Kitra-Fifidianana filohan’ny CAF :: Manao ankamantatra ny filatsahankofidiany i Ahmad

News - Kitra-Fifidianana filohan’ny CAF :: Manao ankamantatra ny filatsahankofidiany i Ahmad

News - Kitra-Fifidianana filohan’ny CAF :: Manao ankamantatra ny filatsahankofidiany i Ahmad

Hanao jery todiky ny zava-bitany nandritra ny fe-potoam-piasany i Ahmad, filohan’ny Kaonfederasiona Afrikanin’ny baolina kitra (CAF), vao hampahafantatra ny firotsahany fanindroany indray amin’ny fikendrena an’io toerana io. « Haka ny hevitr’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny ankolafin-kery rehetra ary ireo mpiara-miasa amiko mikasika ny filatsahako ho kandidà aho, raha vantany vao tonga aty amiko ny tatitra momba ireo vita nandritra ny fe-potoam-piasako ”, hoy izy, nandritra ny fivoriana an-tambajotran-tserasera niarahan’ny komity mpanatanteraka ao amin’ny CAF, omaly.

Any Rabat (Maraoka) no hanaovana ny fifidianana ho filohan’ny CAF, amin’ny volana marsa 2021, raha tsy misy fiovana. Manomboka, anio ary haharitra roa volana, ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana.

L’article Kitra-Fifidianana filohan’ny CAF :: Manao ankamantatra ny filatsahankofidiany i Ahmad est apparu en premier sur AoRaha.

Kitra-Fifidianana filohan’ny CAF :: Manao ankamantatra ny filatsahankofidiany i Ahmad

Nivoaka tamin'ny : 11/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fampianarana mozika: hanana « Conservatoire » i Madagasikara

Sambany eo amin’ny tantaran’ny fampianarana mozika eto Madagasikara ! Hotokanana amin’ny fomba ofisialy androany maraina ny « Conservatoire National de Madagascar » na ny CNM. Ny Foibem-pirenena fampianarana mozika (Cnem) teo aloha ity navadika ho « Conservatoire » ity. Ny foto-drafitrasa nampiasain’ny Cnem, etsy Ampefiloha, rahateo aloha, hatreto, no misy ny foiben’ny CNM. Tsiahivina fa efa namoaka mpianatra maro ny Cnem. Maro rahateo ny zavamaneno ianarana ao aminy. Anisan’ireny ny gitara, ny piano, ny valiha, ny violon, ny flûte, sns. Niampy fianarana dihy ireo ka nanjary « Cnemd » no niantsoana azy mialoha izao ivadihany ho « Conservatoire National de Madagascar » izao. Ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny fiarovana ny vakoka sry ny fampiroboroboana ny asa tanana kosa no miahy ny CNM. HaRy Razafindrakoto

News - News Mada

Fanajariana ny lakandranon’i Pangalana: ho voavaha ny olan’ny fitaterana any atsinanana

Mampiavaka ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy ny lakandranon’i Pangalana, 428 km, avy eo Toamasina hatrany Mananjary. Iankinan’ny toekarena lehibe eo amin’ny sehatry ny fitaterana sy ny fizahantany. Kely sisa izao, ho vita ny asa fanajariana izany lakandrano lehibe izany. Ampolo taona maro tsy nisy fikojakojana ny lakandranon’i Pangalana. Maro ny fihariana nikatso niaraka tamin’izany, indrindra ny fitaterana sy ny fizahantany. Tsy nisy fitohizana ny avy any Mananjary hatrany Toamasina, fitaterana tapatapaka amin’ny lakana madinika ny mampifandray ny fiainan’ny mponina eo amin’ny tanàna mifanakaiky. Manoloana izany, herintaona izao ny APMF (Agence portuaire maritime et fluviale) misahana ny seranana amin’ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy mandray ny asa fanajariana ny lakandranon’ny Pangalana.Kely sisa, ho vita tanteraka ny asa, hamaha ny olana lehibe eo amin’ny fitaterana any amin’ny tapany atsinanan’ny Nosy sy hanome ainga vao ho an’ny fizahantany. Asa fanajariana lehibe ny fanadiovana ireo faritra manentsina ny lakandrano, ny fanalana fotaka ahazoana halalina 1,50 m. Eo anelanelan’i Masomeloka sy Ambalavontaka ny hanaovana io asa goavana io, izay efa eo am-pamaranana azy amin’izao fotoana izao. Faharoa ny fanalana ireo zavamaniry manakana ny lakandrano, efa ao anatin’ny asa famaranana koa izao. Fahatelo ny fanadiovana toerana maromaro, misy 12 (mirefy 100 m na 200 m) hatrany Mananjary. 60 % amin’izany toerana izany no efa voadio ankehitriny.Fizahantany sy kolontsainaMiantoka ny famoaham-bokatra betsaka hita any amin’iny faritra atsinanana iny ny fahavitan’ny lakandrano, toy ny kafe, ny jirofo, ny lavanila. Vokatra fanondrana avokoa ireo ka hahasarika ny mponina hifantoka sy hamokatra bebe kokoa. Hita manamorona ny lakandrano ireo karazan-gidro sy sifaka, ny zavamaniry samihafa, toy ny ravinala, ny rafia, sns. Hamelona indray ny fizahantany sy ny fikarohana samihafa ny fahavitan’ny lakandranon’i Pangalana. Ahitana karazana kolontsaina koa ireo tanàna manamorona azy, ireo mponina tsara fandray sy manome endrika ny kolontsainy amin’ireo asa tanana maro. Eo ihany koa ny sakafo sy ny voankazo.Hampiova ny fari-piainan’ny mponina, hampitombo ny fidiram-bola izany ny fahavitan’io lakandrano io. Irariana ny fitohizan’ny asa fikojakojana, tsy hahatapaka ny fitaterana, hanampy ny tantsaha amin’ny famoaham-bokatra sy hahatongavan’ny mpizahatany. R.MathieuL’article Fanajariana ny lakandranon’i Pangalana: ho voavaha ny olan’ny fitaterana any atsinanana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Misy ny takaitra sy ny fiantraikan’ny ady               

