Indray mijery

News - Indray mijery

News - Indray mijery

Ho an’ny Dren Bongolava, nahatratra 5 081 ireo niatrika
fanadinana BEPC .

Misy 14 ireo ivontoeram-panadinana ary ahitana efitrano 222.
Mipetraka hatrany ny lamina ara-pahasalamana ka tsy mihoatra ny
isaky ny efitranom-panadinana 25 ny mpiadina ary ahitana fanasana
tanana avokoa ny foibem-panadinana rehetra. 11 taona ny zandriny
indrindra ary 46 taona kosa ny zokiny indrindra amin’ireo
mpiadina.

 

Mila fahazoan-dalana avy amin’ny ben’ny
Tanàna ny fivarotana hani-masaka anatin’ny
fiara, aorian’ny fankatoavan’ny fitaleavana miandraikitra
ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny kaominina Antananarivo
Renivohitra. Tsy maintsy manatanteraka ireo adidy voasoratra ao
anaty bokin’andraikitra izay nahazo alalana. Io bokin’andraikitra
io no mametra ireo sokajin-tsakafo na entam-barotra azon’ireo fiara
mpivarotra hani-masaka amidy…

 

Article tiré de Newsmada

L’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 23/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Midi Madagasikara

Holafitry ny vadintany malagasy : Miampy 11 ireo vandintany miasa eto Toamasina

Ny zoma misandratr’andro teo no nanao fihaniana teo anivon’ny mpitsara ny fitsarana ambony teto Toamasina, ireo vadintany 11 mirahalahy vao afa-panadinana ny volana novambra ny taona lasa. Tamin’ny naha-tsy teto ann-toerana ny tonia mpampanoa lalana ambony sy ny filoha voalohany ny fitsarana ambony, dia ny “substitute general” sy ny mpitsara eo anivon’ny “chambre” teo anivon’ny fitsarana ambony no nandray ny fihanianan’izy ireo. Ny iray ny Me Mandimby Harisandratra araka ny didimpitondrana navoakan’ny :minisitry ny fitsarana laharana 8686/2019 ny 21 aprily teo, no avy hatrany dia mandray ny asany ao Soanierana Ivongo eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Fenerivo atsinanana. Ireo 10 lahy ambony kosa araka ny didimpitondrana laharana 8687/2019 ny 25 aprily 2019, dia mbola manao fanazaran’asa eo anivon’ireo vadintany matihanina eto Toamasina mandritra ny roa taona, vao mandray ny asany amin’ireo fari-piadidian’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Fenerivo atsinanana, Maroantsetra, Toamasina I, ary Vatomandry indray. Nandritra ny fandraisana ny fihanihan’ireto vadintany vaovao ireto no nilazan’ny mpitsara teto Toamasina, fa isan’ny mahatonga ny fisian’ny tany tan-dalana ny asan’ireo vadintany amin’ny izy ireo mpanantontosa ny didim-pitsarana mivoaka eny amin’ny fiaraha-monina. Ny fitoraham-bato sy fanopana ary ny fanidina varavarana azy ireny dia midika fanoheram-panjakana sy ny fitsarana ary fikomiana. Nomarihan’ireo mpitsarana sy ireo vadintany fa tsy miady amin’ny vahoaka, na mpiady eny amin’ny fitsarana ny vadintany amina raharaham-pitsarana, fa mpanatanteraka izay didy mivoaka no asany ho fanajana ny tany tan-dalana eto amintsika. Malala DidierL’article Holafitry ny vadintany malagasy : Miampy 11 ireo vandintany miasa eto Toamasina a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Boriborintany faha6: vita ny lalankely ao Antanjombe Avaratra

Tsy ho very maina ireo vato sy tara amin’ny fanamboaran-dalana sy sisin-dalana izay vatsian’ny Vondrona eoropeanina vola eto Antananarivo Renivohitra amin’izao fotoana izao.  Vato marobe no azo ary ampiasain’ny CUA hanamboarana lalankely. Tanjona ny hanalana fahasahiranana ny mponina.Raha ho an’ny boriborintany faha-6, vita tara ny lalankely mirefy 120 metatra eny amin’ny fokontany Antanjombe Avaratra manakaiky ny EPP ao an-toerana. Namboarina tamin’ny alalan’ireo “goudron” nalaina tamin’ny fanamboaran-dalàna teny an-toerana ny nahatontosana ny asa fanamboarana.Nanatontosa ny asa tamin’izany ireo ekipa teknika sy ny mpiara-miasa ao amin’ny boriborintany faha-6, tarihin’ny delegen’ny boriborintany, Andriamananjezika Fehizoro. Nanome fankasitrahana ny ben’ny Tanàna sy ny mpiara-miasa aminy ao amin’ny boriborintany faha-6. Nisaotra ny tompon’andraikitra nahavita ny asa ny solontenan’ny fokonolona ao amin’ny fokontany Antanjombe Avaratra satria afa-pahasahiranana izy ireo, indrindra ireo ankizy mpianatra rehefa tonga ny fahavaratra amin’ny nahavitan’izao fotodrafitrasa  izao .Tatiana AL’article Boriborintany faha6: vita ny lalankely ao Antanjombe Avaratra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

