Kitra – Fivoahan’ny lisitry ny mpilalao : mihorohoro amin’ny Barea ny Elefantan’i Côte d’Ivoire

News - Kitra – Fivoahan’ny lisitry ny mpilalao : mihorohoro amin’ny Barea ny Elefantan’i Côte d’Ivoire

News - Kitra – Fivoahan’ny lisitry ny mpilalao : mihorohoro amin’ny Barea ny Elefantan’i Côte d’Ivoire

Taorian’ny fivoahan’ny
lisitry ny Barea de Madagascar, miahiahy mafy amin’ny fifandonana
amin’ireo mpilalao malagasy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Voatery
nanafatra matihanina betsaka avy any Eoropa izy koa
ireo.

Toa manana tsindry ma­vesatra izany
ny Ivo­arianina mialoha ny hifandonany amin’ny Barea de Madagascar
eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toe­rana ho an’ny “Can 2022”. Tsy
mitsahatra ny manara-maso sy maka vaovao mahakasika ireo
mpilalaon’ny Barea mantsy ny mpanazatra an-dry zareo Elefanta,
amin’ izao fotoana izao.
Mihorohoro fatratra, araka izany, ny Ivoarianina, taorian’ny
namoahan’i Ni­colas Dupuis ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny
Barea. Vokatr’izany, manatevina ny fiarovantenany ny Elefanta ka
nanafatra ilay vodilaharana goavambe, i Willy Boly, milalao ao
amin’ ny ekipan’ny Wolverhampton Wanderers Football Club ao
Angletera. 29 taona, mirefy 1,95 m ary milanja 97 kg. Ankoatra
izany, nantsoina hiverina hanatevina ny Ele­fanta ihany koa i Serge
Aurier.

Hatao ny 12 novambra ny
lalao mandroso

Sarotra ho an’ny Ivoa­rianina,
hatreto, ny mamantatra ny tena fomba fila­laon’ny Malagasy. Ny hany
ahalalan’izy ireo ny Barea ny hakingan’ireo mpilalao. “Tsy milalao
amin’ny ekipa goavana sy malaza ry zalahy, afa-tsy i Morel ao amin’
ny FC Lorient, Frantsa, saingy tena tombony ho an’ny Barea ny
firaisan-tsaina sy ny fa­haiza-miaraka”, hoy i Pa­trice Beaumelle,
mpanazatra ny Elefantan’i Côte d’Ivoire.
Fantatra fa hotanterahina ny 12 novambra ho avy izao ny lalao
mandroso ao amin’ ny kianja Stade Olympique Alassane Ouattara, ao
Abi­djan. Mitodi-doha miverina an-tanindrazana avy hatrany ny
Barea, raha vantany vao vita io fihaonana mandroso io. Hatao ny 17
novambra ny lalao miverina, tanterahina any amin’ny kianja Stadium
Barikadimy. Araka ny fepetra napetraky ny kaonfederasiona
afrikanina (Caf), tsy mihoatra ny 5 000 ny mpi­jery io lalao
io.

Tompondaka

Article tiré de Newsmada

L’article Kitra – Fivoahan’ny lisitry ny mpilalao : mihorohoro amin’ny Barea ny Elefantan’i Côte d’Ivoire a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 24/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fahapotehan’ny fomba, ny kolontsaina: ny Malagasy ihany no manimba ny maha izy azy

Maro loatra ny fifanilihana eo amin’izay namotika ny fo­mba amam-panao, ny kolontsaina, sns, nananan’ny Malagasy. Tena goavana amin’ireny, nazera any amin’ny vahiny tonga na­nani-bohitra sy nanjakazaka te­to, hatramin’izay ka hatramin’ izao. Ry zareo ireo no ifatraran’ ny rihitra sy voampanga matetika ho nanao izay nankahalan’ny Malagasy ny maha izy azy. Ma­rina amin’ny ampahany io satria izay tokoa ny tetika nentin’ireny vahiny ireny nibodo tanin’olona sy nitsentsitra ny hareny. Ny mahavariana, tsy voateny loatra ny tandrevaka, ny fitiavankely, ny fitiavam-boninahitra, ny fisolelahana, ny fihinanana amam-bolony, sns, nataon’ny Malagasy sasany sy hita teny anivon’ny fiarahamonina fahiny sy ankehitriny. Ireo anefa no tena fanetribe amin’ny fanimbana ny maha izy azy ny Mala­gasy. Saika ireo ampahana Ma­la­gasy ireo no nanova zavatra maro teto Madagasikara. An­isan’izany ny tantara, ny fomba amam-panao, ny kolontsaina, ny finoana, ny fahalalana, sns. Ahitana karazan’olona, ta­ha­ka izany, avokoa ny sehatra rehetra, hany ka sarotsarotra ny mamerina ny Malagasy any an-doharano. Na eo aza ny ezaka atao, mitady ho very maina iza­ny satria zary mandalo sy ma­mangivangy tsy tapaka ny sain’ ny Malagasy ilay fiheverana fa : “rehefa an’ny Malagasy dia ratsy, ambany, fakofako… Fa ny an’ny vahiny no avo lenta, ma­dio, tsara, sns”. Io toe-tsaina io no mila fongorina hatramin’ny fakany raha tiana handroso i Madagasikara sy ny Malagasy. Aseho sy asongadina ho tsapan’ny taranaka kosa ilay maha izy azy manontolo!HaRy RazafindrakotoL’article Fahapotehan’ny fomba, ny kolontsaina: ny Malagasy ihany no manimba ny maha izy azy a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

