Izay mafy no mandroso…        

News - Izay mafy no mandroso…        

News - Izay mafy no mandroso…        

Amin’izao ankatoky ny fiafaran’ny
ady mivantana amin’ny fihanaky ny valanaretina covid-19 izao, mila
irosoana sy andehanana mafimafy kokoa no ho ny teo aloha ny
raharaham-pirenena eo amin’ny fampandrosoana; eny, na tena
zava-dehibe sy maika aza ny fahamehana  ara-pahasalamana
teo.

Amin’izao, zava-dehibe maika atao
ho vaindohan-draharaha koa ny fanarenana ny fiainam-bahoaka sy ny
firenena, ny fanonerana ny fahavoazana isan-tsehatra sy
isan’ambaratonga noho ny fihibohana tsy nahazoana nihetsika firy;
eny, hatramin’ny fanorenana ny firenena aza: mila ainga vaovao.

Aina sy hery vaovao amin’izay atao
izany. Toy ny hoe vao nivoaka ny hopitaly fitsaboana:
manatanja-tena mba handehanana sy hahavitana asa bebe kokoa no ho
teo aloha, mitandrin-tena mba tsy hiverenan’ny fahavoazana na
aretina… Fanapahan-kevitra amin’ny fijoroana sy firosoana
izany.

Koa tsy maintsy mihetsika ny tena,
sahy, mijoro, mandroso… Aina sy hery voalohany amin’izany ny
faharesen-dahatra sy fanapahan-kevitra amin’izay aleha sy atao: ho
aiza, haninona na hanao inona? Tsy ekena ary tsy hankaiza izay
mbola mitsapatsapa fa mila finoana ny raharaha.

Miara-dalana amin’izany ny
firaisankina sy fitoviam-pijery amin’ny tanjona mazava hoe:
hampandroso ny firenena, hanatsara ny fiainam-bahoaka. Na ireo hoe
mpanohitra aza: mampandroso ny firenena sy manatsara ny
fiainam-bahoaka ve izay lazaina sy atao; eny, tsy mitovy aza ny
hevitra?

Ny tsy fitovian-kevitra aza no
tokony hampandeha haingana kokoa ny raharaham-pirenena sy ny
fanatsarana ny fiainam-bahoaka amin’ny hoe fampandrosoana. Izay ve
ny zava-misy sy izay iainana amin’izao amin’izay lazaina sy
ataon’ny mpanohitra? Mila matanjaka raha tiana henoina sy
inoana.

Sarotsarotra sy mafimafy ny
raharaham-pirenena sy ny fiainam-bahoaka taorian’ny hamehana
ara-pahasalamana? “Rehefa mafy ny mandroso, dia ireo mafy no
mandroso”, hoy ny filohan’i Etazonia teo aloha, i
John F. Kennedy. Izay mafy no mandroso, tsy miandry ny tsy
afaka na malemy tsy te handeha.

Rafaly Nd.

 

 

 

Article tiré de Newsmada

L’article Izay mafy no mandroso…         a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Ao Raha

Fahitana ankizivavy

Nisy nahita teny Ambodihady ny ankizivavy iray ka naterina teny amin’ny biraon’ny polisy teny Ambohiamanarina, omaly, tolakandro. Tsy fantatra mazava ny mombamomba azy noho izy voalaza fa verivery saina. Nanaovan’ny polisy filazana tao amin’ny tambajotra « Facebook » ny fahitana azy. Tsy mbola nisy naka teny amin’ny biraon’ny polisy ilay ankizivavy, hatramin’ ny omaly hariva. L’article Fahitana ankizivavy est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Famatsiana herinaratra: 2 % monja amin’ny rano no voatrandraka

 Anisan’ny tanjona amin’ny politika momba ny angovo azo havaozina ny hamatsiana herinaratra ny any ambanivohitra, be mponina sy miparitaka amina tanàna maro. Raha ny salanisa, mponina miisa 41 /km2 any ambanivohitra tsy manana herinaratra.  Noho ny fahefa-mividy ambany, lafo loatra tsy mahatakatra ny angovo vokarin’ny Jirama amin’ny solika ny faritra maro, sady tsy tongan’ny famatsiana. Ny taona 2017, namoahana lalàna vaovao  ny fanitarana  sy fanamoràna ny fitrandrahana herinaratra, tohanan’ny fiaraha-miasa any ivelany, fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina, na samy tsy miankina, niantsoana ireo mpampiasa vola ho amin’ny famokarana herinaratra azo havaozina.Tsy tratra ny tanjona, ny zava-misy ankehitriny 2% monja amin’ny rano no voatrandraka amina toby 660 hita manerana ny Nosy. 350 amin’ireo toby ireo no afahana mamokatra 1 Mw hatramin’ny 20 Mw, tokony ho mora vidy zakan’ny any ambanivohitra. Vao mainka sarotra ny hahatongavana amin’izany, ankehitriny, satria mihena ny rano misy amin’ireo toby ireo noho ny fivadihan’ny toetr’andro. Nefa ny tanjona napetraka amin’ny politika momba ny angovo, 75 % alaina avy amin’ny rano alohan’ny 2030.Mahazo herin’ny masoandro indray ny faritra rehetra manerana ny Nosy, 2800 ora isan-taona, ahazoana angovo 1600 Kwh, saingy tsy ampy 5 % ny voatrandraka amin’izany. Mbola tsy asiana resaka firy ny avy amin’ny rivotra nefa manana ny lafy valon’ny Nosy mandavan-taona.Nahena 50 % ny hetra sy habaNofaritana tamin’ny tetibolam-panjakana 2017 ny fampiasam-bola amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina. Nahena ho 50 % ny hetra sy haba alaina amin’ireo kojakoja samihafa entin’ny mpampiasa vola, iaraha-miasa amin’ny EDBM*. Na eo aza ireo orinasa tsy miankina maromaro manampy ny Jirama, tsy ampy betsaka ny fampiasam-bola, vitsy ny fitaovana, tsy miitatra ny tetikasa, tsy mandeha ny fitsinjarana, tsy hita firy ny fikojakojana. Miankina betsaka amin’ny herinaratra anefa ny sehatry ny fizahantany, ny fambolena, ny fifandraisan-davitra, ny asa vaventy, sns. Antony mbola mampihisatra ny toekarena eto an-toerana. R.MathieuLégende :  Toby Sahanivotry mamokatra 16,5 Mw, any Vakinankaratra. EDBM*: Economic development board of Madagascar   L’article Famatsiana herinaratra: 2 % monja amin’ny rano no voatrandraka a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Lalana mampandroso ny lalàna    

