Kidnapping-Anjozorobe : tsy mbola votsotra ilay takalon’aina

News - Kidnapping-Anjozorobe : tsy mbola votsotra ilay takalon’aina

News - Kidnapping-Anjozorobe : tsy mbola votsotra ilay takalon’aina

Hatramin’ny ora nanoratanay farany,
tsy mbola nandrenesam-baovao ny momba ilay ankizilahikely 12 taona
nataon’ny jiolahy takalon’aina tao Bemahia, fokontany
Ambohi­matsimarofotsy, kaominina Marotsipoy, distrikan’Anjo­zorobe,
herinandro vitsy lasa izay. Tsy manana ilay vola mitentina 60
tapitrisa Ar takin’ireo mpaka an-keriny ny fianakavian’ilay natao
taka­lon’aina. Taorian’izay, tsy azo antso intsony ireo jiolahy,
raha ny fanadihadiana. Hatra­min’izao, mbola manohy ny fitadiavana
ilay ankizilahikely io ny Zandarimarian’An­jozorobe, mitohy ihany
koa ny fikarohana ireo olon-dratsy.
Tsiahivina fa nanapoaka ireo basim-borona nentiny ireo jiolahy
miisa efatra nandritra ny fanafihany tao Be­mahia ny harivan’ny 30
jona lasa teo tokony ho tamin’ny 7 ora. Tsy nisy nisaron-tava ireo
jiolahy, saingy nanao fanamiana miaramila mihitsy niaraka amin’ny
basim-borona roa. Niditra amboletra tao amin’ireo tompon-trano ireo
olon-dratsy sady nanapoaka basy. Tsy nisy sahy nihetsika ireo
tompon-trano sady nanaraka ny ny baikon’ireo olon-dratsy. Mbola
nanapoaka basy indray anefa ireo jiolahy rehefa nivoaka ny tanàna
nentina nampitahorana ny fokonolona ao an-toerana. Andrasana ny
tohin’ny raharaha.

Henintsoa Hani

Article tiré de Newsmada

L’article Kidnapping-Anjozorobe : tsy mbola votsotra ilay takalon’aina a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 10/07/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fandaminana entin’ny CUA: misy nafindra na nofoanana ireo toeram-piantsonan’ny « taxi-be »

Nisy ny famindrana toeram-piantsonan’ny taxi sa­san­tsaany ho fandrindrana ny fifamoivoizana eto an-dReni­vo­hitra, notapahin’ny kaominina Antananarivo Re­nivo­hitra. Ho an’ny taxi-be zotra H, avy any amin’ny St Antoine Ambodivona hianavaratra, foana ny fiantsonana eo Ambo­ditsiry sy Analama­hitsy Tanàna manoloana ny tsena. Foana ho an’ny zotra H avy any Sabotsy ny fiantsonana manoloana ny tranombarotra Supermaki Analama­hitsy Tanàna sy eo Ambodi­tsiry. Foana ihany koa ny fiantsonana manoloana ny tsena Analamahitsy Tanàna ary mi­findra eo anoloan’ny Ifas Ana­la­mahitsy izany. Marihi­na fa natokana ho an’ny zotra an-dRenivohitra irery ihany eo. Tsy misy kosa ny fiovana ny fiantsonana ho an’ireo fiara avy any Nanisa­na fa mi­janona ho eo anoloan’ny Per­cepteur ihany. Ny kaoperativa Cotral 017 sy 129, ny Fimpa 164, ny Fim­pama 182, ny Ko­fianta 180, Alpha196 ihany no mampiasa ny fiantsonana eo Ambanidia ampitan’ny Poste. Ny kaoperativa Minex 127, ny Miray 128, ny Mio­ri­na 154, ny CTE 153, ny Ko­fimi 184, ny Fifia­ma135, eo amin’ny tsena no mian­tsona farany ary PMU Anko­raho­tra avy hatrany rehefa avy eo. Toy izany koa ny kaoperativa Volavita 015, ny Tre­ma116, ny Ezaka 117, ny Ko­matra 122, ny Toky 139, ny Somaphar 187, ny Onja 192, ny Mirindra 194 izay miantsona eo Amba­to­roka ICM ary PMU Ankora­hotra avy hatrany avy eo. Marihina fa natao hampidinana sy handraisana mpandeha fotsiny ihany ireo toerana ireo fa tsy natao hiandrasana olona.Tatiana AL’article Fandaminana entin’ny CUA: misy nafindra na nofoanana ireo toeram-piantsonan’ny « taxi-be » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Sarimihetsika: hitety “festivals” maro ny “Fahavalo, Madagascar 1947”

Efa nitety an’i Eoropa ary tsy ho latsa-danja amin’izany ny aty Afrika. Ilay horonantsary fanadihadiana, “Fahavalo, Madagascar 1947”, notontosain’i Marie-Clémence Andriamonta Paès, no tian-kambara eto. Anisan’ireo nofantenana ka hiatrika fifaninanana, mandritra ny “Festival Ecrans noirs” andiany faha-23, any Kamerona, ity horonantsary ity. Anio tolakandro no handefasana azy, any amin’ny Institut français any Yaounde.Aorian’io, anisan’ireo notsongaina halefa mandritra ny “Festival Cinémas d’Afrique”, any Lausanne ihany koa ity horonantsary fanadihadiana ity ka ny 22 sy ny 24 aogositra ny handefasana azy, ao amin’ny Cinémathèque Suisse. Mbola anisan’ireo voafidy hiatrika fifaninanana ihany koa ny “Fahavalo, Madagascar 1947”, mandritra ny “Festival international du film insulaire”, any Groix. Hamaranany ny diany, amin’io volana aogositra io, ny any amin’ny “Festival Africlap” any Toulouse.Horonantsary ahitana fijoroana vavolombelon’ireo akanga sisa nanamborana, tamin’ny ady tamin’ny mpanjanaka, ny “Fahavalo, Madagscar 1947”, izay nivoaka tamin’ny taon-dasa. Raha tsiahivina, mandravaka ity horonantsary ity ny feon-kira notendren’i Régis Gizavo, mpanakanto malagasy fanta-daza maneran-tany. Mbola vao ny lasitr’ireo feon-kira ampiarahina amin’ity horonantsary ity no vitany, nodimandry izy, roa taona lasa izay. Na izany aza, tsy najanona fa izay efa vitany no nampidirina tao amin’ny horonantsary ka vao mainka mitondra fihetseham-po hafa mihitsy.Landy R.L’article Sarimihetsika: hitety “festivals” maro ny “Fahavalo, Madagascar 1947” a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Pont de Tanjombato : Coupure partielle pour travaux de réhabilitation

