Kitra – «Chan 2020»: hidona amin’i Namibia ny Barea

News - Kitra – «Chan 2020»: hidona amin’i Namibia ny Barea

News - Kitra – «Chan 2020»: hidona amin’i Namibia ny Barea

Fantatra izao fa i Namibia no hidona amin’ny Barean’i Madagasikara, eo amin’ny fihodinana fahatelo, hiadiana ny toerana hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina «Chan 2020». Araka ny daty, hotanterahina eto Madagasikara ny lalao mandroso, ny 22 septambra ho avy izao, ary any Windhoek kosa ny fihaonana miverina, ny 12 oktobra 2019. Hiatrika ny dingana famaranana, hatao any Kameronina ny taona 2020, izay tafavoaka amin’ny roa tonta.

Ankoatra izay, tafaverina omaly alatsinainy, eto an-tanindrazana, ny Barean’i Madagasikara ka nitsena azy teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato Rasoamaromaka Hery. Nentiny niara-nisakafo taminy ny Barea, ary notolorany 6 tapitrisa Ar ireo mpilalao ho fankasitrahana ny zava-bitany sy ny nahatafakatra azy ireo. Nomeny 1 tapitrisa Ar kosa ilay mpitsara malagasy nitantana ny lalao tany Lesotho. Nisaotra an’i Hery Be ny solontenan’ireo mpilalao noho izao fihetsika nataony izao.

 

Torcelin

Article tiré de Newsmada

L’article Kitra – «Chan 2020»: hidona amin’i Namibia ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 06/08/2019

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

I Tojo Heriniriana: hiatrika voalohany ny ady anaty fefy any Sina

Misongadina hatrany ireo mpikatroka malagasy, taranja kick boxing sy MMA (Mixed Martial Arts), mila ravinahitra any Sina. Isan’ny mamiratra amin’izy ireo i Tojo Heriniriana, tafiditra ao amin’ny CKF China ka nahazo ny tapakila hiatrehana ny ady anaty fefy, MMA, ity farany izay voalohany ny hanaovan’i Tojo izany. Hiditra an-tsehatra, ny volana septambra izao, amin’izany fifaninanana goavana izany izy. Maromaro ny ady natrehiny talohan’izao fahombiazana goavana izao ary izy no voafidy ho mpikatroka mendrika indrindra, teo amin’ny sokajin-danja misy azy ka izao tafiditra ao amin’ny CKF China izao.“Raisiko ho fanararaotra lehibe ho ahy ny fiatrehana voalohany ity ady anaty fefy ity, hahafahako mahazo traikefa tsara ary hifanandrina amin’ireo efa tena matianina eo amin’ny tontolon’ny MMA, io ady amin’ny volana septambra io”, araka ny nambaran’i Tojo Heriniriana. “Tsy latsa-danja ny fahaizako eo anatrehan’ireo mpikatroka hafa izay tena efa ambony traikefa sy kalaza avokoa”, hoy hatrany izy. Nanome toky, araka izany, i Tojo Heriniriana fa hitady fandresena na sarotra aza ny fifaninanana, izay tena efa eo amin’ny sehatra ambony tokoa, indrindra tena samy hafa tanteraka amin’ny ady ambony ringa ny ady anaty fefy, raha ny fanazavan’i Tojo hatrany. Mi.RazL’article I Tojo Heriniriana: hiatrika voalohany ny ady anaty fefy any Sina a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fanafihana tany Antsirabe :: Lehilahy maty voatsindrona antsy tao anaty magazay

Toeram-pivarotana finday « Shop Tecno », tao Antsenakely-Antsirabe no lasibatry ny fanafihana sady namoizana ny ain’ny lehilahy iray, mpivarotra, omaly antoandro tokony tamin’ny 12 ora mahery. Nisy lehilahy vitsivitsy niditra tao amin’ilay tsena. Ny sasany mody nijery finday no sady nanontany. Nisy iray hafa avy hatrany nanatona ny mpivarotra teo amin’ny fitoeram-bola, ka nanindrona antsy azy teo amin’ny tendany. Lasan’ireo jiolahy nitsoaka taorian’izay ny vola telo hetsy ariary sy finday iray. Tsy tana ny ain’ilay lehilahy, 35 taona na dia noezahina novonjena tany amin’ny hopitaly aza. Tsy mbola nahitam-bokany kosa ny fikarohana an’ireo jiolahy izay nifarimbonan’ny polisy sy zandary tao an-tampon-tanànan’Antsirabe, omaly. L’article Fanafihana tany Antsirabe :: Lehilahy maty voatsindrona antsy tao anaty magazay est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Tsy any amin’ny fanakorontanana intsony izao…   

Velona sy miaina ny firenena. Amin’izany, tsy maintsy ampandehanina ny raharaha. Tompon’andraikitra voalohany sy lehibe indrindra amin’izany ny fitondram-panjakana. Izay no ampindraman’ny vahoaka fahefana azy amin’ny fitantanana sy fampandrosoana. Na izany aza, ilaina hatrany ny hoe mpanohitra.Arofanina na tsindry lentam-pahefana? Manao izay hampandeha ny raharaham-pirenena, araka ny tokony ho izy ihany koa izany. Tsy inona fa ny amin’ny fanatanterahana ireo fanamby nampanantenaina, fijerena ny olana sy ny hetahetam-bahoaka ary izay mahamaika azy, fitsinjovana mialoha izay mety hitranga…Tsy izay no ilaina ny mpanohitra? Manaitra ny mpitondra tsy hibirioka any amin’ny tsy izy, mitsikera raha misy ny tsy mety na tsy mahomby, mitondra ny hetahetam-bahoaka… Tsy vitan’izay, manolo-kevitra ho amin’ny soa iombonana. Iaraha-manana ny raharaha, na tsy iaraha-mizaka azy ny fahefam-panjakana.Tena fitiavan-tanindrazana sy fitsinjovana ny fiainam-bahoaka ve no manetsika sy manesika ny tsirairay amin’izany? Tsaraina amin’ny asany ny mpitondra: inona no vita na tsia? Eo ny vahoaka mitsara amin’izay fampandrosoana sitrahiny, raha misy na tsia ny fihatsaram-piainana tsaratsara kokoa no ho ny teo aloha.Eo koa ny mpanohitra mitsara, mitsikera, manolo-kevitra… Mby aiza? Raha misy ny zava-tsy mety na tsy mahomby eto amin’ny firenena, takina ny tolo-kevitra ny mpanohitra ho amin’ny fanarenana. Raha tsy misy ny fiovana sy fanovana, anjaran’ny mpanohitra ny mandresy lahatra ny vahoaka hifidy azy amin’ny manaraka.Tena mba manao izany ve ny mpanohitra? Eo ny vahoaka mijery, mihaino, mitsara… Inona ny sosokevitra amin’izay asa tsy vita na tsy mahomby amin’ny fomba fiasan’ny mpitondra hatrany ifotony, ohatra? Tsy vitan’ny fanakorontanana izay mitranga sy atao rehetra fotsiny ny raharaha. Efa tsy amin’izany intsony izao.Efa mba misy fiovana sy fanovana ve ny fomba fanaovana politika? Eo ny vahoaka mitsara…Rafaly Nd. L’article Tsy any amin’ny fanakorontanana intsony izao…    a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Minisiteran’ny Fanabeazana: anisan’ireo manampahaizana ny minisitra Sahondrarimalala M