ONG Merci –Ambohijanaka: manangana rafitra hanampiana ny sembana

Miara-miasa amin’ny kaominina ambanivohitra maromaro ny ONG Merci manangana rafitra ho fanamaivanana ny sembana eo anivon’ny fiaraha-monina. Natao izany, omaly, any amin’ny kaominina Ambohijanaka, namoriana azy ireo hananganana rafitra fikaonan-doha ifotony (SLC)*, ka hisy solontena avy amin’ireo sembana ireo hitondra ny feon’izy ireo mahakasika sehatra maro,  toy ny lalam-pihariana. Fantarina avokoa izay sakana amin’izany fihariana hanampiana ireo sembana ireo.Nasian-teny ny tokony handrafetan’ny kaominina tetibola hanampiana ny sembana amina seha-pihariana misy azy, ka miaraka mandray andraikitra amin’ny rafitra najoro. Tokony hisy anjara toeran’ny sembana ny fotodrafitrasa, fitaterana, sekoly na fianarana asa, toeram-pitsaboana…Mifanakalo hevitra momba ireo ny ao amin’ny kaominina sy ny rafitra SLC, araka ny tetibola isaky ny laminasa.Nosoritan’ny ONG Merci fa tsy fanomezana ho azy ireo akory no atao fa fiaraha-miasa, manampy tosika amin’ny fahaiza-manao, satria misy ny sembana manana ny talentany manokana amina sehatra samihafa. Tsy vitsy amin’izy ireny, noho izany, afaka miasa tsara ary takina ny fanomezana azy karama ara-dalàna, sy ny fiarovana azy amin’ny lafiny sosialy. Tsy eo anivon’ny kaominina irery ihany koa fa hitadiavana mpanohana hafa. Tsy atao ivelan’ny fiaraha-monina izany ireo olona ireo.Tetikasa Voizo“Tetikasa Voizo izao atao izao, manomboka amin’ny fanadihadiana sosialy any amin’ny fokontany, ahahazoana antontanisa momba ny sembana sy ny andrasan’izy ireo. Miainga avy amin’izany ny fifanakalozan-kevitra amin’izay solontena mitondra ny feo, ka hanohanana azy”, hoy ny talen’ny ONG Merci, Rakotoarisoa Holiniaina. Marihina fa ity ONG Merci ity tohanan’ny Christoffel-Blindenmission, fikambanana najoron’i Christoffell, ny taona 1908, ho an’ny asa fampandrosoana mifototra amin’ny finoana kristianina. R.Mathieu SLC* : Structure locale de concertation.   L’article ONG Merci –Ambohijanaka: manangana rafitra hanampiana ny sembana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ady amin’ny Kere: tantsaha 185 tohanan’ny Fihariana sy ny Pam

Misy avy hatrany ny vahaolana vonjitaitra sy maharitra noraisin’ny filoha Rajoelina, hiadiana amin’ny hanoanana na ny kere any atsimon’ny Nosy. Ao anatin’ny paikady maharitra  ny fanohanana mivantana ny tantsaha ho lasa mpandraharaha, hahafahan’izy ireo mahaleo tena amin’ny fihariana ataony. Mandray anjara amin’izany ny fandaharanasam-panjakana Fihariana sy ny Fandaharanasa iraisam-pirenena mikasika ny sakafo (Pam). Anisan’izany ny any amin’ny distrika Ambovombe sy Amboasary Atsimo, toerana anisan’ny tena tratran’ny mosary na ny kere, izay hanaovan’ny fanjakana ezaka manokana, amin’izao fotoana izao. Tanjona amin’ity tetikasa ity ny hanomezana asa ny mponina any an-toerana hahafahany mivelon-tena.  Misy ny fiaraha-miombon’antoky ny Fihariana sy ny Pam amin’ireo banky tsotra hanatanterahana ny tetikasa.786 tapitrisa AriaryEndriky ny tetikasa ny fampindramam-bola ny tantsaha amin’ny zana-bola kely. Mitotaly 786.759.500 Ariary ny famatsiam-bola ho an’ny tantsaha miisa 185. Mahatratra 200.000 Ariary ny vola indramina farafahakeliny ary 35.850.000 Ariary ny ambony indrindra. Maromaro ny seha-pihariana iasan’izy ireo, toy ny fiompiana ombivavy beronono sy ny ondry aman’osy. Eo koa ny fambolena tsaramaso, voanjo, voamaina, katsaka, mangahazo, vomanga, sns.Njaka AndriantefirinesyL’article Ady amin’ny Kere: tantsaha 185 tohanan’ny Fihariana sy ny Pam a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

City Art: santarin’ny Tanàna art gallery ny ranty

Mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny vakoka amin’ireo orinasa vonona ny hampandroso ny tontolon’ny zavakanto. Iray amin’izany ny niforonan’ny hetsika City Art.Vita omaly ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny La City, etsy Ivandry, sy ny minisiteran’ny Serasera sy ny vakoka, mikasika ny nanokanan’ity toeram-pivarotana lehibe ity faritra iray ho an’ny zavakanto sy ny hitantanan’ny minisitera izany. City Art ny anaran’ity toeram-pampirantiana sy fanaovana fampisehoana ity.Araka ny fifanarahan’ny roa tonta, ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina no mandrindra ny fampiasana ny toerana sy manoka-baravarana ireo mpanakanto liana, te haneho ny talentany ao. Tontosaina isam-bolana ny hetsika ka maharitra tapa-bolana ny fampirantiana iray.Nisantatra ny City Art, nanomboka omaly, àry ireo mpanakanto miisa 30 ao amin’ny Tanàna art gallery. Mpanao hosodoko sy mpikolo ny kanto araka endrika amam-bika izy ireo, izay samy manana sanganasa roa avy aranty eny an-toerana. Hita ho samy manana ny maha izy azy sy ny mampiavaka azy ny mpanakanto tsirairay.Nambaran’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana Andriatongarivo, fa manohana hatrany ireo hetsika manandratra ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy ny departemanta tantaniny ary miara-miasa amin’ny sehatra tsy miankina, toy ny La City. Izay indrindra no nahatonga izao fiaraha-miasa izao, izay irariana fa haharitra.Maimaimpoana ny fitsidihana ny City Art, toerana ifamezivezen’ny olona maro ka hahatonga ny talentan’ireo mpanakanto hiantefa avy hatrany amin’ny isam-batan’olona. Tsy hifarana raha tsy ny 27 aogositra ny andiany voalohany amin’ny fampirantiana, eny an-toerana.Landy R.  L’article City Art: santarin’ny Tanàna art gallery ny ranty a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Sarimihetsika: hitety “festivals” maro ny “Fahavalo, Madagascar 1947”

