Kaominina Ivato: marobe ny fotodrafitrasa hatsangan’ny filoha Rajoelina

News - Kaominina Ivato: marobe ny fotodrafitrasa hatsangan’ny filoha Rajoelina

News - Kaominina Ivato: marobe ny fotodrafitrasa hatsangan’ny filoha Rajoelina

Nanatitra mivantana ilay kamiao
vaovao eny amin’ny kaominina Ivato nny filoham-pirenena Rajoelina
Andry, omaly. Tamin’izany ny namalian’ny fangatahan’ny ben’ny
Tanàna, Randrianarisoa Penjy, mikasika ireo fotodrafitrasa maro
sosona.

Anisan’izany ny kianja
manara-penintra sy ny “gymnase couvert” ho an’ny tanora. Eo koa ny
hanavaozana tanteraka ny tranon’ny kaominina ho tena taratry ny
fandrosoana. Ankoatra izany ny fananganana ny sekoly manara-penitra
sy ny fampitomboana ireo sekoly. Eo koa ny fanavaozana tsy maintsy
hatao amin’ireo efitranon-tsekoly efa tena simba.

Nanome baiko avy hatrany ny
governoran’Analamanga ny filoham-pirenena hanamboatra ny lalana
rehetra. Toraka izany ny baiko nidina amin’ny Jirama amin’ny
hanazavana ny tanàna. Ivato mamirapiratra no tarigetran’ny ben’ny
Tanàna ka ho tonga amin’izany ny kaominina miaraka amin’ny
fanohanan’ny filoham-pirenena.

Tsy niandry ela, nidina avy hatrany
nijery ny asa tokony hatao anatin’ny fotoana haingana ny
governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Niaraka amin’ireo
teknisianina efa matihanina izy tamin’izany hanafainganana ny asa
hatao.

Nankasitraka ny filoham-pirenena ny
ben’ny Tanàna, Randrianarisoa Penjy, amin’ireo fotodrafitrasa ho
an’ny vahoakan’Ivato.

Tatiana A

Article tiré de Newsmada

L’article Kaominina Ivato: marobe ny fotodrafitrasa hatsangan’ny filoha Rajoelina a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 11/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Herisetra sy fampijaliana ny zanany: nitolo-batana teny amin’ny polisy ilay raim-pianakaviana

Rehefa niafina hatramin’ny alatsinainy teo, tonga nitolo-batana teny amin’ny Sampandraharahan’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona, etsy Tsaralalàna, omaly, ilay raim-pianakaviana nanao herisetra amin’ny zanany.Niteraka resabe sy fanehoan-kevitra teny anivon’ny tambajotran-tserasera ”facebook” ary teny anivon’ny fiarahamonina ity herisetra nataon’ny raim-pianakaviana iray tamin-janany teny Amboditanimena – Soavimasoandro ity. Tao ireo nanome tsiny be fahatany ilay raim-pianakaviana tamin’ny herisetra nataony, tao kosa anefa ireo nanome rariny satria tena efa tafahoatra ny ditran-janany. Raha ny fantatra, somary madiditra ity boaikely zanany ity ary efa indimy niova sekoly ary matetika voaantso any am-pianarana ny rainy noho ny ditrany. Manoloana izany, tsy nahatsindry fo ny rainy ka izao niafara tamin’ny daroka sy vono izao. Nefa koa matoa maditra ny ankizy, misy fitaizana tsy mandeha araka ny tokony ho izy ao an-tokantrano, mety hoe voadaroka matetika foana izy, hany ka lasa sarotra tenenina. Raha ny zava-nisy, nitolo-batana teny anivon’ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona, omaly, ilay raim-pianakaviana nikapoka ny zanany. Hitohy, araka izany, ny fanadihadiana ny raharaha ary hatolotra ny fitsarana tsy ho ela izany.Niaiky ny hadisoany ilay raim-pianakaviana…Nanao fifonana ampahibemaso ihany koa ilay lehilahy ary niaiky ny hadisoany. « Maneho fifonana amin’ny rehetra, ny vady aman-janako sy ireo olona voatohina amin’ny sary niparitaka tamin’ny haino aman-jery sy ny “facebook” aho eto. Tsy hamerina intsony izany aho ary ifonako tanteraka izany fahadisoako izany… Tiako ny vady aman-janako », hoy ilay raim-pianakaviana, tao anaty horonantsary iray hafa. Tsiahivina fa niparitaka tao anaty tambajotran-tserasera, ny alatsinainy teo, ny horonantsary naneho fampijaliana nataon’ity raim-pianakaviana ity tamin’ny zanany lahy vao 11 taona. Nisy ireo herisetra sy ny vely kifafa nataony ilay ankizilahy. Tao ireo nilaza fa nandrahona ireo manodidina ilay lehilahy raha vao mba miteny azy ireo mpiray vodirindrina aminy. Nidina teny an-toerana ny polisy nisambotra azy, saingy tsy nahatratra intsony ilay lehilahy ary izao niafara tamin’izy nitolo-batana izao. Ireny ny zava-nisy sy ny resaky ny olona fa anjaran’ny fitsarana no manome sazy mifandraika amin’izany raha voaporofo fa tena meloka izy.Henintsoa Hani sy J.CL’article Herisetra sy fampijaliana ny zanany: nitolo-batana teny amin’ny polisy ilay raim-pianakaviana a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

“Toky nomena” – Fifidianana depiote :: Nandiso fanantenana ny Komity mpanara-maso ireo kandidà

«Tsy nanaja an’ireo toky nomeny ireo kandidà ». Io no fehezanteny noentin’ilay komity iombonan’ireo mpisehatra nanara-maso ny fifidianana namehezana ny fomba fahitan’izy ireo ny fihetsika nasehon’ireo kandidà solombavambahoaka nandritra ny fifidianana notontosaina, tamin’ny 27 mey 2019. “Ny komity iombonana namolavola ny “Toky nomena” nosoniavin’ireo kandidà dia mampahafantatra fa maro ireo tsy fanajana ny andininy voasoratra tao anatin’izany”, hoy ny fanambaràna navoa­kan’izy ireo, omaly. Valo amby enimpolo isan-jato no kandidà nanao sonia an’ity toky nomena ity. Porofo maro avy amin’ny tatitra nataon’ireo mpanara-maso ny fifidianana teto an-toerana sy ireo avy any ivelany no nahatsapan’ny komity, izay ahitana ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidia­nana (Ceni), ny fikamba­nana Fandio, ny Samifin, ny fikambanana “Justice et paix”… an’ireo tsy fanajana ny toky nomen’ireo kandidà solombavambahoaka. “Noho izany, aorian’ny fandalinana an’ireo loharanom-baovao ireo no hamoahana ny fehin-kevitra mikasika ny fizohiana ny “Tokony nomena”, hoy hatrany io komity mpanara-maso io.   L’article “Toky nomena” – Fifidianana depiote :: Nandiso fanantenana ny Komity mpanara-maso ireo kandidà est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Mahabo Morondava : tratra ny voamboana miisa 15 sy hazoala 12

