Kitra – Lalao firahalahiana: tsy ho avy i Metanire, baraingo ny amin’i Amada sy i Paulin

News - Kitra – Lalao firahalahiana: tsy ho avy i Metanire, baraingo ny amin’i Amada sy i Paulin

News - Kitra – Lalao firahalahiana: tsy ho avy i Metanire, baraingo ny amin’i Amada sy i Paulin

Miandry ny valin-tenin’ny
federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) izany sisa dia ho
fantatra izay hanaovan’ny Barea de Madagascar, lalao firahalahiana
eo amin’ny fanomanana ny fihaonana hikatrohana amin’ny Elefantan’i
Côte d’Ivoire. Efa nanaiky i Nicolas Dupuis fa ny Etalons n’i
Borkina Faso no hanaovana izany. Andrasana ihany koa ny daty
hanatontosana ny lalao, izay eo anelanelan’ny 9 ka hatramin’ny 14
oktobra, ho avy izao. Tsy tokony hisy intsony ny olana satria efa
nifampiresaka tamin’io firenena io ry zareo tompon’andraikitry ny
federasiona. Hotanterahina any Lisbonne, Portugal izany lalao
izany. Ankoatra izay, fantatra fa tsy ho anisan’ireo mpilalao
hiatrika izany i Romain Metanire, vodialaharana havanana. Noho ny
tsy fisian’ny sidina miala ao Etazonia mankany Eoropa, ny
anton’izany. Mbola baraingo kosa ny amin’i Voavy Paulin sy i
Ibrahim Amada, izay tena ao anatin’ny fifaninanam-pireneny mihitsy,
ankehitriny. Paulin miatrika izany any Egypta ary i Amada any
Quatar. Mety tsy hisy ihany koa mpilalao avy eto an-toerana na
maniry ny hiantso azy ireo aza i Nicolas Dupuis, noho ny antony
ara-bola. Manam-pikasana ny hampivondrona ireo mpilalao rehetra ao
Frantsa, roa herinandro mialoha ny lalao i Nicolas Dupuis, mba
hisian’ny fiarahana matotra eo amin’ny mpilalao.

Ankehitriny, manao antso avo ny FMF
hifanome tanana sy hifanampy hoentina miatrika io lalao io, izay
zava-dehibe tokoa  satria tsy mbola tomombana ny ara-bola.

 

Tompondaka

 

Article tiré de Newsmada

L’article Kitra – Lalao firahalahiana: tsy ho avy i Metanire, baraingo ny amin’i Amada sy i Paulin a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

MDN: nanatrika ny hetsika iraisam-pirenen’ny fiaramanidina

Notontosaina ny 17 ka hatramin’ny 23 jona 2019 ho avy izao ny fampirantiana iraisam-pirenen’ny fiaramanidina sy ny faritra anabakabaka izay andiany faha-53 izao hetsika iraisim-pirenen’ny fiaramanidina sy ny tontolony fanao any Bourget Paris na “Salon du Bourget 2019”. Tonga nitsidika sy nizaha izany ny tompon’andraikitra voalohany amin’ny sehatra fiarovana ny habakabak’i Madagasikara, ny Jly Rakotonirina Léon Richard, minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN) izay nisolo tena ny filoham-pirenena, ny talata teo. Fotoana ihany koa hamondronana ireo orinasa mpisehatra anabakabaka maneran-tany hatramin’izay nisian’ny fanavaozana ara-teknolojia farany. Hatramin’ny nanombohan’ny fampirantiana iraisam-pirenen’ny fiaramanidina sy ny faritra anabakabaka izay natao tao amin’ny « grand palais tao Paris » dia ny taona 1950 ny fampisehoana ny sidina voalohany tao Orly sy Bourget ary nanomboka teo dia nipaka tonga tamin’ny sehatra maneran-tany ny hetsika. Nandritra ny fitsidihan’ny minisitra ity hetsika ity no nanararaotany nijerena ireo fitaovana mety ilaina sy afaka hanampy amin’ny fampandriana fahalemana izay vina napetraky ny filoham-pirenena ho fampitaovana ny Tafika Malagasy.Jean ClaudeL’article MDN: nanatrika ny hetsika iraisam-pirenen’ny fiaramanidina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

COI: tsara ny asa vita tao anatin’ny 35 taona

Natao ny 2 aogositra teo, tany Moroni, ny fivoriana iombonan’ny minisiteran’ny Rahaham-bahiny aty amin’ny ranomasimbe Indianina (COI). Tsara ny asa vitan’ny COI tao anatin’ny 35 taona. “Tsy mionona amin’izany anefa isika. Tsy maintsy miezaka hatrany isika hihoatra ny sarotra”, hoy ny solontenan’ny Nosy Kaomoro, i Mohamed El-Amine Souef. Ny hahatongavana amin’izany ny rafitra ao amin’ny COI, andraikitry ny filoham-panjakana mpikambana rehetra ny mamaritra politika ho amin’izany.Mandeha amin’izay lalana izay ny hevitra naroson’ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Andriantsitohaina Naina, nilaza fa « fanamby vaovao iombonana izao, ary tsy tokony hifanitsaka ny COI sy ny fikambanana hafa misy antsika satria miray isika eto manome lanja ny tena ilaina sy ny tombontsoa manokana ».Nohararaotin’ny mpivory ny tokony hanavaozana ny rafitra nananganana azy, indrindra momba ny fifanarahana natao tany Victoria, Renivohitr’i Seychelles, ny taona 1984. Fomba fiaingana vaovao indray ny andrasana, ho fanamafisana ny fiaraha-miasa, araka nambaran’ireo mpivory rehetra niray feo. R.MathieuL’article COI: tsara ny asa vita tao anatin’ny 35 taona a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Instat: mila volabe ny fanaovana antontanisa

