Kitra – Fikatonan’ny sisintany: Afa miditra eto ny Elefanta Ivoarianina saingy manaraka fepetra

News - Kitra – Fikatonan’ny sisintany: Afa miditra eto ny Elefanta Ivoarianina saingy manaraka fepetra

News - Kitra – Fikatonan’ny sisintany: Afa miditra eto ny Elefanta Ivoarianina saingy manaraka fepetra

 

 Azo antoka fa hotanterahina eto
Madagasikara ny lalao miverina hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy
ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana
hiadian-toerana ho an’ny Can 2022.

 Tsy misy intsony ny
fisalasalana fa hatao eto Madagasikara ihany ny fihaonana miverina
eo amin’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire.
Lalao tafiditra amin’ny andro fahefatra amin’ny fifanintsanana ho
an’ny Can 2022. Araka ny fanambarana nataon’ny federasiona
malagasin’ny baolina kitra (FMF), nomen’ny Aviation Civile de
Madagascar (ACM), fahazoan-dalana manokana hiditra eto Madagasikara
ny delegasiona ivoarianina, na mbola mikatona aza ny sisin-tanin’i
Madagasikara. Raha tsy misy ny fiovana, ho tonga ny 15 novambra, ho
avy izao ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ka fiaramanidina manokana
Airbus no hitondra azy ireo.

Mety hiaraka higadona eto avokoa ny
ekipa roa tonta satria avy hatrany hamonjy an’i Madagasikara izy
ireo, raha vantany vao ho vita ny lalao mandroso, hatao ny 14
novambra ho avy izao.

Nahazo fankatoavana avy
amin’ny Fifa

Na izany aza, tsy maintsy misy
hatrany ny fitiliana sy ny fizahana ara-pahasalamana atao amin’ireo
mpilalao rehetra sy ny mpikambana rehetra ao anatin’ny delegasiona,
mialoha sy mandritra ary aorian’ny baikon’ny kaonfederasiona
afrikanina (Caf). Tsiahivina fa hatao any amin’ny kianja Stadium
Barikadimy Toamasina, ny talata 17 novambra 2020, amin’ny 4 ora
tolakandro io lalao miverina eo amin’ny roa tonta io. Marihina fa
efa nahazo fankatoavana avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena
(Fifa) io fotodrafitrasa any amin’ny faritra atsinanana io.
Ankoatra izay, tsy hihoatra ny 5000 ny totalin’ny olona afaka
miditra ao anaty kianja, hanatrika io fihaonana miverina io.

Efa nalefan’ny federasiona malagasy
ny baolina kitra any amin’ny Caf sy ny federasiona ivoarianina
(Fif) ny valin-teny momba io fahazoan-dalana manokana hidiran’ny
Elefantan’i Côte d’Ivoire eto Madagasikara io.

 Tompondaka

Article tiré de Newsmada

L’article Kitra – Fikatonan’ny sisintany: Afa miditra eto ny Elefanta Ivoarianina saingy manaraka fepetra a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 29/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Digy Anosizato: ahiana ny fihotsahana

Nandray andraikitra avy hatrany ny boriboritany faha-4, manoloana ny zava-dozaataon’ireo mpanao biriky eny an-toerana. Mpanao biriky maromaro no hita sy tsikaritra mandavaka ny sisin’ny digy Anosizato, izay hita fa tena mihagoaka ka mety hitarika fahavakisana ato ho ato. Araka izany, natsahatra avy hatrany ny asan’izy ireo. Nomena taratasy fampiantsoana avy izy ireo ho tonga eny amin’ny boriboritany hijerena raha manana ny taratasy fazahoan-dalana feno nahafahany manao biriky eo amin’io toerana io.Raha sanatria ka misy fahavakisany ny arabe sy ny digy amin’iny faritra iny dia mety hiparitaka manerana an’Antananarivo Renivohitra ny ranon’Ikopa, ka ho lasa dibo-drano ny faritra iva manodidina.Raha ny tokony ho izy, eny amin’ny nosy kely afovoan-drano ireto mpanao biriky ireto no tokony hihady ny tany izay ilainy, fa tsy eny amin’ny sisin’ny arabe sy digy toy ny ataony ankehitriny.Ho avy ny fahavaratra, mampanahy ny mety ho fahavakisana raha mitohy ny asa fanamboarana biriky mikaoka ny sisin’ny digy. Tandindomin-doza ny tanàna rehetra manodidina vokatr’izany.Mila hamafisina aza ireo efa nohadian’ireo mpanao biriky ireo mba tsy hampiitatra ny fahavoazana mialohan’ny fahavaratra izao. Noraisina izao fepetra izao mba ho fisorohana ny loza mety hitranga, ary ho fitsinjovana hatrany ny soa iombonan’ny mponin’Antananarivo Renivohitra, hoy ny tompon’andraikitra.Tatiana AL’article Digy Anosizato: ahiana ny fihotsahana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Jeu d’Echecs-Minichess/FMJE: norombahin’i Fy ny fandresena

 Nizotra tsara araka ny tokony ho izy ny lalao échecs nokarakarain’ny fikambanana Minichess Madagascar sy ny federasiona malagasy ny jeu d’échecs, omaly. Lalao natao tamin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra, teo ambany fiahian-dRakotomaharo Fy, izy ity. I Fy izay nahazo ny fandresena, tafaperaka eo amin’ny laharana voalohany. Mpandray anjara nanodidina ny 85 teo ny namaly ny antso ary nisy mpilalao vahiny miisa 10. Isan’izany ry Isaac Okeke (Nizeria), i Emmanuella Enomah (Nizeria), i Sinan Kistner (Alemaina), i Caxita Esperanç (Angola), i Mialy Rozec (Frantsa), i Miloud Mezouaghi (Frantsa) ary i Nino (Frantsa). Vola 335 000 Ar ny nozaraina tamin’ireo mendrika ka azon’i Fy ny 100 000 Ar, amin’ny maha laharana voalohany azy. 9/9 ny isa azony nandritra lalao nahitana “9 rondes”.Tsy maintsy miandry 24 ora hatramin’ny 48 ora vao afaka mamoaka ny tena valin-dalao marina ny mpikarakara mba hanaovana fanamarinana tsara sao nisy ny “triche”, amin’ny maha lalao nampitain-davitra azy.Mi.Raz L’article Jeu d’Echecs-Minichess/FMJE: norombahin’i Fy ny fandresena a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Sehon’i Lalatiana: nanaingo ny fiarahana i Olombelo Ricky sy Rija R