Fifampifehezana eo anivon’ny fiarahamonina ny lalàna: fandrarana izay tsy azo atao, fanerena amin’izay tsy maintsy atao… Mamaritra ny zo sy adidin’ny tsirairay. Miara-dalana izay fa tsy mandeha ila na mandringa: misy te hanana sy hisitraka ny zony fa tsy te hanao adidy, na manao adidy fa tsy manana na tsy misitraka ny zony. Ny lalàna dia lalàna. Mafy ny lalàna, saingy izay ny lalàna. Tsy misy olona heverina ho tsy mahalala lalàna. Mba tsy ho fialana ny hoe tsy mahalala lalàna amin’ny fandikana izany.Amin’ny tany repoblikanina misy fisaraham-pahefana, eo ny fahefana mpanao lalàna. Ireo solo vavan’ny vahoaka voafidy izany. Ankoatra izay, misy karazany ny didy aman-dalàna,  manana ny ambaratongany avy: lalàmpanorenana, lalàna fehizoro… Eo koa ny hoe didy hitsivolana, didim-panjakana, didim-pitondrana. Inona no itanisana izany rehetra izany? Misy, rey olona, ny mitady amorona lalàna ifampifehezana amin’ny hafa eo amin’ny sehatra misy azy. Hafa ny hoe dina ifampifehezan’ny mpiray dina.Ny fahamaroana isa no enti-miady amin’ireo mitady hamorona lalàna ho azy na hanao jadona amin’izany. Amin’izay heveriny ho marina ho azy, mahasoa azy, mety aminy… Tsy heverina ny hafa? Rehefa indray mamo lava, ohatra, ny iray tanàna, izay tsy misotro no tsaraina hoe adala. Na ny hadalan’ny maro no hoe fahendrena? Na izay fomba amam-panao, hita izao fa tsy mahasoa ny hafa na mety mahatsara ny tena aza: tadiavin’ny sasany havadika ho lalàna, tsy eo amin’izy samy izy ihany fa ho an’ny hafa koa.An-dalana amin’ny fampiharan-dalàna izao ny isan-tsehatra sy isan’ambaratonga. Misy ny tsy mahazaka, tsy te hofehezina, te hametraka ny lalàna ho azy… Izay no anton-dresaka eto. Rehefa maromaro na hoe maro an’isa ny minia manohitra lalàna na mamorona lalàna ho azy, heverina na havadika ho marina, ekena, mahasoa… ? Tsy mbola mety ho kolontsaina ny fanarahan-dalàna. Tsy moramora na vetivety ny fampanarahan-dalàna heverina ho zava-baovao? Mila heverina izany raha tena te handroso…Rafaly Nd.L’article Lalana mampandroso ny lalàna     a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ceni: ”Aoka ho tonga saina”

“Tsotra fotsiny ihany ny zavatra teneniko ao anatin’izay: ny fahatongavan-tsain’ny kandidà mihitsy… Izany kandidà solombavambahoaka izany, hamorona sy handrindra ary handany ny  lalàna rehetra misy eto Madagasikara.” hoy ny filohan’ny Ceni, Rakotomanana Hery, teny Alarobia, omaly, monoloana ny tsy fanarahan-dalàna afitsoky ny ankamaroan’ny kandidà amin’ny fampielezan-kevitra amin’izao fifidianana depiote izao, na amin’ny fametahana peta-drindrina fotsiny, ohatra.“Ho aiza isika raha tsy hanaraka ny lalàna misy eto izany olona rehetra izany. Ho aiza izany isika amin’izany?”, hoy izy. Mila olona tonga saina sy tomponandraikitra i Madagasikara mba hivoahana ao anatin’ny olana mahazo azy. R.Nd. L’article Ceni: ”Aoka ho tonga saina” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

KMF/Cnoe : “Mila fahazoan-dalana ny fikitihana ny lisi-pifidianana”

“Alalana avy aiza moa no ahazoana mikitikitika ny lisi-pidianana? Lalàna manao ahoana no  napetraka na navoaka? Oviana no ahazoana manao an’izay? Misy lalàna sy fitsipika eto amin’ny tany sy ny firenena.”Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, Andriamalazaray Andoniaina, momba ny fijerin’ny Ceni manokana indray ny lisitry ny mpifidy amin’izao fotoana izao.Manomboka ny 1 desambra no natao ikitihana ny lisitry ny mpifidy, mandra-pahatonga ny famaranana izany tena izy: ny 15 mey ny taona manaraka. Izany no fikitihana ny lisitry ny mpifidy. Tsy hoe mikitika izany rehefa te hikitika, tsy mikitika izany, rehefa tsy te hikitika.Atao tandrametaka aloha ny raharaha, avy eo vao mody mikoropaka manao vahaolana vonjimaika. Tsy fomba izany ary tsy tokony hatao.“Raha tiantsika hokitihina ny lisitry ny mifidy, misy fomba fanaovana azy”, hoy izy. Araka ny lalàna sy ny didy aman-pitsipika tokony ho izy no anaoavana azy, ary mihetsika ny Ceni sy ireo rantsa-mangaikany rehetra mandamina amin’izay fijerena na fanitsiana indray ny lisitry ny mpifidy izay.“Rehefa tsy misy ny didy amam-pitsipika manome alalana amin’ny fikitihana ny lisitry ny mpifidy, tokony hokitikitihina io fa mampihena ny fitokisan’ny vahoaka ny mpitondra”, hoy ihany izy.R.Nd.  L’article KMF/Cnoe : “Mila fahazoan-dalana ny fikitihana ny lisi-pifidianana” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Olan’ny AFT: hametraka fangatahana ny mpampianatra