Tombantombana no betsaka momba ny antontanisa eto Madagasikara. Tsy misy tarehimarika azo antoka, na ny isan’ny mponina aza. Koa raha tiana ny hampandroso ny toekarena, tsy maintsy ilaina ny antontanisa hamaritana ny tokony hatao. “Ny antontanisa no fototra iaingana eo amin’ny toekarena, nefa ny zava-misy samy manao fanadihadiana izay tandrify azy ny rehetra, minisitera sy sampandraharaha samihafa, ka tsy mety izay. Noho izany, mila arindra ny asa rehetra momba ny antontanisa, araka ny fenitra iraisam-pirenena”, hoy ny tale jeneralin’ny Instat*, Romalahy Isoara Zefania.Rehefa samy mamoaka antontanisa ny rehetra, sarotra ny ahafantarana ny tena marina, lasa tombantombana no betsaka. Mahakasika ny isan’ny mponina, ohatra, firy marina, 20, 23, 25 tapitrisa ? Tsy misy afaka manamarina izany. Koa nampahatsiahy ny lalàna vaovao, navoaka ny taona 2018, ny ao amin’ny Instat ny tokony hanomezana Tahiry manokana hiasana ho an’ny fitrandrahana antontanisa (FDS)*.Mila volabe ny fanaovana antontanisa, indrindra fa midadasika i Madagasikara, sarotra ny lalana fandehanana any amin’ny faritra maro sy fitaovana hoenti-miasa ho amin’izany. Fanangonana antontanisa tsy ataotao foana “1+1”, ohatra, fa mitaky teknika sy kajy samihafa hoenti-manatanteraka azy. Noho izany, ilaina ihany koa ny olona manampahaizana momba izany amin’izao andron’ny fivoaran’ny teknolojia izao.“Hatramin’izay, miankin-doha…”“Hatramin’izay miankin-doha amin’ny hafa momba ny famatsiam-bola ny Instat vao afaka manao ny asany, nefa miteraka lesoka lehibe izany raha mbola izay hatrany ny fomba fiasa”, hoy ny tale jeneralin’ny Instat. Mahaleotena afaka miasa tsara ny Instat rehefa manana io tetibolany io. Miainga avy amin’izany ny amoahana isaky ny roa na telo taona ny tahan’ny tsy fananan’asa, tahan’ny fahantrana, sns … Ahafahana mamaritra tetikasa mazava sy tetibola mifanaraka amin’izany ny fahalalana ireo. Hatramin’izay anefa ny Instat, sampana iray ao amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola. R.Mathieu Instat* : Institut national de la statistiqueFDS* : Fond de développement de la statistiqueL’article Instat: mila volabe ny fanaovana antontanisa a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiaraha-miasan’ny Men sy ny Unucef: nojerena ny olana fototra momba ny akany fibeazana

Raha ny salanisa, 30,26%-n’ny ankizy malagasy ihany no tafiditra an-tsekoly. Misitraka ny sekolim-panjakana (EPP) ny 60%-n’ireo ankizy ireo. Maro ny antony mahatonga ny sakana tsy hahafahan’ny ankizy mihazo ny sekoly. Voalohany amin’izany ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny. Eo indrindra koa ny fahalaviran’ny sekoly miala amin’ny trano fonenana.Mbola vesatra ho an’ny ray aman-dreny ihany koa ny fanohanana ireo mpampianatra Fram tsy hanefana vola, ny fitaovana ho an’ny mpianatra… Ny alarobia teo, nisy ny atrikasa fizahana ifotony ny olana sedraina momba ny akany fibeazana, izay niarahana amin’ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana.Tohin’ny efa notanterahina tany Antsirabe tamin’ny volana febroary teo ity natao ity. Nisy ny fifanakalozan-kevitra tamin’ny alalan’ny “visio-conférence” niarahana tamin’ny tenkisianin’ny Unicef. Nilaza ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena (Men) fa hamolavola paikady ho fampiroboroboana ny akany fibeazana ao anatin’ny fampiharana ny teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana (PSE). Nahazoana tohana ara-teknika avy amin’ny tetikasa eo anivon’ny biraom-paritry ny Unicef aty Afrika Atsinanana sy Afrika Australe izany.Tatiana AL’article Fiaraha-miasan’ny Men sy ny Unucef: nojerena ny olana fototra momba ny akany fibeazana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Miantso vonjy mafy: sahirana tanteraka ny mpanao hiragasy

“Nambaran’ny Filoham-pirenena tamin’ny alahady teo fa efa afaka misokatra ny hiragasy. Tsy azo atao anefa ny mamory olona mihoatra ny zato”, hoy i Ramilson (Dadafara) filoha lefitry ny Federasion’ny mpihiragasy, omaly. “Anteriko hatrany fa any ambanivohitra no tena hiasanay. 40 olona ny mpikambana ao anatin’ny tarika mpanao hiragasy iray. Izany hoe, 80 olona eo ho eo raha tarika mpihiragasy roa no mifanandrina. Mpijery 20 ange izany dia tratra io isa 100 io e! Amin’ny fomba ahoana no hamerana ny mpitia hiragasy ho 20 amina adin-kiragasy iray?”, hoy hatrany izy nanazava ny fomba fiasan’ny mpanao hiragasy. Nohamafisiny fa “sahirana tanteraka ny mpanao hiragasy. Tarika mpanao hiragasy iray anefa mamelona olona 200 mahery. Ny asa tsy afa-mandeha. Sahirana tanteraka izahay ka miangavy ny Filoham-pirenena sy ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga, vonjeo ny mpanao hiragasy. Ampio izahay fa tena tafahitsoka lalina ao anatin’ny tsy fahampiana. Ilay hoenti-miatrika ny fiainana andavanandro mihitsy no efa tsisy intsony”.Nomarihn’i Dadafara Ramilson hatrany fa “raha misy zavakanto sy kolontsaina mitahiry sy mahatahiry ireo soatoavina malagasy, voalohany ny hiragasy. Mitaiza sy manabe ny Malagasy ho tia ny kolontsainy izahay. Izany hoe, rehefa mijanona sy tsy afa-manao na inona na inona tahaka izao ny mpihiragasy, midika izany fa mihena ny isan’ny mpanabe”. Notsiahiviny, omaly, ihany koa fa tafalatsaka tanteraka amin’ny fotoam-piasan’ny mpihiragasy (maintany) ny fisian’ny valanaretina covid-19. “Vao mainka hitofezaka tanteraka ny mpanao hiragasy raha vao tafiditra ao anatin’ny fotoam-pahavaratra isika satria tsy misy, na iray aza, adin-kiragasy afaka atao ao anatin’io vanim-potoana io. Noho izany, mitaraina sy mangata-bonjy aminao izahay, Andriamatoa Filoham-pirenena, ampio izahay fa mijaly tanteraka”, hoy hatrany ny filoha lefitry ny Federasion’ny mpikabary eto Madagasikara.HaRy Razafindrakoto L’article Miantso vonjy mafy: sahirana tanteraka ny mpanao hiragasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tovolahy mamon-drongony: olona fito maty nofirainy antsy, matin’ny olona koa izy avy eo