Efa nitety an’i Eoropa ary tsy ho latsa-danja amin’izany ny aty Afrika. Ilay horonantsary fanadihadiana, “Fahavalo, Madagascar 1947”, notontosain’i Marie-Clémence Andriamonta Paès, no tian-kambara eto. Anisan’ireo nofantenana ka hiatrika fifaninanana, mandritra ny “Festival Ecrans noirs” andiany faha-23, any Kamerona, ity horonantsary ity. Anio tolakandro no handefasana azy, any amin’ny Institut français any Yaounde.Aorian’io, anisan’ireo notsongaina halefa mandritra ny “Festival Cinémas d’Afrique”, any Lausanne ihany koa ity horonantsary fanadihadiana ity ka ny 22 sy ny 24 aogositra ny handefasana azy, ao amin’ny Cinémathèque Suisse. Mbola anisan’ireo voafidy hiatrika fifaninanana ihany koa ny “Fahavalo, Madagascar 1947”, mandritra ny “Festival international du film insulaire”, any Groix. Hamaranany ny diany, amin’io volana aogositra io, ny any amin’ny “Festival Africlap” any Toulouse.Horonantsary ahitana fijoroana vavolombelon’ireo akanga sisa nanamborana, tamin’ny ady tamin’ny mpanjanaka, ny “Fahavalo, Madagscar 1947”, izay nivoaka tamin’ny taon-dasa. Raha tsiahivina, mandravaka ity horonantsary ity ny feon-kira notendren’i Régis Gizavo, mpanakanto malagasy fanta-daza maneran-tany. Mbola vao ny lasitr’ireo feon-kira ampiarahina amin’ity horonantsary ity no vitany, nodimandry izy, roa taona lasa izay. Na izany aza, tsy najanona fa izay efa vitany no nampidirina tao amin’ny horonantsary ka vao mainka mitondra fihetseham-po hafa mihitsy.Landy R.L’article Sarimihetsika: hitety “festivals” maro ny “Fahavalo, Madagascar 1947” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

 ( CIJ): naverin’i Britanika amin’i Maorisy ireo nosy Chagos

Naverin’ny Britanika amin’ny Nosy Maorisy manomboka izao ireo nosy kely Chagos, misy ny tobim-pamaharan’ny tafika britanika sy amerikanina ao Diego Garcia. Nanao izay fomba rehetra ny hijerena ity raharaha ity ny Maorisianina tany amin’ny Fitsarana iraisam-pirenena (CIJ), ka nankatoavina teo anivon’ity Fitsarana ity izany, ny volana febroary 2019. Telo volana taorian’izay, nangatahan’ny Firenena mikambana (ONU) ry zareo Britanika hampitsahatra faran’izay haingana ny fitantanana ny nosy Chagos.Nambaran’ny CIJ fa tsy ara-dalàna ny fihazonan’ny Britanika ireo Nosy Chagos tamin’ny 1965 eo anatrehan’ny lalàna iraisam-pirenena, nefa nomena fahaleovantena ny Nosy Maorisy tompony tamin’ny 1968. Fandresena ho an’ny diplomasia maorisianina izao fanapahan-kevitra izao. Ny 15 jolay teo, narahin’ny vahoaka maorisianina tamin’ny haino aman-jery rehetra ny fanamafisana ny fanambarana nataon’ny CIJ.Nankatoavin’ny solombavambahoaka maorisinina rehetra ny fandraisana ireo Nosy manodidina ireo, ary nisy solontenan’ny vahoaka avy any Chagos nanatrika ny fivorian’ny Antenimieram-pirenena tany an-toerana. Hanana solombavambahoaka i Chagos amin’ny taom-piasan’ny Antenimiera maorisianina manaraka.Fitambaran’ny Nosy kely maromaro i Chagos, 56,13 km2.  Misy azy, 1 174 km atsimon’i Malé, 1 832  km atsinanan’i Victoria, any Seychelles. Anisan’ny lehibe : Diego Garcia, Nosy Salomons, Peros Banhos, Great Chagos, Nosy Egmont… R.MathieuL’article  ( CIJ): naverin’i Britanika amin’i Maorisy ireo nosy Chagos a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fokontany dimy: nodiovina ireo lakandrano madinika

Nodiovina ireo lakandrano madinika eny anivon’ireo fokontany dimy ao anivon’ny boriborintany voalohany amin’ny faritra iva eto an-dRenivohitra. Antohomadinika Afovoany, III G Hangar, Andavamamba Anjezika I-II sy Andohotapenaka I ny iantefan’ny asa izay mbola nitohy. Tsapa fa mbola manary ny fakony sy ny malotony any anaty lakandrano ireo mponina eny amin’ireo faritra iva ka izay indrindra ny anton’izao hetsika manerana ny boriborintany enina izao hanentanana sy hanairana ny sain’ireo mponina. “Loza mitatao ho azy ireo ny fako rehefa tonga indray ny fahavaratra”, hoy ny nambaran’ny tompon’andraikitra iray avy eo anivon’ny boriborintany Voalohany, Rakotonirina Maminiaina. Efa misy ihany ireo efa voaentana amin’ny fanaovana hetsika fanadiovana ka mandray andraikitra avy hatrany rehefa misy maloto ny manodidina azy. Mbola eo ihany ireo mbola tsy mahatsapa tena.Vonjy   L’article Fokontany dimy: nodiovina ireo lakandrano madinika a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fampandrosoana eny ifotony: mitaky ho faritra mizaka tena ny Mahafale

Tsy hiaraka amin’ny any Atsimo Andrefana. Nanao fanambarana mitaky amin’ny tompon’andraikitra mahefa hijerena manokana ny faritra “Plateau Mahafale”, ahitana ny distrikan’i Betioky sy Ampanihy, ny any an-toerana. Antony maro ny nahatonga azy ireo hanao izany fitakiana izany satria mahatsapa ny rehetra fa anisan’ny manana zanaka manampahaizana maro sy sokajin’olona maro tahaka ny ny profesora, ny jeneraly, ny mpitsara, ny mpiasam-panjakana ambony ary ny misahana andraikitra hafa amin’ny sampandraham-panjakana maro iny faritra iny. Manana ny maha izy azy koa iny « Plateau Mahafale » iny raha ny lafiny tantara sy ny kolontsaina. Anisan’izany ny Aloalo, iavahany  amin’ny rehetra sy ny fisian’ny fanjakana mahafale talohan’ny fanjanahantany. Manana ny harena an-kibon’ny tany toy volamena sy ny vatosoa isan-karazany “grenat”, “bradorite”, vato indostrialy, koa iny faritra iny raha eo amin’ny toekarena.Haratsian’ny lalana sy ny vidim-piainana Manampy izany ny fananany toerana manan-tantara azo tsidihina. Olana kosa anefa ny faharatsian’ny lalana RN 10. Mahatsapa koa ny rehetra fa anisan’ny mitarika ny fahantrana ny tsy fahavitan’io lalana io. “Misondrotra avokoa ny vidin’ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ka tsy maharaka ny fahefa-mividin’ny vahoaka”, hoy izy ireo. Lasa vato misakana ny fampandrosoana amin’ireo distrika roa ireo koa ny halehiben’ny faritra Atsimo Andrefana ka miteraka ny fitokana-monina. Voafarita ao anatin’ny reniranon’i Onilahy sy i Menarandra ary ny lakandranon’i Mozambika io faritra ilana fizankatena io raha ny sarintany. “Manainga ny filoham-pirenena hanome anay io farita « Plateau Mahafale » io izahay ho fampandrosoana iny faritra iny. Hiezaka ny handom-bararavana ny rehetra fa indrindra ireo zanak’iny faritra iny ao anaty fitondrana hanamora ny hahazoana io fizankantena io ho tombontsoan’ny rehetra.CMSL’article Fampandrosoana eny ifotony: mitaky ho faritra mizaka tena ny Mahafale a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Lanonana eny Mahamasina :: Miaramila maorisianina, renioney kaomôrianina hanao matso