Le Pont métallique de Tanjombato est aujourd’hui en cours de réhabilitation. Des trous, des traces de fissures et de la rouille marquent l’usure du pont métallique de Tanjombato. Suite aux travaux de réhabilitation de cette infrastructure, annoncés par la DRATP (Direction régionale de l’Aménagement et des Travaux Publics) Analamanga, le pont métallique est coupé à partir de ce jour, à 5h du matin, jusqu’au 19 novembre. D’après les explications, les automobilistes peuvent emprunter le pont en béton, qui est donc en double sens, durant les trois jours de coupure. « Une organisation est déjà prévue et mise en œuvre par les forces de l’ordre, avec la Commune de Tanjombato. Les usagers sont invités à bien les respecter, pour que la circulation se passe bien, malgré ces travaux. Pour les grands véhicules et les poids lourds, le mieux est de passer par le By-pass », a communiqué le DRATP Analamanga. A noter que ce pont de Tanjombato compte quotidiennement des milliers d’usagers. Il est de mise que cette infrastructure, sur la route nationale 7, fait l’objet de travaux de réhabilitation, dans le cadre des actions du Gouvernement visant à améliorer le réseau routier dans tout le pays. Antsa R. L’article Pont de Tanjombato : Coupure partielle pour travaux de réhabilitation est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Pont de Tanjombato : Coupure partielle pour travaux de réhabilitation a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Fanatsarana ny asa fanaovan-gazety: miatrika fiofanana ireo mpikirakira ny vaovaon’ny kolontsaina

Mba hananana ny toerany ny kolontsaina ao anaty fampahalalam-baovao. Izay no tanjona amin’ny fampiofanana ireo mpanao gazety mikirakira ny vaovaon’ny kolontsaina, ao anatin’ilay tetikasa « Passeport journalisme culturel ». Tetikasa izay novolavolain’ny Centre de perfectionnement des journalistes de Madagascar, araka ny fangatahan’ny Gepimm izy ity, ary tohanan’ny Fondation Filatex sy ny tanànan’Antananarivo. Nanomboka ny alatsinainy teo ny fiofanana , izay hisandrahaka amina sehatra maro ao anatin’ny asa fanaovan-gazety sy ny fikirakirana ny vaovaon’ny kolontsaina. Ho betsaka kokoa ny fifanakalozana traikefa amin’ireo mpanao gazety ela nihetezana vahiny sy malagasy, arahina fampiharana amin’ny fitrandraham-baovao sy ny famoahana izany. « Mbola ny vaovaon’ny politika, ny toekarena, ny tranga ary ny sosialy aloha no homen’ny fanoratana lanja ao anaty vaovao. Faralahiny foana ny kolontsaina, araka izany. Mila mandresy lahatra ny mpanao gazety mikirakira ny vaovaon’ny kolontsaina. Mila maharesy lahatra koa anefa ny vokatra atolony ka izay no iarahantsika mitrandraka mandritra ny fiofanana », hoy ny nambaran’i Loïc Hervouet, iray amin’ireo mpampiofana vahiny. Izy ihany koa no nisantatra ny fampiofanana, tamin’ny fampidirana ny mahakasika ny kolontsaina amin’ny ankapobeny sy ny fahalalana tokony hananan’ny mpanao gazety hiandraikitra izany. Haharitra sivy volana eo ho eo ny fiofanana ka arakaraka ny fisehon’ny hetsika ara-kolontsaina ny fandaharam-potoana. Marihina fa mpanao gazety ampolony, avy amin’ny gazety an-tsoratra, radio ary fahitalavitra, manana fironana amin’ny vaovaon’ny kolontsaina no miatrika ny fiofanana.Zo ny AinaL’article Fanatsarana ny asa fanaovan-gazety: miatrika fiofanana ireo mpikirakira ny vaovaon’ny kolontsaina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ratozamanana Harinjaka: voafidy ho “champion numérique” aty Afrika

Ratozamanana Harinjaka, 43 taona. Izy ny Malagasy anisan’ny voafidy ho mahiratra amin’ireo 50 mitondra fanavaozana aty Afrika eo amin’ny sehatry ny teknolojia nomerika. Namoaka ny anarany ny “Digital Foundation Africa”,  tamin’ity herinandro ity tany Ghana ka nahazoany mari-pankasitrahana “champion numérique” aty Afrika, noho ny filofosany nandritra ny 10 taona ao amin’ny “Habaka Madagascar Innovation hub”« Voninahitra lehibe ho ahy izao nanendrena ahy izao, ho fankasitrahana ny zava-bitako nandritra ny folo taona. Tsy nandray anjara tamin’ny fifaninanana akory aho fa ireo namako afrikanina no nanolotra ny anarako, avy eo aho nantsoin’ny Linkedin. Efa voasokajy tany Etazonia sy Eoropa aho teo aloha, fa izao eo anivon’i Afrika ka faly tanteraka aho », hoy Ratozamanana Harinjaka.Tamin’ny 2011 ny lehilahy no nanangana ny « Habaka » teo Tsimbazaza niaraka tamin’ireo namany liana amin’ny teknolojia nomerika. Betsaka ny hevitra nipoitra mamaly ny olana eto Madagasikara. « Tanjonay ny mamorona tetikasa azo apetraka amin’ny fotoana rehetra. Ohatra, ny vahaolana nomerika ho an’ny fambolena na asa fanaovan-gazety aty Afrika. Nampianatra tanora 7 hatramin’ny 17 taona koa izahay, teto Antananarivo, Fianarantsoa, ary Toamasina, nahazoana famatsiam-bola tamin’ny Facebook », hoy ihany Ratozamanana Harinjaka. Naharesy lahatra ireo mpamatsy vola ireo tetikasa samy hafa.Mbola tratra aoriana isika …Lehibe ataon’ny Habaka, ankehitriny, ny manonta boky momba ny nomerika eto Madagasikara sy momba ireo mpandraharaha nifanerasera tamin-dRatozamanana Harinjaka. Araka ny nambarany, mbola tratra aoriana isika eo amin’ny tontolon’ny « digital », koa ampirisihina hatrany ny tanora hitandro ny voninahi-pirenena, hiasa ho an’ny tanindrazana. Ilaina ny fahavononan’ny fanjakana aorian’izao covid-19, hametraka ny e-gouvernance sy ny fotodrafitrasa mahasarika tanora. R.MathieuL’article Ratozamanana Harinjaka: voafidy ho “champion numérique” aty Afrika a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

« Vakomanitra »: nahazo ny anjarany ny tsirairay

Faran’ny herinandro… Niavaka ny tetsy amin’ny Cemdlac! Ireo mankafy tantara tsangana, nahita izay notadiaviny. Ny mpitia hira, nianoka izany. Ny finaritra mahita dihy, afa-po. Samy nahazo ny anjarany avokoa ny rehetra nandritra ny filalaovana an-tsehatra ilay tantara « Izay mivadika aloha kely ila » nandritra ny hetsika « Vakomanitra » nokarakaraina sy notontosain’ny Fikambanan’ny mpikabary Malagasy, sampana Analamanga Mi.Kolo.Nanamafy io fahazoan’ny tsirairay ny anjarany io ny fahaizan’ny mpanoratra sy ny mpandrindra nampifamatotra ny vanim-potoana fahiny sy ny ankehitriny. Nisongadina izany teo amin’ny tantara nolalaovina. Nandrenesana ny teny malagasy madiorano fa nahahenoana ilay fomba fitenin’ny tanora ankehitriny ihany koa. Ny hira nokaloina nahahenoana ny kalon’ny fahiny sy ny hira amin’izao fotoana izao. Toy izany koa ny dihy… Afa-po ny rehetra!HaRy RazafindrakotoL’article « Vakomanitra »: nahazo ny anjarany ny tsirairay a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