“Fehezam-boninkazo”. Niverina matetika izay, nandritra ilay fampisehoana niarahana tamin’i Lalatiana, ny tolakandron’ny alahady lasa teo. Niendrika fehezam-boninkazo tokoa satria natao ho fanomezana ho an’ireo renim-pianakaviana izany, amin’ny maha fetin’ny reny ny fotoana. Niaraha-nigoka kosa anefa ny kanto nomen’i Lalatiana sy ireo mpitendry, indrindra ireo mpijery nameno ny efitranon’ny Arena Ivandry. Nifanakaiky kokoa ny sehatra sy ny toerana nisy ireo mpijery ka voatana hatramin’ny faran’ny seho ny hafanana. Vao nanomboka ny feonkira voalohan’ny “Ranomason’ankizy”, efa tsinjo fa hafana ny fiarahana. Saika niarahan’ny rehetra avokoa mantsy ireo hira 30 mahery nalahatr’i Lalatiana sy ny mpitendry nanaraka azy nandritra izany. Toy ny mahazatra amin’ny sehon’i Lalatiana, nangatahin’ny mpijery famerenana ry “Misy antony”, ny “Tsy anjarako ianao”, ny “Moron-drano”, sns. Nampiavaka sy nanaingo iny fiarahana iny kosa ny nahatongavan’ny Olombelo Ricky tao. Niarahany tamin’i Lalatiana ny “Izy indrindra” sy ny “Mena masoandro”, izay tsy nampitombina ireo mpijery. Tsy nilatsaka akory izay hafaliana sy hafanana izay dia niakatra an-tsehatra koa i Rija Ramanantoanina nanao ny “Mama”, avy eo, narahin’ny “Tsara iafarana”, hira fampiaraham-peo nahafantarana indrindra azy mianadahy… Zo ny Aina L’article Sehon’i Lalatiana: nanaingo ny fiarahana i Olombelo Ricky sy Rija R a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Herinaratra avy amin’ny masoandro: hampitomboana avo roa heny ny tanjaka any Ambatolampy

Hampihena ny masonkarenan’ny Jirama ny fividianana herinaratra azo havaozina, toy ny avy amin’ny masoandro. Anisan’ny manana tanjaka lehibe ny any Ambatolampy izay nampitomboana avo roa heny (40 MW) ny vokatra.Natao sonia, ny herinandro lasa teo, ny fifanarahana eo amin’ny tale jeneralin’ny Jirama, Andria­man­ga Vonjy, sy ny tompon’andraikitry ny orinasa tsy miankina, ny Green Yellow. Mifantoka amin’ny hampitomboana avo roa heny, ho 40 MW, ny herinaratra avy amin’ny masoandro hovokarina, any Ambatolampy, raha toa ka 20 MW izany, ankehitriny. Haharitra herintaona ny asa fanitarana hanaovan’ny Green Yellow azy ka hahazo io tanjaka 40 MW io, manomboka amin’ny taona 2021, ny mpanjifa ao anatin’ny Tambajotra iraisan’ An­ta­nanarivo (RIA), ahitana ny eto Antananarivo sy ny manodidina, ny mianandrefana ary ny mianatsimo hatrany Antsirabe. Lehibe indrindra aty AfrikaVita tamin’ny volana jona 2018 ity toby famokarana herinaratra avy amin’ny ma­soandro any Ambatolampy ity, anisan’ny lehibe indrindra aty Afrika sy eto Madagasi­kara. Ahitana takelaka misintona herin’ny masoandro mi­isa 73 000 amina velaran-tany mirefy 33 ha ka samy mamokatra herinaratra 275 W tsirairay avy. Nahatratra 20 tapitrisa euros ny fampiasam-bolan’ny Green Yellow tamin’ireo. Ma­haritra 25 taona ny fe-potoana fiaraha-miasany amin’ny Jira­ma, amin’ny hividianan’ity fa­rany ny herinaratra vokatra.Lehibe indrindra eto amin­tsika ity toby ity, ary misy toby faharoa hafa any Maeva­tanàna, an’ny orinasa tsy mi­an­kina iray hafa, ny First Energy.Njaka AndriantefiarinesyL’article Herinaratra avy amin’ny masoandro: hampitomboana avo roa heny ny tanjaka any Ambatolampy a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Talatavolonondry : Voaambana basy ny mpivarotra

Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina, ny maromaro lahy izay tsy voafaritra isa no tonga tao amin’ny fokontany Ambohitrango, ao Talatavolonondry. Efa nangina ny tanàna ny alahady teo hany ka henon’ny rehetra ny firodorodon’ireo olona. Na izany aza anefa tsy nisy sahy nivoaka intsony satria efa nahazo tsindrimandry, fa dahalo no nigadona. Nandondona tao amin’ny mpivarotra iray izy ireo ary nilaza fa mpanara-dia dahalo izay vao avy nandroba. Vitan’ireo koa ny nandresy lahatra ny mpivarotra avy amin’ny filazana, fa mba hividy vatoaratra ampiasaina amin’ny “lampe de poche” izy ireo ary koa haka fanafody vitsivitsy fa misy tsy salama. Dia novohaina tokoa ny toeram-pivarotana kinanjo basy avy hatrany no narangarangan’ireo olon-dratsy. Norahonana ny mpivarotra mba hamoaka izay vola misy rehetra ao amin’ilay toerana. Lasa tao anatin’izany ny 500.000 ariary ary tsy mbola nionona teo ireo jiolahy, fa tena naka entana izay zakan’izy ireo, isan’izany ny vatoaratra izay nentina namitahana teny am-boalohany. Ankehitriny, dia efa fantatra iraisam-pirenena ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara. Isan’ny voaresaka hatrany izany any anaty atrikasa maro izay miompana amin’ny zon’olombelona. Ny fanafihan-dahalo, ny fanafihana eny amin’ny làlam-pirenena, ny fanondranana olona, ny fakana an-keriny ary ny kolikoly, dia lasa laza ratsy tanteraka ho an’ny firenena ary isan’ny tena amantarana azy anefa. Samy mirongatra avokoa ireo voaresaka eo ambony ireo, indrindra amin’izao vaninandro izay toy ny tsy misy mpitarika izao ny Nosy. Manampy trotraka an’ireo ny fiparitahan’ny basy sy ny fanamparam-pahefana; izay mainka koa mitarika tsy fahatokian’ny olona ny rafitra izay misy. Lasa ady iainana isan’andro izany ny tsy fandriam-pahalemana izay mitarika sakana ho an’ny fivoahan’ny olona amin’ny kizon’ny fahantrana. D.RL’article Talatavolonondry : Voaambana basy ny mpivarotra a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Indray mijery

Hovelomina indray ny takelaby famantarana ny lalana Mahatma Ghandi eny Mahamasina, sy ny lalana Indira Ghandi eny Tsaralalàna. Nisongadina izany tamin’ny fihaonan’ny tompon’andraikitry ny tanànan’Antananarivo sy ny masoivoho vaovaon’i Inde monina sy miasa eto Madagasikara, i Abbay Kumar, omaly tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely.Hovelomina, toy izany, koa ireo mari-pamantarana amin’ny arabe na « marquage au sol » amin’ireo lalana roa ireo. Tafiditra amin’ny fahatsiarovana ny faha-150 taona nahaterahan’i Mahatma Ghandi izao hetsika izao.Hotokanana tsy ho ela ireo lalana ireo. Voaresaka koa nandritra ny fihaonana teo amin’ny roa tonta ny hanaovana tanàna mpirahavavy an’Antananarivo amin’ny tanàna iray any Inde.Tamin’ity herinandro ity, nitarika atrikasa niaraka tamin’ny mpandray anjara 24 avy amin’ny firenena 14 manerana an’i Afrika ny ekipan’ny Peace Corps sy ny mpanolotsaina momba ny sakafo ara-pahasalamana avy amin’ny USAID. Tamin’izany no nianarany ny fomba tsara indrindra hanampiana ny reny sy ny zaza hitondra fanovana mahomby eo amin’ny fahasalamany sy ny sakafo hohaniny. Hoentin’izy ireo mody any an-tanindrazany izany fahalalana izany ary hampianariny olona maro. Fomba fanehoana fihetsika ara-pahasalamana izany.L’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Sakaraha : « Délégué de vote » ana kandidà tsy miankina, maty voafira famaky

Nihoson-drà ny fifidianana Solombavambahoaka tao Sakaraha, Faritra Atsimo Andrefana. Tovolahy iray mpianatra ao amin’ny oniversiten’i Maninday Toliara, antsoina hoe : Bastide dit Ragnitsy, izay « délégué  de vote » ana kandidà tsy miankina iray ao Sakaraha no nisy namono, ka maty voafira famaky teo amin’ny lohany, afak’omaly hariva, tokony ho tamin’ny enina ora. Raha ny vaovao voaray, dia avy tao amin’ny foiben-toeran’ny kandidà tohanany ity tovolahy izay nandeha bisikileta hamonjy fodiana ity, no nisy nanakana teny an-dalana tsy lavitra ny biraon’ny Distrika, ka voakapoka famaky teo amin’ny lohany, ary naratra be. Na dia nialan’ny mpitsabo nenina mafy aza izy, nefa noho ny fahaverezan-drà be loatra, dia tsy tana ny ainy. Manoloana izao vono olona nahatsiravina nahavalalanina ny maro izao, dia misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny fikarohana ny/ireo nahavanon-doza. Eric ManitrisaL’article Sakaraha : « Délégué de vote » ana kandidà tsy miankina, maty voafira famaky a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Tantara sy finoana: 150 taona ny FJKM Ambohimamory

Vohitra iray anisan’ny manan-tantara eto Imerina i Ambohimamory. Anisan’ny nanamarika vanim-potoana iray lehibe ny fijoroan’ny fiangonana FJKM, 150 taona lasa izay. Ireo no hiaraka ao anatina hetsika iray hotontosaina eny an-toerana ao anatin’ny andro efatra, ao amin’ny FJKM Ambohimamory Malala OrimbatoManomboka anio 3 aogositra, fampirantiana ny tantara. Rahampitso 4 aogositra, miditra amin’ny 7 ora sy amin’ny 10 ora maraina ny fiangonana. Mitohy hatrany ny fampirantiana aorian’izay. Ny 10 aogositra tontolo andro, fanohizana ny fampirantiana. Ny 11 aogositra, ivon’ny jobily faha-150 taon’ny fiangonana FJKM Ambohimamory Malala Orimbato. Miditra amin’ny 8 ora maraina ny fanompoam-pivavahana. Fijoroan’ny isan-taranaka (vokatra) hitondra fanilo miampita. Hisy ny sakafon-jobily.Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa misy ny antsoina hoe « komitin’ny faha-15 aogositra ». Isaky ny amin’io andro io no hihaonan’ny zanak ‘Ambohimamory hanehoana ny talentan’izy ireo. Raha ny voalazan’ny tantara, Ambohimitsinjorano ny anaran’ity vohitra ity fahiny. Nanjary Ambohimamory izy taty aoriana. Anisan’ireo toerana fihaonan’ny andriambaventy teto Imerina.HaRy Razafindrakoto L’article Tantara sy finoana: 150 taona ny FJKM Ambohimamory a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tokony hotohizana ny fanaovam-baksiny: mitombo ny ankizy matin’ny kitrotro maneran-tany

