JIOI 2019 – Fanokafana: niavaka ny filatroan’ny atleta malagasy tatsy Maorisy

News - JIOI 2019 – Fanokafana: niavaka ny filatroan’ny atleta malagasy tatsy Maorisy

News - JIOI 2019 – Fanokafana: niavaka ny filatroan’ny atleta malagasy tatsy Maorisy

Nosokafana, omaly, teto amin’ny kianja Anjalay, Nosy Maorisy, ny andiany faha-10 amin’ny lalaon’ny Nosy, ho an’ny ranomasimbe Indiana. Niavaka ny fampisehoana nataon’ny Malagasy nandritra ny filatroana teo amin’ny kianja.

Nitondra ny sainam-pirenena malagasy tamin’izany filaharana izany Andriantsitohaina Eric, taranja fibatana fonjamby.  Nisalotra ny fitafy malagasy tanteraka ireo atleta malagasy sy ireo delegasiona solontena an’i Madagasikara aty Maorisy, nandritra ny lanonam-panokafana. Anisan’ny nampiavaka antsika tamin’izany satria raha ny hita tamin’ireo delegasiona avy amin’ny Nosy rahavavy rehetra, samy nanao ilay akanjo iraisana avokoa izy ireo. Tsy nisalotra ny fitafy mampiavaka ny fireneny tsirairay. Nampisongadina ny fampisehoana ho an’ny Malagasy ihany koa ny fidiran’ireo ankizy manan-talenta, Zaza kanto, an-tsehatra, tamin’ity lanonam-panokafana ity.

Ankoatra izany, manodidina ny 190 eo ny isan’ireto delegasiona malagasy nilatro ireto, ankoatra ireo vao hanainga anio, ka mitotaly 275 raha atambatra.

Fahatongavan’ny filoha Rajoelina

Heni-boninahitra ihany koa i Madagasikara satria natrehan’ny filoham-pirenena Rajoelina ity lanonana, omaly ity. Nigadona tao amin’ny kianjan’ny Anjalay izy sy ny vadiny, Rajoelina Mialy, tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Tonga nanatrika ity fanokafana ity ihany koa, ny filoham-pirenen’ny  Nosy Comores sy ny Maorisianina mpampiantrano. Manampy  izany  ny eo anivon’ny delegasion’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, notarihin’ny minisitra Tinoka Roberto.  Miezaka  manao ny farahery amin’ny fikarakarana ny Malagasy aty an-toerana ny tenany miaraka amin’ny Komity olympika malagasy (Com), tarihin-dRandrianasoloniaiko Siteny. Raha atambatara, 2000 mahery ireo mpiangaly ny taranja miisa 15 mandray anjara amin’ity lalaon’ny Nosy 2019 ity, hahitana firenena miisa 9. Eo ny Nosy Maorisy mpampiantrano, i Madagasikara, ny Nosy La Reunion, i Maldives, i Kaomoro,  i  Seychelles ary i Mayotte.

Nikorontana ny fandraisan’ny Nosy Maorisy

Marihina fa  nahitana fikorontanana ny teo amin’ny lafiny fandraisan’ny Nosy maorisiana ny delegasiona vahiny tonga teto an-toerana, nanomboka ny alakamisy, lasa teo . Nisy ny fahasahiranana teo amin’ny fanomezana ny fahazoan-dalana hiditra ny kianja, ny lafiny ara-pitaterana sy ny sakafo. Somary nanakorontana kely ihany koa ny lanonanam-panokafana, omaly, ny haratsian’ny andro, minitra vitsy tsy hanombohan’ny filatroan’ireo atleta no nijohy ny orana tao amin’ny kianja. Tsy nanakana ireo mpijery teny amin’ny toerana misy azy ireo anefa izany fa niaritra ny orambe ary nijanona teo hatramin’ny farany izy ireo. Nizotra tsara araka ny tokony ho izy ihany koa, ny filatroana sy fandraisam-pitenena isan-tsokajiny.

 

Nangonin’i Miarintsoa Raz (Iraka manokana aty Maurice)

Article tiré de Newsmada

L’article JIOI 2019 – Fanokafana: niavaka ny filatroan’ny atleta malagasy tatsy Maorisy a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 21/07/2019

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

AIEA – INSTN -Fadintseranana: miara-miasa ho fisorohana ny fampihorohoroana

Hamafisina ny fanaraha-maso eny amin’ny fadintseranana amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovam-pitiliana “radioactive”. Nanolotra fitaovana ny AIEA, mampiofana momba ny fampiasana azy ny INSTN. Tsy maintsy mila fitaovana mifanaraka ny vanim-potoana ankehitriny ny fanaraha-maso eny amin’ny fadintseranana. Ho fiarovana amin’ny fampidirana fitaovam-piadiana sy amin’ny asa fampihorohoroana, nanolotra fitaovana « détecteurs de rayonnement » sy « identificateurs » ho an’ny fadintseranana malagasy ny AIEA (Agence internationale de l’énergie atomique). Ny INSTN (Institut national des sciences et techniques nucléaires) no manome fiofanana ny mpiasan’ny fadintseranana amin’ny fomba hampiasana ireo fitaovana ireo.Fitaovana arifomba avo lenta ireo avy amin’ny AIEA ireo, hisorohana ny asa fampihorohoroana amin’ny alalan’ireo fitaovam-piadiana mahery vaika. Eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny hametrahana izany voalohany, amin’ny maha seranana iraisam-pirenena azy, ifamezivezen’ny olona maro. Matetika, tratra eny an-toerana ny zava-mahadomelina, ary izao andraisana fepetra izao koa ny fitiliana fitaovana misy « radioactif » mety hampidi-doza.Nambaran’ny ao amin’ny INSTN fa manampy betsaka amin’ny fiarovana mandritra ny fitsidihan’ny papa François eto Madagasikara ireo fitaovana ireo; anisan’ny fepetra tsy maintsy arahina koa izany amin’ny vanim-potoana lehibe.Mampidi-bola be …Noho izay fanaraha-maso izay ihany, eny amin’ny fadintseranana Ivato, mihatsara  ny vola miditra amin’ny fanjakana. 4,6 miliara ariary ny tamin’ny volana jona teo, ary tafakatra 4,9 miliara ariary amin’ity volana jolay ity. Ao anatin’ny fanaraha-maso mahomby ny fanafainganana ny famoahana entana, araka ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra. Notsiahivina amin’ny rehetra ny fanarahan-dalàna, indrindra raha mahakasika ny raharaham-barotra izay tsy maintsy anaovana fanambarana. R.MathieuL’article AIEA – INSTN -Fadintseranana: miara-miasa ho fisorohana ny fampihorohoroana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanovana toe-tsaina: natahoran’ny mpanjanaka ny teatra

Anisan’ireo zavakanto vahiny nofolahin’ny Malagasy hifanaraka amin’ny aingam-panahiny,ny  fomba fisainany, sns, ny teatra. Nanjary teatra klasika malagasy mihitsy aza moa ny anarany taty aoriana… Nandalo fotoan-tsarotra anefa izy io…Iray amin’ireo kolontsaina sy ny zavakanto niroborobo fatratra ny teatra, nandritra ny vanim-potoan’ny fanjanahantany teto Madagasikara ka hatraty amin’ny Repoblika voalohany. « Raha ny vaovao ofisialy, nitriatra Ambatovinaky (trano filalaovana teatra) ka izay ny antony nandrodanana azy », hoy i Mbato Ravaloson. Raha ny filazan’ny mpilalao teatra sy ireo mpitia teatra tamin’izany fotoana izany anefa, vokatry ny fahatezeran-dry zareo mpanjanaka, noho ny « Raharaha 1947 », ny anisan’ny antony nandrodanana ilay trano fanaovana teatra tetsy Ambatovinaky. « Raha ny fanadihadiana nataon’ny teo aloha sy notohizana taty aoriana, nanana ny lanjany teo amin’ny fiainam-piarahamonina malagasy ny fisian’ny teatra tamin’izany. Kolontsaina malagasy, hira malagasy, teny malagasy, sns, no novoizina tao, hany ka natahotra ny mpanjanaka sao sanatria hampitombo ilay fitiavan-tanindrazana ao amin’ny Malagasy ny fisian’ny teatra ka naleony narodana ny taona 1953 Ambatovinaky », hoy hatrany i Mbato Ravaloson.Notsiahiviny ihany koa ny vina tany amin’ny taona 2010. Efa nisy ny dinika nifanaovana tamin’nireo manam-pahefana isan-tsokajiny. Averina ny endrika ivelan’ilay trano filalaovana teatra tetsy Ambatovinaky. Ny anatiny kosa, atao « Musée d’art ». Hatreto anefa, mijanona ho vina tokoa io fa tsy mbola nisy asa notanterahina. Efa zary toerana fanariana maloto rahateo Ambatovinaky nijerena teatra fahiny !HaRy RazafindrakotoL’article Fanovana toe-tsaina: natahoran’ny mpanjanaka ny teatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Valin-kafatra ho an’ny parlemantera Frantsay : niaka-dapa nitaky ireo ”Iles Eparses” ny Otrikafo

