Jirama-CUA: nosantarina teny III G Hangar ny « Famatsian-jiro mora »

News - Jirama-CUA: nosantarina teny III G Hangar ny « Famatsian-jiro mora »

News - Jirama-CUA: nosantarina teny III G Hangar ny « Famatsian-jiro mora »

Nidina teny amin’ny
fokontany III G Hangar  Antohomadinika ny Jirama sy ny
kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ny 9 jona
teo. Nisolo tena ny CUA ny sampana
mpamonjy voina CUA.

 Nentanin’ny Jirama sy
ny  kaominina CUA ny tokantrano sahirana hampiditra jiro
amin’ny alalan’ilay tetikasa fampidiran-jiro mora na
« branchement mora ». Tanjona ny hisarihana mpanjifa
vaovao mba hisorohana ny trano may vokatry ny herinaratra.
Maherin’ny 10 ny tokantrano nanaiky avy hatrany hampidiran-jiro.
Vina ato ho ato sady lavitr’ezaka ny hampidiran-jiro ny tokantrano
marefo rehetra eny amin’ny III G Hangar. Nanentana nanoro lalana ny
mponina amin’ny fiatrehana sy ny tokony hatao raha sendra misy
haintrano ny mpamonjy voina. Nomena azy ireo koa ny laharana
antsoina raha sendra misy ny voina.

Nambaran-dRtoa Razafindranivo
Andrianariseheno, lehiben’ny tetikasa Branchement Mora, fa
zava-dehibe ity fanentanana iombonana mba hahafahan’ny
isan-tokantrano mahazo antoka ny herinaratry ny Jirama azony.
Anisan’ny veliranon’ny filoham-pirenena rahateo ny fahazoana
herinaratra mora vidy.

Trano hazo ny
ankamaroany

Ho an’ny kapiteny Ralimbison Yves
Helory, tompon’andraikitry ny seraseran’ny mpamonjy voina, “tsy
maintsy apetraka ny tena fanabeazana ho an’ny mpanjifa herinaratra,
mahatonga anay hiaraka amin’ny Jirama”. Tsiahivina fa trano hazo ny
ankamaroan’ny trano ao amin’ity fokontany ity.

Notsorin’i Sitraka, mponina eny
an-toerana, anisan’ny nahazo voalohany ny fampidiran-jiro mora, fa
nampiasa labozia izy ireo hatramin’izay. Mila nitandrina be amin’ny
fampiasana azy satria tsy ampy ny vola. “Tsy afaka niana-desona ny
zanako amin’ny alina satria tsitsiana ny labozia. Milamina ny
tokantranonay izao satria nahazo herinaratra mora”, hoy ihany
izy.

Miisa 30.000 ny tokatrano
hampidiran-jiro mora hatramin’ny taona 2023.

Njaka
Andriantefiarinesy

Article tiré de Newsmada

L’article Jirama-CUA: nosantarina teny III G Hangar ny « Famatsian-jiro mora » a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 10/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Singa navoakan’ny IPC: Be kolikoly indrindra maneran-tany i Madagasikara

Anisan’ny firenena 50 be kolikoly indrindra maneran-tany i Madagasikara, laharana faha-149 amin’ireo firenena 180 nalahatra tamin’ny 2020 momba ny IPC*. 2,5/10 ihany ny isa nomena an’i Madagasikara. Na izany aza, nisy fiovana kely ihany ny toeran’i Madagasikara.Raha amin’io laharana io, nahavita ezaka kely ihany i Madagasikara, indrindra fa momba ny lalàna hiadiana amin’ireo harena azo tsy tsy ara-dalàna, fanendrena olona eo anivon’ny CSI* sy ny Bianco. Nisy ireo olona nosamborina tompon’antoka tamin’izany kolikoly izany, ary nohelohin’ny PAC* .Eo am-pijerena izany ady amin’ny kolikoly izany, nilaza ny CSI fa mila homen-danaja ny ezaka atao eto amin’ny firenena . Tokony henjehina, noho izany, hoy ny CSI ireo harena tsy azo antoka sy fampiharana ny lalàna mifandraika amin’ny PAC sy ny fomba fitantanana amina sehatra sivy : fitsarana, fiarovana, asam-panjakana, tetibolam-panjakana, harena voajanahary, fitsinjaram-pahefana, fahasalamana, fanabeazana sy sehatra tsy miankina. Mitaky ezaka fanatsarana ny fitantanana amin’ireo rehetra ireo, an-tanàn-dehibe na any ambanivohitra.R.MathieuCSI* : Comité pour la Sauvegarde de l’IntégritéIPC * : Indice de Perception à la CorruptionPAC* : Pôle Anti-corruptionL’article Singa navoakan’ny IPC: Be kolikoly indrindra maneran-tany i Madagasikara a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

FAMPIRANTIANA AN-TSARY :: Hitohy amin’ny famelabelarana ny fampahafantarana ny Akamasoa

Fiarahan’ny lahatsoratra sy ny saripika. Niainga avy amin’ilay boky « La cité d’espérance de Père Pedro», ary vao navoakan’ny trano mpanonta boky Rocher vao haingana. Efa nanomboka ny alatsinainy teo ary haharitra hatramin’ ny 22 desambra izao ny fampirantiana saripika hitantarana ny zava-misy iainana eny amin’ny Akamasoa, tanàna natsangan’ i Père Pedro hitsinjovana ireo fianakaviana sahirana. Araka ny fandaminana efa napetraka,dia tokony hisy ny fihaonana amin’ny mpanoratra Pierre Lunel, omaly maraina, hitantarany ny fomba fanorany rehefa mitantara olona toa an-dry Père Pedro. Noho ny antony manokana anefa dia nofoanana izany tamin’ny ora farany. Fandaharam-potoana manaraka kosa ny famelabelarana momba ny « Akamasoa » hiarahana amin’izy telo mianaka, toko telo nahamasa-nahandro, dia i Père Pedro, Pierre Lunel ary i Rijasolo, hotontosaina ny 11 desambra izao ao amin’ny IFM ihany. Rakotra saripika niangalian’i Rijasolo, ary ahitana ny asa soratr’ilay mpanoratra frantsay Pierre Lunel, nanoratra ny « La cité d’espérance de Père Pedro». Hita taratra ao anatin’ireo saripika ireo ny fiainan’ireo mponina ao Akamasoa. Tanàna izay nahitana taratra ny fandraisana amin’ny maha olona, ny fametrahana ny firahalahiana ary ny fifanampiana eo amin’ny samy mpiara-monina. Nandritra ny lanonana fanokafana ny fampirantiana ny alatsinainy teo ihany koa no nampahafantarana io boky io. L’article FAMPIRANTIANA AN-TSARY :: Hitohy amin’ny famelabelarana ny fampahafantarana ny Akamasoa est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