          Hifarana ato ho ato ny ady mivantana amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19? Na izany aza, mbola eo ny takaitran’ny fiantraikan’izany: tsy maintsy atrehina, mila fanarenana. Eo, ohatra, ireo marary efa sitrana tanteraka fa tsy mamindra intsony: mba tsy hisy ny hanilikilika na hanifikifika azy ireny. Samy mivoaka amin’ny ady izao, samy mandresy fa tsy hisy ny hoe sisan’aretina.Misy ny mbola ao anatin’ny fahasarotana. Tsy ireo marary izany rehefa tena mifarana ny ady mivantana fa ireo mitondra takaitra noho ny ady: very asa, nivaro-pananana noho ny tsy fisiana na ny hala-boty nanjaka tetsy sy teroa, niala tsy fidiny tamin’ny fonenana fa tsy nahaloa hofan-trano… Ady tsy vita? Izay no mahatonga ny fangatahana ny fanohizana ny fanampiana.Sanatria, mbola hisy hitondra tsimokaretina amin’izany; eny, rehefa ho vita eo aza ny ady mivantana? Fanararaotana amin’ny fahavoazan’ny hafa: fampiakarana vidin-javatra, fividianana mora ny entan’izay mila vonjy, fandroahana mpiasa tsy amin’ny antony, tsy fanomezana na fampihenana tsy mazava ny karaman’ny mpiasa… Mety ho tsimokaretina avokoa izany?Mbola mila hiadiana ireny rehetra ireny? Raha tiana ny handresy tanteraka ny valanaretina sy ny takaitrany mbamin’ny fiantraikany eo amin’ny tsirairay, tokantrano, fiarahamonina… Eny na eo amin’ny fisainana aza, na ny fomba fiaina, na ny fifandraisana… Samy hivoaka amin’ny ady izao ary samy ho mpandresy. Samy nandalo fotoana sy lalana sarotra izany. Tsy misy tsy sahirana?Tsy ny fisian’ny ady niara-niatrika sy niaina, ohatra, no ndeha hanamarinan-tena amin’izay mitranga sy atao rehetra amina karazana aretina hafa indray: fanararaotana, fanambakana, fandikan-dalàna… Tarazo ratsy avelan’ny ady ireo fa tokony hanova ny fomba fisaina sy fiaina izay ady mafy sy sarotra ary ela niaretana izay. Tsy hitondra fahavoazana hafa indray amin’izao…Ny ady ho vita ihany fa mbola eo ny fanarenana, ny fanonerana, ny fanorenana. Tena mila fifampitsinjovana? Fijoroana, fahavononana, fijerena lavitra…Rafaly Nd.L’article Misy ny takaitra sy ny fiantraikan’ny ady                a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Seho momba ny zaridaina: fihariana iray vitsy mpahafantatra

 Fahombiazana ny andro voalohany ny amin’ny fampisehoana momba ny zaridaina, nisokatra ny 23 mey teo ao amin’ny Alliance française Antananarivo, Andavamamba, ary mifarana anio. 1000 mahery ny mpitsidika tamin’io andro voalohany io nizaha ny traikefan’ireo mpamboly zanakazo, mpamboly, mpikojakoja tany ho an’ny fambolena maharitra (permaculture), mpamboly karazam-boninkazo, legioma, na voankazo (horticulture). Samy matihanina amin’ireo sehatra ireo avokoa ny navorin’ny Alliance française ho fanta-bahoaka, satria  fihariana iray lehibe nefa vitsy mpahafantatra.Fihariana azo tradrahina tsara, indrindra ho fiatrehana izao fiovan’ny toetr’andro izao. Ankoatra ny maha fambolena azy, eo koa ny varotra fitaovana fampiasa sy kojakoja samihafa. Mandritra io fampisehoana ao amin’ny Alliance française io ny fifanakalozan-kevitra sy fakan-kevitra ho an’izay te hiditra amin’izany sehatra izany.  Torolalana iray ny fanatonana ny CTHA (Centre technique horticole d’Antananarivo), eny Ankerana,  raha te handalina misimisy kokoa momba izany karazam-boly izany. R.MathieuL’article Seho momba ny zaridaina: fihariana iray vitsy mpahafantatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fihaonan’ny tanora teny Soamandrakizay: nampahafantarina ny boky mitondra fijery mihabo

Nampahafantatra ny fisian’ny boky torolalana novolavolain’ny tanora atyAfrika hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tanora ny Unicef, nandritra ny fotoana nihaonan’ny Papa Fransoa sy ny tanora teny Soamandrakizay ny asabotsy hariva lasa teo. Tanjon’ny boky ny hanampy ny tanora hanana fjery mihabo amin’ny fiainany andavanandro sy ho an’ny manodidina misy azy. Tanora maro avy any Kenya, avy any Mozambika, avy any Côte d’Ivoire sy ny firenena maro hafa tamin’ny alalan’ny intenet no nanoratra ny boky rehefa nifandinika tao anatin’ny fivoriana ho an’ny tanora isam-paritra. Mitondra vahaolana momba ny olana sedrain’ny tanora, toy ny tsy fisian’ny asa, ny fiarovana ny ankizy, ny kalitaon’ny fanabeazana ny boky. Hanampy ny tanora hahatsapa ny olana mianjady aminy koa izany ahafahan’izy ireo mametraka drafitrasa hanaovana soso-kevitra rehefa misy ny adihevitra miompana amin’ny tanora. Niara-niasa amin’i Mirado, tanora mpanakanto, ny Unicef hanazava ny boky sy ny tohana entiny ho an’ny tanora misedra olana amin’izao fotoana izao. « Tokony hohenoina ny hevitry ny tanora izay voarakitra ao amin’ny boky. Nanana tombony aho afaka nizara izany teny Soamandrakizay ho an’ny tanora mitovy amiko», hoy i Mirado.Vonjy A. L’article Fihaonan’ny tanora teny Soamandrakizay: nampahafantarina ny boky mitondra fijery mihabo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsy mifantoka intsony ny mpianatra: mangataka ny hamerenana ny tetiandrom-pampianara teo aloha ny ray aman-dreny