Handray ny fitantanana ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, manomboka anio, ny dokotera Sahondrarimalala Marie Michelle, niandrakitra ny talen’ny antokon-draharaham-pitsarana sy ny sosialy teo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Olona akaiky ny fitondrana izy ary nandray anjara betsaka tamin’ny fanazavana teknika ho an’ny vahoaka momba ny fomba fitsaboana nampiasain’ny fanjakana tao anatin’ny ady amin’ny valanaretina Covid -19. Manana mari-pahaizana efatra samy hafa momba ny tontolon’ny fitsaboana ny fitantanan-draharaha sy ny lalàna izy: « Doctorat en droit privé et sciences criminelles » tao amin’ny oniversite an’i Montpellier, Master II en recherche et en droit international humanitaire et des droits humains » – Fakiolten’ny lalàna – Oniversiten’i Genève. « Doctorat en Médecine » – Fakiolten’ny fitsaboana, Oniversiten’Antananarivo. Farany, manana ny « Maîtrise en administration et en droit des affaires » – Fakiolten’ny lalàna, Oniversiten’i Fianarantsoa ny minisitra vaovao ny Fanabeazam-pirenena. Teo amin’ny sehatry ny fampianarana ambony, mpampianatra lalàna momba ny fahasalamana ary mampianatra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo sy i Fianarantsoa ary oniversite tsy miankina koa ny tenany. Efa nitana andraikitra teo anivon’ny Conseil d’Etat de la cour suprême izy, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazana. Andraikitra lehibe miandry azy ny fikarakarana sy ny fampandehanana ny fanadinam-panjakana hanomboka ny 1 septambra ho avy izao.Vonjy A. L’article Minisiteran’ny Fanabeazana: anisan’ireo manampahaizana ny minisitra Sahondrarimalala M a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kilalao iombonana: mbola tena ilaina ny ivokolo vahiny

« Tsy misy firenena na iray aza eto ambany masoandro ka afaka ny handroso amin’ny alalan’ny kolontsain’ny hafa », hoy ny mpampianatra sady mpikaroka iray izay. Hatreto anefa, mbola tsy laharampahamehana ho an’ny Malagasy ny hitia sy hiaina ny kolontsainy. Miainga any amin’ny sarambabembahoaka ka miafara any amin’ny mpitantana isan’ambaratonga, samy mametraka ny kolontsaina ho toy ny zava-bitika.Fanorona, katro, sns, no lalaovin’ny Malagasy any amin’ny ivokolo vahiny. Tranga mahamenatra. Sady tsy manana toerana ilalaovana azy ireny ny Malagasy no tsy manana finiavana mba hikarakara hetsika tahaka io « Kilalao iombonana » io rahateo. Efa ho 24 taona, ohatra, no nanatontosan’ny Alliance Française Andavamamba azy ity. Aiza ny mpandraharaha malagasy ? Aiza ireo Malagasy midradradradra fa tia an’i Madagasikara ? Aiza ireo sampandraharaha isan-tsokajiny tokony hanome lanja ny kolontsaina ? Sns.Hatreto, mbola tena sarotra ny ilaza fa tena mandray anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny Malagasy, raha io tranga io no jerena !HaRy Razafindrakoto L’article Kilalao iombonana: mbola tena ilaina ny ivokolo vahiny a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Midongy du Sud : Les dahalo défient l’Etat

La nouvelle installation dans la base opérationnelle avancée, dans le district de Iakora. Lors d’une attaque dans le district de Midongy du Sud, dimanche dernier, 150 dahalo ont défié l’Etat qui vient d’inaugurer en grande pompe une base militaire à Iakora. Le bilan est lourd. 19 personnes ont péri dans une attaque à main armée dans le fokontany de Benonoka, commune rurale Lavaraty dans le district de Midongy du Sud. Près de 150 assaillants ont pris d’assaut 3 villages dont Morafeno, Ampahatelo et Benonoka ; cette localité est par ailleurs réputée pour l’insécurité grandissante et le vol de bœufs. Ces dahalo n’ont pas seulement dévalisé ces bourgades éloignées, ils se sont aussi accaparés des zébus et ont incendié les toits sur leur passage. Bilan : 300 habitations ont été réduites en cendres et 1 300 têtes de zébus ont été volées. Brûlé vif. Les militaires du détachement autonome de sécurité basés dans les environs du fokontany de Benonoka ont été alertés de cette attaque et sont partis à la poursuite des criminels avec le soutien du fokonolona. Cependant, la riposte a été infructueuse voire désastreuse. Les échanges de tirs ont causé la perte de 2 éléments dans les rangs des militaires, dont un adjudant chef de l’armée. 17 civils ont également succombé aux balles des assaillants. La puissance de feu et l’effectif ont joué en faveur des dahalo qui étaient armés de fusils d’assaut AKM et de fusils de chasse, selon les sources militaires. La poursuite a alors pris une mauvaise tournure, la cohorte a brûlé vif un nourrisson et a pris 4 personnes en otage. Ces dernières ont été libérées, hier, ont indiqué les sources officielles. Iakora. L’ampleur des dégâts est exceptionnelle, à un tel point que la hiérarchie militaire au niveau central a été mobilisée pour rétablir l’ordre dans cette localité perdue en plein cœur de la zone délimitée au nord par le district de Vondrozo, au sud par Midongy du Sud, à l’est par Vangaindrano et à l’ouest par Iakora. Les forces de sécurité de cette zone réputée rouge en termes d’insécurité ont été vite mobilisées. Les éléments de la toute nouvelle base opérationnelle avancée à Iakora, soutenus par les militaires de la région militaire 2, ainsi que les gendarmes du groupement d’Atsimo Atsinanana, sont dépêchés à Lavaranty pour poursuivre les dahalo. Deux hélicoptères de l’armée sont également partis en renfort à ces troupes qui ratisseront au sol. Défiance. Cette attaque d’une envergure inégalée est une véritable défiance envers l’Etat qui vient d’inaugurer il y a quelques jours une base opérationnelle avancée dans le district d’Iakora, voisin de Midongy du Sud. Lors de son passage à Iakora, le président de la République avait déclaré la guerre aux dahalo et avait annoncé que « désormais ce sont les dahalo qui auront peur ». Le déploiement de moyens humains et techniques pour former la base opérationnelle à Iakora a témoigné cette volonté de l’Etat à mener une lutte contre le vols de bœufs et l’insécurité dans cette partie Sud de l’île. Pourtant, l’initiative ne semble pas avoir intimidé les dahalo qui continuent de sévir. Rija R. L’article Midongy du Sud : Les dahalo défient l’Etat est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Midongy du Sud : Les dahalo défient l’Etat a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Delire Madagascar

