Kianjan’i Malacam: efa anarivony ireo nandalo natao vaksiny

News - Kianjan’i Malacam: efa anarivony ireo nandalo natao vaksiny

News - Kianjan’i Malacam: efa anarivony ireo nandalo natao vaksiny

Hitohy hatramin’ny
herinandro ny fanaovam-baksiny ho an’ny rehetra etsy 
Malacam. Efa anarivony ireo olona tonga
natao vaksiny tao an-toerana, raha ny fanazavana nentin’ny dokotera
Randrianarisoa Angelo.

Gazety taratra (*): Tao
anatin’ny dimy andro, nanahoana ny fahavitrihan’ny olona tonga
natao vaksiny teto?

Dr Randrianarisoa Angelo
(-): 84 ny olona natao vaksiny teto, tamin’ny andro
voalohany nisokafan’ity toerana fanaovam-baksiny teto Malacam ity
(talata 1 jona). Niakatra tampoka 240 izany, ny alarobia ary 350 ny
alakamisy. Nitombo hatrany izany isan’andro, izay manaporofo fa
mazoto manao vaksiny ny olona eto Antananarivo.

Mizara ekipa dimy ny fandraisana
olona eto Malacam. Manomboka eny amin’ny vavahady izany. Mandalo
amin’ireo ekipa manazava ny mombamomba ny vaksiny ilay olona
raisinay eto ary fanasivanana avy hatrany ireo olona hatao na
tsia…Misy ny fandraketana ny mombamomba ilay olona anaty solosaina.
Aorian’izay, miditra amin’ny toerana fanaovam-baksiny . Mijanona 15
mn amin’ny toerana voatokana hanaraha-maso ny fahasalamany. Omena
toromarika ny amin’ny tokony hatao eny an-dalana sy any an-trano.
Tombohana ny karatra manamarina ny fahavitan’ny vaksiny ary afaka
mody amin’izay ilay olona.

* Iza no tena mazoto manao
vaksiny?

–  Marobe ny
tanora vao erotrerony tonga manao vaksiny eto. Misy mpianatra
maromaro aza miara-tonga eto ka mahafeno ny fepetra afaka manao
vaksiny dia atao. Midika izany fa mahasarika ny sokajin-taona
rehetra ny fanaovam-baksiny.  Eo koa ireo olon-dehibe na
tanora zokiny manodidina ny 40 hatramin’ny 50 taona. Tsy nampoizina
izany satria raha ny olona nokendrena dia ireo efa zokiolona sy
manana aretina mitaiza no tena nentanina tany am-piandohana.
Mahazaka ny vaksiny ny ankamaroan’ny olona tonga teto.

Tahirizina ny anaty vata
fampangatsiahana manaraka ny fenitry ny OMS ny vaksniny. Misy ny
tatitra momba izany isan’andro sy ny fivoarany raha sanatria ka
misy simba ohatra. 640 flacons ny vaksiny tonga omaly. Natao ho
an’olona 10 ny flacons iray.

Tatiana

Article tiré de Newsmada

L’article Kianjan’i Malacam: efa anarivony ireo nandalo natao vaksiny a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 05/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

Foot - News - Sport - Delire Madagascar

KIANJAN’NY ELGECO PLUS: Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena

Nitombo iray indray ny kianja filalaovana baolina kitra manara-penitra eto Madagasikara. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 12 aprily 2019 ny « terrain synthétique » an’ny klioba Elgeco Plus eny amin’ny By Pass Ambohijanaka. Nanatrika izany ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Rajoelina Andry, ny ministry ny tanora sy ny fanatahanjahantena, Tinoka Roberto niaraka tamin’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny. Nambaran’ny filoham-panorina ny klioba Elgeco Plus, Randriamanampisoa Alfred fa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena io kianja io ary afaka mandray lalao baolina kitra iraisam-pirenena. Ahitana trano fisakafoana ihany koa ity foto-drafitr’asa vaovao ity mba ahafahan’ireo mpilalao misakafo. Mbola tsy vita tanteraka ny foto-drafitr’asa fa vao ny kianja iny notokanana iny izay valo volana ny faharetany nanamboarana azy. Ao anatin’ny asa mbola ho atao manaraka ny fanamboarana hotely, ny tribune central ary ny gradin. Tamin’io fotoana io no nametrahana ny vato fototra ho an’ny tribune central ary ny gradin. Roa taona ny fitambaran’ny fotoana hamitàna  tanteraka foto-drafitr’asa raha ny vina tany am-boalohany, hoy hatrany Randriamanampisoa Alfred. Ankoatra izany dia mampiavaka ity kianja ity ny fisian’ny “pilone” sy ny “projecteur” mba hanazarana ny mpilalao amin’ny fifaninanana amin’ny alina. Mahazaka mpijery 2000 ny kianjan’ny Elegeco Plus eny By Pass Ambohijanaka. Raha ny fantatra dia ny klioba sy ny mpiara-miombona antoka aminy no niara-nisalahy tamin’ny fanamboarana. Mbola miantso ireo malala-tanana afaka manampy amin’ny famitàna tanteraka ny kianja iray manontolo anefa ny filohan’ny klioba. Lynda A. Cet article KIANJAN’NY ELGECO PLUS: Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

Hetsika RF2 sy ny Himo: nodiovina ny lakandrano hiatrehana ny fahavaratra

 Mitohy ny asa fanadiovana eny anivon’ny fokontany, tanterahin’ny CUA ho fitsinjovana ny mponina sy ny tanàna, mialoha ny fahavaratra. Notanterahina tamin’ny alalan’ny asa tana-maro (Himo)  miaraka amin’ny RF2 ny dingana voalohany, natao amin’ny fokontany  IIIG Hangar sy ny eny Amboditsiry ary Manarintsoa Isotry. Nodiovina tamin’izany ny lakan-drano sy ny tatatra ary ireo faritra feno loto. Hifarana ny 31 oktobra izao izany raha nanomboka ny 21 oktobra teo. Hitohy amin’ny  fokontany hafa,  Andranomanalina Centre, Anatihazo Isotry, Anjezika II, AntetezanafovoanyII  ary 67 ha Avaratra Atsinanana ny hetsika.Tafiditra indrindra ao anatin’ny PIAA “Projet Intégré d’Assainissement d’Antananarivo “ sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny “Positive Planète” izao tetikasa izao.Etsy an-daniny, nanomboka omaly koa ny fampiofanana ireo RF2 momba ny teknika amin’ny fanentanana momba ny fehezam-pitsipika mikasika ny fikolompahasalamana (CMH). Notanterahina tetsy amin’ny BMH Isotry izany ka miisa 61 ny fitambaran’ireo fokontany  anaovan’ny “Positive Planète” ny tetikasa fanadiovana.Synèse R.L’article Hetsika RF2 sy ny Himo: nodiovina ny lakandrano hiatrehana ny fahavaratra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Depiote Razafimanantsoa Hanitra: « Manao kilalao maloto ianareo fa tsy politika intsony… »

