Karate – Antananarivo: efa miomana amin’ny fifidianana 

News - Karate – Antananarivo: efa miomana amin’ny fifidianana 

News - Karate – Antananarivo: efa miomana amin’ny fifidianana 

 

Efa eo am-piomanana tanteraka
amin’ny fifidianana izay ho filoha vaovao hitantana ny seksiona
ankehitriny, ny eto Antananarivo Renivohitra taranja Karate.
Tapitra amin’ity taona ity mantsy ny fe-potoana hitondran’ny
mpitantana am-perinasa ka tsy maintsy miroso amin’ny fifidianana,
araka ny nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga Karate,
Rakotomalala Jean Paul. Araka izany, mitaona ireo klioba rehetra
eto Antananarivo Renivohitra ny federasiona, hanontany izay tokony
ho fantatra mahakasika ny “certificat de conformité”. Voakasika
izany avokoa na ireo efa mijoro ara-dalana na tsia, raha ny
fanazavana hatrany. Eny amin’ny Delegen’ny tanora sy
fanatanjahantena Antananarivo Renivohitra etsy Ambohidahy ny
hahafahana mahazo fanampim-panazavana mahakasika izay.

Raha ny tokony ho izy, ny volana
aogositra ny fotoana efa napetraka hanaovana ity fifidianana ity,
saingy tsy tontosa izany noho ny toe-draharaha ara-pahasalamana
teto amin’ny firenena. Araka ny loharanom-baovao, maro ny hirotsaka
amin’ity indray mitoraka ity, mbola tsy fantatra kosa raha mbola ho
isan’ny ho kandida ny filoha am-perinasa na tsia.

 

Mi.Raz

Article tiré de Newsmada

L’article Karate – Antananarivo: efa miomana amin’ny fifidianana  a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 26/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fetin’ny Fahaleovantena: polisy miisa 1 025 indray hahetsika  

 Polisy miisa 1 025 no hahetsika isan’andro eto Antananarivo, manomboka rahampitso mba  hahafahan’ny vahoaka mifety am-pilaminana, araka ny nambaran’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny contrôleur général de police, Rafanomezantsoa Roger nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly teny amin’ny minisitera Anosy. Nambarany fa ireo polisy ireo dia itambaran’ny polisy miasa avy ao amin’ny police urbaine, ny Fip, ny USPN, ary ny polisy tsy manao fanamiana. Mitsinjara ho toy izao ny fizaran’asan’izy ireo : ny fandrindrana ny fifamoivoizana : polisy miisa 412, ny fisorohana ny fandikan-dalàna : polisy miisa 257 isan’andro ary ireo polisy mandefa fiara sy  mandeha an-tongotra miisa 190 isan’andro ary ireo polisy tsy manao fanamiana miisa 90. Nambaran’ity manamboninahitra ambony eo anivon’ny polisim-pirenena ity fa hisy ny fepetra manokana horaisina ho fandrindrana ny fifamoivoizana sy ny filaminana manodidina ny farihin’Anosy ary manerana ireo toerana avo eto an-dRenivohitra ny harivan’ny 25 jona izao izay hisian’ny afomanga lehibe. Hisokatra ho an’ny rehetra koa ny “quartiers généraux” roa ao amin’ny kaomisarian’Analakely izay azo antsoina amin’ny laharana 034 05 517 31 sy ny ao amin’ny kaomisarian’i Mahamasina izay azo antsoina amin’ny laharana 034 05 517 16 mba hahafahana mandray  ny fitarainan’ireo olona.Jean ClaudeL’article Fetin’ny Fahaleovantena: polisy miisa 1 025 indray hahetsika   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tropy Jeannette – 90 taona: « Mampitia hatrany ny teatra malagasy »

Teny faneva nosafidin’ny Tropy Jeannette hanamarihana ny faha-90 taona nisiany io. 90 taona, raha olombelona efa voky taona… Tao anatin’izay fotoana izay, nisy ary maro ireo fotoana nampamiratra ny tropy eo amin’ny sehatry ny teatra. Tsy vitsy koa anefa ireo fahasahiranana nodiavina kanefa mbola mijoro hatrany ny Tropy Jeannette. « Hampitia hatrany ny teatra malagasy satria tajona apetrakay ny hamohazana sy ny hamelomana indray izany seha-kanto izany. Tropy zokiny indrindra ny Tropy Jeannette ary manana adidy amin’ny fampitiavana sy ny fampitana ny teatra ka hamelona indray ny hasiny”, hoy ny nambaran’i Mbato Ravaloson, amin’ny maha tale artistika azy ao amin’ny Tropy Jeannette, indrindra amin’ny maha filohan’ny Fikambanan’ny mpanao teatra eto Madagasikara (FMTM) ihany koa, nandritra ny fihaonanana tamin’ny mpanao gazety, omaly tetsy amin’ny Kudeta, Carlton, Anosy. Tanjona iraisana izany, ho an’ireo rehetra nandray anjara fitenenana. “Nisafidy ny hanohanana sy hihay ny teatra ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera satria efa nametraka politika vaovao amin’ny fameloma-maso ny kolontsaina malagasy. Nitovy fomba fijery amin’ny Tropy Jeannette izahay ka nijery izay azo ifanampiana amin’ny fampitiavana ny teatra, indrindra ho an’ny tanora”, hoy ny nambaran’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Rakotondrazafy Lalatiana Andriatongarivo. Sambany rahateo nahazo fanohanana avy amin’ny minisitera mpiahy ny teatra, nandritra ny taona maro, ka nahavelombolo ireo mpisehatra izany. Tsiahiavina fa hosokafana ny zoma 9 aogositra ho avy izao, manomboka amin’ny 7 ora hariva, etsy amin’ny Arena Ivandry, ny faha-90 taon’ny Tropy Jeannette. Ilay piesy “Ny voromailala” no holalaovina, tsy amin’io ihany fa mandritra ny fankalazana manontolo, tsy hifarana raha tsy ny volana jona 2020. Zo ny Aina L’article Tropy Jeannette – 90 taona: « Mampitia hatrany ny teatra malagasy » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Boanamary –Mahajanga II: « Tetikasa Maitso » hisarihana ny mpizahatany