PAOLO RAHOLINARIVO: Nahazo tso-drano tany amin’i pasitera Mailhol

Nisafidy ny hanohana kandida hafa indray i Paolo Raholinarivo Solonavalona raha toa ka talen’ny  fampielezan-kevitr’ i Mailhol ny tenany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany. “Rehefa nandinika ny tetikasa IEM ny vondrona ahitana ireo mpanao politika,  teknisianina sy tsara sitrapo izay tarihiko dia vonona hampandàny an’ny kandida laharana faha-13”, hoy ny fanambarana nataon’izy ireo tamin’ny anarany manokana ny 7 novambra 2018. Nametraka fepetra kosa anefa ity vondrona ity toy ny fiarovana ny gasy amin’ny taniny, fanaovana velirano hanafoanana ny asan-dahalo indrindra any amin’ny faritra Ihorombe, Anosy. Ao anatin’ny fepetra takian’i Paolo amin’ny kandida Andry Rajoelina ihany koa fanamboarana ny lalam-pirenena fahatelo mampitohy  an’Ihosy sy Faradofay rehefa tonga eo amin’ny fitondrana. Tsy adino ihany koa ny famahana ny olan’ny rano sy kere any Atsimo, fanomezana asa ho an’ny tanora ary ny fiarovana ny harena voajanahary mba hiteraka tamberina any amin’ny vahoaka. Nambaran’i Paolo fa faritra tsy misy mpijery ireo voalaza etsy ambony ireo ka izany indrindra no hanohanan’izy ireo ny kandida laharana faha-13. “Ao anatin’ny velirano ny laharana faha-13 avokoa ireo fepetra ireo ka tsy ho sarotra aminy ny hanatanteraka izany”.  Hiezaka hampitombo ny salan’isan’ny kandida laharana faha-13 ity vondrona ity. Lynda A. Cet article PAOLO RAHOLINARIVO: Nahazo tso-drano tany amin’i pasitera Mailhol est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

Aleo miady hatramin’ny farany…         

    Na ahoana na ahoana aloha, tsy misy tsy manaiky fa tena mamoa-doza izao valanaretina Covid-19 izao. Tsy eo amin’ny lafiny fahasalamana ihany fa eo amin’ny olona manontolo sy ny olona rehetra. Tsy misy tsy voadona sy mitondra faisana? Ao anatin’izany ny lafiny sosialy, toekarena, kolontsaina; eny, na ny fanahy aza.Nefa misy ihany ny tsy miraharaha: manao ambanin-javatra na ambin-javatra ny fahasalamana, na ny an’ny tenany na ny an’ny hafa. Fandikan-dalàna tsotra izao toy ny fitondrana olona na ny fandehanana antsokosoko na efa mikatona izao, ohatra, ny faritra misy ny tena. Vao mainka izay fepetra ara-pahasalamana… Nahoana?Amin’izany, ny atao ihany no atao ho an’ny sasany. Matimatin’ny fitadiavana? Tsy lavina, tena mihamafy sy mihasarotra andro aman’alina ny fiainana. Manampy trotraka ny hamehana ara-pahasalamana, tsy ahazoana mivalampatra amin’izay tian-katao. Eo koa ny tsy fandriampahalemana, ny fidangan’ny vidim-piainana…Na izany aza, ny fahasalamana ihany no voalohan-karena. Ho an’ny aina hoe Ramangatahina amin’ny maha olombelona izay atao rehetra. Izay maha olombelona izay no mitondra sy mibaiko. Mitondra inona eo amin’ny tena, ohatra, izay atao: fahasalamana sy fahavelomana sa aretina sy fahafatesana? Na tanjaka sa fahosana…Na efa hita soritra fa mihamihena aza, ohatra, ny tranga vaovao amin’ny fitondrana ny tsimokaretina Coronavirus, mila miady hatramin’ny farany. Sao maika amin’ny fitadiavana ka tsy mahatandrin-tena? Ny salama ihany no afa-mandeha, afa-mitady… Izay ny itandreman-tena, tsy fampijaliana fa mahatsara sy mahasoa.Aleo miady hatramin’ny farany. Tsy fantatra be ihany izay hitranga amin’izay mety ho fisehoan’io areti-mandoza sy mandazo io amin’izao fidirana amin’ny vanim-potoana ririnina izao. Tsy ny fitompoana teny fantatra hoe tsy hisy izany valanaretina andiany faharoa izany ary tsy hiverina amin’ny fihibohana i Madagasikara, ohatra, tsy nampiraika firy ny ankamaroan’ny olona amin’ny fitandreman-tena sy ny fanajana fepetra sakana amin’ny firongatry ny valanaretina?Rafaly Nd.L’article Aleo miady hatramin’ny farany…          a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mpivarotra-tsena Anosybe: mitaky ny fialan’ny mpitantana

 Vahaolana ny fialan’ireo tompon’andraikitra sasany. Araka ny loharanom-baovao, miketrika ny hametraka toeram-pivarotana “Box” maromaro eo amin’ny toeram-piantsonana “Parking” ireo tompon’andraikitra  roa eo anivon’ny CUA, misahana  ny  tsena Anosibe. Tsy eken’ireo mpivarotra anefa izany satria manakona ny tsenan’izy ireo sady lasa tery  koa ny toeram-piantsoana. Efa nihaona mivantana tamin’ny   ben’ny Tanàna,  Ravalomanana Lalao izy ireo, saingy tsy mbola  nivaly ny momba  izany  fitsipahana  fanorenana trano heva izany. Henon’ireo mpivarotra anefa izao fa hiakatra eo  anivon’ny fivorian’ny filankevitry ny Tanàna, amin’ity herinandro ity  izany ka  manahy mafy izy  ireo manoloana  izany ambaran’izy ireo fa amboletra sy di-dohan’ireto  olona  roa eo anivon’ny C UA, misahana  ny fitantanana ny tsena. Tsy vitan’izany fa misy resaka tsy mazava amin’ny fitantanana, tahaka ny fahatapahan’ny herinaratra ao amin’ny tsena ka itakiana volabe amin’ireo mpivarotra. “Manahy kolikoly avo lenta ao ambadik’izany izahay”, hoy ireo solontenan’ny mpivarotra.  Eo koa ny fihetsiky ny   delege  sasany eo amin’ny  tsena, miray tendro amin’izy ireo amin’izany fomba fitantanana izany.Manoloana ireo rehetra ireo,  miantso ny  tompon’andraikitra isan-tokony  ireto mpivarotra ireto mba hijery akaiky izao  raharaha izao satria ahina  mety  hanimba ny asa fiveloman’izy ireo ny fihetsik’ireo olona roa ireo.Synèse  R.    L’article Mpivarotra-tsena Anosybe: mitaky ny fialan’ny mpitantana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiainam-pikambanana: hanangana birao ny TKM

Velona sy miaina ary ho an’ny taranaka mifandimby. Hifamotoana etsy amin’ny foiben-toerany etsy Soarano, rahampitso, ny eo anivon’ny Trano koltoraly (TKM). Tohin’ny fihaonana efa natao ny herinandro teo izany ary nandraisana fanapahan-kevitra maromaro. Anisan’ny hisongadina namin’izao fivoriana izao ny hananganana ny birao hitantanana ity fikambanana manana ny maha izy azy ity. Anisan’ny hantsoina hiatrika izany fivoriambe izany ny sampana rehetra miaraka amin’ny TKM. Eo ny mpianatra sikidy, ny ho amin’ny fanandroana, ny tantara sy ny fomba, ny famato ary ny hadivory fito sosona… Araka izany, ho ambohipihaonan’ireo mpandala ny nentin-drazana ny etsy Soarano amin’io fotoana io.Synèse R. L’article Fiainam-pikambanana: hanangana birao ny TKM a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services STAGIAIRE VENDEUSE
15/10/2021

Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSEProfil : -  FEMME de plus de 20 ans -  Expériences dans le domaine de la vente de produits informatiques seraient un atout -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 2 minimum en Informatique -  Parfaite maîtrise du français oral/écrit et des outils informatiques et bureautiques, notamment Word et Excel -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Mission : -  Accueil client au magasin et réception d’appels clients -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Développement des ventes compte tenu des objectifs de ventes du magasinEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste de « STAGIAIRE VENDEUR »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services STAGIAIRE VENDEUSE".

