Kitra – «Can 2021»: “Azo atao tsara ny mitazona ny laharana roa voalohany”, hoy i Dupuis

News - Kitra – «Can 2021»: “Azo atao tsara ny mitazona ny laharana roa voalohany”, hoy i Dupuis
Nambaran’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar fa vondrona azoazo, ny misy an’i Madagasikara, eo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny toerana any amin’ny “Can 2021”, tanterahina any Kameronina. Raha tsiahivina, ao amin’ny sokajy K, miaraka amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire sy i Niger ary i Kenya no misy ny Barea de Madagascar. “Tokony ho tafiditra ao anatin’ireo roa voalohany, ny Barea de Madagascar. Raha ara-taratasy, ambony lavitra ny Barea, raha mitaha amin-dry zareo Kenyanina sy Niger. Ny Ivoarianina no mafy, saingy miankina amin’ny fanomanana ny zava-drehetra”, hoy izy.
Marihina fa samy niatrika ny “Can 2019”, tany Egypta i Kenya sy i Côte d’Ivoire. Raha tsiahivina, tsy nivoaka vondrona ny Kenyanina, raha nihintsana teo amin’ny ampahavalon-dalana kosa ny Ivoarianina.
Tafita hiatrika ny dingana famaranana, hatao any Kameronina, ireo ekipa 2 voalohany isam-bondrona, aorian’ny fifanintsanana, izay hatao lalao mandroso sy miverina. Tsiahivina fa tsy miatrika ny lalao savaranonando, intsony ny Barea de Madagascar. Mbola hanao izany kosa i Liberia sy Tchad, Sodan Atsimo sy Seychelles, Nosy Maorisy sy Sao Tomé sy Principe ary i Djibouti sy i Gambia.
Tompondaka
L’article Kitra – «Can 2021»: “Azo atao tsara ny mitazona ny laharana roa voalohany”, hoy i Dupuis a été récupéré chez Newsmada.
Vakio ihany koa
Foot - News - Sport - News Mada
Kitra eran-tany – «Ballon d’or 2018”: lasan’i Modric ny amboara, tsy nipoitra i CR7 sy i Messi
Tontosa, ny alatsinainy 3 desambra lasa teo, tany Paris, Renivohitr’i Frantsa, ny fanolorana ny “Ballon d’or 2018”, taranja baolina kitra. Voafidin’ireo mpanao gazety 180 maneran-tany sy ireo mpanazatra avy amin’ny vazan-tany efatra hibata izany amboara izany ilay Kroaty, i Luka Modric, irakiraka mpanafika ao amin’ny Real de Madrid. Ny zava-bitany ka nampisongadina azy tamin’ireo lalao rehetra nataony no tena naharesy lahatra ireo mpifidy nahazoany ity “Ballon d’or 2018” ity. Raha tsiahivina, nandrombaka ny tompondakan’i Eoropa “Ligue des champions”, niaraka tamin’ny Real, ny tovolahy ary niatrika ny famaranana ny “Mondial 2018”, tamin’i Kroasia. Nahazo isa 753 izy, nanoloana an’i Cristiano Ronaldo, isa 476. Fahatelo ilay Frantsay, i Antoine Griezmann, isa 414, narahin’i Mbappé, isa 347. Tany amin’ny laharana fahadimy kosa ilay Arzantin, i Lionel Messi, nahazo isa 280. Azo lazaina fa tsy nahazaka ny fahareseny, tamin’ity, i Messi sy i Ronaldo, izay efa mpandrombaka matetika ity “Ballon d’or” ity ka tsy niseho tao amin’ny lanonam-panolorana ny amboara. Fihetsika tsy nampiseho “fair-play” ary nanankianan’ny ankamaroan’ireo olona manan-kaja marobe tonga tao an-toerana. Nomena an’i Kyllian Mbappé kosa ny “trophée Kopa”, natokana ho an’ireo mpilalao latsaky ny 21 taona. I Ada Hegerberg, teratany norvezianina, milalao ao amin’ny Olympique Lyonnais, kosa ny nandrombaka izany ho an’ny vehivavy. TompondakaL’article Kitra eran-tany – «Ballon d’or 2018”: lasan’i Modric ny amboara, tsy nipoitra i CR7 sy i Messi a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Aogositra – septambra – oktobra: averina ny fampiatoana fanaratoana drakaka
