Indray mijery

News - Indray mijery

News - Indray mijery

Dren 15 amin’ireo 22 misy
no efa naharay ny anjara laza adina ho an’ny BEPC 2020
hatramin’ny fiandohan’ny herinandro : Analamanga, Sofia,
Vakinankaratra, Atsimo Andrefana, Bongolava, Atsinanana…. Navantana
avy hatrany eny anivon’ny zandarimariam-pirenena sy ny
polisim-pirenena ireo laza adina ireo mialoha ny hizarana azy eny
anivon’ny ivontoeram-panadinana tsirairay avy hahazoana antoka ny
fiarovana azy. Ireo talem-paritry ny fanabeazam-pirenena any
an-toerana avy no nanatrika ny fandraisana ireo laza adina
ireo.

Manoloana ny haintrano
nianjady tamin’ireo mpianatry ny oniversiten’i Toliara,
nitondra ny anjara birikiny ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
Vary 20 gony, tsaramaso dimy gony, araka izany, no
voinkava-mahatratra nentin’ny minisitera nanamaivanana ny
fahasahiranan’ireo mpianatra traboina 62 ireo.

Article tiré de Newsmada

L’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

15 taona ny centre Sembana mijoro: miahy ny olona manana fahasembanana mavesatra

Mankalaza ny 15 taona nikarakarany olona manana fahasembanana ny centre Sembana mijoro amin’ity taona ity. Nanokatra ny varavarany, nandray ireo mpitsidika liana amin’ny asan’ny centre izy ireo, omaly teny Ambohibao ary nizara ny vaovao rehetra. Ireo manana fahasembanana mavesatra no raisina an-tanana ao amin’ny centre, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra iray, omaly. 24 izy ireo ary mifangaro ao ny manana fahasembanana ara-tsaina sy ara-batana. 15 amin’izy ireo kilasy mandry fa ny ambiny mody any amin’ny fianakaviany isan’andro. Mianatra toy ny ankizy rehetra ireo karakaraina ao amin’ny centre hatramin’ny kilasy 7ème. Tsy misy ny famerana ny fandaharam-pianarana toy ny any amin’ny kilasy mahazatra fa arakaraka ny fandraisan’ny ankizy ny lesona no itondrana ny fampianarana. Ankoatra ireo manana fahasembanana mavesatra, misy koa ny ankizy mpianatra manana fahasembanana mipetraka eny amin’ny manodidina mahazo vatsim-pianarana avy amin’ny centre. Valo izy ireo amin’izao taom-pianarana vaovao izao. 15 ny olona miofana ao amin’ny fiofanana momba ny asa zaitra, ny informatika. Tsangam-bato manamarika ny 15 taona niorenana ny fisokafan’ny toeram-pisakafoana eny Analamahitsy, mampiasa olona sivy sy ny toeram-piasana momba ny zaitra. Mangataka tohana amin’ny fanjakana ny tomponandraikitry ny centre satria raha tsy misy ny mpanohana, mavesatra ihany ny fikarakarana sy ny vola entina hampihodinana azy. Nandritra ny hetsika, omaly no nandefasana ny rindran-tsary fanentanana amin’ny tsy tokony hanilikilihana ny olona manana fahasembanana mandritra ny fifidianana. Manana zo hifidy toy ny olom-pirenena izy ireo fa tokony hisy fepetra apetraky ny fanjakana ahafahany manatanteraka io zo io. « Tsy ahilikilika » ny lohatenin’ny rindran-tsary. Vonjy A. L’article 15 taona ny centre Sembana mijoro: miahy ny olona manana fahasembanana mavesatra a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

COMMUNE TANJOMBATO : First Immo s’engage à l’amélioration des conditions de vie des habitants

Création d’impact positif sur le quotidien des gens. Ce samedi 9 mai à 11h à la galerie Smart à Tanjombato, Ando Razafindrainibe Directrice patrimoine chez First Immo, a effectué une dotation de 230 ampoules à la commune de Tanjombato destiné à l’éclairage public et à sécuriser les rues de nuit. « Cette action de solidarité devrait permettre d’améliorer le quotidien des habitants de la commune de Tanjombato où First Immo est implanté ». Les ampoules ont par la suite été réceptionnées par Tovohery Rakotojohary, Maire de Tanjombato, et ont été installées l’après-midi même. A travers cette dotation, l’entreprise du groupe Axian confirme son ambition de créer un impact positif à travers ses activités. Création d’impact positif Acteur majeur de la promotion immobilière à Madagascar, First Immo réalise depuis vingt ans de très nombreux programmes dans l’immobilier tertiaire comme dans le secteur résidentiel. Mise en valeur de l’environnement naturel et bâti, architecture novatrice, matériaux haut de gamme, son offre immobilière répond aux standards internationaux les plus exigeants. A travers l’aménagement urbain et la création de lieu de vie sains et agréables, il participe également à l’amélioration des infrastructures de la Grande île.  Persuadé qu’une croissance pérenne s’appuie sur des activités qui ont un impact positif sur le quotidien des gens, l’entreprise immobilière permet à travers ses activités le développement économique et social des zones où elle est implantée.  Recueillis par Lynda A. Cet article COMMUNE TANJOMBATO : First Immo s’engage à l’amélioration des conditions de vie des habitants est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - Midi Madagasikara