Mivelona amin‘ny jono ny mponina any amin’ny kaominina Boanamary, distrikan’i Mahajanga II. Ny taonjato faha–XIX no nahatongavan’i Bouana Oumar, foko Antalaotra, nampiantsona ny botriny any an-toerana. Taona maro nifanesy lasa Boanamary ny anaran’ny tanàna.  Ankehitriny mijery ny lafiny tontolo iainana sy ny fizahantany ny any an-toerana.   Taona maromaro izao, miezaka mampandroso ny fizahantany ny ao amin’ny kaominina ka hita fa efa mitombo miandalana ny isan’ny mpizahatany tonga any an-toerana, 15 % amin’izao fotoana izao. Ao ireo mizaha tany sady manao asa fikarohana momba ny tantaran’i Boanamary, sy ireo manao fikarohana mahakasika ny zava-boahary sy ny tontolo iainana ankapobeny.Mifandray amin’izay fizahantany izay ny “Tetikasa Maitso” ho fiarovana ny tontolo iainana, indrindra ny hamerenana ny ala honko sy hazo sarobidy any amin’ny manodidina. Tany amin’ny 60 taona lasa, betsaka ireo karazan-kazo sarobidy sady fanafody, saingy sarotra hita na tsy hita intsony amin’izao fotoana izao. Ohatra amin’ireo karazan-kazo ireo : Katrafay, Hazomalany, Manary, Amananinaomby, Honkolahy … Mampalaza iny kaominina iny koa ny voanakazo, toy ny manga, voanio, matsitso. Manome seha-piharina avokoa ireo, afaka mamelona olona maro, indrindra raha misy ny fanodinana izany any an-toerana.Ratsy ny lalana avy eo amin’ny RN4Ao anatin’izany “Tetikasa Maitso” izany ny fiaraha-miasa amin-dry zareo Alemaina GIZ, manampy amin’ny fanomezana masomboly sy fitaovana. Eo koa ny dina “Boeny Miray” ifanaovan’ny Vondron’olona ifotony (Voi). Toy ny kaominina maro manerana ny Nosy ihany anefa, olana lehibe ny faharatsian-dalana, 18 km miala amin’ny RN4. 11,5 miliara ariary vao mahavita io lalana io, ka tokony ho 5 miliara ariary ny anjaran’ny kaominina. Tsy mahazaka io tetibola io anefa ny kaominina, ka miangavy ny minisiteran’ny Asa vaventy handray an-tanana izany asa izany manontolo. Na aiza na aiza tsy misy fampandrosoana azo antenaina eto raha tsy vita ny lalana. Ny kaomina ambanivohitra tsy manana tetibola ho an’ny fotodrafitrasa lehibe. R.MathieuL’article Boanamary –Mahajanga II: « Tetikasa Maitso » hisarihana ny mpizahatany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Artec sy ny fadintseranana: potehina ireo finday hosoka ampidirina eto

Ny volana desambra 2018, nampitandrina ny Artec (Autorité de régulation des technologies de communication) sy ny fadintseranana ny amin’ny fampidirana telefaonina finday hosoka sy ny fivarotana izany. Omaly, navoaka ny tatitra fanaraha-maso. Ny marika finday rehetra misy famantarana azy manokana na code Imei*, ka hosoka izay tsy mifanaraka amin’io Imei io. Koa nampitandrina ny Artec miaraka amin’ny fadintseranana ny tsy ampidirana ireny finday hosoka ireny. Nambara fa efa voarara ny fampidirana izany, nanomboka ny janoary 2018. Efa natomboka ihany koa ny fanaraha-maso ny fivarotana finday tsy ara-dalàna araka ny code Imei.Miara-miasa ny Artec sy ny ladoany  momba izany amin’ny fampiharana ny lalàna, arahi-maso ireo finday amidy ka nangonina izay tratra amin’izany hosoka izany ary nopotehina. Nohamafisina fa voararan’ny lalàna tanteraka ny fampiasana ireo finday hosoka ireo. Arovana amin’izany fepetra izany ny mpanjifa. Fanombohana amin’ny fampiharana ny lalàna ihany izao nataon’ny Artec sy ny ladoany izao fa mitohy sy hamafisina ny fanaraha-maso mandritra ny fotoana maro ho avy ho amin’izany fiarovana ny mpanjifa izany.Ho fiarovana ny mpanjifaAnjaran’ny Artec ny miantoka ny fepetra teknika manara-penitra ho fiarovana ny tombontsoan’ny mpanjifa ao anatin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra. Mifandray amin’ny asan’ny ladoany izany amin’ny ady atao amin’ny hosoka. Asa iombonana tsy misy fiangarana koa izany ho fampandrosoana  ny teknolojian’ny fifandraisan-davitra.Ny hoe Imei, tarehimarika 15 isa manamarina ny tena finday. Avy amin’izany ny ahafantarana ny fidirana ara-dalàna na tsia amina tambanjotra iray ; avy amin’io ihany koa ny ahafantarana ny maha samy hafa ny finday. Ny ahitana izany, ohatra, amin’ny faktiora sy amin’ny telefaonina rehefa atao ny *#06#.Misy hatrany ny fanararaotana amin’ny fampidirana entana hosoka eto Madagasikara. Antony manosika ireo milaza azy ho mpandraharaha manao izany ny toekarena mbola marefo, satria marefo araka izany koa ny fahefa-mividy. Na izany aza, izay hosoka rehetra voararan’ny lalàna iraisam-pirenena ho fiarovana ny mpanjifa. R.Mathieu Imei* :  International mobile equipment identity                                                                                                      L’article Artec sy ny fadintseranana: potehina ireo finday hosoka ampidirina eto a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Masoivohon’i Frantsa: hisolo an’i Veronique Vouland-Aneini i Christophe Bouchard

Voatendry ho ambasadaoro vaovao ho an’i Frantsa hiasa sy honina eto amintsika, ny volana mey lasa teo, i Christophe Bouchard. Handimby toerana ny teo aloha, i Véronique Vouland-Aneini, nalefa niasa any Jordanie, ny tenany. Nivoaka tao amin’ny ivontoerana IEP ao Paris sy ny ENA ity ambasadaoro vaovao ity. Efa niasa teo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny frantsay niasa tany Afrika Avaratra sy ny faritra Moyen Orient iny ny tenany ny taona 1989. Efa mpanolotsain’ny minisitra Laurent Fabius misahana ny lafiny diplaomasia koa izy ny taona 1997. Ankoatra izany, andraikitra nosahaniny ny maha mpanolotsaina voalohany azy teo anivon’ny ambasady frantsay tany Alzeria ny taona 2005. Masoivoho niasa tany Niger taty amin’ny taona 2011. Mialoha izao fanendrena  zao, talen’ny fitantanan-draharaha ho  an’ny  konsily sy ny Frantsay any ivelany (DFAE) tao Paris, hatramin’ny taona 2015.Synèse R. L’article Masoivohon’i Frantsa: hisolo an’i Veronique Vouland-Aneini i Christophe Bouchard a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