Mametraka olana sahady ny fotoana fanombohana ny taom-pianarana vaovao ary milaza ny ahiahiny ny ray aman-dreny sy ny mpanabe. Efa nanamafy ny minisitra mpiahy fa hotazonina ny tetiandro teo aloha ka miandry ny fampiharana izy ireo.Mangataka ny ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny sekolim-panjakana, haverina amin’ny teo aloha ny tetiandrom-pampianarana. Manomboka ny volana oktobra ny taom-pianarana ka mifarana ny volana jolay ary miaraka amin’izany ny fanatontosana ny fanadinam-panjakana telo sosona. Nisy ny fivoriana sy fampahafantarana izany hetaheta izany teny amin’ny tokotanin’ny lycée Jean Joseph Rabearivelo,omaly. Fangatahana avy amin’ny ray aman-dreny izany fa mampita fotsiny ny mpampianatra. Ireto farany rahateo mahatsapa fa tsy mifantoka intsony ny mpianatra raha vao dila ny volana jona ho an’ny ambaratonga voalohany. Tsy mandray ny fampianarana koa ny ambaratonga faharoa sy fahatelo, manomboka ny volana agositra, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny zone d’administration pédagogique eto Antananarivo, Njatovola.Fiombonan’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana no naseho omaly ary nandray anjara ny ray aman-dreny sy ny mpanabe. Tsy maintsy miaritra kely aloha ny mpianatra satria hiditra ny volana oktobra nefa ny volana septambra vao niala sasatra. Afaka jerena koa ny fandaminana ho an’ny fidiran’ny mpianatra kilasy famaranana satria izy ireo no tena tsy manana fotoam-pialan-tsasatra mihitsy. Hotanterahina ny 30 septambra ka hatramin’ny 4 oktobra ho avy izao ny dingana voalohany ho an’ny fanadinam-panjakana bakalorea iarahan’ny fampianarana ankapobeny sy teknika. Ny 7 oktobra hatramin’ny 10 oktobra kosa ny dingana faharoa ho an’ny fampianarana teknika fotsiny.Mety hitombo ny tahan’ny tsy fidirana an-dakilasy  Mahatsapa ny mpanabe fa hosahirana ny ray aman-dreny raha hanomana ny fidirana ao anatin’ny fotoana maitsoahitra raha heverina fa ny volana marsa ny fanombohana ny taom-pianarana voasoratra ao amin’ny Teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana (2017-2021). Efa nampiharina io tetim-pivoarana io ary tsapa ny lesoka indrindra ho an’ny fotoana fanombohana ny taom-pianarana. Manahy izy ireo fa vao mainka hitombo ny tahan’ny tsy fidirana an-tsekoly raha hotohizana ny fanakisahana ny tetiandrom-pampianarana.Tsy hevitry ny ray aman-dreny ao anatin’ny Dren Analamanga irery izany fa iraisan’ny faritra maro, hoy ny mpanabe. Mangataka ny hamoahana haingana ny tetiandro izy ireo hanomanana sahady ny taom-pianarana vaovao. Vonjy A. L’article Tsy mifantoka intsony ny mpianatra: mangataka ny hamerenana ny tetiandrom-pampianara teo aloha ny ray aman-dreny a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ala honko: tsara fiarovana izay tantanin’ny vondron’olona ifotony

Feno 20 taona izao ny nanaovana fanadihadiana momba ny ala honko eto amin’ny Nosy, niainga avy amin’ny lohahevitra hoe « Arovy ny honkontsika ankehitriny ». Fepetra iraisam-pirenena  noraisina izany amin’ny alalan’ny WWF.Nandritra izay 20 taona izay, tohanana ireo miasa eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana, ho fampitsaharana ny fanapotehana ny ala honko. Manana ny toerany manokana aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny fandaharanasa « Arovy ny honkontsika ankehitriny », iarahan’i Madagasikara, ny WWF, ny UICN*, sy ny minisitera ny Fiaraha-miasa momba ny toekarena sy ny fampandrosoana any Alemaina. Misy fiovana betsaka ny ala honko teo anelanelan’ny taona 1998 sy 2018 avy amin’ny sary nalaina teny amin’ny habakabaka. Fantatra tamin’izany fanadihadiana siantifika izany fa mihena io karazan-kazo io amin’ny faritra rehetra : 294 387 ha, ny taona 2000, lasa 236 400 ha tamin’ny taona 2018. Vitsy kosa ny rava any amin’ireo faritra arovana ahitana azy raha ampitahana any amin’ny faritra hafa. Fantatra ihany koa, niainga avy amin’izany fanadihadiana ihany, fa tsara fiarovana kokoa izay ala honko tantanin’ny vondron’olona ifotony. Nanomboka ny taona 2007, miara-miasa amin’ireo vondron’olona ifotony ireo ny WWF any amin’ny faritra Menabe, Melaky sy Diana. Raha atambatra, 50 000 ha ny ala tantanin’ireo vondron’olona ifotony ireo ; roa tapitrisa ny zanakazo novolena, nanomboka 2007 hatramin’ny 2017. Manampy tosika azy ireo, ny vondrona na fikambanana miisa 16 avy amin’ireo faritra ireo ihany. Eo koa ny fanohanan’ny WWF sy ny fikambanana hafa miasa ho amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana ny faritra.« Tsy mahomby izay fiarovana ny honko izay raha tsy eo ny fahalalana siantifika, ny politika sy ny lalàna mifanaraka amin’izany ary ny fampiharana azy », hoy talen’ny WWF eto Madagasikara, Ratsifandrihamanana Nanie. Ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny miankina amin’ny fisian’ny seha-pihariana hafa mampiakatra ny fari-piainan’ny mponina. Mbola tsy hita taratra izany hatramin’izao, raha ny fitombon’ny fandripahana  ala. R.Mathieu UICN* : Union internationale pour la conservation de la natureL’article Ala honko: tsara fiarovana izay tantanin’ny vondron’olona ifotony a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – Famaranana ny «Can 2019»: hanala vela amin’i Alzeria i Senegal, anio