 Mampihatra ara-bakiteny ny “tsy fandeferana mihitsy” (tolerance zero) amin’ny fikapana tsy ara-dalàna hazo ny minisiteran’ny Tontolo iainana. Andrasana ny fanatanterahana izany amin’ny sehatra hafa, toy ny “trafika sokatra”.Tsy mikely soroka tokoa ny fitantanam-paritry ny tontolo iainana sy ny harena lovain-jafy (Dredd) any Menabe, miady amin’ireo mpandripaka harena voajanahary, toy ny ala. Taorian’ny fanomezam-baovao avy any amin’ny olona tsara sitrapo, nidina ifotony tany Aseseha, fokontany Manamby, distrika Mahabo, faritra Menabe, izy ireo, ny alahady 20 desambra teo tamin’ny 10 ora sy sasany alina. Miisa 15 ny hazo manary na voamboana tratra, miampy hazoala handy miisa 12. Tafatsoaka ny tompon’ireo hazo ireo. Fantatra fa saika hoentina any Antsirabe, faritra Vakinankaratra, ireo hazo ireo ka nogiazana avy hatrany.Ankoatra izany, nahatratra olona telo ny Dredd Menabe, ny ONG Fanamby ary ny miramila 3/RM Morondava, nandritra ny fisafoana ny 5 hatramin’ny 13 desambra teo tany anaty Faritra arovana Menabe Antimena. Tratra teo am-pambolena katsaka tanaty ala vao avy nodorany izy ireo.Etsy ankilany, tsikaritry ny firahamonim-pirenena Alliance voahary gasy fa maivana ny sazy omena ireo mpanao trafika sokatra. Amin’izy ireo, tsy tokony hanavahana na iza na iza ny fampiharana ny sazy ambony indrindra mba ho anatra ho an’ny hafa, toy izao atao amin’ny mpanimba ala izao.Njaka A.L’article Mahabo Morondava : tratra ny voamboana miisa 15 sy hazoala 12 a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fakafaka: be hambo ratsy !

Io hambo diso toerana io sy izay iray tarika aminy no mahatonga ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy hifotetaka amin’ny tany ! Ambony kokoa, hono, ny olona miteny vahiny. Roboka mampianatra ny zanany any amin’ny sekoly miteny sy mampiasa ny teny vahiny ny ray aman-dreny. Zavamaneno fitendrin’ny olona ambony sy mihaja eo amin’ny fiarahamonina, hono, ny « piano » sy ny « violon », andao hampianarina an’ireny ny ankizy. Ampahany kely dia kely amin’ny tranga tazana sy iainana ao anatin’ny fiarahamonina malagasy amin’izao fotoana ireo… Misy maha marina azy, angamba, raha ny endrika ivelany !… Saingy, toa hambo ratsy mitarika tsikelikely any amin’ny fahaverezan’ny maha izy ny Malagasy raha zohina miandalana. Anisan’izany ny fiheveran-tena ho tsy Malagasy intsony. Menatra ny hotondroina ho Malagasy, sns. Fantatry ny vahiny io fisainana io, hany ka hain’izy ireo tsara ny « milalao » ny Malagasy sy ny momba azy manontolo. Fivavahana, finoana, fomba, eny fa hatramin’ny vehivavy malagasy aza !Tranga faran’izay mahamenatra. Azo nosorohina tsara anefa raha nampahafantarina ny taranaka nifandimby fa « Velona ho Malagasy izy ary maty ho Malagasy » ! Ary azy manontolo i Madagasikara !HaRy RazafindrakotoL’article Fakafaka: be hambo ratsy ! a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – «Ligue des champions d’Europe»: hidona eo amin’ny 1/8 n-dalana indray ny PSG sy Barcelone

Hiverina hidona indray ny FC Barcelone sy ny Paris St Germain, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des champions”. Fihaonana hanamarika ny dingana ampahavalon-dalana izany.Tontosa omaly tany Soisa ny antsapaka nahalalana ireo ekipa hifanandrina eo amin’ny dingana ampahavalon-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «Ligue des champions», taranja baolina kitra. Anisan’ny fihaonana hangotraka sy misongadina indrindra ho an’ireo mpanara-baovao, ny fifanandrinana indray eo amin’ny FC Barcelone sy ny Paris St Germain. Ekipa efa diso mifankahalala tsara ny an-daniny sy ny an-kilany. Fanimpitony amin’izao ny roa tonta no hidona.Raha ny antontanisa, indray mandeha ihany ry zareo Frantsay ny hany mba tafita nanoloana ny Barça.Ny tena nisongadina indrindra dia ny ampahavalon-dalana, tamin’ny taona 2016-2017. Nandresy tamin’ny isa 4 no ho 0 ny PSG teo amin’ny lalao mandroso ary nomontsanin’ny Barcelone, 6 no ho 1 teo amin’ny fihaonana miverina. Nanomboka teo no nampalaza ilay teny hoe : “Remontada”. Tamin’izany, mbola nilalao tany Espaina i Neymar. Heverin’ny rehetra fa ho toy ny famaranana kely ity lalaon’ny roa tonta ity. Tombony ho an’ny Frantsay ny fandraisany ny lalao miverina.  Ny 16 sy ny 17 febroary  ary ny 23 sy ny 24 febroary ny lalao mandroso  raha ny 9 sy 10 marsa  sy ny 16 sy 17 marsa kosa ny fihaonana miverina.TompondakaIreo fandaharan-dalao amin’ny fihaonana mandroso-Atalanta Bergame vs Real Madrid -Atlético de Madrid vs Chelsea -FC Barcelone vs PSG -Mönchengladbach vs Manchester City -Lazio Rome vs Bayern Munich -RB Leipzig vs Liverpool -FC Porto vs Juventus Turin -Séville FC vs Borussia DortmundL’article Kitra – «Ligue des champions d’Europe»: hidona eo amin’ny 1/8 n-dalana indray ny PSG sy Barcelone a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Afaka 50 taona: ho foana ny teny malagasy raha tsy iainana

Fampianarana amin’ny fiteny vahiny. Teny ifampiresahana any anivon’ny ankohonana, teny vahiny. Taratasim-panjakana, didy aman-dalana, amin’ny fiteny vahiny, sns. Ny endrika tahaka ireo no anisan’ny mahafoana tsikelikely ny teny malagasy. Raha ny fikarohana nataona mpampianatra mpikaroka iray: “… Ho foana ao anatin’ny 50 taona ny teny malagasy madiorano raha mbola mitohy ireo tranga ireo”.… Mahatratra 7 000 ny karazam-pitenenana (tenenin’ny tompon-tany) misy maneran-tany. Nanaitra ny rehetra ny nilazan’ny mpikaroka fa isaky ny tapa-bolana, teny iray amin’ireo no maty. « … Fa ny tena zava-doza, maty manaraka izany ihany koa ny kolontsaina hoentin’ireny teny ireny », hoy ny fanambaran’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny kolontsaina sy ny fanabeazana na ny Unesco.HaRy Razafindrakoto L’article Afaka 50 taona: ho foana ny teny malagasy raha tsy iainana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fifidianana loholona: tsy voahaja ny lalàna mifehy ny fampielezan-kevitra