Secteur aurifère : Les exploitants réclament un prix de référence de l’or

Une forte délégation conduite par le ministre des Mines et des Ressources Stratégiques, Fidiniavo Ravokatra a rencontré les différents acteurs opérant dans le secteur minier et aurifère et les membres de la société civile dans les régions de SAVA et DIANA.  A cette occasion, les exploitants aurifères opérant dans les carrières de Betsiaka Ambilobe réclament à l’Etat la mise en place d’un prix de référence de l’or. En effet, « les collecteurs achètent notre production à bas prix. En plus, ils font une mauvaise pratique au niveau du pesage de ce métal jaune », ont-ils déploré. En revanche, d’autres exploitants aurifères souhaitent se formaliser dans leur secteur. Ils demandent ainsi à ce qu’il y ait une facilitation des procédures administratives. Les artisans lapidaires, de leur côté, ont  saisi cette opportunité pour dénoncer l’introduction des pierres synthétiques qui mine la filière pierre précieuse et pierre fine. Il faut savoir que ces deux régions ont une grande potentialité minière surtout en or. Raison pour laquelle, le ministre de tutelle a soulevé qu’il faut bien réinsérer tous les acteurs informels opérant dans ce secteur stratégique dans le circuit formel, afin d’assurer la traçabilité de la production aurifère. « Il n’est pas acceptable que des régions à forte potentialité en ressources minérales comme SAVA et DIANA soient dominées par les exploitations illicites de pierres précieuses et de l’or. En outre, la population de ces deux régions doit en bénéficier des retombées économiques positives », a-t-il enchaîné. Services de proximité. Il est à noter que l’Etat a mis en place des services de proximité pour éviter la lourdeur administrative. En outre, « les acteurs qui travaillent dans les secteurs minier et aurifère, n’ont plus besoin de se déplacer au niveau de la direction interrégionale des Mines et des Ressources Stratégiques à Antsiranana. Les deux régions ont désormais chacune sa direction régionale chargée des Mines et des Ressources Stratégiques. Celle de la SAVA est dirigée par Tiandrazana Fortinant Issouf , tandis que celle de DIANA est maintenant  assurée par  Marinasy Edith Virginie. A part leurs désignations à ces postes, ces nouveaux directeurs sont en même temps dotés de matériels roulants », d’après toujours les explications du ministre de tutelle. Toujours dans le cadre de la mise en place de ces services de proximité, un Bureau d’Administration Minière (BAM) sera construit dans la commune de Vohémar. Lutte contre le covid-19. Par ailleurs, la délégation conduite par le ministre Fidiniavo Ravokatra, accompagnée par le vice-Ministre chargé des Nouvelles Villes et des Logements, Angelo Zasy, a rencontré les responsables du Centre Régional de Commandement Opérationnel des deux régions concernées.  Les discussions portent sur les stratégies de lutte contre le covid-19 tout en identifiant les besoins nécessaires, étant donné que la pandémie y sévit encore. Cette délégation a également visité le bureau régional du Cadastre Minier de Madagascar à Sambava qui est transformé provisoirement en centre d’isolement des personnes infectées par le coronavirus. Navalona R.   L’article Secteur aurifère : Les exploitants réclament un prix de référence de l’or est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Secteur aurifère : Les exploitants réclament un prix de référence de l’or a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Mbola hifampitadiavana ireo jiolahy: votsotra ilay zazavavikely nalaina an-keriny

Hatramin’ny omaly hariva tontolo, mbola nifampitady amin’ireo jiolahy mpaka an-keriny hatrany anaty alan’Amparafaravola ireo mpitandro filaminana. Ny azo antoka, efa navotsotr’izy ireo, omaly antoandro, ilay zazavavikely vao enin-taona.Navotsotr’ireo jiolahy, omaly antoandro, rehefa avy nandoana vola 20 tapitrisa Ar, ilay zazavavikely 6 taona nisy naka an-keriny tao amin’ny kaominina Ambodirano, distrikan’Amparafaravola. Fantatra, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, fa niditra an-tsehatra nanao ny fikarohana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny tamin’ny fahaverezan’ity zazavavikely ity. Taorian’ny adivarotra nifanaovan’ireo jiolahy sy ny ray aman-drenin’ilay zaza nalaina an-keriny, tapaka fa omaly maraina no natao ny fanakazolana ny vola tao amin’ny kaominina Ambakireny, distrikan’Amparafaravola.Tsiahivina fa nisy naka an-keriny, tao amin’ny kaominina Ambodirano, distrikan’Amparafaravola ny alakamisy 25 jolay 2019 lasa teo, i Aina, zazavavy vao 6 taona monja. Nanomboka teo, tsy ankiato ny fangataham-bola nataon’ireo mpaka an-keriny tamin’ny ray aman-dreniny. Taorian’io fakana an-keriny io, nisy ny fidinana ifotony tao Amparafaravola nataon’ny prefet-n’Ambatondrazaka sy ireo tompon’andraikitry ny filaminana ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Milaza ny angom-baovao avy amin’ireo mponina ao Ambodirano fa 20 tapitrisa Ar ny sandan’izao famotsorana izao.Nirefodrefotra ny poa-basy…Nilaza kosa ny loharanom-baovao iray avy amin’ny mpitandro filaminana tsy nanaiky nitonona anarana fa efa tafakatra 60 tapitrisa Ar ny sandan’ny famotsorana ity zaza nalaina an-keriny ity. Mbola ifampitadiavana ireo jiolahy, hatramin’ny omaly antoandro, satria nisy ny fifampitifirana teo amin’ny zandary sy ireo jiolahy. Hatramin’ny omaly hariva, fotoana farany nanoratanay, mbola mifampitady any anaty alan’Amparafaravola ireo mpaka an-keriny sy ireo zandary. Nomarihin’ny mponina ao Amparafaravola fa tsy nisy trangana fakana an-keriny mhitsy tany amin’izy ireo raha tsy vao izao. Nilaza rahateo ireo zandary any amin’ny faritra Alaotra fa mbola hanao tatitra momba ity raharaha ity aorian’ny famotorana rehetra.Andrasana, araka izany, ny vokatra ampitain’ny zandary any an-toerana momba ireto andian-jiolahy mpaka an-keriny ireto.Sajo sy Jean ClaudeL’article Mbola hifampitadiavana ireo jiolahy: votsotra ilay zazavavikely nalaina an-keriny a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - Sport - News Mada