“Teo ny fanamafisan’ny Antenimierandoholona frantsay fa tsy azo eritreretina ny hamerenana an’ireo Nosy malagasy manodidina amin’i Madagasikara. Nefa tsy nahitan-teny ny amin’izany ny fitondram-panjakana malagasy, indrindra ny eo anivon’ny Antenimierandoholona.”Io ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny antoko Otrikafo, Rabevahiny Elia, nitondra tenin’ny antoko niara-dia taminy, teny Anosy, afakomaly. Ny amin’ny fametrahan’izy ireo taratasy fangatahana valin-kafatra tokony hataon’ny Antenimierandoholona ny fitakiana ireo Nosy malagasy manodidina bodoin’ny fanjakana frantsay izany.Izay no nahatonga ny taratasy ho an’ny Antenimierandoholona ny amin’ny tokony hanaovany valin-kafatra ho fitondram-panjakana frantsay. Manoloana ny fitsipahan’ny Antenimierandoholona frantsay, ny 2 septambra lasa teo, ny famerenana ireo Nosy malagasy manodidina amin’i Madagasikara. Nilaza koa ny Antenimierandoholona frantsay fa tsy maintsy tanterahina ao anatin’ny 600 andro ny hanaovana ny Nosy Sambatra ho valanjavaboahary manokana.Tsy tokony hiadian-kevitra intsony ny maha an’ny Malagasy an’ireo Nosy manodidina, raha ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotovao Rivo. Anisan’ny lahadinika voalohany amin’ny fivorian’ny Antenimierandoholona ny amin’ireo Nosy malagasy manodidina ireo.R.Nd.L’article Valin-kafatra ho an’ny parlemantera Frantsay : niaka-dapa nitaky ireo ”Iles Eparses” ny Otrikafo a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Initiative « Alamino » : Vers une stratégie offensive pour reverdir le pays

Une quarantaine d’acteurs multidisciplinaires vont proposer des actions originales pour 2021, à l’issue de cette séance d’intelligence collective. « Alamino » ou Agora des Paysages des Forêts de Madagascar, vise à mobiliser l’intelligence collective.   Madagascar perd environ 400 000 ha de forêts par an. Face à ce fait, une quarantaine d’acteurs issus de différents secteurs, dont entre autres, les autorités publiques, les ONG, la société civile, le secteur privé, les experts ainsi que les partenaires techniques et financiers, se sont engagés pour passer d’une approche défensive à une stratégie offensive visant à reverdir le pays d’ici 2030. C’est ce qu’on a appris lors du lancement officiel de l’initiative « Alamino », ou Agora des Paysages et des Forêts de Madagascar, la semaine dernière, à Ambatobe. Celle-ci a été portée et coordonnée par le “think-and-do tank” malgache INDRI (Initiative pour le Développement et la Restauration écologique et l’Innovation), et ce, en partenariat avec l’ONG Fanamby et le Think-tank Democracy, spécialisé dans l’intelligence collective. L’objectif consiste à mobiliser l’intelligence collective et les énergies malgaches pour réussir le reverdissement national, restaurer les forêts et les paysages agricoles tout en luttant contre la pauvreté et les effets du changement climatique.   Actions originales pour 2021. Pour ce faire, ces multi-acteurs mènent des réflexions sur des sujets-clés tout en entreprenant des actions communes visant à atteindre cet objectif. Ils ont, entre autres, identifié quatre thèmes de travail prioritaires pour cette année 2021, à savoir, la lutte contre les feux, le foncier et la planification territoriale, l’éducation et la sensibilisation ainsi que le reboisement. Au terme de cette séance d’intelligence collective, ces différents acteurs ont pu dégager des actions originales pour 2021 qui consistent à réduire les feux à Madagascar. Leurs propositions seront publiées prochainement. « Madagascar peut stopper la déforestation et convertir une grande partie de ses terres dégradées en forêts et paysages agricoles fertiles, permettant ainsi de lutter contre la pauvreté et le réchauffement climatique tout en protégeant la biodiversité », a déclaré Claude Fanohiza, le président de l’INDRI.   Inverser cette tendance. Selon​ Vatosoa Rakotondrazafy​, coordinatrice de l’Agora, Madagascar dispose de nombreux acteurs compétents investis dans la restauration des paysages. En outre, « il existe beaucoup d’initiatives et les bailleurs de fonds sont volontaires pour les soutenir. Pourtant, la couverture forestière n’arrête pas de disparaître. Il faut ainsi changer de méthode. C’est pour cette raison que nous avons créé l’initiative « Alamino » qui consiste à faciliter la coordination et la réflexion collective entre les acteurs pour aider à inverser cette tendance », a-t-elle enchaîné. Pour sa part, le ministre de l’Environnement et du Développement Durable, Baomiavotse Vahinala Raharinirina, a salué cette initiative en encourageant les dialogues entre les différents acteurs multidisciplinaires pour pouvoir atteindre l’objectif commun, qu’est le reverdissement national. Navalona R. L’article Initiative « Alamino » : Vers une stratégie offensive pour reverdir le pays est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Initiative « Alamino » : Vers une stratégie offensive pour reverdir le pays a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Ao Raha

Fanompoam-pirenena :: Lehilahy fito alina hotsaraina miaramila

Hanomboka amin’ ny 1 aogositra ho avy izao ny fotoam-pitsarana miaramila amin’ity taona ity, manerana ny Nosy. Araka ny loharanom- baovao avy amin’ny Foibem- pitondrana misahana ny fanompoam-pirenena sy ny fitantanana ny miaramila na ny Dsngr, dia eo anelanelan’ ny dimy alina ka hatramin’ny fito alina ireo lehilahy hitsara miaramila amin’ity taona ity. “Maimaim-poana avokoa ny zavatra hatao rehetra amin’io, hatramin’ny fano me – zana ny karatra maitso, tapa- bolana aorian’ny fahavitan’ ny fitsarana”, hoy ny jeneraly Rasolonirina Roger, talen’ ny Dsngr. Tsy toy ny isan-taona ny fitantanana ny fitsarana miaramila amin’ity taona ity fa manatona hatrany amin’ny kaominina lavitra indrindra ireo tompon’andraikitra. “Ho fanatanterahana ny torolalan’ny Filohan’ny Repoblika, hanomezana ny zon’ny zatovo lehilahy rehetra no anton’io fidinana any am-potony io. Nisy ny baikon’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena ny amin’ny tsy maintsy hitondrana manakaiky ny vahoaka ny fitsarana miaramila”, hoy hatrany ny jeneraly Rasolonirina Roger. Karatra maitso Tsy nitsahatra nidina tany ifotony ireo mpiasa eo anivon’ity foibem-pitondrana ity nandritra ny volana maro izay. “Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ireo préfet, lehiben’ny distrika, ireo dokotera sy mpitsabo mpanampy any amin’ireo toerana, ireo ben’ ny tanàna ary ireo lehiben’ ny fokontany nataonay tany amin’ireny toerana lavitra ireny. Izy ireo, arakaraka ny fahafahany avy, no nanolotra soson-kevitra amin’ny andro hanaovana ny fitsarana miaramila any amin’ireo faritra tsirairay. Natao izay tena nanatonana ny kaominina rehetra na dia ny 40%-n’izy aza saro-dalana avokoa. Nisy ireo nandehanana lakana, taksi-môtô, sarety, ankoatra ny dia an-tongotra ora maro. Ireo tompon’andraikitra no nizara izay toerana atao foibe fitsarana miaramila isaky ny distrika. Tsy ho lasa foibe avokoa ny kaominina rehetra fa tapaka hoe atao mifanatona eo amin’ny kaominina iray izay akaiky azy ireo kaominina hafa. Ao anatin’ny distrika iray dia mety hisy foibe fitsarana telo na mihoatra”, hoy hatrany ny fanazavan’ireo mpiasa ao amin’ny Dsngr. Ireo lehilahy eo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 31 taona no antsoina hitsara miaramila avokoa raha mbola tsy nanao izany. Ho an’ireo efa nitsara kosa kanefa tsy nahazo karatra maitso manamarina izany dia tokony hanatona ny foibe fitsarana akaiky azy izy ireo mba homena ny karatra maimaim- poana voasonian’ny talen’ ny Dsngr. Hifarana amin’ny 30 septambra 2019 kosa ny fotoam-pitsarana amin’ity taona ity. L’article Fanompoam-pirenena :: Lehilahy fito alina hotsaraina miaramila est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Fahafatesana zandary