Mbola manohy ny fomba ratsy nataon’ny teo aloha? Tsy nanaja fitsipika sy lalàna ireo mpitantana eo anivon’ny faritra Alaotra Mangoro sy Analanjirofo, raha ny fanadihadiana natao sy ny angom-baovao natrehina tetsy sy teroa. Samy tonga nanatrika ny fanokafana ny fampielezan-kevitra tetsy amin’ny trano fandraisam-bahiny Splandide ireo governoran’ny faritra roa tonta  Alaotra Mangoro sy Analanjirofo ary samy niaraka amin’ny mpikamban’ny kabinetrany avy ny alakamisy 19 novambra teo. Tahaka izany koa ny 21 novambra tao Vavatenina. Nampiarahina amin’ny lanonana ofisialy fametrahana vato fototra fanaovan-dalana notarihin’ny governoram-paritra Analanjirofo ny fihaonana tamin’ireo mpifidy vaventy eo anivon’ity disitrika ity. Mbola nitarika izany ny governoram-paritra Analanjirofo sy ny tale kabinetrany.Fihoaram-pefin’ireo manampahefana Araka izany, hita ho miezaka mafy ny lisitra avy amin’ny antokon’ny fitondrana, Irmar. Miasa mangina tsy re tsaika kosa ny avy amin’ny antoko Malagasy miara-miainga ary tsy tazana firy ny tsy miankina “Iray ihany isika rehetra“, ivondronan’ ireo mpampiantra mpikaroka eo anivon’ny oniversiten’i Barikadimy.Midika ireo rehetra ireo fa isehoan’ny fihoaram-pefy ity fifidianana loholona ity amin’izao fampielezan-kevitra izao. Mazava ny voalazan’ny lalàna ny amin’ny tsy tokony hanaovan’ireo olom-boatendry eo amin’ny fitantanana ny faritra sy ny disitrika ny fiandaniana amin’ny fampielezan-kevitra ka hampifidy izatsy na izaroa.Sajo sy Synèse R.L’article Fifidianana loholona: tsy voahaja ny lalàna mifehy ny fampielezan-kevitra a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Halatra jirofo

Fantatra fa karohin’ny polisy ny olona iray tompon’andrai­kitra ao amin’ilay orinasa mpikirakira jirofo voaroba tany Toamasina, tamin’ny herinandro lasa teo. Ny famotorana ny mpamilin’ ny kamiao nitondrana ny jirofo halatra milanja valo taonina no nahafantarana an’io tompon’andraikitra io. L’article Halatra jirofo est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fanatanjahantena: ampitomboina ny teti-bola iasana

Tsy atao faralahy intsony ny fanatanjahantena. Araka izany, ampitomboina ny teti-bola iasana, hahafahan’ireo federasiona miatrika am-pahatoniana ireo lalao iraisam-pirenena, araka ny nambaran’ny filoham-pirenena malagasy, tamin’ny lahateniny, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, omaly.Ankoatra izay, hatsangana tsy ho ela akademiam-pirenena ho an’ny atleta avo lenta na ny “Academie Nationale pour les athletes de haut niveau”. Toerana hiofanan’ireo atleta manan-talenta, hiatrika fifaninanana. Sady hianatra izy ireo no hanomana ny tenany ao anatin’ny fanatanjahantena. Omena vatsim-pianarana, araka izany, ny atleta hiofana ao. Hapetraka any Toliara ihany koa ny dobo filomanosana olympika ary any Toamasina ny lapan’ny fanatanjahantena. Hananganana “dojo”, manara-penitra ihany koa ny isaky ny Renivohi-paritany, rehetra manerana ny Nosy. Efa any amin’ny komity olympika ny “tatami”, ho amin’izany, toerana natokana ho an’ny taranja haiady izany.Farany, araka ny fangatahan’ireo filohan’ny Komity olympika malagasy, homena pasipaoro maitso ireo filohan’ny federasiona rehetra, hahafahany mivezivezy, manatrika ireo fifaninanana sy fivoriana iraisam-pirenena. TompondakaL’article Fanatanjahantena: ampitomboina ny teti-bola iasana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mpanan-karena mahantra!

Fomba fiteny toa efa mahazatra ny Malagasy, saingy mifono zava-dalina rehefa dinihina akaiky satria ny andavanandrom-piainana mihitsy no voalaza ao anatin’izany. Harena goavana be ny velaran’i Madagasikara raha oharina amin’ny mponina ao aminy. Firy amin’ny Malagasy anefa ny manan-tany? Sarotra, faran’izay sarotra ny mangataka tanim-panjakana. Vola sy fotoana lany, manginy fotsiny. Fambolena sy fiompiana, ireo ny harena eo amin’ny Malagasy.Tsy nisaraka tamin’ny tany izy fa nosarahina tamin’ny tany… Nidiran’ny mpanjakazaka an-tanin’olona ny taniny. Aty aoriana, nanjakan’ny dahalo ny fananany. Niala tsy fidiny teo amin’ny tany nohajariny izy. Hatreto anefa, ampahany kely dia kely amin’izany tany izany ihany no voaverina eo aminy.Raha tena tiana marina ny hampandroso an’i Madagasikara sy ny Malagasy, mila jerena manokana ny momba io tranga io. Maninona ny Malagasy no mifanaritaka sy miady mifamono noho ny raharahan-tany? Misy antony ao! Fa maninona ny Malagasy tsirairay no tsy manana tany kanefa i Madagasikara, malalaka be? Misy antony ao!… Mila hanaovana ezaka manokana ny hananan’ny Malagasy tany. Mitaky fanamorana izany. Fikarakarana ny taratasy, ny sarany aloa, ny fepetra arahina, sns, hamboarina avokoa ny lalàna mifandraika amin’ireo. Tsy zava-baovao ny fanomezana tany ho an’ny olona tsirairay fa efa nisy fony fahampanjaka satria « tsy manam-pahavalo afa-tsy ny mosary aho », hoy Andrianampoinimerina.Raha omena ny Malagasy ny tany. Omena azy ny fitaovana hoenti-mamboly. Omena azy ny masomboly. Omena azy ny tsena hivarotana ny vokatra, sns. Anjaran’ny fanjakana ny mandrindra ny fanatanterahana ireo amin’ny ankapobeny. Ho Nosy sambatra tokoa i Madagasikara atsy ho atsy!HaRy RazafindrakotoL’article Mpanan-karena mahantra! a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services Développeur Laravel
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans l'externalisation,Développeur LaravelEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVLARAVEL-0621(+261) 034 10 826 36 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Laravel".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
15/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services Asa en ligne
14/06/2021

Asa en ligne mety ho an'ny rehetra,  afaka atao na tsisy investissemenr aza satria omwna bonus 10$ ianao hampiakatra nybalsnce_nao, nefa raha te hahazo vokatrhttps://fastscash.online/?ref=25212 raha te hahazo vokatra haingana dia afaka manao investissemebt 0,5$minimum. Manaova inscription eto https://fastscash.online/?ref=25212  fa omena fanazavana ianao. Ny sakana ho anao dia ny tsy fanombohana azy. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Asa en ligne".