SOLOMBAVAMBAHOAKA VAOVAO: Hahita ny halalin’ny rano

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny talata 2 jolay 2019 ny voka-pifidianana tamin’ny fifidianana  solombavambahoaka. Fantatra fa nahazo ny maro an’isa ny avy amin’ny vondrona antoko IRD (Isika rehetra miaraka amin’ny Prezida Andry Rajoelina. 84 ny isan’izy ireo. Manaraka azy ireo ny tsy miankina, nahazo toerana 46 ary 16 kosa ny an’ny antoko TIM (Tiako i Madagasikara).  Samy nahazo toerana iray avy kosa ny antoko RPSD Vaovao, ny Matita, ny MDM, ny MTS ary ny GJMP.  Nambaran’ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana (HCC), Rakotoarisoa Jean Eric fa ankoatra ny andraikitra ho sahan’izy ireo toy ny famolavolana, fandinihana ary fandaniana ny lalàna dia manana adidy mavesatra ireo solombavambahoaka lany hamerina ny hasin’ny Antenimierampirenena, hamerina ny fahatokisan’ny vahoaka. Nohamafisin’ny solombavambahoaka  voafidy tao ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, Rakotoarisoa Johnny izany tenin’ny filohan’ny HCC izany. “Mavesatra ny adidy miandry anay. Ao anatin’izany ny famerenana ny hasin’ny Antenimierampirenena.  Betsaka ireo tolon-dalàna ho aroso ary efa miandry izany ny vahoakan’Ambohidratrimo”, hoy ity solombavambahoaka avy amin’ny vondrona IRD ity. Ny tantara no hamaritra na hitondra fanovàna tokoa ireto olomboafidy ireto na hamerina ny nataon’ny teo aloha. Rehefa tsy eo amin’ilay toerana  dia mahasahy miteny ny mety sy ny tsy mety  fa rehefa tonga eo dia mamerina ireo fomba sy fihetsika nokianina fatratra. Lynda A.   Cet article SOLOMBAVAMBAHOAKA VAOVAO: Hahita ny halalin’ny rano est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

Andron’ny asa izao, fa efa lasa ny lasa…   

Mby aiza ny raharaham-pirenena amin’izao? Manohy ny asany ny governemanta hoe vaovao. Mifanindran-dalana amin’izany, tafajoro ny Antenimierampirenena vaovao. Tsy vitan’izay, voatendry ny tale jeneraly vaovao hitantana ny Bianco. Inona na ahoana koa?Omanina fatratra ny fandraisana ny fitsidihan’ny papa François amin’ny volana septambra. Aoriana kelin’izay, eo ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna, na mbola mampanontany tena aza ny hoe: ho voatana sa tsia ny andron’ny 28 oktobra?Mbola misy ve ny fisarahan-kevitra? Eny, na mbola tsy mazava be ihany aza, ohatra, ny amin’izay hoe ho lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimierampirenena.Tsy mazava ny lalàna sy izay ampiharana azy? Na mifanohitra an-toerana ny samy mpanohitra…Tsy efa mba niombona sy nampiombonin’ny ekipam-pirenena amin’ny baolina kitra, tamin’ny dingana lehibe vitany, ve ny samy Malagasy tsivakivolo? Na toy inona, ohatra, toerana misy ny tsirairay, na manao ahoana tsy fitovin-kevitra sy fijery…Izany rehetra izany, mila fijery sy ainga vaovao amin’izao? Be ny azo atao sy mety ho vita, ao ny tsy maintsy atrehina, misy ny maika… Efa natomboka, ohatra, ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana… Ahoana ny tohiny sy ny sehatra hafa?Miandrandra fiovana ny vahoaka ifotony, araka ny fanamby sy ny fampanantenana rahateo. Fihatsaram-piainana mivaingana amin’izay ahay. Tsy lavina, arakaraka ny ataon’ny tsirairay no mahasoa na maharatsy ny fiainan’ny tena. Eo koa ny fiaretana sy ny faharetana.Na izany aza, tsy efa mba hisy zavatra hita soritra ve amin’izao? Tsy inona fa ny finoana sy ny fanantenana fa tena mandeha sy atao tokoa ny raharaha: tsy misy intsony, sanatria, ny kitsapatsapa, ny endri-javatra ivelany, ny mbola fifandresen-dahatra indray…Andron’ny asa izao, firosoana amin’izay atao. Izay tena miasa sy be asa, tsy misy fotoana holanina amin-javatra hafa. Efa lasa ny lasa fa ny ankehitriny no atrehina hahitana ny hoavy… ho hafa sy ho tsaratsara kokoa. Mby aiza amin’ity raharaham-pirenena?Rafaly Nd.  L’article Andron’ny asa izao, fa efa lasa ny lasa…    a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Toamasina: tsy nanaraka toromarika ny mpivarotra

