JIOI 2019 – Minisitra Tinoka Roberto: “Nahafa-po ny vokatra azontsika Malagasy”

News - JIOI 2019 – Minisitra Tinoka Roberto: “Nahafa-po ny vokatra azontsika Malagasy”

News - JIOI 2019 – Minisitra Tinoka Roberto: “Nahafa-po ny vokatra azontsika Malagasy”

Noraisin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Tinoka Roberto, teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina,omaly, ireo federasiona nandray anjara nandritra ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-10, natao tany Maorisy.   Natao jery todika ny vokatra azon’ireo atleta malagasy nandray anjara, niisa 200 mahery. Noresahina koa ny valin-kasasarana hatolotra ireo nahazo medaly. “Afa-po tamin’ny ezaka nataon’ny mahery fo isika. Tena niezaka izy ireo  ka mendrika homena fankasitrahana sy fanohanana”, hoy  ny minisitra Tinoka Roberto. Voaresaka  koa ny fomba handraisana ireo atleta sy ny lanonana momba izany, hahafahana maneho ny fankasitrahana. Nodinihina ny hahazoana vokatra tsaratsara kokoa hatrany. “Tokony hahasaro-piaro ny vokatra ary mila hatsaraina. Tsy misy ny tonga lafatra. Mila miezaka hahazoana fahombiazana”, hoy  ihany izy.Notsofina rano koa ny Makis vehivavy, hiatrika ny fiadiana ny tompondaka an’i  Afrika, taranja rugby, hatao manomboka ny zoma ho avy izao any Afrika Atsimo.  Etsy andaniny, hanomboka tsy ho ela ny fampivondronana ireo atleta hiatrika lalao afrikanina, hanomboka ny19 aogositra izao any Maraoka.

Miarintsoa.Raz

 

Article tiré de Newsmada

L’article JIOI 2019 – Minisitra Tinoka Roberto: “Nahafa-po ny vokatra azontsika Malagasy” a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 07/08/2019

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Ravalitera Jacques Michaël avy amin’ny firaisamonina sivily: “Izay mahafeno fepetra no tokony ho solontena eo anivon’ny Ceni”

   An-dalana ny fanavaozana ny mpikamban’ny Ceni. Mbola tsy mampitovy hevitra be ihany ny amin’ny ho fifidianana izay ho solontenan’ny firaisamonina sivily. Maneho ny fijeriny ny filoha lefitry ny fikambanana Action social pour développer (ASD), Ravalitera Jacques Michaël: “Izay firaisamonina sivily mahafeno fepetra no tokony ho solontena eo anivon’ny Ceni.” Dinidinika…Gazety Taratra (*): Aiza ho aiza ny firaisamonina sivily amin’ny fifidianana izay ho solontenany ho mpikamban’ny Ceni?  Ravalitera Jacques Michaël (-): Raha ny lalàna 2015-020, tokony handeha 60 andro alohan’ny hametrahana ny Ceni vaovao izay fifidianana izay. Ny olana amin’izao, andrasana ny didim-panjakana ny amin’izay. Aminay, tsy tokony hanova intsony ny lalàna ny fanjakana, raha efa misy sehatra hafa lasa aloha fa manjary misy fanavahana.Miisa 55 ireo firaisamonina sivily nahazo fankatoavana amin’ny fanaraha-maso fifidianana nasionaly farany. Nefa araka ny tatitry ny Ceni momba ny fifidianana loholona farany teo, 33 ireo nanao fanaraha-maso no nahavita tatitra. Voalaza amin’ny fahazoana fankatoavana amin’ireo 55 anefa fa misy ny fanavaozana isan-taona aorian’ny fandraisany an’izay. Eo koa ny hoe tsy maintsy manao tatitra amin’ny fanaraha-maso fifidianana nataony ny firaisamonina sivily. Noho izany, anisan’ny fepetra amin’ny fahazoana mirotsaka ho mpikamban’ny Ceni izay.* Tsy ny firaisamonina sivily ankapobeny ve no nantsoin’ny Ceni amin’ny fifidianana izay ho solontenany?– Marina fa fanasana ilay izy, fa fanomanana ny komity manokana hikarakara fifidianana no nalefan’ny Ceni. Misy 108 ny firaisamonina sivily ary 73 no nambara fa ara-dalàna. Inona no atao hoe ara-dalàna: 55 nomena fankatoavana sa ny 73 tsy fantatra fa misy efa taloha be, tamin’ny 2015, ary ao tsy nanao tatitra? 33 tamin’ireo 55 ihany no nanao tatitra. Matoa nahazo fankatoavana, mahafantatra ny asa miandry. Ny dikan’izay, toy ny tsy nanao fanaraha-maso ihany raha tsy nanao tatitra.Eo no somary misy olana ho anay firaisamonina sivily hoe: misy kajikajy politika ve izay? Aleo izahay firaisamonina sivily handamina ny anay, fa tsy tokony hotsabatsabahina amin’ny tombontsoa politika any ambadika. Izay no efa nanimba ny firenena hatramin’izay. Koa izay firaisamonina sivily mahafeno fepetra no tokony ho solontena eo anivon’ny Ceni.* Olona toy inona izay hoe solontena izay? – Ao anatin’ny ady sarotra izao ny firenena. Koa mila olona mahalala an’izay tantara izay, na ny zava-nisy sy izay hiandry. Ho avy ary efa akaiky ny fifidianana 2023. Tsy moramora ny hiatrehana an’izany. Ohatra iray: nisy ny fihibohana noho ny valanaretina. Azo eritreretina ve hoe firy ny olona nifindra monina sady tsy misoratra amin’ny fokontany ifindrany? Anisan’ny mahatonga an’izay ny olana sosialy toy ny fandosirana hofan-trano, ohatra. Tsy azo antoka intsony izany ny lisitry ny mpifidy amin’izao. Fantatsika fa tokony hisy fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny isan’ny mponina isaky ny folo taona, fa hafa ny fanao isan-taona. Fotoana hanaovana an’izay fanavaozana tanteraka izay izao.Koa hanao ahoana raha olona tsy mahalala an’izany sy izay tena andraikitra ao amin’ny Ceni? Mila finiavana amin’ny fanaovana izay tena ilain’ny vahoaka amin’izany. Olona vonona hiasa izany no tokony ho ao. Izay tena firaisamonina sivily tokoa no ho solontena ao… Sarotiny amin’izay izahay.Nangonin’i R. Nd.L’article Ravalitera Jacques Michaël avy amin’ny firaisamonina sivily: “Izay mahafeno fepetra no tokony ho solontena eo anivon’ny Ceni” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rugby vehivavy – «Tournoi de repêchage»: tsy tafavoaka ny Makis de Madagascar

