IREO TOERANA VOATOKANA HANAOVANA NY VAKSINY FANEFITRA NY COVID-19 ETO AMIN’NY FARITRA ANALANJIROFO

News - Santé - IREO TOERANA VOATOKANA HANAOVANA NY VAKSINY FANEFITRA NY COVID-19 ETO AMIN’NY FARITRA ANALANJIROFO

News - Santé - IREO TOERANA VOATOKANA HANAOVANA NY VAKSINY FANEFITRA NY COVID-19 ETO AMIN’NY FARITRA ANALANJIROFO

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « IREO TOERANA VOATOKANA HANAOVANA NY VAKSINY FANEFITRA NY COVID-19 ETO AMIN’NY FARITRA ANALANJIROFO » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.

IREO TOERANA VOATOKANA HANAOVANA NY VAKSINY FANEFITRA NY COVID-19 ETO AMIN’NY FARITRA ANALANJIROFO

L’article IREO TOERANA VOATOKANA HANAOVANA NY VAKSINY FANEFITRA NY COVID-19 ETO AMIN’NY FARITRA ANALANJIROFO a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Nivoaka tamin'ny : 11/06/2021
Coronavirus  -  COVID19  -  Fahasalamana

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Noho ny Covid-19: tsy afaka miverina miasa ny orinasa Ambatovy

Manana ny lanjany toekarena eto Madagasikara ny Tetikasa Ambatovy. Miankina amin’ny lafin-javatra maro maneran-tany, noho izao tranga Covid-19 izao, anefa vao hiverina amin’ny laoniny ny fiharian’ity orinasa ity. Araka ny fanadihadiana manokana, tsy mbola afaka miverina ny asa fiharian’ny orinasa Tetikasa Ambatovy. Maromaro ny an­tony, ary anisan’ny sakana ny tranga Covid-19 tsy mbola foana ka tsy afaka mankaty Madagasikara ireo vahiny miisa 850 miasa ao Ambatovy satria mikatona ny sidina ana habakabaka iraisam-pirenena mampifandray antsika amin’ ny any ivelany. Tsy misokatra, toraka izany, koa ny ankamaroan’ny sidina ana habaka­baka any amin’ny firenena maro. Eo koa ny lafiny tolotra sy ny tinady, fototry ny fihariana. Andaniny, ny lafiny famatsiana akora fototra ampiasain’ny orinasa, ilaina amin’ny fanodinana ny nikela sy ny kobalta. Hatreto, tsy miverina amin’ny laoniny ny famatsiana sy ny fitaterana azy ireny an-dranomasina, vokatry ny hamehana amin’ny tranga Covid-19, voa­laza etsy ambony. Singanina manokana ny akora sofra, ilaina amin’ny fanadiovana ny nikela sy kobalta, ny arintany ilaina amin’ny angovo ampiasaina amin’izany, sns. Ankilany, sarotra ny hama­ritana sy ny hamantarana ny fotoana hiverenan’ny orinasa Ambatovy hihodina indray. Manampy ireo, tsy mbola miverina amin’ny laoniny koa ny lafiny tinady, ny mpanji­fan’ny orinasa, fototra voalohany iankinan’ny fihodinan’ ny famokarana. Tsiahivina fa voalohany amin’ny varotra ivelany, amin’ny fanondra­nana entana any ivelany, ho an’i Madagasikara, ny fihariana ataon’Ambatovy.Kojakojaina ny milinaSaropady sady mifandraika amin’ny zavatra maro ny fiharian’ny tetikasa Ambatovy. Hatreto, ny mikojakoja ireo fitaovana sy milina ao amin’ ny orinasa no tsy maintsy hany azo atao, any amin’ny toeram-pitrandrahana Ambatovy, sy ny toeram-panodinana any Toa­masina. Maherin’ny 9 000 ny mpi­asa mivantana sy tsy mivan­tana miasa ho an’ny orinasa, misandrahaka amin’ny lalam-pihariana maro, toy ny fama­tsiana sakafo ho an’ny mpiasa, ny fitaterana, ny fanadiovana, ny famatsiana akora madinika sy salantsalany eto an-toerana, sns. Izay no maha anisan’ny fototry ny toekaren’i Mada­ga­sikara ny Tetikasa Ambatovy.Njaka AndriantefiarinesyL’article Noho ny Covid-19: tsy afaka miverina miasa ny orinasa Ambatovy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra ho an’ny zaza sahirana: nanjaka ny SOS Village d’enfant

Tontosa, ny asabotsy 13 jolay 2019, tao amin’ny kianja Grand séminaire Faliarivo Ambanidia, ireo lalao famaranana, baolina kitra, nifandrinan’ireo ankizy sahirana sy kamboty, sahanin’ireo fikambanana maro samihafa eto Antananarivo Renivohitra. Miisa 11 ny isan’ny fikambanana nandray anjara tamin’izany, nisy sokajy enina: ny «poussin», ny «benjamin», ny «minime», ny «cadet», ny «junior» ary ny «féminine». Tamin’ny ankapobeny, nanjakan’ny SOS Village d’enfant ny fihaonana satria lasan’izy ireo avokoa ny fandresena efatra tamin’ireo sokajy nifaninanany. Anisan’izany ny teo amin’ny «poussin», nanilihany ny Enda, tamin’ny fandakana ny «tirs au but», 3 no ho 2. Nibata amboara iray avy kosa ny Enfants du soleil sy ny Soafaniry.  Nambaran’ny filoha mpitantana ny fifaninanana fa isan’ireo fomba entina hanabeazana ny ankizy hahay hiditra any amin’ny fiarahamonina ny tanjon’ny fihaonana. Ankoatra ireo, entina hikoloana ny sain’ireo ankizy fa miankina amin’ny ezaky ny tsirairay sy ny fahaizana miaraka amin’ny besinimaro ny fahombiazana. TompondakaL’article Kitra ho an’ny zaza sahirana: nanjaka ny SOS Village d’enfant a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

I Sina sy i Madagasikara: 47 taona ny fifandraisana

Feno 47 taona ny fiaraha-miasa eo amin’i Sina sy i Madagsikara. Ho an’ny amin’ny lafiny fampianarana ambony manokana, efa napetraka manerana ny Nosy ireo ivontoerana « confucius » ahafahana mifanakalo eo amin’ny sosialy sy ny koltoraly. Anisan’ny mpamorona izany toeram-piofanana izany ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Pr Blanche Nirina Richard.Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, afakomaly teny amin’ny masoivohon’i Sina eny, Nanisana ny horonantsary fanadihadiana mirakitra ny vokatry ny fiaraha-miasa sinoa sy malagasy. Teo koa ny fampirantiana ireo sary maneho ny fivoaran’ny Sinoa sy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo firenena roa tonta. Maro ny fanampiana ataon’ny Sinoa amin’ny oniversite. Anisan’izany ny fanomezana vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra malagasy, ny fampitaovana sy ny fanorenana toeram-pianarana. Tsiahivina fa mankalaza ny faha-70 taony amin’ity taona ity ny Repoblika sinoa.Synèse R. L’article I Sina sy i Madagasikara: 47 taona ny fifandraisana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – Caf: nesorina tamin’ny toerany i Nathalie Rabe