Naneho ny alahelony ny depiote Razafimanantsoa Hanitra, tamin’ny alalan’ny tambajotran-serasera, omaly, manoloana ny fiahiahiana ny zanany vavy ho voasaringotra amin’ny zava-mahadolemina. Notazonin’ny mpitandro filaminana  sy nohadihadina eny Fiadanana, omaly io zanany io. “Manao lalao maloto ianareo. Tsy politika intsony. Tsy ny zanako vavy no manao politika fa izaho ka tsy misy idirany ny faharesen-dahatro”, hoy izy. Nanteriny fa marary ny reny rehefa kitihina sy potehina ary gadraina amin’ny tsy marina ny sombiniaina. Nahitsy ity depiote sady mpisolovava ity nilaza fa namoronana antontan-taratasy sy nofandrihina ny zanany, saingy tsy maintsy ho tratra ihany ny marina. “Ataonareo takalon’aina izy mba handehanako any hilaminana… Haiko ny zanako fa tsy mifoka ary tsy mitazona sy tsy mivarotra izany izy… Sanatria… Manana ny asany, mpisolovava sy ny toerana misy azy izy ary tia manampy ny hafa. Vitanareo ny mamotika ny fiainany…”,hoy ihany izy. Andrasana ny mety ho tohin’ity raharaha iray hafa ity.Hiady amin’ny jadona sy fanamparam-pahefanaEtsy an-daniny, namoaka fanambara ny antoko Tim, manoloana ny tranga niseho ny asabotsy teo. Nambaran’izy ireo fa voahitsakitsaka ny zon’ny olona noho ny sakana nataon’ny mpitandro filaminana teo amin’ny lafiny fifamoivoizana ka tsy nahafahany namonjy ny alehany na sy nisy hifandraisany amin’ny tatitra akory aza izany. Teo koa ny fisamborana ireo niakanjo mena na tsy nisy soratra ‘’Miara-Manonja’’ aza.Manoloana izany, naka fanapaha-kevitra ny antoko Tim fa hiantso ny vahoaka iray manontolo hiady amin’ny jadona sy ny fanamparam-pahefàna. Manameloka ny famonoan’olona toy ny tany Toamasina sy ny fandatsahan-dra ary ny fisamborana teto Antananarivo. “Helohinay koa ny hazalambo atao amin’ny mpitarika sy ny depiote. Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny mpiaro ny zon’olombelona mba hijery akaiky izao toe-draharaha izao. Mitohy ny tolona”, hoy ihany ny fanambarana.Synèse R.L’article Depiote Razafimanantsoa Hanitra: « Manao kilalao maloto ianareo fa tsy politika intsony… » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Maevatanana: tsy mpikambana CNaPS ny 87%-n’ny mpiasa

Tany Maevatanana sy Antanimbary ny vaomiera manokana Task force, ahitana ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS) sy ny solontenan’ny minisiteran’ny Asa, ny asam-panjakana, ny asa sosialy (MEFPTLS), ny herinandro lasa teo. Fotoana nanentanana sady nampiofanana ny mpampiasa amin’ny orinasa tsy miankina hanara-dalàna, hampiditra ny mpiasa ho mpikambana ao anatin’ny CNaPS. Efa fanaon’ny sampandraharahan’ny fahasalamana sy ny sosialy (SASS) ao amin’ny Tahirim-pirenena rahateo ny fanofanana mikasika ny fiahiana sosialy. Niisa 10 ireo mpampiasa tsy nanara-dalàna tamin’ireo 25 notsidihina tany amin’ny manodidina an’i Maevatanana. Tany Antanimbary, tsy nanara-dalana, tsy nampiditra ny mpiasa amin’ny CNaPS ny 12 tamin’ireo 15 notsidihina. Tao an-tampon-tanànan’i Maevatanana, tsy mpikambana CNaPS ny efatra tamin’ireo orinasa dimy notsidihina. Raha aravona, tsy mpikambana CNaPS avokoa ny 87%-n’ny mpiasa amin’ireo orinasa 30 notetezina tany Maevatanana sy Antanimbary.Fanajana ny zon’ny mpiasaNiara-nanatanteraka ity hetsika ity ny talem-paritry ny Asa Betsiboka sy ny mpiara-miasa aminy maromaro, ny tompon’andraikitry ny CNaPS foibe sy ny tendro any Maevatanana. Nilaza ny talem-paritry ny Asa, Andriampaniraka Dinaniaina, fa “fiaraha-mientana amin’ny fanajana ny zon’ny mpiasa izao natao izao”. Nambaran’ny talen’ny Fitantanana ny mahaolona CNaPS, Raobijaona Bruno, fa “nanamafy ny fanaraha-maso ny mpampiasa sy ny mpiasa izao fidinana nifotony izao”. Anisan’ny afa-po tamin’ny fiofanana kosa ny Dr. Rabarisolo Lovaniaina, anisan’ireo mpiofana.Njaka A.L’article Maevatanana: tsy mpikambana CNaPS ny 87%-n’ny mpiasa a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Distrikan’Ambohidratrimo: kandidà iray  tsy nahaloa ny volan’ny delege

Tsikaritra ny tsy fisian’ny delege avy amin’ny kandidà iray, tany amin’ny biraom-pifidianana sasany  teny Ambohidratrimo, omaly. Nambaran’ny sasany fa tsy hita ny nanjavonan’ilay olona tokony hanome azy ireo ny taratasy ahazoan’izy ireo manao ny asany, any amin’ny birao fandatsaham-bato. Teo koa ny amin’ny tsy fahazoan’ireo delege sasany ny tokony ho solontsakafon’izy ireo. Nisy kosa ny nantsoina, omaly maraina, saingy tsy nanaiky ny hanao ny asa maha delege azy intsony.Tsy tao anaty lisi-pifidiananaTsy narisika ireo mpifidy, raha ny hita teny amin’ny ankamaroan’ny biraom-pifidianana, eny amin’ny fokontany Alasora. Zara raha nisy tsirairay ireo tonga nifidy,  tao  amin’ny EPP Ambohimanoa Alasora, ny maraina. Tao amin’ny efitrano faharoa, ohatra, mpifidy miisa 360 eo no voasoratra anarana ka tsy ampy ny antsasa-manilan’ireo ny tonga nandatsa-bato.Tsy tao anaty lisitra, niverina nody ny sasanyOlana nosedrain’ny ankamaroan’ny biraom-pifidianana ny tsy fahitana ny anaran’ireo mpifidy tao anaty lisitra kanefa efa nifidy izy ireo tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Ity tranga ity izay nisy tsy nahitam-bahaolana mihitsy tany amin’ny toerana sasantsasany ka voatery niverim-potsiny ireo mpifidy. Misy ihany koa ireo lasa any amin’ny efitrano hafa fa tsy mitovy amin’ny efa voasoratra ao anatin’ny kara-pifidianana ny anarany ka somary nampisavoritaka ny fandaminana efa napetraka.Tsy nazoto nifidy ny teny AmboditsiryTamin’ny 3 ora sy sasany hariva, nambaran’ny sefo fokontany Amboditsiry (boriborintany fahadimy), Randrianalisoa Raparany, fa manodidina ny 20% ny taham-pavitrihan’ny mpifidy. Manodidina ny 9 000 ny voasoratra anarana ahitana birao fandatsaham-bato miisa 13, ifidianan’ny fokontany Amboditsiry sy ny fokontany Ambatomainty. Tsy nisy ny olana, tsy nisy ny olona tsy afaka nifidy. Tao amin’ny BV laharana faha-112, nilaza ny lehiben’ny birao fandatsaham-bato, Rafenomanantsoa Korodo Lucien, fa niisa 138 ny nandrotsa-bato tamin’ireo 645 voasoratra anarana. Ho an’ny sefo fokontany, mety anton’ny tsy nampavitrika ny mpifidy ny fotoana nanaovana ny fifidianana ho andavanandro satria maro ny miasa tena.Njaka, Mi Raz.,  Landy R., Vonjy, Hary  Razafindrakoto L’article Distrikan’Ambohidratrimo: kandidà iray  tsy nahaloa ny volan’ny delege a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hentitra amin’ny fomba fiasa ny minisitra Andrianainarivelo Hajo: « Tsy azo ekena ny fanamboaran-dalana kitoatoa sy tsy araka ny fenitra »

