Kitra – Fosa Junior Boeny: nisaoran’ny ekipa ihany koa i Lekadoda

News - Kitra – Fosa Junior Boeny: nisaoran’ny ekipa ihany koa i Lekadoda

News - Kitra – Fosa Junior Boeny: nisaoran’ny ekipa ihany koa i Lekadoda

Manamboatra ny ekipany,
amin’izao fotoana izao, ny Fosa Junior Boeny. Mbola miandry ny
fiavian’ilay mpanazatra italianina ihany koa ny rehetra. Ankoatra
izay, efa manomboka ny fanomanan-tena.

Ao anatin’ny fanomanana ny
taom-pilalaovana 2021, amin’izao fotoana izao, ny ekipan’ny Fosa Jr
Boeny. Ankoatra izay, eo am-panamboarana ny firafitry ny mpilalao
ihany koa ireo teknisianina, mandra-piavian’i Salvatore Nobile,
mpanazatra vaovaon’ny ekipa, ho tonga amin’ny faran’ny volana
oktobra izao, raha tsy misy ny fiovana.

Fantatra fa ankoatra ny fialan’i
Baggio, nandeha tamin’ny nahim-pony, nisaoran’ny Fosa Junior kosa i
Lekadoda. Nambaran’i Titi Rasoanaivo, tale teknikan’ny ekipa fa tsy
mbola misy fiantsoana mpilalao vaovao hanatevina ny Fosa Jr, fa
nampakatra ireo zandrikely hilalao ao amin’ny D1. Efa ao anatin’ny
fanazarantena, ankehitriny, ny Fosa Jr ka ny tanjaka ara-batana
aloha no nanombohany izany.

Tsy mieritreritra ny hiatrika ny
fifaninanana afrikanina ny Fosa Jr, na eo aza ny fahazoan-dalana
hanao izany, noho ny antony maro. Anisan’ny goavana amin’izany ny
tsy fahampian’ny fihaonana sy ny lalao eo amin’ireo mpilalaony. Eo
ihany koa anefa ny ho enti-manana miatrika izany satria mbola ao
anatin’ny fahasahiranana ara-bola ny klioba.

Na izany aza, mbola miandry ny
fahatongavan’i Salvatore Nobile ny rehetra, ny amin’izay ho
fandaharam-potoana sy ny hatao hiatrehana ny fifaninanana rehetra
ho avy.

Marihina fa mbola ny talata 20
oktobra ho avy izao ny fe-potoana farany handefasana ny anaran’ireo
ekipa roa hiatrika ny fifaninanana afrikana dia ny fiadiana ny ho
tompondaka sy ny amboara, any amin’ny kaonfederasiona afrikanina
(Caf). Raha ny zava-misy, tsy misy maneho fahavononana hiatrika
izany ireo ekipa roa niatrika izany, tamin’ny taon-dasa dia ny Fosa
Jr sy ny CNaPS Sport. Hotapahina mandritra ny fivorian’ny komity
mpitantana eo anivon’ny federasiona Malagasy (FMF), amin’ny
herinandro ambony ny amin’izay ho solontenan’i Madagasikara.

 

Tompondaka

Article tiré de Newsmada

L’article Kitra – Fosa Junior Boeny: nisaoran’ny ekipa ihany koa i Lekadoda a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Alaotra Mangoro: nahazo talem-paritry ny filaminana vaovao

   Notanterahina afakomaly maraina ny famindram-pahefana teo amin’ny talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Alaotra Mangoro teo amin’ny commissaire divisionnaire de police Rabenilaosana sy ny talem-paritra vaovao ny commissaire principale de police Rakotoarijaona Faly. Nanatrika izao lanonana izao ny tompon’andraiki-panjakana ambony any an-toerana. Fa tontosa omaly koa ny famindram-pahefana teo amin’ny talen’ny police ekonomika ny commissaire principale de police Ratsimba Bricce Andrianina tale teo aloha izay voatendry ho talen’ny fisahanan-draharaha sy ny fitantanam-bola ary ny fampitaovana sy ny tale vaovao, ny contrôleur générale de police Razafindravonona Georges Evariste.Jean ClaudeL’article Alaotra Mangoro: nahazo talem-paritry ny filaminana vaovao a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Tifitra nahafaty

Namoy ny ainy noho ny tifitra nahazo azy ny lehilahy iray, efapolo taona, tany Ankifafa Ambalakazaha any amin’ny distrikan’Antsalova, faritra Menabe. Teny an-dalana hamonjy tsena, tamin’ny alarobia 3 jolay izy, no niharan’ny fanafihana. Tsy nisy anefa ny entana na vola voaroba. L’article Tifitra nahafaty est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Polisy nikasi-tanana

Hatolotra ny Fampanoavana, anio, ireo polisy voatondro ho nikasi-tanana sy nandratra raim-pianakaviana, teny Ampitatafika, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nambaran’ny avy amin’ny Polisim-pirenena fa sady hoenjehina ara-pitsipi-pifehezana izy ireo no vesaran’ny ady heloka eny amin’ny Fitsarana.   L’article Polisy nikasi-tanana est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Kitra – Fifidianana ho filohan’ny federasioana (FMF): maro ireo filohana ligy tsy manana hazon-damosina

Hiankina betsaka amin’ny feon’ny fieritreretan’ireo filohana ligy miisa 22, ny ho avin’ny baolina kitra malagasy. Ny tsikaritra, misy ireo mpitantana ligy sasany, tsy manana hazon-damosina, ka zary manara-drenirano fotsiny. Tsy mijoro amin’ny tena heviny fa izay alehan’ny sasany, handehanany. Ny hafa indray, sady mahay atsy no mahay aroa, izany hoe : tsy te ho ratsy amin’ireo kandidà. Toa lasa feno fihatsarambelatsihy, ny fihetsik’izy ireo.Raha ny lojika, tokony ho ligy fito sisa no hiadian’ireo kandidà dimy mifaninana satria ny kandidà tsirairay avy, efa samy nahazo filohana ligy telo avy, tamin’ny alalan’ny fanomezana “caution”. Araka ny heno anefa, “caution” fotsiny no nataon’izy ireo fa tsy hifidy io kandidà io. Toe-javatra mampihomehy sady mahamenatra, ny fomba toa izany raha toa ka tena mitombina. Ny latsa-bato miafina no hilaza, ny marina mikasika azy ireo. Tsiahivina fa hanomboka anio, ny “5 mn n’ny stade”, hanaovana ny fampielezan-kevitra, ao amin’ny RNM, ho an’ny kandidà tsirairay. Hisantatra izany, Rabekoto Raoul, arahin’i Mohamad Abdillah, ny talata ho avy izao ary Andriamiasasoa Doda, ny alarobia. Rasoamaromaka Hery, ny alakamisy ary Rakotomamonjy Neypatraiky, ny zoma. Tompondaka L’article Kitra – Fifidianana ho filohan’ny federasioana (FMF): maro ireo filohana ligy tsy manana hazon-damosina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Cnaps: fiahiana sosialy ho an’ny mpiasa amin’ny masera