Mitohy ny fanadiovana, eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanina baolina kitra (Caf). Fantatra fa natsahatra tamin’ny asany, ny alarobia 31 jolay lasa teo, amin’ny talen’ny fifandraisana azy, Rabe Nathalie. Tsy fantatra ny antony, nanalana azy. Raha tsiahivina, izy no vehivavy voalohany, nitazona izany andraikitra izany. Ny volana marsa 2018 izy, no voatendry tamin’io asa io, taorian’ny fivoriambe mahakasika ny baolina kitra vehivavy aty Afrika, natao tany Marrakech, Maraoka. Izy no nandimby an’ilay Kamerone, Junior Binyam. Hisolo an-dRabe Nathalie, indray ilay Ivoarianina, Ouattara Hégaud. “Andro farany. Faly fa nahavita ny asa ary vehivavy voalohany niandraikitra izany asa izany. Ho ela velona ny baolina kitra afrikanina ary ho ela velona i Afrika”, hoy izy, tao amin’ny tambajotran-tseraserany. TompondakaL’article Kitra – Caf: nesorina tamin’ny toerany i Nathalie Rabe a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Frantsa: mitaky ny hampodiana azy ireo Malagasy

  Miantso fandraisana andraikitra ny Zanak’i Gasikara ka nanao hetsika nanoloana ny masoivoho malagasy ao Paris ny teratany malagasy tafahitsoka am-bolana maro any an-toerana, omaly. Nitaky ny fanamoran’ny fanjakana malagasy ny fodiany an-tanindrazana izy ireo. Tapi-dàlan-kaleha ny maro amin’izy ireo tafajanona any ivelan’i Madagasikara noho ny fanidiana sisin-tany. « Sahirana ny ankamaroanay satria tsy manana ary tsy nivonona amin’ny hoenti-miatrika ny fivahiniana am-bolana maro any an-tanin’olona. Efa nisy maty noho ny olana ara-pivelomana nianjady aminy aza”, hoy ny filohan’ny fikambanana Zanak’i Gasikara, i Carrozza Heliarisoa. Nanelanelana ny fanamorana ny fampodiana azy ireo ary efa nahatanteraka ampahany tamin’izany ny tenany. “Vonona hanaraka ny fepetra rehetra izahay ary hiantoka manontolo ny fodianay, saingy tsy omen’ny fitondram-panjakana malagasy alalana hiondrana amin’ireo fiaramanidina mandeha maka ireo teratany vahiny hiala any Madagasikara noho ny antony tsy fantatray”, hoy izy ireo. Efa nanao hetsika tahaka izao koa ireo Malagasy any Inde.Synèse R.L’article Frantsa: mitaky ny hampodiana azy ireo Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kandidà Rajoelina: “Havotana amin’ny alalan’ny harentsika ny firenena »

Nitohy tany Brieville any Tsaratanana, Andilamena, Mahatsinjo sy Mangabe ao Maevatanàna ny fampielezan-kevitry ny kandidà Rajoelina, omaly. Mazava ny lahateniny momba ny hanarenana ny toekarena. “Amin’ny alalan’ny harentsika no hahafahana manavotra ny firenena. Manankarena isika ary mampidi-bola be nefa mahantra ny vahoaka eto Brieville. Ny ampahany betsaka amin’ny hetra azo amin’ny  kraomita entina hanasoavana ny vahoaka eto. Tokony handroso ny tanàna misy ny harena ankibon’ny tany sy ny fitrandrahana”, hoy izy. Toy ny nambarany tany amin’ny faritra hafa rehefa nihaino ny hetaheta sy ny olan’ny mponina amin’ireo faritra ireo ny tenany,  nampanantena ny kandidà laharana faha-13 fa hamboarina hatao manara-penitra ny kianja. Hapetraka ny vondron-tafika manokana hiady amin’ny tsy fandriampahalemana. Homena fitaovana toy ny fiara 4×4 sy helikoptera miisa 10 ny mpitandro filaminana. Hasian “puce” ny omby. Hahazo hopitaly manara-penitra ny any an-toerana. Hampidirina amin’ireo tanàna tsy mbola misy izany ny rano madio fisotro.Fanamboaran-dalana sy tany hovolen’ny tantsaha…  Eo koa ny fanorenana orinasa hamokatra ireo “panneau solaire” hampihenana ny vidin’ny jiro. Momba ny fanamboaran-dalana, handefa fitaovana “bulls sy ny” tracks” ny tenany. . . Hampitomboina ny tany volena ary hozaraina amin’ny tantsaha ny tany. Eo koa ny famokarana zezika, amin’ny vidiny mora. Hatao manara-penitra avokoa ny EPP sy ny CEG ary ny lycées rehetra.  Notolorana fitaovana koa ireo fikambanan’ny mpanjono amin’ireo faritra ireo. Nampanantena ny hamaha ny olan’ny mpiasa ny tenany. Hapetraka ny toeram-pitrandrahana vato hanaovana “pave” ny lalana sady hiteraka asa koa izany. Hahazo vary amin’ny vidiny mora, manomboka amin’ny herinandro ireo faritra notsidihiny. “Ho tanterahiko avokoa ny nolazaiko. Velirano no ataoko fa ho avy aho ary tonga hanavotra an’i Madagasikara… Matokia ahy fa hanavotra anareo aho ” hoy ihany izy.Ankoatra izany, nohitsiny fa tsy tokony hiala ao amin’ny birao fandatsaham-bato raha tsy vita ny fanisam-bato.Randria  L’article Kandidà Rajoelina: “Havotana amin’ny alalan’ny harentsika ny firenena » a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Loza teny am-panasan-damba :: Niara-lasan’ny rano izy roa vavy, mpizaobavy