COI: tsara ny asa vita tao anatin’ny 35 taona

Natao ny 2 aogositra teo, tany Moroni, ny fivoriana iombonan’ny minisiteran’ny Rahaham-bahiny aty amin’ny ranomasimbe Indianina (COI). Tsara ny asa vitan’ny COI tao anatin’ny 35 taona. “Tsy mionona amin’izany anefa isika. Tsy maintsy miezaka hatrany isika hihoatra ny sarotra”, hoy ny solontenan’ny Nosy Kaomoro, i Mohamed El-Amine Souef. Ny hahatongavana amin’izany ny rafitra ao amin’ny COI, andraikitry ny filoham-panjakana mpikambana rehetra ny mamaritra politika ho amin’izany.Mandeha amin’izay lalana izay ny hevitra naroson’ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Andriantsitohaina Naina, nilaza fa « fanamby vaovao iombonana izao, ary tsy tokony hifanitsaka ny COI sy ny fikambanana hafa misy antsika satria miray isika eto manome lanja ny tena ilaina sy ny tombontsoa manokana ».Nohararaotin’ny mpivory ny tokony hanavaozana ny rafitra nananganana azy, indrindra momba ny fifanarahana natao tany Victoria, Renivohitr’i Seychelles, ny taona 1984. Fomba fiaingana vaovao indray ny andrasana, ho fanamafisana ny fiaraha-miasa, araka nambaran’ireo mpivory rehetra niray feo. R.MathieuL’article COI: tsara ny asa vita tao anatin’ny 35 taona a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Misy manao tery vaimanta: miteraka olana ny fotoana ianarana zavakanto

Tontosa, ny faran’ny herinandro teo, ny fihaonan’ireo mpampianatra zavakanto eto an-dRenivohitra. Anisan’ny olana goavana nisongadina sy nivoitra nandritra izany ny halavan’ny fotoana ianarana ireny zavakanto ireny. Olana nohazavan’ireto mpampianatra zavakanto ireto fa: “vokatry ny fiainana rotoroto lava” no niteraka azy. Nanterin-dry zareo hatrany anefa fa “tafiditra ao anatin’ny fahalalana ara-panahy ny zavakanto ka tsy vita ao anatin’ny fotoana fohy ny fianarana azy”. Raha ny fanazavan’izy ireo hatrany, “tsy asan’ny saina tahaka ny manao kajy ny zavakanto fa asan’ny fanahy. Tsy ao anatin’ny fotoana fohy ny ahafahana mamoha io fanahy io”.Ny ankamaroan’ny olona te hianatra zavakanto amin’izao fotoana izao anefa, mitaky fotoana fohy. Ohatra nisongadina tamin’ity fihaonana ity ny fanazavan’ny mpampianatra kabary iray fa, “maro ny olona tonga ao aminay mangataka hianatra kabary ao anatin’ny herinandro fa amin’izay ihany, hono, izy ireo no manam-potoana. Amin’ny fomba ahoana ny hampianarana kabary ao anatin’ny herinandro”? Nohazavan’ireto mpampianatra kabary ireto fa mbola misy zavatra maro fohazina vao afaka mikabary ny olona iray.Ankoatra io fangatahana ny hianarana zavakanto ao anatin’ny fotoana fohy io, mahatsapa ihany koa ireto mpampianatra zavakanto ireto fa mandeha ila ny fahafantaran’ny Malagasy sasany ny antsoina hoe “mianatra”. Ny ankamaroan’ireo olona liana momba ny fampianarana mantsy ny manontany hoe: “mianatra impiry aho dia mahay”?. Tsy miankina amin’ny mpampianatra irery anefa ny hahaizan’ny mpianatra na tsia fa mifameno.… Tsy vita ao anatina fotoana fohy ny mianatra zavakanto… Dia ahoana ity Malagasy milaza fa tsy manam-potoana lava ity? Ahina ny hoavin’ny zavakanto malagasy, raha izany!HaRy RazafindrakotoL’article Misy manao tery vaimanta: miteraka olana ny fotoana ianarana zavakanto a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

RyKala Vazo: nodimandry i Mitchou

Misaona ny tontolon’ny zavakanto malagasy. Namoy an’i Mitchou Amy ny tarika RyKala Vazo. Mpanakanto tanora nahavita be tokoa eo amin’ny tontolon’ny hira, ny fitendrena zavamaneno, sns.Lavo ny andrarezin’ny zavakanto malagasy! Nodimandry teo amin’ny faha-34 taony, ny alin’ny asabotsy 25 mey teo, Andriambolatiana Miarintsoa, fantatra amin’ny anarana maha mpanakanto Mitchou, iray amin’ireo mpikambana ao amin’ny tarika RyKala Vazo. Raha ny fanazavana azo, tratry ny « accident vasculaire cérébral ischémique » intelo nisesy izy tao anatin’ny iray volana ka ny fahatelo (tamin’ny 20 mey) teo no vao mainka naharatsy ny fahasalamany.Manana talenta maro i Mitchou. Ankoatra ny fihirana, mitendry zavamaneno izy. Anisan’ireny ny gitara beso sy ny cajón. Ny taona 2009, nitendry amponga maroanaka teo anivona tarika mpiangaly mozika i Mitchou. Havanana amin’ny dihy, mahay hatsikana. Nandray anjara tamina filatroana sy ny fanehoana fomba fitafy, sns. Taona 2015, nisongadina ilay fifamenoana talenta eo aminy sy i Mirana ary i Vanintsoa, tao anatin’ny tarika RyKala Vazo. Somary manana feo iva izay izy tao amin’ny tarika.« Anisan’ny fahatsiarovana lehibe taminay ny fivoahana voalohany tany ivelany sy ny fanatontosana fampisehoana tamin’izany dia izany ary ireo hanihany kely… Vina napetrany ny hitondra manerana izao tontolo izao ny « modern trad ». Iray amin’ireny ny fandehanana any Kanada sy any Etazonia nokasina amin’ity taona ity », hoy i Vanintsoa. « Olona tia mifanakalo hevitra izy. Tia mizara am-pitiavana ny mozika. Miteraka fahabangana lehibe ho an’ny tarika ny tsy maha eo azy intsony », hoy i Mirana.Hiala ao an-tranony ao Manjakaray, rahampitso, ny nofomangatsiakany ary hoentina atao veloma farany ao amin’ny FJKM Antoby Fitahiana Anjozorobe alohan’ny hanafenana azy ao amin’ny fasam-pianakaviana ao Antoby Anjozorobe ihany.Mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’i Mitchou rehetra sy ny tontolon’ny zavakanto malagasy ny Gazety Taratra.HaRy RazafindrakotoL’article RyKala Vazo: nodimandry i Mitchou a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Anosikely-Ambatoboeny : Jamà roa maty voatifitry ny dahalo