Hampiavaka ny matso lehibe hatao amin’ny tolakandron’ny 26 jona 2019, etsy amin’ny kianjaben’i Maha­masina, ny fandraisana anjaran’ireo miaramila vahiny avy amin’ny Tafika avy atsy La Réunion sy Kaomôro ary Maorisy. Roapolo mahery no isan’izy ireo ho avy eto amin’izao fankalazana ny tsingerin-taona niverenan’ ny Fahaleovantena sy ny fetin’ny Foloalindahy izao. Fantatra fa hampiseho ny traikefany amin’ny fomba fiady izy ireo. Hamoaka ireo fitaovam-piadiana ananany kosa ny Tafika malagasy. Anisan’ny andrasana ny fahatongavan’i Paul Kagame, Filoham-pirenen’i Rwanda, izay vahinin’ny Filoha malagasy manokana. Ho mafy ny fitandroana ny fandriampahalemana, tsy eny Mahamasina ihany fa any amin’ireo toerana rehetra hisy fivorivorian’ olona. Nicoh Richman L’article Lanonana eny Mahamasina :: Miaramila maorisianina, renioney kaomôrianina hanao matso est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-10-2020
Source : CCO COVID19 - 30/10/2020

Notsongaina

Vono olona :: Ben’ny tanàna vehivavy maty voatifitra
27/10/2020

Maty tsy tra-drano i Faly Françoise Zamena, vehivavy ben’ny tanànan’ny kaominina Marohazo-Maintirano, tamin’ny alin’ny alahady 25 oktobra lasa teo. Lehilahy iray tonga tao aminy no voalaza ho nitifitra ka nahafaty azy avy hatrany. Fantatry ny fianakaviany io olona io, raha ny fanampim-baovao azo, omaly, izay voalaza fa lehiben’ny dahalo any an-toerana ary havan’ny maty ihany. Ben’ny tanàna naman’itsy niharam-boina itsy no nampandre ny mpitandro filaminana, tamin’ny alina nisehoan’ny loza. Tonga nanadihady ny zava-niseho tany an-toerana ireo mpitandro filaminana. Lehilahy voatondro ho dahalo raindahiny efa nanafika naka ny ombin’ny ben’ny tanànan’Antsaindoha Bebao, tamin’ny 5 oktobra lasa teo, izy, raha ny fitantaran’ireo fianakavian’ny maty. Eo am-pikarohana azy ny mpitandro filaminana any Maintirano, ankehitriny. L’article Vono olona :: Ben’ny tanàna vehivavy maty voatifitra est apparu en premier sur AoRaha.

Noho ny Covid-19: tsy afaka miverina miasa ny orinasa Ambatovy
24/10/2020

Manana ny lanjany toekarena eto Madagasikara ny Tetikasa Ambatovy. Miankina amin’ny lafin-javatra maro maneran-tany, noho izao tranga Covid-19 izao, anefa vao hiverina amin’ny laoniny ny fiharian’ity orinasa ity. Araka ny fanadihadiana manokana, tsy mbola afaka miverina ny asa fiharian’ny orinasa Tetikasa Ambatovy. Maromaro ny an­tony, ary anisan’ny sakana ny tranga Covid-19 tsy mbola foana ka tsy afaka mankaty Madagasikara ireo vahiny miisa 850 miasa ao Ambatovy satria mikatona ny sidina ana habakabaka iraisam-pirenena mampifandray antsika amin’ ny any ivelany. Tsy misokatra, toraka izany, koa ny ankamaroan’ny sidina ana habaka­baka any amin’ny firenena maro. Eo koa ny lafiny tolotra sy ny tinady, fototry ny fihariana. Andaniny, ny lafiny famatsiana akora fototra ampiasain’ny orinasa, ilaina amin’ny fanodinana ny nikela sy ny kobalta. Hatreto, tsy miverina amin’ny laoniny ny famatsiana sy ny fitaterana azy ireny an-dranomasina, vokatry ny hamehana amin’ny tranga Covid-19, voa­laza etsy ambony. Singanina manokana ny akora sofra, ilaina amin’ny fanadiovana ny nikela sy kobalta, ny arintany ilaina amin’ny angovo ampiasaina amin’izany, sns. Ankilany, sarotra ny hama­ritana sy ny hamantarana ny fotoana hiverenan’ny orinasa Ambatovy hihodina indray. Manampy ireo, tsy mbola miverina amin’ny laoniny koa ny lafiny tinady, ny mpanji­fan’ny orinasa, fototra voalohany iankinan’ny fihodinan’ ny famokarana. Tsiahivina fa voalohany amin’ny varotra ivelany, amin’ny fanondra­nana entana any ivelany, ho an’i Madagasikara, ny fihariana ataon’Ambatovy.Kojakojaina ny milinaSaropady sady mifandraika amin’ny zavatra maro ny fiharian’ny tetikasa Ambatovy. Hatreto, ny mikojakoja ireo fitaovana sy milina ao amin’ ny orinasa no tsy maintsy hany azo atao, any amin’ny toeram-pitrandrahana Ambatovy, sy ny toeram-panodinana any Toa­masina. Maherin’ny 9 000 ny mpi­asa mivantana sy tsy mivan­tana miasa ho an’ny orinasa, misandrahaka amin’ny lalam-pihariana maro, toy ny fama­tsiana sakafo ho an’ny mpiasa, ny fitaterana, ny fanadiovana, ny famatsiana akora madinika sy salantsalany eto an-toerana, sns. Izay no maha anisan’ny fototry ny toekaren’i Mada­ga­sikara ny Tetikasa Ambatovy.Njaka AndriantefiarinesyL’article Noho ny Covid-19: tsy afaka miverina miasa ny orinasa Ambatovy a été récupéré chez Newsmada.