Emploi et services Développeur Codeigniter
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le BTP,Développeur CodeigniterEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVCODEIGNITER-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Codeigniter".

A louer APPARTEMENT T2 ou T4 de standing sécurisée
17/06/2021

Dans une résidence neuve, fraîchement construite. Appartements Type 2 au Type 4 (avec suite parentale) À louer Vide ou Meublé Bénéficiant d’une Vue exceptionnelle sur la Campagne Avec Grand Balcon/ Terrasse/ Ascenseur/ Parking/ Groupe ÉlectrogèneCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer APPARTEMENT T2 ou T4 de standing sécurisée".

A vendre Mégane Scénic
15/06/2021

A vendre RENAULT MEGANE SCENICVitre Electrique, Verrouillage Centralisé, direction assistée, AIRBAGS, Très Bonne Etat, SANS DEVOIR, Année de mise en circulation 2001, bôite de vitesse manuel, diesel, faible consommation, puissant, 5 places, 5 portes, radio d'origine, intérieur très bonne état. Prix: 11 200 000 ar à debattreContact: 033 37 574 65Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Mégane Scénic".

A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo
16/06/2021

Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury 4x4 turbo année 2005 diesel  boite automatique, 7 places 163000 kms, première main. Véhicule  très résistant, couleur verte,  phares xenon antibrouillards, radio CD, climatisation, fermeture centralisée, verrouillage à distance. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo".

A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES
16/06/2021

A VENDRE : CHEVROLET SPARK (DAEWOO MATIZ 4), FAIBLE KILOMETRAGE, ANNEE 2012, TRES BONNE OCCASION DE COREE, IMMATRICULATION ETRANGERE, ARRIVEE RECEMMENT A MADAGASCAR (4 semaines), boite de vitesses AUTOMATIQUE, moteur ESSENCE 3 S- TEC II 16V, TOUTES OPTIONS :-Direction assistée-Freinage ABS-Rétroviseurs électriques  - Intérieur cuir, confort et propre-Tableau de bord multifonctions-AIRBAGS-4 Vitres électriques-Sièges chauffantes-Verrouillage centralisée avec commande à distance-Climatisation bien frais-Radio d’origine CHEVROLET avec BLUETOOTH/USB/MP3/CD-4 Jantes alu d’origine-Barre de toit VOITURE TRES CONFORTABLE, TRES SILENCIEUSE ET ULTRA- ECONOMIQUEETAT IMPECCABLE PETITE CITADINE, AGREABLE A CONDUIRE, IDEALE POUR FEMME PRIX : 21M8AR (109.000.000 FMG) LEGEREMENT DISCUTABLE CONTACT DIRECT : 0338741679 / 0346464584(Aleo mba tonga dia miantso fa tsy mi- connecte matetika , MERCI!)Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES".

Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) francophones. Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 160 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC. MISSION En tant que Téléconseiller(ère) francophone, vos missions seront : PROFIL VOS AVANTAGES Si tout cela vous parle, vous êtes le candidat qu’il nous faut ! Merci de postuler en ligne sur notre site www.eufonie.fr/jobs. Vous pouvez également adresser votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ; Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones".

Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues angophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) bilingues anglophone.Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 150 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC.En tant que  Téléconseiller(ère) bilingue, vos missions seront de :PROFIL :VOS AVANTAGES :Merci de postuler votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ;Pour entrevoir nos offres d'emplois, merci de visiter www.eufonie.fr/jobs.Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues angophones".

Emploi et services Développeur Phyton
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le domaine de l'externalisation,Développeur PhytonEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVPHYTON-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Phyton".

Emploi et services faucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay
15/06/2021

site légitime qui paye très bienfaucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay.Pas de retrait minimum, claim tous les 5min.Ci-joint le lien:https://ezbit.co.in/ref/13850Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services faucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay".

Notsongaina

Filoha Rajoelina Andry tany Atsimo: “Fotoana izao hanovana ny fomba fiasa hanafoanana ny kere”
14/06/2021

Hiova tanteraka ny tantara, indrindra ho an’ny faritra Atsimo. Nifarana ny asabotsy teo rehefa naharitra roa andro ny fikaonan-doha lehibe ifotony, hanatanterahana ny vina fampandrosoana ho an’iny faritra iny. Niatrika izany tany an-toerana ny filoha Rajoelina Andry.Tsy nahomby ny paikady rehetra natao tany aloha. Marefo ny faritra atsimon’ny Nosy ahitana an’Androy sy Anôsy nohon’ny kere, ny haintany, ny tsy fandriampahalemana, ny fitokana-monina sy ny tsy fanjariantsakafo. Nataon’ny filoha ho hamehana ny famonjena ny mponina ao amin’iny faritra iny ka antony nanaovana izao fikaonandoha izao. Tanjona ny hamaritana ireo fanamby tsy maintsy tratrarina sy ireo hetsika laharam-pahamehana isaky ny distrika mifanaraka amin’ny hetahetan’ny mponina sy ireo mpisehatra amin’ny fampandrosoana. Hametraka paikady hahafahana manetsika ny fampivoarana ara-toekarena any Atsimo izany hampiroboroboana ny fampandrosoana maharitra. Mifantoka amin’ny hevi-dehibe efatra ny fikaonandoha. Ahitana ny lafiny sosialy, ny fanajariana, ny fanafoanana ny kere sy ny fandriam-pahalemana. “Mila lalan-tsaina vaovao ny fomba entina manafoana ny kere  sy manarina ny fahataran’ny fampandrosoana any an-toerana”, hoy ny filoha. Nisitraka fanampiana avy any ivelany hatrany i Madagasikara ampolon-taonany hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere. Tetikasa mandalo sy tsy mipaka amin’ny tena vahoaka nefa ireny endrika fanampiana ireny araka ny tatitry ny zanak’Anôsy. Tsy mahomby ny paikady nampiasaina. Nanteriny fa fotoanaizao hanovana ny fomba fiasa mba hanana vokatra maharitra, mivaingana sy hita maso ary mipaka amin’ny vahoakan’Atsimo, araka ny vina vaovao entin’ny filoha. Resy lahatra ny filoha fa azo atao ny  mampandroso ny faritra Atsimo.Lalana, fambolena, asa, rano…Voalohany amin’izany ny fanajariana ny tany hampiroboroboana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Tanjona ny hahatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo, handresena ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere. Paikady hanarenana ny any atsimo koa ny fametrahana ny indostria, mifampiankina amin’ny fampiroboroboana ny fambolena hahafahana manodina ny vokatra hamelomana ny vahoaka. Laharam-pahamehana ny fanamboarana ny lalana hahafahana mampivezivezy ny vokatra sy ny olona. “Tsy maintsy hotanterahina sy hovitaina ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-13 (RN13), tafiditra ao anatin’ny Velirano ho an’ny faritra Atsimo. Eo koa ny fananganana fotodrafitrasa ho fanomezana rano ho an’ny faritra atsimo.  Hofongarina ny rano ao Atsimo », hoy izy. Tetikasa goavana atolotry ny filoha ho an’ny vahoaka any amin’iny faritra iny ny fametrahana ny « pipeline » hitarihana ny rano miainga ao Efaho, mandalo an’Amboasary ka tonga hatrany any Ambovombe, faritra Androy”, hoy izy. Natao hamatsiana rano fisotro madio ny am-pahany raha toa ka natao hanondrahana ny fambolena ny ampahany. Mametraka fanamby ny filoha fa volan’ny fanjakana no hanaovana izany ary finiavana politika sy fitiavana no hahafahana manova ny tantara any atsimo. Tafiditra ao anatin’ny paikady koa ny fanomezana asa ho an’ny rehetra. Haparitaka amin’ny kaominina hafa ny tetikasa fanomezana tany sy toerana hahafahan’ny fianakaviana iray mivelona amin’ny alalan’ny fiompiana sy fambolena. Nosafidina ho kaominina hampiharana ny tetikasa ny ao Ifotaka. Miisa 2 000 ireo fianakaviana hahazo sy hifampizara ny tany 200 ha. Ady gasy : “Raharahan’ny samy Malagasy”Hampiasaina ny « Système gouttes à gouttes » amin’ny fomba fambolena ao amin’io tetikasa io. Mahatratra 20 miliara Ar  ny tetibola ilain’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana hanatanterahana ny tetikasa. Mazava ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry fa miainga amin’ny samy Malagasy ny tokony hamaritana ny zavatra ilaina isam-paritra sy isaky ny distrika, vao entina hazavaina amin’ny mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara.  « Malagasy samy Malagasy aloha », hoy izy. Nanteriny fa ilaina ny fiaraha-miasa sy ny fahavononana hanova ny tantara mba hahazoana ny vokatra maharitra, mivaingana sy mipaka any amin’ny vahoaka. Nanteriny fa hametraka tantara maharitra ho lovain’ny taranaka aman-jafy miaraka amin’ny olomboafidy, olomboatendry sy ireo mpisehatra amin’ny fampandrosoana ny filoha ho fanovana tanteraka any Atsimo.Synèse R.L’article Filoha Rajoelina Andry tany Atsimo: “Fotoana izao hanovana ny fomba fiasa hanafoanana ny kere” a été récupéré chez Newsmada.