  Niakatra ny isan’ny ankizy maty noho aretina kitrotro maneran-tany teo anelanelan’ny taona 2016 sy ny 2019, araka ny tatitry ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fahasalamana (OMS). Nitombo 50% izany ary nahatratra 207 500 ny taona 2019 izay isa ambony indrindra tao anatin’ny 23 taona farany. 869 770 ny trangana kitrotro voatily, araka ny fanadihadian’ny Ivontoerana fanaraha-maso sy fisorohana ny valanaretina (CDC). “Voakasika avokoa ny faritra rehetra ary tokony hisy ny fanentanana goavana ho an’ny firenena rehetra hampirisika ny vahoaka ao aminy hanao vaksiny ny ankizy iarovana azy ireo”, hoy ny tale jeneralin’ny OMS, ny dokotera Tedros Adhanom Ghebreyesus. Antony voalohany nitarika ny fiakaran’ny isa ny tsy fahavitan’ny vaksiny fatra roa ara-potoana ho an’ny ankizy rehetra.“Teto amintsika sy tany Congo ary tany Nigeria no nahitana ny 90% -n’ny trangana kitrotro”, hoy ny fanambarana avy amin’ny OMS. Ny taona 2018, nisy 16 000 ny zaza malagasy voan’ny kitrotro. Nanao vaksiny faobe iarovana ny ankizy ny fanjakana niaraka amin’ny Unicef sy ny mpiray ombon’antoka ka zaza 5,3 tapitrisa (9 volana -14 taona) no vita vaksiny. Tsapa fa nihena ny isan’ny ankizy nahatontosa vaksiny mahazatra nandritra ny fisian’ny hamehana ara-pahasalamana noho ny tahotra valanaretina Coronavirus.Vonjy A.    L’article Tokony hotohizana ny fanaovam-baksiny: mitombo ny ankizy matin’ny kitrotro maneran-tany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tetibolam-panjakana 2019: tsy omen’ireo depiote lanja ny fandaniana izany 

Nampahafantatra ny fiarahamonim-pirenena Rohy, omaly, fa tsy omen’ireo depiote lanja  ny fampiasana ny volam-bahoaka momba ny tetibolam-panjakana 2019. Manan-jo  ny vahoaka, araka ny Lalam-panorenana, hahafantatra ny fomba fandanian’ny governemanta ny  volany. Zava-dehibe momba izany lalàna mahakasika ny tetibolam-panjakana 2019 izany ny hoentin’ny  governemanta vaovao miasa amin’ny fitondrana manaraka. Ny 21 novambara teo, nitondra fanazavana momba izany ny minisitra tompon’andraikitra, Andriambololona Vonintsalama. Ireo depiote mba tonga ao anatin’ny komity misahana ny tetibola anefa zara raha namakafaka izany antontan-taratasy matevina izany, ny 22 novambra. Nilaza fotsiny ny filohan’ny komity fa ny 26 novambra no hanapahan-kevitra momba io tetibola io. Nomarihin’ny fiarahamonim-pirenena Rohy fa ho tanterahina izany, nefa ny olom-pirenena tsy mahalala ny antsipiriany hatramin’izao ; tsy naka fotoana akory ireo depiote handalina ny momba izany ; tsy tena nisy fifanakalozan-kevitra teo amin’ny mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka. Mitaky amin’ireo lazaina fa « solombavam-bahoaka » ny fiarahamonim-pirenena Rohy hanao ny adidiny manoloana ny fahefana mpanatanteraka, amin’ny maha solontenan’ny vahoaka azy. Noho izany, tokony hanokana fotoana izy ireo hanadihady ny tolo-dalàna ; hihaino sy hamakafaka ny andaniny hafa, toy ny fiarahamonim-pirenena ; hatao izay hisian’ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny olom-pirenena sy ny governemanta ; izay vao tokony hirosoana ny fandaniana ny tetibolam-panjakana. Miandry fitondrana vaovao Mazava aloha ny antony tsy hanomezan’ireo depiote ankehitriny lanja ny fandalinana ny tetibolam-panjakana 2019. Tsy ho eo amin’izany toerana izany intsony ny maro amin’izy ireo amin’ny fotoam-piasan’ny Antenimieram-pirenana manaraka, miaraka amin’ny fitondrana vaovao. Maro amin’ny olom-pirenena koa no tsy taitra amin’ireny fotoam-pivoriana misokatra ho an’ny rehetra ireny. Azo antoka fa tsy maintsy mbola hiverenan’ny depiote vaovao io lalàna momba ny tetibolam-panjakana io.   R.MathieuL’article Tetibolam-panjakana 2019: tsy omen’ireo depiote lanja ny fandaniana izany  a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

Projet PAPRiz II : Plus de 115 000 paysans intéressés par la technique vulgarisée
19/11/2020