Lasan’ny rano tampoka tany Andalotsimaka-Ambohijanaka i Tiana sy Rasoamalala Victorine, tamin’ny alahady 20 septambra maraina lasa teo. Nanasa lamba izy roa vavy. Vita ny lamba dia nisasa i Tiana. Lasa tampoka tany anaty rano anefa izy. Nandeha nanavotra nisintona azy ny zaobaviny Rasoamalala Victorine no tsy tafaverina fa lasa tany anaty rano ihany koa. « Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo no nitranga ny loza. Olona sendra nandalo no nahita azy roa vavy samy lasan’ny rano, ka nampandre ny teo amin’ny manodidina. Tsy nisy nipoitra intsony izy ireo rehefa nojeren’ireo mponina teo amin’ ny manodidina. Nanapa-kevitra ny hiantso mpamonjy voina izahay, taorian’izay. Hita ny vatana mangatsiakan’i Tiana rehefa nokarohin’ireo mpamonjy voina. Mitohy, hatramin’izao, kosa ny fitadiavana an-dRasoamalala Victorine, vadiko », hoy Rajeankri Modeste, omaly. Tsy very fanantenana amin’ny hahitana am-badiny izy. Nandany andro nikaroka an’i Victorine Rasoamalala ny mpamonjy voina, ny alahady tontolo. Mbola niverina izy ireo, afak’omaly, saingy tsy nahitam-bokany. Ireo fokonolona teo amin’ny manodidina no nifanampy tamin’ny fanohizana ny fikarohana, omaly tontolo. Valo metatra « Nisy ampahany taminay no nandeha tany amin’ny tetezan’Ankadindratombo, vao maraina nanomboka tamin’ny 5 ora. Nizotra nijery sao natsingevan’ny rano ny vatany. Ny ampahany hafa tamin’ny fokonolona sy ny fianakaviana kosa nampiasa hazo lava hatrany amin’ny valo metatra nasiana farango noentina tamin’ny lakana nisavana ny tao ambany rano saingy samy tsy nisy nahitam-bokany ireo », hoy ireo mponina nanampy. Samy nitanjozotra namonjy fodiana ireo mponina sy fianakaviana rehefa tonga ny tamin’ny 5 ora hariva, omaly. Nilaza ny tsy hitsahatra anefa amin’ny fikarohana, mandra-pahita an’i Victorine izy ireo. « Miangavy sy mitalaho amin’ny mpamonjy voina izahay mba hanampy hatrany amin’ny fikarohana raha mbola azo atao », hoy izy ireo nanao antso avo. L’article Loza teny am-panasan-damba :: Niara-lasan’ny rano izy roa vavy, mpizaobavy est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Gaboraraky ny mpitondra moto: tao anatin’ny adiny efatra monja, 404 tratra nanara-dalàna

Gaboraraka ! Izay no azo ilazana ny afitsoky ny mpitondra moto eto an-drenivohitra. Tao anatin’ny adiny efatra monja nanaovan’ny Polisim-pirenena hetsika, tetsy amin’ny lalana “Boulevard de l’Europe”, omaly, 404 no fandikan-dalàna hita. Ny tsy fanaovana aro loha no betsaka indrindra.Raha ao anatin’ny iray andro? Ataovy ny kajy! Nandritra ny hetsika manokana nataon’ny polisy avy ao amin’ny borigady misahana ny lozam-pifamoivoizana momba ny fanentanana sy fampianarana ny olona ho amin’ny fanarahan-dalàna teny amin’ny “rond point Boulevard de l’Europe” 67 ha. Raha atambatra ny isa dia toy izao no hita, raha ny tatitra voaray hatrany. Miisa 306 ireo mpitaingina moto tsy manao aroloha raha 93 kosa ireo tsy manana “assurance” ary dimy no tsy manana taratasy fahazoan-dalana. Nentanina mihitsy, araka izany, ireo mpitondra moto ary nampianarina mba hanara-dalàna eo am-pitondrana ireny moto ireny. Tao anatin’ny ora efatra nanaovana ny fanentanana no nahazoana ireo antontan’isa ireo. “ Manamarika fa betsaka ireo mpitondra moto no tsy manara-dalàna ka isan’ny antony mampitombo ny lozam-pifamoivoizana eto an-drenivohitra izany”, araka ny fanazavan’ny polisy tompon’andraikitra ao amin’ny borigady misahana ny lozam-pifamoivoizana.Nasaina naka aroloha ireo olona tsy nanao…Tsy mitsahatra ny manentana ireo mpandeha moto hatrany ny polisy ho fiarovana ny ain’izy ireo fa tsy raisina ho fanasaziana akory ny fitondrana aroloha sy ny fananana taratasy mahakasika ny “assurance” sy ny taratasy fahazoan-dalàna hitondra moto ho an’ireo moto mila izany. Ny ainareo mpandeha moto no arovanay fa tsy an’ny polisy velively. Koa aza sarotiny amin’ny fitsinjovana ny ainareo ianareo mpandeha, araka ny fanazavan’ny polisy. Misy koa ireo mpitondra fiara nosavaina ka hita fa mbola misy ireo mpamily fiara tsy mitondra taratasy fahazoan-dalana ary koa ireo sarety izay mifamoivoy tsy manaraka ny ora tokony handehanan’izy ireny. Nandray fepetra avy hatrany ny polisy ho an’ireo mpitondra sy mpandeha moto tsy nitondra aroloha ka nogiazana teny an-toerana ny moto-n’izy ireo ary nasaina naka aroloha avokoa vao afaka nanohy ny diany. Torak’izany koa ireo mpamily fiara tsy nitondra taratasy fahazoan-dalana dia nasaina naka izany ary ireo mpitondra posy niandry ora afaka hivezivezeny ka najanona avy hatrany.Jean ClaudeL’article Gaboraraky ny mpitondra moto: tao anatin’ny adiny efatra monja, 404 tratra nanara-dalàna a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Lapan’i Mahazoarivo: noderain’ny ambasadaoro frantsay ny Praiminisitra Ntsay C.

Noraisin’ny Praiminisitra  Ntsay Christian  teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo, omaly  ny  ambasadaoro frantsay, niasa sy nonina teto Madagasikara, Veronique Vouland- Aneini. Voaresaka  ny fiaraha-miasan’ny firenena roa  tonta sy  ny ezaka nataon’ny lehiben’ny governemanta.Narahabain’ny ambasadaoro ny praiminisitra tamin’ny andraikitra sy ny adidy lehibe notazoniny ary niantsorohany, tamin’ny taona 2018, tamin’ireny fotoan’ny krizy politika  teto amin’ny firenena  ireny. « Fotoana nilana fandraisana fanapahan-kevitra hentitra  ireny ka nahafahan’ny firenena niatrika izany fotoan-tsarotra izany ny fepetra noraisin’ny Praiminisitra Ntsay Christian »,  hoy  izy  tamin’izao fihaonana izao. Fotoana  koa io nametrahany  veloma ny lehiben’ny governemanta noho ny fahataperan’ny fe-potoana niasany teto amintsika.Nambaran’ity masoivoho ity ihany koa fa maro ny tranga, nanamarika azy nandritra ny efatra taona niasany teto Madagasikara. Anisan’izany ny fihaonana an-tampon’ny firenena miteny frantsay, noraisina teto Antananarivo, nampiseho taratra ny fahombiazan’ny diplaomasia malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. « Teo ihany koa ny fandraisan’anjaran’i Frantsa tamin’ny ady amin’ny fipariahan’ny valanaretina samihafa… »,  hoy ihany izy.Nanafatrafatra ny ambasadaoro Veronique Vouland- AneiniTsiahivina fa anisan’ny lahateny nambaran’ity masoivoho Frantsay  ity, farany teo, tamin’ny  fanamarihana ny fetim-pireneny, ny 14 jolay teo teny Ivandry ny resaka politika. « Teo  ny fihetsika matotra nasehon’ny mpanao  politika  niray hina tao anatin’ny  fotoana manokana tamin’ny fianianan’ny filoha Rajoelina, ny 19 janoary  teo. Teo koa ny fihaonan’ny filoha roa tonta :  Emmanuel Macron sy Rajoelina  Andry, ny  volana mey teo tany Frantsa », hoy izy tamin’izany ». Natsidiny sahady koa fa hatsangana ny komity iraisana hitady vahaolana amin’ny ireo resaka mampifanolana… Anisan’ny nangatahan’ny ambasadaoro ary hafatra napetrany  ny tokony hiarovana ny olona sy ny fananany, manoloana ny  asan-jiolahy.  Ny fiarovana ny harena an-dranomasina. Ny hifehezana ny mpitandro filaminana manaraka ny fitsipi-pitondran-tena.Synèse R.  L’article Lapan’i Mahazoarivo: noderain’ny ambasadaoro frantsay ny Praiminisitra Ntsay C. a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Voalohan-karena… mampahantra   