Emploi et services DÉCLARANT EN DOUANE SENIOR
13/10/2021

Nous recrutons pour un client dans le domaine du transit:  DÉCLARANT EN DOUANE SENIORPoste basé à Antananarivo et Toamasina Missions :- Recueillir les informations nécessaires à l’établissement d’une déclaration en douane- Établir des nomenclatures douanières à utiliser- Réaliser la saisie des éléments d’une déclaration en douane à partir des documents reçus- Enregistrer les déclarations validées par le Responsable Douane- Garantir la transmission au service facturation des copies des DAU enregistrées dans la ligne de crédit de la société- Etablir les DAU draft pour les clients qui en ont besoin Profil:- Bac+3 a en commerce international ou équivalent- Expérience de 02 ans minimum dans le domaine similaire- Bonne connaissance des opérations douanières et des législations douanières- Bonne maîtrise de la langue française- Maîtrise des outils bureautiques- Rigoureux, Integer et dynamique Envoyez-nous votre candidature à talent@human-talent-consulting.com avec comme objet du mail la référence DECLARANTDOUANE-1021Veuillez préciser dans votre candidature la localité du poste qui vous convient. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services DÉCLARANT EN DOUANE SENIOR".

Emploi et services UN ou UNE INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
15/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services UN ou UNE INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

A vendre Tany Mora
13/10/2021

Raha tia hisitaka kely ny "VIlle", hitady toerana milamina sy rivotra madio dia ity no mety....Tany Mirefy 11a (1.100m²), efa- Mifefy tamboho biriky.- Amoron-dalala ary tongan'ny fiara rehetra.- Titré et Borné- Tanàna efa mandroso be. Tongan'ny BusToerana : Atsimon'ny Lac Vontovorona (19mn en voiture miala OASIS).Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Tany Mora".

Emploi et services Manao Instrumental
13/10/2021

Manao Instrumental Rap, rnb, zouk, tropical, salegy, reggae, ragga, évangelique, chorale, folk, piano, sy ny manodidina azy rehetra, tononkira, feonkira, video lyrics, mise en youtube, manampy vue am youtube, Afaka manome tononkiraAfaka manao video liricsFacebook.com/instrukreator Prix mora Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Manao Instrumental".

Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE
13/10/2021

Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSEProfil : -  FEMME de plus de 20 ans -  Expériences dans le domaine de la vente de produits informatiques seraient un atout -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 2 minimum en Informatique -  Parfaite maîtrise du français oral/écrit et des outils informatiques et bureautiques, notamment Word et Excel -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Mission : -  Accueil client au magasin et réception d’appels clients -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Développement des ventes compte tenu des objectifs de ventes du magasinEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste de « STAGIAIRE VENDEUR »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE".

A vendre Yamaha twin
11/10/2021

moto : Yamaha twin 850ccContact: 0330805246Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Yamaha twin".

Emploi et services Cours de Soutien en maths, syst Malagasy, syst Fraincais, et universitaire à domicile et/ou en ligne
13/10/2021

Ayant 11ans d'expérience dans le domaine de l'enseignement (9ans particulier, 6ans programme Français et 4ans Universitaire, 3ans cours en ligne(live video) )et diplômé en Master Mathématiques appliquées. Je vous offre des cours particuliers : - Mathématiques: 6eme- Tle A, C, D, ES, S ( systèmes éducatifs malagasy).- Mathématiques: 6eme- Tle Spé math spé maths, option maths expert ou informatique( systèmes éducatifs Français). - Analyse, algèbres, statistiques et probabilités appliquées, mathématiques appliquées, mathématiques générale, mathématiques financière, base informatique(Universitaire: Économie, gestion, Informatiques, ...). Mon but est de faire progresser l'étudiant sans le surcharger avec des méthodes très efficace. N'hésiter pas à me contacter pour de plus amples informations. À bientôtMr JackisCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Cours de Soutien en maths, syst Malagasy, syst Fraincais, et universitaire à domicile et/ou en ligne".

Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE
13/10/2021

Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLEProfil : -  FEMME de plus de 25 ans avec expériences confirmées en Attachée de Direction à orientation commerciale -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 3 minimum en Gestion -  Parfaite maîtrise du français ; l'anglais serait un grand atout -  Parfaite maîtrise des outils informatiques & bureautiques, notamment Word Excel ERP et outils digitaux -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Missions : -  Assistanat de Direction, lié notamment au Commercial et à l'approvisionnement -  Relations, contacts et suivis clients & fournisseurs -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Réalisation de reportings commerciaux et autresEnvoyez CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d'ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE".

Emploi et services ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE
15/10/2021

Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLEProfil : -  FEMME de plus de 25 ans avec expériences confirmées en Attachée de Direction à orientation commerciale -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 3 minimum en Gestion -  Parfaite maîtrise du français ; l'anglais serait un grand atout -  Parfaite maîtrise des outils informatiques & bureautiques, notamment Word Excel ERP et outils digitaux -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Missions : -  Assistanat de Direction, lié notamment au Commercial et à l'approvisionnement -  Relations, contacts et suivis clients & fournisseurs -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Réalisation de reportings commerciaux et autresEnvoyez CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d'ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE".

Emploi et services COMMERCIAL SENIOR
13/10/2021

 Nous recrutons pour un client dans l’impression et fabrication en papier :  COMMERCIAL SENIOR Missions :- Identifier des cibles pertinentes et rechercher de nouveaux marchés- Prospecter et développer le portefeuille clients- Assurer la gestion et le suivi de la relation clients BtoB- Participer à l’élaboration et l’optimisation du plan d’action commercial et le mettre en œuvre- Assurer le suivi de l’activité commerciale via tableaux de bord relatifs à l’activité Profil :- Titulaire d’un bac +3 en commerce, marketing, vente ou équivalent- Minimum 2 ans d’expérience réussie dans le domaine commercial- Possession d'un portefeuille client entreprise serait un atout- Bonne connaissance et intérêt pour le marché BtoB- Maîtrise des techniques de vente et de négociation- Bonne maîtrise de la langue française- Ayant une aisance relationnelle et un bon sens de la communication- Rigoureux(se), proactif(ve) et flexible- Titulaire du permis moto Envoyez-nous votre candidature à talent@human-talent-consulting.com avec comme objet du mail, la référence COMMERCIAL-1021 Tél: 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services COMMERCIAL SENIOR".