Harenina tanteraka ny lalam-pirenena fahenina (RN6). Mialoha izany, nirosoana ny fanamboarana ireo lalana tena ratsy sy simba, hampizotra ny fifamoivoizana. Anton’ny fidinana ifotony nataon’ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (MATP), Andrianainarivelo Hajo tany Diana sy Sofia izany, ny herinandro teo ary nanomezany toromarika ho an’ny rehetra. Fanadihadiana.Nahitsy ary mazava. « Tsy azo ekena ny fanamboaran-dalana tahaka izao. Tsy nanao ny asa amin’ny tokony ho izy ny orinasa nisahana ny asa ary tsy nisy ny fanaraha-maso », hoy izy tamin’ny fijerena ny ampahan-dalana eo Antanamazava PK 501, distrika Ambanja. Tapaka sy dibo-drano tanteraka izany ary efa nahazo anarana « pisicine » na dobo filomanosana, saingy izao niditra an-tsehatra avy hatrany izao ny MATP.  Nanteriny fa manify ny hatevin’ny lalana. Tsy araka ny fenitra ny vato nampiasaina. Tahaka izany koa ny fangaro tamin’ireo akora ka tsy nampaharitra ny lalana, 10 taona mahery aty aoriana nefa nindramana vola tamin’ny mpamatsy vola. Tsy voahaja koa ny bokin’andraikitra,  araka ny nambarany. Noraisiny ho ohatra ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo ny amin’ny tsy maintsy hanarahana ny fenitra. Nohatevenina ny firafitry ny lalana ary tsy maintsy ho tahaka izany avokoa ireo fanamboarana fotodrafitrasa rehetra.Notsindriny fa ezahina ny tsy hahatapaka ny lalana sy hitohizan’ny fifamoivoizana RN6 miainga eo Ambondromamy hatrany Antsiranana. Nambaran’ny minisitra fa efa nisy ny tolobidy amin’ny hanarenana tanteraka ny RN6 ka miandry ny orinasa madio, tsy tafiditry ny resaka kolikoly hanao izany, miaraka amin’ny mpamatsy vola Banky Eoropeanina misahana fampiasam-bola (BEI).Tsy an-kiandrinadry fa niroso amin’ny fanamboarana ireo ampahan-dalana tena simba « point noir » ny MATP. « Noesorina ny akora teo ambany ary soloina vaovao  manaraka ny fenitra takin’ny mpamatsy vola, BEI. Ezahina hovitaina anatin’ny  telo volana ny asa vonjimaika sy hamehana eto », hoy ny mpiandraikitra ny tetikasa, Ralaimanana Rija.  Mizara roa ny tetikasa, ahitana ny “lot” Ambanja mihazo an’Ambilobe ary miainga eo indray hatrany Antsiranana.L’article Hentitra amin’ny fomba fiasa ny minisitra Andrianainarivelo Hajo: « Tsy azo ekena ny fanamboaran-dalana kitoatoa sy tsy araka ny fenitra » a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fisolokiana

Voarohirohy ho mpisoloky olona amin’ny fivarotana merikiora hosoka ity lehilahy iray voasambotry ny polisy, tany Ambavahadimangatsiaka Antsirabe, tamin’ny alatsinainy lasa teo. Tao amina trano fandraisam-bahiny iray no nahatrarana azy. Mbola nahitana merikiora hosoka teny aminy. L’article Fisolokiana est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Lalaon’ny Nosy 2019: samy naneho ny hafaliany ny rehetra

Nivalona tanteraka, ny andiany faha-10 tamin’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2019), notanterahina tany Maorisy. Any Maldives, indray ny fotoana manaraka, afaka efa-taona. Samy naneho ny heviny, tamin’ny fandraisany anjara, tamin’iny fihaonana iny avokoa ireo atleta sendra ny gazety Taratra. Niraisan’izy ireo, kosa ny hafaliana Sary Noré-Razafinjatovo Jean Honoré, mpanazatra taranja volleyball: “Efa niezaka sy niady mafy ny ekipa malagasy,nisy ny fivoarana, saingy ny fahamatorana sy ny fifantohana no tsy ampy. Tokony ho azontsika ny laharana voalohany, saingy nisy fahatahorana kely ihany ny mpilalao malagasy, indrindra nanoloana ireo mpijery marobe nanohana ny mpifanandrina. Na izany aza, faly fa afaka niatrika tsara ny lalaon’ny Nosy”. -Rasoambolanoro Ange, mpilalao taranja basikety: “Faly fa nahazo fandresena, nitondra medaly volamena ho an’i Madagasikara. Ity no lalaon’ny Nosy farany hatrehiko, afa-po aho ary mitsodrano ny zandry isany hahavita be amin’ity taranja ity. Mahay ny mpilalao malagasy ary afaka manandratra avo ny fanevam-pirenena raha manana tanjona ny handresy. Rehefa miady tsy maintsy mandresy”. -Randafiarison Rosina, atleta taranja fibatana fonjamby: “Nahafinaritra ny fiatrehana ny lalaon’ny Nosy tamin’ity andiany faha-10 ity. Efa nivonona ny hahazo fandresena ary nivoady mafy ny hitondra medaly volamena hiverina an-tanindrazana. Afa-po satria tratra ny tanjona ary afaka mirehareha fa nanandratra avo ny voninahi-pirenena. Tanjona hafa indray izao no banjinina amin’ny fiatrehana ireo lalao iraisam-pirenena maro”. -Razafindralambo Zo (Lino), mpilalao tenisy ambony latabatra : “Nahafaly ary nahafinaritra fa nahavita soa aman-tsara ny fifaninanana. Ambony be ny teknika ny lalao, tamin’ity raha oharina ny tamin’ny efa-taona lasa, indrindra ny taranja tenisy ambony latabatra. Soa fa nahazo vokatra tsara ihany isika izay tena nahafa-po satria tena ambony ny lentan’ny mpifanandrina. Manana tombony ny mpifanandrina amin’ny fanomanana, lesona azo notsoahina izany, tsy ampy intsony ny fiomanana enim-bolana mialohan’ny lalao, mila hampitomboina ihany koa ny fifaninanana iraisam-pirenena, mba hananana fahazarana”. Nangonin’i Mi.Raz  L’article Lalaon’ny Nosy 2019: samy naneho ny hafaliany ny rehetra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Takaitran’ny rivodoza: iray maty ary tafakatra 3 601 ireo traboina noho i Eloise