Niato ny fampianarana teny frantsay eny amin’ny Alliance française Andavamamba, ny 30 jolay lasa, teo nandritra ny tontolo andro noho ny fitakiana nataon’ny mpampianatra momba ny fahataran’ny fandoavana ny karaman’izy ireo volana jolay. « Ho fanamafisana ny fangatahana maro efa nataon’izy ireo hatramin’izay hanatsarana ny fanatontosana ny asa ny fampiatoana ny fampianarana ny talata lasa teo », hoy ny fanazavan’ny solontenany. 60 ny mpampianatra nanasonia ny fangatahana voalaza. Taorian’ny hetsika, tsy nisy ny fifanatonana teo amin’ny roa tonta fa tonga dia tapaka avy hatrany ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny mpampianatra sy ny AFT, araka ny fanambarana navoakan’ny tomponandraikitry ny Alliance. Noheverina fa nanapaka ny fifanarahana ny mpampianatra rehefa nampiato ny asany ny talata teo. Mbola vonona ny handray ny mpampianatra maniry ny hanohy ny fiaraha-miasa aminy anefa ny AFT ka afaka mametraka fangatahana vaovao ireo mazoto hanaraka ny fepetra apetrak’izy ireo. Ambara fa tapaka tanteraka ny fifanarahana momba ny asa ho an’ny mpampianatra tsy nametraka fangatahana hatramin’ny anio hariva amin’ny 5 ora.Ny mpampianatra kosa, manizingizina fa marim-pototra ny fangatahana nataon’izy ireo ka mangataka ny hampiatoana ny fanapahana ny fifanarahana momba ny asa ary hiroso amin’ny dinidinika miaraka amin’ny mpitantana ny AFT.Vonjy   L’article Olan’ny AFT: hametraka fangatahana ny mpampianatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kariera Anjomakely Ivato: roa lahy naratra mafy nipitihan’ny vato napoaka tamin’ny vanja

Ny iray, simba mihitsy ny tarehiny. Ilay faharoa, potika ny tanany. Azo lazaina ho tena voa mafy tokoa ireto roa lahy mpamaky vato, eny amin’ny kariera Anjomakely Ivato ireto. Fiparitahan’ny vato napoaka tamin’ny vanja no nahavoa azy ireo, ny faran’ny herinandro teo.Samy mbola manaraka fitsaboana etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha izy roa lahy ireto amin’izao fotoana izao. Voa mafy tokoa, satria any amin’ny faritry ny loha no naratra ho an’ilay iray voalohany. Ilay faharoa, potika mihitsy ny rantsan-tanany, naratra nipitihan’ny  vato koa ny vatany. Mpamaky vato eny amin’ny kariera Anjomakely Ivato no asan’ny fianakaviany. Marihina fa mikarama  izy roa lahy ireto amin’izany asa famakiam-bato izany mba hanampiana ny fidiram-bolan’ny ray aman-dreniny. Vao 15 taona monja ilay zandriny, raha 26 taona kosa ilay zokiny.Nananosarotra ihany ny fitsaboana azy ireo, manoloana ny fahasahiranan’ny fianakaviany. Indrindra ho an’ilay zokiny izay azo lazaina ho tena voa mafy. Fantatra mantsy fa mbola misy piti-bato tavela amin’ny handriny, misy faritra voadona ihany koa any amin’ny atidohany. Voalaza  aza fa hoe mety hiafara amin’ny fanalana ny masony ilany mihitsy izao ratra mahazo azy izao. Miankina amin’ny fitiliana tsy maintsy atao amin’ny “scanner” no ahafahana manao ny fandidiana azy. Izany hoe, ilana vola misimisy ihany, araka ny iaraha-mahalala.Efa vita soa aman-tsara, omaly kosa, araka ny fantatra, ny fandidiana  ny tanan’ilay zandriny.Aorian’izany, tsy maintsy mbola hitohy ny fitsaboana sy ny fanaraha-maso ny fivoaran’ny fahasalaman’izy ireo.Antso tolo-tanana…Eo anoloan’izany indrindra no anaovan’ny fianakaviany antso tolo-tanana ho an’izay malala-tanana ka afaka hifanampy amin’ny fitsaboana ireto roa lahy niharan-doza tampoka teo am-panaovana ny asany izao ireto. Azo lazaina ho fianakaviana sahirana ihany izy ireo, kanefa hiaraha-mahalala ny fandaniana eo anatrehan’izao voina izao. Isaoran’izy ireo sahady izay vonona amin’izany ka hanolotra izay foiny, na hiantso ny laharan-telefonina 034 31 311 88. Ankoatra azy roa lahy, naratra tamin’izao fipoahana izao ihany koa ny rain’izy ireo, saingy tsy dia misy atahorana loatra ny aminy. Henintsoa HaniL’article Kariera Anjomakely Ivato: roa lahy naratra mafy nipitihan’ny vato napoaka tamin’ny vanja a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fampandrosoana eny ifotony: mitaky ho faritra mizaka tena ny Mahafale