Rugby sy ny Covid-19 : nifanome tanana sy nifanampy ireo mpilalaon’ny FTM

Tsy nitazam-potsiny ireo mpiara-milalao aminy ao anatin’ny fileovana FTM Manja­karay, taranja rugby, i Gael Ranto Tongarivo. Ho fiatrehana ny fihiboana, nanome vary sy menaka ho azy ireo ny tenany. Omaly alatsinainy, niantso ireo mpiara-milalao aminy ao amin’ny Firaisan’ny tanora malagasy (FTM), taranja rugby, tetsy Ambodivona, i Gael Ranto Tongarivo, “2 ème ligne”, ka nizara vary sy menaka, mitentina 1 200 000 Ar ho azy ireo. Samy nisitraka vary 14 kg sy menaka 1 litatra avy ireo mpilalao mandrafitra ny FTM, sokajy D1. Anton’ny hetsika ny fahitany ny ankamaroan’ireo namany tapaka karama sy fidiram-bola noho ny tsy fahafahan’izy ireo miasa, manoloana ity va­lanaretina Covid-19 ity sy ny fitohizan’ny fahamehana ara-pahasalamana sy ny fihiboana ity. Fihetsika tsotra nefa ma­nan-danja ny nasehon’i Gael Ranto Tongarivo, manaporofo fa tsy very akory ny kolontsaina malagasy ary manamafy indray ny fihavanana sy ny fifankatiavana ao anatin’ny fotoan-tsarotra toa izao ka toy ny “trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalen-kialofana”, araka ny tenindrazana. “Amin’ny taranja rugby, mifanampy ny mpilalao rehetra eny ambony kianja vao mahafaty baolina. Ny tsirairay ho an’ny daholobe ary tsy maintsy mifameno vao mahazo fandresena. Tokony hitohy ety ivelan’ny kianja koa izany fifanampiana izany. Tsy zavatra goavana akory ireo natolotra fa vokatry ny fo”, hoy i Gael Ranto. Nankasitraka sy nisaotra izao tolo-tanana nomen’i Gael Ranto izao i Lahatra, kapitenin’ny ekipa, izay tsy nanafina ny hafaliany nisolo tena ireo mpilalao rehetra. Sambany ary voalohany teo amin’ny tantaran’ity taranjan’Ambalambahoaka ity no nisy mpilalao ao anaty fileovana mijery ka manome tanana ireo namany, ao anatina fahasahiranana. Tsiahivina fa ankoatra ireo mpilalao, nahazo ny anjarany ihany koa ireo mpanazatra sy ny teknisianina rehetra.TorcelinL’article Rugby sy ny Covid-19 : nifanome tanana sy nifanampy ireo mpilalaon’ny FTM a été récupéré chez Newsmada.

News - Triatra

ANTSIRABE : Maty voatifitra i Jet Lee

Tsy zoviana amin’ny polisy sy ny mponina eny amin’ny faritra Ambohimena ny jiolahy raindahiny, antsoina hoe Jet Lee. Efa ela no nikarohana azy, saingy tafaporitsaka hatrany izy noho ny fahaizany mitsoaka sy mihanika tafontranon’olona, ka io niantsoana azy hoe jet Lee io. Tsy naha Jet Lee azy anefa ny bala tamin’ity indray mitoraka ity, fa maty voatifitry ny polisy ranamana ny sabotsy maraina lasa teo. Tokantrano iray tao Ambohimena no notafihina telolahy nitam-piadiana io sabotsy io. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny entana mora nobataina rehetra tao an-trano toa ny finday, lecteur sy kojakojan-tokatrano maro samihafa. Mbola teo am-panafihana ireo jiolahy no nisy afaka niantso vonjy ny voatafika.Vaky nandositra avy hatrany ry jet Lee sy ny ekipany vao naheno ny akora lava. Inona anefa fa nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana manao fisafoana ry zalahy. Araka ny vaovao nambara dia nitifitra avy hatrany ireo jiolahy vao nahita ny polisy. Raikitra ny fifanenjehana, nizarazara lalana izy telo ka ny iray nitifitra no narahin’ny polisy akaiky. Tsy iza io fa i Jet Lee, nanao ny fanaony hatrany izy mitsoaka sy mihanika tafontranon’olona, ary eny ambony tafo no mandeha. Araka ny fanazavana nomen’ny teo anivon’ny polisy nanao ny fanenjehana, tafontranon’olona fanitso tsy latsaky ny folo no efa voatetiny nitsoahany ka namparatra azy. Ny rà latsaka sy nihosina tamin’ny rindrina no narahin’ny polisy, ka nahatrarana azy tao amina tokontanin’olona iray. Voalaza fa mbola nitifitra tamin’ny basy teny an-tanany ihany i Ra Jet Lee, ka voatery namaly tifitra koa ny polisy, ary io nahafaty azy io. Taorian’ ny fizahana ny razana teny amin’ny tranom-paty, dia hita fa misy fivontosana lehibe ny sandriny, rehefa nozahan’ny mpitsabo dia nahagaga tokoa satria nahitana bala iray nasisika tao amin’ny sandriny. Araka ny fanazavana dia ody ratsy nasisika tsy ho laitram-bala izy io, kinanjo tsy nandaitra izany, satria izy maty voatifitra io. Mitohy ny fikarohana ireo namany Nary L’article ANTSIRABE : Maty voatifitra i Jet Lee est apparu en premier sur .L’article ANTSIRABE : Maty voatifitra i Jet Lee a été récupéré chez Triatra.