Miova isan’ora. Niakatra ho 3 601 ireo traboina, omaly, araka ny antontanisa eo an-tanan’ny BNGRC raha 470 ireo nafindra monina taorian’ny fandalovan’ny rivododa Eloise. “Nametraka paikady sy fomba fiasa vaovao ny fanjakana, amin’ny alalan’ny fidirana an-tsehatry ny primatiora ka nanafaingana ny fa­hazoana vaovao. Ahafahana maka fa­napahan-kevitra haingana izany”, hoy ny talen’ny BNGRC, ny Jly Andriankaja Elack Olivier, omaly. Nante­riny fa anisan’ny voa mafy amin’ireo faritra fito voakasika ny any Analanjirofo sy any Boeny. Na izany aza, tsy betsaka ny fahavoazana raha ny tazana sy ny hita tamin’ny sidina nataon’ny BNGRC. Nisy koa anefa iray maty, nianjeran’ny hazo tany Ma­roantsetra, araka ny nambarany.Efitranon-tsekoly, PPN… Ankoatra izany, anisan’ny fotodrafitrasa simba ny efitranon-tsekoly, hatrany amin’ny 142, izany ka misy sivy hafa tena rava tanteraka, any Ana­lanjirofo. Maromaro koa ireo lalana sy lalam-pirenena tapaka na tetezana tapaka, nentin’ny rano. Misy ny efa niverina amin’ny laoniny. Efa misy ny vahaolana amin’ny famonjena ireo mpianatra, hianarana vonjimaika eo anivon’ny minisi­teran’ny Fana­beazana. Eo koa ny Fid… Efa manetsika ny rantsany koa ny eo anivon’ny BNGRC amin’izao fotoana izao ka misy ny fividianana ny entana (PPN) eo an-toerana ihany, miainga amin’ny tolobidy natao ho an’ny toerana lavitra, ohatra.Synèse R.L’article Takaitran’ny rivodoza: iray maty ary tafakatra 3 601 ireo traboina noho i Eloise a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

«Pôetawebs» misehatra: hampahafantatra an’i Clarisse A. Ratsifandrihamanana

Mpanoratra  manana ny mampiavaka azy. Goavana rahateo ny asa soratra vitany ho an’ny taranaka aty aoriana. Iza moa i Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana? Hiezaka hamaly io fanontaniana io i Lila sy i Lisy.Hotanterahina, ny 17 marsa izao ao amin’ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha, ny « Pôetawebs misehatra ». Hizara roa ny fandaharam-potoana. Fizarana voalohany, « Tapatapakahitra » hamalian’ny poeta Nirihaja ireo fanontanian’i Fafah Rakotondrantsimba sy ny mpijery. Hovaliny amin’izany ny fanontaniana momba azy sy ny vehivavy ary ny poeta vehivavy. Hisy antsa sy hira ihany koa hoentiny eny an-tsehatra amin’io tapany voalohany io.Fizarana faharoa, « Sorapiainana » hitantarana sy hanazavana ny sora-piainan’i Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana. Ny “Pôetawebs” no hamintina izay efa nivoaka tao amin’ny tranonkalam-pifandraisana. Ambonin’izay, hanatevina ny fanazavana ny zanak’i Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana, i Lila sy i Lisy. Hamaly ny fanontanian’ny mpanatrika ihany koa izy mirahavavy. Ankoatra ireo, hanolotra boky biografia matevina ihany koa ry zareo sady hiantsa tononkalo sy hihira ary haneho ranty.Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana ny sanganasan’ity andrarezin’ny asa soratra ity. Anisan’ny nahatonga ny mpikarakara hanasa mpianatra sy mpikaroka ho tonga maro ao amin’ny efitrano Dox, ny 17 marsa izao manomboka amin’ny 2 ora tolakandro.HaRy Razafindrakoto L’article «Pôetawebs» misehatra: hampahafantatra an’i Clarisse A. Ratsifandrihamanana a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services Antares trade, prêt possible
18/06/2021

Bonjour à tous!Il est maintenant possible de demander un prêt avec Antares. Vous n'avez plus d'excuse pour ne pas vous inscrire sous motif de manque de fond. Antares est là pour vous dépanner, et vous prouver que l'investissement dans le site marche et n'est pas une arnaque comme les gens le pensent. Le prêt va de 100$ à 4000$! Ils appellent l'investissement P2P c'est-à-dire de partenaire à partenaire. Avec cet investissement, vous pouvez percevoir des revenus de 0,5% par jour pendant 12 mois, tandis que la plateforme rembourse votre prêt à votre place. Par exemple vous empruntez 2500$ pour prendre le pack de 2500$. Au lieu de recevoir les 1% par jour soit 25$ par jour environ, vous recevez 12,5$ par jour et votre prêteur revoir également 12,5$ par jour.Il est n'est valable que pour les nouveaux arrivants et ne fonctionne que si: - l'emprunteur sollicite un prêt et s'inscrit auprès d'Antares- l'investisseur émet un emprunt sur 12 mois avec un rendement moyen de 0,5%/jour- l'emprunteur investit dans un produit d'investissement séparé avec un rendement de 0,5% par jourCe programme vous permet de participer à un programme d'affiliation basé sur le marketing linéaire, dont vous pouvez en savoir plus ici : https://antares.trade/antares-p2p-platform/#partners.Pour vous inscrire: https://antares.trade/personal/?signup=MG000823370Pour plus d'informations, veuillez me contacter par mail: shonaliyah3@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Antares trade, prêt possible".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
16/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

A louer TANY AHOFA
15/06/2021

Tany ahofa malalaka tsara azo anaovana garage na anaovana stockage mifefy tsara amoron-dalana faritra sabotsy namehana tel 0324712472Tany ahofa malalaka tsara azo anaovana garage na anaovana stockage mifefy tsara amoron-dalana faritra sabotsy namehana tel 0324712472Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer TANY AHOFA".

A louer Location voiture
15/06/2021

Location 4×4 - Toyota New Prado >>7 places, voiture confortable et économique,  >>Voiture classe, adéquats pour les évènements familiaux ou affaires, >courses en ville, en périphérie, ou en province - Chauffeur expérimenté pour les circuits touristiques - Le tarif varie en fonction de la destination et du trajetContact: 034 84 747 64Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Location voiture".

A vendre Mégane Scénic
15/06/2021

A vendre RENAULT MEGANE SCENICVitre Electrique, Verrouillage Centralisé, direction assistée, AIRBAGS, Très Bonne Etat, SANS DEVOIR, Année de mise en circulation 2001, bôite de vitesse manuel, diesel, faible consommation, puissant, 5 places, 5 portes, radio d'origine, intérieur très bonne état. Prix: 11 200 000 ar à debattreContact: 033 37 574 65Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Mégane Scénic".