OMNIS 45 ans : De fortes potentialités en pétrole et gaz, mises en avant
14/06/2021

Les expériences, dans les activités pétrolières menées à Madagascar, confirment les fortes potentialités dont le pays dispose, en matière de ressources pétrolières et gazières. (Photo : OMNIS) Madagascar peut tirer sa croissance économique de ses ressources pétrolières et gazières, selon l’OMNIS. Des séances d’information et de concertation sur le sujet seront organisées par cet organisme, qui célèbre cette année son 45e anniversaire.   Un secteur très prometteur, qui exige une grande prudence. C’est ainsi que les économistes décrivent le secteur du pétrole amont, dans leurs interventions sur les voies pouvant conduire à l’essor économique de la Grande-île. Une optique partagée par l’OMNIS (Office des Mines Nationales et des Industries Stratégiques), dont l’une des missions principales est de mettre en œuvre la politique nationale en matière d’exploration et d’exploitation. En effet, dans l’industrie pétrolière, celui-ci est responsable de toutes les activités en amont, gestionnaire des ressources pétrolières, détenteur des données d’exploration et responsable de la promotion des activités « amont ». Selon les explications, les premières étapes des activités pétrolières concernent l’identification des blocs pétroliers, suivant les normes définies par l’ONU (Organisation des Nations Unies) et la Banque Mondiale. Pour Madagascar, les blocs pétroliers disponibles, en zone terrestre et en zone marine, se comptent déjà en plusieurs centaines. Affichant certaines potentialités, le lancement d’appel d’offres international, relatif à ces blocs est déjà très attendu par les compagnies et investisseurs étrangers. Phases obligatoires. Si le secteur pétrolier en amont attire tant l’attention des promoteurs de développement, c’est pour ses enjeux et ses impacts sur la croissance. En effet, ce secteur engendre des retombées économiques, dès la phase d’exploration. « Cette phase est prévue pour 8 ans, mais il arrive que les compagnies demandent un renouvellement, car les travaux peuvent être longs et concernent notamment la géologie de terrain et l’échantillonnage des roches, les levés gravimétriques et magnétiques, l’échantillonnage géochimique et les études sismiques 2D et 3D pour la détermination des structures pétrolières et enfin le forage d’exploration, pour vérifier l’existence du réservoir de pétrole liquide ou de gaz », nous a expliqué un technicien du secteur pétrole Amont. À noter qu’une phase de développement d’une durée de 3 à 5 ans suit la phase de développement dans le cadre de laquelle, les compagnies procèdent au forage de développement pour délimiter les réservoirs d’hydrocarbures, l’essai de production, l’étude d’ingénierie des réservoirs et des unités de production et le programme de production. Gains. C’est après ces deux étapes que la phase d’exploitation peut se faire, selon les explications des techniciens du secteur. S’étalant sur 25 ans pour le pétrole et 35 ans pour le gaz, l’exploitation concerne le forage de production, la complétion des puits de production, l’installation des infrastructures de surface et le transport par pipeline vers le terminal ou point de livraison. Contrairement au cas des mines, Madagascar bénéficie d’un partage de production, dans les activités de pétrole en amont. D’après les informations, les taux dans le contrat de partage sont fixés, en fonction de la capacité de production journalière. La part gouvernementale varie de 25 à 55% pour le pétrole liquide ; et de 25 à 36% pour le gaz naturel. « Outre ce partage de production, le pays bénéficie également de retombées économiques, notamment en termes de création d’emplois, de progrès technique, d’apprentissage et surtout de recettes fiscales. Pour le pétrole liquide, les redevances varient généralement de 8 à 20%, en fonction de la capacité de production en barils par jour. Pour le gaz, ce taux varie entre 5 à 10%, suivant toujours la capacité de production. En outre, une taxe sur le revenu fixée à 30% est prélevée », a indiqué notre source. À noter que les dirigeants doivent faire l’arbitrage entre les gains et l’attractivité du pays, afin de s’assurer que les investissements directs étrangers viennent. Selon l’OMNIS, ce questionnement sera abordé, durant les manifestations organisées dans le cadre de la célébration de ses 45 ans d’existence. Antsa R. L’article OMNIS 45 ans : De fortes potentialités en pétrole et gaz, mises en avant est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article OMNIS 45 ans : De fortes potentialités en pétrole et gaz, mises en avant a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Covid19: olona 2 maty, 15 ny tranga vaovao
15/06/2021