Faharesena telo, tamin’ireo lalao telo natrehiny, ny vokatra azon’ny Makis de Madagascar vehivavy, nandritra ny “Tournoi de repêchage”, hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Lalao Olympika” (JO 2021), taranja rugby lalaovina olona fito. Fihaonana, notanterahina tany Monaco ny asabotsy sy omaly alahady.Araka izany, laharana farany ny Makis tao amin’ny vondrona C nisy azy. Tsy tafavoaka ny Makis ary namoy ilay nofinofy ho any Japon, hiatrika ny “Lalao Olympika”. Lojika ny voka-dalao, teo amin’ny fihaonana voalohany, nanamontsanan’i Frantsa ny Malagasy, tamin’ny isa mazava, 49 no ho 0. Baolina nentin-tanana fito, araka izany, ny vitan’ny Frantsay izay voatsara avokoa. Nanantombo teo amin’ny lafiny rehetra, na taktika na teknikan’ny mpilalao na tanjaka, ny Frantsay.Mbola lavon’i Hong-Kong ihany koa avy eo ny ekipam-pirenena rehefa niondrika tamin’ny isa 19 no ho 12. Lavo ihany koa teo amin’ny lalao fahatelo rehefa resin’i Kolombia, tamin’ny isa 12 no ho 7.Traikefa ho an’ireo mpilalao ny fandraisana anjara, tamin’ity. Ilaina ny haben’ny vatana, amin’ny fihaonana iraisam-pirenena fa tsy vitan’ny fahaizam-baolina intsony ka tokony mba efa hijery izany ny teknisianina sy ny Malagasy rugby raha te ho lasa lavitra ny baolina lavalava malagasy. TompondakaL’article Rugby vehivavy – «Tournoi de repêchage»: tsy tafavoaka ny Makis de Madagascar a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Indray mijery

Miisa 36 ireo naratra, vokatry ny fifanosehana tetsy Mahamasina, ny alarobia teo, mbola manaraka fitsaboana, ao amin’ny HJRA, hatramin’ny omaly. Raha tsiahivina, 16 ny maty tamin’ity tranga nampalahelo ity ka tsy ampy taona ny 10 amin’ireo ary nahatratra 100 kosa ny naratra, araka ny tatitra nataon’ity toeram-pitsaboana ity.Mbola mahakasika ireo niharam-boina tetsy Mahamasina hatrany, nisy ny fanafody natolotra sy ny fitaovana samihafa, handraisana sy hikarakarana azy ireo. Marihina fa efa misy ny fanafody sy fitaovana voaoman’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny tranga toy ireny, saingy manampy izany izao fanomezana izao.L’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Môtô tra-doza :: Lehilahy iray nivarina tany anaty hantsana

Ora maro taty aoriana vao hita ny loza nahazo ny lehilahy iray, 22 taona, nitondra môtô, teny Alakamisy-Fenoarivo, omaly hariva. Efa tsy nisy aina intsony izy. Handeha hitady lasantsy no nialany tao an-trano, teny Anosizato afak’omaly, ka tsy niverina intsony, araka ny loharanom-baovao. Olona sendra nitady akoho no nahita ny môtô sy ilay lehilahy efa tsy nahatsiaro tena intsony. Monina eny Anosizato ity tra-doza namoy ny ainy io. Raha ny fotoana nialany tao an-tranony dia tombanana ho afak’omaly alina no nitrangan’ny loza. Teo amin’ny fiolahana iray hiakatra an’Alakamisy, izay misy hady kely, no nahitana ny razana nihohoka tamin’ny sisin’ny rindrim-bato. Manambady sy manan-janaka roa ilay lehilahy. Omaly hariva ihany dia tonga teny Alakamisy ireo fianakaviany naka ny razana. Misy ny fanadihadiana ataon’ny Zandarimaria eny Alakamisy momba an’ity tranga nahafaty olona ity. L’article Môtô tra-doza :: Lehilahy iray nivarina tany anaty hantsana est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

FLM Farafangana: hampidirina anaty CNaPS ny katekista miisa 1.042

Anisan’ireo zana-paritra fahatelo amin’ireo valo mandrafitra ny synodam-paritany Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) Atsinanana ny any Mahafasa Centre. Na lavitra aza ny lalana mankany miainga eo Farafangana, tonga tany an-toerana ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS), nampiofana ny tompon’andraikitry ny fiangonana mikasika ny zon’ny mpiasa, indrindra ny fiahiana sosialy. Miisa 1.042 ny katekista any amin’ny synodam-paritany FLM Atsinanana, ka nanaraka ny atrikasa ny 79 amin’izy ireo. Nilaza ny Pastora Andrianjafy Octave Bénil, filohan’ny sybida fa “tsy maintsy ampidirina ho mpikambana anaty CNaPS avokoa ireo katekista ireo, hatramin’ny volana marsa 2020, izay efa voafaritry ny tetikasa diakônaly amin’ny fiarovana ny zon’ny mpiasa”.Hanana fidiram-bola fanampinyNampahafantarina ireo mpizaika ny fanampian’ny CNaPS ny katekista sy ny ankohonany. Ny fanampiana ny fianakaviana, ny ho an’ny tra-doza vokatry ny asa, ny fisotroan-dronono, sns. Resy lahatra ireo 79 niofana fa tena ilaina ny fiahiana sosialy. Nohamoraina ny fikarakarana, toy ny famenoana ny antontan-taratasy, angatahana ny fanampiana.Nampirisihin’ny talen’ny CNaPS Mandimbisoa Mamy ireo mpiofana hamorona asa fihariana mampidi-bola fanampiny, toy ny fiompiana akoho gasy ohatra, hanamorana ny fandoavana latsakemboka. Nizarana fahatsiarovana sy kojakoja samihafa izy ireo, miampy bokikely mirakitra lalàna ny fiahiana sosialy, hanamafy ny fahalalana azo.Njaka A.L’article FLM Farafangana: hampidirina anaty CNaPS ny katekista miisa 1.042 a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Ifanadina : 13 blessés dans la sortie de route d’un taxi-brousse