Hentitra ny toromarika nomen’ny Praiminisitra Ntsay Christian, raha nitsidika ny tsena may tao Bazarikely Toamasina, ny alatsinainy 22 jolay lasa teo. Nambarany fa tsy maintsy manaraka ny lamina sy ny endriky ny tsena hatrany am-boalohany, mifanaraka amin’ny taon-trano ataon’ny teknisian’ny kaominina Toamasina I ny mpivarotra. Tsy maintsy misy lalana miditra sy mivoaka sady tsy azo atao tranovato ny eo amin’ny tany malalaka “esplanade”.Aty aoriana, tsy nanaraka izany fepetra sy toromarika izany ny mpivarotra fa tonga dia nirohotra nanangana tranovato sady misy rihana daholo. Ho an’ny filohan’ny delegasiona manokana (PDS)-n’ny kaominina, tsy naniraka olona hampanao tranovato mihitsy ny tenany, ary hampiato izany avy hatrany.Etsy ankilany, nandrahona ny mpanao gazety naka ny sary teny an-toerana ny talen’ny kabinetran’ny kaominina. Aminy, tsy tokony hasiana resaka ny fanamboarana tranovato, fa tompon’andraikitra izy ireo ao amin’ny kaominina.SajoL’article Toamasina: tsy nanaraka toromarika ny mpivarotra a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fatina zazarano

Nahitana fatina zazarano, manodidina ny dimy volana, teo amin’ny toerana fanariam-pako iray tany Antsohihy, omaly maraina. Vehivavy nivoaka nanary fako maraina no naha-tsikaritra izany. Tsy misy mahafantatra ny momba- momba an’ilay zazarano, toy ny olona mety ho nanary azy.   L’article Fatina zazarano est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Ho fanohanana ny zavakanto: “Tosik’Art”, fifaninanana izay tetikasa mahaliana…

Tsy tetikasa mahaliana fotsiny… Izay tetikasa maharesy lahatra, hampidi-bola ary hampiroborobo ny toekarena, kanefa mikasika ny sehatry ny zavakanto sy ny kolontsaina. Ireny no hifaninana anatin’ny “Tosik’Art”. “Fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny kolontsaina”. Fehezanteny niverimberina nandritra ny lanonana fampahafantarana ny fifaninanana “Tosik’Art”, omaly, tetsy amin’ny Garan’i Soarano io. Ho fanamarinana izany rahateo ny antom-pisian’ity fifaninanana nasionaly ity, izay hampirisihina ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina, hanolotra tetikasa mahaliana, maharesy lahatra ka azo tanterahina, hampidi-bola ary hampandroso. “Mbola vitsy anisa ireo mpandraharaha izay misehatra eo amin’ny famoronana ara-javakanto sy ny kolontsaina. Misy ny sakana maromaro mahatonga izany, fa hampirisihina izay vonona kosa ny “Tosik’Art. Hitiliana, hanampiana ary hanosehana azy ireo ity fifaninanana ity”, hoy ny nambaran-dRatovinirina Faly, tale misahana ny zavakanto sy ny fampiroboroboana ny kanto eo anivon’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera. Nanamafy ny tanjona, nizara ny lalan-tsaina, nampahafantatra ny fizotry ny fifaninanana sy ny ho vokatr’izany ireo nifandimby fitenenena, nahitana an-dRakotondrabe Niry,t ale jeneralin’ny Ofisim-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina, Ben J izay mpanakanto sady anisan’ireo tompon-kevitra ary Razafiarison Francis, tale jeneralin’ny kolontsaina eo anivon’ny minisitera. “Misy lafiny roa ny kolontsaina, ka ny voalohany ilay hita sy re matetika ary mahazatra antsika. Ny faharoa kosa dia ilay mahakasika ny fihariana sy ny toekarena, mamorona asa ary mamelona olona sy fianakaviana maro. Tsy azo atao tsinontsinona io faharoa io, saingy mila miditra amin’ny sehatra matihanina mba ho tsapa tokoa ny maha fanoitry ny fampandrosoana azy… “Tosik’art”, hanoloran-tanana ny tetikasa maharesy lahatra, mahakasika ny zavakanto rehetra…”, hoy kosa ny nambaran’Andriantongarivo Rakotondrazafy Lalatiana, minisitry ny kolontsaina sy ny serasera. Araka izany, misokatra manomboka ny alatsinainy 5 aogositra izao ny fisoratana anarana, ho an’ireo mpisehatra manana tetikasa hifaninanana. Ho an’ireo teratany malagasy mihoatra ny 21 taona ny fifaninanana, ka afaka misoratra anarana any amin’ny foibem-paritry ny kolontsaina sy ny serasera izay handray anjara. Azo sintonina ao amin’ny tranonkala sy ny pejy “facebook” an’ny minisitera ihany koa ny taratasy fisoratana anarana sy ny andinindininy. Zo ny Aina RandriatsiresyL’article Ho fanohanana ny zavakanto: “Tosik’Art”, fifaninanana izay tetikasa mahaliana… a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fahatongavan’ny papa François: horaisin’ireo Ekar miisa 21 ireo vahiny avy amin’ny diosezy

