Kabary: hotohizana ny fiofanana tselatra

News - Kabary: hotohizana ny fiofanana tselatra

News - Kabary: hotohizana ny fiofanana tselatra

Anisan’ny hetsika fanaon’ny
Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany ny fanatanterahana ny
fiofanana tselatra. Maro ireo handaha-teny na hikabary ao anatina
lanonana na fivoriana, sns, kanefa sahirana noho ny antony
samihafa. Ao ihany koa ireo tsy manam-potoana hanarahana
fampianarana mandritra ny fotoana maharitra. Ny ankamaroan’ireny
olona ireny anefa, liana hatrany sy te hanome lanja aman-kasina ny
kolontsaina malagasy.

Ireo tafiditra amin’ireo tranga
ireo no nambaran’ny tompon’andraikitra fa homena ny fiofanana
tselatra. Hiompana amin’ny lanonam-panambadiana ny fanohizana ny
fandaharam-potoana rahampitso sy ny 11 septambra izao. Lohahevitra
telo ny hianarana: “Teny fisaorana any am-piangonana”, “Kabary
fanokafana lanonana” ary ny “Kabary fisaorana amina lanonana”.
Satria, sahirana amin’ny fotoana ireo mpiofana, amin’ny 6 ora
maraina sy amin’ny 12 ora antoandro ary amin’ny 5 ora hariva ny
fiofanana. Mpampiofana telo avy hatrany rahateo no hitarika
izany.

Tsetsatsetsa tsy aritra ny ilazana
fa manomboka mahasarika mpiofana ity fomba iray ampiasain’ny
Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany ity noho izy
mifanaraka amin’ny fandaminam-potoana ho an’ireo miasa ivelan’ny
tokantrano ka mila mamonjy ny ora fidirana.

HaRy
Razafindrakoto

Article tiré de Newsmada

L’article Kabary: hotohizana ny fiofanana tselatra a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 09/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Saba-droa lela : Be loatra ny mpanelanelana

Iray amin’ireo tsiny mahazo ny mpanakanto eto an-toerana ny tsy fahaiza-mivarotra. Kanefa azo amidy avokoa, “hono”, izay ateraky ny talenta… Sa ve misy sakana tsy ahafahan’izy ireo mivarotra ao ambadibadika ao?Efa ela tsy nisy sahy nandà fa manan-talenta ny Malagasy. Mana­ma­fy izany ny fananan’i Mada­gasikara mpanakanto maro misehatra amina zavakanto samihafa. Tsy vitsy amin’izy ireny ny mivarotra ny asa vitany avy amin’io talentany io. Hatreto anefa, mbola mahatsiaro ho voambaka ny ankamaroany. Tsy mety mifandanja ny varotra fa toa matiantoka hatrany ny tompon’entana na ny mpanakanto. Raha tsy mi­fanaraka amin’ny filàn’ny mpanjifa, tsy hividy izy. Ma­rina io satria lalan’ny varotra… Fa tsy diso ihany koa ny filazana fa tsy tokony hosandaina amina varifitoventy ny talenta voajanahary! Manjaka be eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ohatra, ny atao hoe fanarahana fenitra. Tsy ny tompon’ny talenta ny mametraka an’io fa ry zareo mpanelanelana kinga amin’ny raharaham-barotra. Matetika izy ireny ny “mibaiko” ny mpanan-talenta. Na tiana na tsy tiana, tsy maintsy ho voabaiko manaraka izay ihany koa ny talenta. Ao ireo nanjary nanana lasitra iray mihitsy, satria, izany, hono, ny takin’ny tsena. Anisan’ny manana ny mampiavaka azy, ohatra, ny hira malagasy, kanefa tsy mahavaky ny tsena iraisam-pirenena raha tsy manaraka ny fepetra apetraky ny mpanelanelana. Vokatr’izay, mety ho zary mifahatra amin’ny varotra ny zavakanto malagasy, raha ny lalana tahaka io no arahina. Mbola azo lazaina ho kanto ihany ve anefa ny vokatra teriterena tahaka izany? Nahoana ireo mpanelanelana no hametraka ny fenitra ho an’ny zavakanto? Anisan’ny vahaolana tsara ho an’ny mpanakanto malagasy (mpihira, mpanao asa tanana,…) ny fananana fahaizana mikaro-dalana sy mifampiraharaha ao anatin’ny tontolon’ny varotra. Fa raha mbola ireo mpanelanelana no hanao izay hampandeha ny varotra ataony, tsy hanana izay maha izy azy mihitsy ny mpanakanto! Sa ve, samy manana ny anjara asany?HaRy RazafindrakotoL’article Saba-droa lela : Be loatra ny mpanelanelana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Anjozorobe: kamiaobe nitondra vary nivadika, olona efatra indray maty

Olona efatra indray maty! Io ny vokatry ny lozam-pifamoivoizana tany Andranomisa Anjozorobe, afakomaly. Kamiaobe iray nitondra vary milanja vary 8 taonina no nivadika noho ny olana teknika, araka ny fanazavana voaray.Hiakatra aty an-dRenivohitra ity kamiaobe nitondra vary ity kanjo izao tra-doza tampoka izao. Olona telo naratra mafy ankoatra ireo maty ka nentina haingana namonjy hopitaly.Fa nisy olona telo koa namoy ny ainy vokatry ny lozam-piarakodia teny amin’ny RN 2 tao amin’ny kaominina Beforona, distrikan’i Moramanga, afakomaly alina. Fiara taksiborosy mampitohy an’Antananarivo sy i Fenoarivo Atsinanana ny tra-doza tampoka. Avy aty Antananarivo hihazo an’i Fenoarivo Atsinanana ity fiara ity. Raha ny angom-baovao, niala fiarabe teo alohany ny mpamily ka tsy tafaverina intsony ny familiana ary nivarina tany anaty hantsana ny fiara. Vokany, maty tsy tra-drano ny olona telo tamin’ireo mpandeha. Nalefa avy hatrany tany amin’ny hopitalin’i Moramanga kosa ireo naratra. Anisan’ny mampitaraina ireo mpitatitra mampiasa iny RN 2 ny fisian’ireo kamiaobe mandeha mafy amin’iny lalana iny nefa tery ny lalana. Milaza ny mpamilin’ireny kamiaobe ireny fa noho ny henjikenjika amin’ny famoahan’entana eny amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny mahatonga azy ireo mandeha mafy satria misy ora tsy maintsy enjehina. Nambaran’ny mpamily iray mpanao zotra nasionaly mampitohy an’Antananarivo sy i Toamasina fa antony iray miteraka lozam-pifamoivoizana eny amin’ny RN 2 koa ny fahasimban’ny lalana, indrindra ny fisian’ireo lavadavaka ilàna fanamboarana.Jean Claude sy SajoL’article Anjozorobe: kamiaobe nitondra vary nivadika, olona efatra indray maty a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Misaona ny mpisolovava : nodimandry ny Me Ratrimoarivony Yves