Hier matin vers 6 heures, une voiture de transport en commun a fait une sortie de route dans la route nationale 25. Ce taxi-brousse de marque sprinter reliait Fianarantsoa à Vangaindrano. Selon l’information de la gendarmerie, la voiture roulait à vive allure. Le conducteur a perdu le contrôle du taxi-brousse qui a fini sa course au fond d’un ravin. L’accident a fait un bilan de 13 blessés et ces individus ont été transportés d’urgence au CRDH Ifanadina. Trois mineures moins de 14 ans figurent parmi les 13 blessés. Des passagers ont pu regagner leur domicile après les premiers soins, tandis que d’autres restent toujours à l’hôpital pour une surveillance médicale. Les cas d’accident sur la route nationale sont devenus répétitifs et concernent en grande partie les taxis-brousse dans cette période où les routes sont ouvertes librement après confinement. A rappeler qu’avant-hier, sur la même route, à quelques kilomètres, un taxi-brousse qui a fini dans le ravin à Ranomafana, qui a provoqué deux morts et plusieurs blessés. Les gendarmes ont précisé que le conducteur était en manque de sommeil. Une enquête a été ouverte par les forces de l’ordre. Ces derniers n’arrêtent pas de sensibiliser les conducteurs des dangers de la route. Yv Sam L’article Ifanadina : 13 blessés dans la sortie de route d’un taxi-brousse est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Ifanadina : 13 blessés dans la sortie de route d’un taxi-brousse a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Avy amin’ny firenena rosianina: hotohanana ara-tsakafo ireo mpianatra 200.000 any atsimo

   Hisitraka tohana ara-tsakafo ireo mpianatra any amin’ny faritra atsimo, izay anisan’ny manana olana ara-tsakafo sy fambolena. Avy amin’ny firenena rosianina ny fanampiana ary manodidina ny 200.000 ireo mpianatra hahazo tombony amin’izany.Ho fanampiana ireo mpianatra any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy, nanolotra tohana ara-tsakafo mitentina iray tapitrisa dolara ny firenena rosianina tamin’ny alalan’ny masoivohony miasa eto amintsika, i Stanislav Akhmedov. Mpianatra 200.000 amin’ireo sekoly ambaratonga fototra 800 any atsimo no hisitraka izany, ho amin’ity taom-pianarana 2020-2021 ity. Anisan’izany ireo distrika 11 any Androy, Anosy ary Atsimo Andrefana, izay anisan’ny manana olana ara-tsakafo sy famokarana. 502 taonina eo ho eo ny sakafo hozaraina amin’ny mpianatra mandritra ny taona. Misy karazana legioma milanja 382 taonina sy menaka misy vitaminina milanja 120 taonina. Hifarimbona amin’ny fitsinjarana izany ny ekipan’ny fandaharanasa misahana ny sakafo (Pam).Samy hahazo ny anjarany avokoa ireo sekolim-panjakana amin’ny ambaratonga fototra rehetra any atsimo. Anisan’ny mandrisika ny ankizy hamonjy fianarana ny fisian’ny sakafo an-tsekoly. Voaporofo izany amin’ny fiakaran’ny faharisihan’ny ankizy mamonjy sekoly rehefa misy ny “cantine scolaire”. Voasokajy ao anatin’ny ankizy marefo ireo mpianatra any amin’ny faritra misy ny kere, anisan’ny hisitraka izao tohana ara-tsakafo manokana izao. Heverina hampiverina ny fifantohan’ny mpianatra amin’ny fianarana ny fisian’ny sakafo any an-tsekoly ary hanatsara ny voka-panadinana.Amin’izao fiandohan’ny taom-pianarana izao indrindra no nahatongavan’ny tohana ka heverina ho betsaka ny mpianatra hihazo ny sekoly.Tatiana AL’article Avy amin’ny firenena rosianina: hotohanana ara-tsakafo ireo mpianatra 200.000 any atsimo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fakana an-keriny tao Anjozorobe: matin’ny fitsaram-bahoaka ny naman’i Del Kely iray

Lehilahy iray isan’ireo ekipan’i Del Kely no matin’ny fitsaram-bahoaka, ny talata teo, tao amin’ny distrikan’Anjozorobe. Naterin’ireo mpitandro filaminana sy ny fokonolona vao mangirandratsy tao amin’ny zandarimarian’i Betatao izy. Tsy niala lavitry ny toerana anefa ireo fokonolona marobe nanara-dia. Taorian’izay, tapaka ny hevitra fa hotohizana sy haterina eny amin’ny sampandraharaha misahana ny heloka bevava eny Fiadanana ny famotorana an’ilay voasambotra. Rehefa teny an-dalana, nirifatra nitsoaka ilay naman’i Del Kely io ka nifanenjehan’ireo andian’olona marobe. « Tsy afaka nampiasa ny fitaovana mba hiarovana ny ain’io olon-dratsy io ireo zandary nanatanteraka iraka fa sao mahatifitra olona tsy manan-tsiny », hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Tsy lasa lavitra akory, voasambotry ny fokonolona ralehilahy ka niharan’ny daroka sy ny vono.Vokany, naratra mafy ary nitarika tamin’ny fahafatesany noho ny fahaverezan-dra be loatra izany. Henintsoa HaniL’article Fakana an-keriny tao Anjozorobe: matin’ny fitsaram-bahoaka ny naman’i Del Kely iray a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