Anisan’ny mpiasa mpikarama ny sehatry ny fampianarana sy ny fiangonana. Tafiditra ao anatin’izany ny “Fikambanan’ny masera madinika eraky ny fitiavana”, miparitaka manerana ny Nosy. Sahanin’izy ireo ny manabe sy mitaiza ny zaza sahirana any ambanivohitra. Koa satria mampiasa olona ry masera, zon’ny mpiasa ny misitraka ny fiahiana sosialy. Natao teny Andrambato Itaosy, ny herinandro lasa teo, ny fiofanana mikasika ny fitantanana maha olona, toy ny fampidirana ao anatin’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS), ny fanefana latsakemboka, ny fanampiana ny mpiasa sy ny ankohonany, ny fanampiana ny tra-doza na marary vokatry ny asa, ny fisotroan-dronono, sns. Nilaza ny mpanolotsain’ny toniam-pitantanan’ny CNaPS, Rakotomanana, fa tafiditra ao anatin’ny fifanarahana fiaraha-miasa amin’ny fiangonana katolika ity fiofanana ity. Nampahafantarina koa ny dingana arahina amin’ny fangatahana fanampiana.Nambaran’ny masera Agnès sy Gabrielle, fa tena ilaina amin’ny asan’izy ireo ny fiahiana sosialy. Ankoatra ny asa fitoriana, afaka manentana any ambanivohitra koa izy ireo ary mangataka ny tohan’ny CNaPS, indrindra ny any lavitra.Njaka A.L’article Cnaps: fiahiana sosialy ho an’ny mpiasa amin’ny masera a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Sofia: tsy misy ny solika

Mandalo fotoan-tsarotra ny famatsiana solika any amin’ny faritra Sofia, amin’izao fotoana izao. Voatery manafatra solika, karazany rehetra avy aty an-dRenivohitra, ny mpitatitra sy ny mpandraharaha maro. Tafakatra lafobe anefa ny saram-pitaterana izany, ankoatra ny any amin’ny varo-maizina, indrindra ny solika fandrehitra fampiasan’ny maro, ka miantraika amin’ny fiainan’ny mponina. Nanazava ny ao amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo fa noho ny fanavaozana ny fifanarahana eo amin’ny mpaninjara solika sy ny mpitatitra ny mahatonga izao. Nilaza ny minisitera fa efa vita izany fifanarahana izany ka tsy tokony hisy intsony ny olana.Momba izay famatsiana solika izay ihany, nanome toky ny ao amin’ny OMH (Office malgache des hydrocarbures) fa azo antoka ny famatsiana manerana ny lalam-pirenena rehetra mialoha ny fahatongavan’ny ray masina, papa François. M.CL’article Sofia: tsy misy ny solika a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

JIOI 2019 – Fanokafana: niavaka ny filatroan’ny atleta malagasy tatsy Maorisy

Nosokafana, omaly, teto amin’ny kianja Anjalay, Nosy Maorisy, ny andiany faha-10 amin’ny lalaon’ny Nosy, ho an’ny ranomasimbe Indiana. Niavaka ny fampisehoana nataon’ny Malagasy nandritra ny filatroana teo amin’ny kianja.Nitondra ny sainam-pirenena malagasy tamin’izany filaharana izany Andriantsitohaina Eric, taranja fibatana fonjamby.  Nisalotra ny fitafy malagasy tanteraka ireo atleta malagasy sy ireo delegasiona solontena an’i Madagasikara aty Maorisy, nandritra ny lanonam-panokafana. Anisan’ny nampiavaka antsika tamin’izany satria raha ny hita tamin’ireo delegasiona avy amin’ny Nosy rahavavy rehetra, samy nanao ilay akanjo iraisana avokoa izy ireo. Tsy nisalotra ny fitafy mampiavaka ny fireneny tsirairay. Nampisongadina ny fampisehoana ho an’ny Malagasy ihany koa ny fidiran’ireo ankizy manan-talenta, Zaza kanto, an-tsehatra, tamin’ity lanonam-panokafana ity.Ankoatra izany, manodidina ny 190 eo ny isan’ireto delegasiona malagasy nilatro ireto, ankoatra ireo vao hanainga anio, ka mitotaly 275 raha atambatra.Fahatongavan’ny filoha Rajoelina Heni-boninahitra ihany koa i Madagasikara satria natrehan’ny filoham-pirenena Rajoelina ity lanonana, omaly ity. Nigadona tao amin’ny kianjan’ny Anjalay izy sy ny vadiny, Rajoelina Mialy, tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Tonga nanatrika ity fanokafana ity ihany koa, ny filoham-pirenen’ny  Nosy Comores sy ny Maorisianina mpampiantrano. Manampy  izany  ny eo anivon’ny delegasion’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, notarihin’ny minisitra Tinoka Roberto.  Miezaka  manao ny farahery amin’ny fikarakarana ny Malagasy aty an-toerana ny tenany miaraka amin’ny Komity olympika malagasy (Com), tarihin-dRandrianasoloniaiko Siteny. Raha atambatara, 2000 mahery ireo mpiangaly ny taranja miisa 15 mandray anjara amin’ity lalaon’ny Nosy 2019 ity, hahitana firenena miisa 9. Eo ny Nosy Maorisy mpampiantrano, i Madagasikara, ny Nosy La Reunion, i Maldives, i Kaomoro,  i  Seychelles ary i Mayotte.Nikorontana ny fandraisan’ny Nosy Maorisy Marihina fa  nahitana fikorontanana ny teo amin’ny lafiny fandraisan’ny Nosy maorisiana ny delegasiona vahiny tonga teto an-toerana, nanomboka ny alakamisy, lasa teo . Nisy ny fahasahiranana teo amin’ny fanomezana ny fahazoan-dalana hiditra ny kianja, ny lafiny ara-pitaterana sy ny sakafo. Somary nanakorontana kely ihany koa ny lanonanam-panokafana, omaly, ny haratsian’ny andro, minitra vitsy tsy hanombohan’ny filatroan’ireo atleta no nijohy ny orana tao amin’ny kianja. Tsy nanakana ireo mpijery teny amin’ny toerana misy azy ireo anefa izany fa niaritra ny orambe ary nijanona teo hatramin’ny farany izy ireo. Nizotra tsara araka ny tokony ho izy ihany koa, ny filatroana sy fandraisam-pitenena isan-tsokajiny. Nangonin’i Miarintsoa Raz (Iraka manokana aty Maurice)L’article JIOI 2019 – Fanokafana: niavaka ny filatroan’ny atleta malagasy tatsy Maorisy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Efa matipaika ny lamina nofaritan’ny any Vatikana: handray ny FFKM sy ny avy amin’ny silamo ny papa François