Banga ny tontolon’ny ho­lafitry ny mpisolovava sy ny fitsarana. Nodimandry, ny faran’ny herinandro teo, ny 17 jolay, ny Me Ratrimoa­ri­vony Yves. Efa filohan’ny holafitry ny mpisolovava ny tenany teo anelanelan’ny tao­na 1991 hatramin’ny 1993. Nampianatra sy nizara ny trai­kefany sy ny fahiaza-manao amin’ireo mpisolovava aty aoriana ihany koa izy. Anisan’izany ny Me Razafi­manantsoa Hanitra, sady so­lombavambahoaka am-perinasa amin’izao fotoana izao. «Zoky nampita fahaizana sy fomba fiasa amin’ny asan’ny mpisolovava izy. Tsy ho hadinonay mandrakizay iza­ny. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany, indrindra ny Me Solo sy i Mian­dra», hoy ity depioten’i Ma­dagasikara voafidy tetsy amin’ny boriborintany I ity. Etsy andaniny, mpikambana eo anivon’ny filankevi-pitantanan’ny fiarahamonim-pirenena ONG Ilontsera ny tenany, izao nodimandry izao.Synèse R.L’article Misaona ny mpisolovava : nodimandry ny Me Ratrimoarivony Yves a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fitazonana ny CEPE sy fanovana ny tetiandrom-pampianarana: tsy manaiky ny fanapahan-kevitry ny fanjakana ny fiarahamonim-pirenena  

 Amin’ny ankizy 100 miditra eo anivon’ny ambaratonga voalohany, 32 monja no nahazo Cepe  ary tafiditra kilasy T6. Vahaolana naroso ny teti-pivoarana hampiharina hatramin’ny taona 2021, izay tojo fanakianana sahady avy amin’ny ray aman-dreny sy ny mpanabe. Nampiaka-peo koa ny fiarahamonim-pirenena, omaly.       Nanao fanambarana ny fiarahamonim-pirenena, omaly teny Ambatonakanga manoloana ny fanapahan-kevitry ny fitondrana hamerina ny tetiandrom-pampianarana amin’ny teo aloha (oktobra-jolay) ary hitazona ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana Cepe. Ny fiverenana amin’ireo teboka roa ireo dia manambara fa aato ny fampiharana ny teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana natomboka, ny taom-pianarana 2017-2018, hoy ny fiombonan’ny fiarahamonim-pirenena Rindran’ny olom-pirenena hiarovana ny iaraha-manana (Rohy). Tsy ho azo irosoana koa ilay fampiasana ny tenin-dreny (malagasy) ho teny enti-mampianatra ho an’ny telo taona voalohany izay voaporofo ara-tsiantifika fa mahomby indrindra hanombohana fianarana, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny vaomiera sosialy ao amin’ny Rohy, Randriarimalala Erico. Ny fitazoanana ny fanadinana Cepe izay tokony ho nifarana tamin’ity taom-pianarana ity dia tsy mampandroso ny fanitarana ny ambaratonga fototra ho sivy taona. Betsaka ny ray aman-dreny mampiato ny zanany amin’ny fianarana raha vao mahazo ny mari-pahaizana Cepe fotsiny. Eo ny olana amin’ny vola sy ny fahalaviran’ny CEG any ambanivohitra indrindra, voatery mifindra toerana ilay zaza hanohy amin’ny kilasy 6ème. Tsy manan-danja anefa ho an’ny tontolon’ny asa ny Cepe raha manana lentany kosa ny BEPC ho an’ny asam-panjakana.Hevitry ny ray aman-dreny  an-tanàn-dehibe Mifanohitra amin’ny tombontsoan’ny zaza maro anisa ny fihemorana tsy hanatanterahana ny teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana, indrindra ireo monina any ambanivohitra. Nanapa-kevitra irery ny fitondrana ary fanadihadiana natao tamin’ny ray aman-dreny sy mpisehatra monina amin’ny tanàn-dehibe anatin’ny faritra fito no nitarika ny famoahana fanambarana fa hiverin-dalana ny fanabeazana. Tsy mankasitraka izany ny fiarahamonim-pirenena izay nanao sonia tamin’ny fametrahana ny PSE ary hanao ady sisika hanazavana amin’ny olom-pirenena fa ilaina sy mahoby ny teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana hampandrosoana ny firenena.Tokony hisy ny dinika iarahan’ny minisitera sy ny ray aman-dreny ary ny mpisehatra rehetra momba ny fampiharana ny PSE.Vonjy A. L’article Fitazonana ny CEPE sy fanovana ny tetiandrom-pampianarana: tsy manaiky ny fanapahan-kevitry ny fanjakana ny fiarahamonim-pirenena   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