“Magnus Carslen Chess Tour” : Nifaninana ireo mpilalao mendrika maneran-tany

Taranja isan’ny misy “tournoi” matetika amin’izao fihibohana izao ny Jeu d’Echecs, noho izy afaka lalaovina amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera. Nisy, araka izany, ny “Tournoi D’échecs rapides” karakarain’i Magnus Carslen, mpilalao laharana voalohany maneran-tany, nampitondrainy ny anarana hoe “Magnus Carslen Chess Tour”. Ireo mpilalao mendrika maneran-tany no nasainy tamin’izany ka loka mitentina 1 tapitrisa dolara no nozainy. Ity mpilalao laharana voalohany maneran-tany ity no mamatsy ara-bola ity fifaninanana ity amin’ny maha mpikarakara azy. Raha hiverenana ny lalao izay nifarana ny alakamisy lasa teo, i Magnus Carslen, ilay mpilalao mendrika indrindra maneran-tany no nivoaka mpandresy. Tsiahivina, nahitana andiany 6 ity fifaninanana Jeu D’échecs nampitain-davitra ity. Marihana fa lalao hatao “en ligne” avokoa ny misy amin’izao noho nytoe-draharaha ara-pahasalamana maneran-tany, efa nanomboka ny volana aprily lasa teo.Mi.RazL’article “Magnus Carslen Chess Tour” : Nifaninana ireo mpilalao mendrika maneran-tany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Saripika: manana ny toeram-pampirantiany i Rijasolo

Mpaka saripika iray amin’ireo manana traikefa matanjaka. Sehatra maro no efa nahitana azy sy ny sanganasany. Ankehitriny, nahatafita dingana iray lehibe i Rijasolo…Tsy ny eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena ihany no ahitana ny famirapiratan’ny tanora malagasy. Tsikaritra koa izany eo amin’ny sehatry ny zavakanto. Taona vitsy lasa izay, olana goavana nosedrain’ny mpanao hosodoko, mpanakanto araka endrika amam-bika ary ireo milomano ao amin’ny tontolon’ny sary isan-karazany, ny tsy fisian’ny toeram-pampirantiana.Amin’izao fotoana izao, misy amin’izy ireo ny miezaka fa tsy miandry fotsiny ny vahaolana entin’ny fanjakana ka manangana toeram-pampirantiana na « galerie » azy manokana. Anisan’ireny i Rijasolo, iray amin’ireo fanta-daza sy manana ny maha izy azy amin’ny fakana sary kanto sy matihanina. Araka ny fantatra, misokatra ho an’ny rehetra ny toeram-pampirantiany eny Faravohitra eny. Toerana tony sy milamindamina, ahafahana mankafy ireo sanganasany sy mitafa amin’ny aingam-panahiny.Afaka roa volana eo ho eo, izany hoe, amin’ny volana septambra, hihazo an’i Frantsa i Rijasolo, hanatanteraka fivahiniana arahim-pamokarana na « résidence de création », any amin’ny Cité internationale des arts. Raha tsiahivina, ity no anisan’ny loka goavana azo tamin’ny fifaninanana « Loka Paritana » andiany fahatelo.Haharitra telo volana ny diany ka, aorian’izay, haranty any an-toerana ny zava-bitany. Tsy ho diso anjara amin’izany ny eto an-tanindrazana, toy ny nataon’ireo mpandresy tamin’ny andiany roa voalohany tamin’ity fifaninanana ity.Landy R.L’article Saripika: manana ny toeram-pampirantiany i Rijasolo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Maroantsetra: tovolahy hita faty voatsatoka antsy teo amin’ny lohany

Nitrangana vonoan’olona mahatsiravina tao amin’ny fokontany Ankiakandrefana, Maroantsetra an-tampon-tanàna, ny faran’ny herinandro teo. Tovolahy iray vao 24 taona hita faty voatsatoka antsy tao amin’ny trano fidiovana. Araka ny fanazavan’ny ray aman-dreniny, nanomboka ny asabotsy 11 jolay izy no tsy tonga nisakafo tao amin’izy ireointsony. Matory ihany ny nataony ao Ankiakandrefana fa ao amin’ny fokontany Ambohitsara izy no tena mipetraka fa nisy fianakaviana niangavy azy hiandry trano tamin’io fotoana io ka antony nahatonga azy tao amin’ny fokontany Ankiakandrefana. Nambaran’ireto ray aman-dreniny hatrany fa niaraka tamin’ny sipany izy nandritra ny fotoana niandrasany trano. Tonga ny alahady antoandro, tsy nipoitra nisakafo tany Ambohitsara ilay niharam-boina. Gaga ihany ireto ray aman-dreniny manoloana izany ka nanapa-kevitra nijery azy tany amin’ilay trano nandrasany. Akory anefa ny hataraina raha nahita ny fatin’ilay tovolahy tao amin’ny trano fidiovana sady feno dian’antsy. Dian’antsy miisa dimy ny hita taminy nanomboka teo amin’ny lohany hatrany amin’ny vozony. Ny sipan’ilay tovolahy no niantefan’ny ahiahian’ny rain’ilay tovolahy. Nambaran’ity rainy hatrany fa nisy disadisa teo amin’ilay zanany lahy sy ity sipany. Tsy hita popoka ny nanjavonan’ilay tovovavy nanomboka tamin’ny alahady nahitana ny fatin’ity sakaizany ity. Mandeha ny fikarohana ilay tovovavy ahina ho tompon’antoka amin’ity fahafatesana ity.Sajo sy Jean ClaudeL’article Maroantsetra: tovolahy hita faty voatsatoka antsy teo amin’ny lohany a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

MINISITERAN’NY MPONINA: Notsinjovina manokana ireo fianakaviana sahirana

Hetsika maro no tanterahin’ny ministeran’ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy mandritra ity volana mey ity izay natokan’ny fitondram-panjakana ho volan’ny fiahiana ara-tsosialy. Fianakaviana sahirana sy marefo miisa 200 avy ao amin’ny boriborintany voalohany indray no nozaraina vary maimaim-poana ny 15 mey 2019 teny amin’ny fokontany Avara-tetezan’ny Bekiraro Isotry. “Miara-dalana amin’ny fiahiana ara-tsosialy ny fiahiana ny fianakaviana ka izany indrindra no antony nanaovana izao hetsika izao amin’ity androany ity satria andro iraisam-pirenena ho an’ny fianakaviana ny 15 mey”, hoy ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy, dokotera Baraka Charlotte  Hanta. Fokontany folo tao amin’ny boriborintany voalohany no nahazo tombontsoa tamin’izany ka vary dimy kilao isam-pianakaviana no nozaraina, araka ny fanampim-panazavana nomen’ny  lehiben’ny fokontany Avara-tetezan’ny Bekiraro Isotry, Ravonjiarison Yvonne. Nosafidiana manokana ireo fianakaviana sahirana sy marefo tamin’ity fizarana vary ity mba ho fitsinjovana ny andavandranom-piainan’izy ireo. Ao anatin’ny politika ankapobeny ny fanjakana ny fiahiana ara-tsosialy ka anisan’ny nanampy tamin’ny fanatontosana ny hetsika ny eo anivon’ny fiadidian’ny repoblika misahana ny raharaha ara-tsosialy sy politika (DASF). Nohamafisin’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny mponina fa manana zo hilamina ny fiankaviana ka tsy tokony hisy ny herisetra ary mendrika fandrosoana ny ankohonana tsirairay. Lynda A. Cet article MINISITERAN’NY MPONINA: Notsinjovina manokana ireo fianakaviana sahirana est apparu en premier sur déliremadagascar.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

A vendre Yamaha twin
11/10/2021

moto : Yamaha twin 850ccContact: 0330805246Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Yamaha twin".