Feno tanteraka ny fandaharam-potoana ary efa mipetrapetraka avokoa. Voarindra sy voalamina ny fitsidihan’ny papa François eto amintsika, araka ny nandaharan’ny any Vatikana sy ny fitondram-panjakana eto an-toerana izany. Eo ny maha filohan’ny eglizy katolika maneran-tany azy fa eo koa ny maha filoham-panjakana ny ray masina.Notanterahina tetsy amin’ny trano fonenan’ny Nonce apostolique etsy Ivandry, omaly, ny fampahafantarana amin’ny antsipiriany ny fivahinian’ny papa François eto Madagasikara. Nitarika izany ny solontenan’i Vatikana eto amintsika, ny Mgr Paolo Rooco G ny ny Mgr Raharilamboniaina Fabien. Anisan’ny misongadina amin’izany fitsidihana ataony eto Madagasikara izany ny ho fihaonany amin’ireo filohan’ny FFKM efatra mirahalahy eny amin’ny katedraly Andohalo, ny asabotsy 7 septambra.Hampitan’ny eveka ny fahitany ny fiainam-pirenena sy ny politika…Hisy koa ny fifampiresahany amin’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem). Tombanana fa ho voaresaka ny fiainam-pirenena sy ny politika. Ankoatra izany, hitohy amin’ny fihaonany amin’ireo lehibe mpitarika ny finoana silamo miisa telo izany, ny alahady 8 septambra hatao eny Mahatazana, akaikin’ny toby Akamasoa ny tolakandro. Hoentina am-bavaka amin’izany koa ireo mpamaky vato eny an-toerana sy ny mpiasa maneran-tany. Hitohy amin’ny fihaonana amin’ireo pretra, ny relijiozy, ny anaty fiainana voatokana, ny seminarista ao amin’ny kolejy Saint Michel, Amparibe, izany. Handray manokana ny fikambanan’ny Zezoita ny tenany avy eo. Tsiahivina fa hivahiny atsy Nosy Maorisy ny papa François ny alatsinainy 9 septambra ary hiverina ny hariva ihany eny Ivandry. Handao an’i Madagasikara kosa ny tenany ny talata 10 septambra.Synèse R. Fandaharam-potoana :Zoma 6 septambra 2019 amin’ny 4 ora 30 mn, fahatongavan’ny papa François avy nandalo tatsy Mozambika ary mihazo ny eny amin’ny Nonciature eny Ivandry amin’ny alalan’ny fiara « Papamobile ». Horaisin’ny filoham-pirenena eny Iavoloha, ny asabotsy amin’ny 9 ora 30 mn. Mitohy ao amin’ny Ceremony Building izany, hihaonany amin’ny masoivoho vahiny sy ny fiarahamonim-pirenena. Mihazo ny Karmela Ampasinimalo ny tenany avy eo ary mihaona sy miara-mivavaka amin’ireo relijiozy mpitoka-monina. Mihaona amin’ny eveka ao amin’ny katedraly Andohalo sy ny FFKM ny tolakandro. Mitsidika ny lasapela misy ny fasan-dRasoamanarivo Victoire  avy eo. Hihaona amin’ny tanora eny amin’ny kianja Soamandrakizay ary hisy ny fanankinana ny tanora amin’ny fahasoavan’i masina Maria. Ny alahady indray kosa, sorona masina eny Soamandrakizay, arahin’ny anjelisy. Mihazo ny toby Akamasoa ny tolakandro ary hihaona amin’ireo tanora sy ankizy eny an-toerana. Eo koa ny fifandraisan-tanana amin’ny mpitari-pivavahana silamo sy ny vavaka ho an’ireo mpamaky vato…Mandray ny pretra, ny relijiozy ary ny seminarista ao amin’ny kolejy Saint Michel-Amparibe, aorian’izany. Mihazo ny any Maorisy ny ampitso alatsinainy.   L’article Efa matipaika ny lamina nofaritan’ny any Vatikana: handray ny FFKM sy ny avy amin’ny silamo ny papa François a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Tranga tetsy analakely :: Nitangoronan’ny olona ilay frantsay nikasi-tanana mpivarotra

Nenjehin’ny andian’ olona maromaro sy nitangoronan’ izy ireo, tetsy Andohan’ Analakely, ny lehilahy iray teratany frantsay, ny antoandron’ ny sabotsy lasa teo. Voatondro ho nikasi-tanana vehivavy mpivarotra izy. Fantatra fa notsaboina teny amin’ny hopitaly ilay mpivarotra. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny fanadihadiana rehetra tamin’ity tranga ity. Hatao famotorana ilay frantsay. Nametraka fitoriana rahateo ilay mpivarotra niharan’ ny herisetra araka ny nambaran’ ny polisy eny Tsaralalàna misahana ny famotorana. Nitondra fiara tsy mataho-dalana nandalo tetsy Analakely ny lehilahy iray frantsay, tamin’io antoandro io. Nahitsaka entam-barotra an’ny vehivavy iray teny an-toerana izy ka velona ny disadisa, araka ny valin’ny fanadihadiana nataon’ny polisy. «Notifirin’io lehilahy io tamin’ny « big boss » ilay vehivavy mpivarotra. Tezitra ny olona ka nanenjika azy », hoy ny polisy. Tafajanona tamin’ny fitohanan’ny fiara teo Andohan’Analakely ilay vahiny. Nihamaro ny olona nanenjika sy nitangorona teo aminy.Vaky voatoraka ny varavaram-pitaratry ny fiarany. Nandray andraikitra avy hatrany ny polisy niasa teo akaiky teo naka sy niaro an’ilay lehilahy frantsay. «Nifamahofaho ny resaka, avy eo. Nisy nilaza fa nikasa hangala-jaza io lehilahy io. Nisy kosa no niteny fa avy nanao loza ny fiara noentiny. Naterina teny amin’ny polisy misahana ny herisetra mianjady amin’ny zaza tsy ampy taona izy nalaina am-bavany. Noraisina ihany koa ny mombamomba azy», hoy ihany ny polisy. Tonga teny amin’ny Kaomisaria foibe tetsy Tsaralalàna ilay vehivavy mpivarotra, nony hariva, nametraka fitoriana. Noho ny vono sy fandratrana niniana natao taminy no antony nitoriany an’ilay teratany vahiny. Voalaza fa hampanantsoina hatao famotorana, anio, ny mpitory sy ilay lehilahy frantsay. L’article Tranga tetsy analakely :: Nitangoronan’ny olona ilay frantsay nikasi-tanana mpivarotra est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fanahiana halatra taova: nirefodrefotra ny basy olona roa voasambotra