Emploi et services Développeur Codeigniter
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le BTP,Développeur CodeigniterEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVCODEIGNITER-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Codeigniter".

Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement
15/06/2021

Bonjour,  il y a plusieurs manières de se faire de  l'argent en ligne chez soi et gagner de petits revenus en cette année 2021. Si cela vous intéresse suivez ces liens et inscrivez vous :Voulez vous gagner de l'argent en ligne sans fournir trop d'effort ? Si oui je vous propose de visiter ce site qui vous permet de gagner un revenu mensuel acceptable.https://rupee4click.com/48ks0efa nazaoko avec preuve de paiementinscrit et vous gagnerai Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement".

A louer APPARTEMENT T2 ou T4 de standing sécurisée
17/06/2021

Dans une résidence neuve, fraîchement construite. Appartements Type 2 au Type 4 (avec suite parentale) À louer Vide ou Meublé Bénéficiant d’une Vue exceptionnelle sur la Campagne Avec Grand Balcon/ Terrasse/ Ascenseur/ Parking/ Groupe ÉlectrogèneCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer APPARTEMENT T2 ou T4 de standing sécurisée".

Emploi et services Asa en ligne
14/06/2021

Asa en ligne mety ho an'ny rehetra,  afaka atao na tsisy investissemenr aza satria omwna bonus 10$ ianao hampiakatra nybalsnce_nao, nefa raha te hahazo vokatrhttps://fastscash.online/?ref=25212 raha te hahazo vokatra haingana dia afaka manao investissemebt 0,5$minimum. Manaova inscription eto https://fastscash.online/?ref=25212  fa omena fanazavana ianao. Ny sakana ho anao dia ny tsy fanombohana azy. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Asa en ligne".

Emploi et services faucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay
15/06/2021

site légitime qui paye très bienfaucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay.Pas de retrait minimum, claim tous les 5min.Ci-joint le lien:https://ezbit.co.in/ref/13850Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services faucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay".

Emploi et services Gagner de l'argent en ligne
19/06/2021

Nous vous proposons une opportunité intéressante pour gagner de l'argent en ligne. Votre rôle consiste à remplir des micro-tâches comme répondre à des sondages, essayer certaines applications, répondre à des quiz etc. Cliquez sur ce lien :https://paidera.com/?r=2057784Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Gagner de l'argent en ligne".

Emploi et services Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction
16/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement un Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction.Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 150 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC.MISSIONS:Le Business Unit Manager développe et assure le bon fonctionnement de ses activités :PROFILS :AVANTAGES :Veuillez adresser votre candidature à l’adresse recrutement@eufonie.fr à l'aide de votre CV et d’une lettre de motivation. Pour entrevoir nos offres d'emploi, merci de visiter www.eufonie.fr/jobs.Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction".

Notsongaina

Befandriana: tratra ireo jiolahy mpanao hosoka vatosoa
15/06/2021

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny talem-paritry ny Filaminam-bahoaka faritra Sofia, ny faran’ny herinandro teo ny jiolahy roa malaza ratsy amina raharaha fisolokiana. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, tonga nametraka fitoriana mahakasika fisolokiana vatosoa hosoka tao amin’ny kaomisarin’i Befandriana Avaratra. Nanao ny angom-baovao rehetra ny polisy ka fantatra tamin’izany ny mombamomba ireo olon-dratsy. Nametraka ny vela-pandrika rehetra ny polisy ka tratra ny alahady teo tao Befandriana Avaratra ireto roa lahy ireto. Nentina teny amin’ny CSP Befandriana Avaratra izy ireo nanaovana fanadihadiana. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa isaky ny tsenan’omby isan-kerinandro izy ireo no manao ny asa ratsiny ary ireo olona tonga hividy omby no tena kendren’izy ireo amin’izany. Niaiky ny heloka vitany izy roa lahy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Natolotra ny fampanoavana, omaly, ireto jiolahy ireto ka naiditra am-ponja avy hatrany.J.CL’article Befandriana: tratra ireo jiolahy mpanao hosoka vatosoa a été récupéré chez Newsmada.

Fifohana rongony: andian-jatovo tsy ampy taona voasambotra
14/06/2021

Eo anelanelan’ny 13 ka hatramin’ny 16 taona avokoa ireo zatovolahy voasambotry ny polisy avy ao Itasy  noho ny antony fifohana rongony. Tra-tehaka tao amina toerana iray ao Arivonimamo ireo tovolahy ireo, ny asabotsy teo, hoy ny polisim-pirenena. Nisy, araka izany, ny vaovao nampahafantatra ny tranga ka niroso tamin’ny fiambenana ilay toerana voalaza avy hatrany ny polisy ao an-toerana. Tamin’izay indrindra, nisy andian-jatovo 7 lahy niditra tao amin’ilay trano fifohana rongony. Vokany, noraisim-potsiny ireo tanora mbola tsy ampy taona ary nentina nanaovana fanadihadiana. Fantatra tamin’izay fa 13 taona no zandriny indrindra, 16 taona ny 04 tamin’izy ireo ary 15 taona ireo 03 hafa.Ankoatra izay, olona roa hafa ihany koa no tra-tehaky ny polisy avy ao Tsiroamandidy, ny zoma teo noho ny fivarotana rongony. Fantatra taorian’ny loharanom-baovao voaray ny polisy ny fisiana lehilahy iray 26 taona sy vehivavy iray vao 19 taona mpivarotra zava-mahadomelina io tao amin’ny fokontany Atsimontsena. Araka izany, nanao vela-pandrika ny mpitandro filaminana ka tratra tao amin’ny tranon’ireo mpivady tamin’izany ny rongony miisa 19 fonosana. Voasambotra avy hatrany  ireo olon-dratsy ka nanokafana fanadihadiana. Henintsoa HaniL’article Fifohana rongony: andian-jatovo tsy ampy taona voasambotra a été récupéré chez Newsmada.

Musique : Nanie signe son « comeback » en live
14/06/2021

Nanie n’est pas prête de décrocher son micro. Loin des yeux, loin du cœur. Pas le moins du monde. Pour Nanie, le choix est vite fait. C’est en live sur Facebook qu’elle compte faire son come-back après ces quelques années d’absence sur scène. La chanteuse donne déjà rendez-vous à ses fans et les mélomanes sur sa page le samedi 19 juin à 19h. Du temps où Nanie habitait Madagascar, elle a habitué les passionnés de musique par son style très prisé. Ayant fait ses heures auprès de la crème de la musique malgache, elle a livré des prestations dignes d’une diva. Aujourd’hui encore, Nanie n’a rien perdu de sa prestance, et c’est par ailleurs ce qu’elle offrira une fois de plus aux inconditionnels. Évidemment, le répertoire se fera avec ses tubes à l’instar de « Hiraina », « Tena tia » mais il y aura également des surprises. Pour les amateurs d’ambiance jazzy et bon enfant, le live avec Nanie ne décevra point. Iss Heridiny L’article Musique : Nanie signe son « comeback » en live est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Musique : Nanie signe son « comeback » en live a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Efa niara-nihira tamin-dry Mahaleo…: hiditra lalina kokoa amin’ny mozika i Aline Kaloina
19/06/2021