Emploi et services AGENT DE TRANSIT
13/10/2021

Nous recrutons pour un client dans le domaine du transit :  AGENT DE TRANSIT Poste basé à Antananarivo et Toamasina Missions:- Assurer la réception et transmission de documents interne et externe- Ouverture et gestion de dossier sur logiciel informatique- Préparation des programmes d’enlèvement des marchandises- Tenue des états documentation- Réception des copies des documents ou pré alerte par e-mail- Vérification des documents reçus par le client avant remise à Responsable Import- Préparation et remise des sous dossiers au Responsable Douane- Envoi de situation des clients- Préparation des divers documents du service- Réception des dossiers retour du service Douane et retour aux clients- Préparation aet remise des dossiers à remettre à la facturation pour paiements- Préparation des programmes d’enlèvement internes Profil :- Bac+2 en commerce international ou équivalent- Expérience dans le domaine souhaitée- Maîtrise de la langue française- Maîtrise des outils bureautiques- Rigoureux, Integer et dynamique Envoyez-nous votre candidature à talent@human-talent-consulting.com avec comme objet du mail la référence AGTTRANSIT-1021Veuillez préciser dans votre candidature la localité du poste qui vous convient.  Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services AGENT DE TRANSIT".

Notsongaina

Mpanohitra… mijery lavitra
12/10/2021

Vanim-potoana mialoha ny fifidianana izao. Efa misy ny antoko na vondrona politika miomana amin’izany? Ady fiady io, samy manao izay afany sy efany. Tato ho ato, saika tsy misy fiatoana ny fametrahan’ny fitondram-panjakana vatofehizoro amin’ny fanorenana fotodrafitrasa etsy sy eroa, ny fitsidihana ny fandehanan’ny asa natomboka na an-dalam-pamitana azy, ny fitokanana zava-bita.Misy mahita fa efa karazana fampielezan-kevitra vita ho azy izay ho an’ny eo amin’ny fitondrana. Miasa: marina sa tsy marina? Misy ny zava-bita: ekena sa tsy ekena? Na izany aza, mampiaka-peo hatrany ny mpanohitra sasany ny amin’ny lafiny sosialy na ny fiainam-bahoaka. Eo, ohatra, ny tsy fandriampahalemana, ny fidangan’ny vidim-piainana tsy voafehy, ny tsy fisian’asa, ny ady tany efa ho lava…Mila vahaolana haingana sy maharitra avokoa izany? Miantoka ny filaminan’ny fiainam-bahoaka ny fivahan’ireo fahasahiranana ifotony. Raha voalamina sy voajery lavitra ny famahana izany, ahazoana miatrika ny asa fampandrosoana bebe kokoa na efa anisan’ny mampandroso aza ny sasany. Na izany aza, tsy efa misy ve ny ezaky ny fitondrana amin’izay lafiny sosialy izay? Na eo izay andrasana…Eo ny tsirairay mahita sy mitsara izay tsapany sy iainany: efa misy fihatsaram-piainana? Andrasana, ohatra, ny fahatongavan’ny entana ilaina andavanandro amin’ny vidiny mora. Inona na ahoana koa? Na ahoana na ahoana ary na inona na inona mitranga sy atao, tsy mahita tsikeraina sy kafaraina hatrany ny mpanohitra. Asany izay. Raha tsy manao izy no hafahafa, tsy mahalala sy mahavita ny asany.Saingy ahoana ity fitakiana ny fialan’ny mpitondra? Nefa ny vahoaka nifidy tsy mihevitra na mitetika izany aloha hatramin’izao. Tsy izay nametraka ve no manan-drariny kokoa mitaky ny fialan’izay nofidiny? Raha misy ny fananana vahoaka, tsy hita izay hanombanana izay ny maro anisa raha tsy amin’ny alalan’ny fifidianana. Tsy ho lany hery sy fotoana amin’izany raha efa mihevitra fifidianana ny hafa?Rafaly Nd. L’article Mpanohitra… mijery lavitra a été récupéré chez Newsmada.

Kitra ao Toamasina – Fifafifi FC: tsy nanaja fotoana ny filohan’ny Ligy
11/10/2021

Naneho ny alahelony sy ny hatezerany tamin’ny filohan’ny ligim-paritry ny baolina kitra ao Antsinanana ireo mpitarika ny sekolin’ny baolina kitra  Fifafifi FC ao Toamasina, sy ireo  ray aman-drenin’ankizy manaraka ny zanany, ary ireo mpitsara sy vadintany mitarika ny katitakely ary ireo olo manan-kaja sivily, ny alarobia 22 septambra lasa teo, noho ny tsy fanajan’ity mpitantana ny kitra ao Toamasina ity ny fotoana nifanomezana.Fotoana nanolorana medaly ho an’ireo mpandresy teo amin’ny U9; U11 ; U13 lahy sy vavy ary fanomezana fitaovana entina manao fanatanjahantena ho an’ireo afa-panadinam-panjakana CEPE, BEPC ary bakalorea.Tamin’ny 3 ora folakandro mantsy ny fotoana nifanomezana tamin’ny mpikarakara, saingy efa tamin’ny 5 ora  12 mn hariva kosa vao tonga ny filohan’ny ligy, izay nomena fahefana hanome voninahitra ny hetsika. Fimenomenomana no nandraisan’ny olona izany fihetsika izany. “Izao ve ny filoha hatao ho fitaratry ny ankizy…? “ hoy ny fimenomenoman’ireo olona tonga nanatrika izany. SajoL’article Kitra ao Toamasina – Fifafifi FC: tsy nanaja fotoana ny filohan’ny Ligy a été récupéré chez Newsmada.

Fikaonan-doha: maka bahana ny MMM Andramasina
11/10/2021

Tsy ho ela intsony. Nifamory tao Andramasina, ny herinandro teo, ireo lohandohany sy mpitarika eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, any amin’ity distrika ity. Nivoitra tamin’izany ny fanomanana sy ny fikarakarana ny hiatrehana ny fikaonandoham-paritry ny antoko, Analamanga, ho tanterahina ato ho ato. “Miainga amin’ny fanapahan’ny avy ety ifotony sy ny hetaheta na ny heviny ny fehinkevitra hivoaka amin’izany fikaonandoha-paritra izany. Tsy misy ny baiko midina…”, hoy ny avy amin’ny birao nasionaly, Ratavilahy Andry. Narindra sy nalamina tamin’izany ireo mpandray anjara ho solontenan’ny MMM distrika Andramasina. Manana olom-boafidy miisa 22 amin’ireo kaominina miisa 10 ity antoko naorin’ Andrianainarivelo Hajo ity any an-toerana. Hofaritana amin’ny fihaonana manaraka ny hanampy azy ireo, hitondra ny hevitry ny eny ifotony amin’ny fikaonandoham-paritra.Synèse R. L’article Fikaonan-doha: maka bahana ny MMM Andramasina a été récupéré chez Newsmada.