Basket - News - Sport - News Mada

Basikety – “CCCOI”: tsara fanombohana ny CosPN

Tontosa, omaly tany Seychelles, ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, taranja basikety. Tsara ny vokatra ho an’ny ekipa solontena malagasy, nanoloana ny ekipan’ny beau Vallon, mpampiantrano ity fifaninanana ity. Nahomby ny lalao voalohany nikaran’ny CosPN an-kianja ary nomontsaniny tamin’ny isa 89 no ho 79 ny ekipan’i Seychelles. Nitarika ny isa hatrany am-boalohany ny ekipa malagasy nandritra ity fifanandrinana nafana vay ity ary tsy nitsaha-nitombo ny isa teny amin’ny solaitrabe. “Tsara ny fanomanana”, hoy ny mpilalao avy amin’ny CosPN, ka rariny ny fandresena, na nanano sarotra ihany aza ny fihaonana tamin’ity ekipa mpampiantrano ity. Mbola hitohy anio ny ady ho an’ny CosPN, ao anatin’ny andro faharoan’ny fifaninanana. Ekipa maorisianina, ny Mahebourg Flippers, ny miandry ny ekipa malagasy amin’ity anio ity. Ady goavana ihany koa ary ho mafy ho an’ny CosPN ny lalao eo aminy sy ny ekipan’ny Premium Cobras, anisan’ny kalaza avy any Seychelles. Lalao hatao, rahampitso zoma, andro fahatelo amin’ny fifaninanana. Nilaza ny ho tsy matahotra anefa ireo mpilalao malagasy ary vonona hiatrika izay ekipa rehetra mifanandrina, raha ny fanazavana. Ezahin’izy ireo hatrany ny ho lohany amin’ireo ekipa enina mandray anjara amin’izao fifaninanana izao. Marihina fa tsy nahatonga solontena ny Nosy La Réunion sy i Mayotte.   Mi.RazL’article Basikety – “CCCOI”: tsara fanombohana ny CosPN a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Behoririka: jiolahy miisa dimy indray saron’ny 1/RM1

Mitohy hatrany ny hetsika fitandroana filaminana ataon’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Nahitam-bokany izany satria jiolahy miisa dimy indray voasambotry ny miaramila avy ao amin’ny 1/RM1, nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo teny amin’ny faritra Antanimena sy teny Behoririka iny, omaly. Fantatra fa isan’ireo faritra mampitaraina olona maro amin’ny firongatry ny tsy fandriampahalemana iny faritra iny ka nanaovan’ireo miaramila ezaka manokana amin’ny fisafoana ireto faritra ireto ary izao niafara tamin’ny fahatrarana andian-jiolahy izao. Nisy mihitsy ny fifanenjehana tamin’ireo jiolahy, saingy tsy afa-bela teo am-pelatanan’ny miaramila izy ireo ka noraisim-potsiny. Fantatra fa jiolahy raindahiny amin’ny fanaovana herisetra sy sinto-mahery ry zalahy ireto, araka ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny 1/RM1 hatrany. Natolotra ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany (CSP1) Analakely hanohizana ny fanadihadiana ireto jiolahy ireto. Tsy mitsahatra fa mitohy hatrany na andro na alina ny fisafoana ataon’ireo miaramila manao “police militaire” eto an-dRenivohitra.J.C L’article Behoririka: jiolahy miisa dimy indray saron’ny 1/RM1 a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Atletisma: medaly volamena 5 indray noraofin’ny Malagasy

Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’ny atleta malagasy miatrika ny Lalaon’ny Nosy, tanterahina aty Maorisy. Ho an’ny omaly, nirara-draraka ny fandrombahana medaly volamena, teo amin’ireo taranja atletisma, medaly volamena 5 be izao no azon’ny atletantsika, tamin’ny alalan-dRaherinaivokoloina Ianjaly, ho an’ny 400m, nahavita ny fifaninanana, tao anatin’ny 56.94. Teo koa i Fiadanantsoa Sidonie, nahazo ny laharana voalohany teo amin’ny 100m haies vehivavy, nahavita ny halavirana 14.35. Marihina, sambany vao nandray anjara tamin’ny lalao ngezabe toy izao ity atleta ity, izay tsorina fa mbola manana ny hoaviny.Mbola namiratra ny atleta malagasy vehivavy amin’ny 200m, lasan’i Nomenjanahary Njarasoa Claudine ny medaly volamena, nahavita ny halavirana tao anatin’ny 25.28. Ho an’ny halavirana 3000 steeple indray, mbola nanjakan’ny atleta malagasy, izay nahazo ny laharana roa voalohany, ka Ramiandrisoa Mbolatiana no nandrombaka ny medaly volamena, nahavita ny fifaninanana tao anatin’ny 10.52.04 raha 11.01.97 kosa no namitan-d Ralisinirina Tsiadino Marthe, izany ka nahazoany ny medaly volafotsy. Ho an’ny sokajy 400m lehilahy, mbola nandrombaka medaly volamena Rabearison Franck Honoré, nahavita ny halavirana tao anatin’ny 47.79, fanindroany amin’izao no nandraisana anjara tamin’ny Lalaon’ny Nosy, ka medaly volafotsy no azony tany La Réunion. Mbola hitohy anio moa ny fifaninanana atletisma. Mi.RazL’article Atletisma: medaly volamena 5 indray noraofin’ny Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mahajanga: teratany karana iray maty voatifitry ny jiolahy