I Sina sy i Madagasikara: 47 taona ny fifandraisana

Feno 47 taona ny fiaraha-miasa eo amin’i Sina sy i Madagsikara. Ho an’ny amin’ny lafiny fampianarana ambony manokana, efa napetraka manerana ny Nosy ireo ivontoerana « confucius » ahafahana mifanakalo eo amin’ny sosialy sy ny koltoraly. Anisan’ny mpamorona izany toeram-piofanana izany ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Pr Blanche Nirina Richard.Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, afakomaly teny amin’ny masoivohon’i Sina eny, Nanisana ny horonantsary fanadihadiana mirakitra ny vokatry ny fiaraha-miasa sinoa sy malagasy. Teo koa ny fampirantiana ireo sary maneho ny fivoaran’ny Sinoa sy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo firenena roa tonta. Maro ny fanampiana ataon’ny Sinoa amin’ny oniversite. Anisan’izany ny fanomezana vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra malagasy, ny fampitaovana sy ny fanorenana toeram-pianarana. Tsiahivina fa mankalaza ny faha-70 taony amin’ity taona ity ny Repoblika sinoa.Synèse R. L’article I Sina sy i Madagasikara: 47 taona ny fifandraisana a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fahamaizan’ny Bazarikely :: Nofotorana ny polisy kaominaly roa

Nanokafana fanadihadiana ny tranga fahamaizan’ny Bazarikely, tany Toamasina tamin’ny harivan’ny sabotsy lasa teo. Nofotorana teny amin’ny polisy mpanao fanadihadiana lalina ny polisy kaominaly roa anisan’ireo misahana ny fiambenana ny tsena. Mpivarotra vitsivitsy tamin’ireo niharam-boina ihany koa no efa nohenoin’ ny mpitandro filaminana. «Noho izy ireo niandraikitra tamin’ny fiambenana ny tsena tamin’io sabotsy nisehoan’ny loza io no antony nakàna am-bavany azy roa lahy polisy kaominaly ireo. Tokony ho nahita ny fiantombohan’ny afo voalohany izy ireo», hoy ny mpitandro filaminana. Tsy voatery hisy fisamborana olona tamin’ity hain- trano goavana niseho tao amin’ny Bazarikely Toamasina ity, araka ny fanampim-panazavana. «Hofantarina ny antony nahatonga ny firehetana ho fisorohana ny loza tahaka izao. Izany no mahatonga ny fanadihadiana. Antony efatra no voarainay mety ho nipoiran’ny afo: fifampikasohan’ny herinaratra na afo niniana natao na ihany koa afon-dabozia», hoy ihany ny polisy any Toamasina. L’article Fahamaizan’ny Bazarikely :: Nofotorana ny polisy kaominaly roa est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Fitrandrahana volamena :: Nakaton’ny fanjakana ny orinasa sinoa ao Maevatanàna

Tratran’ny beminidina tampoka. Natsahatry ny fitondram-panjakana ny fitrandrahana volamena nataon’ny orinasa sinoa tao amin’ny fokontanin’Antafia, distrikan’i Maevatanàna. Nandritra ny fitsidihan’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, Ravokatra Fidiniavo, no nahafantarana fa “efa tapitra tamin’ny taona 2018 ny fifanarahana nataon’ity orinasa sinoa ity tamin’ny Kraomita Malagasy”. “Mbola nanohy ny fitrandrahana hatrany anefa io orinasa io, izay sady mampiasa akora simika mandoto ny rano ka mety hiteraka tsy fahasalamana ho an’ireo mponina manodidina”, hoy ihany izy. Nambaran’ny minisitra Ravokatra Fidiniavo ihany koa fa: “tsy maintsy manara-dalàna avokoa ireo orinasa rehetra mpitrandraka volamena eto amintsika ary tsy hitsitsy amin’ny fandraisana fepetra ho an’ireo izay mandika izany ny fitondram-panjakana malagasy”. Na izany aza, mbola mitaky ezaka betsaka ny fanadiovana an’itony karazana fitrandrahana ataon’ny vahiny tsy manara-dalàna itony. Vao ity orinasa ity irery hatreto no nandraisana fepetra. L’article Fitrandrahana volamena :: Nakaton’ny fanjakana ny orinasa sinoa ao Maevatanàna est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Minisitra Tinoka Roberto: raharaham-pirenena manan-danja ny fanatanjahantena

Saika hahitana an’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Tinoka Roberto,avokoa ny “site” rehetra hahitana ny fandraisana anjaran’ny atleta malagasy. Omaly, nanatrika ny lalao famaranana, ny taranja atletisma, izy sy ireo mpiara-miasa aminy, nahitana ny Tale Jeneralin’ny Spaoro, Rakotozafy Rosa. “Diso ny filazan’ny sasany fa variana aty amin’ny lalaon’ny Nosy ny tenako, zaza malagasy ireo miatrika fifaninanana ireo ary tena miaro ny voninahi-pirenena ka tsy maintsy omena fankaherezana, amin’ny alalan’ny fahitan’ireo atleta ny fanohanana mivantana toy izao, no hahafahan’izy ireo mahazo fandresena”, araka ny nambaran’Andriamatoa Minisitra.Tetsy ankilany, naneho ny heviny mahakasika ireto atleta malagasy ireto ny Minisitra Tinoka Roberto, efa manomboka miaina, hoy izy, ny fanatajahantena malagasy. hita taratra amin’ny ezaka ataon’ny atletantsika izany. Misy ireo taranja tena hahazoantsika vahana, toy ny fibatana fonjamby sy ny ataletisma. Medaly volamena maro no azontsika tamin’izany ka nampiakatra ambony ny lentan’ny Malagasy. Miarintsoa.RazL’article Minisitra Tinoka Roberto: raharaham-pirenena manan-danja ny fanatanjahantena a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ceni: “Miankina amin’ny fitsarana ireo kandidà voafonja”