Le projet PAPRiz (Projet d’Amélioration de la Productivité Rizicole et de Gestion de Bassins-versants et Périmètres Irrigués), dans sa phase II, touche actuellement à son terme. Il s’agit notamment d’un projet de coopération technique entre le gouvernement Malgache et le gouvernement du Japon par l’intermédiaire de la JICA (Agence Japonaise de Coopération Internationale). Six nouvelles régions sont bénéficiaires des interventions de ce projet dans cette phase II, en plus des cinq régions qui ont été ciblées depuis son démarrage en 2009. A l’issue de la 5e réunion du comité conjoint de coordination du projet PAPRiz II, qui s’est tenue hier à l’hôtel Colbert, il a été évoqué que l’objectif a été atteint. Une production additionnelle de l’ordre de 550 000 tonnes par rapport à la production de 2015, est ainsi attendue. Bénéfice net de 2,5 millions Ar/ha. Rappelons que ce projet a pour but d’améliorer la productivité rizicole des paysans dans ses onze régions d’intervention en développant des paquets techniques de la culture du riz irrigué. Cette technique leur permettra d’augmenter leur rendement de productivité à au moins 5 tonnes /ha tout en réalisant un bénéfice net moyen de 2,5 millions Ar/ha. En tout, plus de 57 000 paysans formateurs ont été formés. Et après vulgarisation de la technique, plus de 115 000 paysans ont été intéressés. Pour le cas de la région Boeny, qui fait partie des six nouvelles régions d’intervention du projet PAPRiz dans sa phase II, « nous avons pu former 77 paysans formateurs durant les deux dernières campagnes de production rizicole. Ce sont des paysans volontaires qui sont aptes à vulgariser à leurs pairs les techniques culturales qu’ils ont acquises dans le cadre de leur formation. Les récoltes, surtout pour cette campagne de grande saison, s’annoncent ainsi bonnes. En effet, ces 77 paysans formateurs ont atteint voire même dépassé le rendement de 5 tonnes/ha et plus de 2 000 paysans ont reçu leurs formations », a raconté Randriamanjato Tovo Niaina Faniry, Coordonnateur régional du projet PAPRiz II-Boeny. Amélioration du niveau de vie. Et parlant du cas de la région Itasy qui a bénéficié des interventions du projet depuis la phase I, « une nette amélioration du niveau de vie des paysans ciblés, a été observée. Environ 20 000 paysans opérant dans 67 plaines ont adopté les techniques de PAPRiz. Nous leur avons appris à bien gérer les recettes issues de leurs récoltes afin qu’ils puissent réinvestir dans la préparation de la prochaine campagne culturale. Si le paysan cultive du riz sur un hectare, son coût de revient s’élève à environ 300 000 Ar. Et après calcul du rendement, son bénéfice se chiffre à peu près à 2 millions Ar. Certains paysans bénéficiaires ont pu constituer une épargne auprès des institutions de micro-finance, tandis que d’autres ont pu créer d’autres activités génératrices de revenu, dont le commerce. Il y en a également ceux qui ont pu construire une maison, ou acheter des zébus ou des charrettes ou des matériels et équipements agricoles. L’acquisition d’un véhicule de transport de marchandises n’est pas en reste. En revanche, les impacts du changement climatique et l’insécurité constituent un problème récurrent entravant le développement rural », a exprimé Razaiarimanga M. Vololomboahangy, coordinatrice régionale du projet PAPRiz –Itasy. Navalona R. L’article Projet PAPRiz II : Plus de 115 000 paysans intéressés par la technique vulgarisée est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Projet PAPRiz II : Plus de 115 000 paysans intéressés par la technique vulgarisée a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fiaraha-miasa 3P: trano fonenana ho an’ny mpikambana Cnaps
20/11/2020

Ao anatin’ny velirano faha-11 nataon’ny filoha Rajoelina Andry ny fampiroboroboana ny trano fonenana sy ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Napetraka ny Antokon-draharaha nasionaly hanohanana ny trano fonenana (Analogh), orinasam-panjakana eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (MTTP), sady miara-miasa amin’ny minisitera lefitra miadidy ny Tanàn-dehibe vaovao sy ny trano fonenana (VMVNH). Ny antony, ny hanatanterahana ny Politikam-pirenena mikasika ny trano fonenana.Tanjon’ny Analogh ny hiantoka ny ahazoan’ny tokantrano malagasy trano fonenana sahaza, hampihenana ny fahantrana sy hanatsarana ny fari-piainany. Maro, araka izany, ny tetikasa hanorenana trano fonenana manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao.Natao, omaly, ny sonian’ny fifanarahana eo amin’ny Analogh, ny banky BNI Madagasikara ary ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS). Hita taratra amin’ity fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina ity ny fanatanterahana ny Politikam-pirenena ho an’ny trano fonenana (3P).Nilaza ny tale jeneralin’ny CNaPS, Rakotondraibe Mamy, fa anisan’ny tanjona ao anatin’ity fifanarahana ity ny ahazoan’ny mpikambana ao amin’ny CNaPS, mahazo trano fonenana. aorin’ny Analogh.Amin’ny alalan’ny banky BNI no ahafahan’ny mpikambana mindram-bola, hividianana ny trano.Njaka A.L’article Fiaraha-miasa 3P: trano fonenana ho an’ny mpikambana Cnaps a été récupéré chez Newsmada.

Lutte contre la corruption : Recrutement de magistrats et greffiers pour les PAC Mahajanga et Fianarantsoa
20/11/2020