Nindaosin’ny fahafatesana ny zandary iray mitondra ny grady adzida sefo miasa any Moramanga, ny faran’ny herinandro lasa teo. Fantatra fa noho ny fijanonan’ny fidoboky ny fony tamin’ny fotoana nandehanany tao amin’ny trano fidiovana no nitarika ny fahafatesana.   L’article Fahafatesana zandary est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Fisolokiana

Voarohirohy tamin’ny raharaha fisolokiana sy fampiasana fitombokase hosoka ny lehilahy iray sy vehivavy roa voasambotry ny polisy tamin’ny herinandro lasa teo. Vola mitentina enimpolo amby zato tapitrisa ariary no efa azon’izy ireo tamin’ny asa ratsy. Voatazona am-ponja vonjimaika ireo olona telo ireo, rehefa natolotra ny Fampanoavana. L’article Fisolokiana est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fitakiana tsy mbola nivaly: manaitra ny minisitera mpiahy ny Seces Antananarivo

Telo volana aty aorian’ny fanapahan-kevitra, hiroso amin’ny fanatanterahana ny teboka fito momba ny fangatahan’ny mpampianatra mpikaroka sampana Antananarivo, mametra-panontaniana ny mpampianatra fa tsy misy ny dingana vita avy amin’ny fitondram-panjakana. Nivory izy ireo, omaly ary namoaka fanambarana amin’ny teboka efatra mazava. Manamafy fa tokony handefan’ny minisitera mpiahy ny Fampianarana ambony eny anivon’ny fiadidiana ny primatiora ny antontan-taratasy momba ny fangatahana « dérogation » manokana hitazona amin’ny asany ny mpampianatra mpikaroka izay mbola ilaina amin’ny sahanasa maro. Misy antontan-taratasy samihafa tokony hofenoin’ny mpampianatra mpikaroka sasany efa naterina teny amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony ho fanampiny. Mety ho tapaka karama anefa ireo tsy nahafeno ny antontan-taratasy notakiana vokatr’izay fitarazohana izay, hoy ny fanazavana.Misy ny porofo homena ny tompon’andraikitra Voalazan’ny fanambarana koa fa tokony hatolotra ny tompon’andraikitra ny porofo amin’ny fandaniana vola ka tsy nahafahan’ny minisitera mpiahy nanefa ny tambin’ny fikarohana « indemnité de recherche » ho an’ny mpampianatra mpikaroka efa misotro ronono fa mbola manohy ny asa fikarohana, taona 2016. Namonjena ireo mpianatra malagasy mamita fianarana tany Sina sy Frantsa ny vola tokony homena ireo mpampianatra mpikaroka efa misotro ronono ireo. Mitaky izay porofo izay ny Fiadidiana ny primatiora handraisana ny fepetra mifanaraka amin’izay. Ankoatra ireo, miandry ny fandoavana ny trosa rehetra momba ny saran’ny ora fanampiny tamin’ny asany ny mpampianatra vacataire sy ny mpampianatra hafa ho an’ny taom-pianarana 2016-2017 ary ny mbola misy aza tsy nahazo ny saran’ny ora fanampiny nandritra ny taom-pianarana  2015-2016 ireo mpampianatra ao amin’ny fakiolten’ny DEGS.Miantso  fandraisana andraikitra haingana Mangataka koa izy ireo mba haraha-maso ny antontan-taratasy momba ny fanasokajiana na ny « reclassement » ho an’ny mpampianatra mpikaroka 110. Mihisatra ny fikarakarana ny antontan-taratasy ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony nefa miankina amin’izay avokoa ny famahana ny fangatahana samihafa, hoy ny filohan’ny Seces Sampana Antananarivo, Raveloharison Sammy Grégoire, omaly. Fanairana fotsiny aloha izao fanambarana izao satria iankinan’ny fiainan’ny mpampianatra maro ka mila mandray andraikitra haingana ny minisitera mpiahy.Vonjy A.                 L’article Fitakiana tsy mbola nivaly: manaitra ny minisitera mpiahy ny Seces Antananarivo a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé

Covid-19: Situation du 21.07.2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Covid-19: Situation du 21.07.2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.L’article Covid-19: Situation du 21.07.2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - News Mada

Nilatsaka ny didim-pitsarana: afaka ilay lehilahy, ahina ho nanolana ankizivavy 12 taona

Resy lahatra ny fitsarana ka namotsotra an’ i Petera tao anaty fisalasalana nandritra ny famoahana didy, nialohavan’ny adihevitra maro sy ny fanadihadiana rehetra nataon’ny mpitsara. Miampy ny taratasy nalefan-dry masera tao Ambodimozinga tany amin’ny ray aman-drenin’ ilay ankizivavy. Niakatra fitsarana teto Toamasina, omaly, ny raharaha nitranga tao Anivorano, Mangabe ny 13 avrily 2019, nahafaty an’ i Cecile, zazavavy 12 taona. Ahina ho voampangana ho nanolana azy i Petera, lehilahy 52 taona. Eo koa ny vesatra tamin’ny tsy nanampiana ny olona tra-doza.Tsy tana ny ain’ilay zazavavyTsiahivina fa naka ity zazavavy ity mba ho naman’ny zanany ity lehilahy ity rehefa nifampiresaka amin’ny ray aman-dreniny noho ny fifandraisan’ny roa tonta. Voan’ny aretina “tazo tsinay” anefa i Cecile, ny 10 avrily 2019 ary nentina tao amin’ny toeram-pitsaboana tantanin-dry Masera ao Ambomozinga. Tsy vita tao  ny fitsaboana ka nokasaina ho entina any amin’ny hopitalibe Toamasina. Tsy nanaiky izany anefa ny ray aman-drenin’ iCecile fa nitondra ny zanany nody hotsaboina any an-tranon’ izy ireo. Tsy tana anefa ny ain’ilay ankizy. Niainga teo ny fitoriana sy ny fiampangana an’ i Petera ka nanambaran’ ireo ray aman-drenin’ ilay ankizy fa maratra ny vodiny noho ny nataon’ilay rangahy io.Tsy nisy ny firaisana ara-nofoNampangain’izy ireo koa fa tsy nanampy tamin’ny fitsaboana sy fitondrana azy ho any amin’ny hopitalibe Toamasina io lehilahy io. Naiditra am-ponja vonjimaika i Petera, ny 13 avrily ny taona 2019. Nazava ny resaka nandritra ny fotoam-pitsarana, omaly fa tsy nisy ny firaisana ara-nofo ary voaporofon’ny taratasin’ny mpitsabo tao amin’ny toeram-pitsaboan-dry Masera fa tazon’ny tsinay efa mahery vaika ny nahazo ilay ankizy. Araka izany, nivoaka ny fonja nihazonana azy ilay rangahy.Sajo sy Synèse R. L’article Nilatsaka ny didim-pitsarana: afaka ilay lehilahy, ahina ho nanolana ankizivavy 12 taona a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE
13/10/2021

Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLEProfil : -  FEMME de plus de 25 ans avec expériences confirmées en Attachée de Direction à orientation commerciale -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 3 minimum en Gestion -  Parfaite maîtrise du français ; l'anglais serait un grand atout -  Parfaite maîtrise des outils informatiques & bureautiques, notamment Word Excel ERP et outils digitaux -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Missions : -  Assistanat de Direction, lié notamment au Commercial et à l'approvisionnement -  Relations, contacts et suivis clients & fournisseurs -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Réalisation de reportings commerciaux et autresEnvoyez CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d'ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE".