Efa anaty fiomanana sy fandaminana tanteraka. Ho avy afaka iray volana mahery eto amintsika ny papa François. Anisan’ny andrasana amin’izany koa ireo vahiny sy mpino kristianina avy any amin’ny faritra. Efa mametrapetraka ny handraisana azy ireo ny mpikarakara.« Horaisin’ireo fiangonana katolika miisa 21 eto Antananarivo ny fampiantranoana ireo vahiny avy any amin’ny diosezy miisa 21 amin’ny fitsidihan’ny papa François eto amintsika”, hoy ny vikera jeneraly, ny Mgr Rabenantoandro Ludovic, omaly. Nanteriny fa efa misy ny fifandraisana mivantana eo amin’ny pretra miahy ireny paroasy handray vahiny ireny sy ny diosezy. Nofidina manokana kosa ireo fiangonana 21 ireo mba ho akaiky kokoa ny eny Adrohibe Soamandrakizay, hanaovana  ny sorona masina ny alahdy 8 septambra izao.  “Marobe ny vahiny ho avy ka azo ampiasaina amin’izany avokoa ny “sale d’ouevre” sy ny sekoly na trano malalaka hafa. Nentanina koa ireo tokantrano eny anivon’ny paroasy ireo hilaza ny fahafahany mandray vahiny telo na efatra, ohatra, arakaraka ny fandaminana”, hoy ihany izy.Ny mpitandro filaminana avy any VatikanaTsiahivina fa anisan’ny mandray vahiny ny Ekar Mahamasina, ny Ekar Soanierana, ny Ekar Ivato, ny Ekar Manjakaray, ny Ekar Antanimena, ny Ekar 67 ha, ny Ekar Tsaramasay…Ankoatra izany, efa miroso ny asa fanajariana ny eny amin’ny kianjan’i Soamandrakizay Androhibe amin’izao fotoana izao. Miara-miasa amin’ny fanatanterahana izany ny eo anivon’ny fiangonana katolika sy ny fitondram-panjakana ary ny eo anivon’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo. Efa maromaro koa ireo iraka manokana avy any Vatikana nifandimby nitsidika teto amintsika nijery ny fandaminana rehetra amin’izany handraisana ny papa François izany. Teo koa ny mpitandro filaminana manokana avy any amin’ny fiketrahana masina, nametrapetraka ny lamina rehetra ho fiahiana izany filaminana izany.Hira amin’ny lamesa hotarihin’ny papa FrançoisManampy izany, efa hiainga tsy ho ela ny eo anivon’ny ekipan’ny Ankalazao ny Tompo amin’ny fampianarana ny hira rehetra, amin’ny sorona masina hotarihin’ny ray masina. Misy hira amin’ny teny vahiny, toy ny latinina sy ny frantsay hatao amin’izany.Midika ireo fa efa am-periny tanteraka ny eo anivon’ny fiangonana amin’izany handraisana  ny papa François izany.Synèse R.     L’article Fahatongavan’ny papa François: horaisin’ireo Ekar miisa 21 ireo vahiny avy amin’ny diosezy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Saika haka an-keriny sefo fokontany: dahalo 3 nitondra odigasy saron’ny zandary

Dahalo telo lahy saron’ny zandary sy ny fokonolona ao Betroka tao amin’ny fokontany Maroraza, kaominina ambanivohitr’i Tsaraitso, ny zoma lasa teo. dahalo samy vao herotrerony avokoa ry zalahy ireto : i Dahaoay, Zafilahy ary Retsitohitsy samy monina ao Andriry Avaratra avokoa, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimaria any an-toerana. Nikasa haka an-keriny (bohiry) ny sefo fokontanin’i Maroraza ry zalahy ireto kanjo tsikaritry ny fokonolona ny fihetsik’izy ireo ka niroso tamin’ny fisamborana azy ireo ny mpiray dinan’i Mangoky sy ny zandary ao Betroka. Nandritra ny fisavana sy ny famotorana azy ireo no nahafantarana fa hay anisan’ireo jiolahy ikoizana amin’ny fanafihana amin’iny faritra Betroka iny ry zalahy ireto. Notazonina vonjimaika ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Betroka izy ireo ary hatolotra ny fampanoavana avy hatrany aorian’ny famotorana.Jean ClaudeL’article Saika haka an-keriny sefo fokontany: dahalo 3 nitondra odigasy saron’ny zandary a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Soavinandriana: tratra ireo mpanao taratasin’omby hosoka

Saron’ny zandary ireo tambajotran-jiolahy mpangalatra omby sy mpanao famotsiana omby sady manao taratasin’omby hosoka ao amin’ny faritra Soavinandriana Itasy. Tratra koa ny fitaovana fampiasan’ireo jiolahy. Niainga avy amin’ny loharanom-baovao no nahafantaran’ny kaomandin’ny tobim-paritry zandarimaria ao Soavinandriana ny fisian’ireto tambajotrana mpanao taratasin’omby hosoka ireto. Nisy ny vela-pandrika nataon’ny zandary, ny 7 septambra lasa teo ka tratra tamin’izany ireo jiolahy. Ny famotorana nataon’ny zandary no nahafantarana fa taratasin’omby ara-panjakana hosoka miisa telo no ampiasainy isaky ny tsenan’omby ao Soavianandriana. Rehefa natao ny fisavana ny tranony ao Morarivo Mananasy sy ny fivantanany ao Soavinandriana dia nahitana fitaovana toy ny “dissolvent”, vovon-dandihazo, fitombokase sandoka amin’ny anaran’ny “arrondissement Tsiroanomandidy” sy “arrondissement administratif” ary anaran’olona atao hoe CAA. Nahitana FIB miisa 16 efa niasa sy FIB miisa enina efa voafafa miandry hofenoina ny mombamomba ny omby hofotsiana koa tany amin’izy ireo.Jean ClaudeL’article Soavinandriana: tratra ireo mpanao taratasin’omby hosoka a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Lalana RN-44: tena ratsy ny tapany avaratra