Emploi et services ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE
15/10/2021

Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLEProfil : -  FEMME de plus de 25 ans avec expériences confirmées en Attachée de Direction à orientation commerciale -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 3 minimum en Gestion -  Parfaite maîtrise du français ; l'anglais serait un grand atout -  Parfaite maîtrise des outils informatiques & bureautiques, notamment Word Excel ERP et outils digitaux -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Missions : -  Assistanat de Direction, lié notamment au Commercial et à l'approvisionnement -  Relations, contacts et suivis clients & fournisseurs -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Réalisation de reportings commerciaux et autresEnvoyez CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d'ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE".

A vendre Residence Rundong
15/10/2021

La Société Run Dong International Development S.A.R.L est en cours de constructions d’ un grand  projet qui consiste à construire une résidence de haut standing qu’ on a nommé  ‘’ Résidence Run Dong ‘’ située à Tanjombato - Anosimahavelona 500m du pont de Jumbo Smart.Nous allons commercialiser plusieurs appartements différents selon votre choix avec ou sans piscine.T3 1 living +2 chambres = 89m2 – 112m2T4 1 living +3 chambres = 112m2-136 m2-148m2T5 1 living +4 chambres = 148m2T4 et T5 avec piscine privée = 255m2En Duplex = 1ere étage 150m2 et rez de chaussé = 190m2Si nos appartements vous intéressent nous vous incitons déjà à réserver dès maintenant car vous bénéficieriez d’une grande réduction de prix et d’autres avantagesN’hésitez pas à nous contacter si vous avez besoins d’autres renseignements complémentaires034 37 333 33 / 033 05 666 66 / 033 25 999 999Contactrdg69@gmail.comNotre site: www.residencerundong.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Residence Rundong".

Emploi et services Manao Instrumental
13/10/2021

Manao Instrumental Rap, rnb, zouk, tropical, salegy, reggae, ragga, évangelique, chorale, folk, piano, sy ny manodidina azy rehetra, tononkira, feonkira, video lyrics, mise en youtube, manampy vue am youtube, Afaka manome tononkiraAfaka manao video liricsFacebook.com/instrukreator Prix mora Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Manao Instrumental".

A vendre Ordinateur portable HP Compaq 6910p AMIDY
13/10/2021

Amidy Ordinateur portable HP en bon étatWindows 8.1 pro  Processeur Intel core 2duo  Ram 2gb  Graph AMD Radeon X2300 (256mb) Dur 100 go Ecran 14.1" Misy lecteur CD DVD.3 ports USBEfa misy Office 2016Batterie 50 mn environ Mandeha tsara avokoa ny zavatra rehetra. Azo antoka.Mail: kelydoda724@gmail.comFacebook: Doda Kely   Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Ordinateur portable HP Compaq 6910p AMIDY".

Emploi et services STAGIAIRE VENDEUSE
15/10/2021

Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSEProfil : -  FEMME de plus de 20 ans -  Expériences dans le domaine de la vente de produits informatiques seraient un atout -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 2 minimum en Informatique -  Parfaite maîtrise du français oral/écrit et des outils informatiques et bureautiques, notamment Word et Excel -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Mission : -  Accueil client au magasin et réception d’appels clients -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Développement des ventes compte tenu des objectifs de ventes du magasinEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste de « STAGIAIRE VENDEUR »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services STAGIAIRE VENDEUSE".

Emploi et services Travail stable pour les Malgaches
13/10/2021

KAZAJOBS est une plateforme dédiée aux Malgaches qui veulent travailler depuis la Maison: (Assistants Virtuels) même pour les débutantsVous pouvez gagner des revenus depuis la maison... Un ordi, une connexion internet et le rêve d'une vie meilleure suffisent.Veuillez vous inscrire sur le lien : https://kazajobs.com/referral?&r=701037108 c'est totalement gratuitCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail stable pour les Malgaches".

Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
13/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

A vendre Tany Mora
13/10/2021

Raha tia hisitaka kely ny "VIlle", hitady toerana milamina sy rivotra madio dia ity no mety....Tany Mirefy 11a (1.100m²), efa- Mifefy tamboho biriky.- Amoron-dalala ary tongan'ny fiara rehetra.- Titré et Borné- Tanàna efa mandroso be. Tongan'ny BusToerana : Atsimon'ny Lac Vontovorona (19mn en voiture miala OASIS).Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Tany Mora".

Emploi et services COMMERCIAL SENIOR
13/10/2021

 Nous recrutons pour un client dans l’impression et fabrication en papier :  COMMERCIAL SENIOR Missions :- Identifier des cibles pertinentes et rechercher de nouveaux marchés- Prospecter et développer le portefeuille clients- Assurer la gestion et le suivi de la relation clients BtoB- Participer à l’élaboration et l’optimisation du plan d’action commercial et le mettre en œuvre- Assurer le suivi de l’activité commerciale via tableaux de bord relatifs à l’activité Profil :- Titulaire d’un bac +3 en commerce, marketing, vente ou équivalent- Minimum 2 ans d’expérience réussie dans le domaine commercial- Possession d'un portefeuille client entreprise serait un atout- Bonne connaissance et intérêt pour le marché BtoB- Maîtrise des techniques de vente et de négociation- Bonne maîtrise de la langue française- Ayant une aisance relationnelle et un bon sens de la communication- Rigoureux(se), proactif(ve) et flexible- Titulaire du permis moto Envoyez-nous votre candidature à talent@human-talent-consulting.com avec comme objet du mail, la référence COMMERCIAL-1021 Tél: 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services COMMERCIAL SENIOR".

Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE
13/10/2021

Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSEProfil : -  FEMME de plus de 20 ans -  Expériences dans le domaine de la vente de produits informatiques seraient un atout -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 2 minimum en Informatique -  Parfaite maîtrise du français oral/écrit et des outils informatiques et bureautiques, notamment Word et Excel -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Mission : -  Accueil client au magasin et réception d’appels clients -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Développement des ventes compte tenu des objectifs de ventes du magasinEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste de « STAGIAIRE VENDEUR »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE".

Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
13/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