Ny alahady 13 jona teo, olona roa no matin’ny covid-19 ka ny iray tany Matsiatra Ambony ary ny iray tany Atsimo Atsinanana. Olona vaovao 15 tamin’ireo 470 nanaovana fitiliana kosa no mbola nahitana ny tsimokaretina. Teto Analamanga avokoa ny 10 tamin’ireo ary tany Matsiatra Ambony ny telo, tany Ihorombe ny roa. Nisy olona 25 sitrana soa aman-tsara.Na izany aza, mbola 95 ireo olona marary mafy eny amin’ny hopitaly vokatr’ity valanaretina covid-19 ity. Maharitra ela ny fitsaboana ny sasany tamin’izy ireo noho ny aretina mitaiza azy, izay mampanano sarotra ny fitsaboana rahateo.Tsikaritra fa efa nidina ny tahan’ny olona mitondra ny tsimokaretina, ankeitriny. Na izany aza, tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fiarovan-tena rehetra, indrindra amin’izao fisokafan’ny sehatr’asa rehetra izao.Mila hajaina fatratra ny elanelana iray metatra sy ny fanasana tanana matetika amin’ny savony, indrindra ny fitondrana arovava orona, izay miantoka ny fisorohana ny aretina. Tsy hadino ny fanaovana vaksiny mba tsy hahatonga ny tranga fahasarotana raha sanatria marary.Tatiana AL’article Covid19: olona 2 maty, 15 ny tranga vaovao a été récupéré chez Newsmada.

FAKAFAKA: aza mba mora ambakaina ihany !
15/06/2021

Aleo tsy idirana ny lafin-javatra hafa fa andao ny kolontsaina no hatsinkafona. Satria io no anisan’ny singa fototra lehibe ahafahan’ny firenena iray mahafantatra marina ny momba azy, nataon’ny “matanjaka” izay hahapotika tanteraka azy. Hatramin’izao,  mbola manan-kery tanteraka ireo paikady napetrak’izy ireo any amin’ny firenena tondroiny ho “madinika”. Na tsy mandray anjara mivantana amin’izany aza ry zareo, manana olona mahatoky zanak’ilay toerana na faritra na firenena azony ampiasaina izy.Na ilavoamena sy loso aza ny fanampiana omen’ny “matanjaka” ny “madinika”, tehaka mirefodrefotra no andraisana izany. Na famotehana ankarihary ny soatoavin’ny firenena “madinika” izao aza no ataon’ireo “matanjaka” any aminy, miraradraraka ny “misaotra tompoko”! Tahaka izany hatrany hatrany… Ankavitsiana ihany ireo mahita sy mahatazana fa longoa mitoto bozaka sy fandrika tsy mamela mahazo ary vahoho mangeja ange ireny lela mamy sy fanampiana omen’ny “matanjaka” ireny.… Fa rehefa ambara fa “mahantra” ve ny firenena iray dia mahantra manaraka izany ihany koa ny toe-tsain’ny olona ao aminy ka tsy mahita ny tranga tahaka izany? Lasa mora ambakaina amin-java-tsy misy fotony. Misy aza moa fanampiana omen’ny “matanjaka” ho an’ny “madinika” mba hoentin’izy ireo hitodika sy hiverina any an-doharano hono. Izany ve dia mba mitombina? Raha ny firenena “madinika” ve no miverina amin’ny fahaizan’ny razany mitsabo amin’ny alalan’ny zavaboary, ataon’ny firenena matanjaka aiza ireto fanafody simika an-taoniny maro vokariny isan’andro?… Mila mifanaitra sy mifanentana ny tsirairay mba hanana saina mivelatra, maso mahita, sofina mandre, sns. Tsy iandrasana fanampian’ny vahiny ny fanaovana izany fa efa azo atomboka tsara mba tsy ho tratra aoriana.HaRy RazafindrakotoL’article FAKAFAKA: aza mba mora ambakaina ihany ! a été récupéré chez Newsmada.

Akaiky fetim-pirenena: mirongatra ny tsy fandriampahelamana ao Toamasina
16/06/2021

Vatana mangatsiakana raim-pianakavina iray sahabo ho 50 taona indray hita faty tetsy amin’ny tetezana mainty Tanambao verrerie ny marain’ny alatsinainy teo. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana izy, porofon’izany ireo fanjaitra tsy latsaky ny folo tao am-bavany sy teo amin’ny lelany. “Mangana ny tendany ary loaka ihany koa ny lohany”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovoao ao an-toerana. Faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana io tetezana mainty io noho izy lasa toerana fieren’ny jiolahy.  “Araka izany, tombanan’ny fokonolona eo an-toerana fa efa maty tany an-kafa ilay raim-pianakaviana ary nariana sy natsipy teo amin’io tetezana mainty io”, hoy hatrany ny loharanom-baovao.Ankoatra izay, renim-pianakaviana iray mampiasa “cash point” ao Toamasina ihany koa lasibatry ny asan-jiolahy ny asabotsy teo. Nambanan’ireo jiolahy basy izy tamin’izany ka lasan’ireo olon-dratsy ny poketra nisy vola mitentina 40 tapitrisa Ar sy ny finday.  Sajo sy Henintsoa HaniL’article Akaiky fetim-pirenena: mirongatra ny tsy fandriampahelamana ao Toamasina a été récupéré chez Newsmada.

Tsangambaton’ny faha-100 taona: vita ny « tribune » an’ny seminera zandriny eny Ambohipo
19/06/2021

Noraisina vonjimaika. Ni­dina teny amin’ny kianjan’ny seminera zandriny eny Am­bo­hipo, ny arsevekan’Antanana­rivo, ny Mgr Razanakolona Odon sy ny filohan’ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny seminera zandriny, Andriama­nanoro Augustin, afakomaly. Nijery ifotony ny fahavitan’ ny “Tribune” ho an’izao jobily izao izy ireo. Efa mamaramparana ny asa amin’ny fanaovana izany fotodrafitrasa izany ny orinasa nisahana ny fanamboarana azy. Nambaran’ny Tale jeneralin’ny tetika­san’ny filoham-pirenena ta­min’izany fa niainga tamin’ny hetahetan’ireo seminarista zandriny izao fananganana ny sehatra eo amin’ny kianja izao.Mbola hohatsarainaNiarahana amin’ireo mpi­ara-miombona antoka rehetra izany. “Io aloha ny bainga voavadika fa mbola ho avy ny fanatsarana bebe kokoa”, hoy izy. Nanteriny fa hamaha ny olana amin’ny fahamaroan’ny oloan tonga eny an-toerana rehefa fotoan-dehibe ny fahavitan’izao fotodrafitrasa izao. Nanamafy izany ny Mgr Razanakolona Odon, nilaza fa ilaina ny zavatra maharitra tahaka izao. Tsy mbola hotokanana anefa izany fa iandrasana ny fotoana avy amin’ny diosezy. “Fandraisana ny asa vita ara-teknika ny natao”, hoy izy. Mbola hisy ny fanarenana ny kianja amin’ny herinandro ary hojerena koa ny hanitarana ahazoana toerana maherin’ny 100 eo amin’ny “Podium” ankoatra ny efa vita.Synèse R.L’article Tsangambaton’ny faha-100 taona: vita ny « tribune » an’ny seminera zandriny eny Ambohipo a été récupéré chez Newsmada.