Tena faritra anjakan’ny tsy fandriam-pahalemana ny any amin’ny disitrikan’Ambatoboeny. Saika andrenesana vonoan’olona sy asan-jiolahy hatrany any amin’io disitrika io. Jamà roalahy indray mantsy no maty voatifitry ny jiolahy. Tao amin’ny fokontany Anosikely, kaominina sy disitrikan’Ambatoboeny, ny alakamisy heriny lasa teo, tokony ho tamin’ny 07 ora maraina no nisehoan’izany. Araka ny fanazavana voaray avy any an-toerana, dia dahalo miisa 56 lahy nitondra basim-borina sy zava-maranitra no nangalatra omby 600 tao amin’ny fokontany Anosikely. Nisy avy hatrany fanarahan-dia nataon’ny vatan-dehilahy teo an-tanàna niaraka amin’ireo fokonolona manodidina ny fokontany voatafika. Tamina tanàna kely iray tsy lavitra ity toerana nisehoan’ny fandrobana no nifankatratra ny roa tonta. Teo no nisian’ny fifandonana ary naharitra 15 minitra izany. Tsy naharesy tosika ny dahalo ireo fokonolona, ka vaky nandositra no sady nampandre antso an-telefaonina ny Jamà mpiambina tanàna teo amin’ny manodidina ny toerana voatafika. Nisy nalaky ny sakana nataon’ireo Jamà dimy lahy sy ny fokonolona, tany anaty ala izay lalana tokana ihany. Vao nahatazana azy ireo ny malaso dia nitsoaka, ka raikitra ny fifanjevoana sy fifampitifirana, ary naharitra adiny iray izany. Mbola vaky lefa ihany ireo fokonolona sy ny Jamà telolahy, ka teo no nahafaty voatifitra ilay Jamà roalahy, satria izy roa irery no nifamaly tifitra tamin’ireo jiolahy. Nidina tany an-toerana malaky kosa ny mpitandro ny filaminana avy ao Ambatoboeny nanao ny fizahana sy ny fanadihadiana. Mbola mitohy ny fanarahan-dia sy ny fikarohana ireo mpanafika hatramin’ny fotoana nanoratanay ny lahatsoratra. RatantelyL’article Anosikely-Ambatoboeny : Jamà roa maty voatifitry ny dahalo a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

20% ny taham-pahafahana tamin’ny andrana: miverina hariva ny mpiadina amin’ny CEPE

20% ny tahan’ny fahafahana CEPE raha tarafina amin’ny CEPE andrana farany teo ho an’ny EPP Analakely. Ambany ny taha ka ho fanarenana ny lesoka, miverina amin’ny hariva ny mpianatra mahatratra 76 ao amin’ny kilasy 7ème. Manampy amin’ny famerenana ny mpampianatra ao amin’ny 9ème sy ny 8ème manara-maso ny mpianatra tsirairay. « Mbola sahirana ny mpiadina amin’ny taranja problèmes sy opérations ka tsy maintsy hamafisina ny fifehezana izany », hoy ny talen-tsekoly. Nanome tohana amin’ny sakafo kosa ny fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra Feffi ao anatin’ny sekoly. Ny 8 aogositra ho avy izao ny andrana faharoa ka hitsapana ny fivoarana misy taorian’ny fanarenana natao.Na izany aza ny vokatra, tsy kivy fa miezaka manarina satria manana iray volana hanampiana ny banga. Nanamarika ny tomponandraikitry ny fampianarana fa vokatry ny fanapahana matetika tamin’ny taom-pianarana farany teo no nitarika ny fari-pahaizan’ny mpianatra 7ème somary nihemotra. Nisy fiantraikany tamin’ny famintana ny fandaharam-pianarana sy ny fizarana ny fiatoana matetika noho ny antony samihafa.Vonjy L’article 20% ny taham-pahafahana tamin’ny andrana: miverina hariva ny mpiadina amin’ny CEPE a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-10-2020
Source : CCO COVID19 - 30/10/2020

Notsongaina

Hetsika ara-pahasalamana – CUA: hotilina diabeta sy tosidra ny mponin’Ambohimanarina
29/10/2020

Hitohy anio eny Ambohimanarina, boriborintany fahenina hatramin’ny 30 oktobra izao ny hetsika sy tolotra ho an’ny fahasalamanana maimaim-poana ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Nifarana, omaly ny teny amin’ny fokontany Soavimasoandro ary niarahana amin’ny sampana sosialy eo anivon’ny fiadidiana ny Tanàna.Fidinana ifotony eo amin’ny fahasalamanaTanjona ny fidinana ifotony, fanatonana ny mponina eo amin’ny sehatry ny fahasalamana. Nahitana trano heva maromaro teny an-toerana, nidinan’ny ekipan’ny CSB II sy  ny kaominina. Teo koa ny fanasana ireo mpisehatra maro mpiara-miombon’antoka misahana ny fahasalamana sy sosialy nandray anjara. Anisan’izany ny fijerena sy fitiliana diabeta sy ny fiakarana tosidra, ny fitiliana VIH/SIDA, ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny.Mihaino ireo vehivavy iharan’ny herisetra koa ny polisy Nampiavaka ity hetsika ity ny fandraisan’anjaran’ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena nanentana ny ankizy tsy ampy taona sy ireo vehivavy iharan’ny herisetra mba hanatona azy ireo. Manampy izany ny fampirantiana ireo fanafody vita amin’ny akora natoraly ary ny trano heva mampahafantatra ireo mponina ny torolalana sosialy.Niara-niasa amin’ny CUA tamin’izany ny AIMF, ny « Ville de Paris » ary ny  « ISSV ».Synèse R.L’article Hetsika ara-pahasalamana – CUA: hotilina diabeta sy tosidra ny mponin’Ambohimanarina a été récupéré chez Newsmada.