Notsongaina

ILS ONT DIT
11/10/2021

Eric Rabesandratana, coach « Je suis très content du jeu produit, de la mentalité affichée par l’équipe, ça c’est très important. C’est le point sur lequel on a beaucoup parlé. On a essayé de mettre ça en place. Je sais qu’il n’y a pas de hasard dans le football. Quand on travaille, on ne peut pas être récompensé tout de suite. Aujourd’hui on est récompensé et le peuple malgache est récompensé  aussi. Les jeunes joueurs apprennent vite. On a savouré sincèrement de ce résultat car il y avait un tout petit peu une série vraiment négative depuis 2019 que les Barea n’ont gagné aucun match. Aujourd’hui, on a arrêté ça et on repartira à nouveau avec un état d’esprit qui a changé. Si on affiche cet état d’esprit, cette envie et ce jeu, j’espère qu’on sera récompensé souvent. On a été fragile de temps en temps sur certaines phases défensives. Je pense que c’est un petit peu la peur (…) on n’a pas eu le temps de les travailler. Fabien Boyer est arrivé hier. Effectivement il n’a pas travaillé avec l’équipe. Il connaît les joueurs, il a fait de grandes performances défensives(…)tout le monde a fait un travail défensif incroyable. Il reste six points à prendre, on va essayer de les prendre, après on verra. Cela dépend aussi des autres résultats. Il y a encore une possibilité de faire quelque chose. On a la tête sur les épaules. On va avoir  le même état d’esprit et la même envie de gagner ». Ibrahim Amada « Nous avons toujours donné un maximum d’efforts même si on n’avait pas de résultats. Nous l’avions promis au président de la république et au ministre de la jeunesse et des sports. Aujourd’hui, tous les efforts sont récompensés. Nous réitérons notre engagement que nous chercherons toujours des victoires sur les prochains matchs. Cette victoire, ce n’est que le début. D’autant plus que les autres joueurs commencent à s’y intégrer. Nous aurons une belle équipe nationale dans les années à venir ». Njiva, le buteur « Le vœux de chacun s’est réalisé. Nous essayons toujours de donner la meilleure satisfaction au peuple et de protéger l’honneur du pays. Merci aux spectateurs qui ont été derrière nous et qui nous ont soutenus  jusqu’au bout ». Manjato Razafy  L’article ILS ONT DIT a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Riposte Covid-19 : Un fort engagement du FMI en faveur des pays fragiles
13/10/2021

La ministre de l’Economie Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison participe régulièrement à des réunions en ligne organisées par les bailleurs de fonds comme ici avec la Banque Africaine de Développement « La Covid-19 et les États fragiles : promouvoir une reprise résiliente pour les communautés les plus vulnérables ». Tel est le thème du séminaire  en ligne organisé, avant-hier, par le FMI à Washington. Deux pays africains, en l’occurrence, Madagascar  et le Soudan ont  participé à cette réunion en tant que panélistes.  La Directrice Générale du FMI  Kristalina Georgieva était la  modératrice.  Une rencontre d’une importance particulière quand on sait que les discussions ont notamment tourné autour de l’impact économique et social du Covid-19 dans les États fragiles et des moyens de les aider à y faire face. Mesures spécifiques. Ayant représenté Madagascar, la ministre de l’Economie et des Finances Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison a saisi cette occasion pour parler notamment des impacts de la Covid-19 sur les recettes fiscales de Madagascar, mais également des mesures spécifiques prises par les autorités nationales pour lutter contre la pandémie. On rappelle d’ailleurs, sur ce point, que Madagascar figure parmi les pays qui ont su adopter une bonne stratégie de riposte contre la Covid-19. La ministre de l’Economie et des Finances a par ailleurs parlé  des actions entreprises par Madagascar en matière d’aléas climatiques, notamment du Projet d’amélioration des capacités d’adaptation et de résilience des communes rurales face aux changements climatiques, (PACARC) financé par le Fonds pour l’environnement mondial et le PNUD à hauteur d’un peu plus de 7 millions de dollars. Les mesures et les actions déjà entreprises par le gouvernement malgache étaient bien évidemment évoquées lors de cette réunion qui a également vu la participation du Secrétaire Général des Nations-Unies, Antonio Guterres. Soutiens multilatéraux. Ce séminaire a, en tout cas, permis aux participants d’identifier les voies de progrès vers un relèvement résilient après la Covid-19.  Les conférenciers ont ainsi eu l’occasion de réfléchir sur les moyens de ripostes à la pandémie et d’évoquer  les possibilités de soutiens multilatéraux à accorder aux pays les plus fragiles.  On rappelle sur ce point que le FMI s’est fortement engagé vers cet appui aux pays vulnérables, à travers la stratégie Fragile and Conflict-affected Situations ou FCS. Une stratégie qui  sera soumise pour examen et approbation au Conseil d’administration du FMI en décembre 2021 pour une mise en œuvre prévue entre 2022 et 2025. Elle devrait permettre d’adapter davantage les instruments du Fonds aux diverses manifestations de fragilité et de conflit. À terme, le FMI fournira des aides financières  pour  les besoins urgents, comme les réponses aux effets néfastes de la Covid-19. Le Fonds sert également de levier auprès d’autres partenaires financiers. C’est d’ailleurs dans ces perspectives que la ministre Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison a demandé aux partenaires techniques et financiers d’adopter un nouveau mode d’approche axé sur les spécificités de chaque pays. R.Edmond.L’article Riposte Covid-19 : Un fort engagement du FMI en faveur des pays fragiles a été récupéré chez Midi Madagasikara.

ONG OPERATION SMILE: Olona 500 manana fahasembanana sima molotra sy ny vaky lanilany hahazo fandidiana maimaim-poana
16/10/2021

Fampitomboana ny olona misitraka fandidiana. Te hampitombo ny isan’ny olona manana fahasembanana sima molotra sy ny vaky lanilany ny ONG Operation Smile. Manana vina  ny ONG handidy marary miisa 500 amin’ny taona 2022. Ho maimaim-poana ny fandidiana. Mikarakara hetsika ry zareo hanentanana ireo mpiara-miombon’antoka afaka manampy amin’ny fanatanterahana io tanjona io.  Nanomboka ny 15 oktobra 2021 ny hetsika fanentanana ary tsy hifarana raha tsy amin’ny faran’ny volana desambra 2021. “Ndao hifanome tanana hanome tsiky indray ireo manana fahasembanana sima molotra sy ny vaky lanilany”, hoy Rakotomalala Mirana, Country Manager ny Operation Smile eto Madagasikara. Ny fanampiana voaangona amin’ity hetsika ity dia hanohanana ny fitsaboana ireo marary sy hanavaozana ny sampandraharaha misahana ny fandidiana ho an’ny zaza ao amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA) mba hampitomboana hatrany ny isan’ny marary voadidy isan-taona. Noho ny krizy ara-pahasalamana tamin’ny taona 2020, anarivony ny Malagasy  manana fahasembanana sima molotra sy ny vaky lanilany mbola miandry fandidiana. Araka ny fanazavan-dRamatoa Rakotomalala Mirana fa ny ankabeazan’ny olona marary manana fahasembanana dia avy any ambanivohitra. “Tsy ampy ny enti-manan’ireo marary ka tsy miroso amin’ny fandidiana”. Misedra olana anefa izy ireo eny anivon’ny fiarahamonina. “Ao no voahilikilika, betsaka ny olona matahotra azy ireo. Ny zaza te hianatra nefa jerijeren’ny namany dia lasa tsy mazoto intsony. Ho an’ny olon-dehibe dia tsy mahazo vady fa voahilikilikin’ny fiarahamonina”, hoy izy. Raha ny fanazavany dia manaranaka ny fahasembanana sima molotra sy vaky lanilany. Efa mandeha ihany koa ny fikarohana ny hifandraisan’izany amin’ny tontolo iainana. Ra-Nirina. Cet article ONG OPERATION SMILE: Olona 500 manana fahasembanana sima molotra sy ny vaky lanilany hahazo fandidiana maimaim-poana est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article ONG OPERATION SMILE: Olona 500 manana fahasembanana sima molotra sy ny vaky lanilany hahazo fandidiana maimaim-poana a été récupéré chez Délire Madagascar.