 Ny fahasalamana no hoe voalohan-karena. Mby aiza? Mety ny fahantrana no tsy ahazoana fahasalamana, araka ny tokony ho izy: tsy afa-mitsabo tena, ohatra, izay marary; lafo ny vidim-panafody. Na izany aza, mety ny tsy fahasalamana koa no mampahantra: tsy afa-mamokatra, lany vola amin’ny fitsaboan-tena…Mifampiankina sy mifampila mandrakariva ny fitadiavana sy ny fahasalamana: ny aina Ramangatahina, ny vola mangakatsahina. Ny aina azo, itadiavam-bola; ny vola azo, itadiavana aina. Izay ve ny zava-misy sy iainana amin’izao mbola ao anatin’ny ady amin’ny  fihanaky ny valanaretina Covid-19 izao?Toa tsy miara-miisalahy fa toa manao mosalahy amin’ny fiarovantena amin’ny fanajana amin’ny antsipiriany sy manontolo ireo fepetra sakana amin’ny ady atao amin’ny tsimokaretina Coronavirus ny maro etsy sy eroa. Nahoana? Variana amin’ny fitadiavana ka tsy miraika firy intsony amin’izay fahasalamana.Ao koa ny mihevitra fa efa vita ny ady: foana ny fahamehana ara-pahasalamana, tsy misy intsony ny fihibohana. Nefa tsy mbola resy tosika tanteraka ny tsimokaretina: tsy hita maso fa eny ho eny sy any ho any ihany, tsy mifidy olona; eny, na misy aza ny matokitoky tena fa ny hafa ihany no mety ho voan’izany.Sanatria, miandry inona loatra vao ho taitra sy hitandrin-tena indray? Ekena, tsy toy ny taloha intsony… Nefa mazava izao na toa inian’ny sasany pasopasohina na odian-tsy hita aza fa mbola misy ny tranga vaovao amin’ny fitondrana ny tsimokaretina, ny marary vaovao, ny ao anatin’ny fahasarotana, ny mamoy aina…Efa mahazatra ny aretina? Na ao anatin’ny fiaraha-miaina amin’ny aretina izao… Toy ny areti-mifindra hafa rehetra manana ny fotoany sy ny fitrangany: tazo, gripa… Tsy izay indrindra no tokony hitandreman-tena mandrakariva: aleo misoroka toy izay mitsabo. Sao ny tsy fitandremana kely no hamoa-doza lehibe?Ny voalohan-karena indray no ndeha hampahantra amin’ny fitsaboana? Ho zava-doza raha izao, sanatria, no miverin-dalana amin’ny hamehana ara-pahasalamana… hihibohana. Tsy aleo sorohina dieny mbola salama ny tena?Rafaly Nd.L’article Voalohan-karena… mampahantra    a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090
20/06/2021

Antminer Bitmain S19J Pro, SHA-256 with Hashrate, 100.00TH/sAntminer Bitmain S19J, SHA-256 with Hashrate, 90.00TH/sAntminer Bitmain S19 Pro, SHA-256 with Hashrate, 110.00TH/sAntminer Bitmain S19, SHA-256, with Hashrate, 95,00TH/sAntminer Bitmain T17+ SHA-256, with Hashrate, 58.00TH/sAntminer Bitmain T17, SHA-256, with Hashrate, 40TH/sGeForce RTX 3080 / 3070/3090 GTX 2080 Ti, 1080 Ti, 1070 Ti, 2080, 1080, 1070, 1060 Ti, 1060, 2080 Ti, RTX 2070 , RX 5700 XT. NVIDIA GeForce RTX 3060 Ti NVIDIA GeForce RTX 3080  NVIDIA GeForce RTX 3090All Sealed In Original Box With Warranty Full Accessories With Discount.REQUIRED FOR YOUR ORDER AS QUICK AS POSSIBLE .... Urgent Response Whatsapp : +17076412645 E-mail : ms7088344@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090".

Emploi et services Développeur Phyton
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le domaine de l'externalisation,Développeur PhytonEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVPHYTON-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Phyton".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
16/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services Asa en ligne
14/06/2021

Asa en ligne mety ho an'ny rehetra,  afaka atao na tsisy investissemenr aza satria omwna bonus 10$ ianao hampiakatra nybalsnce_nao, nefa raha te hahazo vokatrhttps://fastscash.online/?ref=25212 raha te hahazo vokatra haingana dia afaka manao investissemebt 0,5$minimum. Manaova inscription eto https://fastscash.online/?ref=25212  fa omena fanazavana ianao. Ny sakana ho anao dia ny tsy fanombohana azy. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Asa en ligne".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
15/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

A louer Location voiture
15/06/2021

Location 4×4 - Toyota New Prado >>7 places, voiture confortable et économique,  >>Voiture classe, adéquats pour les évènements familiaux ou affaires, >courses en ville, en périphérie, ou en province - Chauffeur expérimenté pour les circuits touristiques - Le tarif varie en fonction de la destination et du trajetContact: 034 84 747 64Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Location voiture".

Emploi et services Un Contrôleur de gestion
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans la relation clientèle et BPO à Madagascar, recherche activement un (01) contrôleur de gestion :   Vous aurez pour mission :Votre Profil :Vos avantages :Merci d’adresser votre candidature composée de votre CV et d’une lettre de motivation à l’adresse recrutement@eufonie.frSeules les candidatures présélectionnées feront l’objet d’un entretienCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Un Contrôleur de gestion".

A vendre A vendre Fauteuil dentaire complet en bonne état
14/06/2021

Un fauteuil dentaire complet en parfait état  constitué d’un fauteuil inclinable, d’un bras articulés, d’un compresseur, d'un ensemble d’ instrumentation dentaire, d’une soufflette à air/eau, d’un crachoir, d’un système d’aspiration, d’un scialytique, et d’un siège à roulettes pour le praticien, stérilisateur pour les outils à main, ...Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A vendre Fauteuil dentaire complet en bonne état".