Fonds Bezos: ala honko 94.500 ha harovana sy harenina
12/10/2021

Hanohana an’i Madagasikara ny fikambanana iraisam-pirenena Fonds Bezos, hametrahana fitantanana maharitra ny harena voajanahary. Voakasik’izany ny hiarovana ala honko mirefy 87.000 ha any amin’ny morontsiraka andrefan’i Madagasikara sy hanarenana ny ala honko mirefy 7.500 ha hatramin’ny taona 2025. Hotohanana ny tontolo mananaina sy ny mponina eny ifotony ho afaka miatrika ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro any amin’ny faritra Menabe, Melaky ary Diana.Nilaza ny tale jeneralin’ny fikambanana WWF iraisam-pirenena, i Marco Lambertini, fa karohina ny famatsiam-bola sahaza, izay tombanana hatrany amin’ny 700 miliara dolara isan-taona. Araka ny fanadihadiana nataon’ny ivontoerana Institut Paulson, manodidina ny 722 hatramin’ny 967 miliara dolara isan-taona ny tetibola ilaina ato anatin’ny 10 taona ho avy. Ilaina ny famatsiam-bola ho an’ny fanjakana sy ny tsy miankina, hanohanana ny sehatra samihafa hita fa manimba ny tontolo iainana, toy ny fambolena, ny jono, ny fotodrafitrasa, sns.Ho an’ny tale jeneralin’ny WWF Madagasikara, Rtoa Rastifandrihamanana Nanie, mila miray hina amin’ny firenen-drehetra i Madagasikara, hiatrehana ny krizy ara-tontolo iainana sy ny toetr’andro.Njaka A.L’article Fonds Bezos: ala honko 94.500 ha harovana sy harenina a été récupéré chez Newsmada.

In Soccer Family Challenge : La famille Rasolofosaona sacrée
11/10/2021

Pour sa première édition, le tournoi « In Soccer Family Challenge », destiné aux familles qui veulent jouer ensemble au football, a tenu  toutes ses prouesses à Anosy-Avaratra le samedi 2 octobre dernier.  Hommes, dames et enfants ont tous chaussé leur godasses afin de venir surmonter le stress et la pression des matchs tout en conjuguant l’ambiance et le fair play. De nos jours, les moments permettant aux parents de passer des moments récréatifs avec leurs enfants se font rares, l’idée d’organiser le tournoi s’est donc fondée principalement dessus. D’après les organisateurs, le tournoi est un moment précieux pour tisser davantage les liens familiaux. Chaque équipe a été composée d’au moins une femme et un enfant de moins de 14 ans issus de la même famille. Pour les co-organisateurs, Motonifik, Paparazzi Group et In Soccer, l’objectif a été atteint. Les résultats:  Famille championne: Les Rasolofosaona Vice-championne: Les Razafitsiarovana. Trophée Ballon d’or – Meilleure joueuse: Aina de la famille Rasolofosaona. Trophée meilleur joueur: Rei de la famille Rabarilala. Meilleur Dress-code: – Famille Rabarilala – Famille Andriambelo  T.H  L’article In Soccer Family Challenge : La famille Rasolofosaona sacrée a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Trafic de bois précieux : Saisie de 120 rondins de palissandre et de « bedara »
13/10/2021

Le MEDD maintient sa position et argue « la tolérance zéro ». La couverture forestière de Madagascar ne représenterait plus que 12% de sa superficie. Une perte qui est exacerbée par les divers trafics enregistrés ou non par les autorités.  La perte de biodiversité continue au vu et au su de tout le monde. Et ce, malgré les efforts menés par les divers acteurs comme le ministère de l’Environnement et du Développement durable et ses partenaires techniques et financiers. Notamment, dans la mise en place de dispositifs de lutte contre les divers trafics, en vue de renforcer les efforts de préservation et de consommation des ressources naturelles. La saisie de 120 rondins de bois précieux tels que le palissandre ou encore le  « bedara » constitue, d’un côté, la manifestation des entorses à ces règles et dispositifs stricts. Et des preuves tangibles du côté opérationnel desdits dispositifs, de l’autre. « Pris en flagrant délit pour transport illégal, les bois qui provenaient de Tsiroanomandidy devaient être acheminés à Ambodivona », nous confie une source auprès du ministère de l’Environnement et du Développement durable à Nanisana. Notre source fait également savoir que « le véhicule semi-remorque ayant servi pour le transport des bois interceptés a été mis en fourrière et la propriétaire des produits est déjà identifiée ». Aggravant. Outre l’exploitation illicite des ressources naturelles, la source auprès du ministère de l’Environnement et du Développement durable nous explique que la propriétaire des produits a recouru « aux faux et usages de faux». « Il s’agit d’une autorisation de transport et d’un procès-verbal d’embarquement de ces bois, qui sont totalement faux », nous rapporte la source. Avant de préciser que « ce sont des paperasses non délivrées par le ministère de tutelle. Sur l’en-tête des papiers figure en effet un logo du ministère des Eaux et Forêts et de l’Écologie, une ancienne dénomination du ministère de l’Environnement et du Développement durable, et une mention du Groupement Régional des Exploitants Forestiers de Bongolava sous le sigle du Secrétariat Général ». Et sur ce dernier point, le commissaire divisionnaire Elutin Razafiarison de la direction de l’Unité de Lutte contre la Corruption (DULC) précise que « le Groupement des Exploitants Forestiers est une organisation entièrement privée, et non pas sous la tutelle du SG du MEDD ». A la propriétaire des bois saisis d’expliquer donc les irrégularités devant les officiers de Police Judiciaire du MEDD.  José BelalahyL’article Trafic de bois précieux : Saisie de 120 rondins de palissandre et de « bedara » a été récupéré chez Midi Madagasikara.

« Angaredona andiany faha-16 : ho kianja ivelaran’ny mozika miaina i Toamasina
12/10/2021

Mamoha, mitrandraka, mampahalala, manome sehatra ary manaparitaka ny mozika miaina ny « Angaredona ». Anjaran’i Toamasina indray no mandray ny andiany faha-16.Mbola tsy mikatona ny fery navelan’ny hamehana ara-pahasalamana, ho an’ny sehatry ny zavakanto. Na izany aza, efa nanombana Rajery tamin’ny volana jona, fa hotontosaina any Toamasina ny « Angaredona » amin’ity taona ity. Nisy ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Telma Andraharo, nanamafisana ny fisian’ity hetsika lehibe ho an’ny mozika miaina ity. Fantatra fa hotontosaina ny 21 hatramin’ny 24 oktobra ho avy izao ny « Angaredona » andiany faha-16, ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka. Manankarena zavakanto, indrindra ny mozika iny faritra atsinanana iny. Mbola voaporofo izany nandritra ireo fitetezam-paritra nataon-dRajery sy ny ekipany, nikaroka ifotony izay mahakasika ny mozika malagasy rehetra. Antony nisafidiana ny toerana, ary mbola nanamafy izany ny ben’ny Tanànan’i Toamasina, Rakotonirina Nantenaina, izay mpanakanto fanta-daza rahateo. Mifikitra amin’ny tanjona napetrany hatrany am-boalohany ny « Angaredona », raha ny fanazavan-dRajery, izay vy nahitana ny hetsika. Mampiaina, mampita ny manome lanja ny tafan-kolontsaina, izay harembakoka lehibe eto Madagasikara. Teny an-dalana teny, lasa sehatra ho an’ny kolontsaina isam-paritra ny « Angaredona ». Maro ireo mpanakanto nofohazina na nasondrotry ny hetsika, izay samy mivoy ny mozika miaina avokoa. Nametraka tanjona fanampiny, toy ny fivoizana ny firaisankina sy ny fihavanana malagasy, ary ny fanentanana ny tanora hitodika amin’ny kolontsaina ny hetsika. Nametraka ny maha fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny kolontsaina rahateo ny “Angaredona”, ka ny hita maso akaiky indrindra dia ny lafiny fizahantany mandritra ny hetsika. “Hozaraintsika amin’ireo ankizy sy ny Malagasy rehetra manerana ny Nosy hatrany ivelany ny kolontsaina malagasy”, hoy kosa ny nambaran’i Patrick Pisal Amida, tale jeneralin’ny Telma, izay hanana andraikitra lehibe amin’izay fanapariahana izay. Tsiahivina fa mpanakanto maro, mivoy ny mozika miaina marolafy, avy avy amin’ny lafivalon’ny Nosy no handray anjara amin’ny “Angaredona” any Toamasina amin’ity. Mazava loatra fa hahazo sehatra bebe kokoa ny avy ao an-toerana.Zo ny AinaL’article « Angaredona andiany faha-16 : ho kianja ivelaran’ny mozika miaina i Toamasina a été récupéré chez Newsmada.