Fampiasana « carte de santé » hosoka: mpianatrasa iray efa nahazo hatramin’ny 10 tapitrisa Ar
12/10/2021

Tra-tehaky ny polisim-pirenena, ny zoma maraina teo ireo lehilahy roa mpanao taratasy hosoka mahakasika “carte de santé” an’ireo mpiasa amina orinasa iray. Ny iray amin’ireo jiolahy izay mpianatrasa ho farmasianina raha mpiray tendro aminy kosa ny lehilahy iray hafa. Efa nahtratra 10 tapitrisa Ar ireo ny vidim-panafodin’ilay orinasa lasan’ireo jiolahy ary efa fanaony mihitsy izany noho ireo fanafody amidiny amin’ny vidiny mora.Mampiasa “carte de santé » hosoka amin’ny anarana orinasa iray ireo jiolahy. Orinasa izay miantoka ireo olona mpikambana ao aminy ka hahafahan’ireo marary tsy mandoa vidim-panafody. Araka izany, tsy maintsy manana « carte assurance » ireo mpikambana ka io karatra io no nataon’ireo lehilahy ireo hosoka amin’ny « ordonnace » hosoka misy ny tombokase hosoka ana dokotera ihany koa. Taty aoriana, tsikaritr’ilay orinasa fa misy mampiasa karatra hosoka amin’ny anaran’izy ireo, toy izany koa ireo taratasim-panafody izay tsy mifanaraka velively ao aminy ka nahatongan’ilay orinasa nametraka fitoriana teny amin’ny Service central des affaires réservées. Vokany, voasambotra teny Ambohibao, tao amina fivarotam-panafody teny an-toerana ny lehilahy iray.Henintsoa HaniL’article Fampiasana « carte de santé » hosoka: mpianatrasa iray efa nahazo hatramin’ny 10 tapitrisa Ar a été récupéré chez Newsmada.

Fampahafantarana ny asam-panjakana: nandray ireo mpianatra mendrika ny minisitra A. Hajo
12/10/2021

Nandray ireo mpianatra mendrika afa-panadinana CEPE sy BEPC farany teo avy any amin’ny kaominina Antohibe, distrikan’i Betafo, Vakinankaratra ny minisitra Andrianainarivelo Hajo ny asabotsy teo, tetsy amin’ny minisitera iadidiany etsy Anosy. Nitarika izany ny ben’ny Tanàna avy any amin’ity kaominina ambanivohitra ity. Nampahafantarina ireo ankizy tamin’izany ny asam-panjakana, indrindra ny andraikitry ny minisiteranan’ny Fanajariana ny tany sy ny fananantany (MaTSF). Nohazavaina ireo rafitra samihafa eo anivon’izany minisitera izany.Hilofo amin’ny fianaranaNanentana ireto kilonga ireto ny minisitra, amin’ny hilofosana hatrany amin’ny fianarana. « Dieny izao, aoka ianareo ankizy hahay hisafidy sahady ireo asa tianareo hatao any aoriana any », hoy izy.Nahaliana sy nahasarika ireo mpianatra avokoa ireo fampahafantarana sy ny filazalazana ny momba ny MaTSF amin’ny ankapobeny.Synèse R. L’article Fampahafantarana ny asam-panjakana: nandray ireo mpianatra mendrika ny minisitra A. Hajo a été récupéré chez Newsmada.

Fifampitokisana mila fahatokisan-tena
11/10/2021

Tsy fifampitokisan’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana no lazain’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) no anisan’ny mahatonga ny olana aloha na mandritra na aorian’ny fifidianana. Aiza na inona no tena fototra sy fositra amin’izany? Ahina lava ny mety hisian’ny korontana.Ny tsy fanajana sy fampiharana amin’ny antsipiriany sy manontolo ny lalàna ve, ohatra, no mahatonga ny fifampiahiahiana lava? Misy ny mihevi-tena ho ambonin’ny lalàna, mibahan-toerana loatra ny kajikajy sy paipaika politika ka voahosihosy ho azy ny lalàna… Eo koa ny rafitra, ny fomba fiasa…Tsy vitan’izay, ao ny tsy matoky tena amin’izay lazainy sy ataony, hany ka miahiahy hatrany ny hafa ho antony tsy fahombiazan’ny tena? Na tsy mahalala ny momba aza izy amin’izany, fa mitsapatsapa fotsiny ka mitsarapaka any amin’ny fahavoazana. Dia ny hafa no omen-tsiny, ialana vonkona…Atao ahoana, ohatra, ny handresen-dahatra ny hafa amin’ny fifidianana, raha ny tena aza tsy resy lahatra amin’izay lazaina sy atao? Iray tarika amin’izany ny matokitoky tena fahatany na mitompo teny fantatra fa tsy maintsy ho voafidy. Nefa na herin’ny tena aza, ohatra, tsy fantatra mazava.Ekena, mety manao ny ataony tokoa ny hafa: ady fiady ny fifidianana. Mety eo koa ny lalàna, ny rafitra, ny fomba fiasa… Na izany aza, miankina  amin’ny fahatokisan-tena marim-pototra eo amin’ny tsirairay no anisan’ny manorina ny fifampitokisana amin’izay atao. Izay matoky tena no azo itokisana?Amin’izany, atao izay lazaina ary lazaina izay atao. Dia mifanara-maso sy mifampiteny: iza no manao inona, iza no tsy manatanteraka? Hampiharina ny lalàna amin’izany raha ilaina, na iza izy na iza manao ny tsy mety. Tsy misy henamaso na tahotra, na fangatahana andro. Ho vita ve izany?Izay ilay hoe miankina amin’ny tsirairay miaraka amin’ny fampiharan-dalàna, hisian’ny fangaraharana fa tsy hifampitahana an-toerana. Hisy fahatapahan-kevitra, fahasahiana, fahavononana, fijoroana…? Ny tena na ny tsirairay no antony, fa ny atao ihany no mampikorontana na tsia?Rafaly Nd.L’article Fifampitokisana mila fahatokisan-tena a été récupéré chez Newsmada.

Gaboraraka, tsy fanajana ny mpandeha sy ny bokin’andraikitra…: nanaovan’ny kaominina sy zandary angaredona ny taxi-be Ivato
12/10/2021