Emploi et services Gagner de l'argent en ligne
19/06/2021

Nous vous proposons une opportunité intéressante pour gagner de l'argent en ligne. Votre rôle consiste à remplir des micro-tâches comme répondre à des sondages, essayer certaines applications, répondre à des quiz etc. Cliquez sur ce lien :https://paidera.com/?r=2057784Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Gagner de l'argent en ligne".

A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo
16/06/2021

Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury 4x4 turbo année 2005 diesel  boite automatique, 7 places 163000 kms, première main. Véhicule  très résistant, couleur verte,  phares xenon antibrouillards, radio CD, climatisation, fermeture centralisée, verrouillage à distance. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo".

Emploi et services PDF à propos de ADWORD
14/06/2021

Vous vous demandez peut-être comment les grandes entreprises utilise la technologie pour promouvoir ses produits.Ne vous inquiétez voici-ci quelques notion qui pourrait vous aider.Dans ce pdf de Content Marketing 101https://bit.ly/3cqJQLY AdWords Annihilationhttps://bit.ly/3zavLMDCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services PDF à propos de ADWORD".

Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)
18/06/2021

Nous recrutons pour un structure d’externalisation, unASSISTANT COMMERCIAL SENIORMissions :- Assurer les premières démarches commerciales (mail / téléphone) via base des données existante- Assurer l’Onboarding des professionnels sur la plateforme- Assistance clientèle sur les démarches d’inscription sur la plateforme- Assurer le suivi des procédures d’achat et de livraisons- Assurer le SAV : Gestion du service client (Mail / téléphone / chat)Profil:- Titulaire d’un bac +3 minimum en commerce, marketing, communication- Expériences probantes dans le domaine de la relation client- Bonne maîtrise du Français (lu, écrit, parlé)- Bonne maîtrise du pack office- Autonome, rigoureux (se) et professionnel (le) Envoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence ASSISTANTCOMS-0621(+261) 034 10 826 36 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)".

Notsongaina

Fanefitry ny valanaretina – Toamasina: nanao vaksiny ny mpiasan’ny seranana-tsambo
17/06/2021

Nisy fanaovam-baksiny naharitra roa andro, ny herinandro lasa teo, ho an’ny seranan-tsambon’i Toamasina ary nitarika izany ny tale jeneralin’ny Spat, i Avelin Eddy Christian. Notontosaina tao amin’ny “centre médical et de diagnostic”, ao anatin’ny seranan-tsambo ihany ny hetsika. Ny andro voalohany, efa nahatratra 400 ny mpiasa nisoratra anarana avy amin’ ireo orinasa telo: ny Spat, ny SMMC ary ny APMF. Hitombo betsaka izany, araka ny nambaran’ny olona misahana ny mpiasa eo anivon’ny seranan-tsambo. Fiaraha-miasa teo amin’ny APMF sy ny minisiteran’ ny Fahasalamana ny nahafahana nanao ny vaksiny amin’ny mpisehatra an-dranomasina ka mandray an-tanana ny fanaovana izany ny seranan-tsambo. Ny 18 mey lasa teo, nahavita ny azy ny eo anivon’ny APMF, araka ny nambaran’ny taleny, Rakotoarizafimamy Franck.Ankoatra ny mpiasa sy ireo mpiara-miasa amin’ny seranan-tsambo, misy koa ny fanaovana izany ho an’ny vady aman-janaky mpiasa ampy taona eny amin’ny Cemedi Tanambao V, toeram-pitsaboana ny mpiasan’ny seranana.Sajo L’article Fanefitry ny valanaretina – Toamasina: nanao vaksiny ny mpiasan’ny seranana-tsambo a été récupéré chez Newsmada.

Covid-19: teto Analamanga ny olona roa lavo
16/06/2021

Teto Analamanga avokoa ny olona roa lavon’ny valanaretina Covid-19 ny 14 jona lasa teo, araka ny antontanisa navoaka omaly. 517 ny isan’ny fitiliana vita ka 18 ny tranga vaovao tamin’izany. Teto Analamanga ny 16 ary tany Vatovavy Fitovinavy sy tany Amoron’i Mania, samy nisy tranga iray koa. Olona15 sitrana ary mbola manaraka fitsaboana ny marary anatin’ny tranga misy fahasarotana 77. Ny CTC Mahamasina sy eny amin’ny CTC Voara sisa misokatra ho an’ny fandraisana an-tanana ankoatra ny hopitaly lehibe mitsabo ireo manana tranga misy fahasarotana. L’article Covid-19: teto Analamanga ny olona roa lavo a été récupéré chez Newsmada.

Antsiranana : La cherté de la vie fait rage !
15/06/2021

Pendant que l’Etat plonge dans une impasse due à la crise sanitaire, les foyers malgaches en général et ceux des Antsiranais en particulier, eux, souffrent de la flambée des prix. Quant aux commerçants, ils se plaignent de ne pas recevoir de clients, et de vendre parfois à perte. A Antsiranana, ça chuchote dans les rues. Comme toutes les régions, depuis presque un an, la région Diana traverse une crise financière sans précédent. Pour juguler cette crise, l’autorité locale a pris une série de mesures, parmi lesquelles la distribution de poissons dans chaque quartier. Mais cela n’apaise pas cette situation alarmante. Conséquence, les foyers ont des difficultés pour se nourrir car les prix des denrées alimentaires continuent de flamber. L’économie de la région est en difficulté à cause surtout d’une forte baisse du nombre de touristes et du manque d’investissements étrangers. La hausse du prix des produits de consommation de base au cours des derniers mois est, pour de nombreux habitants, le problème le plus important. Par rapport aux Malgaches plus fortunés, la hausse du prix des aliments de base a été particulièrement importante, et a nui de façon disproportionnée aux habitants les plus pauvres qui doivent consacrer à l’alimentation une part plus importante de leurs maigres revenus. Iss Heridiny  L’article Antsiranana : La cherté de la vie fait rage ! est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Antsiranana : La cherté de la vie fait rage ! a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Barea : Les petits devant…
14/06/2021