Fondation Axian – Kozama: nahazo akany fibeazana ny EPP dimy 
17/06/2021

EPP dimy ato amin’ny Dren Analamanga ao amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano ary Avaradrano ny nahazo akany vaovao fibeazana ary notokanana niaraka, omaly teny amin’ny EPP Antanimena II, ny fotodrafitrasa.« Mahazo vokatra tsara kokoa rehefa miditra amin’ny ambaratonga voalohany ny zaza nandalo amin’ny akany fibeazana ka nahatonga ny minisiteran’ny Fanabeazana hanangana akany fibeazana isaky ny EPP izany, manomboka izao », hoy ny tomponandraikitry ny fikambanana Kozama, mpiray ombon’antoka amin’ny nahavitana ny asa. EPP 10 ny efa nisitraka ny fahazoana akany fibeazana ato anatin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Mbola misitraka fiofanana koa ny talen-tsekoly sy ny mpanabe hiasa amin’ireny akany ireny miaraka amin’ny fampitaovana ka feno ny fanabeazana ho an’ny kilonga 2-5 taona.Nampidirana ankizy an-dakilasy miisa 20 000Tafiditra anatin’ny fandaharanasa sekoly Telma ny fananganana efitrano sekoly vaovao toy izao sy ny fanavaozana ireo efitrano efa misy. “101 ny sekoly voaorina tao anatin’ny dimy taona ary afaka niditra an-dakilasy ny ankizy 20 000”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Fondation Axian, i Salabert Isabelle, vina nahitana ny akany fibeazana dimy vaovao. 300 ny ankizy madinika azo raisina hamoha ny vavahadin-tsaina amin’ny akany dimy. “Ho an’ny EPP Antanimena II, 140 ny mpianatra ao amin’ny akany fibeazana ary maimaimpoana ny fampianarana satria ny zanaky ny fianakaviana sahirana no maro anisa”, hoy ny talen’ny EPP, Rasoanatoanina Elisa.Vonjy A.L’article Fondation Axian – Kozama: nahazo akany fibeazana ny EPP dimy  a été récupéré chez Newsmada.

Hisy ny “Festival Sômaroho!” 2021: ho vahinin’i Wawa i Innoss’B
16/06/2021

Hotontosaina ny 25 hatramin’ny 29 aogositra izao ny “Festival Sômaroho!” 2021, any Nosy Be. Efa andro vitsivitsy lasa izay ny nanambara izany tao amin’ny pejy “facebook” i Wawa, mpanorina ny hetsika. Vaovao lehibe faharoa, fantatra fa ho vahinin’ny hetsika manokana i Innoss’B, mpanakanto avy any Congo, efa manana ny lazany eo amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena. Mazava loatra fa tsy tongatonga ho azy ny safidin’i Wawa sy ny ekipany mpikarakara ny “Sômaroho!”, raha niantefa any amin’i Innoss’B. Niaka-daza vetivety mantsy ity mpanakanto mivoy ny pop afrikanina ity, indrindra taorian’ny nivoahan’ilay hirany “Yo Pe”. Nahaliana an’i Diamond Platnum izy tamin’io hira io, izay niarahan’izy ireo namerina. Ito farany izay mpanakanto tanzanianina, manana ny lazany ary efa vahinin’i Wawa tamin’ny “Festival Sômaroho!” ihany koa. Toy ny mahazatra, hanampy ny vahiny manokana ireo mpanakanto malaza avy eto an-toerana. Tsy mbola nisy, hatramin’izao, ny fampahafantarana avy amin’ny komity mpikarakara fa ho avy miandalana kosa izany raha ny fanazavana. Ny azo antoka aloha izany, efa vonona ny mpikarakara ny “Festival Sômaroho!”, izay ao amin’ny kianjan’Ambodivoanio hatrany.Zo ny AinaL’article Hisy ny “Festival Sômaroho!” 2021: ho vahinin’i Wawa i Innoss’B a été récupéré chez Newsmada.

Hetsiky ny mpianatra any Andrainjato Fianarantsoa: navotsotra ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra roa voasambotra
17/06/2021

Tsy milamina ny tontolon’ny fampianarana ambony miankina amin’ny fanjakana tato anatin’ny andro maromaro. Vatsim-pianarana tsy voaloa ny fototry ny olana sy ny fitakiana miafara amin’ny fifanandrinana amin’ny mpitandro filaminana.Taorian’ny fifanjevoana tamin’ny mpitandro filaminana sy ny mpianatry ny oniversiten’Andrainjato-Fianarantsoa, omaly maraina, noho ny fitakiana vatsim-pianarana dimy volana, mpianatra roa, filohan’ny fikambanan’ny mpianatra ao amin’ny Degs, sy ny filoha leftra, no voasambotra tao anatin’ny hetsika. Niraisan’ny lalam-piofanana rehetra ny fitakiana ka niato ny fampianarana ho an’ny mpianatra sasany fa nitohy kosa ny fanantanterahana ny fanadinana ho an’ireo miatrika izany, toy ny fakiolten’ny fianarana ho mpitsabo. Nanapa-kevitra hampiato ny fanadinana manomboka anio ny tomponandraikitra noho ny toe-draharaha misy eo anivon’ny oniversiten’i Fianarantsoa.Nisy nanimba ny fitaovana tao amin’ny CTCNanomboka tamin’ny 8 ora sy sasany maraina omaly no nandoro kodiarana nanoloana ny « barrière » eo amin’ny fiadidiana ny oniversiten’i Fianarantsoa ny mpianatra nanao fitakiana ny vatsim-pianarana. Nitaona mpianatra namana hafa teny anivon’ny toeram-pianarana ny mpitarika nanatevina ny hetsika ary nanao sakana teny amin’ny tetezana Antanifotsy sy nandoro kodiarana indray, araka ny fanazavan’ny mpanao gazety nanatri-maso ny zava-nisy tany an-toerana. Raikitra teo ny fifanjevoana ary nisy ny fandefasana grenady lakrimozena nandravana ny fitokonona. Rehefa voasambotra ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra, nihemotra ny mpitokona ka noravana ny hetsika. Ny tapak’andro hariva, nitohy tamin’ny fanimbana fitaovana tao anatin’ny CTC eo anivon’ny fakiolten’ny fianarana ho mpitsabo ny hetsika. “Tsy fantatra mazava aloha hatramin’izao ireo nitarika ny fanimbana fa raikitra ny savorovoro”, hoy ny loharanom-baovao. Efa navotsotry ny mpitandro filaminana, omaly hariva, ihany ireo mpianatra roa voasambotra ny maraina.Minisiteran’ny Fampianarana ambonyEo am-pikarakarana ny vatsim-pianarana volana fahafitoManoloana ny hetsika mafampana fitakiana nataon’ny mpianatry ny oniversite tany Mahajanga sy tany Toliara ary tany Fianarantsoa, nanao fanambarana ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, i Assoumacou Elia, omaly. Efa nisy ny fivoriana niarahana amin’ny praiminisitra sy ny minisitry ny Toekarena ary ny minisitry ny Fampianarana ambony nijerena manokana ity raharaha ity, ny talata hariva lasa teo.Voalazany fa eo am-panatanterahana ny famoahana hatramin’ny volana fahafito ny vatsim-pianaran’ny mpianatra eny amin’ny oniversite manerana ny Nosy ny fitondram-panjakana. Ireo tara tsy mbola nandray ny volana voalohany noho ny fihibohana, handray izany miaraka amin’ny fampitaovana. Hampifanarahina amin’ny famitana ny taom-pianarana kosa ny fandoavana ny volana fahavalo sy fahasivy. Manentana ny mpianatra ho tony ny minisitra mpiahy satria handray avokoa ny vatsim-pianarana feno izay voakasik’izany. Momba ny karaman’ny mpandraharaha eny anivon’ny oniversite, efa manao ny ezaka ny fanjakana handefa ny karama mialoha ny fetim-pirenena.Vonjy A.L’article Hetsiky ny mpianatra any Andrainjato Fianarantsoa: navotsotra ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra roa voasambotra a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – “Copa America”: miala sasatra ireo ekipa rehetra mifaninana
17/06/2021