 Olona valo maty teny ambony sambo…: tratra i Maria, nitatitra antsokosoko olona nihazo an’i Mayotte

Ramatoa mpanondrana tsy ara-dalàna olona izay niteraka fahafatesana valo mianadahy no tra-tehaky ny zandary tao amin’ny fokontany Jabala, kaominina Nosy Be, afakomaly…Saron’ny zandary, ny 12 mey 2021 hariva, teo amin’ny “pont Joby”, fokontany Jabala, kaominina Nosy Be, Rasoanahinatiana Francia Maria, antsoina hoe i Maria, tompon’antoka amin’ny fandefasana antsokosoko olona nihazo ny Nosy Mayotte, ny 18 oktobra 2020, ka nahafatesana olona miisa valo teny ambony sambo tamin’ireo 21 nentiny. Tsiahivina fa namoahan’ny zandary ao amin’ny borigadin’i Dzamandjar Nosy Be didy fikarohana izy, nanomboka ny 11 novambra 2020, fotoana farany nahitana azy, saingy izao izy vao tratra taorian’ny paikady manokana napetraky ny zandary ao an-toerana. Namoy ny ainy teny ambony sambo noho ny hanoanana sy hetaheta ireto mpandeha ireto. Telo herinandro taty aoriana, natsingevan’ny ranomasina ireto mpitsoa-ponenana ireto noho ny fahasimbana tao amin’ny moteran’ilay sambo ka tsy tonga tany Mayotte. Isan’ireo namoy ny ainy tamin’izany ny vehivavy iray nitondra vohoka, ny zazakely roa ary ny mpanamorin’ilay sambo sy ny ankizivavy iray nanaovana ombay mitady tany Antsiranana, isan’ireo mpandeha tamin’ity sambo ity. Sambo mpanjono ny nahita ilay sambo maty motera sy ireto olona 13 sisa velona ireto ka nanavotra azy ireo izay efa reraka tanteraka. Natsipin’ireo mpandeha any anaty ranomasina kosa ireo mpandeha naman’izy ireo namoy ny ainy. Nanao ny fikarohana avy hatrany ny niafara amin’ny fahatrarana an’i Maria. Nilaza izy nandritra ny famotoran’ny zandary fa nakany saran-dalana 2 400 000 Ar ka hatramin’ny 3 tapitrisa Ar isan’olona ireto mpandeha ireto. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny zandary. Manahy sahady ny fianakavian’ireo niharam-boina fa ho very an-javony ny tohin’ity raharaha ity. Na eo aza anefa izany, mangataka fiaraha-miasa amin’ny vahoaka ny zandary mba hampita vaovao haingana raha misy tranga mampiahiahy.J.CL’article  Olona valo maty teny ambony sambo…: tratra i Maria, nitatitra antsokosoko olona nihazo an’i Mayotte a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kaominina efatra any Menabe: voavolavola ny drafitra fanajariana ny tany

Notanterahina, ny herinandro teo tao Morondava, ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa ho amin’ny famolavolana Drafitra ifoton’ny fanajariana ny tany ho an’ireo kaominina efatra ao anatin’ny faritra voaaro Menabe Antimena (Aire protégée Menabe Antimena – APMA). Anisan’ny hisitraka izany ny kaominina Delta, i Tsimafana, i Beroboka Avaratra ao amin’ny distrika Belo ambonin’i Tsiribihina sy kaominina Marofandia ao amin’ny distrika Morondava. Fitaovana ahafahana mamoaka ireo vinam-pampandrosoana eny anivon’ny kaominina ny DIFT (Sac), ary mandrindra ny fampiasana ny tany sy ny faritra rehetra eo amin’ny kaominina. Nanao sonia izany ny Fitantanana foiben’ny fanajariana ny tany eo anivon’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, ny fitantanana foiben’ny fitantanana ny tontolo iainana (DGGE) eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, ny faritra Menabe, ireo kaominina efatra, ny fikambanana Fanamby mpitantana ny APMA, Pact Madagascar mpitarika ny Consortium USAID Hay Tao, ary ny Sehatra iombonan’ny fanànan-tany (Sif). Nialohavana fampiofanana ireo tompon’andrikitra avy amin’ireo kaominina efatra hisitraka ity Drafitra ifoton’ny fanajariana ny tany ity izao fanaovan-tsonia izao.Synèse R. L’article Kaominina efatra any Menabe: voavolavola ny drafitra fanajariana ny tany a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fananan-tany :: Esorin’ny kaominina eny Anosimpatrana ny MBS

Mamerina ny fananany any amin’ireo nampiasana izany ny kaominina Antananarivo renivohitra. Voakasika ao anatin’izao hetsika izao ny tany eny Anosimpatrana, izay nampiasain’ny vondrona MBS efa ho taona maro izao. « Manome enim-bolana hialanareo eo amin’ny tanin’ ny kaominina Antananarivo renivohitra izahay », hoy ny ampahany amin’ny taratasy fampahafantarana nosoniavin’Andriantsitohaina Naina, Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra ary nalefa teny amin’ ny orinasan-tserasera MBS eny Anosimpatrana, omaly. Fifanaraham-panofana tany, tamin’ny 8 aogositra 2000, ity kasain’ny kaominina hofoanana ity. Namaly avy hatrany an’izao fikasan’ny kaominina Antananarivo renivohitra izao ny Filoha teo aloha Ravalomanana Marc, tompon’ny orinasa MBS. « Miantso ny Ben’ny tanànan’Antananarivo mba handinika tsara ny fifanarahana teo amin’ ny MBS sy ny kaominina Antananarivo aloha aho, izay vao handray fepetra toy izao », hoy izy nanoloana ny mpanao gazety, omaly. Tsy maintsy hiala eny Anosimpatrana, noho izany, ity haino aman-jery ity aorian’ny enim-bolana, nanomboka tamin’ny 30 jolay lasa teo, fotoana nivoahan’ny taratasy fampahafantarana avy amin’ ny kaominina. L’article Fananan-tany :: Esorin’ny kaominina eny Anosimpatrana ny MBS est apparu en premier sur AoRaha.