Les « petits » Barea, avec de gauche à droite, El Hadari, Tsiry et Doddy qui ont fait sensation à Ambohidratrimo. Le match test des Barea de samedi, au stade Odeam Rakoto à Ambohidratrimo, a mis en lumière le talent des joueurs locaux de petite taille. Une issue qu’apprécie, à juste titre, le coach Éric Rabesandratana et qui devrait lui faire changer d’avis à l’avenir. Notamment sur ses premières impressions mettant en doute la capacité des locaux à assimiler les dispositions technico-tactiques. Le football malgache est en train de revivre la belle époque des frères Rabemananjara, Kiki et Alban, mais aussi Mick Andrianasy, Roland Kely Rakotondrasoa et tous ceux qui sont petits par la taille mais grands par le talent. N’Golo Tsiry. Il fallait être à Ambohidratrimo pour voir Tsiry de l’Ajesaia donner le tournis à tous ses adversaires. Son jeu ressemble étrangement à celui de N’Golo Kanté tant par ses charges que ses passes lumineuses. El Hadari, son coéquipier, est aussi crédité d’une prestation remarquable même si ses lumineuses passes ont été, par deux fois, gâchées par Voavy Paulin. Au rang des petits qui ont brillé, samedi, on citera aussi Doddy et Tsito de JET Kintana. Petit par l’âge mais grand par la taille et le talent, Mathyas Randriamamy a aussi montré qu’on pouvait maintenant lui faire confiance. Son arrêt déterminant sur le penalty de Hakim Abdallah en était la parfaite illustration, le Parisien est prêt pour la bataille. Mais il n’était pas le seul car le gardien de l’Adema, Nina a aussi montré un visage séduisant. Vévé pas à sa place. La petite déception des stars des premiers jours vient en l’occurrence de deux joueurs du Five FC. Si Bancé, replacé sur le flanc droit, n’a pas réussi à sortir du lot, Vévé, pourtant comparé par Eric Rabesandratana au Parisien Moïse Kean, est placé bien trop bas pour recouvrer son potentiel offensif. Quant à Fabrice, il s’est montré exact au rendez-vous avec ce missile des 25m sur lequel Melvin Adrien n’a pu rien faire rappelant un des quatre buts encaissés par ce portier à Bahir Dar. Les cadres ont aussi confirmé leur statut à l’image de Morel, Mombris, Berajo et dans un degré moindre Théodin. Mais replacé sur le flanc droit de la défense, ce dernier s’est montré moins tranchant. Dimitri Caloin a toutefois retrouvé le moral en réintégrant la charnière centrale. La seule reproche qu’on pouvait lui faire, c’est de ne pas avoir suivi Hakim lors du penalty. Dax pour sa part, n’a jamais su retrouver son niveau quand il était au Fosa. Mais pour sa défense, il peut toutefois invoquer cette place inhabituelle sur le flanc au milieu du terrain. On citera également les absents dont Anicet resté sur les bancs en invoquant le fait qu’il ne supportait pas un entraînement intensif de plusieurs jours sur une pelouse synthétique. Quant à Carolus, il est occupé à retrouver ses bagages perdus lors du transit à Paris. Mais l’erreur venait de lui-même car il ne les a pas enregistrés directement sur Tana alors que sans visa, il n’avait pas le droit de sortir à Paris. On aurait pourtant aimé le voir, lui et Anicet, lors de ce match test de 3x30mn combien édifiant. Clément RABARY  L’article Barea : Les petits devant… est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Barea : Les petits devant… a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Hydrologie : La pénurie d’eau n’est pas à craindre pour Tana
18/06/2021

Ces responsables ont rassuré la population que la pénurie d’eau n’est pas à craindre pour la période d’étiage. Depuis quelques années, la Capitale et les communes périphériques subissent les conséquences de l’assèchement des rivières d’Ikopa et de Sisaony. Nous ne sommes pas encore en période d’étiage mais le niveau de ces rivières est pourtant au plus bas. Durant une rencontre avec la presse à Ambohijatovo, le directeur général du ministère de l’Eau, de l’hygiène et de l’assainissement (MEAH),Thierry Ratovoniaina, a tenu à rassurer que la situation est beaucoup moins critique par rapport à l’année dernière. « Des efforts sont déjà menés depuis l’année dernière pour l’identification des zones les plus critiques. Outre la construction des forages, il y avait également la mise en place de dix stations conteneurisées d’une capacité de 10m3 par heure chacune pour un renforcement additionnel de 2400m3 par jour », a-t-il rassuré. Selon toujours ce responsable, ces réalisations répondent aux besoins de la population et la situation de nombreuses zones qui ont été placées en alerte rouge l’année dernière a connu une nette amélioration. Par ailleurs, l’assèchement des rivières est loin d’être le fruit d’un hasard. La dégradation de l’environnement ainsi que le changement climatique y sont pour quelque chose. Dans ses perspectives, l’Autorité nationale de l’eau et de l’assainissement (ANDEA) prévoit ainsi de mettre en place des projets pérennes pour l’approvisionnement en eau potable pour la population. «Dans un premier temps, nous allons tout d’abord mettre en place un système de suivi en ressource en eau pour l’identification des failles mais également pour nous aider dans les prises de décisions. En parallèle, une enquête sera menée avec la Banque mondiale concernant les réservoirs d’eau. Des efforts seront également mobilisés pour la mise en place du système de stockage d’eau dans tout Madagascar pour qu’aucune localité ne soit oubliée» selon le directeur général de l’ANDEA, Antsatiana Ravaloera. Narindra Rakotobe L’article Hydrologie : La pénurie d’eau n’est pas à craindre pour Tana est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Hydrologie : La pénurie d’eau n’est pas à craindre pour Tana a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Cisco Antananarivo Renivohitra: 30 325 ny isan’ny mpiadina amin’ny CEPE
17/06/2021

30 325 ny isan’ny mpiadina amin’ny fanadinam-panjakana CEPE ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco, Ramananantony Harilalaina, omaly. Nitombo ny isan’ny mpiadina raha mitaha ny tamin’ny herintaona. Nanomboka ny 26 mey ny fanaovana ny CEPE andrana ho an’ny Cisco ary fanadinana andrana faharoa ny notanterahina ny talata lasa teo miaraka amin’ny Zap enina. Latsaka ny vokatra ho an’ny andrana voalohany ary efa nanao fanarenana ny mpanabe. Ho fantatra amin’ity herinandro ity ny valin’ny andrana faharoa. Efa misy rahateo ny sampandraharaha misahana ny kalitaon’ny fampianarana manampy hanarina ny lesoka mialoha ny tena fanadinana ny 6 jolay. Efa miomana ny tomponandraikitra amin’ny fiatrehana ny fanadinana. Hamafisina avokoa ny fepetra efa nampiharina tamin’ny CEPE 2020 hiarovana ny mpiadina manoloana ny valanaretina Covid-19.Vonjy A.        L’article Cisco Antananarivo Renivohitra: 30 325 ny isan’ny mpiadina amin’ny CEPE a été récupéré chez Newsmada.