Tsy hiaraka amin’ny any Atsimo Andrefana. Nanao fanambarana mitaky amin’ny tompon’andraikitra mahefa hijerena manokana ny faritra “Plateau Mahafale”, ahitana ny distrikan’i Betioky sy Ampanihy, ny any an-toerana. Antony maro ny nahatonga azy ireo hanao izany fitakiana izany satria mahatsapa ny rehetra fa anisan’ny manana zanaka manampahaizana maro sy sokajin’olona maro tahaka ny ny profesora, ny jeneraly, ny mpitsara, ny mpiasam-panjakana ambony ary ny misahana andraikitra hafa amin’ny sampandraham-panjakana maro iny faritra iny. Manana ny maha izy azy koa iny « Plateau Mahafale » iny raha ny lafiny tantara sy ny kolontsaina. Anisan’izany ny Aloalo, iavahany  amin’ny rehetra sy ny fisian’ny fanjakana mahafale talohan’ny fanjanahantany. Manana ny harena an-kibon’ny tany toy volamena sy ny vatosoa isan-karazany “grenat”, “bradorite”, vato indostrialy, koa iny faritra iny raha eo amin’ny toekarena.Haratsian’ny lalana sy ny vidim-piainana Manampy izany ny fananany toerana manan-tantara azo tsidihina. Olana kosa anefa ny faharatsian’ny lalana RN 10. Mahatsapa koa ny rehetra fa anisan’ny mitarika ny fahantrana ny tsy fahavitan’io lalana io. “Misondrotra avokoa ny vidin’ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ka tsy maharaka ny fahefa-mividin’ny vahoaka”, hoy izy ireo. Lasa vato misakana ny fampandrosoana amin’ireo distrika roa ireo koa ny halehiben’ny faritra Atsimo Andrefana ka miteraka ny fitokana-monina. Voafarita ao anatin’ny reniranon’i Onilahy sy i Menarandra ary ny lakandranon’i Mozambika io faritra ilana fizankatena io raha ny sarintany. “Manainga ny filoham-pirenena hanome anay io farita « Plateau Mahafale » io izahay ho fampandrosoana iny faritra iny. Hiezaka ny handom-bararavana ny rehetra fa indrindra ireo zanak’iny faritra iny ao anaty fitondrana hanamora ny hahazoana io fizankantena io ho tombontsoan’ny rehetra.CMSL’article Fampandrosoana eny ifotony: mitaky ho faritra mizaka tena ny Mahafale a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Pilo Kely aroson’i Mamy Be

L’article Pilo Kely aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

News - Santé

Situation COVID-19 du 11-08-2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Situation COVID-19 du 11-08-2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.D’après la porte parole du CCO, Pr Vololontiana, entre le 19 mars et ce 11 août, Madagascar a enregistré 13 317 cas de contaminations à la maladie virale. Néanmoins, le nombre des personnes contaminées continue de diminuer depuis un certain nombre de jours, car ce mardi 11 août 2020, 115 nouveaux cas ont été détectés. 43 de ces nouveaux cas sont localisés dans la région d’Analamanga, 29 nouveaux cas dans la région de Vakinankaratra, 14 nouveaux cas dans la région d’Alaotra Mangoro, 10 nouveaux cas dans la région de Boeny, 10 nouveaux cas dans la région Atsimo Andrefana, 3 nouveaux cas dans région Anosy, 3 nouveaux cas dans la région Amoron’i Mania, 1 nouveau cas dans la région Atsinanana, 1 nouveau dans la région d’Itasy et 1 nouveau cas dans la région de Sofia. Par ailleurs, 265 personnes sont totalement guéries portant à 11 276 guérisons depuis le début de la pandémie. 1889 patients sont en cous de traitement dont 98 presentent des formes grave. Jusqu’à présent Madagascar a effectué 49742 tests PCR et 3798 tests geneXpert. Le CCO-Covid-19 a annoncé qu’une personne vient d’être emportée par le coronavirus, donnant ainsi un total de 152 décès dus au Covid-19 dans toute la Grande Ile.L’article Situation COVID-19 du 11-08-2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 31-10-2020
Source : CCO COVID19 - 31/10/2020

Notsongaina

«Paramédicaux»: Sesilany ny fivoriambe isan-tendro
24/10/2020

Mahatsiaro ho ankilabao ireo «paramédicaux» nanao ny ainy tsy ho zavatra nandritra ireny valanaretina nivaivay teto amin’ny firenena ireny satria maro ireo milaza fa tsy mbola nandray ny vola tokony ho anjarany. Hisy ny fivoriambe hatao isan-tendro hataon’izy ireo hifampizarana ny zava-misy sy ny dingana fangatahana iza­ny vola tambin’ny niasana mafy izany. Notanterahina ny 22 oktobra teo ny fivoriambe ho an’ ny any Soalala. Hanatanteraka ny azy, rahampitso, ny any Fa­ratsiho ary amin’ny alatsinainy ny any Anosibe an’Ala. Ny 30 oktobra kosa no hivory ireo “paramédicaux” any Am­batolampy, any Arivonimamo ary any Miarinarivo. Mitohy izany ho an’i Manja amin’ny faran’ny volana oktobra izao. Araka ny baikon’ny mpitarika fikambanan’ny “paramédicaux”, tsy hisy ny fangatahana alalana amin’ny ambaratonga amin’ny toerana misy azy ireo. Tsy maintsy hatao ko­sa ny fampahafantarana amin’ ny lehibe isan’ambaratonga mi­kasika ny fivoriana hatao. “Manan-jo hivory izahay ka hanatanteraka izany ha­mon­dronana ny hery sy hanamafisana ny fitakiana fa tsy hatao vato natsindry ahazana ka atsipy rehefa vita ny nilana anay”, hoy ireo “paramédicaux”.Tatiana AL’article «Paramédicaux»: Sesilany ny fivoriambe isan-tendro a été récupéré chez Newsmada.