Kaominina fito ao Amboasary: omena sakafo ireo olona 70 000 reraky ny hanoanana
24/10/2020

Velom-panantenana fa ho afaka amin’ny tsy fanjarian-tsakafo miteraka hanoanana lalina sy fahiazana ho an’ny ankizy ny ao Amboasary rehefa nahita ny fahatongavan’ny sakafo avy amin’ny Pam. Hisitraka izany ireo kaominina fito ao an-toerana. Tonga tsikelikely any amin’ny distrikan’Am­bo­asary any atsimon’ny Nosy ny sakafo avy amin’ny Pam entina hamatsiana ireo mponina efa reraky ny hanoanana any an-toerana. Miisa 70 000 ireo olona omena sakafo isan’andro ao anatin’ny kaominina fito ao anatin’izany distrikan’Amboasary izany. Anisan’ny misitraka ny sakafo entin’ny Pam ny kaominina Maromby, i Ranobe, i Elonty, i Tomboarivo, i Ma­ro­tsi­raka, i Mahabo ary i Tra­no­maro. Tokantrano miisa 14 000 ao anatin’ireo kaominina ireo no hizarana sakafo. Ahitana vehivavy bevohoka sy mampinono miisa 3 500 ary ankizy eo anelanelan’ny 6 ka hatramin’ny 23 volana tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mivaivay ny hahazo izany. Ity fanampiana vonjimaika entin’ny Pam any atsimo ity dia tohin’ny fanairana voarain’izy ireo indray hatramin’ny herinandro ambony iny. Efa mihatrana eny an-toerana ireo ekipa mpandrindra rehetra mitsinjara izany sakafo mi­tondra hery ho an’ireo mponina any Amboasary izany. Mitondra fanantenana sy hery ho an’ireo olona 70 000 any Amboasary, araka izany, ny fahatongavan’ny fanampi­a­na ary mifandraika amin’ny filana any an-toerana manolo­ana ny hamehana ara-tsakafo mihatra amin’ny mponina. Marihina fa nanomboka ny alatsinainy 19 oktobra, efa nisitraka sakafo mafana ara-pahasalamana mitondra hery ny mponina ao amin’ireo kaominina fito ireo. Any amin’ny fokontany Andavabazaha ko­sa, ankizy efa tena mahia sy reraky ny hanoanana noho ny tsy fahampian-tsakafo any an-toerana no nahazo hery indray rehefa notohanana sakafo. Rehefa nahazo fanairana ny Pam mikasika ireo ankizy marefo tanteraka ireo, nidina nijery haingana sy nitondra ny sakafo mitondra hery. Raha ny tatitra, mahia sy tsy ampy sakafo avokoa ny 41%-n’ny ankizy ao amin’ny kaominina 16 ao Amboasary ka anton’izao hamehana any atsimo izao.Tatiana AL’article Kaominina fito ao Amboasary: omena sakafo ireo olona 70 000 reraky ny hanoanana a été récupéré chez Newsmada.

Saron’ny polisy teny Sadabe, Talatavolonondry: mahavita hatramin’ny vola “Euro” sandoka ireo jiolahy
29/10/2020

   Voasambotry ny polisy ny talata teo, ary efa naiditra am-ponja avy hatrany ny lehilahy iray ao anatina fikambanan-jiolahy mpanao vola sandoka efa nokarohana hatramin’ny taona 2018.Araka ny tatitra nampitain’ny polisy avy ao amin’ny Brigade criminelle, sakelika fahefatra nandray an-tanana ity raharaha ity, efa kalaza amin’ny fanaovana vola sandoka tokoa ity lehilahy iray ity. Anisan’ny ao anatin’ny Fikambanan-jiolahy malaza mpanao vola sandoka, izay efa nokarohin’ny polisy hatrany amin’ny taona 2018 izy io, saingy izao vao sarona. Loharanom-baovao azon’ny BC 4 avy tamin’ny olona tsara sitrapo no nahafantarana ny toerana misy azy, eny Sadabe, Talatavolonondry. Nosokafana ny fanadihadiana sy famotorana ary nidina ifotony avy hatrany teny an-toerana ireto farany, ny talata 27 oktobra teo. Hita tokoa ilay trano voalaza fa misy ireo jiolahy mpanao vola sandoka, saingy tamin’io fotoana nahatongavan’ny polisy teny, efa tsy nisy olona intsony tao an-toerana.Milina avo lenta…Na izany aza, niroso tamin’ny sava hao ilay trano ny polisy ka nandritra izany no nahasaronana ireo fitaovana maro samihafa. Anisan’izany, ohatra, ny ordinatera, “imprimante” izay tena avo lenta tokoa, raha ny voalaza, ankoatra ny singa sy kojakoja hafa fampiasany. Fantatra tamin’izany, fa ahavitan-dry zalahy hatramin’ny vola “Euro” sandoka ireo fitaovana ireo, izay efa nahatratra enina gony be izao. Nogiazana avy hatrany ireo entana ary nentina eny amin’ny biraon’ny BC4 hatao porofo atolotra ny fitsarana. Ilay lehilahy iray, naman’ilay tompon-trano moa, araka ny voalaza ery ambony no voasambotra tamin’io fotoana io, ary efa naiditra any am-ponja taorian’ny nanolorana azy ny fampanoavana. Tsy mijanona hatreo, araka ny voalaza, ny fanadihadiana sy famotorana ataon’ny polisin’ny BC 4 mikasika ity raharaha ity fa mbola hitohy.M.RL’article Saron’ny polisy teny Sadabe, Talatavolonondry: mahavita hatramin’ny vola “Euro” sandoka ireo jiolahy a été récupéré chez Newsmada.