A vendre Kia pride Slx 1.5 VGT
09/10/2021

A VENDRE KIA PRIDE SLX Ex-Occasion de Korée    Année 2006 Faible kilométrage 56.800Km Numéro 9xxx AH (moins 01 ans) Boite vitesse manuel Moteur diesel 1.5 VGT Faible consommation  Climatronique, airbag, chaises chauffants  4 vitres électriques Siège chauffant 4 jante alu / 15 Auto radio d'origine/commande au volant Voiture bien entretien Voiture très propres et spacieuse Visible à Tamatave  Prix 20 000 000 Ar à débattre Contact : 034 15 003 96Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Kia pride Slx 1.5 VGT".

A vendre Tany Mora
13/10/2021

Raha tia hisitaka kely ny "VIlle", hitady toerana milamina sy rivotra madio dia ity no mety....Tany Mirefy 11a (1.100m²), efa- Mifefy tamboho biriky.- Amoron-dalala ary tongan'ny fiara rehetra.- Titré et Borné- Tanàna efa mandroso be. Tongan'ny BusToerana : Atsimon'ny Lac Vontovorona (19mn en voiture miala OASIS).Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Tany Mora".

A vendre 2021 Specialized Turbo Creo SL Expert EVO
09/10/2021

DanneyStore International LimitedDelivery is worldwide for more information contact me at danney1store@gmail.compayment is via BANK TRANSFER or PAYPALSpecialized 2021 Road Bikes:2021 Specialized S-Works Turbo Creo SL EVO $11,500 2021 Specialized S-Works Turbo Creo SL $11,250 2021 Specialized S-Works Aethos - Dura Ace Di2 $9,500 2021 Specialized S-Works Roubaix – SRAM Red ETAP AXS $8,500 2021 Specialized Turbo Creo SL Expert EVO $6,250 2021 Specialized Turbo Creo SL Expert $6,000 2021 Specialized Aethos Pro - Ultegra Di2 $4,400 2021 Specialized Aethos Pro - SRAM Force ETap AXS $4,400 2021 Specialized S-Works Aethos Frameset $2,200 2021 Specialized S-Works Aethos - Founder's Edition $11,500 2021 Specialized S-Works Aethos - SRAM Red ETap AXS $9,500 2021 Specialized S-Works Tarmac SL7 - SRAM Red ETap AXS $9,300 2021 Specialized S-Works Tarmac SL7 - Dura Ace Di2 $9,300 2021 Specialized S-Works Roubaix - Sagan Collection $9,000 2021 Specialized Tarmac SL7 Pro - SRAM Force ETap AXS 1x $4,200 2021 Specialized Tarmac SL7 Pro - Ultegra Di2 $4,200 2021 Specialized Roubaix Pro $3,700 2021 Specialized Aethos Expert $2,200 2021 Specialized Tarmac SL7 Expert - Ultegra Di2 $2,000 2021 Specialized S-Works Tarmac SL7 Frameset - Sagan Collection $2,000 2021 Specialized Diverge Pro Carbon – Campagnolo LTD $4,000 2021 Specialized CruX Pro $3,400 2021 Specialized S-Works CruX $6,000 2021 Specialized S-Works Shiv Disc $10,000 2021 Specialized Shiv Expert Disc $5,500 2021 Specialized S-Works Shiv Disc Module $3,000Contact : danney1store@gmail.comSpecialized 2021 Mountain Bikes:2021 Specialized S-Works Epic Hardtail $6,500 2021 Specialized Epic Expert $3,000 2021 Specialized Epic EVO Expert $3,000 2021 Specialized Epic Hardtail Pro $2,500 2021 Specialized S-Works Epic $8,500 2021 Specialized S-Works Epic EVO $8,500 2021 Specialized Epic EVO Pro $5,400 2021 Specialized Epic Pro $5,000 2021 Specialized S-Works Stumpjumper EVO $6,900 2021 Specialized Turbo Levo SL Expert Carbon $6,500 2021 Specialized S-Works Stumpjumper $6,500 2021 Specialized Turbo Levo SL Comp Carbon $4,500 2021 Specialized Stumpjumper Pro $4,000 2021 Specialized Turbo Levo SL Comp $3,500 2021 Specialized S-Works Turbo Levo SL $11,000 2021 Specialized S-Works Turbo Levo $9,500 2021 Specialized Stumpjumper EVO Pro $4,300 2021 Specialized Turbo Levo Comp $3,300 2021 Specialized Turbo Levo $2,000 2021 Specialized S-Works Turbo Levo SL Frameset $3,500 2021 Specialized Demo Expert $2,000 2021 Specialized Demo Race $3,800Contact : danney1store@gmail.comTrek 2021 Road Bikes:2021 Trek Émonda SLR 7 $5,300 2021 Trek Émonda SL 7 eTap $3,000 2021 Trek Émonda SL 7 $2,500 2021 Trek Émonda SLR 7 eTap $5,800 2021 Trek Émonda SLR 9 $9,000 2021 Trek Émonda SLR 6 $3,700 2021 Trek Émonda SLR 9 eTap $9,000 2021 Trek Checkpoint SL 7 $3,000 2021 Trek Madone SL 7 $3,500 2021 Trek Domane SLR 7 $5,300 2021 Trek Domane SL 7 $3,000 2021 Trek Domane+ LT 9 $9,500 2021 Trek Madone SLR 9 $9,500 2021 Trek Madone SLR 9 eTap $9,500 2021 Trek Domane SLR 9 eTap $9,000 2021 Trek Domane SLR 9 $9,000 2021 Trek Domane+ HP 7 $6,700 2021 Trek Domane+ LT 7 $6,200 2021 Trek Madone SLR 7 eTap $6,000 2021 Trek Domane SLR 7 eTap $5,800 2021 Trek Madone SLR 7 $5,500 2021 Trek Domane+ HP $4,500 2021 Trek Madone SL 7 eTap $4,000 2021 Trek Madone SLR 6 $3,900 2021 Trek Domane SLR 6 $3,800 2021 Trek Domane+ LT $4,000 2021 Trek Domane SL 7 eTap $3,500 2021 Trek Allant+ 9.9S $3,000 2021 Trek Allant+ 9.9S Stagger $3,000Contact : danney1store@gmail.comTrek 2021 Mountain Bikes:2021 Trek Slash 9.8 XT $3,500 2021 Trek Slash 9.9 XO1 $5,500 2021 Trek Powerfly FS 9 Equipped $3,000 2021 Trek Rail 7 $3,000 2021 Trek Supercaliber 9.8 GX $3,800 2021 Trek Fuel EX 9.8 XT $3,000 2021 Trek Rail 9.9 X01 AXS $9,500 2021 Trek Rail 9.9 XTR $8,500 2021 Trek Supercaliber 9.9 XX1 AXS $8,000 2021 Trek Rail 9.9 $7,500 2021 Trek Supercaliber 9.9 XX1 $7,000 2021 Trek Top Fuel 9.9 XX1 AXS $7,000 2021 Trek Supercaliber 9.9 XTR $6,500 2021 Trek Slash 9.9 XTR $6,000 2021 Trek Fuel EX 9.9 X01 AXS $6,000 2021 Trek Session 9.9 29 $5,000 2021 Trek Top Fuel 9.9 X01 $5,500 2021 Trek Rail 9.8 XT $5,000 2021 Trek Top Fuel 9.9 XTR $5,500 2021 Trek Fuel EX 9.9 XTR $5,500 2021 Trek Rail 9.8 $5,000 2021 Trek Fuel EX 9.9 XO1 $5,000 2021 Trek Rail 9.7 $4,000 2021 Trek Supercaliber 9.8 XT $3,800 2021 Trek Slash 9.8 GX $3,500 2021 Trek Top Fuel 9.8 GX $3,200 2021 Trek Remedy 9.8 $2,700 2021 Trek Top Fuel 9.8 XT $3,200 2021 Trek Fuel EX 9.8 GX $3,000 2021 Trek Rail 5 $2,000Contact : danney1store@gmail.compayment is via BANK TRANSFER or PAYPAL Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre 2021 Specialized Turbo Creo SL Expert EVO".