Indray mijery
12/10/2021

334.000.000 Ar ny tentim-bidin’ny fanamboarana sy fanitarana ny sampan-draharaha mandray an-tanana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ao amin’ny CHU Place kabary Antsiranana. Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny masoivohon’i Japon no hahafahana manatanteraka izany. Tanjona ny hampavitrika ireo reny mikarakara tena any amin’ny hopitaly, toy ireo mitondra vohoka sy manao fandrindram-piterahana ary mitondra ny zanany hotsaboina sy hatao vaksiny eny amin’ny tobim-pahasalamana. Tafiditra hatrany ao anatin’ny fanatrarana ny velirano fahadimy momba ny fahasalamana ho an’ny rehetra tsy anavahana sokajin-taona ny asa fanitarana sy fanatsarana.Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny hanaovana tolo-bidy hanamboarana ny “pipeline” na fantsona lehibe mitondra rano miainga ao amin’ny reniranon’i Efaho mankany amin’ny faritra Androy. Mirefy 69km ny halavan’ny fantsona hitarihana ny rano hamatsy ny tanànan’Androy manontolo. Heverina hivoaka amin’ny 13 oktobra izao ny “appel d’offre” . Hosafidina aorian’izay ny orinasa hanatanteraka ny asa sy izay tena mahavita azy tsara. Haharitra 12 volana na herintaona ny  asa ka hahazo rano amin’izay ny ao Androy. Hanondraka velaran-tany mirefy 2.000 ha  sy hamatsy rano amin’ireo tanàna 60 mahery ao Androy ny rano miainga any Efaho.Hisy koa ny toerana manokana hahafahan’ny biby fiompy madinika misotro rano amin’ity dingana voalohany ity.L’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.

Tsy fandriampahalema ao Toamasina: namory ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ny lehiben’ny OMC
12/10/2021

Mirongatra izaitsizy ny asan-jiolahy mahatonga ny tsy  fandriampahalemana ao Toamasina, ankehitriny. Ny fahatsapana izany indrindra no anton’ny fivoriana lehibe niantsoan’ny prefet-n’i Toamasina, izay sady lehiben’ny OMC ny lehiben’ny mpitandro filaminana (miaramila, zandary, polisy), ny lehiben’ny boriborintany, ny sefom-pokontany sy ny lefiny miisa 138, ary ny fikambanana mampiasa ireo fitaovam-pitaterana (bajaj, posy bisikileta), ny zoma teo, tetsy amin’ny lapan’ny prefektiora, Mangarano. Momba ireto fitaovam-pitaterana (ny bajaj na posy bisikileta) ao Toamasina ireto, voalaza fa toa ampiasain’ny mpanao ratsy hitaterana entana halatra azo avy amin’ny fandrobana sy vaky trano, fandrobana tranombarotra. Miray tsikombakomba amin’ny jiolahy àry ve izany izy ireo ? Asa, fa ny zava-misy, efa maromaro tamin’izy ireo ihany no voasambotry ny mpitandro filaminana.Mpianatra telo lahy tratra nitsindrona héroine…Ankoatra izay, niara-niaiky ny rehetra fa noho ny fihanaky rongony sy ny zava-mahadomelina mahery vaika (héroïne, cocaïne, scquinque…), izay efa manomboka be mpampiasa amin’izao fotoana izao no antony iray lehibe mampirongatra ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina. Hatramin’ny tanora sy ny mpianatra any amin’ny Lycée sy ny oniversite aza, ankehitriny dia tafaroboka tanteraka amin’izany. Anisan’izany izao ny fahatrarana mpianatry ny oniversiten’i Barikadimy telolahy, nitsindrona héroïne ary hiakatra fitsarana amin’ny herinandro io. Izao fihanaky ny fidorohana zava-mahadomelina izao no niarahan’ny rehetra niaiky fa mahatonga ny firongatry ny tsy fandriampahalemana (vonoan’olona, fandrobana, halatra sy vaky trano…) ao Toamasina. Hisy, araka izany, ny fiaraha-mientan’ny hery rehetra, ny mpitandro filaminana mivondrona ao anivon’ny OMC, tarihin’ny prefet, an-daniny, ary ireo tomponandraikitra ifotony, ny avy ao amin’ny boriborintany, ny fokontany… an-kilany.SajoL’article Tsy fandriampahalema ao Toamasina: namory ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ny lehiben’ny OMC a été récupéré chez Newsmada.