Talenta vao, hisongadina tsy ho ela. Izay efa naheno ny sanganasan’i Aline Kaloina dia niteny izany avokoa. Manohy tsikelikely ny lalany izy.Vao 18 taona monja ity tovovavy ity… Avy ao antsirabe izy, ary manan-talenta amin’ny mozika. An­tony iray nampiakaran’ny tarika Mahaleo azy an-tsehatra io, tamin’ny fampisehoana farany notontosain’izy ireo tao amin’ ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny taona 2019. Fantatra izao fa hiroso bebe kokoa ao anatin’ny tontolon’ny mozika amin’izay i Aline Ka­loina. Efa vita rakitsary ny “Mandindona”, izay hira fiderana entiny hanombohana. Tsy io ihany anefa ny hirany, satria sady mpamorona, mpitendry no mpihira ihany koa ity tovovavy ity. Anisan’ny noforoniny ny “Sao ho nenina”, “Mpandresy”, sns, izay hozarainy tsy ho ela amin’ny mpankafy mozika. Noho ny nanehoan’i Dadah Rabel ireo hirany ireo indrindra no niantsoany azy hifampizara sehatra tamin’izy ireo teto An­tananarivo, Antsirabe ary Fia­narantsoa. Raha ny fitantaran’i Kaloina, nihaona tao amina trano fandraisam-peo iray izy sy i Dadah Rabel. Teraka teo ny fiaraha-miasa, izay zezika nanosika an’ity tovovavy ity amin’ny lalana kasainy haleha. Nialoha ny fihaonana tamin’ i Dadah sy ny tarika Mahaleo anefa, efa nanaraka fiofanana momba ny mozika i Kaloina, ny taona 2013. Nianatra nitendry gitara sy nitsoka sodina ary “clavier” ihany koa izy. Vao 7 taona monja dia efa hitan’ny fianakaviana taratra ny talentany. Efa nandray anjara tamina fifaninanana “cover”, ny taona 2016, ka nahazo ny laharana faharoa. Nampiara-peo tamin’i Rado Manantena, tao anatin’ ilay hira “Mozika” izy. Mpi­kam­bana feno ao amin’ny Normal Gospel ao Antsirabe ihany koa. Noho izay fivelarany eo amin’ ny mozika izay, tsy tena manana gadona na karazana mozika voizina manokana i Kaloina, na dia manana fironana amin’ny Pop soul aza. Manam-paniriana hanana trano fandraisam-peo azy ma­nokana ity tovovavy ity. Tsy mozika ihany anefa ny fiainany fa manam-pikasana ho lasa mpandika teny ka mandalina tenim-pirenena maro i Aline Kaloina. Efa mahafehy ny Fran­tsay, ny Anglisy ary ny Es­pagnol izy, mianatra indray ny teny sinoa sy ny teny alemà.Zo ny AinaL’article Efa niara-nihira tamin-dry Mahaleo…: hiditra lalina kokoa amin’ny mozika i Aline Kaloina a été récupéré chez Newsmada.

CUA : Dotée de camions bennes
17/06/2021

Le Conseil des ministres a décidé, hier, au niveau du ministère de l’Eau, de l’Assainissement et de l’​Hygiène, de la prise en charge, à titre exceptionnel, des taxes sur la valeur ajoutée sur les camions bennes, ainsi que sur les kits de maintenance au profit de la Commune Urbaine d’Antananarivo. Toujours dans le cadre de la coopération avec ledit ministère, l’UNICEF a l’intention de procéder à l’achat du matériel susmentionné pour aider la CUA, notamment dans le ramassage des ordures ménagères. Sans parler des 160.000 litres de gel désinfectant,  dont le montant s’élève à 686.840.000 millions d’ariary pour le ministère de l’Eau. Pour le ministère de l’Enseignement technique et de la Formation professionnelle, le conseil a donné son aval pour l’introduction de matériels en faveur du Centre de formation professionnelle sis à Nosy-Be. À cet effet, il y a eu un partenariat entre ce ministère, les associations Imanga et Human’Isa XXI, les autorités locales et les partenaires techniques et financiers. Quant au ministère de la Santé publique, il a été doté d’appareils de mammographie analogique, au nombre de 10, et de scanners à 64 barrettes, au nombre de 5. Recueillis par Dominique R. L’article CUA : Dotée de camions bennes est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article CUA : Dotée de camions bennes a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fandrahonana ho faty anaty finday: mpivady sy tovolahy iray mpisoloky samy voasambotra
18/06/2021

 Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora, ny alarobia teo ireo mpisoloky sahy mandrahona olona ho faty amin’ny finday rehefa tsy manome vola izay tadiaviny. Voasambotra, ny alahady teo, teny Androndra ireo mpivady mpanao ny asa ratsy, dia ny vehivavy iray 34 taona sy ny lehilahy vadiny 24 taona. Nanoro ireo mpiray tsikombakomba taminy koa izy mivady ka tratra teny Ampamatanana ilay tovolahy vao 19 taona.Miantso amin’ny finday amin’ny laharana miafina ireo mpisoloky. Lasibatra tamin’izany ny raim-pianakaviana iray ka notakin’ireo mpisoloky vola mitentina 10 Tapitrisa Ar. Mbola nilaza koa izy ireo fa hananany vola ny zanany ka vonoin’izy ireo ho faty ilay lehilahy raha tsy mandoa ny vola amin’ny fotoana voatondro.  Nitohy  ny fandrahonana voarainy ary nilaza ho mahafantatra ny toeram-piasana sy ny toeram-ponenany ireo mpisoloky ka hopotehina sy dorana ireo rehetra ireo raha tsy manome ny vola izy. Velon-tahotra ny raim-pianakaviana ka niantso ny polisy hiaro azy. Hatairana ny an’ilay raim-pianakaviana raha nahita ireo mpampihorohoro azy voasambotra. Efa nangalan’ireo olon-dratsy vola izy, efa voasolokiny ihany koa tamin’ny alalan’ny kariera iray izay tsy misy akory. Fantatra fa safidin’ireo mpisoloky mihitsy ny olona hampihorohoroany. Tsy vao sambany koa izy ireo no mitady fomba ratsy hahazoana vola aman’olona. Ary ilay tovolahy mpiray tsikombakomba aminy no nasainy miantso io raim-pianakaviana tamin’ity tranga ity. Henintsoa HaniL’article Fandrahonana ho faty anaty finday: mpivady sy tovolahy iray mpisoloky samy voasambotra a été récupéré chez Newsmada.