Les antennes du Pôle Anti-Corruption (PAC) à Antananarivo et Mahajanga sont déjà opérationnelles. Afin de renforcer la lutte contre la corruption et les infractions économiques et financières au niveau national, le ministère de la Justice prépare aussi l’ouverture du PAC Fianarantsoa. En effet, un appel à candidatures vient d’être lancé en vue d’étoffer l’équipe du PAC Mahajanga et de rendre effective la mise en place de cette structure au niveau de la région Haute Matsiatra. Le recrutement est ouvert à tous les magistrats de l’ordre judiciaire, mais aussi aux personnels judiciaires issus du corps des greffiers en chef et greffiers. Aussi, en ce qui concerne le PAC Mahajanga, le ministère recrute deux magistrats et deux greffiers pour la juridiction de premier degré siège, un substitut du procureur et deux secrétaires du parquet au premier degré parquet, 2 conseillers et 1 greffier au second degré siège, ainsi qu’un avocat général et un secrétaire du parquet pour la juridiction du second degré du parquet. Pour ce qui est du futur Pôle anti-corruption de Fianarantsoa, Faravohitra annonce le recrutement d’un président et d’un doyen des juges, un juge d’instruction, juge et juge des enfants, 3 juges, un greffier en chef et 6 greffiers pour former la juridiction du premier degré siège. Mais aussi un procureur et deux substituts, un chef de secrétariat du parquet, ainsi que 3 secrétaires du parquet pour composer la juridiction du premier degré parquet. Au niveau de la juridiction de second degré siège, le PAC Fianarantsoa est à la recherche d’un chef de siège, 2 présidents de chambre, 4 conseillers, 1 greffier en chef et 4 greffiers. En revanche, le recrutement d’un chef du ministère public, d’un avocat général, un Substitut général, un chef de secrétariat du parquet et 3 secrétaires du parquet est lancé pour la juridiction du second degré parquet. Une capacité à travailler sous pression, capacité de résistance aux différentes pressions et interventions, une bonne condition physique et une disponibilité pour des déplacements fréquents et une intégrité avérée. Ce sont, entre autres, les critères de sélection exigés pour tous ces postes. Les prétendants sont appelés à déposer leurs dossiers de candidature auprès de la Direction de coordination nationale des Pôles Anti-Corruption au 5e étage de l’immeuble CNAPS aux 67Ha avant le 15 décembre prochain. Davis R L’article Lutte contre la corruption : Recrutement de magistrats et greffiers pour les PAC Mahajanga et Fianarantsoa est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Lutte contre la corruption : Recrutement de magistrats et greffiers pour les PAC Mahajanga et Fianarantsoa a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Ivato : 15 kg d’or saisis par la douane
23/11/2020

Le Directeur Général des Douanes,  Lainkana Zafivanona Ernest a tenu, hier, une conférence de presse concernant ce nouveau coup de filet. La douane malgache renforce les contrôles et  le niveau de vigilance au niveau des aéroports. Des efforts qui sont couronnés de succès puisque la douane vient de mettre la main sur 15 kg 245 d’or qu’un ressortissant malgache a tenté d’expédier illicitement samedi dernier  à Dubaï  par fret aérien.  Le contrevenant a tenté de faire passer cette quantité importante d’or en le dissimulant dans 257 feuillards d’or repeint en aluminium sous forme de parois d’une grande caisse métallique contenant des produits artisanaux malgaches, notamment de la ferronnerie  d’art en  forme de baobab. C’est la taille disproportionnée de la caisse contenant les produits artisanaux a éveillé le soupçon des douaniers. Etant en effet trop grande, ladite caisse ne pouvait pas passer  au scanner. Du coup, les douaniers ont décidé de procéder à un contrôle plus approfondi ayant abouti à la découverte des feuillards d’or repeints en couleur alu.  Il s’agit, selon la direction générale des douanes d’une infraction mixte, c’est-à-dire minière et douanière.  En attendant son déferrement, le contrevenant est actuellement mis en détention provisoire. On rappelle que la douane a  procédé ces derniers temps à de nombreuses saisies de marchandises illicites. Prouvant ainsi sa volonté  de lutter efficacement contre les trafics au niveau de nos frontières. R.Edmond. L’article Ivato : 15 kg d’or saisis par la douane est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Ivato : 15 kg d’or saisis par la douane a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Basikety – “Afrobasket 2021”: hiala ao Nosy Be anio ny ekipa nasionaly
24/11/2020

Vonona ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny “Afrobasket”. Hanainga anio ny delegasiona hihazo an’i Kigali, Rwanda. Ao anatin’ny heriny tanteraka ireo mpilalao.Anio amin’ny 3 ora sy 35 mn no hiainga ao Nosy Be ny sidina hitondra ny delegasiona malagasy hihazo an’i Kigali, Rwanda, hiatrika ny dingana faharoa amin’ny fifanintsanan’ny “Afrobasket”. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, ao anatin’ny hery sy ny tanjaka tsara avokoa ireo mpilalao rehetra, efa niatrika fanazarantena avy hatrany ny alahady hariva raha vao tonga tany Nosy Be, sady nizatra ny toetr’andro. Nitohy omaly izany fanazarantena izany,  tamin’ny 7 ora hatramin’ny 9 ora maraina, sy tamin’ny 4 ora tolakandro hatramin’ny 6 ora hariva. Mialoha ny niaingana, mbola niatrika fanazarantena ny ekipam-pirenena tamin’ny 7 ka hatramin’ny 9 ora maraina ary tamin’ny 12 ora antoandro teo no nihazo ny seranam-piaramanidina ny delegasiona. Mahakasika an’i Rija, mpilalao mila ravinahitra any Frantsa indray, hanainga anio izy ka any Addis Abeba ny hihaona amin’ny delegasiona avy aty Madagasikara avy eo mamonjy an’i Kigali, Rwanda. Tsiahivina fa hanomboka ny 27 novambra izao ny fifaninanana ka ny ekipam-pirenen’i Tonizia ny hifanandrina voalohany amin’ny ekipan’i Tojo. Ny ampitson’io indray, hihaona amin’ny ekipam-pirenena Centrafricaine ary ny fifanandrinana amin-dry zareo RDC ny hamarana ny fifaninanana mandroso. Amin’ny volana febroary kosa ny hanatanterahana ny lalao miverina, izay tsiahivina hatrany fa mahazo ny tapakila hiatrehana ny dingan’ny famaranana amin’ny “Afrobasket 2021” ireo ekipa telo voalohany isaky ny vondrona, izay hatreto, manana ny herijika handehanana amin’izany ny ekipam-pirenena malagasy. Mi.RazL’article Basikety – “Afrobasket 2021”: hiala ao Nosy Be anio ny ekipa nasionaly a été récupéré chez Newsmada.