Hifantoka any Alzeria avokoa ny sain’ny besinimaro, amin’ity anio ity. Ho fantatra eo mantsy izay handrombaka ny amboaran’i Afrika, taranja baolina kitra “Can 2019”. Hiady izany, ny Liona-n’i Teranga avy any Senegal sy ny Fennecs-n’i Alzeria.Hitodika ao amin’ny kianja Cairo Stadium avokoa ny mason’ny rehetra, amin’ity zoma ity, hiatrika ny famaranana hiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja baolina kitra “Can 2019”, andiany faha-32. Hamarana izany, ny Liona-n’i Teranga avy any Senegal sy ny Fennecs-n’i Alzeria.Ekipa diso mifankahalala tsara ny roa tonta, satria efa niray vondrona tamin’ity “Can 2019” ity. Raha tsiahivina, resin’i Alzeria, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 tamin’izay, ny Senegaly. Hanala vela izany, eto ry Sadio Mané. Hatreto, tsy mbola nandrombaka ny “Can” mihitsy ny Liona avy any Teranga. Fanindroany amin’izao, ry zalahy no tonga eo amin’ny famaranana. Ny voalohany, tamin’ny taona 2002, saingy resin’ny Liona tsy voafolak’i Kameronina, izy ireo, tamin’izany. Ity no famaranana fanindroany.“Hiezaka izahay, hamafa ny nofy ratsy, tamin’ny taona 2002, ka hitady fandresena. Fanalana vela ihany koa ity ka tsy maintsy hiady mafy ny mpilalao rehetra, handrombahana ny amboara”, hoy i Alliou Cissé, mpanazatra senegaley.Etsy an-kilany, mikendry ny hamerina ny anaram-boninahitra efa azony, 29 taona lasa ry zareo Alzerianina. Ny Fennecs no ekipa nahavita dingana tsara indrindra tamin’ity “Can 2019” ity satria tsy mbola resy na nanao ady sahala mihitsy izy ireo, nanomboka tany amin’ny fifanintsanana ka hatreto amin’ity famaranana ity.Manana olana ny Liona-n’i Teranga, amin’ity famaranana ity satria tsy afaka ny hiakatra kianja i Kalidou Koulibali, vodilaharana mahatokin-dry zareo Senegaly, noho ny fahazoany karatra mavo roa. Na eo aza izany, nanambara i Cissé, fa vonona ny mpilalaony ary tsy matahotra na manana ny fahaiza-manaony aza, i Riyad Mahrez. Tompondaka L’article Kitra – Famaranana ny «Can 2019»: hanala vela amin’i Alzeria i Senegal, anio a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kaominina Toamasina I: nomen’ny Spat fitaovana marobe

Maromaro ny fitaovana natolotry ny Orinasa mitantana ny seranan-tsambon’i Toamasina (Spat) ny kaominina Toamasina I, ny asabotsy teo. Fitaovana hanadiovana sy hanazava ny tanàna (angady 50, borety 50, kifafa vy, rateaux 50 ary ampola 800). Nisy ordinatera miisa roa koa nanampy ireo.Nilaza i Tsifoina, nisolo tena ny tale jeneralin’ny Spat, fa vonona hatrany ity orinasam-panjakana ity hifanome tanana hampandrosoana ny tanànan’i Toamasina. Ho an-dRtoa Doris, nisolo tena ny fiadidiana ny Repoblika, nanatrika ny fotoana, “tonga amin’ny tenin’ny filoha Rajoelina izao hoe : “ampio aho mba hanampiko anareo””. Notsipihin’ny PDS-n’i Toamasina I, Razafimanana Jean Christin, fa “manomboka tratra amin’ny ampahany ny fampanantenana nataoko ho an’ny vahoakan’i Toamasina, hiainan’ny vahoaka amina tanàna madio, misy jiro manazava ny arabe vita godirao”.Natomboka tamin’io fotoana io avy hatrany ny fanadiovana faobe ny araben’ny Fahaleovantena.Sajo sy Njaka A.L’article Kaominina Toamasina I: nomen’ny Spat fitaovana marobe a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Nitady fakan-kevitra

Nanambara ny tsy fankasitrahany ny fomba noentin’ ny fitondram-panjakana niroso tamin’ny filazana ny fanatanterahana ny fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny 27 mey 2019 ho avy izao ny antoko TIM. Nambaran-dRavalomanana Marc, teny Faravohitra, omaly, fa tokony mbola nisy ny fakan-kevitra tamin’ireo mpisehatra politika vao noraisina io fanapahan-kevitra io. L’article Nitady fakan-kevitra est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Iray lavon’ny covid-19 68 ireo tranga vaovao
17/09/2020