“Tsy mitarika avy hatrany ny tsy maintsy hamoahana azy ireo any am-ponja ny fahalaniany ho solombavambahoaka. Mitohy hatrany ny raharaham-pitsarana mahazo azy ireo. Tsy misy afa-tsy ny didim-pitsarana avy any amin’ny fitsarana mahefa misahana ny raharahan’izy ireo ihany no afa-mamoaka azy ireo any am-ponja.”Io ny fanazavan’ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, teny Alarobia, afakomaly, momba ireo kandidà solombavambahoaka efatra any am-ponja. Amin’ny famoahana ny voka-pifidianana, ny anaran’izy ireo no hotononina fa voafidy ho solombavambahoaka.Mila manao fangatahana ny filohan’ny Antenimierampirenena Anjaran’izay ho filohan’ny Antenimierampirenena vaovao ny mangataka any amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny fahitana fototra ny fahabangan-toeran’ny solombavambahoaka, raha tsy mivoaka any am-ponja. Ny HCC no mamoaka ny fanapahan-keviny ny amin’izany.Raha ambaran’ny HCC fa banga ny toeran’ilay solombavambahoaka ao amin’ny Antenimierampirenena, hambarany amin’ny fanapahany hoe miakatra ny lisitra faharoa amin’ny toerana mifidy solombavambahoaka roa na ny mpisolo toerana amin’izay mifidy solombavambahoaka iray.Raha tsy misy afa-misolo azy intsony ao anatin’ny lisitra natolotra na ny mpisolo toerana, averina amin’ny ampahany na ny eo anivon’ny distrika ny fifidianana: 120 andro aorian’ny famoahan’ny HCC ny fahitana fototra ny fahabangan-toerana tsy misy misolo toerana.Nifarana ny famoahana ny fironan’ny voka-pifidiananaNifarana afakomaly ny fikirakirana ny fitananna an-tsoratra (PV) nalain-tsary avy amin’ny distrika tsirairay avy. Nifarana omaly koa ny fanomezana ny fironan’ny voka-pifidianana amin’izany. Nanomboka kosa ny fikirakirana ny voka-pifidianana miainga amin’ny PV an-taratasy avy any amin’ny SRMV tsirairay avy.Jerena amin’izany ny maha ara-dalàna azy fa tsy dika na izay nampiasaina tamin’ny fanofanana. Amarinina koa ny sonia sy ny antontanisa ao amin’ilay PV amin’ny alalan’ny fampitahana. Izay vao havoaka ny voka-pifidianana vonjimaika amin’ny 15 jona.40, 55 % ny taham-pandraisana anjara tamin’ny fifidianana. Tao amin’ny boriborintany IV no ambany indrindra: 18, 45%. Sivy ny PV nilaza fa tsy nisy ny fifidianana: roa avy ny tao Ambanja, ny Ambilobe; iray avy ny tao Ankadikely Ilafy, ny tao Ifanadiana, ny tao Maintirano, ny tao Mampikony, ny tao Ambovombe Androy.R.Nd.L’article Ceni: “Miankina amin’ny fitsarana ireo kandidà voafonja” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Bazarikely Toamasina: trano fivarotana anarivony kilan’ny afo, olona iray naratra

Io indray! 13 taona aty aoriana, nisehoana fahamaizana goavana indray ny tsena Bazarikely Toamasina ka trano fivarotana eo amin’ny 100 mahery eo indray lasa lavenona tamin’izay fotoana nahamay azy teo aloha izay. Raha ny zava-nisy ny asabotsy tokony ho tamin’ny 8 ora alina teo, fivarotana anarivony indray lasa lavenona. Nijoalajoala nidorehitra mena tsy nisy toy izany ny afo. Nampanano sarotra ny vondrona mpamonjy voina ny famonoana sy ny fifehezana ny afo noho tsy fisian’ny lalana alehan’ireo mpamonjy voina satria feno tsena hatramin’ny lalana. Araka ny loharanom-baovao voaray, voalaza fa fipoahana herinaratra tao amin’ny trano fivarotana fitaovam-pianarana ny nitarika ny firehetana. Loharanom-baovao hafa kosa nilaza fa ankasomparana vokatry ny adiady eo amin’ny tsena noho ny fanesorana ny lehibe teo aloha ny tsena sy olona iray mitady haka io tany malalaka io hanorenana tranovato ny antony nahatonga izao loza izao. Tao kosa ireo loharanom-baovao nilaza fa misy andian’olona nandoro mihitsy hanamora ny fanesorana ireo mpivarotra sasany hakana ny toeran’izy ireo. Ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana anefa no manamarina izany rehetra izany fa mijanona amin’ny tombana sy ny ahiahy fotsiny ny rehetra.Sajo sy J.CL’article Bazarikely Toamasina: trano fivarotana anarivony kilan’ny afo, olona iray naratra a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-09-2020
Source : CCO COVID19 - 30/09/2020

Notsongaina

Ekipam-pirenena Robotika: nitsidika  ny ozinin’ny Eau Vive Andranovelona
24/09/2020