Maty voatifitra nandritra ny fanafihan-jiolahy tao Mahajanga, ny talata alina teo, ilay teratany karana mpandraharaha antsoina hoe Nassim Goulzaraly… Mitondra faisana hatrany ny teratany karana tato ho ato. Raha tsy misy maka an-keriny, izao indray iharan’ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana. Maty notifirin’ny jiolahy koa mantsy i Nassim Goulzaraly, teratany karana mpandraharaha momba ny fivarotana fiara sy fitaterana mpianatra ao Mahajanga. Araka ny loharanom-baovao voaray, ny talata alina tamin’ny 8 ora no nitranga ity fanafihana ity. Teo akaikin’ny fivarotana iray ao Mahajanga be no nitranga ilay izany raha teny an-dalana hamonjy fodiana ity teratany karana ity. Nirefotra ny poa-basy ka nitambotsotra niaraka tamin’izay teny ambony moto izy. Lasan’ireo jiolahy ny baoritra nisy vola sy telefaonina finday tany aminy. Noheverin’ireo jiolahy fa misy volabe ity baoritra nentiny iny, saingy vola 4 hetsy Ar ihany ny tany aminy tamin’io fotoana io. Nentina haingana namonjy ny hopitalin’Androva izy, saingy tsy avotra intsony ny ainy noho ny fahaverezan-dra be loatra. Niezaka nifanenjika tamin’ireo jiolahy ihany ny polisy iray miambina banky tsy lavitra ilay toerana nitrangan’ny fanafihana. Tsy tratra intsony kosa anefa ireo olon-dratsy. Hita teny an-toerana ny vodim-bala iray nampiasain’ireo jiolahy. Mitohy ny famotorana. J.C L’article Mahajanga: teratany karana iray maty voatifitry ny jiolahy a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-09-2020
Source : CCO COVID19 - 30/09/2020

Notsongaina

Indray mijery
23/09/2020

Ho an’ny Dren Bongolava, nahatratra 5 081 ireo niatrika fanadinana BEPC .Misy 14 ireo ivontoeram-panadinana ary ahitana efitrano 222. Mipetraka hatrany ny lamina ara-pahasalamana ka tsy mihoatra ny isaky ny efitranom-panadinana 25 ny mpiadina ary ahitana fanasana tanana avokoa ny foibem-panadinana rehetra. 11 taona ny zandriny indrindra ary 46 taona kosa ny zokiny indrindra amin’ireo mpiadina. Mila fahazoan-dalana avy amin’ny ben’ny Tanàna ny fivarotana hani-masaka anatin’ny fiara, aorian’ny fankatoavan’ny fitaleavana miandraikitra ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy maintsy manatanteraka ireo adidy voasoratra ao anaty bokin’andraikitra izay nahazo alalana. Io bokin’andraikitra io no mametra ireo sokajin-tsakafo na entam-barotra azon’ireo fiara mpivarotra hani-masaka amidy… L’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.

Fihariana: sahirana izao ny mpanao biriky
28/09/2020

Fihariana iray goavana be mpanao eto amin’ny faritra Analamanga ny fanaovana biriky tanimanga eny an-tanimbary. Mandritra maintany, aorian’ny miaka-bary, ny fiasana fanaovana biriky, manomboka ny volana mey hatramin’ny volana septambra. Miankina amin’ny toetr’andro amin’ny ankapobeny fa miankina amin’ny toe-tany. Maharitra telo volana eo ho eo ny asa, manomboka amin’ny fihadiana tany, ny fandrafetana sy ny fandorana azy.Fianakaviana tompon’ny tanimbary ihany no miasa azy na mampanofa ny taniny. Ao ny efa za-draharaha hatramin’ny taranaka mifandimby mivelona amin’io asa fanaovam-biriky io isan-taona. Faritra maromaro ny hiasana amin’izany, araka nambaran’ireo mpanao azy. Samy ahitana izany eny Atsimondrano sy eny Avaradrano. Fantatra anefa fa tsy maharaka intsony ny akora tanimanga ka tsy maintsy manampy tany hafa, mitaona tany mihitsy ireo mpanao biriky ireo. Misy karazany ireo tany ireo: lamoka, mangakely, tain-drihitra, loham-pototra, sy ny maro hafa.Tsy latsaky ny 100 AriaryVoalazan’ireo mpiasa biriky fa tsara avokoa ireo. Izy ireo moa mivarotra dia tsy maintsy izay ny lazainy fa ny mpanao trano matihanina, mahafantatra tsara ny tena ilaina, miankina amin’izay trano hatao. Miankina amin’izay koa ny vidiny. Amin’ny ankapobeny, tsy latsaky ny 100 Ariary ny biriky iray eny am-potony, miampy ny saram-pitaterana io. Ankoatra ny fiara, misy mitondra amin’ny sarety, araka izay toerana aleha ny sarany. Milaza fa sahirana ankehitriny ireo mpanao biriky, noho ny antony maro: tsy ampy ny tany sy ny rano, lafo ny kitay fandorana azy. Izany rehetra izany, noho ny fiovan’ny toetr’andro (zahao ny lahatsoratra Fivadihan’ny toetr’andro). R.MathieuL’article Fihariana: sahirana izao ny mpanao biriky a été récupéré chez Newsmada.

Voaheloka higadra telo taona an-tranomaizina i Leva
29/09/2020

Nilatsaka ny didy. Voaheloka higadra telo taona an-tranomaizina Raveloson Ludovic, araka ny didim-pitsarana, nivoaka, omaly tao amin’ny tribonaly ambaratonga voalohany, Morondava. Anisan’ny nanamelohana azy higadra herintaona an-tranomaizina ny vono sy fandratrana nataony tamin’ny vehivavy iray. Higadrany roa taona an-tranomaizina, sazy hafa, kosa ny fibodoana sy ny fanjakazakana tokana tamin’ny sehatry ny fandraharahana. Samy sazy mihatra avokoa ireo didim-pitsarana ireo.Na izany aza, mbola misy vesatra maromaro koa iampangana ity depiote teo aloha, tany Mahabo, ity. Anisan’izany ny fiahiahiana azy ho namono olona…Tsiahivina fa tra-tehaky ny zandary teo Analakely, ny 16 septambra teo, Raveloson Ludovic. Nokarohina nandritra ny fito volana taorian’ny fivoahany ny fonja tany Toliara ny tenany.Synèse R. L’article Voaheloka higadra telo taona an-tranomaizina i Leva a été récupéré chez Newsmada.