Tsy namelan’ny olona raha tsy matin’izy ireo ny tovolahy iray, voalaza fa mamon-drongony, ka nahafaty olona fito sy nandratra olona 12 hafa tao amin’ny fokontany Mandritsara, kaominina ambanivohitr’i Matanga, distrikan’i Vaingandrano, ny alakamisy lasa teo. Olona sendra nifanena taminy teny an-dalana ireto niharan-doza tampoka ireto. Araka ny fanazavan’ny ben’ny Tanànan’i Matanga, i Bekamisy, manao fihetsika mahery setra toy izao isaky ny mifoka rongony ity tovolahy ity. Firainy antsy avokoa izay olona mifanena aminy. Marobe ireo olona efa naratra avy nofirain’ity tovolahy mamon-drongony ity. Samy tsy nisy nanampo na inona na inona rahateo olona. Voalaza fa tsy miteny rahateo izy fa izay sendra azy, tratran’ny fira antsy avy hatrany. Niteraka hatezerana teo amin’ny fokonolona any an-toerana izany ka niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany ity tovolahy nahavanon-doza ity. Vokany, maty tsy tra-drano ilay tovolahy mamon-drongony. Nampidirina hopitaly kosa ireo naratra ary efa lasan’ny fianakaviany ny fatin’ireo niharam-boina. Nidina tany an-toerana avy hatrany ny borigadin’ny zandary ao Vaingandrano ary efa milamina ity raharaha vonoan’olona sy fandratrana olona tao Matanga ity. J.C    L’article Tovolahy mamon-drongony: olona fito maty nofirainy antsy, matin’ny olona koa izy avy eo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Voile: mitaraina ireo mpilalao malagasy

Nanambara ireo mpilalao voile (kitesurf /windsurf) malagasy fa tratry ny kiantranoantrano, amin’ny fandefasana ireo solontena malagasy miatrika ny « Lalaon’ny Nosy », atsy Nosy Maorisy, izy ireo. Nambaran-dRazafindrasata Tsiry, filohan’ny fikambanana MKA (Madagascar Kiteboarding Association), fa araka ny vaovao voarain’izy ireo, zanak’olona ao anatin’ny federasiona malagasin’ny voile ny nalefa hisolo tena an’i Madagasikara any amin’izany fihaonambe iraisan’ny Nosy, aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, izany.Nomarihiny fa tsy nisy fifaninanana fifantenana nataon’ny federasiona nahalalana izay mendrika handeha amin’io « Lalaon’ny Nosy » io fa notendrena fotsiny avy hatrany ireo atleta lahy iray sy vavy iray nankany Maorisy, miampy mpanazatra iray.Misy anefa ireo Malagasy tena mpiangaly sy mahafehy tsara io taranja voile io izay mampanao fiofanana any Antsiranana, amin’izao fotoana izao, raha ny fanambaran’i Tsiry. Izy ireo izay tsy nisy nantsoin’ny federasiona na nampahafantarina mikasika ny « Lalaon’ny Nosy ».« Araka izany, naneho ny alahelony ireo mpiangaly taranja voile (kitesurf/windsurf), izay mahatsapa tena fa afaka misolo tena an’i Madagasikara tsara ary tsy matahotra ny hihaona amin’ireo Reonioney sy Maorisianina ny amin’ny handrombahana medaly, saingy izao tratry ny resaka akamakama izao », hoy ny fitarainan’izy ireo. TorcelinL’article Voile: mitaraina ireo mpilalao malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsy mifantoka intsony ny mpianatra: mangataka ny hamerenana ny tetiandrom-pampianara teo aloha ny ray aman-dreny

Mametraka olana sahady ny fotoana fanombohana ny taom-pianarana vaovao ary milaza ny ahiahiny ny ray aman-dreny sy ny mpanabe. Efa nanamafy ny minisitra mpiahy fa hotazonina ny tetiandro teo aloha ka miandry ny fampiharana izy ireo.Mangataka ny ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny sekolim-panjakana, haverina amin’ny teo aloha ny tetiandrom-pampianarana. Manomboka ny volana oktobra ny taom-pianarana ka mifarana ny volana jolay ary miaraka amin’izany ny fanatontosana ny fanadinam-panjakana telo sosona. Nisy ny fivoriana sy fampahafantarana izany hetaheta izany teny amin’ny tokotanin’ny lycée Jean Joseph Rabearivelo,omaly. Fangatahana avy amin’ny ray aman-dreny izany fa mampita fotsiny ny mpampianatra. Ireto farany rahateo mahatsapa fa tsy mifantoka intsony ny mpianatra raha vao dila ny volana jona ho an’ny ambaratonga voalohany. Tsy mandray ny fampianarana koa ny ambaratonga faharoa sy fahatelo, manomboka ny volana agositra, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny zone d’administration pédagogique eto Antananarivo, Njatovola.Fiombonan’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana no naseho omaly ary nandray anjara ny ray aman-dreny sy ny mpanabe. Tsy maintsy miaritra kely aloha ny mpianatra satria hiditra ny volana oktobra nefa ny volana septambra vao niala sasatra. Afaka jerena koa ny fandaminana ho an’ny fidiran’ny mpianatra kilasy famaranana satria izy ireo no tena tsy manana fotoam-pialan-tsasatra mihitsy. Hotanterahina ny 30 septambra ka hatramin’ny 4 oktobra ho avy izao ny dingana voalohany ho an’ny fanadinam-panjakana bakalorea iarahan’ny fampianarana ankapobeny sy teknika. Ny 7 oktobra hatramin’ny 10 oktobra kosa ny dingana faharoa ho an’ny fampianarana teknika fotsiny.Mety hitombo ny tahan’ny tsy fidirana an-dakilasy  Mahatsapa ny mpanabe fa hosahirana ny ray aman-dreny raha hanomana ny fidirana ao anatin’ny fotoana maitsoahitra raha heverina fa ny volana marsa ny fanombohana ny taom-pianarana voasoratra ao amin’ny Teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana (2017-2021). Efa nampiharina io tetim-pivoarana io ary tsapa ny lesoka indrindra ho an’ny fotoana fanombohana ny taom-pianarana. Manahy izy ireo fa vao mainka hitombo ny tahan’ny tsy fidirana an-tsekoly raha hotohizana ny fanakisahana ny tetiandrom-pampianarana.Tsy hevitry ny ray aman-dreny ao anatin’ny Dren Analamanga irery izany fa iraisan’ny faritra maro, hoy ny mpanabe. Mangataka ny hamoahana haingana ny tetiandro izy ireo hanomanana sahady ny taom-pianarana vaovao. Vonjy A. L’article Tsy mifantoka intsony ny mpianatra: mangataka ny hamerenana ny tetiandrom-pampianara teo aloha ny ray aman-dreny a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fivadiam-pitokisana :: Lehilahy, 55 taona, nangalatra môtô