Andilana Avaratra: maro ny vahaolana naroso ho an’ny kariera
15/06/2021

Nihaona mivantana tamin’ny mpisehatra rehetra mikasika ny kariera any Andilana Avaratra ny minisitra Ravokatra Fidiniavo. Nanaiky hiditra amin’ny ara-dalàna ny mpitrandraka ary hisy ny bokin’andraikitra tsy maintsy hajaina.Nidina tany Andilana Avaratra, distrika Amparafaravola, faritra Alaotra Mangoro, ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Ravokatra Fidiniavo, ny 11 sy 12 jona teo. Nifanesy nihaona taminy ny tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny any amin’ny faritra, toy ny governor Alaotra Mangoro, ny prefe sy ny lehiben’ny distrika Ambatondrazaka, ny mpitandro filaminana OMC-Emmo, ny solombavambahoaka, ny ben’ny Tanànan’ny kaominina rehetra. Teo koa ireo mpikirakira sy mpividy vato, ny tangalamena, ny tompon-tany, sns. Nifampidinihana ny vahaolana mikasika ity toeram-pitrandrahana vatosoa beryl ity. Nambaran’ny minisitra, fa harena iombonan’ny rehetra ny harena an-kibon’ny tany ka rariny raha misitraka izany ny vahoaka malagasy.Hatao kariera filamatraMarihina fa tsy nanana fahazoan-dalana ireo mpitrandraka ka tsy maintsy hirosoana ny ara-dalàna. Tanjona ny hahazoan’ny rehetra tombontsoa sy ny tamberim-bidy entina hampandrosoana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Maro ny soso-kevitra avy amin’ny tsirairay, hisy ny tondrozotra iombonana hitantanana ity kariera any Andilana Avaratra ity. Voaresaka nandritra ny fihaonana ny hananganana bokin’andraikitra ho an’ireo mpitrandraka, hitantanana ny filaminana, ny fahadiovana, ny fomba fitrandrahana, sns. Hisy toerana iray hividianana ny vato, harahi-maso ny kalitao sy ny vidim-bato. Hatao kariera filamatra ny any Andilana Avaratra.Njaka AndriantefiarinesyL’article Andilana Avaratra: maro ny vahaolana naroso ho an’ny kariera a été récupéré chez Newsmada.

Hakanto Contemporary : Une vingtaine d’artistes mis en avant dans « Ny fitiavanay »
17/06/2021

Hakanto Contemporary célèbre et accompagne la créativité artistique à Madagascar Consacré à la valorisation de la richesse de l’art contemporain malgache, Hakanto Contemporary, l’espace indépendant pour les artistes, sera lancé à l’international en octobre 2021. Pour ce faire, une grande exposition baptisée « Ny fitiavanay » mettra en avant une bonne vingtaine d’artistes, toutes disciplines confondues. Sous la direction artistique de Joël Andrianomearisoa, on y retrouvera Alizé, Jean Andrianaivo Ravelona, Philippe Gaubert, Harivola, Joan Paoly, Ludonie Velotrasina, Mat Li, Ndao Hanavao, Zahra Rabeharisoa, Fenosoa Rahajamalala, Viviane Rakotoarivony, Zoly Rakotoniera,  Michèle Rakotoson, Emile Ralambo, Rina Ralay Ranaivo, Maurice Ramarozaka, Antoine Ratrema, Fela Razafiarison, Ketaka Razafimisa, Rijasolo, Serge Henri Rodin, Samoëla et Vonjiniaina. Un patchwork artistique dans lequel photographie, poésie, musique, peinture, danse, théâtre… se conjuguent pêle-mêle pour donner un tout, un microcosme de l’art et du beau. À savoir que Hakanto Contemporary est un lieu de rencontre pour les artistes et le public du monde entier. À part les programmes d’expositions collectives et individuelles qui valorisent des œuvres de l’ensemble de Madagascar et au-delà, le lieu culturel propose des espaces de résidence dédiés aux artistes. S’efforçant d’accélérer les échanges, de renforcer les compétences et de lancer des projets créatifs qui, à la fois, représentent et soutiennent la scène artistique locale. Créé en 2019, le Fonds de Dotation HY se donne pour mission de révéler l’effervescence de la scène artistique contemporaine malgache ici et ailleurs. Conscient que l’art et la culture sont des leviers essentiels de développement, le Fonds de Dotation HY encourage la créativité des futures générations. Ainsi,  Joël Andrianomearisoa supervise le développement et la conservation de Hakanto Contemporary depuis son inauguration, en février 2020, associant son rôle d’artiste et de militant pour la valorisation artistique et culturelle de Madagascar à l’international. Selon ses dires, “Ici à Madagascar, nous portons tous les rêves du monde.” Figure de proue de l’art contemporain malgache, Joël Andrianomearisoa  a représenté Madagascar à la 58e Biennale di Venezia en 2019. En tant que défenseur de la culture, il a fondé 30 et Presque-Songes en 2007 et  2011, un projet multidisciplinaire consacré aux œuvres du poète malgache Jean-Joseph Rabearivelo. Ses premiers pas remontent au milieu des années 90, alors qu’il avait à peine 18 ans. Il sollicite de nombreux supports, de la couture au design, de la vidéo à la photographie, de la scénographie à l’architecture, des installations aux arts plastiques. Probablement,  c’est de là qu’il tire une œuvre polyphonique qui envahit tout l’espace sensible de chacun. Il fait partie de cette première vague pionnière d’artistes contemporains malgaches, tout en participant activement au développement culturel et artistique. Zo Toniaina L’article Hakanto Contemporary : Une vingtaine d’artistes mis en avant dans « Ny fitiavanay » est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Hakanto Contemporary : Une vingtaine d’artistes mis en avant dans « Ny fitiavanay » a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Androy sy Anosy: hahena ny isan’ny zaza teraka
14/06/2021

Ho an’ny sehatry ny fahasalamana, nivoitra tao anatin’ny akon’ny fikaonan-doha ifotony tany Taolagnaro ho fanatanterahana ireo asa vina fampandrosoana ny faritra Androy sy Anosy fa hanangana CSB 21 sy hopitaly manara-penitra roa ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Voaresaka koa ny centre de réhabilitation nutritionnelle et médicale (CRNM) ao Amboasary hitiliana sy handraisana an-tanana ireo olona tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo voatily any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara iny. Hisy mpitsabo sy mpikarakara tsy tapaka ny toeram-pandraisana amin’ny fotoana rehetra. Ankoatra izay, momba ny fandrindram-piterahana maimaim-poana, nambaran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis fa voapetrapetraka avokoa ireo paikady hoentin’ny minisitera hampihenana ny taham-pahaterahana any amin’ny faritra Atsimo, izay anisan’ny ambony indrindra eto Madagasikara.Hisy fampahafantarana sy fanentanana miainga avy eny ifotony mikasika ny fandrindram-piterahana ary hohamafisina ny fanentanana amin’ny haino aman-jery.Hotohizana ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ireo minisitera hafa amin’ny fampiharana ireo paikady ireo.Vonjy A.L’article Androy sy Anosy: hahena ny isan’ny zaza teraka a été récupéré chez Newsmada.