Nandray fanapahan-kevira ny minisitera misahana ny jono fa averina, manomboka ny volana aogositra izao hatramin’ny 31 oktobra 2019, ny fampiatoana manerana ny Nosy ny fanaratoana drakaka. Taona maro, araka ny tatitra nataon’ny minisitera, tsy nisy izay fanakatonana ny fanaratoana drakaka izay, lasa fihariana gaboraraka. Misy fiantraikany ratsy lehibe izany ka izao fanapahan-kevitra izao noraisina hifehezana sy hampanarahan-dalàna io lalam-pihariana io, hampitombo ny vokatra drakaka sy hampanara-penitra izany, araka izay takina amin’ny tsena eto an-toerana sy any ivelany.Izay famerenana ny fanakatonana ny jono izay, tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny minisitera ho fanatsarana ny lalam-pihariana hampitombo ny fidiram-bolan’ny mpanjono. Rehefa mitombo sy tsara ny vokatra, mitombo, manaraka izany, koa ny tolotra ho an’ny ho an’ny tsena eto an-toerana sy ny fanondranana azy. Mampiditra vola vahiny izay fanondranana izay, singa iray mampantanjaka ny toekarena. Hahatrarana izany ny hisian’ny fitantanana mangarahara momba ny fitrandrahana ny harena an-dranomasina.Mangataka fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina ny minisitera amin’izany sehatra izany, mba ho ara-dalàna sy hanara-penitra. Tanjona ny fiarovana ny mpanjifa ho amin’ny fahavitan-tena amin’ny sakafo sy hahafahana mifaninana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Mora ho an’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny jono ny mametraka fepetra fa sarotra kosa ny fanaraha-maso izay fanakatonana ny jono izay manerana ny Nosy. Na eo aza ny afaka manao izany, tsy ferana ny mety ho fisian’ny kolikoly sy ny varo-maizina. R.MathieuL’article Aogositra – septambra – oktobra: averina ny fampiatoana fanaratoana drakaka a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Digy Anosizato: ahiana ny fihotsahana
Nandray andraikitra avy hatrany ny boriboritany faha-4, manoloana ny zava-dozaataon’ireo mpanao biriky eny an-toerana. Mpanao biriky maromaro no hita sy tsikaritra mandavaka ny sisin’ny digy Anosizato, izay hita fa tena mihagoaka ka mety hitarika fahavakisana ato ho ato. Araka izany, natsahatra avy hatrany ny asan’izy ireo. Nomena taratasy fampiantsoana avy izy ireo ho tonga eny amin’ny boriboritany hijerena raha manana ny taratasy fazahoan-dalana feno nahafahany manao biriky eo amin’io toerana io.Raha sanatria ka misy fahavakisany ny arabe sy ny digy amin’iny faritra iny dia mety hiparitaka manerana an’Antananarivo Renivohitra ny ranon’Ikopa, ka ho lasa dibo-drano ny faritra iva manodidina.Raha ny tokony ho izy, eny amin’ny nosy kely afovoan-drano ireto mpanao biriky ireto no tokony hihady ny tany izay ilainy, fa tsy eny amin’ny sisin’ny arabe sy digy toy ny ataony ankehitriny.Ho avy ny fahavaratra, mampanahy ny mety ho fahavakisana raha mitohy ny asa fanamboarana biriky mikaoka ny sisin’ny digy. Tandindomin-doza ny tanàna rehetra manodidina vokatr’izany.Mila hamafisina aza ireo efa nohadian’ireo mpanao biriky ireo mba tsy hampiitatra ny fahavoazana mialohan’ny fahavaratra izao. Noraisina izao fepetra izao mba ho fisorohana ny loza mety hitranga, ary ho fitsinjovana hatrany ny soa iombonan’ny mponin’Antananarivo Renivohitra, hoy ny tompon’andraikitra.Tatiana AL’article Digy Anosizato: ahiana ny fihotsahana a été récupéré chez Newsmada.