  Poa-basy, grenady lakrimozena nitora-jofo, doro kodiarana, tora-bato… Izany ny santionan’ireo zava-nitranga tao Toamasina, ny alin’ny zoma teo noho ilay raharaha fahitan’ny tovovavy iray taova sy karandohan’olona  tao amin’ny tokantrano iray. Nikasa hanao fitsaram-bahoaka ireto andian’olona marobe ireto. Tsy nanaiky anefa ny mpitandro filaminana…Nirefodrefotra nandritra ny alina manontolo, ny zoma hifoha asabotsy teo, ny basy sy ny grenady lakrimozena nataon’ny mpitandro filaminana handravana sy hanapariahana ireo andian’olona marobe nirohotra nandoro trano sy hanao fitsaram-bahoaka tao amina tokantranona fianakaviana iray eo amin’ny “4 chemins” Morarano Toamasina. Niezaka nanohitra ireo andian’olona naneho ny hatezerana tamin’ny fielezan’ny vaovao momba ity halatra taova ity ny mpitandro filaminana. Nandrehitra kodiarana teo amin’ny arabe sady nitora-bato ny fiaran’ireo mpitandro filaminana izy ireo. Vokany, vaky ny fitaratry ny fiaran’ny polisy. Naratra voatora-bato ihany koa ny polisy. Olona roa avy amin’ireo mpanao fikehetsiketsehana voasambotra  hanaovana fanadihadiana  momba ity tora-bato sy fandrehetana kodiarana. Mbola nahitana fokonolona mitangorongorona teny an-toerana , omaly  mikasa ny hiditra an-keriny ao amin’ilay tranovato misy peta-drindrina mitady mpiasa efa ho ampolon-taona maro.Mpiasa iray nahita karandohan’olona…Toy izao ny raharaha raha hiverenena. Misy soratra amin’ilay peta-drindrina amin’ilay tranovato efa hatramin’ny taona 1991 milaza fa  mitady mpiasa. Fianakaviana efa manana ny lazany hatramin’izay izy ireo, araka ny fampitam-baovao. Ny zoma tolakandro teo, nisy tovovavy nitady asa tao amin’ity trano ity ary noraisina hiasa. Ny zoma io ihany, tonga tany amin’ny zandary ilay tovovavy sady efa sempotsempotra nitantara ny hitany tao amin’ilay trano. “Mpiasa vao hiditra hiasa ao amin’ny fianakavian’i T. M. aho ka nahita karandohan’olona sy taolana ary taova samihafa raha iny hiditra tao amin’ny efitrano fandroana  iny. Nitsoaka nanao ny fomba rehetra nahafahako nivoaka tao aho raha nahita izany. Izao tonga aty aminareo izao”, hoy ilay tovovavy, araka ny tatitra nampitain’ny zandary ao Toamasina nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, notarihin’ny Prefet, Benandrasana Cyril sy ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ao Toamasina, Rajaonah Thierry. Nangataka fahazoan-dalàna hanao fisavana trano teo anivon’ny fampanoavana ny zandary raha vao naharay izany fiampangana izany ary niroso haingana nanao ny fisavana ilay trano voalaza. Nambaran’ireo mpitandro filaminana nanao ny fisavana anefa fa tsy nahita na inona na inona ry zareo nandritra ny fisavana natao ka anisan’ny antony nanazavan’ny prefet sy ny tonia ny mpampanoa lalàna ny tokony hampitony ny rehetra. Tsy nanaiky izany anefa ireo andian’olona raha tsy misy solontenam-pokonolona navela miditra manao fisavana ao amin’ilay trano, araka ny fanazavana voaray hatrany.Sajo sy Jean ClaudeL’article Fanahiana halatra taova: nirefodrefotra ny basy olona roa voasambotra a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 31-10-2020
Source : CCO COVID19 - 31/10/2020

Notsongaina

Karate-Analamanga: nihaona voalohany, omaly, ny biraon’ny ligy
31/10/2020

Tafatsangana ny biraon’ny ligin’Analamanga, taranja karate, ka omaly ny nihaona voalohany teny amin’ny Railovy Analakely. Raha ny fantatra, miisa fito ny mandrafitra ity birao ity, ahitana ny filohan’ny ligy, ny filoha lefitra, ny sekretera jeneraly, ny tale teknika, ny mpitambola sy ny tomponandraikitry ny serasera ary ireo mpanolotsaina miisa roa. Amin’ny maha fihaonana voalohany io fotoana omaly io, fifankafahantarana eo amin’ny samy mpikambana ny nanombohana izany. Taorian’izay, niroso amin’ny dinika ho fametrahana ireo fepetra hanatsarana ny fitsipika anatiny mifehy ny ligy sy ny fifampitondrana amin’ny seksiona, eo ambany fifehezany.Tapaka nandritra ny fivoriana natao fa tsy hisy ny fifaninanana amin’ity taona ity fa avy hatrany dia hanomana ny taom-pikatrohana 2021 ny ligy. Mbola hisy ny fihaonana tsy ho ela hanohizana ny dinika, raha ny fanazavana.Mi.RazL’article Karate-Analamanga: nihaona voalohany, omaly, ny biraon’ny ligy a été récupéré chez Newsmada.

Nandona sy nahafaty olona: tratra rehefa nifampitadiavana ilay mpamily
27/10/2020

