanjakana eoropeanina sy ny banky hanitatra izany any amina sehatra tsy miankina, hanamaivana ihany koa ny trosan’izy ireo.Misy ihany ireo mpampiasa vola niala an-daharana, na miasa ihany fa misafidy mampihena izay azo ahena, toy ny isan’ny mpiasa, ny sehatra trandrahina. Mifidy tombom-barotra kely fa mizotra ny raharaha, toy izay mampiasa volabe nefa mety hiteraka fatiantoka goavana. 6 000 miliara dolara ny fanitarana tetibola avy amin’ireo banky foibe ao amin’ny G20, nandraisana anjara amin’ny toeran’ireo sahirana noho ny fihanaky ny valanaretina, manampy amin’ny fiatrehana ny trosan’ny firenena sasany. R.MathieuG20*: Ahitana firenena 19 miampy ny Vondrona eoropeaninaPFR*: Pays à faible revenuL’article Ho an’ny tany mahantra: manampy ny G20 amin’ny fanalefahana trosa a été récupéré chez Newsmada.

Fananan-jo…  maharaikitra adidy       
26/09/2020

 Hatramin’izay, saika mampiaka-peo hatrany ny hoe mpanohitra ny amin’ny fananan-jo hiteny, haneho hevitra, hamory vahoaka. Voalaza fa zo fototra izany, nefa mitaky adidy aman’andraikitra ihany koa. Tena mba atao sy vitan’izy ireo ve izay? Anisan’izany, ohatra, ny fitaizana ny mpikambana ao aminy, raha misy: be ny tsy manana mpikambana amin’ny antoko misy azy akory hatrany ifotony.Eo koa ny fandraisana anjara isaky ny fifidianana fa tsy mikisina manohana izay matanjaka hahazoan-toerana: rehefa tsy mahazo, miverina ho mpanohitra. Miara-dalana amin’izany ny fiomanana handray fahefam-panjakana amina foto-kevitra sy fandaharanasa ary paikady fanatanterahana mazava, ny fandresen-dahatra ny olom-pirenena amin’izany handatsa-bato ho an’ny tena amin’ny fifidianana manaraka…Atao sy vitan’izy ireo ve izany, raha tsy hilaza afa-tsy izay? Mampiaka-peo lava amin’ny hoe fananan-jo haneho hevitra sy hihetsika. Toy ny manana olona maro iny ao an-damosina raha sakantsakanana amin’ny fanakorontanana. Nony avela malalaka, zara raha mahajoro sy maharitra amin’izay lazainy sy ataony. Matoa nahomby ny hoe hetsiky ny vahoaka, mby amin’izay tsy zakany… hararaotin’ny sasany.Faly mamerina izay mahazatra hoe mahomby? Fanakorontanana, fandravana… rehefa tsy mahaovoka amin’ny hoe fiaraha-mitantana. Tsy misy antony anaovana fifidianana, raha tsy avela hamita ny fe-potoam-piasan’ny mpitondra. Raha tsy amin’izay tsy nifanarahana amin’ny tsy famitana izay nampanantenaina, sanatria, ka tsy zakan’ny vahoaka intsony: iandrasany ny farany, na ihetsehany avy hatrany.Izany rehetra izany no anisan’ny mankaloiloy ny maro amin’ny fomba fanaovana politika? Tsy mianga amin’izay tena hetaheta ifotony fa izay hahazoan-toerana fotsiny, anaovana ny fahasarihanam-bahoaka ho fitaovana politika enti-miady sy mitady. Mbola mandaitra sy mahomby ve izany, raha tsy mahavita izay adidy aman’andraikiny ny mpanohitra amin’ny hoe zo ananany isaky ny mihetsika?Rafaly Nd.  L’article Fananan-jo…  maharaikitra adidy        a été récupéré chez Newsmada.

Karibotel 26 Analakely: hanafana ny “After Work” ny tarika Ejema
25/09/2020

Mikarakara  “After Work”, amin’ity, anio, zoma 25 septambra, manomboka amin’ny 7 ora hariva  ny Karibotel Twenty Six Analakely. Hanome hafanana amin’izany ny tarika Ejema,izay tsy zovina amin’ny maro intsony, anisan’ny andrarezin’ny kanto malagasy tsy lefin’ny vanimpotoana. Hovetsoina ao daholo ireo hira anisan’ny nanamarika ny tarika sy ny tena nahafantarana azy rehetra, toy ny “Djarina banou”, ny “Manahiragna”,  ny “Aza ela any”, indrindra  ilay hira vao vita rindrantsary “Zaza Gasy”… Hisy tsy ampoizina samihafa hanomezana fahafahampo ny mpanatrika amin’io “After Work” io, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra. Hisy sakafo sy tsakitsaky isan-karany amin’izany, matihanina rahateo amin’ny fahandroana sakafo malagasy sy ny fikarakarana lanonana ny  Karibotel-Twenty Six Restaurant Bar Lounge eo anoloan’ny hotel de ville Analakely. Efa manomboka miverina tsikelikely ny karazana hetsika isan-karazany, indrindra ny faran’ny herinandro, na dia eo aza ny hamehana ara-pahasalamana.NarilalaL’article Karibotel 26 Analakely: hanafana ny “After Work” ny tarika Ejema a été récupéré chez Newsmada.

Basikety-FMBB: hatambatra ny fanazarantenan’ny ekipam-pirenena sy ny GNBC
24/09/2020

Ho fiomanana amin’ny BAL (Basket afro league) sy ny “Afrobasket 2021”, nanapaka ny federasiona fa hatambatra ny fanazarantena ho an’ny ekipam-pirenena sy ny klioban’ny GNBC. Io ny isan’ny nivoitra nandritra ny fivorian’ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny federasiona ny talata lasa teo tetsy amin’ny ANS Ampefiloha. Mbola hojerena ny fomba hanatanterahana izany satria efa niverina nanao fanazarantena ny ekipan’ny GNBC, hampifandrindrana miaraka amin’izany koa ny an’ny ekipam-pirenena. Raha ny fantatra, saika ny akamaroan’ireo mpilalaon’ny Zandarimaria no mandrafitra ny ekipam-pirenena ka moramora ny fampivondronana azy ireo, raha ny vaovao teo anivon’ny federasiona. Mahakasika ny fifaninanana eto an-toerana indray, miandry tanteraka ny fanampahan-kevitry ny fitondrana ny hanapahana ny tohin’ny fandaharam-potoana ho an’ny FMBB. Isan’izany ny fifaninanam-pirenena N1A, mbola tsy voafaritra, hatreto. Mety hiavaka ihany ny amin’ity andiany 2020 ity satria raha ho raikitra ihany izany, tsy maintsy lalao mandroso tokana ihany ary mazava ho azy fa eto Antananarivo ny hanaovana azy. Tombantombana avokoa anefa izany fa miankina amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha ara-pahasalamana ny fandaharam-potoana rehetra.Marihina fa nanolotra baolina ho an’ny ekipan’i GNBC ny federasiona, nandritra ity fivoriana ity.Mi.Raz L’article Basikety-FMBB: hatambatra ny fanazarantenan’ny ekipam-pirenena sy ny GNBC a été récupéré chez Newsmada.