Mitohy ny lalana, ary miakatra hatrany ny laharan’ny ekipam-pirenena malagasy Robotika. Efa maro ireo fanamby notakina amin’izy ireo, ary tontosany soa aman-tsara avokoa nandritra izay fotoana lavalava nisian’ny fifaninanana “First Global Challenge 2020” izay. Hiatrika ny fanamby faha-25 sady farany ireto tanora manampahaizana ireto, ka naka aingam-panahy tamin’ny fitsidihana ozinina. Nandray azy ireo ny ekipan’ny Star, tany amin’ny ozinin’ny Eau Vive any Andranovelona, omaly. Nijery mivantana ireo milina miasa ao amin’ny ozinina, hananan’izy ireo hevitra amin’ny fanamby farany hatrehiny. “Mahafaly ny ekipan’ny Star ary reharehan’ny rehetra ny dingana vitan’ny ekipam-pirenena Robotika. Efa ao anatin’ny dimy voalohany maneran-tany, ary tohanantsika hatrany mba samy hanakatra ny kintana izy ireo”, hoy ny nambaran-dRandriambolamanana Seheno, tompon’andraikitra voalohan’ny serasera ao amin’ny Star. “Misaotra manokana ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera izahay, izay nandray an-tanana anay nandritra ny fifaninanana ary nanohana hatrany. Misaotra ny Star koa noho ny fandraisan’izy ireo teto amin’ny ozinina fa misy azo entina miatrika ny dingana farany izany”, hoy ny nambaran’ny mpikambana iray ao amin’ny ekipa. Tsiahivina fa fifaninanana iraisam-pirenena mahakasika ny Robotika ny “First Global Challenge”. Ho an’ireo tanora mpianatra, 14 hatramin’ny 18 taona, izany ka manana fitiavana manokana amin’ny fikarohana. Tsy mena-mitaha amin’ireo ekipan’ny firenen-kafa ny ekipa malagasy hatramin’izay. Mbola mahavelombolo ihany koa ity ekipa amin’izao ity.Zo ny AinaL’article Ekipam-pirenena Robotika: nitsidika  ny ozinin’ny Eau Vive Andranovelona a été récupéré chez Newsmada.

Minisitra Andrianainarivelo Hajo: « Mila vina lavitra ny fitantanana tanan-dehibe »
25/09/2020

“Adidintsika ny fanatsarana ny fitantanana ny tanan-dehibe sy ny fanajariana ny tany. Apetraka ny vina, mijery lavitra kokoa, afaka 10 na 20 taona… Anisan’izany ny fanorenana tanàna vaovao sy ireny tetikasa Padeve, ahitana ny drafi-panajariana sy fanatsarana ireo tanàn-dehibe, tanterahin’ny fanjakana”, hoy ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (MATP), Andrianainarivelo Hajo, tetsy Anosy, omaly.Ezaka avy amin’ny mpitantanaNotanterahina tamin’izany ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny IST Ampasampito sy ny MATP ary koa ny Fikambanan’ireo matihanina eo amin’ny  tanàn-dehibe (Apum). Nanterin’ny minisitra tamin’izany anefa fa tsy maintsy misy ny ezaky ny mpitantana ny tanàna, hanaraka ny fivoaran’ny toetr’andro.Tsy resaka diplaoma fotsiny ihany…Tafiditra ao anatin’izany ny fifampiresahana, ny traikefa hanatsarana ny fitantanana ny tanan-dehibe. “Tokony ho hita amin’izany ny fiofanana sy ny fikarohana ary koa ny avy amin’ny minisitera… Tsy resaka diplaoma fotsiny fa ilaina ny mampihatra izany ho amin’ny fampandrosoana. Mifanaraka amin’ny vina koa ny fiofanana”, hoy ihany ny minisitra.Tafiditra amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny telo tonta izao fifanarahana izao.Tsy misy fampandrosoanaAnisan’izany ny fanofanana ho injeniera ho amin’ny taotrano ho an’ny tanàn-dehibe ireo tanora eo anivon’ny IST ary efa an-dalana hivoaka tsy ho ela ny andiany voalohany. Ampiarahana amin’izany koa ny teknolojia sy ny zava-misy eto an-toerana. “Tsy misy ny fampandrosoana  raha  tsy miainga amin’ny tsirairay izany”, hoy Andrianainarivelo Hajo.Tsiahivina fa efa niara-niasa an-taony maro ny eo anivon’ny MATP sy ny IST. Fanamafisana sy fanohizana izany izao, miaraka amin’ny APUM.Synèse R.L’article Minisitra Andrianainarivelo Hajo: « Mila vina lavitra ny fitantanana tanan-dehibe » a été récupéré chez Newsmada.

Mahatsiaro iharan’ny antsojay ny mpiasan’ny ACM
28/09/2020

Velon-taraina noho ny antsojay mihatra aminy ny sasany amin’ireo mpiasa eo anivon’ny Aviation civile de Madagascar – ACM. Anisan’izany ny kiantranoantrano ataon’ny mpitantana, ny fanaovana halako bika tsy tiako tarehy amin’ireo mpiasa tsy mba namana, araka ny fampitam-baovaon’izy ireo. Efa nisy tompon’andraikitra ambony iray nesorina tamin’ny toerany noho ny tranga tahaka izao nefa naverina amin’ny toerany na tsy nahafeno ny fepetra fifaninanana aza. Anisan’izany ny fe-potoana niasana teo anivon’ny ACM. Nitohy tamin’ny fanilihana ireo mpiasa tsy namana izany raha nafindra toerana ny sasany ary nampidinina laharana ny hafa. Tao ireo tsy nanaiky ka nitondra ny raharaha teny anivon’ny «Inspection de travail » na teny anivon’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana. Niato ny fandraisana fanapahan-kevitra noho ny fihibohana nefa niverina indray ny antsojay.Maromaro ireo raharaha niakatra…Terena haka fialan-tsasatra ny mpiasa kanefa tsy maintsy ifaneken’ny andaniny, mpampiasa, sy ny ankilany, mpiasa, io. Notendrena avy hatrany anefa ny hisolo ny sasany amin’izy ireny. Efa maromaro ireo raharaha niakatra eny amin’ny « Inspection de travail » sy any amin’ny sampandraharaha hafa, manoloana izany. « Tsy manda ny fanovana na ny fanavaozana izahay fa tsy ekena kosa ny fanaovana izany ho fitaovana hanilihana ny hafa. Tsy misy antony tokony hamindrana na hanilihana na hanendrena mpiasa hisahana andraikitra iray raha tsy amin’ny alalan’ny fahaiza-manaony irery ihany », hoy ireo mpiasa.Manoloana izany, nanao antso avo izy ireo ny hampitsaharana izao tranga izao ary ny mba hijeren’ny tomponandraikitra mahefa ity “afindrafindrao”, mody ialokalofana amin’ny  fanovana sy ny fanavaozana, ity ary hanararaotana ny hamehana ara-pahasalamana. Manahy hatramin’ny fandraisana sidina avy any ivelany hanomboka ny 1 oktobra ho avy izao ho an’ny any Nosy Be ireo mpiasa raha tsy matotra ny fomba fiasa sy ny fitantanan’ny ACM.Synèse R. L’article Mahatsiaro iharan’ny antsojay ny mpiasan’ny ACM a été récupéré chez Newsmada.