“Raharaha volamena 73,5 kg”: fandikan-dalàna faratampony amin’ny fadintseranana

Nivoaka amin’ny fanginany ny fadintseranana malagasy momba ilay “Raharaha volamena 73,5 kg” tratra tany Afrika Atsimo. Samy nitondra fanazavana momba iny raharaha iny ny tale jeneralin’ny fadintseranana, i Lainkana Zafivanona Ernest, sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky.                                        Ny 31 desambra 2020 ihany, nampahafantatra ny fadintseranana malagasy ny any Afrika Atsimo amin’ny fisian’ny volamena 73,5 kg avy aty Madagasikara tratra ao aminy. Fiaramanidina manokana ny nitondra io volamena io avy any Toliara, ho any Afrika Atsimo, ary voalaza fa saika hitondra izany any Dubaï. “Satria 1 janoary voalohan’ny taona, ny 2 janoary, nitohy ny fanadihadiana, tsy mijanona eto Madagasikara ihany fa manao koa ny any Afrika Atsimo sy any Mali”, hoy ny tale jeneralin’ny ladoany, i Lainkana Zafivanona Ernest. Marihina aloha fa nisy taratasy hosoka hita amin’ny antontan-taratasy iray milaza fa avy any Mali io volamena io.Fa ny tena nasongadina ny fandikan-dalàna ao amin’ny fadintseranana, fandikan-dalàna faratampony ny tsy fanambarana ny entana hoentina, ny fanondranana antsokosoko; fandikan-dalàna faratampony ny varo-maizina tsy mampidi-bola ho an’ny fanjakana. Tsy nisy fepetra noraisin’ny fadintseranana noho ny tsy fisian’ny fanambarana tonga tany aminy, mialoha ny hamoahana ny entana. “Araka ny lalàna, tsy maintsy ampandrenesina, 24 ora mialoha ny hamoahana sy ny hampidirana entana, ny tompon’andraikitra. Tsy nisy izay fampilazana izay”, hoy ny tale jeneralin’ny ladoany. “Efa nomanina iny, ny tany Toliara koa, tsy nisy fepetra ara-dalàna noraisina”.Nametraka fitoriana voalohanyNoho ireo rehetra ireo, ny fadintseranana no nametraka fitoriana voalohany eny amin’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly (Pôle anti-corruption), sy nanondro ireo olona nahiahina. Ny fadintseranana ihany koa no nitazona ilay fiaramanidina nitondra volamena. Efa eo am-pelatanan’ny Fitsarana ny raharaha, ireo voatazona any Afrika Atsimo kosa, nahemotra amin’ny 1 febroary ny fitsarana azy ireo. Manampy ny fanjakana foibe ny fadintseranana amin’ny famerenana ireo volamena ireo. “Tsara ho fantatra fa izay volamena tratran’ny fadintseranana, apetraka any amin’ny Banky foibe”, hoy ny tale jeneralin’ny ladoany. R.MathieuL’article “Raharaha volamena 73,5 kg”: fandikan-dalàna faratampony amin’ny fadintseranana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fandraisana teny Iavoloha: henin-kaja ireo atleta nahazo medaly tamin’ny lalaon’ny Nosy

Noraisin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teny amin’ny lapan’Iavoloha, omaly, ireo mahery fo malagasy, nitondra avo ny voninahi-pirenena, tany Maorisy, nandritra ny andiany faha-10, ny lalaon’ny Nosy farany teo.Nahazo ny valin-kasasarany ireo atleta nahazo medaly rehetra ary nampitomboina 4 avo heny ny tamin’ny efa-taona lasa ny fankasitrahana azy ireo, izay tafiakatra hatramin’ny 361 tapitrisa ariary ny fitambarany. Raha dimy hetsy ariary izany, ho an’ny volamena, niakatra ho roa tapitirisa ariary izany tamin’ity, toy izany koa ny volafotsy sy ny alimo. Ankoatra izay, nomen’ny fitondram-panjakana mari-pankasitrahana manokana ihany koa izy ireo. Nisy 13 mianadahy nahazo ny « Chevaliers de l’ordre national », izay nahazo medaly volamena 2 no ho mihoatra, « Commandeur de l’ordre de mérite sportif » kosa ho an’ireo 78 mianadahy, nahazo medaly volamena iray. Nahazo ny anjarany ihany koa ireo nisalotra ny medaly volafotsy sy alimo, dia ny «Officier de l’ordre de mérite sportif » sy ny « Chevalier de l’ordre de mérite sportif ». Tsy hadinon’ny fitondrana ihany ireo mpanazatra fa nahazo fankasitrahana toy ireo atleta rehetra, arakaraka ny medaly azon’ny taranjany tsirairay.Velom-pisaorana ireo atleta Velom-pisaorana ny fitondrana sy ny Minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ireo atleta malagasy, amin’ny fihetsika mendri-piderana toy izao. Nanambara Andriantsitohaina Éric, izay nisolo tena ireo atleta rehetra, fa isan’ny nahazoana izao vokatra tena tsara izao, ny fanatrehan’ny filoham-pirenena sy Andriamatoa Minisitra, Tinoka Roberto, mivantana hatrany, ny ady sy ny lalao natrehin’izy ireo. « Zava-dehibe loatra ho anay ary tena nandrisika anay hitady fandresena ny fahitanay anareo fitondram-panjakana, manaraka akaiky anay sy nankahery anay teny an-kianja, ray aman-dreny tokoa ianareo ary tena nandray anay ho zanaka », hoy i Eric, nandritra ny fandraisam-pitenenany. Mbola tokony hahavita tsara lavitra noho ireny, aza ny atleta raha manana fotodrafitrasa tsara mamaly ny filàny izy ireo, araka ny  nambarany hatrany, isan’ ny fangatahan’ireo mpanao fanatanjahantena, araka izany, ny hanamboarana sy hanatsarana ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena eto amintsika. Naneho fisaorana ny federasiona, izay vy nahitana ny fahombiazana ihany koa ireo atleta, ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara, hoy i Eric.Tetsy ankilany, nanambara Andriamatoa Minisitra fa izao dingana vita izao dia mariky ny firosoana hatrany. Faharoa isika, hoy izy, tamin’iny lalaon’ny Nosy andiany faha-10 iny, tsy tongatonga ho azy izany fa nisy ny fanomanana sy ny ezaka nataon’ny tsirairay. Nitondra ny hetahetan’ireo federasiona teo anatrehan’ny filoham-pirenena ihany koa ny Minisitra Tinoka Roberto, ny tokony hisian’ny lalao goavana handraisan’ny faritra 22 anjara, amin’ny herintaona. Mi.RazL’article Fandraisana teny Iavoloha: henin-kaja ireo atleta nahazo medaly tamin’ny lalaon’ny Nosy a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
13/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE
13/10/2021

Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLEProfil : -  FEMME de plus de 25 ans avec expériences confirmées en Attachée de Direction à orientation commerciale -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 3 minimum en Gestion -  Parfaite maîtrise du français ; l'anglais serait un grand atout -  Parfaite maîtrise des outils informatiques & bureautiques, notamment Word Excel ERP et outils digitaux -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Missions : -  Assistanat de Direction, lié notamment au Commercial et à l'approvisionnement -  Relations, contacts et suivis clients & fournisseurs -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Réalisation de reportings commerciaux et autresEnvoyez CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d'ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE".