News - Midi Madagasikara

Betroka : Dahalo dimy azo sambo-belona niaraka tamin’ny omby 4

Noho ny fanomezam-baovao marim-pototra avy tamin’ny olona tsara sitrapo ny mpitandro filaminana, ka tao anatin’ny fanarahan-dia niarahan’ny Fokonolona sy ny Zandary, dia voasambotra tao Ilakaka ny dahalo dimy sy omby  efatra tamin’ireo very tany amin’ny Kaominina Andriadapy, Distrikan’i Betroka, ny 20 Jona lasa teo. Raha ny vaovao voaray, efa niaraka tamin’ny kavina vaovao sy taratasy famotsiana  omby halatra ny telo tamin’ireo omby. Nisy avy hatrany moa ny fanadihadiana lalina nataon’ny Zandary amin’ny ady atao amin’ny famotsiana omby izao, ka misy patiraon’omby sy mpanao ny taratasin’omby (dahalo ambony latabatra) no voasaringotra ao anatin’ity raharaha famotsian’omby ity. Eric ManitrisaL’article Betroka : Dahalo dimy azo sambo-belona niaraka tamin’ny omby 4 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

“Madajazzcar” : efa nanome vinavinam-potoana

Na tsy mbola nisy aza ny tena fivoahan’ny fandaharam-potoana raikitra sy ny hetsika hotontosaina ao anatin’izany, tazana ao anatin’ ny tambajotran-tserasera ko­sa ny fanoloran-dry zareo mpikarakara ny “Festival Madajazzcar”. Ny 1 oktobra ka hatramin’ny 4 oktobra izao no voasoratra fa hanatontosana ny andiany faha-31. Raha ny fizotran’ireo an­diany teo aloha, mety ho azo vinavinaina ihany ny hisian’ny hetsika tanterahina any anaty trano, toy ny seho sy ny fifanakalozana isan-karazany. Ireo fampisehoana le­hibe no mety ho mbola tsy azo atao raha mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana ny firenena.Raha tsiahivina, anisan’ ireo hetsika kolontsaina sy zavakanto maro mpitia sy mpanaraka tokoa ny “Festival Madajazzcar”. Na eto an-toerana izany na ny any ivelany. Sehatra natao ifanakalozana eo amin’ny sa­my mpanakanto, eo amin’ ny mpanakanto sy ny mpankafy jazz, sns, rahateo izy ity, hany ka maro ireo liana sy te hampivoatra ny fahalalany. Tsy mitsahatra manome vahana ny talentan’ireo mpanakanto vao misondrotra ihany koa ny mpikarakara. Efa antoka iray lehibe sy varavarana mivoha ho an’ny hoavin’ireo tanora manan-talenta ny fisian’izany.Tsetsatsetsa tsy aritra ny ilazana fa maro ireo mpilalao jazz (mpihira, mpitendry…) nasongadin’ny “Festival Madajazzcar”. Tsy vitsy ihany koa ireo nifoha talenta, noho ny fijerena ny seho nandritra ny andiany teo aloha. Miandry fatratra ny fandaharam-po­toana raikitra ny mpankafy jazz!HaRy RazafindrakotoL’article “Madajazzcar” : efa nanome vinavinam-potoana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Minisitry ny Mponina, i Bavy Angelica: “Isaorana ireo manampy ny havana any atsimo »

Mijoro ho mpamaha olana ny fitondrana foibe sy ny minisiteran’ny Mponina, indrindra amin’ny fanohanana ny any atsimo. Maro ireo nandray andraikitra amin’ny fanampiana azy ireo any. Anisany ny minisiteran’ny Mponina sy ireo fikambanana na ny ONG sy ireo olon-tsotra tsy ankanavaka nifanome tanana. “Isaorana amin’ny fijerena ny maha olona sy ny fijerena ny soa ho an’ny mpiara-belona”, hoy ny minisitra Bavy Angelica. Nanteriny fa manao ny ezaka rehetra hoentina hanampiana ireo mponina any atsimo ny minisitera. Manana drafitra maty paika ho amin’ny fohy ezaka sy lavitra ezaka. Efa nidina ifotony nitondra fanampiana sy nampahery ireo vahoaka tratran’ny kere any atsimo ny minisitra. Nambarany fa hatsangana ny ivontoerana ho an’ireo zaza, tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo, raisina an-tanana ao amin’ny minisiteran’ny  Fahasalam-bahoaka. Hanomboka ny herinandro ho avy io koa ny hetsika “Kaly tsinjo”, iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Anisan’ny hisitraka izany koa ireo distrika tena voakasika manokana tamin’ny valanaretina Covid-19.Etsy andaniny, nankasitraka ny fandraisan’andraikitry ny vadin’ny filoha, Rajoelina Mialy, manoloana ny firongatry ny herisetra, nahazo vahana tato ho ato. “Fiadiana sy fiarovana ny azon’ny ankizy no imasoany. Fiarovana ireo voan’ny herisetra”, hoy ihany izy.Synèse R. L’article Minisitry ny Mponina, i Bavy Angelica: “Isaorana ireo manampy ny havana any atsimo » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tatitry ny asan’ny governemanta: hifanatrika amin’ny « visioconférence » ireo depiote sy ny PM

Hanao tohivakana ato anatin’ny herinandro. Hanomboka, anio, ny fifanatrehana ampitain-davitra eo amin’ny depiote sy ny mpikamban’ny governemanta. Hisantatra izany ny Praiminisitra, i Ntsay Christian, hanao tatitra ny asa vitan’ny mpanatanteraka. Hanohy izany, avy eo, ny minisitry ny Toekarena, Randriamandrato Richard. Ary ny tolakandro, anjaran’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ary ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fikarihana siantifika.Hitohy ny alakamisy izany amin’ny alalan’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, miaraka amin’ny minisitry ny Fitsarana. Hotohizan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, ny Filaminam-bahoaka ary ny eo anivon’ny Sekreteram-panjakana misahana ny Zandarimariam-pirenena (Seg). Sambany ny fihaonana tahaka izao, atao amin’ny alalan’ny sary sy feo ampitain-davitra (visioconférence) na efa niady fo mafy ny hifanatrehana mivantana eny amin’ny CCI Ivato aza ireo depiote avy amin’ny mpanohitra. Anisan’ny tena hitrikitrihin’izy ireo manokana ny minisitry ny Toekarena sy ny vola. Tafiditra ao anatin’izany ny fitantanana ny vola niatrehana ny Covid-19, efa notakin’ny FFKM sy ny fiarahamonim-pirenena mangarahara koa. Manampy izany ny tsy hahatrarana ny fiakaran’ny harinkarena hatrany amin’ny 4% ho an’ity taona ity, tsy araka ny nambaran’ny minisitry ny Vola, tamin’ny taon-dasa, araka ny nambaran’ireo depiote mpanohitra hatrany.Araka izany, andrasana ny ho fizotran’izany amin’izao fomba fiasa izao sy ny ho fandehan’ny adihevitra.Synèse R.   L’article Tatitry ny asan’ny governemanta: hifanatrika amin’ny « visioconférence » ireo depiote sy ny PM a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanelanelanan’ny CFM: dimy ireo nahazo famotsoran-keloka noho ny krizy politika