Efa nilaza ny filoha Rajoelina, nandritra ny fitsidihany taty an-toerana, volana vitsy lasa izay, fa tsy maintsy harenina araka ny tokony ho izy ny lalam-pirenena Moramanga –Ambatondrazaka (RN – 44). Nohamafisiny izany nandritra ny fitsidihany ny foara “Fier Mada” atao eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka.Efa manomboka ny fanajariana ny tapany atsimo, toy ny any Amboasary, ankehitriny. Hita efa misy mandrefirefy koa any amin’ny tetezan’i Ranofotsy. Tsy misy fanazavana amin’ny antsipiriany anefa ireo rehetra ireo, toy ny famatsiam-bola sy ny tentimbidin’ny asa hanaovana azy, ny faharetany, izany hoe, ny fiantombohany sy ny hifaranan’ny asa.Tsy nisy fikojakojana matotraTsy mazava koa raha aravona toy ny fahita hatramin’izay fotsiny ny lalan-tany, na tena hatao godirao manara-penitra.Ny zava-misy, azo ihafiana ny ampahany atsimon’ny RN-44, avy any Moramanga hatreo Amboasary, satria misy rarivato, fa tena ratsy ny tapany avaratra satria tsy nisy fikojakojana matotra. Tsy fantatra raha nampiasaina ny Tahirimbola hijojakojana ny lalana (Fer) na tsia. Mandritra ny fotoam-pahavatra, mitaky 50 000 Ar isaky ny fiara ny mpanosika.Rarivo sy Njaka A.L’article Lalana RN-44: tena ratsy ny tapany avaratra a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

Judo – Championnats d’Afrique : Les judokas malgaches en regroupement
25/11/2020

La préparation bat son plein pour les judokas malgaches. A moins d’un mois de la tenue du Championnat d’Afrique senior du 17 au 20 décembre au Palais des Sports de Mahamasina, le clan malgache s’active. Les présélectionnés au sein de l’équipe nationale malgache ont démarré les entraînements ce lundi, au Gymnase de l’Académie Nationale des Sports (ANS). Ce sont 40 judokas de la capitale, d’Antsirabe, de Toamasina et de Manakara qui poursuivent cette préparation en attendant l’arrivée des autres délégations de régions. Ils sont hébergés au M Hôtel à Ampefiloha. « Les judokas de Toliara n’arriveront qu’aujourd’hui. Nous avons appelé près de 40 judokas pour ce regroupement continu qui s’étalera jusqu’au début de la compétition. Nous nous entraînons à un rythme de 3 fois par jour en ce début des préparations », a souligné Jean Jacques Rakotomalala, directeur technique national. Lors de la première journée, les judokas ont été sous l’encadrement des coachs, Arsène Randriantovona, Martine Randriamalalaniaina et du préparateur physique, Mamy Randriamanasinoro. Ces championnats entrent dans le cadre des qualificatifs continentaux pour les Jeux Olympiques de Tokyo 2021. La liste des judokas présélectionnés pour la ligue Analamanga. – 48 kg : Ranaivo Rotsy – 52 kg : Andriamifehy Mireille – 57 kg : Rakotovao Narindra – 63 kg : Rasoanaivo Razafy Laura – 70 kg : Ny Ando Jocyah – 78 kg : Rasoanaivo Miora – 60 kg : Rakotonandrasana Angelo, Moravily Sebany – 66 kg : Ramahefarison Rina, Rasoanaivo Razafy Lucas, Rambeloson Lita – 73 kg : Ravelojaona Rayan, Andrianasolo Lova – 81 kg : Ranaivoarisoa Fetra, Razakandrandria Roberto – 90 kg : Ramalajaona Ricky, Rakotovelo Mialy, Ramboaniaina Johary – 100 kg : Rasoanaivo Antsa +100 kg : Rajemisa Tojo Gaël, Rasoanaivo Razafy Tsanga T.H L’article Judo – Championnats d’Afrique : Les judokas malgaches en regroupement est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Judo – Championnats d’Afrique : Les judokas malgaches en regroupement a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Andron’ny indostria aty Afrika : Fanodinam-bokatra eto an-toerana ho an’i Madagasikara
21/11/2020

Nankalazaina, omaly, tao amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny Andron’ny indostria aty Afrika 2020. Nitarika ny fotoana ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny indostria (Onudi), ny minisiteran’ny Indostria, ny varotra sy ny asa tanana ary ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim). Navoitra tamin’ny An­dron’ny indostria aty Afrika ny fifanakalozana malalaka ao anatin’ny fifaninanana, izay misy tse­na mahatratra 3 000 miliara dolara aty Afrika. Mitaky vokatra betsaka avy amina fi­renena isanisany izany, ampy ho an’ny tsena anatiny sy hoentina eo amin’ny tsenan’ny fifanakalozana. Ma­no­hana izay tetikasa misy mangaraharaha mankany amin’izany tolotra izany ny Onudi. Ho an’i Madaga­si­ka­ra, fanamby napetraka ny fa­nomezan-danja ny fanodinam-bokatra eto an-toerana ho an’ny tsena anatiny, koa hampirisihina ny mpanjifa hirona amin’ny vita malagasy. Aorian’izay ny tolotra ho an’ny tsena ivelany hifaninana amin’ny hafa. Mifamatotra ny indostria sy ny varotra ka manafaingana izany ny fampiasana an­govo azo havaozina, ny fidirana amin’ny teknolojia vaovao, ny fiantsoana ny mpampiasa vola mivantana avy any ivelany. Mitombo hatrany ny fampiasam-bola aty Afri­ka ataon’ireo firenen-dehibe, efa nahatratra 49 mi­li­ara dolara tamin’ny 2019, saingy tamin’ity taona ity, nosembanin’ny Covid-19.Indostria iray isaky ny distrika irayNotsiahivin’ny minisitra Ra­kotomalala Lantosoa, fa tsara toerana ny indostria ma­lagasy tamin’ny taon-dasa sady nahazo fanohanana tamin’ny Onudi. Mbola anatin’izay fampiroboroboana ny indostria malagasy izay ny politikan’ny fitondram-panjakana: Indostria iray isaky ny distrika iray. Ankoatra ireo orinasa tafatsangana tamin’ity taona ity, hisy tetikasa fananganana in­dostria iray goavana ma­no­dina ny vokatry ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono any atsimo andrefana, amin’ny taona 2021, vatsin’ ny Bad vola. “Eto Madagasikara, isan-taona, mankalaza ny An­dron’ny indostria aty Afrika, ahafahana manao jery todika ny zava-bita sy hijerena ny ho avy miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka, sehatra tsy miankina”, hoy ny minisitra Rakotomalala Lan­tosoa. Napetraka ny lo­hahevitra hoe fampandrosoana ny indostria maharitra, manolona ny fisokafan’ny tsena aty Afrika sy fiatrehana ny fandalovan’ny valanaretina coronavirus.R.MathieuL’article Andron’ny indostria aty Afrika : Fanodinam-bokatra eto an-toerana ho an’i Madagasikara a été récupéré chez Newsmada.