Fizahantany anatiny: dia an-tongotra 182 km
23/10/2020

 Afa-tsy ny any Nosy Be, tsy misy ny mpizahatany vahiny tonga aty Madagasikara, satria tsy misokatra ny sidina ana habakabaka avy any ivelany mankaty Madagasikara. Manoloana izany, nametraka paikady vaovao sady miavaka ny fanjakana, hampiroboroboana ny fizahantany ato anatiny. Iarahan’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro (MTTM), sy ny Ofisim-paritry ny fizahantany Analamanga (Ortana) manatontosa ny hetsika  “Ultra Trek des collines sacrées”. Fifaninanana dia an-tongotra lavitra ezaka (randonnée), hitetezana ny tendrombohitra masina manan-tantara eto Analamanga, hatao ny 20, ny 21 ary ny 22 novambra ho avy izao. Mitotaly 182 km ity fifaninanana ity, ahitana dingana efatra. Nampahafantatra izany, omaly, ny tale jeneraly (DG), ny MTTM, Ratokoniaina Yves, sy ny tale mpanatanteraka (DE) ny Ortana, Razafinavalona Harimisa.Manan-daza iraisam-pirenenaTanjona ny hanomezana tolotra vaovao ny mpanjifa, hampahantarana bebe kokoa an’i Madagasikara sy ny ao anatiny, toy izao hatao eto Analamanga izao. Taorian’ny fanadihadiana mantsy, tsikaritra fa misy ireo tendrombohitra masina sady manan-tantara sy malaza ka tokony homen-danja. Tsy eto an-toerana ihany fa na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena aza, toa ny Rovan’Ambohimanga, vakoka iraisam-pirenena Unesco.Tsiahivina fa efa nahavita namaritra sori-dalana azo tsidihina mahatratra 700 km ny Ortana, tato anatin’ny 10 taona farany. Sori-dalana mitety kaominina maro ato anatin’ny faritra Analamanga. Efa nametrahana marika manokana amantarana an’Analamanga amin’ireo sori-dalana ireo, manaraka ny fenitra eoropeanina sy ny federasiona frantsay ho an’ny dia an-tongotra lavitra ezaka, hanamora ny fanarahan’ny mpifaninana azy.Njaka A.L’article Fizahantany anatiny: dia an-tongotra 182 km a été récupéré chez Newsmada.

Vaovao tambatra
27/10/2020

35 ireo tanora any amin’ny kaominina Bemanevika, distrikan’Ambanja, nanaraka fiofanana “Miasa na mianatra asa sahaza”. Fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana asa sy ny Helvetas Madagascar. Fito ireo nanaraka fiofanana momba ny fahasalaman’ny biby, 12 ny nianatra momba ny zaitra ary 16 ny nanaraka fiofanana momba ny nahandro. Tanjona ny hanampiana ireo tanora any ambanivohitra, mahazo fianarana sy mianatra asa, ahafahan-dry zareo miasa tena, mampandroso ny toekarena ao amin’ny faritra. Hampiofana tanora maro ny minisitera sy ny Helvetas mialoha ny volana febroary taona 2021.Any Tanambe, distrikan’Amparafaravola, mijoro ara-dalàna hatramin’izao ny kaoperativa Ndao, ahafahan’ireo tantsaha mpikambana mifanakalo hevitra momba ny fambolem-bary. Manodidina ny 60 ha ny tany volena izy ireo, mijoro toy ny orinasa tsy miankina, ary misedra olana goavana ankehitriny. Olana ny amin’ny fahazoana hoenti-manana amin’ny voly vary, iantsoan’ny mpikambana fiaraha-miasa amin’ny fanjakana.  Havaozina isaky ny dimy taona ny mpikamban’ny birao.Ho famelomana indray ny sehatry ny fizahantany, misy ny tolotra package any Belo sur Mer, faritra Menabe, ataon’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny fizahantany hatramin’ny 1 novambra ho avy izao. Afaka mandray anjara ny mpandraharaha rehetra, sy ny mpandraharaha any an-toerana, hiaraha-miasa amin’ny kompania mpitatitra ana habakabaka Tsaradia. Isam-bolana ny hanaovana ny tolotra package, hisafidianana tanàna iray, toy ny any Sainte Marie, ny any Nosy Be, ny any Taolagnaro… hanentanana ny mpandraharaha sy hisarihana mpizahatany. L’article Vaovao tambatra a été récupéré chez Newsmada.

Nanamafy ny nambaran’ny kardinaly ny Mgr Andriantsoavina
28/10/2020

 Hentitra ary nahitsy. « Tsy mankato ary tsy hankatoa na oviana na oviana ny fiarahan’ny olona mitovy fananahana ny eglizy katolika », hoy ny eveka mpanampy eto amin’ny arsidiosezin Antananarivo, ny Mgr Andriantsoavina Jean Pascal, omaly. Nohamafisiny ny nambaran’ny kardinaly, Tsarahazana Desiré, afakomaly momba izany.  Nanteriny fa hevi-diso no nandikan’ireo mpikirakira ny serasera avy any ivelany ny teny « espagnol « nanehoan’ny papa Fransoa ny fanehoan-keviny ka niteraka izao resabe izao. Namintinany izany ny tsy fankasitrahana tanteraka izany tranga mifanohitra, tsy araka an’Andriamanitra izany. « Ny katolika tsy mankato ny fiarahan’ny olona mitovy fananahana nefa kosa tsy manilika ny olona, miaina ao anatin’ny tranga fahasarotana tahaka izao », hoy izy. Mbola hanamafy izany koa ny arseveka, ny Mgr Razanakolona Odon eny Amboara, ny asabotsy izao, amin’ny fanamasinana pretra.Synèse R.L’article Nanamafy ny nambaran’ny kardinaly ny Mgr Andriantsoavina a été récupéré chez Newsmada.