Te ho katolika alohan’ny Papa?
24/10/2020

« Mahafinaritra ity Papa ity… ». Fotoana fohy taorian’ny nanosorana ny Papa Fransoa ho Ray masina, maro ny fanehoan-kevitra heno maneran-tany toy izany. « Papa misokatra amin’ny firehan-kevitra maro », « Papa mijery akaiky sy manome lanja ny maha olombelona », sns. Tsy ny mpino katolika irery, fa na ireo hafa finoana aza, nahenoana fanehoan-kevitra mirona mankany amin’izay avokoa. Eny, olon’ny fisokafana tokoa ny Papa Fransoa. Anisan’ireo nanana tombony manokana i Madagasi­kara satria vao tamin’ny taon-dasa no nandalovany teto ka nahita sy nandre akaiky ity dimbin’ny Apostoly ity. Fa toa ny vara-datsaka ny nilatsahan’ny vaovao, ary toy ny fitsoriakan’ny tselatra koa ny fipariahan’ny vaovao…Resabe tamina tambajotran-tserasera ilay voalaza ho fanambarana nataon’ny Papa Ray masina momba ny fiarahan’ny mitovy fananahana. Fanadihadiana tamin’ny teny espaniola, nandritra ny fetin’ny Sarimihetsika tao Roma, ny nataon’ilay mpanao gazety, i Evgeny Afinnevsky. Voalaza tao anatin’izany fa mano­hana ny fiarahana sivily eo amin’ny olona mitovy fananahana ny Papa… Eo ny fototry ny olana. Samy nandroritra izany araka izay zoro metimety aminy ny tsirairay. Samy nanana ny fandraisany azy koa. Ho an’ireo mpino katolika, sanganehana tanteraka, satria hoe tsy mifanaraka mihitsy amin’ny lalàn’ny Eglizy izany. Mazava loatra fa nandray izany ho fitaovana handotoana ny Fiketrahana masina sy ny Papa ireo hafa firehana… Misy ireo miezaka miaro fa nisy fahaizana “montage” tao anatin’ilay fanadihadiana, nanodinana izay tian’ny Papa hola­zaina. Na inona na inona anefa ny marina, ny zava-nisy dia nihaino ireo olombelona manana fironana amin’ny mitovy fana­nahana ny Papa. Nihaino sy nandray ny fanirian’izy ireo, amin’ ny maha samy zanak’Andriamanitra… Anisan’ireo nijoro vavo­lombelona tao anatin’ilay fanadihadiana i Andrea Rubera, nangataka raha mba afaka mivavaka any am-piangonana toy ny olon-drehetra. Mazava loatra fa nalahelo amin’ny fanilikilihana, ny tondro molotra, ny fanavakavahana tonga any amin’ny fikasihan-tanana aza, ny Ray masina. Ny zo maha olona no narovan’ny Ray masina. Tsy tao anatin’iny fanadihadiana iny ihany fa efa nialoha izao. Ny zo ho an’ireo mitovy fananana, tsy tokony hailiky ny fianakaviana sy ny mpiara-monina. Na marina na tsia ilay fanambarana, ny azo antoka kosa, tsy eken’ny lalàn’ny fiangonana katolika ny fanambadian’ny mitovy fananahana. Tsy midika fa tokony hailika satria tsy zanak’Andriamanitra izy ireo… Ka ahoana aza, nety sa tsia ny nataon’ny Ray masina? Io indray aloha izany ny anton-dresaka mandritra ny andro maromaro…Zo ny Aina RandriatsiresyL’article Te ho katolika alohan’ny Papa? a été récupéré chez Newsmada.

Minisitra Andrianainarivelo Hajo: “Hampandrosoana miaraka avokoa ny tanàn-dehibe”
30/10/2020

   Nifampiresahana tamin’ny mpiara-miombona antoka teknika sy avola (PTF) ny fampiharana ny politikam-pirenena ho amin’ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe (PNDU). Tafiditra amin’ny fanamarihana ny iray volana ho an’ny tanàn-dehibe isaky ny oktobra tahaka izao izany“Tsy misy tanàn-dehibe avahina fa ampiroboroboana sy ampandrosoana miaraka avokoa izy ireo. Efa misy ny tetikasa mandeha, amin’ny fampidirana rano madio fisotro sy herinaratra sy fotodrafitrasa samihafa. Ny fananganana tanàna vaovao. Tsy miandry fotsiny fa efa miasa”, hoy ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (MATP), Andrianainarivelo Hajo, omaly tetsy Antanimena. Nanteriny fa ilaina ny fiaraha-miasa tahaka izao, ho amin’ny asa mivaingana amin’io PNDU io. “Tanjona ny hahafantarana ny olana amin’ny tanàn-dehibe. Mitombo ny isan’ny mponina. Mitombo koa ny olana ka tsy maintsy mivonona ho amin’izany isika. Efa tafakatra an-tanàn-dehibe ny fahantrana “, hoy ihany izy.Etsy andaniny, nitondrany fanazavana koa fa azo atao ny miroso amin’ny fandravana trano rehefa tonga amin’ny fanatsarana ahafahana manangana fotodrafitrasa goavana, toy ny fanorenana tanàna vaovao.Tokony hanara-dalàna avokoa ny rehetraNanteriny koa anefa fa misy ny fepetra tsy maintsy arahina amin’izany. Noraisiny ho ohatra ny fanamaboarana ny lalana “Rocade” mamakivaky tanàna. “Tanjona ny tsy hisian’ny fiantraikany ratsy amin’ny mponina ary ahina izy ireo”, hoy izy. Nambarany anefa fa napetraka ny arofanina tsy ahatongavana amin’izany amin’ny nametrahana ny drafitry ny tanàn-dehibe. Tsy tokony ho tonga amin’ny fandravana na ny fandrodanana isika fa fanatsarana aza raha manara-dalàna avokoa ny rehetra: ny kaominina, ny prefektiora, ny vahoaka, araka ny nambarany.Tsiahivina fa efa nisy ny atrikasan’ireo sekretera jeneralin’ny minisitera rehetra, ny avy amin’ny sehatra tsy miankina. Izao niarahana amin’ny PTF izao ary mbola ho avy ny an’ireo mpisehatra amin’ny tanàn-dehibe.Synèse R.L’article Minisitra Andrianainarivelo Hajo: “Hampandrosoana miaraka avokoa ny tanàn-dehibe” a été récupéré chez Newsmada.