Niakatra tampoka indray. Miisa 68 ireo olona vaovao mitondra ny tsimokaretina, tamin’ny fitiliana miisa 453. Avy eto Analamanga ny 26 amin’izany raha avy any Vatovavy Fitovinany ny 13 ary 15 avy any Diana. Efatra avy ny any Vakinankaratra sy Sava raha telo ny any Atsimo Andrefana. Iray avy kosa ny any Itasy sy Alaotra Mangoro ary any Matsiatra Ambony.Niampy iray indray ny lavo ary avy eto Analamanga. Tafakatra 215 izany izao ireo namoy ny ainy noho ity valanaretina ity hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty. Misoko mangina hatrany, iray isan’andro ireo nodimandry izany.Etsy an-daniny, nihena dimy ireo marary anaty fahasarotana ka 25 izany izao ireo “forme grave”. Na izany aza, miisa 30 ireo sitrana ka avy any Sava ny 10 amin’izany. Tafakatra14 482 ny isan’ny marary sitrana tamin’ireo 15 871 mitondra ny covid-19. Miisa 1 172 kosa ireo mbola manaraka fitsaboana.Synèse R. L’article Iray lavon’ny covid-19 68 ireo tranga vaovao a été récupéré chez Newsmada.

Distrikan’i Manandriana: fianakaviana  6.000 hisitraka ny  Asa Avotra Mirindra
21/09/2020

Hanatanterahana ny tetikasan’ny governemanta malagasy, Asa Avotra Mirindra ny any amin’ny distrikan’i Manandriana. Hisy, araka izany, ny fanamboarana lakandrano mirefy 1.800m hanondrahana ireo tanimbary sy tanimboly amina hektara maro iveloman’ny tantsaha any an-toerana . Mahatratra 6.000 ireo fianakaviana hisitraka ity tetikasa Asa Avotra Mirindra ity, izay avy ao amin’ny kaominina 10 ao amin’ny distrikan’i Manandriana avokoa. Haharitra 2 taona ny tetikasa hipaka eny ifotony.Vatsin’ny banky iraisam-pirenena ara-bola ny tetikasa ary iandraiketan’ny FID ny fanatanterahana sy ny fandrindrana ary ny fisitrahan’ny mponina izany.Nanara-maso ny fanombohana izany asa izany ny minisitry ny Mponina, i Michelle Bavy Angelica.Nitokana ny ivontoerana ho an’ny fikambanam-behivavy tao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana ihany koa ny tenany. Tamin’izany no nilazana ny hanaovana fanisana ireo fikambanana rehetra manerana ny fokontany sy ny kaomnina ambanivohitra rehetra ao anatin’izany distrika izany.Tatiana AL’article Distrikan’i Manandriana: fianakaviana  6.000 hisitraka ny  Asa Avotra Mirindra a été récupéré chez Newsmada.

Seraseran’ny CUA, Rabeharisoa T: « Eo amin’ny dingan’ny fanentanana aloha… »
19/09/2020

Nitondra fanazavana. «Mbola eo amin’ny dingan’ny fanentanana sy fanofanana aloha isika izao fa tsy mbola any amin’ny sazy. Ilaina ny hahafantaran’ny olom-pirenena mialoha ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana (CMH)», hoy ny talen’ny Serasera eo anivon’ny CUA, Rabeharisoa Tsi­re­sy. Efa an-dalana ny fanofanana ireo mpiasan’ny kaominina hidina ifotony hampahafantatra sy hanentana ny momba izany. Manampy ireo ny fanentanana amin’ireo haino aman-jery, ny fikarakarana adihevitra iarahana amin’ny olom-pirenena sy ny fiarahamonim-pirenena…Nohavaozina hifanaraka amin’ny vanim-potoana ny CMH Notsiahiviny fa tsy vaovao ny CMH. “Efa teo io fa no­hatsaraina sy nohavaozina hifanaraka amin’izao vanim-potoana izao. Zava-dehibe ny fihetsika tsotra, indrindra ny fanajana ny hafa na anatin’ny demokrasia aza isika», hoy ihany izy. Noraisiny ho ohatra amin’izany ny fanaovana fety nefa tokony hotsinjovinasy hajaina ihany ny manodidina amin’ny fotoana efa fatoriana.Fotoana ialana amin’ny fahazaran-dratsy Nohitsiny koa fa tsy tokony ho tonga amin’ny sazy isika. “Tsy misy afa-tsy ny fanajana ny fitsipika ihany. Fotoana izao hamerenana ny fahadiovana ka anisan’ny fitaovana amin’izany ny CMH, hialana amin’ny mety ho fahazaran-dratsy”, hoy izy.Synèse R.L’article Seraseran’ny CUA, Rabeharisoa T: « Eo amin’ny dingan’ny fanentanana aloha… » a été récupéré chez Newsmada.