Kolontsaina sy serasera: zava-bita roa notokanana ao Toamasina sy ao Fenoarivo Atsinanana
26/10/2020

Anisan’ny singa lehibe mandrafitra sy mampijoro firenena iray ny kolontsaina ao aminy. Miezaka ny manarina ny simba, mampahatsiahy ny tantara ary manasongadina izany ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. Nanamarika ny faran’ny herinandro teo tao Toamasina sy tao Fenoarivo Atsinanana ny fampisongadinana sy ny fanandratana avo ny lentan’ny kanto sy ny kolontsaina malagasy. Notokanan’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina ny zava-bita roa sosona. Ho an’ i Toamasina, notokanana ny mozea Vavitiana, fantatry ny maro amin’ny hoe “Maison Nathan” teo aloha. Miorina etsy amin’ny Place Bien-Aimé, Ampasimazava, rehefa nasiana fanarenana taorian’ny fahasimbany. Trano vato lehibe efa niorina hatramin’ny fanjanahantany (taona 1928) ity trano ity ary nampiasaina amin’ny fametrahana andevo mialoha ny handefasana azy ireny hamidy na atakalo.Trano ahitana efitrano lehibe ahafahan’ireo mpanankato manao fampisehoana. Ahitana fitaovana toy ny solosaina ahafahan’ny mpanao gazety mikaro-baovao. Nambaran’ny minisitry Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana, rahateo, nandritra ny lahateniny, fa anatin’ny herinandro voalohany, azon’ny rehetra tsidihina ny mozea Vavitiana fa aorian’izay, hisy fandraisana anjara hahafahana mampihodina ny mozea.Fanoitra ho an’ny fampandrosoana Ny kanto sy ny kolontsaina no fanoitra ho an’ny fampandrosoana isam-paritra ary mipaka amin’ny firenena iray manotolo. Izay kosa ny nivoitra tetsy anoloan’ny Araben’ny Fahaleovantena, ao Fenoarivo Atsinanana, raha nitokana ny tsangambaton-dRabemanantsoa Bertrand (Dédé Fénerive) sy i Jean Fredy ny minisitra Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana, ny asabotsy 24 oktobra maraina.Mpanankaton’ny taona 60 izy roa lahy ireto ary anisan’ny nampisongadina ny kaiamba, raha samy nivoaka avy ao amin’ny tarika Miarema. Nambaran-dramatoa minisitra fa « ny kanto sy ny kolontsaina dia ilain’ny fiainan’ny olombelona. Mivoy sy manandratra ny faritra iray sy ny firenena ary ny maha olona ihany koa. Manome fiantraikany anivon’ny rafi-piaraha-monina, ankaharezana ny malahelo. Ilain’ny manam-pahasoavana sy hanaovana fety. Ampiasaina amin’ny finoana». Anisan’ny andrarezin’ny kanto sy ny kolontsaina rahateo i Dédé Fénerive sy i Jean Fredy. I Dédé Fénerive, teraka ny 19 mey 1961 ary lavo ny 1 jolay 2017. I Jean Fredy, teraka ny 4 martsa 1962 ary lavo ny 16 mey 2001. Ny zanak’izy roa lahy ireo, efa misolo toerana ny rainy avokoa.SajoL’article Kolontsaina sy serasera: zava-bita roa notokanana ao Toamasina sy ao Fenoarivo Atsinanana a été récupéré chez Newsmada.

Filaharana Fifa: mijanona eo amin’ny faha-92 hatrany ny Barea
23/10/2020

Namoaka ny filaharan’ireo firenena mikambana ao aminy, omaly alakamisy, ny federasiona iraisam-pirenena ny baolina kitra (Fifa). Tsy mihetsika aloha, hatreto, ny Barea de Madagascar fa mbola mijanona hatrany eo amin’ny faha-92 maneran-tany. Miakatra toerana iray kosa anefa ny Malagasy raha eo amin’ny laharana eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanina satria lasa faha-20 raha faha-21, iray volana lasa izay. Mbola mitarika hatrany kosa ry zareo Senegaley, faha-21 maneran-tany, arahin’i Tonizia sy i Alzeria ary ry zareo Nizerianina. Eo alohan’ny Barea hatrany kosa ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, faha-12 aty Afrika.Mbola ry zareo Belzika hatrany aloha ny mitarika maneran-tany, manana isa 1 773 arahin’i Frantsa, eo amin’ny laharana faharoa, nahazo isa 1 744 ary fahatelo ny Brezilianina, manana isa 1 712. Fahefatra i Angletera ary fahadimy ry zareo Portiogey. Any amin’ny faha-14 kosa ry zareo Alemà, miaraka amin’ny isa 1 602.Mbola mitana ny laharana farany kosa ry zareo St Marin. Mialoha azy, eo amin’ny faha-209 i Anguilla ary faha-208 Iles Vierges Britaniques. TompondakaL’article Filaharana Fifa: mijanona eo amin’ny faha-92 hatrany ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