Emploi et services ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE
15/10/2021

Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLEProfil : -  FEMME de plus de 25 ans avec expériences confirmées en Attachée de Direction à orientation commerciale -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 3 minimum en Gestion -  Parfaite maîtrise du français ; l'anglais serait un grand atout -  Parfaite maîtrise des outils informatiques & bureautiques, notamment Word Excel ERP et outils digitaux -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Missions : -  Assistanat de Direction, lié notamment au Commercial et à l'approvisionnement -  Relations, contacts et suivis clients & fournisseurs -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Réalisation de reportings commerciaux et autresEnvoyez CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d'ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE".

Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
13/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

Emploi et services UN ou UNE INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
15/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services UN ou UNE INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

A vendre Tany Mora
13/10/2021

Raha tia hisitaka kely ny "VIlle", hitady toerana milamina sy rivotra madio dia ity no mety....Tany Mirefy 11a (1.100m²), efa- Mifefy tamboho biriky.- Amoron-dalala ary tongan'ny fiara rehetra.- Titré et Borné- Tanàna efa mandroso be. Tongan'ny BusToerana : Atsimon'ny Lac Vontovorona (19mn en voiture miala OASIS).Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Tany Mora".

Emploi et services QUANTUM ANALYZER
11/10/2021

 LA TECHNOLOGIE AU SERVICE DE NOTRE BIEN-ETRELe QUANTUM ANALYZER  est un nouvel outil pour contrôler le fonctionnement de vos organes. Une technologie de pointe qui permet d’avoir un bilan général complet en 60 secondes. Des produits naturels sont à votre disposition pour les éventuelles  anomalies.Principe de l'Analyse par le Quantum Analyzer  Le corps humain est un agrégat de nombreuses cellules qui, sans interruption se développent, se dédoublent, se régénèrent et meurent.Les cellules se remplacent par scission. Pour les personnes adultes, environ 25 millions de cellules fractionnent chaque seconde et les globules sanguins les remplacent constamment à un taux d'environ 100 millions par minute.En cours de dédoublement cellulaire et renouvellement, les corps chargés du noyau et les électrons extra-nucléaire émettent des ondes électromagnétiques sans interruption. Les signaux des ondes électromagnétiques émises par le corps humain représentent l'état spécifique de l'état de santé d'un individu. Les différents signaux des ondes électromagnétiques seront émis selon l'état de santé des organes.AVANTAGES :  • Rapide et efficace  • Accessible à tous  • Non-invasive  • Pratique  • Économique 38  Rapports seront obtenus :Contact: 032 87 550 88 – 033 07 683 00 – 034 64 553 53 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services QUANTUM ANALYZER".

A vendre Yamaha twin
11/10/2021

moto : Yamaha twin 850ccContact: 0330805246Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Yamaha twin".

Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE
13/10/2021

Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLEProfil : -  FEMME de plus de 25 ans avec expériences confirmées en Attachée de Direction à orientation commerciale -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 3 minimum en Gestion -  Parfaite maîtrise du français ; l'anglais serait un grand atout -  Parfaite maîtrise des outils informatiques & bureautiques, notamment Word Excel ERP et outils digitaux -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Missions : -  Assistanat de Direction, lié notamment au Commercial et à l'approvisionnement -  Relations, contacts et suivis clients & fournisseurs -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Réalisation de reportings commerciaux et autresEnvoyez CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d'ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE".

Emploi et services STAGIAIRE VENDEUSE
15/10/2021

Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSEProfil : -  FEMME de plus de 20 ans -  Expériences dans le domaine de la vente de produits informatiques seraient un atout -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 2 minimum en Informatique -  Parfaite maîtrise du français oral/écrit et des outils informatiques et bureautiques, notamment Word et Excel -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Mission : -  Accueil client au magasin et réception d’appels clients -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Développement des ventes compte tenu des objectifs de ventes du magasinEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste de « STAGIAIRE VENDEUR »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services STAGIAIRE VENDEUSE".

Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE
13/10/2021

Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSEProfil : -  FEMME de plus de 20 ans -  Expériences dans le domaine de la vente de produits informatiques seraient un atout -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 2 minimum en Informatique -  Parfaite maîtrise du français oral/écrit et des outils informatiques et bureautiques, notamment Word et Excel -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Mission : -  Accueil client au magasin et réception d’appels clients -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Développement des ventes compte tenu des objectifs de ventes du magasinEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste de « STAGIAIRE VENDEUR »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE".

A vendre Ordinateur portable HP Compaq 6910p AMIDY
13/10/2021

Amidy Ordinateur portable HP en bon étatWindows 8.1 pro  Processeur Intel core 2duo  Ram 2gb  Graph AMD Radeon X2300 (256mb) Dur 100 go Ecran 14.1" Misy lecteur CD DVD.3 ports USBEfa misy Office 2016Batterie 50 mn environ Mandeha tsara avokoa ny zavatra rehetra. Azo antoka.Mail: kelydoda724@gmail.comFacebook: Doda Kely   Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Ordinateur portable HP Compaq 6910p AMIDY".

Notsongaina

Fisotroan-dronono: nilahatra maharitra ireo zokiolona
12/10/2021

Nanomboka omaly ny fizarana fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona eny amin’ireo tahirim-bolam-panjakana eto Antananarivo. Efa nisy ny fandaminana napetraky ny tomponandraikitra mba tsy hisian’ny filaharambe sy hitsinjovana ireo ray aman-dreny. Omaly anefa, tsikaritra tetsy amin’ny “perception” tetsy Ankadifotsy fa nilahatra maharitra ireo zokiolona tonga teny. Nisy tamin’izy ireo efa tonga teny tamin’ny 6 ora maraina kanefa tsy voaray raha tsy efa antoandro.Velon-taraina, noho izany, izy ireo ary nisy mihitsy no safotry ny hafanana sy ny havizanana ary ny hanoanana rehefa nilahatra ela loatra. Marihina fa ireo manana laharana miafara amin’ny 4-5-6 no handray ny volany, anio. Mitohy izany ho an’ireo manana laharana miafara amin’ny 7-8-9 maka ny anjarany, rahampitso alarobia. Anjaran’ny laharana miafara amin’ny A-B-C-D kosa, ny alakamisy. Natokana ho an’ireo mitondra “procuration” sy ireo taraiky kosa, ny zoma. Ho an’ny faritra hafa, mety miova ny daty fanombohan’ny fizarana fa mitovy ny fandaminana amin’ny laharana.Azo alaina amin’ny fotoana rehetra ny vola fisotroan-dronono ho an’ireo izay mbola tsy nahazo izany tamin’ny andro voatondro.Tatiana AL’article Fisotroan-dronono: nilahatra maharitra ireo zokiolona a été récupéré chez Newsmada.