  Tra-tehaky ny zandarimaria, omaly maraina tao Androvakely-Ambohimandroso, ilay mpamily sy ny fiara nentiny nahavanon-doza. Nenjehina noho ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ilay mpamily. Miharo fitsoahana rehefa avy nandika lalàna ny heloka iampangana azy. Tsiahivina fa maty vokatry ny dona mafy nahazo azy ny lehilahy iray, ny alahady hariva teo tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany tao Avaratsena. Maty tsy tra-drano izy ary nitsoaka avy hatrany ny fiara taorian’izay. Nambaran’ny zandary fa 38 taona ilay namoy ny ainy ary monina ao Andeboka-Ambohimandroso ihany. Taorian’izay, raikitra ny fikarohana ilay fiara sy ny mpamily ka voasambotra omaly. « Vesatra maro ny anenjehana ny mpamily satria na inona na inona antony, tsy azo atao ny mandositra adidy ka mamela ny olona voadona hiady irery amin’ny fahafatesana », hoy ny fanazavan’ny Zandariamaria ao Vakinankaratra. Fantatra fa raisin’ny zandary ao Ambohimandroso ny fanadihadiana ny raharaha ary hatolotra ny fitsarana aorian’izay.Ankoatra izay, nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ihany koa teo Antanambao-Talata Volonondry, ny alahady teo tokony ho tamin’ny 6 ora hariva. Voadonan’ny fiara taxi-be mampitohy ny Renivohitra sy ny ao an-toerana ny mpirahalahy roa nandeha moto. Tranga niseho teo amin’ny fiolanan-dalana ao Antanambao. Voadona teo amin’ny lohany ireo lehilahy 23 sy 26 taona ka naratra mafy. « Nandeha mafy ireo mpandeha moto ka nifatratra tamin’ilay taxi-be », hoy ny fanazavan’ny zandary misahana ny famotorana. Taorian’izay, nianjera tamin’ny tany ireo roa lahy avy namangy havana ary namonjy ny Renivohitra. Mbola nentina teny amin’ny hopitaly teny Anosy Avaratra ireo tra-doza, saingy namoy ny ainy minitra vitsy taorian’ny nahatongavany teny. Ankehitriny, atao andrimaso ao amin’ny zandary ao Antanambao ny mpamily ilay taxi-be. Nogiazana avy hatrany kosa ny fiara.Henintsoa HaniL’article Nandona sy nahafaty olona: tratra rehefa nifampitadiavana ilay mpamily a été récupéré chez Newsmada.

CPC Ivato: miomana sahady amin’ny fiavian’ny fahavaratra
27/10/2020

  Vonjy aina an-tanety, fanokafan-dalana ary fanavotana traboina anaty rano. Ireo ny votoatin’ny fiofanana natrehin’ireo mpamonjy voina miisa 40 ao amin’ny Tafika nandritra ny herinandro ka nifarana ny zoma lasa teo teny amin’ny vondron’ny vonjy voina eny Ivato (CPC). Nandritra ny lanonam-pamaranana ny fiofanana, nisy ny fanehoana traikefa vao norantovin’ireto mpamonjy voina ireto. Nanatrika izany ny lehiben’ny etamazaoron’ny Tafika, ny Jly Rabenaivoarivelo Jean Claude, notronin’ireo manamboninahitra isan-tsokajiny. Nohamafisin’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika fa hampitomboina ny ambaindain’ny CPC ka hisy ny “bataillon” roa hisahana izany, araka ny voasoritra anatin’ny fanavaozan-drafitra ampiharina ao amin’ny Tafika. Hisy koa ny fanofanana mpamonjy voina miisa 100 ny faran’ny volana novambra izao ka izy ireo indray no hanaparitaka ny traikefa any amin’ny faritra telo manamorona ny morontsika Atsinanana. Hisy ny ao Sambava amin’ny faritra avaratra, hisy ny ao Toamasina amin’ny faritra Atsinanana ary hisy ny ao Manakara ho an’ny faritra atsimo. Notolorana mari-pahaizana ireo mpamonjy voina nahavita fiofanana.Jean ClaudeL’article CPC Ivato: miomana sahady amin’ny fiavian’ny fahavaratra a été récupéré chez Newsmada.

Mbola ho ela e !
28/10/2020

« Tsy fanasaziana akory izao, fa fampahatsiahivana anao amin’ny tokony hiarovanao tena mba tsy hiverenan’ny fihibohana indray… ». Mba nanaitra ihany ny nahita io teny io tamin’ny tatitra nataon’ny polisy, mikasika ny fahatrarana ireo olona miisa 398 tratra tsy nanao arovava teto an-drenivohitra, omaly. Hay ka tsy tena fanasaziana akory no nampiharina. Toy ny manao parady fotsiny ny fahitana ireo olona nasaina namafa lalana. “Manala azy!”, araka ny fitenin-jatovo. Ny fanambaran’ny prefet-n’ny polisy, nohamafisin’ny governoran’ny faritra Analamanga, ny faran’ny herinandro teo anefa, nilaza fa tsy azo ekena intsony ny gaboraraka amin’ny tsy fanarahan-dalàna, amin’ity tsy fanaovana arovava ity. Voalaza fa hoe hampiharina amin’ireo izay mandika izany ny sazy.Aiza rehefa tena hampiharina tokoa ny sazy ? Any Frantsa izao, ohatra, 135 euros, izany hoe, efa ho 6 hetsy Ar mahery ny lamandy ho an’izay tratra tsy manao arovava eny an-dalambe. 90 euros, izany hoe, 4 hetsy Ar mahery raha afaka mandoa eo no ho eo ilay olona tratra. Mbola henjana noho izany aza raha olona efa mpamerin-keloka no tratra ; 3750 euros, izany hoe, 17 tapitrisa Ar mahery, ary mety hiafara amin’ny fampidirana am-ponja hatramin’ny enim-bolana mihitsy aza. Izany ny an’ny olona rehefa tena hampiharina tokoa ny lalàna. Efa izany henjana be izany aza ny lalàna, mbola izao ihany ny zava-misy any Frantsa vokatry ny fihanaky ny valanaretina covid-19 ity.Raha akapoka ny resaka, mbola tena lavitry ny afo ny kitay mikasika ity resaka fampiharan-dalàna ity eto amintsika. Be dia be ny fandikan-dalàna amin’ny lafiny sy amin’ny endriny maro, saingy… Tsy dia hita miharihary loatra ny fampiharana fa toa moramoraina, hamaivanina na saron-tsaronana eny. Tsy mahagaga raha misy ny mpamerin-keloka. Voatana na ampidirina am-ponja, avy eo tafavoaka tsy re tsaika. Mahavariana aza fa izay heverina ho mpanao na mpampihatra ny lalàna, na koa ny manampahefana sy tompon’andraikitra ambony koa aza indraindray no mahabe resaka amin’ity fandikan-dalàna sy tsy fampiharan-dalàna ity. Ndeha hatao hoe misy ihany ny fampiharan-dalàna. Saingy, ny hita toa fampiharan-dalàna miendrika na mamofompofona… politika. Tsy mahagaga raha manjaka ny gaboraraka tsy mampandroso firenena. Mbola ho ela isika e !RandriaL’article Mbola ho ela e ! a été récupéré chez Newsmada.