Voasambotra teny Andravoahangy, afak’omaly, maraina ny lehilahy iray, 55 taona, noho ny raharaha fivadiham-pitokisana tamina fividianana môtô. Nividy môtô iray mitentina iray tapitrisa ariary tamin’olona io lehilahy io, tamin’ny volana marsa lasa teo. Tsy voaloa anefa ny vidiny saingy nentiny sy tsy naveriny intsony ny môtô. «Nifanarahana fa hatao intelo mandoa ny vidin’ny môtô. Telo hetsy ariary no efa naloan’ ilay mpividy ka nentiny ny entana. Tsy hita popoka izy taorian’izay. Tsy voaloa ny ambim-bola», araka ny nambaran’ny mpanao famotorana. Nametraka fitarainana ny mpivarotra. Nanao fanadihadiana ny polisy. Noraisim-potsiny tetsy Andravoahangy ilay voatondro ho mpangalatra. Niaiky ny fahadisoany itsy farany saingy efa namidiny tamin’olon-kafa ny môtô, araka ny fanampim-panazavana hatrany. L’article Fivadiam-pitokisana :: Lehilahy, 55 taona, nangalatra môtô est apparu en premier sur AoRaha.

News - Midi Madagasikara

Histoire : Les Réunionnais d’Antsiranana dans les années 20

François De Mahy, député de La Réunion, était acquis à la colonisation de Madagascar et encourageait ses compatriotes à s’installer sur la Grande île. Après Vohemar, la ville de Diégo-Suarez accueillait énormément de Réunionnais qui accaparaient les terres cultivables. Ces colons s’installaient dans l’Ouest de la ville comme Namakia puis Ambohimanarina, dans la partie Nord-Ouest, et constituaient une petite colonisation. Durant l’âge d’or des colons dans les années 20, les créoles bénéficiaient de beaucoup de terres et de concessions. Ils promettaient fidélité à l’administration coloniale. Les colons réunionnais avaient un rôle non négligeable dans la vie politique de Diégo-Suarez. Ils influençaient les Malgaches, sous prétexte que la France était une mère civilisatrice. On trouvait ces créoles dans la partie Sud et Sud-Ouest de la ville de Diégo, comme Joffreville et Antsalaka. Toutefois, ils n’étaient pas toujours des colons et n’étaient pas forcément tous des pro-coloniaux. Certes, ces colons réunionnais vivaient majoritairement à la campagne ou dans les zones périphériques de Diégo-Suarez, mais comme la ville était une zone portuaire et stratégique, on trouvait leurs compatriotes qui travaillaient dans l’arsenal. Les travailleurs étaient plus actifs dans la vie politique de la ville. Contrairement à leurs compatriotes de la campagne, certains d’entre eux étaient victimes d’abus de la part des autorités locales. Iss Heridiny L’article Histoire : Les Réunionnais d’Antsiranana dans les années 20 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Histoire : Les Réunionnais d’Antsiranana dans les années 20 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Hiatrika ny “Miss Monde”: hiady ho an’ireo zaza kambana any Mananjary i Nellie
23/09/2020

Nitodika manokana amin’ny hoavin’ireo zaza kambana avy any Manajary, fehezin’ny fomba ho tsy azo taizana miaraka, ny “Miss Madagasikara”. Vonona hanome tanana azy amin’izany ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina.Tsy hatsaran-tarehy sy bika ihany… Anisan’ireo hitsarana ireo tovovavy mifaninana amin’ny “Miss Monde” ihany koa ny fahaizana manohana hevitra, amina tranga iray mety hampisy sakana amin’ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny. Hiatrika ny andiany faha-70 amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity i Anjaratiana Nellie, nisalotra ny anaram-boninahitra “Miss Madagasikara 2020”. Nisafidy ny hiady ho an’ny zon’ireo zaza kambana avy any Mananjary izy mandritra izany. “Hataoko amin’ny fo izay azoko atao momba ity ady ity. Tokony ho fantatr’izao tontolo izao ny zava-misy mahazo ireo zaza kambana any Mananjary, izay noho ny fomba amam-panao, tsy mahazo miara-monina. Fantatro fa sarotra izany, saingy te hitondra izay kely vitako amin’ny fanatsarana ny hoavin’ireo zaza ireo amin’ny fandraisako anjara amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity”, hoy ny nambaran’i Nellie, omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Nitsidika sy nihaona tamin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Andriatongarivo Lalatiana, mantsy ny “Miss Madagasikara”, omaly. “Mahafaly anay eto amin’ny minisitera ny miara-dalana amin’i Nellie sy manohana azy amin’izao dingana lehibe hatrehiny izao. Hitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara izy ka tena mila ny fanohanan’ny Malagasy rehetra”, hoy ny nambaran’ny minisitra. Raha tsiahivina, natao tamin’ny alalan’ny fampitan-davitra ny dingana fifanintsanana tamin’ny fifaninanana, nisafidianana ny Miss Madagasikara tamin’ity taona ity. Ny 17 jolay kosa ny dingana famarana, tetsy amin’ny Arena Ivandry, ka nivoaka ho tompon’ny anaram-boninahitra i Nellie. “Raha ny tokony ho izy, tontosaina ny volana desambra isan-taona ny fifaninanana “Miss Monde”. Noho ny toe-draharaha iraisam-pirenena misy anefa, mbola tsy nanapaka daty ofisialy ny komity. Na izany aza, efa mivonona amin’ny fikarakarana rehetra izahay mba tsy hitsanga-menatra ny solontenantsika”, hoy ny nambaran’i Ginah Vidot, filohan’ny komitim-pirenena mikarakara ny “Miss Madagasikara”, na ny CNMM.Zo ny AinaL’article Hiatrika ny “Miss Monde”: hiady ho an’ireo zaza kambana any Mananjary i Nellie a été récupéré chez Newsmada.