Noporofoin’ny CFM fa miasa izy ireo. Nanterin’izy ireo koa anefa fa zava-dehibe ny fampihavanana, ankoatra ny famotsoran-keloka ho an’ireo voarohirohy noho ny krizy politika teto amin’ny firenena.Olona dimy avy eto amin’ny faritan’Antananarivo amin’ireo 20 nangataka izany no nahazo  ny  famotsoran-keloka, ny 11 desambra, teo araka ny nambaran’ny eo anivon’ny CFM, omaly. Voasaringotra noho ny krizy politika ho an’ny taona  2002  sy ny taona 2009 izy ireo, araka ny nambaran’ny filoha lefitry ny CFM, Ramamimampionona Gérard, tetsy Ampefiloha.  “Andraikitray izany mba hanamafisana orina ny fihavanana ho lavitry ny disadisa. Tafiditra amin’ny fikendrena ny fampihavana ny firenena”, hoy izy. Nanteriny fa heloka noho ny antony politika izany.Nandalo dingana sy lalana sarotraNandalo dingana sy lalana sarotra anefa izany. Anisan’izany ny fanadihadiana sy ady hevitra teny anivon’ny fitsarana sy teo anivon’ny fivoriamben’ny CFM, vao nirosoana ny fanapahan-kevitra amin’ny famotsoran-keloka, araka ny nambarany. Nanambara kosa ny mpikamban’ny CFM misahana ny famotsoran-keloka fa tsy mijanona eo amin’ny fampihavanana fotsiny ihany izy ireo. “Mikendry ny firaisankina. Tsy maintsy mifamela heloka isika satria mety nisy ny fanenjehena tsy an-drariny nefa koa tsy misy anjely eto. Famotsoran-keloka ho an’ny fampihavanan ny an’ny CFM”, hoy ihany izy.Synèse R.L’article Fanelanelanan’ny CFM: dimy ireo nahazo famotsoran-keloka noho ny krizy politika a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) francophones. Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 160 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC. MISSION En tant que Téléconseiller(ère) francophone, vos missions seront : PROFIL VOS AVANTAGES Si tout cela vous parle, vous êtes le candidat qu’il nous faut ! Merci de postuler en ligne sur notre site www.eufonie.fr/jobs. Vous pouvez également adresser votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ; Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones".

A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090
20/06/2021

Antminer Bitmain S19J Pro, SHA-256 with Hashrate, 100.00TH/sAntminer Bitmain S19J, SHA-256 with Hashrate, 90.00TH/sAntminer Bitmain S19 Pro, SHA-256 with Hashrate, 110.00TH/sAntminer Bitmain S19, SHA-256, with Hashrate, 95,00TH/sAntminer Bitmain T17+ SHA-256, with Hashrate, 58.00TH/sAntminer Bitmain T17, SHA-256, with Hashrate, 40TH/sGeForce RTX 3080 / 3070/3090 GTX 2080 Ti, 1080 Ti, 1070 Ti, 2080, 1080, 1070, 1060 Ti, 1060, 2080 Ti, RTX 2070 , RX 5700 XT. NVIDIA GeForce RTX 3060 Ti NVIDIA GeForce RTX 3080  NVIDIA GeForce RTX 3090All Sealed In Original Box With Warranty Full Accessories With Discount.REQUIRED FOR YOUR ORDER AS QUICK AS POSSIBLE .... Urgent Response Whatsapp : +17076412645 E-mail : ms7088344@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
16/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services Travaille en ligne
18/06/2021

Quelle est l'essence de l'œuvre ? Nous proposons aux utilisateurs de visionner des vidéos promotionnelles prépayées de divers annonceurs mondiaux et d'obtenir de l'argent pour cela. Parmi nos annonceurs figurent les plus grands producteurs d'appareils électroménagers, les principaux détaillants et les meilleurs blogueurs vidéo. Notre système accepte uniquement les vidéos à haut rendement et de haute qualité sélectionnées et testées par nos experts. Combien puis-je gagner ? À l'heure actuelle, le coût d'une minute de vidéo promotionnelle est de 50 centimes. C'est simple : pour 1 heure de travail, vous pouvez gagner 30,00 dollars. Si vous travaillez au moins 3 heures par jour, votre revenu quotidien sera de 90,00 $, et dans un mois, il sera de 2700 dollars. Selon les résultats des enquêtes menées, le site txovideo.xyz est actuellement le système leader parmi les autres systèmes de visionnage de vidéos payantes. Vous pouvez le constater par vous-même - voir  les paiements en ligne Comment puis-je retirer de l'argent? À la demande de l'utilisateur, l'argent est retiré du système dans un délai d'une heure pendant les heures de travail ou dans un délai de 3 à 4 heures en dehors des heures de travail (y compris les jours fériés et les week-ends). Nous proposons un choix de plusieurs systèmes de paiement, à l'aide desquels vous pouvez retirer l'argent gagné. Pour le moment, le retrait est possible sur les cartes bancaires de toutes les banques étrangères, les comptes bancaires, les portefeuilles Bitcoin et PayPal (via le système de paiement Western Union)Plus d'informations et inscrivez vous à partir de ce lien  https://txovideo.xyz/969907918013662Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travaille en ligne".

Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT
14/06/2021

Voici des sites qui permettent de gagner de l'argent gratuitementhttps://mining-forever.com/?ref=rajaonarshttps://duplinow.com?aff=70888https://banana-cash.com?aff=15898https://topmining.host/?ref=1190Vous n'avez pas de compte payeer ?https://payeer.com/?session=16887921Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT".

Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues angophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) bilingues anglophone.Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 150 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC.En tant que  Téléconseiller(ère) bilingue, vos missions seront de :PROFIL :VOS AVANTAGES :Merci de postuler votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ;Pour entrevoir nos offres d'emplois, merci de visiter www.eufonie.fr/jobs.Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues angophones".

Emploi et services Développeur Laravel
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans l'externalisation,Développeur LaravelEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVLARAVEL-0621(+261) 034 10 826 36 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Laravel".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
18/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services Asa en ligne
14/06/2021

Asa en ligne mety ho an'ny rehetra,  afaka atao na tsisy investissemenr aza satria omwna bonus 10$ ianao hampiakatra nybalsnce_nao, nefa raha te hahazo vokatrhttps://fastscash.online/?ref=25212 raha te hahazo vokatra haingana dia afaka manao investissemebt 0,5$minimum. Manaova inscription eto https://fastscash.online/?ref=25212  fa omena fanazavana ianao. Ny sakana ho anao dia ny tsy fanombohana azy. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Asa en ligne".

Emploi et services Antares trade, prêt possible
18/06/2021

Bonjour à tous!Il est maintenant possible de demander un prêt avec Antares. Vous n'avez plus d'excuse pour ne pas vous inscrire sous motif de manque de fond. Antares est là pour vous dépanner, et vous prouver que l'investissement dans le site marche et n'est pas une arnaque comme les gens le pensent. Le prêt va de 100$ à 4000$! Ils appellent l'investissement P2P c'est-à-dire de partenaire à partenaire. Avec cet investissement, vous pouvez percevoir des revenus de 0,5% par jour pendant 12 mois, tandis que la plateforme rembourse votre prêt à votre place. Par exemple vous empruntez 2500$ pour prendre le pack de 2500$. Au lieu de recevoir les 1% par jour soit 25$ par jour environ, vous recevez 12,5$ par jour et votre prêteur revoir également 12,5$ par jour.Il est n'est valable que pour les nouveaux arrivants et ne fonctionne que si: - l'emprunteur sollicite un prêt et s'inscrit auprès d'Antares- l'investisseur émet un emprunt sur 12 mois avec un rendement moyen de 0,5%/jour- l'emprunteur investit dans un produit d'investissement séparé avec un rendement de 0,5% par jourCe programme vous permet de participer à un programme d'affiliation basé sur le marketing linéaire, dont vous pouvez en savoir plus ici : https://antares.trade/antares-p2p-platform/#partners.Pour vous inscrire: https://antares.trade/personal/?signup=MG000823370Pour plus d'informations, veuillez me contacter par mail: shonaliyah3@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Antares trade, prêt possible".

Emploi et services Un Contrôleur de gestion
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans la relation clientèle et BPO à Madagascar, recherche activement un (01) contrôleur de gestion :   Vous aurez pour mission :Votre Profil :Vos avantages :Merci d’adresser votre candidature composée de votre CV et d’une lettre de motivation à l’adresse recrutement@eufonie.frSeules les candidatures présélectionnées feront l’objet d’un entretienCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Un Contrôleur de gestion".

A vendre A vendre Fauteuil dentaire complet en bonne état
14/06/2021

Un fauteuil dentaire complet en parfait état  constitué d’un fauteuil inclinable, d’un bras articulés, d’un compresseur, d'un ensemble d’ instrumentation dentaire, d’une soufflette à air/eau, d’un crachoir, d’un système d’aspiration, d’un scialytique, et d’un siège à roulettes pour le praticien, stérilisateur pour les outils à main, ...Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A vendre Fauteuil dentaire complet en bonne état".

Notsongaina

Kitra – Fanomanan-tena: misongadina ny tanjaka sy ny fahaiza-miaraky ny Barea
14/06/2021

Mizotra an-tsakany sy an-davany ny fanomanantenan’ny Barea de Madagascar. Taorian’ny lalao tsapa teo amin’ireo samy mpilalao, hita fa voarain’ireo mpilalao ny taktika nomena azy ireo tsirairay avy.Namaranana ny herinandro voalohany amin’ny fanazarantenan’ny Barea de Madagascar, ny lalao fitsapana teo amin’ireo samy mpilalao nantsoina. Fihaonana, notanterahina teny amin’ny kianja Ambohidratrimo, ny asabotsy lasa teo. 30 mn intelo miditra ny nanaovana ny tsapa ka nampifangaroana ireo mpilalao rehetra. Nisy ireo tsy niala mihitsy, toa an’i Berajo, Bapasy, Paulin, Lapoussin, Hakim, Njiva, El Hadary, Bance, Dax, Fabrice.Hita taratra fa hain’ireo mpilalao ny nampihatra ireo paikady nomena sy nampianarina azy ireo. Tsara rafitra ny vodilaharana ary mirindra ny fanamboarana ny fanafihana eo ampovoan’ny kianja, saingy tsy ampy kosa ny tifi-davitra eo amin’ireo lohalaharana. Ao anatin’ny tanjany tanteraka ihany koa ireo mpilalao.  “Afa-po aho satria samy naneho ny fahaiza-manao tamin’ny zavatra nampitaina ireo mpilalao na teo aza ny havizanana vokatr’izany. Vita iny ka hiaraka hidinika amin’ireo mpiara-miasa amiko aho, ny amin’ny ho tombanezaky ny tsirairay”, hoy Rabesandratana Eric, mpanazatra.Tsiahivina fa tsy niatrika iny lalao tsapa iny i Carolus sy i Anicet.Tsapan’ny rehetra fa nisy fiovana ny Barea, na ny fihetsika sy ny fomba fitondran-tenan’ireo mpilalao teny ambony na tety ivelany, araka ny takin’ny mpanazatra. Raha tsy misy ny fiovana, horaisin’ny filoham-pirenena etsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina ny Barea, rahampitso talata ary hiatrika lalao tsapa farany, amin’ny alarobia ka mbola andrasana izay ekipa mety hifanandrina amin’izy ireo, amin’izany. TompondakaL’article Kitra – Fanomanan-tena: misongadina ny tanjaka sy ny fahaiza-miaraky ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Solfa sy sorapeo: hivoaka ny Tiona Bagasy Henri Ratsimbazafy
15/06/2021