A vendre A vendre
09/10/2021

Armoire mélamine démontable avec penderie. 4 portes avec 2 tiroirs. Couleur marron. Facile à démonter. Encore en bon état.A venir chercher à Ambatolampy Ambohibao.Contact:0346997096   Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A vendre".

Emploi et services ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE
15/10/2021

Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLEProfil : -  FEMME de plus de 25 ans avec expériences confirmées en Attachée de Direction à orientation commerciale -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 3 minimum en Gestion -  Parfaite maîtrise du français ; l'anglais serait un grand atout -  Parfaite maîtrise des outils informatiques & bureautiques, notamment Word Excel ERP et outils digitaux -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Missions : -  Assistanat de Direction, lié notamment au Commercial et à l'approvisionnement -  Relations, contacts et suivis clients & fournisseurs -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Réalisation de reportings commerciaux et autresEnvoyez CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d'ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE".

Emploi et services Manao Instrumental
13/10/2021

Manao Instrumental Rap, rnb, zouk, tropical, salegy, reggae, ragga, évangelique, chorale, folk, piano, sy ny manodidina azy rehetra, tononkira, feonkira, video lyrics, mise en youtube, manampy vue am youtube, Afaka manome tononkiraAfaka manao video liricsFacebook.com/instrukreator Prix mora Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Manao Instrumental".

Emploi et services Cours de Soutien en maths, syst Malagasy, syst Fraincais, et universitaire à domicile et/ou en ligne
13/10/2021

Ayant 11ans d'expérience dans le domaine de l'enseignement (9ans particulier, 6ans programme Français et 4ans Universitaire, 3ans cours en ligne(live video) )et diplômé en Master Mathématiques appliquées. Je vous offre des cours particuliers : - Mathématiques: 6eme- Tle A, C, D, ES, S ( systèmes éducatifs malagasy).- Mathématiques: 6eme- Tle Spé math spé maths, option maths expert ou informatique( systèmes éducatifs Français). - Analyse, algèbres, statistiques et probabilités appliquées, mathématiques appliquées, mathématiques générale, mathématiques financière, base informatique(Universitaire: Économie, gestion, Informatiques, ...). Mon but est de faire progresser l'étudiant sans le surcharger avec des méthodes très efficace. N'hésiter pas à me contacter pour de plus amples informations. À bientôtMr JackisCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Cours de Soutien en maths, syst Malagasy, syst Fraincais, et universitaire à domicile et/ou en ligne".

Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
13/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

Emploi et services DÉCLARANT EN DOUANE SENIOR
13/10/2021

Nous recrutons pour un client dans le domaine du transit:  DÉCLARANT EN DOUANE SENIORPoste basé à Antananarivo et Toamasina Missions :- Recueillir les informations nécessaires à l’établissement d’une déclaration en douane- Établir des nomenclatures douanières à utiliser- Réaliser la saisie des éléments d’une déclaration en douane à partir des documents reçus- Enregistrer les déclarations validées par le Responsable Douane- Garantir la transmission au service facturation des copies des DAU enregistrées dans la ligne de crédit de la société- Etablir les DAU draft pour les clients qui en ont besoin Profil:- Bac+3 a en commerce international ou équivalent- Expérience de 02 ans minimum dans le domaine similaire- Bonne connaissance des opérations douanières et des législations douanières- Bonne maîtrise de la langue française- Maîtrise des outils bureautiques- Rigoureux, Integer et dynamique Envoyez-nous votre candidature à talent@human-talent-consulting.com avec comme objet du mail la référence DECLARANTDOUANE-1021Veuillez préciser dans votre candidature la localité du poste qui vous convient. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services DÉCLARANT EN DOUANE SENIOR".

Emploi et services AGENT DE TRANSIT
13/10/2021

Nous recrutons pour un client dans le domaine du transit :  AGENT DE TRANSIT Poste basé à Antananarivo et Toamasina Missions:- Assurer la réception et transmission de documents interne et externe- Ouverture et gestion de dossier sur logiciel informatique- Préparation des programmes d’enlèvement des marchandises- Tenue des états documentation- Réception des copies des documents ou pré alerte par e-mail- Vérification des documents reçus par le client avant remise à Responsable Import- Préparation et remise des sous dossiers au Responsable Douane- Envoi de situation des clients- Préparation des divers documents du service- Réception des dossiers retour du service Douane et retour aux clients- Préparation aet remise des dossiers à remettre à la facturation pour paiements- Préparation des programmes d’enlèvement internes Profil :- Bac+2 en commerce international ou équivalent- Expérience dans le domaine souhaitée- Maîtrise de la langue française- Maîtrise des outils bureautiques- Rigoureux, Integer et dynamique Envoyez-nous votre candidature à talent@human-talent-consulting.com avec comme objet du mail la référence AGTTRANSIT-1021Veuillez préciser dans votre candidature la localité du poste qui vous convient.  Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services AGENT DE TRANSIT".

A vendre Residence Rundong
15/10/2021

La Société Run Dong International Development S.A.R.L est en cours de constructions d’ un grand  projet qui consiste à construire une résidence de haut standing qu’ on a nommé  ‘’ Résidence Run Dong ‘’ située à Tanjombato - Anosimahavelona 500m du pont de Jumbo Smart.Nous allons commercialiser plusieurs appartements différents selon votre choix avec ou sans piscine.T3 1 living +2 chambres = 89m2 – 112m2T4 1 living +3 chambres = 112m2-136 m2-148m2T5 1 living +4 chambres = 148m2T4 et T5 avec piscine privée = 255m2En Duplex = 1ere étage 150m2 et rez de chaussé = 190m2Si nos appartements vous intéressent nous vous incitons déjà à réserver dès maintenant car vous bénéficieriez d’une grande réduction de prix et d’autres avantagesN’hésitez pas à nous contacter si vous avez besoins d’autres renseignements complémentaires034 37 333 33 / 033 05 666 66 / 033 25 999 999Contactrdg69@gmail.comNotre site: www.residencerundong.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Residence Rundong".

Notsongaina

Filohan’ny SSM: « Tsy fitaovana politika ny sendikà”
11/10/2021

Hentitra ary nahitsy. “Fantatray ny asanay sy andraikitray ka tsy hataon’ny fanjakana sy ny mpanao politika na ny mpanohitra ho fitaovana politika”, hoy ny filoha vaovao eo anivon’ny Firaisakinan’ny sendikà (SSM), Andrianavalona Herizo Ramanambola, ny zoma teo, tetsy Anosy. Nanteriny fa ambara ho mpanao politika rehefa mitaky ny zo ka manao hetsika ny sendikà. “Lazaina fa manohana fanjakana indray anefa rehefa mangina… Natao hampivoatra ny fari-piainan’ny mpiasa sy hiaro azy ireo miaraka amin’ny tombontsoany ny sendikà”, hoy ihany izy. Nampanantena ny tenany fa hiezaka ny hametraka amin’ny toerany ny sendikà matanjaka sy ho lovainjafy.Tsiahivina fa hitantana ny SSM mandritra ny efa-taona ny tenany. Mpitarika mafana fo ny sendikan’ny fadin-tseranana, eo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola izy, nialoha izao nifidianan’ireo sendikà miisa 54 azy izao.Synèse R.L’article Filohan’ny SSM: « Tsy fitaovana politika ny sendikà” a été récupéré chez Newsmada.