Raharaha Danil Radjan: hatolotra fampanoavana ny teratany vahiny iray
28/09/2020

Mihamivoatra hatrany ilay raharaha momba ny fahafatesan’i Danil Radjan. Herinandro izay ny nanaovan’ny polisy misahana ny ady heloka bevava (BC) fanadihadiana lalina momba ity raharaha ity. Nahitam-bokany izany satria nosamborin’ny polisin’ny BC ny lehiben’ny orinasa misahana ny fiambenana sivily iray miaraka amin’ny mpiambina telo lahy ao amin’ity orinasa ity, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy misahana ny heloka bevava. Maro ny olona efa nohenoin’ny polisy momba ity raharaha vonoan’olona ity. Niainga avy amin’ny fitsirihana ny telefaonina nampiasain’ilay niharam-boina sy ny “camera de surveillance” no niaingan’ny polisy nanao ny fanadihadiana rehetra. Nambaran’ny polisy fa nisy amin’ireo nalaina am-bavany ny efa niaiky fa isan’ny tompon’antoka amin’ity vonoan’olona ity. Araka ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa teratany vahiny tompona orinasa fiambenana sivily iray no isan’ireo nohainoana. Nisy amin’ireo mpiambina koa voaantso nanaovana famotorana. Tsiahivina fa hita faty tao ambany rihana fiantsonan’ny fiara ao amin’ny tranombarotra La City Ivandry, nifatotra tanana, i Danil Radjan. Feno ratra ny vatany ary nahitana mangana teo amin’ny tendany.J.CL’article Raharaha Danil Radjan: hatolotra fampanoavana ny teratany vahiny iray a été récupéré chez Newsmada.

Raharaham-bahoaka :: Hanamora ny fikarakarana taratasim-panjakana ny Ivotoro
23/09/2020

Hisokatra amin’ny besinimaro, ato ho ato, ilay birao manokana hisahana ny fanomezana torolalana ho an’ireo olom-pirenena mikarakara taratasim-panjakana na Ivotoro. « Pitsopitsony kely madinidinika sisa dia ho am-perinasa tanteraka io birao io », hoy ny fanazavan’i Fetraniaina Mamimbahoaka, tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. Asa iandraiketan’ny birao ny fandraisana ny antson’ireo olona mila fanampiana amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana.  Mety ho laharana maitso io na laharana tsotra. « Hapetraka ny olona maromaro natokana hanao an’io asa io fotsiny eto amin’ny minisitera. Raha misy olona hanao pasipaoro, ohatra, dia hatoro azy ny taratasy rehetra ilaina amin’izany sy ny toerana ary ny birao tokony hidirany. Afaka mamerina miantso izy raha tojo olana », hoy ihany ny tale jeneraly mpisolo toerana. Azo anontaniana ao amin’ny Ivotoro avokoa ny fomba fikarakarana an’ireo karazana taratasim-panjakana, na fikarakarana tany io na fikasana hanangana haino aman-jery. Fantatra fa hiarahana miasa akaiky amin’ireo sampandraharaham-panjakana samihafa ny fametrahana ny birao mba tena hanamorana ny fivezivezen’ireo olompirenena manao taratasy, sady hiantohana amin’ny fanafoanana ny kolikoly. L’article Raharaham-bahoaka :: Hanamora ny fikarakarana taratasim-panjakana ny Ivotoro est apparu en premier sur AoRaha.

Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: « Ilana fitsipika ny fitantanana ny tanànantsika »
28/09/2020

Nitondra fanazavana momba ny fitantanana an’Antananarivo Renivohitra ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, omaly. Noresahiny tamin’izany ny momba ny Fitsipi-pifehezana monisipaly momba ny fikoloana fahasalamana (CMH). Eo koa ny fitaterana sy ny tsena ary ireo fotodrafitrasa samihafa.« Tsy voasazy rehefa tsy diso… Raisina ny fepetra rehefa misy ny fanelingelenana ny fiarahamonina, indrindra raha miverimberina izany ary afaka mitaraina ireo iharan’izany », hoy izy namaly ireo resabe momba ny CMH. Na izany aza, nambarany fa tsy mbola hampiharina izany. Ialohavan’ny fanentanana sy ny fanabeazana sady mbola miandry ny fanorenana fotodrafitrasa izany, araka ny nambarany. « Diso ny filazana fa hakan’ny CUA vola ny CMH. Samy hafa ny lamandy sy ny hetra », hoy izy. Natsidiny sahady fa hisy WC miisa 50 haorina mialoha ny faran’ny taona. Efa misy ny vola 32 miliara Ar avy amin’ny mpiara-miombona antoka hahazoana dabam-pako miisa 5 000 eny anivon’ny fokontany, sarety 600 sy borety 1 000 ary kifafa 45 000. Hanamboatra CSB miisa efatra sy idivianana fanafody ny iray tapitrisa dolara.Hivoaka ny tolo-bidy fanorenana tsena etsy Anosy Ankoatra izany, nambarany efa hivoaka ny tolo-bidy ho amin’ny fanorenana tsena etsy Anosy sy ny Coum 67 ha ary koa ny fanarenana ny Zaimaika. Efa manomboka koa ny fanamboaran-dalana ary hivoaka amin’ny herinandro ny tolo-bidy ho amin’izany. « Hatsaraina ny fomba fiasa amin’ny herintaona fa hovitaina mialoha ny fahavaratra aloha ireo lalana ireo », hoy izy.Etsy andaniny, nohitsiny fa tsy maintsy hofoanana ny fifanarahana amin’ny Easy park noho ny fitongilanana nefa kosa handoavam-bola hatrany ny “parking”. Hatao amin’ny fomba hafa amin’ny alalan’ny fandoavam-bola amin’ny “borne” izany. Hiitatra amin’ny tsena izany fomba fakana vola izany rehefa voaisa ireo mpivarotra. Mialoha ny faran’ny taona, homena toerana ireo mpivarotra etsy Behoririka. Haverina amin’ny toerany kosa ireo mpivarotra ara-dalàna miisa 16 etsy amin’ny Esplanade. “Manahirana ny fanararaotana politika ataon’ny sasany sy ny famadihana izany ho amin’ny sain-dratsy”, hoy izy. Hanorina trano fonenan’ireo sahirana ny CUAAnkoatra izany, nampanantena ny ben’ny Tanàna fa hanamboarana trano fonenana ka ireo tena sahirana na ireo may trano. Tsy ho maimaimpoana anefa izany fa haverina tsikelikely amin’ny alalan’ny fanomezana asa azy ireo na ny Himo. “Tsy mijanona intsony isika rehefa manomboka ny asa”, hoy izy. Nanteriny indray koa fa hatsaraina sy ahitsy ny fomba fakana hetra amin’ny fanorenana trano ka anisan’ny hahazoana izany ireo fanorenana lehibe, toy ny an’ny orinasa na tranobe.Hatsaraina ny vola miditra amin’ny taxi-beNoresahina koa ny vahaolana amin’ny fitohananan’ny fifamoivoizana. Eo ny fanamboaran-dalana sy ny fanalana mpivarotra. Halamina koa ny zotra andehanan’ireo taxi-be. Ampidirina Cnaps ireo mpiasa ary hotadiavina ny fomba hampiakarana ny vola miditra amin’ireo mpitatitra. Ampiasaina ny “géolocalisation”, hanaraha-maso ireo fiara ary hampiana amin’ny fividianana fiara izy ireo hifampiraharaha amin’ny mpandraharaha momba izany. Hoferana koa ny fidiran’ireo taxi-be “suburbaine” eto fa natao ho an’ny “urbaine”. Maka sisiny ireo avy any ivelan’ny Renivohitra.Ampahany amin’ireo resaka nifanaovan’ny ben’ny Tanàna, tamin’ny mpanao gazety, momba ny fitantanana an’Antananarivo, ireo.Synèse R.                     L’article Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: « Ilana fitsipika ny fitantanana ny tanànantsika » a été récupéré chez Newsmada.