News - Midi Madagasikara
Famonoana polisy tao Fenerivo atsinanana : Hiakatra fitsarana androany izy 21 lahy
Taorian’ny fanadihadiana samihafa nentina namantarana ireo nahavita namono ireo inspekterana polisy telo namita iraka araka ny asany sy ara-dalana ary ara-panjakana ny 24 oktobra, tao Ambodihazinina Fenerivo atsinanana, dia nanao be midina tany amin’ity Tanana ity ny zandary sy ny polisy misahana ny heloka be vava ary ny FIP ny alatsinainy 03 desambra. Efa teny am-pelantanan’ireo mpitandro ny filaminana ireto ny lisitry ny olona hosamborina, ka avy hatrany dia izay no notontosain’izy ireo ny alatsainy teo io, ary nahasamborana olona 21 nandritra izany ka isan’izany ilay fianakaviana nahatonga ny olana tamin’ny fiantsoany vahoaka nanao izao heloka be vava izao. Avy hatrany dia nentina teto Toamasina izy 21 mirahalahy ireto nanaovana ny fakana am-bavany azy ireo izay iarahan’ny polisy sy ny zandary manao, ka raha ny angom-baovao dia efa vita izany izao ka hiakatra fampanoavana sy mpitsara mpanao famontorana izao izy 21 mirahalahy, hamantarana ny heloky ny tsirairay tao anatin’iny vono olona tao Ambodihazinina kaominina Ambatoharanana Fenerivo atsinanana iny. Raha ny angom-baovao natao dia resaka famonoana olona sy ny firaisana tsikombakomba tamina vono olona ny heloka manenjika azy ireo ankehitriny; ny angom-baovao hafa koa no nahafantarana fa miampy fihazonana basim-panjakana koa ny heloka manenjika azy ireo, satria hatreto dia mbola tsy hita ny basy nentin’ny inspektera Abdy tamin’izao famonoana azy telo lahy ireo. Ao anatin’izay koa anefa dia lasa tanana haolo ny ao Ambodihazinina ankehitriny satria lasa nitsoaka any an’ala sy any amin’ireo tanana sy fokontany ary kaominina manodidina ny vahoaka; satria raha ny vaovao azo dia mbola hitohy ny fisamborana noho ireo lisitra eny am-pelantanan’ny mpitandro ny filaminana sy ny marina nambaran’ireo efa tratra. Ankoatra izay dia mampiaka-peo ny fianakavian’ny maty mba hamoahana ny marina tamin’ny famonoana ny havan’izy ireo iny, satria raha ny fitarainan’izy ireo dia mbola tsy hita sy tsy mbola nisy namerina ny finday fampiasan’ny inspektera Brilland, sy ny peratra mariazin’ny inspektera Haja, izay samy nisy nangalatra nandritra ny famonoana azy ireo. Mitaky sazy araka ny lalana ho an’izay rehetra namono sy mpiray tsikombakomba ny fianakavin’ireto maty. Malala DidierL’article Famonoana polisy tao Fenerivo atsinanana : Hiakatra fitsarana androany izy 21 lahy a été récupéré chez Midi Madagasikara.
News - Ao Raha
Pilo Kely aroson’i Mamy Be
L’article Pilo Kely aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.
News - News Mada
Vita ny fandidiana: salama tsara i Eric Fou Hehy
Omaly tolakandro no re mivantana tao amin’ny RDJ 96.6Mhz ny vaovao ! Tontosa soa aman-tsara ny fandidiana an’i Eric Fou Hehy tany Inde. Nanamafy izany rahateo izy raha nanontanian’ny olona avy aty Madagasikara mivantana tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera : « Eric ihany ity e ! Eric efa olom-baovao… Salama tsara ! ». Raha ny fanazavany, nosoloina ny voa ary natao grefy ny aty. Ireo ny fandidiana natao taminy. Mbola mila fanaraha-maso akaiky ny fivoaran’ny toe-pahasalamany, raha ny fanazavan’ny mpitsabo azy, noho izany, mbola hijanona volana vitsivitsy any an-toerana i Eric Fou Hehy. Nanamafy izany rahateo izy. Nambaran’i Eric fa tsara ny fikarakarana rehetra. Nahafinaritra avokoa na ny fandraisana na ny « administration » na ny mpitsabo any an-toerana.Raha tsiahivina, ny volana jolay 2018 no niala teto an-tanindrazana nihazo an’i Inde i Eric Fou Hehy rehefa tojo tsy fahasalama (insuffisance rénale) ka nilaina fitsaboana ivelan’i Madagasikara.HaRy Razafindrakoto L’article Vita ny fandidiana: salama tsara i Eric Fou Hehy a été récupéré chez Newsmada.