Faritra Androy: vavaka iraisam-pinoana hampilatsaka ny orana
26/10/2020

Mamely ny haintany miteraka mosary any amin’ny faritra Androy ka mahatonga ny mponina ho tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo ka hanaovan’ny fanjakana ezaka manokana amin’izao fotoana izao.Manoloana izany, nanapa-kevitra ireo mpitondra fiangonana ao amin’ny FFKM any an-toerana hanao vavaka iraisam-pinoana, omaly, ho fangataham-pitahiana hampilatsaka ny orana hanamandina ny tany.Natao tao amin’ny Ekar Meday Mahagaga Ambovombe izany, niarahan’ireo kristianina marobe avy amin’ny fiangonana samihafa ao Androy.Miandrandra orana ny any amin’ny faritra Androy satria efa tena karankaina ny tany, tsy misy hosotroina na ny olona na ny biby fiompy. Tsy misy hanavotana ny fambolena fa ritra ireo renirano mamatsy ny tanàna. Izany indrindra no nanaovana ny fanandratam-bavaka iraisam-pinoana namondronana ny finoan’ny kristianina any an-toerana ary notsaroan’ireo fiangonana hafa isam-pitandremana ihany koa omaly.Ttaiana AL’article Faritra Androy: vavaka iraisam-pinoana hampilatsaka ny orana a été récupéré chez Newsmada.

Fihanaky ny valanaretina maneran-tany: maherin’ny iray tapitrisa ireo matin’ny covid-19
28/10/2020

  Araka ny fanadihadiana nivoaka ny alatsinainy lasa teo, nahatratra 43 483 423 ny tranga Coronavirus voamarina amin’ny firenena 180 anatin’ny kaotinanta dimy. 1 159 300 ireo namoy ny ainy vokatry ny valanaretina. Firenena tena ahitana tranga maro sy olona maty betsaka ny any Etazonia, India, Brezila, Rosia ary Frantsa, araka ny fandalinana navoakan’ny teknisianina. Any Frantsa, ahafahana mandrefy ny fivoaran’ny valanaretina ny herinandro maromaro ho avy. Amin’izao fotoana izao, mitovy amin’ny zava-misy tamin’ny fotoana nirongatan’ny valanaretina voalohany tany an-toerana ny tranga ankehitiriny ka mampanahy ny mpitsabo sy ny mpitondra any an-toerana. Raha departemanta vitsivtisy no tena nahitana tranga maro niditra teny amin’ny hopitaly. Saika manerana ny firenena iray manontolo no misy ny tranga nandritra ny andro maromaro farany. Efa mihatra ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina any amin’ny faritra maro ary nahena ny ora ahafahan’ny toeram-pisakafoana misokatra ho an’ny toerana voatondro.Nangonin’i VonjyL’article Fihanaky ny valanaretina maneran-tany: maherin’ny iray tapitrisa ireo matin’ny covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Fambolena zava-mahadomelina: saron’ny zandary ny sahan-drongony 3 hektara
29/10/2020

  Tra-tehaky ny zandary avy ao Ambilobe ny toeram-pambolena rongony mirefy 3 hektara. Sarona tamin’izany koa ny rongony 20.000 fototra tao Maroamalona, fokontany Bobantsery, kaominina ambanivohitr’i Anaborano Ifasy ao Ambilobe. Tratra tamin’io fidinana tampoka nataon’ny zandary avy ao Anaborano io koa ireo rongony milanja 540 kilao sy ny trano heva miisa telo tao an-toerana. Lehilahy dimy ihany koa voasambotra. Nahitana ny mpividy, ny mpamboly, ny mpitatitra ny rongony avy ao amin’io toerana io ihany. Nanaovana famotorana ireo voasambotra ary hatolotra ny fampanoavana aorian’izay. « Tsy maintsy nodorana kosa ireo rongony izay mitarika ny tsy fandriam-pahalemana », hoy ny zandarimariam-pirenena, loharanom-baovao. Misaotra amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo nanome loharanom-baovao ny zandary. Mitohy hatrany ny ezaka ataony amin’ny ady amin’ny famokarana sy fanapariahana zava-mahadomelina.Henintsoa HaniL’article Fambolena zava-mahadomelina: saron’ny zandary ny sahan-drongony 3 hektara a été récupéré chez Newsmada.

Vaovao tambatra
27/10/2020

35 ireo tanora any amin’ny kaominina Bemanevika, distrikan’Ambanja, nanaraka fiofanana “Miasa na mianatra asa sahaza”. Fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana asa sy ny Helvetas Madagascar. Fito ireo nanaraka fiofanana momba ny fahasalaman’ny biby, 12 ny nianatra momba ny zaitra ary 16 ny nanaraka fiofanana momba ny nahandro. Tanjona ny hanampiana ireo tanora any ambanivohitra, mahazo fianarana sy mianatra asa, ahafahan-dry zareo miasa tena, mampandroso ny toekarena ao amin’ny faritra. Hampiofana tanora maro ny minisitera sy ny Helvetas mialoha ny volana febroary taona 2021.Any Tanambe, distrikan’Amparafaravola, mijoro ara-dalàna hatramin’izao ny kaoperativa Ndao, ahafahan’ireo tantsaha mpikambana mifanakalo hevitra momba ny fambolem-bary. Manodidina ny 60 ha ny tany volena izy ireo, mijoro toy ny orinasa tsy miankina, ary misedra olana goavana ankehitriny. Olana ny amin’ny fahazoana hoenti-manana amin’ny voly vary, iantsoan’ny mpikambana fiaraha-miasa amin’ny fanjakana.  Havaozina isaky ny dimy taona ny mpikamban’ny birao.Ho famelomana indray ny sehatry ny fizahantany, misy ny tolotra package any Belo sur Mer, faritra Menabe, ataon’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny fizahantany hatramin’ny 1 novambra ho avy izao. Afaka mandray anjara ny mpandraharaha rehetra, sy ny mpandraharaha any an-toerana, hiaraha-miasa amin’ny kompania mpitatitra ana habakabaka Tsaradia. Isam-bolana ny hanaovana ny tolotra package, hisafidianana tanàna iray, toy ny any Sainte Marie, ny any Nosy Be, ny any Taolagnaro… hanentanana ny mpandraharaha sy hisarihana mpizahatany. L’article Vaovao tambatra a été récupéré chez Newsmada.