Fahitana razana :: Karàna lahy nihantona tetsy Ivandry
21/09/2020

Hita faty nihantona tao amin’ny trano iray, tetsy Ivandry, ny lehilahy karàna iray, tamin’ny sabotsy maraina tokony ho tamin’ny 11 ora. Tsy fantatra hatreto na namono tena na nisy namono izy. Rahalahin’i Moustapha, izay karohina noho ny raharaha fakàna an-keriny, ity namoy ny ainy. Mbola manjavozavo ny zava-nitranga, hatramin’ny omaly. « Efa naiditra am-ponja, teny Tsiafahy, niaraka tamin’ itsy rahalahiny itsy io Karàna hita faty io, nandritra ny Tetezamita farany, teto amin’ny firenena. Voarohirohy tamin’ny fanapoahana baomba teny amin’ny magazay lehibe iray tetsy Tsaralalàna izy roa lahy, tamin’izany fotoana izany », araka ny fanampim-baovao amin’ny mpitandro filaminana. Famotsiam-bola ? « Manomboka ny famotorana  momba an’io Karàna hita faty nihantona io izahay. Tsy vahiny aminay ny anarany satria voatonontonona matetika amin’ny fanaovana trafikana volamena izy sy ny rahalahiny (Naotin’ny fanoratana : Moustapha). Efa heno koa ny anaran’izy ireo tamin’ny raharaha famotsiam-bola mitentina telo hetsy dôlara isan’andro tao amina banky iray teny Antsahavola », hoy hatrany ny loharanom-baovao. Loharanom-baovao teny amin’ny Zandarimaria no nahalalana fa isan’ireo karohin’ny Zandarimaria misahana ny heloka bevava i Moustapha. « Voarohirohy amin’ny raharaha fakàna an-keriny karàna teto Madagasikara i Moustapha. Nisy nitifitra teny Analamahitsy izy, taona vitsy lasa izay, ka naratra mafy. Lasa nitsabo tena any La Réunion no nialany teto Madagasikara », hoy ny avy amin’ny Zandarimaria. Ireo Polisy misahana ny heloka bevava (BC), izay manao ny famotorana momba an’izao tranga farany tetsy Ivandry izao, no miahiahy ny amin’ny mety ho fifandraisan’ny zava-nisy sy resaka valifaty. « Tsy azo lavina ihany koa anefa ny mety ho famonoantena. Ho hita eo ny marina, aorian’ny famotorana », hoy ny BC. L’article Fahitana razana :: Karàna lahy nihantona tetsy Ivandry est apparu en premier sur AoRaha.

Fitsirihana vesatry ny fiara vaventy: tsy vonona hanara-dalàna ireo kamiao mpitatitra
22/09/2020

Nanao hetsika fitokonana teo amin’ny “Station de pesage” eo Ambohimalaza ireo mpamily kamiao, ny herinandro teo. Hita taratra ny tsy fahavononan’ny sasany ho amin’ny fanarahan-dalàna.Mitady hihoa-pefy ? Anisan’ny notakin’izy ireo ny fampitahana ny fandanjana natao tany Tsarakofafa Toamasina sy ny eo Ambohimalaza. Tsy azo natao anefa izany noho ny tsy fandehanan’ny jiro teo Ambohimalaza. Nangataka ihany koa izy ireo ny tsy hampidina ireo vesatra mihoatra entin’ny kamiao fa handoa onitra fotsiny ihany, araka didim-panjakana lah 27 252/2019, mametraka ireo fepetra sy sazy vaovao amin’ny fitsirihana ny vesatra eny amin’ny làlam-pirenena.Fijerena ny marimaritra iraisanaTsy misy intsony anefa ny “derogation” amin’ny tsy hanao ny fampidinana ny entana fa tsy maintsy ampidinina avokoa ireo entana amin’ny lanja mihaotra, ary aloa ny lamandy.Etsy an-daniny,  efa nisy koa ny fifampidinihina sy fifampiresahana teo amin’ny tompon’andraikitry ny ministeran’ny Fitaterana sy ny fizahan-tany ary ny famantarana ny toetr’andro  sy ny eo anivon’ny ministeran’ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (MATP)  niaraka tamin’ireo fikambanan’ny mpitatitra. Nojerena tamin’izany ny marimaritra iraisana ka nampitomboana ny vesatra ambony indrindra afaka entiny ao anatin’io didim-panjakana voalaza etsy ambony io.Tsy vonona hanara-dalànaTsy mivonona ny hanara-dalàna  izy ireo raha miainga amin’ny fihetsika ataon’ireo mpitatitra ireo izao. “Tsy mijery ny fikojana sy fitandremana ny fananana iombonana sy ny tombotsoan’ny be sy ny maro mpampiasa lalana”, hoy ny eo anivon’ny MATP.Tsiahivina fa natao hikajiana ireo fotodrafitrasan’ny làlana tsy ho simba mialoha ny fe-potoana napetraka ny famerana ny vesatra ambony indrindra azo entina amin’ny lalam-pirenena.Hampitomboana ny sazy…Araka izany, nanapa-kevitra ny MATP amin’ny alàlan’ny Agence Routière (AR), sampan-draharaha misahana ireo toerana fitsirihana vesatra fa hasiana fampitomboana ny sazy aloan’ireo mpitatitra tsy manaiky hampidina ny entana miohatra.Synèse R.L’article Fitsirihana vesatry ny fiara vaventy: tsy vonona hanara-dalàna ireo kamiao mpitatitra a été récupéré chez Newsmada.

Adihevitra… mampandroso      
21/09/2020

          Mafanafana ny tontolo politika amin’izao? Tsy inona fa ny adihevitra ny amin’ny maha ara-dalàna na tsia ny fanatanterahana ny fifidianana loholona, amin’ny 11 desambra ho avy izao. Amin’izany, samy manana ny filazany, ohatra, na ny mpanao politika, na ny avy amin’ny firaisamonina sivily; eny, na ny samy mpahay lalàna aza.Mahavalalanina sy mahafanina ny olom-pirenena tsotra mpanara-maso ny raharaham-pirenena; tsy mpanara-maso fotsiny aza, fa mpandray anjara amin’izany: inona ny marina? Na ny ara-dalàna, ny tsy azo ialana, ny tokony hatao… Lalàna iray izao, ohatra, no hoe lazaina, nefa samy manana ny filazany be ihany itsy sy iroa.Arakaraka ny toerana misy ny tsirairay ny fanazavana? Na fanamaizinana sy fanakorontanana… Tsy mbola milamina tsinona ny adihevitra. Tafiditry ny politika na avadiky ny sasany ho izany ho azy ny raharaha ka tsy hita intsony izay marina hoe tena araka ny lalàna velona. Soa ihany, misy ny rafitra tompon’ny teny farany ny amin’izany.Na eo aza izany, ny tsy azo lavina sy tsy takona afenina: mibahan-toerana loatra ny politika amin’izay atao sy ny mitranga rehetra: paipaika sy kajikajy amin’izay misy ny tena. Arakaraka izay tadiavina sy arovana amin’izany no andikana ny lalàna? Hany ka na izay heverina ho tena marina izao aza, avadiky ny sasany ho politika hatrany.Rahoviana vao tena handeha ho azy amin’ny raharaham-pirenena ny tena fanajana sy fampiharana lalàna? Tokony handeha ho azy ho an’ny rehetra izay, hahasaro-piaro azy amin’izay mitranga sy atao rehetra: tsy vonjivonjena, tsy ifandroritana, tsy ifampiandrasana kendry tohina, tsy atao amin’izay mahametimety ny tena.Anisan’ny fototra sy fositra koa ny tsy fahazarana mijery lavitra amin’izay atao. Hany ka mampiady an-toerana zary fanakorontanana izay mety ho fanehoan-kevitra am-poto-moty, na adihevitra, na fanitsiana… Tena jerena amin-kitsim-po ve izay hahasoa ny firenena ho amin’ny fampandrosoana, na tsy mitovy aza ny fijery?Rafaly Nd.  L’article Adihevitra… mampandroso       a été récupéré chez Newsmada.