Toetry ny andro: hafana eto afovoan-tany
28/09/2020

Hiakatra ny maripana eto afovoan-tany, indrindra ny eto Antananarivo, ho an’ny telo andro manaraka ary ho maina ihany koa ny andro, araka ny fanazavan’ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro, eny Ampandrianomby, omaly. Amin’ny maha fotoana mampisara-taona azy, mifandimby ny vanim-potoana ririnina sy ny fahavaratra mandritra ny tontolo andro indraindray ka izay no mahatonga ny volon’andro fahavaratra somary mibahan-toerana fa tsy mahatonga orana aloha, hatreto, izany na miakatra aza ny maripana. Ny faritra Vakinankaratra no hahazo orana sy ny tapany atsimo noho ny fandalovan’ny rindrin-drahona ao atsimon’ny Nosy izay handrafitra ny mety ho toetry ny andro. Tsy mbola ahina ny fiforonana rivodoza ho an’ny telo andro manaraka. Ny volana novambra ny fanombohan’ny fisehoan’ny rivodoza amin’ny ankapobeny. Handrivotra ny tendrony avaratry ny Nosy, ary hisy fidinana misongadina manomboka rahampitso ny maripana ambony any Sava sy any Analanjirofo.Anio maraina, hanorana ny any Miandrivazo sy ny ilany andrefan’i Bongolava sy i Vakinankaratra. Hisy zavon-tany vao maraina any Vatovavy Fitovinany, any Atsimo Atsinanana ary ny ilany atsinanan’afovoan-tany. Ny tapany hariva, hanorana mety harahin-kotroka any Bongolava, sy i Miandrivazo ary ny atitany ny faritra Melaky sy any Ambanja, ny ilany atsinanan’Atsimo Andrefana, Anosy, ny tapany avaratr’Anosy. Ho an’ny maripana, eto Antananarivo 14° sy 27°C ny maripana raha 11° sy 27 °C ny any Antsirabe.Vonjy A.L’article Toetry ny andro: hafana eto afovoan-tany a été récupéré chez Newsmada.

Karibotel 26 Analakely: hanafana ny “After Work” ny tarika Ejema
25/09/2020

Mikarakara  “After Work”, amin’ity, anio, zoma 25 septambra, manomboka amin’ny 7 ora hariva  ny Karibotel Twenty Six Analakely. Hanome hafanana amin’izany ny tarika Ejema,izay tsy zovina amin’ny maro intsony, anisan’ny andrarezin’ny kanto malagasy tsy lefin’ny vanimpotoana. Hovetsoina ao daholo ireo hira anisan’ny nanamarika ny tarika sy ny tena nahafantarana azy rehetra, toy ny “Djarina banou”, ny “Manahiragna”,  ny “Aza ela any”, indrindra  ilay hira vao vita rindrantsary “Zaza Gasy”… Hisy tsy ampoizina samihafa hanomezana fahafahampo ny mpanatrika amin’io “After Work” io, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra. Hisy sakafo sy tsakitsaky isan-karany amin’izany, matihanina rahateo amin’ny fahandroana sakafo malagasy sy ny fikarakarana lanonana ny  Karibotel-Twenty Six Restaurant Bar Lounge eo anoloan’ny hotel de ville Analakely. Efa manomboka miverina tsikelikely ny karazana hetsika isan-karazany, indrindra ny faran’ny herinandro, na dia eo aza ny hamehana ara-pahasalamana.NarilalaL’article Karibotel 26 Analakely: hanafana ny “After Work” ny tarika Ejema a été récupéré chez Newsmada.

Tsy fandoavana latsakemboky ny Fram: samy manana ny lamina ny EPP isanisany
29/09/2020

Samy manana ny lamina noraisiny ny EPP manoloana ny toromariky ny minisitera amin’ny tsy fandoavana intsony ny latsakemboky ny ray man-dreny.Araka ny fehinkevitra tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny 16 septambra lasa teo, tsy mandoa saram-pisoratana anarana sy latsakemboky ny Fram ny ray aman-dreny ho fitsinjovana ny tokantrano sahirana taorian’ny fihibohana. Manoloana izany, samy manana ny heviny ny talen-tsekoly EPP eto an-dRenivohitra. Nanambara ny talen’ny EPP Antanandrano, Cisco Avaradrano, fa misy ny naoty manokana niainga avy any amin’ny minisitera nalefa teny amin’ny Dren sy ny Cisco ary nipaka eny amin’ny EPP isanisany nanazava fa ny saran’ny fisoratana anarana no tsy efain’ny ray aman-dreny fa manana ny fandaminana anatiny ireo EPP mbola manarama mpampianatra Fram nefa tsy misitraka karama avy amin’ny fanjakana. Tsy afa-manoatra ny talen-tsekoly satria mbola dimy ny mpampianatra Fram miampy mpiandry tanàna iray omena karama isam-bolana. Manefa 20 000 Ar, noho izany, ny ray aman-dreny rehetra ary fomba fanao isan-taona izany. Monina ao anatin’ny fokontany ihany koa ireo mpampianatra Fram ireo ka tsy malaina mandoa ny latsakemboka ny ray aman-dreny. Raha misy ny tohana manokana avy any amin’ny fanjakana momba ny karama ho an’ireo mpampianatra Fram ireo, alefa amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa ny vola efa naloa. Mikarakara ny fandefasana ny refin-tongotry ny mpianatra momba ny kiraro sy ny aron’akanjo ny tomponandraikitra amin’izao fotoana izao. Hahazo fitaovana mialoha ny fidirana ny mpianatra avy any amin’ny fanjakana.Nalefa any amin’ny fitondrana ny filanaHo an’ny EPP any Behenjy kosa, tsy naka vola tamin’ny ray aman-dreny izy ireo fa nanaraka ny toromarika. “Nalefa eny anivon’ny tomponandraikitra ny fampianarana ny filana rehetra ka miandry izay valiny izahay”, hoy ny talen-tsekoly. Ho an’ny EPP Analakely, miandry ny vokatry ny fivoriana miaraka amin’ny fikambanan’ny ray aman-dreny izy ireo hijerena ny vahaolana satria misy mpampianatra Fram dimy mbola homena karama koa fa tsy mahazo any amin’ny fanjakana.Vonjy A.                 L’article Tsy fandoavana latsakemboky ny Fram: samy manana ny lamina ny EPP isanisany a été récupéré chez Newsmada.