RN44 horakofana tara : manomboka ny ampahan’ny asa farany
26/10/2020

Feno tanteraka izao ireo orinasa mandray antoka ny handrakofana tara manontolo ny lalam-pirenena faha-44 avy Moramanga hatrao Ambatondrazaka. Am-perinasa, nanomboka ny 23 oktobra teo, ny orinasa sinoa China Road and Bridge Corporation (CRBC) voaray hanatontosa ny ampanhany farany, miala avy ao Amboasary (PK 60) ka hatreo Vohidiala (PK 133), tanàna nisehon’ny orinasa hanatanteraka ny asa, tamin’ny filohan’ny Repoblika. « Hisy tetezana lehibe iray vaovao hatao…65 miliara Ariary ny vidin’ny asa rehetra hatao », hoy ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, Andrianainarivelo Hajo, raha nandray ny filoham-pirenena, nanatrika ny fiantombohan’ny asa.Ho 8,40 metatra ny sakan’ny làlana amin’ny faritra mamakivaky tanàna, ary ho 8,60 kosa ny sisa. Ho ao amin’ny PK 87 no hisy toby foibe. « Somary vitsy ny toerana azo hakàna vato any amin’iny toerana iny: enina aloha ny efa hita hatreto… Tsy hovaina ny soritra (tracé) ankehitriny, mirefy 73 km, io », hoy ny teknisianina sinoa tafaresaka taminay.Orinasa za-draharaha ny CRBC.”Efa maro ny asa vitan’ny CRBC aty Afrika, hoy ny filoha Rajoelina Andry: « Ny hafatra: ny asa ataontsika eto, mba ho zavatra matanjaka, manaraka ny fenitra. Mba hipetraka holovain-jafy. »Naverimberiny izay raha nitokana ny seranam-piaramanidina nohatsaraina eny Feramanga Avaratra, ny sekoly manara-penitra ao Ambatondrazaka. Teo amin’ireo tetezana roa an-dalam-pahavitàna: ny « Tetezan’ny kafe » sy ny “Nanaingazipo”, taloha izay nomen’ny filoham-pirenena anarana hoe “Tetezan’ny Fihariana », manomboka izao.RarivoL’article RN44 horakofana tara : manomboka ny ampahan’ny asa farany a été récupéré chez Newsmada.

Kardinaly Tsarahazana  –  Hevitry ny papa Fransoa: “Vaovao diso sy famitahana avo lenta ny naely” 
27/10/2020

   Nitondra fanazavana ho an’ny vahoaka sy ny kristianina, indrindra ny katolika. “Hamafiso ny finoana ary aza mihinana amam-bolony manoloana ny vaovao tsy marina niniana naely momba ny fanambaran’ny papa Fransoa”, hoy ny kardinaly Tsarahazana Désiré.    Nanao fanambarana ofisialy sy filazana momba ny hevitry ny eglizy katolika ny filohan’ny fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara, ny kardinaly Tsarahazana Désiré, omaly. Namaly ny vaovao nivoaka tamin’ny haino aman-jery vahiny nanambara fa ankatoavin’ny Papa Fransoa ny fanambadiana sivily eo amin’ny olon-droa lahy samy lahy na vavy samy vavy ny tenany. “Tsy marina velively izany fanambarana izany ary tsy niova ny fampianaran’ny fiangonana katolika momba ny fanambadian’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy”, hoy izy. Navoitran’ny papa Fransoa fa tsy tokony hafangaro ny fianakaviana araka ny sitrapon’Andiamanitra avy amin’ny fanambadian’ny lahy sy ny vavy misokatra amin’ny fiterahana sy ny karazana firaisana hafa. Hita mazava tamin’ny taratasy ofisialy farany maneho ny fampianaran’ny eglizy momba io resaka io amin’ny fanentanana mitondra ny lohateny ny « Hafalian’ny fitiavana » ny 19 marsa 2016, navoakan’ny papa sady nosoniaviny.Tokony ho mailo sy ho tony…Sombin-dresaka nalaina avy amin’ny tafatafa niarahan’ny papa Fransoa tamin’ny mpanao gazety meksikanina, 18 volana lasa izay, niampy ampahan-dresaka tamin’ny mpampahalala vaovao hafa (tao anaty fiaramanidina) ny natambatra tao anaty fehezanteny ka nanova tanteraka ny hevitry ny Papa rehefa novoizina tamin’ny haino aman-jery any ivelany nandritra ny fetin’ny sarimihetsika tany Roma, ny 21 oktobra lasa teo. Nohamafisiny fa tsy marina hatrany izany rehefa mpilaza vaovao amin’ny firenena lehibe no manambara zavatra iray. Tokony ho mailo sy ho tony ny rehetra, indrindra ny mpino katolika ary izany indrindra ny nitondrany fanitsiana. “Famitahana avo lenta ny nitranga ka niteraka sahotaka sy fanehoan-kevitra maro isan-karazany”, hoy ihany izy.Maro ny olona niandry izany fanehoan-kevitra ofisialy avy amin’ny eglizy katolika izany.Vonjy A.L’article Kardinaly Tsarahazana  –  Hevitry ny papa Fransoa: “Vaovao diso sy famitahana avo lenta ny naely”  a été récupéré chez Newsmada.

Nandona sy nahafaty olona: tratra rehefa nifampitadiavana ilay mpamily
27/10/2020

  Tra-tehaky ny zandarimaria, omaly maraina tao Androvakely-Ambohimandroso, ilay mpamily sy ny fiara nentiny nahavanon-doza. Nenjehina noho ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ilay mpamily. Miharo fitsoahana rehefa avy nandika lalàna ny heloka iampangana azy. Tsiahivina fa maty vokatry ny dona mafy nahazo azy ny lehilahy iray, ny alahady hariva teo tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany tao Avaratsena. Maty tsy tra-drano izy ary nitsoaka avy hatrany ny fiara taorian’izay. Nambaran’ny zandary fa 38 taona ilay namoy ny ainy ary monina ao Andeboka-Ambohimandroso ihany. Taorian’izay, raikitra ny fikarohana ilay fiara sy ny mpamily ka voasambotra omaly. « Vesatra maro ny anenjehana ny mpamily satria na inona na inona antony, tsy azo atao ny mandositra adidy ka mamela ny olona voadona hiady irery amin’ny fahafatesana », hoy ny fanazavan’ny Zandariamaria ao Vakinankaratra. Fantatra fa raisin’ny zandary ao Ambohimandroso ny fanadihadiana ny raharaha ary hatolotra ny fitsarana aorian’izay.Ankoatra izay, nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ihany koa teo Antanambao-Talata Volonondry, ny alahady teo tokony ho tamin’ny 6 ora hariva. Voadonan’ny fiara taxi-be mampitohy ny Renivohitra sy ny ao an-toerana ny mpirahalahy roa nandeha moto. Tranga niseho teo amin’ny fiolanan-dalana ao Antanambao. Voadona teo amin’ny lohany ireo lehilahy 23 sy 26 taona ka naratra mafy. « Nandeha mafy ireo mpandeha moto ka nifatratra tamin’ilay taxi-be », hoy ny fanazavan’ny zandary misahana ny famotorana. Taorian’izay, nianjera tamin’ny tany ireo roa lahy avy namangy havana ary namonjy ny Renivohitra. Mbola nentina teny amin’ny hopitaly teny Anosy Avaratra ireo tra-doza, saingy namoy ny ainy minitra vitsy taorian’ny nahatongavany teny. Ankehitriny, atao andrimaso ao amin’ny zandary ao Antanambao ny mpamily ilay taxi-be. Nogiazana avy hatrany kosa ny fiara.Henintsoa HaniL’article Nandona sy nahafaty olona: tratra rehefa nifampitadiavana ilay mpamily a été récupéré chez Newsmada.