STARTIMES: Mitohy mandritra ny fetin’ny faran’ny taona ny fihenam-bidy
20/11/2020

Fotoana ankamamian’ny mpianakavy ny fetin’ny faran’ny taona. “Manoloana izany dia nanao ezaka ny teo anivon’ny Startimes hamenoana izany hafaliana izany”, hoy ny tompondraikitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe ao amin’ny Startimes, Zafera Joyce nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety ny 20 novambra 2020 teny Ankorondrano. Nambarany fa nampiditra chaînes vaovao 28 tao anatin’ny bouquet ny Startimes tamin’ity taona ity, nanome fihenam-bidy tamin’ny alalan’ny Startimes GO ary tamin’ny alalan’ny Startimes ON dia afaka nisitraka ny vokatra Startimes na mpanjifa na tsia. Ho tohiny izany rehetra izany dia manao fihenam-bidy goavana ity televiziona nomerika ity ho fanamarihana ny fetin’ny faran’ny taona. “ Raha ho an’ny eto Antananarivo dia lasa 45.000 Ariary ny décodeur ary efa misy abonnement 44.000 Ariary. Ho an’ny sahafa indray dia lasa 80.000 Ariary izany raha toa ka 120.000 Ariary teo aloha ary efa misy bouquet 44.000 Ariary miaraka aminy”, hoy i Zafera Joyce. Ankoatra izany dia mbola mitohy ny fihenam-bidy amin’ny “télévision numérique” an’ny Startimes. Raha 650.000 Ariary ny 32” dia lasa 550.000 Ariary. Ho an’ny televiziona 43” dia 950.000 Ariary ny vidiny raha toa ka 1.100.000 Ariary izy teo aloha. Nirina R. Cet article STARTIMES: Mitohy mandritra ny fetin’ny faran’ny taona ny fihenam-bidy est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article STARTIMES: Mitohy mandritra ny fetin’ny faran’ny taona ny fihenam-bidy a été récupéré chez Délire Madagascar.

RFC : 250 films diffusés en huit jours
19/11/2020

Les trophées pour les compétitions officielles des Rencontres du Film Court ont été présentées lors de la conférence de presse hier (crédits photo : Tiaray) RFC en est à sa 15e édition cette année. Du 20 au 28 novembre, les cinéphiles se donnent rendez-vous dans la capitale malgache.  Un événement d’ampleur international  qui a pour ambition de faire venir des publics de toute génération, et de toute origine  culturelle autour d’une activité  riche, fédératrice et de qualité. Action culturelle qui unit le continent noir, la RFC  est une manifestation proposée dans une démarche d’instruction, faite de relations humaines avec une volonté de faire se rencontrer les artistes professionnels et les passionnés de cinéma. RFC donne  la possibilité aux artistes et aux cinéphiles  de se rencontrer, et  d’assister à des spectacles variés et de qualité. Selon les organisateurs, « une trentaine de faiseurs de  films d’ici  et d’Afrique sont en lice pour les zébus d’or. Près de 250 films seront  répartis en 65 séances dans divers endroits de la ville mais dont l’essentiel se déroulera à l’IFM  Analakely et au Cinépax Tana Water Front ».  Parce que la RFC  affiche sa volonté de promouvoir le mélange des genres artistiques, « les RFC  ont accueilli 276 candidatures venues de 31 pays d’Afrique  pour cette édition et en ont sélectionné une vingtaine ».  Réunies autour d’une même ouverture d’esprit, la programmation artistique et toutes les activités proposées sont imaginées dans le but de donner à chacun un moyen de s’épanouir et de s’exprimer. Maminirina Rado L’article RFC : 250 films diffusés en huit jours est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article RFC : 250 films diffusés en huit jours a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Masoivoho amerikanina: manamarika ny herinandron’ny fanabeazana iraisam-pirenena
18/11/2020