Manombola izao: tsy mandoa intsony latsakemboka Fram ny ray aman-dreny
18/09/2020

Voavaly ny fanontaniana mampiroaroa saina sy mahatonga resabe eo amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra amin’izao ankatoky ny fampidirana mpianatra izao. Mazava ny voalazan’ny tatitra ny Filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa ankoatra ny maha maimaimpoana ny fisoratana anarana eny amin’ny sekolim-panjakana rehetra manerana ny Nosy, tsy misy ary tsy mandoa latsakembola angatahin’ny Fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra (Fram) koa ny ray aman-dreny manomboka izao. Voalaza tao anatin’io tatitra ny filankevitry ny minisitra io fa mbola hisy ny lamina vaovao hitsinjovana ireo tokantrano sahirana sy ny ray aman-dreny tena misedra fahasahiranana tokoa amin’izao fotoana izao, araka ny toromariky ny filoham-pirenena.16, 133 miliara ArAnkoatra izay, nampahafantarina ihany koa fa misaraka tanteraka ny fitantanana ny volam-panjakana sy ny latsakemboka izay samy sahanin’ny Fefi eny amin’ny sekolim-panjakana. Izy ireo ihany koa no mitantana ny « caisse des écoles », efa mitsinjara mazava tsara. Mitentina 16,133 miliara Ar natokana ho an’ny EPP sy CEG ary ny 2 miliara Ar ny natokana ho an’ny lice, miainga ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana.Misy koa ny tetibola iaraha-mitantana amin’ny minisitera sy ireo mpamatsy vola amin’ny alalan’ny tetikasa Paeb izay mitentina 3 tapitrisa dolara natokana ho an’ny EPP sy CEG. Tatiana AL’article Manombola izao: tsy mandoa intsony latsakemboka Fram ny ray aman-dreny a été récupéré chez Newsmada.

Tolokevitra amin’ny fifidianana : herintaona mialoha ny fiomanana amin’ny propagandy
24/09/2020

                “Miainga avy amin’ireo tolo-kevitry ny mpiara-miombona antoka, ny antoko politika sy ny kandidà tamin’ny fifidianana, ny mpanara-maso ny fifidianana… Naravon’ny Ceni izany ary hatolotra amin’ireo rafitra mahefa amin’ny fampanjariana ny lalàna” , hoy ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Rakotondrazaka Fano, teny Alarobia, omaly. Namory ireo mpiara-miombona antoka teknika sy vola (PTF) sy ny antoko politika ny eo anivon’ny Ceni ho fanatsarana ny fifidianana. Tolo-kevitry ny Ceni ny amin’ny fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra: hitarina ho herintaona mialoha ny volana hanatanterahana fifidianana ny fiomanana. Manomboka amin’izany ny fampielezan-kevitra. Malalaka ny fanomanana sy ny propagandy.Momba ny rotsa-bolan’ny kandidà amin’ny fanontana ny biletà kosa, tokony averina ny volan’ireo mahazo ny 5% amin’ny vato manan-kery  ary hamoraina ny famerenana azy. Hosokafana maharitra ny lisitry fifidianana: afa-misoratra anarana any amin’ny biraon’ny fokontany amin’ny fotoana rehetra ireo mahafeno fepetra fa tsy ferana.R.Nd.L’article Tolokevitra amin’ny fifidianana : herintaona mialoha ny fiomanana amin’ny propagandy a été récupéré chez Newsmada.

RLDC Toamasina : taratasy ho an’ny filoham-pirenena
19/09/2020

Nampahafantatra ny fisiany sy ny asany ny Fikamba­nan’ny zon’ny mpanjifa sampana Toamasina (RLDC), ny herinandro lasa teo. Nilaza ny filoham-paritra, Rtoa Rako­ton­drahiratra Vonifanja, fa nandefa taratasy any amin’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra ny RLDC, hamitana sonia ny fifanarahana eo amin’ny fanjakana sy ny orinasa tsy miankina CGHV. Tompon’ ny tetikasa fanitarana ny fa­mokarana herinaratra avy amin’ny tohodrano any Volo­be ity CGHV ity. Ho an’ny RLDC, ny fahavitan’izany fifanarahana izany no vahaolana maharitra hamahana ny tsy fahampian’ny herinaratra, mahatonga ny delestazy mateti-pitranga iainan’ny mpanjifa eto Toamasina. Navoitran’ny RLDC koa ny olana hafa, toy ny tsy fisian’ny taratasy fanaovana kara-panondro eto Toamasina, mahatonga ny kolikoly eny amin’ny boriborintany sasany. Voalaza fa mandoa 30 000 Ar hatramin’ny 40 000 Ar vao mahavita kara-panondro iray. Nampahafantarin’ny sekretera jeneraly (SG) ny kaominina Toamasina I ny RLDC ny fametrahana ny birao marolafy, mikarakara ireo manan-draharaha ao amin’ny kaominina, ka mihena ny fivezivezena sy ny fitetezana birao.Sajo sy Njaka A.L’article RLDC Toamasina : taratasy ho an’ny filoham-pirenena a été récupéré chez Newsmada.

Hiatrika ny “Miss Monde”: hiady ho an’ireo zaza kambana any Mananjary i Nellie
23/09/2020