Fiatrehana fifidianana: hijery ifotony ny olan’ny kaominina ireo loholona MMM
23/11/2020

Anjaran’Atsimondrano sy Avaradrano indray ny faran’ny herinandro teo. Nandresy lahatra ireo mpifidy vaventy amin’ireo kaominina amin’ny distrika roa ny kandidà loholona, lisitra Malagasy miara-miainga, Rakotondrainibe Michel sy Ravelonjato Bernard.« Tsy ho mpandany lalàna fotsiny fa hitondra ny tenin’ireo mpifidy vaventy amin’ireo ambaratonga  samihafa sy ny mpiara-miombona antoka. Aoka tsy hijery loko politika isika. Tokony hanao tamberin’andraikitra amin’ireo mpifidy vaventy ny loholona. Hijery eny ifotony ny olana sedrain’ny kaominina izahay », hoy izy ireo. Nambaran’ireto kandidà ireto fa handeha amin’ny fampandrosoana isika ary afaka miara-miainga ho amin’ny fiovana sy ny fivoarana. Nanterin’izy ireo hatrany fa hampitomboina ny tetibola ho an’ny eny ifotony. «Tsy manavaka firehana izahay. Tsy miditra amin’ny adilahy politika. Kaominina mandroso no fantatray », hoy ihany izy ireo.Hanaja ny teny nomenaAnisan’ny maha sarotiny ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga ny amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Maro ireo mpifidy vaventy resy lahatra amin’izany fampitomboana ny tetibolan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana izany. Naneho ny fahavononany ny kandida fa hanaja ny teny nomena ary hanamafy ny fitokisan’ny vahoaka sy ireo olom-boafidy. “Tafiditra ao anatin’izany indrindra koa hampivoarana ny kaominina rehetra ato amin’ny faritan’Antananarivo”, hoy ihany izy ireo. Hitohy any amin’ny distrika hafa indray ny fandresehan-dahatra ataon’ireto kandidà loholona laharana faharoa amin’ny biletà tokana ireto amin’ity herinandro ity.Synèse R.L’article Fiatrehana fifidianana: hijery ifotony ny olan’ny kaominina ireo loholona MMM a été récupéré chez Newsmada.

Niara-nitoRY ny fianakaviana: Ankizivavy enina indray naolan’i Gaëtan
21/11/2020

Tsy misy farany ! Tratra teo am-panolanana ankizivavikely mbola virijiny vao 13 taona ny raim-pianakaviana iray 45 taona, antsoina hoe Gaëtan, ny alakamisy tao Am­bohibary distrikan’i Mora­manga. Nosamborin’ny zandary avy ao amin’ny poste avancé ao Ampitabe ity nahavanon-doza ity. Tonga nitoroka sy nitory ihany koa ny fianakaviana hafa tao an-toerana fa hoe manan-janaka dimy efa voaolan’i Gaëtan, talohan’ izao ka misy kambana vao 10 taona, ny zandrin’ireo kam­bana ireo vao 9 taona, ankizikely hafa 8 sy 12 taona. Efa nozahan’ny mpitsabo ireto ankizikely niharan’ny fanolanana ireo ary manaraka fitsaboana na ara-batana izany na ara-tsaina. Fa tratran’ny zandary ao Matsondakana koa ny jiolahy antsoina Sébastien, izay nanolana zazavavikely vao 8 taona monja tao Am­bohitsara Matsondakana distrikan’i Befandriana Avaratra, ny alakamisy teo ihany.J.CL’article Niara-nitoRY ny fianakaviana: Ankizivavy enina indray naolan’i Gaëtan a été récupéré chez Newsmada.

Masoivoho amerikanina: manamarika ny herinandron’ny fanabeazana iraisam-pirenena
18/11/2020

Nanomboka ny 16 ka hatramin’ny 20 novambra izao ny hanamarihan’ny masoivoho amerikanina ny “Herinandron’ny fanabeazana iraisiam-pirenena” (IEW).Mampirisika ireo mpianatra malagasy liana amin’ny fianarana any ivelany ny masoivoho amerikanina eto Madagasikara sy i Kaomoro handray anjara amin’ireo hetsika maimaimpoana mandritra ny IEW amin’ny fitsidihana ny pejy facebook https://www.facebook.com/EducationUSAMadagascar.Tokony hanararaotra ity herinandro ity ireo mpianatra malagasy hijerena ny fomba hahafahana manohy fianarana any amin’ireo oniversite sy ny toeram-pampianarana ambony miisa 4 000 any Etazonia ka hisitraka ny traikefa entin’ny fampianarana iraisam-pirenena.”Ny foara ampitain-davitra momba ny fampianarana ambony izay hatao ny 18 sy ny 19 novambra izao ny ivon’ny fanamarihana ny herinandron’ny fampianarana iraisam-pirenena na ny IEW amin’ity taona ity.Afaka mifandray amin’ireo tompon’andraikitry ny fandraisana mpianatra amina oniveriste sy ny sekoly ambony amerikanina toy ny Lafayette College sy ny Santa Rosa Junior College ireo mpianatra malagasy izay te handray anjara amin’ireo fotoana ireo.Ho an’ny eto Madagasikara manokana, hanolotra tafatafa mivantana amin’ny pejy “facebook” hiarahana amin’ny mpianatra efa nandranto fianarana tany Etazonia ny masoivoho amerikanina amin’ny alalan’ny EducationUSA.Tatiana A  Fandaharam-potoana18 sy 19 novambra amin’ny 3 ora tolakandro sy amin’ny 7 ora hariva: Foara ampitain-davitra momba ny fampianarana ambony izay ahafahan’ny mpianatra mifandray amina oniversite amerikanina miisa 150. Misoratra anarana mialoha ao amin’ny pejy Facebook @EducationUSAAfricaConnection20 novambra – 11 ora : Andiany faharoa amin’ny tafatafa mivantana iarahana amin’ny ekipan’ny EducationUSA sy ireo mpianatra malagasy efa nandranto fianarana tany amin’ny oniversite amerikanina hitantara ny fiainan’izy ireo ao amin’ny pejy facebook @EducationUSAMadagascar.16 – 20 novambra: torohevitra samihafa momba ny fianarana any Etazonia, hozaraina isan’andro ao amin’ny pejy facebook @EducationUSAMadagascar L’article Masoivoho amerikanina: manamarika ny herinandron’ny fanabeazana iraisam-pirenena a été récupéré chez Newsmada.