Nihaona, omaly, ny tomponandraikitry ny kaominina Ivato, ny solontenan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa, ny mpitatitra ary ny koperativa rehetra miasa ao Ivato, ary ny avy amin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Ivato.Nijery ny fandaminana sy fandrindrana indray ny fitaterana amin’ny taxi-ben’Ivato,  izay miteraka lonilony sy fahatezeram-bahoaka izy ireo tamin’izany. “Tsy azo ekena ny fampijaliana ny mpandeha taxi-be eto Ivato fa tsy maintsy arahinareo taxi-be ny bokin’andraikitra izay nekenareo. Tsy nisy nanery anareo hiasa hitatitra olona eto Ivato fa sitraponareo izany kanefa raha hampijaly ny mpandeha na manahirana anareo ny hanao ny asanareo dia mandehana mitady zotra hafa fa tsy hampijaly ny mponina eto Ivato sy hampisy disadisa eto”, hoy ny hafatry ny Ben’ny Tanàna, i Penjy Randrianarisoa hentitra,Nivantana ny sekretera jeneralin’ny kaominina fa hotsoahina tsy hiasa eo Ivato intsony, izay taxi-be tsy manara-dalàna sy tsy manaja ny bokin’andraikitra. Hanasazy kosa izahay, hoy ny mpitandro filaminana ary tsy hitsitsy mihitsy fa lasa fifanalam-baraka sy fanasoketana no azo amin’ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpitatitra. Tetsy an-daniny mitaky famaizana avy hatrany omena ny mpamily sy ny mpanampy azy ireo tompona fiara sy kaoperativa na eo aza ny asan’ny ATT sy ny vaomiera iraisana momba ny fitaterana. Fihodinana an-dalana, fandehanana mafy loatra, fanevatevana mpandeha, fijanonana maharitra amin’ny toerana iray… ampahany amin’ireo tena mahatezitra ny mpandeha. Mitaky ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay, araka izany, ny fampanjariana ny fitateram-bahoaka amin’ny zotra D mampitohy an’i Vasakaosy amin’Ivato iny. Efa imbetsaka ny fihaonana teo amin’ireo tomponandraikitra, saingy herinandro na iray volana ihany dia miverina ny gaboraraka, izay mampijaly tanteraka ny mponina mpampiasa taxi-be.Asiana zotra hafa eny amin’ny lalam-baovao TsarasaotraTetsy an-daniny, nilaza ny sekretera jeneralin’ny kaominina Ivato, Rabeharivelo Rivo fa hisy ny zotra hafa hifaninana amin’ireo taxi-be zotra D ireo satria manjaka tokana izy ireo ka manao izay danin’ny kibony. Mangataka amin’ny fitondram-panjakana ny kaominina Ivato mba hanokatra ny zotra vaovao mandeha amin’ny lalam-baovao mihazo an’i Tsarasaotra iny. Mampihena ny fitohanana lavareny eny Ambohibao, izay mandany fotoana ela. Io koa no hiteraka fifaninanana eo amin’ireo taxi-be ka hahafahan’izy ireo manaja ny mpandeha.Tatiana AL’article Gaboraraka, tsy fanajana ny mpandeha sy ny bokin’andraikitra…: nanaovan’ny kaominina sy zandary angaredona ny taxi-be Ivato a été récupéré chez Newsmada.

Chronique de Mickey
11/10/2021

La Marine n’a pas le vent en poupe On vous le dira toujours, parlez et médisez sur les autres et pendant ce temps tout se passera bien chez vous. Ainsi, on ne se fâche pas à la maison, les petites bisbilles sont tues et tout le monde pensera que chez nous est toujours le meilleur des mondes. Chez les Le Pen, par exemple, de toutes les façons, on se dit mal, même dans leur propre famille. La Marine ne se porte pas bien, il paraît, à force  de vouloir à tout prix le pouvoir, elle louche maintenant vers le bâbord tant et si bien qu’un tourbillon risque de la faire sombrer vers le fonds, selon les sonars des observateurs. Pourquoi est-elle en arriver là ?  Au point de ne pas être visible des caméras dans la ligne d’arrivée de la régate finale. On le lui a sûrement appris qu’il ne faut jamais se fâcher avec son paternel, mais têtue comme elle est, elle n’en fait qu’à sa tête. Son père, le « Saint Jean Marie » a beau persisté qu’il ne faut jamais dénaturer l’ADN de son patronyme, qu’il ne faut jamais l’édulcorer, car c’est comme remplacer le sucre par de la sucrette parce que personne ne vous reconnaîtra plus (Après, ce n’est ni doux ni amer). Ce n’est pas pour rien que les enfants des autres répètent toujours le célèbre adage « Papa m’a dit !» et toute la progéniture se sentira protégée. Et voilà le résultat, le père est allé chercher un vrai héritier capable de défendre les valeurs familiales, le saint patronne maintenant un fils  venu d’ailleurs, et, qui aurait pu être un rejeton du Lieutenant d’alors, un enfant bien chaussé pour cacher ses pieds et qui ne s’appelle pas Béchir. Pendant ce temps, la jeune guenon perchée sur un arbre comme il a été raconté il y a cinq ans dans la  même chronique, jubile intérieurement et écoute les mêmes palabres des  mêmes vieux et dit à voix basse : « je vous aurai encore cette fois ! » M.Ranarivao  L’article Chronique de Mickey a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Lutte contre les fraudes : Une plateforme d’échanges de données entre les douanes et les impôts
16/10/2021

Les techniciens de la DGD et de la DGI ont planché sur les moyens d’optimiser les contrôles L’Etat entend améliorer la collecte des recettes publiques. Les procédures légales sont renforcées pour y parvenir. C’est justement dans cette perspective que les administrations fiscales et douanières travaillent sur le  renforcement  des actions de lutte contre les fraudes à travers la mise en place d’une plateforme d’échanges de données La Direction Générale des Douanes et la Direction Générale des Impôts ont tenu mercredi dernier une réunion destinée justement à réorienter et à renforcer leur collaboration. Une collaboration qui ne date pas d’hier puisqu’elle a déjà fait l’objet d’un protocole de collaboration signé en 2010. Relance Déjà effectif, ce protocole a cependant  été suspendu pour diverses raisons. Sa relance va probablement améliorer les choses. Il s’agira  notamment de renforcer les contrôles mixtes et les échanges d’informations entre ces deux entités de collecte des recettes publiques. « L’objectif est d’arriver à un accroissement des recettes fiscales et douanières à travers un renforcement des contrôles et une fluidification des échanges des données », précise un responsable de l’administration douanière. En effet, l’exploitation conjointe des données et I ‘échange d’information entre les deux directions générales constituent les pierres angulaires du renforcement de la lutte contre les fraudes. Et ce, pour la bonne et simple raison que les deux administrations font face aux mêmes fraudeurs. Ce qui fait que la meilleure stratégie de ciblage et de mesure du risque de non-conformité douanière et fiscale est de coupler les bases de données des deux administrations et de partager des informations sur les profils des contribuables. Pour le contribuable, cette  collaboration entre les douanes et les impôts leur évite une perte de temps dans la mesure où les contrôles fiscaux et douaniers se font en même temps. En interne À terme, l’exploitation en commun  des informations sur les contribuables accumulées  au niveau de chacune des deux directions générales permettra d’améliorer les contrôles  et la lutte contre les fraudes et de parvenir ainsi à accroître les recettes fiscales et douanières. « Cette plateforme d’échanges de données réalisée en interne au niveau des douanes et des impôts va permettre de faire une économie d’échelle en matière de contrôle », précise Ernest Lainkana Zafivanona, Directeur Général des Douanes. Une manière en somme d’optimiser les résultats des contrôles et de limiter ainsi les fraudes et par conséquent d’augmenter les recettes fiscales. R.Edmond.L’article Lutte contre les fraudes : Une plateforme d’échanges de données entre les douanes et les impôts a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Basikety N1A 2021: misalotra ny anaram-boninahitra ny Mb2All Analamanga sy ny Cospn Analamanga
11/10/2021