Manan-karena ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Mitohy hatrany ny famoahan’ny mpikarakara ny “Tiona Bagasy”. Hiompana amina mpanakanto iray izy amin’ity boky vaovao ity.Asa goavana no vita! Tontosa soa aman-tsara ka hivoaka ny 26 jona izao ilay boky sy CD (mirakitra ireo feonkira) nampitondraina ny lohateny Tiona Bagasy Henri Ratsimbazafy. Araka io lohateniny io, natokana ho an’ireo hira nokaloin’i Henri Ratsimbazafy izy ity, ka hira sy tonony mahatratra 26 no voasoratra amina solfa sy sorapeo ao anatin’ny boky roa sy voarakitra ao anatin’ilay kapila mangirana (CD) miaraka aminy ny feony. Amin’ny fiteny malagasy sy anglisy ary frantsay ny boky Tiona Bagasy Henri Ratsimbazafy, na ny “TBG HR”. Nanao ny solfa sy sorapeo : i Mbosa Rabenasolo sy i Olivier Ramorasata ary i Naina Andrianarivony.Ireto avy ireo hira vita solfa sy sorapeo ao anatin’ny boky voalohany: “Bobongolo ilay fitia”, “Dans ma case en falafa” (Ao an-trano falafa), “Fitiavan’ankizy”, “Fony aho”, “Hodian-tsy hita ve”, “Ianao”, “Ilay sarinao”, “Indro tazako”, “Tiana”,“Kalon’ny any Tyrol”, “Kanefa…”, “Iarivo », « Kidaombaramita », « La chercheuse d’eau » (Ilay mpantsaka), « Lasa izahay ».Ny ao anatin’ny boky faharoa kosa : “Mamy indray ny miaina”, “Manimanina”, “Ny fitiavana ihany”, “Ny itiavako anao re ry Mama”, “Ny lambanao mikopakopaka”, “Prends ma main”, “Raozy maina”, “Ry Voahirana ô”, “Satria tia ahy ianao”, “Talaky mandeha”, “Ton lamba blanc”, “Vao teny antsasa-dàlany”, “Veloma… doria”.Nanao ny sasinteny i Benjamina Emadisson, nanoratra ny “préface & forewords” i Beby Randretsa-Rabenasolo. Teny fanolorana notontosain’i Mbosa Rabenasolo.HaRy RazafindrakotoL’article Solfa sy sorapeo: hivoaka ny Tiona Bagasy Henri Ratsimbazafy a été récupéré chez Newsmada.

Antohomadinika: nahazo toerana fanasan-damba
16/06/2021

Tonga nitokana ny toerana fanasan-damba etsy Antohomadinika ny ben’ny Tanàna,  Andriantsitohaina Naina, omaly. Tafiditra amin’ny fanatanterahana ny Veliranon’Iarivo sady fampanatenana tamin’ny fampielezan-kevitra izany. Nohatsaraina sy nohavaozin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny toeram-panasana lamba eny an-toerana noho ny fahasimbany ary naverina nolokoina tanteraka. Niara-niasa amin’ny fanatanterahana izany ny ny IFi, indrindra amin’ny fanampiana tamin’ny fanamboarana ny “bassin ».Etsy andaniny, efa maro ny fanavaozana sy ny fanatsarana ny “bassin lavoir” nataon’ny CUA manerana ny boriborintany rehetra.Nampanantena ny mponina eny an-toerana ny ben’ny Tanàna fa mbola hohatsaraina sy hohavaozina ireo “bassin” mila fanamboarana rehetra. “Hamboarina tsy ho ela ny lalana eny Antohomadinika. Efa tafiditra indrindra ao anatin’ny tetikasan’ny kaominina izany”, hoy izy. Naneho ny fahavononany hifandray tanana amin’ny fanatsarana an’Antananarivo amin’ny CUA ny IFi ary hidinika sy hiaraka miisalahy amin’ny ny ben’ny Tanàna amin’ny fampandrosoana ny tanàna.Synèse R.L’article Antohomadinika: nahazo toerana fanasan-damba a été récupéré chez Newsmada.

Loka Orange 2020 : nankasitrahana ny orinasa mendrika 10
19/06/2021

Natolotry ny orinasa Orange Madagasikara, omaly, ny loka ho an’ireo orinasa malagasy mendrika tamin’ny lafiny fandraharahana miompana amin’ny sosialy, ny “Prix Orange de l’Entrepreneur social 2020” aty Afrika sy Moyen Orient.Ho an’ny eto Madagasi­kara, nanohana ny Orange Mada­gasikara ny Rafitra manohana ny orinasa hampiasa vola eto Madagasikara (EDBM). Niisa 40 ny nandray anjara ka 10 no nomena loka. Nahazo ny voalohany, ny Andao Share, vovonana manohana ara-bola, mampifandray amin’ny ala­lan’ny internety ny mpanome fanomezana sy ny fikamba­nana manana tetikasa sosialy. Faharoa, ny Healthia, misa­hana fanamboarana kaody (code) informatika, amin’ny alalan’ny teknolojia internet block Chain. Fahatelo, ny Map­wess, vovonana mampifandray ny mpianatra afrikanina sy ny oniversite any ivelany amin’ny internety, manamora izay safidy tiany avy. Loka fahefatra, natokana ho an’ny vehivavy, nomena ny Alt Soap, mamokatra savony avy amin’ny akora efa niasa nahodina, zaraina ny olona marefo sy ny fikambanam-behivavy. Fahefatra, ny loka manokana coup de Coeur Covid-19, azon’ny Rem’aide, mikirakira fampiasana ny finday (application) ho an’ny olona te hahalala ny toe-pahasalamany sy manampy ny mpiasan’ny fahasalamana handamina ny fomba fiasany. Nanolotra ny loka ny tale jeneralin’ny Orange Madaga­si­kara, i Michel Degland sy ny tale jeneralin’ny EDBM, Ravalomanda Andry.Njaka A.L’article Loka Orange 2020 : nankasitrahana ny orinasa mendrika 10 a été récupéré chez Newsmada.