Nanomboka ny 16 ka hatramin’ny 20 novambra izao ny hanamarihan’ny masoivoho amerikanina ny “Herinandron’ny fanabeazana iraisiam-pirenena” (IEW).Mampirisika ireo mpianatra malagasy liana amin’ny fianarana any ivelany ny masoivoho amerikanina eto Madagasikara sy i Kaomoro handray anjara amin’ireo hetsika maimaimpoana mandritra ny IEW amin’ny fitsidihana ny pejy facebook https://www.facebook.com/EducationUSAMadagascar.Tokony hanararaotra ity herinandro ity ireo mpianatra malagasy hijerena ny fomba hahafahana manohy fianarana any amin’ireo oniversite sy ny toeram-pampianarana ambony miisa 4 000 any Etazonia ka hisitraka ny traikefa entin’ny fampianarana iraisam-pirenena.”Ny foara ampitain-davitra momba ny fampianarana ambony izay hatao ny 18 sy ny 19 novambra izao ny ivon’ny fanamarihana ny herinandron’ny fampianarana iraisam-pirenena na ny IEW amin’ity taona ity.Afaka mifandray amin’ireo tompon’andraikitry ny fandraisana mpianatra amina oniveriste sy ny sekoly ambony amerikanina toy ny Lafayette College sy ny Santa Rosa Junior College ireo mpianatra malagasy izay te handray anjara amin’ireo fotoana ireo.Ho an’ny eto Madagasikara manokana, hanolotra tafatafa mivantana amin’ny pejy “facebook” hiarahana amin’ny mpianatra efa nandranto fianarana tany Etazonia ny masoivoho amerikanina amin’ny alalan’ny EducationUSA.Tatiana A  Fandaharam-potoana18 sy 19 novambra amin’ny 3 ora tolakandro sy amin’ny 7 ora hariva: Foara ampitain-davitra momba ny fampianarana ambony izay ahafahan’ny mpianatra mifandray amina oniversite amerikanina miisa 150. Misoratra anarana mialoha ao amin’ny pejy Facebook @EducationUSAAfricaConnection20 novambra – 11 ora : Andiany faharoa amin’ny tafatafa mivantana iarahana amin’ny ekipan’ny EducationUSA sy ireo mpianatra malagasy efa nandranto fianarana tany amin’ny oniversite amerikanina hitantara ny fiainan’izy ireo ao amin’ny pejy facebook @EducationUSAMadagascar.16 – 20 novambra: torohevitra samihafa momba ny fianarana any Etazonia, hozaraina isan’andro ao amin’ny pejy facebook @EducationUSAMadagascar L’article Masoivoho amerikanina: manamarika ny herinandron’ny fanabeazana iraisam-pirenena a été récupéré chez Newsmada.

Après match : Des rues noires de monde  
18/11/2020

Il a fallu jouer des coudes pour sortir du stadium de Barikadimy après le match des Barea. Et le mot n’est pas trop fort pour qualifier cette marée humaine prendre d’assaut toutes les rues par où passent les Barea. Des héros que tout le monde voulait voir. Autant dire que les Tamataviens étaient fiers de ces Barea qui ont vraiment mouillé le maillot et tenu tête à des Ivoiriens théoriquement supérieurs. Mais la première haie d’honneur était pour le Président Andry Rajoelina grâce à qui la ville a pu se doter d’un stade aux normes internationales. C’était tellement bien fait au point de faire dire au capitaine ivoirien Serge Aurier que les conditions incluant également l’hôtel Le Calypso étaient réunies pour rendre leur séjour agréable. Clément RABARY L’article Après match : Des rues noires de monde   est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Après match : Des rues noires de monde   a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Secteur minier : La révision du Code minier incontournable
20/11/2020

Le comité de réflexion et de rédaction sur la révision du Code minier est opérationnel depuis janvier 2020. Il réunit toutes les parties prenantes œuvrant dans le secteur minier à Madagascar. On peut citer, entre autres, les opérateurs issus de la grande mine, les exploitants issus de la petite mine, les membres de la société civile et l’administration publique. Ces parties prenantes reconnaissent que la révision du Code minier est incontournable afin que ce secteur, qualifié de stratégique, puisse constituer un levier du développement socio-économique pour Madagascar. Elles travailleront ainsi de concert pour émettre des recommandations visant à améliorer certains dispositifs du Code minier. Il s’agit notamment des recommandations validées par toutes les parties prenantes. Approche inclusive. A noter que la réunion de ce comité de réflexion et de rédaction sur la révision du Code minier se tient chaque semaine. Durant cette concentration, des échanges et des négociations entre les participants ont lieu. L’objectif consiste à adopter une nouvelle réglementation régissant le secteur minier qui a été élaborée dans le cadre d’une approche inclusive. Les discussions au niveau des travaux de commission se poursuivent encore, a-t-on appris de source auprès de ce comité de réflexion. De nombreuses thématiques ont été abordées. En ce moment, les taux des redevances minières, la levée du gel des permis miniers, le développement des activités extractives face aux problèmes fonciers et environnementaux sont, entre autres, les thèmes à discuter entre toutes les parties prenantes. Le comité lance ainsi un appel à ces dernières qu’il est temps de se mettre toujours en avant tout en poursuivant les négociations afin d’atteindre l’objectif commun. Navalona R. L’article Secteur minier : La révision du Code minier incontournable est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Secteur minier : La révision du Code minier incontournable a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Appel à manifestation d’intérêt (UGP CASEF / 2013A)
21/11/2020

Cliquer sur le lien ci-dessous pour télécharger le document. AMI_N°_32-20_CASEF-_Expert_Foncier_Mhj (1) L’article Appel à manifestation d’intérêt (UGP CASEF / 2013A) est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Appel à manifestation d’intérêt (UGP CASEF / 2013A) a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Sahiry: « Tsy tonga any ifotony ny fanampiana »
23/11/2020