Boky “Ny fiandohan’ny Malagasy”: hanomezana vahana ny hambom-po maha Malagasy
09/10/2021

Lanonana mipetraka an­atin’ny tantara… Tontolosa omaly tany Mananjary, renivohitry ny Faritra Vatovavy, ny famoahana tamin’ny fo­mba ofisialy ny boky “Ny fiandohan’ny Malagasy”. Bo­ky natao hanomezana vahana ny hambom-po maha Mala­ga­sy, amin’ny alalan’ny fampahafantarana ny tantaran’ny fiaviantsika izy ity. “Zava-dehibe ny famoahana ity boky mirakitra ny «Fiandohan’ny Malagasy» ity, izay misy hifandraisany tanteraka amin’ny rohin’ny tantara sy ny kolontsaina izay tokony ho fantatry ny vahoaka. Hipetraka ho tantara, araka izany, ny famoahana azy”, hoy hatrany ny Fi­lo­ham-pirenena, izay nanome voninahitra manokana ny la­nonana. «Nametraka ho laharam-pahamehana ny kolontsaina ho isan’ireo fanoitra amin’ny fampandrosoana ankapoben’ ny firenena ny fanjakana. Tsy misy ny firenena iray raha toa ka tsy manana ny tantarany sy ny kolontsainy», hoy ny fanazavana nomen’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny Serasera, Andriatongarivo Lalatiana. Naravona anatina pejy 130 ireo angom-baovao sy ireo fanamarinana samihafa mo­mba an’io fampahafantarana ny fototry ny fiavian’ny Malagasy io. Roa taona no namolavolana azy ho lasa boky, ka manam-pahaizana maro no niaraka nandrafitra azy tamin’ny fitaleavana mi­andraikitra ny maha izy ara-kolontsaina, eo anivon’ny mi­nisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Isan’izany, ireo akademisianina eto amintsika izay nanaovana fakan-kevitra momba izany sy ireo avy amin’ ny mpampianatra mpikaroka eto amintsika. Teo ihany koa ireo angom-baovao samihafa mirakitra ny tantaran’i Ma­da­ga­sikara. Ao anatin’ny tanjona napetraky ny fitondram-panjakana tamin’ny minisitera ary tafiditra ao anatin’ny «contrat-programme» rahateo ny hanamafy ny maha izy azy antsika Malagasy. Tsy hamidy fa zaraina maimaim-poana izao boky ara-kolontsaina sy ara-tantara izao ary haparitaka eny anivon’ny sekoly isan’ambaratongany sy any amin’ireo tranomboky samihafa. Nosafidi­ana manokana i Mananjary hamoahana izao boky izao noho ny fananany harena ara-tantatara mifamatotra amin’ ny fiavian’ny Malagasy.Nangonin’i Zo ny AinaL’article Boky “Ny fiandohan’ny Malagasy”: hanomezana vahana ny hambom-po maha Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Nanafika tao Ambohimangakely: jiolahy efatra nitondra basy tratra
09/10/2021

Nitrangana fanafihan-jiolahy ampolony nirongo basy tao amin’ny fokontany Manambina kaominina Ambohimangakely akaikin’ny tetezana Ampa­simbe, afakomaly hariva. Na­hazo antso ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambohi­man­gakely izay nanao fisafoana tao amin’ity fokontany ity fa misy jiolahy ampolony manafika toeram-pivarotana friperie sy mpanamboatra mofomamy eo akaikin’ny tetezana Ampa­simbe. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny vola 2 hetsy Ar. Nametraka ny paikady rehetra hahafahana manara-dia ireo olon-dratsy ny zandary taorian’ izay. Ho fanamafisana ny fandriampahalemana, mitohy ha­trany ny hetsika “Papango” ataon’ny zandary. Nisy ireo zandary nanao sakana ireo jiolahy teo Ambodivoara notari­hin’ny CB-n’Ambohimang­a­kely. Nahitam-bokany izany satria tratra tao amin’ny fokontany Ankadindambo ny jiolahy efatra (mpirahalahy ny roa amin’ izy ireo) monina eny Anjana­hary. Hita teo akaikin’ny toerana nahasamborana ireto jiolahy ireto ny basy vita gasy iray miaraka amin’ny bala marika Kai­ser. Tsy nisy ny maty na naratra nandritra ny fanafihana. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary momba ity raharaha fanafihana ity.Jean ClaudeL’article Nanafika tao Ambohimangakely: jiolahy efatra nitondra basy tratra a été récupéré chez Newsmada.

 35 taonan’ny Tarika Kiaka: nafana ny fiarahana tamin’ny mpankafy
12/10/2021

Heni-boninahitra ny fankalazana ny faha35 taona ho an’ny tarika Kiaka… niara-nifety tamin’ny mpankafy mozika metaly tetsy Antsahamanitra, afakomaly tolakandro izy ireo. Novazoina tao avokoa ireo hira nanamarika ny tarika. Nampitora-jofo ny mpiondana metaly, ohatra, ilay hira “Revy” nataon’ny tarika Kiaka, ary nanehoan’izy ireo ny maha izy azy, na tamin’ny fomba fihira izany, na ny fomba fitendrena zavamaneno.  Nanotrona azy ireo amin’izany i Niry avy ao amin’ny tarika Iraimbilanja, i Abasse avy ao amin’ny tarika Apost, i Jacquot amin’ny tarika Green. Nikarakara ity hetsika ity ny Gasy Fest. Ny taona 1986 ny niforonan’ny tarika Kiaka. Ny kiaka dia avy amin’ny hoe hiaka hoenti-mampita hafatra, raha ny nambaran’izy ireo. Tafita tokoa ny hafatra matoa mbola am-bavan’ny olona ireo tononkira maro isan-karazany, toy ny “Ilay mahantra” sns…NarilalaL’article  35 taonan’ny Tarika Kiaka: nafana ny fiarahana tamin’ny mpankafy a été récupéré chez Newsmada.

Nécrologie du 15 octobre 2021
15/10/2021

Cliquez pour agrandir L’article Nécrologie du 15 octobre 2021 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

“Madajazzcar” : Haneho ny “Jazz tropikaly” ry Jaojoby, Tence Mena…
09/10/2021

Hafampana indray ny tontolon’ny jazz eto Madaga­sikara amin’ity volana oktobra ity… Hiditra amin’ny “Madajazzcar” andiany faha-32 izao, ary izany dia entina hanomezam-boninahitra an’i Désiré Razafindrazaka, izay filohan’ny komity mpikara­kara, nodimandry tsy ela akory izay. Hisantatra ny hetsika ny “Jazz tropikaly”, eo anoloan’ ny Gara Soarano, iarahana amin’ny Weaver trio, Tence Mena, Jaojoby, anio asabotsy 9 oktobra, manomboka amin’ ny 4 ora sy sasany hariva. Mpanakanto manana ny maha izy azy “sakamalaho sy ha­vozo” eo amin’ny tontolon’ny mozika malagasy ireto hiaka-tsehatra ireto. Ankoatra izay, hisy koa ny hetsika any Antsirabe, izay hiarahana amin’ny Madma­nouche sy Ramahefason Quar­­tet, ahitana an-dry Tahina vibe, Lova Ramahefason, Vatsiahy Ravaloson, Rakotodavid, izay hotanterahina ao amin’ny Alliance Française Antsirabe, manomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva. Fanombohana ihany ireo fa maro ny seho sy hetsika isan-karazany, mandritra ny “Madajazzcar” an­diany faha-32.NarilalaL’article “Madajazzcar” : Haneho ny “Jazz tropikaly” ry Jaojoby, Tence Mena… a été récupéré chez Newsmada.