Foot-PSG : Mathyas Randriamamy en Ligue des champions ce soir
28/10/2020

Vers la titularisation de Mathyas Randriamamy dans les Barea. La dernière nouvelle recrue des Barea, Mathyas Randriamamy jouera en Ligue des champions aux côtés de Neymar et Mbappé ce soir pour le compte de la deuxième journée de la Ligue des champions. Le PSG affrontera Istanbul Basaksehir. Incroyable mais vrai. Ça ne s’arrête plus pour l’international malgache, Mathyas Randriamamy. Il a fait l’objet d’un appel de Thomas Tuchel pour renforcer le Paris Saint-Germain ce soir, dans le cadre de la deuxième journée de la Ligue des champions. En effet, l’équipe fera un déplacement sur la pelouse d’Istanbul pour affronter le Basaksehir. En une semaine, le jeune homme de 17 ans n’a pas cessé de gravir les échelons dans le club de la capitale. Le fait qu’il soit intégré dans les Barea lui trace un chemin vers la cour des grands. A titre de rappel, il a donné un avant-goût ce samedi, lors de la première journée de la Ligue 1 où il est resté remplaçant et n’a fait que de l’échauffement d’avant match sur le terrain. Cette fois-ci, il est le troisième gardien emmené en cas de blessure de Keylor Navas ou Sergio Rico. On l’a aperçu s’entraîner avec ces deux gardiens du PSG en début de semaine. Une aubaine pour les inconditionnels du foot malgache, puisque après Abel Anicet, un autre malgache jouera en C1. Cela sera aussi une opportunité pour lui afin que Nicolas Dupuis puisse penser à sa titularisation pour la double confrontation contre les Ivoiriens, prévue dans trois semaines. Pour en revenir à la rencontre de ce soir, la liste des convoqués ne réserve pas de surprises pour le PSG, avec les superstars Kylian Mbappé et Neymar accompagnés en attaque par Pablo Sarabia, Moïse Kean et Angel Di Maria. Idrissa Gueye et Thilo Kehrer, de retour après sa blessure, sont aussi dans le groupe. « Par contre, Julian Draxler, sorti blessé samedi contre Dijon, ne reprendra l’entraînement qu’après la trêve internationale, soit au plus tôt en mi-novembre. Marco Verratti, Leandro Paredes et Mauro Icardi sont toujours blessés. L’Italien a repris la course lundi et son retour à l’entraînement collectif est programmé la semaine prochaine. Icardi reprendra l’entraînement cette semaine, Paredes en fin de semaine », a annoncé le club. Manjato Razafy L’article Foot-PSG : Mathyas Randriamamy en Ligue des champions ce soir est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Foot-PSG : Mathyas Randriamamy en Ligue des champions ce soir a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Bakalorea teknika: 5 529 ny mpiadina eto Antananarivo
24/10/2020

Hiroso amin’ny andiany fa­haroa amin’ny bakalorea ny fampianarana teknika manerana ny Nosy, manomboka ny alatsinainy ho avy izao. 10 141 ny isan’ny mpiadina rehetra ka 5 529 amin’ireo, eto An­tananarivo avokoa. Ma­nom­boka ny alatsinainy ary maharitra hefarana ny tapany faharoa: ny comptabilité sy ges­tion, ny commerce, ny te­chnologie, ny secrétariat… anisany amin’ny lalam-piofanana atrehina. Foibem-panadinana handray ny mpiadina ny ivontoeram-pampianarana tek­nika eto an-dRenivohitra ary efa miomana amin’ny fandaminana ny tomponandraikitra, araka ny fanazavana azo. Ity andiany faharoa ity no tena mampiavaka ny fampianarana teknika ary ambony avokoa ny «coefficient» amin’ ireo taranja isanisany mampiavaka ny “spécialité”. Efa miroso amin’ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ ny andiany voalohany amin’ ny fampianarana ankapobeny sy teknika kosa ireo tomponandraikitra, nanomboka anio, rehefa vita ny fifanarahana teo amin’ireo mpitsara rehetra.VonjyL’article Bakalorea teknika: 5 529 ny mpiadina eto Antananarivo a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-miasan’ny UE : nahazo fotodrafitrasa ny eny Ampitatafika
24/10/2020

Notokanana, omaly, ireo fo­todrafitrasa miisa fito ao amin’ ny kaominina Ampitatafika sy ny eny Alakamisy, distrikan’ Atsimondrano. Anisan’izany ny fanavaozana ny tsena, ny efitrano fivarotana miisa 10 sy ny tranoheva lehibe roa, etsy Ampita­tafika. Eo ny lalana 1 km 400 mampitohy an’Ankadintany sy Avarajorozo. Nampiana efatra kosa ny efitrano fianarana ao amin’ny CEG Antanety, Alaka­misy Fenoarivo. Ny fahavitan’ ny lalana « pavet » mampitohy an’Andohony sy Antanety, mi­refy 720 m. Natao tahaka izany koa ny tahala eo amin’ny tsena sy ny lakandrano, anariana ny rano maloto. Nametrahana toeram-pivoahana koa izany. Niara-niasa amin’izany ny ONG Ketsa. Teo koa ny fanohanan’ny Von­drona eoropeanina (UE) sy ny fikambanana MSIS Tatao. Natao mangarahara ny nananganana izany ary nandray anjara ny manampahefana sy ny eny ifotony. Mampivoatra ny andavanandron’ny mponina ireo fotodrafitrasa ireo. Mamaly ny hetaheta eny ifotony kosa ny kaominina. Napetraka koa ny rafitra ho fitandroana sy ho fitantanana ny fotodrafitrasa ho tombontsoan’ny maro. Ao anatin’izany ny fampandraisana andraikitra ireo mponina, hitandro hatrany ny fotodrafitrasa, araka ny lahateny nifandimbiasana.Synèse R.L’article Fiaraha-miasan’ny UE : nahazo fotodrafitrasa ny eny Ampitatafika a été récupéré chez Newsmada.

MSIS TATAO- KAOMININA ALAKAMISY FENOARIVO: Lakilen’ny fampandrosoana ny fampandraisana anjara ny olona eny ifotony
24/10/2020