Fahasalamana: nivoaka ny karaman’ny mpanao vaksiny
11/10/2021

Navoakan’ny fanjakana ny alin’ny zoma teo ihany ny karaman’ireo mpiasan’ny fahasalamana manao vaksiny, izay nanao fanairana tamin’iny herinandro iny. Karama roa volana niasana no noraisin’ireo olona 170 voakasik’izany. Mitsinjara ho ekipa 34, samy ahitana olona dimy avy  ka ao ny mpanao vaksiny, ny mpandrakitra ny mombamomba ny olona vita vaksiny, ny mpara-maso, ny mpandrindra ary ireo mpifehy ny kojakoja rehetra avy nampiasaina Na dia efa nandroso ho alina aza ny andro, ny zoma teo dia tsy nikely soroka ireo mpikarakara eo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka nijery izay fomba rehetra nahafahan’ireo olona ireo nandray izany haingana, araka izay azo atao. Mbola misokatra hatrany ny toerana fanaovam-baksiny eto Antananarivo ary natao ho an’ireo olona rehetra mihoatra ny 18 taona izany.Tatiana AL’article Fahasalamana: nivoaka ny karaman’ny mpanao vaksiny a été récupéré chez Newsmada.

Fandresena nanoloana ny RD Congo (1-0): velona indray ny fanantenana, mitohy ny lalan’ny Barea
11/10/2021

Nampitaintaina! Namelona indray ny fanantenana teo amin’ny mpitia baolina kitra malagasy ny fandresen’ny Barea ny Leopard-n’i Congo, omaly. Nahazo isa 3 ny Barea ary mbola manohy ny lalana amin’ny fifanintsanana ho an’ny “Mondial 2022”.Niverina ao anaty hazakazaka ho an’ny fiadian-toerana, amin’ny “Mondial 2022”, indray ny Barea de Madagascar, rehefa nandresy ny Leopard-n’i Congo, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0. Fihaonana notanterahina tetsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina, omaly alahady 10 oktobra. Ny faharesen’i Benin, nanoloana an’i Tanzania, tamin’io isa tokana io ihany koa no hananan’ny Barea, herijika indray. Samy mbola afaka miandrandra ny ho tafita avokoa, araka izany, ireo ekipa efatra.Hatreto,  mitarika amin’ny isa 7 mitovy i Benin sy i Tanzania arahiin’i RD Congo, amin’ny isa 5 ary fahefatra ny Barea, isa 3. Mbola hangotraka, araka izany, ny andro fahadimy sy fahenina. Raha tsy misy ny fiovana, hanafika any Benin ny Barea, ny 11 novambra ary hampiantrano an’i Congo kosa i Tanzania. Ny 14 novambra, handray an’i Tanzania ny Barea ary hanafika any Congo i Benin.Raha hiverenana ny lalaon’ny roa tonta, naneho fahavononana avy hatrany ny Barea, nahitana ireo mpilalao tanora nalahatr’i Eric Rabe, mpanazatra. Anisan’ireny i Mathyas, mpiandry tsatoby. Teo koa i Fabien Boyer sy i Fabrice, niampy an’i Marco sy i Rayan. Vao nanomboka 2 mn dia efa matin’i Njiva ny baolina taorian’ny tranonkala nifanaovan’i Rayan sy i Marco ary i Metanire. Nanindry avy eo ry Bakambu sy ry Binda ary i Samuel, saingy tsara ny hiditrano nataon’i Boyer sy i Mamy Gervais. “Afa-po tamin’ny lalaon’ny ekipa aho, satria nisy fahatokisana sy toe-tsaina vonon-kiady. Misy valiny foana ny ezaka atao ary mandeha miandalana ny vokatra. Tonga dia tafiditra ireo mpilalao tanora, saingy mila fahazarana kely. Tsy ho antsoina intsony ireo mpilalao nanda ny hanatevina ny Barea”, hoy i Eric Rabe. TompondakaL’article Fandresena nanoloana ny RD Congo (1-0): velona indray ny fanantenana, mitohy ny lalan’ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Basket –N1A : Cospn et MB2All au pinacle
11/10/2021

MB2All reste indétrônable sur le paysage du basket féminin malgache. Un doublé d’Analamanga au Championnats de Madagascar N1A avec le sacre du COSPN chez les hommes et MB2All du coté des dames. Le titre change de mains chez les hommes. Le Club omnisport de la police nationale (Cospn) a repris le titre qu’il a perdu il y a trois ans. Les poulains de Deda Randrianarivelo remportent leur deuxième étoile au palmarès. Au terme d’un match tendu jusqu’à la fin, les Livio, Arnold et compagnies se sont imposés devant les Majungais du SEBAM par 57 à 50. L’équipe de la police nationale a remporté le premier quart-temps par 12 à 8, mais, Faralahy et consorts ont repris les commandes de la rencontre d’un point d’avance à la pause par 23 à 22. De retour des vestiaires, les hostilités reprennent des plus belles sur le parquet du Palais des Sports. D’un côté Sebam est composé de jeunes joueurs, si COSPN est formé de joueurs expérimentés. Et cette expérience de matchs a fait la différence au final. Les policiers ont dominé les deux derniers quart-temps et filent vers le sacre. Livio avec 20 points marqués lors de cette finale a été élu meilleur joueur. L’équipe a décroché le gros lot de 2 500 000 ariary offert par MVola, partenaire de la Fédération malagasy du basketball. Jino Tsialefitra du Cospn 2 Atsinanana avec 252 points remporte  le trophée du meilleur marqueur. Suspense.  Chez les dames, la finale présagée depuis le début de la compétition a tenu en haleine le public. Longtemps devant au score, l’équipe championne MB2All se fait rattraper par les Majungaises du  Sôma Basketball Club de Boeny (SBBC) par 47-47 partout à la fin du 3e quart-temps. Pourtant, à la pause les protégées de Deda, coach du MB2All ont été devant par 33 à 25. Ce n’est qu’à 13 secondes de la fin de la rencontre que les Chantiah (15 points) et ses camarades ont crié victoire et surtout que Sidonie du SBBC, meilleure marqueuse de la rencontre avec 18 points est sortie après 5 fautes. Trop forte dans les tirs à longue-distance que dans la défense, Elinah Chantiah Ranarisaon a été élue meilleure joueuse du championnat. La victoire d’hier par 71 à 69 a bouclé la belle saison du  MB2All, invincible tout au long de cette année. Le trophée de la meilleure marqueuse a été décerné à Nivo Irma Ramino du Cospn 2 d’Atsinanana avec 192 réalisations durant le championnat. T.H  L’article Basket –N1A : Cospn et MB2All au pinacle a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Tsy fandriampahalemana…: hametrahana tobi-miaramila DSS ny faritra mena
12/10/2021