Fifindran’ny valanaretina: olona enina vao tonga avy any Eoropa mitondra ny Covid-19
23/09/2020

Mbola mampanahy ary mety ho tonga amin’ny tampody fohin’ny Coronavirus. Nambaran’ny eo anivon’ny CCO, omaly, fa misy olona enina vao tonga avy amin’ny sidina avy any Eoropa, mitondra ny tsimokaretina Covid-19.“Misy olona enina vao tonga avy any Eoropa mitondra ny tsimokaretina… Tsy maintsy atao fitiliana ireo mpandeha iray fiaramanidina vao tonga. Miaraka atoka-monina avokoa izy ireo avy eo ary efa tafiditra anatin’ny paikadin’ny fanjakana izany. Mitohy ny fanaraha-maso sy ny fitsaboana azy ireo, tahaka ny efa natao amin’ireo nitondra ny Coronavirus hatramin’izay ihany”, hoy ny mpitondra tenin’ny CCO, ny Pr Vololontiana Hanta, omaly. Midika izany fa tsy voahaja ny fepetra tany amin’ny firenena niaingana, ny amin’ny tsy maintsy hanaovana fitiliana 48 ora, mialoha ny hahatongavana eto Madagasikara.Miisa 25 ny tranga vaovao any DianaHampanahy koa ny hisokafan’ny sidina Nosy Be sy ny any ivelany, ny 1 oktobra izao, sy ny hanokafana ireo serana-piaramanidina vitsivitsy eto amintsika amin’ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina, ny 29 oktobra izao.Etsy andaniny, niakatra tampoka indray ny antontanisa navoakan’ny CCO, omaly. Miisa 63 ireo tranga vaovao amin’ny fitiliana natao miisa 598. Enina amin’izany ny avy eto Analamanga. Miisa 13 ny any Alaotra Mangoro raha telo ny any Vatovavy Fitovinany. Iray kosa ny any Boeny raha sivy ny any Diana ary miisa 25, anisan’ny maro indrindra, ireo nifindran’ny valanaretina any Sava.Mamahatra any avaratry ny Nosy ny Covid-19Mbola mamahatra any avaratry ny Nosy izany ny Coronavirus hatramin’izao. Niampy iray indray kosa ny maty ka tafakatra 226 izany izao ireo lavon’ny Covid-19 hatramin’izao. Tsy niova fa mbola miisa 20 ireo anaty fahasarotana amin’izao fotoana izao.Na izany aza anefa, miisa 61 ireo sitrana. Tafakatra 14 743 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo 16 136 mitondra ny tsimikaretina Covid-19. Miisa 1 165 ireo mbola tsaboina sy arahi-maso ny fahasalamany.Miisa 68 375 ireo fitiliana PCR vita raha miisa 7 221 ny fitiliana GenExpert.Synèse R.L’article Fifindran’ny valanaretina: olona enina vao tonga avy any Eoropa mitondra ny Covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Ny amisavisana ny ratsy… itandreman-tena           
24/09/2020

         Ho vita amin’izay ny ady mivantana amin’ny valanaretina Covid-19? Na ho ela na ho haingana, tsy vita ho azy miaraka amin’izany ny fepetra ara-pahasalamana hita izao fa mahasoa sy mahatsara ka hoe tsy mila tohizina intsony: fitandroana mandrakariva ny fahadiovana na aiza na aiza, fifampitsinjovana amin’ny fiarovan-tena hiarovana ny hafa amin’ny fihanaky ny valanaretina…Na ahoana na ahoana, tsy ilaozan’ny valanaretina manana ny fotoany isan-taona: pesta, tazo… Ho toy izany koa, sanatria, ny Covid-19… aretim-baovao tsy mbola fantatra be ihany? Izay no itandremana sy iambenana. Nefa amin’izao fialana miandalana amin’ny fihibohana tanteraka izao, maro ny tsy te hisahirana intsony amin’ny fitondrana arotava, ny fanasan-tanana matetika, ny fanajana ny elanelana iray metatra…Hanao ahoana ny havoakan’ny ampitso amin’izany? Misy amin’ireo firenen-dehibe amin’izao no nanaovan’io valanaretina io tampody fohy tsy nampoizina. Voatery manao fiaingana vaovao amin’ny ady, miverina amin’ny fihibohana. Fahatokisan-tena? Na tsy fitandremana, na tsy fijerena lavitra, na maika tsy faingana tsy amin’ny antony… Ilaina ny maka lesona amin’ny lesoka hita amin’ny hafa.Tsy mbola foana tanteraka akory ny tsimokaretina: tsy hita maso, mora mihanaka, tsy mifidy olona… Efa hadino na tsy mampiraika intsony izany rehetra izany amin’izao? Mihavitsy ny mitondra ny tsimokaretina, mitombo isa ny marary sitrana… Nefa tsy mbola mahazatra ny aretina, na fantatra sy voafehy tanteraka. Ny tena no mila mifehy tena, manana faharetana. Ny firenen-dehibe aza voafitaka?Na heverina ho voafehy aza ny valanaretina, misy ny fanefitra sy ny fitsaboana: mila mitandrina sy miaro tena mandrakariva… Toy izay atao amin’ny fiatrehana ny areti-mifindra hafa izay amin’ny fotoany: pesta, tazo… Sao mafy no ho ny voalohany ny faharoa, raha izao, sanatria, no manao tampody fohy amin-kery ny valanaretina. Ny amisavisana ny ratsy, hiavian’ny soa. Itandreman-tena indrindra koa…Rafaly Nd.L’article Ny amisavisana ny ratsy… itandreman-tena            a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Lalao firahalahiana: Barea 23 hidona amin’ny Etalons Borkina Faso
17/09/2020