Mamaly avy hatrany ny filàn’ny mponina. Ny tetikasa FIAM ( Fivoarana ifotony ao anatin’ny mangarahara) izay iarahan’ny kaominina Ampitatafika sy ny Alakamisy Fenoarivo miaraka amin’ny tantsoroky ny fikambanana MSIS Tatao no voasafidy hahazo famatsiam-bola natokana ho an’ny vondrona itsinjaram-pahefana avy amin’ny Vondrona Eraopeanina. Mitentina 450.000 euros io famatsiambola io. Notanterahana ny 23 oktobra 2020 ny fitokanana ireo foto-drafitr’asa tanteraka nandritra ny tetikasa toy ny tsena sy lalana Ankaditany-Avarajozoro ao amin’ny kaominina Ampitatafika. Raha ho an’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo indray dia ny tahala ao amin’ny tsenan’ny Alakamisy Fenoarivo, ny fantsona  sy ny lakan-drano fanarian-drano fanarian’ny mpivarotra rano maloto, efitrano-tsekoly  efatra ao amin’ny CEG ary lalana mirefy 770 metatra.  “Manao antso avo aho fa ny dabilio no tena olana ety, be dia be ny simba, ny efin-trano fianarana mitombo”, hoy ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, Andrianaivo Rakotobe Jean Christian Irené.  Mitentina 60 tapitrisa Ariary ny tetibidin’ireo efitranon-tsekoly ary 80 tapitrisa Ariary ny  lalana, araka ny fanazavany. Nambarany ihany koa fa 5 %  ny vola nampiasaina ny fandraisana anjaran’ny kaominina ary nohamafisiny fa ny fampandraisana anjara ny olona eny ifotony no mampandroso ny haingana ny tanàna. Raisin’ny olona am-po « Araka fanazavan’ny Ambasadaorin’ny Vondrona Eraopeanina teo fa tsy nomena ilay vola fa nisy fifaninanana natao, appel à proposition, nisy fifanatonana teo amin’ny Msis Tatao sy kaominina Ampitatafika sy Alakamisy Fenoarivo  ka nanolotra tetikasa iray. Tetikasa amam-polony no nifaninana. Ny fiarahamiasa matotra no nahatonga voafidy », hoy i Andriamoraniaina Harijaona, tale mpanatanteraky ny Msis Tatao. Nambarany fa tanjon’ny tetikasa FIAM ny fanatsarana ny fiainan’ny olona eny ifotony amin’ny alalan’ny fametrahana foto-drafitr’asa hamaliana ny filàna ara-ekonomika, ohatra ny fanamboarana ny tsena sy ny manodidina ny tsena na ihany koa fanokafana lalana ahafahan’ny olona mivezivezy mamoaka ny vokatra ary ihany koa mampisitraka ny filàna ara-tsosialy indrindra ny fanatsarana ny fampianarana, ny fahasalamana, ny rano fisotro madio . « Ao anatin’izay tetikasa izay, napetraka ho vain-dohan-draharaha ny fampandraisana anjara ny olom-pirenena sy ny fametrahana ny mangarahara hatrany amin’ny fomba fieritreretana sy fanatanterahana ny tetikasa ka hatrany amin’ny fanjohiana ny fanatanterahana ny tetikasa ary irariana ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fikojakojana ireo tetikasa tanteraka eny anivon’ny kaominina », hoy izy. Rehefa mampandray anjara ny olom-pirenena ny fitondrana indrindra eto ifotony, ety amin’ny kaominina dia mamaly hatrany ny filàny olona ety ifotony ny foto-drafitr’asa tanteraka ary tena raisin’ny olona am-po izany ary tonga dia mandray anjara amin’ny fikojakojana sy fiarovana ireo foto-drafitr’asa tanteraka izy ireo. Amin’ny  taona ho avy ny Msis Tatao dia hiezaka hanitatra ny fomba fiasa, hametraka ny mangarahara amina kaominina 40 eto Madagasikara, mampiakatra ny fahaiza-manaon’ny kaominina ary ahafahan’izy ireo misitraka tetikasa tahaka izao. Lynda A. Cet article MSIS TATAO- KAOMININA ALAKAMISY FENOARIVO: Lakilen’ny fampandrosoana ny fampandraisana anjara ny olona eny ifotony est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article MSIS TATAO- KAOMININA ALAKAMISY FENOARIVO: Lakilen’ny fampandrosoana ny fampandraisana anjara ny olona eny ifotony a été récupéré chez Délire Madagascar.

Sakana amin’ny fampandrosoana: mihemotra avoka ny karazana fitaterana
26/10/2020

Fototra iray lehibe iankinan’ny toekarena ny fitaterana, misy karazany maro: fitaterana an-tanety, an-dranomasina, ana habakabaka, an-dalamby. Ny fitaterana no hitsarana ny fandrosoan’ny toekarena ao amin’ny tany iray.Eto Madagasikara, mihemotra avokoa ny karazana fitaterana ary foana tanteraka ny sasany toy ny fiarandalamby, ny sambo mpitatitra olona sy entana. Ny fitaterana anefa, manamora ny fivezivezen’ny olona, ny fifanakalozana varotra, ny raharaha amin’ny ankapobeny eo anivon’ny fanjakana. Ny fitaterana an-tanety sisa miantoka hatramin’ny 90 % ny toekarena, hita amin’ny tanàn-dehibe sy any ambanivohitra.Mitombo hatrany ny filàna amin’izay sehatra izay nefa sakana lehibe ny faharatsian-dalana. Maro ny faritra tsy misy lalana mampifandray ireo kaominina ao aminy. Olana iray lehibe hafa ny tsy fandriampahalemana noho ny asan-dahalo. Manasongadina ireo, ohatra, ny faritra Melaky. Lafo ny fitaterana, sakana amin’ny fampandrosoana noho izany rehetra izany. Ny sarany izay no anisan’ny mandrafitra ny fihariana.Raha mora ny fitaterana, mora ny fivezivezen’ny olona, manamora ny fifandraisana eo amin’ny mpamboly sy ny mpanangom-bokatra. Miainga avy amin’izany ny famatsiam-bokatra ho an’ny tanàn-dehibe, raha vokatry ny fambolena; hafa ny famatsiana ireo entana ilaina andavanandro any ambanivohitra, tsy maintsy mbola miankina amin’ny fitaterana. Miankina amin’ny toetry ny lalana ny famaritana ny ampahany be indrindra momba ny vidin’ireo entana ireo. Tsy mampandeha ny fitaterana     Voafaritry ny lalàna maro ny fitaterana, saingy noho ny fihemorana eo amin’ny fihariana, hita mipaka any amin’ity sehatra ity ny tsy fanarahan-dalàna. Vao tamin’ny herinandro lasa, ohatra, betsaka ireo fiara mpitatittra mandeha tsy ara-dalàna tojo ireo mpanara-maso amin’ny lalam-pirenena RN6 mankany Antsiranana. Fiara tsy vita fisafoana ara-teknika, tsy misy fiantohana. Betsaka ireo fepetra efa noraisin, nefa vao mainka misongadina ny fahavoazana tsy mampandeha ny fitaterana: ratsy ny lalana, potika ny lalamby, rava ny seranam-piaramanidina, simba ny seranan-tsambo. Ny fihemoran’ireo seha-pitaterana rehetra ireo, mampiseho fihemoran’ny toekarena. R.MathieuL’article Sakana amin’ny fampandrosoana: mihemotra avoka ny karazana fitaterana a été récupéré chez Newsmada.