Nitodika manokana amin’ny hoavin’ireo zaza kambana avy any Manajary, fehezin’ny fomba ho tsy azo taizana miaraka, ny “Miss Madagasikara”. Vonona hanome tanana azy amin’izany ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina.Tsy hatsaran-tarehy sy bika ihany… Anisan’ireo hitsarana ireo tovovavy mifaninana amin’ny “Miss Monde” ihany koa ny fahaizana manohana hevitra, amina tranga iray mety hampisy sakana amin’ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny. Hiatrika ny andiany faha-70 amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity i Anjaratiana Nellie, nisalotra ny anaram-boninahitra “Miss Madagasikara 2020”. Nisafidy ny hiady ho an’ny zon’ireo zaza kambana avy any Mananjary izy mandritra izany. “Hataoko amin’ny fo izay azoko atao momba ity ady ity. Tokony ho fantatr’izao tontolo izao ny zava-misy mahazo ireo zaza kambana any Mananjary, izay noho ny fomba amam-panao, tsy mahazo miara-monina. Fantatro fa sarotra izany, saingy te hitondra izay kely vitako amin’ny fanatsarana ny hoavin’ireo zaza ireo amin’ny fandraisako anjara amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity”, hoy ny nambaran’i Nellie, omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Nitsidika sy nihaona tamin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Andriatongarivo Lalatiana, mantsy ny “Miss Madagasikara”, omaly. “Mahafaly anay eto amin’ny minisitera ny miara-dalana amin’i Nellie sy manohana azy amin’izao dingana lehibe hatrehiny izao. Hitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara izy ka tena mila ny fanohanan’ny Malagasy rehetra”, hoy ny nambaran’ny minisitra. Raha tsiahivina, natao tamin’ny alalan’ny fampitan-davitra ny dingana fifanintsanana tamin’ny fifaninanana, nisafidianana ny Miss Madagasikara tamin’ity taona ity. Ny 17 jolay kosa ny dingana famarana, tetsy amin’ny Arena Ivandry, ka nivoaka ho tompon’ny anaram-boninahitra i Nellie. “Raha ny tokony ho izy, tontosaina ny volana desambra isan-taona ny fifaninanana “Miss Monde”. Noho ny toe-draharaha iraisam-pirenena misy anefa, mbola tsy nanapaka daty ofisialy ny komity. Na izany aza, efa mivonona amin’ny fikarakarana rehetra izahay mba tsy hitsanga-menatra ny solontenantsika”, hoy ny nambaran’i Ginah Vidot, filohan’ny komitim-pirenena mikarakara ny “Miss Madagasikara”, na ny CNMM.Zo ny AinaL’article Hiatrika ny “Miss Monde”: hiady ho an’ireo zaza kambana any Mananjary i Nellie a été récupéré chez Newsmada.

Fiarovana ny fiarahamonina :: Nanatitra adala enina teny Anjanamasina ny CUA
17/09/2020

Nahatratra enina ireo adala mirenireny sy ireo mahery setra naterin’ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA) teny amin’ny hopitaly fitsaboana ireo marary saina eny Anjanamasina, tamin’ity taona ity. Ny antso avy amin’ny olona no ahafahan’izy ireo mahita ireny olona ireny. Ao ireo manimba fananan’ olona, toy ny fiara, mamono tampoka eny an-dalana ary toy ny hita farany teo nianika “pylône”-an’ ny Jirama. Efatra amby telopolo amin’ izao fotoana izao ireo olona marary saina tsaboina eny an-toerana. “Roa isam-bolana no antso azonay avy amin’ny olona. Miaramiasa amin’ny hopitalin’Anjanamasina syny polisy ary ny manam-pahefana izahay maka ireny marary saina eny an-dalana ireny. Aterina eny Anjanamasina izy avy eo miaraka amin’ny fitaovana izay mety ilainy, toy ny lovia, sotro, bodofotsy. Miantoka ny fitazonana azy sy ny fitsaboana kosa ny eny amin’ity toeram-pitsaboana ity”, hoy Raharinandrasana Hajatiana, tale misahana ny raharaha ara-tsosialy ao amin’ny CUA. Fahalafosan’ny fitsaboana Fantatra fa lafo be ny fitsaboana satria manodidina ny 200 000 ariary hatramin’ny 300 000 ariary isam-bolana izany. Misy sitrana raha vita tsara ny fitsaboana. Roa volana hatramin’ny folo taona vao mety sitrana ny marary saina iray, arakaraka ny aretina mahazo azy. Nilaza kosa ny Dokotera Ratsifandrihamanana Lanto, talen’ ny hopitaly fitsaboana marary saina eny Anjanamasina, fa mitsabo ireo olona manana aretintsaina tonga eny an-toerana izy ireo. “Tsy maintsy fantarina ny fianakaviany, mandritra izany. Izany no asan’ny sampan-draharaha misahana ny ara-tsosialy ao amin’ny CUA sy ny hopitaly. Ny havany no tompon’andraikitra voalohany amin’ny marary”, hoy izy. Raisin’izy ireo avokoa rehefa manana aretin-tsaina manerana an’i Madagasikara. L’article Fiarovana ny fiarahamonina :: Nanatitra adala enina teny Anjanamasina ny CUA est apparu en premier sur AoRaha.

COSTM-EST: nahavita fifanaraham-piaraha-miasa
21/09/2020

Nivoitra taorian’ny fifampiresahana nisy teo amin’ny Club Omnisport Tanambao Morafeno (COSTM) sy ny fikambanana Espoirs Sportifs de Tuléar (EST), natao ny alakamisy lasa teo, fa hiaraka hiasa ny roa tonta. Nikaon-doha ny filohan’ny klioba COSTM, Rafanomezana Lalo sy ny filohan’ny EST, i Vital Serge, samy nahatsapa fa ilaina ny fiaraha-miasa. Maro ny azo hifanampiana, raha ny fanazavana, isan’izany ny famatsiana ara-pitaovana ny COSTM omen’ny EST sy fahavononan’ity farany hanampy ny hoenti-manana ny klioba amin’ny fiatrehana fifaninanana nasionaly. Tanjona amin’izao fiaraha-miasa izao, raha ny nambaran’ny filohan’ny EST, voalohany ny hijerena izay fomba hahafahana manambatra ny klioba, faharoa, ny hanitarana ny klioba EST hivelatra amin’ny taranja hafa. Tsiahivina, efa nanomboka ny taona 1983 no niforona ny COSTM, izay misy taranja baolina kitra, ady totohondry, Handball, atletisma ary ny taona 2016 ny nanomboka nisy ny taranja Judo. Nohamafisin’ny roa tonta fa ho maro ny tetikasa hiaraha-manao, mikasa ny hanangana Dojo iraisana izy ireo, amin’ny taona 2021. Mi.Raz  L’article COSTM-EST: nahavita fifanaraham-piaraha-miasa a été récupéré chez Newsmada.