News - Ao Raha
Fanitsiana ny teti-pivoaran’ny fanabeazana :: Mirona mankany amin’ny famerenana ny tetiandron’ny taom-pianarana teo aloha
Dia mianoatra. Tsy nampitovy hevitra teo amin’ny sokajin’olona maro, na ray aman-drenin’ny mpianatra, na mpa mpianatra, na sekoly samihafa ny mikasika ny tetiandro vaovao voafaritra ao anatin’ilay antontan-kevitra mirakitra ny Teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana (PSE). Mirona mankany amin’ny famerenana ny tetiandron’ny taom-pianarana teo aloha indray, noho izany, ny fidi- rana sy ny fiafaran’ny taom-pianarana 2019-2020. Fantatra fa hanomboka amin’ny faran’ny volana oktobra 2019 ary hiafara amin’ny volana jolay 2020 ny taom-pampianarana vaovao manaraka eo. Nambaran’ ny loharanom-baovao iray akaiky an’ity raharaha momba ny fanitsiana ny PSE ity fa nozaraina telovolana intelo ihany ny tetiandron’ny taom- pianarana vaovao. Na izany aza, fantatra fa noho ireo tetiandro maromaro efa nampiasaina teo aloha teo dia tsy natao tampoka na henjana ny fanovàna fa efa nisy fifam-pidinihana natao mialoha. « …Feon’ny fiarahamonina… » “ Efa nisy ny tetiandro teo aloha, izay nampihatra ny telovolana intelo anatin’ny taona iray. Anisan’ny tetiandro hafa efa nampiharina ihany koa ny fizarana ny taona iray ho roa volana indimy sy ny Teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana na ny PSE. Na izany aza, fanekena ny zava-misy eny amin’ny fiarahamonina no antony nanovana ny tetiandro”, hoy itsy loharanom-baovao itsy. Amin’ ity herinandro ity no voalaza fa ho fantatra ny antsipiriany rehetra mikasika an’izany ho firafitry ny taom- pianarana vaovao izany, mia raka amin’ny datin’ny fana dinam-panjakana rehetra. Marihina fa mbola ao ana tin’ny taom-pianarana 2018 -2019 isika izao. Maro amin’ireo sekoly no tsy mbola nahavita ny fanadinana famaranana. Amin’ny volana aogositra no hifarana ny taom-pianarana ho an’ireo sekoly fanabeazana fototra. Ny volana septambra kosa ho an’ireo kolejy sy lisea. Ho fohy kokoa, araka izany, ny fotoam-pialan-tsasatra lehibe amin’ity taona ity. Misy manakiana kosa ny fironan’ny adihevitra amin’ny tetiandron’ny taom- pianarana fotsiny, fa tsy mandalina bebe kokoa amin’ny voatoatin’ilay Teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana. L’article Fanitsiana ny teti-pivoaran’ny fanabeazana :: Mirona mankany amin’ny famerenana ny tetiandron’ny taom-pianarana teo aloha est apparu en premier sur AoRaha.
News - Ao Raha
Pilo kely aroson’i May Be
L’article Pilo kely aroson’i May Be est apparu en premier sur AoRaha.
News - News Mada
« Hetsika vidin’entana »: nasian-teny manokana ny fahalafosan’ny vidim-bary
Nanaovana jery todika ny « Hetsika vidin’entana », omaly, fepetra noraisin’ny minisiteran’ny ny Indostria, ny varotra, sy ny asa tanana (Mica), nanomboka ny volana desambra 2020 hatramin’ny febroary ho avy izao. Amin’ny ankapobeny, hita fa mahomby io fepetra fanaraha-maso eny an-tsena io, eto Antananarivo sy ny manodidina. Nasian-teny manokana kosa, avy amin’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa ny vidim-bary. “Tsy tratra ny tanjona amin’ny fifehezana ny vidim-bary, raha jerena ny fahalafosan’ny vokatra avy eto an-toerana, izay efa tafakatra 800 Ar ny kapoaka”, hoy izy ireo. Safidin’ny mpanjifa ny voka-bary eto an-toerana, no ho ireo avy any ivelany na mora vidy aza.13 ny faritra mamoka-bary : misy mahavatsy ny ao aminy, ny sasany tsy ampy ny vokatra miakatra, ireo faritra hafa kosa tsy maintsy vatsina mandritra ny taona. Olana izany, kely ny vokatra