Fampitaovana: nomen’ny Orange fanamiana ny Makis vehivavy
29/10/2020

 Natolotra ireo mpilalaon’ny Makis de Madagascar, sokajy vehivavy teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, omaly, ireo “tee-shirt” sy kitapo avy amin’ny orinasan-tserasera Orange Madagascar. Ho fanampiana sy fampirisihina ny ekipam-pirenena ny anton’izany, araka ny voalazan’ny mpanolotra. Eo ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasany amin’ny Malagasy rugby.Ny Makis de Madagascar, izay ao anatin’ny fanomanantena amin’ny fiatrehana ny lalao sakana, hiadian-toerana amin’ny lalao Olympika, tanterahina any Japon ny taona 2021. Hatreto anefa tsy mbola fantatra marina izay tena firenena hampiantrano io fifanintsanana io. Raha ny voalahatra, i Frantsa no efa voatondro hanatontosana izany, saingy fantatra fa hiditra amin’ny andiany faharoa amin’ny fihibohana indray ry zareo ka tsy ho raikitra izany. Ankoatra izay, tsy ho afaka handray anjara amin’ilay “tournoi”, kasaina hatao atsy Afrika atsimo ihany koa i Tonizia ka i Madagasikara sy i Kenya ary ry zareo mpampiantrano sisa no hiatrika izany.Marihina fa fihaonana fanomanana ho an’ny ekipa telo tonta hiatrehana io fifanintsanana ho an’ny lalao Olympika io izany. Tsy mbola voafaritra ihany koa ny toerana sy ny daty hanatontosana ny lalao. TompondakaL’article Fampitaovana: nomen’ny Orange fanamiana ny Makis vehivavy a été récupéré chez Newsmada.

Mba mila mahay mankasitraka koa !
29/10/2020

Tena ilaina ny kiana ! Tsy manana mari-pandrefesana ny mety na tsy mety hataony ny mpitondra raha tsy misy ny mpanohitra. Tsy voatery resa-politika, fa na ny kiana hanatsaran-javatra avy amin’ny vahoaka aza, ilaina dia ilaina tokoa. Any amin’ny firenen-kafa, ampirisihina mihitsy izay manan-ko lazaina mba hiteny izany fa tsy kobonkobonina irery any. Izay mahita ny tsy mety, ny tsy rariny, ny tsy ara-dalàna indrindra indrindra, tokony hahasahy hijoro miteny sy manohana ny heviny. Antoky ny demokrasia rahateo ny fahafaha-miteny. Azo lazaina fa malalaka tsara ny fitenenana, ny fanakianana, ny fanehoan-kevitra mifanohitra amin’ny an’ny mpitondra eto Madagasikara. Mazava loatra fa tsy maintsy misy ny hiteny hoe tratran’ny teritery sy fanampenam-bava. Tsy tao anatin’ny ara-dalàna mantsy ireny. Raha fanehoan-kevitra an-kalamanjana misy famoriana vahoaka, mila fahazoan-dalana, mazava loatra. Raha fanehoan-kevitra amin’ny tambajotran-tserasera, tsy tokony hivaona mankany amin’ny fandrisihana amin’ny fankahalana, na sanatria mankany amin’ny fanakorontanana. Fa mba ilaina ihany koa ny fankasitrahana… Tsy voatery hanakiana izay hataon’ny mpitondra foana ny mpanohitra. Zony tanteraka, ary mariky ny fifanajana anatin’ny tsy fitovian-kevitra koa ny fankasitrahana. Raha toa moa tanteraka ny faniriana, izay nangatahin’ny mpanohitra, dia hangina fotsiny ve? Fahalalam-pomba kely sy bitika indrindra ny misaotra, na dia hitady izay hirika hahafaha-manakiana indray aza? Tsy ny lafiny politika politisianina ihany… Mavaivay mihitsy ny kiana, mafonja ny fangatahana ary malaky mampiaka-peo ny vahoaka, rehefa misy tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy any anaty fiarahamonina any, toy ny fotodrafitrasa tsy zarizary, ny fampanantenana tsy vita, ny velirano tsy tontosa, sns. Fa raha misy kosa ny tombontsoa iombonana, mahafa-pahasahiranana, mitondra fandrosoana amin’ny maha olona sy ara-toekarena, angamba tsy fahadisoana ny mankasitraka. Ny tena zava-dehibe tsara afantsika ao an-tsaina: tsy voatery mpomba vao mankasitraka ary tsy mpanohitra ihany vao manakiana. Raha mahay mandanjalanja izay, tsy misy ady saritaka na tsy mitovy fironan-kevitra aza ny anaty fiarahamonina iray. Eny, misy ary azo atao tsara izany.Zo ny Aina RandriatsiresyL’article Mba mila mahay mankasitraka koa ! a été récupéré chez Newsmada.

INVESTISSEMENT PANAFRICAIN : Axian rejoint ADP III
28/10/2020

Partenaire clé dans la transformation économique de l’Afrique. Axian group rejoint ce mardi 27 octobre 2020 le  fonds d’investissement African Development Partners III (ADP III) géré par Development Partners International (DPI). DPI a investi dans 23 entreprises de 29 pays africains, en s’appuyant sur son expertise et son réseau d’investissement qui ont permis de réaliser de solides performances. Avec plus de 1,6 milliards de dollars d’actifs sous gestion, DPI investit dans des entreprises qui sont en mesure de bénéficier de la croissance rapide de la classe moyenne émergente. ADP III suit donc les traces de ses prédécesseurs en se focalisant sur les entreprises leaders œuvrant avec les gestionnaires pour développer les bonnes pratiques environnementales, sociales et de gouvernance. Opportunités de diversification et d’expansion panafricaine Grâce à cette collaboration, Axian entend concrétiser son ambition d’être un partenaire clé dans la transformation économique de l’Afrique. Par l’intermédiaire des entreprises dans son portefeuille, DPI offre une perspective et un accès unique aux transactions réalisées sur le continent. « Cette plateforme d’investissement nous permettra de mettre en valeur nos relations afin de créer des opportunités de co-investissement stratégique ou d’acquisition à la sortie des fonds, là où des synergies avec nos activités principales sont disponibles. Nous saisirons en outre les possibilités de collaboration future avec les gestionnaires de fonds sur des transactions externes favorisant l’innovation et nécessitant un regroupement de compétences », déclare Hassane Muhieddine, CEO AXIAN Financial Services. Favorisant la création de valeur et le développement économique durable, le portefeuille d’investissement panafricain d’ADP III offre à Axian une voie naturelle vers une diversification indirecte de ses opérations stratégiques, tant sur le plan sectoriel que géographique en Afrique. Recueillis par Nirina R. Cet article INVESTISSEMENT PANAFRICAIN : Axian rejoint ADP III est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article INVESTISSEMENT PANAFRICAIN : Axian rejoint ADP III a été récupéré chez Délire Madagascar.