Hosazina ireo mbola maka fasika etsy Ampasika
17/06/2021

Horaisina ny fepetra. Nidina ifotony tetsy amin’ny tetezan’Ampasika sy ny manodidina ny eo anivon’ny sampandraharaham-paritry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (DRTP) niaraka amin’ny Apipa, omaly. Teo koa ny avy amin’ny kaominina Bemasoandro. Anton’izany ny fandavahan’ny mpivarotra sasany ny eo ambanin’ny tetezana, hakan’izy ireo fasika. Ahina hiteraka fahasimbana amin’ny tetezana Ampasika anefa izany. « Horaisina ny fepetra, ary hosazina ireo tratra mbola manohy maka fasika amin’iny faritra iny”, hoy ny DRTP, Andriamalalavonjy Solomanoro. Nohitsiny fa mety hitera-doza mihitsy izany raha mbola mitohy ny fakana fasika eo Ampasika.Araka izany, tsy azo atao intsony ny maka izany manomboka izao ary handraisana fepetra ireo mbola mihoa-pefy mitrandraka ny fasika eo amin’io toerana io.Synèse R. L’article Hosazina ireo mbola maka fasika etsy Ampasika a été récupéré chez Newsmada.

Fahafatesan’i Nasandratra Valimbavaka – Ivato: “Olona efa tsy nahatsiaro tena no hita teo”, hoy ny Etamazaoron’ny Tafika
15/06/2021

Nanao fanambarana, nitondra fanamarihana ary mandiso izay lazain’izy ireo fa “vaovao tsy marina” niely tao anaty tambajotran-tserasera, mikasika ny fahafatesan’ilay tovolahikely antsoina hoe Nasandratra Valimbavaka, teny Ivato, ny eo anivon’ny Etamazaoron’ny Tafika.Manoloana ny vaovao miparitaka ao anatin’ny tambajotran-tserasera mahakasika ny raharaha Nasandratra Valimbaka, nitondra fanamarihana ny Etamajaoron’ny Tafika malagasy. Nilaza izy ireo fa tsy ny miaramila no namono an’io olona io. « Nanavotra izahay fa tsy namono », hoy ny fanazavana voaray. Nambarany fa tamin’ny alahadin’ny 06 jona tokony ho tamin’ny 05 ora sy sasany hariva, tratran’ny vahoaka izay nilalao baolina tao amin’ny kianjan’ny Bani ny mpangalatra bisikleta roa lahy, izay efa voadaroka. Nandray ny andraikiny ny miaramila, hoy ihany ny voalaza tao anatin’ilay fanambarana ka nanapa-kevitra ny hitondra azy roa lahy tany amin’ny « poste avancé » ny zandary. Tafatsoaka anefa ireo ankizilahy ireo noho izy tsy nisy nitazona, tsy nanenjika ihany koa ny miaramila. Tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany hariva anefa, nisy nampandre ireo miaramila fa misy olona lavo eo akaikin’ny EPP BASE, tsy misy kara-panondro ihany koa. Nijery izany ny miaramila ka olona tsy nahatsiaro teno no hita teo. Voamarina tamin’izany fa iray tamin’ireo ankizilahy niharan’ny fitsaram-bahoaka izany ka nentina teny amin’ny sampana vonjitaitra ny HJRA avy hatrany. « Ny dokotera nandray anay tao moa niteny fa tsy misy hevitra intsony ity olona ity. », hoy ny fanazavana. Ny ampitson’io, nampandrenesina ny tranga ny zandary saika nanaterina azy roa lahy. Nasaina nanatona ny HJRA ihany koa izay mitady olona tratran’ny fokonolona nangalatra. Tsy izany anefa no nanontanian’ireo fianakaviana nony tonga tany amin’ny zandary, fa hoe : “hitady olona very izahay”. Nilaza ihany koa ireo fianakaviana fa voarirarira.Fanampiana no nataon’ny miaramila…Disoin’ny miaramila tanteraka izany filazana izany. Nanazava ny Etamazaoron’ny Tafika fa niverina tany amin’ireo miaramila ireo fianakaviana ary natoro azy ireo ny dokotera nandray an’ilay ankizilahy 15 taona. Voamarina tamin’izay fa  Rambolamendrika Nasandratra Valimbavaka tokoa ilay maty. Nivoaka ra ny sofiny, natao ihany koa ny « autopsie » an’io tovolahy mpianatra ao amin’ny sekoly Fanovozantsoa FJKM Ivato Seranana, taona faha-9.Nanamafy ireo miaramila fa fanampiana ny mpiara-belona dia antom-pisian’ny miaramila. Nilaza izy ireo fa tafiditra ao anatin’ny asa hifarimbonana amin’ny vahoaka ny toe-javatra toy izao.Tsiahivina fa vao iray volana izay, nisy tovolahikely tratran’ireo miaramilan’ny Bani ambodiomy namaky trano teny an-toerana. Naterina teny amin’ny zandary izy tamin’izany ary nilaza fa misy olona maniraka sy manome vola azy ireo. Tsy fantatra, araka izany, raha namany ihany ireo ankizilahy niharan’ny fitsaram-bahoaka ireo. Handrasana ny tohin’ny fanadihadiana. Henintsoa HaniL’article Fahafatesan’i Nasandratra Valimbavaka – Ivato: “Olona efa tsy nahatsiaro tena no hita teo”, hoy ny Etamazaoron’ny Tafika a été récupéré chez Newsmada.

Loka Orange 2020 : nankasitrahana ny orinasa mendrika 10
19/06/2021

Natolotry ny orinasa Orange Madagasikara, omaly, ny loka ho an’ireo orinasa malagasy mendrika tamin’ny lafiny fandraharahana miompana amin’ny sosialy, ny “Prix Orange de l’Entrepreneur social 2020” aty Afrika sy Moyen Orient.Ho an’ny eto Madagasi­kara, nanohana ny Orange Mada­gasikara ny Rafitra manohana ny orinasa hampiasa vola eto Madagasikara (EDBM). Niisa 40 ny nandray anjara ka 10 no nomena loka. Nahazo ny voalohany, ny Andao Share, vovonana manohana ara-bola, mampifandray amin’ny ala­lan’ny internety ny mpanome fanomezana sy ny fikamba­nana manana tetikasa sosialy. Faharoa, ny Healthia, misa­hana fanamboarana kaody (code) informatika, amin’ny alalan’ny teknolojia internet block Chain. Fahatelo, ny Map­wess, vovonana mampifandray ny mpianatra afrikanina sy ny oniversite any ivelany amin’ny internety, manamora izay safidy tiany avy. Loka fahefatra, natokana ho an’ny vehivavy, nomena ny Alt Soap, mamokatra savony avy amin’ny akora efa niasa nahodina, zaraina ny olona marefo sy ny fikambanam-behivavy. Fahefatra, ny loka manokana coup de Coeur Covid-19, azon’ny Rem’aide, mikirakira fampiasana ny finday (application) ho an’ny olona te hahalala ny toe-pahasalamany sy manampy ny mpiasan’ny fahasalamana handamina ny fomba fiasany. Nanolotra ny loka ny tale jeneralin’ny Orange Madaga­si­kara, i Michel Degland sy ny tale jeneralin’ny EDBM, Ravalomanda Andry.Njaka A.L’article Loka Orange 2020 : nankasitrahana ny orinasa mendrika 10 a été récupéré chez Newsmada.