Vakinankaratra: mitombo isan-taona ny fahapotehan’ny ala
22/09/2020

Hatramin’ny nisian’ny krizy noho ny  coronavirus, tsy latsaky ny 20 000 ny fanapahana hazo tsy ara-dalàna ho an’ny faritra Vakinankaratra, araka ny vaovao nampitain’ny minisiteran’ny Tontontolo iainana.Ny tsy fahampian’ny tolotra eo amin’ny h    azo fahandroana sakafo no fototry ny olana ka tsy mifidy ireo mikapa hazo hanaovana saribao sy kitay. “Hafantoka amin’ny voly hazo fanaovana kitay ny ampahany betsaka amin’ny fambolen-kazo manaraka”, hoy ny minisitra Baomiavotse Raharinirina. Tena mbola tsy afaka amin’izany ny tokantrano maro. Fambolen-kazo tsy lavitry ny tanàna ny vahaolana amin’izany, araka ny nambarany.Mahatratra 60 tapitrisa isan-taona ny zanakazo volena, efa natomboka tamin’ny taom-pambolena 2019-2020. Ny fari-piainana eto Madagasikara  niainga avy amin’ny fanadihadiana nataon’ny Usaid izany, tany amin’ny taona 2004, hoy Razakarimanana Ndranto, ao amin’ny Alliance Voahary Gasy. « Avy amin’izany fanadihadiana izany ny tokony hambolen-kazo 1500 fototra isaky ny hekitara amina velarana 40 000 ha isan-taona manerana ny Nosy, hanampiana ny tolotra hazo fanaovana kitay sy saribao », hoy izy. R.MathieuL’article Vakinankaratra: mitombo isan-taona ny fahapotehan’ny ala a été récupéré chez Newsmada.

Covid19-Fiarovana ny mpiasa; 36,85 tapitrisa euro avy amin’ny BAD
23/09/2020

 L’article Covid19-Fiarovana ny mpiasa; 36,85 tapitrisa euro avy amin’ny BAD a été récupéré chez Newsmada.

Nivadibadika teny an-tanimbary ireo Sprinter roa nifandona: olona roa maty tsy tra-drano, mpandeha 10 naratra mafy
22/09/2020

Tamin’ny lalana azo lazaina ho mahitsy no nifandona mafy ary nifatratra teny an-tanimbary ny taksiborosy Sprinter iray sy Spinter mpitondra entana, teny Amboniriana, Ambatolampy (RN 7), omaly. Olona roa no maty tsy tra-drano, nosokirina tao anatin’ireo fiara, ankoatra ireo mpandeha 10 naratra mafy.Izao sahady àry!  Tandrevaka sa olana ara-teknika sy/na tsy fahafehezan-dalana! Vao manomboka misokatra ny lalam-pirenena dia efa loza sahady no miseho. Fiara mpitondra entana niainga avy any Ambositra hihazo aty an-drenivohitra ity nifandona tamin’ny taksiborosy iray zotram-paritra mampitohy an’i Behenjy sy Ambatolampy, araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary ao Ambatolampy. Voalazan’ny zandary fa nandeha mafy ilay fiara mpitondra entana io kanefa nivoaka tao anaty fiviliana mampidi-doza hiditra lala-mahitsy. Tsy fantatra anefa izay nahazo ny mpamily fa nikivilavila be mihitsy ny fandehan’ilay fiara nentiny. Tamin’izay indrindra anefa ity fiara ity no nifanena tamin’ilay taksiborosy zotram-paritra. Niezaka niala ity fiara nivilambilam-pandeha ity ny mpamilin’ilay taksiborosy, saingy nokasohan’ilay fiara ny vatany manontolo. Vokany, nipitika tany an-tanimbaary sady nivadibadika teny am-pianjerana ilay taksiborosy notrongisin’ity fiara namoa-doza ity. Ilay fiara mpitondra entana kosa nikorisa nianjera tany amin’ny ilany ankavia tany amin’ny tevana tokony ho 100 metatra vao tafajanona.Tsy tonga saina ny mpamilin’ilay fiara fitondrana entana…Olona roa indray maty tsy tra-drano tao amin’ilay fiara taksiborosy, lehilahy 40 taona sy 60 taona raha 10 kosa ny naratra mafy ka voatery nentina haingana namonjy ny hopitalin’Ambatolampy. Tsy nisy naninona kosa ny olona niaraka tamin’ilay fiara fitondrana entana fa ilay mpamily no tsy tonga saina fa toy ireny olona lasa adala ireny ny fahitana azy, araka ny fampitam-baovao voaray hatrany. Ny olona teny amin’ny manodidina ny toerana nitrangan’ny loza no nifanome tanana tamin’ny zandary tamin’ny fandefasana ny razana sy ireo naratra nihazo ny hopitaly. Efa any amin’ny tranom-patin’ny hopitalin’Ambatolampy ny fatin’ireo niharam-boina. Nanamafy kosa ny zandary fa miandry ny fahasitranan’ilay mpamily vao afaka manao ny fanadihadiana sy ny famotorana momba ny nahatonga izao loza namoizana ain’olona izao.Raha somary nangingina nandritra ny tsy fisokafan’ny lalana noho fiparitahan’ny covid-19 teo aloha izay, izao sahady dia miverina indray ny lozam-pifamoivoizana.Jean Claude L’article Nivadibadika teny an-tanimbary ireo Sprinter roa nifandona: olona roa maty tsy tra-drano, mpandeha 10 naratra mafy a été récupéré chez Newsmada.