Nosasana fa saika hamidy: kila tsy nisy noraisina ilay fiara 4×4, BMW
28/10/2020

 Nanaitra ny mpandalo sy nampitangorona olona maro tetsy 67ha avaratra manakaiky ny biraon’ny Seimad ny firehetan’ny fiara 4X4 marika BMW X5, omaly antoandro tokony ho tamin’ny 11 ora sy 18 minitra. Kila tsy nisy noraisina intsony ny fiara vokatry ny afo niredareda. Mbola nipoaka ihany koa izany ka nanaitra ny manodidina.Fiara saika hamidy ity tra-doza ity. Teo am-panasana azy no nanomboka nirehitra ny fiara. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso, « cours-circuit » ny nahatonga ny firehetana nitarika ny fahasimbana tao anatin’ny minitra vitsy. « Avy nosasana ilay fiara, napetraka naka toerana ary nosoloina ny batterie », hoy ny fanazavan’ny mponina teny an-toerana. Nanohy ny asa fanadiovana kosa ny mpanadio. Fotoana fohy taorian’ny nanombohana ny fanadiovany ny anatin’ny fiara. Nahatsikaritra firehetana tao amin’ny « capot » an’ilay fiara ilay mpanadio. Nitady ny fomba nanokafana izany anefa izy, saingy tsy nety nisokatra ilay capot. Nihanahazo aina, araka izany, ny afo ka voatery niantso ny tompona fiara ralehilahy. Minitry vitsy monja taorian’izay, efa afo nijoalajoala ny teo amin’ilay fiara 4×4. Vokany, naira-nisalahy ny rehetra nanondraka fasika sy ranon-tsavony namonoana ny afo, saingy tsy nahafaty azy izany. Teo koa ireo niantso ny sampana mpamonjy voina. Ny sasany moa dia nitangorona nijery izany. Vokany, tsy voafehy ny afo ary kila tsy nisy noraisina intsony ilay fiara  BMW X5 tao  mandra-pahatongan’ireo mpamono afo.Henintsoa HaniL’article Nosasana fa saika hamidy: kila tsy nisy noraisina ilay fiara 4×4, BMW a été récupéré chez Newsmada.

Fanasaziana sy Fanarenana :: Ankizivavy roa, 12 sy 14 taona, voampanga ho nandoro tanety
27/10/2020

Nalefa tazonina eny amin’ny toby fitazaina zaza maditra any Faravohitra ireo ankizivavy roa, 12 sy 14 taona, samy voampanga ho nandoro tanety, teny Ankazomalaza, Mangabe ary Ankazobe, samy ao anatin’ ny kaominina Ambohimanga Rova, herinandro vitsy lasa izay. Avy amina fahadisoam-panantenana teo amin’ireto zaza no antony nandrehetan’izy ireo ny teo amin’ny toerana niaingan’ny afo, araka ny tatitra azo avy tamin’ny mpanao famotorana. Tsy noho ny antony goavana, tahaka ny fandre mahazatra amin’ny filan’ireo mpiompy mandoro tanety mba hahafahan’ny omby miraoka ny ahitra maitso avy eo, no nahamay ny tanety efa ho 20ha, teny Ankazobe, kaominina Ambohimanga Rova. Ankizivavy roa diso fanantenana vokatry ny tsy fahitana na inona na inona teo amin’ny manodidina ny fasana vao avy nandevenana no voalaza fa niteraka hasosorana sy nahatonga azy ireo handrehitra ny afo. Zanaka tompon’ andraikitra Nampahafantarin’ny mpanao famotorana nanaraka akaiky an’ity raharaha ity fa vohitra masina teo amin’ny toerana niantombohan’ny fahamaizana, teny Ankazobe. Nohazavain’ iretsy voalohany hatrany fa matetika no misy zavatra latsaka foana eny manodidina ny toerana rehefa avy misy fandevenana. Nanantena ny nahita zavatra teny ireo ankizy, kinanjo tsy nisy na inona na inona, tamin’io fotoana io. Noho ny hakiviana, hoy ihany ireo mpanao fanadihadiana, no nandoran’ireo ny tanety. Fantatra, rehefa nandeha ny famotorana, fa zanaky ny lehiben’ny fokontany sy ny polisim-bohitra ireto roa vavy voatondro ho tompon’antoka tamin’ny firehetan’ny tanety manodidina ny 20ha. Natolotra ny Fitsarana, tamin’ny alatsinainy 19 oktobra lasa teo, izy roa vavy. Naterina any amin’ny toby fitaizana zaza kamboty, taorian’izay. Mialoha izany, dia notazonina tany amin’ny tobin’ny zandarimaria ny rain’izy ireo tsirairay avy, saingy navotsotra ihany, nony avy eo. L’article Fanasaziana sy Fanarenana :: Ankizivavy roa, 12 sy 14 taona, voampanga ho nandoro tanety est apparu en premier sur AoRaha.