   Izay vao tena raikitra ny lalao firahalahiana, ataon’ny Barea de Madagascar eo amin’ny fiomanana ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny Can 2021. Hidona amin’ny Etalons-n’i Borkina Faso ry zalahy, amin’izany.Nampahafantarina tamin’ny mpanao gazety, omaly maraina, teny amin’ny foibe toeran’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), teny Isoraka fa hotanterahina ny asabotsy 10 oktobra ho avy izao, any Lisbonne Portugal ny lalao firahalahiana hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Etalons-n’i Borkina Faso. Fihaonana, tafiditra ao anatin’ny fanomanantena mialoha ny hiatrehana ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny Can 2021.Mpilalao 23 mirahalahy no nantsoin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika izany. Tsy misy fiovana firy ny firafitry ny Barea fa saika ireo efa nahalalana azy hatrizay, miampy ireo vao nantsoina toa an’i Hery Bastien, i Sylvio Ouassiero, i Alexandre Ramalingom ary i Hakim Abdallah. Tsy ao anaty lisitra intsony i Dax sy i Njiva. Tsy misy mpilalao avy eto an-toerana ity Barea hidona amin’i Borkina Faso, ity. Ankoatra izay, naverina i William Gros. Natao mpilalao fiandry (réserve), i Toavina Debakely sy i Bakary Mario. Hanomboka ny 5 oktobra izao ny fampivondronana ireo mpilalao rehetra ka hatao any Frantsa izany, araka ny vaovao voaray.Mety hijanona amin’ity lalao hikatrohana amin’i Borkina Faso ity ihany, araka izany, ny fihaonana firahalahiana ataon’ny Barea de Madagascar raha voafaritra fa ho roa tany am-boalohany. Tompondaka  Ireo mpilalao 23 nantsoina ho Barea de Madagascar-Mpiandry tsatoby : Melvin Adrien, Ibrahim Dabo-Vodilaharana : Jeremy Morel, Thomas Fontaine, Jerome Mombris, Bapasy, Romain Metanire, Sylvio Ouassiero, Bakary Mario-Irakiraka : Hery Bastien, Abel Anicet, Ilahimaharitra Marco, Raveloson Ryan, Ibrahim Amada, Zotsara, Toavina Debakely-Lohalaharana : Dimitri Caloin, Ramalingom Alexandre, Hakim Abdallah, Carolus, Voavy Paulin, Bôlida, William Gros L’article Kitra – Lalao firahalahiana: Barea 23 hidona amin’ny Etalons Borkina Faso a été récupéré chez Newsmada.

Misaona ny “Rallye”: nodimandry Ratsifandrihamanana Nirina
21/09/2020

Misaona indray ny tontolon’ny taranja fanamoriana fiarakodia satria nindaosin’ny fahafatesana, ny asabotsy lasa teo, tao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha, Ratsifandrihamanana Nirina, 62 taona, mpanamory avy amin’ny klioba FMMSAM. Ny aretim-bavony efa nahazo azy nandritra ny fotoana naharitra no nitarika ny fahafatesany. Raha tsiahivina, ny taona 1992 i Nirina no nanomboka niditra teo amin’ny sehatra ny fanatanjahantena mekanika ka nisantarany izany ny “course de côte”, nitondrany ny fiara P.104. Niditra nanao “rallye” kosa izy, ny taona 1994 ka nitondra ny fiara P.106, ary nifaninana tao amin’ny sokajy “2 roues motrices”, izay efa nahazoany anaram-boninahitra maro. Ny p.206 no fiara nentiny nifaninana farany ka nahatonga azy ho tompondakan’i Madagasikara , teo amin’ny M11 2 roues motrices, ny taona 2019, niaraka tamin’i Alcazaria Jr. Nomeny anarana hoe : Baomba kely avokoa ireo fiara rehetra nentiny nifaninana. Efa mpandray anjara tamin’ny “Run” ihany koa i Nirina. Ankoatra ny fanamoriana fiarakodia, efa tompondaka tamin’ny taranja lomano, tany amin’ny taona 1974, 1975 ihany koa Itompokolahy. Namela mananon-tena sy kamboty vavitokana i Nirina. Raha tsy misy ny fiovana, alevina amin’ity alatsinainy ity ny nofomangatsiakany. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny tontolon’ny rallye, izahay eto amin’ny Gazety Taratra. Torcelin sy Mi Raz L’article Misaona ny “Rallye”: nodimandry Ratsifandrihamanana Nirina a été récupéré chez Newsmada.

Entim-paharazana sy entim-pahazarana       
22/09/2020

         Sarotra ny miala amin’ny mahazatra? Toetra nanahary faharoa ny fahazarana. Fialana sy fanamarinan-tena ataon’ny tsy te hiova na hanova zavatra mandrakariva ireo fomba fiteny ireo. Tsy eto amintsika ihany, fa saika maneran-tany. Raha vao manao fanovana ny fitondram-panjakana, ohatra, saika misy hatrany ny mitsikera avy hatrany, manatsatso, mamendrofendro; eny, manohitra aza.Toetra maha olombelona ny fifikirana amin’izay mahazatra zary fomba amam-panao? Mandeha ho azy, tsy manahirana… Efa raiki-tampisaka sarotra ovaina tsinona, ary misy aza ny mitompo teny fantatra sy miziriziry fa tsy azo ovaina. Hafahafa ny tena raha tsy manao sy manohy azy. Eo ny mahatonga ny fitenenana hoe efa entim-paharazana aza amin’izay entim-pahazarana fotsiny amin’ny ataony.Manao ahoana anefa izao tontolo izao raha nifikitra hatrany amin’izay hoe nentim-paharazana sy nentim-pahazarana izay hatramin’izay? Saika nitondra faisana hatrany izay nilaza hevi-baovao sy nitondra zava-baovao: haratsiana, esoina, enjehina… Saingy rehefa manao sy manohy ny ataony izy ireny, tsy ilaozan’izay mandinika, manaraka, manandrana, resy lahatra, maka tahaka… Lalan-javatra izay?Manomboka eo amin’ny tena ny fiovana raha te hanova? Tsy moramora sy tsy vetivety izany, fa mila fijoroana, fahasahiana, firosoana, faharetana… Inona no iresahana izany amin’izao? Mampandini-tena. Tena te handroso tokoa ve isika? Mila miova sy manova. Manomboka eo amin’ny tena io amin’ny fisaina, fiaina, fiasa… Izany miaraka no mahatonga sy mahahaingana ary mampivaingana ny fandrosoana.Na izany aza, tsy moramora tokoa ny hoe manova sy ny miova amin’izao. Mila fanazavana izay (h)atao, fandresen-dahatra, fijerena lavitra… Eny, mety ho miandalana aza, saingy tsy maintsy atomboka hialana amin’ny hoe nentim-paharazana sy nentim-pahazarana. “Tsy misy zavatra ratsy ao anatin’ny fanovana, raha mandeha amin’ny lalana tsara”, hoy ny filohan’i Etazonia teo aloha izay, i Winston Churchill.Rafaly Nd. L’article Entim-paharazana sy entim-pahazarana        a été récupéré chez Newsmada.