Lomano-Filaharana Afrika: mbola “top 10” i Murielle
23/09/2020

 Misondrotra avo hatrany ny voninahi-pirenena malagasy, amin’ny alalan’ny taranja lomano. Taorian’ny nahazoany ny laharana faha-7, teto Afrika, ho an’ny 100 m NL, vehivavy, mbola tafiditra “top 10” indray Rabarijaona Tiana Marielle, ho an’ny 400 m NL. Ny fifaninanana “56th Malaysia International Age Group Swimming Championships” ka nahavitany ny hazakazaka tamin’ny fe-potoana 04’35”45 ny nahafahana nametraka ho eo amin’ny laharana faha-10 eto Afrika. Filaharana navoakan’ny Cana (Confederation africaine de natation), omaly, ho an’ny taona 2020. Tsiahivina fa maro ny fifaninanana iraisam-pirenena natrehiny tamin’ny taona 2019, nahazoany “record national” maromaro. Isan’izany ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, teo amin’ny 400 m NL, ny namontsanany ny zava-bita tsara indrindra nasionaly io. Nandray anjara tamin’ilay fifaninanana natao tany Gwangju, Corée, ihany koa i Murielle ka zava-bita tsara indrindra nasionaly roa ny montsany (50 m basse/200 m NL).Raha hiverenana ity filaharana nivoaka ity teo amin’ny 400 m NL, azon’i Dune Coetzee ny laharana voalohany (04’19’’19). Mi.Raz L’article Lomano-Filaharana Afrika: mbola “top 10” i Murielle a été récupéré chez Newsmada.

11 è Fed: 518 tapitrisa euros avy amin’ny UE
25/09/2020

Mitentina 518 tapitrisa euros ny vola avy amin’ny Vondrona Eoropeanina (UE), iadiana amin’ny fahantrana sy hanarenana ny toekarena eto Madagasikara. Avy amin’ny Tahirimbola eorpeanina ho an’ny fampandrosoana andiany 11 è Fed ity fanampiana ity, ao anatin’ny fandaharanasa Programme indicatif national (PIN), ho an’ny fe-potoana 2014-2020. Miandraikitra ny fandrindrana sady manara-maso ny fanatanterahana ny asa ny Birao manohana ny fiaraha-miasa any ivelany (BACE).Nilaza ny talen’ny BACE, Rakotomahefa Bruno Maurille, fa mifandray amin’ireo minisitera mahazo ny famatsiam-bola izy ireo, mijery ny tetikasa ho tanterahina. Miantoka ny fanaraha-maso ny fanatanterahana sy ny firindran’ny tetikasa izahay, raha vao nivoaka ny famatsiam-bola.Sehatra telo lehibe no voakasiky ny 11 è Fed ao anatin’ny PIN. Ny fitantanana sy ny fampandrosoana ny asa ho an’ny vahoaka (145 tapitrisa euros), ny lafiny fotodrafitrasa ara-toekarena (230 apitrisa euros) ary ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra (130 tapitrisa euros). Manampy ireo ny fanohanana ny fierahamonim-pirenena (8 tapitrisa euros) sy ny fanamorana ny fiarahamiasa teknika (2 tapitrisa euros). Efa nivoaka ny 96%-n’ny vola. Hanampiana ny tetibolam-panjakana ny 21 tapitrisa euros ambiny.Njaka A.L’article 11 è Fed: 518 tapitrisa euros avy amin’ny UE a été récupéré chez Newsmada.