Lanonana goavana :: Hatao any Toamasina sy Foulpointe ny andiany fahafolo an’ny “Mitsaka”
27/10/2020

Vaovao mahafaly ho an’ireo mpankafy dihy. Hotanterahina ihany ilay lanonana goavana ho an’ny dihy any amin’ny faritra atsinanan’ny Nosy nampitondraina ny anarana hoe “Mitsaka”. Hizara roa mazava tsara ity andiany fahafolo ity ka hotanterahina any Toamasina ny andiany voalohany amin’ ny 4,5,6 desambra ho avy izao ary any Foulpointe kosa ny andiany faharoa amin’ny 18,19,20 desambra 2020. Saika ho hita mandritra an’io fotoana io avokoa ireo karazan-dihy misy sy ampianarina eto amintsika amin’ny maha sahoby goavana ho an’ny dihy azy. Fifandrimbonana no fototr’izy io ka nanasa ireo mpisehatra amin’ ny dihy rehetra manerana ny Nosy ny mpikarakara. “Ny antony anaovana ny “Mitsaka” amin’ity taona ity mantsy, ny finiavana hitazona ny afo tsy ho faty. Amin’ny taona 2021 kosa vao tena hotanterahina ilay fandaharanasa rehetra izay tokony ho natao tamin’ity taona ity”, hoy ny mpikarakara. Tsy hisy ihany koa moa ny fandraisana an-tanana an’ireo mpandray anjara fa miankina tanteraka amin’ny finiavana sy ny fitiavan’ny tsirairay ny fahatongavana amin’ity hetsika andiany fahafolo ity. L’article Lanonana goavana :: Hatao any Toamasina sy Foulpointe ny andiany fahafolo an’ny “Mitsaka” est apparu en premier sur AoRaha.

Kitra – “Can 2022”: mpilalao telo vaovao voantso ho Barea  : Loic sy Mathyas ary Nina
23/10/2020

Fantatra avokoa ireo mpilalao nantsoin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar, hiatrika ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Can 2022”.Nambaran’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar, tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny foibe toeran’ny federasiona eny Isoraka, ny anaran’ireo mpilalao 25 mirahalahay, handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hifandona amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana ho an’ny “Can 2022”. Nisy fiovana ny Barea, tamin’ity, satria nisy mpilalao vaovao telo vao tonga ka roa avy any ivelany dia ny mpiandry tsatoby, Randriamamy Mathyas, milalao ao amin’ny PSG. Vao 17 taona monja ny tovolahy, saingy efa manana ny halavana sy ny vatana maha mpiandry tsatoby, ary efa feno traikefa. Ankoatra izany, najanona i Dabo Ibrahim ary nosoloina an’i Razakanirina Nina, hany mpilalao avy eto an-toerana, ao amin’ny Fosa Jr. Vaovao ihany koa i Loïc Lapoussin, mitana ny toeran’ny irakiraka. Nantsoina niverina ho Barea indray kosa i Dax avy atsy Afrika Atsimo sy i Njiva, milalao any Thaïlande.Nisaorana i Bakary Mario sy i Toavina Debakely izay samy niatrika ilay fiofanana natao tany Luxembourg sy ny lalao nikatrohana tamin’ny Etalons-n’i Borkina Faso. Manana olana ihany anefa ny Barea satria mety tsy ho afaka hamonjy ny lalao hikatrohana amin’i Côte d’Ivoire io i Metanire sy i Hery Bastien ary i Carolus, noho ny tsy fisian’ny sidina ao aminy. Na izany aza, efa misy ny fifampiresahana amin’ny Caf sy ny Fifa, ahafahan’izy ireo mamonjy io lalao io, izay tsiahivina fa hatao any Abidjan ny lalao mandroso ny 9 novambra ary any Toamasina ny fihaonana miverina ny 17 novambra 2020. Tompondaka Ireo mpilalao 25 lahy mandrafitra ny BareaMpiandry tsatoby :1- Melvin Adrien (FC Martigues, Frantsa)2- Razakanirina Nina (Fosa Juniors, Madagasikara)3- Randriamamy Mathyas (PSG U19, Frantsa)Vodilaharana :4- Razakanantenaina Pascal (JS St-Pierre, La Réunion)5- Jérôme Mombris (Grenoble Foot 38, Frantsa)6- Sylvio Ouassiero (CS Fola Esch, Belzika)7- Romain Metanire (Minnesota United, USA)8- Thomas Fontaine (FC Lorient, Frantsa)9- Jérémy Morel (FC Lorient, Frantsa)Irakiraka :10-Andrianantenaina Anicet (PFC Ludogorets, Bulgarie)11-Randriambololona Zotsara (FC Fleury 91, Frantsa)12-Ilahimaharitra Marco (Royal Charleroi SC, Belzika)13-Raveloson Rayan (Estac Troyes, Frantsa)14- Ibrahim Amada (Al Khor Club, Qatar)15- Bastien Hery (Linfield FC, Irlande)16- Dimitri Caloin (FC Sète, Frantsa)17- Andriamirado Arohasina Dax (Black Leopards, Afrika Atsimo)18- Loïc Lapoussin (RU Saint-Gilloise, Belzika)Lohalaharana :19- Rakotoharimalala Njiva (Nongbua Pitchaya FC, Thaïlande)20- Andriamahitsinoro Carolus (Al Qadisiya FC, Arabia Saodita)21- Ramalingom Alexandre(CS Sedan A, Frantsa)22- Hakim Abdallah (FC Swift Hesper, Belzika)23-Voavy Paulin (Misr El Makkasa, Egypta)24-Nomenjanahary Lalaina (Paris FC, Frantsa)25- William Gros (FC Fleury 91, Frantsa) L’article Kitra – “Can 2022”: mpilalao telo vaovao voantso ho Barea  : Loic sy Mathyas ary Nina a été récupéré chez Newsmada.