Taorian’Iakora, hisitraka tobi-miaramila vaovao koa ny ao Ambalakindresy, distrikan’Ambohimahasoa, izay hiantoka ny fandriampahalemana ao amin’ity distrika ity. Notokanan’ny filoha Rajoelina, ny asabotsy 9 oktobra teo ny “détachement spécial de sécurité” (DSS) ao Ambalakindresy, tafiditra ao anatin’ny fari-piarovana sy fandriampahalemana Andringitra. Nanotrona izany ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard sy ny lehiben’ireo Etamazaoron’ny Tafika, ny Jly Sahivelo Delphin. Nohamafisin’ny filoha fa ny fananganana fotodrafitrasa toy izao dia isan’ny vahaolana maharitra entina hiadiana sy hamongorana hatrany amin’ny fakany ny tsy fandriampahalemana. Nosafidina hametrahana izao toby izao ity toerana ity noho izy voasokajy ho isan’ny faritra mena amin’ny asan-dahalo noho izy saro-dalana sy somary mitokana. Tanjona amin’ny fanavaozan-drafitra ny hanakekezana kokoa ny vahoaka. Ampinga iray lehibe hoenti-manafoana ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny fari-piarovana sy fandriampahalemana Andringitra ka ahafahan’ny vahoaka any an-toerana mifantoka tanteraka amin’ny asa fampandrosoana.Jean ClaudeL’article Tsy fandriampahalemana…: hametrahana tobi-miaramila DSS ny faritra mena a été récupéré chez Newsmada.

Nécrologie du 14 octobre 2021
14/10/2021

Cliquez pour agrandir L’article Nécrologie du 14 octobre 2021 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Sécurité publique : Participation de Madagascar à l’AG d’INTERPOL
11/10/2021

Au titre du ministère de la Sécurité publique, il s’agit de la participation de Madagascar à la 89e session de l’AG d’INTERPOL. Des communications ont été émises lors du Conseil de gouvernement du 6 octobre dernier. Pour le compte du ministère de la Sécurité publique, il s’agit de l’accord pour la 22ème édition du salon MILIPOL à Paris du 19 au 22 octobre 2021 ; de l’accord relatif à la demande d’autorisation pour la participation de Madagascar à la 89ème session de l’Assemblée Générale d’INTERPOL, du 23 au 25 novembre 2021 à Istanbul ; et de l’accord pour la cérémonie de baptême des camps abritant l’Ecole Nationale Supérieure de Police le vendredi 15 octobre 2021 à Ivato, et l’Ecole Nationale des Inspecteurs et Agents de Police le vendredi 29 octobre 2021 à Antsirabe. Standardisation. Au titre du ministère de la Justice, il a été décidé un accord pour le partenariat sur l’informatisation et la standardisation des services d’état civil dans la commune urbaine d’Ambohidratrimo et la commune rurale de Mahitsy ; l’accord pour le patronage du Colloque International : « Justice administrative et environnement » ; l’accord pour la cérémonie de remise de galons des inspecteurs d’administration pénitentiaire nouvellement nommés ; l’accord pour la participation du ministère de la Justice à la 8ème session du Groupe de travail sur le trafic illicite des migrants, les 14 et 15 octobre 2021, à Vienne, en Autriche ; l’accord pour la perspective de mise en place de nouveaux tribunaux de commerce à Antsiranana, Toliara et Antsirabe ; et l’accord pour l’accélération du traitement des dossiers pénaux avec détention. Pour ce qui est du ministère de l’Aménagement du territoire et des Services fonciers, il s’agit de l’accord pour l’organisation de la Journée mondiale des Villes, le 31 octobre 2021 à Morondava. Recueillis par Dominique R.  L’article Sécurité publique : Participation de Madagascar à l’AG d’INTERPOL a été récupéré chez Midi Madagasikara.

FAKAFAKA: Kolontsaina… Kolontsaina… Kolontsaina….
12/10/2021

Malagasy tsy mataho-tody. Malagasy mpivarotra tanindrazana. Malagasy tsy matahotra an’Andriamanitra. Malagasy sahy mandatsak’aina. Malagasy mpanindrahindra sy mpanao an-doloha ny fomban’ny hafa. Malagasy mpamadika… Tsy misy idiran’ny politika sy ny toekarena ireo tranga mamotika an’i Madagasikara ireo. Raha ireo no iaingana, voaporofo fa fandrebirebena sy fanodinkodinan-javatra tsy tiana ho hita fotsiny ny fanaovana resabe etsy sy eroa.Nitondra faharavan-javatra maro ny fahapotehan’ny kolontsaina malagasy. Firy tamin’ireo didy aman-dalana navoaka teto Madagasikara no niteraka fifamaliana sy fifandrafesana teo amin’ny samy Malagasy noho ny tsy fifankahazoan-kevitra ny amin’izay tena tian’izy ireny hambara ?… Satria tsy fomba fisainana malagasy, tsy fiteny malagasy, tsy hitsinjovana ny tanindrazan’ny Malagasy, sns, no namolavolana azy ireny hany ka samy nandroritra izay heveriny fa dikany.Efa voaporofo ihany koa fa tsy ny fananana diplaoma manaka-danitra no hanala an’i Madagasikara ao anatin’izao lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana izao fa ny fananam-panahy sy fananam-pahendrena. Kolontsaina madiorano ireo fa tsy resa-politika na toekarena ventimbetesina etsy sy eroa.… Sa ve atao izay hahavalalanina ny Malagasy amina resabe politika amin’izay tsy mahita sy tsy mahafantatra fa potika tanteraka ny maha izy azy anisan’izany ny kolontsainy ? Mahavariana raha izay tokoa no izy, satria efa paikady fanaon’ny mpanjakazaka an-tanin’olona hatramin’izay ny tahaka izany kanefa mbola tsy fantatry ny Malagasy sasany ihany ny fisiany hatramin’izao !HaRy RazafindrakotoL’article FAKAFAKA: Kolontsaina… Kolontsaina… Kolontsaina…. a été récupéré chez Newsmada.