Covid-19 sy ny toekarena: miantso maika fikaonandoha ny Harena
23/09/2020

Tsy afaka ny hangina. Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Harena, amin’ny alalan’ny filohany, Rabarison Lezava Fleury, omaly. “Ndao haverintsika ny toe-tsaina sy ny toe-po nananantsika nanohanana ny Barea, herintaona lasa izay. Samia manana fahavononana hifanatona sy hifampiresaka. Hikaon-doha sy hikaroka vahaolana mahomby sy maharitra handresentsika ny fahavalo iombonana”, hoy izy ireo. Anisan’izany ny mbola tsy nandresena tanteraka ny Covid-19, ny adilahy politika arahin’ny fifanasana vangy. Eo koa ny fanarenana ny toekarena, tsy mbola hita taratra izany, araka ny fanambarana. Miantso ny mpikambana eo anivon’ny antokony sy ireo mpiara-dia aminy hanentana ny olom-pirenena hiaraka hamolavola isan-tsehatra ny fomba sy ny paikady hiatrehana ny Covid-19 sy ny fahantrana ary koa ny fanarenana ny fihariana. “Tsarovy ny adidy masina miandry antsika: ny hitia sy hanolokolo ary hanatsara ny lovasoa sarobidy nalevan’ireo razantsika. Ndao isika rehetra hiaraka hikatsaka, hanorina ary hiaina fiadanana sy filaminana ary fandrosoana eto Madagasikara,”, hoy ihany ny antoko Harena.Synèse R. L’article Covid-19 sy ny toekarena: miantso maika fikaonandoha ny Harena a été récupéré chez Newsmada.

Fanenjehana olom-boafidy :: Voaheloka higadra antranomaizina indray i Leva
29/09/2020

Tsy afa-bela. Nomelohin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany any Morondava fanindroany indray ny depioten’i Mahabo teo aloha, Raveloson Ludovic na i Leva, omaly. Voaheloka higadra roa taona an-tranomaizina sazy mihatra izy tamin’ny raharaha fakàna vola an-terisetra tamin’olona ary sazy herintaona an-tranomaizina tamin’ny fiampangana ratra sy vono niniana natao. “Rehefa misy ny fiampangana amin’ny heloka roa samy hafa tahaka izao dia izay sazy farany ambony tamin’ireo fanamelohana no ampiharina amin’ny voampanga”, hoy Ratsimandranto William, tonia mpampano lalàna ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany any Morondava. Efa voasazy higadra dimy taona an-tranomaizina ihany koa anefa izy, tamin’ ny taona 2018. L’article Fanenjehana olom-boafidy :: Voaheloka higadra antranomaizina indray i Leva est apparu en premier sur AoRaha.

Fametrahana ny tany tan-dalàna: malahelo sy menatra amin’ny ataon’ny fitsarana ny KMF/Cnoe
24/09/2020

Tsy nitsitsy fitenena ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, manoloana ny fametrahana ny tany tan-dalàna. Anisan’ny notsikerain’izy ireo ny fitsarana.“Foto-kevitra iray iainan’ny KMF/Cnoe ny fanajana lalàna. Ho anay, rehefa izay ny fanapahan-keviny: mampalahelo sady mahamenatra. Mampalahelo sy mahamenatra tsy hoe tsy nahavoa na resy izahay fa Repoblika sy fanjakana tan-dalàna no iainantsika nefa mahasahy milaza fa tsy mahefa ny raharaha ny mpitsara.”Io ny nambaran’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, notarihin’ny filoha nasionaliny, Andriamalazaray Andoniaina, teny Antanimena, afakomaly, manoloana ny tsy fahefan’ny Filankevi-panjakana mitsara ny fitoriany amin’ny hanafoanana ny didim-panjakana fihaikana mpifidy vaventy sy ny hanafoanana ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra.Ny fanambaran’ny Filankevi-panjakana fa tsy mahefa hitsara ny raharaha amin’izay io fitoriana izay no tsy nampoizina. Efa nisy ny ady toy izao tany amin’ny taona 2008. Angamba, mety ho diso fitadidy ireo mpitsara. Nisy didim-panjakana navoakan’ny Filankevi-panjakana tamin’izany. Amin’ny maha didy fakan-tahaka azy fotsiny, mahamenatra ny nambaran’ny fitsarana ho tsy mahefa ny raharaha. “Mahamenatra izany fa tsy maninona: izay ny rafitra sy ny lalàna, hajaina ny lalàna”, hoy izy.Tsy ny voka-pifidiana no zava-dehibeRehefa mifidy ny olona, tsy ny voka-pifidianana no zava-dehibe fa ny fahazoana maneho hevitra amin’ny latsa-bato. Izay famoahana ny safidy avy amin’ny tsirairay izay no manambara fa tany tan-dalàna sy fanajana ny demokrasia, manoloana ny filazana fa tsy hanova ny voka-pifidianana ny tsy fahafenoan’ny mpifidy vaventy amin’io fifidianana loholona io.Nilaza ny mbola hivory sy handinika tsara ny KMF/Cnoe na hanara-maso na tsia ny fifidianana. Tsy azo entina amin’ny hafanampo sy ny hataitairana ny raharaham-pirenena.R.Nd.L’article Fametrahana ny tany tan-dalàna: malahelo sy menatra amin’ny ataon’ny fitsarana ny KMF/Cnoe a été récupéré chez Newsmada.

Craam – Madagaslam: hiverina ny hetsika slam eny amin’ny Oniversite
25/09/2020

Manomboka miverina tsikelikely ny hetsika ara-javakanto na mbola eo aza ny hamehana ara-pahasalamana mihatra eto Madagasikara. Hotanterahina etsy amin’ny Craam oniversiten’Antananarivo ny hetsika  «  Slam à l’U »,   handraisan’ny rehetra anjara. Hetsika anisan’ny fiaraha-miasan’ny fikambanana Madagaslam  sy ny Craam ity atao, anio, 25 septambra 2020, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ity. Seho ara-kolontsaina efa fanao teo aloha, saingy noho ny hamehana dia nisy fiatoana izany ka izao manomboka miverina izao indray.   Araka ny nambaran’ny mpikarakara dia tsy maintsy arahin’ny rehetra ny fitsipika ara-pahasalamana «  geste barrières » ho an’ny mpanatrika mba hisorohana ny fihanaky ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara.NarilalaL’article Craam – Madagaslam: hiverina ny hetsika slam eny amin’ny Oniversite a été récupéré chez Newsmada.