Minisitra Lalatiana A. : “Tsy manao jadona isika”
17/09/2020

“Nanapa-kevitra hiroso amin’ny fifidianana loholona ny fitondram-panjakana. Satria izay no voalazan’ny lalàna, fa tsy hoe manao didy jadona hanao fifidianana loholona ny fitondrana. Tapitra amin’ny 2 febroary 2021 ny fe-potoam-piasan’ny loholona, ankehitriny. Zava-misy izay fa tsy hoe foronin’ny fitondram-panjakana”, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta, i Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Tsy maintsy atomboka dieny izao ny dingana fanatanterahana ny fifidianana fa tsy hoe tapitra ny fe-potoam-piasan’ireo loholona fa vao hojerena izany. Rehefa tonga ny 2 febroary 2021, efa tokony hanana loholona vaovao i Madagasikara.Ho toy ny tamin’ny 2015 ny fifidiananaAmin’ny 11 desambra ny fifidianana loholona. Adihevitra ny hoe tsy feno ny mpifidy vaventy fa tsy mbola natao ny fifidianam-paritra, araka ny lalàna. Toy izany koa ny amin’ny olom-boafidy eo anivon’ny faritany. “Tsy nisy anefa izany tamin’ny fifidianana loholona tamin’ny 2015, fa natao ihany ny fifidianana loholona”, hoy izy.Eo koa ny tsy fahafenoan’ny mpifidy vaventy toy ny ben’ny Tanàna, mbola manao fangatahana fandravana didy eo anivon’ny Filankevi-panjakana. Ny didim-panjakana noraisin’ny filankevitry ny minisitra: iray volana mialoha ny fifidianana, ny 11 novambra, vao mikatona ny lisitry ny mpifidy amin’io fifidianana io.Raha amin’izao no misy ben’ny Tanàna manao fangatahana eny anivon’ny Filankevi-panjakana, efa milamina izany amin’ny 11 novambra.R.Nd.L’article Minisitra Lalatiana A. : “Tsy manao jadona isika” a été récupéré chez Newsmada.

Tsihombe : nampitomboina ny tanjaky ny herinaratra
19/09/2020

Mazava ny tanàna! Tsy diso anjara amin’ireo reni­vohim-paritany 43 manerana ny Nosy misitraka ny hazavana an-dalambe ny tampon-tanànan’i Tsihombe, faritra Androy. Tonga tany an-toerana, ny alatsinainy 14 jolay teo, ny jirobe karazana Led Cobra, araka ny fampanantenan’ny filoha Rajoelina. Hanazava sady hanome endrika ny tanàna ireto fitaovana ireto, ary hisoroka ny tsy fandriampahalemana ihany koa. Mikasika ny mpanjifa mi­vantana, nampitomboan’ny Ji­rama ny tanjaky ny herinaratra mamatsy ny tanànan’i Tsi­hom­be, niaina tanaty delestazy nandritra ny volana maro. Natolo­tra tamin’io alatsinainy io ihany koa ny fitaovana mamokatra herinaratra miisa roa, manana tanjaka 220 KVA (175 KW), sy 165 KVA (132 KW), hanampy tosika ny efa any an-toerana. Tanjona amin’izao fizarana jirobe manazava tanàna sy fitaovana mamokatra herinaratra manerana ny tanàn-dehibe izao ny hanana angovo ampy ahafahan’ny vahoaka mamokatra mitondra fampandrosoana isam-paritra.Njaka A.L’article Tsihombe : nampitomboina ny tanjaky ny herinaratra a été récupéré chez Newsmada.

Fihantsiana tsotra izao: mitsoka kiririoka milaza ny fahatongavany ireo dahalo
22/09/2020

Niditra an-keriny avy ao an-damosin’ny trano fivarotana lehibe indrindra ao Ambatosoratra ireo jiolahy. Nikiakiaka ny ankizivavikely iray, zanak’ilay mpivarotra, satria nalain’ireto olon-dratsy ho takalonaina fa tsy nanaiky nanoro ny misy ny vola ity tompon-trano. Nivoaka ny manodidina hamonjy… Tifitra basy no nahazo ilay raim-pianakaviana nivoaka voalohany ka maty! Daroka vatan-kazo no nanjo ny hafa, ny alin’ny alarobia 15 septambra no niseho izay.Endrika faharoa indray no niseho andro vitsivitsy talohan’io. Avy nangalatra omby tao Mangalaza, atsinanan’Ambatondrazaka ireo dahalo ka nandroaka ireo hazany nianandrefana tany Ambohidehilahy no sady nandroba fivarotana. Fotoana tsy ela manodidina izay, halatra omby sy fandrobana trano fivarotana koa no nahazo an’Antanambehivavy, Antanimena.Endrika fahatelo mikasika ny tsy fandriampahalemana any amin’iny distrikan’Ambatondrazaka iny tato ho ato, ny nitranga tao Ambohidava, tanàna lalovan’ny RN.44, 30km avaratr’io renivohitry ny distrika io. Misy nanamarika koa fa ny dahalo indray izao no mitsoka kiririoka ho filazana fa tonga handroba ry zareo….Fametrahana zandary, ampy isa honina sy ho vonona lalandava no soso-kevitra aroson’Antanimena satria lalan’ny mpitondry omby halatra iny toerana fizaran-tanin’ny distrikan’Amparafaravola sy Ambatondrazaka iny. Amin’ny ankapobeny, mila mikaroka fomba vaovao ny isan-tanàna, hiarovany ny ainy sy ny fananany, andro aman’alina mihitsy.RarivoL’article Fihantsiana tsotra izao: mitsoka kiririoka milaza ny fahatongavany ireo dahalo a été récupéré chez Newsmada.