Nifarana, omaly, teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara, N1A lahy sy vavy, taona 2021. Voahosotra ho tompondaka ny ekipan’ny Mb2All Analamanga sy ny Cospn Analamanga.Nanao pao-droa ny ekipa an’Analamanga, tamin’ity fifaninanam-pirenena N1A 2021 ity.  Nafana sy nampitsanga-nitoetra ny mpijery ny lalao famaranana, na teo amin’ny sokajy lehilahy izany na ny sokajy vehivavy. Niakatra ny lentan’ny mpilalao tamin’ity, hany ka niady ny fifandonana. Teo amin’ny vehivavy, fitaintainana hatramin’ny farany ny niandrasana izay hibata ny amboara. Na dia somary nangatsiatsiaka aza ny ekipan’ny SBBC Boeny tany am-panombohana, nanezaka mafy izy ireo ka nitsimbadika ny isa teny amin’ny solaitrabe. Tsy nahasakana ny ekipan’ny Mb2All anefa izany ka azony ny amboara, tamin’ny isa 71 no ho 69, sengondra vitsy tsy hifaranan’ny lalaon’ny roa tonta. Tsiahivina, intelo nisesy izao ny nisaloran-dry Malala sy ry Rasoa ary ry Murielle ny anaram-boninahitra ho tompondaka an’i Madagasikara. Laharana faharoa toy ny tamin’ny taon-dasa hatrany kosa ny ekipan-dry Maeva, Coralie, Dalya ary Sarobidy.Nangotraka ihany koa ny teo amin’ny sokajy lehilahy Toraka izany koa ny teo amin’ny sokajy lehilahy, nangotraka ny fihaonan’ny Cospn Analamanga sy ny Sebam Boeny, nandritra ny lalao, omaly. Ekipan’ny samy henjana ka samy tsy nisy nanaiky lembenana. Nifandimbiasana ny fampitomboana ny isa teny amin’ny solaitrabe. Nisy fotoana efa nifanakaiky be 22 no ho 23 ny isa, nandritra fizaram-potoana faharoa.  Nitohy tamin’ny fizaram-potoana fahatelo sy farany izany, somary nihalefy kely anefa ny herin-dry Faralahy sy ry Martial ka nobatain’ny ekipan’i Livio sy ry Kakay mora foana, tamin’ny isa 57 no ho 50 ny fandresena. Indroa izao ny nisaloran’ny Cospn izao tompondaka nasionaly ny N1A, sokajy lehilahy izao.Lavo tamin’ny manasa-dalana ny andrarezinaTsy nampoizin’ny maro ny valin-dalao teo amin’ny manasa-dalana, teo amin’ny sokajy lehilahy. Nolavoin’ny Sebam tamin’ny isa hety dia hety …. ny andrarezina, ny GNBC. Tafapetraka teo amin’ny laharana fahatelo kosa anefa ity ekipan’ny Zandary ity, rehefa nandavo ny Cosfa tamin’ny isa 68 no ho 60. Laharana fahadimy ny Mb2All, faha-6 ny Ascut, faha-7 ny Cospn 2 ary faha-8 kosa ny As Fanalamanga. Teo amin’ny vehivavy, laharana fahatelo ny Cospn2 Atsinanana rehefa nanilika ny Ankaratra, tamin’ny isa 66 no ho 65. Laharana fahadimy ny Jea Vakinankaratra, faha-6 ny Serasera Vakinankaratra, faha-7 ny Tamifa Amoron’i Mania ary faha-8 kosa ny Ascut Atsinanana.Mi.RazVehivavyMM:  Ramino Nivo Irma N°7 – COSPN2 (192)MVP:  Ranarisaona Elinah Chantiah N°23 -MB2ALLEkipa Fair play: Serasera VakinankaratraLehilahyMM: Tsialefitra Jino N°14 – COSPN2 (252)MVP: Ratianarivo Livio N°06 -CospnEkipa Fair Play: Ajrt Androy L’article Basikety N1A 2021: misalotra ny anaram-boninahitra ny Mb2All Analamanga sy ny Cospn Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

Mpanao fanatanjahantena nalaza: lehilahy iray maty nianjera teo am-pangalarana
11/10/2021

Tsy voatifitry ny mpitandro filaminana, na matin’ny fitsaram-bahoaka, fa noho ny fianjerany, ka notantazan’ny vohon’angady no nahafaty ity lehilahy iray, nikasa hangalatra tao an-tranon’olona, tao Analakininina Toamasina, ny zoma teo ity. Fantatry ny maro eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena izy io.60 taona izy izao namoy ny ainy izao Lehilahy nalaza teo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena (basikety, hand ball, kitra…) tao Toamasina, tany amin’ny taona 80 tany ho any i R. Alain, saingy… lasa jiolahy. Ny marainan’ny zoma teo, hitan’ny rangahy iraytompon-trano nitsirara teo antokonam-baravavarana, tao Analakininina,  ny vata-mangatsikany raha iny izy niverina saika haka ireo mofo hamidiny. Niantso sefo fokontany avy hatrany io raim-pianakaviana, nampandrenesina ny tranga ihany koa ny polisy sy ny BMH.“Tsy nisy nidaroka na niniana novonoina ity raim-pianakaviana ity fa nianjera ka notsenain’ny vohon’angady sy vato mitohana ny varavarana”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao any an-toerana. Nambarany fa mety mahafantatra tsara ny fandaharam-potoan’ny tompon-trano io lehilahy mpangalatra io ka nihevitra ny hangalatra ao an-tokatranony, kanjo izao no niafarany. Matetika sarona amina halatra sy vaky trano ao Toamasina ity mpanao fanatanjahan-tena kalaza ity. Hatramin’ny fianakaviany aza efa nitaraina taminy noho io asa ratsy ataony io hatreny Analankinina sy hopitaly be. Sajo sy Henintsoa HaniL’article Mpanao fanatanjahantena nalaza: lehilahy iray maty nianjera teo am-pangalarana a été récupéré chez Newsmada.

Olana eny ifotony: nihaino ireo ben’ny Tanàna ny minisitra Vahiniala
12/10/2021

Nihaino ireo ben’ny Tanàna miisa 16, nisolo tena ny fikambanan’izy ireo avy amin’ny distrikan’Ambositra, Fandriana, Manandriana ary Ambatofinandrahana, ny herinandro teo, ny minisitra mpiahy ny faritra Amoron’i Mania, Raharinirina Vahiniala.Voaresaka ireo tetikasa nampanantenaina nefa tsy mbola natomboka. Ny olan’ny tsy fandriampahalemana, ny lalana, ny tsy fisian’ny rano madio, ny sekoly mbola tsy ampy fitaovana na koa ny halaviran’ny toeram-pitsaboana. Nampitain’izy ireo tamin’ny minisitra koa ny fahapotehan’ny tontolo iainana, ny momba ny faritra arovana ao Itremo…Fandrafetana tetikasaHetahetan’ireo olom-boafidy ny hanofanana azy ireo momba fitantanam-bola, ny fandrafetana tetikasa miaraka amin’ny mpiara-miombona antoka (PTF), ny fiatrehana ny fiovan’ny toetrandro…Niraisan’ny rehetra fa hotohizana ny dinika iarahana amin’ireo ben’ny Tanàna miisa 61 ao amin’ny faritra. Hatsangana amin’ny fomba ofisialy koa ny fikambanan’izy ireo ho an’ny faritra Amoron’i Mania. Nahatsapa ny roa tonta fa mila mihazakazaka ny tomponandraikitra rehetra tsy ankanavaka, na olomboafidy na olomboatendry eo amin’ny faritra. “Hanatrarana ny fahatarana, ary mba ho isan’ireo faritra maodely amin’ny fanatanterahana ireo velirano sy fametrahana ireo fotodrafitrasa mitondra fanovana ny faritra Amoron’i Mania”, hoy izy ireo.Synèse R.L’article Olana eny ifotony: nihaino ireo ben’ny Tanàna ny minisitra Vahiniala a été récupéré chez Newsmada.