miakatra noho ny antony maro, toy ny tsy fisian’ny lafiny teknika momba ny fambolena, fa eo indrindra koa, amin’izao fotoana izao, ny tsy fahampian-drano. Noho izany, miara-miasa ny minisitera roa : misahana ny fambolena sy ny varotra.Paikady amin’ny 2021Ventin-kevitra iray nambara ny paikady hatomboka amin’ity taona 2021 ity, ny hitsinjovana ny vidin’entana sy ny kalitaony takatry ny mpanjifa amin’ireo vokatra ilaina isan’andro (vary, siramamy, menaka, lafarinina …). Hametrahana vaomiera manokana izany, hahitana ny solontenan’ny Mica, ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa, ny lehiben’ny tsena, ny avy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ilaina ny fanabeazana sy ny serasera ho an’ny mpivarotra sy ny mpanjifa.Nambara koa ny fametrahana vaomiera iray hafa, afaka miditra manara-maso eny anaty tsena. Tanjona ny faharetan’ny fanaraha-maso miaraka amin’ny lehiben’ny tsena. Nambara fa tokony hofaritana ny fe-potoana fiasan’ny lehiben’ny tsena ; ny fanasaziana tokony hatao amin’ireo tsy manara-dalàna. Tolo-kevitra nambara koa ny hisian’ny tsena manokana, sy ny fiaraha-miasa amin’ny fokontany. R.MathieuL’article « Hetsika vidin’entana »: nasian-teny manokana ny fahalafosan’ny vidim-bary a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Kandidà Rajoelina: “Havotana amin’ny alalan’ny harentsika ny firenena »
Nitohy tany Brieville any Tsaratanana, Andilamena, Mahatsinjo sy Mangabe ao Maevatanàna ny fampielezan-kevitry ny kandidà Rajoelina, omaly. Mazava ny lahateniny momba ny hanarenana ny toekarena. “Amin’ny alalan’ny harentsika no hahafahana manavotra ny firenena. Manankarena isika ary mampidi-bola be nefa mahantra ny vahoaka eto Brieville. Ny ampahany betsaka amin’ny hetra azo amin’ny kraomita entina hanasoavana ny vahoaka eto. Tokony handroso ny tanàna misy ny harena ankibon’ny tany sy ny fitrandrahana”, hoy izy. Toy ny nambarany tany amin’ny faritra hafa rehefa nihaino ny hetaheta sy ny olan’ny mponina amin’ireo faritra ireo ny tenany, nampanantena ny kandidà laharana faha-13 fa hamboarina hatao manara-penitra ny kianja. Hapetraka ny vondron-tafika manokana hiady amin’ny tsy fandriampahalemana. Homena fitaovana toy ny fiara 4×4 sy helikoptera miisa 10 ny mpitandro filaminana. Hasian “puce” ny omby. Hahazo hopitaly manara-penitra ny any an-toerana. Hampidirina amin’ireo tanàna tsy mbola misy izany ny rano madio fisotro.Fanamboaran-dalana sy tany hovolen’ny tantsaha… Eo koa ny fanorenana orinasa hamokatra ireo “panneau solaire” hampihenana ny vidin’ny jiro. Momba ny fanamboaran-dalana, handefa fitaovana “bulls sy ny” tracks” ny tenany. . . Hampitomboina ny tany volena ary hozaraina amin’ny tantsaha ny tany. Eo koa ny famokarana zezika, amin’ny vidiny mora. Hatao manara-penitra avokoa ny EPP sy ny CEG ary ny lycées rehetra. Notolorana fitaovana koa ireo fikambanan’ny mpanjono amin’ireo faritra ireo. Nampanantena ny hamaha ny olan’ny mpiasa ny tenany. Hapetraka ny toeram-pitrandrahana vato hanaovana “pave” ny lalana sady hiteraka asa koa izany. Hahazo vary amin’ny vidiny mora, manomboka amin’ny herinandro ireo faritra notsidihiny. “Ho tanterahiko avokoa ny nolazaiko. Velirano no ataoko fa ho avy aho ary tonga hanavotra an’i Madagasikara… Matokia ahy fa hanavotra anareo aho ” hoy ihany izy.Ankoatra izany, nohitsiny fa tsy tokony hiala ao amin’ny birao fandatsaham-bato raha tsy vita ny fanisam-bato.Randria L’article Kandidà Rajoelina: “Havotana amin’ny alalan’ny harentsika ny firenena » a été récupéré chez Newsmada.