Filoha Rajoelina tao Mananjary : « Hofehezina tsy ho gaboraraka ny volamena… »
09/10/2021

Nitohy, omaly, ny fitsidihan’ny filoha Rajoelina Andry ny tao Mananjary. Napetraka tamin’izany ny birao fandraharahana ny harena an-ki­bon’ny tany hisahana ny fitantanana eny ifotony ireo vato sarobidy. “Hofehezina ao anatin’ny mangarahara ity sehatra ity, manomboka izao, mba hisorohana ny gaboraraka. Samy mandefa amin’ny sambo sy any anaty valizy any ka lasa daholo ny volamena. Tsy maintsy hapetraka ny la­mina sy ny rafitra rehetra momba an’ny fifehezana an’io sehatra io», hoy izy. No­ha­ma­fi­siny fa tokony hiteraka fampandrosoana amin’ireo faritra ny fanaraha-maso sy ny fampiroboroboana an’ity sehatra iray ity. Tokony hisitraka ny harena ao aminy ireo kaominina sy distrika rehetra eto Madagasikara, araka ny nambarany hatrany. Nomeny bai­ko ny praiminisitra Ntsay Chris­tian, izay sady mitantana vonjimaika ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany mba hiezaka mafy hifehy ny fitrandrahana ny volamena sy ireo vato sarobidy hafa.Volamena 10 kg isan-kerinandro Nambaran’ny lehiben’ny governemanta fa faritra iray, anisan’ny manana harena an-kibon’ny tany maro karazana i Vatovavy. Mbola ratsy tantana anefa izany, araka ny nambarany. «12 kilao ao anatin’ny telo taona no volamena nampahafantarina ny fanjakana sy ara-dalàna. Mahalala an­efa aho fa 10 kilao isaky ny herinandro ny volamena mi­vo­aka ao amin’ny kaominina iray”, hoy izy. Nialoha izany, nitokana ny EPP manara-penitra ao Fangato ny filoha. Momba ny toaka gasy kosa, nambarany fa mila dinihina tsara izany ary atao manaraka ny fenitra. “Mba tsy hisy intsony ny fanenjehana”, hoy izy.Synèse R.L’article Filoha Rajoelina tao Mananjary : « Hofehezina tsy ho gaboraraka ny volamena… » a été récupéré chez Newsmada.

Tanjombato : Echange de tirs mortels
14/10/2021

En plein milieu de l’après-midi, des coups de feu ont retenti hier à Tanjombato. Des bandits armés, pris en filature depuis un certain temps par la police, y ont organisé une réunion de mise au point pour un cambriolage. Au nombre de cinq et armés d’au moins cinq pistolets automatiques, ils sont sur le point de finaliser leur plan lorsque la police est intervenue. Un échange de tirs entre les deux protagonistes est survenu. Le tout Tanjombato a été terrifié par cette opération inattendue. Après un accrochage sans relâche, trois des bandits ont été abattus par les éléments de la police qui ont barricadé le quartier avant de se mettre à l’assaut. Selon la police, le lieu de rencontre des bandits  leur sert également de fabrique d’armes. Une usine bien équipée qui est capable de produire des pistolets artisanaux. La même source indique que les membres de ce réseau de malfrats ont récemment tué par balle un jeune homme pour le délester de quatre millions d’ariary, à Anosibe la semaine dernière. Le chassé-croisé entre la police et les bandits continue de plus belle dans la Capitale où l’insécurité est montée d’un cran ces derniers temps. D.RL’article Tanjombato : Echange de tirs mortels a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Andry Rajoelina : Offensive politique à Fianarantsoa
11/10/2021

Pas de répit. Le président Andry Rajoelina a clôturé sa tournée dans la Région Haute Matsiatra par une note spirituelle. Le diocèse de Fianarantsoa a célébré hier le 150e anniversaire de l’avènement de la Religion catholique dans cette localité. Le Chef de l’Etat a assisté à la messe qui s’est tenue au stade du Lycée Saint Joseph Ambozontany. C’est sur ce même lieu en 1781, qu’a été célébrée la première messe dirigée par le missionnaire Père Marc Finaz qui a également introduit le christianisme à Fianarantsoa. Lors de cette messe, le président de la République a fait la promesse de prendre en charge la construction du Centre Culturel et Pédagogique de l’Archidiocèse. Avant de quitter la Région Haute Matsiatra, le Chef de l’Etat a inauguré la vinerie du Monastère de Maromby. Cet établissement produit les vins utilisés durant les cérémonies religieuses dans tout Madagascar mais également les vins apéritifs destinés au grand public. En tout cas, cette visite présidentielle dans la Région Haute Matsiatra a été marquée par l’inauguration de nombreuses Zava-bita et la visite des plusieurs chantiers en cours. A deux ans de la prochaine échéance électorale prévue en 2023, Andry Rajoelina lance une véritable offensive politique en réalisant une démonstration de popularité à Mananjary, puis à Fianarantsoa, Ambohimahasoa et Ambalavao. A chaque étape de son périple, l’on constate une marée orange. Andry Rajoelina prêche l’amour, l’unité, la solidarité, l’entraide et le patriotisme. En retour, en guise de remerciement par rapport aux infrastructures réalisées, les populations des régions confirment leur soutien indéfectible au TGV. A l’image d’Ambalavao où le stade manarapenitra nouvellement construit était complètement envahi par une  vague orange. Durant sa prise de parole, le Chef de l’Etat a lancé une pique à l’encontre de ses adversaires politiques en faisant une comparaison entre deux individus qui participent à une course. « Les autres s’épuisent au bout d’un kilomètre seulement. Quant à nous, on ne sera jamais fatigué même après avoir fait 20 kilomètres. On est jeune et compétent «,  a-t-il déclaré. Une allusion certainement à l’ancien patron de l’Empire Tiko. Durant la journée de samedi, le président Andry Rajoelina a eu une journée très chargée. Il a débuté sa descente par la distribution d’attestations de formation à tous les participants au programme « Asa Avotra «. Une formation dispensée par le Ministère de l’Enseignement technique et de la Formation professionnelle. Le programme « Asa Avotra «, initié par le Ministère de la Population consiste à l’exécution de travaux HIMO comme la conception pavée et moellons, la pose pavée, le reprofilage de pistes, les travaux de maçonnerie et la réhabilitation fossé, le nettoyage des jardins. Le projet consiste à offrir du travail aux nécessiteux pour atténuer les impacts de la COVID-19. 4000 bénéficiaires de cette formation se sont ainsi vus remettre leur certificat lors d’une cérémonie qui s’est tenue au gymnase du Lycée Technique Ambatomena. Le Chef de l’Etat s’est aussi rendu à Mahamanina pour assister à l’inauguration de l’EPP Manarapenitra. Cette infrastructure figure parmi les 40 EPP et lycées manarapenitra construite dans la Région Haute Matsiatra. Outre les salles de classes, l’établissement est doté aussi d’une infirmerie, d’une salle de soins, d’une pharmacie, d’une salle informatique, ainsi qu’une salle destinée à la classe préscolaire avec de nombreux jouets et équipements ludiques. Le président Andry Rajoelina reconnaît toutefois qu’il reste encore beaucoup à faire aussi bien dans la construction d’écoles que le recrutement d’enseignants. Il a aussi présenté le nouveau « Rakibolana « en trilingue qui facilite l’apprentissage des langues malagasy, française et anglaise aux élèves.  Cet ouvrage sera distribué dans toutes les EPP et les lycées de Madagascar. Les enseignants intégrés en tant que fonctionnaires au sein de la CISCO de Fianarantsoa ont également reçu leur contrat de travail durant cette cérémonie. A Lalangina, le président Andry Rajoelina a inauguré la nouvelle maison centrale à Volamena Ambalakely. Cet établissement a une capacité d’accueil de 1800 détenus. Il s’agit de la deuxième prison sécurisée et aux normes inaugurée après celle d’Imerintsiatosika. Compartimenté en 8 quartiers, cet établissement pénitentiaire présente des cellules séparées pour les femmes, les hommes et les mineurs. Les détenus qui sont condamnés et ceux qui sont encore prévenus seront également placés dans des lieux séparés. L’endroit est hautement sécurisé et équipé de plusieurs caméras de surveillance qui sont disposés à l’intérieur et à l’extérieur et dont les images sont directement transmises au niveau du centre de contrôle. Un quartier de réinsertion sociale équipé d’un atelier permettant aux détenus d’apprendre de nombreuses activités comme la menuiserie, la couture ou la cuisine est aussi présent dans cette maison centrale. Le président Andry Rajoelina est tout de suite rentré à Antananarivo pour assister au match entre les Barea et la RDC qui s’est tenu à Mahamasina. Davis R  L’article Andry Rajoelina : Offensive politique à Fianarantsoa a été récupéré chez Midi Madagasikara.