Covid-19: Situation du 26.09.2020
28/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Covid-19: Situation du 26.09.2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.55 guérisons et 36 nouveaux cas de Covid-19 sont rapportés par le Pr Vololontiana ce 26 Septembre 2020. 18 de ces nouveaux cas sont localisés dans la région Diana, 9 cas dans la region de Sava, 3 cas dans la région Analamanga, 3 cas dans la région d’Alaotra mangoro et 1 cas dans la région Haute Matsiatra. Quant aux personnes guéries, elles sont éparpillés comme suit: 3 dans la région d’Analamanga, 4 dans la région de Haute Matsiatra, 15 dans la région de Vatovavy Fitovinany, 1 dans la région Atsimo Andrefana, 6 dans la région de Boeny, 2 dans la région de Sava et 24 dans la région de Diana. Selon le rapport du Professeur, 14 922 personnes sont totalement guéries du Covid-19 tandis que 1104 patients sont en cours de traitement dont 15 presentent des formes graves. Par ailleurs un nouveau décès lié au coronavirus a été egalement rapporté ce jour, portant à 229 le nombre de personnes ayant perdu la vie à cause de cette maladie. Depuis le début de l’épidémie, 16 257 contaminations ont été enregistrées dans la grande Île.L’article Covid-19: Situation du 26.09.2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Volley-Stefauto: efa nahita mpilalao hanatevin-daharana 
26/09/2020

Iray volana latsaka taorian’ny nitadiavan’ny mpanazatra mpilalao lava hanatevin-daharana ny ekipany, efa nahita ireo ankizy ireo ny klioban’ny Stefauto. Araka ny fanazavan’ny mpanazatra, mpilalao avy eto Antananarivo sy avy any Toliara ireo voafidy ireo, izay mbola tanora, saingy efa nilalao Volley avokoa. Tsiahivina fa  miisa telo izy ireo ary miandry fiantsoana, amin’izao fotoana izao. Alohan’ny 5 oktobra izao ity fiantsoana ity ary hanomboka amin’io ihany koa ny fanazaran-tena ho an’ny klioban’ny Stefauto. Marihina fa hanamafisana ny fanoherana sy ny fanafihana “contre” sy “attaque” ny tena nitadiavana azy telo vavy lava ireto. Azo lazaina ho mampiseho fahavononana tanteraka amin’ny fifaninanana ho avy, na ny nasionaly na ny iraisam-pirenena ny Stefauto ary taratra sahady izao fisian’ny mpilalao vaovao izao.Raha hiverenana ny tamin’ny taon-dasa, laharana faharoa ny Stefauto, nandritra ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka, faritra fahafito (CCCOI), rehefa nolavoin-dry zareo Renioney teo amin’ny lalao famaranana. Mpilalao mendrika teo amin’ny “Contre” i Armella ary mendrika teo amin’ny “reception” kosa i Emma. Mi.Raz L’article Volley-Stefauto: efa nahita mpilalao hanatevin-daharana  a été récupéré chez Newsmada.

Fiverenana tsikelikely :: Hanomboka hisokatra tanteraka ny AFT Andavamamba
28/09/2020

Hiverina amin’ny laoniny ao anatin’ny fanajana ny fepetra fiarovana amin’ny valanaretina rehetra ny fampianarana ireo sehatra kanto rehetra sy fanolorana lanonana eny amin’ny AFT Andavamamba, amin’ny volana oktobra ho avy izao. Efa niverina talohan’ io ny fampianarana teny frantsay sy ny vaky boky. Ny kabary sy ny vata maroafitsoka no hisantatra an’izany, amin’ny 3 oktobra ho avy izao. Efa misokatra ny fisoratana anarana. Misandrahaka amin’ny kolontsaina marolafy ny AFT Andavamamba. Santatra fotsiny ihany noho izany ny fampianarana kabary sy ny vata maroafitsoka, fa ho avy manaraka ao ihany koa ny fampianarana “infographie”, manomboka amin’ny 28 oktobra. Hisy ihany koa ny fampianarana amin’ny hariva eo amin’ny vata maroafitsoka, izay natokana ho an’ireo mbola manana adidy sahanina amin’ny tontolo andro. Hanomboka amin’ny 5 oktobra izy io. Tsy maintsy miditra mpikambana ao amin’ny AFT Andavamamba moa ireo rehetra te-hisitraka ny fampianarana samihafa. L’article Fiverenana tsikelikely :: Hanomboka hisokatra tanteraka ny AFT Andavamamba est apparu en premier sur AoRaha.