Technologies : 78% des enfants utilisent Internet
14/10/2021

Les participants à la session de formation contre l’AESEL Plus de la moitié des mineurs sur les 1 500 enquêtés par l’ONG Ecpat France utilisent Internet. 50% d’entre eux ne sont pas sous la surveillance des adultes au moment où ils sont connectés. Les enfants utilisent fréquemment Internet pour apprendre, communiquer, partager des contenus, jouer ou encore s’amuser. Ces activités ont lieu de plus en plus souvent loin de l’ordinateur familial, sur des appareils mobiles comme les smartphones et les tablettes. Bien que les parents peuvent diriger l’enfant vers des contenus intéressants, amusants et adaptés à son âge, 50% des enfants enquêtés ont indiqué ne pas être dirigés quand ils surfent. C’est le résultat des études menées par l’ONG Ecpat France sur 1.500 enfants et 500 adultes qui ont eu lieu dans six villes de Madagascar dont Antananarivo, Mahajanga, Toamasina, Toliara, Nosy-Be et Taolagnaro. « Nous encourageons les parents à surveiller de près les activités de leurs progénitures sur Internet. Avec le développement de la nouvelle technologie, l’exploitation sexuelle des enfants à travers Internet est un phénomène qui nécessite une prise de responsabilité », selon Tokinirina Rakotoarimanana, formateur auprès de l’Ecpat France. Ces points ont été évoqués hier durant la formation des acteurs sur la terminologie relative aux Abus et exploitations sexuels des enfants en ligne (AESEL) dans le cadre du projet PAESEL ou Prévention des abus et exploitations sexuels des enfants en ligne conduit par Ecpat France et appuyé par l’UNICEF. Risques. L’utilisation des médias sociaux peut présenter certains risques. Cette étude réalisée par l’Ecpat France a permis d’apprendre que 44% des enfants enquêtés ont indiqué avoir été victimes de l’un des cinq types d’abus et exploitations sexuels en ligne comme l’online grooming, le sexting, la sextorsion, le live streaming d’abus sexuels ainsi que l’abus sexuel à partir d’une webcam, messenger ainsi que toutes les plateformes où l’on peut visionner des vidéos. Le chef du service de la législation auprès de la direction des études et des réformes législatives du ministère de la Justice, Vololoniaina Rakotonirina a indiqué que pour renforcer davantage la protection des enfants contre l’AESEL, il est primordial de faire une large diffusion de ces guides terminologiques auprès des acteurs concernés par la protection des enfants. C’est également dans ce sens que des sessions de formation seront organisées dans les six villes d’intervention du projet. Narindra RakotobeL’article Technologies : 78% des enfants utilisent Internet a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Tselatra
11/10/2021

Ravan’ny zandarimaria avy ao Mandoto, ny zoma teo ny fikambanan-jiolahy enin-dahy nikasa haka an-keriny, nandrahona ho faty sy nitaky volabe taman’olona avy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola-Mandoto. Zandary ihany no nandraisany ny vola ka noraisim-potsiny ny roa lahy. Saika mbola hitsoka ireo namany, saigy voasambotra tsirairay avy rehefa nifanenjehana sy natao savahao. Nisy tovolahy vao 16 taona ireo jiolahy.   L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

La STAR honore ses collaborateurs : Miisa 217 ireo notolorana mari-boninahitra
13/10/2021

Cette année encore, la STAR n’a pas manqué de distinguer ses collaborateurs pour preuve de son engagement et de son attachement envers ses employés. 217 collaborateurs STAR ont été décorés dans l’ensemble de toutes les exploitations de la STAR. Compte tenu du contexte sanitaire dernièrement, les cérémonies de remise ont été organisées dans plusieurs villes de Madagascar au plus proche de ses collaborateurs. Comme tous les ans, chaque cérémonie de remise est dédiée aux collaborateurs récipiendaires pour récompenser leur fidélité envers la STAR, leur remarquable volonté et leur persévérance à la participation active au développement de l’entreprise. Parmi ces collaborateurs, 154 récipiendaires ont obtenu une médaille de travail, 58 récipiendaires ont reçu le grade de « Chevalier de l’ordre national », et, 05 récipiendaires le grade de « l’Officier de l’ordre national ». Les autorités locales ont fait l’amitié et l’honneur de répondre aux invitations, témoignage de l’existence d’un réel partenariat public-privé et de l’intérêt qu’elles portent à la vie et au développement de la STAR. La dernière cérémonie de remise s’est déroulée ce mercredi 13 octobre au Carlton Anosy en présence des 63 collaborateurs récipiendaires des exploitations STAR du grand Tanà et de leur proche. Durant son discours, monsieur RAMBELOARIMANANA Iharinaivo, représentant des récipiendaires, a remercié chaleureusement le Directeur Général de la STAR, Marc POZMENTIER, les membres du Comité de Direction ainsi que les Chefs d’Exploitation qui ont été présents lors de cette remise. « Avec plus de 2550 emplois directs, 5 usines et 15 agences commerciales à travers le pays, Star est un poids lourd de l’industrie nationale. Nous sommes d’ailleurs très fiers de voir apposer sur l’ensemble de notre production le label Malagasy Ny Antsika que nous a attribué le SIM. C’est une reconnaissance de notre implication permanente dans la promotion et la défense du Vita Malagasy cher à chacun d’entre nous (…) Seul, nous ne sommes rien, ensemble nous pourrons déplacer les montagnes et surtout viser les étoiles », d’indiquer monsieur Marc POZMENTIER, Directeur Général de la STAR lors de sa prise de parole. Mankasitraka ireo mpiasa ao aminy ny STAR Toy ny fanao isan-taona dia tsy nanadino nankasitraka ny mpiasa ao amin’ny STAR ho mariky ny fisaorana azy ireo sy fanomezan-danja azy ireo eo amin’ny toerana misy azy tsirairay avy. Miisa 217 ireo mpiasa STAR notolorana mari-boninahitra sy fankasitrahana amin’ireo toeram-piasana misy ny orinasa manerana ny Nosy. Noho ny hamehana ara-pahasalamana nisy teo aloha, dia notanterahina tany amin’ireo faritra samihafa misy ny toeram-piasana STAR ny lanonam-panolorana medaly sy mari-boninahitra mba hanakaiky kokoa ireo mpiasa izany. Ny lanonam-panolorana mari-boninahitra dia natokan’i STAR hisaorana ireo mpisitraka tamin’ny asa sy ny fahafoizan-tena natolony tamin’ny fampandrosoana ny orinasa. Tao anatin’ireo mpiasa 217 ireo dia miisa 154 no nahazo ny « médaille du travail », 58 no nasondrotra tamin’ny mari-boninahitra « Chevalier de l’ordre national » ary 05 kosa ireo nampiakarina amin’ny mari-boninahitra « Officier de l’Ordre National ». Ho mariky ny fiaraha-miasan’ny miankina sy ny tsy miankina dia tonga nanome voninahitra ireo lanonana notronon’ ireo manam-pahefana isan-tsokajiny tamin’ireo faritra samihafa. Anio no notanterahina teny amin’ny Carlton Anosy ny lanonam-panolorana farany ho an’ireo mpiasa STAR miisa 63 eto Antananarivo izay natrehin’ireo akaiky azy ireo. Nandritran’ny lahateny nataon’i RAMBELOARIMANANA Iharinaivo, solo-tenan’ireo nisitraka mari-boninahitra vaovao, dia tsy nanadino nisaotra ny Tale Jeneralin’ny STAR, Marc POZMENTIER, ireo komitin’ny fitantanana ao amin’ny STAR sy ireo nanome manam-pahefana tonga nanome voninahitra ny lanonana androany. « Manome lanja ny indostria malagasy ny STAR satria misandrahaka manerana ny Nosy amin’ny alalan’ny ozinina 05 sy masoivoho miisa 15 ary manome asa raikitra miohatran’ny 2550. Hafaliana ho anay ihany koa ny nahazoana ny marika Malagasy ny Antsika avy amin’ny SIM, izay fanandratana avo ny vokatra vita malagasy (…) Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika. Raha miara-miasa dia mety mahafindra tendrombohitra ary indrindra hanatratra ny kintana. » hoy Andriamatoa Marc POZMENTIER, Tale Jeneralin’ny STAR. Cet article La STAR honore ses collaborateurs : Miisa 217 ireo notolorana mari-boninahitra est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article La STAR honore ses collaborateurs : Miisa 217 ireo notolorana mari-boninahitra a été récupéré chez Délire Madagascar.