«Raharaha Eddy Bois de rose» – HJRA: hiakatra fampanoavana, anio, ny Pr Auberlin sy ilay tale iray
11/10/2021

Ahina hafampana ? Hiakatra fampanoavana etsy Anosy, anio, raha tsy misy ny fiovana ny Pr Rakototiana Auberlin sy ny tale lefitra teknika eo anivon’ny HJRA, ny Dr Jean Marie. Navoakan’ny polisy etsy amin’ny  « Surveillance du territoire” izy ireo, ny asabotsy hariva teo, rehefa notanana sy nohadihadina nandritra ny 48 ora, nanomboka ny zoma 8 oktobra teo. Ahina ho niray tsikombakomba tamin’ny fampandosirana ilay gadra narary notsaboina i Maminirina Eddy na i “Eddy Bois de rose” ireto tomponandraikitra ambony eo anivon’ny HJRA ireto, ny herinandro teo ka nampanantsoin’ny polisy.Mbola anatin’ny fahasemporanaEtsy an-daniny, mbola tanana eny Anosy eo anivon’ny polisy i “Eddy Bois de rose” na ao anatin’ny tsy fahasalamana tanteraka aza, noho ny fahasemporana.  Mbola tazonin’ny mpitandro filaminana koa ireo mpiandry fonja, niambina ity gadra ity teo anivon’ny HJRA.Tsiahivina fa nilaza ny hanamafy ny fitokonana ary tsy handray afa-tsy ireo marary mafy sy ahina ireo mpitsabo rehetra eo anivon’ny hopitaly. Tsy ny HJRA ihany fa ny hopitaly manerana ny Nosy, araka ny nambaran’izy ireo, ny faran’ny herinandro teo. Mety hanao rodobe eny amin’ny fitsarana izy ireo, amin’ity anio ity, hanaraka akaiky ny fivoaran’izao raharaha izao.Synèse R.L’article «Raharaha Eddy Bois de rose» – HJRA: hiakatra fampanoavana, anio, ny Pr Auberlin sy ilay tale iray a été récupéré chez Newsmada.

Fandresena nanoloana ny RD Congo (1-0): velona indray ny fanantenana, mitohy ny lalan’ny Barea
11/10/2021

Nampitaintaina! Namelona indray ny fanantenana teo amin’ny mpitia baolina kitra malagasy ny fandresen’ny Barea ny Leopard-n’i Congo, omaly. Nahazo isa 3 ny Barea ary mbola manohy ny lalana amin’ny fifanintsanana ho an’ny “Mondial 2022”.Niverina ao anaty hazakazaka ho an’ny fiadian-toerana, amin’ny “Mondial 2022”, indray ny Barea de Madagascar, rehefa nandresy ny Leopard-n’i Congo, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0. Fihaonana notanterahina tetsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina, omaly alahady 10 oktobra. Ny faharesen’i Benin, nanoloana an’i Tanzania, tamin’io isa tokana io ihany koa no hananan’ny Barea, herijika indray. Samy mbola afaka miandrandra ny ho tafita avokoa, araka izany, ireo ekipa efatra.Hatreto,  mitarika amin’ny isa 7 mitovy i Benin sy i Tanzania arahiin’i RD Congo, amin’ny isa 5 ary fahefatra ny Barea, isa 3. Mbola hangotraka, araka izany, ny andro fahadimy sy fahenina. Raha tsy misy ny fiovana, hanafika any Benin ny Barea, ny 11 novambra ary hampiantrano an’i Congo kosa i Tanzania. Ny 14 novambra, handray an’i Tanzania ny Barea ary hanafika any Congo i Benin.Raha hiverenana ny lalaon’ny roa tonta, naneho fahavononana avy hatrany ny Barea, nahitana ireo mpilalao tanora nalahatr’i Eric Rabe, mpanazatra. Anisan’ireny i Mathyas, mpiandry tsatoby. Teo koa i Fabien Boyer sy i Fabrice, niampy an’i Marco sy i Rayan. Vao nanomboka 2 mn dia efa matin’i Njiva ny baolina taorian’ny tranonkala nifanaovan’i Rayan sy i Marco ary i Metanire. Nanindry avy eo ry Bakambu sy ry Binda ary i Samuel, saingy tsara ny hiditrano nataon’i Boyer sy i Mamy Gervais. “Afa-po tamin’ny lalaon’ny ekipa aho, satria nisy fahatokisana sy toe-tsaina vonon-kiady. Misy valiny foana ny ezaka atao ary mandeha miandalana ny vokatra. Tonga dia tafiditra ireo mpilalao tanora, saingy mila fahazarana kely. Tsy ho antsoina intsony ireo mpilalao nanda ny hanatevina ny Barea”, hoy i Eric Rabe. TompondakaL’article Fandresena nanoloana ny RD Congo (1-0): velona indray ny fanantenana, mitohy ny lalan’ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Fanjavonan’i «Eddy Bois de rose» tetsy amin’ny HJRA : mitaky hamotsoran’ny polisy ny Pr Auberlin ireo mpitsabo
09/10/2021

Tranga nanaitra ny maro ny niseho tetsy amin’ny HJRA, omaly. Notsaboina tao amin’ io hopitaly io nefa tsy hita nanjavonana ilay gadra eny Tsiafahy, i Maminirina Eddy na i “Eddy Bois de rose”. Nahiana ho voasaringotra amin’izany ilay mpitsabo lehibe, ka nantsoin’ny polisy ary notazonina any.Nitokona ary tsy niasa avokoa ireo mpiara-miasa. Naneho ny tsy fahafaliany ary niray feo nitaky ny hamoahana ny Profe­so­ra Rakototiana ireo mpiasan’ ny fahasalamana etsy amin’ny HJRA, notronin’ireo avy eny amin’ny hopitaly Befelata­nana. Noahiahiana ho mpiray tendro amin’ny nampanjavona sy nampandositra ilay voafonja Eddy io profesora io sy ny tale iray ka izao nampanantsoina sy nohazonin’ny “Surveillance du territoire” etsy Anosy izao. Mazava ny nambaran’ireo nanao hetsika. “Mpitsabo izahay fa tsy mpi­ambina gadra. Asan’ny mpi­an­dry fonja ny manao andrimaso ny voafonja fa tsy asanay izay manao ny asanay amin’ny fitsaboana ny marary eo anivon’ny faritry ny hopitaly. Atsaharo ny fitsabahana amin’ny andraikitray”, hoy izy ireo. Mpiandry fonja miisa efatra Etsy andaniny, nandalo tao amin’ny efitra tokony hisy azy ny polisy nefa hita naka rivotra teny amin’ny “Parking” ao amin’ny faritry ny HJRA ity voafonja ity. Mpiandry fonja miisa efatra no miambina azy eny amin’ny hopitaly.Tsiahivina fa marary tsaboina eo amin’io hopitaly io ary nandalo fandidiana tao i Eddy amin’ny nanesorana ny avokavony. Na izany aza, mbola sempotra ihany izy ka izao mbola notsaboina izao. Tsy nahazoana vaovao ny eo anivon’ny polisy raha nanontaniana izao raharaha izao, hatramin’ny omaly alina. “Mbola anatin’ny fanadihadiana”, hoy izy ireo. Dimy taona an-tranomaizina sy lamandy Mbola mamita ny saziny, dimy taona an-tranomaizina sy mandoa lamandy 5 miliara Ariary i Eddy, araka ny didim-pitsarana ny taona 2019. Vesatra niampangana azy ny fitrandrahana sy fanondranana ary koa fivarotana tsy ara-dalàna ny andramena.Synèse R.L’article Fanjavonan’i «Eddy Bois de rose» tetsy amin’ny HJRA : mitaky hamotsoran’ny polisy ny Pr Auberlin ireo mpitsabo a été récupéré chez Newsmada.