One Jah Mistik Fanahy: “Hiderana an’Andriamanitra ny mozika”
27/10/2020

 Rakotomanga Hasina (Sinayah) na i One Jah Mistik Fanahy, eo amin’ny tontolon’ny mozika. Niaina sy lehibe ao anaty mozika rap izay tena namolavola ny talenta ao anatiny izy. Niaraka amin’ireo zoky tamin’izany nanangana « clan », toy ny “Dix clan”. Nampivelatra ny kolontsaina rap ao anatiny ao izy io, raha ny filazany. Ny nahatonga azy hivoy manokana ilay gadona, «… satria ny tanora no tena kendrena amin’izao asa fitoriana izao. Tokony hifono hafatra, mitaiza sy manabe anefa ny mozika. Indrindra, tokony hiderana an’Andriamanitra ».Efa betsaka ny hira vita taloha, saingy tsy avoaka intsony ireny satria hiran’izao tontolo izao. Mieritreritra ny hamoaka “album” iray, mitondra ny lohateny hoe « Katolikos », ny tenany. Efa misy rindrantsary “clip” vita sy rakikira “Ho an’i Mama” miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera “facebook”, amin’izao. Marihina fa mpikambana amin’ny antoko mpihira ao amin’ny Feon’Anjomara vaovao, Ekar Kristy Mpanjaka Manjakaray, izy ary anisan’ny mpamoronkira ao. « Hanteriko fa nisafidy ny rap, ny roots, ny reggae amin’ny asa fiderana aho satria ny tanora no tena tiako hiantefan’ny antson’Andriamanitra », hoy i One Jah Mistik Fanahy.Narilala L’article One Jah Mistik Fanahy: “Hiderana an’Andriamanitra ny mozika” a été récupéré chez Newsmada.

Tampody fohy «2e vague »…
26/10/2020

Niverina nihiboka sy nandray fepetra ny ankamaroan’ireo firenen-dehibe any ivelany any amin’izao fotoana izao. Mailo tanteraka izy ireo noho ny fiverenan’ny valanaretina Covid-19. Anjatony maro isan’andro ireo maty ary analiny ireo tranga vaovao. Naverina noraisina ny fepetra maromaro. Anisan’izany ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina. Ny famerana ny isan’ny olona mivorivory… Ahina mafy ny hahamaro ireo lavo sy ny ho tratran’ny valanaretina amin’ny volana novambra mitsidika io. Tsy mbola tafavoaka ny ala izao tontolo izao. Tahaka izany koa ny eto amintsika. “Ramalina aza, mifehy hazo tokana”. Tsy tokony ho mandrimandry manana aretina. Tsy mbola tapitra niaraka amin’ny fanafoanana ny hamehana ara-pahasalamana, herinandro lasa izay, akory ny ady.  Maro ireo tsy taitra sy tsy mivaky loha intsony eny an-dalana eny. Any anaty fiara fitateram-bahoaka any. Tsy manao arovava orona, tsy voahaja ny elanelana iray metatra. Tsy misy miraharaha intsony fa samy mandeha samy mitady. Voaporofon’ny antontanisa herinandro anefa fa mbola eo ary tsy mbola foana ny valanaretina. Maherin’ny 100 ireo tranga vaovao ary enina ireo maty. Hoatra ny hadinontsika fa olona telo no nitondra io valanaretina io eto ka nampihiboka antsika fito volana teto. Niteraka olana samihafa teo amin’ny fihariana, ny sosialy sy ny toekarena hatrany amin’ny politika noho ny fepetra samihafa tsy maintsy napetraka, niadiana amin’izany.Ekena fa efa atao varoboba ny tambavy na ny fanafody iadiana amin’ity valanaretina ity, saingy aleo mailo sy mitandrina ihany. Aoka hanenjana ny tompon’andraikitra ka hanara-maso sy hanasazy ireo tsy manaja ny fepetra na koa ireo mihoa-pefy. Aoka samy handray andraikitra ny rehetra, hiarovana ny tena sy hiarovana ny hafa koa. Mahazo vahana ny tampody fohin’ity valanaretina ity any ivelany any. Mba tsy ho tonga eto amintsika izany “2e vague” izany.Synèse R. L’article Tampody fohy «2e vague »… a été récupéré chez Newsmada.

Fisotroan-dronono sy ny fiara 4×4: mihamahery vaika ny fanoherana ny fitakian’ireo depiote
29/10/2020

 Tsy mbola tara raha miverina amin’ny fanapahan-kevitra ? Totoafo ny fitsipahana marindrano ny fitakian’ireo depiote ny tombontsoa : fiara tsy mataho-dalana sy ny fisotroan-drononon’izy ireo. Hita any anaty tambajotran-tserasera sy heno amin’ny antso an-telefaonina amin’ireo haino aman-jery samihafa eto an-dRenivohitra izany. Vao mainka nampirongatra izany tsy fankasitrahana izany ny nilazan’ny depiote iray avy amin’ny fitondrana ny tombontsoa sy ny vola raisin’izy ireo eny Tsimbazaza, tamin’ny fahitalavitra iray, afakomaly alina.Tafakatra 12 ny isan’ireo “Assistant parlementaire”Tsy vitan’izany fa nampiakarina ho 12 ireo mpanampy “Assistant parlementaire” isaky ny depiote. Valo anefa ny isan’izany teo aloha. Mbola hiampy indray izao fitakiana fiara 4×4 sy ny fisotroan-dronono izao izany. Efa nanitrikitrika ny tsy fankasitrahana izany koa ny eo anivon’ny sendikà maromaro. Teo koa ny mpisolovava, ny Me Olalah.Etsy andaniny, niaro tanteraka izany fitakian’ny depiote izany ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine. “Tsy mitovy amin’ireo fisotroan-dronono rehetra izany. Mety hampitondraina anarana hafa izy io. Mbola hapetraka ao anatin’izany avokoa ny fomba fahazoana izany na ho isam-bolana na mety amin’ny fiafaran’ny fe-potoam-piasana”, hoy izy.Anaty covid sy kere ary ny fiharianaAraka izany, mbola anaty ady amin’ny covid-19 izao firenena. Miaina kere ny any atsimo ary mbola ho henjana ny hanarina ny fihariana nefa  ny tombontsoan’izy ireo no mahamaika. Mpanao lalàna handidy dia homana avy hatrany.Raha tena mijery ny tombontsoan’ny vahoaka izy ireo, tsy olana ho an’ny olona ny hanampy sy hiaraka hiady aminy izany tombontsoany izany. Tsy izany anefa aloha izao ny zava-misy.Synèse R.L’article Fisotroan-dronono sy ny fiara 4×4: mihamahery vaika ny fanoherana ny fitakian’ireo depiote a été récupéré chez Newsmada.