Vokatry ny krizy nateraky ny valanaretina: misy ireo sekoly voatery nanakatom-baravarana
19/06/2021

Nisy fiantraikany tamin’ny sekoly tsy miankina ny krizy ara-toekarena sy sosialy nateraky ny valanaretina. Misy ireo voatery hanidy ny sekoly mihitsy noho ny fahasahirananaNy faran’ny volana jolay no mifarana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pianarana 2020-2021 nosantarina ny 26 ok­tobra lasa teo. Manaraka ny tetiandro navoakan’ny fanjakana ny sekoly tsy miankina mivondrona ao anatin’ny Association des institutions laïques pour l’éducation (AILE), araka ny nambaran’ ny filohany, Rakotomalala Célin, omaly. Momba ny saram-pianarana, mifanaraka amin’ny ray aman-dreny amin’ny fomba fandoavana izany ny mpitantana ny sekoly. Misy amin’ny ivontoeram-pampianarana, hampitsahatra ny taom-piana­rana mialoha ny andro ha­naovana ny fanadinana CEPE ho an’ny ambaratonga voalohany ka tsy hitaky saram-pianarana ho an’ny volana jolay intsony. Nisedra olana momba ny saram-pianarana ny sekoly tsy miankina maro tamin’ity taom-pianarana ity. Tsy vitsy tamin’ireo ray aman-dreny no tsy nandefa intsony ny zanany tany an-dakilasy taorian’ny fihibohana satria tsy manam-bola hanefana ny saram-pianarana ambiny. Misy ireo manao fifampiraharahana amin’ny talen-tsekoly fa hanefa tsikelikely izany. Vokatry ny fahasahiranana, nanaka­tom-baravarana tanteraka ny sekoly maro fa tsy afaka hi­sokatra intsony. Eo am-panaovana fanadihadiana momba izay ny mpitantana ny AILE, amin’izao fotoana izao. Ho an’ny taom-pianarana vaovao 2021 -2022, mangataka amin’ny fanjakana ny hiverina an-dakilasy mialoha ny sekoly tsy miankina satria tena latsaka ambany fari-pahaizan’ny mpianatra. Mikasa hiverina an-dakilasy izy ireo hamenoana ny banga ho an’ny taom-pianarana roa nikorontana teo noho ny valanaretina. “Mam­panahy ny fari-pahaizan’ny mpianatra hanala fanadinam-panjakana amin’ny taona 2022”, hoy ity mpa­nabe ity.Vonjy A.L’article Vokatry ny krizy nateraky ny valanaretina: misy ireo sekoly voatery nanakatom-baravarana a été récupéré chez Newsmada.

Voaolana sady voadaroka: mpivady naka an-keriny ankizy mianadahy
16/06/2021

Tranga mampalahelo. Ankizy mianadahy 4 sy 6 taona ny niharan’ny herisetran’ireo mpitaiza azy, andro vitsy lasa izay. Raha ny filazan’ny mpampianatra azy ireo avy ao amin’ny EPP Ambohijanaka tao anatin’ny tambajotran-tserasera, tsy tonga nianatra izy mianadahy rehefa niverina nianatra ny mpianatra ny herinandro teo. Nanontaniany, araka izany, ireo ray aman-dreny mitaiza ireo zaza ireo ka nilaza fa lasa any ambanivohitra izy dahy. “Rehefa hariva anefa, maheno ankizy mikiakiaka, mitomany ao amin’ny trano ipetrahan’ny ankizikely ny mpiara-monina”, hoy fanazavana voaray. Vokany, nanontany an-dramatoa mpampianatra ireo mponina manodidina amin’ny antony tsy ahatongavan’ireo mpianatra mamonjy sekoly. Raha ny fanazavana azony, any ambanivohitra ireo mpianany. Nandiso izany kosa ireo mpiara-monina amin’ireo ankizikely ary nilaza fa maheno feon’ankizy mitomany sy miantso vonjyVokany, niantso zandary ilay mpampianatra, nisokatra ihany koa ny fanadihadiana. Fantatra nafenin’ireo mpitaiza azy tao amina toerana maizina ao amin’ilay trano ihany ireo ankizikely, efa misy tavimandry ampiasainy ary voankazo nataony sakafony.Tsikaritra fa naratra sy mangana i Cédric raha niharan’ny herisetra ara-nofo kosa ny zokiny vavy vao 6 taona monja. Taorian’izay, nentina namonjy mpitsabo ireo ankizikely, hita fa simba tanteraka izy. Ireo nahavanon-doza kosa, voasambotra avy hatrany.Hita tamin’ny fisavana ny tranon’ireo mpitaiza azy koa ny kopian’ireo mpianadahy ary novaina ihany koa ny anaran’ireo zaza avy eny Ambohimangakely rehefa namonjy sekoly. Manao antso avo amin’ny fanampiana sy ny hijerena ny raharaha ny mpampianatra azy ireo. Henintsoa Hani L’article Voaolana sady voadaroka: mpivady naka an-keriny ankizy mianadahy a été récupéré chez Newsmada.

Oniversiten’i Maninday Toliara: nirotaka ny mpianatra, nirefotra ny lakrimozena, 18 voasambotra
16/06/2021

Mbola resaka fitakiana vatsim-pianarana ihany no anton’ny savorovoro tany Toliara, omaly tontolo andro. Niafara tamin’ny sakoroka an-dalambe ny hetsiky ny mpianatry ny oniversiten’i Maninday. Tsy nifankahitana ny lakrimozena natoraky ny Emmo/Reg. 18 tamin’ireo mpanao fihetsiketsehana no voasambotra.Raikitra ny savorovoro niafara tamin’ny fifandonana teo amin’ny mpianatry ny oniversiten’i Maninday sy ny mpitandro filaminana. Vokany, mpianatra miisa 18 indray voasambotra, omaly. Raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, omaly maraina tamin’ny 4 ora, niakatra tao an-tampon-tanànan’i Toliara ka nizarazara tamina toerana maro ireo mpianatra. Tokony ho tamin’ny 6 ora, nanakana ny lalam-pirenena RN7 eo Sanfily ny andiany voalohany. Nirefodrefotra avy hatrany ny grenady lakrimozena avy amin’ny mpitandro filaminana nanakanana ny hetsika nataon’ireo mpianatra teo amin’ny lalam-pirenena. Taorian’izay, raikitra koa ny fifandonana teo anoloan’ny biraon’ny presidansa nanaparitahana ireo mpianatra andiany faharoa. Tsy nijanona teo anefa izany fa nitohy hatrany Maninday ny fifanenjehana sy ny fandefasana grenady mandatsa-dranomaso. Efa tamin’ny 2 ora tolakandro vao nifarana izany, raha ny fampitam-vaovao voaray hatrany. Vokatr’izay fifandonana izay, nahatratra 18 ireo mpianatra voasambotra ka nentina nanaovana fanadihadiana. Nisy koa ireo mpianatra naratra vokatry ny fifandonana.Voakasi-tanana hatramin’ny mpanao gazety… Isan’ireo voadaroka koa ny mpanao gazety nanangom-baovao teny an-toerana. Nitondra vahaolana ny olobe ao Toliara… Manoloana ny zava-misy sy ny olana sedrain’ny mpianatry ny oniversiten’i Maninday, Toliara, nangataka fihaonana amin’ny OMC ny raiamandreny (olobe) hijerena vahaolana maharitra manoloana izao raharaha izao. Nankasitraka izany ireto olobe ireto tamin’izao fihaonana izao. Isan’izany ny famotorana ireo mpianatra, ny fampahafantarana fa havoakan’ny minisitera ny “habilitation” momba ny master. Momba ny vatsim-pianarana indray, efa misy ny fandaminana ka ny iray volana no hivoaka ny faran’ny volana izao ary efa ao amin’ny Paositra. Ny volana jolay ho avy izao kosa ny roa volana ambiny. Araka izany, manainga ny rehetra ho tony ireto olobe ireto hisian’ny filaminana hahafahana mamita ny taom-pianarana. Marihina fa tsy nandray anjara amin’izao dinika izao ireto mpianatra ireto. Nilaza kosa anefa ireo mpianatra fa tsy hanaiky ny fanapahan-kevitra nivoaka ka rahampitso (anio io) no hamantarana ny tohin’ny hetsika indray na hitohy na ho tapitra.CMS/Jean ClaudeL’article Oniversiten’i Maninday Toliara: nirotaka ny mpianatra, nirefotra ny lakrimozena, 18 voasambotra a été récupéré chez Newsmada.