Eran-tany
28/10/2020

Nampihena betsaka ny fampiasam-bola maneran-tany tamin’ity taona ity ny fisian’ny aretina Covid-19. Nihena -30 % izany hatramin’ny 40 %, araka ny fanamarinana navoakan’ny sampana ao amin’ny Firenena mikambana misahana ny varotra sy ny fampandrosoana, Cnuced (Conférence des Nations unies pour le commerce et le développement). Raha ny nambaran’ny Cnuced aza, latsaka – 49 % mihitsy tamin’ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona ity izany raha ampitahana tamin’ny taon-dasa. Voakasika daholo izay mety sehatra tokony nampiasam-bola.Nifanaraka i Japana sy Angletera hanatevina ny fifanakalozana ara-barotra aorian’izao Coronavirus izao. Mihevitra ny hampitombo izany fifanakalozana izany ho 50 % ny firenena roa tonta. Hifanakalozana amin’izany ny sehatry ny teknolojia vaovao, ny kojakojana fiarakodia, hatramin’ny fromazy. Mitovitovy amin’izany koa ny fifanarahana eo amin’i Japana sy ny Vondrona eoropeanina, fifanakalozana mitentina 16,8 miliara dolara. Mijery sy mamaritra lavitra i Japana, manao fifanarahana manokana amin’i Angleteera noho ny fisintahan’ity firenena ity amina Vondrona eoropeanina (Brexit).Loza mitatao amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona ny fiovan’ny toetr’andro, ka hivadika tsikelikely miova amin’ny fampiasana solika ny kandida Joe Biden, any Etazonia. Nanambara ny finiavany amin’izany ny kandida filoha amerikanina, izay toherin’ny mpifaninana aminy, Donald Trump, filoha ankehitriny. Mihevitra hanapotika ny indostria momba ny solika ny kandida Joe Biden. Tsy laviny ny fanovàna miandalana amin’ny indostria momba ny solika ,  izay mbola iankinan’ny toekarena betsaka ankehitriny.  Koa miteraka fatiantoka ho an’ny firenena maro ny fiovana miala amin’ny solika.L’article Eran-tany a été récupéré chez Newsmada.

Solo Andrianasolo: hiverina ny «Jeudi du jazz»
29/10/2020

 Seho efa fanao any ivelany ny « Jeudi du jazz ». I Solo Andrianasolo kosa no nitondra sy namelona azy teto an-tanindrazana, raha vao tonga izy. Fantatra, omaly fa hamerina ny hetsika « Jeudi du Jazz » indray ity mpanakanto ity, ny 5 novambra izao ka ao amin’ny Le 5ème Element , etsy Ankadivato no hanatanterahany izany. « Tena jazz standard zakan’ny sofina sy hakana tsirony ho an’ny mpihaino no hatao fa tsy ilay jazz ho an’ny mpitendry. Jazz manadio sofina », hoy izy. Hiaraka hitendry aminy amin’io i July Rakoto (piano électrique Fender Rhodes), i Martin Randriamampianina (contrebass) ary i Mihaja Rakotoarisoa (batterie).Efa nataon’i Solo Andrianasolo io fiarahana io tamin’ny taona 2003 niverenany nody teto  an-tanindrazana. Tao amin’ny Sweety Home Ambatoroka, nifindra tao amin’ny Restaurant Ny Avo Ambatoroka… Ankehitriny, ao amin’ny Le 5ème Element »Nanjary nanao « Jeudi du Jazz » ny ankamaroan’ny toerana fanaovana lanonana sy fisakafoana taty aoriana. « Fahafinaretana ho ahy ny fahitana an’izany », hoy i Solo Andrianasolo.HaRy RazafindrakotoL’article Solo Andrianasolo: hiverina ny «Jeudi du jazz» a été récupéré chez Newsmada.

Heavy metal: 20 taona nilonana tao anaty mozika mavesatra ny tarika Rheg
28/10/2020

   Noforonin-dRakotonirina Reg ny  tarika Rheg, izay somary nisy hitovizana  satria mifangaro amin’ny anarany rahateo. Mifantoka amin ny gadona Heavy métal ny tarika. Anisan’ny zokibe eo amin’ny tontolon’ny mozika mavesatra ihany koa…Feno 20 taona akehitriny ny tarika Rheg … Tany amin’ny taona 2000 no nitsanganany ary tsy nijanona mihitsy nivoy ny gadona “Heavy metal” hatry ny anio. “Gadona mitaky tanjaka sy fahaiza-manao satria mivatravatra sy mahery setra, saingy, ny lafiny kanto ao aminy kosa mitaky lantom-peo sy fandrindrana tsara ny vazo”, hoy i Reg…  Na eo aza anefa izay gadona fototra izay, misokatra amin’ny lafiny hafa, “rock métal” ny tarika ka mivoy ny “blues”, ny “Rock&Roll” ary ny “slow rock” ihany koa.Fantatra fa fanafohizana ny “Rock Heavy Gasy” ny hoe Rheg. Handray anjara amin’ny “Saturday Rock” eny amin’ny Résidence Soalandy Alasora, ny asabotsy 31 oktobra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, izy ireo. Miisa 5 lahy ny mandrafitra ny tarika amin’ny ankapobeny. Ahitana an’i Jaykee (première solo), Titan (amponga maroanaka), Hubb (deuxiéme solo), Tsila (bassiste) ary i Rheg (hira). Misy mpikambana fanampiny manao hira manelanelana rehefa seho lehibe. I Vito sy i Lalah, seho acoustique ihany vao miakatra an-tsehatra.Maro ny bainga voavadika tao anatin’izay 20 taona niseharana teo amin’ny tontolon’ny mozika izay. Rakikira efatra sy ny rakitsary maro dia maro, izay nositrahin’ny mpankafy. Anisan’ny hira nahafantarana ny tarika ny “Raozy” tamin’ny taona 2000. Maro ny “clip” efa mivoaka toy ny “ Emmorheg”, ny “coronavirus”… Ankoatra izay, nahavita nanangana rafitra manokana hikarakara azy ny tarika, ny Otoprod by Reg, izay tranom-pamokarana fampisehoana, izay tsy mikarakara afa-tsy ny tarika Rheg ihany …” Miaina sy malalaka tanteraka ny mozika malagasy ankehitriny koa aleo samy hanala ny fony sy hanao izay mba fantany fa mety. Tsy adala akory izy ireny . Tsara ho marihina kosa fa ilaina ny sivana manoloana izay mety ho fihoaram-pefy. Ohatra, ny teny maloto anaty hira na fihetsika mamoafady” , hoy i Reg.Narilala L’article Heavy metal: 20 taona nilonana tao anaty mozika mavesatra ny tarika Rheg a été récupéré chez Newsmada.