Mort suspecte de Nasandratra : L’Armée malagasy apporte sa version
15/06/2021

Face aux publications sur les réseaux sociaux impliquant l’Armée malagasy dans la mort suspecte d’un adolescent de 15 ans, appelé Nasandratra Valimbavaka Rambolamendrika, à Ivato le 6 juin 2021, l’Etat-major des Armées a apporté les explications suivantes. Les militaires de la Base aéronavale d’Ivato (Bani) n’ont fait que secourir la victime qui a été retrouvée agonisant dans la rue, ce jour-là vers 19h. Devant ces faits, les militaires l’ont amené d’urgence à l’hôpital Joseph Ravoahangy Andrianavalona. Deux heures avant sa découverte dans la rue, cet adolescent et son ami avaient été appréhendés par le fokonolona pour avoir volé une bicyclette. Rués de coups par le fokonolona, ils se sont introduits dans l’enceinte de la Bani. Avisés de l’incident, les militaires les ont arrêtés pour les livrer au poste avancé de la gendarmerie de la localité. Il reste alors à savoir comment cet adolescent est arrivé à l’endroit où il a été trouvé par les militaires. Selon les explications de ces derniers, ils sont intervenus car porter secours à une personne en difficulté fait partie des missions des forces de l’ordre. Cela entre dans le cadre de l’action Civilo-Militaire. On attend alors la suite de cette affaire. La famille de la victime qui est venue récupérer le corps hier à la morgue à Ampefiloha, a affirmé souhaiter l’ouverture d’une enquête. T.M. L’article Mort suspecte de Nasandratra : L’Armée malagasy apporte sa version est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Mort suspecte de Nasandratra : L’Armée malagasy apporte sa version a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Covid-19: 64 ny tranga vaovao tao anatin’ny 48 ora
14/06/2021

Ho an’ny faran’ny herinandro, nahatratra 756 ny isan’ny fitiliana vita ka nahitana tranga vaovao 64, nisy olona valo lavon’ny valanaretina tao anatin’ny 48 ora. 49 kosa ireo sitrana soa aman-tsara, araka ny antontanisa nivoaka ofisialy. 97 ireo tranga misy fahasarotany hatramin’ny 12 jona teo. Ho an’ny tranga vaovao 39 voatily ny 12 jona, 17 tamin’ireo teto Analamanga avokoa. Mitohy ny fanentanana ny vahoaka mihoatra ny 18 taona noho miakatra hanatona ny toeram-panaovana baksiny akaiky azy. Hatreto aloha, malaina ny ankamaroan’ny mponina handray ny fatra voalohany, indrindra ireo mpiasan’ny fahasalamana nantenaina hisitraka voalohany izany. Fito ny toerana fanaovam-baksiny ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra.Araka izany, tsy mbola resy tanteraka ny aretina ka mila mitandrina hatrany ny rehetra ary entanina hanaraka an-tsakany sy an-davany ireo fepetra ara-pahasalamana tafiditra ao anatin’ny fepetra fiarovana ny fiparitahan’ny valanaretina. L’article Covid-19: 64 ny tranga vaovao tao anatin’ny 48 ora a été récupéré chez Newsmada.

Nicolas Dupuis : Fin du stage de recyclage licence A UEFA
14/06/2021

« Je viens de terminer mon stage de recyclage », a publié l’ancien sélectionneur des Barea, en fin de semaine. Titulaire de la licence A UEFA, Nicolas Dupuis se doit de suivre un stage de recyclage tous les trois ans. « C’est une obligation jusqu’à l’âge de 60 ans. J’aurais encore deux recyclages à faire. Sans le diplôme d’entraîneur de football, je ne peux pas rester sur les bancs. Je n’aime pas parler de ça. Ça me gêne. C’est très intéressant de participer à ce stage avec des entraîneurs de haut niveau », a continué Dupuis. Il était aux côtés des entraîneurs en provenance du Sénégal, de Djibouti, de l’Algérie, du Luxembourg et de l’Angleterre. Le recyclage a duré cinq mois, organisé par la fédération française de football et de l’UEFA. Le technicien français possède encore le diplôme DESJEPS football sur la performance sportive. Mais avec la suspension de son contrat à la tête des Barea et sa nomination à la tête de l’Académie Nationale Sportive de Haut-Niveau, Nicolas Dupuis met entre parenthèses son statut d’entraîneur de football. Sitôt nommé à la tête de l’ANSHN, Nicolas Dupuis a effectué la visite du terrain où seront construits les locaux de cette structure devant préparer les futurs sportifs malgaches. « L’académie sera multisport et beaucoup d’entraîneurs malgaches vont travailler sur place », a-t-il déclaré. Titulaire du doctorat STAPS, DEA STAPS, selon ses dires, il a les diplômes les plus élevés pour diriger une structure, une fédération et une association. « Cette nomination n’est pas le fruit du hasard », a-t-il conclu. T.H L’article Nicolas Dupuis : Fin du stage de recyclage licence A UEFA est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Nicolas Dupuis : Fin du stage de recyclage licence A UEFA a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Tselatra
18/06/2021

 Voasambotry ny polisy, ny alarobia teo ilay teratany vahiny 41 taona mpanao trafikana rongony. Tratra teny Analamahitsy izy ary mbola nahatrarana rongony milanja 450g. Fantatra ihany koa fa efa tapitra efa ela ny fe-potoanan’ny taratasy ahafahany mijanona eto Madagasikara, hoy ny polisy. Nambarany fa sady mivarotra no mifoka rongony io lehilahy io. Mifoka izany indroa isan-kerinandro izy ary ireo olona fantany sy mifandray aminy eny Analamahitsy sy Ambatobe no manjifa izany amin’ny vidiny 40.000Ar ny grama.Tra-tehaky ny polisy tetsy anoloan’ny HJRA, omaly maraina, ny lehilahy iray voalaza fa mpamaky fiara. Lasibatrany tamin’izany ny fiarana mpitsabo ao amin’ny HJRA ka lasany  ny « auto-radio » tao anatiny. Tsikaritry ny tompon’ny fiara ny asa ratsin’io lehilahy io ka niantso polisy avy hatrany izy. Tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana ka mbola tratra teny aminy avokoa ireo fitaovana efa namboariny manokana hanokafany fiara. Natao fanadihadiana ralehilahy ary efa naverina tamin’ny tompony ny entana nangalariny. L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

Ady amin’ny fampiasana ankizy- Rajoelina Mialy: “Zava-dehibe ny vahaolana miaraka amin’ny ray aman-dreny”
14/06/2021