“Etoiles montantes”: nanome vatsim-pianarana ny Star
15/06/2021

Tetikasa iray natao hankasitrahana ireo zanaky ny mpiasan’ny Star, mendrika amin’ny fianarana ny “Etoiles montantes”. Tsy fandrisihana fotsiny fa fanohanana ireo mpianatra sy ny ray aman-dreniny amin’ny saram-pianarana ihany koa izy ity. Nisy ny fanolorana ny vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra namiratra tamin’ny baccalauréat 2020, nahazo ny “mention très bien” sy “mention bien”, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Efatra izy ireo tamin’ity andiany ity no nisitrika izany ka nahazo ny tso-drano sy ny vatsim-pianarana avy amin’ny tomponandraikitry ny Star. Fantatra nandritra io lanonana io fa mbola mitohy ny fanohanana ireo mpianatra miisa fito, namiratra tamin’ny andiany teo aloha. Handrisihana azy ireo hamita ny fianarany hatrany amin’ny fahazoana ny diplaoma Master II izany. Nambaran’ny tale misahana ny mpiasa fa fanamafisana ny fanohanan’ny Star ny tanora, izay efa nataony hatramin’izay izao. Anjara biriky amin’ny fanorenana ny ho avy ho tsaratsara kokoa ihany koa.Zo ny AinaL’article “Etoiles montantes”: nanome vatsim-pianarana ny Star a été récupéré chez Newsmada.

Musique urbaine : Wada & Yoongs, un G-Funk au menu
19/06/2021

Et oui, ce n’est pas parce qu’ils ont composé du coupé décalé qu’ils ont quitté définitivement le rap ! Wada et Yoongs ne restent pas figés sur un seul rythme, car pour eux, la musique n’a pas de couleur ni de frontière. Après Aye, Tsangory mivadika, Odie, les deux anciens membres de Jiolambups ont sorti un morceau en collaboration avec le rappeur Agrad. « Samva » est un titre auquel les deux jeunes hommes montrent qu’ils sont toujours des rappeurs. Wada Yoongs a choisi  ce genre musical qui commence à ressortir de la surface depuis ces derniers temps dans la Grande-Ile. En effet, « Gangsta funk est un courant du gangsta rap West Coast popularisé, et plébiscité durant la première moitié des années 1990. Le rappeur et producteur, Dr. Dre, membre du groupe fondateur du gangsta rap N.W.A, popularisera le style durant les années 90, en grande partie à l’origine du mouvement par son utilisation de samples de Funkadelic, Parliament, Ohio Players, George Clinton, Zapp et d’autres groupes de funk des années 1970 et 1980. Le trio Agrad, Wada & Yoongs figure dans le répertoire de certains rappeurs conservateurs. « Je pensais que ces deux-là ne rapperaient plus. Depuis trois ans, ils ont choisi un autre rythme. Je ne les écoutais plus, puis hier j’ai vu par hasard dans mon fil d’actualité leur nouvelle chanson, et cela m’a séduit ». Évidemment, ces deux jeunes hommes ne cessent d’ impressionner leurs convaincus. Iss Heridiny L’article Musique urbaine : Wada & Yoongs, un G-Funk au menu est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Musique urbaine : Wada & Yoongs, un G-Funk au menu a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Ady hafa amin’ny tantana sy ny tantara     
18/06/2021

Mbola misy ady hafa tsy maintsy atrehina amin’izao, araka ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika. Tsy inona fa ny amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny kere… Mby an-tsaina avy hatrany amin’izany ny any atsimo. Nefa aorian’ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19, saika manerana an’i Madagasikara na maneran-tany aza no miatrika izay. Mafy ny dona sy ny fiantraikan’ny valanaretina eo amin’ny toekarena sy ny fihariana, eo amin’ny fiainam-bahoaka ankapobeny…Mazava koa ny nambarany fa matoa mbola misy ihany ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny maty mosary, tsy nahomby ny fanampiana sy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka avy any ivelany nandritra ny 30 taona mahery. Nahoana? Tsy tena famahana izay olana ifotony, ohatra, no nimasoana na natao fa zavatra hafa, izay ry zareo sy mpitondra nifandimby niray petsapetsa na tsikombakomba taminy no mahalala izany. Na misy antony hafa tsy voadinika. Mampieritreritra…Hafa ny amin’izao amin’ny hoe fiovana sy fanovana? Na eo aza izay mety ho fanampiana sy fiaraha-miasa tsy azo ialana amin’ireo mpiara-miombon’antoka, tompony mahazaka amin’izay ataony ny Malagasy: fanapahan-kevitra, tetikasa, enti-manana… Miainga any ifotony izay atao. Ady fiady izany amin’izao hoe fahatsiarovana ny fiverenan’ny fahaleovantena izao. Tena isiana sy iainana amin’izay? Ady hafa… Mila fahasahiana, fijoroana, firosoana, fitozoana…Miara-dalana ho azy amin’izay tsy fahombiazan’ny fanampiana sy fiaraha-miasa amin’ny any ivelany izay ny tarazo ratsy entina sy avelan’ny fahantrana lalina sy maharitra? Tsy tongatonga ho azy fa misy antony na nanao azy. Manankarena i Madagasikara, nefa ny vahoaka mahantra fadiranovana tsy misitraka inona amin’izany akory. Firy tao-maty izay? Mila ovaina amin’izay ny tantana sy ny tantara. Mba tsy ho fombafomba sy fahazarana fotsiny ny fankalazana ny Fahaleovantena.Fahaleovantena amin’ny fanapahan-kevitra, amin’izay atao, amin’ny fomba fiasa… Tsy andavana na anilihana ny fanampiana sy ny fiaraha-miasa amin’ny hafa izany fa ijoroana sy irosoana amin’izay maha tena ny tena?Rafaly Nd.            L’article Ady hafa amin’ny tantana sy ny tantara      a été récupéré chez Newsmada.