Nécrologie du 12 octobre 2021
12/10/2021

Cliquez pour agrandir  L’article Nécrologie du 12 octobre 2021 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Amoron’i Mania: any an-tanàn-dehibe ny ankamaroan’ny fotodrafitrasa
11/10/2021

Nidina ifotony tany Ambositra ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, sady mpiahy ny faritra Amoron’i Mania, Rtoa Raharinirina Baomiavotse Vahinala, ny 9 otkobra teo. Nihaona taminy ireo ben’ny Tanàna miisa 61 ao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Nojerena ny fomba ahafahana mitondra fampandrosoana ho an’ny faritra, mba hipaka any amin’ny kaominina ambanivohitra. Fantatra fa maro ny fotodrafitrasa natsangan’ny fanjakana any amin’ny kaominina an-tanàn-dehibe, koa nojerena ny fomba hisitrahan’ny any ambanivohitra.Nodinihina manokana ny lafiny tontolo iainana, indrindra mikasika ny doro tanety, izay mbola mirongatra manerana ny faritra Amoron’i Mania. Mizaka ny voka-dratsiny, ankehitriny ity faritra ity, satria tsy maharaka intsony ny famatsian-drano, ka voatery manafatra rano any amin’ny faritra hafa. Vonona hitondra ny anjara birikiny ireo ben’ny Tanàna, hanentana ny mponina hiaro ny tontolo iainana.Nihaona tamin’ny mpitandro filaminana OMC koa Rtoa minisitra, niresahana izay resaka doro tanety izay sy ny tsy fandriampahalemana. Nampanantena ny minisitra Raharinirina Baomiavotse, fa hampita any amin’ny mpikambana ao amin’ny governemanta voakasika ny iraka nataony tany an-toerana.Njaka A.L’article Amoron’i Mania: any an-tanàn-dehibe ny ankamaroan’ny fotodrafitrasa a été récupéré chez Newsmada.

Filohan’ny SSM: « Tsy fitaovana politika ny sendikà”
11/10/2021

Hentitra ary nahitsy. “Fantatray ny asanay sy andraikitray ka tsy hataon’ny fanjakana sy ny mpanao politika na ny mpanohitra ho fitaovana politika”, hoy ny filoha vaovao eo anivon’ny Firaisakinan’ny sendikà (SSM), Andrianavalona Herizo Ramanambola, ny zoma teo, tetsy Anosy. Nanteriny fa ambara ho mpanao politika rehefa mitaky ny zo ka manao hetsika ny sendikà. “Lazaina fa manohana fanjakana indray anefa rehefa mangina… Natao hampivoatra ny fari-piainan’ny mpiasa sy hiaro azy ireo miaraka amin’ny tombontsoany ny sendikà”, hoy ihany izy. Nampanantena ny tenany fa hiezaka ny hametraka amin’ny toerany ny sendikà matanjaka sy ho lovainjafy.Tsiahivina fa hitantana ny SSM mandritra ny efa-taona ny tenany. Mpitarika mafana fo ny sendikan’ny fadin-tseranana, eo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola izy, nialoha izao nifidianan’ireo sendikà miisa 54 azy izao.Synèse R.L’article Filohan’ny SSM: « Tsy fitaovana politika ny sendikà” a été récupéré chez Newsmada.

ONG OPERATION SMILE: Olona 500 manana fahasembanana sima molotra sy ny vaky lanilany hahazo fandidiana maimaim-poana
16/10/2021

Fampitomboana ny olona misitraka fandidiana. Te hampitombo ny isan’ny olona manana fahasembanana sima molotra sy ny vaky lanilany ny ONG Operation Smile. Manana vina  ny ONG handidy marary miisa 500 amin’ny taona 2022. Ho maimaim-poana ny fandidiana. Mikarakara hetsika ry zareo hanentanana ireo mpiara-miombon’antoka afaka manampy amin’ny fanatanterahana io tanjona io.  Nanomboka ny 15 oktobra 2021 ny hetsika fanentanana ary tsy hifarana raha tsy amin’ny faran’ny volana desambra 2021. “Ndao hifanome tanana hanome tsiky indray ireo manana fahasembanana sima molotra sy ny vaky lanilany”, hoy Rakotomalala Mirana, Country Manager ny Operation Smile eto Madagasikara. Ny fanampiana voaangona amin’ity hetsika ity dia hanohanana ny fitsaboana ireo marary sy hanavaozana ny sampandraharaha misahana ny fandidiana ho an’ny zaza ao amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA) mba hampitomboana hatrany ny isan’ny marary voadidy isan-taona. Noho ny krizy ara-pahasalamana tamin’ny taona 2020, anarivony ny Malagasy  manana fahasembanana sima molotra sy ny vaky lanilany mbola miandry fandidiana. Araka ny fanazavan-dRamatoa Rakotomalala Mirana fa ny ankabeazan’ny olona marary manana fahasembanana dia avy any ambanivohitra. “Tsy ampy ny enti-manan’ireo marary ka tsy miroso amin’ny fandidiana”. Misedra olana anefa izy ireo eny anivon’ny fiarahamonina. “Ao no voahilikilika, betsaka ny olona matahotra azy ireo. Ny zaza te hianatra nefa jerijeren’ny namany dia lasa tsy mazoto intsony. Ho an’ny olon-dehibe dia tsy mahazo vady fa voahilikilikin’ny fiarahamonina”, hoy izy. Raha ny fanazavany dia manaranaka ny fahasembanana sima molotra sy vaky lanilany. Efa mandeha ihany koa ny fikarohana ny hifandraisan’izany amin’ny tontolo iainana. Ra-Nirina. Cet article ONG OPERATION SMILE: Olona 500 manana fahasembanana sima molotra sy ny vaky lanilany hahazo fandidiana maimaim-poana est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article ONG OPERATION SMILE: Olona 500 manana fahasembanana sima molotra sy ny vaky lanilany hahazo fandidiana maimaim-poana a été récupéré chez Délire Madagascar.