Prosperer: manohana ny tetikasa Salohin’Analamanga
24/09/2020

Tetikasa iray manohana ny tontolo any ambanivohira amina sehatra asa maro ny Prosperer (Programme de soutien aux pôles de micro-entreprises rurrales et aux aux économies régionales). Tanjona amin’izany ny hampitombo ny fidiram-bolan’ny tantsaha mahantra any ambanivohitra hifantoka bebe kokoa amin’ny fambolena sy ny fanaovana asa tanana. Faritra dimy no tena ahitana izany sy distrika 19, ahitana fihariana karazany maro fa ny asa tanana no miaraha-miombona antoka, hampifandraisana ny fahaiza-manao, ny fitaovana iaraha-miasa ho fampandrosoana ny kaominnina sy ny distrika.Eto amin’ny faritra Analamanga, ohatra, anisan’ny mahazo tohana avy amin’ny Prosperer ny mpanao asa tanana Salohin’Analamanga, ivondronan’ny mpanao asa tanana anjatony miasa amin’ny karazam-pihariana enina hanomezan-danja ireo karazana asa tanana ireo sy hanehoana ny fahaiza-manaon’ny avy eto amin’ny faritra.Mahazo tohana avy amin’ny fandaharanasa Prosperer Analamanga ny tetikasa fanampaiana ny tantahasa mifandray amin’ny sehaty ny fizahantany ny fihariana madinika, hanomezana vahana ny mpanao asa tanana, hanana fidiram-bola amin’ny asa ataony, hampisondrotra hatrany ny seha-pihariana antom-piveloman’izy ireo. Na eo aza ny valanaretina Covid-19, tsy mahasakana ny asa fihariana ataon’ireo mpanao asa tanana ny tetikasa tohanan’ny Prosperer. Faritra dimy ny tena misy azy anatin’ny distrika 19, samy manana ny mampiavaka azy. R.MathieuL’article Prosperer: manohana ny tetikasa Salohin’Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

Kalon’ny fahiny: nodimandry i Girard
29/09/2020

Razedra ihany koa no nahafantaran’ny olona maro azy! Fantatra, omaly, fa nodimandry Razafindrafahatra René Girard, ministre plenipotentiaire, nandalim-pahaizana manokana momba ny arifenitra. Fa ankoatra izay, beso nikoizana tao amin’ny Ataum sy ny Solika ary R’imbosa izy. Anisan’ireo hira nahenoana ny feony ny « Tsy mba misy tsy ho diso”, ny “Vonimboahirana”, ny “Dobla sento”… Santionan’ny hira nasian-dRazedra ny “soniany”. “Poizina!”, hoy i Dadatoa Ar-well sy Rasamy Gitara raha vao nahare ny fidoboky ny beson-dRazedra tao amin’ny Ataum, 50 taona lasa izay, ry zareo », hoy i Mbosa mitantara. Nohamafisiny fa « vitsy tokoa ny manana lokom-peo tahaka ny an’i Girard, mahatakatra feo iva dia iva sady midoboka ». Notohizany tamin’ny: « Razedra, tsy hohadinoina fa voarakitra tsy amin’onjam-peo ihany fa indrindra ao am-po ny feo sy ny hatsaram-panahy ary ny fandalinan’ialahy ny kolontsaina sy ny gadona bagasy ». Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny tontolon’ny zavakanto malagasy ny Gazety Taratra.Nanangona : HaRy Razafindrakoto L’article Kalon’ny fahiny: nodimandry i Girard a été récupéré chez Newsmada.

Narotsany tamina “cash point” iray: lehilahy iray nahatrarana vola sandoka 200 000 Ar sy odigasy
29/09/2020

Teo am-panamarinana ny isam-bola nalefany no tsikaritry ny tompona kioska (cash point) fa hay vola sandoka ireo roa hetsy ariary nalefan’ity lehilahy iray ity. Voasambotra tetsy Anosy, omaly, izy io rehefa nifanenjehana ka natolotra ny polisy. Mbola nahitana odigasy sy bala 9 mm koa tao anatin’ny moto nentiny.Tsy afa-bela! Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny compagnie urbaine d’intervention, omaly tamin’ny 9 ora sy 30 mn teo amin’ny HJRA Anosy, ny lehilahy iray 31 taona nahatrarana vola sandoka. Araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny polisy, tonga tamina kioska (cash point) fandefasana vola ity lehilahy ity ka nandefa vola 2 hetsy Ar nataony tao anaty valopy fotsy iray. Rehefa lasa ny vola, nanamarina ny isam-bola ny tompon’ilay “cash point” ka tamin’izany no nahitany fa sandoka avokoa ny vola nomen’ity lehilahy nandrotsaka vola ity. Niantso ity lehilahy ity avy hatrany ilay tompona kioska ka nodiany tsy fantatra fa lasa izy namelona ny moto-ny ihany. Nivoaka avy hatrany ny tompon’ilay kioska ka nanenjika azy ka tratrany ihany izy. Notazoniny ka tsy afa-nihetsika intsony ilay mpanao trafikana vola sandoka. Polisy niasa teo akaikin’ny HJRA teo no nanatona nijery ny zava-misy ka voamarina fa vola sandoka tokoa ilay vola tany amin’ity lehilahy ity.Nahitana odigasy tao anaty moto…Niroso tamin’ny fisavana ity lehilahy ity avy hatrany ny polisy ka nahitana odigasy marobe tao anatin’ny moto nentiny, niaraka amin’ny “cartouche” 9 mm iray sy vola sandoka 5 000 Ar iray. Nosamborina izy ka nentina nihazo avy hatrany ny kaomisaria foibe eny Tsaralalàna hanohizana ny fanadihadiana rehetra. Ny polisin’ny Sut no mandray an-tanana ny fanadihadiana rehetra. Lasibatra hatrany ireny “cash point” ireny tato ho ato, raha tsy tafihin’ny jiolahy dia iharan’ny fanapariahana vola sandoka. Tsy kely lalana ny mpanao ratsy, koa aoka ho mailo hatrany manoloana ny asan-jiolahy sesilahy tato ho ato izay.Jean ClaudeL’article Narotsany tamina “cash point” iray: lehilahy iray nahatrarana vola sandoka 200 000 Ar sy odigasy a été récupéré chez Newsmada.