Ho fanamarihana ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny fampiasana ankizy,  nikarakara fifanakalozana natao tamin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra ny fanjakana frantsay sy ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny asa (OIT), ny zoma lasa teo.Nandray fitenenana nandritra izany ny vadin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Mialy. Nanana solontena koa ny firenena maromaro nitondra fanehoan-kevitra momba ny lohahevitra. Natokana indrindra ho taona hamongorana ny asan’ny ankizy ity taona ity. Zava-misy amin’ny andavanandron’ny fianakaviana ny ankizy voatery miasa noho ny antony samihafa. Maneran-tany, mahatratra 160 tapitrisa ny zaza (5-17 taona) miasa ka manao asa mampidi-doza ho azy ny 70 tapitrisa amin’ireo araka ny tatitry ny OIT sy ny Unicef momba ny fanadihadiana mikasika ny ankizy miasa, ny taona 2020. Nanampy trotraka koa ny fisian’ny valanaretina Covid-19 namparefo ara-bola ny tokantrano maro ka nampitombo ny isan’ny ankizy nirotsaka amin’ny asa hanampiana ny vola miditra isam-pianakaviana. Nomarihin’ny vadin’ny filoha sady filohan’ny fikambanana Fitia fa anisan’ny miady amin’ny fampiasana ankizy ny fikambanana natsangany. Noho ny fiaraha-mientan’ny fanjakana tsirairay sy ny mpiray ombon’antoka vahiny, efa nidina ho 38% ny tahan’ny fampiasana ankizy maneran-tany ary 22 000 mamoy ny ainy vokatr’izany isan-taona. Eto Madagasikara, 22%-n’ny ankizy no voakasiky ny asa ka tsy maintsy misy andraikitra raisina haingana, araka ny nambarany. Efa voavolavola ny drafitrasam-pirenena iadiana amin’ny fampiasana ankizy amin’ny fitrandrahana vato ary efa an-dalana ny fametrahana drafitrasa faharoa toy izay ho an’ny sehatry ny vanila. Ankoatra izay, mifanindran-dalana amin’ny ezaky ny fanjakana ny asan’ny fikambanana Fitia nanangana orinasa mpanodina sakafo avy amin’ny vokatry ny fambolena sy fiompiana. Vehivavy ny ankamaroan’ny mpiasa ao anatiny hanatsara ny fidiram-bola ahafahan’ny zanany mianatra. Vokatra hanatsara ny fanjarian-tsakafo no vitan’ny orinasa, izay hozaraina any an-dakilasy ho an’ny mpianatra. Zava-dehibe ny fandresen-dahatra ny ray aman-dreny sy ny fijerena vahaolana miaraka amin’izy ireo eny ifotony mihitsy.Vonjy A.L’article Ady amin’ny fampiasana ankizy- Rajoelina Mialy: “Zava-dehibe ny vahaolana miaraka amin’ny ray aman-dreny” a été récupéré chez Newsmada.

Hitohy hatramin’ny rahampitso ny erika: hidina hatramin’ny 8°C ny maripana eto afovoan-tany
14/06/2021

Raha tafakatra 13°C ny maripana ho an’ny faritra Vakinankaratra, roa andro lasa izay, tombanana hidina hatrany amin’ny 8°C izy, rahampitso. Hidina torak’izany koa ny maripana ho an’ny rahampitso, ialoavan’ny zavona maraina, araka ny fanazavan’ny teknisianina mpamantatra ny toetr’andro, omaly. Ho an’ny telo andro ho avy, satria mbola ao anatin’ny vanim-potoana ririnina isika, manodidina ny 23°C ny maripana ambony indrindra. Momba ny toetr’andro, mbola hitohy anio ny orana sy ny erika ho an’ny ilany atsinanana sy eto afovoan-tany. Misy tangoron-drahona ao amin’ny ilany atsinanana, manakaiky ny morontsirak’i Mahanoro ny foibeny, izay mitondra ny orana. Efa mihamanalavitra ny morontsiraka izy manomboka rahampitso. Mbola hitohy noho izany ny Erika, rahampitso, eto afovoan-tany fa hiverina ho maina ny andro, ny alarobia. Ahitana fikorontanana koa ny atmosifera ao amin’ny lakandranon’i Mozambika, manatona ny atitany mitondra orana eto afovoan-tany, rahampitso. Hikisaka any amin’ny ilany avaratra ny orana, ny alarobia, raha any amin’ny tapany atsinanana izy no manjaka izao.Anio tolakandro, handrahona any Boeny, Melaky, Anosy, Androy, Sava, Diana sy ny morontsirak’i Menabe ary ny tapany Atsimon’Atsimo Andrefana. Hanjombona mety arahina orana na tandrifin-drahona indraindray ny faritra sisa.Vonjy A.L’article Hitohy hatramin’ny rahampitso ny erika: hidina hatramin’ny 8°C ny maripana eto afovoan-tany a été récupéré chez Newsmada.

Mahazoarivo : Le PAM chez le Premier ministre
19/06/2021

Le Premier ministre Christian Ntsay a reçu, hier matin, la délégation du Programme Alimentaire Mondial (PAM) conduite par David Beasley, et qui a vu la présence du ministre de l’Eau, de l’Assainissement et de l’Hygiène. Le chef de délégation a fait savoir sa satisfaction concernant le partenariat avec les membres du gouvernement, notamment sur la lutte contre la Covid-19, les impacts des changements climatiques, mais surtout la descente dans le Sud du pays pour constater de visu la réalité. Il a également souligné que la priorité sera donnée, entre autres, à l’eau potable, à l’agriculture et à l’éducation. Recueillis par Dominique R L’article Mahazoarivo : Le PAM chez le Premier ministre est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Mahazoarivo : Le PAM chez le Premier ministre a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Jly Sahivelo Delphin: voatendry ho lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika
19/06/2021

Tontosa omaly teny amin’ny Etamazaoron’ny Tafika eny Andohalo ny famindram-pitantanana ara-taratasy teo amin’ny lehiben’ny Etama­zao­ron’ny Tafika teo aloha, andeha hisotro ronono, ny Jly Rabenaivoarivelo Jean Claude sy ny lehiben’ny Etamazao­ron’ny Tafika vaovao, ny Jly Sahivelo Delphin. Voatendry nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny 18 jona 2021 teo ity manamboninahitra ambony hisahana ny fibaikoana eo anivon’ny Tafika Malagasy ity. Marihina fa nisahana ny fandrindrana ankapobeny ny tetikasa teo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny lehiben’ny Etamazao­ron’ ny Tafika vaovao.Jean ClaudeL’article Jly Sahivelo Delphin: voatendry ho lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika a été récupéré chez Newsmada.