Nivoaka amin’ny fanginany. “Tsy tonga eny anivon’ny fokontany ireo fanampiana ho an’ireo kere any atsimo. Hatreo anivon’ny kaominina ihany izany. Mihinana voamadilo sy ravina raketa hitazonana aina ny mponina”, hoy ny fikambanana Sahiry. Namory mpanao gazety tetsy Tsimbazaza izy ireo, ny asabotsy teo. Ahitana ireo mpanakanto avy any atsimon’ny Nosy. Na izany aza, nankasitrahin’izy ireo ny fanampiana, saingy tokony hazava ny fitantanana sy ny fitsinjarana izany. Hanao fampisehoana eny Ambohimanambola izy ireo ny 29 novambra izao, hotronin’ny mpanakanto maro. Hatolotra ny BNGRC ny vola azo amin’izany ka iantsoan’izy ireo ny rehetra, handray anjara sy hitondra ny tolo-tanana.Synèse R. L’article Sahiry: « Tsy tonga any ifotony ny fanampiana » a été récupéré chez Newsmada.

Miisa 31 ny tranga vaovao: tafakatra 251 ireo lavon’ny Covid-19
23/11/2020

Miisa 31 ireo nifindran’ny valanaretina teo anelanelan’ny 14 hatramin’ny 18 novambra teo. Nisy iray namoy ny ainy indray.Anisan’ny misongadina amin’izany ny any Matsiatra Ambony, ahitana tranga vaovao miisa 13 raha enina ny eto Analamanga. Miisa telo ny any Atsinanana raha iray avy ny any Vatovavy Fitovinany sy any Sava. Roa kosa ireo tranga vaovao any raha dimy ny any Diana. Tany amin’io faritra io koa ny iray lavon’ny Coronavirus. Tafakatra 251 izany izao ireo matin’ny valanaretina eto amintsika, hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty.Miisa 433 ireo mbola manaraka fitsaboanaNa izany aza anefa, miisa 65 ireo sitrana ka maro anisa amin’izany ny eto Analamanga, miisa 19, raha 17 ny any Alaotra Mangoro ary 10 kosa ny any Diana.Tafakatra 16 657 izany izao ireo nahafeno ny fepetra, sitrana sy efa nody amin’izao ho an’ireo mitondra ny tsimokaretina miisa 17 341. Mbola misy 433 kosa anefa ireo manaraka fitsaboana sy arahi-maso ny toe-pahasalamany. Miisa 93 734 ny fitambaran’ny fitiliana vita. Tsiahivina fa miisa 87 ireo tranga vaovao, teo anelanelan’ny 8 sy 13 novambra ary iray kosa lavo.Synèse R.L’article Miisa 31 ny tranga vaovao: tafakatra 251 ireo lavon’ny Covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Kaominina Fiaferana: nankasitrahana ireo mendrika tamin’ny fanadinam-panjakana
20/11/2020

Tsy nijery fotsiny ireo mpianatra mendrika tamin’ny fanadinam-panjakana teo ny ben’ny Tanànan’i Fiaferana. Notolorana mari-pankasitrahana izy ireo, omaly.Nankasitraka ny mpianatra mendrika nitana ny laharana telo voalohany nandritra ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC ary bakalorea ny ben’ny Tanànan’i Fiaferana, distrikan’Antananarivo Avaradrano, Andrianaho Ratovelomanana, omaly, teny amin’ny biraon’ny kaominina. Ireo mpiadina telo nisongadina tamin’ny fanadinana CEPE sy BEPC ary ny mpiadina iray nahazo Mention assez bien tamin’ny bakalorea no nahazo fankasitrahana sy medaly ary lelavola ho fisaorana azy ireo. « Fampirisihina ny mpianatra hanao ny tsara hatrany sy hiezaka amin’ny fianarana no tanjona. Hetsika sambany nisy nanao ny fankasitrahana toy izao », hoy ny ben’ny Tanàna. Mbola hidinika ny fanampiana ireo mpianatra sangany ireo amin’ny fanohizana fianarana ny mpitantana ny kaominina, araka ny fanazavany. 10 tamin’ny mpianatra 14 avy ao amin’ny lycée no nahazo ny mari-pahaizana bakalorea ho an’ny kaominina. Notolorana medaly koa izy rehetra afaka soa aman-tsara ireo. Nankasitrahana koa ny sekoly efatra nanana taham-pahafahana 100% tamin’ny CEPE farany teo. 16 ny isan’ny sekoly ambaratonga voalohany ao anatin’ny kaominina, telo ny ambaratonga faharoa ary roa ny lycée mandray ny mpianatra rehetra. Niantoka ny sakafon’ny mpiadina tamin’ny fanadinana CEPE ny kaominina ho fanampiana ireo ray aman-dreny.Vonjy A.L’article Kaominina Fiaferana: nankasitrahana ireo mendrika tamin’ny fanadinam-panjakana a été récupéré chez Newsmada.

Appel à manifestation d’intérêt (UGP CASEF / 2014A)
21/11/2020

Cliquer sur le lien ci-dessous pour télécharger le document. AMI_n°_33-20_CASEF-_CER_Boeny_171120 (1) L’article Appel à manifestation d’intérêt (UGP CASEF / 2014A) est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Appel à manifestation d’intérêt (UGP CASEF / 2014A) a été récupéré chez Midi Madagasikara.