Asan-jiolahy miharo habibiana: raim-pianakavina iray maty, voaolana ny zanany vavy
26/10/2020

Ankoatra ny fandrobana nahazo ilay tokantrano iray eny Ambatotokana Tsarahasina, mbola niharan’ny fanolanana nataon’ireo jiolahy ihany koa ny zanaky ny tompon-trano. Ilay raim-pianakaviana, namoy ny ainy noho ny habibiana nihatra taminy. Ra niparitaka eran’ny trano, raim-pianakaviana namoy ny ainy, zanaka voazimbazimba sy fananana very. Ireo ny navelan’ireo jiolahy tao amina tokantrano iray eny Ambatotokana Tsarahasina, kaominina Ambohimangakely, ny alin’ny zoma hifoha asabotsy teo. Tokony ho tamin’ny 12 ora sy 15 minitra alina, niditra an-keriny tao amin’ireo tompon-trano ny jiolahy nirongo basy poleta sy « barre à pince », tsy nisaron-tava.« Ny alika nivovo no henoko ary nitsangana aho. Tampoka teo, hitako ny varavarana efa vaky ary ny lehilahy iray, efa nijoro teo akaikiko no nanaitra ahy », hoy ny fanazavan’ilay renim-pianakaviana. Niantso vonjy izy, saingy voadarok’ireo jiolahy avy hatrany ary mbola nitakiany vola ihany koa. « Lehilahy iray atao hoe Bota ny karohina amin’izao ary ahina ao ambadiky ny fanafihana », hoy hatrany ny zandary. Vao nivoaka ny fonjan’i Tsiafahy io jiolahy io. Isan’ireo voatonona matetika amin’ny fanafihana mitranga eny Atsimondrano ny anarany.Henintsoa Hani L’article Asan-jiolahy miharo habibiana: raim-pianakavina iray maty, voaolana ny zanany vavy a été récupéré chez Newsmada.

Transport en commun : Vers un contrôle du respect des gestes-barrière dans les Taxi-Be
28/10/2020

Le ministère des Transports, du Tourisme et de la Météorologie vient de publier une note, dans laquelle il est affirmé que les sanctions tomberont, dans les prochains jours, pour les Taxi-Be qui ne respectent pas les gestes-barrière. La reprise des transports en commun et surtout des bus, est le synonyme du retour à la normale à Antananarivo. L’état d’urgence sanitaire étant levé, tout le monde peut désormais vaquer à ses occupations et prendre les fameux Taxi-Be. Néanmoins, le coronavirus est toujours là et le non-respect des gestes-barrière peut favoriser sa propagation. Aussi, le ministère des Transports et le département de la Santé publique recommandent à tous de toujours appliquer les gestes-barrière (port de masque, distance physique d’un mètre, le lavage fréquent des mains, etc.), et pour les responsables des véhicules de transport en commun de ne pas utiliser les strapontins. Etant donné que ces indications ne sont pas toujours suivies, «les deux ministères vont procéder très prochainement à un contrôle, et des sanctions vont tomber pour ceux qui osent défier les recommandations », met en garde la note du MTTM. Réalité. La réalité est qu’une grande partie des habitants de la capitale prennent le Taxi-Be pour leurs déplacements quotidiens. Les bousculades ne sont pas rares en raison de la forte demande et le manque de professionnalisme des chauffeurs et des aide-chauffeurs. Ce qui fait qu’à bord des Taxi-Be, du moins ceux qui échappent à la vigilance des policiers de la route, le nombre de places recommandé (18 dans la plupart des cas) n’est pas toujours respecté. Néanmoins, certains transporteurs font l’effort de calmer les ardeurs des passagers pressés de rentrer chez eux, tandis que d’autres se focalisent sur la recette et embarquent plus de personnes qu’il n’en est permis. Est-ce que cela favorise la propagation de la Covid-19 ? Certainement oui, mais depuis la première vague de confinement, une partie de l’opinion ne s’en inquiète plus. Ce qui pousse les deux ministères à effectuer des contrôles pour le respect des gestes-barrière. Ligne régionale et nationale. Le ministère des Transports et l’Agence des Transports Terrestres ont déclaré que le nombre des passagers par banquette revenait à la normale pour les lignes régionales et nationales, conformément à celui indiqué dans la licence d’exploitation. Toutefois, les grosses marchandises qui peuvent gêner ou représenter un danger ne sont pas autorisés dans les voitures de transport en commun. En plus de cela, les carnets de bord et tous les documents relatifs au voyage doivent être expédiés sous format XML au MTTM et à l’ATT par les gérants des stations, ceci dans un délai de un jour après le départ de chaque véhicule. Anja RANDRIAMAHEFA L’article Transport en commun : Vers un contrôle du respect des gestes-barrière dans les Taxi-Be est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Transport en commun : Vers un contrôle du respect des gestes-barrière dans les Taxi-Be a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Kolontsaina sy fialamboly: hanatanteraka “Samdi full” ny Tiagasy
27/10/2020

 Asabotsy faran’ny volana… Maro ny seho isan-karazany amin’io faran’ny herinandro io. Anisan’izany ny “Samdi Full,” hotanterahina etsy amin’ny Espace Fitiavana & Fialamboly Ambatomirahavavy RN1, ny asabotsy 31oktobra 2020 tontolo andro. Ho hita eny avokoa ny karazana fialamboly mifono kolontsaina hanalana ny sorisorin-tsaina nandritra izay volana izay, indrindra amin’izao fisokafan’ny hamehana ara-pahasalamana izao, raha ny filazan’ny tompon’andraikitra.Anisan’izany ny tontolon’ny filalaovana gitara, ny “karaoke live”, ny fanentanana sy ny fampandihizana tahaka ny “animation DJ”, sns. Eo ihany koa ny tontolon’ny fanatanjahantena toy ny basikety, ny tsipy kanetibe… Misy toeram-pilalaovana ho an’ny ankizy toy ny “château gonflable”, ny “trampoline”… Ny alina, hisy ny “soirée Halloween” sy ny “maquillage artistique” iarahana amin’ny Bis’art Design Studio.“Samdi full”, hetsika karakarain’ny Tiagasy, fikambanana ray aman-dreny sy tanora vitsivitsy misehatra amin’ny fifampitsimbinana sy ny soatoavina fifanampiana amin’ny samy Malagasy. Tanjon’izy ireo ny hanampy tsikelikely ireo ankizy sahirana amin’ny fampianarana, ny fitsaboana, ny tsy fanjarian-tsakafo, ny fitafy sns.NarilalaL’article Kolontsaina sy fialamboly: hanatanteraka “Samdi full” ny Tiagasy a été récupéré chez Newsmada.