Tselatra
24/11/2020

Vehivavy mitondra vohoka enim-bolana niharan’ny fanolanana tambabe tao Vohitraivo Amparafaravola, ny zoma teo. Avy nisafo tany amin’ny dokotera izy no nifanehatra tamin’ireo jiolahy ka nanamparan’ireo jiolahy habibiana. Tsy vitan’izay fa notapahin’ireo nahavanon-doza ny lohany rehefa avy naolan’izy ireo.L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

Tarika Vaovy: nodimandry i Damy Managnosike
18/11/2020

Araka ny vaovao nampitain’ny Vaovy, La Fondation, ao anaty tambanjotran-tserasera, nodimandry teo amin’ny faha-65 taony i Damy Managnosike. Mpitendry lokanga ao amin’ny tarika Vaovy izy. Nandritra ny naha mpanakanto azy, firenena marobe ny efa notetezin’i Damy Managnosike. Raha ny voalazan’ny Vaovy, La Fondation, « izao tontolo izao no efa hitany ». Fantatra avy amin’io vaovao anaty tambanjon-trantserasera io fa narary ka notsaboina teny amin’ny hopitaly Befelatanana izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao.Marihina fa eo am-panomanana ny hetsika ho fahatsiarovana an’i Fanovona Jean Gabin na i Vaovy ny tarika amain’izao fotoana izao. Raha ny fikasana sy ny vina novolavolain’ny Vaovy, La Fondation, amin’ny taona 2021 izao no hanatanterahana io tsiahy an’i Vaovy io.Mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’i Damy Managnosike sy ny Vaovy, La Fondation, ary ny tontolon’ny kolontsaina malagasy ny Gazety Taratra.Nanangona : HaRy RazafindrakotoL’article Tarika Vaovy: nodimandry i Damy Managnosike a été récupéré chez Newsmada.

Le By Pass – After work: hitondra ny vazony ny Lolo sy ny tariny
19/11/2020

Mpanakanto manana ny lazany! Lolo sy tariny indray ny hanafana ny faran’ny herinandro, etsy amin’ny Le By Pass After work, rahampitso manomboka amin’ny 7 ora hariva. “Tady vita fato-maty”, “Ilay akanjo fotsy”, “Dimbaka avy any Nazareta”… Ireo ny sombiny amin’ny hira anisan’ny nanamarika an’ny Lolo sy ny tariny. “Manome sehatra ny mpanakanto, isam-bolana, ny Le By Pass After work, amin’ny fanehoana ny talentany. Anaty fahamatorana tanteraka izany. Hotanterahina avokoa ny zavatra nampanantenainay ho fanomezana fahafaham-po ny manakafy vazo malagasy”, hoy ny tompon’andraikitra.Tsy zovina amin’ny maro ny Lolo sy ny tariny. Anisan’ny nitondra fanabeazana sy fanovana toe-tsaina tamin’ireo tononkira tsara rafitra sy misy lanjany. Nitaiza na teny an-tsehatra na tany amin’ny haino aman-jery nandritra ny taona maro. Raha ny nambaran’ny tarika, tsy hanam-paharoa ity seho rahampitso zoma ity. Ao anatin’ny fampisehoana, hajaina hatrany ny fepetra ara-pahasalamana tsy hiparitahan’ny valanaretina Coronavirus.Narilala L’article Le By Pass – After work: hitondra ny vazony ny Lolo sy ny tariny a été récupéré chez Newsmada.

Haintrano tao amin’ny oniversiten’Antsiranana: mpianatra iray maty, olona roa hafa naratra
23/11/2020

Niredareda ny afo tao amin’ny oniversiten’Antsiranana, ny sasakalin’ny asabotsy hifoha alahady teo. May tamin’izany ny trano fonenan’ny mpianatra ao an-toerana. Vokany, rava avokoa ny fotodrafitrasa vitsivitsy. Tovolahy mpianatra iray ao amin’ny taona faharoa, maty vokatry ny loza. Mpianatra roa hafa koa naratra mafy. Araka ny fanadihadiana, « court-circuit » ny nahatonga ny loza sy nitarika ny fahavoazana. Ao koa ireo nanazava fa nitsonika ny taribin-jiro fitsilovana teny ambonina tilikambo. Antony nipoiran’ny afo izany. Nikoropaka ny rehetra raha vantany vao niseho ny loza, tsy tafavoaka tamin’izany kosa anefa ny tovolahy iray vao 22 taona, mpianatra ao amin’ny taona faharoa ny « faculté des sciences » ao an-toerana. Vokany, sempotra tsy tafavoaka ilay trano may izy ka may sy namoy ny ainy. Ireo naratra mafy kosa, nalefa vonjimaika ao amin’ny hopitaly ao Antsiranana.Naharitra manodidina ny 3 ora ny fahamaizana ka nandravarava ireo fotodrafitrasa sy ireo fitaovana ao amin’ny oniversite. Raha ny tatitra navoakan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, maherin’ny 60 ireo traboina. Henitsoa HaniL’article Haintrano tao amin’ny oniversiten’Antsiranana: mpianatra iray maty, olona roa hafa naratra a été récupéré chez Newsmada.