Miato aloha ny fifaninanana hiadiana ny ho tompondakan’i Amerika, taranja baolina kitra, “Copa America”. Fihaonana efatra ny efa tontosa tamin’izany ka ny roa, tao amin’ny sokajy A ary ny roa, ho an’ny vondrona B. Raha hiverenana ny voka-dalao ny talata lasa teo, nisaraka ady sahala 1 sy 1 i Arzantina sy i Chili ho an’ny vondrona B. Nahatafiditra ny baolina ho an-dry zareo Arzantin i Lionel Messi.3 no ho 1 kosa ny niondrehan’i Bolivia teo anatrehan’i Paragoay. Nilalao 10 ny Bolivianina, teo anatrehan’i Paragoay, rehefa nahazo karatra mena i Jaume Cuéllar, teo amin’ny minitra faha-45 + 9 mn. Taorian’ny fahavitan’ireo lalao ireo, mitarika i Brezila sy i Kolombia, ao amin’ny sokajy A, samy manana isa 3. I Paragoay kosa ny lohany ho an’ny vondrona B, nahazo isa 3, arahin’i Arzantina amin’ny isa 1.Hitohy rahampitso zoma ny fifanintsanana ka hifandona i Kolombia sy i Venezoela ary hifanehatra kosa i Brezila sy i Perou.Tsiahivina fa 12 ireo firenena mifaninana amin’ity “Copa America” ity. I Brezila, i Kolombia, i Pérou, i Ekoatera, i Venezoela ao amin’ny vondrona A. i Paragoay, i Arzantina, i Chili, i Orogoay, i Bolivia kosa ny an’ny sokajy B. TompondakaL’article Kitra – “Copa America”: miala sasatra ireo ekipa rehetra mifaninana a été récupéré chez Newsmada.

Omnisports : Siteny Randrianasoloniaiko accueilli en héros
15/06/2021

Siteny à son arrivée, hier, à Ivato. La grande famille du mouvement sportif était réunie au grand complet, hier, à l’aéroport d’Ivato. Trois semaines après son élection à Dakar à la tête de l’Union africaine de Judo, Siteny Randrianasoloniaiko est de retour au pays. Comme lors de la présentation de sa candidature à cette élection, le mouvement sportif était venu en masse, hier, à Ivato, pour accueillir le nouveau patron du judo africain. Cette élection de Siteny à la présidence de l’UAJ place le sport malgache sur le devant de la scène continentale et mondiale. « Le pays et les athlètes ont besoin qu’un des leurs ait une place au niveau des instances sportives internationales pour porter leur voix » a souligné, Siteny dans sa prise de parole. En plus de cette nouvelle fonction, Siteny a plusieurs casquettes à la fois. Il reste encore le président de la fédération malgache de judo du Comité Olympique Malgache, et député de Madagascar. « Je vais terminer jusqu’à la fin ces postes car c’est un mandat élu. Et je remercie l’État pour leur soutien, et espère la continuité de la collaboration pour cette nouvelle fonction », a poursuivi le vice-président de la fédération internationale de judo. Préparation. Profitant de cette rencontre avec la presse qui a vu la présence de l’ensemble du mouvement sportif, le président du comité olympique a parlé de la nécessité d’une réelle implication et volonté politique de l’Etat en matière de sport. « Nous remercions le chef de l’État à travers la construction des différentes infrastructures, mais pour qu’il y ait un vrai envol du sport, il faut que l’État s’implique davantage dans la préparation des athlètes. Il faut surtout que les champions d’Afrique et les anciennes gloires soient considérés par l’État, pour éviter qu’ils sombrent à la fin de leur carrière », a continué Siteny. Dans deux ans, Madagascar sera l’hôte des 11es Jeux des Îles de l’Océan Indien. La préparation de cette échéance doit débuter dès maintenant pour que la Grande Île puisse terminer à la première place. T.H L’article Omnisports : Siteny Randrianasoloniaiko accueilli en héros est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Omnisports : Siteny Randrianasoloniaiko accueilli en héros a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Ambodin’Isotry jiolahy iray nifanehatra tamin’ny polisin’ny Sag
15/06/2021

Noraisim-potsiny! Voasambotry ny polisin’ny Sag teny Ambodin’Isotry, ny alahady teo noho ny fanaovana sinto-mahery ny jiolahy iray. Manoloana ny fahamaroan’ny olona mivezivezy sy ny firongatry ny harom-paosy eny amin’iny faritra Isotry sy ny manodidina iny, nohamafisina manokana ny fiambenana eny an-toerana. Nisy ny paikady sy ny lamina manokana napetraky ny polisy mba hamongorana ireo jiolahy. Nahitam-bokany izany ny alahady maraina teo. Tratra tao anaty vela-pandriky ny polisy ny jiolahy iray efa mpamerin-keloka. Teo am-panendahana olona no sady manambana antsilava izy no nifanehatra tamin’ny polisy. Tsy afa-nihetsika intsony ity jiolahy ity. Nentina nanaovana fanadihadiana eo anivon’ny polisy misahana ny heloka bevava sakelika fahefatra (BC4) Anosy izy. Nomarihin’ny polisy fa anisan’ireo mpanendaka efa fanta-daza eny Isotry sy ny manodidina ity jiolahy ity. Eo am-pikarohana ny namany ny polisy amin’izao fotoana izao.J.CL’article Ambodin’Isotry jiolahy iray nifanehatra tamin’ny polisin’ny Sag a été récupéré chez Newsmada.