Miaramila iray maty tao anaty fifandonana mahery vaika : efa lavo tamin’ny tany, mbola norarafan’ny dahalo tifitra
24/10/2020

Maty voatifitry ny dahalo nandritra ny fanarahan-dia omby very ny miaramila kilasy voalo­hany, i Arison Nandraina Christophe, avy ao amin’ny 2BIA Tsiroanomandidy, afakomaly tolakandro. Latsaka tao anaty vela-pandriky ny dahalo izy…“Ho an’ny Tanindra­zana”! Lavo am-perinasa noho ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ity miaramila avy ao amin’ny 2BIA Tsiroanoman­didy ity. Lavo nandritra ny fifandonana raha nanara-dia ahafahana mamerina ny om­bin’ny mponina nangalarin’ny dahalo izy, niaraka tamin’ny fokonolona. Araka ny fampitam-baovao voaray, nitran­gana asan-dahalo nahery vaika tao Miandrarivo, kaominina ambanivohitr’i Belobaka, distrikan’i Tsiroanomandidy, afa­komaly tolakandro.Raha vao nahare izany ireo miaramila mpampandry tany amin’iny faritra iny, nanao ny fanarahan-dia niaraka amin’ireo fo­konolona ao an-tanàna. Nifa­nehatra ireo dahalo sy ireo mpanara-dia ary tafalatsaka tao anaty vela-pandriky ny dahalo ny miaramila kilasy voalohany, i Arison Nandraina Christophe. Voalaza fa efa nianjera tamin’ny tany izy no mbola norarafan’ireo dahalo tifitra variraraka ihany. Na teo aza anefa izany, afaka namaly tifitra ireo dahalo ihany ireo miaramila mpanara-dia, saingy tafaporitsaka ireo malaso.Natao veloma ara-miaramila teny amin’ny Capsat…Efa nampiakarina aty an-dRenivohitra ny fatin’ity miaramila lavon’ny malaso ity. Ho fanaovam-beloma sy ho fa­nomezam-boninahitra farany azy, nasondrotra ho amin’ny laharam-boninahitra kaporaly izy ary notolorana ny mari-boninahitra “Chevalier de l’ordre nationale”. Teny amin’ ny Capsat Fiadanana, toerana niasany, no nanaovana ny la­nonana ka nitarika izany teny an-toerana ny lehiben’ny Eta­mazaoron’ny Tafika mala­gasy, ny Jly Rabenaivoarivelo Jean Claude. Maneho ny fiaraha-miory ary mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ireo olona akaiky azy ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Na eo aza izao fahafatesana miaramila izao, mi­tohy hatrany ny asa fampandrian-tany ataon’ny miaramila any amin’iny faritra Bongo­lava iny.Jean ClaudeL’article Miaramila iray maty tao anaty fifandonana mahery vaika : efa lavo tamin’ny tany, mbola norarafan’ny dahalo tifitra a été récupéré chez Newsmada.

Sarimihetsika-Out linemovies: hivoaka rahampitso ny “Tsiafajavona 2 lire”
26/10/2020

Ho fanomezana fahafaham-po ny mpankafy, hivoaka, rahampitso talata 27 oktobra, manerana ny Nosy, ny DVD « Tsiafajavona 2 lire », fizarana farany. Sarimihetsika malagasy novokarin’ny Out linemovies, tao aorian’ny “Tsiafajavona 1”, izy ity. Tantara natao ho an’ny rehetra. Mifono anatra sy lesona ary ny trangam-piarahamonina amin’ny endriny samihafa. Ao anatin’izany ny mampitebiteby sy ny mahatsikaiky isan-karazany.Maro ireo mpilalao sangany eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy hamelona ny “Tsiafajavona 2 lire”. Sarimihetsika tsy ho latsa-danja amin’ireo efa nivoaka hatramin’izay ihany koa raha ny fanomanana sy ny fanatontosana azy. Manamafy izany rahateo ny fandraisana anjaran’ireo mpilalao efa za-draharaha tsara amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy, raha ny filazan’ny Out linemovies.“Raha fintinina ny tantara, niezaka nandamina ny olana eo aminy i Tanjona sy Razily ary i Menja. Kanefa, etsy ankilany, tsy nanaiky hatramin’ny farany i Velo fa nitady izay fomba rehetra hanapotehana ny fianakavian’i Tanjona sy i Navela, ary nitady hevitra hiarahana amin’i Zily”, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra.NarilalaL’article Sarimihetsika-Out linemovies: hivoaka rahampitso ny “Tsiafajavona 2 lire” a été récupéré chez Newsmada.

Fandriampahalemana: hanampy ny tafika ana habakabaka ny firenena japoney
23/10/2020

Nihaona tamin’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka, ny Jly Radona Ratiarivelo Ellis, teny Ambohidahy, ny masoivoho japoney, i Higuchi Yoshihiro, omaly. Nisaotra manokana ity manamboninahitra ity ny masoivoho japoney noho ny fandraisana mahafatra-po natao azy. Voaresaka nandritra ny dinidinika ny hanatevenana ny fiaraha-miasa ara-tafika, indrindra ny mahakasika ny tafika ana habakabaka. Nambaran’ny masoivoho japoney fa samy Nosy i Madagasikara sy i Japon ary samy mitantana fari-dranomasina. Noho izany, niomana tamin’ny fahafahan’ny Tafika ana habakabaka mandray anjara feno amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana an-dranomasina ny resaka nifanaovan’izy ireo. Nohamafisin’i Higuchi Yoshihiro koa fa nahafaly sy nahafa-po azy ny hetsika sy ny firotsahana an-tsehana mivantana nataon’ny tafika nandritra ny ady amin’ny valanaretina Covid-19.Jean ClaudeL’article Fandriampahalemana: hanampy ny tafika ana habakabaka ny firenena japoney a été récupéré chez Newsmada.